Ireo zavatra manjavozavo momba ny zon’olombelona araka ny finoana Silamo

Ireo zavatra manjavozavo momba ny zon’olombelona araka ny finoana Silamo

Ireo zavatra manjavozavo momba ny zon’olombelona araka ny finoana Silamo

شبهات حول حقوق الإنسان في الإسلام باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

Dr. Abd Ar-Rahman bin Abd Al-Karim Ash-Sheha

د. عبد الرحمن بن عبد الكريم الشيحة

 

 

Fandikan-Teny Nataony

European Islamic Research Center (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

Famerenana

Rasolomanampisoa Abd Al-Hakim & Ruffin Marabe Moustapha

& Mouhamad Christian & Janfary Tourouquy

 

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

 

Amin’ny anaran’i Allah, ilay be indra-fo, Ilay be fiantrana

Dera sy voninahitra ho an’Allah, ary tso-drano sy fandriampahalemana ho an’ny Mpaminanin-tsika Mohammad, sy ny fianakaviany, ary ireo Mpanara-dia Azy.

Ary izao manaraka izao,,,

Teny fanolorana:

Fiarahamonin’olombelona rehetra dia tsy maintsy mametraka zo hoan’ny tsirairay, izay hiainan’izy ireo amin’ny asa aman’andraikiny, mba hahatsiarovan’izy ireo fahasambarana amin’ny resaka fandriampahalemana sy fahasambarana amin’ny fitoerana eto an-tany, ary izay manome antoka ny fitiavana ho azy ireo sy ny fampandrosoana. Ary anisany zavatra hitantsika amin’ny fiainantsika ankehitriny maneran’izao tontolo izao dia misy telo lehibe;

Ny voalohany dia manaja sady manolotra ny olona amin’ny anaran’ny vondrona, nefa tsy miraharaha tanteraka ny fahafahan’ny fiarahamonina sady tsy manome azy ny zony ara-dalana sy antoka tanteraka, izay lasa antony manokana mahapotika ny fiainan’ny fiarahamonina izay tafahitsoka tanteraka amin’ny resaka materialy tsy mahomby sy ny fiparitahan’ny fanaovana heloka bevava maro isankarazany, ary izany no antsoina ankehitriny amin’ny anarana hoe: (KAPITALISMA), [CAPITALISM: izany hoe: fomba anankiray izay hitazoman’olom-bitsy ny harem-pirenena, fa tsy ny firenena akory no mitantana azy].

Ny faharoa, dia manaja sady manolotra ho an’ny vondrona amin’ny fananan’ny tsirairay, izay manery ny hevitry ny tsirairay sady mandroba ny zony, izany hoe; ny isambatan’olona dia tsy manan-tsafidy, sady tsy manan-jo. Tsy manan-jo izy ireo afa-tsy izay omen’ireo vondrona azy ihany sy ireo tomponandraikitra amin’ny firenena. Ireo zo izany dia izay ampiasaina noho ny tombontsoa manokan’ny vondrona manokana, araka izay haintsika tsara ankehitriny fa, izy ireo dia fantatra amin’ny anarana hoe; (KOMUNISMA), [COMMUNISM: izany hoe: karazana sosialisma ihany ilay izy. Ary ny indostria rehetra dia tantanany sy fehezin’ny Firenena].

Fa ny fahatelo, dia tsy manolotra ho an’ny olom-bitsy amin’ny anaran’ny vondrona, sady tsy manolotra ho an’ny vondrona ihany koa amin’ny anaran’ny olom-bitsy, fa manome amin’ny fomba ara-dalána ny zon’ny rehetra.

Satria ny tsirairay dia manana zo amin’ny fiarahamonina, ary ny fiarahamonina koa dia manana zo feno tanteraka amin’ny tsirairay izay miaraka amin’ny antoka sy fepetra hifanarahana. Ary ny tombon-tsoan’ny daholobe dia nomena sehatra bebe kokoa noho ny tombontsoan’ny tsirairay raha misy fikomiana miseho.

Hatolotray amin’ny alálan’ireto takelaka ireo amin’ny fijery ankapobeny ny mahakasika ny zon’olombelona eo ambany alokan’ny finoana Silamo, araka izay ambaran’ny boky masina Korany sy ny Sori-dálan’ny Mpaminany Mohammad –saw-, satria ireo zavatra roa ireo no loharano fototry ny finoana Silamo.

Ireo zo ireo dia mitaky amin’olombelona mba ho olombelona amin’ny toetrany, amin’ny fomba fifandraisany amin’ny hafa ankoatr’azy. Matoky tsara aho fa, ny fampiasana sy ny fampiharana izany dia hamokatra fahasambarana ho an’olombelona, ary hahitana izay tadiavin’ireo fiarahamonina rehetra ireo, mahakasika, ny: fandriampahalemana, fandrosoana, ary ny fahombiazana maharitra. Satria ireto zo ireto dia tsy resaka traikefa, na foto-kevitra ara-piarahamonina, na zavatra ilaina mandritra ny fotoana voafetra, na koa toro-hevitra politika. Ny mahatonga aho matoky tsara amin’ny zavatra izay ambarako, dia noho ny antony fa, izy Tompo Zanaharin’ny olombelona mihitsy no nandidy ireo zo ireo, satria Izy no Mahafantatra izay mahasoa ny olombelona amin’ny raharahany, sady mampihatra ny fahamarinana tanteraka sy fanomezana antoka amin’ny fiainan’ny olombelona.

Hamafisina, fa ny Fototra firaketan-dalána Silamo –Ny Korany sy ny Sorid-alana masin’ny Mpaminany saw- dia feno izany raki-dalána mahakasika ny zon’olombelona izany, sady nandrafitra azy mba hampiharina.

Ka ny zavatra voalohany nanehoana ny fanandratana ny olombelona amin’ny sasany hafa dia arak’izay ambaran’ny Tompo Allah swt [s.w.t.: ilay Avo indrindra] ao amin’ny Boky masina Korany manao hoe: “Hamafisina, fa nomenay haja ireo taranak’i Adama, nentinay teny an-dranomasina sy teny an-tanety izy ireo, nomenay sakafo tsara, ary notiavinay manokana mihoatra ny maro amin’ireo zava-boaharinay izy ireo”. [Al-isrá, and: 70].

Izany fanandratana izany dia mitaky zo miantoka sy hifikiran’izany, sady maka antoka ny fahafahan’olombelona sy ny fanomezana azy ny fahafahana hanorina fonenana hitoetra eto antany mba hanatanteraka ny adidy amanandraikitra amin’ny fandovana ny tany amin’ny alalan’ny taranaka, arak’izay nohazavain’Allah swt amin’ny teniny hoe: “Izy no nanao anareo ho mpandimby ety an-tany, sy nanandratra ny sasany aminareo ho ambony laharana noho ny sasany”. [Al-an’am, and: 165].

Ny zon’olombelona araka ny finoana silamo, dia tsy mitsahatra amin’ny fiainany eto antany fotsiny, fa mbola mitohy na dia any aorian’ny fahafatesana. Ary anisany zon’olombelona anankiray amin’ny finoana silamo rehefa maty izy, dia ny fampandroana azy sy ny fanaovana ranomanitra (fofona manitra) aminy, sy ny fandrakofana azy amin’ny lamba fotsy vaovao, ny fanaovana soalah amin’ny maty ho azy, ary ny fangatahana ranom-bavavaka hoa azy. Satria araka ny tatitra izay nataon’i Abou Hourairah (RA) hoe: naheno ny Iraka masina Mohammad –saw- izaho niteny hoe: “Raha manatanteraka vavaka amin’ny maty ianareo, dia ataovy amim-pahadiovam-po tanteraka ny ranombavaka izay ataonareo ho azy”. [Swahih, abou Daoud&Ibnou Hibbáni/sounan Abi Daoud, j 3, pejy: 210, hadisy laharana: 3199]. (dikany hoe: amim-pahadiovampo tanteraka, dia Mangataha ho azy amin’ny fo-madio sy amin’ny fo velona amin’ny fahatsiarovana an’Allah).

Voararan’ny lalána ny fanalana Baraka sy ny fandratrana ny sasany amin’ny vatany (fanovana endrika, na manapaka ny sasany amin’ny faritra amin’ny vatany), araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- hoe: “Ny fanapahana ny taolan’ny maty, dia mitovy amin’ny fanapahana azy mbola velona”. [Swahih, abou Daoud].

Mahakasika ny fangadiana ny fasana izay efa misy azy, na ny fipetrahana sy ny fandalovana eo amboniny, dia voarara ihany koa. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Aleon’iray aminareo lavitra no mipetraka eo ambonin’ny vaikatr’afo (vain’afo) mafana mandrapaha may tanteraka ny lambany ka mahazo amin’ny hodiny, dia tsara mandilatra ho azy toy izay hipetraka eo ambonin’ny fasan’olona”. [Swahih Mouslim/fizarana 2, pejy: 667, hadisy laharana: 971].

Ary anisany zony dia ny fiarovana ny voninahitrany, ary ny tsy fanalana baraka azy na dia aorian’ny fahafatesany. Satria araka ny nambaran’ny Mpaminany Mohammad –saw- hoe: “Resahinareo ny tsara izay vitan’ny maty aminareo, fa iataho kosa ny firesahana ny ratsy izay nataony”. [Sounan Abou Daoud, J4, pejy: 275, hadisy laharana: 4900]/ (Abou Daoud, at-tirmithi, al-Hákim&Al-Baihaky) {Faible/Marefo}.

Anisany zony amin’ireo zanany sy ireo fianakaviany akaiky, dia ny fangatahana vavaka tsara ho azy amin’ny fangatahana famelan-keloka sy indrafo avy amin’Allah swt ho azy. Ary koa ny fanatanterahana ny hafatra izay napetrany, sy ny fifanarahana taorian’ny fahafatesany. Ka hoy ny Mpaminany –saw- tamin’ilay lehilahy izay nanontany Azy hoe: Oh ry Irak’Allah! Moa ve mbola misy fanaovana soa azoko atao amin’ny Raiaman-dReniko aorian’ny fahafatesany? Namaly Azy ny Mpaminany –saw- hoe: “Eny, dia ny vavaka ho azy ireo (ranombavaka ho azy ireo), sy ny fangatahana famelan-keloka ho azy ireo, sy ny fanatanterahana ny fifanarahana izay nataony aorian’ny fahafatesana, ary ny fanajana ny fihavanan’izy ireo izay tsy mifandray afatsy amin’izy ireo ihany, ary ny fanaovana soa amin’ny naman’izy ireo” [Sounan Abi Daoud, J4, pejy: 336, hadisy laharana: 5142], (fanatanterahana ny fifanarahan’izy ireo: izany hoe, fanatanterahana ny anatra izay napetrany. Ary ny zavatra nifanarahan’izy ireo hatao talohan’ny fahafatesany). {Abou Daoud, ibnou Majah, & Ibnou Hibbáni & Al-Hákim, nambarany fa, hadisy marim-pototra sy loharano, nefa tsy nanao famoahana amin’izany izy roa ireo, ka nambaran’i Sheikh Albany, faible/marefo}.

Angamba mety hitan’ny mpamaky an’ireto zon’olombelona ireto fa, misy hitovizany ihany izay iantsoan’ireo orin’asa sy fikambanana izay miaro ny zon’olombelona sy izay rehetra mitovy amin’izany. Nefa ny zavatra nentin’ny finoana Silamo, dia taloha lavitry mihoatra ny 14 taon-jato noho ireo fikambanana sy vondrona maro isankarazany ireo.

Fantatra mazava tsara fa, ireo zo izay lazain’ireo vondrona ireo fa, arovany, dia misy fahabangana betsaka tokoa, tahaka ny; tsy firaharahana amin’ny zava-dehibe, sy amin’ny zavatra tena laharam-pahamehana. Satria noho ny antony fa; Tsy mametraka ny zon’olombelona amin’ny toerany tena izy tokoa izy ireo, fa ny fahamarinana dia ny fiarovana ny olombelona noho ny anton’ny tombontsoa manokana ho azy ireo, amin’ny fanararaotana ny fahefany, sy ny fahafahana izay ananany mba hanatanterahana ny tanjona na tetika manokana izany na koa mety ho an’ny ampahan’olona.

Ary ny porofo manambara izany dia ny fahitanay ny fandrobana ny zon’olombelona betsaka, izay alaina ankeriny avy amin’ny maro amin’olombelona, izay hita miseho manerana izao tontolo izao. Nefa na dia izany fa izahay dia mahita tsy firaharahana betsaka tokoa manoloana izany fandrobana sy fakana ankeriny ny zo izay mahaolombelona azy ireo sy ny fandrobana ny fananan’izy ireo ihany koa.

Nefa ny zon’olmbelona dia dradradradraina amin’ireny firenena ireny, fa ny mampalahelo dia tena tsy vitan’izy ireo mihitsy ny manova sy manohitra izany fihetsika sy fomba tsy mety izany. Satria ny teny filamatr’izy ireo dia ny hoe: “Ny tsy fitsabahana amin’ny raharaha anatin’ny Firenena”, ka midika izany fa, mifanohitra tanteraka amin’ny tanjona izay lazainy fa, takiany ny fanovana izay kasainy.

Hamafisina, fa ny zon’olombelona amin’ny finoana Silamo, dia tsy vitan’ny resaka na kobak’ambava fotsiny. Raha jerevana ny zavatra niseho tamin’ny fotoanan’ny Lehiben’ny Mpino, omar bin Al-Khattwab –RA-, rehefa tonga taminy ny vaovao fa, niditra amin’ny finoana Silamo i Jibla Mpanjaka Arabo Kristianina, dia faly tamin’izany tokoa izy, ka nampiantso azy izy mba hihaona aminy tao Madinah. Na koa araky ny tantara fa, i Jibla mihitsy no nangataka hihaona taminy, ka nanaiky izany izy, ary nandeha nitaingina mandrapaha tonga tao Madinah, ka niditra tamin’i Omar izy, ary niarahaba azy, ka noraisin’i Omar –RA- izy. Niatrika ny fivorian’i Omar izy, sady nanatanteraka ny Fivahiniana masina niaraka taminy izy tamin’izany taona izany. Ka rehefa tamin’ny fotoana izay nanatanterahany ny fihodinkodinana manodidina ny Ka’bah, dia nisy lehilahy avy tamin’ny Bani Fizárah no nahitsaka ny lambany tamin’ny tongony, ka latsaka ny lamba fitafiny tamin’izany. Ka nikapohin’i Jibla ilay olona ka vaky ny oron’izany lehilahy izany. Nisy tamin’olona mihitsy no niteny fa, afaka maso tokoa ilay lehilahy. Ka nitaraina tamin’i Omar –RA- ilay lehilahy Fizáriana, hitaky ny zony, ary fantatra amin’ny toetra maro tokoa izy ao amin’ny foko Fizárah. Nampiantsoan’i Omar –RA- izy, ka niaiky tokoa i Jiblah, ary niteny azy Omar, hoe: mitaky aminao ny zony izy. Namaly izy hoe: Ahoana áry izany? Izaho anie mpanjaka, fa izy dia olon-tsotra sady ambany. Namaly Omar –RA- hoe: ny Finoana Silamo, no nampitambatra sy nampitovy anareo, ka noho izany, dia tsy amboniny ianao raha tsy noho ny fahatahorana an’Allah. Ka niteny i Jiblah, hoe: hamafisina, fa heveriko mba ho ambony lavitra noho ny tenako mbola tamin’ny fahabadoana izaho raha ato anatin’ny finoana Silamo. Ka hoy Omar –RA- hoe: tazomy ho anao izany rehetra izany, fa raha toa ka tsy hanaiky an’izany ianao, dia izaho mihitsy no handray fanapahan-kevitra amin’ny fanatanterahana ny valin-keloka aminao. Nanontany izy hoe: Raha miverina amin’ny finoana kristianina aho? Namaly Omar –RA- hoe: Raha miverina amin’ny kristianina ianao, dia tapahiko ny lohanao. Rehefa hitany ny fahavononan’i Omar –RA- tamin’ny zavatra nolazainy, dia niteny izy hoe: mbola hodinihako ny raharahako raha amin’ny hariva. Ka lasa niala lavitra avy tamin’i Omar –RA- izy. Rehefa maizina ny andro, dia nitaingina handeha any Shám, izy sy ireo vahoakany ary ireo izay mpankato azy. Lasa tany Sham izy, ary avy eo, dia nitohizany ny lálana ka niditra amin’ny Firenena Romanina izy, sady niditra tamin’ny Mpanjaka Hirakla izy tao amin’ny Tananan’ny Constantinople, nandray azy tsara i Hirakla. Dia nomeny Tanána betsaka izy, ary napetrany mba hamokarana fahasoavana maharitra sy anjaram-pivelomana lehibe, ary mbola nomeny fahasoavana mahafinaritra ho azy, sady ho isan’ireo namana akaiky azy indrindra, mifampiresaka mangingina sy fampivazivazy miaraka. [al-bidáiyah & An-Niháiyah, an’ibni Kathir, fiz: 8, pejy: 64].

Ny finoana silamo dia miezaka mandrakariva amin’ny fiarovana ny zon’ny tsirairay, ary tahaka izany ihany koa dia miaro ny zon’ny hafa, ary ny fiarovana ireo voan’ny tsindrihazolena avy amin’ireo mpanao ny tsy rariny. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary inona no manakana anareo tsy hiady amin’ny lálan’Allah, fa ireo nizaka ny fandemena tamin’ireo lehilahy, sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy aza dia milaza hoe: tompo Zanaharinay oh! Esory amin’ity tanána fonenan’ny mpanao tsindrihazolena ity izahay, ary aoka ianao hanendry sakaiza mpitarika ho anay, ary aoka ihany koa ianao hanendry mpamonjy ho anay”. [An-Nisá, and: 75].

Ary ireto zo ireto dia nodidiana hoan’ny rehetra, na mpino silamo izany na tsy mpino. Ka manamafy an’izany ny Iraka masina Mohammad –saw- manao hoe: “Tandremo! Fa izay miangatra amin’olona izay nifanarahana, na tsy nanatanteraka amin’ny tokony ho izy izany, na izay nampiasa azy mihoatra ny tokony ho vitany, na naka amin’ny fananany tsy rariny, dia Izaho mihitsy no hijoro ho mpisolo-vava azy amin’Andro farany”. [Abou Daoud&Albaihaky, nohamarinin’i Sheikh Albany].

Ary mbola niteny ihany koa Izy –saw- hoe: “Tandremo! Izay miangatra amin’olona izay nomeny antoka, na manapaka ny zony, na nampiasa azy mihoatra ny tanjakany, na naka zavatra tamin’ny fananany tsy amin’ny sitra-pony, fa Izaho no mpisolo-vava azy amin’ny andro farany. Ka nanondro ny tratrany tamin’ny tondrony ny Iraka masina Mohammad –saw- ka niteny hoe: tandremo, fa izay mamono olona izay nomena antoka amin’ny fiarovana azy ho an’Allah sy ny Irany, dia hataon’Allah fady ho azy ny fofon’ny Paradisa, nefa hamafisina, fa ny fofon’izany Paradisa izany, dia heno avy amin’ny halavirana manelanelana fitopolo taona (70 ans distance)”. [Sounan Al-Baihaky, fiz; 9, pejy: 205, hadisy laharana: 18511].

Hamafisina, fa ny Finoana silamo dia nandidy amin’ny fampiharana ny fanajana ny zon’olombelona amin’ireny firenena Silamo ireny, mba hifikitra tanteraka amin’izany amim-pahamarinana araka ny fetra izay takiana amin’ny fanatanterahana izany. Izany hoe; amin’ny tsy maintsy hampiharana ny rafi-dalana sy ireo fepetra takiana amin’izany araka ny finoana.

Nefa ny zava-misy, dia maro amin’izy ireny no manome lamosina tanteraka amin’ny finoana silamo, ary misy amin’izy ireo koa izay mandray ny finoana silamo araka ny fitakian’ny tombontsoany manokana sy ny tanjona izay tiany ho tratrarina. Ary misy koa ireo izay mialokaloka afaran’ny finoana silamo mba hanapotehana sy handratsiana izany.

Ka noho izany, dia ho an’izay olona misaina, ary indrindra ny olona izay mpandinika sy mpandalina, ary indrindra koa moa ireo izay ivelan’ny finoana Silamo, ka raha te-hitsara ny finoana silamo sy ny mahakasika ny zon’olombelona izy, dia tsy maintsy mila mikaroka lalina tsara izy, fa ny Finoana Silamo, dia: Rindran-dámina harahina, ary lalána mahaleotena tanteraka, fa tsy miankina amin’ny fihetsika sy eritreritry ny andian’olona na vondrona na ampahana firenena maneran-tany fotsiny izany. Satria ny fampiharana ireo zo ireo amin’ny firenena Silamo, arak’izay efa nambaranay teo aloha, dia manosika amin’ny fampiharana ny lalána Silamo amin’ireo firenena Silamo ireo.

Satria manko raha mety ny rindran-dalána, ka hitantsika fa misy tsy fietezana amin’ny fampiharana azy, satria matetika fa, any amin’ny fampiaharana no, misy ny fahabangana sy ny tsy fahatomombanana.

Ndao ary isika haka ohatra anankiray mahakasika izany: Raha misy olona anankiray milaza fa, mpino silamo izy, nefa maneho fihetsika ratsy izay tsy mifanaraka amin’ny finoana silamo, tahaky ny: Lainga, sy fitaka ary ny fivadihana, moa midika ve izany fa, ny Finoana silamo no mampirisika amin’ny rindran-dalana izay miantso amin’ny fihetsika sy toetra ratsy??

Ka ny zavatra izay tokony hatao voalohany amin’izao toe-javatra izao dia tsy maintsy miverina amin’ny fampianaran’ny finoana silamo, sy amin’ny loharano marim-pototra, mba hahafantarany ny fahamarinana momba izany finoana izany.

Sady koa mba hahafantarany fa, ny fahatongavan-dafatra dia an’Allah swt irery ihany, fa ny tsy fahatongavan-dafatra dia tsy voatery an’ny Mpino Silamo ihany, fa ny olombelona rehetra dia manana tsy fahatongavan-dafatra daholo. Ka noho izany, dia tsy afa-bela amin’ny tsy fahatongavan-dafatra izy ireo, na izany amin’ny resaka mahakasika ny fiainany eto an-tany, na ny resaka finoana, na koa momba ny resaka fiarahamonina.

 

 

NY FINOANA SILAMO SY NY FIAHIANA AMIN’NY FIKARAKARANA IREO ZAVA-DEHIBE

Ny finoana silamo, dia miahy tanteraka amin’ny fampihisiana ny fiarahamonina vanona, ary izany dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny fisian’ny antoka amin’ireo fototra lehibe izay miaro ny fiainan’ny tsirairay amin’ny fananany zo feno tanteraka, mba hahitan’izy ireo fahasambarana sy fiadanan-tsaina ary ny fahatoniana tanteraka. Mba hiainan’izy ireo amin’izany amin’ny rivotry ny fahalalahana tanteraka, izay lavitry ny fanompoana ny olombelona na fanandevozana ataon’olombelona.

Ary amin’izay ihany koa hahafahan’izy ireo hampihatra amin’ny fiainany voajanahary amim-pahalalahana sy fahafinaretana tsara amin’ny zon’izy ireo ara-dalána. Ka hoy ny Mpaminany Mohammad –saw-: “Tandremonareo fa, ny rá-nareo, sy ny harenanareo, ary ny voninahitrareo, masina aminareo (Fady) tahaka ny hasin’izao andronareo androany izao, amin’ny volananareo izao, ary amin’ny táninareo izao”. [alboukhari, fiz: 10, fathou Al-Bári, pejy: 568, hadisy laharana: 6043].

Ny finoana Silamo dia miezaka amin’ny fananganana Fiarahamonina, izay ahitana ireto zavatra lehibe manaraka ireto:

  1. Ny fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra, arak’izao manaraka izao:
  • Fiarovana ny harena, arak’izay ambaran’Allah swt manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Aoka ianareo tsy hifampihinana ny harenanareo amin’ny tsy rariny, raha tsy efa nisy fifampiraharahana izay nifanekenareo”. [An-Nisá, and: 29].
  • Fiarovana ny voninahitra, arak’izay ambaran’Allah swt manao hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy madio fitondrantena kosa, nefa tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapohy im-balopolo izy ireo, ary aza ekena intsony ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Satria fa, mpanao ratsy izy ireny”. [Annour, and: 4].
  • Fiarovana ny ain’olombelona, hoy Allah swt manao hoe: “Lazao hoe: manatona aty ianareo, fa ho tanisaiko aminareo izay nandraran’ny Tompo Zanaharinareo anareo, fa hoe: aza mampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona ianareo; ary aoka ianareo hanasoa ireo Raiaman-dReninareo. Aza vonoina noho ny fahantrana ny zanakareo, izahay no miantoka ny anjaram-pivelomana ho azy ireo sy ho anareo ihany koa. Aza manakaiky ny fahavetavetana (fijangajangana), na miseho izany na miafina. Aza vonoina raha tsy amim-pahamarinana ny aina izay nohamasinin’Allah. Izany no anatra nandidian’Allah anareo; mba hampieritreritra anareo”. [Al-an’am, and: 151].
  • Fiarovana ny fanahy, ka nanambara ny Mpaminany –saw- mahakasika izany hoe: “Ny zavatra rehetra mahamamo, dia toaka, ary ny toaka rehetra dia fady”. [Swahih Mouslim, fiz: 3, pejy: 1588, hadisy laharana: 2003].

Tsy azo atao no mampihorohoro na mampiely ny tebiteby amin’olombelona, na amin’ny alalan’ny fitenenana aza izany. Satria efa nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay olona mampihorohoro mpino anankiray, dia zon’Allah tanteraka no tsy hanome azy fiarovana avy amin’i tebiteby amin’Andro farany”. [At-twabrani fit-targhib&At-tarhib, izay noraisin’i Sheikh Albany ho marefo fototra, ao amin’ny boky Hadisy marefo amin’ny al-jami’, laharana: 5362].

Na koa manondro na manámbana azy ireo amin’ny fitaovam-piadiana, satria ny Mpaminany –saw- niteny hoe: “Tsy azon’iray aminareo atao ny manambana fitaovam-piadiana amin’ny rahalahiny, satria tsy fantany fa, angamba mety hohatsarain’i Satana eo amin’ny tánany izany, ka ho latsaka amin’ny lavaka any anaty afobe”. [mouttafaquoun alayhi, swahih Alboukhari, fiz: 6, pejy: 2592, hadisy laharana: 6661]. {izany hoe: Satana dia manatsara ny fanatanterahana ny vono, izay hitarika amin’ny asa ratsy. Fa raha arak any lovan-tsofina hafa indray dia tahak’izao; ny fitifirana amin’izany ka ho tanteraka ny asa ratsy. Ary izany fanaovany fahotana izany no hampiditra azy amin’ny afobe}.

Ny finoana silamo dia mila fiarahamonina mandrifahalemana tsara izay hahafahan’olombelona tsirairay avy hizotra malalaka amin’ny fiainana sy hitady ny anjarany amin’ny fivelomana eto ambonin’ny tánin’Allah swt, ka noho izany mihitsy no, nametrahana rafi-dalána amin’ny fanasaziana ireo izay miezaka hanakorontana ny fandriampahalemana sy ny fijoroan’ny fiarahamonina Silamo.

  1. Fisian’ny famatsiana ara-tsakafo, amin’ny alalan’izao manarak’izao:
  • Famokaran’asa ho an’ireo izay mahavita miasa mba hiarovana ny zava-dehibe izay tena ilain’izy ireo mba hanomezana azy ireo ny fahafaham-pony, ary izany dia tsy maintsy tanterahina amin’ny fampirisihana ny olona mba hazoto hiasa. Ka manamafy an’izany ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Hamafisina, fa aleon’iray aminareo haka ny tady fakany kitay, ka ho entiny amin’ny lamosiny, ary avy eo dia avidiny izany kitay izany, dia ho arovan’Allah ny tarehiny (izany hoe: homen’Allah swt ny anjarampivelomana ampy azy izy ka tsy hangataka amin’olona), izany dia ho tsara lavitra ho azy noho ny fangatahana amin’olona, satria mety hanome izy ireo, ary mety handá ihany koa”. [Swahih Albokhari, fiz: 2. Pejy: 535. Hadisy laharana: 1402].
  • Fanampiana ireo izay tsy manana fahafahana amin’ny fitadiavana ny anjaram-pivelomana, noho ny faharefoana izany, na koa noho ny fahanterana, na aretina, na noho ny fahafatesan’ny fianakaviana izay mpiahy azy ireo, dia hakana avy amin’ny tahirin’ny tokantranom-pinoana Silamo ho azy ireo. Nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay namela harena, dia ho an’ny fianakaviany, fa izay namela trosa, sy olona izay ambany fiahiany (Zaza na olona taizainy), dia ho ahy na amiko ny andraikitra mahakasika izany, (Amiko ny raharahany, sy ny fandoavana ny trosany sy fampihinana ny marefo navelany), ary Izaho no Mpiahy ireo Mpino”. [Swahih, navoakan’i Ahmad&Mouslim].
  • Ireo fanomezana izay tsy maintsy hatolotra an’ireo mahantra sy sahirana ara-pivelomana amin’ny fiarahamonina Silamo. Izy ireo dia tsy maintsy homena ny zony avy amin’ny ampahan-karena izay voafetran’ny lalána tsy maintsy havoakan’ireo Mpanankarena Mpino Silamo. Satria izany no rafitra napetraky ny Finoana Silamo tsy maintsy hampiasaina amin’ny fiahiana manokana ara-tsosialy an’ireo sahirana, izay alaina avy amin’ireo mpanankarena ka homena ireo mahantra. Satria ny Mpaminany Mohammad –saw- dia niteny tamin’i Mou’áz bin Jabal –RA- rehefa nandefa azy tany Yemen, hoe: “…Ampianaro azy ireo fa, allah dia mandidy azy ireo amin’ny famoahana fanomezana avy amin’ny harenan’izy ireo, izay alaina avy amin’ny mpanankarena avy amin’izy ireo, ka homena an’izay mahantra amin’izy ireo”. [Swahih alboukhari, fiz;505. Hadisy laharana: 1331].
  • Ny fanomezana antsitra-po izay tanterahin’ny mpino silamo amin’ny fony madio tsara sy amim-pitiavana izany, mba hanomezana izay tadiavin’ireo rahalahiny izay sahirana ara-pivelomana. Izany no atao noho ny fanarahana ny didin’Allah swt sady noho ny fikatsahana ny hafaliany (Allah), ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Oh ry olombelona! Aparitahonareo ny fiarahabana (mifampiarahabá ianareo), hajao ny fihavanana, sady mampihinana ny sahirana, ary manatanteraha fanompoam-pivavahana amin’ny alina, rehefa matory daholo ny olona rehetra, dia hiditra amin’ny Paradisa ianareo miaraka amin’ny fandriampahalemana”. [Navoakan’i Tirmithi, sady nohitsiny].

Mbola nilaza koa Izy –saw- hoe: “Izay olona manala vesatra amin’ny mpino anankiray eto an-tany, dia ho esorin’Allah ny sasany amin’ny vesatrany any amin’Andro farany, ary izay manamora ny raharahan’olona anankiray izay misedra fahasahiranana eto antany, dia hamorain’Allah ny raharahany eto antany sy any ankoatra, ary izay manafina ny hadisoan’ny mpino silamo, dia hafenin’Allah ny hadisoany eto antany sy any ankoatra, ary i Allah dia hanampy mandrakariva ny mpanompo anankiray, raha mbola manampy ny rahalahiny izy”. [Navoakan’i Mouslim].

Ary mbola niteny ihany koa Izy –saw- hoe: “Ny olona izay tena tian’Allah, dia izay manao soa azy ireo, ary ny asa tena tian’Allah swt indrindra, dia ny fampidiranao hafaliana amin’ny mpino silamo, na koa ny fanesoranao ny vesatra izay sedrainy, na ny fandoavanao ny trosany, na ny fanalanao azy avy amin’ny hanoanana, ary aleoko lavitra mandeha miaraka amin’ny rahalahiko mpino silamo, mba hanatanteraka ny zavatra izay ilainy ka manahirana azy, toy izay hipetraka hanao asa fanompoana anaty Masjidy mandritra ny iray volana, ary izay mandanja ny hatezerany, dia hafenin’Allah ny henatrany. Ary izay mahafehy ny fahatezerany, ka nanana fahafahana haneho izany izy, dia ho fenoin’Allah hafaliana ny fony amin’Andro farany, ary izay mandeha miaraka amin’ny rahalahiny mpino silamo hanatanteraka ny zavatra izay tadiaviny mafy, mandrapaha hampitony azy tanteraka fa, azony tokoa ny zavatra notadiaviny, dia hafikitr’Allah swt ny tongony amin’Andro izay hampisolafaka ny tongotra. Ary ny haratsian-toetra dia hamafisina fa manimba ny asa, tahaka ny vinaingitra manimba ny tantely”. [Swahih Al-jámi’].

  • Famaizana mahery vaika ho an’ireo izay tsy miraharaha amin’ny fiainan’ireo Mpino silamo rahalahiny. Ka mahakasika izay indrindra no nanambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Tsy ho mpino ny iray aminareo, raha tsy mankatia ho an’ny rahalahiny ny zavatra tiany ho an’ny tenany”. [Mouttafakoun alayhi].
  1. Ny fisian’ny fampianarana, ka hoy Allah swt hoe: “Hasondrotr’Allah, izay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana”. [Al-moujádalah, and: 11]. Ny fianarana dia tsy vitany zo ho an’ny tsirairay amin’ny fiarahamonina Silamo fotsiny, fa adidy lehibe ho azy ireo. Ka noho izany dia andraikitra lehibe indrindra ny fianaran’izy ireo ny zavatra izay tokony hampandeha ny raharahany mahakasika ny ara-pinoana sy ny fiainana eto an-tany. Ary adidy amanadraikitry ny firenena silamo ny fikarakarana ny fomba rehetra izay hanampiana azy ireo amin’ny fitrandrahana izany fahalalana izany. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Ny fitadiavana fahalalana, dia zavatra tsy maintsy ataon’ny mpino tsirairay”. [Swahih al-jami’: 3913, swahih At-targhib&At-tarhib: 72/Sounan Ibni Majah, fiz: 1, pejy: 81. Hadisy laharana: 224]. Nefa hamafisina, fa ny finoana Silamo dia mandray ny ezaka rehetra amin’ny fitadiavana ny fahalalana, ny fianarana sy ny fampianarana azy, dia anisan’ireo lálana izay mitarika any amin’ny Paradisa, arak’izay nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay olona mizotra andalam-pitadiavana ny fahalalana, dia hamorain’Allah ho azy amin’izany ny lalany hankany amin’ny Paradisa…” [Swahih Mouslim, fiz: 4, pejy: 2074. Hadisy laharana: 2699].

Ny finoana silamo, dia mandrara tanteraka araka ny lalána, ny fanafenana sy ny tsy fampielezana izany fahalalana izany amin’ny hafa mba ho tombontsoa manokana ho an’ny tenany. Ka nampitandrina mafy dia mafy tokoa Izy –saw- mahakasika izany, hoe: “Izay olona manafina ny fahalalana, dia hasian’Allah laboridy/tady avy amin’ny afobe”. [Swahih ibni Hibbani, fiz;1. Pejy: 298. Hadisy laharana: 96], (Hasian’Allah swt tady, izany hoe: noho ny tsy firesahany mahakasika izany no hanasiana tady avy amin’ny afobe ny vavany).

  1. Ny fisian’ireo toeram-pahasalamana, ary izany dia araka izao manaraka izao:
  • Fampifadianana izay rehetra mety hanimba ny fahasalaman’olombelona, tahaka: ny fisotroana sy fibobohana ny zavatra mahamamo, sy ny fampiasana ireo zavatra mahadomelona. Hoy Allah swt manao hoe: “Oh ry Mpino! Ny toaka, ireo vatolahy (fanaovana fanompoan-tsampy) ireo zana-tsipika fanandroana (karazana sikidy), dia tsy inona akory fa, haratsiana avy amin’ny asan’i Satana. Ka iatahonareo izany mba ahazoanareo fahombiazana”. [Al-ma-idah, and: 90].
  • Fampifadianana ny fihinanana ny zavatra maty ho azy, ny rá, ary ny henan-kisoa. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Natao fady taminareo ireo biby maty ho azy, ny rá (lio), ny henankisoa, ary izay niantsoana anarana hafa ankoatra an’ Allah, ny biby nokendaina, ny biby maty noho ny kapoka, na maty nianjera, na maty voan’ny tandroka, ary izay novonoin’ny bibidia afa-tsy izay nolentainareo; voarara ho anareo koa ny biby izay natao sorona teo amin’ny sampy, ary koa ireo izay nozaraina ankitsapaka amin’ny alalan’ny zana-tsipika; satria izany dia haratsiana”. [Al-ma-idah, and;3].
  • Voarara ny fanaovana ireo asa vetaveta, tahaka ny; fanambadian’ny lahy sy ny lahy, sy ny fijangajangana, ary ny firaisan’ny vavy amin’ny vehivavy. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Koa aza manatona ny fijangajangana ianareo, satria fa fahavetavetana izany, ary tena lálana ratsy tokoa”. [Al-isrá, and: 32].
  • Fiarovana ny fiarahamonina ary ny famehezana azy amin’ny fampihisiana ny fitaovam-pitsaboana, ary izany dia tsy maintsy amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso mahakasika ny lafiny ara-pahasalamana; na anatiny izany, na ivelany (Tanana /Firenena). Satria ny Mpaminany –saw- niteny hoe: “Raha maheno, fa misy pesta ny Tanana anankiray, dia aoka tsy hiditra amin’izany ianareo, fa raha tratran’ny pesta amin’ny Tanana anankiray kosa ianareo, dia aoka ianareo tsy hivoaka izany Tanana izany”. [Swahih Alboukhari, fiz: 5. Pejy: 2163, hadisy laharana:

Eo koa ny tokony hanaraha-maso ny fahasalaman’ny tsirairay, satria ny Mpaminany –saw-manao hoe: “Aoka tsy hamindra aretina amin’ny salama ny mpitsabo izay misy aretina”. [Sawahih Alboukhari, fiz: 5, pejy: 2177. Hadisy laharana: 5437].

Ireny zava-dehibe rehetra voalaza fa, ilaina ny fisiany, dia zavatra tsy maintsy ilain’ny zanakolombelona tsirairay avy amin’ny fiainany izany. Araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay tratran’ny andro vao maraina eo amin’ny fandriampahalemana anatrehan’ny fianakaviany, ary salama tsara ny vatany, ary mbola manana ny anjaram-pivelomany izy mandritra ny adrony sy ny aliny, tahaka izay manana izao tontolo izao eo ampelan-tánany”. [Swahih al-jámi’: 6042, as-swahihah: 2318, /Sounan At-tirmithi, fiz; 4. Pejy: 574, hadisy laharana: 2346].

 

 

 

NY FITOVIZANA ARAKA NY FINOANA SILAMO:

Ny Finoana Silamo dia miezaka mandrakariva handravona ny zavatra rehetra izay hampihisy fisaraham-bazana amin’ny tsirairay ao anatin’ny fiarahamonina silamo, na izany resaka fihaviana, na endrika, na koa resaka Tanana sy firenena, na fiteny. Nambaran’Allah Ilay feno fahamasinana, sady avo indrindra, manao hoe: “Oh ry olombelona! Aoka ianareo hatahotra ny Tompo Zanaharinareo Izay Nahary anareo rehetra avy tamin’ny vatana tokana, ary dia nahary ny andefimandriny avy aminy, nampiely lehilahy maro sy vehivavy ihany koa avy tamin’izy roa ireo (Adama&Eva)”. [Annisá, and: 1].

Izany dia mba hahazoan’ny tsirairay ny zony ara-dalana, ary mba hatsapan’izy ireo fa, tena mihatra tokoa izany fitovizan-jo izany, fa tsy sanatria hisy zo manokana ho an’ny vondron’olona manokana na firehana manokana anatrehan’ny hafa.

Satria ny Mpaminany –saw- dia nanambara hoe: “Tandremonareo ry olombelona! Fa ny Tomponareo dia Tokana, ary ny Dadanareo koa dia iray. Ka tandremo fa, tsisy mahambony ny Arabo anatrehan’olona tsy Arabo, tahak’izany ihany koa fa, tsisy mahambony ny olona tsy Arabo anatrehan’ny Arabo, ary tsisy mahambony ny olona mena hoditra anatrehan’olona maintin-koditra, ary tahak’izany ihany koa fa, tsisy mahambony ny olona maintin-koditra anatrehan’olona mena hoditra, afa-tsy noho ny fahatahorana an’Allah”. [Swahih]/ {mousnad Imam Ahmad, fiz: 5, pejy: 411. Hadisy laharana: 23536}.

Ny fihaviana sy ny fipoiran’olombelona araha araka ny finoana silamo, dia iray ihany. Ka noho izany dia tsisy toerana hanamboniantena amin’ny resaka voninahitra na fihaviana, amin’ny finoana silamo, ka hanambany na hanitsakitsaka ny hafa, na koa handroba ny zon’izy ireo. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Ry olombelona! Hamafisina fa, efa nesorin’Allah taminareo ny fanamboniantenan’ny fahabadoana sy ny fiheboheboana amin’ny dadany, satria ny olombelona dia mizara roa; Mpanao soa sady manana fahatahorana, ary mendrika indrindra anatrehan’Allah. Ary ny faharoa, dia; ny Mpanao ratsy, tsy vanona, izay tsy manan-danja anatrehan’Allah, ary ny olombelona dia zanak’i Adama daholo, ary i Adama dia Noharian’Allah avy tamin’ny tány…”. [Swahih- “As-Swahihah” (2803)]. {Sounan At-tirmithi, fiz: 5. Pejy: 389. Hadisy laharana: 3270}.

Tsy mahazo toerana amin’ny finoana Silamo ny fiangarana sy ny fanavakavanahana, ary ny resaka fireharehana amin’ny samy olombelona, noho ny volon-koditra sy ny karazana, ary izany dia fantatra amin’ny teny hoe: “Fanavakavaham-bolonkoditra”.

Ireo jiosy sy ny Kristianina dia hamafisina fa, mahita ny tenany ambony noho ny hafa amin’olombelona. Ka noho izany no nanambaran’Allah swt mba hanazavana amin’izy ireo ny tena momba azy ireo, fa ny zava-boahary rehetra, dia tsisy mampiavaka azy ireo afa-tsy ny fahatahorana an’Allah, ka hoy Allah amin’izany hoe: “Niteny ireo jiosy, ary toy izany koa ireo Kristianina nanao hoe: Zanak’ Allah izahay, ary notiaviny manokana. Lazao hoe: koa nahoana no manasazy anareo noho ny fahotanareo Izy? Fa ianareo dia olombelona tahaka izay rehetra nohariany”. [Al-ma-idah, and: 18].

Araka ny tatitr’i Ma’rour bin Souwayd –RA- hoe; Izaho dia nahita an’i Abou Zarr Al-Ghifári –RA- nitafy akanjo mihaja, ary tahak’izany no notafian’ilay ankizy lahy mpanampiny. Nanontanianay izy momba izany. Ka namaly izy hoe: indray andro aho dia nanompa lehilahy anankiray, ka nitaraina tany amin’ny Mpaminany –saw- mahakasika ahy izy, ka hoy ny Mpaminany –saw- tamiko hoe: “Oh ry Abou Zarr! Nompainao amin’ny anaran-dReniny ve izy? Tena marina fa, mbola anatin’ny fahabadoana tokoa ianao (izany hoe: ianao dia mbola manana toetran’ireo olona tamin’ny fahabadoana), ireo mpanampinareo dia rahalahinareo, izay napetrak’Allah ambany fahefanareo. Ka, na iza na iza aminareo no manana rahalahy ambany fahefanay, dia mila mampihinana azy amin’izay sakafo hohaniny. (izany hoe; omena sakafo mitovy amin’izay haniny), ary mila mampitafy azy mitovy amin’ny lamba fitafy izay tafiany, ary aza terena hanao zavatra izay tsy zakan’ny heriny izy ireo (izany hoe k’aza irahina hanao asa tsy vitany izy ireo), fa raha sendra terenareo hanao zavatra mavesatra izy ireo, dia ampio izy”. [Al-Boukhari].

Toy izany ihany koa amin’ny resaka asa fanompoana dia mitovy daholo ny olombelona rehetra; manankarena na mahantra, ny mpitondra sy ny ambany fahefany, ny fotsy sy ny mainty, ny matanjaka sy ny marefo. Izany hoe; Tsy misy fanompoana, na didy fampirisihana na fandrarana manokana ho an’ny andiana na vondrona anankiray, ka hafa indray an’ny sasany. Ny rehetra dia mitovy daholo anatrehan’Allah swt. Ka hoy Izy swt manao hoe: “Izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy ireo ihany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony”. [Fousswilat, and: 46].

Mahakasika manokana ny fandrafetana ny didy aman-dalána sy ny fampiharana ireo sazy famaizana, dia mitovy daholo ny rehetra raha anatrehan’ny lalána velona. Izany hoe; tsy misy famaizana natokana ho an’ny vondron’olona manokana, ka tsy mahakasika ny vondron’olona hafa. Ary tsy misy ihany koa ny vondrona tsy maty manota, ka ho afa-bela izy amin’ny heloka rehetra izay ataony. Izay midika fa, tsisy olona tsy ho tsaraina, rehefa misy heloka nataony, fa samy tsaraina daholo ny rehetra, na inona na inona ny toerany amin’ny fiarahamonina.

Hoy Áishah –RA-, fa rehefa nanahirana ny sainan’ireo Kouraishy ny raharahan’ilay vehivavy (vehivavy manankaja avy amin’ny foko Kouraishy) avy amin’ny fianakaviana Makhzoumiyah (Anisany vehivavy manankaja amin’mny Foko Kouraishy), izay tratra nangalatra. Ka niteny izy ireo, hoe: iza no hiresaka amin’ny Irak’Allah –saw- mba hanelanelana an’io vehivavy io? Izy ireo ihany no niteny, hoe: iza koa moa no tokony hanao izany, afa-tsy i Ousamah bin Zayd, izay olona tena tian’ny Irak’Allah –saw-, ka niteny taminy i Ousamah bin Zayd. Ka hoy ny Irak’Allah –saw- hoe: ianao ve hanelanelana amin’ny famaizana izay napetrak’Allah? Ka tonga dia nitsangana nitori-teny ny Mpaminany –saw- nanao hoe: “Hamafisina, fa ny antony nampihatra loza tamin’ireo vahoaka izay talohanareo, raha misy olona ambony na manankaja amin’izy ireo no mangalatra, dia tsy ampiharin’izy ny lalána, fa raha toa ka ny marefo indrindra amin’izy ireo no mangalatra, dia ampiharin’izy ireo avy hatrany ny lalána. Ka mianiana amin’Allah aho! Na dia fa, Fatimah Zanakavavin’i Mohammad no mangalatra, dia ho tapahiko mihitsy ny tánany (izany hoe; raha ny zanako vavy, sanatria ka mangalatra, dia tapahiko ny tanany mba ho fampiharana ny didin’Allah). [Swahih Al-Boukhari, fiz; 3, pejy; 1282, Laharana Hadisy: 3288].

Mba ho tombontsoa ho an’ny rehetra, mahakasika ny harem-pirenena, dia manan-jo amin’izany daholo ny olom-pirenena tsy ankanavaka. (Izany hoe: ny zavatra zaraina amin’ny fiarahamonina Silamo avy amin’ny tahirin-karenan’ny vahoaka silamo). Izany dia tsy midika velively, fa mila tambiny akory izany fanomezany izany, tahaka ny fampiasana azy ireo mba hahazo izany fanomezana izany, tsia. Ka aoka hazava tsara amintsika tsirairay, fa nisy fotoana Ny Lehiben’ny Mpino voalohany taorian’ny Iraka masina Mohammad –saw-, dia Abou Bakr –RA- raha sendra nizara fanomezana tamin’ny mpino Silamo izy indray andro, dia nozaraina mitovy tsara, ka nolazaina taminy hoe:Oh ry Lehibe Mpandimby ny Irak’Allah! Tena marina fa, nozarainao mitovy loatra tokoa izany harena izany, ary nampitovizinao daholo ny olona rehetra, nefa tsy mitovy daholo ny olombelona rehetra, misy amin’izy ireo, no niditra amin’ny finoana Silamo taloha, ary misy ny sasany hafa ihany koa anefa, no manam-boninahitra, ary misy ny zokiolona.

Ka raha mba navahanao ireo loha-laharana tamin’ny finoana Silamo, sy voninahitra, ary ireo zokiolona, araka ny ambaratonga izay misy azy ireo, dia mba tsara lavitra tokoa izany? Ka namaly izy nanao hoe: fa izay nolazainareo mahakasika lohalaharana amin’ny finoana, sy ireo zokiolona, ary ireo manamboninahitra, dia tsy fantatro izany, fa izany dia any amin’Allah ny fahasoavana azo avy amin’izany. Fa ity kosa, dia resaka fiaianana, ka ny fampiharana ny fitovizana amin’izany, dia tsara lavitra noho ny voninahitra sy fisamihafana amin’ny ambaratongam-piainana. Satria ireo izay manao asa soa ho an’Allah, dia any amin’Allah ny valinkasasaran’izy ireo, fa izao harena izao kosa, dia ho an’ny rehetra, izay azon’ny olon-tsara atao no mihinana azy, ary tahak’izany koa ny tsy mpino, fa tsy karama amin’ny asa izay ataon’izy ireo velively. [Al-Ahkám As-soultwániyah Li-Abi Ya’lá, pejy: 222].

Ny tsirairay anatin’ny fiarahamonina Islamika, dia samy manana zo malalaka amin’ny tombontsoa izay nomen’Allah swt azy sy ny anjaram-pivelomana ary izay rehetra namboarin’Allah swt eto an-tany mahakasika ny harena. Ary andraikitry ny Firenena Islamika no mampihisy ny asa ho an’izay tsy an’asa, ary ny fikarakarana ny harem-pirenena mba samy hahazoan’ny tsirairay ny ajarany, fa tsy sanatria hatokana ho an’ny andian’olona sasany, ireo izay maka ny zon’ny hafa amin’ny fomba tsy ara-dalána mba hanaovany ny fiainan’izy mianakavy. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Izy no nametraka ny tany ho anareo, koa tetezo áry ny fivelarany. Ary mihinana amin’izay anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho any Aminy ny fitsanganana amin’ny maty”. [Al-Moulk, and: 15].

Ary raha amin’ny lafiny mahaolombelona sy amin’ny lanja amin’ny resaka fitsinjovana ny mahaolona araka ny Finoana Silamo, dia mitovy daholo ny rehetra, izay tsy hanavakavahana volon-koditra na hijerevana karazan’olona na koa hanaovana kobak’ambava. Izany hoe; samy manan-jo hahazo ny anjarany daholo ny olom-pirenena rehetra, izay tsy hijerevana fihaviana na finoana na karazana.

Nefa ankehitriny, dia hita tokoa raha amin’ny resaka tombontsoa eto antany, dia misy fanavakavahana sy fitongilanana amin’ny fizarana mihitsy amin’ny fiarahamonina. Misy izay miasa tsy mahatsiaro hakamoana na hatrotrahana akory, ary misy kosa ireo izay manao soa ka lavitra ny fanimbana sy kolikoly. Hoy Allah swt manao hoe: “Ny ambaratongan’ny valisoa azon’ny tsirairay, dia arakaraka ny asany. Ary tsy misy miafina amin’ny Tompo Zanaharinao izay rehetra ataon’izy ireo”. [Al-an’ám, and: 132].

 

 

 

NY FINOANA SILAMO SY NY FIAROVANA IREO ZAVA-DEHIBE

Ny finoana silamo, dia tonga hameno ireo lalána nampidinina avy tany andanitra talohany, ary ny Iraky ny Finoana Silamo, mohammad –saw-, dia Farany amin’ireo Iraka sy Mpaminany –Tso-drano sy fandriam-pahalemana enga anie amin’izy rehetra-.

Ny finoana silamo, dia tonga hiezaka tahaka ireo lalána voa-janahary teo aloha avy tany an-danitra, izay niezaka mba hampihisy sy hiaro ireo zava-dehibe fototra izay miahy sy miantoka ny fiainana eto antany sy ny fizoran’izany mandrakariva. Ary izy dia miezaka mandrakariva amin’izao manaraka izao:

 

FIAROVANA NY FINOANA

Ny Finoana, dia FOTO-PINOANA izay mijoro amin’ny foto-pampianarana, sy lanja izay mandamina ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiarahamonina. Anisan’izany foto-pinoana izany, dia ny resaka ara-panahy madio. Ary tafiditra anatin’izany foto-pinoana izany ihany koa, dia ny ady amin’ny fanoherana ny voa-janahary, sy ny fiainana amin’ny saina salama, ary ny fanarahana ny sitra-pon’Allah. Ary ny tiako hatongavana amin’izany, dia ireo foto-pinoana izay miantso amin’ny fanamasinana sy fanompoana ny zavaboahary, araka izay nambaran’Allah swt amin’ny Teniny manao hoe: “Izy ireo, dia naka ny hafa ankoatra an’Allah ho tompo (tompo maro), izay nohariana ihany koa izy ireo, fa tsy mahary na inona na inona”. [Al-Fourqán, and: 3].

Ary anisan’ireto foto-pinoana tsy marina ireto, dia ny fanarahana ny sitra-po, sy ny famokisana ny rendrarendra, ary ny fanomezana fahafaham-po ny hetahetam-po amin’ny fomba tsy ara-dalána.

Izany dia foto-pinoana izay miankina amin’ny fitaovana ara-materialy izay manome hasina sy lanja ny fitaovana, nefa mandá sy manohitra ny hafa ankoatr’izany. Araka izay nambaran’ny Tompontsika Allah swt amin’ny Teniny manao hoe: “Hitanao ve ilay manao ny sitra-pony ho tompo zanahariny…?”. [Al-Játhiyah, and: 23].

Anisan’ireo foto-pinoana ireo, dia ny atao hoe: ara-panahy sy ara-materialy. Ary izany, dia ny finoana Silamo, izay tsy mampisaraka ny Fanahy amin’ny Vatana, fa vao mainka nandanja azy roa ireo amin’ny fomba izay tena mahagaga tokoa, izay tsy mamela ny hafa hiangatra amin’ny mizanan’ny hafa. Satria ireo didiny amandalana dia mampirisika amin’ny fiahiana tanteraka ny Fanahy tahaka ny fandidiany amin’ny fikarakarana ny vatana. Ary ireo zavatra nandrarany, dia mandrara amin’izay rehetra tsy miraharaha ny Fanahy, tahaka ny fandrarany amin’izay rehetra mety hanimba ny vatana. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Koa tadiavo amin’izay nomen’Allah anao ny fonenana any ankoatra, fa aza hadino kosa ny anjaranao amin’izao fiainana eto antany izao. Ary manaova ny soa, tahaka ny nanaovan’Allah soa taminao”. [Al-Qaswas, and: 77].

Ary mbola miteny Allah swt hoe: “Tompo Zanaharinay oh! Omeo fahasoavana izahay ety antany, ary omeo fahasoavana ihany koa any an-koatra, ary arovy amin’ny famaizan’ny afobe izahay”. [Al-Baqarah, and: 201].

Ny finoana silamo, dia sady Finoana no Firenena, izay finoana tokana ekehin’ny Tompo Zanahary ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka, izay farany amin’ireo finoana rehetra, sady fitomboky izany ihany koa. Izy no Finoana mendrika sady anelanelany, izay tsy manohitra ny voa-janahary, ary tsy manapotika ny natioraly. Ka andraikitry ny fiarahamonina izay manaraka izany finoana izany, no miaro mandrakariva izany. Izany dia tsy maintsy tanterahina amin’ny alalan’ny ezaka amin’ny fampielezana sy fiantsoana amin’izany, ary ny fampahafantarana ny hatsaran’izany finoana izany amin’ny teny mahasoa, sy ny fifandraisana amim-pahamendrehana, satria izany no hahafeno ny finoan’olona anankiray sy ny foto-pinoany, amin’ny fanarahana ny Tenin’Allah swt manao hoe: “Manaova teny soa amin’olona ianareo, ary tanteraho ny fanompoam-pivavahana Soalah, ary avoahy ny harena fiantrana (Zakah)”. [Al-Baqarah, and: 83].

Hamafisina, fa ny foto-pampianarana Islamika mihitsy, dia efa miantso amin’ny fiarovana izany finoana izany. Izany dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny zavatra izay fonosiny amin’ny foto-pampianarana mendrika indrindra, izay ahitana ny: hatsarana, ny fahamarinana, ny fitiavana, ary indrafo, izay mampijoro ny fiarahamonina mendri-kaja, izay mahatonga ny olombelona tsirairay avy hiezaka mba ho tonga amin’izany, ary ny hiainana ambanin’ny alok’izany fiarahamonina tsara izany.

Anisan’ireo fomba hiarovana ny finoana, dia mandidy ny Finoana Silamo amin’ireto manaraka ireto:

  1. Mandidy ireo mpanaraka azy mba hiaro mandrakariva izany, amin’ny alalan’ny fampahafantarana marina, sy ny fiatahana lavitra ny tafahoatra sy fankasarotana, ary ny hakamoana sy ny fahadisoana, mba ho fampiharana ny Tenin’ny Mpaminaniny –saw- hoe: “Tompo Zanahary, dia tsy nandefa ahy ho mpankasarotra (ny fiainan’olona), na mpanery (manery olona amin’ny zavatra tsy vitany), fa izaho dia nalefany mba ho Mpampianatra sy Mpanamora”. [Mouslim].
  2. Ny fandidiana ireo Mpanaraka azy mba tsy hisian’ny fahavalon’ny finoana silamo, amin’ny fanerena na fankasarotana ho an’olona, na koa fampiasana angovo amin’izy ireo amin’ny adidy aman’andraikitra mahakasika ny finoana Silamo. Izany dia mba ho fampiharana ny Tenin’Allah swt manao hoe: “Ary lazao hoe: avy amin’ny Tmpo Zanaharinareo ny fahamarinana. Izay te-hino dia aoka izy hino, fa izay tsy te-hino kosa, dia aoka izy tsy hino. Satria hamafisina fa, nanomana Afo ho an’ireo mpanao ny tsy rariny Izahay, izay manodidina azy ireo ny lelan’afony”. [Al-Kahf, and: 29].
  3. Ny fandidiana ireo Mpanaraka azy, mba tsy ho maika loatra amin’ny fitadiavana ny vokatry ny fampielezana izany amin’ny hafa ankoatry ny Mpino silamo. Hoy Allah swt hoe: “Hamafisina, fa nampidininay taminao tamim-pahamarinana ho an’ny olombelona ny Boky. Izay manitsy ny lálany, dia manao soa ho an’ny tenany ihany, fa izay mandiso izany kosa, dia manao izay hahavery ny tenany. Fa tsy andraikitrao mihitsy izy ireo”. [Az-zoumar, and: 41].
  4. Ny fandidiana ireo mpanaraka azy amin’ny fifikirana amin’ny Fampianarany, izay hiatsoana ny olombelona sy ny fampiharana azy tanteraka, mba hiaro sy hanabe ny taranaka faramandimby. Ary tahak’izany koa ny fiantsoana ny olona amin’izany, amin’ny alalan’ny faharesendahatra noho ny fampiharan’ireo mpanarak’azy ny fampianarany, izay miantso amin’ny toetra mendrikaja, satria amin’ny alalan’izany no hanalan’Allah swt baraka izay manao asa manohitra ny zavatra teneniny. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Mampirisika ny olona hanao ny soa ve ianareo, nefa manadino ny tenanareo?”. [Al-Baqarah, and: 44].
  5. Ny fandidiana ireo mpanarak’azy mba hangoraka ny olombelona rehetra tsy ankanavaka. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Ireo Mpamindra-fo, dia homen’Ilay Be indra-fo indrindra inakinaka, ka noho izany, dia manána indra-fo amin’ireo eto an-tany, mba hánana indra-fo aminareo koa Izay any an-danitra”. [Ahmad, abou Daoud, ary At-tirmithi, izay nohitsian’i Sheikh Albany, amin’ny Swahih Al-Jámi’: 3522, as-Swahihah: 925].

Ary tahak’izany koa ny fitiavana ny soa ho an’olombelona rehetra, arak’izay nambaran’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Mitiava tsara ho an’olombelona tahaka ny fitiavanao azy ho an’ny tenanao, dia ho mpino Silamo tokoa ianao”. [At-tirmithi, (Swahih) As-Swahihah: 72].

  1. Ny Filaharan’ny valisoa lehibe azo amin’ny fampahafantarana amin’olona ny finoana Silamo, ary ny fiantsoana azy ireo ho amin’izany. Ary izany dia mba hahasambatra azy ireo ihany koa, amin’ny alalan’ny fampianarana izany, rehefa mahatsiaro ny fisian’ny fandriampahalemana amin’ny fiarahamonina, sy ny fahatonian’ny saina izy ireo, izay anisany zavatra tadiavin’olombelona rehetra. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Raha mitarika olona anankiray amin’ny alálanao i Allah, dia tsara lavitra ho anao tokoa izany noho ny rameva mena”. {izany hoe; ny rameva mena dia anisany harena tena lafovidy tokoa tamin’ny Arabo}. [Mouttafaquoun alayhi].

Tsara fantarina fa, ny fiarovana ny finoana, dia anisany fampianarana izay noraketin’ireo lalána teo aloha.

 

FIAROVANA NY AIN’OLOMBELONA

Ny ain’olombelona, raha araka ny Finoana Silamo, dia zava-dehibe sady lafovidy, izay mila arovana ny toerany sy ny voninahitriny. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Izaho dia mianiana amin’Izay mitazona ny fofon’ainako amin’ny Tánany! Hamafisina fa, ny famonoana ny ain’olombelona no heloka bevava lehibe indrindra anatrehan’Allah swt, toy izay ny fanafoanana izao tontolo izao”. {Ibnou Májah, ary nohitsin’i Sheikh Albany, amin’ny Swahih al-jámi’: 5078, swahih at-targhib&Tarhib: 2438}, [Sounan An-Nasái, fiz: 7. Pejy; 82, hadisy laharana: 3986].

Ny finoana Silamo, dia miaro mandrakariva ny ain’olombelona amin’ny alálan’izao manaraka izao:

  • Fiarovana ny ain’olombelona avy amin’ny hafa, ka noho izany mihitsy no nametrahan’ny finoana Silamo ny lalánana momba ny valin-keloka, ka nandidiana ny tsy maintsy hamonoana ny mpamono olona antsitra-po, afa-tsy hoe; nilefitra ny fianakavian’ny maty. Fa raha mahakasika ny vono tsy antsitra-po kosa, dia nametraka lalána ny Finoana Silamo, amin’ny tsy maintsy hamotsorana mpino sy fandoavana onitra, izany hoe: famotsorana andevo anankiray. Fa izay tsy mahavita manao an’izany, dia tsy maintsy manao fadin-kanina mandritra ny roa volana mitohitohy, ary izay mbola tsy mahavita manao an’izany dia tsy maintsy mampihinana mahantra enimpolo. Izany dia noho ny antony, mba hikarakarana sy hiarovana ny fiainan’ny tsirairay avy amin’ny fihoaram-pefy sy fampitandremana ho an’ireo mpanao ratsy amin’ny heloka bevava, dia mahakasika ny famonoana ny ain’olombelona.

Satria hamafisina, fa izay mahalala fa tsy maintsy ho vonoina izy raha toa ka mamono olona, dia matahotra tokoa izy, ka hihataka amin’ny fanatanterahana ny asa ratsiny. Fa raha sanatria ka, tsy resaka vono no famaizana ho an’izay mpamono olona, dia mazava hoazy fa, tsy hatahotra ny ratsy sy ny fanatanterahana izany tokoa izy. Ary izany no famaizana tena hentitra indrindra amin’ireo famaizana rehetra, izay napetraky ny Finoana Silamo ireo. Ary izany ihany koa no tena mahasoa betsaka indrindra, nefa tsy napetraka izany, raha tsy noho ny fiarovana ny olombelona sy ny zony. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina! Izany dia ny hahatonga anareo ho fatra mpitandrina”. [Al-baqarah, and: 179].

Tsy mitsahatra hatreo amin’ny fanasaziana eto antany fotsiny ny Finoana Silamo, fa nametraka sazy famaizana ihany koa ho an’izay mpamono antsitra-po any ankoatra any, izay miaraka amin’ny hatezeran’Allah swt sy ny saziny izay mahery vaika tokoa any amin’ny andro farany. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary izay mamono mahafaty mpino an-tsitrapo, dia ny afobe no valin-kasasarana ho azy, ka hitoetra ao mandrakizay izy. Ary tezitra aminy i Allah, no sady manozona azy, ka manomana famaizana lehibe ho azy”. [An-Nisá, and: 93].

  • Ny fiarovana ny olombelona amin’ny haratsian’ny fanahiny izay mampirisika azy amin’ny ratsy, ary ny andraikitriny manoloana izany, satria ny finoana silamo, dia efa nandidy amin’ny fiarovana izany, arak’izao manaraka izao:
  1. Ny tsy tokony hanosehana azy any amin’ny ratsy, satria tsy fananany izany, fa antoka nalaina tamin’ny Tompo Zanahary, ilay feno fahamasinana, swt, ka tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ny lálany ihany, satria ny finoana silamo dia nampifady ny famoan’olombelona. Arak’izay ambarany ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Ary aoka ianareo tsy hamono ny tenanareo. Hamafisina aminareo, fa be indrafo tokoa i Allah”. [Annisá, and: 29].
  2. Fanomezana azy ny zony, arak’izay nandidian’Allah swt azy, ka tsy azo atao no miangatra aminy. Izany hoe; tsy azo atao ny mampifady azy ny zavatra izay nodidin’Allah ho azo alálana ho azy, tahaka ny: resaka sakafo, zava-pisotro, resaka fitafy, ary ny fanambadiana. Araka ny tenin’Allah swt manao hoe: “Lazao hoe: iza indray no sahy nandrara ny haingo fitafy avy amin’Allah izay nomeny ireo mpanompony, sy ireo sakafo tsara avy amin’ny anjara fivelomana?”. [Al-a’ráf, and: 32]. Nefa na dia izany aza, dia ny fahafinaretana amin’ireo fahasoavana ireo, dia misy fetrany voadidy araky ny lalána, izany hoe: tsy azo atao ny fandanindaniam-poana, na fanimbana fahatany, na koa ny fiheboheboana sy fisehosehoana. Satria nambaran’ny Tompo Allah swt hoe: “Aoka ianareo hihinana sy hisotro araka izay tianareo, fa aza mandanilany foana, satria Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpandanilany foana”. [Al-a’ráf, and: 31].

Ka tsy tokony ny tsy fikarakarana ny vatana raha araka ny finoana Silamo, sy ny fampijaliana azy na ny tsy fanomezana azy ny zony, na dia aza amin’ny resaka fanompoana an’Allah swt. Araka ny tatitr’i Anasy bin Málik –RA- hoe: indray andro dia nisy lehilahy telo tonga tamin’ny tranon’ireo vadin’ny Irak’Allah –saw-, mba hanadihady ny fomba fanaovany ny asa fanompoany, ka rehefa nambara azy ireo ny fomba fanaovany ny fanompoana, dia nahita fa, kely tokoa izay ataon’izy ireo. Ka nifampiresaka izy ireo hoe: aiza áry isika amin’ny Irak’Allah –saw--, izay efa voafafa ny fahotany tamin’ny lasa sy ny ho avy. Ka ny iray tamin’izy ireo dia niteny hoe: izaho dia hanatanteraka fanompoam-pivavahana mandrakizay. Niteny koa ny iray hafa, hoe: izaho dia hanatanteraka fadin-kanina mandrakizay, ary tsy hitsahatra mihitsy, (izany hoe: mifehy manomboka ny maraimbe vao mangirandratsy, ary manapaka amin’ny maty masoandro, mandrapaha fatiny), ary niteny ny iray hafa fahatelo nanao hoe: izaho indray dia hisintaka ny vehivavy ka tsy hanambady intsony. Rehefa avy teo, dia tonga tamin’izy ireo ny Irak’Allah –saw- nilaza hoe: “Ianareo no nilaza toy izao sy toy izao? Fa izaho kosa dia mianiana amin’Allah fa, mbola mendrika noho anareo eo anatrehan’ny Tompo Allah, ary vontompinoana noho anareo, nefa izaho dia hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana soalah, nefa hatory. Ary hifehy vava, nefa hanapaka izany rehefa milentika ny masoandro (indraindray fa, tsy isan’andro akory afa-tsy amin’ny volana Ramadan). Ary hanambady ireo vehivavy aho, ary izay mandá ny Sori-dálako dia tsy isan’ireo mpanaraka ahy izy “[Swahih al-boukhari, fiz;5. Pejy: 1949. Laharana haisy: 4776].

 

NY FIAROVANA NY FANAHY

Ny fanahy no fototry ny adidy aman’andraikitra raha araka ny Finoana silamo, ka noho izany mihitsy no nandraran’Allah swt izay zavatra rehetra mety hanimba izany. Ary izany dia matetika amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavatra mahamamo sy mahadomelona isankarazany no manimba izany. Ny finoana Silamo dia mandray ny toaka ho renin’ireo haratsiana rehetra, ary izany dia noho ny haratsiana lehibe vokarin’izany, noho ny fifampizarana sy fibobohana izany. Ka noho izany no nandidiana izay mpihoa-pefy amin’izany mba ho kapohina, mba hijanonan’ny fanahy salama, ary ny voninahitra sy ny harena dia ho voaro avokoa.

Ary anisany vokatra izay aterak’izany, dia ny fanimbana ny fanahy amin’ny fieritreretana ireo hevitra sy teti-dratsy isankarazany, izay mpanapotika sady miantso amin’ny haratsiana sy fakam-panahy rehetra. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Oh ry Mpino! Ny toaka, ny loka, ireo vatolahy (fanaovana fanompoan-tsampy), ireo zana-tsipika fanondroana (karazana sikidy), dia tsy inona akory fa, faharatsiana avy amin’ny asan’i devoly. Ka alavironareo izany mba hahazoanareo fahombiazana. (90), i satana dia tsy mitady afa-tsy hampihisy fifampifahavaloana sy fifankahalana eo aminareo, amin’ny alalan’ny toaka sy ny loka, ary hanakana anareo tsy hahatsiaro an’Allah sy ny fanompoam-pivavahana soalah. Moa hifarananareo ve izany?”.

Mba tsy hihanaka amin’ny fiarahamonina izany toaka izany, dia notapahin’ny finoana Silamo ny zavatra rehetra izay mety hitaona amin’izany, ka norarany ny fanaovana sy fitadiavana vola amin’ny alalan’izany, na ny fanampiana amin’ny fanaparitahana sy ny dokam-barotra amin’izany. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Misy karazana folo no voahozona amin’ny resaka toaka: ny toaka, izay mpanao azy (mpangarina/mpanodina azy), sy ny mpanomana ho an’ny tenany, ny mpivarotra sy ny mpividy azy, izay mitondra azy, ary izay anaterana azy, izay mihinana ny vola azo avy amin’izany, ary izay misotro sy izay mampisotro azy”. [Sounan ibni Majah, fiz: 2, pejy: 1121. Hadisy laharana: 3380/Ahmad, ibnou Majah, ary nohitsin’i Sheikh Albany ao amin’ny Irwah: 1529].

 

NY FIAROVANA NY VONINAHITRA

Ny Finoana Silamo, dia nampifady ny fihetsika rehetra izay mety handroba na hanimba ny voninahitry ny Mpino Silamo, mivantana izany na tsy mivantana, dia norarany daholo, ary indrindra izao manaraka izao:

  • Ny Fijangajangana, arak’izay nambarn’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Koa aza manatona ny fijangajangana ianareo, fa fahavetavetana izany, ary tena lálana ratsy tokoa”. [Al-isrá, and: 32]. Ary nandrara izay rehetra mety hampirisika any amin’ny fijangajangana:
  • Tahaka ny fanafosafoana, na ny firaisana ara-nofo tsy nahazoana alálana. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Ny Zanakolombelona tsirairay avy, dia hahazo ny anjarany amin’ny resaka fijangajangana, izay tsy hay handosirana intsony; ny fijangajangan’ny maso dia ny fijerevana, ny fijangajanagan’ny tánana, dia ny fikasohana amin’ny tánany, ary ny fo dia mirona, ary ny vatana dia mangetaheta izany, fa ny henatra kosa, dia manamarina izany na mandá izany”. [Swahih, navoakan’i Ahmad&Ibnou Hibbán], {Swahih Ibni Hibbáni, fiz: 10, pejy: 269, hadisy laharana: 4422}. (izany hoe: ny tian’ny Mpaminany s.a.w hambara amin’izany, dia: efa voatsinjara daholo ny fijangajangana an’ny tsirairay avy ho an’ny zanakolombelona, ary misy amin’izy ireny, dia tanteraka tokoa ny fijangajangan’izy ireny, amin’ny fampidirana ny henatra amin’ny henatra fady azy. Ary misy amin’izy ireny ihany koa, dia amin’ny fijerevana ny zavatra izay fady azy, na koa ny fihainoana ny resaka fijangajangana, sy izay rehetra manosika amin’ny fanaovana izany asa ratsy mamoafady izany. Na koa ny fikasohana olona fady azy amin’ny tánany, na mioroka azy. Na koa mamindra amin’ny tongony handeha hanatanteraka ny asa fijangajangana, hijery, hanafosafo, na hanao resaka voarara miaraka amin’olona izay fady azy, sy ny sisa mitovitovy amin’izany).
  • Na koa ny fitokana-monina amin’ny vehivavy izay fady antena ka tsy misy olona hafa avy amin’ny fianakaviany akaiky azy indrindra, dia voarara tsy azo atao ihany koa. Ka hoy NY Mpaminany –saw- manao hoe: “hamafisina, fa tsy azon’ny lehilahy anankiray atao no mitoka-monina amin’ny vehivavy anankiary, raha tsy misy olona hafa avy amin’ny fianakaviany akaiky indrindra ao. Nisy lehilahy iray nitsangana nanontany nanao hoe: Oh ry Irak’Allah! Ny vadiko dia lasa nandeha hanatanteraka ny fivahiniana masina (Hejy/Hajj), nefa ny anarako, dia efa voasoratra hiatrika ady hoatr’izao sy hoatr’izao. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: miverena ianao, ary manatanteraha fivahiniana masina miaraka amin’ny vadinao”. [Al-boukhari&Mouslim]. {swahih al-boukhari, fiz: 5, pejy: 2005. Hadisy laharana: 4935}.(Ny Mahram, na ireo olona tokony ho akaikin’ny vehivavy, dia ny voalohany ny:Vadiny/ramoseny, sy izay rehetra fady manambady azy, tahaka ny: anadahy, sy dadatoa, na koa ireo izay lasa Havana noho ny fomba ara-dalána, ohatra; ny firaisa-nono/firaisa-minono (niara-ninono tamin’ny Reny iray, na dia fa tsy iray Reny aza). Izany hoe: ninono tamin’ny reny anankiray ny vehivavy iray sy lehilahy iray, na dia fa samy hafa ny raiaman-dReniny, dia lasa mpianadahy izy roa ireo raha araka ny lalan’ny Tompo Zanahary).
  • Na ny fijerevana ny zavatra izay fady azy ny fijerevana izany, arak’izay nambaran’Allah swt manao hoe: “Lazao amin’ireo mpino lehilahy, mba hampiondrika ny fijeriny izy ireo sy hitandrina ny fahadiovam-pitondrantenany, fa izany no madio ho azy ireo. Hamafisina, fa Mahalala izay ataon’izy ireo Allah (30), ary Lazao amin’ireo mpino vehivavy, mba hampiondrika ny fijeriny izy ireo…”. (An-nour, and: 30-31). Ary ny Irak’Allah swt dia efa nanambara tokoa tamin’i Aly –RA- nanao hoe: “Oh ry Aly! Aza ampanarahina fijery hafa ny fijerinao voalohany, satria ny voalohany ihany no ho anao, fa ny faharoa kosa dia tsy ho anao intsony”. (Izany hoe: raha sendra nahita zavatra tsy tokony jerevana ianao, dia tsy azonao atao intsony ny mamerina fijery faharoa. Raha mamerina fijery faharoa ianao, dia fahotana ho anao izany, fa ny voalohany ihany no ho anao). [Navoakan’i At-tirmithi&Abou Daoud, ary nohitsin’i Sheikh Al-Bány].
  • Voarara sady fady tahak’izany ihany koa ny fanendrikendrehana na ny fanosoram-potaka raha araka ny finoana Silamo, mba ho fiarovana ny voninahitra. Ka izay manendrikendrika lehilahy na vehivavy amin’ny fomba tsisy fanajana, nefa tsy afaka hanome porofo amin’izany ilay mpanendrikendrika, dia tsy maintsy ampiharina aminy ny sazy famaizana. Izany hoe: kapohina im-balopolo kapoka izy, mba ho famaizana ho azy. Satria Allah swt dia nanambara hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy madio fitondrantena kosa, nefa tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapohy im-balopolo izy ireo, ary aza ekena intsony ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Ary mpanao ny ratsy tokoa izy ireny”. [An-Noor, and: 4].
  • Noraran’ny Finoana Silamo ihany koa –mba ho fiarovana ny voninahitra- izay rehetra mety hatafitohina na hanimba ny voninahitry ny olona anankiray na ny toerany amin’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny teny na fihetsika tsy voafehy. Na koa mety handratra ny fihetseham-pony, na koa mety hanahiran-tsaina azy. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Aoka tsy haneso ny andian’olona iray ny andiany hafa, satria mety ho mendrika izy ireny noho izy ireo. Ary aoka tsy haneso ireo vehivavy ny vehivavy hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho izy ireo. Ary aza mifanambany ianareo, sady aza mifanome anaram-bosotra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto, rehefa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka, dia izy ireny indrindra no olona mpanao ny tsy rariny (11), oh ianareo Mpino! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny ampahany amin’ny ahiahy atao amin’olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona, na hifampifosa ianareo samy anareo. Sa misy aminareo ve tia hihinana ny nofon’ny rahalahiny efa maty? Harikoriko amin’izany ianareo? Ka aoka ianareo hatahotra an’Allah. Fa Fatra Mpandray fibebahana i Allah, ary be Indra-fo”. [Al-Houjourát, and: 11-12].

 

FIAROVANA NY HARENA

Hafamafisina, fa ny finoana silamo dia mamehy tanteraka ny fananankarenan’olombelona amin’ny fefy izay voavalavala mafy tsara, amin’ny alalan’ny fampiharana ireo famaizana mahery vaika tokoa, mba ho antoka amin’ny fiarovana izany, sy hialana amin’izay mety ho fihoaram-pefy. Ka noho izany mihitsy, dia nandidy amin’ny tsy maintsy hanapahana ny tánan’ny mpangalatra, mba hiarovana izany fananana izany. Ka hoy Tompo Allah swt manao hoe: “Ho an’ny mpangalatra lahy sy vavy, dia tapaho ny tánan’izy roa ireo, ho fanasaziana tamin’izay nalain’izy ireo, sady famaizana avy amin’Allah. Satria i Allah no Tsitoha sy be fahendrena”. [Al-má-idah, and: 38].

Ary ny fanapahana ny tánan’ny mpangalatra, dia tsy ataotao fahatany araka ny fihevitr’izay tsy tena mahalala tsara ny fahamarinan’ny finoana Silamo. Ka noho izany dia misy fepetra takiana amin’ny fanatanterahana izany fanapahana tanan’ny mpangalatra izany, sy izay arahina mba hatanteraka azy. Raha sanatria ka tsy tanteraka ireo fepetra ireo, na misy zavatra tsy mazava tsara, dia tsy afaka ampiharina ny fanapahan-tánana. Ka izao avy ireo fepetra takiana amin’ izany:

  • Tsy maintsy apetraka amin’ny toerana fitehirizana azy ny harena, na amin’ny toerana izay voaro tsara, ka namaky an’izany ny mpangalatra, dia tsy maintsy ampiharina aminy ny fanapahaana ny tánany. Nefa, raha toa ka harena navela amin’ny toerana izay hitan’ny mason’izay rehetra mandalo eo akaikiny, na ny harena izay tsy narovana mihitsy, dia tsy azo ampiharana ny fanapahan-tánana amin’izany, fa tsy maintsy faizina mafy ilay mpangalatra, ary ireo manampahefana no manatanteraka izany fanasaziana izany, izany dia mba ho fiarovana ny fananan’ny tsirairay. Satria raha mahakasika ity harena tsy voaro ity, dia noho ny anton’ny tsy firaharanan’ny tompon’entana amin’izany toe-javatra izany, ka hadisoany koa izany, noho ny tsy fiarovany ny fananany.
  • Aoka tsy noho ny antony sakafo sy hetaheta te-hisotro no nanosika ny olona anankiray hangalatra, fa raha toa ka izany no nahatonga azy tsy maintsy hangalatra, dia tsy azo ampiharina ny fanapahana ny tánana. Satria ny Lehiben’ny Mpino, omar bin Al-Khattwáb –RA-, dia efa nanao izany tamin’ny taonan’ny lavelona (Lakevogna, Jofo). Nantsoina an’izany taonan’ny Lavelona izany ny taona anankiray izay nitrangana haintany mafy tokoa, sy ny tsy firotsahan’orana, ary tena henjana tokoa ny kere tamin’izany fotoana izany. Satria ny voly, sy ny hazo, ary ny antrendry sy ny zava-maniry rehetra, dia may (maina) daholo noho ny vokatry ny main-tany, ka lasa nitovy endrika amin’ny haintin’ny zavatra may ny haintin’ireo zavatra ireo. Ary izany haintany izany, dia nantsoina hoe: lavelona mandoza.
  • Ny lanjan’ny fananana nangalarina, dia tsy maintsy mahatratra ny fetra farany ambany indrindra amin’ny ampahan-karena, izay tsy maintsy aloan’ny mpanankarena ho an’ny mahantra, vao afaka mampihatra ny fanapahan-tánana. Fa raha toa ka latsak’izany fetra izany, dia tsy azo ampiharina ny fanapahana ny tánan’ny mpangalatra amin’izany. Satria tsara fantarina, fa io fanasaziana io, sy ireo famaizana hafa amin’ny heloka maro samy hafa amin’ny finoana silamo, dia tsy afaka tanterahina afa-tsy noho ny antony mba hanafoanana ireo zavatra mampiahiahy sy manakorontan-tsaina rehetra. Ary tsy azo tanterahina ny famaizana, raha toa ka misy zavatra mampiahiahy izay mety ho tombontsoa manokan’ny mpanendrikendrika.

Satria ny Lalána Islamika, raha manafoana ny famaizana amin’olona izay voaheloka, noho ny fahitana zavatra mampiahiahy amin’izany toe-javatra izany, dia tsy maintsy mampihatra ny sazy izay farany ambany indrindra, izay avoakan’ny mpitsara (raha toa ka mampiahiahy ny fiampangana). Nefa miankina amin’ny heloka sy ny mpanao azy ny famaizana omena. Izany hoe; mety amin’ny alalan’ny fanagadrana ny meloka, na fikapohana azy, na ny fitsarana azy, na amin’ny fandoavana onitra ara-bola sns… fa miankina amin’izay fahitan’ilay mpitsara fa, mendrika ho azy no anasaziana ny mpanao heloka.

Tahak’izany ihany koa fa, voararan’ny finoana Silamo ny fihetsika rehetra mitondra hetraketraka sy herisetra amin’ny fakana ny fananan’ny hafa ankeriny na amin’ny angovo amin’ny fomba tsy ara-dalána.

Tahak’izany ihany koa ny fakana ankeriny amin’ny tsy rariny ny tanin’olona, na koa fakana ny harenan’izy ireo amin’ny fomba tsy ara-dalána, ohatra: fitaka, sy fisolokiana. Ary tena henjana dia henjana tokoa ny fandrarana ho fady an’izany. Hoy Allah swt manao hoe: “Ary aoka ianareo tsy hifampihinana ny harenanareo amin’ny tsy rariny”. [Al-Baqarah, and: 188].

Fa ny mpihoa-pefy amin’ireo fananana ireo amin’ny fomba tsy ara-dalána, dia manolotra ny tenany amin’ny famaizana tena hentitra tokoa any amin’andro farany. Araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay olona maka ny harenan’ny mpino silamo amin’ny fomba tsy ara-dalána, dia hihaona amin’Allah izy, nefa ho tezitra aminy Izy amin’izany”. [Ahmad, al-boukhari, mouslim&At-tirmizi]/(Mousnad Imam Ahmad, fiz;1. Pejy: 416, hadisy faha: 3946).

Ny lalána Islamika, dia mandidy amin’izay noterena hangalatra mba hamerina amin’ny tompony ny zavatra izay nangalariny. Nefa raha toa ka efa lany, na nampiasainy, na koa efa nohaniny, dia voatery tsy maintsy mandoa ny lanja izay mitovy amin’izay nangalariny izy. Ka foanana izany famaizana izany raha toa ka nihemotra na nandefitra ilay olona niharan’ny tsindrihazolena (tompom-pananana). Fa ny famaizana malefaka indrindra no tsy maintsy hampiharina amin’ilay mpangalatra.

Fa aoka hazava fa, ny finoana silamo dia manome zo feno an’ny tompon’entana na ny tompom-pananana, amin’ny fiarovana ny harenany sy izay rehetra ananany, amin’ny fomba rehetra azo ampiasaina, na dia aza tonga amin’ny famonoana ny mpangalatra noho ny fiarovana ny fananany, raha toa ka mitady hihoa-pefy ilay mpangalatra.

Nefa raha toa ka mifanohitra amin’izany, ka ny tompon’entana no matin’ny mpanao ny tsy rariny, dia maty maritiora izy noho ny fiarovany ny vola aman-karenany. Satria ny Mpaminany –saw- dia nanambara fa; “Izay maty amin’ny fiarovana ny harenany, dia maty maritiora”. [Swahih Al-boukhari, fiz: 2. Pejy: 877. Hadisy Faha: 2348].

 

NY FANANANA LATSAKA AN-DÁLANA:

Ny finoana Silamo, dia manana ny lamina manokana mba hiarovana ny harenan’ny daholobe mitovy amin’ny fiarovana ny haren’olom-bitsy. Ka anisany zavatra tianay havoitra eto, dia mahakasika indrindra ireo zo manokana hifehezana na hiarovana ny harenany. Satria raha amin’ny finoana silamo, dia tsy manan-tsiny sady zavatra masina tokoa ny harena. Ka tsy azo atao ny mihetraketraka na tsy miraharaha an’izany.

Na dia aza raha sanatria ka sendra very izany harena izany, dia tsy izay harena hita very rehetra dia madio ho an’izay mahita azy, tsia.

Fa misy antoka mafonja izay miaro an’izany harena izany. Ka anisany lamina napetraky ny finoana Silamo, mba hiarovana ireo harena manokan’ny olombelona izay manana ny Hasina manokana ihany koa, dia ireo lamina hikarakarana ny fananana latsaka an-dálana sy ny fananana very. Izany dia rafitra manokana izay nivolavolain’ny lalána Silamo ho an’izany.

Ny zavatra latsaka an-dálana dia midika hoe: izay zavatra rehetra hita eny an-dálana na izay toerana ahitana azy, amin’ny vola aman-karena, nefa tsy fantatra ny tompony dia antsoina hoe: “Fananana latsaka an-dálana”, sy izay rehetra mitovitovy amin’izany dia tafiditra amin’izany daholo, raha mbola fananana no iantsoana azy.

Fa ireo biby kosa, dia tafiditra amin’ny zavatra very, noho izy very lálana. (Ka aoka hazava fa, ireo zavatra sy ireo biby ireo, dia tsy azon’iza na iza alaina ho azy).

Nefa hamafisina, fa ny finoana silamo, dia mandidy amin’ny fakana izany zavatra latsaka na very izany, raha toa ka fantatra fa amin’ny toerana tsy dia milamina no ahitana azy, na koa mety noho ny tahotra sao dia misy mangalatra. Izany dia tsy inona fa, mba ho fiarovana ny fananan’olona mba tsy ho potika, ka mila ezahina haterina amin’ny tompony, raha toa ka fantatra ny tompon’izany fananana izany.

Araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- tamin’ny lehilahy iray izay tonga hanontany azy mahakasika ny resaka zavatra latsaka eny an-dálana? Ka navalin’ny Mpaminany –saw hoe: “Fantaro ny lasakany, sy ny kofehy izay mamatotra ny lasakany aminy. Ary ampahafantaro an’ny tompony izany mandritra ny iray taona, ka raha tonga ny tompony dia omena azy, raha tsy izay dia mijanona ho anao”. Mbola nanontany ilay lehilahy hoe: ahoana áry momba ireo ondry very? Ka namaly ny Mpaminany –saw-: “Izany dia mety ho anao, na an’ny rahalahinao, na koa an’ny amboadia”. Mbola nanontany koa izy hoe: ahoana áry ireo rameva very? Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Inona ny olanao sy izany rameva izany?! Satria miaraka aminy ny rano fisotrony, ny kirarony, ka afaka misotro rano izy sady mihinana ahitra, mandrapaha hahitan’ny tompony azy”. [Mouttafaquoun alayhi].

Izay rehetra voalaza eo ambony dia mahakasika indrindra ireo zavatra manan-dánja, fa tsy zavatra tsisy dikany na resaka sakafo na fihinana akory. Fa raha toa ka mahakasika resaka sakafo, dia tsy mila fampahafantarana na filazana momba izany, fa afaka maka tombontsoa amin’izany na mihinana izany. Satria raha araka ny nambaran’i Anasy bin Málik –RA- hoe: indray andro ny Mpaminany –saw- dia nandalo ka nahita antrendry anankiray teny an-dálana, ka niteny Izy nanao hoe: “Raha tsy noho ny fahatahorako, fa sao dia fanomezana dia nohaniko ilay izy (Antrendry)”. [Mouttafaquoun alayhi]. (Izany dia noho ny antony fa, allah swt dia nampifady ny Mpaminany –saw- tsy handray fanomezana).

Ary tahak’izany ihany koa ireo zavatra izay tsy dia misy lanjany (valerany), dia azon’izay mahita izany eny an-dálana no maka tombontsoa amin’izany (maka na mampiasa izany). Izany dia ho fampiharana ny tenin’i Aly –RA- rehefa tonga tamin’ny Mpaminany –saw- izy nitondra vola iray Dinár, izay hitany tany an-tsena? Ka nambaran’ny –saw- azy hoe: “Ampahafantaro in-telo”. Ka nataony izany, nefa tsisy olona tonga nilaza ho tompony na mahafantatra momba izany. Ary niteny taminy ny Mpaminany –saw- hoe: “Hohano”. [Swahih sounan Abi Daoud].

Manan-jo hanao fanomezana amin’izany izay olona mahita ilay zavatra very, amin’ny fanaovana fikasana ho an’ny tompom-pananana, na koa haka tombontsoa amin’izany aorian’ny fandalovan’ny iray taona nampahafantarana izany, nefa tsy mety fantatra ny tompon’izany. Araka ny Hadisy izay taterin’i Aosy bin Ka’ab –RA- nanao hoe: nahita poketra aho izay nisy vola zato Dinár (100Dnr), ka nentiko tany amin’ny Mpaminany –saw- izany vola izany. Ka nambarany ahy hoe: “Ampahafantaro mandritra ny iray taona”. Ka nampahafantariko tokoa izany, nefa tsisy olona nilaza ho tompony. Ary nentiko niverina taminy in-telo izany, ka hoy Izy –saw- hoe: “Tehirizo ny lasakany sy ny tadiny, sao dia tonga ihany ny tompony, fa raha tsy tonga intsony izy, dia afaka mampiasa tsara izany ianao”. [Al-boukhari].

 

NY FIAROVANA NY TARANAKA

Ny finoana silamo, dia mahenika tanteraka ny taranaka amin’ny fomba rehetra hiarovana izany taranaka izany, satria izany no fifandraisana tokana izay mampaharitra ny fandovan’olombelona ny tany izay efa nampanantenain’i Allah –swt-, ka nodidiny fa, ny tsy firaharahana sy ny fandemena izany tsy amin’ny antony ara-dalána lehibe, dia voarara tsy azo atao. ka hoy Allah –swt- manao hoe: “Koa raha vao midify izy, dia manao izay mampiely fanimbana ety an-tany ka hanapotika ny fambolena sy ny biby fiompy. Fa Allah dia tsy mankasitraka ny fanimbana”. [Al-Baqarah, and: 205].

Ka noho izany no nandidian’ny finoana Silamo ho fady ny fanalana zaza, satria izany fanaovana ny tsy rariny sy hetraketraka amin’ny ain’olombelona, afa-tsy hoe: hita fa, mety hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny Reny izany.

Ary hamafisina, fa ny lalána silamo, dia mampirisika mafy tokoa ireo Mpino Silamo amin’ny fanambadiana mba hitazomana ny taranaka, sy ny hampitombo ny isan’ny taranaka faramandimbin’ny mpino silamo. Ka manambara ny Mpaminany –saw- hoe: “Aoka ianareo hanambady vehivavy be fitiavana sy afaka miteraka, fa izaho no ho maro mpanaraka indrindra amin’ireo Mpaminany any amin’ny andro farany”. [Swahih, navoakan’i Ahmad, abou Daoud, an-Nasái & Ibnou Hibbáni] {Swahih Ibni Hibbáni, fiz: 9, pejy: 25338. Hadisy faha: 4028}.

Ary mbola niteny ny Mpaminany –saw- hoe: “Oh ry andian-tanora! Izay manana fahafahana aminareo, dia aoka izy hanambady, satria izany dia hampiondrika ny fijery, ary hiaro tanteraka ny henatra. Fa izay tsy afaka kosa, dia aoka izy hanao fadin-kanina, satria amin’izany no misy fandemy hetahetam-po”. [Mouttafaquoun alayhi], (izany hoe miaro amin’ny fijangajangana).

 

FIAROVANA NY TARANAKA:

Noho ny toeran’ny fianakaviana amin’ny finoana silamo, sy ny halehibeazan’ny adidy aman’andraikitra mahakasika izany, -satria izany no fototra hitsanganan’ny fiarahamonina-, ka noho ny fiarovana azy avy amin’ny fahapotehana sy fahaverezana, dia tonga ny finoana silamo hamalavala tanteraka izany. Satria ny taranaka no mamatotra ny fianakavian’ny sasany amin’ny hafa. Noho ny antony izany no hahafantaran’ny sasany izay mpifanolo-bodirindrina, ka hahafahany hanome ny zony izay nandidian’ny Tompo Allah swt azy ny tsy maintsy hanatanterahana izany. Ary anisan’izany dia; ny fanajana ny fihavanana, sy ny fanomezana ny zo. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Aoka ianareo hianatra ny fihavianareo izay mampitambatra anareo amin’ny fihavananareo (Izany hoe: fantaro ny fihavianareo, izay tokony tsy maintsy hajainareo), satria ny fanajana ny fihavanana, dia miteraka fifankatiavana amin’ny fianakaviana, sady mampitombo ny fananan-karena, ary manalava ny fe-potoana hiainana eto an-tány”. [Swahih, navoakan’i Ahmad, sy At-tirmithi, swahih Al-Jámi’;2965/al-Moustadrik Alás-swahihayn, fiz;4. Pejy: 178, hadisy faha: 7284].

Ka noho izany no mahatonga ny Finoana silamo dia tena mavitrika tokoa amin’ny fiarovana izany avy amin’ny fifangaroana sy ny fanambadiana amin’ireo olona izay fady, ary koa ny fampandovana izay mendrika izany, nefa mampifady izay tokony handova amin’ny fandovana.

Hamafisina, fa ny finoana silamo dia manafoana ny fiparitahan’izay zavatra ratsy rehetra efa nisy teo aloha, tamin’ireo Arabo izany na tamin’ireo vahoaka hafa ankoatra ny Arabo. Ary anisan’izany dia ny; fitondrana feno kolikoly, izay fantatra amin’izany ka misedra izany tokoa ny fiarahamonin’izy ireo, sy mahakasika ny fananganana fiarahamonina, ary isan’ireo fomba izay nofoanan’ny finoana silamo izany, dia:

 

NY FANANGANANA ZAZA:

Izany, dia midika fa raha lehilahy anankiray manangana zaza anankiray, izay tsy naterany akory, ka homeny zo sy anatanterahana adidy tahaka izay ataony amin’ireo zanany naterany avy tamin’ny lamosiny. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Tsy nametraka fo roa ao an-tratran’olona anankiray i Allah. Tsy nampitoviany tamin’ny Reninareo mihitsy ny vadinareo (izay roahinareo amin’ny teny hoe): toy ny lamosin-dReniko ihany ianao (fady ahy). Tsy nataony mitovy amin’ny zaza naterakareo ny zaza izay natsanganareo. Teny izay navoakan’ny vavanareo izany. Fa miteny ny marina i Allah, ary Izy no mitarika amin’ny lálana tsara (4), antsoy amin’ny anaran-dRainy izy ireo fa izany no tena marina eo anatrehan’i Allah. Fa raha tsy fantatrareo ny Rainy, dia ataovy ho toy ny rahalahinareo amin’ny finoana izy ireo”. [Al-ahzab, and: 4-5].

 

LAMINA AMIN’NY FIAIKENA NY ZANAKA:

Izany hoe; ny tsy fampifandraisana ny zanaka ara-dalána amin’ny dadany, mandrapaha hilazany amin’ny fomba ofisialy fa, zanany tokoa ilay zaza, ary faly amin’ny hifandraisan’ilay zaza amin’ny taranany izy.

Ny finoana silamo dia nanafoana izany fomba tsy mety izany, satria mifono tsy firaharahana amin’ny fifanaraham-panambadiana sy ny fanambanian’ny raim-pianakaviana ny raharaham-pianakaviana amin’ny fanarahany ny sitra-pony sy rendrarendrany, ary koa ny fanaovana tsinontsinona ny voninahitry ny vehivavy, satria fantatra fa, misy fanendrikendrehana ny hasin’ny vehivavy sy ny fahamatorany izany. Ary fantatra koa fa, hiteraka fisarasarahana amin’ireo ankizy izany, sady hatonga ny taranaka ho very.

Ka noho izany mihitsy no nahatonga ny finoana silamo, nandidy fa ny zaza rehetra dia tsy maintsy teraka amin’ny alalan’ny fanambadiana, sy amin’ny fifanekem-panambadiana ara-dalána tanteraka mba hampifandray avy hatrany ny taranany amin’ny vady, ka tsy hilana fifanekena na fiaikena manokana intsony amin’ny hilazan’ny dadany amin’ny fomba ofisialy fa, zanany na tsy zanany ilay tera-bao. Satria raha araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Ny zanaka dia ho an’ny fandriana”. [Mouttafaquoun alayhi]. {Swahih Alboukhari, fiz: 2. Pejy: 852, hadisy faha: 2289}. (izany hoe; ny zanaka dia ho an’ny tompom-pandriana, ohatra ny ramose).

Afa-tsy hoe; voaporofon’ny ramose fa, ny vadiny (madamany zany) dia nivadika taminy. Izany hoe, nitondra vohoka amin’ny lehilahy hafa, ny vadiny. Fa mahakasika izany dia misy lalánany sy ny fepetrany amin’ny lalanan’ny fiarahamonina Silamo, izay tsy afaka hivalamparana eto ny fanazavana momba izany.

 

FOMBA FANAFOANANA NY FIHAVANANA:

Izany hoe; ny fanomezan-dalana ny raimpianakaviana hilaza fa, tsy havany intsony ny iray na sasany amin’ireo fianakaviany, izay efa voamarina ara-dalána fa tena havany tokoa ilay olona. Ho tapaka noho izany ny fihavanan’izy ireo, ka lasa tahaky ny olona tsy mpihavana intsony izy ireo raha araka ny filazan’izy ireo sy ny fiheverany. Ny Mpaminany –saw- dia nanambara fa: “Misy zavatra roa izay ataon’ny zanakolombelona, dia fikomiana izy ireo: ny fanendrikendrehana amin’ny fihaviana, ary ny fitomanisana amin’ny feo avo loatra (mijangaolo mafy) amin’izay maty “. [Swahih Mouslim, fiz: 1. Pejy: 82, hadisy faha: 67]. (Dikany Fanendrikendrehana amin’ny fihavanana, dia ny fanosoram-potaka tsy amim-pahalalana. Ary ny Niyáhah: dia ny fitomanizana mafy dia mafy tokoa amin’ny feo ambony, ary mamerimberina teny izay mahatezitra an’Allah swt).

 

FIANTSOANA NY VEHIVAVY AMIN’NY ANARAN’NY RAMOSENY AORIAN’NY FANAMBADIANA:

Ny lalana islamika dia miaro mandrakariva ny vehivavy amin’ny anarany sy ny anaran’ny fianakaviany, ary amin’ny fihavanana izay nipoirany raha aorian’ny fanambadiany. Ka voarara tsy azo atao ny miantso azy amin’ny anaran’ny vadiny na anaran’ny fianakavian’ny vadiny na amin’ny fihavanana izay nipoiran’ny ramoseny. Ary hita mazava tsara amin’izany tsy amim-pisalasalana ny fanajana ny vehivavy, nefa inona koa voninahitra tahak’izany, sy fiaikena amin’ny voninahitriny, sy ny fahaleovan-tena ho azy, ary ny fitovizany amin’ny lehilahy raha ny lanja amin’ny samy mahaolona no resahina. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay nilaza ho zanaky ny hafa ankoatry ny dadany, na naka olona hafa ankoatra ny lehibeny ho lehibe, dia ho azy ny hozon’Allah sy ireo Anjely, ary ny olombelona rehetra”. [Swahi ibni Májah, fiz: 2. Pejy: 870. Hadisy faha: 2609].

 

 

 

NY FIAROVAN’NY FINOANA SILAMO NY ZON’IREO OLONA MAREFO, kA ANISAN’IZANY DIA IRETO MANARAKA IRETO:

  1. Fiarovana ny zon’ny marefo sy ireo izay tsy manana fahafahana, ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Hamafisina, fa i Allah dia tsy hanome Hasina ny vahoaka, raha ny marefo tsy mahazo ny zony avy amin’ny matanjaka, nefa izy amin’izany dia tsisy fisalasalana na tahotra akory”. [al-Moustadrik alás-swahihayn, fiz: 3. Pejy: 287, hadisy faha: 5117].

Nitatitra i Mous’áb bin Saady, fa ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Mihevitra fa, hahazo fandresena sy anjaram-pivelomana ve ianareo afa-tsy noho ireo izay marefo aminareo?! “,. [Alboukhari].

Araka ny tatitr’i Abou Hourairah –RA- fa, ny Irak’Allah –saw- dia niteny hoe: “Ny fiahiana ny vehivavy maty vady sy ny olona sahirana, dia mitovy amin’olona manao ady masina amin’ny lalan’i Allah, na tahak’izay mitsangana manatanteraka ny fanompoam-pivavahana mandritra ny alina sy manao fadin-kanina amin’ny antoandro”. [Mouttafaquoun alayhi].

  1. FIAROVANA NY ZON’IREO SAHIRANA: hoy Allah swt manao hoe: “Fa omeo ny Havana akaiky ny tokony ho anjarany, ary koa ny mahantra sy ny mpandeha lavitra (sahirana). Fa aza mandanilany foana amin’ny tsy misy antony (26), satria ireo mpandanilany foana dia rahalahin’ireo devoly, ary tena tsy mahay mankasitraka ny tompony ny devoly”. [Al-isrá, and: 26-27]. Ary mbola miteny Allah swt manao hoe: “Ary aza atosi-bohon-tánana ny mpangataka”. [Ad-Douhá/ny misandratr’andro, and: 10].
  2. FIAROVANA NY ZON’IREO TSY AMPY TAONA/ZAZA: nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Tsy ho isanay izay tsy manana indra-fo amin’ireo zandriolona aminay, sady tsy mahafantatra ny zon’ny zokiolona aminay”. [Swahih Al-boukhari fil-Adabil-moufrad&Abou Daoud].
  3. FIAROVANA NY ZON’IREO ZOKIOLONA: nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Anisany halehibeazan’ny Tompo Zanahary, dia ny fanajana ny olondehibe mpino silamo (fotsy volo), sy ny olona mahay ny Kor’any, ka tsy mihoa-pefy amin’izay voalazan’izany (tsy manano sarotra ary mampihatra izay voalazany) sady tsy mametraka azy (fa mamaky azy hatrany), ary koa ny fanajana ny manampahefana mijoro amin’ny fahamarinana”. [swahih – navoakan’i Abou Daoud].
  4. FIAROVANA NY ZON’IREO MARARY: nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Ny zon’ny mpino silamo amin’ny mpino silamo namany, dia miisa dimy: famaliana ny fiarahabana, famangiana ny marary, fanarahana mandevina ny maty, famaliana ny fanasana (invitation), fivavahana ho an’izay mievona (mivegna/mitsihegny)”.[Mouttafaquoun alayhi],{Swahih Al-boukhari, fiz: 1. Pejy: 418, hadisy faha: 1183].( famaliana ny fanasana:ohatra misy resaka fanambadiana. Fivavahana ho an’izay mievona: fangatahanao hatsarana sy fahasoavana ho azy, ohatra miteny hoe: tompo Zanahary enga anie hamindra-fo aminao, raha toa ka niteny: alhamdoulilláhi izy {izany hoe: fankasitrahana ho an’Allah swt}].
  5. FIAROVANA NY ZON’NY KAMBOTY: Nambaran’i Tompo Zanahary Allah Ilay feno Hasina sy Avo indrindra, manao hoe: “Koa aza ratsy fitondra ny Kamboty áry ianao”. [Ad-Douhá/Ny misandratr’andro, and: 9]. Ary mbola miteny Tompo Allah swt manao hoe: “Hamafisina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo Kamboty amin’ny tsy rariny, dia tsy mihinana afa-tsy afo ny kibon’izy ireo. Ary mbola ho dorana ao amin’ny afobe ihany koa izy ireo”. [An-Nisá, and: 10].
  6. FIAROVANA NY ZON’IREO ANKIZY: hoy Allah swt mahakasika izany hoe: “Aza vonoina noho ny fahantrana ireo zanakareo, izahay no miantoka ny anjaram-pivelomana ho anareo sy ho azy ireo ihany koa”. [Al-an’am, and: 151].

 

FIAROVANA NY HARENA VOA-JANAHARY, iZAY TSY AZO TSINONTSINOAVINA/SIMBASIMBAINA:

Hamafisina, fa ireo harembe sy zava-tsoa rehetra misy eto antany, dia tsy fananan’olona tokana na vahoaka iray ka tsy mendrik’izany ny hafa, fa fananan’ny rehetra izany, ary manan-jo hahazo tombontsoa amin’izany daholo ny tsirairay. Izany hoe: izay rehetra mahasoa ny tsirairay sy ny fiarahamonina.

Ary andraikitra ho an’ny rehetra ao amin’ny fiarahamonina Islamika no manasazy na mitsara izay miezaka te-hihetraketraka na hanimba izany harembe ho an’ny rehetra izany. Na koa miezaka hampiasa izany amin’ny zavatra hafa izay tsy mifanaraka tanteraka amin’ny tanjon’ny Lalána Islamika. Ka hoy Allah Ilay feno fahamasinana sady Avo indrindra manao hoe: “Allah, izy no nametraka ny ranomasina teo ambany fifehezanareo, mba handehanan’ireo sambo avy amin’ny baikony, mba hitadiavanareo ny fahasoavany, mba hahaizanareo hankasitraka (12), napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra”. [Al-Játhiyah, and: 12-13].

 

 

 

IREO ZO HO AN’NY REHETRA SY AN’NY MANOKANA ARAKA NY FINOANA SILAMO:

Noho ny finoana silamo miezaka amin’ny fanomezana hery ny fifandraisana ara-piarahamonina eo amin’ny tsirairay anatin’ny fiarahamonina izay misy azy avy. Na dia mahakasika ny fifandraisana amin’ny fianakaviana akaiky indrindra, izay antsoina hoe: fIHAVANANA/AL-ARHÁM amin’ny finoana silamo, izay nandidian’i Allah swt ny fanajana izany, ary nampitandrina amin’ny sazy mahery vaika ho an’izay manapaka izany fihavanana izany. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ry Olombelona! Aoka ianareo hatahotra ny Tompo Zanaharinareo Izay Nahary anareo rehetra avy tamin’ny vatana tokana, ary dia nahary ny andefimandriny avy aminy, ka nampiely lehilahy maro sy vehivavy ihany koa avy tamin’izy roa. Ary aoka ianareo hatahotra an’Allah izay hangatahanareo mandrakariva, ary hajao ny fihavanana. Hamafisina, fa Manara-maso anareo mandrakariva i Allah”. [An-Nisá, and: 1].

Na koa ny fifandraisana amin’ireo lavitra izay mampitambatra ny tsirairay amin’ny fiarahamonina, mba hampihisy fifankatiavana sy filaminana, ary ny fifandraisana sy ny fifamatorana amin’ny fiarahamonina Islamika. Satria ny Mpino silamo dia nodidiana araka ny lalána amin’ny tsy maintsy hanatanterahany ny adraikitra izay eo aminy, sy ny zo izay ananan’ireo rahalahiny Silamo aminy. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Aza mifampialona ianareo, aza mifanenjika (amin’ny resaka ara-barotra ianareo/sabotage), aza mifankahala ianareo, ary aza mifampirafy koa ianareo, ary aza mivarotra anatrehan’ny varotry ny rahalahiny, ka aoka ho mpirahalahy ianareo oh ry mpanompon’i Allah. Ny Mpino silamo, dia rahalahin’ny mpino silamo namany; tsy azony atao ny miangatra aminy, na manalabaraka azy, na koa manambany azy. Ny fahatahorana an’Allah dia eto (notondroiny tamin’izany teo amin’ny tratrany, ka naverimberiny in-3. Ary isany zavatra tena ratsy indrindra ataon’ny mpino silamo anankiray, dia ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo (mitovy aminy). Fady (masina) ny mpino silamo amin’ny mpino silamo namany ny: Rány, ny fananany, ary ny voninahitriny”. [Swahih, navoakan’i Mouslim, fiz: 4. Pejy;1986. Hadisy faha: 2564]. (Aza mifanenjika, izany hoe: tsy azo atao ny mampiakatra vidin-javatra nefa tsy vonona hividy an’izany ianao, fa mba tsy hividianan’ny hafa ilay entana ka hanimba ny varotran’ny mpivarotra. Ny fiangarana amin’ny rahalahinao, dia ny tsy fanampiana sy tsy famonjena azy).

Ny Lalána silamo, dia nandidy amin’ny fametrahana ny zon’olona tokana, sy zon’ny rehetra tsy ankanavaka.

Momba ny zon’olona tokana dia miendrika toy ireto manaraka ireto:

  • Ny zon’Allah swt, izay fantatra amin’ny teny fanokanana antsoina hoe: “tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah swt”, ary ity fijoroana vavolombelona ity, dia mitaky izao manaraka izao:
  1. Fanokanana Allah swt amin’ny maha Tompo Zanahary Azy, izany hoe: ny fijoroana vavolombelona amin’ny fisiany, ary Izy irery ihany no Mpahary izao tontolo izao sy izay rehetra ao anatiny, sady Tompony, ary Mpitantana izany. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Moa ve tsy Azy irery ny fahariana sy ny fandidiana? Voninahitra anie ho an’Allah, tompo Zanaharin’izao Tontolo izao”. [Al-a’ráf, and: 54].
  2. Fanokanana an’Allah swt amin’ireo anarany sy ireo toetrany, izany hoe: miaiky marina fa, allah swt dia manana ireo anarana tena tsara indrindra, sy toetra ambony indrindra, ary Izy dia lavitra ny hadisoana sy tsy fahatongavan-dafatra. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Allah irery no manana ireo anarana tsara indrindra. Ka antsoinareo amin’ireny anarana ireny Izy, ary avelanareo izay maniratsira ny Anarany. Tsy ho ela dia hahazo valin-kasasarana tamin’izay nataony izy ireo”. [Al-a’ráf, and: 180].

Ka hamafisinay koa izay nambarany momba ny Tenany arak’izay voalaza ao amin’ny Bokiny (Kor’any), na koa araka ny fanamafisan’ny Irany Mohammad –saw-, izay tsisy amin’olombelona (amin’ny zava-boahary) no mitovy aminy, sady tsy azo hampiasaina ny hoe: ahoana na mitovy amin’iza, na fandávana sy fankahalana, na fampitovizana na fanomezana endrika Azy amin’ny endriky ny zavatra hafa. Nambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no Ilay Maheno sy Ilay Mahita ny zavatra rehetra”. [As-Shourá, and: 11].

  1. Fanokanana an’Allah amin’ny maha Tompo Azy, izany hoe: ny finoana tanteraka fa, allah no Tompo Zanahary marina, ka tsy misy tompo hafa ihany koa ankoatrany, ary tsy misy mendrika tompoina ankoatr’Azy, ka handefasana ampahana fanompoana any Aminy.hoy Allah swt manao hoe: “Tsy nandefa Iraka Izahay, na iray aza talohanao ka tsy nanambaranay azy hoe: tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho, ka aoka ianareo hanompo Aho”. [Al-ambiyá, and: 25].

Ary ny zavatra ataon’ny mpanompo sy izay teneniny dia tsy maintsy manaraka ny lalánan’Allah swt, noho ny fitadiavana ny sitrapon’Allah (izany hoe: ampahadiovam-po). Satria Allah swt dia manambara hoe: “Hamafisina, fa ireo izay mirehareha tsy hanompo Ahy, dia hihiditra any amin’ny afobe tsy ho ela, sady feno henatra”. [Gháfir, and: 60].

Midika izany fa, ny mpanompo dia tsy maintsy mitsangana amin’ny fanatanterahana izay nandidian’ny Tompo Allah azy amin’ireo adidy aman’andraikitra izay takian’i Allah swt aminy, tahaka ny fanatanterahana ny fanompoampivavahana Soalah. Satria ny vokatr’izany amin’ny finoana Silamo, dia ny fanalavirana avy amin’ny asa vetaveta sy fihoafam-pefy. Arak’izay nambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Hamafisina, fa ny fanompoam-pivavahana (soalah), dia manakana avy amin’ny fahavetavetana sy faharatsiana”. [Al-ankabout, and: 45].

Ary ny Famoahana ny ampahan-karena (Zakah), izay manome fahadiovana ho an’ny vatana, sy ny fiarovana azy avy amin’ny haratsian’ny fitiavan-tena. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Aoka ianao haka ampahany amin’ny harenan’izy ireo hatao fanomezana, hanadiovanao azy ireo, sy hanomezanao fahasoavana azy ireo amin’ny alalan’izany, ary mangataha ho azy ireo”. [At-taoubah, and: 103].

Ary mahakasika ny fifehezana, izay ahitana tombontsoa amin’ny fahazoana ny fahatahorana an’Allah swt, ary ny fanakanana ny vatana avy amin’ny rendrarendra, ka hoy Allah swt manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Voadidy aminareo ny tsy maintsy hanatanterahanareo ny fadinkanina, tahaka ny nandidiana azy tamin’ireo vahoaka talohanareo, mba hahazoanareo fahatahorana”. [Albaqarah, and: 183].

Ary ny fivahinianana masina, ka anisany fahendrena ao anatin’izany, dia izay efa nambaran’ny Tompontsika Allah swt manao hoe: “Mba handray anjara amin’ireo tombontsoa izay nomena azy ireo, sy hiantso ny Anaran’Allah amin’ny andro voatondro, amin’ny biby fiompy izay nomenay azy ireo. Ka mihinana amin’izany ianareo, ary ampihinano ihany koa, ireo mahantra fadiranovana”. [Al-hajj, and: 28].

Fantaro fa, ireo asa fanompoana rehetra anatin’ny finoana silamo ireo, dia tsy maintsy natao mifanaraka amin’ny fahafahan’ny vantan’ny zanak’olombelona, izay tsy manery ny olombelona ambonin’ny fahafahana izay ananany, satria ny finoana silamo, dia Finoan’ny fahamorana. Ary manamafy an’izany ny tenin’Allah swt manao hoe: “Allah dia mila ny fahamorana ho anareo, fa tsy mila fahasarotana aminareo velively”. [Albaqarah, and: 185].

Ary ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Raha misy zavatra nandidiako anareo, dia tanterahinareo izany araka ny fahafahanareo”. [Mouttafaquoun alayhi/ mouslim, fiz: 4. Pejy: 1830. Hadisy faha: 1337].

Nefa na dia izany aza, fa ireo didy sy fanompoana, dia tsy manankery amin’ny fotoana sasantsasany, ka ohatra amin’izany:

Anisany zavatra tsy maintsy amin’ny fanatanterahana ny fanomopam-pivavahna soalah, dia ny fitsanganana mahitsy miaraka amin’ny fahafahana, nefa raha toa ka tsy afaka hanatanteraka izany mitsangana izy, dia afaka manatanteraka izany mipetraka. Fa raha tsy afaka hanatanteraka izany mipetraka, dia mila manatanteraka izany matory. Ary raha toa ka mbola tsy afaka hanatanteraka izany matory, dia afaka manatanteraka izany amin’ny alalan’ny fanondroana (indication).

Anisany fomba tsy maintsy hanatanterahana azy ihany koa, dia ny fanatanterahana azy miaraka amin’ny daholobe any amin’ny Masjidy (toeram-pivavahana), ary indrindra ho an’ny lehilahy. Ka tsy manankery izany raha sendra marary, na anatin’ny tebiteby, hatsiaka tafahoatra, na ny orambe mikija mafy.

Ary tsy manankery amin’ny vehivavy izay mandeha fadim-bolana ihany koa, sy ireo avy niteraka, mandrapaha tonga ny fotoana hampadio azy ireo, nefa tsy mila manolo an’izany akory izy ireo.

  • Ny famoahana ampahan-karena (Zakah), dia tsy manankery amin’izay tsy manana ny fetra farany kely indrindra tsy maintsy avoaka amin’ny Zakah, fa vaomainka izy no tsy maintsy homena anjara amin’izany, raha toa ka mahantra ka mila fanampiana izy.
  • Ny fadin-kanina, dia tsy manan-kaery amin’izay marary, raha tsy antenaina mihitsy ny fahasalamany, nefa tsy maintsy mandoa onitra. Fa ireo izay mbola antenaina ny fahasalamany, dia tsy maintsy mamerina izy rehefa tonga ny fotoana mahasalama azy, ary tahak’izany ihany koa amin’ireo be antitra, ka mahatsiaro misedra fahasarotana izy amin’ny fanaovana ny fadin-kanina. Ary raha ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, ka matahotra ny fahasalamany na ny fahasalaman’ny zanany ao ankibo kosa izy, dia tsy maintsy manolo izy aorian’ny fahaterahan’ny zazanany. Ny olona izay mandeha lavitra, dia mahazo mihinana, satria ny fandehanana lavitra, dia isan’ireo zavatra miteraka harerahana, fahasarotana sy vesatra mafy, ka tsy maintsy mamerina izay andro rehetra izay tsy nataony izy amin’ny fotoana hafa mahamety azy (aorian’ny Ramadany). Ary tahak’izany ihany koa ireo vehivavy mitondra vohoka sy avy niteraka, mandrapaha hadio izy ireo, ka rehefa madio izy ireo dia tsy maintsy manolo na mamerina ny fifehezana izay tsy nataony.
  • Ny fanatanterahana ny fivahiniana masina, dia tsy manankery amin’izay olona tsy manan-katao ara-bola sy misy olana ara-pahasalamana. Ka mahakasika izay tsy fahafahana ara-pahasalamana izay, dia raha toa ka manan-katao ara-bola izy, dia tsy maintsy manendry olona hafa izy mba hanatanteraka hejy ho azy. Fa izay misedra olona ara-bola kosa, dia tsy manan-kery ny fanatanterahana ny Hejy, mandrapaha hahitany fahafahana ara-bola mba hanaovany vatsy ho azy sy ny fianakaviany. Ka hoy Allah swt hoe: “Adidin’olombelona amin’Allah ny mitsidika ilay Trano masina ho an’olona afaka mandeha manao izany (Hajj)”. [Al-Imrán, and: 97].

-Raha matahotra amin’ny fahafatesany amin’ny mosary ny olona anankiray, dia afaka maka izay tsy hahafaty azy izy (fa tsy mahazo mihinana izay mahavoky azy anefa izy) amin’ny fihinana na fisotroana zavatra izay nandraran’Allah swt noho izy ankaterena, ary ohatra amin’izany dia: ny zavatra maty hoazy, na ny rá, na ny henan-kisoa, na ny fisotroana toaka. Araka ny nambaran’Allah swt manao hoe: “Fa izay voatery nandray izany kosa, tsy noho ny fanoherana na fihoaram-pefy, dia tsy misy fahotana ho azy”. [Albaqarah, and: 173]. Nambaran’i Sheikh Sayyd Qoubt –RA- amin’ny famakafakana an’io andininy io ao amin’ny Boky masina Kor’any hoe: mahakasiaka ny foto-pinoana izay mampiaiky ny olombelona amin’ny mahaolombelona azy, fa tsy biby na Anjely, na Satana akory izy. Izay manambara fa, izay rehetra mahakasika ny olombelona; ny faharefoana, sy tanajaka, ary ny fifandraisana hifankatia noho ny fahabangana izay misy amin’ny vatan’olombelona, sy ny saina izay manana ny fahafahany, ny fanahy izay manana faniriana, ary manery azy ny zavatra izay tokony ho vitany, izay miaro mandrakariva ny fifandraisana izay mampisaraka ny vesatra sy ny fahafahana amin’ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra tsisy fanerena na.

 

  • ZON’NY IRAKA MOHAMMAD –SAW- DIA AMIN’NY FIJOROANA VAVOLOMBELONA FA IZY DIA IRAK’ALLAH, aRY ITY FIJOROANA VAVOLOMBELONA ITY DIA MITAKY IZAO MANARAKA IZAO:
  1. Ny fankatoavana azy amin’izay andidiany, araka izay nambaran’Allah swt manao hoe: “Fa izay mankato ny Iraka, dia Mankato an’Allah, ary izay mitsipaka kosa, dia tsy ho mpiambina azy ireo akory no nanirahanay anao”. [Annisá, and: 80].
  2. Ny fanamarinana izay nambarany, satria hoy Allah swt hoe: “Ary tsy miteny araka ny sitrapony Izy (3), fa izany dia faminaniana nampidinina taminy (4)”. [Annajmi, and: 3-4].
  3. Fiatahana amin’izay rehetra nandrarany sy nampitandremany, ka nambaran’Allah swt manao hoe: “Raiso izay nomen’ilay Iraka ho anareo, fa avelao kosa izay andrárany anareo”. [Al-hashri, and: 7].
  4. Tsy hanompo an’Allah ny olona anankiray, raha tsy manaraka ny didiny. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Izay manao zavatra, ka tsy manaraka ny didinay, dia tsy ekena (tsy raisin’Allah swt).

 

  • ZON’IREO MPAMINANY SY IREO IRAKA REHETRA:

Raha amin’ny lalána silamo, dia tsy ho mpino silamo ny olona anankiray raha tsy mino amin’ireo Iraka sy ireo Mpaminanin’Allah rehetra. Ka hankatia sy hanandratra azy ireo, izay manomboka amin’i Adama –AS- ka mifarana amin’ny Mpaminanin’ny Finoana Silamo, mohammad –saw-. Fa izay tsy mino amin’iray amin’izy ireo, dia mikomy sady mivoaka avy amin’ny finoana Silamo. Hoy Alllah swt manao hoe: “Hamafisina, fa ireo izay tsy mino an’Allah, sy ireo Irany, ary maniry ny hampisaraka an’Allah sy ireo Irany, no sady milaza hoe: mino ny andaniny amin’izy ireny izahay, fa mitsipaka ny ankilany kosa, ary mitady lálana anelanelan’izany izy ireny (150), izy ireny indrindra no tena tsy mpino, ary nanomana sazy mahafabaraka ho an’ireo tsy mpino Izahay”. [An-nisá, and: 150-151].

Ny Iraky ny finoana silamo, dia tonga ho fitombok’ireo Mpaminany sy ireo Iraka, ary ny lalánany dia tonga hameno izay teo alohany tamin’ireo lalána avy tany andanitra, ary manafoana izany ka tsy hanankery intsony. izany dia noho ny antony fa, ireo Iraka teo alohany dia tonga tamin’ny fotoana manokana ho an’ny vahoaka manokana, izay miavaka tanteraka amin’ny Iraky ny Finoana Silamo, izay nalefa ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka, ary mandrapahataperan’izao tontolo izao. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Fa ho Mpilaza sy ho Mpampitandrina ny olombelona rehetra ihany no nandefasanay anao. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona”. [Saba’, and: 28].

Ka noho izany, dia takiana araka ny lalána ny mpino Silamo amin’ny tsy maintsy hampielezany ny Hafatry ny Finoana Silamo sy ny lalanany ho any amin’ny hafa. Ka raha misy mandray an’izany, dia izay mihitsy no ezaka tadiavin’ny finoana silamo. Fa izay tsy mandray kosa dia manana porofo miharihary hanohitra azy izy. Hoy Allah swt manao hoe: “Tsy misy fanerena amin’ny Finoana, fa efa miavaka tsara amin’ny fahaverezana ny fahitsiana”. [Al-baqarah, and: 256].

 

  • ZON’NY RAIAMAN-DRENY:

Tsy maintsy manatanteraka ny fankatoavana azy roa ireo –raha toa ka mbola tsy mampirisika amin’ny fahotana izy ireo- ka tsy azo atao ny tsy fankatoavana azy ireo.

Mila manaraka sy Mankato ny didin’izy ireo, sy ny fanaovana soa amin’izy ireo amin’ny famatsiana sy fanomezana, ary ny fiantohana izay zava-dehibe rehetra ilain’izy ireo amin’ny fiainany, tahaka ny: Sakafo,zava-pisotro (Rano), sy ny fitafy, ary ny trano fonenana, ary ny fanetrentena eo anatrehan’izy ireo amin’ny fomba firesahana (tsy azo atao no miresaka aminy amin’ny feo ambony/mampiaka-peo), tsy mahazo manambony tena amin’izy ireo, tsy maintsy maharitra amin’ny fanatanterahana ny fanaovana asa ho azy ireo (mila manana faharetana). Isan’izany, dia ny fiahiana akaiky ny fanirian’izy ireo sy ny safidiny, ka tsy mahazo manao resaka manindrona azy ireo, na handratra ny fihetseham-pon’izy ireo. Satria noho ny antony, fa Allah swt dia nampitambatra ny Zony amin’ny zon’izy roa ireo. Ka niteny Izy manao hoe: “Fa namoaka didy ny Tomponao hoe: aza manompo afa-tsy Izy ianareo, ary manaova ny tsara amin’ireo Ray aman-dReny, raha ny anankiray aminizy ireo na izy roa no tratrantitra eo akaikinareo, dia aza miteny velively amin’izy ireo hoe: “Eisy…”, nefa aza atositosika izy ireo, fa manaova teny feno fanajana kosa ho azy ireo (23), fa amin’ny alalan’ny famindram-po, dia miaraha amin’izy ireo amim-panetrentena ianao. Ka lazao hoe: Ry Tompoko! Amindrao fo izy roa ireo, tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola kely”. [Al-isrá, and: 23-24].

Ary ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Ny hafalian’i Allah dia miaraka amin’ny hafalian’ny Ray, ary ny hatezeran’i Allah dia miaraka amin’ny hatezeran’ny Ray”. [Swahih, navoakan’i Tirmthi&Ibnou Hibbáni/Swahih ibni Hibbáni, fiz: 2. Pejy: 172, hadisy faha: 429].

Ireo zo ireo dia didy tsy maintsy tanterahina amin’ireo Raiaman-dReny, na dia aza mifanohitra aminao amin’ny Finoana izy ireo, afa-tsy hoe: mandidy anao hanao zavatra voarara araky ny lalána izy ireo. Araka ny tatitra izay nataon’i Asmá bint Abi Bakr –RA- hoe: indray andro dia tonga namangy ahy ny Reniko, ary mpanompo sampy izy tamin’ny fotoanan’ireo Kouraishy, ary nisy fifanarahana tamin’izy ireo ny Mpaminany –saw-, ka nanontany an’ny Irak’Allah –saw- aho mahakasika izany (Mamako izany) hoe: Oh ry Irak’Allah! Tonga hamangy ahy ny Reniko, ary izy dia tena maniry mafy te-hahita ahy tokoa, hifandray aminy ve aho? Namaly izy hoe: “Eny, mifandraisa amin’ny Reninao ianao”. [Mouttafaquoun alayhi/swahih Mouslim fiz: 2. Pejy: 696, hadisy faha: 1003].

Ary ny Reny no voalohany indrindra noho ny Dada, amin’ny asa fanaovan-tsoa, fihavanana, famindram-po, ary fangorahana. Araka ny hadisy izay notaterin’i Abou Hourairah –RA-, fa indray andro dia nisy lehilahy tonga tamin’ny Mpaminany –saw- ka niteny izy hoe: Oh ry Irak’Allah! Iza amin’olombelona no manana zo tokony hanaovako soa betsaka indrindra? Namaly izy hoe: “Ny Reninao, ny Reninao, ny Reninao, ary ny Dadanao, ary manarakarak’izay sy ny manarak’izay (Ny fianakaviana akaiky indrindra fa, miankina amin’ny mahakaiky azy amin’ny fihavanana). [Swahih Mouslim, fiz;4. Pejy: 1974, hadisy faha: 2548]. Izany hoe: ny Reny dia nanokanana zo ananki-telo, fa ny dada kosa, dia nomena zo anankiray fotsiny. Izany dia noho ny antony fa, ny Reny dia misedra fahasarotana sy hatrotrahana betsaka indrindra, izay tsy sedrain’ny dada akory. Araka ny nambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Mafy no nitondran-dReniny sy ny niterahany azy”. [Al-ahqáf, and: 15].

 

  • ZON’NY RAMOSE AMIN’NY MADAMO VADINY:

Dia ny andraikitra, satria ny lehilahy no tomponandraikitra amin’ny tokantranony, ary mila mijoro amin’ny fanatanterahana izay rehetra mahasoa ny fianakaviany. Arak’izay nambaran’i Allah manao hoe: “Ny lehilahy dia tompon’andraikitra amin’ny vehivavy (amin’ny vadin’izy ireo), izany dia noho ny nanomezan’i Allah azy tombony manokana manoloana ny ankilany, sy noho ny nahafoizany ampahany tamin’ny harenany”. [Annisá, and: 34].

Satria raha ankapobeny, ny lehilahy dia miaina amin’ny zava-misy araka ny fahitany azy amin’ny sainany, izay mifanohitra tanteraka amin’ireo vehivavy, izay matetika miaina amin’ny fahatsoram-po amin’ny fiainany amin’ny ankapobeny. Izany dia tsy midika, fa tsy ilaina ny filan-kevitra amin’izy ireo, sy ny fakana ny heviny, ary indrindra mahakasika ny raharaham-piainan’izy roa mivady.

  • Fankatoavana azy, afa-tsy hoe, mitarika amin’ny tsy fankatovana an’Allah ny zavatra izay andidiany. Hoy Zayd bin Arqam –RA- fa ny Irak’ Allah –saw-hoe: “Ny vehivavy dia tsy mahatanteraka ny zon’Allah, raha tsy manatanteraka ny zon’ny vadiny ara-dalána”. [Swahih, navokan’i Twabráni bisnád jayyd].
  • Tsy tokony hanery azy amin’ny zavatra izay tsy zakany izy (vehivavy), ary tsy tokony hangataka zavatra izay tsy ananany fahafahana sy fahefana izy.
  • Izy (Vehivavy) dia mila miaro mandrakariva ny fananan’ny ramoseny, ireo zanany, ary ny voninahitriny. Satria ny Mpaminany –saw- dia nanambara hoe: “Ny vehivavy mendrika indrindra, dia ny vehivavy, raha mijery azy ianao, dia mahafinaritra azy izany, raha baikonao izy dia Mankato avy hatrany, ary miaro ny tenany sy ny harenanao izy raha sendra tsy eo ianao”. [At-Twabráni, swahih al-jámi’: 3299].
  • Tsy tokony hivoaka ny trano, raha tsy amin’ny sitrapony sy fahafantarany, ary tsy tokony hampiditra olona izay tsy tiany (ramose) ao antranony izy (madamo). Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Hamafisina, fa ianareo dia manana zo amin’ireo vadinareo (vehivavy), ary ny vadinareo ihany koa dia manan-jo aminareo. Ka ny zonareo amin’ny vadinareo, dia ny tsy fahazoan’izy ireo mampiditra olona izay tsy tianareo amin’ny fandriananareo, ary tsy azon’izy ireo atao ihany koa ny manome alálana olona izay tsy tianareo hiditra ao antranonareo. Ary ny zon’izy ireo aminareo, dia ny fanaovanareo soa amin’izy ireo; ny fitafin’izy ireo, ny sakafony”. [Swahih At-tirmithi & ibni Májah/Sounan ibni Majah, fiz: 1. Pejy: 594, hadisy faha: 1851]. (tsy mahazo mampiditra olona izay tsy tian’ny ramose ao amin’ny fandriany; hoy Al-Khattwábi, hoe; tsy azony atao ny mampiditra na iza na iza lehilahy ao antrano ka hiresaka aminy. Satria izany firesahan’ny lehilahy amin’ny vehivavy izany, dia zavatra isany fomba mahazatra ny Arabo tamin’ny tantarany, ka tsy mahita ny maharatsy izany akory izy ireo, sady tsy heverina hiteraka ahiahy izany. Ka rehefa nidina ny andininy izay mandidy amin’ny tsy maintsy hirakofan’ireo vehivavy, dia lasa mpiambin-dampa ny vehivavy, satria voarara ny firesahan’olona fady azy aminy, sy ny fipetrahana miaraka aminy. Izany hoe: na lehilahy izay fady azy izany, na koa ny vehivavy raha toa ka tsy ankasitrahin’ny ramose vadiny).

 

  • ZON’NY MADAMO AMIN’NY RAMOSE VADINY:
  • Ny vodiondry, izay zo voadidy ka tsy maintsy homena an’ny vehivavy avy amin’ny vadiny. Araka ny tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Ary omenareo ireo vehivavy ny vodiondriny (Mahary) izay sahaza ny haja amam-boninahiny. Fa raha nahafoy an-tsitrapo ho anareo ny ampahany tamin’izany kosa izy ireny, dia aoka ianareo hihinana izany amim-pilaminana tsara sy amin’ny fo madio”. [An-Nisá, and: 4].
  • Ny fahamarinana sy fandanjana mitovy ho an’izay manam-bady roa ka mihoatra. Tsy maintsy mampihatra fahamarinana amin’izy ireo izy amin’ny fizarana ny sakafo, zava-pisotro, ny fitafy, ny trano fonenana, ary ny fizarana ny alina fatoriana. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay manambady roa, ka nitanila tamin’iray amin’izy ireo izy, dia ho tonga izy amin’ny andro farany hiaraka amin’ny vatany mirirana (mitongilana). [Swahih, navoakan’i Abou Daoud, annasai, attirmithi, adDarami, ary Ibnou Majah/sounan Abi Daoud, fiz: 2. Pejy: 242. Hadisy faha: 2133].
  • Ny famatsiana azy sy ireo zanany, ary ny fanomezana azy vola izay ilainy, araka ny fahafahan’ny ramose sy ny fetran’ny fahefany. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary hanao fandaniana amin’ny harenany, izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana araka izay nomen’Allah azy. Tsy manery na iza na iza hanao mihoatra izay nomeny azy Allah, ary hampanarahin’Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana”. [At-Twaláq, and: 7].

Ny finoana silamo, dia mampirisika hatrany ireo Mpino silamo amin’ny fanatanterahana izany, ka izao famatsiana izao dia nataony ho isan’ireo fanomezana lehibe indrindra, izay hahazoana valisoa. Arak’izay nambaran’ny Mpaminany –saw- tamin’i Sa’d bin Abi Waqqás –RA-, hoe: “Izay fanomezana ataonao ka hitadiavana ny sitrampon’Allah, dia homen’Allah valinkasasarana noho izany ianao, na dia aza ny ventim-bary izay ataonao ambavan’ny vadinao”. [Mouttafaquoun alayhi/Swahih Al-boukhari, fiz: 3. Pejy: 1431. Hadisy faha: 3721].

Manana zo feno haka amin’ny harenan’ny ramose ny vadiny, na dia aza fa tsy fantany raha toa ka kaihitra ilay raimpianakaviana, ka tsy manome azy ny vatsy izay ampy azy sy ireo zanany. Araka ny hadisy izay taterin’i Hindi bint Outbah –RA-, raha niteny izy, hoe: Oh ry Irak’Allah! Hamafisiko, fa i Abou Soufiyani dia lehilahy kaihitra tokoa, ka tsy manome ny harena ampy ahy sy ny zanako izy, afa-tsy izay alaiko ka tsy fantany ny fakako izany? Ka namaly azy Izy –saw- hoe: “Maká izay ampy anao sy ny zanakao amin’ny fomba ara-dalána ianao”. [Swahih Al-boukhari, fiz: 5. Pejy: 2052. Hadisy faha: 5049].

  • Ny fizarana alina sy ny fifandraisana amin’ny tokantrano, izany no isany zo lehibe indrindra izay takian’ny lalána ny fanatanterahan’ny lehilahy izany sy ny fikarakarany izany. izany hoe: ohatra ny vehivavy anankiray izay mila fo hangorak’azy, ka ny ramose vadiny no miezaka mihira aminy sy manatanteraka ny zavatra izay tadiaviny, mba tsy handehan’ny vehivavy hanao zavatra izay mety hiteraka famaizana ho azy. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- tamin’i Jabir bin Abdillah nanao hoe: “Efa nanambady ve ianao oh ry Jabir? Navaliko azy hoe: eny, nanambady aho. Hoy Mpaminany: Virijiny sa efa avy nanambady (ilay vehivavy)? Navaliko hoe: efa avy nanambady. Ka niteny Izy hoe: “Naninona tsy nanambady virijiny ianao, hilalaovanao azy sady hilalaovany anao ihany koa, na hampihomezanao azy, ary hampihomehy anao ihany koa izy”. [Swahih Alboukhari, fiz: 5. Pejy: 2347. Hadisy faha: 6024].
  • Fanafenana ny tsy ambaratelony, ary ny tsy fahazoana manambara ny kilemany, sy ny fanafenana izay zavatra hitany sy henony momba azy. Ary ny fanafenana izay rehetra niseho tamin’ny firaisan’izy roa manokana. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Hamafisina, fa ny olona ratsy toerana indrindra anatrehan’i Allah any amin’ny andro farany, dia ny lehilahy anankiray izay miray amin’ny vadiny, ary nanakaiky azy ny vadiny (vehivavy), nefa avy eo dia naparitany ny tsy ambaratelony”. (izany hoe: miresaka amin’ny hafa na amin’ireo namany momba ny vadiny izy ny zavatra izay niseho teny ambony fandriana; resaka izany na fihetsika). [Mouslim/ Swahih Mouslim, fiz: 2. Pejy: 1060. Hadisy faha: 1437]. (izany hoe; lehialahy anankiray, izay mifandray sady miray amin’ny vadiny, ary ny vadiny koa dia manatona sady mifandray no manaiky ny hiray aminy. Nefa rehefa avy eo, dia tantarainy amin’iray amin’ireo namany izay niseho taminy sy ny vadiny; na resaka izany na fihetsika natao. Na ny vehivavy koa mety hanao zavatra mitovy amin’izany. Ka izay manao izany dia ho isan’ireo olona tena mbany lanja indrindra anatrehan’ny Tompo Zanahary Allah swt).
  • Tsy maintsy mitondra azy amin’ny fomba mendrika, sy tsy maintsy mifandray aminy ihany koa amim-pahamendrehana, sy ny fanaovana tsara aminy, ary ny fakana hevitra aminy mahakasika ny raharahan-tokantrano izay itambarana aminy. Tsy tokony hanohitra be fahatany ny heviny, ka hanao jadona amin’ny fanatanterahana ny heviny samy irery ihany ny raim-pianakaviana. Ary mila miezaka maneho ireo fomba rehetra izay hiteraka fahasambarana sy fiadanana ho azy ny lehilahy, amin’ny fanehoana ny tena fitiavana marina. Ary izany dia amin’ny alalan’ny fisangisangiana sy fihirahirana aminy, ary ny fanehoana fahatsorana feno aminy. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Ny olona tena vontompinoana indrindra amin’ny mpino, dia izay manana toetra tena mendrika indrindra, fa izay tena mendrika aminareo, dia izay mendrika amin’ny vadiny”. [Swah ibni Hibbáni. Fiz: 9. Pejy: 483. Hadisy faha: 4176].
  • Faharetana ny fampijaliana izay sedraina avy aminy, sy ny fiziogana ny vesatrany, fa tsy tokony hamalifaty amin’ny tsy mety izay ataony. Hoy ny Irak’Allah –saw- hoe: “Ny mpino lahy, dia tsy mahazo mankahala ny mpino vavy, satria raha mankahala azy amin’ny toetra anankiray izy, dia misy toetra hafa izay hahafaly azy ao aminy”. [Swahih Mouslim, fiz: 2. Pejy: 1091. Hadisy faha: 1469].
  • Ny fahasarotam-piaro sy ny fiarovana mandrakariva izany, nefa tsy tokony hanosika amin’ny toerana na zavatra ratsy sy fakampanahy izany. Satria nambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Arovy amin’ny afo ny tenanareo sy ny fianakavianareo fa, ny olona sy ny vato no ho fandrehitra ao”. [At-tahrim, and: 6].
  • Fiarovana ny harenany manokana, izay tsy azo atao ny maka izany raha tsy mahazo alalana aminy. Tsy azo atao ny mampiasa izany raha tsy amin’ny sitrapony, sy ny fanekeny ary ny fahafantarany momba izany. Hoy ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Ny harenan’ny Mpino silamo dia voarara, raha tsy amin’ny fony madio”. (izany hoe tsy azo atao ny mihinana ny volany raha toa ka tsy ampahafantarina azy, ary nanaiky izany ampo madio izy). [Swahih, navoakan’i Bayhaqi, swahih Al-jami’: 7662].

 

  • ZON’IREO ANKIZY:

- Anisan’izany, dia ny fiahiana sy fiarovana ny fiainan’izy ireo, sy ny fimasoana akaiky indrindra ny raharaha mahakasika azy ireo, ary ny fikarakarana azy ireo, sy ny fiantohana ny zavatra rehetra izay ilainy, tahaka ny: Sakafo, zava-pisotro (Rano), lamba fitafy, ary ny trano fonenana. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- hoe: “Tena fahotana fatratra tokoa an’ny raimpianakaviana anankiray, amin’ny tsy firaharahany izay ambany fahefany (ny fianakaviany)”. [Swahih Mouslim/ Swahih ibni Hibbáni, fiz: 10. Pejy: 51. Hadisy faha: 4240].

 - Fisafidianana ananarana mendrika tsara ho azy ireo, satria voalaza fa, ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Hamafisina, fa ianareo dia hantsoina amin’ny anaranareo sy ny anaran’ny dadanareo amin’ny Andro farany, ka noho izany, dia hatsarao ny anaranareo”. [Swahih ibni Hibbáni, fiz: 13. Pejy: 135. Hadisy faha: 5818].

- Fambolena ireo toetra mendrika amin’ny tenan’izy ireo, tahaka ny;Henatra, fanajana ny olon-dehibe, sy ny fanomezana voninahitra azy ireo, fitenenana marina, ny fitokisana, ny fankatoavana ny Ray aman-dReny…sns, ary ny fanalavirana azy ireo avy amin’ireo zavatra ratsy isankarazany, ohatra ny: fitenenana ratsy, asa ratsy, ny lainga, fivadihana, fitaka, fiangarana, halatra, tsy fanajana ny Ray amandreny…sns, satria ny Irak’Allah –saw- dia niteny hoe: “Hamafisina, fa ny tomponandraikitra tsirairay avy, dia hanontanian’Allah swt amin’ny andraikitra izay nankinina taminy; narovany ve sa tsy noraharahany? Ary na dia ny lehilahy dia hanontaniana mahakasika ny fianakaviany ihany koa”. [Ibnou Hibbáni As-Swahihah: 1636].

- Fampianarana sy fanabeazana azy ireo ny fahalalana sy fanabeazana mahasoa, ary ny fitadiavana namana tsara ho azy ireo. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “ianareo jiaby dia tompon’andraikitra, ary hanontaniana amin’ireo izay ambany fahefany, ny Mpitarika (Imamo), dia mpiarakandro sady tompon’andraikitra amin’ny andraikitra izay tandrify azy, ary ny lehilahy koa, dia mpiarakandro sady tomponandraikitra amin’ny fianakaviany, ary ny vehivavy koa, dia mpiarakandro sady tomponandraikitra amin’ny tokantranon’nby vadiny, ary tahak’izany koa ny mpiasa/mpanampy, dia mpiarakandro sady tomponandraikitra amin’ny fananan’ny lehibeny“.[Mouttafaquoun alayhi/ Swahih al-boukhari fiz: 2. Pejy: 902. Hadisy faha: 2419].

  • Fiezahana mandrakariva amin’ny fiarovana azy ireo, izany dia amin’ny tsy fanaovana vavaka ratsy na fanozonana azy ireo. Satria ny Mpaminany –saw- nanambara hoe: “Aza mivavaka ratsy ho an’ny tenanareo, tsy amin’ny zanakareo na amin’ny harenanareo, ary aoka ianareo tsy hangataka ratsy ho an’ny tenanareo, amin’ny fotoana izay mety handraisan’i Allah ny vavaka izay ataonareo”. [Swahih mouslim, fiz: 4. Pejy: 2304. Hadisy faha: 3009].
  • Fampiharana fahamarinana amin’izy ireo, ary ny tsy fanavakavahana amin’ny sasany amin’izy ireo rehefa manome zavatra (mila ampitovizina), ary tahak’izany ihany koa ny fomba malefaka hifandraisana amin’izy ireo, satria raha misy tsy fampitovizana amin’izy ireo izany, dia hiteraka ny tsy fanajan’izy ireo azy (raiamandReny), sy fankahalana, ary ny fialonana amin’ireo samy ireo. Satria raha araka ny nambaran’i An-Nou’mán bin Bashir –RA- hoe: indray nanome ahy ampahany amin’ny harenany ny dadako, ka hoy ny Reniko Oumarah bint Rawáhah hoe: tsy mankasitraka an’izao aho, raha tsy ampijoroinao vavolombelona amin’izao ny Irak’Allah –saw-. Ka lasa nandeha tamin’ny Mpaminany –saw- ny dadako mba hampijoro vavolombelona azy amin’ny fanomezana izay nomeny ahy. Ka hoy ny Irak’Allah –saw- taminy hoe: “ny zanakao rehetra ve nomenao mitovy daholo?”. Namaly izy hoe: tsia. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe; “Mahatahora an’Allah ianareo, ary mampihara ny fahamarinana amin’ireo zanakareo”. Niverina ny dadako, ka namerina ilay fanomezana. [Swahih Mouslim, fiz: 3. Pejy: 1242. Hadisy faha: 1623].

 

  • ZON’IREO FIANAKAVIANA AKAIKY INDRINDRA:

Izy ireo, dia; ny fianakavian’ny lehilahy, sy ireo havany akaiky, ary ireo izay rehetra manana fihavanana aminy. Ny finoana silamo, dia nampirisika amin’ny fanamafisana ny fifandraisana amin’izy ireo ara-materialy –raha toa ka manankarena izy- amin’ny fanampiana azy ireo raha sahirana izy ireo, amin’ny alalan’ny fanomezana izay voadidy ny tsy maintsy hamoahany izany, sy ny fanomezana antsitrapo. Ary koa ny ara-piarahamonina amin’ny fanontaniana sy fitadiavana azy ireo, sy mahakasika ny fiainana’izy ireo, ny fangorahana azy ireo, ary ny fiarahana amin’izy ireo amin’ny fotoana rehetra; fotoana mampalahelo, na fotoanan’ny fahasambarana. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, izay hangatahanareo mandrakariva, ary hajao ny fihavanana”. [Annisá, and: 1].

Ny finoana silamo, dia mampirisika mandrakariva ny Mpino silamo amin’ny tsy maintsy hanajany ny fihavanany, na dia efa nanapaka azy tsy ho havany aza izy ireo. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Tsy azo lazaina ho manaja ny fihavanana izay maneho amin’ny havany izay ataon’ny havany aminy, fa ny tena mpanaja ny fihavanana, dia izay mitazona hatrany ny fihavanany na dia fa efa nanapaka azy aza izy ireo”. (izany hoe: tsy mpanaja ny fihavanana izay manao mitovy amin’izay ataon’ny havany. Hoe: raha manaja azy, dia hajainy, fa raha manapaka azy kosa dia tapahany. Izany hoe; raha manao tsara aminy izy ireo, dia anaovany tsara, fa raha manao ratsy aminy kosa izy ireo, dia hanao ratsy azy ireo ihany koa izy. Ka tsy mety izany fa mila hajaina hatrany ny fihavanana, sady mila hamafisina foana, na efa nanapaka aza izy ireo, dia tsy maintsy mitazona foana ianao). [Swahih alboukhari, fiz: 5. Pejy: 2233. Hadisy faha: 5645].

Ny finoana silamo, dia nampitandrina amin’ny fanapahana ny fihavanana sy amin’ny tsy fanatevenana izany, ary nataony ho isan’ireo fahotana lehibe indrindra. Nambaran’ny Irak’Allah –saw- hoe: “Raha nanamboatra ny zava-boahary Allah, ka rehefa tapitra ny fanamboarany izany, dia nitsangana ny Fihavanana, ka hoy Allah hoe: ampy izay! Nanambara ny Fihavanana hoe: izao fangatahako vonjy izao, dia fangatahan’izay mangataka fiarovana aminao amin’izay manapaka ahy –hoe; mangataka fiarovana Aminao aho amin’izay manapaka ahy-. Ka hoy Allah hoe: tsy faly ve ianao, amin’ny hitambarako amin’izay manambatra anao, ary hanapahako izay manapaka anao? Namaly izy hoe: Eny, oh ry Tompo! Hoy Allah; Ho anao áry izany. “. Ka hoy Abou Hourairah, mahakasika ny tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Izy ireny no voahozon’Allah, ka nataony marenina izy ireny, ary nataony jamba ihany koa ny fahitany”. [Mohammad, and: 23]. {Mouttafaquoun alayhi/ Swahih Alboukhari, fiz: 6. Pejy: 2725. Hadisy faha: 7063].

 

  • ZON’NY TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’IZAY AMBANY FAHEFANY:
  • Ny fihenoana sy ny fankatoavana azy afa-tsy hoe, mitsipaka an’Allah izy, satria ny fankatoavana azy raha tsy mandidy amin’ny fahotana izy, dia tafiditra amin’ny fankatoavana an’Allah swt, ary ny tsy fankatoavana azy, dia midika ho tsy fankatoavana an’Allah. Hoy Allah swt manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Mankatoava an’Allah ianareo, ary mankatoava ihany koa ilay Iraka sy ireo manampahefana aminareo”. [Annisá, and: 59].
  • Fananarana azy amim-pahendrena sy ampahatsorana, nefa tsy azo atao ny mamitaka azy. Izany hoe; amin’ny fanolorana hevitra ho azy amin’izay rehetra mahasoa azy sy ireo izay ambany fahefany, ary ny fampahatsiahivana azy mahakasika ny zavatra izay ilain’ireo vahoaka ambany fahefany. Ka hoy ny Tompontsika Allah swt tamin’i Mosesy sy ny rahalahiny Harona –AS- rehefa nalefany tamin’i Faraona mba hiantso azy ka nanao hoe: “Dia miresaha aminy ianareo roa amim-pitiavana izy. Angamba hahatsiaro izy, na hatahotra (Ahy)”. [Twáhá, and: 44].
  • Ny fijoroana miaraka aminy amin’ny fotoanan’ny fahasarotana, sy kirizy, nefa tsy azo atao ny fanoherana azy na tsy famonjena azy, na ny fanalana Baraka azy. Na dia aza ireo izay tsy nanao velirano taminy, dia tsy mahazo manohitra azy. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Izay tonga aminareo ka mandidy anareo hitambatra hanenjika lehilahy tokana, izay mikasa hanapaka ny salohinareo, na hampisaraka ny fivondronanareo, dia vonoinareo izy”. [Swahih Mouslim, fiz: 3. 1480. Hadisy faha: 1852].

 

  • ZON’NY ENTINA AMIN’NY MPITONDRA:

Anisany zon’olona entina amin’ny manampahefana, dia:

  1. Ny fampiharana fahamarinana amin’ny tsirairay avy. Izany hoe; fanomezana ny tsirairay ny zony. Ka noho izany dia tsy maintsy mampihatra ny fahamarinana sy fitovizana izy amin’ny resaka zo, sy amin’ny andraikitra, sy amin’ny fizarana adidy, ary amin’ny fepetra sy lalána. Ka tsy maintsy ampitoviziny ny rehetra eo anatrehany, fa tsy misy ambony na ambany fa, mitovy daholo ny rehetra. Na koa fiarovana ny vondrona anankiray amin’ny toeran’ny vondrona iray hafa (na fanomezana zon’ny hafa ho an’izay tsy mendrika azy na tsy tompony). Araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Ny olona hahazo famaizana mahery vaika indrindra amin’ny andro farany, dia ny lehibe izay mpanao ny tsy rariny”. [At-twabráni fil-Aousat&At-twayálisy, swahih Al-jámi’: 1001].
  2. Ny fahazoan’ny mpitondra miangatra famaizana, izay mamitaka, na mivadika amin’olona izay ambany fahefany (olona entiny). Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Izay olona ataon’i Allah swt tompon’andraikitra, ka raha maty izy, nefa nivadika tamin’ireo izay ambany fahefany, dia hataon’i Allah swt fady azy ny fidirana amin’ny Paradisa”. [Mouttafaquoun alayhi].
  3. Tsy maintsy maka ny hevitr’izy ireo amin’ny raharaha izay mahakasika ny tombontsoan’izy ireo amin’ny resaka politika izany, na sosialy, na ara-toekarena. Izany hoe; tahak’izao ny fombafomba fanaovana ny filan-kevitra amin’izy ireo: fanomezana azy ireo fahafahana malalaka amin’ny hanoloran’izy ireo ny heviny, ary ny fiatrehana amin’izy ireo amim-panajana tanteraka. Ary raisina ny hevitr’izy ireo raha toa ka hita fa, hahasoa ny be sy ny maro izany. Ka hoy ny Tompo Allah swt mahakasika izany manao hoe: “Fa noho ny indrafo avy amin’i Allah dia, nalefaka tamin’izy ireo ianao! Fa raha toa ka sarotiny ianao sy mafy fo, dia ho nisintaka ny manodidina anao izy rehetra. Ka aoka ianao handefitra amin’izy ireny, ary mangataha famelan-keloka ho azy ireo ihany koa, ary mifampidiniha amin’izy ireo momba izay atao. Ary raha misy fanapahan-kevitra noraisinao, dia aoka hanankina izany amin’Allah. Eny fa, allah dia tia ireo mpiantehatra Aminy”. [Al-imrán, and: 159].
  4. Fototry ny lalána sy ny lalam-panorenana izay hitondrany ny vahoakany, dia ny Lalána Islamika. Ka mahakasika izay indrindra, dia tsy azo hampiasana hevitr’olona na sitra-pon’olona manokana, ary ny fomba famelankeloka, satria izany rehetra izany, dia mety ho marina ary mety ho diso (ka tsy maintsy ny fampiharana sy fampiasana ny lalánan’ny Tompo Zanaharin’izao tontolo izao).
  5. Ny tsy fahazoana mametraka zavatra hampisaraka azy sy ireo izay ambany fahefany, na ny fanakatonana ny varavarana amin’izy ireo, na ny fanamboniantena amin’izy ireo, ka hametraka olona ho mpanelanelana aminy sy amin’ireo olona entiny, izay mety handray izay olona tian’izy ireo, ka hanakana izay tian’izy ireo (hoe; ireo mpanelanelana izany). Araka ny tenin’ny Iraka –saw- hoe: “Izay olona voatendry hitantana ny raharahan’ny Mpino Silamo, mahakasika na inona na inona zavatra, nefa nisintaka azy ireo izy, ka navelany (tsy niraharahiny ny fitakian’izy ireo) irery amin’ny zavatra ilain’izy ireo izy, sy ny fahantran’izy ireo, ary ny fahasahiranan’izy ireo, dia hisintaka aminy Allah swt amin’ny andro farany, ka havelany irery izy amin’ny fahantrany, sy ny zavatra izay ilainy, ary ny fahasahiranany”. [Swahih As-Swahihah: 629]/ {al-moustadrik alás-swahihayn, fiz: 4. Pejy: 105. Hadisy faha: 7027}.
  6. Ny tsy maintsy hamindrany fo amin’ireo olona izay ambany fahefany, ka tsy tokony hampizioga vesatra azy ireo izy amin’ny zavatra izay tsy zakan’izy ireo, na ny fanaovana sarotra amin’ny fiainan’izy ireo na amin’ny fahazoany ny anjaram-pivelomany. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Oh Allah! Izay olona voatendry ho tompon’andraikitra mahakasika ny raharahan’ny vahoakako, ka nankasarotiny ny raharahan’izy ireo, dia ankasaroty koa ny raharahany. Ary izay olona voatendry ho tompon’andraikitra amin’ny raharahan’ny vahoakako, ka namorainy ny raharahan’izy ireo, dia mba ataovy mora ihany koa ny raharahany”. [Swahih Mouslim, fiz: 3. Pejy: 1458, hadisy faha: 1828].

 

  • ZON’NY MPIFANOLO-BODIRINDRINA:

Ny finoana silamo, dia mandidy amin’ny fanaovana soa amin’ny mpifanolo-bodirindrina tsy ankanavaka. Araka ny tenin’Allah swt manao hoe: “Aoka ianareo honompo an’Allah, ary aza mampitambatra Azy amin’ny zavatra hafa. Ary manaova soa ihany koa amin’ireo raiaman-dReny ianareo, sy ireo fianakaviana akaiky indrindra, ireo kamboty, ireo sahirana, ireo mpifanolo-bodirindrina avy amin’ny fianakaviana akaiky indrindra anareo, sy ireo mpiaramonina tsy Havanareo, sy ireo namana tsy mahasaraka anareo, sy ireo mpandeha lavitra (lany vatsy), ary izay rehetra ambany fahefanareo, hamafisina fa Allah dia tsy tia izay olona mpisehoseho sady mpirehareha”. [An-nisá, and: 36].

Voarara ny fampijaliana ny mpifanolo-bodirindrina, na amin’ny alalan’ny teny na fihetsika izany. Araka ny tatitra izay nentin’i Abou hourairah –RA- hoe: indray andro nolazaina tamin’ny Mpaminany –saw- hoe: hamafisina, fa misy vehivavy izay manatanteraka ny fadin-kanina mandritra ny antoandro, sady mitsangana manatanteraka ny fanompoam-pivavahana amin’ny alina, nefa izy dia mampijaly ny mpifanolo-bodirindrina aminy amin’ny alalan’ny lelany?! Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Tsisy hatsarana aminy, ary izy dia anatin’ny afobe”. Ary mbola nolazaina taminy ihany koa: tena marina fa, misy vehivavy manatanteraka ny fanompoam-pivavahana izay voadidy tsy maintsy tanterahin’ny isam-batan’olona, sady mifehy vava amin’ny volana Ramadany, ary manao fanomezana amin’ny ronono maina, nefa tsy mampijaly olona amin’ny lelany izy. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Izy dia amin’ny Paradisa”. [Swahih Alboukhari fil-adab al-moufrad <>/Al-moustadrik alá as-swahihayn, fiz: 4. Pejy: 184, hadisy faha: 7305].

Ny finoana silamo, dia nanome toerana sy zo lehibe ho an’ny mpifanolo-bodirindrana. Raha araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Ny Anjely Jibril (Gabriel), dia nananatra ahy mandrakariva mahakasika ny fanajana ny mpifanolo-bodirindrina, izay nahatonga aho nihevitra fa, handidy ahy amin’ny handovan’ny mpifanolo-bodirindrina amiko ahy (izany hoe; ny handovan’ny mpifanolo-bodirindrina amin’olona anankiray izay mifanolo-bodirindrina aminy raha maty izy)”. [Mouttafaquoun alayhi. Swahih al-boukhari, fiz: 5, pejy: 2239. Hadisyfaha: 5668].

Ary ny fampijaliana azy dia voasokajy ho fanimbana ny finoana na mahafoana ny finoan’olona anankiray. Ka hoy ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Mifanta amin’Allah aho, fa tsy mpino izy, mifanta amin’Allah aho fa, tsy mpino izy, ary mbola mifanta amin’Allah aho fa, tsy mpino izy!”. Ka nanontaniana izy hoe: iza izany oh ry Irak’Allah! Namaly Izy hoe: “Izay olona mampijaly ny mpifanolo-bodirindrina aminy noho ny haratsiam-pitondrantenany (ka mahatsiaro tsy fandriampahalemana izy noho ny haratsian-toetrany)”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ary anisany zavatra tokony hatao dia ny fiziogana ny fahasarotana izay sedrainy, ka mila maneho fahatsoram-po sy fahamendrehana aminy. Hoy Abou Hourairaha –RA- fa, indray andro dia nisy lehilahy niteny hoe: oh ry Irak’Allah! Misy olona mifanolo-bodirindrina amiko, izay mampijaly ahy. Ka hoy Izy –saw- hoe: “Mandehana ianao, ary avoahy an-dálana ny entanao”. Lasa izy namoaka ny entany eny andalana, ka vory teo aminy ny vahoaka ary nanontany azy hoe: inona ny olananao? Namaly izy hoe: Misy olona mpifanolo-bodirindrian amiko izay mampijaly ahy, ka nolazaiko tamin’ny Irak’Allah –saw- momba izany. Ka niteny Izy hoe; Mandehana ianao, ary avoahy andalana ny entanao. Rehefa nahita izany ny vahoaka dia nanomboka niteny hoe: Oh Allah! Hozono izy, oh Allah alaivo baraka izy! Ka tonga tamin’ilay mpifanolo-bodirindrina ny vaovaon’ilay lehilahy, ka nanatona azy izy niteny hoe: miverena an-tranonao ianao, fa mianiana amin’Allah aho fa tsy hampijaly anao intsony. [Swahih Al-adab al-moufrad].

Ny mpifanolo-bodirindrina, dia manana zo, na dia tsy mpino silamo aza izy. Indray andro Abdoullah bin Amr –RA- namono ondry tao amin’ny fianakaviany. Ka rehefa tonga tao antrano izy, dia nanontany hoe: Efa nomenareo ve ilay jiosy mpifanolo-bodirindrina amintsika? efa nomenareo ve ilay jiosy mpifanolobodirindrina amintsika? Satria naheno ny Irak’Allah –saw- aho niteny hoe: “Ny Anjely Gabriely –AS- dia tsy nitsahatra nananatra ahy mahakasika ny mpifanolo-bodirindrina, izay nahatonga aho nihevitra fa, hampandova azy izay mpifanolobodirindrina aminy. (izany hoe: nihevitra aho fa, allah swt handidy amin’ny handovan’olona anankiray ny olona izay mifanolobodirindrina aminy, rehefa maty izy)”. [Mouttafaquoun alayhi].

 

  • ZON’IREO SAKAIZA/NAMANA:

Ny finoana silamo, dia mampirisika amin’ny fikarakarana tanteraka ireo namana, ary nametraka zo ho azy ireo, izay nodidiana ny tsy maintsy hanomezana izany amin’izy ireo, na amin’ny alalan’ny asa soa izany na fanomezana toro-hevitra. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Ny sakaiza tsara indrindra anatrehan’Allah, dia izay mendrika amin’ny namany, ary ny mpifanolobodirindrina mendrika anatrehan’Allah, dia izay mendrika manoloana izay mpifanolo-bodirindrina aminy”. [swahih- navoakan’i At-tirmithi “An-Naswihah” (103)].

 

  • ZON’NY VAHINY:

Anisany zon’ny vahiny amin’ny finoana silamo, dia ny fanajana azy, araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Izay mino an’Allah sy amin’ny andro farany, dia tsy maintsy manaja izay mpifanolo-bodirindrina aminy, ary izay mino an’Allah sy amin’ny andro farany, dia tsy maintsy manaja ny fanomezana ho an’ny vahininy”. Nanontany izy hoe: Oh ry Irak’Allah! Inona ny fanomezana ho azy? Namaly Izy –saw- hoe: “Ny fikarakarana azy amin’ny antoandro sy alina, ary ny fetran’ny fandraisam-bahiny, dia telo andro. Fa raha mihoatra an’izay, dia fanomezana tsotra aminy (mpampiantrano), ary izay mino an’Allah sy amin’ny andro farany, dia tsy maintsy miteny tsara na izy mipetraka mangina”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ny fanajana vahiny, dia voasokajy ho isan’ireo asa soa tena lehibe indrindra. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- hoe: “Tsisy olona mitovy amin’ny lehilahy anankiray, izay naka soavaly, ka nanao ady masina amin’ny lalan’Allah, ary mihataka ny haratsian’olombelona, sy ny lehilahy anankiray izay maka ny ondriny mba hamahanana ny vahininy araka ny zo izay tsy maintsy homena an’izany vahiny izany”. [Swahih, navoakan’Imam Ahmad&Al-Hákim].

  • Ary ny vahiny koa izany, dia tsy maintsy mba miaro ny fiainan’izay mampiantrano azy, ka tsy tokony hanao zavatra izay tsy zakany, araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Tsy azon’ny mpino silamo atao ny mipetraka amin’ny rahalahiny, ka hatonga azy hanao fahotana”. Hoy izy ireo hoe: ahoana hatonga azy hampanao fahotana azy, oh ry Irak’Allah? Ka namaly izy nanao hoe: “Raha mipetraka aminy izy, nefa efa tsy manana zavatra hofahanana azy intsony ny mpampiantrano”. [Mouslim]. (hatonga ny tompontrano hanao fahotana, hoe: tsy azon’ny vahiny atao no mipetraka amin’ny mpampiantrano azy mihoatra ny telo andro, ka hampanao fahotana ny rahalahiny, izany hoe: raha tsy mahita sakafo hamahanana azy intsony ny mpampiantrano azy).

 

  • ZON’IREO MAHANTRA SY SAHIRANA:

Tompo Allah swt, dia midera ireo izay mpamoaka amin’ny lálan’Allah, ireo izay miezaka mandrakariva amin’ny fanomezana ny zavtra izay tadiavin’ireo olona mahantra sy sahirana, ary ireo izay mila fanampiana mafy. Satria Allah swt dia niteny hoe: “Ary misy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana, amin’ny fananan’izy ireo”. [Az-záriyat, and: 19].

Ary vao mainka nosokajian’ny finoana silamo ho isany fanaovana sorona mendrika tokoa ny fanomezana izay avoakan’olombelona ho an’ireo rahalahiny izay mahantra, ka hoy Allah swt manao hoe: “Tsy midika ny fitodihan’ny tavanareo any antsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana. Fa ny tena hatsarana, dia eo amin’izay mino an’Allah, ny andro farany, ireo Anjely, ny rakitsoratra, ireo Mpaminany, sy izay nahafoy ny fananany noho ny fitiavany an’Allah, ho an’ireo akaiky azy, ireo kamboty, ireo malahelo, ireo mpandeha lavitra lany vatsy, ireo mpangataka, sy ho an’ny famotsorana andevo…”. [Albaqarah, and: 177].

Ary nampitandremana amin’ny sazy mahery vaika amin’andro farany ireo izay manangona ny harenany, ka tsy tia hanome ny zon’Allah swt. Ka niteny Allah swt mahakasika izany, hoe: “Ireo izay manangona volamena sy volafotsy ka tsy mahafoy manome izany amin’ny lálan’Allah, dia lazao, fa miandry azy ireny ny famaizana mamaivay”. [At-taoubah, and: 34]. Ka noho izany, dia nodidiana ho tsy maintsy atao ny famoahana ny ampahankarena, raha araka ny finoana silamo, ary natao ho isan’ireo andry fototra ijoroan’ny finoana silamo, sady nodidiana amin’ny tsy maintsy hamoahana izany ny mpino silamo tsirairay, izay manana ny fetra farany ambany indrindra tsy maintsy havoaka ho an’ny mahantra, ka efa nihodina iray taona izany. Manamafy an’izany ny tenin’Allah swt manao hoe: “Ny hanompo an’Allah irery ihany no nandidiana azy ireo; fanompoana azy amim-pahadiovam-po tsy afangaro amin’ny zavatra hafa, sy ny fanatanterahan’izy ireo ny fanompoam-pivavahana soalah, ary ny fanomezany ny harena fiantrana. Izany no finoana marina tokoa”. [Al-Bayynah, and: 5].

Ary nohazavain’ny Tompo Zanahary (Allah) swt ireo olona manan-jo tsy maintsy omena izany (ampahan-karena) izany, manao hoe: “Ny harena fiantrana dia voatokana homena ireo mahantra, ireo fadiranovana, ary ireo izay miasa amin’izany, ireo mbola tambazana ny fony, ny famotsorana andevo, ireo izay vesarin’ny trosa sy ireo miasa amin’ny lálan’Allah, ary ho an’ny mpandeha lany vatsy. Didy avy amin’Allah izany! Satria Mahalala ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah”. [At-taoubah, and: 60].

Ary hamafisina, fa efa tonga ny fampitandremana avy tamin’Allah ho an’izay manakana izany, ka miteny izy manao hoe: “Ary aoka ianareo tsy hihevitra na oviana na oviana, fa ireo izay mahihitra tamin’ny fahasoavana nomen’Allah azy ireo, dia ho tsara aminy izany, nefa raha ny marina dia ratsy amin’izy ireo izany. Hampiambozonana azy ireny ihany koa izay zavatra rehetra nampahihitra azy amin’ny andro fitsanganana farany”. [Al-imrán, and: 180].

 

  • SEHATRY NY ASA SY NY MPIASA

Raha ny sehatry ny asa sy ireo mpiasa no resahina, dia tonga ny finoana silamo nitondra antoka sy fepetra, izay mametra ny fifandraisan’ny mpampiasa amin’ireo mpiasa, ary ny fifandraisan’izy ireo amin’ny mpampiasa, mba hiaro ny zon’ny andaniny sy ny ankilany, ary ny fifandraisan’izy ireo mba ho fifandraisana amim-pirahalahiana, sy fitiavana ary fahasambarana maharitra, fa tsy sanatria ho fifandraisana noho ny tombontsoa manokana eto antany, na koa noho ny antony fifanakalozana tombontsoa fotsiny.

 

  • ZON’IREO MPIASA:

Ny finoana silamo dia nandidy fa, ny fifandraisan’ny mpampiasa sy izay rehetra ambany fahefany dia tsy maintsy ho fifandraisana amim-pirahalahiana, ary amim-pitovizana amin’ny voninahitra amin’ny samy mahaolombelona. Ka hoy ny Irak’Allah – saw-manao hoe: “Ireo rahalahinareo, dia mpanampinareo, izay nataon’Allah swt ambany fahefanareo. Ka izay manana rahalahy ambany fahefany, dia tsy maintsy mampihinana azy amin’izay hohaniny, mampitafy azy amin’izay tafiany, fa aza terena hanao asa izay tsy zakan’ny vatany izy, nefa raha ampanaovinareo asa mavesatra izy ireo, dia ampio izy ireo”. [Swahih alboukhari, fiz: 1, pejy: 20. Hadisy faha: 30]. (Ny rahalahinareo dia mpanampinareo; izany hoe; ireo izay manamboatra sy manatsara ny raharahanreo- na izany andevo na mpiasa/mpanampy tsotra, izy ireny dia rahalahinareo amin’ny finoana sy amin’ny samy mahaolombelona. {ambanin’ny tongotrareo} hoe: ambany masonareo, sy ambany fahefanareo. Asa mavesatra; izany hoe: asa izay tsy zakan’ny vatan’izy ireo ny fanatanterahana azy).

Ary manamafy hatrany ny zon’ny mpiasa amin’ny tsy maintsy hanomezana ny zony na ny karamany. ka niteny ny Mpaminany –saw- hoe: “Niteny Allah: izaho no mpanohitra karazana olona telo amin’ny andro farany (amin’ny fitsarana): Lehilahy izay nanome amin’ny anarako, nefa nivadika. Sy lehilahy izay nivarotra olona malalaka (tsy andevo), ka nohaniny ny volan’izany. Ary lehilahy anankiray, izay naka mpiasaka notanterahiny tsara ny asany (mpiasa), nefa tsy naloany ny karamany (tsy naomen’ny mpampiasa ny karamany)”. [swahih, navoakan’i Boukhari]. (Nanome amin’anarako: nampanantena amin’anarako, sady nifanta. nivadika: tsy nitazona ny fifanarahana izay nifanaovana, ka tsy notanterahiny).

Ny finoana silamo dia mandidy amin’ny tsy maintsy hanomezana ny karaman’ny mpiasa avy hatrany, rehefa vita ny asa izay nampanaovina azy. Satria ny Mpaminany –saw- niteny hoe: “Omeo ny mpiasa ny karamany, alohany hahamaina ny dinitrany”. [Sounan ibni Majah, fiz: 2. Pejy: 817. Hadisy faha: 2443].

Ny finoana silamo dia mandidy amin’ny tsy fahazoana manome asa mavesatra izay tsy zakan’ny mpiasa, ka raha toa ka sendra misy an’izany, dia tsy maintsy ampiana izy ireo amin’ny fanatanterahana izany ara-materialy, amin’ny fanomezana azy tambinkarama (fanampiny), na koa fanampiana azy ireo ara-batana amin’ny fanatanterahana ny asa. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny manao hoe: “… Aza ampanaovina asa izay tsy vitany izy ireo, fa raha ampanaovinareo asa mavesatra izy ireo, dia ampio izy amin’ny fanaovana izany”. [Swahih Alboukhari].

 

Tahaka ny fitakian’ny finoana silamo amin’ny mpampiasa amin’ny tsy maintsy hanajany ny zon’ireo mpiasa, dia takiana ihany koa ny tsy maintsy hanajan’ny mpiasa ny zon’ny mpampiasa. Izany dia amin’ny alalan’ny fanatanterahan’izy ireo amin’ny fomba ara-dalána izay notakiana tamin’izy ireo, ka tsy tokony hisy tsy fahatomombanana na fahatarana, ka hatonga ny mpampiasa ho voa noho izany. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Hamafisina, fa Allah dia mankatia ny olona anankiray aminareo, izay rehefa manao zavatra, dia ataony ara-dalána tsara”. [Swahih Al-Jámi’: 1880].

Mba ho fampirisihana ireo mpiasa amin’ny fahaizana manatanteraka ny asany, sy hiarovana ny haja sy voninahitr’izy ireo, dia natao ho isany vokatra tsara indrindra amin’ny vokatra izay azon’izy ireo ny vokatry ny asa izay nataony amim-pahalalana sy amim-pahadiovam-po. Araka ny nambaran’ny Mpaminany Mohammad –saw- manao hoe: “Ny vokatra tsara indrindra ho an’olona anankiray, dia ny vokatry ny asa vitan’ny tánany, raha hainy tokoa ny fanaovana azy, ary nataony ara-dalána tsara ny fanatanterahana ny asa”. (izany hoe: manampahaizana amin’ny zavatra ataony, sady manana fahadiovam-po, ary notanterahany tsara fa tsy misy resaka fitapitaka akory). [Swahih Al-Jami’; 3283].

ZON’NY ZAVA-BOAHARY REHETRA, iREO BIBY SY NY SISA

Hamafisina, fa ny finoana silamo dia tsy mitsahatra amin’ny antoka amin’ny fiarovana ny zon’olombelona fotsiny ny asany, fa tafiditra amin’izany ihany koa ireo biby, ary nanome zo ho azy ireo, ary izay manitsakitsaka ny zon’izy ireo, dia hatonga ny fidirany any amin’ny afobe. Izao manaraka izao ny sasany amin’ireo zo ireo:

 

  • ZON’IREO BIBY:
  1. Ny fampihinanana azy, fa tsy azo atao ny fanasaziana azy amin’ny tsy fanomezana sakafo na rano fisotro azy mandrapaha fatiny. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Nisy vehivavy iray izay voasazy noho ny fanagadrany piso iray mandrapaha fatiny (piso), ka rehefa maty ilay vehivavy dia tafiditra amin’ny afobe. Satria tsy nomeny sakafo na rano sotroina ilay piso rehefa nogadrainy, nefa mbola tsy navelany handeha hitsimpona (hiremby/hiraotra) fako na biby amin’ny tany izy”. [Mouttafaquoun alayhi].
  2. Fanaovana soa aminy, fa tsy azo saziana na ampijaliana, na fampitondrana azy zavatra izay tsy zakany. Satria hamafisina fa, ny Irak’Allah –saw- dia nandalo indray andro tamin’ny rameva, izay efa nitambatra tamin’ny lamosiny ny kibony. Ka niteny Izy –saw- hoe: “Matahora an’Allah ianareo amin’ireo biby izay tsy (afaka) miteny, ka mitaingena tsara izany ianareo, ary mihinana tsara ihany ny henany”. [[Swahih, navoakan’i Ahmad].
  3. Tsy azo atao ny milalao azy amin’ny fomba izay mety hampiteraka famaizana. Araka ny tatitra izay nentin’i Abdoullah bin Omar –RA-, rehefa nandalo tamin’ny andian-tanora avy amin’ny Kouraishy izy, raha nanorina vorona amin’ny tány izy ireo, ka mitoraka an’izany vorona izany izy ireo. Ka hoy Izy (Abdoulllah bin Omar –RA-) hoe: iza no nanao an’izao? Hozonon’i Allah izay nanao an’izao, satria tena marina fa, ny Irak’Allah –saw- dia; “nanozona an’izay maka zavatra manana fofon’aina hatao kilalao (amin’ny fitifitifirana na fitoratorahana azy)”. [Mouttafaquoun alayhi. Swahih Mouslim, fiz: 3. Pejy: 1550. Hadisy faha: 1958].
  4. Tsy azo atao ny manamboatra sarivongana amin’ny endrika biby. Araka ny tenin’i Mpaminany –saw- hoe: “Hozonon’i Allah, izay manamboatra sarivongana amin’ny endriky ny biby”. [Alboukhari. Swahih ibni Hibbáni, fiz: 12. Pejy: 434, hadisy faha: 5617].
  5. Tsy azo atao ny fampitahorana, na fampihorohoroana na fampijaliana azy. Satria raha indray andro izahay niaraka tamin’ny Irak’Allah –saw- nandeha lavitra, ka raha mbola nandeha nanatanteraka ny fivoahana izy (w.c), dia nahita vorondia izahay, izay nanana zanaka anankiroa. Ka nalainay ny zanany roa ireo, ka avy ny reniny nanomboka nasiaka taminay. Ka rehefa niverina ny Mpaminany –saw- dia nanontany hoe: “Iza no nampihorohoro an’io vorondia io avy amin’ny zanany? Averenonareo aminy ny zanany”. Ary rehefa nahita tánanam-bitsika (toerana misy vitsika) iray izay nodoranay Izy (saw), dia niteny hoe: “Iza no nandoro an’io? Nambaranay azy fa; Izahay. Ka niteny Izy hoe: Tsy azo atao ny manasazy amin’ny afo, afa-tsy ny Tompon’ny afo ihany (Allah)”. [Abou Daoud swahih Al-Adab Al-Moufrad: 295].
  6. Raha te-haka tombontsoa avy amin’ny biby fihinana sy izay homanina hatao sorona, dia nodidian’ny finoana silamo ny fampitoniana azy, amin’ny fandrangitana maranitra tsara ny antsy (kiso/meso). Ary tsy azo vonoina anatrehan’ireo namany, sady tsy azo atao ny mandratra ohatra ny vozony alohan’ny fanaovana sorona azy, na koa fampijaliana amin’ny famonoana. Satria ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Hamafisina, fa Allah dia nanoratra ny fahasoavana amin’ny zavatra rehetra, ka raha sendra mamono ianareo, dia ataovy tsara ny famonoana, ary raha manao sorona ianareo, dia ataovy tsara ihany koa ny fanaovanareo sorona, ary aoka handranitra tsara ny antsin’ny iray aminareo, ary hampiadana ny biby izay ataony sorona izy”. [Mouslim]. (izany hoe: tsy maintsy atao maranitra tsara tokoa ny kiso na ny antsy izay hanapahana ny biby izay ho vonoina, mba hahafahana hanatanterahana ny famonoana malaky indrindra. Mila miezaka mba tsy hamparary ny biby ny mpamono araka ny fahafahany).

Ny finoana silamo, dia mandidy amin’ny famonoana ireo karazana biby sy insekta izay mety mandratra na mitera-doza amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona, mba ho fiarovana ny fiainany izay mbola ambony lavitra noho ireo biby mpandratra sy mitondra poizina ireo, satria izy (olombelona) no manankaja ambony noho ireo biby ireo anatrehan’ny Tompo Zanahary Allah.

Raha toa ka izao ny fanajana ny zon’ny biby amin’ny finoana silamo, ahoana áry hoy ianao mahakasika ny zon’olombelona izay nosafidin’Allah swt anatrehan’ny zava-boahary rehetra, sady nasandratrany ambony ihany koa. Ka hoy Izy miteny manao hoe: “Hamafisina, fa nomenay haja ireo taranak’i Adama. Nentinay teny an-dranomasina sy teny an-tanety izy ireo, nomenay sakafo tsara, ary notiavinay manokana mihoatra ny maro amin’ireo zavaboaharinay”. [Al-isra, and: 70].

Tsy mitsahatra amin’ny fanehoana indrafo amin’ireo biby fotsiny izany, fa nataony ho antony hamelana ny fahotana sy hidirana amin’ny Paradisa izany indrafo amin’izany. Araka ny tenin’i Mpaminany –saw- manao hoe: “Nisy lehilahy nandeha tamin’ny lálany, dia sendra nangetaheta, ka nahita vovon-drano izy, dia nidina tao izy nisotro rano. Rehefa nivoaka izy dia nahita alika nisakasaka (namoaka ny lelany noho ny heteheta te-hisotro rano) nihinana tany (nilela-delatra tany) noho ny hetaheta. Ka niteny ilay lehilahy (tamin’ny tenany) hoe: hamafisiko, fa mangetaheta mitovy amin’izay nahazo ahy ihany koa no mahazo an’ity alika ity. Ka nidina tao anaty vovon-drano izy ka nofenoiny rano ny kirarony, ary notazominy tamin’ny vavany izany (rehefa nivoaka avy tao anaty vovo izy), ary nampisotroiny ilay alika, ary nankasitraka azy Allah swt tamin’izany, ka nomeny famelankeloka izy. Nanontany izy ireo hoe: oh ry Irak’Alllah! Moa ve mahazo valisoa koa izahay amin’ny biby? Namaly izy hoe: “Eny, amin’ny zavatra rehetra manan’aina (dia ahazoana valisoa avokoa). [Mouttafaquoun alayhi].

 

  • ZON’IREO HAZO SY ZAVA-MANIRY

 

Ny finoana silamo, dia manome alalana amin’ny fahazoan’ny olombelona mihinana sy maka tombony amin’ireo zava-maniry sy ny vokatr’izany. Nefa voarara ny fanapatapahana sy fanimbana izany fahatany, raha tsy misy antony mazava. Ary nandidy amin’ny fiarovana izany sy fandraisana anjara amin’ny fikarakarana ny fambolena sy ny fampitomboana izany. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Raha mitsangana ny fiafaran’izao tontolo izao, ka raha misy antrendry kely amin’ny tánan’iray aminareo, raha afaka izy, dia tsy tokony hitsangana mandrapaha hamboliany izany izy, dia tokony hataony”. [Swahih, Alboukhari, fil-adab al-moufrad].

Ny finoana silamo dia manasokajy fa, ny fanondrahana ireo karazana zava-maniry sy ireo hazo mahasoa, izay ahazoana tombontsoa, ho isan’ireo fanomezana izay hahazoan’ny mpino silamo valisoa ny fanatanterahana izany. Ka niteny ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay mpino silamo manondraka zava-maniry na mamboly karazana voly, ka misy vorona, na olombelona, na biby mihinana avy amin’izany, dia hahazo valisoan’ny fanomezana izy”. [Mouslim].

 

  • ZON’IREO LÁLANA SY TSENA:

Ny finoana silamo, dia nametraka zo ho an’ireo tsena sy lálana, raha araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Tandremonareo ny fipetrahana amoron-dálana (k’aza mipetraka amoron-dálana ianareo)” nanontany izy ireo hoe: oh ry Irak’Allah! Izahay dia tsy maintsy hipetraka eto mba hiresadresaka! Ka niteny ny Irak’Allah –saw- hoe: “Raha mandá ianareo, fa tsy maintsy hipetraka eo, dia omeo an’ny lálana ny zony”. Nanontany izy ireo hoe: Oh ry Irak’Allah! Inona indray ny zon’ny lálana? Namaly Izy –saw- hoe: “Fampiondrehana ny fijery, fanesorana ny zavatra izay mety maharatra olona, famaliana ny fiarahabana, ary ny fampirisihana amin’ny fanaovana tsara sy ny fandrarana amin’ny asa ratsy”. [Mouttafaquoun alayhi]. (fampiondrehana ny fijery: fampijetsena ny fijerevana amin’ny zavatra izay mandalo manerana ny lalana ohatra ireo vehivavy. Fanesorana ny zavatra izay mandratra: ny tsy tokony hanaovana zavatra hampijaly na iza na iza olona amin’ny mpandalo, na amin’ny alalan’ny fiteny na fihetsika, na koa faneriterena ny mpandalo).

  • Fanesorana ny zvatra rehetra izay mety handratra ny mpandalo. Nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Ny tanjaky ny finoana dia mizara fitopolo na enimpolo fizarana. Ka ny tena tsara indrindra amin’izany dia ny teny hoe: tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah, ary ny ambany lanja indrindra dia ny fanesorana ny zavatra mety mandratra olona avy amin’ny lálana, ary ny fahamenarana dia tafiditra anatin’ny finoana” (Fahamenarana: ny fahatsapana menatra). [Mouttafaquoun alayhi].
  • Tsy fahazoana manimba ireo tsena sy lálana, amin’ny zavatra sy loto izay atsipin’olona ka hatonga azy haloto sy ho simba. Nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Aoka ianareo hatahotra ireo mpanozona roa”. Nanontany izy ireo hoe: Oh ry Irak’Allah! Inona ary izany mpanozona anankiroa izany? Namaly izy –saw- hoe: “Izay olona manao maloto amin’ny lálana izay fandalovan’olona na amin’ny toerana fialofan’izy ireo”. [Mouslim&Abou Daoud]. (izany hoe: zavatra roa izay mahatonga ny olona hanompa sy hanozona). Hamafisina, fa ireo zo ireo, raha tsy misy hery manokana hiarovana sy hanohanana azy, ary hanaraha-maso ny fampiharana azy, ary hanery ny vahoaka amin’ny fanarahan-dalána momba izany- satria misy amin’olona dia tena tsy avy hahitsy mihitsy ny fiainany raha tsy ampiasana angovo- dia mazava hoazy izany fa, tsy ho tanteraka ny fampiharana izany ambony tany ankehitriny, raha tsy misy fampiasana hery. Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Mianiana amin’Izay mitazona ny fofon’ainako amin’ny tánany aho! Fa tsy maintsy mampirisika amin’ny hatsarana ianareo, sy mandrara amin’ny haratsiana, fa raha tsy izany, dia tsy hoela dia handefasan’i Allah sazy avy any Aminy ianareo, amin’izany ianareo vao hiantso Azy, nefa tsy handray ny fangatahanareo intsony Izy”. [Ahmad, izay nohamarinin’i Sheikh Albány, swahih At-targhib&At-tarhib: 2313].

 

 

 

MOMBA NY ZO SY ANDRAIKITRY NY REHETRA:

Hamafisina, fa ny finoana silamo dia mandidy ny Mpino silamo amin’ny fikarakarana ny fiainan’ireo rahalahiny na aiza na aiza no misy azy ireo ambonin’ny tány. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw-hoe: “Hahita ny mpino ianareo amin’ny fifamindram-pon’izy ireo, sy ny fifankatiavan’izy ireo, ary ny fifanampian’izy ireo, dia tahaka ny vatana iray, raha mitaraina amin’ny tehoka amin’ny iray amin’ny rantsambatany izy dia hahatsiaro manehoka daholo ny vatany manontolo, noho ny harerahana sy ny tazona”. [Al-boukhari].

Ary mbola nandidy amin’ny tsy maintsy hanatsarana ny fiainan’izy ireo, araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- hoe: “Tsy ho mpino ny iray aminareo, raha tsy mankatia ho an’ny rahalahiny ny zavatra izay tiany ho azy”. [Mouttafaquoun alayhi]. (izany hoe: tsy ho mpino tanteraka tokoa).

Ary ny fijoroana miaraka amin’izy ireo, amin’ny fotoanan’ny krizy sy fahasarotana. Araka ny tenin’i Mpaminany –saw- hoe: “Ny mpino amin’ny mpino hafa dia tahaka ny trano lehibe, izay mifampiankina amin’ny ankilany ny andaniny. Ary avy eo, dia natambany ireo rantsan-tánany”. [Mouttafaquoun alayhi]. (Natambatry ny Mpaminany –saw- ireo rantsantanany mba ho fanoharana amin’izany firaisankina izany).

 

Ary nandidy amin’ny tsy maintsy hamonjena sy hanavotana azy ireo ny finoana silamo, raha toa ka mitady an’izany izy ireo. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Fa raha mangataka vonjy aminareo noho ny finoana izy ireo, dia adidinareo tanteraka ny mamonjy azy ireo, fa tsy amin’ny fanoherana ireo vahoaka nahavita fifanarahana taminareo. Ary Mahita tsara izay ataonareo i Allah”. [Al-anfál, and: 72].

Voarara ny fanalana Baraka azy ireo, raha araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay manala Baraka ny mpino silamo amin’ny fotoana izay mahapotika ny hasiny sy maha voahitsakitsaka ny voninahitriny, dia halan’Allah Baraka tokoa izy amin’ny fotoana izay ilany famonjena avy amin’ Allah. ary izay manavotra ny mpino silamo izay voahitsakitsaka ny voninahitriny sy ny hasiny, dia hamonjy azy Allah amin’ny fotoana izay hitadiavany vonjy avy Aminy”. [Ahmad&Abou Daoud, hoy Sheikh Albany; Hasan. Jereo ny Hadisy faha: 5690, amin’ny Swahih Al-jámi’].

Noho ny antony hiarovana ny zon’olombelona sy ny fikarakarana ny fiarahamonina Islamika, dia nampidina tamin’ny Irany masina Mohammad –saw- didy fampirisihana sy fandrarana ny Tompo Zanahary Allah, mba ho antoka amin’ny fiarovana ireo zo ireo, ary mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy izay ataon’ireo mpihetraketraka. Ka nanomana sazy famaizana eto antany sy any ankoatra. Ny sazy eto antany, dia fantatra amin’ny hoe: fanasaziana manam-petra, ary ny famaizana any ankoatra, dia miampy ny sazy any amin’ny andro farany.

Izao manaraka izao ny sasany amin’ireo didy sy fandrarana:

  • Ny finoana silamo, dia mandrara amin’ny fanararaotam-pahefana mba hahazoana ny tombontsoa manokana. Ny tompon’andraikitra no nomena fahefana amin’ny fakana ny vokatra izay azo amin’ny alalan’izao lálana izao, ka tsy maintsy hametraka izany any amin’ny trano fitehirizana ny fananan’ny mpino silamo ny tompon’andraikitra. Satria hamafisina, fa ny Mpaminany –saw- dia efa nampiasa lehilahy anankiray avy amin’ny Azdi, izay antsoina hoe: ibnou Al-latibiyah, tamin’ny fikarakarana ny fanomezana (fanampiana). Rehefa tonga ilay lehilahy dia niteny izy hoe: ity ho anareo, fa ity kosa dia nomena ahy. Ka nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Fa naninona izy no tsy nijanona tao antranon’ny dadany na reniny, mba hijerevany raha nisy kadoa ho azy manokana azony amin’izany na tsia? Dia mianiana amin’izay mitazona ny fofon’ainako amin’ny tánany aho! Izay olona maka zavatra (izany hoe: harena izay nomena azy tamin’ny fotoana izy nirahina hanangona fanomezana), dia ho avy izy amin’andro farany (havory anatrehan’olona rehetra miaraka amin’ilay zavatra nalainy iny izy amin’izany andro fitsarana farany izany) hitondra izany eo amin’ny vozony. Fa raha toa ka rameva no nalainy, dia hitondra izany izy miaraka amin’ny feony maresaka (maneno), na omby dia hitrena ihany koa, ary raha ondry dia haneno koa izany ondry izany. Ka natsangany ny tánany, izay nahitanay ny hafotsian’ny helikany roa, ka nambarany tamin’izany hoe: Oh Allah efa nampita ve aho, oh Allah efa nampita ve aho! Naveriny in-3 izany”. [Mouttafaquoun alayhi]. (izany hoe: izay olona nampiasaina amin’ny fanangonana zakat/ ampahankarena. Ka hiteny izy rehefa avy nanangona izany ampahankarena izany hoe: io ny fanomezana izay homenareo ny mahantra, fa ity kosa ny anjarako izay nomena ahy. Fa raha toa ka rameva no azo tamin’izany dia hitondra izany amin’ny vozony izy sady haneno hamoaka feon-drameva amin’izany, fa raha toa ka omby dia hitondra izany koa izy sady hitrena izany omby izany, ary raha toa ka ondry dia hitondra izany izy ary haneno koa izany ondry izany).
  • Voarara ny fampijaliana azy ireo amin’ny endrika fampijaliana rehetra, na amin’ny alalan’ny tánana na ohatra ny fikapohana sy izay mitovy amin’izany. Na koa amin’ny alalan’ny lela, ohatra ny fifosana sy fanendrikendrehana. Ary koa ny fijoroana vavolombelona sandoka sy fanompana azy ireo (dia tsy azo atao). Satria Allah swt dia miteny hoe: “Ary izay manisy ratsy ireo mpino lahy sy vavy, amin’izay tsy nataon’izy ireo akory, dia mivesatra fanendrikendrehana sy fahotana miharihary”. [Al-ahzab, and: 58].
  • Voarara ihany koa ny fihetriketrehana amin’ny fananana sy Hasina manokan’ny olombelona tsirairay, sy ny fanitsakitsahana izany. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo”. [Al-houjourát, and: 12]. Ary mbola niteny Allah swt hoe: “Oh ianareo mpino! Aza miditra amin’ny trano hafa ankoatran’ny tranonareo ianareo, raha tsy efa nangataka alalana (amin’ny fomba mendrika), sy niarahaba ny tompontrano. Izany no tsara ho anareo, mba hahatsiarovanareo tena (27), fa raha tsy mahita olona ao ianareo, dia aza miditra mialohan’ny hanomezana alálana anareo. Fa raha ilazana kosa ianareo hoe: “Miverena”, dia miverena. Fa izany no madio ho anareo. Ary Mahafantatra izay rehetra ataonareo Allah”. [Annoor, and: 27-28].
  • Voarara tanteraka ny fanaovana tsindrihazolena amin’ny endriny rehetra, na izany atao amin’ny olombelona na ny tsindrihazolena ataon’olona anankiray amin’ny tenany. Araka ny tenin’Allah swt manao hoe: “Hamafisina, fa Allah dia mibaiko amin’ny fanaovana ny rariny, ny fanaovan-tsoa, ary ny fanampiana ireo Havana akaiky indrindra. Fa rarána kosa ny haratsiana, ny asa tsy mendrika, ary ny fikomiana. Mananatra anareo Izy (Allah), mba hahatsiarovanareo tena (90), Ary aoka hitazona ny fifanekenareo amin’Allah ianareo, rehefa nanao izany, ary aza mandika ny fianianana izay nataonareo am-pahibemaso, sady naka an’Allah ho Mpiantoka. Hamafisina, fa Mahafantatra izay ataonareo i Allah”. [An-Nahl, and: 90-91]. Ary mbola miteny Allah swt amin’ny Hadisy masina manao hoe: “Oh ry mpanompoko! Hamafisina, fa efa nataoko fady amin’ny tenako ny tsindrihazolena, ary nataoko sandrana aminareo samy anareo tokoa izany, ka aoka tsy hifanambaka ianareo…”. [Mouslim]. Na ny fanaovana tsindrihazolena amin’olona izay mifanohitra aminy amin’ny resaka fotom-pinoana sy finoana dia tsy azo atao, fa vao mainka tsy maintsy manao soa sy asa fanasoavana amin’izy ireo. Hoy Allah swt manao hoe: “Tsy misakana anareo hanao ny tsara Allah, sy hanao ny marina amin’izay tsy niady taminareo noho ny finoana, sady tsy nandroaka anareo tamin’ny fonenanareo. Fa tia izay manao ny rariny Allah”. [Al-moumtahanah, and: 8].
  • Voarara ihany koa ny fanompana ireo antokom-pinoan’ny hafa, izay mety hiteraka fifanompana amin’ny andaniny sy ny ankilany, sady koa hiteraka fifampirafesana sy fifankahalana, izay hatonga fisaraham-bazana ka tsy hahatonga amin’ny fahamarinana velively. Araka izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Aoka ianareo tsy hanompa izay hangatahan’izy ireo ankoatra an’Allah, mba tsy hanompany an’Allah amim-pankahalana ao anatin’ny tsy fahalalana”. [Al-an’am, and: 108]. Ka noho izany dia nandidy amin’ny zavatra hafa ankoatr’izay amin’ny fifampiresahana izay hitondra amin’ny tanjona mba hanazavana tsara ny tena fahamarinana izay mijoro amin’ny fahalalam-pomba sy fepetra izay tena zava-dehibe tokoa ny fizorana amin’ny alalan’ny fampianaran’izany. Araka ny tenin’i Allah swt manao hoe: “Lazao hoe: Oh ry Olon’ny Boky! Tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo aminay sy aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Allah, ary tsy hampitambatra Azy amin-javatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho toy ny tompo ho tompoin’ny sasany ankoatran’Allah. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy: aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa dia efa mpanolo-tena”. [Al-imrán, and: 64].
  • Voarara ny fanimbana amin’ny lokony sy ny endriny rehetra, ka hoy Allah swt manao hoe: “Aoka ianareo tsy hanimba ny tány taorian’ny fahatsarany, ary mangataha Aminy ianareo amim-pahatahorana sy amim-panantenana, satria ny famindram-pon’Allah dia akaiky ireo mpanao soa”. [Al-a’ráf, and: 56].
  • Voarara ny fankahalana amin’ny resaka finoana, ka hanery ny olona hanova ny finoany amin’ny angovo. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Raha sitraky ny Tomponao, dia hino avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tány. Moa anjaranao ve no manery olona ho tonga mpino?”. [Younous, and: 99]. Izany dia tsy midika ho famelana ny fiantsoana mankany amin’Allah sy ny fampitana ny hafatra any amin’olombelona amin’ny fomba tsara indrindra mba hahafantaran’izy ireo ny tena fahamarinan’ny finoana silamo. Satria anisany zava-dehibe amin’ny finoana silamo, dia ny tsy maintsy hampitana sy hanambarana azy amin’olombelona rehetra tsy ankanavaka, amin’ny maha finoana ho an’izao tontolo izao azy, fa tsy sanatria finoana ho an’ny faritra manokana. ka izay hatongavan’ny fampielezana (hafatra momba ny finoana marina) momba ny finoana silamo marim-pototra, ka mahafantatra tsara izany, dia havela eo am-pelantanan’ny Tompo Allah swt ny fahitsiana fa, tsy anjaran’olombelona velively izany.
  • Mandidy amin’ny tsy maintsy hampiasana ny filan-kevitra, izay napetraka ho foto-pijoroana amin’ny lalána islamika (Arak’izay voalazan’ny Kor’any sy ny sori-dálan’ny Mpaminany masina mohammad –saw- izay marim-pototra). Izany dia noho antony mba hiainan’ny tsirairay avy, ao amin’ny fiarahamonina Islamika amin’ny fahazoany ny zon’izy ireo ara-dalána. Araka ny nambaran’Allah swt manao hoe: “Ary mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra izay hataon’izy ireo”. [As-Shourá, and: 38]. Tompo Allah swt dia nampirisika mafy ny Mpaminaniny masina –saw- amin’ny fampiharana izany foto-pijoroana izany mba ho rindran-dámina harahina, izay hampiasaina aorian’izany. Ka hoy Allah swt hoe: “Ary mifampidiniha amin’izy ireo ianao momba izay atao”. [Al-imrán, and: 159].
  • Ny finoana silamo dia mandidy amin’ny fanomezana ny zon’ny tsirairay amin’ny tompony, ary ny fampiharana ny fahamarinana amin’olombelona rehetra tsy ankanavaka. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Hamafisina, fa Allah dia mandidy anareo mba hamerina ny fananana nametraham-pitokisana taminareo ho amin’ny tompony, ary raha mitsara ianareo, dia aoka hitsara araka ny rariny. Marina fa, allah no Mpananatra tsara hampirisika anareo amin’izany. Fa Mandre sy Mahita ny zavatra rehetra Allah”. [Annisá, and: 58].
  • Mandidy amin’ny famonjena ny olona niharan’ny tsindrihazolena sy ny fiarovana azy, na dia aza raha tsy maintsy hampiasana hery ny fanatanterahana izany. Hoy Allah swt mahakasika izany manao hoe: “Ary inona no manakana anareo tsy hiady amin’ny lalan’Allah, fa ireo nizaka fandemena tamin’ireo lehilahy, sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy aza dia milaza hoe: tompo Zanaharinay oh! Esory amin’ity tanána fonenan’ny mpanao ny tsindrihazolena ity izahay, ary aoka ianao hanendry sakaiza mpitarika ho anay.ary aoka ihany koa ianao hanendry mpamonjy ho anay”. [Annisá, and: 75]. Ka noho ny antony fa, misy karazana olona maro samy hafa koa any, araka izay efa nambaranay teo aloha, izay tsisy mahasoa azy afa-tsy amin’ny alalan’ny fampiasan-kery. Ary efa misy ireo lamina napetraka amin’ny finoana silamo, izay manam-pahefana amin’nhy fanatanterahana ny fampiasan-kery araka ny toe-java misy, izay tompon’antoka amin’ny fikarakarana izany, mba hiainan’ny tsirairay ara-dalána ao anatin’ny fiarahamonina islamika amin’ny fahazoana ireo zo ireo, izay manara-maso ny fanatanterahana sy fampiharana azy, mba tsy hanitsakitsaka na handika izany. Ary koa ny fampiharana ireo famaizana amin’izay mandika lalána. Izao avy ny ampahany amin’ireo lamina izay napetraka amin’izany;

 

  • FANDAMINANA NY FITSARANA:

Izany dia rafi-pitantanana mpanatanteraka mahaleotena izay hita amin’ny fanjakana silamo. Ary tsy maintsy amin’izay no hitondrana ireo fandikan-dalána sy ady fifandirana isankarazany amin’ireo izay tratran’izany, mba hahazoan’ny tompony ny zony, amin’ny fampiharana ny fahamarinana sy ny fampitsaharana ny tsindrihazolena, ary fanasaziana ireo mpanao heloka (mpandika-lalána), ary koa ny fampitandremana sy fampitahorana azy ireo amin’ny fampiharana ny lalánan’ny Tompo Zanahary Allah swt amin’izy ireo. Nefa tsy maintsy miverina amin’ny Bokin’Allah swt ny Kor’ány sy ny Sori-dálan’ny Mpaminany masina Mohammad –saw- ny didy aman-dalána rehetra ampiasaina amin’ny fitsarana. Satria ireo zavatra roa ireo no loharano fototra amin’ny finoana silamo amin’ny rafi-dalána. Ary ny fametrahana olona amin’izany toeran’ny fitsarana izany raha araka ny finoana silamo, dia misy fepetra sy antoka maro tokoa izay tsy maintsy hananan’olona anankiray mba hahafahany handray an’izany toerana izany. Izao áry ny ampahany amin’ireo fepetra fototra lehibe ireo:

  • Tsy maintsy salama saina tsara, olona afaka mandinika lálina, matotra tsara, ary afaka manavaka ny tsara amin’ny ratsy.
  • Tsy maintsy olona salama tsara, sady tomady tsara ihany koa ny vatany, mba hahafahany hisedra ny vesatry ny fitsarana sy ny fahasarotana rehetra miseho amin’izany.
  • Tsy maintsy manampahaizana sy mahafehy tanteraka ny mahakasika ny fepetran’ny lalána, mahay manavaka tsara ny azo alalana amin’ny zava-boarara, sady mahafantatra tsara ny zavatra mampiahiahy sy mikorontana amin’ireo zavatra roa ireo (Halál&Haram), ary mahafehy ny resaka (Analogy/Analojia: hevitra mifampitaha tanteraka amin’ny lalána, nefa tsy voalaza amin’ny lalána) hoe;fandanjalanjana raharaham-pitsarana (mafampana), sy ny fahafahana mamoaka ny didim-pitsarana tsy mitan’ila (tsy mitongilana) ary manana fahefana mamoaka didy amin’ny raharaha ara-pinoana sy ny mahakasika ny resaka fiainana eto antany.
  • Tsy maintsy olona madio izay manana toetra mendrika tsara sy mendri-kaja tokoa, izay mihataka hatrany avy amin’ireo toetra ratsy sy tsy mendrika, sady maro mpankatia noho ny maha izy azy amin’ny fahamendrehana, mba hanatanterahany ny fitsarany amim-pankatoavana sy fankasitrahana.

Ary ny olombelona tsirairay amin’ny fiarahamonina Silamo, dia manana zo hampiakatra ny fitarainany sy ny fitoriany any amin’ny fitsarana noho ny tsindrihazolena izay nanjo azy, ary izany dia tsy hijerevana bika sy tarehy, na resaka finoana sy fomba amam-panao, na toerana misy azy (tsy hijerevana olona ambony na mahantra) akory izany.

Ary ny tsirairay avy amin’ireo mpitaraina roa ireo, dia manana zo tanteraka amin’ny fitovizan-jo sy ny fahamarinana eo anatrehan’ny Mpitsara. Araka ny tenin’ny Mpaminany masina Mohammad –saw- manao hoe: “Izay olona nosedraina amin’ny fitsarana anatrehan’ny Mpino Silamo, dia tsy maintsy mampihatra ny fahamarinana amin’izy ireo amin’ny zavatra miseho eo ambanin’ny masony (amin’ny fitsarana eo amin’olona roa), sy amin’ny fanondroany (fanondroany azy ireo amin’ny tánany), sy eo amin’ny fitoerany sy fipetrahany, (mba hitovy tsara ny fitoerany anatrehan’izy ireo), ary tsy mahazo mampiaka-peo amin’iray amin’izy roa ireo ny Mpitsara, raha toa ka tsy nampiakatra izany tamin’ilay iray hafa”. [Sounan Al-bayhaqy-Faible/marefo fototra].

Ary mbola niteny ny Mpaminany –saw- tamin’i Aly bin Abi Twálib –RA- rehefa nandefa azy ho Mpitsara, hoe: “Hamafisina, fa Allah dia hanitsy ny fonao, sady hampifikitra matotra ny lelanao, ka raha mipetraka eo anatrehanao ny olona roa manana raharaha amin’ny fitsarana, dia aoka tsy hitsara ianao raha tsy efa maheno avy amin’iray hafa tahaka ny nandrenesanao tamin’iray hafa voalohany, satria amin’izany no hampazava tsara aminao ny fitsarana” (izany hoe: mba hanamora bebe kokoa ny fitsarana ny raharaha). [Swahih, navoakan’i Ahmad&Abou Daoud].

Fa ny tena fototra amin’ny finoana silamo, dia ny fandávana tanteraka (fiarovan-tena) mba hanaporofoana tsara ny fanendrikendrehana, araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Raha omena fandresena foana ny olona amin’ny fitarainana izay ataony, dia mba niampanga ny sasany amin’ny rán’ny sasany sy ny harenan’izy ireo ny mpiampanga, nefa ny mpitory dia tsy maintsy manana porofo, ary ny toriana kosa dia ny fianianana”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ny olona voampanga dia manana zo feno amin’ny finoana silamo, izay tsy midika ho fakana ankeriny ny harenany akory izany fiampangana azy izany, ka tsy mahazo mampiasa fankahalana, fampijaliana, herisetra, fampihorohoroana, na habibiana mba hanesorana ireo fanenjehana azy ireo. Ka hoy ny Mpaminany –saw- hoe: “Hamafisina, fa Allah dia hanafay ireo izay mampijaly olona eto an-tany”. [Navoakan’i Mouslim].

Ary raha araka ny tenin’i Omar ibni Al-Khattwáb –RA- hoe: “Tsy voaro ny lehilahy (olona anankiray) raha noratrainao na nampitahorinao na nosazianao izy mba hanaiky hanohitra ny tenany”. [al-Kharráj Li-Abi Yousouf, pejy: 175]. (Izany hoe: raha nosazianao ilay olona voampanga, mba hiaiky ny fiampangana azy oh ry Mpitsara! mazava hoazy fa, tsisy antoka mazava amin’ny hampiaiky azy amin’ny fahamarinana fa, tsy maintsy hiaiky amin’ny lainga manohitra ny tenany izy, mba hialana amin’ny fahasahiranana sy fampijaliana ary ny harerahana izay mahazo azy amin’ny fitsarana).

 

NY ANDRAIKITRA AMIN’NY FINOANA SILAMO DIA HO AN’NY TSIRAIRAY:

Ka noho izany dia tsisy olona ho saziana noho ny heloka izay nataon’ny hafa. Ka tsy azo atao ny manasazy, na mampijaly ireo fianakaviana akaikin’ilay olona voampanaga na ny fianakaviany, amin’ny fanendrikendrehana izay sedrainy. Hoy Allah swt hoe: “Izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy ireo ihany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony”. [Fous-swilat, and: 46].

(izany hoe: raha misy manao heloka izany dia tsy maintsy ilay nahavanon-doza ihany no hisedra fahavoazana amin’izany, fa tsisy hidiran’ny fianakaviany akaiky na havoarohirohy azy ireo amin’izany).

Ary ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: “Tandremo fa, tsisy olona afaka helohina amin’ny heloka izay nataon’ny hafa”. [Swahih, navoakan’i Annasái].

Raha amin’ny finoana silamo dia misy fepetra maro sy fombany ny resaka fitsarana, ary angambany ilay taratasy nalefan’ny Lehiben’ny Mpino Faha-roa, omar bin Al-khattwáb –RA- tamin’iray amin’ireo mpitsara, dia manazava tsara amintsika ny halehibeazan’ny fiahian’ny finoana silamo mahakasika io raharaha io, izay mikendry amin’ny toerana voalohany amin’ny tena laharampahamehana ho azy, dia ny fiarovana ny zon’ny tsirairay amin’ireo vahoaka anatin’ny fiarahamonina misy azy.

Izao manaraka izao áry ny ampahany amin’izany taratasy izany:

(Avy amin’ny Andevon’i Allah, omar, izay Lehiben’ny Mpino silamo, ho any amin’i Abdoullah binQays: fandriampahalemana ho anareo, ary manaraka izao ny hafatra: Hamafisina, fa ny Fitsarana dia andraikitra lehibe mahakasika ny didim-pitsarana, sady fomba tsy maintsy hampiharina, ka noho izany, dia aoka mba hazava tsara aminao rehefa misy raharaha fitoriana tonga aminao. Satria tsy hahasoa tokoa ny firesahana fotsiny, nefa tsy ampiharina ny fahamarinana. Ampitovy daholo ny rehetra eo anatrehan’ny fitsaranao sy eo amin’ny fiatrehana aminao, mba tsy hahatsiaro fahasambarana ny olona ambony (manamboninahitra, manampahefana na manankarena) fa, hitongilana aminy ianao noho ny voninahitra sy fahefana izay ananany, ary mba tsy ho diso fanantenana koa ny marefo amin’ny fitsaranao (hoe; kivy ny marefo fa tsy hanome ny zony ianao noho ny faharefoany). Ka tsy maintsy takiana amin’ny mpitory ny fanomezana porofo mivaingana sy famantarana miharihary, ary ny fianianana amin’izay mandá, fa ny fifampihavanana kosa dia azo atao amin’ny samy olombelona, afa-tsy ny fihavanana amin’ny fanaovana azo alálana ny zava-boarara, na fanaovana fady ny zavatra efa nodidiana ho azo alálana. Ary ny fitsarana izay navoakanao tamin’omaly, dia tsy tokony hanakana anao hiverin-dalana amin’ny fahamarinana taorian’ny famerenanao ny tranga izay nandalo, tamin’ny nampahitsy anao any amin’ny fahitsiana marina. Satria ny fahamarinana dia tsisy zavatra afaka handresy azy mihitsy. Ary fantaro fa, ny fiverenan-dálana amin’ny fahamarinana dia tsara lavitra noho ny fifikirana amin’ny tsy fahamarinana. Ary tsy maintsy mahazo antoka tsara amin’ny zavatra izay mivadibadika ao am-ponao amin’ny resaka mampiahiahy, izay tsy ahitana resaka avy amin’ny Kor’ány sy ny Sori-dálan’ny Mpaminany –saw- akory.

Fantaro ireo zavatra mitovy sy mifanahaka, ary lanjao amin’izay ny raharaha aorian’izany, ka miantehera amin’izay tena tian’i Allah swt amin’ireo zavatra ireo, ary amin’izay hita fa, akaiky indrindra ny fahamarinana araka ny fahitanao azy. Raha misy olona mitory, dia asio fetrany, hoe: raha nitondra porofo marina, dia afaka mahazo ny zony izy, raha tsy izay dia azonao atao ny mamoaka didim-pitsarana manohitra azy. Satria ireo mpino silamo, dia tsy maintsy olona marina ihany amin’ny fijoroana vavolombelona, raha tsy izay dia tsy maintsy kapohina amin’ny famaizana izy, na koa izay mijoro vavolombelona sandoka, na izay olona manendrikendrika (manompa ny finoany) ny fihavanana na fianakaviana. Hamafisina, fa Allah dia manafina ny tsy ambaratelonareo, ka mamonjy anareo amin’ny alalan’ny porofo hitamaso. Aoka tsy hiasa loha ianao, na ho kivy, na ny fampijaliana ny mpitaraina izay anatin’ny fahamarinana, izay hanomezan’Allah swt valisoa sy hafaliana. Satria hamafisina, fa izay manafina ny tsy ambaratelo izay misy eo aminy sy amin’ny Tompo Zanahary Allah, dia ho hatsarain’i Allah swt ny raharaha eo aminy sy amin’olombelona. [swahih, navoakan’i Ad-Darakoutni & Al-bayhaqy, izay nohitsin’i Sheikh Al-Bány amin’ny Al-irwá: 2619].

Raha ny resaka mahakasika ny fitsarana amin’ny finoana silamo, dia lava dia lava tokoa, fa betsaka ireo boky manokana mahakasika izany, ka ho an’izay te-hahafantatra bebe kokoa momba izany, dia mila miverina amin’ireo boky ireo.

 

SEHATRA MPANARAMASO:

Izany hoe; sehatra ara-pinoana anankiray izay miasa antsitra-po, izay mikendry ny fanaraha-maso amin’ny fampijoroana ny lalánan’i Allah swt eo amin’ireo mpanompony. Izany hoe, amin’ny fanatanterahana ny asa fampirisihana amin’ny fanaovana tsara sy ny fandrarana amin’ny tsy mety. Ary ny hahatanteraka izany dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny fitaizana ny olombelona amin’ny fampiharana ireo raki-dalána ara-pinoana sy ny fanarahana izany amin’ny fiainana an-davan’andro, ary ny fanabeazana izay olona manatanteraka ireo asa ratsy, sy izay asa fanoherana ny lalána. Ary tafiditra anatin’izany ny fijerevana akaiky ny raharaha mahakasika ny fiainan’ny fiarahamonina tsirairay, tahaka ny fanaraha-maso an’izay mamitaka amin’ny resa-barotra sy ny fivarotana ireo zavatra voarara (Haramo), na koa ny fitehirizana ny entam-barotra nefa ny vahoaka dia mila mafy an’izany. Ary voarara daholo ny fitaka amin’ny endriny rehetra.

Tahak’izany ihany koa ny fanaraha-maso, sy ny fijerevana akaiky an’ireny toeran-dehibe, ohatra amin’izany ny fandrodanana ny trano lehibe izay mifampitohitohy sy fanakaiky loatra, na koa izay efa mitady hirodana, noho ny fahatahorana ny loza izay mety hitranga amin’ny tsirairay anatin’ny fiarahamonina. Ary ireto asa antsitra-po izay tanterahin’ity sehatry ny fanaraha-maso ity, dia noho ny fampiharana ny tenin’i Allah swt, raha niteny Izy manao hoe: “Fa ianareo no vahoaka mendrika indrindra notsongaina tamin’ireo olombelona rehetra, satria ianareo no hampirisika ny olona amin’ny fanaovan-tsoa sy handrara azy tsy hanao ny ratsy”. [Al-imrán, and: 110].

Ary koa noho ny tahotra avy amin’ny famaizan’i Allah swt Izay miteny hoe: “Voaozona tamin’ny lelan’i (teniny) Davida sy Jesoa zanak’i Maria ireo tsy mpino tamin’ny zanak’Israely, satria tsy nankato sady nandika lalána izy ireo (78), Tamin’izany dia tsy mba nifandrara tamin’ny ratsy izay nataony izy ireo. Eny, tena ratsy tokoa ny nataon’izy ireo!”. [Al-ma-idah, and: 78-79].

Tsy maintsy amin’ny tsirairay anatin’ny fiarahamonina ny fitsanganana amin’ny fanatanterahana ny asa fampirisihana amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fandrarana amin’ny tsy mety. Ary ny tsirairay dia tsy maintsy manatanteraka izany araka ny fahefany sy ny fahafahany. Araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay mahita aminareo olona manao asa ratsy, dia tsy maintsy manova izany amin’ny tánany izy, ary raha tsy afaka izy amin’izany, dia manova izany am-bavany, ary raha tsy afaka hanao izany izy, dia aoka hanova izany amin’ny fony, ary izany no ambany lanja indrindra amin’ny finoana”. [Mouslim].

Tsara fantatra fa, ny fanovana ny tsy mety, dia misy fepetra tsy maintsy harahina, izany hoe; aoka tsy hiteraka haratsiana ambony noho izany ny fandrarana na ny fanakanana amin’ny asa ratsy. Satria ny tanjona dia ny hahatongavana amin’ny tombontsoa izay nantenaina tamin’izany.

Hamafisina, fa ny finoana silamo izay nandefasana an’i Mpaminany Mohammad –saw-, izay nomena ny fahendrena feno tanteraka, dia nametra ny zon’olombelona amin’ny teny fohy anankiray, nefa mifono zavatra mafonja tokoa. Ka hoy Mpaminany –saw- hoe: “Hamafisina, fa ny ránareo, ny harenanareo, ary ny voninahitrareo, dia masina tahaka ny hasin’izao Andronareo izao, amin’ny volanareo izao, ary anatin’ny táninareo izao…”. [Alboukhari].

Raha mahakasika ny tian’ity teny ity hambara, dia betsaka dia betsaka tokoa ireo zon’olombelona izay tafiditra anatin’izany. Ka noho izay mihitsy no, nahatonga ny lalána islamika mba hiaro sy hanohana izany, ka hampihatra ireo famaizana ho an’izay manitsakitsaka izany. Ka eto izahay dia hitondra ny ampahany amin’ny fanazavana amin’izay tapaka tao Kairo, Ejypta mahakasika ny zon’olombelona raha araka ny finoana silamo.

Ka anisany zavatra tsara tsindriana amin’izany, dia raha ireto zo ireto, izay voalaza tamin’izany famelabelarana izany, izay ahitana fepetra fototra lehibe, ary tsy inona áry izany fa, satria manko ny zo raha araka ny finoana silamo dia zavatra mifampiditra sady mifampiankina no mifameno. Ataontsika ohatra amin’izany dia ny fiaraha-mipetraka amin’ny fivoriana, izay tsy maintsy mifampiankina mba hampatevina ny laharana. Fa ireto lalána fototra lehibe ireto, dia mifono fizarana maro isankarazany izany. Ka raha te-hanoratra momba izany áry isika, dia betsaka dia betsaka tokoa ny zavatra takiany sady tsy maintsy handaniana fotoana sy ezaka betsaka ihany koa. Ka noho izany dia ampy antsika ny hamehezana azy amin’ny endrika ankapobeny, na atao bango tokana fotsiny izany.

Fa ho an’izay mbola te-hahafantatra bebe kokoa, dia afaka miverina any amin’ny tena loharanon’izany. Mba tsy hihoarako ny fetran’ny fahamarinana, angamba tsy diso aho raha hiteny fa; ny finoana Silamo dia tonga hiaro ireo zo rehetra, mba hahatsiarovan’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka fahasambarana feno amin’ny fiainan’izy ireo eto an-tány sy any ankoatra.

 

 

 

FANAMBARANA ISLAMIKA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA[1]

 

 Amin’ny anaran’Allah, ilay be Fiantrana, ilay be Indrafo

 

Nambaran’ny Tompo Allah swt, hoe: “Oh ry Zanak’olombelona! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo anatrehan’i Allah, dia izay vontompinoana indrindra aminareo”. [Al-houjourat, and: 13].

 

Hamafisina, fa ireo Firenena mpikambana amin’ny : “Organisation de Conference Islamique/O.I.C”, dia manam-pinoana feno tanteraka amin’i Allah swt Tompo Zanaharin’izao tontolo izao, izay Mpahary ny zava-drehetra, Izay Mpanome ny fahasoavana rehetra, izay Nahary ny zanakolombelona amin’ny fomba lavorary tanteraka tokoa, izay nanandratra azy avo anatrehan’ny maro, ary nataony ho mpandova ny tány, sady notendreny amin’ny fitoerana ao (tany), ary ny fanaovana tsara na fanatsarana izany, izay nampizioga azy ny antoka lehibe ara-panahy, ary Izy no nahary ny zavatra rehetra ao an-danitra sy eto an-tany.

Ary ho fanekena amin’ny fahamarinan’ny hafatra izay nentin’ny Mpaminany Mohammad –saw-, izay nalefan’Allah swt miaraka amin’ny fahitsiana sy finoana marina ho indrafo an’izao tontolo izao, izay hamotsotra ireo olona voagejan’ny fanandevozana, hanapotika ireo zanahary sandoka sy ireo mpanambony tena. Izy izay nanao filazana amin’ny fitovizan-jo amin’olona rehetra, ka tsy hisy maha ambony ny hafa anatrehan’ny hafa, afatsy noho ny fahatahorana an’Allah. Izy izay nanafoana ny fisamihafana sy ny fankahalana izay nisy teo amin’olombelona, izay noharian’ny Tompo Zanahary Allah izy rehetra avy tamin’ny vatana tokana (ny olombelona rehetra).

Ka miainga avy amin’ny Foto-pinoana izay manokana Zanahary irery ihany amin’ny asa fanompoana rehetra, izay nanorenana ny finoana silamo, izay niantsoana ny olombelona rehetra tsy hanompo afa-tsy Allah Tokana ihany, ka tsy azo hatambatra amin’ny zavatra hafa, ary tsy azon’izy ireo atao ny mandray olon-kafa ho tompo ankoatr’Allah swt, izay napetraka ho foto-pijoroana marina ho amin’ny fahafahan’olombelona sy ny voninahitr’izy ireo, ary nampilaza ny fanafahana ny zanak’olombelona avy amin’ny fanandevozana.

Ary ho fanehoana ny fahamarinan’izay nentin’ny Lalána Silamo izay handrakizay, amin’ny fiarovana ny finoana, sy ny aina, ny saina, ny voninahitra, ny harena, ary ny taranaka. Ary ny zavatra tsara rehetra sy ny fahamendrehana izay fonosin’izany amin’ny sehatra rehetra araka ny fepetra sy lalána. Izay mampitambatra ny fanahy sy ny fitaovana, ny saina sy ny fo. Ary manamarina tanteraka ny anjara-toeran’ny vahoaka silamo amin’ny fivoarana ara-tantara, izay nataon’Allah swt ho vahoaka mendrika indrindra izay nampandova ny olombelona ny fivoarana maneran-tany izay mitovy lanja tsara, izay mamatotra ny fiainana eto antany amin’ny fiainana any ankoatra. Izay mampitambatra ny fahalalana sy ny finoana. Fa ny tanjona izay antenaina mba ho tanterahin’ity vahoaka ity ankehitriny dia ny fitaritan-dálana ny olombelona izay ao anatin’ny fikorontanan-tsaina tanteraka mba ho any amin’ny fahitsiana. Vahoaka izay misanganehana, noho ireo fitondrana sy karazana vondrom-pivavahana isankarazany izay mandriaka manerana ny fiarahamonina. Ka mba hanome vahaolana amin’ireo olana maro isankarazany mahakasika ny fivoarana ara-materialy mandalo sy manam-petra.

Anisany andraikitr’izao vahoaka izao, dia ny fandraisana anjara amin’ny ezaka mahakasika manokana ny zon’olombelona, satria ny tanjona amin’izany dia ny fiarovana azy (olombelona) avy amin’ny fampijaliana sy fandripahana, sady mikendry amin’ny fiantohana marina ny fahafahany sy ny zony amin’ny fiainana sambatra eto an-tány, izay mifanaraka tanteraka amin’ny lalána Silamo.

Hamafisina, araka izay efa nambaranay teo aloha, fa ny olombelona izay efa tafakatra tanteraka amin’ny sehatra ara-materialy iraisam-pirenena, dia tena tsy maintsy mila fifandraisana ara-pinoana mba hampandroso azy bebe kokoa sy ho any amin’ny mpiahy sy mpanetsiketsika izay hiaro mandrakariva ny zony.

Am-pinoana tanteraka koa, fa ireo zo fototra sy ireo fahafahana lehibe ho an’ny rehetra amin’ny finoana silamo, dia tafiditra anatin’ny finoan’ireo Mpino Silamo, ka tsisy olona manampahefana manokana tanteraka ka hanafoana izany tanteraka na hanafoana ny ampahany, na handika izany ka tsy hanaraka azy, na koa tsy miraharaha izany ka mody tsy mahafantatra ny momba izany. Satria izany lalána voajanahary izany, izay tsy maintsy harahina, izay noho ny antony no nampidinan’ny Tompo Allah swt ireo Bokiny, sady nandefasany ny Fitombok’ireo Iraka, ka namarana tamin’ny alalan’izany ny zavatra nentin’ireo Hafatra avy tany an-dánitra. Ny fiarovana izany dia lasa ho fanompoana, ary ny tsy firaharahana sy ny fanoherana izany kosa, dia midika ho fandávana ny finoana. Ary ny olombelona tsirairay dia tompon’andraikitra amin’izany, ary ny vahoaka manontolo ihany koa, dia tompon’andraikitra amin’ny fiantohana amin’izany.

Ka hamafisina, fa ireo firenena mpikambana ao amin’ny “O.I.C”, mba ho fampijoroana izany, dia manao izao filazana manaraka izao:

 

FIZARANA VOALOHANY:

  • Ny olombelona rehetra dia fianakaviana iray, ary ny fanompoana an’Allah tokana no mampitambatra izy ireo, ary ny faminaniana dia an’i Adama, ary ny olombelona rehetra tsy ankanavaka dia mitovy daholo amin’ny voninahitra mahaolombelona sy amin’ny fiziogana andraikitra, izay tsy hanavahana noho ny antony fihaviana, na fihodirana, na fiteny, na fihariana, na amin’ny resaka firehana na fivoarana politika, na ny toerana amin’ny fiarahamonina, na zavatra hafa ankoatr’izay amin’ny resaka haja amam-boninahitra, ary ny foto-pinoana marina, dia ny antoka hampandrosoana izao voninahitra izay hitondra amin’ny fahatongavan-dafatry ny olombelona amin’ny tokony ho izy.
  • Hamafisina, fa ny olombelona rehetra dia ambany fahefan’ny Allah swt, (izany hoe: izy Allah swt no mampihinana sy manome anjaram-pivelomana ho azy rehetra, ary manatsara ny fiainan’izy ireo). Ary izay tena tian’Allah indrindra eo anatrehany, dia izay manasoa betsaka ireo izay ambany fahefany (ny fianakaviany), ary tsy misy na iray amin’izy ireo ho ambonin’ny hafa, raha tsy noho ny antony fahatahorana an’ny Tompo Allah swt, sy ny fanatanterahana ny asa soa.

 

FIZARANA FAHAROA

  • Ny fiainana dia fanomezana avy amin’i Allah swt (izay nomeny an’ireo velona, ary anjaram-pivelomana ho azy ireo), izay tsy maintsy karakaraina ho an’olombelona tsirairay avy. Ary andraikitra ho an’ny tsirairay sy ireo fiarahamonina, ary ny firenena rehetra, ny fiarovana izany fahamarinana izany avy amin’ny hetraketraka sy fihoafam-pefy, ary tsy azo atao ny fandatsahan-drá amin’ny fomba tsy ara-dalána.
  • Voarara ny fanaovana zavatra izay mety hiteraka ny fandripahana karazana ampahan’olona.
  • Adidy araka ny lalána ny fiarovana amin’ny mba hampitohy mandrakariva ny fiainan’olombelona, araky ny sitrapon’Allah swt.
  • Tsy maintsy karakaraina ny fahasalaman’ny vatan’ny zanakolombelona, ka tsy azo atao ny fampiasana herisetra na hetraketraka amin’izany. Tahak’izany ihany koa, fa tsy azo atao no mikitikitika izany ain’olombelona izany, afa-tsy hoe; misy porofo mivaingana araka ny fitakian’ny lalána, ary andraikitry ny firenena rehetra no miaro izany ain’olombelona izany.

 

FIZARANA FAHATELO

  • Amin’ny fotoana izay ampiasana hery sy angovo, na amin’ny fifanandrina amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana, dia tsy azo atao ny mamono izay tsy nandray anjara amin’izany ady izany, ohatra ireo olona be antitra, sy ireo vehivavy ary ny ankizy. Ary ireo maratra sy marary kosa dia manana zo tsy maintsy tsaboina. Fa ny gadra an’ady kosa, dia tsy maintsy omena sakafo, fonenana, fitafy, fa voarara tanteraka ny fandratrana amin’ny fomba feno habibiana, sy ny fanapatapahana an’ireo maty tamin’ny ady. Ary anisany tsy maintsy atao ny fifanakalozana ny gadra an’ady, ary ny fampitambarana ireo gadra, izay noho ny antony raharaha an’ady no nampisaraka azy ireo.
  • Tsy azo atao ny fanapahana hazo, na ny fanimbana ny voly, na famonoana ireo biby, na fandrodanana ny trano, na ireo toerana lehibe an’ny fahavalo, amin’ny fandrodanana izany na fanapotehana azy na koa mety amin’ny fomba tsy mendrika hafa (dia tsy azo atao izany).

 

FIZARANA FAHEFATRA

Ny olombelona rehetra dia manana ny Hasina amin’ny mahaolombelona azy, ary koa ny fiarovana ny voninahitriny amin’ny fahavelomany sy aorian’ny fahafatesany, ary andraikitry ny firenena sy ny fiarahamonina no miaro ny vatamangatsiakany sy ny fandevenana azy.

 

FIZARANA FAHADIMY

  • Ny fianakaviana no fototra amin’ny fananganana ny fiarahamonina, ary ny fanambadiana no fototry ny fiparitahana hameno ny tány, ary manan-jo amin’ny fanambadiana daholo ny lehilahy sy ny vehivavy, ka aoka tsy ho sakana amin’izany zo izany ny fisamihafana ara-pihaviana, na ny fihodirana, na fihaviana.
  • Anjaran’ny fiarahamonina sy ny firenena no manala ny sakana rehetra amin’ny fanambadiana, ka mba hanamora ny fomba rehetra amin’izany, ary ny fiarovana ny fianakaviana sy ny fikarakarana azy.

 

FIZARANA FAHAENINA

  • Ny vehivavy dia mitovy tanteraka amin’ny lehilahy amin’ny voninahitra amin’ny mahaolombelona. Manana zo ny vehivavy tahak’izy manana andraikitra, ary manana ny maha izy azy tahaka ny rehetra koa izy, sy ny antoka malalaka ara-bola, sy ny zo amin’ny fiarovany ny anarany sy ny fihaviany.
  • Ny lehilahy no tsy maintsy miantoka ny resaka famatsiana ny fianakaviana, ary ny andraikitra amin’ny fikarakarana azy (vehivavy).

 

FIZARANA FAHAFITO

  • Ny ankizy dia manana zo amin’ny raiaman-dReniny manomboka ny fotoana nahaterahany. Ary ny fiarahamonina sy ny firenena dia tsy maintsy mikarakara amin’ny resaka fampinonoana, ny fanabeazana, sy ny fiahiana ara-materialy, ary ny fampianarana sy ny fahalalana ankapobeny, tahak’izany ihany koa dia tsy maintsy arovana ny zazakely izay mbola ankibon-dreniny, ary koa ny Reniny. Ka tsy maintsy omena fikararana sy fiarovana manokana izy roa ireo (Reny &Zanaka).
  • Ny raim-pianakaviana no tompon-tsafidy amin’ny karazana sekoly izay tian’izy ireo hianaran’ny zanak’izy ireo, sy ny tsy maintsy hikarakarana tanteraka ny zavatra mahasoa azy ireo sy ny hoaviny eo ambanin’ny hazavan’ny toetra mendrika sy ny lalána islamika.
  • Ny raiaman-dReny dia manan-jo amin’ny zanak’izy ireo, ary ny fianakaviana akaiky dia manana zo amin’ny fianakaviany amin’ny fanarahana ny lalána silamo.

 

FIZARANA FAHAVALO

  • Ny olombelona tsirairay avy, dia manan-jo amin’ny mahaolom-pirenena azy amin’ny adidy sy tombontsoa, fa raha toa ka voahitsakitsaka ny zo mahaolom-pirenena azy, dia tsy maintsy mitsangana miaro azy ny mpiahy azy.

 

FIZARANA FAHASIVY

  • Ny fitadiavana fahalalana dia zavatra tsy maintsy ataon’ny tsirairay, ary ny fampianarana dia andraikitra sy adidin’ny fiarahamonina sy ny firenena. Ary tsy maintsy ataony ny fiarovana ny lalana ho amin’izany sy ny fitadiavana ny fomba rehetra mahakasika izany, ary ny antoka amin’ny fahazoana ny fianarana izay hitondra tombontsoa amin’ny hoavin’ny fiarahamonina, ary hampivelatra bebe kokoa ho an’olombelona ny fahalalana momba ny finoana silamo, sy ny tena fahamarinana amin’ny fisian’izao tontolo izao, ary ny fampiasana sy ny fanamorana ny ao anatiny ho tombontsoan’ny zanakolombelona.
  • Ny tsirairay dia manana zo amin’ireo sehatry ny fanabeazana sy ny sehatra mpanoro-lálana samihafa avy amin’ireo fianakaviana, ireo sekoly sy oniverisite, ary ireo haino amanjery rehetra sy ny hafa maro ankoatr’izay, mba handray anjara amin’ny fanabeazana ny zanakolombelona mahakasika ny resa-pinoana sy ny fiainana eto an-tány, izay fanabeazana feno tsara sady maharakotra ny zavatra rehetra ilain’olombelona, izay tsy hisehoan’ny fitongilanana amin’ny mizana fa, samy mahazo fanabeazana mitovy daholo. Izay mampitombo ny voninahitra amin’ny maha izy azy, sady hampatanjaka ny finoany amin’i Allah swt, ary ny fanajany ireo zo sy adidy aman’andraikitra ireo, sy ny fiarovana izany.

 

NY FIZARANA FAHAFOLO

  • Raha manaraka ny finoana Silamo ny olona anankiray, izay finoana voajanahary, dia tsy azony atao ny maneho fihetsika fankahalana na inona na inona ny endriny. Tsy azony atao tahak’izany ihany koa ny fankahalany ny finoany ka hanova ny finoany amin’ny finoana hafa, na hivadika ho tsy mpino Zanahary, noho ny fahantrany, na ny faharefoany, na koa noho ny habadoany.

 

FIZARANA FAHA -11

  • Ny olombelona tsirairay dia teraka ho olona malalaka (tsy andevo/Libre), ka tsy azon’iza na iza atao ny manandevo na manambany azy, na hampanjakazaka ny fahefany aminy, na koa hankahala azy fahatany, ary tsy misy fanompoana afa-tsy ho an’i Allah swt ihany.
  • Ny fanjanahan-tany dia anisany voasokajy ho fanandevozana tena ratsy indrindra amin’ny endriny rehetra, izay fady tsy azo atao mihitsy izany fomba ratsy izany. Ny vahoaka izay misedra olana amin’ny fahazoana ny zony feno, amin’ny fahazoana ny fahafahana ho azy ireo, sy ny fahaleovan-tenan’izy ireo amin’ny sehatra rehetra, ka andraikitry ny firenena rehetra sy ny vahoaka ny tsy maintsy hanavotana izany, mba hanafoanana ny endriky ny fanjanahan-tany rehetra sy ny fandrobana. Ary ny vahoaka tsirairay dia manana zo amin’ny fiarovana ny fahaleovan-tenany manokana sy ny fitantanana ny harem-pireneny ary ireo fananana lafovidy voajanahary izay ananany.

 

FIZARANA FAHA-12

  • Ny olombelona tsirairay avy, dia manana zo amin’ny sehatry ny lalána amin’ny fahafahana mamindra na misafidy ny firenena izay misy azy mba hanatanterahana ny fitsarana, na koa ivelan’izany. Ary raha voatery tsy maintsy hanao sesi-tány ny tenany any amin’ny firenen-kafa tsy fireneny izy, dia andraikitr’izany firenena izany ny fiarovana azy, mba hahitany fandriampahalemana hiarovany ny tenany, raha toa ka tsy noho ny antony fandosirana heloka izay henjehin’ny lalána ny fifindrany amin’izany firenena izany.

 

FIZARANA FAHA-13

  • Resak’asa dia zo anankiray izay andraikitry ny firenena sy ny fiarahamonina ny fikarakarana azy, sy izay rehetra manana fahafahana amin’ny fampisiana izany asa ho an’ny vahoaka izany. Ny tsirairay dia manana fahalalahana amin’ny fisafidianana asa izay mety tsara aminy, izay hahasoa ny tenany sy ny fiarahamonina. Ary ny mpiasa dia manana zo amin’ny antoka sy fandriampahalemana, ary koa amin’ireo antoka ara-tsosialy maro samihafa ho azy, ka tsy azo atao ny fampiasana azy amin’ny zavatra izay mety tsy zakany, na ny fanerena, na ny fanaovana asa anteri-vozona ho azy, na fandratrana azy, na lahy izany na vavy, dia tsy azo atao. Ka tsy maintsy omena azy ny karamany araka ny asa izay nampanaovina azy amin’ny fotoanany, fa tsy azo hataraina na hafilafilaina.

Ary ny mpiasa dia manana zo amin’ny fialan-tsasatra, fanomezana mari-pankasitrahana, ary ny fahazoana karama mialohan’ny fotoana (avance). Nefa ny mpiasa dia takiana aminy ny tsy maintsy hanatanterahany ny asany am-po madio, sy amin’ny fahaiza-manao tsara. Fa raha sanatria, ka misy fifandirana amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, ka tsy maintsy miditra mitsabaka antsehatra amin’ny fandaminana izany ny firenena, sy amin’ny fandravonana ny tsindrihazolena, ary ny fampiharana ny fahamarinana sy ny fahitsiam-pitsarana izay tsy hijerevana toerana na karazana akory.

 

FIZARANA FAHA-14

  • Ny olombelona dia manana zo amin’ny fitadiavana ny anjaram-pivelomana madio ara-dalána, fa tsy amin’ny alalan’ny fandrobana na halatra na amin’ny fomba izay hampitera-doza aminy, na amin’ny hafa. Ary ny fanjanaham-bola dia voarara tanteraka tokoa tsy amim-pisalasalana.

 

FIZARANA FAHA-15

  • Ny olombelona tsirairay dia manana zo amin’ny fitazomana ny fananany amin’ny fomba ara-dalána, sy ny fampiasany izany amim-pahalalahana, amin’ny zavatra izay tsisy fiantraikany amin’ny tenany sy ny hafa ankoatr’azy amin’ny fiarahamonina. ka tsy azo atao ny fanesorana izany fananana izany amin’ny tompony, afa-tsy noho ny antony tombontsoan’ny rehetra, nefa tsy maintsy omena azy ny solon’izany amin’ny fotoana izay farany haingana tokoa sy amin’ny fahamarinana.
  • Voarara ny fakana ankeriny sy ny fanangonan-karena amin’ny fomba tsy rariny, afa-tsy araka ny fitakian’ny lalána.

 

FIZARANA FAHA-16

  • Ny tsirairay dia manana zo hahazo tombontsoa avy amin’ny vokatry ny asa izay nataony, na izany resaka fahalalana, na talenta, na teknika. Manan-jo hiaro ny tombontsoany ara-pahalalana sy ara-bola izay nivokariny. Fa ny fepetra dia tsy tokony hifanohitra amin’ny lalána izany.

 

FIZARANA FAHA-17

  • Ny tsirairay dia manan-jo hiaina amin’ny tontolo madio, izay lavitry ny loto sy aretina ara-pihetsika, izay hahafahany hanangana ny hoaviny, ary andraikitry ny fiarahamonina sy ny firenena mba hampihisy ho azy izany zo izany.
  • Ny tsirairay dia manana zo amin’ny resaka fikarakarana ara-pahasalamana amin’ny fiarahamonina misy azy sy amin’ny fireneny, ary koa ny zo ara-tsosialy, amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy rehetra hilaina amin’izany mba hahamora ny fandraisana azy amin’ny fitsaboana azy eny amin’ny toeram-pitsaboana.
  • Ny firenena no mamatsy ny tsirairay amin’ny zon’ny fahafaha-mivelona amin’ny fiainana sambatra, mba hahazoany ny zavatra izay ilainy sy izay rehetra ambany fahefany, ary tafiditra amin’izany ny resaka sakafo, rano fisotro, ny fitafy, ny fonenana, ny fianarana, sy ny fitsaboana, ary ireo zava-dehibe laharam-pahamehana fototra amin’ny fiainana andavanandro.

 

FIZARANA FAHA-18

  • Ny tsirairay dia manana zo mba hivelona amin’ny fandriampahalemana amin’ny tenany, ny finoany, ny fianakaviany, ny voninahitra, ary ny harenany.
  • Manana zo hanana fahaleovan-tena mahakasika ny raharahany manokana momba ny fiainany eto antany izy, tahaka; ny fonenany, fianakaviany, harenany, ary ny fifandraisany. Nefa tsy azo atao ny fitsikilovana na ny fanaraha-maso azy amin’ny fiainany manokana, na ny fankaratsiana ny voninahitriny, ary tsy maintsy miezaka amin’ny fiarovana azy amin’ny fitsabahana rehetra izay mitondra endrika tsindrihazolena.
  • Manana ny Hasina manokana ny fonenana amin’ny fotoana rehetra. Ka voarara ny fidirana amin’izany, raha tsy mahazo alalana avy amin’ny tompon-trano na amin’ny fomba tsy mendrika sady tsy manara-dalána. Ary tsy azo atao ny fanimbana na ny fanapotehana ny tranon’olona, na fanelingelenana sy fanehoana fihetsika ratsy amin’ny tompontrano, na ny fandroahana azy ireo hivoaka ny tranony (tsy azo atao).

 

FIZARANA FAHA-19

  • Ny olombelona tsirairay dia mitovy daholo eo anatrehan’ny fitsarana, mitovy ny mpitsara sy ny tsaraina raha eo anatrehan’ny fitsarana.
  •  Andraikitry ny fiarahamonina no mikarakara an’izay manan-jo amin’ny fampialokalofana azy eny amin’ny fitsarana.
  • Fototry ny andraikitra dia zavatra ho an’izay manana ny maha izy azy manokana amin’izany.
  • Na inona heloka na inona famaizana, dia tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-dalána.
  • Ny voampanga dia madio mandrapaha hamoahan’ny fitsarana izay mijoro amim-pahamarinana ny didim-pitsarana izay miaro ny antoka sy fiarovana ho an’ny rehetra.

 

FIZARANA FAHA-20

  • Tsy azo atao ny fisamborana olona anankiray, na ny fanagejana ny fahafahany, na fandroahana azy, na famaizana azy, raha tsy misy porofo ara-dalána. Tsy azo atao tahak’izany ihany koa ny fanasaziana azy ara-batana na ara-tsaina, na koa amin’ny fihetsika rehetra feno tsy fanajana ny zon’olombelona, na ny tsy fanehoana indrafo aminy, na koa ny fanitsakitsahana ny voninahitry ny mahaolombelona.
  • Tsy azo atao ny mampihorohoro na iza na iza amin’ny fampisedrana azy amin’ny fitaovam-pitsaboana na amin’ny fomba famaizana hafa, raha toa ka tsy sitrapon’ilay olona voarohirohy, nefa tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fahasalamany sy ny fiainany. Tsy azo atao tahak’izany ihany koa ny fampiasana lalána manokana izay hanome alálana an’ireo manampahefana mpanatanteraka hanao ny asany.

 

FIZARANA FAHA-21

  • Fakan’olombelona ny takalonaina izay voarara sady tsy azo atao, na inona na inona ny endriny sy ny tanjony.

 

FIZARANA FAHA-22

  • Ny tsirairay dia manan-jo amin’ny fahafaha-miteny sy maneho hevitra, nefa tsy tokony hivoaka ny foto-pampianarana araka ny lalána.
  • Ny tsirairay dia manana zo hiantso ny olona amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fandrarana amin’ny tsy mety, araka ny fanarahana ny lalána islamika.
  • Ny fampiasana ny haino amanjery dia zava-dehibe ilain’ny fiarahamonina amin’ny fiainany andavan’andro, ka voarara ny fandrangitana sy ny fampiasana azy amin’ny fomba tsy mety, sy amin’ny fanitsakitsahana ireo famantarana masina sy ny hasin’ireo Mpaminany, sy izay rehetra hiteraka korontana sy fanenjehana, fanitsakitsahana ny Hasina sy ny voninahitra, na koa mety hampisedra olana sy fisaraham-bazana amin’ny fiarahamonina, na koa hanapotika ny finoana.
  • Tsy azo atao ny maboly fankahalana ara-pihaviana na ara-pinoana, sy izay rehetra mitarika amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra amin’ny endriny isankarazany.

 

FIZARANA FAHA-23

  • Ny fitondrana vahoaka dia antoka, izay fady ny fampiasana herisetra na didi-jadona, ary ny fampitaovana ny vahoaka amin’ny fomba tsy rariny dia tena voarara tanteraka tokoa izany, fa ny antoka dia amin’ny fiarovana ireo zo fototra mahakasika ny zon’olombelona.
  • Ny tsirairay dia manana zo amin’ny fandraisana anjara hitantana ny raharam-pirenena amin’ny ankapobeny ao amin’ny firenena izay misy azy, amin’ny fomba mivantana na tsy mivantana izany, satria manana zo tahak’izany koa izy amin’ny fahazoana asa amin’ny ankapobeny, araka ny fepetran’ny lalána.

 

FIZARANA FAHA-24

  • Ireo zo sy fahalalahana rehetra izay voalaza amin’io fanambarana io, dia tsy maintsy mijoro amin’ny lalána islamika.

 

FIZARANA FAHA-25

  • Ny lalána Islamika irery ihany no, fototra iray tsy maintsy hiverenana amin’ny famakafakana na fanazavana mahakasika ny resaka rehetra momba ny filazana.
  •  

Le Caire/ Egypte: 14/Mouharram/1411A.H

5/Aogositra/1990

 

 

 

Ny fanekena ireto zo ireto no lála-marina tokoa hankany amin’ny fanorenana ny fiarahamonina Silamo tena izy, fiarahamonina izay mitondra endrika toy izao manaraka izao ;(voaray avy tamin’ny famakafakana araka ny fijery Islamika manoloana ny zon’olombelona)

Fiarahamonina : ny olombelona rehetra dia mitovy daholo ao amin’ny fiarahamonina, izay tsisy mampiavaka na mahambony ny hafa anatrehan’ny hafa noho ny karazana, na fihaviana, na fisamihafana, na fihodirana, na koa aza amin’ny fiteny.

Fiarahamonina : ny fitovizan-jo ao anatin’ny fiarahamonina, no fototry ny fahasambarana amin’ny fahazoana ny zo mahaolombelona sy ny fanaovana soroka miara-milanja amin’ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra ireo.. fitovizana izay mipoitra avy amin’ny loharanon’ny foto-piraisan-kinan’ny zanakolombelona izay itambarana sady itovizana (amin’ny samy mahaolombelona). Araka izay hamafisin’ny Tenin’Allah swt manao hoe : « Oh ry Olombelona! hamafisina, fa Noharianay avy tamin’ny lahy sy vavy ianareo ». [Al-houjourát, and : 13]. Ary ny Tompo Mpahary dia nandavorary ny fanamboarana ny zanakolombelona, ary mbola nasandratrany avo ny voninahitriny, ka hoy Izy –swt—manao hoe : « Hamafisina, fa nomenay haja ireo taranak’i Adama. Nentinay teny andranomasina sy teny antanety izy ireo, nomenay sakafo tsara, ary notiavinay manokana mihoatra ny maro amin’ireo zavaboaharinay ». [Al-isrá, and : 70].

Fiarahamonina : fahafahan’ny zanakolombelona, dia tafiditra amin’izany ny mahakasika ny fiainany eto antany, na izy teraka tamin’izany, ka mba isan’izay ho sambatra amin’ny fiainany eo ambany alok’izany fahafahana izany, izay ho voaro tsara amin’ny fandriampahalemana ka ho lavitry ny fanagejana, didi-jadona, fanambaniana, ary ny fanandevozana.

Fiarahamonina : izay mitaiza amin’ny fianakaviana ny fon’ny fiarahamonina, sady hamalavala izany amin’ny fiarovana sy fanajana azy, ary hanolotra sy hanomana ny ezaka rehetra hampiasaina amin’ny fitoerana eto antany sy hitondra any amin’ny fivoarana.

Fiarahamonina : mitovy tsisy valaka daholo ny mpitondra sy izay entina eo anatrehan’ny lalána izay napetraky ny Tompo Mpahary, ka Dera sy Voninahitra ho Azy izay tsisy mitovy Aminy velively !

Fiarahamonina : anatin’ny fahefana dia misy antoka masina, izay napetraka amin’ny vozon’ny mpitondra mba hanatanterahana ny tanjona izay nisoritan’ny lalána, sy amin’ny raki-dalána izay napetrany mba hanatanterahana ireo tanjona lehibe.

Fiarahamonina : ny tsirairay dia mino fa, allah swt irery ihany, no Tompon’izao tontolo izao …ary ny zavatra rehetra izay misy ao, dia namboarina ho an’ny zavaboaharin’i Tompo Allah swt tsy ankanavaka, izay fanomezana avy amin’ny fahasoavany, na ireo efa nandalo teo aloha aza izany. Ary ny tsirairay dia manana zo feno hahazo ny anjarany amin’ilay fanomezana voajanahary izany amim-pahamarinana tanteraka, ka hoy Allah swt hoe : « Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny andanitra sy ety antany, ary ny rehetra dia avy any Aminy Avokoa ». [Al-játhiyah, and : 13].

Fiarahamonina : izay andrafitana ireo resaka rehetra mahakasika ny politika, izay handaminana sy hitondrana ny raharahan’ny vahoaka, ary ny fomba izay hampiasain’ireo manampahefana izay hampiharina sy tanterahina amin’ny alalan’ny filan-kevitra. Araka izay nambaran’i Allah swt manao hoe: «Mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra hataon’izy ireo ». [As-Shourá, and : 38].

Fiarahamonina : tsy maintsy atao ny fomba rehetra mba hisian’ny asa ampy mba handraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny fandravonana ny olana rehetra izay sedrain’ny tsirairay araka ny fahafahan’ny tsirairay sy ny fahaiza-manao izay ananany. (Izany hoe mba samy homena andraikitra izay mifandanja aminy ny tsirairay). Ary tsy maintsy ho tsarain’ny vahoakany eo anatrehan’izy ireo izy amin’izany, amin’ny fitsarana eto ambonin’ny tány. Ary tsy maintsy ho tsaraaina ihany koa izy any amin’ny fitsarana farany anatrehan’ny Mpahary azy. Satria ny Mpaminany –saw- niteny hoe: “ianareo rehetra dia mpiarakandro daholo, sady tomponandraikitra amin’ny andraikitra izay tandrify azy avy”. [Mouttafaquoun].

Fiarahamonina: ny mpitondra sy izay ambany fahefana entina dia miara-mitsangana amin’ny tongotra mitovy tsisy valaka eo anatrehan’ny fitsarana, na dia amin’ny fanadihadiana sy famotorana.

Fiarahamonina: ny tsirairay ao amin’ny fiarahamonina, dia aina ho an’ny fiarahamonina izay misy azy. Ary zony malalaka ny hampiakatra fitarainana –fitoriana- amin’ny fanoherana izay rehetra manatanteraka heloka amin’ny fanitsakitsahana ny fiarahamonina. Ary manana zo hangataka fanampiana amin’ny hafa ankoatr’azy izy, ka andraikitry ny sasany no tsy maintsy hanavotana azy, fa tsy sanatria hanala-baraka azy amin’ny raharahany amim-pahamarinana (zavatra ara-daalána).

Fiarahamonina: fanoherana ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra, ary miantoka ny fandriampahalemana, ny fahalalahana, ny voninahitra, ary ny fampiasana ny fahamarinana amin’ny fampiharana ny didy aman-dalána izay nandidian’ny lalánan’ny Tompo Zanahary Allah swt ho an’olombelona, izay ahitana: ireo zo, sy ny fampiharana azy amin’ny asa rehetra, ary ny fanarahamaso amin’ny fiarovana azy (tsy fatorizana amin’ny fanarahamaso izany). Hamafisina, fa ireny zo rehetra voalaza teo ireny, ny famakafakana azy, dia nitsoahana avy tamin’ny Boky masina Kor’any sy ny Sori-dálana masin’ny Mpaminany Mohammad –saw-, na izany resaka ambava, na amin’ny fanatanterahana, na koa an-tsoratra. Izany, dia noho ny fahafantarana fa ireny zo ireny, izay voalaza eo ambony, dia zo sy fepetra ankapobeny izay mamehy ny zavatra rehetra mahakasika ny fitsarana sy ny lalána. Izany hoe; betsaka dia betsaka tokoa ireo famakafakana izay tsy tratra ny fanazavana azy antsipirihany, noho ny fahatahorana ny fivalamparana amin’ny fotoana. Nefa araka izay voalaza amin’ny fizarana faha-25 amin’izany, dia nambaranay fa, Ny Lalána Islamika irery ihany ihany no, lálana tokana hiverenana raha mila famakafakana sy fanazavana mahakasika na inona na inona fanambarana na resaka momba ny filazana amin’izany. Izany hoe; momba ny fanazavana amin’ny ankapobeny sy antsipirihany mahakasika ny lalána sy ny fitsarana.

 

 

 

IREO ZAVA-DEHIBE MAHAKASIKA MANOKANA NY ZON’OLOMBELONA AMIN’NY LALÁNA ISLAMIKA

 

  1. Fa zo sy fanomezana voajanahary izany, fa tsy fanomezana avy amin’olombelona ka hampanarahina ny hetahetam-po sy sitra-po, na rendrarendra sy tombontsoa manokana eto antany amin’ny endriny isankarazany.
  2. Zo, izay mifatotra miaraka amin’ny foto-pinoana Islamika, izay voaro eo ambanin’ny fitsaran’ny Tompo Zanahary, izay tsy azo atao ny fandikana izany, ary ny fanoheran’ny zanakolombelona izany, dia midika ho fanoherana an’Allah swt, ka tsy maintsy mahavoasazy any amin’ny andro farany, ary tahak’izany ihany koa ny famaizana eto antany.
  3. Zo izay mifono ny zavatra rehetra izay mifanaraka tsara amin’ny toetra voajanahary izay nohariana ny zanakolombelona, sady mifanaraka amin’ny mahaolombelona azy, izay miahy azy mandrakariva amin’ny mahaolombelona marefo, sy matanjaka, mpanankarena, mahantra, manankaja ary mahaolona ambany azy.
  4. Zo ho an’ny tsirairay izay rehetra ambanin’ny fitondrana Islamika, izay tsy hijerevana fihodirana, karazana, finoana, fiteny, na koa toerana amin’ny ara-piarahamonina.
  5. Zo fototra, izay tsy azo soloina, na fafana, na voafetra amin’ny fotoana na toerana manokana ny fampiasana azy, na koa misy fanoherana avy amin’ny andian’olona na fiarahamonina.
  6. Zo izay miantoka amin’ny fananganana ny fiarahamonina, mba hiainan’ny rehetra tsy ankanavaka amin’ny fiainana eto antany amim-pahasambarana tanteraka sy fahamorana, izany dia noho ny antony fa, indrafo amin’ny Tompo Zanaharin’izao tontolo izao ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka. Izay miaro ny zon’izy ireo ara-politika, sy ara-toekarena, ary ara-piarahamonina sy ara-pihetsika.
  7. Izany dia zo mifatotra tanteraka, fa tsy hoe misaraka akory, izay tsy mifanohitra amin’ny lalána fototra Islamika, na sanatria hampihisy fiantraikany amin’ny tombontsoa manokan’ny fiarahamonina. Ataontsika ohatra amin’izany; ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny izay tsy maintsy arovana ho an’ny rehetra. Satria ny tsirairay amin’ny fiarahamonina Silamo, dia manana zo feno tanteraka amin’ny fanambarany ny marina, sy ny fijoroana anatrehan’ny tsy rariny (fanoherana izany), ary ny fanomezana anatra ho an’olombelona rehetra izay hanome tombomntsoa ho an’ny rehetra, na izany resaka fiainana eto antany na koa resaka fiainana any ankoatra. Nefa ity fahalalahana ity, dia mijoro mba tsy hisy fihoafam-pefy ny fampiasana azy, izay misy fefy maro tokoa amin’izany, izay tsy azo atao fandikana na fanitsakitsahana izany. Raha tsy izany dia hiparitaka ny haratsiana, ary tsy ho voahaja ny lalánan’i Allah, ka hizioga ny voka-dratsin’izany ny tsirairay, ka mazava hoazy fa, hikorontana tanteraka ny fitantanana ny fiarahamonina. Ka ireto avy ireo raki-dalána ireo:
  • Fampiasana ity fahafahana ity amin’ny fomba miaraka amin’ny fampiasana ny fahalalana, izay mijoro amin’ny fifampiresahana izay mikendry amin’ny tanjona mba hijoro amim-pahendrena sy amin’ny fampiasana ny anatra tsara, izay lavitry ny herisetra sy ady izay hiteraka fakam-panahy, na izay mety hampiasa loha, ka hiteraka loza fa, tsy hanome tombontsoa velively mihitsy. Ka hoy Allah swt hoe: “Miantsoa (ny olona) ho amin’ny lálan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amin’ny fananarana tsara. Ary miadia hevitra amin’izy ireo ianao, amin’ny fomba tsara indrindra. Satria ny Tomponao no Mahafantatra tsara, ireo izay very tsy mizotra amin’ny Lálany, ary Izy ihany koa no Mahafantatra izay voatari-dálana”. [Annahl, and: 125].
  • Tsy fahazoana mitsabaka amin’ireo zavatra izay efa nifanarahana ny fanajana azy, izay hinoan’ny fiarahamonina islamika, tahaka ny fisian’ny Tompo Zanahary Allah swt, sy ny fahamarinan’ny Faminanian’ny Mpaminany Mohammad –saw-, ary izay rehetra mety hanitsakitsaka ny finoana silamo sy ireo Mpino…sns
  • Tsy fampiasana ny fahalalahana amin’izay rehetra mety hampitera-doza amin’ny fiainan’olombelona, na mahakasika ny raharaham-pinoan’izy ireo izany, na ny fiainany eto antany, ary tafiditra anatin’izany ny fanitsakitsahana ny voninahitra sy Hasina amin’ny mahaolona, sy ny fanalambaraka ny hafa amin’ny famoahana ny tsiambaratelony. Tsy azo atao ihany koa ny fanitsakitsahana ireo zavatra, izay mety hiteraka ny fandrobana sy ny tsy fanajana ireo famantarana masina, ary mety hampiely ny fahavetavetana sy faharatsiana. Hoy Tompo Allah swt manao hoe: “Ireo izay tia ny fahalotoana hiparitaka amin’ireo mpino, dia hahazo sazy mamirifiry, eto an-tany sy any an-koatra. Allah Mahafantatra fa, ianareo kosa dia tsy mahalala”. Annoor, and: 19].

 

 

 

IREO ZAVATRA MAPIAHIAHY, iZAY MIPARITAKA MANODIDINA NY ZON’OLOMBELONA ARAKA NY FINOANA SILAMO:

 

Ny zavatra mampiahiahy voalohany:

Ny Lalána silamo, izay nampidinina tamin’ny Mpaminany Mohammad –saw- hatry ny Efatra ambiny folo taonjato no mihoatra (14 taon-jato), dia lasa lalána tsy maintsy hampiasaina amin’ny resaka zon’olombelona, satria noho ny antony fa, matotra ny fijoroany fa, tsy zavatra azo ovaovaina araka ny fandrosoan’ny fivoarana misy ankehitriny, raha araka ny finoan’izy ireo. Izany hoe; raha araka ny rivotry ny fivoarana manerana izao tontolo izao, izay manintona ny filan’ny zanakolombelona noho ny fandrosoan’ny fanatontolona!??

 

Fanoherana izao ahiahy izao:

Hamafisina, fa ny finoana silamo, dia mifanohitra tanteraka amin’ny finonana hafa ankoatr’azy raha ireo lalána voajanahary teo aloha no resahina, izay mahakasika ny resa-pinoana ara-panahy amin’ny fampifandraisana ny tsirairay amin’ny Tompony fotsiny. Izany dia noho ny antony, fa ny lalána silamo, dia lalána feno tanteraka sady tongalafatra, satria noho ny fahalalahana ara-pinoana sy ho an’ny fiainana eto antany.

Ara-pinoana, satria mampitambatra ny mpino tsirairay amin’ny Tompo Zanahariny, izay Mpahary azy.

Ary lalana ho an’ny fiainana mandalo eto antany, satria mampitambatra ny mpino amin’ny fiarahamonina, sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny vahoaka maro samy hafa ankoatrazy ireo. Tsy mitovy amin’ny lalana voajanahary hafa talohany, izay nampidinina tamin’ny fotoana sy fiarahamonina manokana, ary ny ohatra amin’izany dia ireo lalána jiosy sy kristianina. Fa ny finoana silamo kosa dia nampidinina ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka. Hoy Allah swt manao hoe: “Tsy nalefanay ianao, raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao”. [Al-anbiyah, and: 107].

Ka noho izany, dia izay mandinika lalina amin’ny fepetran’ny lalana islamika, dia hahita fa, mizara roa izany lalána izany;

  1. Ny fizarana voalohany, dia; izay mampitambatra ny mpanompo amin’ny tompo Zanahariny, amin’ny resaka foto-pinoana sy ny Finoana, ireo asa fanompoana, ny fandovana, ary ireo voalaza rehetra ireo dia manana fepetra henjana manokana, izay tsisy toerana hiadian-kevitra momba an’izany, na hanova izany ka hanampy azy amin’ny zavatra hafa na hanesorana, noho ny antony fotoana na toerana, na inona na inona ny toe-java misy na mitranga.

Izany dia mahakasika indrindra indrindra ireo adidy voarakitra tsy hiadian-kevitra tahaka ny fanompoam-pivavahana Soalah; Ohatra mahakasika ny fototra ijoroany, sy ny isan’ny fiondrehana amin’izany, izay efa voarakitra tsara ara-dalána. Tahak’izany ihany koa mahakasika ny resaka Famoahana ny ampahan-karena Zakah, izay efa voafetra ny tokony havoaka amin’izany. Ary mahakasika ihany koa ny resaka fandovana, dia efa fantatra tsara ireo izay mahazo mandova, ary tena voafetra tokoa. Ary ny fetra izay tokony ho raisin’ny tsirairay amin’izy ireo, dia efa fantatra sady voafetra, ary hoatran’izany daholo izay rehetra mahakasika ny asa fanompoana maro isankarazany.

  1. Ny fizarana faharoa, dia ny fandaminana ny fifandraisan’ny tsirairay amin’ny samy olombelona, amin’ny fiainana andavan’andro izay mahakasika ny fiainan’izy ireo sy fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa ankoatr’izy ireo amin’ireo fiarahamonina maro samy hafa, ary ny fepetran’izany dia hita ao amin’ny lalána islamika amin’ny ankapobeny na dia fa, tsy mitambatra aza. Midika izany fa, azo atao tsara ny fanovana azy amin’ny alalan’ny ezaka manokana mba hitsinjovana ny tombontsoan’ny fiarahamonina sy ny tsirairay amin’ny fotoana sy toerana rehetra, mba hifanaraka tanteraka amin’ny fivoarana sy fandrosoana izay misy amin’ireo fiarahamonina. Ary ny ohatra amin’izany dia ny fanombohana ny fananganana filan-kevitra, araka izay hita ao amin’ny lalána islamika amin’ny ankapobeny, ka tsy misaraka mihitsy izany. Satria tsy nisy raki-dalána manokana voafetra nampidinina ka hanazava ny fampiasana sy ny fanatanterahana izany. Ary ny fanatanterahana ny filan-kevitra, dia hanokafana varavarana mba hanaovana ezaka amin’ny fikatsahana ny mety amin’ny fitadiavana ny tombontsoan’ny be sy ny maro, ny tsirairay sy ny fiarahamonina, fa miankina amin’ny fitakiana sy ny fangatahan’ny fotoana sy ny toerana. Satria raha izay tsy mahasoa amin’izao fotoana misy antsika izao dia tsy hahasoa velively ny vahoaka any aoriana amin’ny fotoana aoriana.

Izany dia porofo mamantatra fa, ny Lalána islamika dia manankery manerana izao tontolo izao, amin’ny fotoana sy toerana rehetra maneran’izao tontolo izao, izay lavorary tanteraka sady feno tsisy fahabangana akory.

 

NY ZAVATRA MAMPIAHIAHY FAHAROA:

Izay tsy mahafantatra ny tena fahamarinan’ny finoana silamo, na mahafantatra izany amin’ny alalan’ireo fahavalon’ny finoana silamo, dia manaparitaka fa, miangatra amin’ny zon’ireo mpanohitra azy ny finoana silamo, ka mampitongilana mizana amin’izany araka ny filazan’izy ireo ny finoana silamo. Izany dia manohitra ankarihary ny zon’olombelona, satria ny finoana silamo, dia miantoka ny fahalalahana ara-pinoana ho an’ny tsirairay!!! (izany hoe; ny finoana silamo dia tsy manao araka ny filazan’ireo fahavalony ireo velively).

 

Valin’izao ahiahy (fanakorontanana) izao:

Mazava sady mahitsy tokoa ny fijoroan’ny lalana silamo manoloana ireo izay manohitra azy amin’ny resaka momba ny foto-pinoana, izay ataon’ireo vondrona maro samy hafa, izay tsisy fisalasalana na fanjavozavonana amin’izany.

Ka amin’ny alalan’ireo andininy koranika sy tenin’ny Mpaminany masina –saw-, dia mazava tsara amintsika fa, ny fahalalahana ara-pinoana amin’ny fiarahamonina silamo, dia malalaka ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. Ary ny firenena silamo, dia tsy manery ireo mpanohitra azy hiditra amin’ny finoana silamo. Izany dia amin’ny fanatanterahana ny tenin’ny tompo Allah swt manao hoe: “Raha sitraky ny Tomponao, dia hino avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tány. Moa anjaranao ve ny manery olona ho tonga mpino?”. [Younous, and: 99].

Ka noho izany, dia azo atao tsara ny fifandraisana amin’izy ireo, ary koa ny fihinana sakafon’ireo olon’ny boky, izay madio (halál), dia azo atao ihany koa. Nefa mbola nandeha lavi-davitra noho izany ny finoana silamo, amin’ny fahazoana manambady ny vehivavin’izy ireo. Ary tsy hisalasalana fa, ny resaka fanambadiana dia isan’ny zavatra karakarain’ny finoana silamo akaiky indrindra mandrakariva, satria izany dia mahakasika ny fananganana ny fianakaviana. Ary ny fiahiana sy ny fikarakarana izany dia zavatra anankiray tena imasoan’ny finoana silamo mafy indrindra, ka noho izany dia nanome alálana amin’ny fahazoana manambady avy amin’izy ireo. Ka manamafy indrindra izany ny tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Ary azonareo atao ihany koa ny mihinana ny sakafon’ireo olon’ny boky, ary azon’izy ireo atao ihany koa ny mihinana ny sakafonareo. Tsy voarara aminareo ireo vehivavy tsara fitondrantena amin’ireo mpino vavy, sy ireo vehivavy tsara fitondrantena amin’ireo olon’ny boky talohanareo, raha omenareo azy ny mahariny (vodiondry) amin’ny ara-dalána, fa tsy amin’ny fijangajangana na tokantranomaso”. [Al-ma-idah, and: 5].

Ary mbola miteny ihany koa Allah swt hoe: “Tsy misakana anareo hanao ny tsara i Allah, sy hanao ny marina amin’izay tsy niady taminareo noho ny finoana, sady tsy nandroaka anareo tamin’ny fonenanareo. Fa tia izay manao ny rariny Allah”. [Al-moumtahanah, and: 8].

Fa ho an’izay manohitra ny finoana silamo kosa, dia misy fepetra sy fomba fifandraisana manokana amin’izy ireo. Ka hoy Allah swt mahakasika izany hoe: “Fa andraran’Allah anareo kosa, ny maka ho namana izay niady taminareo noho ny Finoana, sy nandroaka anareo tamin’ny fonenanareo, ary nanampy tamin’ny fandroahana anareo. Fa izay maka azy ireo ho namana, dia izy ireny no mpanao ny tsy rariny”. [Al-moumtahanah, and: 9].

Nefa mbola nadeha lavitra noho izany ny finoana silamo, ka nanome alalana amin’ny fifampiresahana ara-pinoana, nefa nandidy ny Mpino silamo amin’ny fampiasana ny fomba mendrika amin’ny fifampiresahana na ny loabary andasy ara-pinoana miaraka amin’ireo tsy mpino silamo, ary indrindra indrindra moa miaraka amin’ireo izay tsy mitovy finoana aminy, raha toa ka ny tanjona afaran’izany mahakasika ny fikarohana ny fahamarinana momba ny finoana silamo sy ny fahafantarana bebe kokoa amin’izany. Satria Allah swt dia miteny hoe: “Ary aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra”. [Al-ankabout, and: 46].

Ary mbola niteny Allah swt, amin’ny alalan’ny Mpaminaniny Mohammad –saw-, raha miresaka amin’ny mpanaraka ireo karazana finoana maro isankarazany, hoe: “Dia lazao hoe: ahoana no fahitanareo ireo izay antsoinareo ankoatra an’Allah? Asehoy ahy áry izay namboarin’izy ireo avy amin’ny tany! Sa misy fiarahan’izy ireo amin’Allah ve any an-danitra? Itondrao boky talohan’ity aho, na izay sisa tavela amin’ny fahalalana, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo”. [A-ahqáf, and: 4].

Ndao áry isika hitondra fijoroana vavolombelona izay nataon’ny kristianina Eropeanina anankiray, izay antsoina hoe:(Sir Thomas Arnold), ao amin’ny bokiny atao hoe: “Ny fiantsoana any amin’i Allah”, raha niteny izy, amin’ny pejy faha: 48 (izay nadikan’i Hasan Ibrahim, abdoul-Majid ÁBIDINA&Ismail An-Nahráwi), hoe: isika dia afaka mitsara malalaka tsara amin’ny alalan’ny fifandraisana ara-pitiavana izay mijoro eo amin’ireo Kristianina sy ireo Mpino Silamo Arabo, fa ny tanjaka dia tsy amin’ny fampiasana herisetra amin’ny famadihana ny olona ho tonga mpino silamo, satria Mpaminany Mohammad –saw- ny tenany mihitsy dia efa nanao fifanarahana mafonja tamin’ny foko sasany tamin’ireo kristinina. Ary Izy –saw- mihitsy no nizioga ny antoka amin’ny fiarovana azy ireo, sy ny fanomezana fahalalahana azy ireo amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny fombafomba masina ara-pinoana ho azy ireo. Ary Izy –saw- mihitsy no mbola nanome an’ireo olon’ny fiangonana fahalalahana mba hatsarovan’izy ireo fahasambarana amin’ny fahazoany ny zon’izy ireo amin’ny fahafahany manaraka tsara ny fomba amampanaony teo aloha, ary izany dia tanterahiny amim-pandriampahalemana sy fahatoniana tanteraka (ambany fitondran’ny Mpaminany Mohammad –saw- amin’ny firenena Silamo).

 

NY ZAVATRA TSY MAZAVA FAHATELO:

Ny fampiharana ireo famaizana amin’ny silamo, dia misy fampijaliana, habibiana, ary ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona!!!

 

Valin’izao zavatra mikorontana izao:

Ampiantombohany, angamba tsara raha hazavaina tsara, fa ireo heloka rehetra amin’ny finoana silamo, dia mizara roa:

  1. Ireo heloka izay tsy maintsy hampiharana ny sazy famaizana, dia efa voarakitra araka ny lalána ny famaizana amin’izany sady voafetra sy voafaritra ihany koa. Toy izao manaraka izao ireo heloka ireo; famonoan’olona, fijangajangana, halatra, hamamoana (fibobohana zava-mahadomelona), fanendrikendrehana, tsindrihazolena, fikomiana, ary ny fanafihana.
  2. Ireo heloka izay tsisy famaizana voafetra momba izany, na famaizana voarakitra araky ny lalána, ka navela ho andraikitry ny Manampahefana no mametra ny famaizana hampiharina amin’ny nahavanon-doza, fa miankina amin’ny heloka izay nataony sy ny tombontsoan’ny rehetra, ary izany dia fantatra amin’ny anarana hoe: Sazy fampitahorana na fampitandremana.

Fantatra tsara fa, ireo heloka tsy maintsy hampiharana famaizana voafaritra sy voafetra, dia mizara roa:

  • Ny fizarana voalohany, dia ireo famaizana ampiharina amin’ny heloka manokana amin’ny zon’olona manokana, izany hoe; ny heloka mahakasika ny vonoan’olona, na ny fandratrana ny iray amin’ny rantsam-batan’olombelona, na koa ny fanendrikendrehana amin’ny fijangajangana. Ary ireto famaizana ireto, dia azo ahena tsara raha manafoana izany ny tompon’ny zo (ny manana fahamarinana), ka ho lasa maivamaivana kokoa ny sazy noho izany, (sazy fampitahorana, na fandrahonana, fampitandremana). Ary ny manampahefana no mandidy izany famaizana fandrahonana izany, satria zon’ny fiarahamonina no tsinjovana amin’izany.
  • Ny fizarana faharoa, dia ireo famaizana mahakasika manokana ny zon’i Allah swt, dia tahaka ny fibobohana ny zavatra mahadomelona, ny fijangajangana, fangalarana, ka tsy azo foanana na hahenana velively ny sazy amin’ireo heloka ireo, izay efa voafaritra sy voafetra arak any lalána velona, na dia fa nihemotra na nandefitra aza ny tompon-jo, raha to aka efa tonga tany amin’ny manampahefana ny raharaha. Fa raha toa ka mbola tsy tonga any amin’ny manampahefana ny raharaha, fa ny tena tsara dia ny fanafenana azy, ary indrindra moa an’izay tsy matetika mpanao an’izany.

Aoka mba hatombontsika amin’ireto manaraka ireo ny resaka ataontsika mahakasika ny fampiharana ireo famaizana raha araka ny lalána islamika:

  1. Tsy azo ampiharina ny famaizana raha amin’ny lalána islamika, afa-tsy amin’izay tompon’andraikitra salama saina (olondehibe zany).
  2. Ny famaizana dia foanana raha toa ka misy fisalasalana araka ny fanambaran’ny lalána. Ny Mpaminany –saw- dia nanambara hoe: “Miezaha miaro ny mpino silamo ianareo amin’ny famaizana, araka ny fahafahana izay anananareo, fa raha mahita lálana tokony hivoahan’ny mpino silamo amin’izany ianareo, dia avelao izy handeha. Satria aleon’ny Lehibe (Imamo) manao diso amin’ny famelana, toy izay manao diso amin’ny famaizana”. [Faible/marefo. al-moustadrek alás-swahihayn, fiz: 4, pejy: 426].
  3. Ny famaizana amin’ny finoana silamo, dia tsy azo hampiharina afa-tsy amin’ny fanitsakitsahana ireo zava-dehibe dimy.
  4. Izay tsy maintsy porofoina amin’ny fanekena, miaraka amin’ny fahafahana miverin-dálana amin’izany, na koa fijoroana vavolombelon’ny lehilahy marina, fa tsy azo raisina ny fijoroana vavolombelon’ny vehivavy.
  5. Ny tanjona amin’ny fampiharana ny famaizana amin’ny finoana silamo, dia mba handrahonana sy hampitahorana ny olombelona amin’ny fihetsika na teny izay mety hampitondra faisana amin’ny fiarahamonina, na mety hanitsakitsaka ny zon’ny sasany, ka tsy maintsy hampiasaina izany fampitandremana izany mba hiarovana ireo zo ireo. Ary manaraka izany ihany koa dia ny fiarovana ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiarahamonina, sady fiainana ho an’olombelona tokoa ny fampiharana ny fanasaziana. Ary marina tokoa ny tenin’Allah swt raha niteny Izy hoe: “Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina! “. [Al-baqarah, and: 179].

Ny finoana silamo, mba ho fanampin’izany fampitandremana an’izay manao ireo heloka, sy ho fampitahorana an’izay mikasa hanao an’izany, dia ho faizina amin’ny famaizana any ankoatra izy, ka tsy nataony tsinontsinona ny lafiny ara-materialy amin’ny famaizana izay mikomy amin’ny fampianarany (islamo) sy nanohitra ny didiny. Satria misy amin’olombelona tsy hahasoa azy raha tsy amin’ny fampiasan-kery sy herisetra, mba hampitahorana sy handrahonana azy, amin’ny fanaovana ireo asa ratsy isankarazany ireo, izay miteraka voka-dratsy maro isan’ambaratongany ho azy (olombelona) sy amin’ny fiarahamonina, ary izany dia noho ny fahatongavan-dafatry ny finoana silamo sy ny fahafenoany tanteraka. Ka noho izany, dia hitanay fa ny finoana silamo, dia mametra famaizana ho an’izay mpanao ny tsy rariny amin’ny heloka izay vitany, izay miankina amin’ny halehibeazan’ny heloka vita.

  • Momba ny heloka amin’ny resaka famonoana olona antsitra-po, dia nametrahana ny atao hoe; Valin-keloka. Ka hoy Allah swt hoe: “Oh ianareo mpino! Voadidy ho anareo ny valin-keloka momba ny vono olona”. [Al-baqarah, and: 178]. Afa-tsy hoe; hamela am’izany ireo solontenan’ny maty. Araka ny nambaran’Allah swt hoe: “Fa izay nahazo famelana avy tamin’ny rahalahiny, dia tokony hanonitra izany fahasoavana izany, ary manatanteraka izany amim-pahatsarana”. [Al-baqarah, and: 178].
  • Ho an’ny heloka noho ny tsy fitandremana na hadisoana, dia misy didy napetraka amin’ny tsy maintsy hamotsorana gadra sady manome onitra. Hoy Allah swt hoe: “Ary tsy tokony hisy mpino hamono mpino namany, raha tsy noho ny tsy fitandremana. Ary izay nahafaty mpino iray noho ny tsy fitandremana, dia aoka izy hamotsotra mpanompo mpino iray no sady manome onitra ny fianakavian’ny maty, raha tsy hoe namela izany amim-pahatsorana izy ireo. Fa raha avy amin’ny foko nahavita fifanarahana taminareo kosa ny maty, kanefa mpino izy, dia aoka hamotsorana andevo mpino iray. Ary raha avy amin’ny foko nahavita fifanarahana taminareo ny maty, dia aoka hanome onitra ny fianakaviany, ary koa hamotsotra andevo mpino iray. Fa izay tsy mahavita izany, dia aoka hanatanteraka fifehezana mandritra ny roa volana mifanesy, mba ho fibebahana amin’Allah. Fa Mahalala ny zavatra rehetra sy be Fahendrena i Allah”. [Annisá, and: 92].
  • Ary ny famaizana mahakasika ny resaka halatra dia ny fanapahana ny tánana. Hoy Allah swt hoe: “Ho an’ny mpangalatra lahy sy mpangalatra vavy, dia tapaho ny tánan’izy roa ireo, ho fanasaziana tamin’izay nalain’izy ireo, sy famaizana avy amin’Allah. Fa Allah no Tsitoha sy be Fahendrena”. [Al-ma-idah, and: 38].

 

Ny finoana silamo, dia tsy hampihatra ny fanapahan-tánana, afa-tsy amin’ny fanarahana ny fepetra sy antoka manokana mahakasika izany, arak’izao manaraka izao:

  1. Tsy maintsy mahatratra ny fetra farany ambany indrindra amin’ny fetra izay avoaka amin’ny ampahankarena ny lanjan’ny harena nangalarina.
  2. Tsy maintsy notehirizina tamin’ny toerana manokana ny harena, tahaka ny trano, magazay, mba tsy hahitan’ny mpangalatra izany fananana izany, fa raha toa ka tsy niafina izany, dia tsy azo hampiasana fanapahan-tanana raha naka izany ny mpangalatra, satria tsy niraharahain’ny tompon’entana ny fananany.
  3. Tsy azo tapahana ny tánana amin’ny fotoanan’ny fakana miafina, satria ilay nangalatra dia nanana alálana hiditra tao amin’ilay toerana izy. Ohatra amin’izany dia ny mpiasa amin’ny banky anankiray, ka misy fahaverezana ny vola tao. Ka noho ny tsy firaharahana no nahatonga izany, na koa ny tsy firaharahan’ny mpiasa na ny tale, satria manana alálana hampiasa fomba izay tokony hanakanana ny fangalarana na fanafenana izany ny tale.
  4. Tsisy fanapahan-tánana amin’ny resaka fakana tány ankeriny, ohatra olona anankiray niteny fa, anahy ity tány ity, ka amin’ny alalan’ny fampiasana angovo no hanaovany izany. Satria mazava hoazy, fa ny tena tompon’ny tány dia afaka malalaka tsara hiantso vonjy amin’olona sy ny manodidina, na amin’ny manampahefana (polisy) mba handroaka ny mpandroba, ka haka ny taniny, izay zony malalaka.
  5. Tsy azo atao ny fanapahantanana amin’ny halatra izay mampiahiahy, ohatra amin’izany noho ny antony hanoanana, sy izay mitovitovy amin’izany mahakasika ireo zavatra ilain’olombelona amin’ny fiainana andavanandro, ka mety hahatonga ny fahafatesan’olona ny tsy fisian’izany.

Ny heloka amin’ny resaka halatra dia anisany heloka tena ratsy indrindra, izay miteraka haratsiana amin’ny fiarahamonina, sady mampihorohoro ny tsirairay amin’ny fananan’izy ireo sy ny voninahitriny, ary ny fiainan’izy ireo manontolo, izay ho antony manokana amin’ny tsy fisian’ny fahatoniana sy fiadanana, izay anisany tanjon’ny finoana silamo ny fampanjakana izany ho an’ny tsirairay amin’ny fiarahamonina. Satria iarahamahalala, fa ny mpangalatra, na dia fa hangalatra ny tanjony, ka raha mahita izay manohitra na manakana ny lalany izy, dia mahasahy mamono, na dia tsy tanteraka aza ny tanjony, satria mety hanitsakitsaka ny voninahitra amin’ny alalan’izany fihetsika izany izy.

Ka noho izany, raha heloka izany asa ratsy izany, dia mitaky famaizana mahery vaika tokoa, mba ho fanakanana sy fampitsaharana ny fototry ny haratsiana. Satria raha fantatry ny mpangalatra fa, ho tapahana ny tánany raha mangalatra, dia mazava hoazy fa tsy maintsy hitsahatra tsy hangalatra izy, ka tsy maintsy hiaro ny tánany tsy ho tapaka, ary ho voaro tsara ny fananan’olona avy amin’ny asa ratsin’ny mpamgalatra.

  • Ny fandrobana sy fakana ankeriny amin’ny resaka fanakanan-dalana kosa, izay mampihorohoro ny mponina amin’ny fanafihana mitambasy, dia mitovy amin’ny sazin’izay manafika tsy ara-dalána ny famaizana ho azy ireo. Araka ny tenin’Allah swt manao hoe: “Hamafisina, fa ny valin’asan’ireo olona izay miady, manohitra an’Allah, sy ilay Irany, ka miezaka manaparitaka ny haratsiana eto ambonin’ny tány, dia ny famonona azy ireo avy hatrany, na famantsihana azy ambony hazo, na hotapahina ny tánany sy ny tongony amin’ny andániny avy mifanohitra, na hatao sesi-tány. Fahafaham-baraka no ho azy ireo eto antany, ary famaizana lehibe no miandry azy any ankoatra (33), Afa-tsy ireo izay nibebaka talohan’ny nahatraranareo azy teo ambany fahefanareo, koa fantaro fa Mpamela heloka sy Mpamindra-fo i Allah”. [Al-ma-idah, and: 33-34].

Ny famaizana dia tsy maintsy arakaraka ny heloka izay vitan’ny mpanao ratsy. Araka ny tatitr’i Abdoullah bin Abbási –RA-, hoe: nidina ity andininy ity mahakasika an’izay mpanohitra ny fahamarinana, arak’izay voalaza hoe: ny valin’asan’ireo izay miady sy manohitra an’Allah sy ny Irany. Ka raha manakan-dalana izy, dia vonoina, ary raha mangalatra harena, dia fantsihana, ary raha namono ka tsy naka vola amankarena, dia tsy maintsy vonoina, fa raha nangalatra harena fa tsy namono, dia tsy maintsy tapahana ny tánany amin’ny andaniny avy mifanohitra, fa raha nandositra izy ka tsy tratran’izy ireo intsony, dia izany no fandroahana azy. [Al-Bayhaqi & Ad-Dárakoutni].

  • Ary mahakasika ny heloka amin’ny fanitsakitsahana ny voninahitra amin’ny fanendrikendrehana na fanosoram-potaka, dia ny fampiasana kapoka. Ka hoy Allah swt hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy madio fitondrantena kosa, nefa tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapohy im-balopolo izy ireo, ary aza ekena intsony ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Fa mpanao ratsy izy ireny”. [Annour, and: 4].

Ny tanjona izay kendren’ny finoana silamo afaran’izao famaizana izao, dia noho ny fiarovana ny voninahitra sy ny fahapotehan’ny toetra mendrika, ary ny fiarovana ny lela mba tsy hiteniteny fahatany amin’ny fanosoram-potaka ny olona, nefa tsy misy porofo marim-pototra akory amin’izany. Arak’izay fantantsika mazava tsara fa, ny fanosoram-potaka olona dia miteraka karazan-javatra maro tahaka ny: fandratrana ara-tsaina mahazo an’izay olona iharan’izany fanendrikendrehana izany. Izany dia noho ny firesahan’olona momba an’ilay olona voaendrikendrika amin’ny voninahiny sy ny fankaratsiana amin’ny fitenitenenana mahakasika zavatra izay tsy tiany, satria izany voninahitra izany dia misy ny toerany anatin’ny finoana Silamo, sy ny toerana tsara fanandratana avo tanteraka. Ary ny fiparitahan’izany dia miantso amin’ny fankahalana sy fifampifahavaloana ary ny fandrangitana eo amin’ny tsirairay anatrehan’ny fiarahamonina, ary izany dia mety hitarika amin’ny fanaovana heloka bevava tahaka ny famonoana. Ka noho izay mihitsy no nandidian’ny lalána feno fahendrena ny famaizana mba ho fampitahorana ho amin’izany. Izany hoe; Amin’ny fanatanterahana ny fanasaziana mahakasika ny fanosoram-potaka amin’izay mpanao izany asa ratsy izany, raha toa ka tsy mitondra porofo mafonja sy marim-pototra momba izany izy. Izany rehetra izany dia noho ny antony fiarovana ny zo mba tsy hovoahitsakitsaka. Mifanta amin’ny Tompo Zanahary aho! Fa izany no tena fahamarinana mahitsy tokoa, sy ny fiarovana marina ny zon’olombelona. Ny finoana silamo dia tsy mitsahatra amin’ny fanatanterahana ny famaizana fotsiny, tahaka ny fanasaziana ara-batana, fa mipaka ka hatramin’ny fanasaziana ara-tsaina ihany koa, amin’ny fampiharana izany amin’ny mpanendrikendrika mba hanandramany ny faikan’izany asa ratsiny izany. Ary izany dia amin’ny tsy fitokisana ny mpanoso-potaka mpandainga intsony raha miteny izy, na koa amin’ny fijoroana vavolombelona izay ataony, ary voafaritra ho isan’ireo olona ratsy fitondrantena tokoa izy. Afa-tsy hoe; niverin-dálana ka nibebaka amin’ny fibebahana tena marina tokoa izy. Ary izany rehetra izany dia fahavitrihana avy amin’ny finoana silamo amin’ny fiarovana ny zon’ny rehetra, mba tsy hiharan’ny faniratsirana sy fanitsakitsahana sy ny fanaovana tsinontsinona amin’ny fomba rehetra; na izany amin’ny fihetsika na amin’ny teny. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy madio fitondranatena kosa, nefa tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapohy im-balopolo izy ireo, ary aza ekena ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Fa mpanao ratsy izy ireny (4), Afa-tsy ireo izay nibebaka, taorian’izany sy niova-toetra, fa Mpamela heloka sy Mpamindra-fo i Allah”. [Annour, and: 4-5].

  • Ny famaizana amin’ny heloka momba ny fanitsakitsahana ny voninahitra mahakasika ny fijangajangana ho an’ireo mbola tsy manam-bady (tanora lahy sy vavy mbola tsy manambady), dia ny fampiharana ny kapoka amin’izy ireo. Ka hoy ny Tompo Allah swt hoe: “Kapohy in-jato tsirairay avy, ny vehivavy mpijangajanga sy lehilahy mpijangajanga”. [Annoor, and: 2].

Fa ho an’ireo manambady kosa, raha voaporofo mazava tsara fa, tena nijangajanga tokoa izy ireo, dia tsy maintsy hampiharina amin’izy ireo ny famaizana amin’ny fampiasana ny tora-bato. Izany anefa dia tsy hita amin’ny finoana silamo, fa amin’ireo lalánam-pinoana voajanahary hafa tahaka ny –Jiosy sy ny Kristianina-. Ka tsy azo atao ny fampiharana ity lalána ity raha amin’ny finoana silamo, afatsy hoe; manaraka ireo fepetra amim-pikarohana lalina tanteraka sy amim-pitoniana. Ka hisedra fahasarotana tanteraka ny fitsarana azy ireo raha mitombina daholo ireo fepetra ireo.

Ka noho izany, dia tsy azo atao ny mitora-bato azy ireo raha tsy amin’ny toerana anankiroa ihany, hoe:

 

NY TOERANA VOALOHANY:

Ny filazan’izy ireo, fa nantanteraka izany fijangajangana izany tokoa izy ireo, amin’ny fomba ofisialy fa, tsy ankaterena akory. Ary aoka hazava fa, raha araka ny lalána dia tsy azo tanterahina ny didi-pitsarana nivoaka tamin’ny filazana voalohany izay nataon’izy ireo, ary ny filazana dia tsy mahadidy amin’ny fanatanterahana ny famaizana, afatsy hoe; niverimberina in-4 tamin’ny fanadihadiana in-4 samihafa ihany koa, ka isaka ny manambara azy ireo ny fankahalany an’izany ny mpitsara, nefa mbola mihizingizina izy ireo amin’ny alalan’ny fitenenana fa, nanao an’izany tokoa izy ireo. Izany hoe, miezaka ny mpitsara mba hanakana azy ireo amin’ny fijoroana vavolombelona fa nanao an’izany tokoa izy ireo, hoe: angamba mety nifampioroka ianareo, na nifanafosafo, na nifampitolona, izany dia mba hanomezana azy ireo fahalalahana misokatra tanteraka, mba hialan’izy ireo amin’ny zavatra izay efa nambaran’izy ireo. Nambaran’i Abdou Allah bin Abbási –RA- hoe: raha tonga nilaza tamin’ny Mpaminany –saw- i Máiz bin Málik fa, (nijangajanga), ka navalin’ny Mpaminany azy hoe: “Angamba mety mioroka azy fotsiny, na nitazona (tamin’ny tánana), na nijery fotsiny”. Namaly izy hoe: tsia, oh ry Irak’Allah. Hoy –saw, hoe: “Nanao firaisana ara-nofo taminy ve ianao?” Ka rehefa niaiky izy, dia nandidy amin’ny fampiharana ny famaizana azy amin’ny tora-bato Izy. [Swahih Alboukhari].

Raha mihizingizina amin’ny filazany izy ireo fa, nanao ny asa ratsy, sy amin’ny fotoana izay anatanterahana ny famaizana amin’ny fanoraham-bato amin’izy ireo, fa raha toa ka mitady handositra izy ireo amin’ny fotoana hanatanterahana ny tora-bato, na efa eo amin’ny fampiaharana ny sazy mihitsy, dia midika izany fa, fiverenana tamin’ny filazana izay nataony ihany, ka mila atsahatra ny fanatanterahana ny famaizana. Araka ny tatitr’i Abou hourairah –RA- raha niteny izy hoe: indray andro tonga tamin’ny Irak’Allah –saw- i Máiz Al-aslami ka niteny hoe: hamafisina, fa nijangajanga aho. Nefa tsy nitodika taminy ny Mpaminany –saw-, ka nanatrika Azy avy tao ambadika indray izy, ka niteny hoe: tena marina fa, nijangajanga aho. Nefa mbola nanamboho azy ihany ny Mpaminany –saw-. Fa rehefa niverina tamin’ny fahefatra izy, dia nandidy amin’ny hitorahana vato azy Izy (ny Mpaminany). Fa rehefa nahatsapa ny tehokan’ny tora-bato izy, dia nitady handositra. Rehefa avy eo, dia notantarain’izy ireo tamin’ny Irak’Allah –saw- ny tranga nandalo, ka nambarany hoe: “Fa naninona no tsy navelanareo izy, (izany hoe; ny tena tsara mba navelanareo izy nandositra mba hiverindalana hibebaka amin’Allah swt, satria manko tamin’izany, rehefa hitan’izy ireo izy handositra, dia notazomin’izy ireo mafy mba tsy afaka hihetsika handositra intsony, ary nitorahan’izy ireo vato izy mandrapaha fatiny)”. [Swahih ibni Hibbáni].

 

NY TOERANA FAHAROA:

Mijoro vavolombelona manohitra azy roa ireo dia vavolombelona marina efatra, izay mbola tsy voampanga nanao asa ratsy mampiahiahy, tahaka ny fijoroana vavolombelona sandoka, fa izy ireo dia nahita marina tokoa azy roa ireo niray ara-nofo mivantana tanteraka mihitsy (hoe; ny henatry ny mpijangajanga lahy nifandray tamin’ny henatry ny mpijangajanga vavy). Ary tsy ho azo raisina izany, raha tsy efa tonga amin’ny ambaratongan’ny fanatanterahana izany amin’ny endrika ankarihary avy amin’izy ireo, na koa amin’ny fikomiana amin’ny tsy fanarahana ireo fepetra napetraky ny fitantana ara-pinoana, ary ny fanitsakitsahana ny fampianarana Islamika, ka nahita azy ireo amin’izany tsy firaharahana izany ireo vavolombelona marobe ireo. Tahak’izany koa dia tsy azo atao ny fanatanterahana ny lalána raha toa ka misy zavatra mampiahiahy, arak’izay efa nambaranay teo aloha. Ohatra amin’izany dia; mety nifampitolona na nifampioroka fotsiny no nitranga, ka mbola tsy nisy firaisana ara-nofo tanteraka akory.

Fantatra mazava tsara, fa ny heloka amin’ny resaka fijangajangana, dia tsy mahakasika manokana ny mpijangajanga lahy sy vavy fotsiny, fa tafiditra amin’ny fanitsakitsahana ny zon’ny fiarahamonina manontolo, sy ny zon’ny tsirairay, satria be dia be tokoa ireo vokadratsy izay aterak’izany fijangajangana izany, ohatra;

  1. Fiparitahan’ny haratsiana, sy ny fihetsika mamoafady, izay hahatonga ny fiparitahan’ny areti-mandoza manerana ny fiarahamonina, ka hanahirana izay olona tsy manantsiny amin’izany. Araka izay nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Oh ianareo Mpifindra-monina! Misy zavatra dimy, raha sedraina amin’izany ianareo, ary mangataka fiarovana amin’i Allah aho mba tsy ho tratran’izany ianareo, dia:Raha lasa miharihary amin’ny vahoaka ny fanaovana fahavetavetana (ny fijangajangana), ka nampibaribary izany izy ireo, dia hiparitaka amin’izy ireo ny aretina pesta, sy hanoanana izay mbola tsy nahazo ireo razamben’izy ireo teo aloha, ary raha tsy mameno ny fatra sy lanja izy ireo, dia hisedra haintany mafy sy fahantrana tafahoatra tokoa izy ireo, sy ny jadon’ny mpitondra amin’izy ireo. Ary raha tsy manome ny ampahankarenany (Zakah) izy ireo, dia tsy hahazo rotsak’orana avy any an-danitra, ary raha tsy noho ny antony ireo biby, dia mba tsy nahazo rotsak’orana mihitsy izy ireo, ary raha mivadi-belirano amin’i Alllah sy ny Irany izy ireo, dia hampanjakan’i Allah amin’izy ireo ny fahavalo izay tsy avy amin’izy ireo, ka haka ny ampahany amin’izay misy eo ampelantanan’izy ireo, ary raha tsy mitsara amin’ny alalan’ny Bokin’i Allah ny lehiben’izy ireo, ary mba hangataka ny hatsarana sy fahasambarana amin’izay nampidinin’i Allah izy ireo, dia ho faizin’i Allah izy ireo”. [swahih ibni Májah].
  2. Izay mampifangaro ny taranaka eo amin’ny fiarahamonina, ka hatonga ny olona anankiray tsy hahafantatra ny dadany na ny reniny, ka hatonga ny olona anankiray hantsoina tsy amin’ny anaran’ny dadany, ka tsy handray azy ho isan’ny taranany mihitsy izy. Ka mazava hoazy fa, miteraka ny fampifadiana an’ireo manan-jo ny zon’izy ireo izany. Izany hoe; amin’ny fampandovana izay tsy manana zo handova, nefa mandrara izay manan-jo handova amin’ny fandovana. Tsy vitan’izany fotsiny fa, mipaka hatramin’ny resaka fanambadiana koa ilay izy, ohatra amin’izany, dia ny fanambadiana ireo izay tsy tokony halaina ho vady (ireo reny sy anabavy).
  3. Misy ireo karazan’olona tsy manan-tsiny, izay nefa tsy mahazo an’izany indrafo sy fitiavana, sy ny fanabeazan’ny raiaman-dReny, izay tsy manana fihaviana mba hiantsoana azy ireo, na koa fianakaviana hikarakara azy ireo, ary izay mazava hoazy fa, hiteraka karazana aretina ara-tsaina ratsy dia ratsy tokoa izany, sy fiainana feno tsy fahasalamana, ary izany no mety hitarika ny fahaverezan’izy ireo. Ka mifanohitra tanteraka ny voka-dratsin’izany amin’ny fiarahamonina, amin’ny fisiana karazan’olona izay mankahala azy sy ny fianakaviany. Satria manko ny dada sy neny dia tahaka ny Firenena ho an’ny fianakaviana, hoe: mialoka amin’izany ka mitady aloka mangatsitsiaka amin’izany ihany koa. Ka hahatsiaro sambatra izy ireo amin’ny fandriampahalemana sy ny fitokisana, ary ny fahatoniana sy fiadanana.

Ary voadidy amin’ny heloka resaka fisotroana toaka (galeko), na izay fantatra amin’ny anarana hoe: fibobohana zavatra mahadomelona, dia ny fikapohana no famaizana ho an’izay manao an’izany. Satria ny olombelona dia tsy malalaka tanteraka amin’ny fihinanany na fisotroany izay tiany, fa misy karazana zavatra izay tsy azo atao no mihinana azy ireo, ohatra: ny biby maty hoazy, ny rá, ny henankisoa, sy izay rehetra vonoina tsy amin’ny anaran’Allah swt. Nefa na dia izany aza, dia tsy misy famaizana vofaritra amin’izany. Fa izay mahatsapa fa nanao an’izany dia mila mibebaka amin’i Allah swt. Kanefa, izay olona manao an’izany ankarihary, dia tsy maintsy saziana amin’ny famaizana mitondra endrika fampitandremana, izay didian’ny manampahefana, araka ny tombontsoan’ny rehetra (mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny rehetra). Tahak’izany koa mahakasika ny fisotroana ny zava-pisotro mahamamo, dia voarara aminy ny fibobohana zavatra izay hanimba ny fahasalamany ara-batana, ary fantatra tsara fa, tsy mitsahatra amin’ny mpisotro fotsiny ny vokadratsin’izany zava-pisotro mahamamo izany, fa tsy maintsy hitondra faisana an’ny fiarahamonina (ka noho izay mihitsy no niantsoana azy amin’ny finoana silamo hoe: renin’ny haratsiana). Ka noho izany dia misy famaizana manokana voadidy sady voafaritra araka ny lalána mba hanasaziana ny mpanao heloka, dia ny kapoka, noho ny fihanak’izany sy ny fiparitahany.

Satria ny finoana silamo dia miezaka hatrany amin’ny fiarovana ny saina, ny fihetseham-po amin’ny mahaolombelona avy amin’ny zavatra rehetra izay mety hanimba na hanapotika azy sy ny asany. Satria ny finoana silamo, dia tsy te-hampidina ny olombelona avy amin’ny ambaratonga mahaolombelona azy ka ho any amin’ny ambaratonga hafa izay ambany indrindra noho azy amin’ireo zavaboahary rehetra, izay tsy manana fisainana sady tsy mahafantatra na inona na inona (izany hoe: miala amin’ny ambaratonga mahaolona dia ho any amin’ny ambaratongan’ny biby, izay farany ambany indrindra).

Ary anisany ireo vokadratsin’izany zava-mahadomelona izany dia izao manaraka izao;

  • Satria ny olona izay mamo amin’ny fampiasana ny zavatra mahamamo, dia afaka mamono sy mijangajanga ary mety ho tafalatsaka amin’ny zavatra voarara, nefa tsy fidiny akory izany. Lehiben’ny Mpino, outhmán bin Affán –RA-, dia niteny hoe: iatahonareo ny renin’ny haratsiana (fototry ny fahotana), satria efa nisy olona teo alohanareo, izay mpanompo nitoka-monina noho ny asa fanompoana, ka nisy vehivavy nandefa mpiasa anankiray nankany tamin’ilay lehilahy, ka niteny hoe: hamafisina, fa izahay dia miantso anao mba hijoro vavolombelona aminay. Rehefa niditra ilay lehilahy, dia nahidiny daholo ny varavarana, izay varavarana idirany rehetra dia ahidin’izy ireo avokoa, mandrapaha tonga amin’ny efi-trano izay misy ilay vehivavy tsara tarehy mipetraka, eo akaikiny eo koa dia misy ankizy lahy, ary misy zinga lehibe ihany koa izay feno toaka. Ka hoy ilay vehivavy hoe: tena marina fa, tsy niantso anao hijoro vavolombelona izany izahay fa, ny antony niantsoako anao dia mba hanaovanao iray amin’izao zavatra manaraka izao;

Hamono an’io ankizy lahy io, na hiray ara-nofo amiko, na hisotro toaka amin’io zinga io. Fa raha mandá ianao, dia hiantso vonjy amin’ny feo avo aho (hitireo aho), ka ho afabaraka eto ianao. Rehefa hitan’ilay lehilahy fa, tsy maintsy hanatanteraka iray amin’ireo asa ratsy ireo izy, dia niteny izy tamin’ilay vehivavy hoe: Omeo iray vera amin’ilay toaka aho. Ka nomeny iray vera izy, nefa mbola nangataka iray vera hafa ihany koa, dia nomeny. Nangataka foana izy, ary tsy nitsahatra tamin’izany raha tsy tafaray ara-nofo tamin’ilay vehivavy, ary avy teo, dia vitany ihany koa no namono an’ilay ankizy lahy. . ka noho izany dia miataha lavitry ny toaka ianareo, satria hamafisina fa, ny finoana sy ny fahamamoan-toaka dia tsy miara-mitambatra mandrakizay amin’ny tratran’olona anankiray, satria tsy maintsy hamoaka azy ny iray amin’izy ireo (izany hoe: mety ny finoana hamoaka ny toaka, na ny toaka hamoaka finoana avy amin’ny tratran’olona anankiray /avy amin’ny fon’olona anankiray). [swahih ibni hibbáni, fiz: 12. Pejy: 168, hadisy faha: 5348].

  • Ny olona mpiboboka toaka sy ny zava-mahadomelona, dia tsy hahavita zavatra eo amin’ny fiarahamonina izy noho izany, fa ho lasa vesatra sy sakana amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonna izay misy azy. Ary izany olona izany dia tsy maintsy hanao ezaka rehetra mba hahazoany izany zavatra mahamamo izany, mba hividianana izany, na hivarotra ny voninahitriny aza izany, na hangalatra, mba hanatanterahany ny rendrarendrany sy ny sitra-pony mba ho mamo.
  • Ny vokadratsin’izany dia fahasimban’ny fahasalamana amin’ny aretina ratsy isankarazany noho izany fibobohana izany, ary izany dia araka ny fanambaran’ireo manampahaizana momba ny fahasalamana ankehitriny, ary isan’izany dia ny fahapotehan’ny voa sy ny sisa.
  • Fandanilaniana fotsiny ny vola amankarena sy ny fotoana amin’iny zavatra izay tsy misy tomobontsoa antenaina avy amin’izany, fa mifanohitra amin’izany mihitsy ny vokatra izay omeny, izay fantatry ny rehetra mibaribary ho an’izay matsilo saina tsirairay avy (ny voka-dratsiny).
  • Sakana lehibe ho an’ny fiarahamonina ka tsy afaka hahazo tombontsoa amin’ny fahafahana sy avy amin’ny sainan’ireo mamolava, ka mazava hoazy fa, hiteraka fanitsakitsahana ho an’ny fiarahamonina izany.
  • Manesotra ny fahasoavana sy fahasambarana izany (fibobohana zava-mahadomelona izany), izay hahatonga ny olombelona mpisotro toaka (sy izay rehetra mitovy amin’izany/zava-madomelona) ho very Hasina, ka tsy ho hajain’onolona intsony izy, ary mety hahatonga azy hidina amin’ny ambaratongan’ny biby, izay ambaratonga farany ambany indrindra, ary izany no tena tsy tian’ny finoana islamo tokoa ho an’ny tsirairay ao anatiny.

Ary ny lalána silamo dia nandidy foto-dalána ho an’ny rehetra, izay mametra ny famaizana amin’izany. Ka hoy Allah swt hoe: “Ratsy mitovy amin’izany ihany koa no valin’ny asa ratsy”. [As-Shourá, and: 40].

Ary mbola niteny Allah swt hoe: “Fa raha manasazy ianareo, dia omeo sazy mitovy amin’ny hadisoana izay nataony taminareo (ny meloka)”. [Annahl, and: 126].

Fantaro fa, ny finoana silamo mahakasika ny fampiharana ireo famaizana ireo dia tsy manery amin’ny tsy maintsy ho fampiharana izany, fa navelany misokatra malalaka tsara ny lálana eo anatrehan’ny famelana sy fifampihavanana, izany dia raha mahakasika ny zon’olona manokana. Amin’ny fampiasana ny tenin’i Allah swt hoe: “Fa izay mamela heloka ka manova toetra, dia any amin’Allah ny valisoany”. [As-shourá, and: 40].

Hamafisina, fa raha mandidy ny fampiharana ireo famaizana ny finoana silamo, dia tsy mikendry fanelanelanana sy fitiavana herisetra aorian’izany, fa mikasa ny hampanjaka ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny fambolena fandriampahalemana ary ny fahasambarana eo anivon’ny fiarahamonina, ary koa ny fampitandremana izay alaim-panahy amin’ny fihoaram-pefy ka hanimba ny filaminany, sy ny fonenany, ary anisany zavatra kendrena amin’izany ihany koa, dia ny fanadiovana ny fiarahamonina avy amin’ny karazana heloka maro samihafa.

Satria raha fantatry ny mpamono olona fa, tsy maintsy ho vonoina izy, ary fantatry ny mpangalatra ihany koa fa, ho tapahina ny tánany, ary fantatry ny mpijangajanga koa fa, ho kapohina izy, ary ny mpanoso-potaka (mpanendrikendrika) ihany koa dia mahafantatra fa, tsy maintsy ho kapohina izy, dia mazava hoazy fa, tonga dia matahotra avy hatrany izy amin’ny fikasan-dratsy izay tiany hatao, ka voaro izy, ary ny hafa ihany koa dia ho voaro. Ary marina tokoa ny tenin’Allah swt raha niteny Izy hoe: “Ary amin’ny valin-keloka dia misy fitandrovana ny aina, ry matsilo saina!”. [Al-baqarah, and: 179].

Misy ny sasany miteny fa, ireo famaizana izay narafitry ny finoana silamo ireo, izay hampiasaina amin’ny heloka sasan-tsasany, raisin’izy ireo ho famaizana mahery vaika loatra, sady tsisy indrafo, araka ny filazan’izy ireo!!

Raha ambara azy fa, ny rehetra dia manaiky fa heloka izany, izay miteraka haratsiana tsy miafina amin’ny fiarahamonina, izay tsy maintsy toherina sy iadivana ary sakanana ny fazahoan’izany vahana, ka tsy maintsy ampiharina ny famaizana izay nodidiana amin’izany.

Misy ihany koa ny tsy fitovizan-kevitra amin’ny karazana famaizana. Aoka samy hanontany ny tenany ny tsirairay, ary hijery tsara amin’ny fanontaniana hoe; Moa ve ireo famaizana sy ireo fanasaziana izay napetraky ny finoana silamo ireo, no mahasoa sy tsaratsara bebe kokoa amin’ny ady amin’ny fanafoanana ny heloka, na amin’ny fampihenana izany, sa ilay famaizana izay napetraka sy narafifitry ny olombelona???

Hamafisina, fa ireo famaizana napetraky ny finoana silamo ireo, dia mety raisin’ny sasany fa tena henjana ho an’izay tsy mandinika lalina, nefa tena marina fa, fahamarinana mahitsy sy zavatra misy ankehitriny, sady ekehin’ny saina tsy miangatra, ho an’izay manana fijery mahita lavitra sy lalina tsara tokoa.

Satria izio dia voaro sy voakarakara noho ny sitrapon’Allah swt amin’ny alalan’ny fitsarana ny heloka. Ary ny saina salama dia mandidy alohan’ny hiantra ny mpanao heloka, mba tsy hanadinoany zon’ireo olona izay iharan’ny fanafihana sy ny tsindrihazolena.

Satria ny rantsana mpanao ratsy (amin’ny vatana), dia tsy maintsy tapahana mba hiarovana ny sisa amin’ny vatana manontolo, ary ny faritra amin’ny vatana dia tsy maintsy hiankina amin’ny faritra sasany mba hiarovana ny faritra sy rantsana rehetra. (izany hoe: raha misy rantsana tapaka, dia tsy maintsy hahatsiaro marary daholo ny rantsana rehetra}.

Fa ho an’izay mitady hanatsara na hanadio ny heviny mahakasika ireo famaizana amin’ny finoana silamo ireo, izay ahitana karazan’olona tena fatra mpankahala fotsiny, nefa misy ihany koa ireo izay manondro fotsiny araka ny fiheverany, ary eo koa ireo mpanohitra tanteraka izany. Ny antony anaovan’izy ireo izany, dia mba hiheveran’olona fa, ny fiarahamonina islamika dia fiarahamonina mijoro amin’ny habibiana sy famonoana olona, sy ny fitiavana mandatsa-drá, ary noho izany no mahatonga ny olona amin’izany dia misy kilema sy mitondra takaitra, satria misy ny sasany izay tapa-tánana, ny sasany voatora-bato, ary ny sasany hafa koa iharan’ny fikapohana. Ka mihevitra ireo olona mpankaratsy ny finoana silamo ireo, fa ireo famaizana voalaza teo ireo dia mihatra isan’andro, tahaka ny fomba fampiasan’izy ireo amin’ny fitondrany sy ny lalána izay apetrany amin’ny vahoaka sivily. Ampy antsika tsara ny hanondro fa, ny tantaran’ny finoana silamo, dia mbola tsy nijoro vavolombelona afa-tsy amin’ny tranga roa na telo mahakasika ny famaizana amin’ny tora-bato, izay notanterahina satria niaiky fa, nanatanteraka izany fijangajangana izany tokoa izy ireo, ary noho ny fangatahan’ireo izay nahavita ny asa fahavetavetana mihitsy, amin’ny fanadiovana ny tenan’izy ireo avy amin’ny fahotana no nampiharana izany sazy izany (izany hoe;tsy nosamborina na noterena izy ireo fa, izy ireo mihitsy no nanolo-tena amin’ny tsy maintsy hampiharana ny famaizana aminy). Ka noho izany, mba lanjalanjao amin’izany ihany ireo famaizana sasany sisa.

 

NY ZAVATRA MANJAVOZAVO FAHEFATRA:

Ny finoana silamo, raha araka ny fampifadiana amin’ny tsy fahazoan’ny vehivavy silamo hanambady lehilahy tsy mpino silamo, dia raisin’ny sasany ho fanitsakitsahana ny zon’olombelona, izany hoe; amin’ny tsy fanomezana azy fahalalana malalaka ho azy, izay zony manokana, sady manome alalana ho azy amin’ny fanambadiana ny olona izay tiany!!

 

VALIN’ITY ZAVATRA MANJAVOZAVO ITY:[2]

Ny Finoana silamo dia tsy niainga avy tamin’ny famatorana ny fahalalahana amin’ny resaka fanambadiana noho ny antony finoana. Fa ny tena fahamarinana amin’izany, dia ny fiaingany amin’ny fanatanterahana amin’ny tsy maintsy hiarovana ny fianakaviana avy amin’ny fahambaniana noho ny fisamihafana ara-pinoana, izany hoe; amin’ny tsy fanajan’ny ramose (tsy fahafahan’ny lehilahy hankato ny zavatra takian’ilay vehivavy aminy araka ny fanompoan-tsampy) ny fitakian’ny finoany aminy, amin’ny fanajana ny famantarana masin’ny vadiny (madamo). Satria ny vehivavy, dia iray amin’ny rantsamangaikan’ny fianakaviana, izay tena betsaka fahalefahana indrindra mahakasika io resaka io, noho ny fahatsapana lalina tanteraka amin’ny faharefoany anatrehan’ny lehilahy.

 

Ka noho izany, dia misy fizarana telo samihafa izao ireo toe-javatra mahakasika ireo fepetra sy lalána momba izany. Nefa na dia izany, dia iray ihany ny fiaingan’izy rehetra ireo, araka izay efa nohazavainay teo aloha. Ary toy izao manaraka izao ireo toe-javatra telo samihafa ireo:

 

TOE-JAVATRA VOALOHANY: Fanambadian’ny mpino silamo lahy ny vehivavy mpanompo sampy na izay tsy mino an’Allah swt, dia efa noraran’ny finoana silamo tanteraka, satria noho ny antony, fa ny finoan’ny mpino silamo dia tsy afaka hanaja ny sasan-tsasany amin’ireo fomba amam-panaon’ilay vehivavy (mpanompo sampy), na mahakasika ireo zavatra inoany, ary izany toe-javatra izany dia hahatonga fifandirana sy fisarahana amin’izy ireo. Nefa ny finoana silamo, dia manasokajy fa, ny fisaraham-panambadiana dia anisany zavatra azo atao, nefa tena halan’ny Tompo Zanahary indrindra, ka noho izany dia tsy hampirisihina hanambady ireo karazana vehivavy ireo ny lehilahy silamo noho ny foto-pinoany. Ka isan’ny zavatra ekehin’ny saina, dia voarara tanteraka io karazana fanambadiana io, izay tsy hahafahan’ny ramose hanaja ireo zavatra hinoan’ny vehivavy sy ireo fomba amam-panaony, izay hita mazava hoazy fa, hifarana amin’ny fifandirana sy tsy fifankazahoana.

TOE-JAVATRA FAHAROA: Fanambadian’ny lehilahy silamo ny vehivavy kristianina na jiosy, izay nekehin’ny finoana silamo tanteraka ny fanaovana izany, satria noho ny antony fa, ny finoana silamo dia miaiky ny hafatra izay nentin’ny Lehibe Mesia –AS-, amin’ny maha Iraka azy avy amin’i Allah swt, izay teraka ho fahagagana manokana. Ary tahak’izany ihany koa, fa ny finoana silamo dia miaiky ny hafatra izay nentin’i Mosesy –AS-, ary manasokajy azy (Mosesy) ho Irak’Allah ho an’ireo Zanak’Israely. Ka noho izany, ianao dia tsy hahita vehivavy kristianina (vady) na jiosy, izay mifikitra tsara amin’ny finoany, ka hahita zavatra izay tsy ho zakany amin’ny ramoseny izay mpino silamo, ka hatonga azy hitsoaka ny tokantranony, na koa hisy zavatra hampifanditra ny fianakaviana noho ny resaka ara-pinoana. Satria ny mpino silamo, dia miaiky fa, ny Iraka izay inoany dia Iraka avy tamin’i Allah swt. Ka noho izany dia tsy misy sakana amin’ny finoana silamo mahakasika izany fanambadiana izany, na dia fa eo aza ny tsy fitovizana ara-pinoana.

 

TOE-JAVATRA FAHATELO: Ny fanambadian’ny lehilahy tsy mpino slamo ny vehivavy silamo, na izany lehilahy kristianina, na jiosy, dia tena voarara sy fady tokoa izany amin’ny finoana silamo. Satria noho ny antony fa, ny lehilahy kristianina na jiosy, dia tsy mino amin’ny faminanian’ny Mohammad –saw-, fa mino mifanohitra amin’izany izy, ohatra; ny fankahalana sy fandávana ny foto-pinoana silamo, amin’ny finoana izany na amin’ny teny, ary izany dia hampandositra ny vehivavy silamo avy amin’ny vadiny. Ka hahatonga ny fianakaviana hifarana amin’ny fifandirana sy fisarahana, ka noho izany no nandraran’ny finoana silamo izany karazana fanambadiana izany, izay ho ratsy fiafarana (dia ny faharavan’ny tokantrano).

 

NY ZAVATRA MANJAVOZAVO FAHADIMY:

Ny fisian’ny fanandevozana amin’ny fitondrana Islamika, dia mifanohitra tanteraka amin’izay hiantsoan’ny finoana silamo mahakasika ny resaka fitovizan-jo feno tanteraka, izay mba hiverenan’olona rehetra amin’ny fototra tokana. Ka noho izany, misy fifanoherana sy tsy fitovizana amin’ny resaka zon’olombelona!?

 

VALIN’IZAO ZAVATRA MANJAVOZAVO IZAO:

Angamba eto ampiandohana, tsara raha hazavaina mazava tsara amin’ny resaka izay ahitana karazana fanafohezana tanteraka, fa raha ny fandraisan’ny finoana silamo izany fanandevozana izany, dia vokatry ny resaka toekarena, sosialy amin’ny fampiasan-kery. Izany dia noho ny antony, fa ny fiarahamonina izay nipoiran’izany finoana silamo izany, dia Fiarahamonina miaina tanteraka amin’ny fitovizana, izay maneho fa toy ny andevo daholo ny rehetra tsy ankanavaka, eo amin’ny fampandehanana ny raharaha toekarenany, sy ny resaka sosialy izay ataony. Izany hoe; tsy raisina ho Fiarahamonin’ny Faritra Arabia fotsiny, izay nipoiran’ny finoana silamo izany, fa ho an’ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany. Izany dia isany zavatra efa nataon’ireny finoana teo aloha ireny. Arak’izay voalaza ao amin’ny Deuteronomia, amin’ny fizarana faha: 20, hoe: “Raha manakaiky ny tanána ianao, handeha hiady an’izany, aoka ianao hiantso azy amin’ny fihavanana aloha, ka raha mamaly ny antsonao izy ireo amin’ny fihavanana, ary nisokatra ho anao ny tanána, dia ny vahoaka rehetra ao dia ambany fahefanao, ary ho andevonao. Nefa raha tsy niaro anao izy ireo, fa niditra amin’ny fiadivana anao, dia alaivo ankeriny ny tanana manontolo. Ary raha nampian’ny Tompo ianao, ka napetrany eo ampelantánanao izy ireo, dia veleso amin’ny sabatra maranitra daholo ny lehilahy rehetra. Fa ireo vehivavy sy ireo ankizy sy ireo biby ary ireo izay rehetra misy ao amin’ny tanána, sy ireo harena babon’ady rehetra dia ho an’ny tenanao izany. Afaka mihinana ny harena baboan’ady avy tamin’ny fahavalonao ianao, izay nomen’ny Tompo ho anao. Tahak’izany no ataonao amin’ny tanána rehetra izay tena lavitra tokoa, satria tsy tanana ho an’ireo vahoaka ireo ny eto. Fa mahakasika ireo tanánan’ireny vahoaka ireny, izay nomen’ny Tomponao anao, dia anjaranao izany. Ka aoka ianao tsy hangatak’andro hipetraka ao na fotoana fohy kely aza, fa ataovy fady anao izany”.

Ny finoana silamo, dia miantehatra tanteraka amin’ny fampiasana fomba manokana izay mijery lavitra indrindra, ary mijoro amin’ny fanarahana ny ambaratonga tsikelikely. Ary ohatra amin’izany dia ny fitsarana mahakasika ny resaka fanandevozana, tahaka ny fomba fiasa izay nisy tamin’ny resaka fampifadianana na fandrarana tanteraka ny fisotroana ny toaka/galeko. Ka isany ohatra amin’izany, dia momba ny fandrarana ny fisotroan-toaka. Izay tsy nampidinina indray mandeha akory, fa nidina araka ny ambaratongany. Ary ny ambaratonga voalohany tamin’izany, dia ny Tenin’Allah swt milaza hoe: “Manontany anao momba ny toaka sy ny filokana izy ireo. Ka lazao hoe: Samy mitahiry fahotana lehibe izy roa ireo, na dia misy ampahana tombontsoa amin’ny olona aza, ary ny fahotána aterak’izy roa ireo no lehibe indrindra noho ny tombontsoa mety ho azo aminy”. [Al-baqarah, and: 219].

Ka rehefa nanomboka namaly ny antso amin’ny fidirana amin’ny finoana silamo ny olombelona, dia nampidinin’i Allah swt izao andininy izao: “Oh ianareo Mpino! Aza manakaiky ny fanompoam-pivavahana soalah ianareo raha mbola ao anatin’ny fahamamoana, mandra-pahafantaranareo izay lazainareo”. [Annisá,43].

Ary rehefa nanomboka matanjaka tsara tokoa ny fitsirian’ny finoana tao am-pon’izy ireo, ary nitodika amin’ny finoana silamo daholo izy ireo, sy ny fianarana ny fampianaran’ny finoana silamo, sy ny fanekena azy tanteraka, ary fandraisana ho laharampahamehana ny didin’Allah swt sy ny Irany alohan’ny zavatra rehetra, dia nampidinin’i Allah swt tamin’izay ny andininy masina izay mandrara tanteraka ny fisotroana ny toaka, izay fanambarana mihizingizina tanteraka manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Ny toaka, ny loka, ireo vatolahy (fanaovana fanompoan-tsampy), ireo zana-tsipika fanondroana (karazana sikidy), dia tsy inona akory fa, faharatsiana avy amin’ny asan’ny satana. Ka alavironareo izany mba ahazoanareo fahombiazana”. Al-ma-idah, and: 90].

Hamafisina, fa ny finoana silamo, dia niezaka tamin’ny ady amin’ny fanandevozana tahaka ny ezaka nataony tamin’ny ady amin’ny resaka fisotroan-toaka. Tsy tonga dia nanafoana ny fanandevozana avy hatrany izy, fa niezaka nampiasa ny fomba izay tena feno fahendrena tokoa, mandra-paha foana tanteraka izany, mba hahatongavan’ny fotoana indray andro amin’ny ambaratongan’ny fanafoanana azy tanteraka mihitsy. Ka nanomboka tamin’ny ambaratonga voalohany:

Izany hoe; tamin’ny alalan’ny fanafahana ireo izay tratran’ny fanandevozana tamin’ny fahatsapana ny faharefoan’izy ireo, ny tsy fahafahany, sy fahabangana izay nitoetra tao anatin’izy ireo (famelomana ny tao anatin’izy ireo). Ka naverin’ny finoana silamo tamin’ireo voagejan’ny fanandevozana ny voninahitr’izy ireo, ny mahaolona azy ireo, ary nataony izy ireo ho mpirahalahy amin’ny lehiben’izy ireo (ireo lehibe izay nanandevo azy teo aloha). Satria raha amin’ny finoana silamo, ny resaka fanandevozana dia zavatra tsy voa-janahary fa, zavatra ataon’olombelona fotsiny. Ka nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Ireo rahalahinareo, dia mpanampinareo, izay nataon’Allah swt eo ambany fahefanareo izy ireo, ka izay manana rahalahy eo ambany fahefany, dia tsy maintsy mampihinana azy amin’izay hohaniny, ary hampitafy azy amin’izay tafiany, fa aoka ianareo tsy hampanao asa mavesatra izay mety tsy ho zakan’izy ireo, fa raha ampanaovinareo asa mavesatra izy ireo, dia aoka ianreo mba hanampy azy ireo”. [Al-boukhari].

Ny finoana silamo, dia mandidy amin’ny fanaovan-tsoa amin’ny andevo, sy ny fanehoana fahalefahana amin’izy ireo, amin’ny alalan’ny teny izany na fihetsika. Araka izay nambaran’i Allah swt hoe: “Aoka ianareo hanompo an’Allah, ary aza mampitambatra Azy amina zavatra hafa. Ary manasoava ihany koa ny Ray sy Reninareo ianareo, sy ireo havanareo akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ireo mpifanolo-bodorindrina havanareo, ireo mpiara-monina lavitra anareo, ireo sakaiza tsy mahasaraka anareo, ireo mpandeha lavitra (lany vatsy), ary ireo mpanampinareo (mpiasa). Hamafisina, fa tsy tia ny mpisehoseho sy mpirehareha i Allah”. [Annisá, and: 36].

Ny finoana silamo, dia miaro ny fanajana ny fihetseham-po ao anatin’izy ireo. Ary tena nandrara tanteraka izay mety hanindrona azy ireo ny finoana silamo. Ohatra amin’izany ny tsy tokony hampahatsiarovana ny fiainan’izy ireo (teo aloha). Ka nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Aoka tsisy aminareo hiteny hoe: ry andevoko (lahy)! Na koa andevoko (vavy)! Fa ny tokony hatao, dia ny hiantsoana azy ireo hoe: ry ankiziko! (lahy/vavy)”. [Alboukhari, fiz: 2. Pejy: 901. Hadisy faha: 2414].

iaraha mahalala fa, raha ny andevo araka ny finoana silamo, dia andevo ara-batana fotsiny, fa tsisy fanandevozana ara-tsaina sy ara-kevitra izany. Ny andevo dia manana fahalalahana feno amin’ny fijanonany amin’ny finoany, sy izay fomba amam-panaony teo aloha, raha izay no tiany. Hamafisina, fa ny finoana silamo araka ny mahazatra azy, dia manome fanoharana lehibe indrindra hatrany mahakasika ny fitovizana amin’ny samy mahaolombelona, ka nataony amin’ny fananana fahatahorana an’Allah ihany ny fahamboniana amin’ny samy olombelona. Ary rehefa nampirahalahy azy ireo (andevo) tamin’ireo olona malalaka ny Mpaminany –saw-, dia nandroso lavi-davitra noho izany izy, ka nampanambadiany an’i Mpanampiny (lahy) Zayd, ny Zanakavavin’ny anambavin-drainy, Zanak’i Zaynab bint Jahsh, nefa fantantsika tsara ny voninahitra amankaja sy toerana ambony izay nisy an’ny Mpaminany –saw-. Tahak’izany ihany koa, fa mbola nanendry an’ilay mpanampiny, Zayd –RA- Izy –saw- ho Lehiben’ny tafika miaramila, izay anefa nahitana ireo olon-dehibe tamin’ireo Mpanara-dia an’ny Mpaminany –saw- tao anatin’izany miaramila nobaikon’izany tanora izany.

Hamafisina, fa mijoro amin’ny fomba na lálana anankiroa ny finoana silamo amin’ny fanafoanana izany fanandevozana izany. Izany hoe; mba hanafoanana izany amin’ny fomba feno filaminana tanteraka sy fahatonina, izay lavitry ny kobak’ambava tanteraka, ary tsy hiteraka olana na kely aza, na hiteraka fankahalana, sy fifampifahavaloana, na korontana, izay tsy azo ekehina amin’ny tontolon’ny toekarena sy sosialy:

 

NY FOMBA VOALOHANY:

Fanatotofana ny loharanon’ny fanandevozana rehetra, satria betsaka dia betsaka tokoa ny fomba rehetra izay nisy teo aloha nampiasaina tamin’ny fanandevozana:

  • Ady maro isankarazany, ka ireo miaramila izay nisedra faharesena, dia tsy afaka miala amin’ny zavatra anankiroa; raha tsy famonona azy ireo dia fakana azy ireo ho gadra [fanagadrana azy ireo].
  • Tsy fahafahan’olona anankiray revon-trosa hanototra ny trosany intsony ka handoa izany amin’ny tompony, ka noho izany dia hiharan’ny fanandevozana izany olona izany.
  • Fahefan’ny raiampianakaviana rehetra amin’ny zanak’izy ireo, izay hanome alalana ny raimpianakaviana hivarotra ny zanany, na lahy izany na koa vavy.
  • Ny tsy firaharahana manokana momba ny fahalalahan’olona anankiray, satria tena vitan’ny sasany tsara amin’ny maha zava-dehibe azy, ny hivarotra ny tenany mba hahazoana vola kely.
  • Ny fanagadrana, fakana ankeriny, ary ny jiolahin-tsambo, dia raisin’izy ireo tahaka ny gadra, ary teren’izy ireo ho lasa andevo.
  • Ny fanaovana heloka sasantsasany, tahaka ny famonoana olona, ny halatra, ny fijangajangana, dia tsy maintsy faizina ny mpanao heloka amin’izany, amin’ny fandraisana azy ho andevo ho an’izay olona nanaovany ny tsy rariny, na koa ho an’ny fianakaviany akaiky azy.

Ireny voalaza ireny no loharano fototra nipoiran’ny asa fanandevozana, noho ny antony izany no nahatonga ny finoana silamo sy ireo olona marobe niady amin’ny fanafoanana izany, ka nandidy ny mahafady tanteraka izany mihitsy, afa-tsy ireo gadra an’ady ihany. Izany hoe; ireo voasambotra tamin’ny ady ara-dalána, izay nanaovan’ny Lehibe filazana sy fibaikoana amin’ny fanatanterahana izany ady izany.

Tsara ho fantatra, fa ny gadra rehetra dia tsy voatery ho lasa andevo, mandrapaha hilazan’ny Lehibe amin’ny maha andevo azy ireo. Satria tsy izay gadra an’ady rehetra amin’ny finoana silamo dia raisina ho andevo avokoa. Satria misy amin’izy ireo, dia afaka mahazo famotsorana maimaim-poana fotsiny. Ary misy koa ireo izay atakalo gadra mpino silamo mba hamotsorana ny gadran’izy ireo, na koa votsorana amin’ny fandoavam-bola. (izany dia tsy maintsy aorian’ny fahavitan’ny ady). Araka ny tenin’i Allah swt manao hoe: “Avy eo, na afahana izao, na angatahana takalony, hatramin’ny fitsaharan’ny vesatry ny ady”. [Mohammad, and: 4].

 

Anisany fahendrena izay fonosin’ity toe-javatra ity, dia ny tsy fahazoana hamotsotra ny gadran’ny fahavalo, raha toa ka mbola tsy avotsotr’izy ireo ny gadran’ny mpino silamo izay mbola tazomin’izy ireo any am-ponjany, satria ny fomba fitondrana dia tsy maintsy atao mitovy hatrany (izany hoe: tsy ny gadra an’adin’ny fahavalo no votsorana, nefa izy tsy avy hamotsotra ny gadran’ny ankilany akory).

 

NY FOMBA FAHAROA IZAY ARAHIN’NY FINOANA SILAMO MAHAKASIKA NY RAHARAHAN’NY ANDEVO: fanomezana fahalalahana ho an’izay mpanatanteraka ny asa famotsorana andevo, satria talohan’izany dia voafatotra tanteraka tamin’ny safidy anankiray ihany, izany hoe; ny fanirian’ny lehibe mpanandevo amin’ny famotsorana izay olona andevoziny ihany (izany hoe: ny patron mpanandevo dia tsy manome safidy malalaka afa-tsy ny famotsorana ilay andevo ihany raha toa ka mahavita an’izany izay te-hamotsotra ny andevo. Hoe; tsy maintsy manome vidin’izany famotsorana izany ho an’ny mpanandevo), raha tsy izany dia hijanona andevo mandrakizay ilay olona nandevoziny sy ny taranaka faramandimbiny ihany koa dia mbola ho andevo ihany, afa-tsy raha sitraky ny Tompo Zanahary Allah.

Nefa ny Finoana silamo, dia tonga ka nandidy amin’ny famotsorana andevo izay tsy maintsy atao amin’ny fomba anankiroa, dia ny; Famotsorana mivantana, sy ny Fanarahana an-tsoratra.

  • Ny famotsorana mivantana: nametraka fomba malalaka marobe ny finoana silamo, raha toa ka iray fotsiny izany teo aloha, dia ny fanirian’ny lehibeny amin’ny famotsorana azy (hoe; fividianana azy, ho an’izay te-hamotsotra azy). Ka anisan’ireo fomba famotsorana andevo ireo dia izao manaraka izao;
  • Famafana ny sasan-tsasany amin’ireo fahotana izay vitan’ilay olona, ka nodidian’ny finoana silamo mahakasika ny resaka famonoana olona amin’ny hadisoana, dia ny fanomezana onitra ho an’ny fianakavian’ny maty, sy ny famotsorana andevo mpino anankiray. Arak’izay nambaran’Allah swt hoe: “Ary tsy tokony hisy mpino hamono mpino namany, raha tsy noho ny fitandremana (hadisoana tsy antsitra-po). Ary izay nahafaty mpino iray noho ny tsy fitandremana, dia aoka izy hamotsotra mpanompo mpino iray no sady hanome onitra ny fianakavian’ny maty, raha tsy hoe namela izany amim-pahatsorana izy ireo”. [Annisá, and: 92].
  • Ny famotsorana andevo ihany koa no napetraky ny finoana silamo ho onitra amin’ny resaka fampitovizan’ny lehilahy ny vadiny amin’ny Reniny niteraka azy (karazana fisaraham-panambadiana izay nisy tamin’ny Arabo tamin’ny fotoanan’ny fahabadoana talohan’ny finoana silamo. Izany hoe; ahaton’izy ireo ny vehivavy tamin’izany andro izany, sady tsy omen’ny ramose fisaraham-panambadiana /divorce, mba hahafahany hanambady lehilahy hafa, nefa ny ramose dia tsy hanambady azy intsony, ka lasa mitsingevaheva izany ilay vehivavy. Ka tonga ny Finoana silamo nampifady sady nandrara henjana tanteraka izany karazana fisaraham-panambadiana izany. Satria hita amin’izany ny tsindrihazolena feno fahavetavetana ho an’ny vehivavy), arak’izay ambaran’i Allah swt manao hoe: “Izay mampitaha ny vadin’izy ireo amin’ny lamosin-dReniny, ka miverina amin’ny teniny avy eo, dia tsy maintsy mamotsotra mpanompo iray, alohan’ny hikasihany ny vadiny. Izany no fananarana ho anareo. Fa Mahafantatra tanteraka izay ataonareo i Allah”. [Al-moujádalah, and: 3].
  • Mitovy amin’izany ihany koa, fa ny famotsorana ihany koa no fanafoanana voady tsy ara-dalána. Ka hoy Allah swt hoe: “Tsy manasazy anareo Allah amin’ny teny tsy vokatry ny fo natonareo raha nivoady ianareo, fa hanasazy anareo kosa Izy amin’izay voady vokatry ny fo nokasainareo hatao. Ny onitra amin’izany, dia fampihinana sakafo olona mahantra folo, mitovy sakafo antonona omenareo ny fianakavianareo, na fampitafiana azy ireo na famotsorana andevo anankiray. Izay tsy afaka manao izany, dia tsy maintsy mifehy mandritra ny telo andro. Izany no onitra amin’ny fampanantenanareo raha nivoady ianareo ka tsy nanatanteraka izany. Ary hajao ny voady nataonareo. Toy izany no hanazavan’Allah aminareo ny teny famantarana avy Aminy, mba hahatonga anareo hankasitraka”. [Al-ma-idah, and: 89].
  • Nodidiany mitovy amin’izany koa, fa ny famotsorana no onitra amin’izay niaraka ara-nofo tamin’ny vadiny tamin’ny antoandron’ny volana masina Ramadany. Araka ny tanataran’ilay lehilahy mpanaradia an’ny Mpaminany –saw- raha tonga hanontany an’ny Irak’Allah –saw- izy hoe: Oh ry Irak’Allah! Niharan-doza aho! Ka nanontany azy ny Mpaminany –saw- hoe: “Fa nisy inona?” namaly izy hoe: tafaraka ara-nofo tamin’ny vadiko aho, nefa izaho dia mbola tanatin’ny fifehezana. Ary nanontany azy ny Irak’Allah –saw- hoe: “Mety mahita ny hamotsoranao andevo iray ve ianao?” namaly izy fa: tsia. Mbola nanontany azy ny Mpaminany –saw- hoe: “Afaka mifehy mandritra ny roa volana (enimpolo andro) ianao?” namaly ilay lehilahy hoe: tsia. Mbola nanontany koa izy –saw- hoe: “Afaka mampihinana olona mahantra Enimpolo ve ianao?” namaly izy fa: tsia. Nambarany fa; Raha mbola nipetrapetraka iny ny Mpaminany –saw-, ary izahay dia mbola samy teo anatrehany ihany koa, dia nanaterana harona nisy antrendry ny Mpaminany –saw-. Ka hoy ny Mpaminany –saw hoe: “Aiza ilay lehilahy mpanontany?”. Namaly izy hoe: ity izaho. Hoy ny Mpaminany –saw- taminy hoe: “Raiso io antrendry io, ary manaova fanomezana amin’ny alalan’izy io”. Ka hoy ilay lehilahy hoe: Oh ry Irak’Allah! Mianiana amin’Allah aho, fa mbola ny fianakaviako no mahantrahantra lavitra noho ireo fianakaviana monina ao anelanelan’ireo vondrom-batobe roa ireo (vatobe anankiroa izay mampisaraka ny tanánan’ny Makkah, izay misy olona tena mahantra tokoa fahiny). Nihomehy ny Mpaminany –saw- izay nampivoaka ireo vazany (nahitana ny ativavany noho ny fiehezana). Ka hoy Izy –saw- hoe: “Ampihinano an’ny fianakavianao izany”. [Swahih alboukhari, fiz: 2. Pejy; 684, hadisy faha: 1834].

Tsara fantarina, fa izay tratran’iray amin’ireo sazy ireo, ka tsy manana andevo ho votsorana, nefa afaka hividy andevo anankiray, dia tsy maintsy mividy andevo iray izy, avy eo mamotsotra azy (ho olona malalaka).

  • Ny famotsorana andevo, dia nataon’ny finoana silamo ho isany sorona masina tsara indrindra izay hampanakaiky ny mpanompo anankiray any amin’ny Tompo Zanahariny. Hoy Allah swt hoe: “Tsy niroso tamin’ny lálana sarotra anefa izy (11), Moa fantatrao ve izany lálana sarotra izany? (12), Izany dia fanafahana andevo (13), Na fanomezana sakafo, amin’ny andron’ny mosary”. [Al-balad, and: 11-14].

Nefa hamafisina, fa ireo tenin’ny Mpaminany –saw- dia manindry ireo asany, izay miaro amin’ny fanomezana ny fahafahana ho an’ireo andevo, ka nanambara –saw- hoe: “Izay olona mamotsotra andevo, dia ho afahan’i Allah avy amin’ny afobe, ny rantsam-batany rehetra, araka ny rantsam-batany rehetra (afaka), na dia aza ny henatra amin’ny henatrany (izany hoe; Allah hanafaka ny henatr’olona anankiray noho ny fanafahany ny henatry ny hafa. Torak’izany ihany koa fa, izay namotsotra olona anankiray manontolo, dia hahazo fahafahana avy amin’ny afobe ihany koa izy)”. [Mouttafaquoun alayhi, Swahih Mouslim, fiz: 2, pejy: 1147. Hadisy faha: 1509].

  • (Ny fitantanana/fahefana), izany hoe; ny tsy maintsy hilazan’ny lehiben’ny andevo amin’ny fomba ankarihary, na amin’ny alalan’ny teny mahasoa, fa ny andevony dia ho lasa olona malalaka raha indaosin’ny fahafatesana izy (lehibe). Ka antoka mazava tokoa ny fahafahan’ilay andevo aorian’ny fahafatesan’ny lehibeny, ka mba hahafahan’ny finoana silamo hiaro ny zon’ny andevo, dia tsy azo atao ny fivarotana na fanomezana azy amin’ny hafa amin’ny toe-javatra toy izao.
  • Nodidian’ny finoana silamo, fa ny tahirim-bola azo avy amin’ny ampahan-karena izay navoakan’ny mpanankarena, no ampiasaina amin’ny fanafahana ireo andevo. Araka ny tenin’Allah swt hoe: “Ny harena fiantrana dia voatokana homena ireo mahantra, ireo fadiranovana, ary ireo izay miasa amin’izany, ireo mbola tambazana ny fony, ny famotsorana andevo, ireo izay vesarin’ny trosa sy ireo miasa amin’ny lálan’Allah, ary ho an’ny mpandeha lany vatsy. Didy avy amin’Allah izany! Satria Mahalala ny zavatra rehetra sy be Fahendrena i Allah”. [At-taoubah, and: 60].
  • Nodidian’ny finoana silamo, fa Ny fikapohana sy fanomezana totohondry (ambia/fidarohana) ny andevo dia ho antony famotsorana azy. Araka ny nambaran’ny Mpaminany –saw- hoe: “Izay mandaroka ny andevony, na mikapoka azy, dia ny famotsorana azy no onitra ho azy amin’izany”. [Mouslim].

 

MAHAKASIKA NY FIFANARAHANA AN-TSORATRA: izany hoe; ny fangatahan’ilay andevo ny hiviadianan’ny lehibeny ny fahafahany amin’ny fanomezana vola amankarema izay ifanarahan’izy roa, ka rehefa mangataka ilay andevo amin’izany fifanarahana izany, dia tsy maintsy manaiky an’izany ny lehibeny. Ka amin’izao toe-javatra izao, dia manana zo ny andevo aorian’ilay fifanarahana amin’ny fivarotana, fividianana, fananana, hiasa mba hahazoany izany vola izany, izay nifanarahan’izy ireo. Ka ny asa rehetra izay ataony amin’ny lehibeny manomboka amin’izany, dia tsy maintsy andraisany karama. Kanefa ny finoana silamo, dia mbola nandeha lavitra noho izany, izay nampirisika amin’ny fanolorana fanomezana ho azy ireo sy ny fanampiana azy ireo. Izany hoe; na avy amin’ny Lehibeny izany ka hanome ampaham-bola na manome azy karazana fanamorana mba hahavitany handoa ilay trosa izay efa nifanarahan’izy roa ireo. Na koa avy amin’ireo mpino silamo, izay te-hanakaiky an’Allah swt amin’ny fanampiana ireo rahalahiny, mba hahafahan’izy ireo hahazo ny fahafahany mba ho olona malalaka tahaka ny rehetra, ary hiala amin’ny maha andevo azy ireo. Ary manamafy an’izany ny tenin’i Allah swt manao hoe: “Fa amin’ireo andevonareo izay mitady fifanekem-pamotsorana, dia tanteraho aminy izany fifanekena izany, raha tsapanareo fa, misy fahatsarana ao aminy; ka omeo ampahany amin’ny harena avy amin’Allah izay Nomeny anareo izy ireo”. [Annoor, and: 33].

Ary amin’ny teny fohy indrindra, dia afaka miteny isika, fa ny finoana silamo, dia tsy nandidy amin’ny resaka fanandevozana, nefa nitondra ireo lalána izay nandray anjara tanteraka amin’ny fanakatonana ny fidirana amin’ny resaka fanandevozana.

Hamafisina, fa ny minisiteran’ny fitsarana tany Arabia Saodita (KSA), dia efa nikarakara seminera miisa telo nandritra ny volana Swafar, tamin’ny taona 1392A.H, ka niatrika an’izany avy tao Arabia Saodita, dia ny Minisitry ny Fitsarana Saodianina tamin’izany fotoana izany, sy ireo Manampahaizana ambony maro, sy Mpampianatry ny Oniverisite manerana ny Arabia Saodita. Fa raha avy tamin-dry zareo Eropeanina kosa, dia nisy manampahaizana ambony miisa efatra no niatrika an’izany, dia:

  • Minisitry ny Raharaham-bahiny Irlande teo aloha sady Sekreteran’ny Agence Legislative Europeenne.
  • Manampahaizana momba ny resaka tantsinana (oriantalista) iray, sady isan’ireo Mpampianatra momba ny fianarana Silamo.
  • Iray amin’ireo Mpampianatra lalána ankapobeny, sady tale mpitantana ny Magazine Iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, izay nipoitra avy tao Frantsa.
  • Ireo Mpisolovava ambony amin’ny Fitsarana momba ny herisetra ao Parisy, frantsa.

Hamafisina, fa ireo Manampahaizana momba ny finoana Silamo tao Arabia Saodita (KSA), dia nanazava tsara tamin’io fotoana io mahakasika ny tena dikan’izany finoana izany raha ny fahazoan’ny Mpino Silamo azy, sy ny fahazoan’ireo tsy mpino silamo ny dikan’izany Silamo izany, ary navahan’izy ireo mazava tsara tokoa ny mampiavaka ireo lalána sy ny fepetra mafonja amin’ny endriny ankapobeny araka ny lalána Islamika sy ireo lalána ho an’ny ampahan-javatra, ary ireo antsipirihan-dalána. Ary nasehon’izy ireo tamin’izany fotoana izany fa, ny Lalána Silamo dia miaro marina ireo tombontsoan’olombelona rehetra, raha arak’ireo antoka mafonja sy ny fepetra hentitra mifehy izany. Ary nohazavain’izy ireo tamin’izany ihany koa, fa ireo famaizana hentitra, dia ho an’ny mpanao heloka bevava sy mahatsiravina, sady kely fotsiny izany, izay politika sy fahendrena manoka no ampiasaina amin’ny resaka heloka bevava izany, izay mba hiarovana ny fandriampahaleman’ny vahoaka, sady mampihena ny fiparitahan’ny asa ratsy sy ny fanaovana tsinontsinona ny fiainam-bahoaka, sy ny voninahitr’izy ireo ary ny fananany.

Ary tena naneho tanteraka ny fahagagany tokoa ireo manampahaizana Eropeanina ireo, tamin’ny zavatra izay henony mahakasika ny lalána Islamika sy ny zon’olombelona.

Ka nanambara ny Lehiben’ny solontenan’ny delegasiona Eropeanina, mak Braid, hoe: Manomboka izao, sady avy eto amin’ity Firenena Islamika ity, dia tsy maintsy aparitaka ny resaka momba ny zon’olombelona, fa tsy avy amin’ny firenena hafa ankoatr’azy akory. Ary andraikitra amin’ireo Manampahaizana Mpino Silamo, no tsy maintsy, mampilaza sy manaparitaka ireo zon’olombelona, izay tsy fantar’olona ny momba azy, mba hahafantaran’izao tontolo izao azy.

Satria, noho ny fahabadoana mihitsy no mahatonga ny hafa hankaratsy ny voninahitry ny finoana silamo sy ny Mpino Silamo, ary ny lalána Islamika. [3]

NY FAMARANANA

 

Eto am-pamarana ny fanoratana ity boky kely ity, dia afaka miteny aho, fa mandrakizay dia tsy hanalavitry ny fahamarinana, raha miteny aho hoe: Raha izay rehetra voasoratra amin’ity Boky ity, dia tsy inona akory, fa mba ho famantarana sy toro-lálana mahakasika ny zon’olombelona amin’ny Finoana silamo. Ka aoka mba ho fanalahidy sy tosika ho an’izay mamaky azy, ka mitady te-hahafantatra bebe kokoa momba ny halehibeazan’izany finoana silamo izany, izay lasa ratsy endrika noho ny ataon’ireo sasany, izay milaza, fa manaraka an’izany finoana izany, alohany hanovan’ireo fahavalony ny endriny (Islamo).

Hamafisina, fa antso mivantana ho an’izay mamaky ity Boky ity, ary indrindra moa avy amin’ireo tsy mpino silamo. Ka aoka mba handray ny finoana silamo izy, ho isan’ireo famakiana tsara indrindra ho azy.

Ary aoka ny famakianao momba ny finoana silamo, mba hamaky ireo Boky izay azo antoka tokoa. Ary avy eo, aoka ianao hampitaha ny zavatra izay nivakinao, sy ny zavatra izay henonao, ary ny zavatra izay hinoanao, nefa mba tokony ho lavitry ny fanatisma (fampanaovana sarotra), izay manafina ny fahamarinana, sady mampitongilana ny mizanan’ny fahamarinana.

Ary aoka ho fantatrao, fa izahay dia tsy manana faniriana ambadika hafa manokana amin’ny fiantsoanay olona amin’ny finoana silamo, na resaka tombontsoa manokana eto an-tany, fa ny tena tanjona sy ny fanirianay, dia noho ny fitivanay ny hatsarana sy fahasoavana ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka.

Hamafisina etoana, fa ny Finoana silamo dia efa voahenjika hatrany hatry ny fotoana izay niantombohany teo aloha, ary mbola henjihina ihany koa ka hatramin’izao fotoana misy antsika izao araka izay ataon’ireo manohitra izany sy ireo izay mahatsiaro toherin’izany (fahamarinana ) izany, ary noho ny fanoherana izany mihitsy no mapitambatra sy mampiraihina azy ireo (izany hoe;mitambatra sy mirai-hina izy ireo mba hanohitra ny finoana Silamo), araka izay rehetra azony atao amin’ny fampivondronan-kery, na izany herin-tsandry na ara-pitaovana isankarazany.

Nefa na dia izany, dia tsy tanteraka ny ezaka izay ataon’izy ireo, afa-tsy zavatra kely, izay tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ireo matsilo saina sy salama fo.

Nefa mbola misy ihany ireo tsy mpino silamo, izay mahiratra ka mbola afaka manavaka ny marina amin’ny diso. Ary maro dia maro tokoa ireo olona mpanaraka ireo finoana maro isankarazany ireo, no miditra amin’ny Finoan’Allah (Silamo). Moa izany rehetra izany ve tsy ampy hatao porofo famantarana amin’ny halehibeazan’ny finoana silamo, ary manambara koa fa, tena finoana marina tokoa izany, ary finoana avy tany amin’Allah izany, izay arovany mandrakariva amin’ny fiarovany. Araka ny nambaran’Allah swt manao hoe: “Izahay no nampidina ny Kor’any, ary Izahay no Mpiaro azy io”. [Al-Hijr, and: 9].

Enga anie ny resaka-tsika momba an’ity Boky kely ity mba hofaranana amin’ny tenin’ny Iraka masina Mohammad –saw-, raha nanazava ny fitiavan-tsoa ho an’olombelona Izy –saw-, hoe: “Ny olona tena tian’Allah indrindra, dia izay tena mahasoa azy ireo indrindra, ary ny asa izay tena tian’Allah mafy tokoa, dia ny hafaliana izay ampidirinao am-pon’ny Mpino Silamo, na ny fanesoranao vesatra izay sedrainy, na ny fandoavanao ny trosany, na ny fandroahanao ny hanoanany, ary hamafisiko fa, aleoko lavitra mandeha miaraka amin’ny rahahiko mipno Silamo hanatanteraka ny zavatra izay tadiaviny, toy izay hipetraka amin’ny Masjidy (toeram-pivavahan’ny Mpino silamo) mandritra ny iray volana, ary izay mitazona ny hatezerany, dia ho saroman’i Allah ny henatrany, ary izay manelina ny hatezerany, izay vitany tsara ny hamaly izany amin’izay (nanatezitra azy), dia ho fenoin’i Allah hafaliana ny fony amin’ny Andro farany, ary izay mandeha miaraka amin’ny rahalahiny mpino silamo noho ny fanatanterahana mandra-paha vita izany, dia hafikitr’i Allah ny tongony amin’ny Andro izay hampisolafaka ireo tongotra, ary hamafisina, fa ny toetra tsy mendrika, dia manimba ny asa, tahaka ny vinaingitra maninmba ny tantely”.[4]

 

WWW.ISLAMLAND.COM

[email protected]

 

 

[1] Ny zon’olombelona amin’ny finoana silamo, dr. Mohammad Azzahily, pejy: 400.

[2] Nalaina avy tamin’ireo seminera ara-pahalalana momba ny Lalána Islamika, sy ny zon’olombelona amin’ny Islamo, tao Beiroute, dároul-Kitáb Liban,1973.

[3] Nalaina avy tamin’ny Boky: ny SIlamo sy ny Zon’olombelona, nosoratan’i Dr. Abdoullah bin Abdil-Mouhsin At-tourki].

[4] At-twabráni & Abou Ad-douniyah, ary nohamarinin’i Sheikh Al-AlBány- Rahimahou Alláh.