Mohammad Ilay Irak’ Allah ﷺ

Mohammad Ilay Irak’ Allah ﷺ

Mohammad Ilay Irak’ Allah

محمد رسول الله ﷺ باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

 

 

 

Abd Ar-Rahmân bin Abd Al-Kareem Ash-Sheha

د/ عبد الرحمن بن عبد الكريم الشيحة

 

 

Fandikan-Teny Nataony

European Islamic Research Center (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

 

 

www.islamland.com

 

 

Mohammad Ilay Irak’Allah –-

Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be indra-fo, Ilay be fiantrana

Dera sy voninahitra hoan’i Allah, Tompon’izao tontolo izao, ary tso-drano sy fandriampahalemana hoan’i Mpaminany Mohammad (), sy ireo fianakaviany ary ireo mpanara-dia azy

Teny fanolorana:

Raha miresaka momba an’i Mohammad Irak’Allah ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka izahay, dia midika izany fa, miresaka momba an’ilay Olona tena Lehibe indrindra fantatry ny tantara, na izany teo aloha na koa ankehitriny. Izany fepetra izany dia tsy mivoaka fahatany ka hamenoana ny banga, fa izay olona mamaky ny tantaram-piainany, sy mahafantatra ny fahamendrehany, sy ireo toetra tsara izay nananany, sy ny fahalalahana amin’ny resaka fanarahana ny finoana, ary ny toro-lalana manokana avy aminy, dia mijoro vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny fepetra izay nambaranay izay izy.

Satria hamafisina, fa maro ireo tsy mpino izay miaiky ny maha lehibe voalohany indrindra Azy-saw- amin’olombelona rehetra manerantany. Nambaran’ny Tompokolahy izay Manampahaizana anankiray antsoina hoe: Hasan Aly (RA), rehefa izy nanoratra tamin’ny bokin-gazety atao hoe: “Norol-Islam[1]

hoe: Nisy namany anankiray avy amin’ireo Brahimika niteny taminy hoe: Mahita aho, fa ny Irakan’ny Finoana Silamo, no olona Lehibe indrindra maneran-tany, no sady tongalafatra indrindra amin’izy ireo. Ka nanontany azy i Hasasn Aly hoe: inona no mahatonga anao miteny fa, Mohammad no tongalafatra indrindra amin’olona rehetra maneran-tany? Namaly izy hoe: Izaho dia tena mahita amin’ny Irakan’ny Finoana Silamo, hatsarana betsaka, sy toetra mendrika tongalafatra, ary karazana fahamendrehana maro, izay mbola tsy hitako nitambatra tamin’ny tantaran’izao tontolo amin’olona anankiray, sy fotoana anankiray, hoe: Izy dia Mpanjaka, manaiky azy daholo ny rehetra, ary izy no mitantana ny raharaha rehetra amin’izany firenena izany araka ny ilany azy, nefa na dia izany dia manetri-tena hatrany Izy. Maneho Izy fa, tsy manana na inona na inona eo am-pelantanany, fa ny raharaha jiaby dia ampelantanan’ny Tompony Zanahary.

Hitanao fa, betsaka sady lehibe tokoa ny harena izay ananany. Efa eo anatrehany ny rameva lafo vidy izay miaraka amin’ny trezaoro lehibe eo ambany fahefany daholo. Nefa na dia izany aza, izy dia mbola mijanona ho sahirana, tsy manana na inona na inona. Ary mandritra ny andro maro, dia tsy ahitana afo mivahitra na mirehitra mihitsy ao antranony mba handrahoana sakafo. Ka matetika dia mijanona ho mosary ihany izy.

Hitanay koa izy fa, tena Mpitondra Lehibe indrindra, izay mitantana miaramila vitsy anisa, sady marefo ny tanjakany sy ny fiomanany ara-pitaovana, nefa afaka miady amin’ny alálan’izany ireo miaramila matanjaka sady tsara fiomanana anarivony maro, izay manana fitaovam-piadiana harifomba tanteraka. Nefa dia mbola resiny tsara izy ireo amin’ny fandresena izay mitondra fahafahambaraka ho an’ny fahavalo eo ankilany.

Hitanay koa Izy fa, tena mankatia fandriampahalemana, mampirisika amin’ny fampihavanana, ary manao Sonia an-taratasy ny fepetra amin’ny fampitsaharana ny ady, am-po tony tanteraka, ampilaminana tanteraka na dia fa, mahavita miatrika ny fahavalo aza izy, ary anarivony maro ireo mpanaradia Azy miaraka aminy amin’izany, ary samy mafana fo daholo ny tsirairay avy amin’izy ireo, sady tsisy tahotra na kely aza izy ireo, ary vonona hiatrika ny fahavalo.

Hitantsika tsara fa, Izy dia Lehibe sahy, Izy irery ihany no miatrika ireo fahavalo anarivony maro, izay tsy matahotra ny hamaroan’izy ireo. Nefa na dia izany, dia tena malefaka tokoa ny fony, be famindram-po sy fangorahana, ary tsy liana amin’ny fandatsahan-drá na dia kely aza.

Ary hitanao koa izy fa, misahiran-tsaina mahakasika ny Firenena Arabia manontolo, nefa na dia izany aza, dia tsy ataony ambanin-javatra ny raharahan-tokantranony sy momba ny vady aman-janany, sy ireo mahantra ary koa ireo sahirana amin’ny mpino Silamo.

Sahiran-tsaina izy mahakasika ny fanatsarana ny fiainan’ireo olona izay nanadino ny Mpahary azy ireo, sady nanakana ny lálany tamin’ny fotoan’androny. Raha atao bango tokana, Izy dia olona anankiray izay sahiran-tsaina amin’ny raharahan’izao tontolo izao, nefa na dia izany aza Izy dia mifandray tanteraka mandrakariva amin’ny Tompo Andriananahary, ary misaraka tanteraka avy amin’ny fiainana eto an-tány.

Izy dia mivelona anatin’izao tontolo izao, nefa tahaka ny tsy mivelona ao. Satria ny fony, dia tsy mifandray afa-tsy amin’ny Tompo Zanahary sy ny zavatra izay mahafaly Azy. Izy dia tsy mba mamaly faty ho an’ny tombon-tsoan’ny tenany manokana izany. Izy dia mangataka tsara hoan’ny fahavalony, satria mankatia hatsarana hoazy ireo izy, nefa dia tsy mandefitra amin’ireo fahavalon’ny Allah, ary tsy mamela mora azy ireo. Tsy valaka no sady tsy trotraka izy amin’ny fampitandremana ireo izay efa nanakana azy amin’ny lálan’Allah, sady mampitahotra azy ireo amin’ny sazy anaty Afobe. Ary hitanao koa fa, izy dia mihataka tanteraka amin’ny fiainana eto antany, ary mpanompo izay mitsangana mandritra ny alina mahatsiaro an’Allah sy mangataka famonjena avy aminy izy-saw. Araka izay hitanao momba ny tantraram-piainany fa, izy dia Miaramila mafana-fo, izay miady mampiasa sabatra. Hitanao koa izy fa, Iraka kinga-saina, ary Mpaminany izay tsy manam-pahotana, ary indrindra moa amin’ny fotoana izay ahitanao azy maharesy ka midira amin’ny tanána vaovao, izay mitondra ny fandresen’ny vahoaka.

Izy dia matoritory ambonin’ny tsihy vita avy amin’ny ravin’antrendry. Ary miankina amin’ny ondana izay mitsentsina ravin-kazo. Ka noho ny fimasoany tanteraka mahakasika ny fiainanay, dia nantsoinay ho Lehiben’ny Arabo Izy, ary nosokajinay ho Mpanjaka manerana ny Faritra Arabia manontolo. Nefa ny fianakaviany dia mbola miaina amin’ny fahantrana sy fahasarotana lalina taorian’ny fahatongavan’ny harena lehibe isankarazany eo aminy, avy tany manerana ny Arabia manontolo. Ary manodidina ny lakoron’ny Masjidin’ny Mpaminany –saw-, dia feno fako. Ka tonga taminy ny Zanany vavy, izay zanany naterany Fatimah (RA), mba hitaraina aminy, noho ny fihavanana izay mamatotra azy roa. Efa mipoaka sady vakivaky ny tanan’ny Fatimah, amin’ny fitotoana varizam-bazaha na ampemba sy zavatra mitovy amin’izany. Ka noho ny fipetraky ny fihavanana no nandehanany tamin’ny Dadany, satria ny Mpaminany –saw- tamin’izany, dia nizarazara fanampiana tamin’ireo mpino Silamo sahirana, ireo andevo tamin’ny ady masina, lahy sy vavy. Ka tsisy zavatra azony tamin’izany, afa-tsy ny fampianarany azy ny teny vitsivitsy, izay hoentiny hangatahana amin’Allah swt.

Indray andro dia tonga taminy ny namany Omar (RA), ka rehefa natsipiny tany amin’ny efitrano ny masony, dia tsy nahita afa-tsy tsihy iray fotsiny, izay vita avy amin’ny ravin’antrendry, izay fampiasain’ny Iraka masina Mohammad saw rehefa te-hatoritory izy, ary hita amin’ny vatany mihitsy ny faritra sy ny dian’ilay tsihy.

Ary ny zavatra mba nisy tao antranony, dia nisy varimbazaha kely izay fotsiny teo amin’ny fitoerany, ary akaikiny eo no misy ny fitoeran-drano izay mihantona amin’ny toerany.

Izay ihany no nananan’ny Iraka Mohammmad –saw-, raha ny antsasaky ny Arabo no nanakaiky sy nankato azy ho lehibe tamin’izany. Rehefa nahita izany Omar (RA), dia tsy nahatazona ny tenany, fa tonga dia nitomany mafy izy. Ka nanontany azy ny Iraka masina saw, hoe: “Inona no mampitomany anao oh ry Omar? Dia namaly izy nanao hoe: Nahoana no tsy hitomany aho? Satria ry Kaisara sy Kisrá, dia miradana amin’ny fiainana eto an-tany, no mbola mahazo ny fahasoavana eto an-tany ihany koa izy ireo. Nefa ny Irak’Allah dia tsy manana afa-tsy izay hitako maso izao ihany. Moa ve tsy faly ianao raha hoan’ny Kaisara sy Kisra ny fahasambarana eto an-tany, ary ny any ankoatra dia hoantsika, ka tsy hitambarana aman’olona hafa?!” Rehefa teo ampovoan’ireo miaramilany ny Iraka Mohammad –saw- tamin’ny fotoana hanokafana ny Tanánan’ny “Makkah”, ary Abou Soufiyani dia teo akaikin’i Al-Abbasy, izay dadatoan’ny Mpaminany saw, raha nijery ireo Mpino Silamo mpitolona amin’ny lálan’Allah izy roa ireo, ary maro ireo Faneva manoloana azy ireo tamin’izany.

Ary Abou Soufiyani dia mbola nijanona tamin’ny fanoherana ny Finoana Silamo, tamin’izany fotoana izany. Nefa nanaitra azy ny zavatra hitany tamin’izany fotoana izany, rehefa maro dia maro tokoa ny isan’ny mpino Silamo tamin’izany, ary ny fahatsiarovan’izy ireo malemy tamin’izany rehefa nahita ireo foko maro isankarazany ireo niditra amin’ny finoana silamo, ary tonga teo anatrehan’izy ireo.

Ary nanao matso lehibe izy ireo mankany Bat-há ao Makkah (Toerana anankiray izay fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe: Al-Abtwah, izay mitodika any AS-Soufá, fa tsy tafiditra anatin’ny Soufá), izy ireo dia mandeha tahaka ny orana mikija, tsisy afaka mihaza azy, ary tsisy mahaleo manakana azy ireo ihany koa. Ka hoy Abou Soufiyani tamin’ny namany hoe: Oh ry Abbasy! Tena marina fa, ny zana-drahalahinao dia lasa Mpanjaka Lehibe indrindra tokoa. Ka namaly azy Al-Abbasy, izay mahita sy mahafantatra ny zavatra izay tsy hitan’i Abou Soufiyani hoe: Izany Mpanjaka izany dia mbola tsy midika inona aminy, fa Izy io dia Faminaniana sy Hafatra (NY loharanon’ny tantaran’ny Makkah, @Swahihayni).

Ary mahakasika an’i Ady At-Twái, ary izy dia zanak’i Hatim, izay tena malaza fantatry ny rehetra. Ary betsaka tokoa ny fanoharana azo avy aminy mahakasika indrindra ny hatsaram-panahy sy fahalalahan-tánana.

Izy dia Lehiben’ny Twayy, ary indray andro izy dia tonga niatrika ny fivorian’ny Iraka masina Mohammad –saw-, ary mbola tao anaty finoana kristianina izy tamin’izany fotoana izany. Ka nanara-maso nijery ny fanajan’ireo Mpanaradia an’ny Mpaminany –saw- Azy Ibni Hatim, ary izy ireo tamin’izany dia efa vonona hiatrika Ady masina amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana miaraka amin’ny fiarova-ntena. Ka noho izany dia nifangaro tanteraka taminy ny raharahan’ny Faminaniana sy ny resaka Mpanjaka.

Ka nanontany ny tenany hatrany izy manao hoe: Mpanjaka amin’ireo mpanjaka ve izy io, sa Iraka avy amin’ireo Iraka? Ary tamin’io fotoana io mihitsy no nisy vehivavy mahantra, izay anisany andevo-vavy tao Madinah, no tonga tamin’ny Mpaminany Mohammad –saw-. Ka nambarany an’ny Mpaminany –saw- hoe: izaho dia te-hiresaka zavatra mangingina aminao. Hoy ny Iraka masina Mohamamad –saw- taminy hoe: Ambarao ahy, aiza amin’ny lálan’ny Madinah no tokony hanaterako azy hoanao? Teo no ho eo dia nitsangana Izy (saw) ka niara-dia taminy, ary nomeny azy ny zavatra notadiavin’ilay vehivavy (fanampiana). [Abou Daoud, ary nohamarinin’i Sheikh Albany].

Rehefa hitan’i Ibnou Hatim At-Twáyy, izany fanetrentena lehibe izay nananan’ny Mpaminany –saw-, ary mitovy amin’ny halehibeazan’ny Mpanjaka mihitsy no andraisan’ireo Mpanaradia Azy tamin’izany, dia afaka taminy ny haizin’ny tsy fahamarinana, ary nazava tanteraka taminy ny tena fahamarinana. Tsy nisalasala izy fa, natoky tanteraka ny zavatra hitany mahakasika ny raharahan’ny Mpaminany –saw- fa, tena Hafatra avy amin’Allah tokoa izy io. Ka nananika tamin’ilay hazo famantsehana izy, ary nesoriny tamin’ny toerany izany. Ary niditra niaraka tamin’ireo Mpanaradia an’ny Iraka masina Moahammad saw izy amin’ny hazavan’ny finoana Silamo (Izany hoe; niala Kristianina izy ka niditra amin’ny Silamo).

Mbola hazavainay eto ny sasany amin’ny tenin’ireo Mpandalina (Oriantalista)[2] ny finoana silamo mahakasika ny fijerin’izy ireo amin’ny Mpaminany Mohammad –saw-. Fa amin’ny maha mpino silamo anay dia mino amin’ny hafatra noentiny sy ny faminaniany. Ary tsisy ilantsika tahaka ny tian’izy ireo havoitra amin’ireo teny maro isankarazany ireo. Nefa mizara roa ny antony amin’ny tsy maintsy hampitana ny resak’ireo mpandalina ireo:

  • Ny antony voalohany: resahinay eto ny tenin’ireo oriantalista mba hamakian’ny sasany amin’ireo mpino silamo, ireo izay tsy mahafantatra momba ny finoana Silamo afa-tsy ny anarany fotsiny. Mba hahafantaran’izy ireo izay ambaran’ireo tsy mpnino silamo mahakasika ny Mpaminanin’izy ireo sady Irany. Izay navelan’izy ireo ny fanarahana Azy, sy ny fizorana amin’ny Sori-dálany. Ary izany dia mety ho antony lehibe voalohany hiverenan’izy ireo amim-pahamarinana amin’ny Finoan’izy ireo.
  • Ny antony faharoa: resahinay eto ny hevitr’ireo oriantalista mba hamakian’ireo tsy mpino silamo ihany koa momba izany, mba hazava amin’izy ireo, ary ho fantany ny fahamarinan’ny Iraka, izay marina sady mahafatoky, amin’ny alálan’ny vavan’ireo olona avy amin’izy ireo, izay mitovy fiteny aminy, ka antenaina noho izany ny hahazoan’izy ireo fahitsiana ho any amin’ny Finoana Silamo. Ary izany dia mba hatonga azy ireo hanomboka hihetsika hikaroka momba an’izany Finoana lehibe izany.

Fa ny fangatahako amin’izy ireo, dia aoka tsy hampiasa ny sainan’ny hafa ankoatra ny azy izy ireo, satria izy ireo dia mba manana saina ihany koa, ary afaka tsara mampiasa izany izy ireo amin’ny fitadiavana ny marina, sy ny fanavahana ny marina amin’ny tsy marina, ary ny mahitsy sy ny diso. Ary mangataka amin’ny Tompo Allah izaho, mba hanokafany ny fon’olona mitovy amin’izy ireo ho any amin’ny fahamarinana, sady hanitsy azy ireo any Aminy, ary hitarika azy ireo ihany koa amin’ny lálana mahitsy.

 

 

Abd Ar-Rahmân bin Abd Al-Kareem Ash-Sheha

 

../../../../../../../Documents/MY%20SITES%20&%20PROJECTS/PROJECTS%20&%20SITES/ISLAML

www.islamland.com

[email protected]

IZA MOA IZANY IRAKA MOHAMMAD IZANY?

NY ANARANY:

Ny fiantsoana azy dia; Aboul-Qásim, Mohammad bin Abdillah bin Abdil-mouttwalib, izay mifarana amin’i Adnán, izay avy amin’ny zanaka Ismail, Mpaminanin’Allah, izany hoe, Ismail bin Ibrahim Sakaizan’ny Tompo Allah swt-Fandriampahalemana enga anie amin’izy roa mianaka-.

Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: ” Hamafisina, fa Allah dia nisafidy Kinánah avy tamin’ny zanaka Ismail, ary nisafidy Kouraishy avy tamin’ny Kinanah, ary nisafidy avy tamin’ny koraishy ny Banou Háshim, ary nisafidy ahy avy tamin’ny Banou Háshim”. [Swahih Mouslim].

Ary amin’io fihaviany io no manambara fa, izy no manana fihaviana mendrika indrindra teto an-tány, ary vavolombelona amin’izany ireo fahavalony. Anisany ohatra lehibe amin’izany dia Abou soufiyani, izay anisan’ireo loholona tamin’ny fampifahavaloana tamin’ny fanenjehana an’i Mpaminany –saw- talohany hidirany amin’ny finoana silamo. Izany fijoroana vavolombelona izany dia niseho teo anatrehan’ny Hirakla, Mpanjaka lehiben’ny Roma tamin’ny fotoanandrony.

Araka ny tatitra nataon’i Abd Allah bin Abbasy (RA), fa ny Irak’Allah saw dia: ”Nanoratra taratasy ho an’ny Kaisara, hiantso azy hiditra amin’nhy finoana Silamo, ary nandefa an’i Dihyah Al-Kalbi hanatitra izany taratasy izany. Ka nandidy azy tamin’izany ny Irak’Allah –saw- hanatitra ny taratasy amin’ny Goverinoran’ny Basrah (Tanána malaza, ny manelanelana azy sy Damasy dia misy any ho any amin’ny fandehanana mandritra ny telo andro, izany ny Tanánan’ny Haourán), mba hanomezan’ilay Goverinora ny taratasy any amin’ny Mpanjaka Kaisara. Satria rehefa nesorin’i Allah swt ny miaramilan’ny Persa, dia afaka nandeha avy tao Himsa nankany Ilya (Trano masina ao Jerosalema) i Kaisara, mba ho fankasitrahana sy fisaorana an’Allah tamin’ny fahasoavana izay nomen’Allah azy.

Ka rehefa tonga taminy ny taratasin’ny Mpaminany Mohammad –saw-, ary rehefa vita novakiany, dia nambarany hoe: Tadiavinareo raha misy olona avy amin’ny vahoakany any, mba hanontaniako tsara momba an’ny Irak’Allah. Hoy Ibnou Abbasy [RA]: nambaran’i Abou Soufiyani tamiko hoe: Nisy lehilahy mpandraharaha ara-barotra maromaro avy amin’ny foko Koraishy tonga tao Shám, tamin’ny fotoana izay nisian’ny fifanarahana (ankivy ara-barotra) tamin’ny Irak’Allah –saw- sy ireo tsy mpino Koraishy. Ka hoy Abou soufiyani: Rehefa hitanay ny Iraka izay nalefan’ny Mpanjaka Kaisara, tao manodidina ny Sham, ka niaraka tamiko sy ireo namako izy, mandrapaha tonga tao Ilyá, dia nampidiriny tao antrano izahay, ka hitanay ilay mpanjaka mipetra eo amin’ny toerana fivoriana amin’ny mpanjaka, ary nisalotra fitafy amin’ny maha Mpanjaka azy izy tamin’izany, teo amin’ny manodidina azy ireo olona ambony amin’ny fitondrana Mpanjaka Romanina.

Hoy izy tamin’ny mpandika –teniny, hoe: Anontanio azy, iza amin’izy ireo no manana fihaviana akaiky indrindra amin’io lehilahy izay milaza fa, Mpaminany izy? Hoy Abou soufiyani: Izaho no tena akaiky azy indrindra amin’ny fihavanana. Ahoana ny elanelana mampanakaiky ny fihavananao aminy? Navaliko azy hoe: Izy dia Zana-drahalahin’ny dadako, ary tsy nisy afa-tsy ny tenako irery ihany taminay iray-dia (karavany amin’ny rameva, miaraka amin’ny andian’olona folo no mihoatra) no avy amin’ny Abdi Manáfi. Ka hoy Kaisara: Ampanatony tsara akaikiko izy. Nodidiny koa ireo namako hatao avy ao afarako izay manandrify tsara ny sorokako. Ary nambarany an’ny Mpandika-teniny, hoe: Ambarao an’ireo namany ireo, fa Izaho dia hanontany an’io lehilahy io, mahakasika izany lehilahy milaza fa, Mpaminany izy. Fa raha miteny lainga izy, dia lazaonareo fa, lainga tokoa ny ambarany. Hoy Abou soufiyani: Mianiana aho amin’Allah (Zanahary)! Fa raha tsy noho ny fahamenarana tamin’izany andro izany, tamin’ireo namako, dia mba nandaingako izy (izany hoe; raha tsy noho ny antony fahatahorana fa, tenenin’ireo namako eo mason’ny mpanjaka fa, lainga ny zavatra teneniko, dia mba nandaingako izy) rehefa izy nanontany ahy iny.

Nefa noho izany tahotra sy henatra izany, dia voatery tsy maintsy niteny marina aho. Avy eo, dia nambarany an’ny mpandika-teniny, hoe: Anontanio azy, moa ve avy amin’ny fihaviana manankaja izy sa tsia? Navaliko azy hoe: Izy dia avy amin’ny fianakaviana manankaja aminay. Hoy izy nanontany: Moa ve efa nisy taminareo taloha tany nilaza ho Mpaminany? Navaliko fa: Tsia. Ary efa nanendrikendrika azy amin’ny lainga ve ianareo, alohany hitenenany zavatra? Navaliko fa: Tsia. Hoy izy hatrany: Efa nisy mpanjaka ve tamin’ny razambeny? Nambarako fa: Tsia. Hoy izy: Ireo manankaja ve no maroanisa amin’ny mpanaraka azy, sa ireo marefo? Navaliko azy, fa: Ireo marefo no mpanaraka azy (Maro amin’izy ireo dia ny marefo, ireo mahantra, sy ireo andevo sy ankizy). Hoy izy: Mitombo ve ny isan’izy ireo sa mihena? Nambarako azy fa: Mitombo hatrany. Moa ve misy mitsoaka ny finoana, noho ny hatezerana amin’ny finoany, taorian’ny fidirany amin’ny finoana Silamo? Navaliko azy, fa: Tsia. Nanontany koa izy: Moa ve mba mivadika izy? Navaliko hoe: Tsia, ary izahay amin’izao fotoana izao dia misy fifanarahana aminay sy izy, ka matahotra sao dia hivadihany izahay. Hoy Abou Soufiyani hoe: Tena tsy afaka nampiditra teny lainga tao anatin’ny valin-teniko mihitsy aho, izay mety hatahorako sao dia ho voaendrikendrika amin’ny resaka lainga aho amin’izany. Mbola nanontany ilay mpanjaka: efa niady azy ve ianareo, na izy no efa niady anareo? Nambarako fa: eny, tompoko. Ahoana ary ny fandehanan’ny ady aminareo sy izy tamin’izany? Navaliko hoe: Ny ady taminay sy izy, dia mitovy amin’ny SIHO (seau fakana rano zany, indraindray mandresy, ary indraindray koa resy). Izany hoe; Indraindray hoanay ny fandresena, ary indraindray hoazy. Hoy izy: Inona ary ny zavatra andidiany anareo? Navaliko: Mandidy anay izy amin’ny tsy maintsy hanompoanay an’Allah swt tokana, ary tsy atambatra amin’ny zavatra hafa. Ary mandrara anay izy amin’ny tsy hanompoanay izay notompoin’ny razambenay. Ary ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana Soalah, ny fanomezana, ny fahamaontina, ny fanatanterahana ny fifanarahana ary ny fanajana amin’ny antoka. Ka nambarany an’ilay mpandikateniny hoe: Rehefa nambarako azy hoe; Ambarao azy fa, efa nanontaniako azy mahakasika ny fihavanany aminareo, ka nolazainao fa, manana fihavanana tsara aminareo izy, ary hoatran’izany mihitsy ireo Iraka, izay alefa araky ny fihavanan’ny vahoakany. Ary efa nanontaniako anao raha efa nisy taminareo no nilaza an’izany teo aloha. Navalinao fa, tsia. Ary ambarako fa, raha nisy olona efa niteny an’izany, dia olona tonga hameno ny zavatra efa nataon’ny hafa teo alohany.

Ary efa nanontaniako ano ihany koa raha efa nendrikendrehinareo amin’ny lainga izy alohany hitenenany zavatra. Navalinao anefa fa, tsia. Satria efa fantatro tsara fa, raha tsy sahy handainga amin’olona izy, dia tsisy andro izy handainga amin’ny Tompo Andriananahary. Ary nanontaniako anao ihany koa, raha efa nisy mpanjaka tamin’ny razambeny. Ka navalinao fa, tsia. Satria raha efa nisy mpanjaka ny razambeny, dia heveriko fa, olona hitady ny fanjakan’ny razambeny izy izany. Nefa navalinao fa, tsia. Efa nanontaniako anao ihany koa, hoe: Olona manankaja ve no maro manaraka azy, sa ireo marefo amin’izy ireo. Navalinao fa, ireo olona marefo amin’izy ireo no manaraka azy. Satria ireo olona marefo no mpanaraka ireo Iraka.

Ary nanontaniako anao ihany koa, hoe: Mitombo ve ny olona miditra amin’ny finoana silamo sa mihena. Navalinao fa, mitombo hatrany. Satria hoatran’izany ataon’ny Finoana mandrapaha hitoetra tsara amin’ny toerany. Efa nanontaniako anao ihany koa, raha misy mitsoaka miala amin’ny finoana ireo izay efa niditra, noho ny hatezerany amin’ilay finoana. Navalinao fa; tsia. Satria izany no ataon’ny finoana raha mifangaro tsara amin’ny hafalian’ny fo, raha am-po madio tsara no nandraisana sy nanekena azy, ary tsisy olona afaka hanatezitra azy amin’izany. Ary efa nanontaniako anao koa, hoe: mba efa nivadika ve izy. Ka navalinao fa, tsia. Satria hoatran’izany ireo Iraka, tsy mba mivadika izany. Ary nanontaniako anao ihany koa hoe: Efa niady azy ve ianareo, na koa izy efa niady anareo. Ka navalinao fa, eny. Ary ny adinareo taminy dia tahaka ny siho, izany hoe: indraindray ianareo no mandresy, nefa kosa indraindray izy no mandresy anareo. Ary hoatran’izany no mahazo ireo Iraka. Sedraina izy indraindray, fa amin’ny farany dia hoazy ny fahombiazana sy ny fandresena tanteraka. Efa nanontaniako anao ihany koa, mahakasika ny zavatra andidiany anareo. Ka hoy anao fa, mandidy anareo amin’ny fanompoana an’i Tompo Andriananahary irery ihany Izy, ary tsy atambatra amin’ny zavatra hafa, ary nadrara anareo amin’izay notompoin’ny razambenareo ihany koa Izy. Ary mandidy anareo hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana soalah, ny fitenenana ny marina, ny fahamaontina, ny fanatanterahana ny fanekena, ary ny fanajana ny fitokisana na antoka. Hoy ilay mpanjaka hoe: Izao voalazanao rehetra izao no toetran’ny Mpaminany, ary efa fantatro tsara fa, efa tonga izany Mpaminany izany. Nefa tsy nieritreretiko fa, avy amianreo no hivoahany.

Raha marina tokoa izany resahinao rehetra izany, dia hanjaka ka hatry aty ambany tongotro roa eto izy. Ary raha te-hihaona aminy aho, dia mba nadrera-tena handeha hihaona aminy aho. Ary raha tany anatrehany aho, dia mba nanadio ny tongony roa aho (izany hoe: raha tany aminy aho dia mba nanampy azy amin’ny asa aman-draharaha, noho ny fanetrentena amin’ny hasin’ny zavatra noentiny). Hoy Abou soufiyani, taorian’iny resaka lavabe iny, niantso amin’izay ny Mpanjaka amin’ny hamakiana ny taratsin’ny Iraka masina Mohammad –saw- amin’izay. Ary toy izao manaraka izao ny fandehan’ilay taratasy izay nalefan’ny Mpaminany Mohammad –saw tamin’ny Kaisara, Mpanjakan’ny Roma. Ilay taratasy;

Amin’ny anaran’Allah, Ilay be indra-fo, Ilay be fiantrana. Avy tamin’i Mohammad Izay andevon’i Allah, sady Irany, ho any amin’i Hirakla, Mpanjakan’ny Roma; Fandriampahalemana hoan’izay mizotra amin’ny lálana mahitsy, ka izao manaraka izao ny hafatra:

Hamafisina, fa miantso anao hiditra amin’ny Finoana Silamo (izany hoe; hijoro vavolombelona amin’ny mahatokana an’ny Tompo Andriananahary). Midira silamo ianao fa, ho voaro amin’ny afobe mandrakizay ianao. Ary homen’Allah valisoa roa-sosona ianao. Fa raha sanatria ka tsy manaiky ianao, dia ho aminao daholo ny fahotan’ireo Ariosy. Ary hoy Tompo Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: [”Lazao: Ry olon’ny Boky, tongava ianareo hanamafy ilay teny iray izay itoviana eo aminay sy aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Andriananahary, ary tsy hampitambatra Azy amin-javatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho toy ny Tompo ho tompoin’ny sasany ankoatr’Allah. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy: Aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa dia efa mpanolo-tena”]. [Al-imrán, 64]. Hoy Abou soufiysni: Rehefa tapitra ny resaka izay nataony, dia niaka-peo ny tao an-dapa, indrindra fa, ireo loholona tan-dapa romanina, ary niha-naresaka ny tabataba tao an-dapa tao. Ary tsy fantatro ny zavatra notenenin’izy ireo tamin’izany. Ary nasaina nivoaka ny trano izahay. Ka rehefa nivoaka izaho sy ireo namako, ary rehefa tonga tamin’ny toerana mangingina, izay tsisy afatsy izahay ihany, dia nanbarako azy ireo, hoe: Nihasarotra ny raharahan’i Ibni Abi Kabshah (izany hoe: ny tiany hambara amin’ny Ibnou Abi Kabshah, dia ny Mpaminany Mohammad saw, satria Abou Kabshah dia iray tamin’ireo Raibeny. Satria ny fahazaran’ny Arabo fahiny, dia raha sendra tsy voatonona ny tena anarany dia antsoina amin’ny anaran’ny raibeny izay efa tsy eo intsony. Hoy Ibnou Koutaibah sy Al-Khattwáby ary Ad-Dárakoutni, hoe: nisy lehilahy avy amin’ny Khouzá’ah, izay nanohitra ny Kouraishy tsy hanompo sampy, fa nanompo As-Shi’rá, ka nantsoin’izy ireo tamin’izany izy, noho ny fijoroany amin’ny fanoherana. Fat-houl-Bári-).

Iny ny Mpanjakan-dry zareo vazaha (Roma), dia matahotra azy! Hoy Abou soufiyani: Mifanta amin’Allah aho, fa tena mahatsiaro ambany tanteraka aho, satria hitako ny raharahany io (Mohammad saw), dia tsy maintsy hiparitaka, ka hatramin’ny fotoana izay nampidiran’Allah swt ny finoana Silamo tao am-poko, dia mbola nankahala izany aho. [A-boukhari].

 

 

 

NY FAHATERAHANY SY NY FITOMBOANY

Mohammad –saw- dia teraka tamin’ny taona 571G, avy amin’ny foko Koraishy, izay nanamboninahitra sy haja tamin’ny Arabo, ary tanánan’ny Makkah mihitsy no lasa foiben-toerana ara-pinoana hoan’ny Arabia.

Satria ao Makkah koa no misy ny Ka’bah izay toerana masina indrindra ambonin’ny tány hoan’ny Finoana Silamo, izay namboarin’i Abrahama –AS- izay Dadan’ireo Mpaminany sy ny zanany Ismail –AS-.

Ary tao foana no nanatanterahan’ireo Arabo ny fivahiniana masina, ary tao koa no nanaovany ny fihodinkodinana. Mbola tao ankibon’ny Reniny Izy no maty ny Dadany. Ary maty koa ny Reniny taorian’ny fahaterahany. Ka noho izany dia niaina kamboty izy. Ka ny dadabeny Abd al-mouttwalib no nikarakara azy. Ka rehefa maty ny dadabeny, dia ny dadatoany Abou Twalib no nikarakara azy. Ny foko fihaviany sy ireo foko marobe manodidina azy, dia nanompo sampy daholo, izay namboarin’izy ireo avy amin’ny hazo ny sasany, ary avy amin’ny vato sy volamena koa ny sasany.

Napetraka manodidina ny Ka’bah masina ireo sampy maro isankarazany ireo, ary natoky izy ireo fa, mahavita manasoa na manao ratsy izany sampy izany.

Ny fiainana manontolo an’ny Mpaminany Mohammad saw, dia fahamarinana sy fitokisana tanteraka. Mbola tsy nisy andro izy nivadika na namitaka tamin’ny fifanarahana, na koa nandainga. Ary Fanta-daza teo anatrehan’ny vahoakany tamin’ny anaram-bositra antsoina hoe: Ilay marina sady mahafatoky. Ametrahan’izy ireo fitokisana sy harena lafovidy izy, ary indrindra moa fa, raha handeha lavitra izy ireo, dia apetrak’izy ireo aminy daholo ny fanany manontolo.

Ka izay mihitsy no, nahatonga azy ireo niantso azy amin’izany anarana hoe: Ilay marina sy mahafatoky, satria noho ny fitenenany marina, sy ny fahamarinana izay hitan’izy ireo taminy.

Izy no tena manana toetra mendrika indrindra, miresaka amim-pahendrena tsara, izay tena mahay miteny tsara indrindra, ary mankatia zavatra tsara hoan’olombelona rehetra tsy ankanavaka. Ny vahoakany dia nankatia azy, midera azy, sady manandratra ny voninahitrany ireo fianakaviana akaiky izany na ireo olona lavitra azy. Tsara endrika izy, ary mampitia-hijery foana. Tsara toetra, izany hoe; izay toetra tsara rehetra misy dia nananany avokoa. Araka izay nambaran’ny Tompony ilay avo indrindra manao hoe: “Hamafisina, fa ianao dia manana toetra tsara ambony indrindra”. [Al-Qalam, and: 4].

Nambaran’i TH. Carlyle, amin’ny Bokiny: Ireo Mpitolona, 3[3]:

Nambarany araka ny fahitany momba an’ny Mpaminany Mohammad –saw- hatry ny fahatanorany, dia efa olona Mpandalina, ary ireo namany dia efa niantso azy hoe; Ilay olo-marina- olon’ny fitenenana marina sy fanatanterahana ny fifanarahana. Izany hoe, ny fahamarinana amin’ny asa izay ataony, sy ny zavatra izay teneniny, ary ny fahamarinana amin’ny heviny. Ary hitan’izy ireo tsara fa, isaka izay teny avoakany dia mitondra fahendrena feno hatrany. Tena marina fa, raha araka ny fantatro momba azy, dia tena olona be fahanginana Izy, izay mangina tokoa raha tsy hoe, tena misy zavatra tsy maintsy hiresahina tokoa. Rehefa miresaka izy, dia hitanao tsara fa, resaka feno fahiratan-tsaina sy fahendrena no henonao avy aminy.

Hitanay nandritra ny fiainany manontolo fa, Izy dia lehilahy matotra amin’ny fanombohana, ary mahay manapa-kevitra amin’ny zavatra izay ataony, izay lavitry ny asa-loha amin’ny zavatra tsy dia misy dikany, fa ny tena asa-lohany dia amin’ny resaka zavatra tena mafonja indrindra.

Izy dia olona malala-tánana, mpiantra, mpangoraka, matahotra an’ilay Nahary, olona manankaja sady mahaleo-tena sy malalaka, olona izay tena matotra tokoa sady madio-fo. Nefa na dia izany aza, dia tsy olona sarotin-draha velively izy, no sady tsy maherisetra. Izy dia olona tena tsotra izay tsy dia te-manohitra na mampandositra ny hafa. Olona be tsikitsiky, izay tsy mihoron-tarehy na mikentron’endrika anatrehan’ny hafa.

Izay manaja ny fianakaviany, ary ny tokantranony no mendrika indrindra tokoa. Izy dia malefaka amin’ny fifandraisana, ary indraindray dia misangisangy sady mihirahira. Ary matetika dia ny fitsikiana no mampazava ny tarehiny, izay mivoaka avy amin’ny fon’olona marina tokoa.

Izy dia tena kinga-saina tokoa, izay manana fo mahaolombelona, velona tsara, ary lehibe izy amin’ny maha izy azy.

Mbola tsy nisy sekoly nampianatra azy fomba ara-kolotoraly, na mpampianatra nanabe azy, ary izy dia tsy nila an’izany raha teo.

Nanatanteraka ny asany rehetra izy teny amin’ny avokavoka ny dezera (tany karakaina, @ Arabia).

Anisany zavatra tena tiany atao talohan’ny hahatongavan’ny faminanaiana taminy, dia ny fitokana-monina amin’ny fanompoana mandritra ny alina manontolo tao amin’ny lava-bato Hirá.

Hamafisina, fa ny Mpaminany –saw- dia lavitra dia lavitra ny asa ratsy izay nataon’ireo vahoakany, amin’ny habadoana. Izy dia mbola tsy nisotro toaka mihitsy tamin’ny fiainany, ary mbola tsy niankohoka tamin’ny sampy, na nifanta tamin’izany, na nanao sorona tamin’izany araka izay nataon’ireo vahoakany. Anisany zavatra izay nataony dia niandry ondry an’ny vahoakany (niarak’andro). Ary manambara Izy manao hoe: ”Mbola tsy nisy Mpaminany nalefan’i Allah, afa-tsy niandry ondry/niarakandro”. Ka nanontany azy ireo Mpanaradia azy, hoe: Ary anao koa? Namaly izy hoe: Eny, izaho koa nanao an’izany. Ary ny karamako tamin’izany dia Qarárit (Qararit, avy amin’ny qirát: ampahany amin’ny Dinary. Boky: An-Niháyah an’i Ibni Al-Athir), izany hoe; nanao izany izy hoan’ny vahoakan’ny Makkah. [Swahih Alboukhari].

Taorian’ny fahafenoany amin’ny fahaefa-polo amin’ny taonan’ny Mpaminany –saw-, dia nidina taminy ny Faminaniana avy tany an-dánitra, ary tao Makkah no nisy azy tamin’izany, ary nanompo an’Allah swt tao amin’ny lava-bato “Hirá” . Hoy ny Renin’ny Mpino Silamo, sady Vadin’ny Irak’Allah, Aishah (RA) hoe: “Ny zavatra voalohany nataon’ny Iraka masina –saw- tamin’ny fiantombohan’ny Faminaniana, dia ny fahitana tsindrimandry tsara rehefa matory, ary isaka ny mahita tsindrimandry izy, dia mitombina tahaka ny hazavan’ny andro vao maraina, ary avy eo, dia lasa tia mitoka-monina izy, ary tany an-dava-bato Hirá no nipetrahany irery nanompo an’Allah swt, izany hoe: Asa fanompoana tanterahina amin’ny alina (tsy hoe, indray alina fa, misy alina vitsivitsy), alohany hiverenany any amin’ny fianakaviany handeha haka vatsy (sakafo sy rano) hoan’izay asa fanompoana izay ihany. Ary miverina any amin’i Vadiny Khadijah izy, ka maka vatsy mitovy amin’izay nalainy tamin’ny fianakaviany. Ka tonga taminy ny fahamarinana, tamin’ny fotoana izy tao an-dava-bato Hirá.

Tonga taminy ilay Anjely, ka niteny taminy hoe: Vakio. Namaly izy hoe: tsy mahay mamaky aho. Nambarany fa; notazominy mafy ahy, ka rehefa niezaka aho, ary nahatsiaro fa, hanana fahafahana hanao izany miaraka amin’ny fahasahiranana, dia navelany amin’izay ahy. Ka niteny koa izy hoe: Mamakia. Navaliko azy hoe: Tsy mahay mamaky aho. Dia notazominy fanindroany koa ahy, mandrapaha havitako hiezaka hamaky, dia navelany amin’izay ahy. Niteny koa Ilay Anjely: Mamakia. Navaliko azy hoe: Tsy mahay mamaky aho. Dia notazominy ahy, tamin’ny fahatelo, avy eo, dia navelany tamin’izay. Ka niteny ilay Anjely hoe: [Vakio amin’ny anaran’ny Tomponao, Ilay Nahary. Izay Nahary ny olombelona avy amin’ny vaingan-drá. Vakio fa, ny Tomponao no fatra Mpitsimbina, Izay nampianatra tamin’ny alálan’ny Penina. Ka nampianatra ny olombelona izay tsy fantany], (Al-alaq, and: 1-5).

Ka niverina nody any antrano ny Iraka masina Mohammad –saw- niaraka tamin’ireny andininy vitsivitsy azony ireny, ary nangovitra mafy tokoa ny fony. Ary niditra tany amin’ny vadiny Khadijah bint Khouwaylidy (RA) izy, ary nambarany tamin’izany hoe: ”Saforinareo ahy, saforinareo ahy”. Ka nosaforin’izy ireo izy mandrapaha hiala taminy ny tahotra izay nahazo azy. Rehefa avy eo, dia niteny izy tamin’i Khadijah, ary nambarany azy ny vaovao: ”Hamafisina, fa matahotra amin’ny tenako aho”. Ka namaly Khadijah (RA): Mandrakizay, tsia! Tsy hanalabaraka anao Allah, satria ianao dia manaja ny fihavanana, sady manampy olona amin’ny fahasahiranana izay mahazo azy, ary manome famatsiana an’olona mahantra, ary manaja sy mikarakara vahiny ianao, ary miaro izay olona manana zava-dehibe hatao. Rehefa avy eo, dia noentin’i Khadijah malaky tany amin’i Waraqah bin Naoufal bin Asad bin Abdil-izza bin Ammi Khadijah. Waraqah dia olona nanaraka finoana Kristianina tamin’ny fotoanan’ny fahabadoana. Izy nanoratra boky amin’ny teny Hibreo, ary nanoratra ny Evanjely amin’ny fiteny Hibreo, araka izay sitrak’Allah swt hataony.

Waraqah dia lehilahy efa lehibe (antitra), izay efa lasa jamba maso tamin’izany fotoana izany.

 

Nambaran’i Khadijah taminy hoe: Oh ry zanaky dadatoa, mba henoy kely avy amin’ny zana-drahalahinao. Ka hoy Waraqah taminy (saw) hoe: Oh ry zana-drahalahiko, inona no hitanao? Nambaran’ny Iraka masina Mohammad –saw- ny vaovaon’ny zavatra hitany, ka hoy Waraqah namaly azy, hoe; Izany dia ny faminaniana izay nampidinin’Allah swt tamin’ny Mpaminany Mosesy. Ka maniry aho raha mba tanora, sady maniry aho raha mbola velona amin’ny fotoana ny vahoakanao handroaka anao. Hoy ny Irak’Allah –saw- nanontany hoe: Moa ve handroaka ahy izy ireo?

Eny, hoy izy: Ary mbola tsy nisy lehilahy nitondra zavatra mitovy amin’izay nentinao io, fa tsy maintsy voahenjika foana.

Raha mbola velona zaho amin’ny andronao, dia hamonjy anao mafy tokoa aho. Nefa taorian’iny dia tsy nijanona fotoana lava intsony dia maty i Waraqah, ary nitsahatra nandritra ny fotoana misimisy ny faminaniana”. [Swahih Al-Boukhari& Mouslim].

Iny Soratra (sourah) izay voalaza teo iny no fiantombohan’ny faminaniany, ary taorian’izay vao nidina izao Soratra anankiray manaraka izao:

[Oh ianao, ilay misaron-damba!

Mitsangana ianao, ary mampitandrema.

Dia ankalazao ny halehiben’ny Tomponao

Diovy ireo fitafinao,

Ary alaviro ny fahotana rehetra], (Al-Mouddathir, and: 1-5).

Ary ity Soratra ity no fiantombohan’ny Hafatrany, sy ny fampielezany. Ka natombony tamin’ny fomba miharihary ny fampitany ny hafatrany, ary natombony tamin’ny fiantsoana ny vahoakany tao Makkah, ka nisedra izay nosedrainy tokoa izy tamin’izany avy tamin’izy ireo, amin’ny toetra isankarazany, sy ny fandavana ny hafatra izay nampitainy. Satria noho ny antony, dia izy tonga tamin’izy ireo nitondra antso vaovao tamin’izy ireo, izay mifono ny zavatra rehetra mahakasika ny raharaham-piainany ara-pinoana, politika, toekarena, ary sosialy. Izany hoe; tsy nitsahatra teo amin’ny fanokanana an’Allah swt amin’ny resaka fanompoana, sy ny fitsaharana amin’ny fanompoana zavatra hafa ankoatr’Allah, sy ny fandrebirebena ny saim-bahoaka, ary ireo karazana fanompoana izay nataon’izy ireo tamin’izany fotsiny, fa nandidy ho fady azy ireo ny tena fototry ny fahafinaretan’izy ireo, ny harenany, ary ny reharehany sy ny voninahitriny.

Ka voarara ho azy ireo ny fanjanaham-bola, ny fijangajangana, ny filokana, ary ny fisotroan-toaka, ka niantso ho any amin’ny fahamarinana sy fitovizana amin’olombelona rehetra izy, ary tsisy zavatra mampiavaka azy ireo afa-tsy ny fahatahorana an’Ilay Tompo Nanahary ihany. -Nefa ahoana ary hafaly an’ny Kouraishy amin’izany, satria izy no Lehiben’ny Arabo, moa hitovy ve izy ireo sy ireo andevo-

Tsy nitsahatra tamin’ny tsy fankatoavan’izy ireo ny antsony fotsiny ny raharaha fa, nampijalin’izy ireo izy tamin’ny alálan’ny hompa sy teny ratsy, ary nendrikendrehin’izy ireo izy tamin’ny fomba maro isankarazany; lainga, adala, ary ny majika, izay tsy vitan’izy ireo hanao an’izany fanendrikendrehana izany talohan’ny fampielezany ny finoana Silamo.

Ary voafitaka tokoa ireo kely fisainana tamin’izany, amin’ny fampijaliana azy ara-batana. Hoy Abd Allah bin Mas’oud (RA): Tamin’ny fotoana ny Irak’Allah (saw) nitsangana nivavaka teo amin’ny Ka’abah, ary ireo vahoaka Kouraishy dia nanatanteraka ny fivoriany tamin’izany, ka niteny ny iray tamin’izy ireo hoe: Tsy jerevanareo ve izao zavatra hitanareo izao! Iza aminareo handeha hamono ny ramevan’olona (hoatran’izao) ka hitondra ny lotony rehetra, ny tsinainy sy ny rány, ary ny fitoeran-janany. Izany hoe; Raha tonga avy any dia miandry azy variana tsara mivavaka, ary rehefa miankohoka tsara izy dia apetraka tsara eo anelanelan’ny sorokany anankiroa izany? Ka izay olona farany tsy vanona tamin’izy ireo no nandeha nanao an’ilay asa ratsy. Ary rehefa niankohoka tokoa ny Iraka masina Mohammad –saw-, dia napetrany tsara eo amin’ny soroka roa an’ny Mpaminany –saw- ny maloto rehetra. Ary rehefa miankohoka tanteraka izy, dia mihomehy daholo izy rehetra ireo, ary toran-kehy mihitsy izy ireo; ny sasany mivadibadika mianjera amin’ny sasany noho ny fiehezana tafahoatra.

Rehefa misy mahita izany dia misy olona tsara sitra-po lasa mandeha mampandre an’ny zanany vavy Fatimah (RA), nefa Fatimah tamin’izany dia mbola zaza vavy kely. Mihazakazaka ny zanany vavy Fatimah hanala ny loto izay nantsipin’ireo fahavalony taminy, ary Mpaminany saw dia mbola mijanona miankohoka foana. Rehefa avy nanesotra ny loto izay teo amin’ny sorokan’ny Dadany izy (Fatimah), dia mitodika amin’ireo fahavalo ireo, ary manompa azy ireo. [Alboukhari].

Ary i Mounib Al-Azdari dia miteny hoe: Efa hitako ny Iraka Mohammad –saw- tamin’ny fotoanan’ny fahabadoana niteny hoe: “Oh ry Olombelona! Mitenena; Tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah, fa ho avotra ianareo”. Nefa misy amin’izy ireo no mandrora amin’ny tarehiny, misy izay mitoraka tany, ary misy koa izay manompa azy, mandrapaha hisasaka ny andro, dia tonga ny zanany vavy izay mbola ankizy kely tamin’izany mitondra zinga lehibe izay misy rano hanasan’ny Mpaminany –saw- ny tánany sy ny tarehiny. Ary miteny izy amin’ny zanany vavy manao hoe: “Ry zanako vavy! K’aza matahotra fahantrana na faharesena amin’ny Dadanao”. (Al-Mou’jam Al-kabir an’i Twabráni).

Nitantara Ourwah bin Az-Zoubair: Nanontaniako i Abd Allah bin Amri Ibnil-ÁS (RA) mba hiresaka amiko mahakasika ny fampijaliana mafy indrindra izay nosedrain’ny Iraka masina Mohammad –saw- avy tamin’ireo mpanompo sampy. Namaly izy nanao hoe: ”indray andro dia tonga avy tany i Oukbah bin Abi Mou’it, ary ny Iraka –saw- tamin’izany dia nivavaka teo anatrehan’ny Ka’abah. Nafatony ny lambany tamin’ny tendan’ny Mpaminany Mohammad –saw-, ary nosintominy tena mafy tokoa. Tampoka dia tonga avy any Abou Bakr (RA), nanosika azy tamin’ny sorokany, ary nanalavitra azy tamin’ny Mpaminany –saw-. Ary niteny Abou bakr (RA) hoe: Hamono olona ve ianareo, satria izy miteny hoe: Andriananahary no Tompoko? Nefa dia tonga aminareo niaraka tamin’ireo porofo mazava izy, avy any amin’ny Tomponareo? (Alboukhari).

Ireo tranga lehibe rehetra ireo anefa, dia tsy nahasakana an’ny Mpaminanay –saw- amin’ny fampielezany ny finoana Silamo. Miezaka hatrany izy mampahafantatra ny tenany amin’ireo foko maro isankarazany izay tonga tao Makkah hanatanteraka ny fivahiniana masina, izany hoe; miantso azy ireo amin’ny finoana Silamo. Ka noho ny ezaka izay nataony, dia nino azy ireo andiana vitsivitsy avy amin’ny vahoakan’ny Yathriba, tanána izay fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe: Madinah Al-Mounawwarah.

Ary nanaiky fifanarahana taminy izy ireo amin’ny famonjena sy fanampiana azy, raha tonga any amin’izy reo izy. Ary nalefan’ny Mpaminany –saw- niaraka tamin’izy ireo Mous’ab bin Oumair (RA), izay iray amin’ireo Mpanara-dia Azy, mba hampianatra azy ireo ny fampianarana ny finoana silamo.

Ka taorian’ny sorona sy fampijaliana isankarazany izay nataon’ny vahoakany azy sy ireo mpino marefo niaraka taminy, dia nanome alalana azy hifindra-monina tany Madinah Al-mounawwarah ny Tompony Allah swt.

Ary nandray Azy tanteraka ny Mponina tao Madinah tamin’ny fomba tena mendrika indrindra amin’ny fandraisam-bahiny. Izany dia fiantombohana sy fampandehanana ny asa fampielezana izay nataony, ary lasa Renivohitra Islamika izany tanánan’ny Madinah Al-mounawwarah, izany.

Nonina tao Madinah izy, ary nampianatra azy ireo ny Boky masina Kor’any, sady nampianatra azy ireo ihany koa ny lalána rehetra mahakasika ny finoana silamo. Ary naharesy lahatra azy ireo tokoa izany ny fihetsika feno fahatongavan-dafatry ny Mpaminany –saw- sy ireo toetra mendrika izay nananany izay, ka notiavin’izy ireo izy ambony noho ny tenan’izy ireo.

Nifanina mandrakariva izy ireo hikarakara an’ny Mpaminany –saw-, ary namoaka izay farany lafo-vidy sy tsara indrindra amin’ny fananany mba hampiasainy amin’ny lálan’ny Tompo Allah swt.

Niaina tanatin’ny fiaraha-monina ara-pinoana sy ara-panahy tanteraka, izay fonosin’ny fahasambarana tena izy.

Nanjaka tao tanteraka ny fifankatiavana sy ny firahalahiana teo amin’ny mpiara-monina tsirairay, ka nahatonga ny mpanankarena, sy ny mahantra, ny manamboninahitra sy ny olon-tsotra, ny fotsy sy ny mainty, ary ny Arabo sy ny tsy Arabo, dia lasa mitovy lanja daholo tanatin’io Finoana lehibe io. Izay tsisy zavatra mampiavaka azy ireo afa-tsy ny fahatahorana an’ilay Zanahary.

Ary iray taona taorian’ny fipetrahany tao Madinah, no nisehoan’ny fifanandrinana taminy sy ireo vahoaka sasany izay nandray vilana ny fampitan-kafatra izay nataony.

Ka vaky ny ady voalohany izay niatrehan’ny Finoana Silamo, izany hoe; ny Ady lehibe antsoina hoe: ”BADR”. Ady lehibe teo amin’ny vondrona roa tsy mitovy tanteraka, na izany amin’ny resaka isa na koa amin’ny resaka fiomanana ara-materialy. Satria ny isan’ny Mpino Silamo tamin’izany, dia Efatra ambinifolo sy telonjato (314) vatan-delahy mpiady, fa ny isan’ireo tsy mpino silamo tamin’izany kosa, dia vatan-dehilahy mpiady Arivo (1000).

Nampian’ny Tompo Allah swt ny Irany sy ireo Mpanaradia azy, ka nampandreseny izy ireo tamin’izany.

Afaka valo taona (8) taorian’izany dia nihetsika indray ny ady tamin’ireo mpino silamo sy ireo mpanompo sampy amin’ny vahoakan’izy ireo, ary afaka nanomana vata miaramila matanjaka iray alina (10.000) ny Iraka masina Mohammad –saw- nandritra ny valo taona. Ary nitodi-doha tany Makkah Izy sy ireo miaramilany ireo, ary niditra tao Makkah izy ireo naka ny tanánan’ny Makkah, ka nandresy ny fokony sy ireo vahoakany izay nampijaly azy tamin’ny vono isankarazany fahiny Izy. Tamin’ny fotoana izay nanasazian’ireo fahavalo ireo Mpanara-dia azy tamin’ny karazana vono izay nisedrain’izy ireo. Izay nahatonga azy ireo hamela ny fireneny, ny fananany ary ny zanak’izy ireo, ka nandresy izy ireo tamin’ny fandresena miharihary tanteraka. Ary izany taona izany dia nantsoina hoe: ” Taonan’ny Fandresena”, izay anambaran’ny Tompo Allah swt mahakasika izany ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Rehefa tonga ny famonjen’Allah sy ny fandresena,

Ka hahita andian’olona maro hanaraka ny finoan’Allah ianao,

Dia ankalazao ny voninahitry ny Tomponao, ary mangataha famelan-keloka Aminy, fa fatra Mpandray Fibebahana tokoa Izy”. [An-Nasr, and: 1-3].

Rehefa avy eo, dia navoriny daholo ny vahoakan’ny Makkah, ary nambarany azy ireo hoe: ”Inona no heverinareo fa, hataoko aminareo izao?” Ka navalin’izy ireo hoe: Tsara ihany hoy izy ireo. Satria ianao dia rahalahy tsara fanahy, ary zanaka rahalahy tsara fanahy ihany koa. Ka hoy ny Mpaminany saw: ”Mandehana ianareo, fa ianareo dia malalaka”. [Sounan Al-baihaqy Al-koubrá]. Ary izany dia lasa antony nidiran’ny maro tamin’izy ireo anatin’ny finoana silamo. Ary taorian’izay dia niverina tany Madinah amin’izay ny Iraka masina Mohammad –saw-.

Ary taorian’ny fotoana lava dia lava dia nandeha ny Iraka masina Mohammad –saw- ho any Makkah mba hanatanteraka ny fivahiniana masina, ary (Efatra arivo sy iray alina sy iray hetsy) 114.000 vatan-dehilahy no niaraka taminy tamin’izany, avy amin’ireo Mpanaradia Azy. Ary ity fivahiniana masina ity, dia fantatra tamin’ny anarana hoe: ” FIVAHINIANA MASINA FANAOVAM-BELOMA”, satria noho ny fahafatesan’ny Mpaminany –saw- efa akaiky tamin’izany, dia lasa ho fanaovam-beloma hoan’ny Mpino Silamo tamin’izany ity fivahiniana masina ity.

Maty tao Madinah ny Mpaminany –saw- tamin’ny Andro Alatsinainy, faha 12 Rabous-Sáni, taona faha: 11 taorian’ny Fifindra-monina, ary nalevina tao ihany izy. Hamafisina, fa nampalahelo mafy an’ny vahoaka Silamo manontolo ny vaovaon’ny fahafatesan’ny Mpaminany Mohammad –saw-, ary nisy sasany tamin’ireo Mpanaradia Azy no mbola tsy nino mihitsy ny vaovao. Anisany mbola tsy nino tamin’izy ireo tamin’izany, dia Omar bin Al-Khattwab (RA), ka niteny izy hoe: Izay henoko miteny fa, maty i Mohammad, dia kapohiko ny vozony. Ka izay no ela, dia nitsangana i Abou bakr (RA), ary namaky ny Tenin’ny Tompo Allah swt izay manao hoe: ”Tsy iza akory i Mohammadfa, fa Iraka ihany, efa nandalo teo alohany ireo Iraka maro. Ka raha nindaosin’ny fahafatesana izy, na koa novoina, dia hivadika hiverin-dálana ve ianareo? Fa na iza na iza no mivadika hiverin-dálana, dia tsy misy fiantraikany na oviana na oviana amin’Andriananahary akory izany; ary Andriananahary dia hamaly soa ireo Mpankasitraka”. [Al-Imran, and: 144].

Rehefa naheno iny andininy iny i Omar (RA), dia nitsahatra hatreo, satria izy (RA), dia ny Bokin’ny Tompo Allah swt ihany no mampitsahatra azy. Izany hoe; rehefa zavatra nambaran’Allah swt dia tsy lava resaka intsony izy, fa tonga dia Mankato sady mampihatra avy hatrany.

Ny Iraka masina saw dia maty teo amin’ny faha 63 taona, izany hoe; nipetraka tao Makkah izy nandritra ny 40 taona talohan’ny faminaniana, ary nipetraka tao koa izy nandritra ny 13 taona taorian’ny faminanina, niantso ny olombelona hiditra amin’ny fanokanana an’Allah (finoana Silamo), hanompo Zanahary tokana. Taorian’izay dia nifindra-monina tany Madinah izy nandritra ny 10 taona. Nitohy hatrany ny fidinan’ny faminaniana masina avy any an-dánitra, mandrapaha tafidina tanteraka ny Boky masina Kor’any manontolo, ary feno tanteraka ihany koa ny didy aman-dalána Islamika.

 

Nambaran’ny Dr. Gustave Lebon[4], amin’ny bokiny antsoina hoe: Ny fivoaran’ny Arabo: Raha lanjaina ny lanjan’ny lehilahy rehetra amin’ny hatsara’ny asa izay nataon’izy ireo, dia i Mohammad –saw- no Lehibe indrindra amin’ireo olona ambony izay fantatry ny tantara. Ireo manampahaizana tandrefana, dia miaiky ny maha-lehibe an’ny Mpaminany Mohammad –saw-, na dia sarotiny tokoa aza izy ireo amin’ny fanatisma ara-pinoana, izay mahajamba ny maro amin’ireo Mpahay tantara amin’izy ireo, tsy hiaiky ny voninahitra sy haja izay mendrika an’ny Mpaminany Mohammad –saw-.

 

 

 

NY ENDRIKENDRIKA SY BIKABIKAN’NY MPAMINANY –SAW-

Ny Iraka masina Mohammad –saw-, dia manana halavana antonontonony, izay manana elanelana amin’ny sorokany roa. Ny volony dia mahatratra ka hatramin’ny tendron’ny sofina roa (nofotry ny tendron-tsofina), izy no tena tsara tarehy indrindra amin’olombelona, ary farany manana toetra mendrika indrindra amin’olombelona rehetra.

Tsy tena lavabe loatra izy, nefa tsy foky akory ny halavany.

Tsy tena fotsy-be ny fihodirany, sady tsy tena mena-be ihany koa, fa tena marron be ny fihodirany. Ny volony dia tsy fohy sady tsy mihosinkosina, nefa tsy mahitsy tanteraka akory ny volony. Izy no tena tsara endrika indrindra amin’ny rehetra. Fotsy sady mahafinaritra ny tarehiny, izay mamirapiratra tahaka ny volafotsy. Ny sorany dia tahaka ny voninkazo mahafinaritra, ary ny lálan-drány dia tahaka ny perla, ary Be volom-bava izy.

Rehefa nanontaniana i Jabir bin Samorah (RA) hoe: Moa ve ny tarehiny Mpaminany –saw- tahaka ny sabatra? Namaly izy hoe: Ny tarehiny dia tahaka ny Masoandro sy ny Volana, ary tena boribory tsara tanteraka. [Mouslim].

Lehibe ny vavany, lava ny fizaran’ny maso, kely ny nofotra amin’ny tongony ambany. Fotsy mahafinaritra, ary eo anelanelany, izany hoe: Tsy tena maventy, tsy mahia, sady tsy tena lava no tsy fohy. Tena matanjaka ny tanan-droany sy ny tongony roa, ary tena mivelatra ny felan-tánany roa. Hoy Anasy (RA), hoe: ”Mbola tsy nitazona lamba lasoá, na izay tena izy ary aho, fa mbola ny felan-tánan’ny Mpaminany –saw- no malefaka indrindra, ary mbola tsy naheno fofona ranomanitra Musk na Anbar, fa mbola ny Fofon’ny Mpaminany –saw- no manitra tsara indrindra”. [Jerevo @ Swahih Al-boukhari&Mouslim].

 

 

 

AMPAHANY AMIN’NY TOETRAN’NY MPAMINANY –saw- SY NY BIKABIKANY, ARY IREO TOE-BOA-JANAHARINY

  1. Fahatongavan-dafatra ara-tsaina: Ny Mpaminany Mohammad –saw- irery ihany, no nahatratra ny fahatongavan-dafatra feno ara-tsaina tanteraka, izay tsy tratran’ny olombelona hafa ankoatra azy. Araka izay nambaran’ny Mpitsara: Yiádh manao hoe: Ny fahambonian’ny Iraka masina –saw- sy ny karazana toetra mendrika maro isankarazany izay ananany, dia porofo lehibe ho an’ireo izay manara-maso afara momba ny fiainany, sy ireo izay tsy mitsahatra manadihady ny tantaram-piainany, ary mikaroka amin’ny famakafakana ireo zavatra izay fonosin’ny teniny, momba ny hatsaran’ireo toe-boajanahary izay nananany, ary ny tantaram-piainana mahafinaritra mahakasika ny fiainany manontolo. Ary mahakasika ny fepetran’ny teniny sy ny fahalalány, dia voalaza ao amin’ny Taoraty sy ny Evanjely, ary amin’ireo Boky masina rehetra nampidinina avy tany an-dánitra.

Momba ny fepetran’ireo olon-kendry, sy ny tantaram-piainan’ireo vahoaka maro nandalo teto an-tány sy ny fotoana niainan’izy ireo. Momba ny resaka fanoharana sy ny Politikan’ny olombelona, ary ny fandrafitana ireo lalána, sy ny fahazoana ny fahalalam-pomba amin’ny mahaolombelona. Ny fahaizana mendrika amin’ny fahalalana amin’ny talenta amin’ny sehatra isankarazany, izay noraisin’ireo Mpanaraka Azy ny teniny, satria ao anatin’izany dia ahitana fanoharana mendrika arahina indrindra. Ary ireo toro-lálana maro izay nomeny dia porofo lehibe manamafy an’izany rehetra izany; tahaka ny fanompoana, ny Fitsaboana, ny resaka kajy, ny zara-lova, ary mahakasika ny fihaviana sns…

Momba an’izay mihitsy dia mbola tsy nisy nampianatra azy, sady mbola tsy nandeha nianatra tan-tsekoly, na koa namaky bokin’ireo manampahaizana teo aloha, ary mbola tsy niara-nipetraka tamin’ireo manampahaizana momba an’izay rehetra izay Izy –saw-.

Fa ny marina, izy dia Mpaminany teraka tsy mahay manoratra, ary tsy nananana fahaizana momba an’ireo zavatra voalaza ireo, mandrapaha nanokafan’ny Tompo Allah swt ny tratrany (Fony), Izay nampiharihary sady nampazava ny raharahany, sady nampianatra azy, ary nampamaky azy…

Ka noho ny fahiratan-tsainy no nampianaran’Allah swt azy ny fahalalana mahakasika ny zavatra efa misy sy ny efa nisy, ary ny fahagagana amin’ny fahefany sy ny halehibeazan’ny Fanjakany. [ As-Shafá Bita’rif houkoukil-Moustapha 1/85].

  1. Ny faharetana miaraka amin’ny fanantenana fahasoavana avy amin’Allah swt amin’ny asa fampielezana ny finoana Silamo: hamafisina, fa Ny Lehiben’ireo Mpaharitra sady Mpanantena fahasoavana avy amin’Allah swt –saw-, dia efa nisedra karazana fampijaliana maro tamin’ny lalan’ny fampielezana ny Finoana Silamo, nefa niaritra marary hatrany izy, noho ny fanantenana ny fahasoavana sy valisoa avy amin’Allah swt.

Hoy Abd Allah bin Mas’oud (RA), hoe: Hoatrany mbola mahatsiaro mijery an’ny Iraka Mohammad –saw- aho, raha Izy nitantara ny tranga nahazo Mpaminany anankiray amin’ireo Mpaminany rehetra nandalo teto an-tany, sendra nidarohan’ny vahoakany Izy- nefa mamafa ny rá amin’ny tarehiny no ataony- ary miteny izy hoe: “Oh Allah! Mamelá heloka ny vahoakako ianao, satria hamafisina fa, izy ireo dia tsy mahafantatra mihitsy”. [Mouttafaquoun alayhi].

Nitantara koa Joundoubi bin Soufiyani (RA), hoe: Nandeha rá ny iray tamin’ny tondron-tánan’ny Mpaminany –saw- tamin’iray amin’ireo Ady masina izay niatrehany, ka niteny Izy hoe: ianao dia tsy inona, fa tondro anankiray fotsiny no mandeha rá, ary anatin’ny lálan’i Allah no isedranao izany. [ Mouttafaquoun alayhi]. Izany hoe; ianao dia maratra anatin’ny lálan’ny Tompo Allah swt, izay mahazo anao dia antenaina hahazoana fahasoavana avy amin’Allah swt.

  1. Ny Fahadiovam-po: Hamafisina, fa ny Mpaminany Mohammad –saw- dia nanana fahadiovam-po mandrakariva izy amin’ny raharahany sy ny zavatra ataony rehetra araka ny nandidian’ny Tompo Allah swt azy amin’izany. Ka hoy Allah Ilay avo indrindra manao hoe: “Lazao hoe: Hamafisiko, fa ny vavaka izay ataoko, (Soalah), sy ireo asa fanompoako (ny sorona), ny fiainako iray manontolo, ary ny fahafatesako, dia an’Allah Tompo Zanaharin’izao tontolo izao”. [Al-an’ám, and: 162].

Ny hatsaran-toetra sy ny hatsaram-pifandraisany amin’ny fianakaviana: Arak’izay nambaran’ny vadiny Aishah (RA) momba an’ny Mpaminany –saw- rehefa nanontaniana mahakasika ny toetrany, dia navaliny fa: “Ny toetrany dia ny Boky masina Kor’any”. [Mousnad Imám Ahmad-Swahih]. Izany hoe; ny tiany hambara amin’izany, Izy dia manaraka izay nandidian’ny Tompo Allah azy, ary mitsahatra amin’ny zavatra izay nandraran’Allah azy koa, izay mampihatra amin’ny fiainany izay zavatra rehetra mahasoa amin’ny fanambaran’ny Tompo Allah swt, ary mihataka avy amin’izay rehetra nanakanan’ny Tompo Allah swt amin’ny fahotana vetaveta miharihary izany na miafina. Satria arak’izay efa nambarany manao hoe: ”Hamafisina, fa Izaho dia nalefa hampianatra ny toetra tena tsara indrindra”. [Mouslim].

  1. Allah Ilay feno hasina, ilay avo indrindra, dia manambara ny toetran’ny Mpaminany –saw- manao hoe: ”Hamafisina, fa ianao no ambony toetra tokoa”. [Al-qalam, and: 4].

Hoy Anasy bin Málik (RA) hoe: Izaho dia efa nanao asa fanampiana an’ny Iraka masina Mohammad –saw- nandritra ny folo (10 ans) amin’alina sy antoandro, an-tanána na amin’ny fandehanana lavitra, ka tamin’ny alálan’izany mihitsy no nahaizako momba ny fiainany sy ny zavatra rehetra izay sedrainy. Ka nambaran’i Anasy tamin’izany hoe: ”Ny Iraka –saw- no nanana toetra tena tsara indrindra amin’olombelona rehetra”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ary mbola miteny izy manao hoe: Ny Mpaminany –saw- dia tsy mpanompa, sady tsy mpanao asa vetaveta, ary tsy mpanozona. Fa matetika izy miteny amin’iray aminay raha sendra nanao zavatra mahamenatra nataon’ilay olona na koa miteraka fanendrikendrehana, miteny izy hoe: Ny zavatra nahazo azy, dia hampisedra tany ny handriny. [Alboukhari].

  1. Ny Fahamendrehana: Araka ny tatitra nataon’i Sahl bin Sa’d (RA), fa indray andro dia nahavoaray zava-pisotro, ka nisotro aloha Izy, nefa nisy ankizy lahy teo amin’ny ankavanany, ary nisy ireo olon-dehibe teo amin’ny ankaviany, ka nanontaniany ilay ankizy lahy hoe: ” Mamela anahy hanome an’ireto aloha ve ianao?”. Namaly ilay ankizy lahy, hoe: Oh ry Irak’Allah! Tsy hanome ny anjarako amin’iza na iza amin’izay omenao aho. Ka napetran’ny Mpaminany Mohammad –saw- amin’ny tánan’ilay ankizy lahy ilay zinga. [Mouttafaquoun alayhi].
  2. Fitiavana fampihavanana: Nambaran’i Sahl bin Sa’ad (RA): Ireo mponina tao Koubá, dia nifamono izay nahatonga azy hifampitora-bato. Rehefa naheno vaovaon’izay ny Iraka –saw- dia niteny izy hoe: ”Ndao isika hampihavana azy ireo”. [Alboukhari].
  3. Fampirisihana amin’ny tsara sy ny fandrarana amin’ny ratsy: hoy Abd Allah bin Abbasy (RA): Indray andro ny Iraka masina Mohammad –saw- nahita lehilahy anankiray nitafy peratra volamena tamin’ny tánany, dia nalainy izany ary natsipiny. “Sahy mihitsy ny iray aminareo haka vaikatr’afo, ka hapetrany amin’ny tánany”. Ka rehefa nandeha ny Iraka –saw-, dia nolazaina izy hoe: Raiso amin’izay ny peratrao, ary maká tombontsoa avy aminy (ampiasao). Namaly ilay lehilahy hoe: Tsia, ary mifanta amin’Allah aho, fa tsy haka an’iny intsony aho mandrakizay, satria ny Irak’Allah –saw- mihitsy no nanorak’azy. [Mouslim].
  4. Fitiavana fahadiovana: hoy Al-Mouhájir bin Kounfouz (RA), dia tonga tamin’ny Mpaminany –saw- izy indray andro, ka sendra Izy mbola nivoaka (nipipy), dia niarahaba azy (@fitenenana Assalamou alaykoum), nefa ny Mpaminany –saw- dia tsy namaly. Fa rehefa avy nanao fidiovana masina Izy (woudhou), dia nialatsiny taminy, ka niteny hoe: ”Hamafisina, fa tsy tiako mihitsy ny hanonona ny anaran’ny Tompo Allah, raha tsy efa anatin’ny fahadiovana”. [Sounan Abi Daoud].
  5. Fiarovana ny Lela: Nitaterin’i Abd Allah bin Abi Aoufá (RA): ”Ny fomba fanaon’ny Mpaminany –saw- dia manao betsaka ny fahatsiarovana an’Allah swt, ary mampihena ny fanaovana sangisangy sns…, ataony lava ny fanompoam-pivavahana soalah, nefa afoheziny ny tori-teny, tsy mandá no sady tsy manambonitena hiara-dia amin’ireo vehivavy maty vady, na ny mahantra mba hanome azy ireo ny zavatra tadiaviny”. [Sounan An-Nasái] (Nohitsian’i Sheikh Albany @Swahih Al-Jámí: 5005).
  6. Fanompoana betsaka: Hoy Aishah (RA): Hamafisina, fa ny Mpaminanin’i Allah, dia mitsangana mivavaka amin’ny alina hatrany, na ny tongony dia lasa mivonto mihitsy. Ka miteny azy ny vadiny Aishah (RA), hoe: Fa maninona ianao no manao an’izao! Efa navelan’Allah izay mety ho fahadisoanao, na tamin’ny lasa izany na ny ho avy?. Ka namaly izy hoe: “Tsy tiako ve mba ho mpanompo mahay mankasitraka”. [Mouttafaquoun alayhi].
  7. Ny fahalefahana sy ny fahatsorana: nambaran’i Abou hourairah (RA): Indray andro i Toufail bin Amri Ad-Daousy sy ireo namany dia tonga tamin’ny Mpaminany –saw-, ka hoy izy ireo hoe: Oh ry Irak’Allah! Hamafisina, fa ry Daousy dia tsy Mankato sady mandá, ka mangataha ratsy ho azy ireo. Ary nisy niteny mihitsy hoe: Loza hoan-dry zareo Daousy. Nefa ny Mpaminany –saw- dia niteny hoe: “Oh Allah! Hitsio ry zareo Daousy, ary ampanatony izy ireo”. [Mouttafaquoun alayhi].
  8. Hatsarana amin’ny endrika: hoy Al-Bará bin Ázib (RA), hoe: ” Ny Mpaminany –saw- dia tena olona antonontonony ny vatany, izay misy elanelany eo amin’ny sorokany roa, ny volon-dohany dia mahatratra ka hatramin’ny tendron-tsofiny, efa hitako izy nitafy Akanjo mihaja miloko mena, ary mbola tsy nahita zavatra tsara tokoa noho izany aho”. [Mouttafaquoun alayhi].
  9. Ny tsy fifikirana amin’ny fiainana eto an-tány: Hoy Abd Allah bin Mas’oud (RA), hoe: indray andro ny Mpaminany –saw- natory ambony tsihy, ka rehefa nifoha izy, dia hita amin’ny vatany ny faritran’ilay tsihy. Nambaranay azy hoe: Oh ry Irak’Allah! “Raha sitrakao dia nakanay zavatra mba hataonao ondana sy fiankinana. Namaly Izy hoe: Inona ny olako sy ny fiainana eto an-tány? Izaho dia tsy iza fa, tahaka ny mpitaingina izay mba naka aloka ambany hazo mangatsiatsiaka, avy eo, dia niala sady lasa”. [Sounan At-Tirmithi]. {Nohamarinin’i Sheikh Albany, ao @ Sounan At-Tirmithi}.

Hoy Amri bin Al-Hárith (RA), hoe: ”Ny Iraka –saw- dia tsy namela na Dirham na Dinar, tsy adevo lahy na vavy na zavatra hafa ankoatr’izay tamin’ny fahafatesany, afa-tsy ampondrany fotsy anankiray, sy ny fitaovam-piadiany, ary tány izay navelany hatao fanomezana”. [Alboukhari].

  1.  Famelana vokatra tsara: Nambaran’i Sahl bin Sa’d (RA), hoe: indray andro nisy vehivavy nitondra Salovana. Ka nanontany Izy (saw) hoe: Fantatrareo ve ny atao hoe: Salovana? Nisy namaly hoe: Eny, fantatray; Lamba izay misy zaitra amin’ny sisiny. Hoy ilay vehivavy hoe: Oh ry Irak’Allah! Izaho no nanjaitra azy io tamin’ny tánako, ary tiako ny hitafiananao azy. Ka noraisin’ny Mpaminany –saw-, satria tiany ilay izy. Ka rehefa indray andro dia tonga taminay izy, dia nitafy azy io. Iray tamin’ny vahoaka niteny hoe: Oh ry Irak’Allah! Ampitafio ahy izy io. Namaly Izy (saw), hoe: Eny. Nipetraka tamin’ny fivoriana ny Mpaminany –saw-, ka rehefa avy eo, dia niverina nody any an-trano, ary natapiny ilay salovana. Rehefa maina tsara, dia nalefany tamin’ilay olona nangataka azy iny. Hoy ny vahoaka tamin’ilay nangataka, hoe: Tsara tokoa ny zavatra nangatahinao io! Satria, fantatrao fa, ny Mpaminany –saw-, dia tsy mandá fangatahana (tsy mandroaka mpangataka)! Hoy ilay lehilahy nangataka: Mifanta amin’Allah zaho, fa tsy nangataka an’iny lamba iny aho, afa-tsy hoe; Hataoko lamba hamonosana ny fatiko, amin’ny andro izay hifatesako. Hoy Sahl bin Sa’d (RA) : tena lasa lamba namonosana ny fatiny tokoa ilay salovana. [Swahih Al-Boukhari).
  2. Tanjaka ny Finoana sy ny fianteherana tanteraka amin’Allah: Hoy Abou Bakr (RA), hoe: Tamin’ny fotoana izahay tao an-davabato, dia nijerevako ny tongotr’ireo mpanompo sampy eo ambony lohanay. Ary nambarako hoe: Oh ry Irak’ Allah! Raha mijery ny tongony ny iray amin’izy ireo, dia hitan’izy ireo isika ambanin’ny tongony roa. Ka niteny ny Mpaminany –saw- hoe: ” Oh ry Abou bakr! Ahoana ary no ambaranao, raha olona anankiroa, fa i Allah no fahatelon’izy ireo?”. [Mouttafaquoun alayhi].
  3. Ny fangorahana sy fitiavana: hoy Abou Qatádah (RA), hoe: “Indray andro ny Mpaminany –saw- tonga taminay nitondra an’i Oumámah bint Abi Al-ás amin’ny sorokany. Ary nivavaka izy, ka rehefa miondrika izy dia apetrany, fa rehefa mianko izy, dia raisiny miaraka aminy koa”. [Mouttafaquoun alayhi].
  4. Fanamorana: araka ny tatitr’i Anasy (RA): Ny Iraka masina Mohammad –saw- dia niteny hoe: ”Hamafisina, fa Raha miditra anaty Soalah zaho, ary tiako halavaina ny vavaka izay ataoko, nefa rehefa maheno ankizy mitomany aho, dia afoheziko ny Fanompoam-pivavahana izay ataoko, satria fantatro tsara ny fahasahiranan’ny Reniny amin’ny zanany rehefa mitomany”. [Al-boukhari].
  5. Fahatahorana sy fanetrentena: Abou hourairah (RA) nitatitra, fa ny Mpaminany Mohammad –saw-, dia niteny manao hoe: ”Hamafisina, fa misy fotoana zaho mandeha mody amin’ny fianakaviako, dia mahita antrendry izay milatsaka eo ambonin’ny fandriako, ka raisiko ampiakariko am-bava mba hihinana an’izany, nefa noho ny fahatahorana sao dia mba fanomezana izany, dia atsipiko any ilay antrendry”. [Mouttafaquoun alayhi], (izany hoe; haramo taminy ny fihinana fanomezana).
  6. Famatsiana: Hoy Anasy (RA) hoe: ”Ny Iraka masina –saw-, na inona na inona ny zavatra nangatahina taminy tanatin’ny Finoana Silamo, dia nomeny daholo”. (Izany hoe; raha misy olona mangataka zavatra aminy mahakasika ny tombontsoa eto an-tány, mba ho takalony amin’ny fidirana amin’ny finoana Silamo, dia tsy maintsy omeny). Indray andro nisy lehilahy tonga taminy, dia nomeny ondry roa tendrom-bohitra (Izany hoe: ondry maro, izay mahafeno tendrom-bohitra anankiroa). Niverina tany amin’ny vahoakany iny lehilahy iny, ka niteny izy hoe: Ry vahoakako! Midira amin’ny finoana Silamo daholo ianareo, satria i Mohammad, dia manao fanomezana, izay tsy matahotra fahantrana (rehefa manome). [Swahi Mouslim].
  7. Fitiavana Fifandraisana: nitaterin’i Aishah (RA), rehefa nanontaniana izy mahakasika ny zavatra izay ataon’ny Mpaminany Mohammad –saw- rehefa ao an-trano Izy? Namaly izy nanao hoe: Rehefa tonga antrano izy, dia manampy ny fianakaviany amin’ny fanaovana asa ao an-trano, ka rehefa tonga ny fotoanan’ny Soalah, dia mivoaka Izy mandeha mivavaka”. [Alboukhari]. Nitatitra koa Al-bará bin Ázib (RA), hoe: Efa hitako ny Mpaminany Mohammad –saw- tamin’ny andron’ny Khandak, rehefa izy nitatitra tány, ka feno tany daholo ny volovolon-tratrany manontolo, ary Izy dia Lehilahy izay be volovolo, tamin’izany fotoana izany izy dia manaraka ny hira fiderana masina izay nataon’i Abd Allah bin Rawáhah, midika toy izao manaraka izao: Oh Allah! Raha tsy noho ny antony anao, dia tsy nahazo fahitsiana izahay, ary tsy nanao fanomezana sady tsy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana- ka mba ampidino aminay ny fahatoniana- ary afikiro matotra tsara ny tongotray rehefa miatrika ny fahavalo- hamafisina, fa niangaran’ny fahavalo izahay- amin’izay raha maniry haratsiana aminay izy ireo, dia mba afaka mandá izahay”, ary tena nampiakarin’ny Mpaminany avo tsara mihitsy ny feony tamin’izany. [Mouttafaquoun alayhi].
  8. Fitenenana marina: ny Vadiny Aishah (RA) dia niteny hoe: “Tsisy toetra tena tsy tian’ny Irak’Allah –saw- indrindra ankoatry ny lainga/Vandy, ary indraindra misy olona miresaka lainga eo anatrehan’ny Mpaminany –saw-, dia miaina amin’izay ihany ilay olona mandrapaha fantatry ny Mpaminany saw, fa efa nibebaka izy”. [Sounan At-Tirmithi], {ary nohamarinin’i Sheikh Albany ao @ Swahiha: 2052}. Ireo fahavalony dia nijoro vavolombelona tamin’ny fahamarinany, ary anisan’izany dia Abou Jahl, izay tena fatra mpankahala an’ny Iraka masina –saw- indrindra amin’olombelona rehetra. Indray andro izy dia niteny taminy hoe: Oh Mohammad! Tena marina, fa zaho dia tsy miampanga anao ho mpandainga, nefa izaho dia mandá ny zavatra izay nentinao sy izay iantsoanao olona. Ka noho izany mihitsy no nampidinan’Allah swt izao andininy manaraka izao: ”Efa fantatray tokoa fa mampalahelo anao izay nolazain’izy ireo. Nefa raha my marina, dia tsy miampanga lainga anao velively izy ireo, fa ireo mpanao ny tsy rariny no mandá ny porofo famantarana an’Allah”. [Al-an’ám, and: 33].
  9. Fanajana ireo Fetra masina avy amin’Allah: araka ny tatitr’i Aishah (RA): Ny Mpaminany –saw- rehefa ampisafidina amin’ny zavatra anankiroa, dia misafidy ny mora indrindra amin’izy ireo, raha toa ka tsisy fahotana. Nefa raha toa ka misy fahotana ny mora indrindra amin’izy ireo, dia mihataka lavitra indrindra avy amin’izany izy. Mianiana aho, fa Izy –saw- dia mbola tsy namaly faty na tamin’iza na tamin’iza, na dia tamin’ireo raharaha izay nentina teo anatrehany, afa-tsy hoe, ny Fetra masin’Allah no voahitsakitsaka na voakitikitika. Fa raha ny fetra masin’Allah no voakitikitika dia tsy maintsy mandray fepetra Izy”. [Sounan at-Tirmithi].
  10. Fitsikiana amin’ny tarehy: hoy Abd Allah bin Al-Hárith: “Izaho dia mbola tsy nahita olona betsaka fitsikiana indrindra ankoatran’ny Irak’Allah –saw-”. [Sounan attirmithi].
  11. Ny Fitokisana sy ny antoka: Ny fitokisana tamin’ny Mpaminany –saw- dia tena zavatra lafo vidy indrindra. Fa ireo mponin’ny Makkah, izay nandray azy ho fahavalo, rehefa nampiharihary ny fampielezany ny finoana silamo izy, dia nokasain’izy ireo ho vonoina izy sy ireo mpanaradia azy. Nefa na dia henjana tahaka ny inona ny fampifahavaloana taminy sy ireo fahavalony, dia mbola nametrahan’izy ireo fitokisana sy fananana manandanja hatrany izy-saw-. Ary izany fametrahana fitokisana taminy izany dia nandritra ny fotoana maharitra, afa-tsy tamin’ny fotoana izay tsy maintsy hialany tao Makkah ka hifindra-monina any Madinah, vokatry ny teritery sy vono maro isankarazany izay nosedrain’izy ireo tao Makkah. Ka voatery Izy tsy maintsy nandidy an’ny Zanaky ny Dadatoany, Aly bin Abi Twálib (RA), tsy hifindra-moninamba hijanona tao Makkah mandritra ny telo andro mba hamerina amin’ny tompony ireo Fitokisana sy fananan’olona marobe izay napetrak’olona taminy –saw-.[Sirat ibni Hishám: 3/11]. Tahaka izany no fomba nanatanterahan’ny Mpaminany –saw- ny fifanarahana tamin’olombelona hafa. Ary indrindra tamin’ny fotoana nanoratan’i Souhail bin Amri tamin’ny Iraka masina –saw- tamin’ny andron’ny ady lehibe antsoina hoe: “Al-Houdaybiyah”, mahakasika indrindra ny fe-potoana hitazomana ny fanana. Ary anisan’ny fepetra izay napetrak’i Souhail bin Amri, hoe: Tsisy na iray aminay ho tonga any aminao, na dia fa manaraka ny finoanao izy, raha tsy averinao aty aminay izy, ary avelanao malalaka tsara koa izy. Ary nandá mihitsy i Souhail, raha tsy amin’izay fitakiany izay ihany no tsy maintsy harahin’ny Mpaminany –saw-. Ka nisedra fahasarotana tokoa ny Mpino Silamo tamin’izany, ary nankahala an’izay tokoa izy ireo, izay niteraka resa-be tamin’izy ireo ny mahakasika izany. Rehefa nandá afa-tsy izay fepetra tamin’ny Mpaminany –saw- izay ihany i Souhail bin Amri, dia nanoratra taminy indray ny Mpaminany –saw. Raha teo amin’izany ady hevitra izany izy ireo, dia niditra avy any i Abou Jandal bin Souhail bin Amri, izay sahirana mamindra noho ny fatotra gada-vy izay mamatotra azy (izany hoe: mamindra moramora noho ny fatotra gadra-vy aminy). Hamafisina, fa izy dia nivoaka avy tany amin’ny farany ambany ao Makkah, izay nanipy ny tenany teo anatrehan’ny Mpino Silamo. Ka hoy Souhail bin Amri, Dadan’i Abi Jandal: Izy io mihitsy no tiako hitsarana anao voalohany amin’ny tsy maintsy hamerenanao azy aty amiko, oh ry Mohammad. Ka navalin’ny Mpaminany –saw- hoe: ”Mba avelao hoahy moa izy”. Navaliny hoe: Tsy omeko anao izy. Ka hoy ny Iraka –saw-: ”Eny, mba tanteraho”. Namaly Souhail, hoe: Tsia, tsy hanao an’izany aho. Ka nisy fiantraikany tamin’ny fihetseham-pon’i Abou Jandal ilay izy, ka nahatonga azy niteny mba hila hevitra avy amin’ny Mpino Silamo, hoe: Ry Mpino Silamo! Hiverina amin’ireo mpanompo sampy aho, nefa tena marina fa, efa tafiditra ato anatin’ny Finoana Silamo aho? Tsy hitanareo ve izay rehetra nisedraiko izay? Satria efa voasazy mafy dia mafy tokoa izy, noho ny antony Allah swt. Ka niafarany, dia naverin’ny Irak’Allah –saw- tany amin’ny Souhail bin Amri izy, noho ny antony mba hanatanterahana ny fifanarahana izay efa natao. [Swahih Al-Boukhari].

Ka hoy ny Irak’Allah –saw- tamin’i Abou Jandal, hoe: ”Oh ry Abou Jandal, mahareta ary manana fanantenana fahasoavana, satria i Allah –swt- dia hanome fahasambarana sy vahaolana tsara ho anao sy ireo Mpino marefo miaraka aminao. Hamafisina, fa izahay dia efa nanao fampihavanana tamin’ireo vahoaka, noho ny fifanarahana izay nisy teo aminay sy izy ireo, ary izahay dia tsy mba mivadika amin’ny fifnarahana izany”. [Mousnad Al-Imám Ahmad].

Niverina tany Madinah amin’izay ny Mpaminany –saw-, ka tonga Abou Baswir –lehilahy avy amin’ny foko Kouraishy-izany hoe; Mouslim no anarany. Ka nandefa lehilahy anankiroa izy ireo niaraka taminy, noho ny fangatahany. Ka niteny taminy izy ireo hoe: Ary ny fifanarahana eo amintsika? Ka noho izany, dia natolony tamin’ireny lehilahy roa ireny.

  1. Ny Fahasahiana fa tsy tokony hihambahamba: Nambaran’i Ali (RA) hoe: Hamafisina, fa izaho dia nahita ny tenako tamin’ny andron’ny Ady lehibe antsoina hoe: ”Badr”, ary izahay tamin’izany dia nanandratra azy ambony –saw- mba ho hitan’ny rehetra, ary tena eo akaikin’ny fahavalo tokoa izy tamin’izany andro izany, no sady nanana fitaovam-piadiana mafonja koa izy tamin’izany”. [Mousnad Imam Ahmad].

Fa ny fahasahiany kosa teo ivelan’ny Ady, raha araka ny nambaran’i Anasy bin Málik (RA), hoe: Ny Mpaminany –saw- dia olona tsara indrindra anatrehan’olombelona rehetra, ary tena sahy indrindra. Taitra sady nangovitra ny olon’ny Madinah indray alina, ka nivoaka daholo ny vahoaka tamin’izany nandeha manoloana ny toerana izay nandrenesana ny feo, ka ny Mpaminany –saw- no nandray azy ireo tamin’izany. Ary efa fantany tsara ny vaovao nandalo tamin’izany fotoana izany, ary nitaingina soavalin’i Abou Twalhah izy tamin’izany, izay tsy nisy zavatra fitoerana na fitondrana entana izany soavaly izany tamin’izany. Ny sabatra dia misampy amin’ny vozony, ary niteny izy hoe: K’aza matahotra ianareo, k’aza matahotra ianareo. Dia mbola niteny koa izy –saw- hoe: Tahaka ny ranomasina ny fahitanay azy (soavaly zany), na mety niteny koa izy hoe: Tena ranomasina tokoa izy io. (Izany hoe; noho ny falakisany mihazakazaka). [Mouttafaquoun alayhi]. Izany hoe; mahakasika ilay soavaly, dia nahatonga ny vahoakan’ny Madinah nivoaka amin’ny tahotra, tamin’ny fandrenesan’izy ireo feo mba handeha hanadihady ny zava-misy marina. Nefa ny Irak’Allah –saw- irery ihany no tonga avy amin’ny toerana izay nivoahan’ilay feo, ary teo no nandraisany azy ireo, mba hampitony ny tahotr’izy ireo. Ary soavaly tsotra izao fotsiny no nitaingenany tamin’izany, izay tsy nisy fitaovana akory tamin’ilay soavaly. Satria noho ny antony ny zava-nisy tamin’izany dia mila vonjena haingana dia haingana tokoa, ka izay no nahatonga azy ninday soavaly mbola tsy vita fanomanana. Ary niaraka taminy ny sabatrany tamin’izany, satria mety misy zavatra hilana izany any. Ary nambarany azy ireo fa, ilay soavaly nentiny dia tena tahaka ny ranomasina tokoa, izany hoe; tena malaky dia malaky amin’ny hazakazaka tokoa. Ka noho izany dia tsy nahandry ny fivoahan’olona hiara-dia aminy izy amin’ny fahafantarana marina ny toe-jazatra niseho.

Tamin’ny Ady Lehibe Ouhoud, dia nila-hevitra tamin’ireo Mpanaradia azy ny Mpaminany –saw-, ka nanolo-kevitra azy izy ireo amin’ny hiadivana. Nefa dia nahita hevitra hafa ankoatr’izay, fa ny filan-kevitra dia zava-dehibe ka tsy maintsy nangataka ny hevitr’izy ireo Izy mba ho fanajana ny hevitry ny hafa.

Ka nanenina ireo Mpanaradia Azy tamin’ny hevitra izay natolotr’izy ireo an’ny Mpaminany –saw, satria ny Mpaminany –saw- dia naniry zavatra hafa tanteraka. Hoy ireo Answar hoe: Naverinay tamin’ny Mpaminany –saw- ny heviny, ka izy ireo niteny hoe: Oh ry Mpaminanin’Allah: Ny hevitrao no andrasanay.

Namaly izy -saw- hoe: ” Tsy mety amin’ny Mpaminany, raha nitafy fiarovan-tena amin’ny Ady izy, ka hanala izany alohan’ny Ady”. [Mousnad Al-Imam Ahmad, ary nohamarinin’i Sheikh Albany, As-Swahihah: 1100].

  1. Ny Fahalalahan-tánana sy ny Fitiavana manome: Hoy Abd Allah bin Abbasy (RA) hoe: ”Ny Irak’Allah saw no tena malala-tánana (tsara) indrindra amin’olombelona rehetra, ary Izy –saw- dia vao mainka malala-tánana (tsara) ambonin’ny an-davanandro raha anatin’ny volana masina Ramadany, ary indrindra moa rehefa mihaona amin’ny Anjely Gabriely/Jibril Izy.

Ary mihaona aminy Izy isaka ny alina rehefa amin’ny volana Ramadany, ary mampamaky azy ny Boky masina Kor’any. Ary hamafisina, fa ny Irak’Allah –saw- dia tena tsara lavitra noho ny rivotra madio”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ary nambaran’i Abou Zarr (RA): Indray andro zaho, dia niara-dia tamin’ny Mpaminany –saw- tamin’ny faritra be vato tao Madinah, ary izahay mandeha miatrika amin’ny tendrom-bohitra Ouhoud, ka nambarany tamin’izany hoe: ”Oh ry Abou Zarr”! navaliko azy hoe: Mankato Anao ry Irak’Allah. Hoy Izy –saw- hoe: “Tsy tiako raha ho ahy ny tendrombohitra Ouhoud feno volamena (izany hoe; hanana volamena feno tendrombohitra tahaka ny Ouhoud), tonga amiko mandritra ny iray na roa alina, ka mahazo vola (Dinar) amin’ny alalan’izany aho, dia hanaovako asa-soa daholo, afa-tsy izay handoavako trosa, izany hoe: hozarazaraiko amin’olona, hoatran’izao, hoatran’izao dia hoatran’izao”, nasehony tamin’izany; ankavanany, sy ny ankaviany ary ny afarany”. [Swahih Al-Boukhari].

Araka ny tatitra izay nataon’i Jabir bin Abdillah (RA), hoe: ”Ny Mpaminany –saw- dia mbola tsy nangatahina zavatra ka niteny hoe: Tsisy na tsia”. [Swahih Alboukhari&Mouslim].

Ny Fahamenarana/Henatra: Hoy Abou Said Al-khoudri (RA): ” Ny Mpaminany Mohammad –saw- dia sarokenatra indrindra ambonin’ny vehivavy mbola virijiny izay ao anatin’ny lamba fitafy (amin’ny maha virijiny azy), ka raha sendra mahita zavatra tsy tiany izy, dia fantatray avy amin’ny tarehiny ihany”. [Alboukhari & Mouslim].

Ny Fanetren-tena: Hamafisina, fa Ny Mpaminany –saw- no olombelona betsaka fanetrentena indrindra. Ary tena marina fa, anisany famantarana lehibe indrindra mahakasika ny Fanetren-tenany, dia raha misy olona miditra ao amin’ny Masjidy (Toeram-pivavahan’ny Mpino Silamo) dia tsy hahafantatra Azy, eo anatrehan’ireo Mpanaradia azy. Nambaran’i Anasy bin Málik (RA) hoe: Indray andro sendra izahay nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany –saw- tao amin’ny Masjid, dia nisy lehilahy anankiray tonga avy any nitondra Rameva, izay napetrany teo amin’ny Masjid, ary nifatorany amin’izay ny ramevany. Ary nanontany azy ireo izy hoe: Iza aminareo moa izany Mohammad izany? Ary Ny Mpaminany –saw- tamin’izany dia niankina eo afaran’ny lamosin’ireo Mpanaradia Azy. Ka hoy izahay taminy hoe: io lehilahy fotsy fihodirana miankina io…”[Al-Boukhari]. Izany dia noho ny antony Izy tsy manavakavaka sady tsy miavakavaka amin’ireo Mpanaradia Azy sy ireo mpiara-mivory aminy.

Izy dia tsy mba mankahala na mandá na hanambony ny tenany amin’ny fiarahana mandeha miaraka amin’olona mahantra, na marefo ara-pivelomana, na olona sahirana ka mila fanampiana, mandrapaha hanomezany ny zavatra tadiavin’izy ireo. Hoy Anasy (RA) hoe: Indray andro nisy vehivavy avy ao Madinah nila fanampiana, ka tonga tamin’ny Mpaminany Mohammad –saw- niteny hoe: Oh ry Irak’Allah! Izaho dia misy itadiavako anao. Ka hoy ny Mpaminany –saw- taminy hoe: “Oh ry Renin’ny folany (endrin-draha), ambarao ahy aiza ny lálana mety aminao mba hahitako anao amin’izay hanomezako anao ny fangatahanao. Avy eo, dia lasa izy niara-dia tamin’ilay vehivavy mba hanome azy ny zavatra tadiaviny mandrapaha vitan’ izany.” [Swahih Mouslim].

Ny Indra-fo sy ny fahatsoram-po: nambaran’i Abou Mas’oud Al-aswáry (RA) hoe: Indray andro nisy lehilahy tonga tamin’ny Irak’Allah –saw- niteny taminy hoe; Oh ry Irak’Allah! Izaho dia mianiana amin’Allah, fa tena tara foana aho amin’ny fotoana fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana Soalah amin’ny antoandro, noho ny antony olona izay mitarika anay ao, satria ataony lava loatra ny fanaovany azy. Nambaran’ilay Mpitatitra fa, mbola tsy nahita an’ny Mpaminany –saw- tezitra mafy tokoa tamin’ny anatra izay nataony ankoatr’izay nataony tamin’io andro io. Ary niteny Izy –saw- tamin’izany hoe: ”Ry Olombelona! Misy aminareo dia mampandositra olona, ka noho izany, na iza na iza aminareo mampivavaka olona, dia mila mahay mandanjalanja ny fitarihana izay ataony, (izany hoe; tsy atao lava loatra), satria misy amin’izy ireny no olona be antitra, marefo, ary ireo misy zavatra manahirana azy amin’ny fiainany andavanandro”. [Al-boukhari & Mouslim].

Nambaran’i Ousamah bin Zaid, (RA) hoe: indray andro izahay raha sendra teo amin’ny Mpaminany –saw-, dia nisy olona nirahin’ny iray tamin’ireo zanany vavy tonga avy tany, izay nampiantso azy fa, marary mafy ho faty ny zanak’ilay zanany. Ka nambaran’ny Mpaminany –saw- azy hoe: Miverena ianao, ary lazao aminy fa, ho an’Allah ny zavatra nalainy, ary ho azy koa ny zavatra nomeny, ary ny zava-drehetra dia manam-petra eo anatrehany, ary teneno izy mba hanana faharetana sady hanantena fahasoavana avy amin’Allah”, nefa mbola naverin’ny zanany vavy ilay olona nirahiny iny fa, mifanta amin’ny Zanahary izy (Zanany vavy) fa, tsy maintsy tonga any ianao (oh ry Irak’Allah). Ka nitsangana ny Mpaminany –saw-, ary nitsangana nanarak’Azy koa i Sa’d bin Oubádah, sy Mou’áz bin Jabal (RA). Ka rehefa tonga tany izy ireo dia, natolotra Azy ilay ankizy marary ho faty, ka nangovitra tanteraka ny tenany manontolo tahaka ny rano anaty lanánana (rano mihontsana @ lagnagna), ary nirotsaka ny ranomasony tamin’izany. Ka nambaran’i Sa’d taminy hoe: Inona indray ity ataonao ity, oh ry Irak’Allah? Namaly Izy hoe: ”Izao dia inakinaka izay napetrak’Allah anatin’ny fon’ireo mpamompony, ary hamafisina fa, ireo manana indra-fo amin’ny hafa ihany no, hananan’i Allah indra-fo”. [Swahih Alboukhari&Mouslim].

  1. Ny Fangorahana sy ny famelana ny hafa: nitaterin’i Anasy bin Málik (RA), hoe: “Nivoaka niaraka tamin’ny Mpaminany Mohammad –saw- izaho indray andro, ary nitafy lamba vita avy any Najrany, any Yamen izy tamin’izany, izay matevintevina ny ravin’ilay lamba. Iny izahay eny andalana, dia nisy tambanivolo Arabo iray tonga dia nanintona mafy-be ny lamban’ny Mpaminany –saw-, ary hitako mihitsy ny sorokan’ny Mpaminany –saw- nivoaka tamin’izany. Ary nisy rovitra mihitsy ny sisin’ilay lamba tamin’izany, noho ny sintona mahery loatra nahazo azy. Ary nambaran’ilay tambanivohitra Arabo hoe: Oh ry Mohammad! Mba omeo avy amin’ny harenan’i Allah izay misy aminao ahy. Nitodika taminy ny Mpaminany –saw-, ary nihomehy taminy, ka rehefa avy eo, dia nandidy amin’ny hanomezana azy ny fanomezana”. [Swahih]. Ary anisany ohatra izay manambara ny fangorahany ihany koa, dia ny hadisy izay notaterin’i Zayd bin Sou’nah –ary izy dia anisan’ireo Mpitarika fivavahana amin’ny finoana Jiosy-, hoe: Nampihindrana fananana an’ny Mpaminany –saw- izy indray andro, ary efa tonga tamin’ny fotoana izay tena nilany vola mba hikarakarany ireo olona izay mbola tambazana ny fony. Hoy Zayd hoe: Rehefa roa na telo andro no sisa tavela amin’ny fe-potoana izay tokony tsy maintsy handoavan’ny Mpaminany ny findramana izay nataony, dia iny ny Irak’Allah –saw- nivoaka niatrika fandevenana lehilahy iray izay maty avy amin’ireo Answáry, ary niaraka taminy tamin’izany dia i Abou bakr, Omar, sy Ousmán, ary vondrona maro avy amin’ireo mpanaradia Azy ihany koa. Rehefa avy nanatanteraka ny vavaka tamin’ilay maty Izy, dia nanakaiky ny rindrina, ary nipetraka teo Izy. Ka nanatona azy aho, ary nosamboriko tamin’ny vozon’akanjony izy, sady nojerevako amin’ny tarehy feno hatezerana tanteraka izy, ka nambarako azy hoe: Tsy hanome ahy ny zoko mihitsy izany ianao oh ry Mohammad? Mianiana amin’Allah aho fa, tsy nahafantatra anareo zanaka Abd al-Mouttwalib manitatra fe-potoana amin’ny zavatra, nefa tena, mba mahafanta-pantatra anareo ihany aho!! Ary mbola niteny izy hoe: Nijery an’i Omar bin Al-Khattwáb aho, ary ny masony roa dia mihodinkodina manaramaso tahaka ny kintana izay mandehandeha, ary nijery ahy. Nambaran’i Omar taminy, hoe: Oh ry fahavalon’i Allah! Ianao ve miteny amin’ny Irak’Allah izany teny henoko avoakanao izany, ary manao izao fihetsika izay hitako ataonao izao? Mifanta Amin’Izay nandefa azy amim-pahamarinana aho, raha tsy noho ny fahatahorana amin’ny fahaverezana zavatra amin’izao, dia tena nikapohiko tamin’ity sabatro ity ny vozonao io. Nefa ny Irak’Allah –saw- dia mijery an’i Omar (RA) amim-pahatoniana sy amim-pilaminana tanteraka. Ka hoy ny Mpaminany –saw- taminy hoe: Ry Omar! Isika dia tena mila ankoatr’izao avy aminao, fa tsy izao ataonao izao. Izany hoe: mba handidy ahy ianao amin’ny tsy maintsy hamerenako amin’ny tompony ny zony, ary ny handidianao azy amin’ny fitadiavana ny fahamarinana.

Mandehana miaraka aminy oh ry Omar, ary omeo azy ny zony, ary ampio fatra roapolo (20), ankoatr’izay nalaiko taminy izy.

Hoy Zayd hoe: Nandeha zaho sy Omar, ary nomeny ahy ny zoko, sady mbola nampiany antrendry izay mifatra roapolo (20) fatra. Nanontaniako azy hoe: Inona moa ity fanampiny ity? Namaly Omar (RA) hoe: Nandidy ahy ny Irak’Allah –saw- hanome anao fatra roapolo ankoatr’izay anjaranao iny.

Hoy aho (Zayd) tamin’i Omar (RA) hoe: Fantatrao ve aho ry Omar? Hoy Omar: Tsia, iza moa ianao? Nambarako azy hoe: Izaho dia Zayd bin Sou’nah. Hoy Omar: Ilay Mpitarika fivavahana Jiosy ve? Hoy aho taminy hoe: Eny, tompoko. Hoy Omar: inona áry no nahatonga anao hiteny sy hanao izay nataonao tamin’ny Irak’Allah –saw- iny? Ka nambarako hoy Zayd hoe: Oh ry Omar! Efa fantatro amin’ny tarehiny daholo ireo famantarana rehetra mahakasika ny faminanian’ny Mpaminany Mohammad, rehefa nijery azy aho, afa-tsy ny zavatra roa ihany no mbola tsy nitsapaiko taminy, ary mbola tsy fantatro ka hatramin’izao. Izany hoe: Efa nihoatra ny tsy fahafantarany ny fangorahany, ary raha misy ny tena tsy fahafantarany, dia mitombo hatrany ny fangorahany. Efa notsapaiko taminy daholo ireo zavatra roa ireo, ka noho izany dia; Mampijoro vavolombelona anao aho, oh ry Omar, fa izaho dia mankasitraka fa, i Allah no Tompoko, ary ny Finoana Silamo ho finoako, ary i Mohammad –saw- no Mpaminaniko. Ary mampijoro anao ho vavolombelona aho fa, ny antsasaky ny harenako, dia omeko hatao fanomezana hoan’ny vahoakan’ny Mpaminany Mohammad –saw-, ary mbola ho fenoiko harena koa ity tanánan’ny Madinah ity.

Ka hoy Omar (RA) taminy hoe: Hoan’ny ampahany amin’izy ireo ve izany, satria tsy ho vitanao ny hiantoka azy rehetra? Namaly aho, hoy i Zayd: Na ho an’ny sasany amin’izy ireo fotsiny.

Rehefa avy eo, dia niverina tany amin’ny Irak’Allah –saw- i Omar sy Zayd. Ka hoy Zayd bin Sou’nah: Mijoro vavolombelona aho fa, tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah (Zanahary), ary i Mohammad dia Mpanompony sady Irany.

Ka nino Azy sady nanamarina ny finoany Azy izy, ary niatrika Ady sy tranga maro isankarazany niaraka tamin’ny Irak’Allah –saw- izy, ary izy dia maty maritiora tamin’ny Ady tao Tabouk, izay niatrika hatramin’ny farany fa, tsy mba nandositra izany. Tompo Allah enga anie hánana indra-fo amin’i Zayd. [Swahih ibni Hibbán].

Ary anisany porofo sy ohatra lehibe amin’ny fangorahany ny hafa, dia tamin’ny fotoana izay nandreseny ka niditra tao Makkah, ary nivory hoazy daholo ny vahoakan’ny Makkah rehetra, ary indrindra indrindra ireo namono azy tamin’ny fomba isankarazany nefa tsy nahafaty azy, ary avy tamin’ny nataon’izy ireo mihitsy no nahatonga azy voatery tsy maintsy niala ny tánanany.

Rehefa vory teo anatrehany tao amin’ny Masjidy izy ireo, dia nambarany hoe: Ino no heverinareo hataoko aminareo amin’izao? Namaly izy ireo hoe: Manantena zavatra tsara izahay, satria ianao dia rahalahy manankaja, ary mbola zanaka rahalahy manankaja ihany koa. Ka nambarany azy ireo, hoe: ”Mandehana ianareo fa, malalaka daholo ianareo” (izany hoe: mamela anareo aho). [Sounan Al-baihaqy Al-koubrá] {Ary navoakan’i Tirmithi}.

  1. Ny Faharetana: Izy –saw- dia ohatra lehibe falain-tahaka amin’ny faharetana sy fandeferana. Talohan’ny asa fampielezana izay nataony, dia nanana faharetana tokoa Izy tamin’ny fampijaliana izay nataon’ireo vahoakany sy ny fanompoan’izy ireo sarivongana sy sampy isankarazany. Ka taorian’ny fampielezana ankarihary izay nataony, dia niaritra mafy izy, miaraka amin’ny fanantenana fahasoavana avy amin’ny Tompo Allah swt, tamin’ny vono sy fampijaliana rehetra izay nosedrainy tamin’ny vahoakany, izay nahitana karazana sazy maro isankarazany voalohany tao Makkah. Ary ny faharoa manaraka dia ny nataon’ireo mpihatsaravelatsihy tao Madinah. Ary ohatra lehibe falaintahaka koa izy, raha tamin’ny fahafatesan’ireo namana sy sakaiza akaiky azy. Ny Vadiny Khadijah sy ireo zanany rehetra dia maty tamin’ny fahavelomany daholo, afa-tsy ny zanany vavy Fatimah (RA).

Maty koa ireo dadatoany; Abou Twálid sy Hamzah, nefa na dia izany ny toe-java nisy tamin’izany, dia nanana faharetana sy fanantenana fahasoavana avy amin’ny Tompo Allah swt foana Izy –saw-.

Nambaran’i Anasy bin Málik (RA), hoe: indray andro izahay dia niara-niditra tamin’ny Irak’Allah –saw- tamin’i Abou Saif Al-yakine, ary ny vadiny mihitsy no nampinono an’i Ibrahim –AS- zanaka lahin’ny Mpaminany –saw-. Ka noraisin’ny Mpaminany –saw- Ibrahim –AS- ary nirofiny. Taorian’izany dia tonga tao aminy izahay, ary ny zanany lahy Ibrahim dia efa eo am-pialana aina ho faty. Nahita an’iny dia nilatsaka ny ranomason’ny Irak’Allah –saw- . Ka hoy Abdour-Rahman bin Aouf (RA) taminy hoe: ianao koa ve, oh ry Irak’Allah!!! Ka hoy Izy namaly hoe: ”Oh ry Ibn Aouf! Inakinaka izao”, ary mbola nitomany foana Izy. Ka nambarany hatrany hoe: “Hamafisina, fa ny maso no mitomany, ary ny fo kosa dia malahelo, ary izahay dia tsy afaka hiteny afa-tsy izay mahafaly ny Tomponay, fa izahay dia tena malahelo tokoa amin’ny fisarahana aminao oh ry Ibrahim”. [Alboukhari].

  1. Ny Fahamarinana sy ny fampitovizana: Ny Irak’Allah –saw- dia mampihatra ny fahamarinana hatrany Izy amin’ny raharaha rehetra nandritra ny fiainany manontolo, ary nampihatra ny fahamarinana tamin’ny fampiharana ny Lalánan’ny Tompo Allah –swt-. Hoy Aishah (RA), hoe: Rehefa nanahiran-tsaina ry zareo Koraishy ny raharahan’ilay vehivavy avy amin’ny Makhzoumiyah, izay tratra nangalatra, ka hoy izy ireo hoe: Iza izao mba afaka hiresaka amin’ny Irak’Allah –saw- mba hanelanelana? Hoy izy ireo hoe: Izy koa mendrika indrindra hanao an’izany ankoatran’i Ousámah bin Zayd (RA), izay olona anisany tena tian’ny Mpaminany –saw-. Rehefa niresaka taminy i Ousámah bin Zaid (RA), ka nambaran’ny Irak’Allah –saw- taminy hoe: “ianao ve hanelanelana amin’ny zavatra izay efa nodidin’i Allah!!”. Rehefa avy eo, dia nitsangana Izy –saw- ary nitori-teny, ka niteny hoe: Hamafisina, fa ny antony nampihatra loza an’ireo vahoaka teo alohanareo, dia noho ny antony hoe: Raha misy olona manan-kaja (Antony: Harena, Fihavanana, fianakaviana) amin’izy ireo no mangalatra, dia avelan’izy ireo malalaka, fa raha toa ka ny marefo no tratran’izy ireo mangalatra, dia ampiharin’izy ireo avy hatrany ny didy aman-dalána. Izaho dia mifanta amin’i Allah! Fa raha (sanatria ka ny zanako vavy) Fatimah Zanak’i Mohammad, no tratra nangalatra, dia hamafisiko fa tsy maintsy tapahako ny tánany”. [Mouttafaquoun alayhi].

Izy –saw- dia nampihatra fahamarinana na dia teo amin’ny famaliana faty amin’ny tenany. Hoy Ousayd bin Houdwair (RA), hoe: indray andro nisy lehilahy avy amin’ny Answar, niresaka tamin’ny vahoaka, resaka izay mifangaro sangisangy sy vazivazy, izay mampihomehy azy ireo. Ka mbola teo amin’ny fampiresahana sy fampihomezana vahoaka teo izy, dia iny avy ny Mpaminany –saw-, ka nikitihany moramora tamin’ny hazo kely tamin’ny tánany ny teo akaikin’ny andilany. Ka hoy izy tamin’ny Mpaminany –saw- hoe: Avelao aho mba hamaly faty anao oh ry Irak’Allah. Namaly azy ny Mpaminany –saw- fa, tsy maninona. Ka hoy ilay lehilahy hatrany tamin’ny Mpaminany -saw- hoe: Nefa tena marina fa, mitafy akanjo ange ianao eh! Fa tsy tokony amin’ny akanjo no hamaliako faty aminao. Ka nakelan’ny Mpaminany –saw- ny akanjony, ary nirofin’ilay lehilahy ny kibon’ny Mpaminany –saw-, ary niteny izy hoe: Tena marina fa, izao ihany no tadiaviko, oh ry Irak’Allah. [Sounan Abi Daoud].

  1. Ny Fahatahorana an’Allah: Ny Mpaminany –saw- no tena matahotra indrindra an’Allah swt sady be fanetrentena tokoa noho ny olombelona rehetra. Hoy Abd Allah bin Mas’oud (RA): Hoy ny Mpaminany –saw- tamiko hoe: ” Mamakia amiko (Kor’any)”. Navaliko Azy hoe: Izaho ve hamaky aminao, nefa taminao no nidinany?! Namaly Izy hoe: ”Eny”. Ka namaky avy tamin’ny Soratra “An-Nisá” aho, mandrapaha tonga amin’ny andininy hoe: ”Raha hajoronay ho vavolombeloona eo anatrehan’izy rehetra ihany koa ianao?”, ka hoy Izy –saw- hoe: Ampy izay. Ka rehefa nitodika taminy aho, dia hitako fa latsa-dranomaso tanteraka izy. [Mouttafaquoun alayhi].

Araka ny tatitra izay nataon’i Aishah (RA), hoe: Ny Mpaminany –saw- Rehefa mahita rahona eny an-dánitra izy, dia mitodika aty sady mandeha ery, no sady miditra ary mivoaka, ary mivadika ny tarehiny. Fa rehefa manora kosa ny andro, dia mandeha mivoaka any amin’orana izy. Ka nanontany azy ny vadiny Aishah –RA- momba an’izany, dia mamaly izy manao hoe: ”Satria tsy fantatro, angamba mety ho tahaka ny nambaran’ny vahoaka izay nilaza hoe: Ary rehefa nahita rahona nankeny amin’ny sahany izy ireo, dia niteny hoe: indro ny rahona mitondra ranon’orana ho anay. Ny mifanohitra amin’izay anefa! io ilay tadiavinareo ho hafainganina, rivotra mitondra famaizana mamirifiry”. [Al-ahqáf, and: 24] (Mouttafaquoun alayhi).

  1. Ny Fahafaham-po amin’izay ananana: Araka ny nambaran’i Omar ibni Al-khattwáb (RA): Raha niditra tao antranon’ny Irak’Allah –saw- aho indray andro, dia nahita azy eo ambonin’ny tsihy izay misy zavatra manelanelana azy, ary hondana vita avy amin’ny hoditra eo ambonin’ny lohany, izay mitsentsina ravin-kazo, ary eo akaikin’ny tongony, dia voankazon’ny Akasia, ary mihantona eo akaikin’ny lohany dia nisy hoditra mbola tsy namboarina, ary hitako tsara ny dian’ilay tsihy amin’ny vatany, ka tsy tantiko dia nitomany aho. Ka niteny izy hoe: inona no mampitomany anao oh ry Omar? Navaliko azy, hoe: Oh ry Irak’Allah! Hamafisina fa; i Kisrah sy Kaisara, dia manana zavatra rehetra amin’ny fananana misy eto antany, nefa izy ireo dia tsy mpino, ianao nefa dia Irak’Allah, izao ny fiainanao. Ka navaliny –saw- hoe: Tsy mahafaly anao ve, fa ho azy ireo ny eto an-tány, fa ny any ankoatra kosa dia ho antsika?”, [Mouttafaquouon alayhi].
  2. Ny fitiavany hatsarana hoan’olombelona rehetra na dia ho an’ireo fahavalony: Hoy Aishah (RA), izay vadin’ny Mpaminany –saw- hoe: Nanontaniako an’ny Mpaminany –saw-: Mba nisy andro ve hitanao tena sarotra indrindra noho ny Andron’ny Ady lehibe Ouhoud? Namaly izy hoe: ”Izaho dia mbola tsy nisedra fahasarotana tahaka ny nahazo ahy tamin’ny vahoakanao, ary anisany izay tena sarotra indrindra nisedraiko tamin’izy ireo, dia tamin’ny andron’ny Al-akabah. Izany hoe; tamin’ny andro izay nangatahako fialofana tamin’i Ibni Abdi yálil bin Abdi kalál, mba hahafahako hiantso olona amin’ny finoana Silamo, nefa tsy namaly ny fangatahako izy tamin’izany. Dia lasa aho niainga, na dia fa nalahelo tokoa aho tamin’izany no sady tsy afaka nitraka ny tarehiko. Ary tsy nahatsiaro mihitsy aho, afa-tsy teo amin’ny Qarnis-Sa’lab. Rehefa niandra nijery ambony aho, dia nahita rahona izay nanome ahy aloka tamin’izany, ary rehefa nijerevako dia iny Anjely Gabriely, izay niantso ahy hoe: Tena marina fa, Tompo Allah, dia naheno izay nambaran’ny vahoakanao, sy ny fomba famalian’izy ireo anao. Tompo Allah dia efa nandefa ho anao ny Anjelin’ny tendrombohitra, mba handidianao izay sitrakao amin’izy ireo. Ka niantso ahy mihitsy ny Anjelin’ny tendrombohitra, sady niarahaba ahy hoe; (Assalamou alaykoum), ary niteny hoe: Oh ry Mohammad! Izao hitanao izao, dia arak’izay sitrakao hanaovana azy. Raha sitrakao, dia halatsako amin’izy ireo ireto tendrombohitra roa ireto? Ka navalin’ny Mpaminany –saw-: ” Izaho anefa, dia maniry ny hamoahan’ny Tompo Allah avy amin’ny lamosin’izy ireo izay hanompo an’Allah tokana, ary tsy hampitambatra Azy amin’ny zavatra hafa, amin’ny asa fanompoana rehetra” [Mouttafaquoun alayhi].

Nambaran’i Ibnou Omar (RA) hoe: Rehefa tamin’ny fotoana izay nahafaty an’i Abd Allah bin Oubay Bin Saloul, ka tonga tamin’ny Irak’Allah –saw- ny zanany Lahy Abd Allah bin Abdillah, izay nangataka ny ankanjon’ny Mpaminany –saw- mba hamonosana ny fatin’ny dadany. Nomen’ny Mpaminany –saw- ny lambany hamonosana ny fatin’ny Abd Allah bin Saloul, ary mbola nangataka tamin’ny Mpaminany koa ny zanany mba hivavaka amin’ny fatin’ny dadany, dia nitsangana ny Irak’Allah –saw- hanatanteraka izany, dia nitsangana Omar bin Al-khattwab (RA), ary noraisiny tamin’ny akanjony ny Mpaminany –saw-, ka nambarany Azy hoe: Oh ry Irak’Allah! Efa noraran’Allah ianao hivavaka aminy, nefa mbola hataonao ve izany? Ka namaly ny Mpaminany –saw- hoe: Hamafisina fa, i Allah dia nampisafidy ahy, rehefa niteny Izy ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Mangataha famelan-keloka ho azy ireo ianao, na tsy hangataka famelan-keloka ho azy ireo ianao, ary raha mangata-pamelan-keloka ho azy ireo im-pitopolo ianao, dia tsy hamela heloka azy ireo velively i Allah”, ary mbola hampitomboiko maherin’ny fitopolo izany. Hoy izy hoe: Izy dia mpihatsaravelatsihy, nefa ny Irak’Allah –saw- dia nanao vavaka amin’ny maty ho azy, ka nampidinin’i Allah swt ny andininy masina manao hoe: “Ary mandrakizay aza mivavaka amin’izay maty amin’izy ireo, ary k’aza mitsangana akaikin’ny fasany mihitsy ianao”. [At-Tawbah, and: 84/Mouttafaquoun alayhi].

 

 

AMPAHANY AMIN’IREO TOETRA MENDRIKA IZAY NANANANY –saw-

  1. Ny fanakaikezany mandrakariva sy ny fifangaroany hatrany amin’ireo Mpanaradia Azy, ary anisany hanampy antsika amin’izany dia ny fahafantaranay feno mahakasika ny tantaram-piainany sy ny raharahany rehetra, na izany momba ny fiainany manokana na koa ny teo anatrehan’ny rehetra. Satria izy –Ny tso-dranon’Allah sy ny fandriam-pahalemany enga anie aminy-, dia ohatra fakan-tahaka mendrika indrindra, izay tokony halain-tahaka amin’ny raharaha rehetra, araka izay nambaran’i Jarir bin Abdillah (RA), hoe: Hatry nidirako amin’ny finoana Silamo, Ny Mpaminany –saw- dia tsary nanome ahy lamosina fa, manatrika ahy hatrany Izy isaka ny mahita ahy, ary isaka ny mahita ahy Izy dia mitsiky amiko hatrany Izy. Efa nitaraina taminy aho indray andro hoe; izaho dia tsy matanjaka amin’ny fitaingenana rameva, ka nikapohiny tamin’ny tánany roa ny tratrako, ary niteny izy hoe: ”Oh Allah! Ataovy matotra izy, ary ataovy mpitarika mahitsy”. [Mouttafaquoun alayhi]. Ary Izy –saw- dia misangisangy sady mihirahira amin’ireo Mpanaradia azy, araka ny tenin’i Anasy bin Málik –RA- hoe: ”Ny Irak’Allah –saw- no manana toetra mendrika indrindra amin’olombelona, satria efa nisy rahalahy kely izay izy, izay antsoina hoe: Abou Omair. Mbola zaza tokoa izy tamin’izany, ka rehefa tonga avy any ny Irak’Allah –saw- ka mahita azy, dia miteny aminy hoe: ”Ry Abou Omair, ahoana nataon’ny Noughair, (ilay vorona kely). Hoy izy hoe: Izany dia vorona kely filalaoviny”. [Mouttafaquoun alayhi].

Hamafisina, fa ny sangisanginy dia tsy vitan’ny resaka fotsiny fa, miaraka amin’ny hetsika, ka hoy Anasy bin Málik (RA): Nisy lehilahy avy amin’ny mponin’ny dezera (tambanivohitra Arabo), izay antsoina hoe: Záhir bin Hirám, izay matetika manolotra fanomezana an’ny Mpaminany –saw- ka rehefa hivoaka ny Irak’Allah –saw- dia manomana azy, ary miteny izy –saw- hoe: ”Izahay dia nahazo tombontsoa avy tamin’ny Zahir bin Hiram, amin’ny vokatra izay nananany tamin’izany. Fa isika ho any aminy any an-tanána, ka tonga taminy ny Mpaminany –saw- sendra izy nivarotra ny entany, dia nitazomin’ny Mpaminany –saw- izy sady nirofiny avy tao aoriany, nefa tsy hitany iza ny ao afarany, ka niteny ilay lehilahy hoe; avelao ahy, fa iza moa io? Rehefa nitodika izy, ka hitany fa, Mpaminany –saw- no tao afarany, dia vao mainka napetany amin’ny tratran’ny Mpaminany ny lamosiny. Hoy ny Mpaminany –saw-: Iza hividy an’ity andevo ity? Ka hoy Zahir: Oh ry Irak’Allah! Mora vidy izany no fahitanao ahy? Namaly Mpaminany –saw- hoe: ianao dia tsy mora vidy anatrehan’ny Tompo Allah, na hoe: ianao dia lafovidy anatrehan’i Allah”. [Swahih ibn Hibbán].

Ny filany hevitra amin’ireo Mpanaradia azy amin’ny raharaha rehetra, ka hoy Abou Hourairah (RA): ”Mbola tsy nahita olona tia maka hevitra amin’ny hafa, ankoatran’ny Mpaminany –saw- aho amin’ny fakany hevitra amin’ireo Mpanaradia azy”. [Sounan At-tirmithi].

  1. Famangiana ny marary, na mpino silamo izany na tsy mpino; ny fomba fanaon’ny Mpaminany –saw- dia manontany momba an’ireo Mpanaradia Azy, ary mitady ny toerana misy azy ireo raha misy tsy fahitany azy ireo. Raha sendra maheno izy fa, misy marary izy ireo, dia mihazakazaka Izy sy ireo Mpanaradia Azy izay miaraka aminy, mandeha mamangy an’izay marary. Tsy mitsahatra amin’ny famangiana ny mpino silamo fotsiny izy fa, mamangy ihany koa an’ireo olona tsy mpino silamo. Ary manaporofo an’izany ny tatitra izay nataon’i Anasy (RA) manao hoe: ”Nisy tanora lahy jiosy izay niasa ho an’ny Mpaminany –saw- dia indray andro narary, ka lasa ny Mpaminany –saw- nandeha namangy azy, ary nipetraka eo akaikin’ny lohany Izy sady niteny taminy hoe; ”Manolora-tena/Midira amin’ny Finoana Silamo”, ka nijery an’ny dadany ilay ankizy, satria teo anatrehany ihany koa izy, ka niteny ny dadany taminy hoe: Ankatoavy Dadan’i Qásim! Ka nanaiky niditra silamo ilay tanora lahy (nanao ny fijoroana vavolombelona). Rehefa avy eo, dia nivoaka ny Mpaminany –saw- niteny, hoe: ”Dera sy fankasitrahana ho an’Allah Izay nanavotr’azy avy amin’ny afobe”. [Swahih Al-boukhari].
  2. Fankasitrahana ny fanaovana soa sy ny ny fanomezana valisoa an’izay mpanao izany; Ary izy mihitsy no niteny hoe: ”Izay olona mangataka fiarovana amin’ny anaran’Allah aminareo, dia vonjenareo, ary izay mangataka zavatra aminareo amin’ny anaran’Allah, dia omenareo izy, ary izay miantso anareo, dia valinareo ny antsony, ary izay manao soa aminareo, dia omeo valisoa izy, fa raha tsy mahita zavatra hanomezana valisoa azy ianareo, dia mangataha vavaka ho azy, mba hahafantaranareo, fa efa tanterak’areo tokoa ny fanomezana valisoa azy”(izany hoe; mba hahafa-po anareo fa efa tanteraka tokoa ny fanomezanareo ny valisoa). [Sounan Abi Daoud].

Hoy ny vadiny Aishah (RA): ”Ny Irak’Allah –saw- dia mandray fanomezana hatrany, ary manome zavatra hafa ho an’ny mpanome izy, mba ho valisoa”. [Swahih Al-boukhari].

  1. Ny fitiavany zavatra tsara sy mahasoa rehetra; Hoy Anasy (RA): ”Mbola tsy nitazona lamba lasoá na lamba malemilemy aho, fa ny felan-tánan’ny Mpaminany –saw- no mbola malefaka indrindra noho izany, ary mbola tsy naheno fofona manitra mihoatra ny fofon’ny Mpaminany –saw- aho”. [Mouttafaquoun alayhi].
  2. Ny fitiavany manelanelana amin’ny sehatra tsara rehetra, sy amin’ny sehatry ny asa soa. Hoy Abd Allah bin Abbasy (RA) hoe: Fa ny ramosen’i Barirah, dia andevolahy antsoina hoe: Moughith, hoatrany mijery azy mihitsy aho amin’izao, rehefa izy mihodinkodina aoriany, sady mitomany izy amin’izany, ary miraraka amin’ny fifiny ny ranomasony. Ka hoy ny Mpaminany –saw- tamin’i Abbasy (RA) hoe; “Oh ry Abbasy! Tsy mahagaga anao ve ny fitiavan’i Moughith an’ny vadiny Barirah, ary ny fankahalan’i Barirah an’ny ramoseny Moughith?” Ka nambaran’ny Mpaminany –saw- taminy (Barirah), hoe: ”Raha miverina aminy ianao, satria rain’ny zanakao izy”, Hoy Barirah: “Oh ry Irak’Allah! Mandidy ahy amin’izany ve ianao? “, Hoy Izy –saw-: Izaho dia raha manelanelana fotsiny”. Ka namaly Azy i Barirah, hoe: ”Tsisy ilako azy intsony”. [Swahih ibn Májah].
  3. Ny fanaovany ny asa aman-draharaha ho azy; Rehefa nanontaniana Aishah (RA), mahakasika ny zavatra izay ataon’ny Irak’Allah –saw- rehefa ao an-trano izy? Namaly izy hoe: ”Izy dia olombelona tahaky ny olombelona rehetra, izy dia manasa ny lambany izay misy hao, ary mitery ronon’ny ondriny, ary mikarakara ny tenany”. [Swahih ibni hibbán].

Noho ny fahamendrehan’ny toetrany, dia nataony ambonimbonin’ny fikarakarana ny hafa ny fikarakarany ny tenany. Arak’izay tantarain’ny Vadiny Aishah (RA), rehefa nanontaniana izy mahakasika ny zavatra izay ataon’ny Mpaminany –saw- rehefa ao an-trano? Navaliny hoe: ”Izy –saw- dia manampy ny fianakaviany (rehefa ao antrano), ary rehefa maheno antso hivavaka izy dia mivoaka mandeha mivavaka”. [Swahih al-boukhari].

 

 

 

 IREO FIJOROANA VAVOLOMBELONA MARINA:

  • Hoy ilay Mpahay oha-bolana alemana (Gauther), hoe: Mba nikaroka olona ambony indrindra aho tamin’ny tantaran’izao tontolo izao, dia hitako tamin’ilay Mpaminany Arabo, Izay antsoina hoe: Mohammad. [5]
  • Nambaran’ny Profesora; Keith Moore amin’ny bokiny atao hoe; ”The human development”, hoe: Izaho dia tsy mahita fahasarotana amin’ny fankatoavana fa, ny Boky masina Kor’any, dia Tenin’i Allah, satria betsaka amin’ny resaka mahakasika ny zaza vao miforona, izay resahin’ny Kor’any, dia tsy voafakafakan’ny resaka ara-tsiansa raha tamin’ny taonjato faha fito no resahina. Satria, ny famokarana tokana izay ekehin’ny saina, dia ireo famakafakana izay efa nampidinina tamin’ny Mpaminany Mohammad –saw- avy tamin’ Allah.[6]
  • Nambaran’i W. Durant amin’ny bokiny izay antsoina hoe: Ny tantaran’ny fivoarana, ny fizarana faha; 11: Raha mitsara amin’ny alalan’ny halehibeazana, noho ny vokatra izay apetrak’ireo lehibe amin’olombelona, dia afaka hiteny izahay hoe: Hamafisina, fa Ny Irakan’ny Mpino Silamo no lehibe indrindra amin’ireo lehibe rehetra nandalo tamin’ny tantara. Efa nijery ny herin’ny fankasarotana sy ny tsy fahamarinana, nefa nampijoro avo ambonin’ny jodaisma sy kristianisma, ary ny finoana izay nisy tamin’ny firenena nisy teo aloha, dia ny Finoana mora indrindra, sady mazava no matanjaka, izay mbola mijoro ka hatramin’izao, tanjaka izay mifono fahatahorana lehibe.[7]
  • Nambaran’i Georges de Toulouse, amin’ny bokiny atao hoe: Ny Fiainana, hoe: Tena marina fa, ny ahiahy amin’ny faminanian’i Mohammad, dia ahiahy amin’ny fahefan-janahary, izay manakombona ihany koa izao tontolo izao (zava-boahary rehetra) tsy ankanavaka. [8]
  • Hoy ilay Manampahaizana Wales amin’ny bokiny atao hoe: ”Ilay Mpaminany marina”; Tsika ve hanamboatra porofo amin’ny fanenjehana ny fahamarinan’Ilay Iraka, ka nanosika ireo fianakaviany sy ireo olona akaiky azy indrindra izay voalohany nino Azy. Izy ireo dia manadihady ny tsy ambaratelony rehetra, ary raha tsy natoky ny fahamarinany izy ireo, dia mba tsy nino Azy. [9]
  • Manambara ilay Manampahaizana momba ny tantsinanana, Haile, amin’ny bokiny antsoina hoe: “Ny fivoaran’ny Arabo”: Izahay dia mbola tsary nahafantatra finoana izay miparitaka haingana indrindra tamin’ny tantaran’izao tontolo izao, ankoatry ny finoana Silamo. Mohammad dia nampihisy Vahoaka eto ambonin’ny tány, ary nahavita nampanjaka ny fanompoana an’Allah eto an-tány, Izay nanorina fototry ny Fahamarinana sy ny fitovizana ara-piarahamonina, izay nametraka lalána sy ny fifandraisana, ny fankatoavana sy ny voninahitra ho an’ny vahoaka izay mbola tsy nahafantatra na inona na inona afa-tsy korontana fotsiny.[10]
  • Hoy ilay Manampahaizana Espaniola momba ny resaka tantsinanana, Jean Luc, ao amin’ny bokiny atao hoe: ”Ny Arabo”: Sarotra ny hitantara tsara ny fiainan’i Mohamamad –saw- ankoatr’izay nohazavain’Allah -swt -, amin’ny Teniny ao amin’ny Kor’any manao hoe: ”Tsy nalefanay ianao, raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao”. [Al-anbiya, and: 107].

Mohammad –saw- dia tena inakinaka marina, ary izaho dia mandefa tso-drano Aminy am-panajana sy am-pitiavana feno.[11]

  • Nambaran’ilay Mpanoratra Anglisy, Georges Bernard Shaw amin’ny Bokiny antsoina hoe: ”Ny Finoana Silamo taorian’ny zato taona”, hoe: Hamafisina fa, izao tontolo izao, dia tsy maintsy hanaiky ny finoana Silamo, ary na dia tsy hanaiky azy amin’ny anarany miharihary, dia tsy maintsy hanaiky azy amin’ny anarana indramina. Ary mbola hoavy ny andro izay hidiran’ny tandrefana anatin’ny finoana Silamo, satria efa taonjato maro no lasa izay namakian’ny tandrefana ireo boky izay feno lainga amin’ny fanenjehana ny finoana Silamo. Ary izaho dia efa nanoratra Boky anankiray, izay miresaka momba an’i Mohammad, nefa izy io dia lasa hamoaka ny olona avy amin’ny fombafomba sy fahazarana anglisy.

IREO VADINY

Taorian’ny fahafatesan’ny vadiny “Khadijah-RA-”, dia nanambady manodidina ny folo any ho any ny Mpaminany Mohammad –saw-, izy rehetra ireo dia efa avy nanambady daholo sady efa be taona, afa-tsy Aishah (RA) irery ihany no nalainy vady mbola virijiny.

Enina (6) tamin’izy ireo dia avy amin’ny Koraishy, ary ny iray tamin’izy ireo, dia vehivavy Jiosy, fa ny sisa kosa dia avy amin’ireo Arabo isankarazany, ary ny iray dia andevo-vavy antsoina hoe: Mariah (Kopta/olon’ny Ejypta) (RA), izay renin’ny zanany lahy Ibrahim, izany vehivavy izany dia nomen’ny Al-Makoukasy, izay Mpanjakan’ny Alexandrie tamin’ny fotoan’androny. Ka nambaran’ny Mpaminany –saw- mahakasika izany: ”Hamafisiko fa, mbola hanokatra ny tanánan’ny Ejypta ianareo, izay tány iantsoana ny Kiráti, ka raha manokatra azy io ianareo, dia manaova soa amin’ny vahoaka ao, satria izy ireo dia manana fialofana sy fihavanana, na angamba niteny izy hoe: Fialofana sy fihavanana avy amin’ny fanambadiana”. [Swahih Mouslim].

Hoy ny Mpaminany –saw-ihany koa hoe: ”Raha azonareo ireo Kopta (izany hoe; ireo olon’ny Ejypta), dia manaova soa amin’izy ireo, satria izy ireo dia manana fialofana sy fihavanana”. [Mouswannif Abdour-Razzaáq].

Hoy Zouhri hoe: Ny fihavanana voaresaka eto, dia i Hájar Renin’i Ismail –AS-, ary ny fialofana izay voalaza miverimberina eto dia Ibrahim Zanaka lahin’ny Mpaminany Mohammad –saw-. [Fialofana: Hasina sy zo, izany hoe: Fifanarahana sy antoka. Fihavanana: Fianakaviana akaiky].

Tsara hamafisina, fa ny fanambadiany ireo vehivavy maro ireo dia misy antony lehibe:

  1. Ara-pinoana sy fandrafetana didy aman-dalána, ary ohatra amin’izany dia ny fanambadiany an’i Zainab bint Jahsh (RA), satria ny Arabo tamin’ny fahabadoana, dia mandrara ny fanambadian’ny lehilahy anankiray, rehefa nosarahin’ny zanaka lahy natsangana ilay vehivavy, satria raha araka ny finoany dia ny zanaka lahy natsangana dia ampitoviany amin’ny zanaka lahy nateraka[12], ka noho izany dia nanambady azy (Zainab bint Jahsh) ny Mpaminany –saw- taorian’ny nisarahan’i Zayd azy, mba ho fanafoanana izany filazana (tsy marina) izany. Ka hoy Allah ilay avo indrindra manao hoe: ”Ary rehefa nitsahatra tsy niaraka taminy intsony i Zayd, dia nasainay nalainao ho vady izy, mba tsy hanomezan-tsiny ny mpino amin’ny fanambadiany ny vadin’ireo zaza natsangany, rehefa nitsahatra ny fifandraisan’izy ireo. Ary ny didin’Allah dia tsy maintsy tanterahina”. [Al-Ahzab, and: 37].
  2. Ara-politika, mba ho fampandrosoana ny fampielezana ny Finoana Silamo, sady mba ho fampitambarana ny fo sy fanintomana ireo foko maro isankarazany. Ary ny Irak’Allah –saw- no nahazo fianakaviana maro indrindra amin’ny alálan’ny fanambadiana tamin’ireo Kouraish. Ary Izy –saw- koa no tena matanjaka indrindra tamin’ny foko Arabo rehetra. Ary izany fomba fiasa izany, dia efa nandidiany an’ireo Mpanaradia Azy ny fanarahana izany. Arak’izay nambaran’ny Irak’Allah –saw- tamin’i Abdour-Rahman bin Aouf (RA) rehefa nandefa azy tamin’ny Daoumah bin Jandal, hoe; ”Raha Mankato anao izy ireo, dia manambadia ny zanaka vavin’ny Mpanjakan’izy ireo ianao”. [Tárikh Attwabary, 2/126].

Nambaran’i Cl. Cahan[13], hoe; Angamba noho ny fisainan-tsika ankehitriny, dia raisintsika tsy amin’azy momba ny fiainany, izay hita fa mikorontana tanteraka tokoa. Ary misy mihitsy no milaza fa, noho ny fitiavana fahafinaretana eto an-tány no nanaovan’ny Irak’Allah –saw- izany fanambadiana marobe izany, raha

araka ny fijerin’izy ireo mahakasika ireo vadin’ny Mpaminany –saw- izay miisa sivy (9 vavy) nalainy vady taorian’ny fahafatesan’i Khadijah (RA). Nefa raha ny marina, fa ny maro tamin’ireny fifandraisana ara-panambadiana, dia nikendry tanteraka ny resaka politika, ary anisany tanjona dia ny fahazoana ny fifandraisana amin’ny fitondran’ireo loholona manankaja amin’izy ireo, ary koa ny sasany amin’ireo fizarana ara-poko, ary avy eo, hamafisina fa; ny fisainana Arabo dia nandamina ny olombelona amin’ny fampiasana ny voajanahary tahak’ireny izay namboarin’i Allah swt.

  1. Ara-tsosialy; ohatra amin’izany dia ny fanambadiany ny vadin’ny sasany amin’ireo mpanaradia azy, taorian’ny fahafatesan’izy ireo tamin’ny lálan’ny fampielezana ny finoana Silamo, satria noho ny fahafantarany fa, vehivavy maty vady be antitra izy ireny, nefa na dia izany aza dia mbola nalainy ho vady, noho ny indrafony sy fangorahany azy ireo, sady mba ho fanomezana voninahitra azy ireo sy ny vadin’izy ireo.

Nambaran’ny Mpanoratra vehivavy Italiana L. Veccia Vaglieri[14], ao amin’ny bokiny izay miaro tanteraka ny Finoana Silamo, hoe: Hamafisina, fa Mohammad, nanditra ny fotoana maharitra tamin’ny fahatanorana, izay fotoana fialan-tsakana tanteraka amin’ny resaka rendrarendra ara-nofo, dia vao mainka matotra tokoa izy tamin’izany, nefa izy dia niaina tamin’ny fiarahamonina tahaka ny fiarahamonina Arabo rehetra, izay nahitana ny fanambadiana tahaky ny orinasa ara-tsosialy, izay efa tahaka ny very na saika ho very tokoa. Ary ny fampirafesam-bady na ny fanambadiana maro no fototra iray tamin’izany. Ary ny fisarahampanambadiana dia tena zavatra mora dia mora tokoa tamin’izany, izay efa tsy nisy fepetra harahina akory.

Izy dia mbola tsary nanambady afa-tsy vehivavy tokana, izany hoe; Khadijah (RA) tamin’ny voalohany, ary ny taonany dia lehibe lavitra indrindra noho ny azy.

Ary izy –saw- irery ihany no vady tokana sady tiany indrindra nandritra ny dimy amby roapolo taona (25 ans). Ary mbola tsy nanambady faharoa izy, afatsy taty aorian’ny fahafatesan’ny vadiny (Khadijah). Izany dia efa tany amin’ny faha dimampolo taonany no nanambadiany manaraka. Hamafisina, fa ny antony nanambadiany an’ireo vehivavy rehetra taty afara ireo dia noho ny antony ara-tsosialy na politika daholo.

Ary marihana fa, ireo vehivavy izay fantatra amin’ny fahatahorana an’Allah no nalainy vady, mba ho fanomezana voninahitra sy lanja azy ireny. Na koa noho ny fanorenana fifandraisana ara-pianakaviana amin’ireo karazan’olona sy foko maro samy hafa isankarazany, mba ho fikatsahana lálana vaovao hampielezana ny finoana Silamo, afa-tsy Aishah (RA).

Mohammad –saw- dia nanambady an’ireo vehivavy rehetra ireo, dia efa be taona daholo sady efa tsy virijiny, ary tsy tanora, ary tsisy resaka hatsaran-tarehy akory, afa-tsy Aishah (RA). Moa ve izany no antsoina hoe, olon’ny rendrarendra?

Izy dia lehilahy raha teo (olombelona) fa, tsy sanatria Tompo zanahary, izay nanana faniriana hanan-janaka, ka izay no antony nahatonga Azy hanambady maro…

Na dia tsy manankatao Izy, fa niezaka hatrany hanome zo mitovy tanteraka an’ireo vadiny rehetra ireo mba hampatanjaka mandrakariva ny fianakaviana. Izy dia mbola tsy nanana fihetsika hisaraka fahatany na tamin’iray amin’izy ireo aza, fa nifikitra sady nanaraka hatrany ny sori-dálan’ireo Mpaminany maro teo alohany –Fandriampahalemana enga anie amin’izy ireo- anisany fanoharana mendrika amin’izany dia ny Mpaminany Mosesy sy ireo maro mitovy aminy, izay hita fa mbola tsy nisy na iray amin’ireo nanana vady maro. Moa ny antony izany ve isika tsy mahafantatra ny tena fiainan’izy ireo isan’andro, nefa isika dia mahafantatra antsakany sy andavany momba ny fiainan’ny Mpaminany Mohammad –saw- manoloana ny fianakaviany!

Manambara koa Thomas Carlyle[15], ilay mpanoratra anglisy malaza, ao amin’ny bokiny atao hoe: ”Ireo mpitolona”, manao hoe: Mohammad dia tsy olon’ny rendrarendra, na inona na inona ny fanendrikendrehana tsy rariny sy feno fampifahavaloana. Ary raha sokajintsika ho olon’ny fahafinaretana izy, dia tena fiangarana sy hadisoana lehibe avy amintsika tokoa izany hoy hatrany Thomas Carlyle. Ka tsy dia misy hidiran’ny resaka hetahetam-po tokoa izany rehetra izany. Satria, hamafisina fa, tena mbola lavitra noho izany resaka hetahetam-po izany ny fiainany.

 

 

 

SASANY AMIN’IREO POROFO MAFONJA MAHAKASIKA NY HAFATRA IZAY NENTINY SY NY FAMINANIANY:

Porofo avy anaty Kor’ány masina;

Manambara ny Tompon-tsika Allah Ilay feno hasina sy dera, manao hoe: ”Tsy Rain’ny iray amin’ny lehilahy aminareo velively i Mohammad, fa Irak’Allah, sady farany amin’ireo Mpaminany Izy”. [Al-Ahzab, and: 40].

Hamafisina, fa Jesosy zanak’i Maria –AS-, dia efa nanome vaovao malaza tsara mahakasika ny faminanian’ny Mpaminany Mohammad –saw-, ao amin’ny Evanjely, izay tenenin’i Allah amin’ny Kor’any manao hoe: ”Rehefa niteny i Jesoa zanak’i Maria hoe: Ry zanak’Israely! Irak’Allah ho anareo tokoa aho, manamarina izay teo alohako ao amin’ny Taoraty, sady Mpilaza mialoha Ilay Iraka ho avy aoriako, izay antsoina hoe; ”Ahmad”. Ka rehefa ho tonga eo amin’izy ireo miaraka amin’ny porofo mazava Izy, dia hoy izy ireo hoe: ”Izany no majika miharihary tokoa”. [As-Swaff, and: 6].

Ary mbola miteny Ilay Avo indrindra, manao hoe: ”Ireo olona izay manaraka Ilay Irak, Ilay Mpaminany tsy nianatra (tamin’olona) izay hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ny Taoraty sy ny Evanjely. Maniraka azy ireo amin’ny tsara Izy, ary manakana azy ireo amin’ny ratsy, izay manome alálana azy ireo amin’ny tsara, fa mandrara azy ireo kosa amin’ny ratsy, ary manala amin’izy ireo ny enta-mavesatra sy ny zioga izay nangeja azy hatramin’izay. Fa ireo olona izay nino, ka nanohana sy nanampy Azy, ary nanaraka ilay fahazavana nidina niaraka taminy, dia izy ireny no tafita tokoa”. [Al-a’ráf, and: 157].

 

 ARY POROFO AVY AMIN’NY SORI-DÁLANA MASIN’NY MPAMINANY –SAW-

Hoy ny Mpaminany –saw- hoe: ”Hamafisina, fa ny ohatra amiko sy ireo Mpaminany rehetra teo alohako, dia tahaka ny lehilahy anankiray izay nanamboatra trano, ary tena namboariny sady nasiany haingo tsara tokoa ilay trano, afa-tsy toeran’ny biriky anankiray ihany no sisa tsisy zavatra eo amin’ny zoron’ilay trano, ka nihondikondina manodidina an’iny trano iny ny olona, ary gaga izy ireo ka miteny hoe: Fa naninona ity biriky iray ity no tsy napetaka? Ka hoy Izy hoe: Ary izaho mihitsy izany biriky iray sisa izany, satria izaho no Farany amin’ireo Mpaminany rehetra”. [Mouttafaquoun alayhi].

 

IREO POROFO AVY AMIN’IREO BOKY MASINA TALOHA[16]

Avy amin’ny Taoraty;

Hoy Atwá bin Yasár (RA): ”nifankahita tamin’i Abd Allah bin Amri ibnil-ás ny (RA) izaho, ka nambarako azy hoe: Mba ambarao ahy ny endrikendrika sy toetoetry ny Irak’Allah –saw- araka izay voalaza ao amin’ny Taoraty? Namaly izy hoe: Eny, hamafisina fa, voalaza ao amin’ny taoraty ny sasantsasany amin’ny toetrany tahaka izay voalaza ao amin’ny Boky masina Kor’any, manao hoe: “Oh ry Mpaminany! Nalefanay ho vavolombelona ianao, ho Mpilaza vaovao malaza tsara, sy ho Mpampitandrina, ary Mpiaro ireo olona tsy mahay mamaky teny. Ianao dia mpanompoko, sady Irako, nantsoiko ho mpiantehatra ianao, ary tsy maherisetra no sady tsy mafy-fo, ary tsy mpitabataba any antsena. Ary tsy hanosika ny ratsy amin’ny ratsy, fa mamela heloka sady mamindra-fo, ary mandrakizay tsy ho vonoiko izy, raha tsy efa mahitsy izay tsy mety tamin’ieo finoana, ary ny tsy maintsy hitenenan’izy ireo ny teny hoe”Tsy misy tompo azo tompoina, afa-tsy Tompo Allah”, ary amin’ny alálany no hanokafako ireo maso jamba, ny sofina marenina, ary ireo fo mihidy”. [Alboukhari].

Nanambara koa ny Profesora Abdoul-Ahad Daoud[17], hoe: Izaho dia niezaka ny hiantehatra amin’ny resaka izay ataoko amin’ny sampana sasan-tsasany, izany hoe, mahakasika ny resaka avy amin’ny Baiboly, izay mitady tsy hahitana toerana hanaovana fifampiresahana miharihary mihitsy, nefa izaho dia mandrakizay tsy ho any amin-dry zareo Latina, na Grika, na koa Armianina, satria mazava hoazy fa, tsy hisy vokany velively. Fa izaho dia raha hitantara kelikely fotsiny ny ampahany amin’ny teny izay voalaza tao amin’ny takelaka marim-pototra, izay naparitaky ny Fikambanan’ny Baiboly Britanika sy Vahiny. Ndao ary isika hamaky ireto teny manaraka ireto, izay hita ao amin’ny Deuteronomia, avy amin’ny baiboly (fizarana faha: 18) “Hampijoro Mpaminany ho azy ireo Aho, izay avy amin’ny rahalahin’izy ireo mitovy aminao, ary hataoko am-bavany ny Teniko”.

Raha tsy mahakasika an’i Mohammad ireto teny ireto, dia hijanona tsy hiasa sady tsy ho tanteraka izany, satria Mesia dia tsy nilaza mandrakizay fa, izy no voaresaka amin’izany. Na dia ireo Mpiandány aminy dia mitovy hevitra amin’izay voalaza izay. Ary izy ireo dia miandrandra ny fahatongavan’ny Mesia indray mandeha koa, hamita ny asan’ny faminaniana izay mbola tsy vita, ary ka hatramin’izao dia tena zavatra marina tokoa izany, fa tsisy hisalasalana, fa “ny fisehoana voalohany an’i Mesia” dia tsy hanaporofo amin’izay voaresaka amin’ilay teny hoe; ” Handefa Mpaminany ho azy ireo mitovy aminao Aho”, ary tahak’izany koa ny fiverenan’ny Mesia indray mandeha, dia efa tsy hitondra ny tena dikan’ireo teny ireo.

Mesia, raha araka ny finoan’ny fiangonany, dia mbola hiseho tahaka ny Mpitsara, fa tsy ho mpandrafitra lalána akory, nefa raha arak’izay efa nampanantenaina, dia “ Izy no ho tonga hitondra” ny raki-dalálana izay mirehitr’afo sady miparitaka eo amin’ny tanan-kavanany”.

Fa raha ny fahamarinana momba ny Mpaminany Mohammad –saw- izay nampanantenaina, fa ny faminaniana iray hafa dia izay ho an’ny Mpaminany Mosesy –AS-, ary tsy fantatra, amin’ny fotoana tahaky ny inona no mety hisehoan’izany, fa vao mainka manampy betsaka ny firesahantsika matetika momba “Ny hazavan’i Allah swt izay tena mampazava tokoa, izay hivoaka avy any Faran”, izany avy amin’ny tendrombohitra ao Makkah, ary manaraka izay dia ireo teny voaresaka ao amin’ny “Taoraty”, amin’ny fizarana faha: {33}, ny fehezan-teny (2), izay miteny toy izao manaraka izao; ”Tonga ny Tompo avy any Sainá, ary nivoaka tamin’izy ireo avy any antsinanana Sáyr, ary hita ny fahatongavany teo amin’ny tendrombohitry Farán, ary tonga miaraka aminy olona mpino 10.000, ary hita eo amin’ny tánan-kavanany afon’ny lalána hoazy ireo”, ary amin’ireo teny ireo, dia hita fa, ny hazavan’ny Tompo dia mitovy amin’ny hazavan’ny Masoandro” ary izy dia tonga avy any Sina, ary nivoaka avy any antsinanan’ny Sáyr”, nefa nidina amin’ny voninahitra tao “Farán”, ary tsy maintsy hiseho miaraka aminy 10.000 olona mpino, ary mitondra didy aman-dalána hoazy ireo amin’ny tánany an-kavanana. Tsisy na iray aza tamin’ny zanak’Israely, izay niaraka tamin’i Mesia, no nanana fifandraisana tamin’ny “Fárán”, satria Hajara, dia nandeha nihodinkodina niaraka tamin’ny zanany lahy Ismail, tao Matáháty “Vovon-drano As-sab’”, ary izy ireo mihitsy no nipetraka tao “FARAN” taorian’izay.

 (Voyage de la creation, fizarana; 21, feh: 21:

«Naka vady hoazy ny reniny avy tany Ejypta, ary avy tamin’ny zanany voalohany Kaydar”Adnán” Ka ireo zafin’ny Arabo nonina tao fahiny, dia nidina tao amin’ny tendrombohitra Faran », ary nipetraka tao amin’izay izy ireo. Rehefa avy eo, dia tonga Mohammad, izay efa fantatry ny rehetra fa, izy dia taranak’i Ismail sy ny zanany Kaydar (Adnán), izay niseho amin’ny maha Mpaminany azy taorian’izay tao amin’ny tendrombohitra Faran, ary niditra tao Makkah niaraka amin’ny Mpino iray alina (10.000), sady nitondra ilay didy aman-dalána mafonja hoan’ny vahoakany Izy, na koa tsy izany, dia faminaniana izay efa nandalo ny resaka momba azy iny, no tanteraka tamin’iny ??

Ary ny vaovaon’ny Mpaminany izay nentiny, izay hita fa mila fanarahamaso sy fitandremana tokoa ny momba azy, dia torak’izao manaraka izao; Ilay Masina avy amin’ny tendrombohitra Faran, ny halehibeazany dia mandrakotra ireo lanitra sy ny tany, izay feno (Hamd) Dera sy fankasitrahana) ary ny teny hoe: Dera, dia misy dikany lehibe, satria ny anarana hoe : Mohammad, dia raha ara-bakiteny dia midika hoe : Ilay feno dera. Ary mbola ambonin’izay, satria ny Arabo no mponina tamin’ilay tendrombohitra (FARAN), efa nampanantenaina koa izy ireo amin’ny hidinan’ny Faminaniana; ”Hampiakatra ny feony masina ny tany sy ny tanána, izay nionenan’i Kaydar (Adnan), mba handrenesan’ireo mponina ao (SALI’), mandalo eo ambonin’ireo tendrombohitra, mba hampiakaran’izy ireo ny feony amin’ny fiderana Ny Tompo, sy hanaparitahan’izy ireo ny fiderana Azy maneran’ny Firenena manontolo, satria ny Tompo dia toy ny Mpifehy matanjaka, izay mivoaka ka mitafy ny fiarovan-tenany, tahaka ny lehilahy mpiady, izay maresa-peo sady miantsoantsoa mafy, ary matanjaka afaka manohitra tsara ny fahavalony). [Ishiyah/toko : 42, laharana : 11-12].

Mbola mahaksika io resaka io hatrany, dia misy vaovao anankiroa hafa koa any, izay mila fitandremana tsara mahakasika azy io, raha miresaka momba an’i Kaydar(Adnán) izany, amin’ny fizarana faha : 60, avy amin’ny Bokin’ny Ishiyaha (ishah), ary izao manaraka izao ny ampahany; »Ny vahoakako no hazavako, satria izy dia tonga avy amin’ny hazavanao, ary ny voninahitry ny Tompo dia miposaka aminao… ary hatsarana betsaka no mandrakotra anao, tonga aminao daholo ireo rameva tanora sy Moudiyan, ary Ayvah avy amin’ny Shaibá.. ny ondrin’i Kaydár rehetra dia mivory aminao daholo, ary koubásh/ondrin’ny Banayouty dia miasa ho anao sady manaiky hataoko sorona, ary ampihaingoako ny tranon’ny hatsarako…sns

Ary tahaka izany koa ny vaovao hafa, izay maharesaka momba izany, ao amin’ny bokin’ny Ishyia, amin’ny chapitre : 21, laharana : (13-17), manambara ity vaovao ity hoe : Faminaniana avy amin’ny faritra amin’ny tany Arabo, amin’ny tany sarotra sady lalam-bato amin’ny firenena Arabo tabitin, oh ry karavanin’ny Dadin, ary oh ry mponina amin’ny tanin’ny Taymah, omeo an’ilay nandositra ny anjara-mofony, satria izy ireo dia nandositra eo anatrehan’ny sabatra, sady eo anatrehan’ny salohy mafonja, eo koa ny hamafin’ny ady izay iatrehany, satria hoatran’izany no nambaran’ny Lehibe ahy, nandritra ny iray taona, tahaka iray taonan’ny mpiasa, izay nahafoana ny voninahitr’i Kaydár, ary ny sisa tamin’ny salohin’ny zanak’i Kaydár, dia nanjavona daholo ».

Vakio ireto vaovao ireto (@ Ishyiah), araka izay voalaza ao amin’ny baiboly, izay miresaka momba ny (fahatongavan’ny hazavan’Allah avy ao Faran).

Raha nipetraka tao amin ‘ny tendrombohitra (Faran) i Ismail –AS-, dia teraka ho azy i Kaydár (Adnán), izany hoe; izy no raiben’ny Arabo. Ary raha efa voasoratara fa, amin’ny taranak’i Kaydar no hidina’ny faminaniana avy amin’ny Tompo Allah swt, ary raha ambany fikarakaran’i Kaydar ny fanaovana ny sorona masina mba ho fanomezana voninahitra an’ilay (tranon’ny halehibeazako) dia nandritra ny taonjato marobe no nanjaka teto antany ny haizina, ary mbola teo amin’izany tany izany ihany no nandraisana ny hazavana avy amin’ny Tompo. Ka raha tanteraka hoan’ny Kaydar izany voninahitra rehetra izany, sy izany isan’ireo mpitifitra, ary koa ny voninahitr’ireo mpitolona avy amin’ny zanak’i Kaydár, ka raha toa ka potika mandritra ny iray taona, taorian’ny fandosirana avy amin’ny sabatra maty, sy salohy voafatotra, moa ve misy afaka hanazava izao teny izao afa-tsy olona anankiray ihany avy amin’ny (FARAN), ary izany dia; (Mohammad)?! (Habkouk/Al-ishah; 3, j; [3.].

Ny Mpaminany Mohammad –saw- dia avy amin’ny taranak’i Ismail, ary zanak’Ismail dia avy amin’i Kaydar (Adnán), izay nipetraka tao Qafár (Faran), ary i [Mohammad], dia izy ihany no Mpaminany iray izay nekehin’ny Arabo ny (Faminaniana avy tamin’ny Zanahary) tamin’ny alálany, rehefa rakotry ny aizina ny teto antany, ka taminy no nipoiran’ny hazavan’ny Tompo tao (Faran), ary Makkah, no Tanána irery, izay midera ny anaran’ny Tompo ao amin’ny tranony, (Ary tahak’izany koa fa, ireo taranaka Kaydár dia manaiky ny faminaniana amin’ny fanaovana sorona amin’ny (Tranon’i Allah).

Ka nohenjehin’ny vahoakany i Mohammad –saw-, ary voatery tsy maintsy nifindra-monina, niala tao Makkah.

Ka nihetsika koa ny hetahetam-panenjehana tamin’ny fotoana izay nandosirany avy tamin’ireo sabatra maty, sy ireo salohy mifatotra, ka iray taona taty aoriana [fandosirana], dia nifanandrina taminy ireo zafin’i Kaydár, tamin’ny Ady Lehibe (Badr). Ary io no toerana izay nisehoan’ny ady voalohany tamin’ny Vahoakan’ny Makkah sy ny Mpaminany Mohammad –saw-. Ary taorian’izay, dia nisaritaka tanteraka ireo zafin’i Kaydar (ireo izay nitondra ny salohy), ary matiantoka tamin’ny voninahitr’i Kaydar rehefa niala tamin’izy ireo izany. Fa raha tsy ireo Mpaminany masina izay nandray sy nanaiky ny Faminaniana, ary nanatanteraka ireo hafatra rehetra ireo, dia mazava ho azy fa, tsy tanteraka mihitsy izany? … tahak’izany koa fa, (ny tranon’ny Tompo dia izay midera ny anarany), araka izay voalaza ao amin’ny Ishah (60, And; 7, izany dia ny tranon’i Allah ilay masina ao Makkah, fa tsy fiangonan’i Mesia velively, raha araka ny famakafakan’ireo Mpamakafaka kristianina, satria ny taranaka Kaydar, araka izay voalaza ao amin’ny fizarana faha; 7, dia mbola tsy nifandray tamin’ny fiangonan’i Mesia mihitsy. Ka ny tena marina, dia ireo tanána manodidina an’i (Kaydar) sy ireo mponina dia olona raika ihany manerana izao tontolo izao, ary mbola tsy nanaraka fampianaran’ny fiangonan’i Mesia. Izany hoe; ny filazana momba ny iray alina mpino, araka izay voalaza ao tasnia /Baiboly, dia misy sombin-tantara lehibe (momba Mpaminany) (Ishah: 33).

“Andriananahary no nampiposaka ny hazavany avy ao Faran, ary tonga niaraka amin’ilay hazavana iray alina mpino (10.000)”. ka raha mamaky ny tantara rehetra mahakasika ireo tendrombohitra Faran, dia hamafisina fa ianao dia tsy hahita velively trangan-javatra hafa ankoatr’io alohanao io, izany hoe; rehefa nanokatra ka nandresy ary niditra tao Makkah ny Mpaminany –saw- dia niaraka taminy tamin’ny fidirana Makkah, ny mpino avy amin’ireo Mpanaradia Azy avy tao Madinah izay miisa iray alina (10.000), ary niverina tamin’ny (Tranon’i Allah), ary teo amin’ny tánany ankavanany ny didy aman-dalána izay nanafoana ireo lalána rehetra teo aloha. Hamafisina, fa (Albar kolety) izany hoe; (ilay fanahy marina), izay efa nampanantenain’i Mesia, ary tsy iza izany fa, (Mohammad) ihany, ary tsy afaka hiteny isika hoe; izy indray ilay (fanahy masina), araka ny filazan’ireo mpandalina mahakasika ny relijiosy, hoe; rehefa niteny i Mesia hoe: (ny tena tsara aminareo dia ny hialako lavitra anareo, satria hamafisina fa, raha tsy mandeha miala lavitra anareo aho, dia tsy ho tonga aminareo mihitsy (i Barkolety), fa raha mandeha aho, dia halefako aminareo izy. Ireto teny ireto dia manazava tsara amintsika fa, i (Barkolety) dia tokony tsy maintsy tonga aorian’i Mesia, nefa izy dia tsy niaraka taminy tamin’ny fotoana izay nitenenany ireto teny ireto. Moa ve hanery tena isika fa (Mesia) dia tsy inona fa, fanahy masina fotsiny, raha toa ka ny fepetra tsy maintsy hahatongavan’ny fanahy masina dia ny tsy maintsy handehanan’i Mesia? Ary ankoatr’izany, dia raha ny fomba izay nanazavan’i Mesia, dia manambara fa olombelona tahaky ny rehetra izy fa, tsy Fanahy: ”Tsy hiteny amin’ny anarany izy, fa mamerina amin’olona ny zavatra izay henony tamin’olona”. Moa ve terena tsy maintsy hanaiky izany isika fa, Tompo Zanahary sy ny Fanahy masina, dia zavatra anankiroa samy nisy tokoa”, ary ny fanahy masina dia niresaka ho an’ny tenany ny zavatra henony avy amin’Allah?

Ny tenin’i Mesia, dia manondro mazava tsara mahakasika ireo izay nalefan’ Allah. Izy dia miantso azy ho fanahy marina, ary tahak’izay tanteraka ihany koa no fomba firesahan’ny Boky masina Kor’any momba an’ny Mpaminany Mohammad –saw- amin’io toetra io, ka milaza hoe: ”Nefa tonga niaraka tamin’ny Fahamarinana izy, sady nanamafy ireo Iraka”. [As-Swáffáty, and: 37].

 

 POROFO AVY AMIN’NY EVANJELY

Betsaka dia betsaka tokoa ireo porofo izay manazava ny fahatongavana sy ny faminanian’ny Mpaminany Mohammad –saw- amin’ny endrika miharihary izany na milaza ny sasantsasany tamin’ireo asa izay nataony.

John 1: [20-25] Niaiky izy fa tsy nandá izy, ary nanamafy mihitsy izy ka niteny hoe: ”Izaho dia tsy Mesia”.

21; Nanontaniandreo izy hoe: ”Inona ary ianao? Ianao ve Ilyá? “Namaly izy hoe: ”Izaho dia tsy izy!”; ” Na koa hoe: sa ianao ilay Mpaminany izay andrasanay?” Namaly izy hoe: “Tsia!”.

21: Hoy izy ireo hoe: ”Iza ary ianao, mba hahafahanay hamaly an’ireo olona izay nandefa anay? Inona ary teneninao momba ny tenanao?”.

23: niteny izy hoe: ”Izaho dia feon’ny mpiantso an-tanety: Ataovinareo mahitsy ny lálana anatrehan’ny Tompo, arak’izay nambaran’ny Mpaminany Isháyiah”.

24; izy ireo dia Iraka nalefa avy tamin’ny Farisiana,

25; Mbola niverina nanontany koa izy ireo hoe: ”Raha tsy Mesia ianao, no sady tsy Ilyah, ary tsy ilay Mpaminany izay andrasanay, fa maninona ary ianao no manao batisa?”.

Ny Mpaminany izay voalaza amin’io resaka io dia tsy Jesoa –AS- velively, fa ny Mpaminany Mohammad -saw-.

Satria John dia niantso sady nampanao batisa tamin’ny fotoana niainan’i Jesoa –AS-ary tamin’izany fotoana izany mihitsy no nanomezany vaovao malaza tsara mahakasika ny fahatongavan’ilay Mpaminany –saw-.

[John; 14-16].

Anisany tenin’i Jesoa –AS-, izay miteny hoe: ”Mbola hangataka aminy aho mba hanome [mpanampy] hafa ho anareo, izay hipetraka mkiaraka aminareo mandrakizay…”

Ilay teny hoe [mpanampy] ao amin’ny Evanjely dia i Periqlyttos, na Paraclete, na koa Paracalon.

Ary io teny io, dia manampy an’i Ahmad. Ary efa voaresaka ao amin’ny Kor’any ny hoe; “Ahmad”, satria izany dia anaran’ny Mpaminany Mohammad –saw-, araka izay voaresaka ao amin’ny soratra, As-swáff.

Ary voalaza ao amin’ny Evanjely (Barnabasy: 112, 16-80) fa Jesoa –AS- niteny hoe: Hamafisina, fa Allah dia hampiakatra ahy avy eto an-tany, ary hanova ny fijerin’ilay mpivadika, mba hiheveran’ny rehetra fa, izaho tokoa ilay izy. Ka rehefa maty izy, dia hisedra fahafatesana ratsy indrindra. Izaho dia hijanona amin’izany henatra izany mandritra ny fotoana maharitra, ary manerana izao tontolo izao, nefa raha tonga i Mohammad Irak’Allah ilay masina, dia hanesotra izao fanalambaraka izay mahazo ahy izao[18].

Arak’izay voalaza ao amin’ny Evanjely Barnabasy-fizarana, 39: Rehefa nipetraka tamin’ny tongony i Adama, dia nahita soratra izay tena mamirapiratra toy ny masoandro mihitsy any ambony, ary toy izao ny ampahany: “Tsisy tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah, ary Mohammad dia Irak’Allah”. Ka ny olombelona voalohany dia nanaiky am-po tanteraka sady amin’ny fo maha Ray azy ireo teny ireo, ary nisafo ny masony roa izy, ka niteny hoe: Soa tokoa ny andro izay hatongavanao any ambony tány[19].

 

 

 

 IREO POROFO EKEHIN’NY SAINA IZAY MANAMARINA NY HAFATRANY SY NY FAMINANIANY

  1. Ny Iraka masina Mohammad –saw- dia tsy mahay mamaky sady tsy mahay manoratra, tao amin’ny vahoaka tsy mahay taratasy, ary tena vitsy dia vitsy tamin’izy ireo tokoa no mahay an’izany. Izany dia noho ny antony mba tsy hampiahiahy an’izay misalasala amin’ny faminaniana, izay nidina taminy, na koa milaza fa, tsy marina ny zavatra nidina taminy, na koa heverin’izy ireo fa noforoniny na nosoratany. Ka hoy Allah swt manao hoe: ”Ary talohan’izany, dia tsy namaky na Boky iray aza ianao, ary tsy nanoratra izany tamin’ny tánanao ankavanana ihany koa. Nefa dia nisalasala ireo tsy miraharaha ny fahamarinana”. [Al-ankabouty, and: 48].

Izy –saw- dia nitondra zavatra anankiray izay tsisy na iza na iza amin’ny Arabo afaka hitondra mitovy amin’izany, sy ny fahagagan’izy ireo amin’ny fehezan-teny miolakolaka izay ampiasainy, ary ny fahitsian’ny fehezan-teny izay ao aminy. Izany hoe; Ny boky masina Kor’any no lasa fahagagana ho azy mandrakizay, izay nidina taminy. Ary nanambara Izy –saw- manao hoe: ”Izay Mpaminany rehetra tonga talohako dia samy nahazo porofo mitovy amiko daholo (izany hoe; nahazo fahagagana mitovy amiko daholo ireo Mpaminany teo alohako), izay hoan’ny zanakolombelona, fa izay nomena ahy izao, dia Faminaniana izay nampidinin’i Allah swt tamiko, ka manantena aho, fa ho maro mpanaraka indrindra noho ireo Mpaminany hafa any amin’ny Andro farany”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ny vahoakany dia olona manana fahaizana manokana amin’ny resaka fitenenana sy fampiasana voambolana isankarazany, ary efa nampitambatra azy ireo ny Boky masina Kor’any, mba hitondrany boky hafa mitovy amin’ny Kor’any, ary mbola nampitambatra azy ireo amin’ny hitondran’izy ireo Soratra (Sourah) mitovy amin’izay misy ao amin’ny Boky masina Kor’any. Ka hoy Allah swt manao hoe: ”Fa raha misalasala ny amin’izay nampidininay tamin’ny Tomponay kosa ianareo, dia mba mamoróna antokon-tsoratra mitovy aminy ary antsoy aty ireo vavolombelonareo (ireo sampy) izay tompoinareo ankoatra an’Allah, raha tena mpilaza ny marina tokoa ianareo”. [Al-baqarah, and: 23].

Fa tena nampitambatra ny zava-boahary rehetra mihitsy Allah, ka hoy Izy manao hoe: ”Lazao hoe; fa, na mitambatra aza ny olombelona sy ny Jiny, mba hamorona mitovy amin’ity Kor’any ity, dia tsy hahavita velively mitovy amin’izany izy ireo, eny, fa, na dia hifanohana aza izy ireo”. [Al-isrá, and: 88].

  1. Ny fifikirany amin’ny fampielezana ny finoany, na dia henjana dia henjana tokoa ireo hasarotana sy fampijaliana izay nosedrainy avy tamin’ny vahoakany, izay tonga tamin’ny ambaratonga faratampony amin’ny fanenjehana sy famonoana azy mihitsy, ary ny fampikatsohana tanteraka ny asa fampielezana izay nataony. Ka nampiasa fomba fiasa vaovao sy filan-kevitra Izy –saw- mba hampandrosoany an’ilay finoana vaovao, izay nanirahana azy, ary niaritra izy tamin’ny fahasarotana rehetra izay nosedrainy tamin’izany avy tamin’ny vahoakany tamin’ny lálana fampielezana ny finoan’i Allah Ilay avo indrindra. Fa raha sanatria ka, mpandainga araka ny fanendrikendrehan’izy ireo azy izy, dia mba navelany tokoa ny asa fampielezana izay nataony, noho ny fahatahorany amin’ny tenany manokana. Ary izany dia raha mahita ny fanenjehan’ny vahoakany amin’ny famonoana azy, sy ny fitadiavana fomba rehetra hitsarana azy sy ny asa fampielezana izay nataony. Nambaran’ny Dr. M.H. Durrani[20], hoe; Hamafisina, fa io finoana sy io ezaka izay tena mandeha haingana dia haingana tokoa io, ary io fampandrosoana sy tetika mahomby io, izay taritin’i Mohammad ny hetsika amin’izany ka hatrany amin’ny fandresena mandrakizay, dia porofo mivaingana sy miharihary amin’ny fahamarinana mazava amin’ny asa fampielezana izay ataony. Satria raha nisy ahiahy na kely fotsiny tamin’ny tenany amin’ny zavatra ataony, dia mandrakizay tsy tafatsangana izy amin’ny fiatrehana ireo rivo-mahery, izay nitohy hatrany ny hafanany sy ny fangotrahany nandritra ny roapolo taona tsy latsaka (20 ans). Moa ve mbola misy porofo hafa koa aorian’izao mahakasika ny fahamarinana tanteraka amin’ny tena tanjona, sy fahamatorana amin’ny fihariana, ary ny hasina amin’ny mahaolona, ka ireto rehetra ireto no, manosika an’izany, ary tsisy afaka manohitra an’izany intsony, no sady tsisy handosirana mihitsy. Izany hoe; tena marina fa, Irak’Allah tokoa ity Lehilahy ity. Izany dia Mpaminanintsika Mohammad –saw-, noho ireo porofo mafonja rehetra manamafy an’izany. Satria anisany porofo tsara indrindra dia ireo toetra mendrika izay nananany, no sady ohatra tsara falaintahaka amin’ny voninahitra sy fahatsarana tokoa, ary famantarana lehibe ho an’ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po. Hamafisina, fa ny fiainany manontolo, ny heviny, ny fahamarinany, ny fahamatorany, ny fahatahorany an’Allah, ny fahalalahan-tánany, sy ny Foto-pinoany, ary ny fanatanterahany ireo rehetra voalaza ireo, dia porofo matanjaka manambara ny faminaniany –saw-. Fa izay olona mandalina mahakasika ny fiainany sy ny hafatra izay nentiny, dia afaka mijoro vavolombelona fa tena Iraka avy amin’Allah tokoa Izy. Ary ny Boky masina izay nentiny ho an’ny zanakolombelona, dia Bokin’i Allah tokoa. Ary izay rehetra mikaroka ny fahamarinana, dia tsy maintsy tonga amin’izany fitsarana mahitsy izany.
  2. Fantatra fa, ny olombelona rehetra, raha araka ny voajanahary, dia mankatia ny fiainana sy fahafinaretana eto an-tány; tahaka ny harena, ny sakafo, ny zava-pisotro tsara, ary ny fanambadiana, ka hoy Allah swt hoe: “Nohatsaraina tamin’ny olombelona ny fitiavana fahafinaretana; amin’ny vehivavy, ny zanaka, ny harembe miavosa, anisan’izany ny volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly; izany rehetra izany, dia fankamamiana ny fiainana ety an-tány avokoa, saingy eo anatrehan’Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra”. [Aal-imrán, and: 14].

Miezaka daholo ny tsirairay amin’ny fahazoana izany fahafinaretana izany amin’ny fomba sy lalana isankarazany, nefa samy manana ny fomba hahazoana izany daholo ny tsirairay. Misy mitady an’izany amin’ny fomba ara-dalána, ary misy koa ny sasany mitady an’izany amin’ny fomba tsy ara-dalána. Raha toa ka fantantsika daholo ireo rehetra ireo, mba niteny isika fa, ny Iraka masina Mohammad –saw- tamin’ny fiantombohany ny asa fampielezana ny finoana Sialamo, dia notambatambazan’ny vahoakany, ary niezahan’izy ireo ny hamitaka azy amin’ny fomba rehetra sy ny fahafinaretana mandalo eto antany. Nampanantenain’izy ireo izy amin’ny hanatanterahan’izy ireo ny sitra-pony sy ny zavatra rehetra izay katsahiny dia homen’izy ireo Azy. Raha mila voninahitra izy, dia nomen’izy ireo voninahitra, ary raha mila vehivavy izy, dia nampanambadian’izy ireo izay vehivavy tsara indrindra amin’izy ireo. Raha mila harena izy, dia mba nomen’izy ireo harena tsara indrindra, fa ny fepetra kosa dia tsy maintsy avelany io finoana vaovao io, sy ny fiantsoana olona aminy. Ka navaliny azy ireo amim-pahamarinana mazava amin’ny torolálana ara-panahy, hoe: ”Tsy afaka hamela izany ho anareo aho, na dia aza handatsahanareo silaka masoandro ahy”, [As-Silsilah As-swahihah; 194/1]. (Izany hoe; mandrakizay, dia tsy havelako ny fampielezana ny finoana silamo, mandrapaha hanomezanareo ahy porofo mafonja tokoa, ka vitanareo mihitsy ny handrehitra ho ahy hazavana avy amin’ny masoandro).

Raha sanatria ka mpandainga na mpamorona Izy, dia mba nanaiky ny tolotra sy fampitambazana izay nataon’izy ireo taminy, ary nanaraka ny sitra-pon’izy ireo izy, satria ny tolotra izay tadiavin’izy ireo homena azy tamin’izany, dia tena lehibe tokoa izay tsisy mitovy aminy, satria raha ny marina dia ny olombelona rehetra dia mankatia izany fahafinaretana eto antany izany.

Nambaran’i Dr. M.H Durrani[21], hoe; nisedra ny mafy Izy –saw- nandritra ny 13 taona tao Makkah, izay tsy nisy fitsaharana mihitsy, ary valo taona (8) tao Madinah[22], ary tsary nitsahatra mihitsy izy nandritra izany fotoana rehetra izany, fa nisedrainy daholo izany rehetra izany. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia mbola tsy nisy na iray aza nihetsiketsika tamin’ny volovolony noho ny fijoroany matotra, tsara fifikirana ny fony, ary tsy voahozongozona izy amin’ny tanjony sy ny maha izy azy.

Efa nikasa ny hanao azy ho Mpanjaka ny vahoakany, ary hanome azy fahefana amin’ny harena rehetra izay misy amin’ny fireneny, nefa izy dia nisafidy ny hafa ankoatra izay, hoe; hisedra ny mangidy amin’ny fampielezany ny finoana Silamo, fa inona no antony?

Inona ary ny antony tsy nanekeny mandrakizay handray ireo tolotra marobe isankarazany ireo, ohatra amin’izany, dia; vola aman-karena, fahefana sy fanjakana, voninahitra sy fiadanana, fahafinaretana sy zavatra maro isankarazany? Ka ho an’izay te-hamaly an’izany fanontaniana izany dia tsy maintsy mila mandinika lalina tsara.

  1. Anisany hasoavana sady zava-misy, fa izay rehetra manana fahefana amin’ny fitondrana, dia tsy maintsy eo ambany fahefany daholo ny zavatra rehetra; ny hatsarana sy fahasoavana rehetra eto antany, sy ny olombelona rehetra ary indrindra indrindra moa ny lehilahy, dia tsy maintsy feheziny hanompo azy na hanao asa ho azy daholo. Nefa Mohammad –saw- dia nahafantatra tsara fa, ny fiainana eto antany dia tsy toerana afaka hipetrahana na hitoerana mandrakizay. Araka ny tatitra izay nentin-dry Ibrahim, sy Alqamah avy tamin’i Abd Allah, fa ny Mpaminany –saw- dia indray andro natoritory tamin’ny tsihy, izay nahatonga fariparitra tamin’ny hodiny izany, ka hoy aho hoe: Oh ry Irak’Allah! Enga anie hatao sorona ho anao ny Raiaman-dReniko, raha navelanao izahay hanamboatra zavatra hataonao fandriana dia mba nataonay izany mba hiaro anao avy amin’ny zavatra izay mety handratra ny vatanao. Ka namaly ny Iraka masina –saw- hoe: ”Inona moa ny olana amiko sy ny fiainana eto antany, izaho sy ny fiainana eto antany dia tahaka ny olona anankiray izay mpitaingina ka mba nialoka kely ambany hazo mangatsiatsiaka, niala sasatra, ka rehefa avy eo, dia niainga”, [Sounan At-tirmithi].

Ary nambaran’i Nou’mán bin Bashir (RA) hoe: “Efa hitako ny Mpaminaninareo, dia mbola tsy namoky (nameno ny kibony) ny kibony tamin’ny fakon’atrendry”. [Swahih Mouslim].

Hoy Abou Hourairah (RA): ”Ny fianakavian’ny Mohammad-saw- dia efa nisy fotoana telo andro tsy nihinan-kanina mandrapaha fatiny”. [Mouttafaquoun].

Nefa ny faritra Arabia manontolo, dia teo ambany fahefany tanteraka, ary avy taminy mihitsy no nahitan’ireo Mpino Silamo maro ny hatsarana sy hasoavana, nefa dia misy fotoana izy mihitsy no tsy mahita izay hampihinaniny ny fianakaviany. Nambaran’ny vadiny Aishah (RA) hoe: ” Nisy fotoana ny Mpaminany –saw- dia nividy sakafo tamin’ny lehilahy jiosy, ka ny fitaovam-piadiany mihitsy no nadebaka tamin’izany mandritra ny fotoana voafetra”. [Al-Boukhari].

Izany dia tsy midika hoe, tsy afaka hahazo an’izay tadiaviny izy, satria matetika fa, ny vola amankarena sy fahasoavana maro isankarazany no apetraka aminy eo amin’ny Masjid, ary tsy miala amin’ny toerany mihitsy izy, mandrapaha hamoahana didy hizarana an’izany amin’ireo sahirana sy ireo mahantra. Ary hamafisina, fa maro tamin’ireo mpanaradia azy, dia olona mpanan-karena sy hasoavana isankarazany, ary mifaninana mihitsy izy manatanteraka asa ho Azy, ary manome izay tena tsara sy lafovidy noho ny antony izy. Nefa Izy –saw- dia nahafantatra tsara ny fahamarinan’ny fiaianana eto an-tany, ka nilaza izy manao hoe: ”Mifanta amin’Allah aho, fa ny fiainana eto an-tany dia tsisy lanjany raha ampitahana amin’ny fiaianana any ankoatra, afa-tsy tahaka ny iray aminareo izay nampiditra ny tondrony anaty ranomasina, ka mba jerevo ny zavatra entiny miverina avy ao”. [Mouslim]

Manambara Lady E. Cobold[23], amin’ny bokiny atao hoe: Ny Fivahiniana masina any Makkah (Londre, 1934), hoe: Hamafisina fa, Mohammad no Lehiben’ny Faritra Arabia manontolo…

Mbola tsary nieritreritra momba resaka fihaviana na karazana izy, na handeha hiasa mba hanana tahiry, fa nijanona hatrany tamin’ny fiaianany, izany hoe; ampy azy fotsiny ny maha Irak’Allah azy. Izy dia niasa ho an’ny Mpino silamo, izy ihany no manadio ny tokantranony, sady manamboatra amin’ny tánany ny kirarony izay simba. Izay tena malala-tánana tokoa sady tia manao asa soa, malefaka tahaka ny rivotra tena madio indrindra mandeha. Tsy mihafahafa amin’izay olona mitady azy, na sahirana izany na mahantra, dia raisiny tsara tahaka ny rehetra. Nefa izy dia tsy nanana zavatra firy, izay efa mitady tsy ho ampy azy akory izay eo ampelan-tánany.

  1. Matetika mandalo fahasarotana mafy dia mafy tokoa izy, rehefa misy trangan-javatra sy toe-javatra misy, ka mila fanazavana na famela-belarana, nefa tsy afaka hanao izany izy, raha tsy misy faminaniana milatsaka aminy avy any andanitra, ka noho izany dia voatery tsy maintsy miaritra fotoana maharitra izy mandrapaha hidinan’ny faminaniana avy any amin’ny Tompo Andriananahary, ka lasa miasa loha sy sahiran-tsaina izy amin’izany. Ary indrindra moa mahakasika ny tantaran’ny resaka fanendrikendrehana, izay nahavoaendrikendrika ny Iraka masina –saw- tamin’ny voninahitriny sy ny hasiny, nefa niaretany mafy foana izany nadritra ny iray volana monja, izay nanararaotan’ireo fahavalony ny firesahana tafahoatra momba izany, ary nihitsakitsahin’izy ireo mihitsy ny voninahitriny, nenjehindreo sady naneso azy izy ireo tamin’ny fomba maro isakarazany, mandrapaha nidinan’ny faminaniana avy tamin’i Allah swt, izay niaro ny hasin’ny vadiny izay voaendrikendrika tamin’izany. Raha toa ka sanatria fa, mpandainga izy, dia afaka niteny izay zavatra tiany tenenina mba hiarovany tena, nefa izy dia amin’ny maha Irak’Allah azy, dia tsy miteniteny fahatany.
  2. Izy dia tsary nilaza toerana na voninahitra ho azy ambonin’ny hafa, satria anisany zavatra tsy tiany tokoa haneho fahamboniana anatrehan’ny sasany, ka hoy Anasy (RA) hoe: Mbola tsy nisy olona tena tian’izy ireo mafy indrindra noho ny Irak’Allah –saw-, mbola niteny izy: Raha mahita azy avy izy ireo, dia tsy mitsangana izy ireo, satria efa fantatr’izy ireo, fa tsy tiany tokoa izany. [Sounan At-tirmithi].

Nanambara ihany koa W. Irving[24], hoe: na dia nahazo fandresena lehibe ny Iraka masina Mohammad –saw- nefa tsy naneho fireharehana izany, sady tsy nahavoafitaka azy ihany koa, fa hamafisina fa ny ady izay nataony dia ho fiarovana hatrany ny finoana Silamo, fa tsy noho ny tombontsoa manokana ho an’ny tenany. Na amin’ny resaka fiderana manokana azy, dia niezaka hatrany izy mba hitazona ny Lamakany manokana, ary noho ny fanetrantenany, dia mankahala hatrany izy raha miditra amin’efitrano anankiray miaraka amin’ny andian’olona maro, ka hitsangana ho azy izy ireo, na koa mampandre momba ny fahatongavany mba ho tsenaina izy, zavatra tena tsy tiany tokoa izany. Satria ny tanjony dia hanangana Firenena Lehibe matanjaka, izany hoe; Fananganana Firenena Silamo. Nampihatra ny fahamarinana izy tamin’ny fitsarana sy ny fitondrana, fa tsy nataony ho lovain’ny fianakaviany izany fitondrany izany.

  1. Fidinan’ny andininy sasany izay manome tsiny an’ny Mpaminany –saw- ao amin’ny boky masina Kor’any, noho ny antony sasantsasany tamin’ny zavatra izay nataony na niseho tamin’ny fotoanany.
  • Tahak’izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Ry Mpaminany! Nahoana no mifady izay efa nataon’Allah ara-dalána ho anao ianao, ho fitadiavanao ny fankasitrahan’ireo vadinao? Fa Mpamela heloka, sy be Indrafo tokoa i Andriananahary”. [At-tahrim, and; 1].

Izany hoe; tamin’ny fotoana rehefa izy nanao fady tamin’ny tenany ka tsy hinana tantely noho ny antony avy tamin’ny sasany amin’ireo vadiny, ka noho izany mihitsy no nidinan’ny fanomezantsiny azy avy tamin’ny Tompony Allah swt, tamin’ny fanaovany fady tamin’ny tenany ny zavatra efa nataon’ny Tompo Allah azo hohanina na (Halál).

  • Ary koa ny tenin’i Allah swt manao hoe: “Hamela anao anie Allah! Nahoana no nanome alálana azy ireo ianao, nefa tsy mbola niharihary taminao ireo izay nilaza ny marina, ary tsy fantatrao koa ireo mpandainga”. [Attaoubah, and: 43]. Hamafisina, fa nanome tsiny azy tokoa ny Tompony Allah swt tamin’io andininy io tamin’ny fihazakazahana handray fialantsiny lainga avy tamin’ireo mpihatsaravelatsihy, ireo izay tsy niatrika ny Ady masina Tabouk, ka tonga dia namela azy ireo Izy-saw- tamin’ny fialantsiny tsotra toy izao fotsiny, nefa tsy nitsapa na nanadihady tsara azy ireo akory, mba hahafantarana mazava tokoa ny olona marina amin’ny mpandainga.
  • Mbola miteny koa Allah swt hoe: “Tsy ny Mpaminany mihitsy no haka babo an’ady raha tsy efa nahazo fandresena tety an-tany. Mila ny harena mandalo ety an-tany ve ianareo? Kanefa i Allah mila (ho anareo) ny any ankoatra. Tsarovy fa, Tsitoha sy be Fahendrena i Allah. – Raha tsy noho ny didy mialoha avy tamin’Allah, dia ho nisy famaizana lehibe nahazo anareo vokatr’izay nalainareo”. [Al-anfál, and: 67-68].
  • Hoy Aishah (RA): “Raha hanafina amin’ny zavatra izay nampidinin’Allah taminy i Mohammad –saw-, dia mba nafeniny ity andininy iray ity, izay manao hoe: ”[Ka nafeninao tao anatinao izay nasehon’i Allah miharihary. Matahotra ny olona ianao, nefa Allah no mendrika hatahorana indrindra]”. {Boukhari&Mouslim}.
  • Ary koa ny tenin’Allah swt manao hoe: “Tsy mahakasika anao akory izany raharaha izany …”. [Al-imrán, and: 128].
  • Mbola miteny Allah swt hoe: “[Niketrona izy, dia nihodina, -Noho ny fahatongavan’ilay jamba teo aminy.- Ary aiza moa no hahalalanao sao mba te-hiova izy]”. {Abasa, and: 1-3}.

Raha toa ka sanatria fa, mpandainga Izy, dia mba tsy hita tao anatin’ny Boky masina Kor’any ireo andininy izay manome tsiny an’ny Iraka masina Mohammad –saw-.

Manambara Lightner amin’ny bokiny izay antsoina hoe; Ny Finoana Silamo[25], hoe: Indray andro nampidinin’Allah Ilay Avo indrindra tamin’ny Mpaminaniny ny faminaniana izay mavesatra dia mavesatra tokoa ny fandraisany azy, satria noho ny antony izy dia tsy nijery ilay lehilahy mahantra izay nanatona azy fa, nitodika tamin’ny lehilahy mpanankarena mpanefoefo anankiray, nefa efa niparitaka izany andininy izany, fa raha toa ka marina tokoa izay ambaran’ireo Kristianina momba azy, dia mba tsy tavela tamin’ny fisiany izany andininy izany.

  1. Anisany fahamarina marin-drano mahakasika ny hafatra sy ny fahamarinana tamin’ny fidinan’ny SORATRA MASADY (sourah Al-Masad), izay manambara ny fidiran’ny dadatoany Abou Lahab anaty afobe. Satria io Soratra io, dia efa nidina hatry ny fiantombohan’ny asa fampielezany ny finoana Silamo. Nefa raha toa ka sanatria fa, mpandainga izy, dia tsy nanaiky ny famoahana lalána tahak’izao, fa mba niaro an’ny dadatoany tokoa izy!!!

Ny Dr. Gary Miller[26], nanambara koa izy hoe: io lehilahy Abou Lahab io, dia nankahala tanteraka ny finoana Silamo, izay nahatonga azy mihitsy hanaraka na aiza na aiza no halehan’i Mohammad, dia manaraka afara izy mba handatsa-danja ny zavatra izay tenenin’ny Mpaminany –saw-. Raha hitany ny Iraka masina –saw- miresaka amin’olona vahiny, dia miandry izy mandrapaha havitan’ny Mpaminany –saw- ny resakany, dia mandeha amin’izy ireo izy ka manontany azy hoe: inona no nambaran’i Mohammad anareo? Raha niteny taminareo izy, fa fotsy, dia zavatra mainty izany, ary raha niteny aminareo izy fa, hoe; alina, dia antoandro izany. Ny tanjona dia ny fanoherana tanteraka izay zavatra tenenin’ny Irak’Allah –saw-, ary manakorontana ny saim-bahoaka amin’izany. Ary folo taona tsy hifatesan’i Abou Lahab, no nilatsahan’ny Soratra anankiray ao amin’ny Boky masina Kor’any antsoina hoe: ”Souratoul-Masad/Soratra: Ny Tady Voarandrana”. Izany hoe, manambara mialoha izany ity Soratra ity fa, i Abou Lahab, dia tsy maintsy hiditra anaty afobe, ary ny dikany hafa, dia i Abou Lahab dia mandrakizay tsy hiditra amin’ny Finoana Silamo.

Nandritra ny folo taona katroka, ka ny zavatra nataon’i Abou Lahab tamin’izany dia ny fanatonana izay olona hitany, ary hiteny aminy hoe: ”i Mohammad ange miteny fa, izaho izany dia tsy hiditra amin’ny finoana silamo mandrakizay, ary tsy maintsy hiditra amin’ny Afobe hony aho. Nefa izaho dia mampilaza amin’izao, fa izaho dia te-hiditra amin’ny finoana Silamo, ary ho mpino Silamo amin’izay aho!! Ka inona ary ny hevitr’areo amin’izao mahakasika izany? Mpiteny marina ve Mohammad amin’ny zavatra teneniny sa tsia? Ary ny faminaniana izay tonga aminy ve tena faminaniana avy amin’ny Zanahary tokoa? “

Nefa ny fahamarinana, dia tsy nanao an’izany tokoa i Abou Lahab, fa vao mainka mifanohitra amin’izay tanteraka ny zavatra nataony rehetra, tsy inona fa, nanohitra an’ny Mpaminany –saw-, nefa izany zavatra izany dia tsy hay toherina fa tena tanteraka tokoa.

Izany hoe, karaha ny tantara miteny fa; Ny Mpaminany –saw- dia miteny amin’i Abou Lahab, hoe: ianao dia mankahala ahy, ary tadiavinao mihitsy ny hampitsahatra ahy amin’ny asako. Tsy maninona fa, malalaka ianao hamadika ny teniko! Nefa nandritra ny folo taona monja dia tsy nanao izany izy! Tsy nanaiky ny finoana Silamo izy, no sady mbola tsy niseho tamin’ny finoana Silamo mihitsy izy!

Nanana fotoana malalaka sy fahalalahana feno izy hanapotika ny finoana Silamo nandritra ny folo taona, na dia anatiny minitra iray fotsiny dia nahavitany izany!

Nefa noho ny antony fa, izy io dia tsy tenin’i Mohammad, fa faminaniana avy amin’Ilay mahafantatra ny zavatra tsy hita-maso, ary fantany tsara fa, Abou Lahab dia mandrakizay tsy hiditra amin’ny finoana Silamo.

  • Ahoana no hahafantaran’i Mohammad –saw- fa, ho tanteraka tokoa izay voalaza ao amin’ny Sourah iny fa, Abou Lahab dia tena tsy hiditra amin’ny Finoana Silamo mihitsy, raha toa ka tsy faminaniana avy tamin’i Allah swt izany??
  • Ahoana ary no hahazoana antoka fa, marina tokoa ny zavatra nambarany nandritra ny folo taona izay, raha tsy fantany fa, faminaniana avy tamin’Allah izany??

Mba hametrahan’olona anankiray ny fijeriny amin’izao resaka izao, dia tsy hanana fanazavana hafa izy mba hahazoana ny marina, afa-tsy dikany iray ihany, izany hoe: izy io dia Faminaniana avy tamin’ny Tompo Allah.

Tenin’i Allah mahakasika izany;

[Aoka ho levona ireo tánana roan’i Abou Lahab, ary ho levona ihany koa ny tenany (1)

Tsy hahavotra azy akory, na ny harenany, na izay nangoniny, (2)

Fa ho dorana ao amin’ilay afobe miredareda izy, (3)

Toy izany ihany koa ny vadiny, ilay mpitondra kitay [feno tsilo]. (4)

Tady mafy voarandrana no hiambozonany. (5)]. [Sourah Al-Masad, and: 1-5].

  1. Voalaza ao amin’ny Boky masina Kor’any ny anarana hoe: Ahmad, amin’ny sasantsasany amin’ny andininy masina ao amin’ny Kor’any eo amin’ny toeran’ny anarana ho; Mohammad, izay hita amin’ny tenin’Allah swt manao hoe: [“Fa rehefa niteny i Jesoa zanak’i Maria hoe: ”ry Zanak’Israely! Irak’Allah ho anareo tokoa aho, hanamarina izay teo alohako ao amin’ny Taoraty, sady mpilaza mialoha momba an’ilay Iraka ho avy aoriako, antsoina hoe; Ahmad. Ka rehefa ho tonga eo amin’izy ireo miaraka amin’ny porofo mazava izy, dia milaza izy ireo hoe: io dia majika miharihary tokoa”]. {As-swaff, and: 6}. Raha sanatria ka mpandainga tokoa izy, dia mba tsy voalaza tao amin’ny Boky masina Kor’any io anarana io.
  2. Ny finoan’ny Mpaminany Mohammad –saw- dia mbola izy ihany, ary mbola hipetraka mandrapaha hitaperan’izao tontolo izao, ary hiditra amin’izany finoana Silamo izany ny olombelona amin’ny andiany maro tokoa, ary hisy fiantrekany na vokany tsara amin’ny olon-kafa ankoatr’izy ireo anatrehan’ny finoana hafa ny finoana Silamo, na dia fa marefo dia marefo tokoa ny fanampiana amin’ny fampandrosoana ny Finoana Silamo, na izany ara-pitaovana na koa ny vatan’olona manatanteraka ny asa, amin’ny famatsiana ho an’izany. Ary koa ny fifikiran’ireo izay manatanteraka ny adidy amanandraikitra sy ny tanjaky ny ezaka izay ampiasaina amin’izany, ary ny hetsika ho fampandrosoana ny finoana Silamo. Nefa ny fahavalo dia tsy mitsahatra manenjika sy mankaratsy hatrany, sady miezaka manintona ny fijerin’ny maro fa, ny finoana Silamo no ratsiany.

Nefa mbola mipetraka handrakizay hatrany ny finoana Silamo, satria ny Tompo Allah swt dia efa nampanantena fa, tsy maintsy hiarovany io finoana io, ka miteny izy manao hoe: ”Izahay tokoa no nampidina ny Kor’any, ary Izahay no Mpiaro azy”. [Al-Hijri, and: 9].

Hoy Th. Carlyle, ilay mpanoratra Anglisy[27], izay miresaka momba an’ny Mpaminany Mohammad –saw- hoe: Moa ve mba efa hitanareo, ka nisy olona mpandainga, hahavita hampihisy finoana mahagaga hoatr’izao? Izy aza dia tsy afaka nanangana trano biriky ho an’ny tenany! Fa raha toa ka tsy manam-pahaizana amin’ny zavatra ataony izy, hoe; tsy fasika, tsy vato na tany sy izay rehetra mahakasika ny fanamboarana trano, ka inona ary ny zavatra hanamboarany trano! Hamafisina, fa zavatra tsotsotra tahaka ny tady sy ny ravin-javatra ary tany manga mifangaro, no nampiasainy. Tsy mahagaga raha mbola mijoro ka hatramin’izao ny zavatra izay natsangany, hatry ny taonjato faha roa ambiny folo, izay nahitana olona miisa 200.000.000 ny tao anatiny. Ary mahagaga koa fa, ny andriny dia tsy voahozongozona mihitsy, ka ho lasa tahaka ny tsy nisy. Fantatro tsara fa, ny zavatra tokony tsy maintsy hataon’olona anankiray dia ny fizorana amin’ny sori-dálany mahakasika ny raharahany rehetra, izay miaraka amin’ny fampiharana ny lalána voajanahary. Raha tsy izany dia tsy tanteraka ny fandrosoana. Lainga daholo izay rehetra aparitak’ireo tsy mpino, na dia fa nohaingoan’izy ireo aza izany fankaratsian’izy ireo ny finoana Silamo izany. Ary tena very lálana tokoa ny olombelona; tanora izany na vahoaka mihitsy, noho izany famerezana mahatsiravina izany.

Izy –saw- no niaro ny Boky masina kor’any taorian’ny fiarovan’ny Tompo Allah –swt- izany ho azy, tao anatin’ireo Boky sy anatin’ny fon’olombelona, ary izany dia efa taranaka aorian’ny taranaka. Satria ny fianarana tsianjery azy io, sy ny famakiana azy, ny fianarana azy, ary ny fampianarana azy, dia anisany zava-dehibe izay amporisihana ny Mpino Silamo ny fanaovana azy, ary indrindra moa ny fifaninanana amin’izany mba hahazoana fahasoavana sy hatsarana lehibe, arak’izay nohazavain’ny Mpaminany Mohammad –saw- manao hoe: ”Ny tena mendrika indrindra aminareo, dia izay mianatra ny Boky masina Kor’ány sady mampianatra azy ny hafa”. [Alboukhari].

Efa betsaka dia betsaka tokoa ny ezaka izay nataon’ireo fahavalon’ny finoana Silamo, hanampy sy hanala na hanova ny ampahany amin’ny Boky masina Kor’any, nefa dia very maina daholo ireny teti-dratsy izay nataon’izy ireny. Izany dia noho ny antony, satria vetivety dia sarona izany, ary koa mora dia mora tokoa ny fahafantarana sy ny fanavahana izany amin’ny tena andininy masina ao anatin’ny Boky masina Kor’ány.

Fa mahakasika ny Sori-dálan’ny Mpaminany masina Mohammad –saw-, izay loha-rano faharoa ipoiran’ny Finoana Silamo, dia voaro tamin’ny alálan’ny Lehilahy marina sady mahitsy, izay nanokana ny tenany mba hanaraka sy hiaro hatrany ny Tenin’ny Iraka masina Mohammad –saw-. Ka narovan’izy ireo mafy ireo Teny marina (tsisy ahiahy), ary nazavain’izy ireo ihany koa ireo Teny izay marefo ny loharano izay nahazoana azy, no sady niresaka momba ireo Teny noforonin’ireo fahavalo koa izy ireo.

Ka ho an’izay te-hanadihady sy hiverin-dálana amin’ny Bokin’ny Hadisy (Tenin’ny Mpaminany-saw-), mba hahafantatra ny tena fahamarinan’izao ezaka lehibe natao izao, dia hahafantatra tsara tokoa izay rehetra voarakitra momba izany, ary hamafisina, fa hiala aminy tokoa ny fisalasalana amin’ny fahamarinan’ny tena marina momba izany.

Nambaran’ny Profesora Michael Hart ao amin’ny bokiny izay antsoina hoe: “Fikarohana momba ireo olona zato voalohany[28], hoy izy hoe: hamafisina, fa Mohammad dia nanorina sady nampiely Finoana tena Lehibe indrindra maneran’izao tontolo izao, ka lasa iray amin’ireo Lehibe mpanao politika maneran-tany[29]. Ka ankehitriny, ary indrindra moa fa, efa telo ambiny folo taonjato (13) any ho any no nandalo hatry ny nahafatesany, nefa dia mbola mahasintona olona mafy hatrany ny finoany sady mbola tena matanjaka tokoa.

  1. Ny fahamarinan’ny foto-pampianarana izay nentin’ny Mpaminany –saw-, ny tanjakany amin’ny fahamarinam-pototra sy loharano nipoirana, ary ny mahamety azy hampiharina amin’ny fotoana sy toerana rehetra. Ary hita amin’izany tokoa ny vokatra tsara sy fahasoavana izay vokariny noho ny fampiharana azy. Ary mijoro vavolombelona koa ianao fa, izay rehetra tonga niaraka tamin’ny Mpaminany Mohammad –saw- dia faminaniana nalefan’ny Tompo Allah swt tokoa. Ka moa ve mbola misy sahy hanakana fa, i Mohammad –saw- dia tsy Iraka nalefan’ny Tompo Allah Ilay Avo indrindra, ary efa maro ireo Iraka sy Mpaminany nalefa teo alohany? Raha toa ka ny valiny, hoe; tsisy manakana azy amin’izany, na ara-tsaina izany na araky ny lalána, ka inona ary ny antony tsy hanekenao ny hafatrany sy ny faminaniany –saw- ho an’olombelona rehetra, ary ny mba hanamafisanao ireo hafatr’ireo Mpaminany rehetra izay tonga teo alohany?!
  2. Ireo fitondrana sy lamina rehetra ary ny didy aman-dalána izay nentin’ny finoana Silamo tamin’ny alálan’ny Mpaminany Mohammad –saw-, izay mahakasika ny sehatra rehetra, tahaka ny fifandraisana amin’olombelona tsy ankanavaka amin’ny fiainana andavan’andro, ny ady isankarazany, ny fanambadiana, ny toekarena, ny politika, ary ireo asa fanompoana maro samihafa, sns… ary tsy vitan’olombelona rehetra manerana izao tontolo izao raha hiray hina hanamboatra mitovy amin’izany. Ka mba misy olona misaina ve, sahy hiteny fa, Lehilahy tsy mahay manoratara sady tsy mahay mamaky teny hitondra ani’izao voalaza izao ka hitondrana sy hitantanana ny raharaha jiaby mahakasika ny fiainanan’ny olombelona eto an-tány? Izany ve tsy porofo mivaingana manamafy ny fahamarinan’ny faminaniany sy ireo hafatra izay nentiny izany fa, izy –saw- dia tsy miteny fahatany amin’ny sitra-pony?
  3. Ny Mpaminany –saw- dia tsy nanomboka ny fampielezany tamin’ny fomba ankarihary, afa-tsy taorian’ny fahaefapolon’ny taonany, ka efa anatin’ny fahatanorana tanteraka sy fahamatorana tokoa izy, ary anatiny fahatanjahana, ka hiditra amin’ny fiainana mahaolombe azy, sy feno fandinihana sy fahatoniana. Nambaran’i (Th. Carlyle) amin’ny bokiny antsoina hoe, ”Ireo Mpitolona”[30], hoe: Anisany manafoana ny filazan’ireo izay miteny fa, Mohammad dia tsy miteny marina amin’ny hafatra izay nampitainy, dia mila mahafantatra fa, Izy Mohammad dia nandany ny fahazazany sy ny fahatanorany tao anatin’ny fahatoniana sy fahamatorana tanteraka (niaraka tamin’i Khadijah RA), ka nandritra izany dia tsy mba nahitana resaka tabataba na fanakorontanana na fihetsika hafahafa mihitsy. Ary tsy mba nisy taorian’izany raha resaka isankarazany sy laza, voninahitra ary fahefana…

Afa-tsy taty aoriana tamin’ny fotoana izay nialan’ny fahatanorana ka niditra ny fahamatorana, dia zay izy vao nihazakazaka nitondra ny tratrany ilay volcano, izay tena tony fahiny, nefa raharaha masina sy lehibe tokoa no miandry azy.

Nambaran’i (R. Landau)[31], ka manambara izy amin’ny bokiny atao hoe: ”Ny Silamo&Ny Arabo”, hoe: Ny tanjon’i Mohammad dia tena goavana tokoa, tanjona izay lavitry ny lalan’ireo mpandainga, ireo izay mitambatra noho ny fitiavantena, -izany hoe; Famantapantarana izay nahatonga ireo Mpanoratra tandrefana sasany teo aloha hanendrikendrika an’ny Iraka masina Mohammad –saw- fa te-hotonga amin’ny tanjony ho an’ny tombontsoany samy irery. Hamafisina, fa ny fahadiovam-pon’i Mohammad –saw- tamin’ny fampitany ny hafatrany, ary tahak’izany koa ireo Mpanaradia azy, tsy inona akory fa, tena finoana feno tokoa amin’ny zavatra izay nampidinina taminy; ny Faminaniana sy ny fitsapana ny taranaka ary ny taonjato maro nifanesy teto antany. Nefa izany rehetra izany dia mbola tsy mahatonga-saina azy ireo fa, toa tsy ekehin’ny saina ihany fa, mbola sahin’izy ireo no manendrikendrika ny Mpaminany Mohammad –saw- amin’ny resaka fitaka sy ny sisa. Nefa ny tantaran’izao tontolo izao dia mbola tsy nahafantatra na finoana iray aza ka afaka hanjaka eto antany maharitra tsy misy fiovany tahaka ny finoana Silamo izao. Ary raha betsaka ny mampaharitra ny finoana silamo eto antany, dia betsaka ihany koa ny fitomboan’olona izay manaraka azy, izay efa mihoatran’ny 1300 taona ny nahafantarana izany nefa dia mbola izy ihany [ny tena marina dia efa 1439 taona ny fifindra-monina Makkah-Madinah]. Ary isan-taona dia ahitana karazan’olona maro vaovao no miditra manaraka izany finoana Silamo izany. Ireo takelaka manokan’ny tantara dia mbola tsy nanolotra ho antsika mba ohatra anankiray manambara ny fanoherana fa, tsy marina tokoa ny Hafatra izay nentiny-saw-, na fahamendrehana amin’ny fitondrana Amperora rehetra izay nisy teto an-tany ka hitovy amin’ny fitondran’ny Mpaminany Mohammad –saw-, na koa nisy fivoarana ka ho mendri-kaja ambonin’ny Fivoaran’ny Iraka masina Mohammad –saw- nandalo teto an-tány.

 

 

 

IREO FEPETRA TAKIAN’NY FIJOROANA VAVOLOMBELONA FA MOHAMMAD –saw- DIA IRAK’ALLAH

  1. Ny fanekena marina am-po amin’ny hafatra izay nentiny –saw-, ary ho an’ny zanakolombelona ankapobeny, ny hafatrany dia tsy natokana hoan’ireo vahoakany fotsiny, na koa ho an’ny fotoana izay nandalovany fotsiny, fa ny hafatrany dia tsy voafetra hoan’ny toerana na fotoana manokana akory, fa ho an’izao tontolo izao tsy ankanavaka, ary ho an’ny fotoana rehetra mandrapaha hiafaran’izao tontolo izao. Miteny i Allah swt mahakasika an’izany manao hoe: ”Hankalazaina anie Ilay nampidina ny Boky Fanavahana tamin’ny Mpanompony, ho Mpampitandrina an’izao tontolo izao izy”. [Al-Fourqáni, and: 1].
  2. Ny finoana amin’ny fiarovan’Allah azy, arak’izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy, -fa izany dia faminaniana tonga taminy”. [An-Najm, and: 3-4].

Fa mahakasika ny raharahany ankoatr’izay, dia olombelona tahaka ny olombelona rehetra izy, ka raha mahakasika ny resaka fitsarana sy ny didy aman-dalána dia miezaka mandrakariva amin’izany izy-saw-, arak’izay nambarany manao hoe: ”Hamafisina, fa ianareo dia hitaraina amiko, nefa mety misy aminareo no mahay manazava bebe kokoa noho ny hafa, ka tsy maintsy hitsara araka ny fanazavana izay azoko aho, ka raha sendra manapaka ny zon’ny rahalahiny aho, dia aoka tsy haka izany izy, satria tapak’afo no notapahako avy amin’ny afobe ho azy izany”. [Alboukhari&Mouslim].

  1. Ny finoana fa, ny Faminaniany na ny Fandefasana azy ho Mpaminany, dia inakinaka ho an’olombelona rehetra tsy ankanavaka, ka hoy Allah swt manao hoe: ”Fa tsy nalefanay ianao, raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao”. [Al-ambyá, and: 107]. Marina tokoa ny tenin’ny Tompo Allah swt fa, indrafo ho an’izao tontolo izao Izy –saw- araka ny hafatra izay ambaran’ity teny ity. Hamafisina, fa Izy –saw- dia namoaka ireo Mpanompo avy amin’ny fanompoana ireo mpanompo ho any amin’ny fanompoana ny Tompon’ireo Mpanompo, ary avy amin’ny fiangarana ara-pinoana ho any amin’ny fahamarinan’ny Finoana Silamo, ary avy amin’ny teriterin’ny fiainana eto an-tany dia ho any amin’ny fahalalahana any ankoatra.
  2. Ny finoana tanteraka fa, Izy –saw- dia Farany amin’ireo Irak’Allah sady Fitomboka ho azy ireo (ireo Mpaminany), ary ny tena manankaja ambony indrindra amin’izy rehetra, ka tsy hisy iraka na mpaminany intsony aoriany. Araka ny tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Tsy Rain’ny iray amin’ireo lehilahy ao aminareo velively i Mohammad, fa Irak’Allah, ary Farany amin’ireo Mpaminany Izy”. [Al-Ahzáb, and: 40].
  3. Ny Finoana tanteraka, fa ny Finoana Silamo, dia tena lavorary tamin’ny alálany no sady feno, ka tsy azo hampiana na hanesorana intsony. Hoy Allah swt manamafy an’izany manao hoe: ”Ankehitriny, dia nataoko ho lavorary ho anareo ny finoanareo, ary notanterahiko aminareo ny fahasoavako. Ary ankasitrahako ho finoanareo ny Finoana Silamo”. [Al-má-idah, and: 3].

Ka izao no tsikaritra sy hita amin’ny zavatra izay fonosin’ny Finoana Silamo, mahakasika ny sehatra rehetra ilaina amin’ny fiainan’ny zanakolombelona; na politika izany, na toekarena, na sosialy na resaka fahamendrehan-toetra.

Izany hoe; ny finoana silamo dia Finoana sady Firenena raha araka ny tena dikan’ilay fanazavana mahakasika ny finoana Islamo. Hoy ilay Mpandalina Anglisy, KWELEM[32], miteny izy amin’ny bokiny antsoina hoe: ”Ny Foto-pinoana Silamo, pejy: 119-120”, hoe: Tsy banga ao amin’ny lalána silamo ireo didy ara-pahalalam-pomba sy ara-pinoana… izany dia lalána izay tsy maintsy arahin’ny tsirairay manerana ny tontolo Islamika. Izany dia lalána izay mifono ny lalánan’ny sivily, toekarena, ara-tafika, ny Fitsarana amin’ny heloka bevava sy heloka tsotra. Ary izany no lalána ara-pinoana izay manara-maso ny raharaha ara-pinoana ka hatramin’ny raharaha momba ny fiainana eto an-tany. Izay miaro ny ain’olombelona ka mipaka amin’ny fahasalaman’ny vatan’ny tsirairay. Miaro ny zon’ny tompon’andraikitra sy ireo olona ambany fahefana na olon-tsotra tsy ankanavaka. Mikatsaka ny tombontsoan’ny isambatan’olona sy ny fiaraha-monina. Mampihatra ny valifaty eto antany ka hatrany ankoatra amin’ny andro farany, raha misy heloka vita.

Ka mahakasika izany indrindra, raha ny Boky masina Kor’any, dia mifanohitra tanteraka amin’ireo boky masin’ny Kristianina, izay tsy ahitana ny fototra ara-pinoana tokoa, fa raha ny zavatra hita ao aminy, dia mirakitra tantara sy forona ary fikorontanana lehibe mahakasika ny resaka fanompoana.. izay tsy ekehin’ny saina tokoa no sady tsy mahataitra akory.

  1. Ny finoana feno, fa nahatanteraka ny Andraikitra masina izay nampiandraiketana azy avy tamin’i Allah swt Izy-saw-, izay nampita ny hafatrany sady nananatra ho an’ny vahoakany. Izay zavatra tsara rehetra dia nampirisihany hatao, ary izay zavatra ratsy rehetra dia nampitandremana sady nandrarany ny fanaovana izany. Araka ny teniny tamin’ny Hejy fanaovambeloma, rehefa nitori-teny teo anatrehan’ny vahoaka anarivony marobe izy nanao hoe: “Tandremo, Efa nampita hafatra ve aho? Ka namaly izy ireo hoe: Eny. Niteny koa Izy hoe: Oh Allah! Mijoroa vavolombelona ianao”. [Swahih Al-Boukhari&Mouslim].
  2. Ny finoana feno fa, ny didy aman-dalána izay nampidinina taminy ihany no ekehin’ny Tompo Zanahary (Allah) taorian’ny naha Mpaminany azy, ka tsy azo atao ny mampihatra na manompo amin’ny fampiasana ny lalana hafa ankoatrany, ary mandrakizay dia tsy ho raisin’Allah ny hafa ankoatr’izany. Ary ho tsaraina ny zanakolombelona amin’ny tsy maintsy hampiharana izany. Hoy Tompo Allah swt manao hoe: ”Fa izay mandray finoana hafa ankoatra ny Islámo, dia mandrakizay tsy ho voaray izay rehetra hataony, ary izy dia isan’ireo ho maty antoka indrindra any an-koatra”. [Ál-imrán, and: 85]. Ary hoy ny Mpaminany Mohammad –saw- hoe: ”Izaho dia mifanta amin’izay mitazona ny fofonain’i Mohammad amin’ny Tánany, fa izay olona maheno momba ahy amin’ity vahoaka ity, na jiosy izany na kristianina, nefa tsy mino amin’izay nandefasana ahy, dia ho olon’ny afobe izy”. [Swahih Mouslim].
  3. Ny Fankatoavana azy –saw- araka ny tenin’Allah swt manao hoe: ”Ary izay Mankato an’Allah sy Ilay Iraka, dia izy ireny no miaraka amin’ireo nosoavin’Allah: miaraka amin’ireo Mpaminany, ireo Mpilaza ny marina, ireo maritiora, ary ireo olo-mendrika. Satria namana tsara hiarahana tokoa izy ireny”. [An-Nisá, and: 69]. Izany dia amin’ny fifikirana sy fanarahana ny baikony sy ny fiatahana amin’izay nandrarany. Araka izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Raiso izay omen’ilay Iraka ho anareo, fa avelao kosa izay nandrarány anareo; ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, fa mafy sazy tokoa Allah”. [Al-Hashri, and: 7]. Allah ilay avo indrindra nanazava tsara ny voka-dratsin’ny tsy fankatoavana an’ny Mpaminany –saw-, manao hoe: ”Ary izay manohitra an’Allah sy ilay Irany kosa, no sady manao tsinontsinona ny fetra napetrany, dia hampidiriny any amin’ny afobe ka hitoetra ao mandrakizay. Ary hahazo famaizana mahafabaraka izy”. [An-Nisá, and: 14].
  4. Ny Fankasitrahana ny fitsarany, ka tsy azo atao no manohitra ny didy izay navoakany, sy ny lálana izay nisoritany. Araka ny Tenin’Allah swt manao hoe: ”Tsia anefa! Eo anatrehan’ny Tompo Zanaharinao! Tsy hino izy ireo raha tsy hampitsara anao amin’izay fifandirana misy eo amin’izy ireo, ka rehefa tsy mahita ho kianina amin’ny valim-pitsaránao izy ireo, dia hibaboka hanolotena”. [An-Nisá, and: 65]. Ary tahak’izany koa ny fampiharana voalohany ny lalánany sy ny didim-pitsarana izay avoakany (fanaovana izany ho laharampahamehana), noho ny lalana sy didy hafa ankoatr’azy. Hoy Allah manao hoe: ” Moa ve ny fitsarána tamin’ny fotoanan’ny fahabadoana no tadiavin’izy ireo? Iza no tsara mihoatra an’Allah, mikasika ny fitsarána ho an’ireo olona izay manam-pinoana tanteraka”.[Al-má-idah, and: 50].
  5. Ny Fanarahana ny Sori-dálana; arak’izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Ary lazao azy ireo; Raha mitia an’Allah tokoa ianareo, dia aoka ianareo hanaraka ahy, fa tena ho tia anareo Allah, ary hamela ny helok’areo. Satria tena Mpamela heloka sady Mpamindra-fo tokoa Allah”. [Aal-imrán, and, 31].

Ny tsy maintsy hizorana sy hanarahana ny Sori-dálany sy ny fampianarany, ary handray azy mba ho maodely tsara halaintahaka lehibe indrindra. Ka hoy Allah swt manao hoe: ”Tena manana ohatra falain-táhaka tsara indrindra amin’ny Irak’Allah, ho an’izay manantena an’Allah sy ny andro farany, ary mahatsiaro an’Allah mandrakariva”, [Sourah; Imran, and: 21].

Ny fanarahana an’ny Iraka masina Mohammad –saw-dia mitaky fanetrentena ary manosika amin’ny tsy maintsy hahafantarana ny Tantaram-piainany, ary ny fianarana sy fandalinana azy lalina, mba hahatanteraka ny fanarahana ny sori-dálany amin’ny alálan’izany. Nambaran’i Zainoul-Ábidine-Aly bin Al-Housein bin Aly bin Abi Twálib-RA-: Izahay dia nampianatra ny tantaram-piainan’ny Mpaminany –saw-, tahaka ny fomba izay ampianaranay Sourah avy amin’ny Kor’any. [Al-bidáyah Wan-nyháyah Libni Kathir, 3/242].

  1. Ny Fanambarána momba Azy –saw- dia fanambarána nampidinin’Allah swt, izay tsy azo anaovana fihoaram-pefy na fanambaniana ny momba azy. Araka ny teniny izay manao hoe: ”K’aza derainareo amin’ny fomba tafahoatra ahy, tahaka ny nanaovan’ireo Kristianina an’i Jesoa Zanak’i Maria. Satria hamafisina, fa izaho dia Mpanompony fotsiny. Ka aoka ianareo hiantso ahy: Mpanompon’i Allah sy Irany”. [Alboukhari].
  2. Ny fandefasana tso-drano Aminy –saw- rehefa voalaza na voaresaka ny anarany na ny momba azy. Araka ny Tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Hamafisina, fa Allah sy ireo Anjeliny dia mitso-drano ny Mpaminany; ka oh ianareo Mpino! Aoka hitsodrano azy ianareo, ary handefa fandriampahalemana ho azy “. [Al-ahzáb, and: 56]. Ary araka izay nambrany manao hoe: ”Ny olona tena kaihitra indrindra, dia izay maheno ny anarako voaresaka nefa tsy mitsodrano ahy”. [Sounan At-tirmithi].
  3. Ny Fitiavana sy fanajana Azy –saw- ambonin’ny zavatra na olona rehetra, satria ho azy ny fahasoavana aorian’ny Tompo Allah swt amin’ny fanitsina ny zanakolombelona hiditra amin’ny finoana marina (Silamo), satria amin’ny fidirana amin’izany finoana izany dia fahasambarana eto an-tány sy any an-koatra. Araka ny tenin’Allah swt manao hoe: ”Ka lazao, fa raha toa ka ny Rainareo, ny zanakareo, ny rahalahinareo, ny vadinareo sy ny havanareo, ireo harena izay efa azonareo, ny varotra izay atahoranareo hihena, ary ny fonenana izay mahafinaritra anareo no tianareo kokoa mihoatra an’Allah sy Ilay Irany, ary ny fitolomana amin’ny lálany, dia andrasonareo áry, fa handefa aminareo ny baikony (saziny) Allah. Satria tsy mitari-dálana ireo olona ratsy fanahy Allah”. [At-taoubah, and: 24].

Hamafisina, fa efa nohazavain’ny Mpaminany –saw- tokoa ny vokatry ny fitiavan’olona anankiray azy amin’ny mpankatia azy. Ary manamafy an’izany ny valin-teniny tamin’ny lehilahy anankiray izay nanontany azy hoe: Oh ry Irak’Allah! Oviana moa ny Fotoana farany (Andro farany)? Ka hoy Izy –saw- namaly azy hoe: ”inona no nomaninao ho amin’ izany?” Toa tony eky aloha ilay lehilahy, ka nangina kely. Rehefa avy eo, dia niteny koa izy hoe: “Oh ry Irak’allah! Tsy nahomana fifehezana na fanompoam-pivavahana na fanomezana betsaka aho, afa-tsy ny hoe; Tiako i Allah sy ny Irany. Ka hoy Mpaminany –saw- hoe: ”ianao dia hiaraka aimn’izay olona tianao”. [Mouttafaquoun].

Ary mbola miteny koa izy-saw- manao hoe: ”Misy zavatra telo, ka izay manana azy ireo, dia nahita ny tsiron’ny finoana; Ny fitiavana an’Allah sy ny Irany mihoatra ny zavatra na ny olona rehetra, Fitiavana olona anankiray noho ny antony Allah, Ary mankahala ny hiverina amin’ny tsy finoana taorian’Allah swt efa nanavotra azy, tahaka ny fankahalany ho atsipy anaty afo”. [Mouttafaquoun alayhi].

Ny fitiavana an’ny Mpamnany –saw- dia mitaky koa ny fitiavana an’ireo ankohonany sy ireo Mpanaradia azy, sy ny fankahalana an’izay mankahala azy ireo, ary manosika amin’ny finamanana an’ireo izay nalainy namana, sy fandraisana fahavalo an’ireo fahavalony. Satria Izy –saw- dia tsy mankatia raha tsy noho ny antony Allah, ary tsy mankahala raha tsy noho ny antony Allah ihany koa.

  1. Ny Fampielezana ny Finoany (Islamo) ary ny fiezahana amin’ny fanaparitahana izany amin’ny olombelona tsy ankanavaka, ary ny fampitana izany amin’izay mbola tsy naheno izany, ary ny famelomana ny Sori-dálany (fomba amampanaony) amim-pahendrena tanteraka sy amin’ny anatra tsara. Izany hoe; Amin’ny fampianarana izay bado tsy mahafantra, sy ny fampahatsiahivana izay rendrika na variana, ary ny fanampiana mandrakariva izay mpanaraka (ny finoana silamo), mbola ho fampiharana ny tenin’Allah swt manao hoe: ”Miantsoa (ny olona) ho amin’ny lálan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amin’ny fananarana tsara. Ary miadia hevitra amin’izy ireo ianao, amin’ny fomba tsara indrindra”. [An-Nahl, and: 125]. Ary koa araka ny tenin’ny Mpaminany –saw- manao hoe: ”Mampita hafatra amin’ny anarako, na dia fa andininy iray fotsiny”. [Alboukhari].
  2. Ny Fiarovana azy –saw- sy ny Sori-dálany, izany hoe: Ny fanoherana izay filazana rehetra anenjehana azy manokana, satria tsy mendrika an’izay tokoa izy, ary koa ny tsy maintsy hanazavana amin’izay tsy mahafantatra ny tena fahamarinana. Ary tahak’izany koa ny fiarovana ny Sori-dálany sy ny Fampielezany, amin’ny fanoherana ny fanakorontanan-tsaina izay lazain’ireo fahavalon’ny finoana Silamo, mpanenjika sady mpialona.
  3. Ny Fifikirana amin’ny Sori-dálany –saw-; araka ny teniny hoe: ”ianareo dia tsy maintsy mifikitra amin’ny sori-dálako, sy ny Sori-dálan’ireo Lehibe izay mizotra amin’ny lála-marina, raisonareo mafy amin’ny vazana, fa tandremonareo kosa ny zava-baovao, satria ny zava-baovao dia forona daholo, ary ny forona rehetra dia fahaverezana tokoa”. [Mousnad Imam Ahmad].

 

 

 

TENY FAMARÁNANA

Angamba ho faranantsika ity fikarohana ity amin’ny tenin’ny Mpahay ohabolana Frantsay “Lamartine”, raha miresaka momba ny halehibeazan’i Mohammad –saw- izy[33] manao hoe: Mbola tsy nisy tamin’ny tantaran’ny zanakolombelona tamin’ny fotoanandro taloha, ka nomena andraikitra masina ny zanakolombelona, na antsitra-po izany na ankaterena ny fitakiana ny fanatanterahana izany. Nefa ny andraikitr’i Mohammad-saw- dia mbola ambonin’ny fahefan’ny zanakolombelona ny havesarany, izay manala ireo fahaverezana izay manakana ny zanakolombelona sy ny Tompony, sady mampifandray Allah amin’ny zanakolombelona, ary mampifandray ny olombelona amin’i Allah. Amin’ny alalan’izany no mamerina ny olombelona amin’ny Zanahary sy ny hasin’ny mahaolona ary ny fahitsiana teo amin’ny onjan’ny fanompon-tsampy izay niparitaka tamin’izany fotoana izany, izay notompoin’olona tamin’izany.

Mbola tsy nisy olona tamin’ny andro taloha ka nahavita nitsangana hanao asa tahaka izay nataon’ny Mpaminany –saw-, asa izay tena mafy sady mafonja tokoa. Izany dia noho ny antony fa, izy dia miankina tanteraka amin’ny tenany amin’ny resaka fandaminana sy ny fanatanterahana ny raharahany lehibe rehetra, ary tsy mba nisy nanampy azy tamin’izany afa-tsy andiana lehilahy izay mino azy fotsiny amin’iny faritra izay tsy maro mahafantra amin’iny tany karakaina midadasika iny (Faritra Arabia izany).

Ary farany, mbola tsy nisy olona nahavita nitari-tolona ka tanteraka ny tolona izay nataony mitovy amin’izay nataon’i Mohammad –saw-; tolona izay mafonja, sady maharitra maneran’izao tontolo izao izy mianakavy, satria roa taon-jato latsaka kely taty aorian’ny fisehoan’ny finoana silamo, dia voafehiny ny Faritra Arabia manontolo tamin’ny alalan’ny Finoana sy Fitaovam-piadiana, ary taorian’izay dia niady tamin’ny anaran’i Allah ireo Firenena: Persa, Khourasány (Faritra Aziatika), sy izay manelanelana ny renirano roa, sy ny andrefan’ny India, Syria, Etopia, ary ny avaratry ny Afrika manontolo, ary ireo nosin-dranomasina Mediterane, Espania, ary misy faritra Lehibe any Frantsa.

Raha jerevantsika ny halehibeazan’ny tanjona, sy ny faharefoan’ny fitaovana, nefa matotra tsara tokoa ny fanatanterahana izany, izay tena malemy tokoa, nefa dia lasa olombelona malaza sady mahavita mitraka tsara. Ka iza áry ny olona malaza tamin’ny tantaran’izao tontolo izao mba mitovy amin’i Mohammad?

Ireo olona malaza sasany ireo dia nanamboatra fitaovam-piadiana na koa lalána noforonin’ny olombelona, na tonga dia Amperora fotsiny. Tsy afaka nanangana izy ireo afa-tsy tahaka ny piramida fotsiny, izay hitan’izy ireo avy amin’ny faritra sasany, nefa tsy hita avy amin’ny faritra hafa.

Nefa io lehilahy io dia tsy vitan’ny nanetsika tafika miaramila, nametraka rafi-dalána, sy didy aman-dalána, na amperora, sy vahoaka ary fanjakana maro isankarazany fotsiny, nefa izy dia nanetsika olona antapitrisany maro, izay mameno mihoatran’ny ampahatelon’izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany. Ary ny tena marina dia mbola maro mihoatra izany; nanetsika ireo tompo, ireo famantarana masina, ireo finoana, sy ireo foto-kevitra, ireo foto-pinoana ary ireo fanahy, ho any amin’ny fahitsian’ny Boky masina kor’any, izay fantatra fa, isaka ny andininy dia lasa lalána mihatra avokoa. Izay namelona vahoaka amin’ny ara-panahy, izay ahitana vahoaka maro isankarazany; fihaviana isankarazany, fihodirana, ary fiteny samihafa. Nametraka zavatra lehibe manokana ho an’ny vahoaka Silamo izay tsy hay fafana, dia ny fankahalana ny fanompoan-tsampy (fampitambarana Allah amin’ny zavatra hafa), fa nampirisika ny fanompoana ny Tompo zanahary Tokana tsy manampaharoa, izay tsy takatry ny eritreritra na fahitana ny momba azy. Toy izany no nampiavaka ny Mpino, noho i Mohammad tamin’ny fifikirany mafy tamin’ny fijoroany manohitra ireo zanahary sandoka sy ny fanompoan-tsampy izay mandoto ny lanitra. Ny fidiran’ny ampahatelon’ny mponina maneran’izao tontolo izao anatin’ny finoana Silamo dia fahagagana lehibe tokoa izany, na koa afaka miteny isika hoe; Tsy fahagagan’ny lehilahy fa, fahagagan’ny fanahy.

Fa ny foto-kevitra momba an’ilay Tompo tokana izay niantsoany ny olombelona izay teo anatrehan’ny fielezan’ny angano tanteraka sy ireo forona lainga izay nambolen’ireo mapanao ombiasa, sy ireo mpanompo sampy dia fahagagana tokoa izany.

Izay tonga dia afaka niresahiny, ary nahapotika ireo toerana fanompoana maro, ka niredaka manerana ny ampahatelon’izao tontolo izao. Ny fiainany sy ny fandinihany izao tontolo izao, ary ny fitolomany amin’ny fanoherana ny fomban-drazana sy ireo fahaverezana tao amin’ny Firenena izay nisy azy. Ny fisedrany ny hatezeran’ireo mpanompo sampy, ary ny fiaretany marary tamin’ny fampijaliana maro isankarazany, nandritra ny fotoana lava izay naharitra dimy amby roapolo taona monja (25 ans) tao Makkah, (35: Ny tena marina dia nipetraka tao Makkah izy-saw- nandritra ny 13 taona niatso amin’ny Islamo). Niaritra mafy tokoa izy tamin’ny fampijaliana izay nahazo azy avy tamin’ny vahoaka, ary efa saika ho lasibatra tamin’izany mihitsy izy. Izany rehetra izany dia noho ny fifikirany amin’ny fampielezana ny finoana Silamo, ary koa ireo ady izay nataony nanohitra ireo fihetsika vetaveta sy ireo fahazarana na fomba amampanao tamin’ny fahabadoana. Ary ny finoana marim-pototra tsara ka hahomby tokoa izy. Ny fahatoniany rehefa mandalo fotoan-tsarotra, ary ny fanetrentenany rehefa maharesy izy. Tsy mba nanana faniriana hikendry toerana, fahefana na resaka voninahitra sy rehareha mihitsy izy, fa tokana ihany ny tanjony, izany hoe; ny firaisankina amin’ny foto-kevitra tokana. Ireo fanompom-pivavahana izay fanaony dia tsy mba natsahatrany izany, ary indrindra ny fangatahany vonjy amin’ny Tompo Allah swt. Ny fahafatesany sy ny fandreseny izay miharihary taorian’ny fahafatesany, dia mijoro vavolombelona daholo ireo rehetra ireo, fa tsy olona mpilaza lainga velively io olona anatrehantsika io. Hamafisina, fa anatrehantsika dia finoana mafy orina sy feno fahatoniana tanteraka. Ny fiandanan-tsainany dia efa nanome azy hery manokana hananganana ny finoana, ka naoriny ny foto-pinoany tamin’ny fiantombohana lehibe roa, izany hoe: Allah dia tokana, ary izy dia tsy miantehatra amin’ny zavatra hafa eto antany mihitsy.

Hitantsika tsara amin’ny fototra voalohany fa, iza tokoa moa i Allah, ary ny faharoa, dia ny fifandraisany tanteraka amin’ny fahafantarana ny tsy hita maso. Izy dia; Filozaofy, Mpitori-teny, Mpandrafitra lalána, Mpiady ny fahavalo, Mpanokatra Firenena, Mpandinika, Iraka, Mpanorina Finoana izay ho an’olona misaina, Fanompoana izay tsisy sampy na sarivongana. Izy koa sady Lehiben’ny amperora miisa roapolo teto an-tany. Ary mbola ambonin’izany, dia ny Amperora ara-panahy, izay tsisy mitovy aminy. Izany dia Mohammad. Fa raha toa ka mijery amin’ny faharefoana izay nisy tamin’izy ireo, mahakasika ny voninahitra lehiben’ny olombelona. Ka aoka samy hanontany tena daholo isika rehetra hoe; Moa ve mbola misy olona koa ambony indrindra ankoatr’i Mohammad?

Ny Raiaman-dReniko enga anie atao sorona ho anao oh ry Irak’Allah! Miaiky aho fa tsy afaka nanome anao ny zonao, no sady tsy afaka nanome anao izay mendrika anao amin’ity Boky kely ity. Ireo zavatra kely voasoratra ireo, dia tsy inona akory fa, famantapantarana sy ampahany kely amin’izany fotsiny momba an’io Iraka masina Lehibe io, izay rendrika tamin’ny faminaniany ireo mpanompo sampy teo aloha, ary tahak’izany koa ireo olon’ny sitrapo sy olon’ny tombontsoa eto antany amin’ny fotoana rehetra mandalo eto antany, ary indrindra moa ireo mpanaraka ny hetahetampony tahaka ny biby, ireo izay miezaka hatrany amin’ny fanandevozana ny zanakolombelona.

Izaho dia maniry avy amin’i Allah, fa ity Boky ity dia mba hanitsy ireo fankaratsiana rehetra izay nataon’izy ireo amin’ny hasiny sy ny voninahitrin’io Iraka masina Mohammad-saw- io. Ary koa mba ho fanalahidy amin’ny fitadiavana bebe kokoa amin’ny fahafantarana an’io Olona Lehibe io, izay mitarika amin’ny hatsarana rehetra tokoa izany. Izay ho fampitandremana amin’ny haratsiana rehetra koa izany; ny resakany sy ireo asany rehetra, dia lamina tsara rindra sady didy aman-dalána izay mitarika any amin’ny hafalian’ny Tompo Allah Ilay Avo indrindra sy any amin’ny Pradisany ihany koa. Ka aoka isika hiala amin’ny fomban’ny razambentsika izay tsy miorina amin’ny fahaizana na fahamarinana. Aoka ny fiantombohantsika mba hiorina amin’ny fahalalána sy fahazavana, ary amin’ny fandalinana tanteraka amin’izay zavatra rehetra tiantsika hatao sy ny asa rehetra kasaintsika ho tanterahina.

 

 

www.islamland.com

 

 

 

 

[1] Risalah Mouhammadiyah, 8 Lectures @ Tantaram-piainan’ny Mpaminany saw&Risalah Al-islam. As-sayyd Soulayman An-Nadwi, pejy: 114-115

[2] Fantatra fa, tsy mitovy hevitra ireo oriantalista amin’ny fikarohana ny finoana Silamo sy ny fianarana azy. Misy amin’izy ireo mianatra na mikaroka momba ny finoana silamo mba hitady ny finoana marina, ary matetika izy ireny dia hitsin’ny Tompo Allah swt amin’ny fahitsiana ka hahafantatra sady hanaraka izany. Nefa misy koa ireo manao izany mba hitady ny fomba handemena na hanapotehana ny finoana Silamo; amin’ny alalan’ny fanaparitahana zavatra mikorontana, ary koa ny fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka ny finoana silamo sy ny Mpino. Eo koa ny lainga sy angano izay afafin’izy ireo amin’ny fanoherana ny Islamo. Izay matetika miafara amin’ny fatiantoka foana ny ezaka izay ataony. Misy koa ireo mianatra ny finoana Silamo, mba hahafantatra ny momba izany, ary mandray azy ho finoana. Ary izy ireny dia matetika manome ny tena fahamarinana tanteraka, sy vaovao mzava sy marina mahakasika izany.

[3] Mpanoratra Anglisy [1795-1881], avy amin’ny Boky atao hoe: Hoy izy ireo momba ny Finoana Silamo, an’i Dr. Imádouddine Khalil, page: 124).

[4] Mpitsabo sady Mpahay momba ny tantara, izay mahafehy tsara momba ny fivoarana maro mahakasika izany. Hoy izy ireo momba ny Silamo/Dr, Imádoud-Dine Khalil, pejy: 135

[5] Mohammad, amin’ny fahalalana ara-tsiansa marina /Mohammad Ousman Ousman, pejy: 20

[6] Mpampianatra; Anatomy&Embryo, @ Oniversiten’ny Toronto, Kanada/Avy @boky atao hoe: Nahazo an’i Mohammad aho, nefa tsy matiantoka amin’i Mesia koa, ho an’i Dr/Abdoul-Mou’ty Ad-Dáláty.

[7] Nahazo an’i Mohammad aho, ary tsy matiantoka amin’i Mesia, Dr/Abdoul-Mou’ty Ad-Dáláty.

[8] Ny referansa talohan’izao ihany.

[9] Referansa taloha.

[10] Referansa taloha.

[11] Ny referansa teo aloha.

[12] Zayd dia nantsoina hoe: Zayd bin Mohammad, talohany nanafoanan’ny Finoana Silamo ny resaka fananganana zanaka, araka izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: Antsoy amin’ny anaran-dRainy izy ireo, fa izany no tena marina eo anatrehan’Allah. Fa raha tsy fantatrareo ny Rainy, dia ataovy ho toy ny rahalahinareo amin’ny finoana izy ireo, na toy ny namanareo), [Al-Ahzab, and: 5].

[13] Teraka tamin’ny taona 1909, ary nivoaka nahavita fianarana tao amin’ny Oniversite de Sorbonne, ary voatendry ho Mpampianatra tao amin’ny Sekoly fampianarana ireo fiteny tantsinanana, tao Parisy, Frantsa. Ary tamin’ny taona 1945, dia lasa Mpampianatra tamin’ny sampana literatiora, tamin’ny Oniversite de Strasbourg, Frantsa. Ary izany zavatra ambarany izany dia hita ao amin’ny boky atao hoe: Hoy izy ireo momba ny finoana Silamo, an’i Dr, Imádoud-Dine Khalil, pejy: 126.

[14] Hoy izy ireo momba ny Islamo/Dr. Imadoud-Dine Khalil.

[15] Hoy izy ireo momba ny finoana Silamo.

[16] Aoka hazava amin’ny mpamaky hajaina fa, ny antony hitondranay ny sasany amin’ireto voalaza ao amin’ny Taoraty sy ny Evanjely dia mba ho porofo amin’ireo Jiosy sy Kristianina ny zavatra ambaran’ny bokin’izy ireo, izay inoan’izy ireo.

[17] Ao @ boky antsoina hoe: Mohammad @ Baiboly, nosoratan’ny Pr. Abd Al-Ahad Daoud, -izay Jiosy teo aloha- /Nadikan’i Fahmy Shammá/Natontan’ny Dár-al-Dwiyá hoan’ny fampielezana sy Fizarana, arak any didin’ny Fitsarana tompon’andraikitra sy ny raharaha ara-pinoana, ao Qatar.

[18] @ boky: Hoy izy ireo momba ny finoana Silamo, an’i Dr. Imádoud-Dine Khalil-pejy: 93.

[19] @ boky Nahazo an’i Mohammmad aho, ary tsy matiantoka amin’ny Mesia, an’i Dr. Abdoul-Mou’ty Ad-Dáláty.

[20] Izay niasa ho mpitandrina nandritra ny ampahany amin’ny fiainany tamin’ny fiangonana tao Angletera, t@ 1939-1963, ary niditra @ Silamo taorian’izany, azo t@ Boky : Hoy izy ireo momba ny finoana Silamo, Dr. Imádoud-Dine Khalil.

[21] Niasa nandritra ny ampahany @ fiainany ho Mpiandry t@ Fiangonana Angletera, hatry t@ taoana: 1939-1963, dia avy eo izy dia niditra @ Silamo, nitsoahina tamin’ny boky atao hoe: Hoy izy ireo momba ny Finoana Silamo, Dr. Imádoud-Dine Khalil, pejy: 105-106.

[22] Fa ny tena marina, dia folo taona no nipetrahany tao Madinah.

[23] Hoy izy ireo momba ny Islamo/Dr. Imadoud-Dine Khalil.

[24] Oriantalista Amerikanina, @ boky hoe; Hoy izy ireo momba ny Islamo, Dr. Imadoud-Dine Khalil, pejy: 95-96.

[25] Mpikaroka Anglisy, izay nahazo mari-pahaizana Doctorat maro dia maro tokoa amin’ny resaka Lalána sy ny Filozaofy ary ny Theory, tatitra nalaina tamin’ny boky: Hoy izy ireo momba ny finoana silamo/Dr. Imádoud-Dine Khalil.

[26] Izy dia mpampiely lehibe ny finoana Kristianina tao Kanada, niditra amin’ny Finoana Silamo izy, ka lasa Mpampely Lehibe ny Finoana Silamo ao Kanada, anisan’ireo misionera tena mavitrika mafy izy teo aloha amin’ny fanaparitahana ny finoana Kristianina, sady anisan’ireo tena manampahaizana feno mahakasika ny Baiboly izy. Ity tatitra ity dia nalaina avy tamin’ny Bokiny izay atao hoe: “Ny Kor’any Mahagaga”.

[27] Hoy izy ireo momba ny Islamo, Dr. Imadoud-Dine Khalil, pejy; 123.

[28] Manampahaizana Amerikanina, izay efa nahazo mari-pahaizana maro amin’ny resaka Siansa, ary manana doctorat @ resaka Astronomia t@ Oniversite any Brinson, izay niasa tao @ireo Foiben-toeran’ny Fikarohana sy ny fanarahamaso, izy dia iray amin’ireo Manampahaizana mpandalina momba ny resaka physics.. nitsoahina avy t@ boky atao hoe: Hoy izy ireo momba ny Islamo, Dr. Imádoud-Dine Khalil.

[29] Izahay dia manambara fa, tsisy olona hafa koa mitovy aminy, fa Izy –saw- no Lehibe indrindra amin’olombelona rehetra.

[30] Hoy izy ireo momba ny finoana Silamo /Dr. Imádoud-Dine Khalil, pejy: 124.

[31] Mpitsikera Anglisy, mpampianatra resaka Silamo sy resaka mahakasika ny Afrika avaratra t@ Akademy Amerikanina momba ny raharahan’ny aziatika t@ San Fransisco (1953): Hoy izy ireo momba ny Finoana Silamo, Dr. Imádoud-Dine Khalil.

[32] Hoy izy ireo momba ny Islamo, Dr. Imádoud-Dine Khalil.

[33] Ny Finoana Silamo & Kristianina / Alfate Aziz As-Swamad.