FIJERIN’NY FINOANA SILAMO AMIN’NY RESAKA ARA-NOFO

FIJERIN’NY FINOANA SILAMO AMIN’NY RESAKA ARA-NOFO

FIJERIN’NY FINOANA SILAMO AMIN’NY RESAKA ARA-NOFO

 نظرة الإسلام للجنس باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

 

Dr. Abd Ar-Rahman bin Abd Al-Karim Ash-Sheha

د. عبد الرحمن بن عبد الكريم الشيحة

 

 

Fandikan-Teny Nataony

European Islamic Research Center (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

 

FIJERIN’NY FINOANA SILAMO AMIN’NY RESAKA ARA-NOFO

 

 Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be indra-fo, Ilay be fiantrana

Dera sy voninahitra ho an’i Allah swt, tso-drano sy fandriam-pahalemana enga anie ho an’ny Mpaminanin-tsika Mohammad, sy ny Fianakaviany, ary ireo Mpanara-dia azy

Tena marina fa, ny finoana silamo, dia mijery ny filán’ny zanakolombelona mahakasika ny filana ara-nofo, satria anisany zava-dehibe izay tsy maintsy homena azy ny fahafaham-pony.

Tsy vitan’izay fa, raisiny ho zavatra tsara no sady ilaina, raha toa ka tanterahina manaraka ny lalánan’ny Tompo Allah, fa tsy sanatria raisina ho zavatra maloto ka, mila hiatahana lavitra avy amin’izany. Ka hoy Allah ilay avo indrindra manao hoe: ”Nohatsaraina hoan’ny olombelona ny fitiavana fahafinaretana: amin’ny vehivavy, ny zanaka, ny harembe miavosa, anisan’izany ny volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly; izany rehetra izany dia, fankamamiana ny fiainana ety an-tany avokoa, saingy eo anatrehan’i Andriananahary no misy ny fiverenana tsara indrindra”. [Al-imran, and: 14].

Ary nambara’ny Mpaminany (saw) hoe: ”Zavatra natao ho tiako ny vehivavy sy ny ranomanitra, fa ny tena fahafinaretako dia anatin’ny fanompoam-pivavahana Soalah”. [Al-Moustadrak ala As-swahihayn, j2. Pejy: 174, hadith laharana faha: 2676. Sahih Takhrij Imam Ahmad, An-Nasai, Hadith Anasy RA].

Hamafisina fa, efa noraran’ny finoana Silamo ny fanagejana (fitazomana hetaheta) ny filana ara-nofo, amin’ny maha finoana ara-boajanahary madio azy, izay tsy tokony toherina fa, tokony harahina sady valiana ny fitakian’ny hetahetany, nefa izany retraretra izany, diatsy maintsy manaraka ny fepetra ara-dalána, mba hanomezana fahafaham-po ho azy amin’ny fomba mendrika sy lála-marina sy mahitsy, mba hanalavitra azy avy amin’ny fihetsiky ny biby sy ny fanaovana azy amin’ny fomba voarara.

Ary ny fitomboan’ny hetaheta ara-nofo tafahoatra ka, manao izany amin’ny fomba tsy manara-dalána, dia ho antony hampiditra olona maro amin’ny afobe, izany hoe; raha nitady fahafinaretana amin’ny fomba tsy manara-dalána izy.

Ka nitatitra Abou Hourairah (RA), fa ny Mpaminany (saw), dia nanontaniana hoe: Inona ny zavatra mampiditra betsaka ny olona amin’ny Paradisa? Navaliny hoe: ”Ny fahatahorana an’i Allah sy ny toetra mendrika. ary nanontaniana koa izy amin’ny zavatra mampiditra ny maro amin’ny Afobe? Nambarany fa: Ny vava sy ny henatra”. [At-Tirmithi, j4. Pejy: 363. Hadith faha: 2004, As-swahihah: 977].

Amin’ity Boky ity, dia hiezaka izahay hanazava ny fomba na ny lálana izay arahin’ny finoana silamo amin’ny fandaminana mahakasika ny resaka ara-nofo, ary ny fanaovana azy amin’ny fomnba ara-dalána dia sokajiany ho asa fanompoana, izany hoe; raha atao amin’ny fomba manara-dalána. Ary hahazo valisoa ny mpino silamo izay manao izany amin’ny fomba manara-dalána, tahaka ny valisoa amin’ny asa-soa rehetra. Araka ny nambaran’i Abou Zarr (RA), fa nisy andian’olona avy amin’ny Mpanara-dia an’ny Mpaminany saw nanontany azy hoe: Oh ry Irak’Allah! Lasa ireo mpanankarem-be miaraka amin’ny fahasoavana, mivavaka tahaka ny ataonay izy ireo, ary mifehy tahaka ny ataonay, ary manao fanomezana izy ireo amin’izay tena tsara indrindra amin’ny harenany? Namaly Izy hoe: ”Angaha tsy efa nataon’ny Tompo Allah swt hoanareo ve izay anaovanareo fanomezana? Satria tena marina fa, ny fiderana Allah dia efa fanomezana, ary ny fitenenana ny teny hoe: Allaho Akbar (Allah no Lehibe indrindra) dia efa fanomezana koa izay, ary ny fitenenana Alhamdoulollah dia efa fanomezana ihany koa, ary ny fitenenana Tsisy tompo azo tompoina afa-tsy Allah dia efa fanomezana, ary ny famporisihana amin’ny fanaovana tsara dia efa fanomezana ihany koa, ary ny fandrarana amin’ny fanaovana ny tsy mety (asa ratsy) dia fanomezana, ary ny firaisanareo amin’ny vadinareo dia fanomezana ihany koa. ”ka nanontany izy ireo manao hoe: Oh ry Irak’Allah! Moa ve ny firaisan’iray aminay amin’ny vadiny hahazoana fahasoavana? Namaly izy hoe: Ambarao ahy ary, raha manao izany amin’ny fomba tsy ara-dalána (Haramo) ve izy tsy hahazo fahotana? Ka tahak’izany koa, raha ataony amin’ny fomba ara-dalána (Halál) dia hahazo fahasoavana izy”. [Mouslim, j2. Pejy: 697. Hadith faha: 1006, Mouttafaquoun alayhi].

(Ny tena tian’ny Mpaminany saw hambara, dia raha miaraka amin’ny vadinao vita fomba ara-dalana ianao dia mahazo fahasoavana, fa raha sanatria ka miaraka amin’ny vehivavy tsy vadinao no sady tsy vita fomba ara-dalana dia mazava hoazy fa, hahazo fahotana).

Hamafisina fa, ny finoana silamo dia, nametraka ny fanambadiana ho lála-mahitsy anankiray mba hafahan’ny olombelona hanome fahafahampo ara-nofo ny tenany. Ary namporisika no sady mangataka amin’ny mba hanatanterahana ny fanambadiana ny finoana silamo. Ka nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Oh ry andian-tanora! Izay manana fahafahana aminareo dia mila manambady (ny resaka famatsiana sy ny fahafahana hanome fahafaham-po ara-nofo), satria izany dia mampijetsy ny fijery, ary afaka miaro tsara ny henatra, ka hoan’izay tsy afaka hanambady dia tsimaintsy manao fadinkanina izy, satria amin’izany dia misy fiarovan-tena hoazy”. [Mouttafaquoun alayhi].

Tena marina fa, ny finoana silamo dia, manasokajy ny fanambadiana ho zava-dehibe voa-janahary hampitoetra fahatoniana hoan’ny tsirairay.

Fa raha amin’ny fiaraha-monina no resahina dia; natao ho tahaka ny lamaka ny fanambadiana, izay iaingan’ny fitiavana sy ny fifamindram-po sy ny fifanakaikezana. fa raha amin’ny lafiny mahaolombelona dia, fomba anankiray hiarovana ny taranaka. Fa raha amin’izy rehetra voalaza teo jiaby ireny dia, fomba hiarovana ny henatra, hiainana ambony tany, sady haja amam-boninahitra hoan’ny tsirairay sy ny daholobe izany manambady izany.

Ka noho izany, dia ny tsy fanatanterahana na ny fialana amin’izany fanambadiana izany dia, fivoahana tanteraka avy amin’ny sori-dálana voa-janahary, izay efa takiana fa tsy maintsy amin’ny alalan’izay ihany ny lálana voajanahary tsy maintsy harahina.

Ny tena tanjona amin’ny fanambadiana amin’ny finoana Silamo dia, ny hiarahana mivelona, sy hitoerana eto an-tany mba hamenoana ny hetahetan’ny nofo amin’ny fomba ara-dalana, ary ny fanehoan’ny andaniny sy ny ankilany ny famindram-po amin’izy samy izy (@ samy mpivady). Hoy Allah swt manao hoe: ”Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany ho anareo avy aminareo ny vadinareo mba hiainanareo amim-pilaminana miaraka aminy, ary dia nasiany fifankatiavana sy hatsaram-panahy eo aminareo. Misy porofo tokoa ao anatin’izany ho an’ireo olona mieritreritra”. [Ar-Roum, and: 21].

Ary tahak’izany koa fa, anisan’ny tanjona lehibe dia, ny fiarovana ny henatra, sy ny fiarovana ny andaniny sy ny ankialany mba tsy ho latsaka amin’ny asa vetaveta sy ny fijangajangana. Izany hoe, fampiaro zany ny mpivady; Lehilahy sy vehivavy. Hoy Allah swt hoe: ”Izy ireny mantsy fitafy hoanareo, ary ianareo ihany koa dia fitafy ho azy ireo”. [Albaqarah, and: 187].

Ka noho izany ny finoana silamo dia, mbola mahita ireo sasany izay manohitra ny voaja-nahary izay nataon’ny Tompo Allah ho azy ireo, ary miantso amin’ny atao hoe; Fahalalahana amin’ny ara-nofo, izay hita fa, tsy ara-dalána no sady tsy manaraka ny finoana.

Satria ny finoana silamo dia miakatra fa, tsy midina. Fa tsy izay anefa izy ireo fa, manova ny voa-janahary ka mivadika toa ny biby. Izany hoe; manao zavatra anankiray izy ireo, nefa tsisy antoka na fahalalana marina amin’izany, fa lasa manao izay hetahetam-pony fotsiny no ataony amin’ny fanavokisana na fanomezana fahafaham-po ny hetahetany ara-nofo amin’ny fomba tsy ara-dalana.

Inona koa no fahotana lehibe indrindra mitovy amin’izany, sady heloka bevava izay ratsy dia ratsy tokoa amin’ny fampidiran’olona anankiray ny tsirinainany amin’ny henatra izay tsy ara-dalána hoazy (haram). Hoy Mpaminany saw hoe: ”Raha toa ka miharihary amin’ny vahoaka ny fijangajangana sy ny fanjanaham-bola, dia nataon’izy ireo ara-dalána amin’izy ireo ny sazin’i Allah”. [Swahih At-Targhib].

Ny finoana silamo dia mitaiza sady manabe ny mpanaraka azy amin’ny fahamatorana, sy fahadiovana, ary miezaka manoro lálana tsara sy madio hoazy ireo. Satria izany no miantoka azy ireo noho ny sitrapon’i Allah, mba hampifikitra ny fihetsik’izy ireo sy ny fanarahany ny lala-marina. Ary amin’ny alalan’izany no hafahan’izy ireo hanome fahafaham-po ny hetahetany amin’ny fomba ara-dalána.

Hoy Abou Oumamah (RA), fa indray andro nisy tanora lahy tonga tamin’ny Mpaminany saw niteny hoe: Oh ry Irak’Allah! Mba omeo alalana hijangajanga ahy (izany hoe; ataovy azo atao hoahy ny fijangajangana)?!! Ka nanatona azy avy hatrany daholo ny vahoakaka nandrahona azy, ary niteny taminy hoe: Mangina ianao. Ka hoy ny Mpaminany saw hoe: Ampanatony ahy izy. Ka nampanatonin-dreo azy tokoa izy. Ka hoy ny Mpaminany saw taminy hoe: Tianao ve raha atao amin’ny reninao izany? Namaly izy hoe: Tsia. ary mifanta amin’ny Zanahary aho, enga anie mba hataony sorona hoanao aho fa, tsisy olona mankatia an’izany hatao amin’ny reniny.

Hoy Mpaminany saw: Tianao ve raha atao amin’ny zanakao vavy? Namaly izy hoe: Tsia. Ary mifanta amin’ny Zanahary aho, enga anie mba hataony sorona hoanao aho, fa tsisy olona mankatia an’izany hatao amin’ny zanany vavy.

Hoy Mpaminany saw: Tianao ve raha atao amin’ny anabavinao? Namaly izy hoe: Tsia. Ary mifanta amin’ny Zanahary aho, ary enga anie hataony sorona hoanao aho fa, tsisy olona mankatia izany hatao amin’ny anabaviny.

Hoy Mpaminany saw hatrany: Tianao ve raha atao amin’ny anabavin-drainao? Hoy izy hoe: Tsia. Ary mifanta amin’ny Zanahary aho, mba hataony sorona hoanao fa, tsisy mankatia izany hatao amin’ny anabavin-drainy. Ary mbola niteny Mpaminany saw: Tianao ve raha atao amin’ny rahavavin-dreninao? Namaly izy hoe: Tsia. Ary mifanta amin’ny Zanahary aho, enga anie mba hataony sorona hoanao aho. Fa tsisy olona mankatia zany hatao amin’ny rahavavin-dreniny. Ka rehefa aveo dia napetraky ny Mpaminany saw amin’ny tánany ny tánany ka niteny izao manaraka izao: Oh Allah! Fafao ny fahotany, ary diovy ny fony, ary arovy ny henatrany (Izany hoe: Arovy ity tanora ity mba tsy ho tafiditra @jangajanga). Ka hatr’izany dia, mbola tsy nitodika amin’ny fahotana intsony iny tanora iny. [Mousnad Imam Ahmad. J5. Pejy: 256. Hadith faha; 22265, As-Swahihah: 370].

Ny finoana silamo dia, tsy mandrara amin’ny firaisana ara-nofo na ny fiainana eto an-tany, na ny fiatahana amin’ny fahafinaretana amin’ny ara-dalána izay nekehin’ny Tompo Allah. Ka hoy Anasy bin Málik (RA) hoe: indray andro nisy lehilahy telo tonga tao antranon’ny vadin’ny Mpaminany saw nanontany ny fomba fanompoan’ny Mpaminany saw. Ka rehefa nambara azy ireo ny fomba fanaovany asa fanompoana dia, hitan’izy ireo fa, mbola lavitra tokoa zany ny fanaovan’izy ireo. Hoy izy ireo hoe: Aiza ary isika amin’ny Mpaminany saw?

Efa nofafan’i Allah ny fahotany tamin’ny efa lasa sy ny mbola hoavy. Hoy ny iray tamin’izy ireo hoe: izaho dia hivavaka mandritra ny alina manomnboka izao ka mandrapaha fatiko. Ka hoy ny iray hafa hoe: izaho dia hanao fadin-kanina isanandro mandrapaha fatiko. Ka hoy ilay fahatelo hafa: izaho dia tsy hikasika vehivavy intsony mandrakizay. Ka tonga ny Irak’Allah saw dia henony ny vaovao mahakasika ireo olona telo lahy ireo. Hoy Izy (SAW) tamin-dreo hoe: ”Ianareo izay niteny zao sy zao teo iny? Izaho no tena manana fahatahorana betsaka indrindra an’i Allah, ary vontompinoana noho anareo. Nefa izaho dia, Manao fadin-kanina nefa manapaka ny fifehezana. Mivavaka aho, nefa mbola matory ihany. Ary izaho koa dia manam-bady ireo vehivavy, ka izay tsy manaraka ny sori-dálako dia tsy ho anisany mpanaraka ahy”. [Alboukhari, j5. Pejy; 1949. Hadith faha; 4776].

Tsy zavatra mahamenatra ny fanomezana fahafaham-po ara-nofo amin’ny fomba ara-dalána. Araka ny nambaran’i Mohammad Qoutb (12) hoe: izahay dia, tsy mahita olana amin’ny resaka ara-nofo amin’ny finoana Silamo. Hamafisina fa, ny finoana silamo dia, mijoro amin’ny fiarovana ny voa-janahary tanteraka, satria ny resaka ara-nofo dia tsy zava-baovao. Tsy misy zavatra manjavona amin’ny finoana silamo ka ho vato misakana amin’izany, fa ny zava misy dia, vao maika manandratra ny voninahitry ny olombelona no sady maka antoka amin’ny famehezana ny hetahetam-po amin’ny ara-dalána. Izany hoe mitovy amin’ny tetezana izay mijoro anatrehan’ny fantson-drano, tsy hoe hanakanana ny fandehanan-drano fa, hampiakatra sy hampitovy lenta ary hitazona ny fantsona mba hiasa tsara amin’izay. Ka rehefa miakatra tsara amin’ny toerany ny fantsona dia, afaka mitarika ny rano amin’ny faritra sy toerana maro samy hafa, na amin’ny toerana izay heverina fa, mety tsy ho tongan-drano aza, na koa tsary (mbola tsy nisy fotoana azon-drano) azon-drano mihitsy teo aloha. Nefa avy aty ambany no hanosehana azy hiakatra any ambony, ka mitovy amin’izay mihitsy no, fomba ataon’ny finoana silamo amin’ny fiarovana ny voa-janahary.

Ny finoana silamo dia, mametraka fiarofanina mba hiarovana ny voaj-anahary fa, tsy sanatria hanakana azy amin’ny fanatanterahana ny ara-dalána. Nefa na dia izany dia, mampitandrina amin’ny fihoaram-pefy. ka hoy Allah swt manao hoe: K’aza mandika izany ianareo”, (izany hoe; k’aza dikavinareo ny didin’i Allah).

Ary fantatr’i Allah swt amin’ny fahaizany sy ny fahendreny fa, izany fiarofanina na didy izany no, fiarofanina voaaro tsara indrindra mba hiarovana izany herin’ny hetaheta ara-nofo izany. Satria zo malalaka hoan’ny tsirairay sy ny fiarahamonina mendrika tsy ankanavaka ny fanaovana izany amin’ny fomba manara-dalána tanteraka.

Na dia ny habadoana dia, miaiky amin’ny maha-zavadehibe ny lamina sy antoka manoloana ny voa-janahary rehetra, afa-tsy mahakasika ny resaka ara-nofo ihany! Io irery ihany no hetaheta voa-janahary tsy jerevan’ny habadoana ny antoka hoan’izay, afa-tsy ny fahafinaretana mirehitra ka, ampandalovina amin’ny fomba rehetra tiany hanaovana azy fotsiny tahaka ny adála fa, tsy manaraka ny didin’i Zanahary!

Ny habadoana dia, tsy mamela malalaka ny fahaleova-ntena tsy misy fitokisana na fandaminana mba harahin’ny olombelona amin’ny zavatra rehetra irin’ny nofony. Ka mahatonga azy hanao izany amin’ny fomba rehetra tian’ny sitra-pony. Ary sokajiny hitovy amin’ny mpangalatra izany ka ho sazian’ny lalána izay manao izany. Ary tahak’izany koa ny mahakasika ny resaka sakafo, ny fitafy, ary ny fonenana… fa k’aza avela ho fitaovana amin’ny hetahetam-po fotsiny ?!. . .

 

 

Dr. Abd Ar-Rahman bin Abd Al-Karim Ash-Sheha

/Users/ahmed/Documents/MY SITES & PROJECTS/PROJECTS & SITES/ISLAMLAND/logo-black.png

 

[email protected]

FOMBA FIJERIN’NY FINOANA SILAMO MAHAKASIKA NY RESAKA ARA-NOFO:

Ny finoana silamo dia mijery ny fandehanan’ny resaka ara-nofo, ka mahita fa, anisany zava-dehibe tokoa ny fanomezana ny fahafaham-pony amin’izany, fa tsy ho gejaina na tazomina, nefa na dia izany aza dia, tsy maintsy atao amin’ny fomba ara-dalána tsara, araka ny fanazavan’ny Tompo Zanahary Izay nahary ny lahy sy ny vavy avy tamin’ny alalan’ny tsirinaina indray mitete. Ka nataon’ny Tompo Allah swt ny fanambadiana ho fomba manokana mba harahina amin’ny fanomezana fahafaha-mpo tanteraka amin’ny fahafinaretana ara-nofo. Ary ny andaniny sy ny ankilany dia samy ho afa-po avokoa amin’izany. Ary nampitandrina mafy dia mafy tokoa Allah swt an’izay manao an’izany amin’ny fomba ivelan’ny fanambadiana. Ka Allah swt raha midera an’izay manatanteraka izany amin’io fomba feno fanarahan-dalána io ka manao hoe: ”Henika ny fahasambarana tanteraka ireo (1), Izay manetry tena amin’ny fanompoam-pivavahana izay ataony (2), fa manalavitra ireo zavatra tsy misy antony (3), ary manome ny harena fiantrana {Zakah} (4), ka miaro ny taovam-pananahany amin’ny firaisana {voarara} (5), Afa-tsy amin’ny vadiny, na ireo mpanompovaviny izay ambany fahefan’izy ireo, ary hamafisina, fa tsiazo kianina amin’izany izy ireo (6), fa ireo izay mitady izany, ivelany ireny fetra ireny kosa, dia mpandika lalána”. [Al-mou’minoun, and: 1-7].

Ary Tompo Zanahary Ilay avo indrindra dia nanazava tsara fa, ny fanambadiana dia fomba fanaon’ireo Iraka sy Mpaminany maro nandalo teto an-tany (tso-drano sy fandriam-pahalemana enga anie amin-dreo), izany dia mba ho famporisihana amin’ny fitiavana ny fanambadiana (fampirisihana mba te hanambady). Ka hoy Allah swt manao hoe: ”Hamafisina, fa nandefa ireo Iraka talohanao Izaho, ary nanome vady sy taranaka ho azy ireo”. [Ar-Ra’d, and: 38].

Ny Iraka masina Mohammad saw dia nanamafy amin’ny famporisihana amin’ny fanambadiana sy fitadiavana taranaka mba hahamaro isa ny vahoaka sy ny fitoerany eto an-tany (mba hivelona eto an-tany). Ka hoy Irak’Allah saw hoe: ”Manambadia vehivavy be fitiavana sady afaka miteraka ianareo, fa izaho dia maniry fa, ianareo no vahoaka maro indrindra”. [Al-Moustadrik alá As-swahihayn. J2. Pejy: 176. Hadisy faha: 2685. Swahih Abi Daoud: 1789].

Nefa ny Mpaminany saw dia, vao mainka nandidy ireo Mpanaradia azy mba hanatanteraka ny fanambadiana hoan’izay maniry ny filana ara-nofo, izany hoe; hanatanteraka izany amin’ny fomba ara-dalána. Araka ny tatitra izay nataon’i Abou Hourairah (RA) fa, ny Mpaminany saw dia nanambara hoe: ”Raha misy olona mahafinaritra anareo ny fomba fihetsiny sy ny Finoany, dia ampanambadinareo izy, fa raha tsy ataonareo izany dia, hanjaka eny ambonin’ny tany ny fakampanahy sady hiparitaka ihany koa ny haratsiana tafahoatra”. [Almoustadrik @ Swahihayn. J2. Pejy: 176. Hadisy faha: 2695, navoakan’i At-Tirmithi, ary nohamarinin’i Sheikh Albany].

[Izany hoe; raha misafidy ny mpanankarena sy be voninahitra no hanambady ny zanakareo vavy, dia tandremo fa, hiteraka fakampanahy sy haratsiana ambony tany izany].

Ny finoana silamo dia, maporisika hatrany ireo Raiaman-dReny mba hanamora ny raharaha mahakasika ny resaka fanambadiana. Ka hoy Mpaminany saw: ”Hamafisina fa, anisany fahasoavana amin’ny vehivavy dia, ny hamorana amin’ny fampiakarana azy ho vady, ny tsy mahalafo loatra ny vodiondriny, ary ny fanamoran’i Allah ny fitondrany vohoka sy ny fiterahana”. [Almoustadrak @ Swahihayn. J2. Pejy: 197. Hadisy faha: 2739. Navoakan’i Ahmad @ Mousnadihi, izay nohitsin’i Sheikh Albany fil-irwa @ Hadisy: 1928, sy Swahih Al-Jami’: 2235].

Ka ny Mpaminany saw dia, namporisika hatrany ireo Mpanaradia azy mba hiroso amin’ny fanambadiana fa, tsy hihataka na handrara olona amin’izany, noho ny fahatorana ny fahantrana sy ny filana (famatsiana). Ka hoy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Ampanambadio izay tsy manam-bady aminareo, sy ireo olo-mendrika amin’ireo mpanomponareo, lehilahy sy vehivavy. Raha mahantra izy ireo, dia Andriananahary no hampanan-karena azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Malala-tánana, sy Mahalala ny zava-drehetra i Allah”. [An-Nour, and: 32].

Nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Zon’ny Allah swt no hanampy ny karazan’olona telo; Izay olona manao ady masina amin’ny lálan’i Allah, Izay olona te-hanambady mba hiarovany ny tenany avy amin’ny fakampanahy, ary ny andevo izay te-hividy ny fahafahany amin’ny vola voafetra izay nifanarahana mba hamotsorana azy ho olona malalaka”. [ Almoustadrik @ swahihayn. J2. Pejy: 174. Hadisy faha: 2678. Nohamarinin’i Sheikh Albany @ Gháyatoul-marám].

Ary ny Mpaminany saw dia nandidy indrindra indrindra ny tanora mba hanambady malaky, nefa amin’ny fomba izay maivana indrindra amin’izay tsy manana fahafahana hikarakarana ny fanambadiana. Hanalefahana hoazy mba hifehezany ny hetahetam-pony amin’ny fomba ara-dalana. Satria ny Mpaminany saw dia niteny hoe: ”Oh ry andian-tanora!izay manana fahafahana aminareo dia, mila manambady, satria mampijetsy ny fijery tokoa izany, no sady miaro ny henatra. Fa hoan’izay tsiafaka hanambady kosa dia, mila manao fadin-kanina, satria amin’izany no, misy fampihenana ny hetahetam-po”. [Alboukhari, j5. Pejy; 1950. Hadisy faha: 4779].

[izany hoe; ny fahafahana takiana amin’ny fanambadiana dia, roa; Ny fahafahana manome fahafinaretana ara-nofo sy ara-bola].

Hoan’izay misedra olana ara-bola ka tsiafaka hanambady dia, ny finoana silamo dia efa mandidy azy mba hijoro matotra fa, tsy hanao izany amin’ny fihetsika biby. Satria hoy Allah swt manao hoe: ”Ary ireo izay tsy manan-katao hanatanteraka fanambadiana, dia aoka izy ireo hijanona amin’ny fahamaotinany, mandrapaha hanomezan’i Allah azy harena, amin’ny alalan’ny fahasoavany”. [An-Nour, and: 33].

Ny Boky masina Kor’any dia manazava tsara ny ohatra mendrika indrindra mba ho fiarovan-tena manoloana ny hetahetam-po ara-nofo, izay hita amin’ny tantaran’ny Mpaminany Yousouf/Josefa (AS) mba ho modely harahina sy falain-tahaka hoan’ny hafa isika. Ary indrindra moa maoloana ireo tanora. Hoy Allah swt manao hoe: ”Ary ilay (vadin’ny Mpanjaka: Zoulaikha) nandray azy tao an-tranony, dia niezaka ny haka fanahy azy, ka nakatony tsara ireo varavarana, ary hoy izy: Avia, (vonona ho anao aho). Ka hoy izy namaly: hiaro ahy anie Allah! Ny Tompoko no nanome ahy fialofana tsara. Ekena fa, tsy mahomby ireo mpanao ny tsy rariny. [Yousouf, and: 23], Ary hamafisina fa, tena naniry azy mafy izy, ary izy koa naniry azy, raha tsy noho ny fahitany ny porofo marina, avy tamin’ny Tompony. Toy izany no ampanalaviriko azy ny ratsy, sy ny fahalotoana, fa anisany mpanompoko voadio izy”. [Yousouf, and: 23-24]

Na dia fa, hiafara amin’ny fanagadrana sy fampijaliana aza ny tsy famaliana antso hanao firaisana ara-nofo tsy ara-dalána, dia tsy nanao an’izany ny Mpaminany Josefa (AS) noho ny fahatahorana an’ny Tompony Allah. Ka hoy Allah swt mahakasika izany manao hoe: ”Hoy izy (vadin’ny mpanjaka): indro ary ilay nanakiananareo ahy. Niezaka ny haka fanahy azy aho, nefa niaro tena fatratra tamin’izany izy. Raha ohatra ka tsy nanao izay nandidiako azy izy, dia ho any am-ponja, ary ho isan’ireo nanetri-tena (ambany) (32), Fa hoy Josefa: Ry Tompoko oh! Aleoko ny trano maizina, toy izay ny hitarihan’izy ireo ahy. Ary raha tsy halavirinao amiko ny fitak’izy ireo, dia hirona amin’izy ireo aho, ary ho isan’ireo tsy mahalala (33) Namaly azy ny Tompony, ary nalaviriny azy ny fitak’izy ireo. Fa Mandre sy Mahalala ny zava-drehetra Izy”. [Yousouf, and; 32-34].

Ny finoana silamo dia, mandrara ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny fomba tsy ara-dalana. Satria misy olona sasan-tsasany mihevitra fa, mety (azo atao) ny fanaovana ny atao hoe” fahazarana miafina ara-nofo/masturbation”, izay afaka ataon’olona anankiray tsy mila namana akory.

Ka raha jerevana izany amin’izao toe-javatra izao, dia hita fa, manao ny maivana amin’ny fahotana roa ilay olona. Izany hoe; ny fijangajangana dia, fahotana lehibe indrindra, ary ny masturbation dia, anisan’ny fandikan-dalána sady zavatra voarara ihany koa.

 

 

IREO DINGANA ARAHIN’NY FINOANA SILAMO MBA HIAROVANA NY FAHAFINARETANA ARA-NOFO ARA-DALÁNA

Ny finoana Silamo, dia mandrara ny fomba rehetra hanaovana firaisana ara-nofo afa-tsy amin’ny firaisan’ny lahy sy vavy ary amin’ny fomba ara-dalána.

Izany dia, noho ny fahatahorana ho tafanao zavatra izay efa nampitandreman’ny finoana silamo sady nandrarany ihany koa.

Fa ny zavatra misy ankehitriny dia, izay tratry ny hetaheta ara-nofo dia matetika manao izany amin’ny fomba tsy ara-dalana, izay tiany hanaovana azy tahaka ny; fijangajangana, na ny asan’ny vahoakan’i Lota (fanaovana firaisana amin’ny fomba tsy voa-janahary/PD), na izany hifanarahin’ny andaniny sy ny ankilany na amin’ny endrika fanolanana, na koa amin’ny fomba hafa izay ataon’olona tokana izay antsoina hoe: masturbation, izay voararan’ny finoana silamo ny fanaovana azy.

Ka anisan’ireo zavatra nahatonga ny finoana Silamo dia ny hanafoanana tanteraka ny firadánana amin’ny resaka ara-nofo: -

  • Ny Finoana Silamo dia mandidy amin’ny fitandremana sy fampitandremana mahakasika indrindra fampisarahana fandriana ireo ankizy, ka hoy ny Mpaminany Mohammad saw hoe: ”Didio ny ankizy hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana soalah raha vao feno fito taona izy (7 ans), ary kapohy izy rehefa feno folo taona (10 ans) raha sendra manda tsy hivavaka, ary saraho fandriana izy ireo”. [Almoustadrik ala as-swahihayn. J1. Pejy: 311. Hadisy faha: 708, Abou Daoud Sanad Hasan].

Ary izany dia noho ny fahatahorana amin’ny fifandonana na zavatra hafa izay mety hiseho amin’ny fotoana izy ireo matory, no sady fitandremana amin’ny resaka famohazana ny hetaheta ara-nofo.

  • Ny finoana silamo dia, mandidy ny vehivavy mpino silamo koa mba hisarona anatrehan’ireo lehilahy izay fady azy. Izany dia, noho ny antony fiarovana ny voninahitr’izy ireo, sy ny tsy maintsy hiatahan’izy ireo lavitra ny toerana izay atahorana mety hiteraka hetaheta sy fanintonana ara-nofo. hoy Allah swt hoe: ”Ry Mpaminany! Lazao amin’ireo vadinareo, sy ireo zanakao vavy, ary ny vehivavin’ireo Mpino Silamo, mba hisalotra tanteraka ny voalin’izy ireo, fa ho mora fantatra kokoa izy ireo amin’izany. Mba tsy hiharan’ny fanafintohinana. Fa Mpamela heloka sy be Indrafo Andriananahary”. [Al-ahzab, and: 59].

Hamafisina fa, ny finoana silamo dia, manalefaka ny fitafy hoan’ireo vehivavy be antitra ireo izay tsy manana faniriana amin’ny hetaheta ara-nofo intsony, tahaka ny tsy fitafiana ireny lamba mavesatra ataony amin’ny lohany rehefa hivoaka trano izy ireo, nefa tsy mila mivoaka ny volon-dohany. Ary hoatran’izany koa; azony atao ny mampiseho ny tarehiny sy ny tanany roa (felan-tanany), nefa ny tsy fanehoana izany ampahibemaso no tsara indrindra. Hoy Allah swt manao hoe: ”Ary hoan’ireo vehivavy tsy afa-miteraka intsony, ka tsy manantena hanambady, dia tsy misy tsiny hoazy ireo, ny manaisotra (manala) ny fitafiany (fitondra mivoaka), nefa tsy mampiseho ny haingony (hatsarany), ary raha mitady ny fahadiovana (fahamaotinana) izy ireo, dia tsara hoazy izany. Fa Mandre sy Mahalala ny zava-drehetra i Andriananahary”. [AnNour, and: 60].

  • Ny finoana silamo, dia mandidy amin’ny fampijetsena (fampidinana) ny fijery avy amin’ny zavatra izay voarara ny fijerevana azy. Ary izany dia, miankina amin’ny ambaratongam-pijerevana. Ohatra ny fijerevana voalohany, izay tsy nampoizina ary tsy azahoan-tsiny izany. Fa ny fijerevana aorian’izay dia, ho lasa fijerevana noho ny antony faniriana ara-nofo, ary rehefa manana faniriana dia lasa hieritreritra, ary aorian’izay dia hanatanteraka amin’izay, ka lasa hanao fahotana. Hoy Allah swt: ”Lazao amin’ireo mpino lehilahy, mba hampiondrika ny fijeriny izy ireo sy hitandrina ny fahadiovam-pitondrantenany, fa izany no madio hoazy ireo. Hamafisina fa Mahalala izay ataon’izy ireo Zanahary (31), Ary Lazao koa amin’ireo mpino vehivavy, mba hampiondrika ny fijeriny izy ireo, sy hitandrina ny fahadiovam-pitondrantenany, ary tsy hampiseho ireo haingony, afatsy izay miseho ety ivelany”. [AnNour, and: 30-31].

 

Nambaran’i Imam Ibnoul-Qayym (RA) hoe; satria ny haratsian’ny fakampanahin’ny fijangajangana dia miantomboka avy amin’ny fijerevan’ny maso, ka noho izany no nahatonga ny didy amin’ny fampiondrehana ny maso mba hiarovana ny henatra. satria ny fakampanahy rehetra dia miantomboka amin’ny fijerevana. Tahak’izany koa ny resaka afobe, dia noho ny fanamaivanana ny fahotana kely indrindra no mahatafiditra olona anankiray anaty afobe. Izany hoe; manomboka amin’ny fijerevana, dia aveo lasa mieritreritra, dia aveo amin’izay lasa mamindray dia tanteraka ny fahotana. Ka noho izany mihitsy no nanambarana fa; Izay olona mandray ireo zavatra efatra ireo dia, niaro ny Finoany izy (1) ny fijerevana, (2) ny fieritreretana, (3) ny resaka, ary (4) ny famindrana.

Satria ny fijerevana dia zavatra tsy maintsy hiseho amin’ny fiainana, ka noho izany no nahavoarara ny famerimberenana amin’ny resaka fijerevana. Ka nambaran’ny Mpaminany saw tamin’ny Mpanaradia azy Ali Bin Abi Twálib hoe: ”Oh Ali! K’aza mamerim-berina fijery ianao, ny voalohany ihany no hoanao fa, ny faharoa dia tsy anjaranao intsony”. [Almoustadrik ala as-swahihayn, j2. pejy; 212. Hadisy faha: 2788, nohamafisin’i Sheikh Albany].

Ny finoana silamo dia, mamporisika ny mpino mba hiaro ny masony avy amin’ny fijerevana voarara. Ka ny Mpaminany saw, dia nanazava tsara ny valisoa izay hoazon’ny mpino mampijetsy ny fijeriny, noho ny fahatahorana Tompo Zanahary ary ny faniriana tanteraka mba hamalifaly an’ny Tompony Allah swt. Ka hoy Jariry bin Abdillah hoe: ”Efa nanontaniako an’ny Irak’Allah (saw) mahakasika ny fijerevana tampoka (tsy nampoizina)? Ka navaliny hoe: Avilio ny masonao”, [Almoustadrik Ala As-swahihayn. j4, pejy; 349. Hadisy faha: 7875, ary Swahih Abi Daoud].

  • Ny finoana silamo, dia nandidy ny tsy maintsy hangatahana alálana alohany hidirana an-tranon’olona. Izany dia noho ny fahatahorana ny hahitan’ny masony zavatra tsy tokony ho hitany, izay efa noraran’ny Tompo Zanahary ny fijerevana azy. Ka hoy Allah swt momba izany hoe: ”Oh ianareo Mpino! Aoka hangataka alalana aminareo mialohan’ny hidirany, ireo izay ambany fahefanareo, sy ireo izay mbola tsy ampy taona aminareo, amin’ny fotoana telo; alohan’ny fanompoana soalah amin’ny vaomangiran-dratsy, amin’ny mitataovonana, raha manaisotra ny fitafinareo ianareo, ary koa aorian’ny vavaka fanompoana amin’ny alina, vanim-potoana telo mba hialanareo akanjo. Ankoatra ireny fotoana ireny, dia tsy misy tsiny na ho anareo, na ho azy ireo ny hifampitsidihanareo. Dia toy izany no ampisehoan’i Allah mazava ny teniny (andininy), fa mahalala ny zava-drehetra, sy be Fahendrena i Allah”. [ANNour, and: 58].

Ary mbola niteny Izy manao hoe: ”Ary raha ampy taona ireo ankizy aminareo, dia aoka izy ireo hangata-dálana mialohan’ny hiditra, tahaka ny nataon’ireo zokiny, Dia toy izany no, ampisehoan’i Allah mazava ny Teniny (Andininy), fa mahalala ny zava-drehetra, sy be Fahendrena i Allah”. [AnNour, and: 59].

  • Noraran’ny finoana silamo ny fitsikomban’ny lehilahy amin’ny vehivavy amin’ny resaka fitafy, ary tahak’izany koa ireo vehivavy izay mitsikomba ny lehilahy amin’ny resaka fitafy (sarim-baviny sy sarin-dahiny). Nambaran’i Abdoullah bin Abbasy (RA) hoe: ”Hozonin’i Irak’Allah saw izay lehilahy te ho vehivavy, ary ireo vehivavy te ho lehilahy (fitsikombana)”. [Alboukhari, J5. Pejy: 2207. Hadisy faha: 5546].
  • Ny finoana silamo dia mandrara amin’ny fijerevana izay zavatra rehetra manaitra ny hetahetam-po sy ny fiboridanan’ny lahy sy vavy. tahak’izany koa ny tsy fahazoana mijery ireny sary vetaveta ireny, izay tsy misy henatra na kely aza. Hoy Abdour-Rahman bin Abi Said Al-khoudri (RA), izay nitatitra avy tamin’ny Dadany fa ny Iraka masina saw dia niteny hoe: ”NY lehilahy dia tsy mahazo mijery henatran’ny lehilahy, ary tahak’izany koa ny vehivavy dia tsy mahazo mijery ny henatran’ny vehivavy. Ary tsy mahazo miara-matory ka mifono lamba tokana ny lehilahy roa na ny vehivavy roa“. [Mouslim. j1, pejy; 266. Hadisy faha: 338].
  • Ny finoana silamo dia mandrara ny fihenaoana izay zavatra rehetra mety hitarika amin’ny fanairana ara-nofo, ary anisan’izany ny fihenoana mozika sy ny hirahira isankarazany na izay zavatra mitovy amin’izay, satria ny resaka hirahira dia matetika manamora hoan’ny fanahy ny fomba rehetra hitarika azy amin’ny fahotana ka hamporisika azy amin’ny fanaovana fahotana lehibe. Ary marina tokoa ny nambaran’ireo Manampahaizana vanona taloha raha nanasokajy ny mozika na ny resaka hira fa; Manaitra ny hetaheta ara-nofo, izany hoe; mitarika amin’ny fijangajangana.
  • Ny finoana silamo dia mandrara amin’ny fipetrapetrahana amin’ireny tanora lahy izay tsy mitsiry volom-bava, ary indrindra ireny manana hatsaran-tarehy manaitra ireny. Ary voarara ihany koa ny fijerevana maharitra azy ireny. Nambaran’i Abou Hourairaha (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny: ”… NY fijangajangan’ny maso roa dia, ny fijerevana, ary ny fijangajangan’ny sofina roa, dia ny fihenoana, ary ny fijangajangan’ny lela, dia ny firesahana, ary ny fijangajangan’ny Tánana, dia ny fanamborana (manambotra/fikasohana/mikasika), ary ny fijangajangan’ny tongotra, dia ny fandehanana, ary ny fijangajangan’ny fo, dia ny hetaheta sy faniriana, fa ny henatra no manamarina (manaporofo) an’izay na manda”. [Mouslim, j4. Pejy; 2047. Hadisy faha; 2657].
  • Ny finoana silamo dia mandrara ny fitokana-monina amin’ny vehivavy izay tsy havan-tena, izany dia noho ny antony izany mitarika amin’ny fitaky ny Satana hoazy roa amin’ny fanaovana fahotana lehibe. Ka hoy ny Mpaminany saw hoe: ”Tsy azon’iray aminareo atao ny mitoka-monina miaraka amin’ny vehivavy izay tsy havany akaiky, raha tsy izany dia ho faha-telon’izy ireo i Satana…”. [Ibnou Hibbani, j10. Pejy; 436. Hadisy faha; 4576, Swahih al-jámi’: 2546., As-swahihah: 430].
  • Nandrara tahak’izany koa ny fifangaroan’ny lahy sy vavy, satria noho ny antony izany dia miteraka fifandraisana mampiahiahy sady voarara, satria izay zavatra mitarika amin’ny haramo dia haramo avokoa (izay zavatra mitarika @ zavatra fady dia tsiazo atao). Ka araka ny nambaran’ny Mpanabe Mohammad Qoutb hoe (36: Amin’ny Boky atao hoe; Ny olombelona anatrehan’ny fitaovana materialy&Ny Islamo): Hamafisina fa, io resaka fifangaroan’ny lahy sy vavy io dia, tantara lehibe matanjaka izay hitan’ny tandrefana mba hoentina hitsaboana ny resaka fahafinaretana ara-nofo. Ka noho izany dia lasan-davitra mihitsy ireo manampahaizana momba ny olombelona sy ny fiaraha-monina dia manamafy ny tombon-tsoa azon’ny fiarahamonina amin’ny fampiharana izany, ary ny hatsaran’izany hoan’ny rehetra. Ka niverina indray ry zareo tandrefana nitsipaka an’izany. Ary tsy niverina intsony izy ankehitriny hampahatsiahy an’izany, rehefa hitany ny voka-dratsiny manoloana ny voa-janahary, izany hoe, (rehefa hitany fa, tsy mahomby intsony ilay tetika, dia tsy nanambara izy ireo fa tsy mety tokoa ilay izy, fa navelany amin’izao fotsiny). Fa ireo manampahaizana sy mpitsabo ny aretin’ny fikorontanan-tsaina dia niverin-dálana amin’ny heviny teo aloha mahakasika ny fifangaroan’ny lahy sy vavy fa, ahitana resaka fandihizana miaraka amin’ny mozika, sy fetin’ny fisotroana dite (fivoriana misotro dite/Tea party), ary ny fitsangatsanganana miafina sady mifangaro, izay ambany fanarahamason’ny Ray aman-dReny sy ny Mpampianatra. Manambara izy ireo androany fa, ny fifangaroana rehetra dia, mitetika hanaitra ny hetaheta sy ditra ara-nofo tsy ara-dalána, fa tsy ny fandravonana azy velively akory. Fa raha mangina ireto hatairana sy faniriana ireto, na koa mangina araka ny toe-java misy amin’ny fiaraha-monina, izay tsiafaka manabe na mampianatra momba ny resaka henatra amin’ny fisehoana imasom-bahoaka amin’ny endrik’olona mosary sy mangetaheta, na koa mety amin’ny fomba hafa. Nefa hita fa, tena mazava tsara ny voka-dratsy izay havoakan’izany fa, tsy maintsy hiteraka endrika asa-loha sy fikorontanan-tsaina isankarazany taorian’iny fahatoniana mandalo iny izay naterak’ireny fivoriana mifangaro ireny. Ary mazava hoazy fa, tsimaintsy hiteraka zavatra iray amin’ny zavatra anankiroa ireto: Na ilay tanora mandeha amin’ny toerana hafa tanteraka izay tsy misy an’ireo zava-manahirana ireo ao, na izy mijanona ao miaraka amin’ny asa-lohany izay hanapotika ny heriny. Aiza ny fiarovana sy ny fitaizana mahomby?!
  • Ny finoana silamo dia mandrara ny vehivavy tsy hiresaka momba ny endrikendriky ny vehivavy iray hafa amin’ny vadiny. Izany dia, noho ny fahatahorana mba tsy hankahala ny fianakaviany izy, noho ny endrika sy bikabika izay notantaraina taminy, nefa tsy hitany ao amin’ny vadiny izany endrika sy bika izay efa niriny sady nantenainy izany, na mety efa miezaka mihitsy i Satana hamitaka azy mba hahazo an’io vehivavy io. Satria nambaran’i Abdoullah bin Mas’oud (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny hoe: ”Tsiazon’ny vehivavy atao no mitantara momba ny endriky ny vatan’ny vehivavy hafa amin’ny vadiny, na amin’ny lehilahy hafa, tahaka izy mahita azy”. [Swahih Ibni Hibbani. j9, pejy; 468. Hadisy faha: 4160].
  • Noraran’ny finoana silamo ny fiboridánan’ny vehivavy, izany hoe; rehefa izy ireo mivoaka trano ka mampiasa ranomanitra sy fihaingoana isankarazany, nefa tsy mitafy ara-dalána akory, izany hoe, hita fa miboridana. Satria izany fiboridanana izany dia, mitarika sady manintona ny fijerin’ireo fosa izay amin’ny endrika olombelona, izay mety hanejika azy ireo ary hanaitra ny hetaheta ara-nofon’izy ireo. ka mazava hoazy fa, ho anisany fitaovana handentika amin’ny zava-boarara izany. Ka nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Izay vehivavy mivoaka trano ka manao ranomanitra, ka mandalo amin’ny vahoaka izy mba hifofonan’izy ireo ny fofona manitrany, dia mpijangajanga izy ( izany vehivavy izany)”. [swahih ibni Hibbani].

Anisany voarara torak’izany ihany koa ny miangoty amin’ny fitenenana amin’ny vehivavy. Izany dia, mba ho fiarovana an’izay manana aretina te hijangajanga ny ao am-pony. Ka ny zava-dehibe amin’ny vehivavy rehefa miresaka dia, tsy tokony ho lava resaka ary tsy tokony hiresaka zavatra tsy mahasoa. Hoy Allah swt manao hoe: ”Aoka tsy hiangoty loatra amin’ny fomba fiteny ianareo, mba tsy hitsiriritan’izay manana fo marary. Aoka ianareo hanao fiteny mendrika”. [Al-ahzab, and: 32].

Ary mbola miteny Allah swt hoe: ”Ary raha manontany zavatra azy ireo ianareo, dia anontanio (angataho) izany avy ao ambadiky ny lamba manelanelana; madio kokoa hoan’ny fonareo sy ny fon’izy ireo izany”. [Al-ahzab, and: 53].

Voarara ihany koa ny fiboridánana izay miteraka fakampanahy. Ka hoy Allah swt hoe: Ry Taranak’i Adama! Efa nampidiniko taminareo ny fitafiana mba hanafenanareo ny fitanjahanareo, sady natao ho fihaingoana. Fa ny fitafian’ny fitandremana no, mendrika indrindra. Anankiray amin’ireo porofo famantarana an’Allah izany, mba hahatonga azy ireo hahatsiaro-tena”. [Al-a’ráf, and: 26].

Nambaran’i Abou Hourairah (RA) fa, ny Mpaminany saw niteny hoe: ”Misy karazan’olona anankiroa mbola tsy hitako izy ireo (mbola tsy hitany tamin’ny fotoanany), izay ho olon’ny afobe; Vahoaka izay mitondra angira mitovy amin’ny ohin’omby (salohy lavabe efa voahaingo), izay hikapohan’izy ireo olona (ireo polisy izay mandaroka olona tsy ara-dalána), Ary koa ireo vehivavy mitafy nefa miboridana (mitafy nefa mitovy @ tsy mitafy ; ohatra ireny mitafy lamba tery sy mangarakaraka), ireo izay manaitra (manaitra ny fon’ny lehilahy), ary izy koa dia taitra (amin’ny famindrany sy ny fihetsiny), ny lohan’izy ireo dia tahaka ny lohan-tsoavaly rehefa mandeha ka mivengivengy aty sy ery ny lohany (manabe loha rehefa mamindra), tsy hiditra amin’ny Paradisa izy ireo, ary tsy hifofona ny hanitran’izany Paradisa izany izy ireo. Nefa ny hanitr’izany Paradisa izany dia heno avy amin’ny elanelana hoatr’izao ka hoatr’izao”, (500 années de voyage)/Leha dimanjato taona ny halavirany). [Mouslim, j3. Pejy: 1680. Hadisy faha: 2128].

Ary efa nohazavain’ny finoana silamo mazava tsara ireo olona azon’ny vehivavy hanehoany ny haingony, izany hoe, ireo fianakaviany akaiky indrindra. Hoy Allah swt hoe: ”Aoka tsy hampiseho ny haingony izy ireo, afa-tsy izay miseho ety ivelany, ary aoka izy ireo hampidina ny lamba fisalotra amin’ny tratrany, ka tsy hampiseho ireo haingony afa-tsy amin’ny vadin’izy ireo, na amin’ny rainy, na amin’ny rafozan-dahiny, na amin’ny zanany, na amin’ny zana-badiny, na amin’ny anadahiny, na amin’ny zanak’anadahiny, na amin’ny zana-drahavaviny, na amin’ireo vehivavy (mpino silamo), na amin’ireo mpanompo vaviny, na amin’ireo mpanompo lehilahy tsy mana-kery (amin’ny firaisana), na amin’ireo zazalahy tsy ampy taona izay tsy mbola mahafantatra ny henatry ny vehivavy. Ary aoka izy ireo tsy hamindra amim-pijadojadonana, ka hisehoan’ny haingo izay afenin’izy ireo. Dia mibebaha eo anatrehan’i Allah ianareo rehetra ry Mpino! Mba hahazoanareo ny fahombiazana”. [AnNour, and: 31].

  • Ny finoana silamo dia mandrara fa, tsy mahazo mandeha irery ny vehivavy (voyage) raha tsy miaraka amin’iray amin’ny fianakaviany akaiky azy indrindra, tahaky ny vady, (Ramose) ray, anadahy, ny Havana izay tsiafaka hanambady azy. Satria nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Tsiazon’ny lehilahy anankiray atao no mitoka-monina amin’ny vehivavy anankiray hafa tsy havany, raha tsy miaraka amin’ny fianakaviana akaiky indrindra, ary tsy mahazo mandeha lavitra ihany koa (voyage) ny vehivavy raha tsy miaraka amin’ny Havana akaiky azy indrindra. Ka nitsangana ny lehilahy iray nanontany hoe: Oh ry Iraka’ Allah! hitako fa, ny anarako dia, misoratra amin’ny lisitry ny miaramila, nefa ny vadiko dia lasa nandeha hanao Hajj (fivahiniana masina). ka nambaran’ny Mpaminany (saw) azy hoe: Mandehana manaraka ny vadinao ianao, ary manatanteraha Hejy miaraka aminy” [Alboukhari, j3. Pejy: 1094. Hadisy faha: 2844].

Anisany asan’ny finoana silamo ny fiarovana ny voninahitry ny vehivavy ary ny famalavalana azy, izany dia noho ny antony fa, ny fandehanana lavitra dia matetika hisedrana fahasarotana sy vesatra maro isankarazany izay mitaky ezaka mafy.

Nefa ny vehivavy raha araka ny fantantsika dia tena marefo tokoa ny vatany raha ara-boajanahary. Ary izany dia, noho ny antony ireo zavatra andalovany amin’ny fiainany tahaka ny; Fandehanan’ny fadim-bolana, vohoka, ary ny fampinonoana. Ka noho izany dia marefo sady malemy tokoa ny vehivavy ka tsy hahavita hanohitra na hitondra zavatra mavesatra.

Ka noho izany dia, raha sendra mandeha lavitra izy (Vehivavy) dia, mila olona hanampy sady hiaro azy hatrany manoloana ireo olon-dratsy izay efa miandry azy na manara-maso azy amin’izay rehetra halehany mba hanenjehany azy hangalarany ny fananany na handroba ny voninahitrany. Ka mazava hoazy fa, tsy hahatohitra azy ireo izy (vehivavy).

Tahak’izany koa fa, ny vehivavy dia, mila olona hiantoka ny zavatra rehetra tadiaviny sady hanatanteraka izany ary hitsangana hanao ny raharahany izay ilana lehilahy, sady mba hanamora ny fiainany mba hiadanany.

Ary ny Havana akaiky indrindra ny vehivavy dia takiana tsy maintsy hanao izay rehetra voalaza teo izay, mba tsy hangatahany vonjy avy amin’ny olona hafa izay tsy Havana akaiky azy akory.

  • Ny finoana silamo dia, mandidy an’izay mahita vehivavy ka, nanaitra azy ny fahitany izany vehivavy izany, mba hiverina any amin’ny vadiny. Satria ny fiarahanao amin’ny vadinao dia, lálana iray ara-dalána handefasana ny hetahetam-po. Ary koa mba hanakatonana ny lálan’ny bitsibitsika sy ny asa-ratsin’ny devoly. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”. . Raha mahita vehivavy ny iray aminareo ka taitra, dia mila mandeha amin’ny vadiny izy, satria izany dia hanala ny zavatra izay misy aminy”. [ Mouslim, j2. Pejy: 1021. Hadisy faha: 1403. (izany hoe: satana zany dia, manatsara amin’ny lehilahy ny endriky ny vehivavy rehefa izy manatrika sy manamboho). Ka midika izany fa, raha mandeha any ianao ka sendra mahita vehivavy tsy vadinao ka, taitra tamin’izany ianao, dia miverena malaky miaraka amin’ny vadinao, satria afaka manala ny hetahetam-ponao ny vadinao ara-dalána, noho ny fananan’izy roa mitovy. Fa ny mampiavaka azy, dia ny vadinao no ara-dalána ka hahazoanao fahasoavana, fa ny vehivavy tsy vadinao dia tsiazonao hiarahana satria ho fahotana lehibe hoanao izay.
  • Ny finoana silamo dia, mandidy amin’ny tsy maintsy hiazakazahana amin’ny antson’ny fahabangana ara-nofo, rehefa maniry te hanao izany ny iray amin’ny andaniny sy ny ankilany. Voarara ny vehivavy mba tsy hampitamby ny ramoseny amin’ny filana ara-nofo, rehefa maniry te hiaraka amin’ny vadiny ny lehilahy. Ka tsy maintsy mamaly ny antson’ny lehilahy ny vehivavy rehefa te hiaraka aminy izy. Satria izany familafilana ara-nofo izany dia, hatonga ny ramose hieritreritra hanao izany amin’ny fomba tsy ara-dalána izay efa noraran’ny Tompo Allah swt. Na koa ny fitazomana izany fahabangana ara-nofo na hetaheta ara-nofo izany dia, mety hiteraka tsy fahasalamana amin’ny saina sy ny vatana. Ka noho izany, dia tena sarotiny mafy tokoa ny finoana Silamo mahakasika io raharaha io. Hoy ny Mpaminany saw mahakasika indrindra izany: ”Raha sendra miantso ny madamany hoany ambony fandriana ny ramoseny, ka tsy namaly azy ny vadiny, ary tezitra izy nandritra ny alina, dia hozonin’ireo Anjely izy (vehivavy) mandrapaharainan’ny andro”. [Mouslim, J2. Pejy: 1060. Hadisy faha: 1436]. Izany hoe; raha miatso an’ny vadiny zany i ramose amin’ny alina mba hiaraka aminy, nefa tsy namaly antso no sady tsisy antony mazava tsara ny tsy famaliany ny antson’ny vadiny, dia hozonin’ireo Anjely izy mandrapaharainan’ny andro. Aoka hazava fa, tsy voatery amin’ny alina ihany izany fa, izay fotoana ialan’ny andaniny sy ny ankilany ny vadiny dia mila mamaly, raha tsy sanatria marary na misy antony lehibe manokana. Ary tsy vehivavy ihany foana no hiharan’ny hatezeran’i Allah sy ireo Anjely fa, na dia ny lehilahy ihany koa.

Satria voadidy amin’ny tsy maintsy hamaly ny hetahetan’ny madamany ihany koa ny ramose, mba tsy ho tafanao zavatra haramo izay tsiazo atao.

Araka izay nambaran’i Ibnou Hazm hoe: Tsy maintsy ataon’ny lehilahy no, miaraka amin’ny vadiny, ka farany fahakeliny dia indray mandeha isaky ny fadim-bolana, raha toa ka afaka hanao an’izany ny ramose. Raha tsy izany dia, lasa voasokajy ho manota an’ny Tompo Allah swt ilay lehilahy. Ary ny porofo mivaingana amin’izany dia, ny Tenin’i Allah ao amin’ny Boky masina Kor’ány manao hoe: ”Ary rehefa madio izy ireo, dia tanteraho amin’izy ireny izay nandidian’Andriananahary anareo”. [Albaqarah, and: 222].

Ampy antsika tsara mahafantatra fa, anisany zony (madamo), raha tsy raharahain’ny ramose ny fanomezana fahafaham-po ara-nofo an’ny vadiny, dia mila alefa any amin’ny fitsarana ny raharaha raha ilaina izany, mba hampazava ny raharaha sady hanomezana ny zon’ny madamo.

Izany dia, noho ny antony fa, ny finoana silamo dia miaro mandrakariva ny filaminan’ny fiaraha-monina, mba tsy hiparitahan’ny haratsiana sy ny fakampanahy.

Tompo Andriananahary Ilay Avo indrindra, dia nanafatrafatra sady nampitandrina mafy an’izay te-hampiely na hanaparitaka ny fahavetavetana amin’ny fiaraha-monina silamo, ka hahazo sazy izay tena mahery vaika indrindra. Ka hoy Allah swt manao hoe: ”Hamafisina fa, ireo izay tia ny fahavetavetana hiparitaka amin’ireo mpino, dia hahazo sazy mamirifiry, eto an-tany sy any an-koatra. Andriananahary no Mahafantatra, fa ianareo kosa tsy mahalala”. [ Annour, and: 19].

Inona ary no hambaranao amin’izay manao izany asa fahavetavetana izany, sady manampy no manomana ireo fomba rehetra hanaparitahana izany?

 

 

NY FANAMBADIANA ARAKA NY FINOANA SILAMO:

 

Ny finoana silamo dia, mbola tsy nanome alálana amin’ny fitadiavana fahafinaretana ara-nofo afa-tsy amin’ny alálan’ny fanambadiana ara-dalána ihany. (Boky Fiqhous-Sounnah/J2. Pejy: An’ny Sheikh Sayyd Sabiq) Satria Tompo Andriananahary dia, tsy namela ny olombena tahak’ireo zava-drehetra namboariny ka handeha hoazy fahatany ny famenoany ny fahabangana ara-nofo. Ary tsy sanatria ka navelany hoazy tsisy fiarovana sy antoka ny fifandraisan’ny lahy sy vavy.

Fa noho ny inakinany dia, nametraka lalána hoazy mba hiarovana ny voninahitriny sy ny hasiny. Ka noho izany dia, ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy dia, nataony fifandraisana mihaja izay aorina amin’ny hafalian’izy roa. Ary anisany zavatra lehibe anankiroa manaporofo ny hafalian’izy roa sady fepetran’ny fifanekem-panambadiana dia, ny atao hoe: Ny valin-teny sy ny fanekena. Ary ny fampijoroana vavolombelona dia, midika fa, olona iray izy roa. Na ny iray hoan’ny hafa, ary ny hafa hoan’iray hafa ihany koa. Ka noho izany no, nametrahan’ny Tompo Allah swt sori-dálana mendri-kaja hoan’izany fanambadiana izany, mba hiarovana ny taranaka tsy ho very, sady mba hanandratana ny vehivavy tsy ho tahaky ny ahitra sy sakafo fihinana hoan’ny mpiremby, izay miaina amin’ny fandraisana ny fiainana eto an-tany ho resaka fialam-boly fotsiny, sakafo, fisotroana ary ny hetahetam-po sns.

Ka noho izany dia, napetrak’i Allah swt ny fianakaviana mba ho fototry ny tokantrano izay fehezin’ny fihariana voa-janahary avy amin’ny Reny, ary miahy azy ny fahatsoram-po avy amin’ny Ray. Ka mazava hoazy fa, hamokatra fitomboana tsara ary hanome voankazo masaka tsara ihany koa. Ary io ihany no, lalána tokana izay mahafaly an’ny Tompo Allah swt, ka noho izany ihany koa no, nametrahany ny finoana Silamo, nofoanany daholo izay rehetra ankoatry ny Finoana Silamo.

Angamba tokony hararaotinay eto ny hanazavana mahakasika indrindra ireo lálana sy fepetra izay tsimaintsy harahina momba ny fanambadiana araky ny Finoana Silamo, na dia tsotsotra fotsiny izany. Ka mirary fahombiazana hoan’ny rehetra izahay amin’izany.

 

FETRA SY FISAFIDIANANA VADY (VEHIVAVY):

 

Hamafisina fa, ny finoana silamo, dia manana fijery manokana amin’ny fitadiavana vady, satria amin’ny finoana silamo dia, tsy ny resaka fahafaham-po ara-nofo fotsiny no zava-dehibe amin’ny finoana silamo mahakasika ny resaka fanambadiana fa, ny fanambadiana dia fototra hiorenan’ny fianakaviana. Ka noho izany no, mahatonga ny finoana Silamo, dia mamporisika mandrakariva amin’ny fitadiavana ny fomba hampaharitra ny tokantrano, sy ny fanorenana fianakaviana vanona, izay hafahan’ny tsirairay hanome ny zon’ny Finoany sy ny Fiaraha-monina. Ary tsy ho tanteraka mihitsy izany raha tsy amin’ny alálan’ny vehivavy tsara (vady mendrika) izay manana toetra mendrika sy finoana, izay manana fahatahorana an’i Allah (swt = Ilay Avo indrindra) no sady manome zon’ireo rehetra manana zo aminy. Nefa aoka hazava fa, ny resaka hatsarana sy ireo toetra tsara rehetra ananan’ny vehivavy dia, takiana hatrany ny fananany izany amin’ny fepetran’ny fanambadiana. Izany hoe: indrindra ny resaka hatsarana sy hatsaran-toetra no tena takian’ny lehilahy amin’ny finoana silamo. Fa raha tsara tarehy, nefa ratsy toetra, dia aleo ihany maka izay tsy dia tsara tarehy fa, manana toetra mendrika. Arak’izay nambaran’i Andriananahary ao amin’ny Boky masina Kor’ány manao hoe: ”Ampanambadio ireo izay tsy manam-bady aminareo, sy ireo olo-mendrika amin’ireo mpanomponareo, lehilahy sy vehivavy. Raha mahantra izy ireo, dia Andriananahary no hampanankarena azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Malala-tánana, sy Mahalala ny zava-drehetra Andriananahary”. [An-Nour, and: 32].

Efa nazavain’ny Mpaminany saw tsara ireo zavatra tsara ilaina amin’ny famporisihana amin’ny resaka fanambadiana. Ary nalaminy tsara ireo zavatra tena lehibe indrindra arak’izay efa nambaranay teo ambony. Izany hoe; Ny hatsarana sy ny Finoana. Satria ny Mpaminany Mohammad saw dia niteny hoe: ”Alaina vady noho ny antony efatra (4) ny vehivavy; Ny harenany, Ny voninahitrany, Ny hatsarany ary ny Finoany. Ka safidio ny manam-pinoana fa, hahomby ianao”. [Alboukhari, J5. Pejy: 1958. Hadisy faha: 4802].

Ka noho izany, hamafisina fa, ny finoana Silamo dia mila lehilahy (Vady) araka izay efa nambaran’ny Mpaminany (saw) raha niteny izy hoe: ”Ny mpino tena feno finoana (tongalafatra), dia izay manana toetra tena mendrika indrindra, ary ny tena mendrika indrindra aminareo, dia izay mendrika indrindra amin’ny vadiny”. [Swahih Ibni Hibbáni, j9. Pejy: 483. Hadisy faha: 4176, As-Silsilah As-Swahihah: 284].

Ary tahak’izany koa fa, ny Finoana Silamo, dia mila vady arak’izay efa nambaran’ny Iraka Masina Mohammad (saw), raha nisy nanontany azy hoe: Iza no vehivavy tena tsara indrindra? Ka namaly Izy (saw) hoe: ”Ny vehivavy izay faly izy, raha mijery azy ny vadiny, ary mankatoa raha mandidy azy ny vadiny, ary tsy manana fanoherana ratsy an’ny vadiny izy mahakasika ny tenany sy ny fananan’ny vadiny”. [Hasan, irwá Al-ghalil].

Hamafisina fa, ny finoana silamo, dia tokantrano silamo izay hitondra fiaraha-monina Silamo, izay mifananatra amin’ny fanaovana tsara ary mamporisika amin’izany. Izany hoe; Manorina sady mitaiza ary miaina amin’izany. Izay efa nambaran’ny Mpaminany (saw) hoe: ”Allah enga anie hanana inakinaka amin’ny lehilahy anankiray, izay mitsangana mivavaka amin’ny alina ka namoha ny vadiny izy, ka raha maholy izy dia rarahany rano kelikely ny tarehiny amin’ny alalan’ny tondron-tánany, Ary Allah enga anie hanana inakinaka amin’ny Vehivavy anankiray izay mitsangana mivavaka amin’ny alina, sady namoha ny vadiny, ka raha nanda tsy hifoha izy, dia rarahany rano kelikely amin’ny tondron-tánany ny tarehiny”. [Swahih Ibni Khouzaymah, j2. Pejy: 183. Hadisy faha: 1148. Ary navoakan’i Abou Daoud: Marina/swahih].

 

NY FIJERY ARA-DALÁNA IZAY ANDIDIAN’NY FINOANA SILAMO NY FANATANTERAHANA AZY SY NY FAMPORISIHANA AMIN’IZANY:

 

Tena marina fa, ny finoana silamo dia miezaka hatrany amin’ny fanorenana tokantrano mafy orina izay tsy voahozongozona ny fotony. Na dia fa, ny resaka Finoana sy Toetra tsara no fepetra fototra izay takiana amin’ny fisafidianana vady, fantaro tsara fa, ny finoana silamo, dia tsy manao ankilabao ny endrika sy ny hatsarana aty ivelany. Izany hoe, tsy azo tanterahina ny fifanaraham-panambadiana raha tsy samy afa-po tanteraka ny andaniny sy ny ankilany amin’ireo zavatra rehetra voalaza ireo.

Ny finoana Silamo, dia manome alálana ny andaniny sy ny ankilany mba hifampijerevan’izy ireo alohan’ny fanambadiana, fifampijerevana izay ekehin’ny lalána.

Indray andro nisy lehilahy anankiray tonga tamin’ny Iraka masina (saw) ka niteny taminy fa, nampiakatra vehivavy avy amin’ny Ansary (vahoakan’ny Madinah) izy. Ka nanontany azy ny Mpaminany (saw) hoe: Nijerevanao ve ny tarehiny? Namaly azy ilay lehilahy fa, tsia. Ka hoy ny Mpaminany saw taminy hoe: ”Mandehana ary jerevo ny tarehiny. Satria ny mason’ny vahoakan’ny Madinah dia misy zavatra (izany hoe; fahafinaretana na fanetren-tena sns)”. [Mouslim, j2. Pejy: 1040. Hadisy faha: 1424].

Efa nohazavain’ny Iraka masina Mohammad saw ny fahendrena amin’ny fijerevana ny vehivavy izay hampiakarina. Ka momba izay indrindra no nitateran’i Anasy (RA) fa, indray andro Moughirah bin Shou’bah (RA) nampiakatra vehivavy, ka hoy ny Mpaminany saw hoe: ”Mandehana ka jerevo izy (vevavy), satria ny fijerevanao azy dia hampaharitra ny tokantranonareo”. [Swahih ibni Hibbáni, j9. Pejy: 351. Hadisy faha: 4043, Marim-pototra].

Ary hatonga ny finoana silamo mba ho fiaraha-monina vanona, izay lavitry ny olana sosialy na ara-piaraha-monina noho ny Sitra-pon’ny Tompo Allah swt. Raha toa ka natioraly sy voa-janahary amin’ny finoana silamo ny fifankatiavana, ka rariny, raha omena ny toerany ny fifankatiavan’ny lehilahy sy vehivavy (mpivady). Fifankatiavana izay manome fahasambarana sy fahatoniana, izay lavitry ny fahambaniana sy haratsiana. Ka ny finoana silamo dia, manabe sy manoro-lálana amin’ny fanatevenana sy fanomezana tanjaka ny fifankatiavan’ny mpivady mba hampaharitra ny tokantrano. Ka nambaran’ny Iraka masina (saw) hoe: ”Tsisy zavatra tsara ambonin’ny mpifankatia roa mitovy amin’ny fanambadiana”. [Al-Moustadrik, Alás-swahihayn, j5, pejy: 2023. Hadisy faha: 2677, Swahih Al-Jámi’: 5200, As-Swahihah: 624].

(Ka ny tian’ny Mpaminany saw hambara amin’io Hadisy io, dia ny hoe; Tsisy zavatra tsara mihoatra ny fanambadiana hoan’olona anankiroa izay mifankatia, izany hoe; raha mankatia vehivavy anankiray zany ny lehilahy, ka ny fanafodiny dia ny fanambadiana, satria ny fanambadiana dia mampitombo ny fifankatiavan’olona anakiroa izay mifankatia).

Ary ny Finoana Silamo, dia tena manamafy hatrany amin’ny fanelanelanana amin’ny fampitambarana ny mpifankatia anankiroa (Ramose&Madamo), raha toa ka hita fa, samy olona tsara fitondran-tena daholo izy roa, ary ny fangorahana azy roa koa. Izany hoe; ny ezaka amin’ny fanampiana ny fanambadian’izy roa ary indrindra amin’ny resaka ara-bola. Ka araka ny tatitr’i Abdoullah bin Abbasy (RA) fa, ny Ramosen’i Barirah, dia andevo izay antsoina hoe: Moughayyath. Hoatrany mijery azy mihitsy aho mitantara izany, izay mihodinkodina aoriany sady mitomany, ary ny ranomasony dia, mirotsaka mandalo amin’ny volom-bavany. Ka nambaran’ny Mpaminany (saw) tamin’i Abbasy hoe: ”Oh ry Abbasy! Tsy mahagaga anao ve ny fitiavan’i Moughayyath an’ny vadiny Barirah, ary ny fankahalan’i Barirah an’i Moughayyath? Ka hoy Mpaminany saw hoe: Raha naverinao aminy ny (vodiondry)? Ka niteny Barirah hoe: Mandidy ahy ve ianao izany oh ry Irak’Allah ? Namaly Mpaminany (saw): ”Izaho dia, Mpanelanelana fotsiny”. Ka namaly izy (Barirah) hoe: ”Efa tsisy hilavako azy intsony”. [Alboukhari, j5. Pejy: 2023. Hadisy faha: 4979].

Ary mbola manamafy toy izany koa amin’ny famporisihana ny Raim-pianakaviana mba hitady lehilahy mendrika ho vady hoan’ny zanany vavy sy ny ankizy vavy izay tezainy raha faly sady mifanaraka amin’izany tokoa ilay vehivavy. Satria manko matetika fa, ny solontenan’ny raiaman-dReny, dia mafana-fo amin’ny resaka tombontsoa manokana hoazy fotsiny, nefa na dia izany, dia tsisy olana na hadisoana amin’izany. Satria araka ny nambaran’ny Tompo Andriananahary mahakasika ny tantaran’ny Mpaminany Mosesy (AS) ao amin’ny Boky masina Kor’ány manao hoe: ”Ary rehefa tonga tamin’ny toerana misy rano iray tany Madiana izy, dia nahita vondron’olona nampisotro rano (ireo bibiny), ka nahita vehivavy anankiroa nipetraka lavidavitra miambina (ireo bibiny). Ka hoy izy : ”Inona no tadiavinareo”? Dia hoy izy ireo namaly: ”Tsy afaka hampisotro rano izahay, raha tsy lasa ireo mpiandry ondry, satria ny Rainay dia efa antitra-be” (23). Dia nampisotroiny rano ny biby fiompin’zy roavavy, avy eo dia niverina teny amin’ny aloka izy, ary niteny hoe: ”Tompo oh! Tena mila ny tsara izay hampidininao amiko aho” (24). Aveo, dia nanatona azy tamin’ny famindra feno henatra ny anankiray tamin’ireo vehivavy, ary niteny taminy hoe: ”Miantso anao ny Raiko, mba hamaly soa anao noho ianao nampisotro ireo biby fiompinay”. Koa rehefa tonga teo aminy izy, ka namisavisa taminy ny tantarany, dia hoy izy (Ilay rangahy): “Aza matahotra na kely aza, fa afaka tamin’ireo olona mpanao ny tsy rariny ianao”(25). Ka hoy ny anankiray tamin’izy roavavy: ”Ry Dada oh! Raiso izy (hiasa ato aminao) hikarama (amin’ny antonony), fa ny tsara indrinrda ho karamaina dia izay matanjaka, sy mendri-pitokiana” (26). Ka hoy izy namaly: ”Tiako hampanambadiana anao ny anankiray amin’ireto zanako vavy ireto, raha ohatra ka miasa ato amiko mandritra ny valo taona ianao, raha fenoinao folo taona izany dia miankina aminao, fa tsy tiako hanery anao amin’ny tafahoatra. Hohitanao aho, fa ho isan’ireo olona tsara raha sitrak’allah” (27). Dia hoy izy (Mosesy) namaly: ”Mifanaraka izaho sy ianao amin’izany, ka na inona na inona amin’ireo fe-potoana anankiroa ireo, dia hataoko, tsy misy faneriterena. Fa mpiantoka amin’izay lazaintsika Andriananahary”. [ Al-Qasas, and: 23-28].

Nitatitra i Sálim bin Abdilláh (RA), fa naheno an’i Abdoullah bin Omar (RA) nitantara momba an’i Omar bin Al-khattwáb (RA), rehefa maty ny vadin’ny zanany vavy Hafswah bint Omar, izay antsoina hoe: Khounais bin Houzafah As-Sahmi, izay anisan’ny mpanaradia an’i Mpaminany (saw) ka maty tao Madinah. Ka hoy Omar bin Al-khattwáb (RA) hoe: Tonga tamin’i Outhmán bin Affán (RA) aho, ka niresahiko izy mba hanambady an’i Hafswah. Ka navaliny hoe: Andraso fa mbola hijerevako ny raharahako (mbola hieritreritra aho). Afaka andro vitsivitsy dia, nifankahitako koa izahay, ka nambarany tamin’izany hoe: Hitako fa, tsy afaka hanambady amin’izao fotoana izao aho. Ka hoy Omar: Rehefa avy eo, dia hitako koa Abou Bakr As-Swiddiq (RA), ka nambarako azy hoe: Raha sitrakao dia, hampanambadiko anao Hafswah bint Omar ? Nefa nangina i Abou bakr, sady tsy niteny na inona na inona tamiko. Ka nalahelo aho tamin’ny Outhman, ary niandry alina vitsivitsy aho, ka tonga ny Iraka masina Mohammad (saw) nangataka azy ho vady, dia nekehiko.

Rehefa avy eo, dia nifankahita tamin’i Abou Bakr aho, ka nambarany hoe: Angamba mety tezitra amiko ianao, satria tsy namerin-teny aminao aho tamin’ny fangatahanao ahy hanambady ny zanakao vavy Hafswah?

Ka hoy Omar (RA): Eka, tezitra aho. Ka hoy Abou bakr (RA): Tsisy zavatra nanakana ahy hiverina aminao mahakasika ny fikasanao hampanambady ahy ny zanakavavinao, afa-tsy hoe: Izaho dia efa nahafantatra fa, ny Iraka masina Mohammad saw, dia efa niresaka tokoa momba azy io, ka noho izany dia, tsy hanambara ny tsy ambaratelon’ny Irak’Allah (saw) aho. Nefa raha navelan’ny Iraka saw, dia nekehiko izany. [Alboukhari, j5. Pejy: 1968. Hadisy faha: 4830].

 

NY FIFANARAHAM-PANAMBADIANA SY NY VODIONDRY ARY NY SAKAFOM-PANAMBADIANA/WALIMAH:

 

Anisany fototra sy fepetra mahatanteraka ny fanambadiana, dia izao manaraka izao:

  1. Fifaneken’ny andaniny sy ny ankilany fa, hifanambady izy roa (tsy ankaterena), Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Ny vehivavy efa nanambady, dia tsy azo terena hanambady raha tsy manaiky izy, ary ny vehivavy mbola verijiny, dia tsy azo ampanambadiana raha tsy mahazo alálana avy aminy. Hoy izy ireo hoe: Oh ry Irak’Allah! Ahoana ary ny fahazoana alálana avy aminy? Namaly Izy hoe: Dia ny fahanginany”. [Al-boukhari, j5. Pejy: 1974. Hadisy faha: 4843].
  1. Izany hoe; raha vehivavy efa avy nanambady dia, tsiazo terena intsony hanambady fa, resahina izy, ka raha mety izy dia, tonga dia miteny ambavany fa, manaiky tokoa izy. Raha tsy izay dia, tsiazo ekehina ny fampanambadiana azy.
  2. Ary ny vehivavy mbola verijiny kosa, dia tsimaintsy hangatahina alálana avy aminy ihany koa fa, tsiazo terena izy amin’izany. Satria manko raha ny vehivavy mbola verijiny dia, matetika sarokengatra izy ka tsy sahy hiteny. Ka ny famantarana fa, manaiky izy dia, tsy miteny na inona na inona izy rehefa nanontaniana izy.

satria raha tsy tiany dia, tsimaintsy vaky ihany ny vavany handa. Ka ny fahanginany izany no midika fa, manaiky izy.

Izay vehivavy nampanambadiana ankaterena, dia manana zo malalaka izy hangataka ny fanafoanana izany fanambadiana izany. Araka ny tranga tamin’i Khansá bint Jouzám Al-Ansáriyah, izay noteren’ny dadany hanambady, nefa tsy nankasitraka izany akory izy. Satria efa tsy verijiny intsony izy tamin’izany. Ka nitaraina tany amin’ny Mpaminany saw izy. Ka nofoanany (saw) ny fanambadiany.

Izany dia, noho ny antony fiarovana ny fianakaviana mba tsy ho potika ny tokantrano. Ary eo koa ny fahatahorana amin’ny fiparitahan’ny haratsiana amin’ny alálan’ny fivadihana izay haterak’izany. Satria noho ny tsy fifankatiavan’izy roa tanteraka.

  1. Araka izay fantantsika tsara fa, ny fisian’ny raiaman-dReny ( na solontenany) ary ny fanekeny, dia anisany fepetra takiana mba hampamety ny fanambadiana. Arak’izay nambaran’ny Mpaminany (saw) hoe: ”Tsy mety ny fanambadiana raha tsy misy raiaman-dReny, sy vavolombelona marina roa (lehilahy). Ary izay fanambadiana tanterahina tsy manaraka ireo fepetra ireo, dia zava-poana. Nefa raha toa ka mifanolana izy ireo mahakasika izany, dia izay manam-pahefana amin’izy ireo no maka toeran’ny solontenan’ny Raiaman-dReny hoan’izay tsy manana na solontenan’ny raiaman-dReny”. [Swahih ibni Hibbáni, j9. Pejy: 386. Hadisy faha: 4075].

Izany dia, mba ho fiarovana ny fihavanana tsy ho tapaka, satria ny solontenan’ny raiaman-dReny dia matetika izy no tena mahafantatra ny fandehan-javatra sady mifikitra amin’ny fahamarinana momba ny hoavin’ilay vehivavy izay ananany fahefana. Ka noho izany, dia tsy hisafidy ary mandrak’izay tsy hanaiky raha tsy lehilahy efa fantany fa, hitondra hasambarana hoan’ilay ramatoa ny mpangata-bady.

Ka raha sendra fa, nialan’ireo raiaman-dReniny na ireo solontenan’ny raiaman-dReniny ilay vehivavy, ka avy hatrany dia, izay manampahefana aminy no misolon-tena ny raiaman-dreniny. {63: Izany hoe; raha misintaka an’ilay vehivavy daholo ny raiaman-dReniny, noho ny antony ho fandrarana azy tsy hanambady, taorian’ny fifaneken’ny andaniny sy ny ankilany}.

Ka ny porofon’izany, dia ny tenin’ny Tompo Allah swt ao amin’ny Kor’ány manao hoe: ”Oh ry Mpino!Tsy azonareo atao no mandova ireo andefimandry tsy amin’ny sitra-pon’izy ireo. Ary k’aza terena izy ireo ny mba hamerenany ny ampahany tamin’izay azony taminareo”. [AnNisá, and: 19]. Ka hoy Abdoullah bin Abbasy (RA) hoe: ”Tamin’ny fotoanandro taloha, dia raha maty ny lehilahy anankiray, ka ireo solontenan’ny raiaman-dReniny no, manana zo feno tanteraka momba ny vadin’ny maty. Izay mila dia afaka manambady azy, na koa ampanambadian-dreo izay olona tiany, ary raha tiany ihany koa dia tsy ampanambadian’izy ireo na iza na iza. Satria izy ireo no manana fahefana feno tanteraka amin’ilay vehivavy mihoatra ny fianakaviany. Ka izay mihitsy no nampidinan’i Andriananahary an’io andininy masina eo ambony eo.” [Alboukhari, J4. Pejy: 1670. Hadisy faha; 4303].

  1. Rehefa nifanaraka hanambady ny andaniny sy ny ankilany, dia tsimaintsy miezaka ny lehilahy mandoa ny vodiondry amin’ny madamo. Araka izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Ary omeonareo ireo vehivavy ny mahary/vodiondry sahaza ny haja amam-boninahiny. Fa raha nahafoy an-tsirapo ho anareo amin’ny ampahany tamin’izany kosa izy ireny, dia aoka ianareo hihinana izany amim-pilaminana tsara sady amin’ny fo-madio”. [Annisá, and: 4].

Ary tsy tokony hatao lafo ny resaka vodiondry, arak’izay nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Porofo fa, feno hasoavana ilay vehivavy, dia ny fahamorana amin’ny fangatahana azy ho vady, ary ny tsy fanaovana lafo loatra ny mahary (vodiondry), ary koa ny fahamoran’ny fiterahany (ny fitondrany vohoka sy ny fiterahana)”. [Almoustadrek, @ swahihayn, j2. Pejy: 197. Hadisy faha: 2739, navoakan’i Ahmad @ Mousnadihi, izay notsarain’ny Sheikh Albany @Al-irwá, anaty hadisy faha: 1928, ary @ Swahih Al-Jami’: 2235].

Ka mahakasika an’izay mihitsy no, nanambaran’i Omar bin Al-khattwáb (RA) hoe: ”Tandremonareo fa, aoka tsy hataonareo lafo ny vodiondrin’ny vehivavy. Satria raha toa ka dera eto an-tany izany, na ho fiarovana anatrehan’i Allah amin’ny andro farany, dia ny Mpaminany saw no tokony ho voalohany amin’izany. Mbola tsy nanome mihoatra ny 12 Aoukiyah an’ireo vadiny na ireo zanany vavy izy ho vodiondry. (12 Aokiyah dia lanja mitovy amin’ny 200 girama).” [Ibnou Hibbani, j10. Pejy: 480. Hadisy faha: 4620].

Anisany zavatra tsara ampahatsiahivina eto (68: Afa-tsy ny fepetra izay manome alálana no azo atao lasa tsiazo atao, ary ny tsiazo atao dia hatao azo atao, izany dia tsy ekehin’ny lalána) aorian’ny fanambadiana, dia ny tsimaintsy hanatanterahana ny fepetra izay efa nifanarahan’ny andaniny sy ny ankilany, raha toa ka nisy fepetra hafa izay nifanarahan’izy ireo. Araka ny tenin’ny Mpaminany saw hoe: ”Ny fepetra lehibe indrindra izay tsimaintsy tanterahinareo amin’ny zavatra noraisinareo amin’ny fomba ara-dalána, dia ny henatra”. [Alboukhari, j2. Pejy; 970. Hadisy faha; 2572].

Mba hatongavana amin’ny fahazoana zaridaina feno hatsarana sy hafaliana ary hazahoan’ny rehetra haravoana, dia mandidy ny finoana Silamo mba hikarakarana ny atao hoe: ”Sakafom-panambadiana/Walimah”, izay hiantsoana ireo fianakaviana akaiky indrindra sy ireo namana sy tapaka rehetra, izany dia noho ny antony mba hampahafantarana ny be sy ny maro momba ny fanambadiana (hoe, manambady izy ireo). Araka ny tatitr’i Anasy (RA): Rehefa tonga tao Madinah i Abdour-Rahmán bin Aouf (RA), dia nampirahalahian’ny Mpaminany saw izy sy Sa’d bin Ar-Rabí’ Al-ansári (RA). Ka vonona hanome azy ny antsasaky ny harenany sy ny vadiny i Sa’d. izany hoe: zaraina roa mitovy ny harenany; ny antsasany hoazy, ary ny antsasany iray hafa dia hoan’ny Abdour-Rahman bin Aouf. Ary hosarahiny izay tian’ny AbdourRahman amin’ireo vadiny ireo ka ho vadiny. Ka nambaran’i AbdourRahman bin Aouf hoe: Allah enga anie hanambina hasoavana aminao amin’ny fanananao sy ny fianakavianao (izany hoe: tsy dia misy hilako an’izany). Hoy Abdour-Rahman bin Aouf (RA): Mba tarito mankany an-tsena aho. Amin’ny maha-vahiny azy, dia tsy fantany tsara momba ny tsena antanána. Satria te-hivarotra ronono-maina sy dibera any an-tsena izy. Ka hitan’ny Mpaminany saw izy afaka andro vitsivitsy taorian’izany, ary mbola nisy faritra mavomavo aminy, izay vokatry ny fofona manitra vita amin’ny saffron (zafarany). Ka hoy ny Mpaminany saw taminy hoe: ”Oh ry Abdour-Rahman! Fa misy inona, ary inona ny vaovaonao?” namaly izy hoe: Oh ry Irak’Allah! Izaho dia vao nanambady vehivavy avy amin’ny Ansári. Hoy Mpaminany saw: ”Ka hoatrinona ny vodiondry (mahary) izay nomenao?” namaly izy hoe: Lanjan’ny Nawát volamena, izany hoe: mitovy lanja amin’ny Telo sy ampaha-telony Dirham. Ka hoy ny Mpaminany saw taminy hoe: ”Manaova sakafom-panambadiana, na dia mamono ondry anankiray fotsiny”. [Alboukhari, j3. Pejy: 1432. Hadisy faha: 3722].

Ary anisany zava-dehibe, dia ny fitandremana mba tsy handanindany foana, na hanimbanimba fahatany. Araka ny tenin’i Allah swt manao hoe: ”K’aza mandanilany foana amin’ny tsy misy antony (26), satria ireo mpandanilany foanna, dia rahalahin’ireo devoly, ary tena tsy mahay mankasitraka ny Tompony tokoa ny devoly”. [Al-isrá, and: 26-27].

Ary izay nasaina hiatrika ny sakafom-panambadiana, dia tsimaintsy mamaly antso, afa-tsy hoe, tena misy tsy fahafahana tokoa izy. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Izay mahazo fanasana aminareo hiatrika sakafom-panambadiana, dia tsy maintsy mandeha”. [Alboukhari, j5. Pejy: 1984. Hadisy faha: 4878].

Ary ny tokony hataon’izay rehetra tonga amin’izany sakafo izany, dia mila mangataka hasoavana hoazy ireo avy amin’ny Tompo Allah swt, araka ny fataon’ny Mpaminany saw amin’izao teny manaraka izao: ”Oh Allah! Omeo famelan-keloka izy ireo, ary manána inakinaka amin’izy ireo, ary ataovy soa hoazy ireo izay nomenao azy ireo”. [Ibnou Hibbani, j12. Pejy: 110, hadisy faha: 5299].

Ary mila mangataka soa hoan’ireo mpivady vaovao, araka izay fataon’ny Mpaminany saw amin’izao teny manaraka izao: ”Enga anie Allah swt hampitombo hatsarana amin’ny raharahanao, ary hampidina hasoavana sy indra-fo ary anjaramasoandro hoanao, ary hampitambatra anareo roa (mpivady) amin’ny hatsarana”. [Al-moustadrek Alá As-swahihayn. J2. Pejy; 199. Hadisy faha; 2745, swahih].

Hamafisina fa, amin’ny fanambadiana toy ireto dia, omen’ny finoana silamo alálana ny fampiasana hira (Douff/Daff) sy fialam-boly izay tsy ahitana teny ratsy, na feon-kira manaitra izay mety hitarika amin’ny asa vetaveta, ka indrindra anatrehan’ireo vehivavy amin’ny fotoana fampahafantarana ny fanambadiana. Satria raha araka ny nambaran’ny Mpaminany saw tamin’ny vadiny Áishah (RA), rehefa nisy vehivavy nanambady lehilahy avy amin’ny Ansary hoe: ”Oh ry Áishah! Anareo zany tsy mba nisy fialam-boly ? satria tena marina fa, mahafinaritra ry zareo Ansary ny fialam-boly”. [Alboukhari, j5, pejy; 1980. Hadisy faha: 4867].

 

NY FOMBA TOKONY TSIMAINTSY HATAON’NY MPIVADY AMIN’NY ALINA VOALOHANY NAHAVITANA NY FANAMBADIANA:

 

Ny zavatra mila ataon’ny ramose amin’ny vadiny vaovao, amin’ny alina voalohany hihaonan’izy ireo, dia ny fandraisany ny vadiny amin’ny fomba tena malefaka sy feno fitiavana tanteraka. Ary tsy atao mihitsy ny hatsarovan’ilay vady vao fa, mitoka-monina izy, na koa tahaka ny vahiny.

Hialana ny fihetsika mahery setra, fa mila miezaka hatrany amin’ny fanakaikezan’ny fon’izy roa mba hifanakaiky tsara. Satria izany dia, zavatra efa nataon’ny Mpaminany saw, araka ny fitantaran’ny Asmá bint Yazid (RA) hoe: ”Indray andro izaho no, nampihaingo an’i Aishah (RA) hoan’ny Mpaminany (saw). Ka rehefa vita dia, nantsoiko tamin’izay Izy (saw) hijery azy (Aishah) vita haingo. Ka tonga Izy (saw) ary nipetraka teo akaikiny (vadiny). Rehefa avy eo, dia notolorana tasy lehibe misy ronono Izy, ka nisotro. Rehefa avy nisotro Izy, dia natolony an’i Aishah (RA) ilay tasy misy ronono. Nefa niondrika ambany ny lohany noho ny hena-maso. Ka hoy Asmá hoe: Niteneniko mafy izy mba handray an’ilay tasy. Nambarako azy hoy Asmá hoe: Raiso avy amin’ny tánan’ny Mpaminany (saw). Hoy Asmá: Noraisiny (Aishah) ilay tasy, ary nisotro kely izy. Avy eo, dia nambaran’ny Mpaminany (saw) azy hoe: Omeo koa ny namanao (akamanao). Nefa Asmá dia niteny hoe: Oh ry Irak’Allah! Azafady mba raiso avy amin’ny tánany, ary misotroa, zay vao omenao ahy avy amin’ny tánanao mivantana. Ka noraisin’ny Mpaminany (saw) ilay tasy misy ronono, ary nisotro izy, zay vao natolony an’i Asmá (RA). Hoy izy (Asmá): nipetraka tsara aho, ary napetrako ankamberako (am-pofoanako) ilay tasy misy ronono, ary nampandaloviko manodidina ny molotrako roa ny vavan’ilay tasy mba handalo amin’ny faritra izay avy nisotroan’ny Mpaminany (saw). Rehefa aveo dia, nambaran’ny Mpaminany saw tamin’ireo vehivavy izay tao amiko. Hoe: Omeo koa izy ireo. Tonga dia namaly izy ireo hoe: Tsy te-hisotro izahay! Ka hoy Mpaminany (saw): k’aza mivory eo miaraka amin’ny mosary, nefa mandainga.” [Mousnad Imam Ahmad, j6. Pejy: 458. Hadisy faha: 27632, swahih (Fomban’nhy fanambadiana an’i Sheikh Albany).

 

 

 

FOMBA FISANGISANGIANA SY FIFANDRAISANA ALOHAN’NY FIRAISANA AMIN’NY FIANAKAVIANA

 

Arak’izay efa nambaranay fa, ny finoana Silamo dia mandray ny fahafinaretana ara-nofo tahaka ny fahafinaretana amin’ny zavatra rehetra izay tsy maintsy homena fahafaham-pony amin’ny fomba ara-dalána, ary fehezin’ny fepetra sy antoka maro isankarazany.

Ka, raha toa ka izao no, fijerin’ny finoana Silamo mahakasika ny fahafinaretana ara-nofo, hamafisina fa, maporisika mafy hatrany amin’izany izy, ary manazava ireo fahafaham-pon’ny tsirairay amin’ny lehilahy sy vehivavy amin’izay ateraky ny fahaiza manao sy mifandray amin’ny samy mpivady izany. Arak’izay notantarain’i jabir bin Abdillah (RA) hoe: ”Indray andro aho rehefa nandeha nitaingina ny soavaliko tamin’ny fiaraha-mandeha maro. Ka nikapohin’ny Irak’Allah saw ilay soavaliko. Ka hatry tamin’izany, dia lohalaharana foana ny soavaliko, afa-tsy hoe; ampandehaniko moramora, zay vao mandeha mora izy.

Indray andro tonga tamiko ny Iraka masina Mohammad (saw) niteny hoe: Havidinao amiko amin’ny vidiny hoatran’izao hoatran’izao ve ny soavalinao? hamelaheloka anao enga anie i Allah. Navaliko azy hoe: Omeko anao oh ry Irak’Allah. Mbola niteny tamiko koa izy hoe: Havidinao amiko ve ny soavalinao? Allah enga anie hamela helokao.

Nambarako azy hoe: Hoanao izio oh ry Irak’Allah. Hoy Soulaiman: tsy haiko na im-piry ny Mpaminany saw namerim-berina izany fanontaniana izany. Satria indraindray Izy miteny hoe: Avidinao amiko amin’ny vidiny hoatran’izao? Ary indraindray koa izy miteny: Efa manambady ve ianao taorian’ny nahafaty ny Dadanao? Namaly aho hoy Jabir, hoe: Eka, efa nanambady aho. Hoy (saw): Mbola verijiny sa efa avy nanambady? Navaliko hoy Jabir fa; Efa avy nanambady ilay vadiko. Mbola niteny (saw) hoe: ”Naninona tsy nanambady vehivavy mbola verijiny ianao? Amin’izay mihira anao izy, ary ianao koa mihira azy. Sady hampihomehy anao izy, ianao koa hampihomehy azy”. [Mouttafaquoun alayh].

Noho ny halebeazan’ny fifandraisana sy ny fifaneraserana amim-pahamendrehana, ary ny fihirahirana miaraka amin’ny vady, dia mbola nampiakarin’ny finoana silamo ambonin’ny fieritreretantsika azy ny tsy maintsy hanaovana izany amin’ny samy mpivady. Ka nambaran’ny Mpaminany (saw) mahakasika izany: ”Izay zavatra tanterahina ka tsisy fahatsiarovana an’i Allah swt, dia ho zava-poana sy kilalao, afa-tsy zavatra efatra (4) ihany: Fanaovana fanatanjahantena (mampiasa zavatra misy kodiarana roa), ny fanazarana ny soavaliny, ny fihirahirana amim-pitiavana ny fianakaviana (vady), ary ny fianarana milomano”. [Annasái&At-Twabrani, swahih].

Anisany zavatra takiana amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia ny fahadiovana ara-batan’izy ireo sy ny fifikirana amin’ny fananana fofona manitra mandrakariva ny mpivady, izany hoe, tomady vatana hatrany. Ary koa ny fihaingoana tsara amin’ny endrika ety ivelany. Satria izany, dia hampitombo ny fifankatiavana sy fifandraisan’izy ireo. Ary mila miezaka manalavitra ireo zavatra mety hampandositra ny vadinao ianao. Satria ny Mpaminany saw dia niteny hoe: ”Hamafisina fa, i Allah dia tsara, sady mankatia ny hatsarana”. [Mouslim, j1. Pejy: 93. Hadisy faha: 91].

 

Hoy Aishah (RA): ”Izaho no mampanao ranomanitra an’i Mpaminany saw, arak’izay ilavany azy ho manitra, ary hitako mihitsy ny faritra nandalovan’ilay ranomanitra amin’ny lohany sy ny volom-bavany”. [Alboukhari, j5. Pejy: 2214. Hadisy faha: 5579].

Ary nambaran’i Abdoullah bin Abbasy (RA) hoe: Hamafisina fa, izaho dia tena mihaingo tsara tokoa hoan’ny vadiko, tahaka ny fiahaingoany hoahy. Araka ny faniriako hahazo ny zoko avy aminy no, tsimaintsy hiezahako hanome azy ny zony avy amiko ihany koa. Satria tena marina fa, Allah swt dia miteny ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Hoan’ireo vehivavy, dia manan-jo ho entina tsara mifandanja amin’ny adidy takiana amin’izy ireo”. [Albaqarah, and: 228].

 

 

 

ANISANY FILALAOVANA SY FIHIRANA FITIAVANA AZON’NY MPIVADY ATAO:

 

  • Ny filalaovana sy fihirana fitiavana amin’ny mpivady eny ambony fandriana.
  • Azon’ny mpivady atao no, mifankahita miboridana raha sendra izy roa ihany amin’ny toerana manokana tanteraka, ary afaka mifampijery tsara amim-pitiavana sy fahafinaretana ny andaniny sy ny ankilany. Araka ny tatitr’i Bahz bin Hakim, tatitra izay azony avy tamin’ny Dadany, ary dadany koa nahazo avy tamin’ny Dadabeany, ka nanontaniako hoe: Oh ry Irak’Allah! Mahakasika ny henatray, hatraiza no tokony haseho, ary aiza no tsy tokony haseho? Ka namaly Izy hoe: ”Arovy ny henatrao, afa-tsy anatrehan’ny vadinao sy ireo izay ambany fahefanao”. Mbola nanontany aho hoe: Ahoana ary raha olona maro, ka ny sasany ambony noho ny sasany, ary mety hifankahita (ohatra misy mipetraka ambony, ary ny sasany ambany) ? namaly Izy hoe: ”Raha vitanao, dia aoka tsy hifampijery henatra”. Mbola nanontany koa aho hoe: Ahoana ary, raha sendra antena irery fotsiny? Namaly Izy (saw) hoe: ”Tompo Andriananahary, no mendrika hahamenatra indrindra”. [Al-moustadrak Alá as-Swahihayn, j4. Pejy: 199, hadisy faha; 7358, Swahih].
  • Zon’ny andaniny sy ny ankilany no, hankafy ny fahafinaretana ara-nofo amin’ny vadiny, amin’ny fomba rehetra izay mahafinaritra azy fa, ny fepetra takiana dia tsy maintsy amin’ny toerana iray ihany no hilalaovana azy, izany hoe; amin’ny toerana fivoahan-jaza ihany no idirana. Hoy Abdoullah bin Abbasy (RA), fa indray andro dia tonga tamin’ny Mpaminany (saw) i Omar bin Al-khattwáb (RA) niteny hoe: Niharan-doza aho. Nanontany azy ny Mpaminany saw hoe: Fa nisy inona? Namaly azy Omar: Nivily lálana aho omaly alina. Ka tsy namaly azy ny Mpaminany saw, fa avy teo dia nahazo hafatra avy tany an-danitra Izy, izay manao hoe: ”Ny andefimandrinareo, dia saha ho anareo; ka midira amin’ny sahanareo araka ny fotoana itiavanareo izany”. [Albaqarah, and: 223]. Ka nambaran’ny Mpaminany saw taorian’ny filatsahana andininy avy tany an-danitra, hoe: ”Ataovy avy aloha sy avy afara, fa tandremo ny toerana fivoahan’ny maloto sy ny fotoanan’ny fadim-bolana”. [Ibnou Hibbani, j9. Pejy: 516].

Ny tian’i Omar bin Alkhattwáb (RA) hambara amin’ny hoe, fiviliana lálana, dia ny fiarahany tamin’ny vadiny, rehefa nanova fomba fanaovana (firaisana ara-nofo) azy kely izy, nefa mbola amin’ny toerana mahazatra ara-dalána foana no, nandehanany. (Fa, noho ny ahiahy, sao dia mba tsy mety ny fomba nataony, voatery tsy maintsy nampahafantatra an’ny Mpaminany saw izy. Nefa, tsy maninona ihany ny fomba nataony fa, mety tsara ihany).

Izany hoe; azonao atao no miaraka amin’ny vadinao amin’ny fomba rehetra isankarazany, fa ny fepetra dia tsimaintsy amin’ny toerana fivoahan’ny zaza ihany no hanaovana azy (@ mahavehivavy ny vehivavy).

Ny fiatahana amin’ny vehivavy mandeha fotoana, dia tsy midika misaraka lavitra azy na tsy miara-mipetraka, misakafo na misotro aminy, tsia. Hoy Aishah (RA): Zaho dia misotro rano rehefa mandeha fadimbolana, dia aveo omeko an’ny Mpaminany saw, dia raisiny ilay izy ka ampandaloviny amin’ny faritra nisotroako ny vavany dia misotro amin’izay izy. Ary maka hena avy amin’ny taolana ihany koa aho amin’ny nifiko, ary omeko azy ny sisa dia haniny, ary amin’ny faritra nandalovan’ny nifiko ihany koa no ampandalovany ny anazy. Ary izany rehetra izany, dia amin’ny fotoanan’ny fadimnbolana daholo.

Izany hoe; afaka mifanerasera tsara sy manao zavatra maro isankarazany amin’ny vadiny ny lehilahy amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana, afa-tsy ny firaisana ara-nofo ihany no tsiazo atao.

Hoy Anasy (RA): Tamin’ny fotoanandron’ireo jiosy, raha mandeha fadimbolana ny vehivavy, dia tsy misakafo miaraka aminy izy ireo fa, atokana trano. Ka nanontany azy ireo Mpanaradia an’ny Mpaminany saw mahakasika izany. Ary noho izany no nampidinan’ny Tompo Allah swt izao andininy manaraka izao: ”Ary manontany anao momba ny fadim-bolana izy ireo. Ka lazao hoe: Izany, dia loto manelingelina. Noho izany, dia aoka ianareo hihataka azy ireny mandritra ny fadim-bolana, k’aza miray aminy raha tsy efa madio izy ireo. Ary rehefa madio izy ireo, dia tanteraho amin’izy ireny izay nandidian’i Andriananahary anareo. Satria Andriananahary, dia tia ireo mpibebaka sy ireo mpitandro fahadiovana”. [Albaqarah, and: 222]. Ka nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Ataovinareo daholo ny zavatra rehetra, afa-tsy ny firaisana ara-nofo “. (Izany hoe, mandritra ny fadim-bolana dia afaka manao fitiavana amin’ny vady, afa-tsy ny firaisana ara-nofo ihany no tsy azo atao). Rehefa henon’ireo jiosy mahakasika izany, dia hoy izy ireo hoe: Inona ary no tadiavin’io lehilahy io (Mohammad saw), fa hoatrany manohitra ny raharahanay foana no ataony, ary tsisy avelany mihitsy fa, itsabahany daholo. Ka tonga tamin’ny Mpaminany saw ry Ousaid sy Houdhayr ary i Abbád bin Bishri niteny taminy hoe: Oh ry Irak’Allah!Ry zareo jiosy dia miteny; hoatran’izao dia hoatran’izao, ka tsy hanao an’izao ve izahay??

Izany hoe: ny jiosy dia tsy miray aranofo amin’ny vadiny amin’ny fadimbolana, ahoana raha toherintsika izany ka hiray ara-nofo amin’ny vadintsika isika amin’ny fotoanan’ny fadimbolana?

Rehefa naheno an’iny Mpaminany saw dia nivaramena ny tarehiny noho ny hatezerana. Tsikaritray fa, tena tezitra sady nalahelo tamin’izy ireo tokoa Izy tamin’izany. Ka tonga dia lasa nandeha izy roa. Rehefa lasa reo, dia nisy nanatitra ronono hoan’ny Mpaminany saw, ka nandefa olona hanome azy roa lahy ny ronono Izy.

Izany hoe; nanaraka ny dian’izy roalahy ilay nirahina ka hitany teny an-dálana, ary nomeny azy ireo ny ronono izay nomen’ny Iraka masina Mohammad saw. Nisotroin’izy roalahy ny ronono, ary fantatr’izy ireo fa, efa afaka ny hatezeran’ny Mpaminany saw, ary tsy tezitra amin’izy ireo intsony Izy. [Mouslim, j1, pejy: 246. Hadisy faha: 302].

Nitatitra Jabir bin Abdillah (RA) fa, ry zareo jiosy dia niteny hoe: Raha ny lehilahy miaraka amin’ny vadiny avy afara (miondrika), ka raha mitondra vohoka amin’iny firaisana iny ny vehivavy, dia teraka ho maintin-koditra.

Ka nampidinin’i Allah swt ilay andininy manao hoe: ”Ny vadinareo dia saha ho anareo; ka midira amin’ny sahanareo araka izay fotoana itiavanareo azy”. [Albaqarah, and; 223].

Ka aoka hazava, fa tsy olana na avy aiza hidiranao na avy aiza, fa ny takiana fotsiny, dia tsy maintsy amin’ny lavaka iray ihany (fivoahan-jaza). [Ibnou Hibbani, j9. Pejy: 474. Hadisy faha; 4166].

  • Anisany fampianaran’ny finoana silamo, dia mila miteny ny anaran’ny Tompo Zanahary rehefa hiray ara-nofo, sady manao ranombavaka izay fataon’ny Mpaminany saw. Hoy Izy (saw) hoe: ”Raha te hiaraka amin’ny vadiny ny iray amin’ny mpivady ka miteny izao manaraka izao: Amin’ny anaran’i Allah, Oh Zanahary! Alaviro anay i Satana, ary ataovy lavitry ny zavatra nomenao anay i Satana. Ka raha mahazo zaza amin’izany firaisana izany izy ireo, dia tsy ho vitan’ny Satana mandrak’izay ny hanao ratsy an’izany zaza izany”. [Alboukhari, j5. Pejy; 2347. Hadisy faha; 6025].
  • Ary mila miezaka koa izany ny lehilahy hihirahira sy hifanerasera amin’ny vadiny amin’ny alálan’ny safosafo, sy oroka amin’ny fihetsika tena malefaka mba hanaitra tsara ny vadiny, ary tsimaintsy miandry azy taitra tsara tokoa no, izay vao miray ara-nofo aminy ny ramose, ary miandry azy hatrany hamita ny hetahetany koa izay vao miala ny lehilahy.
  • Fomnba amam-panao amin’ny finoana silamo, dia tsimaintsy manao fidiovana masina mitovy amin’izay fatao amin’ny fanompoam-pivavahana (soalah) iny ny lehilahy, raha toa ka mbola te-hiverina hiaray ara-nofo amin’ny vadiny indray mandeha koa. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: ”Raha miaraka amin’ny vadiny ny iray aminareo, ka mbola te-hiray indray mandeha koa, dia mila manao fidiovana masina”. [Mouslim, j1. Pejy: 249. Hadisy faha: 308]. Izany dia, noho ny antony fahadiovana sady mba hampavitribitrika tsara ny firaisana ara-nofo, ary indrindra raha amin’ny fiverenana taorian’ny voalohany.

 

  • Ny filalaovana sy fifandraisana amim-pitiavana amin’ny mpivady, dia rehefa amin’ny fotoana miaraka misasa na mandro (miseky). K’aza mihevitra fa, ambony fandriana fotsiny no, mety hampatanjaka ny fifandraisan’ny mpivady, satria mbola betsaka ireo fomba maro isankarazany izay afaka hampitohy sy hanamafy tsara ny fitiavan’ny mpivady. Ireo fihetsika rehetra ireo, dia tsisy fotoanany fa, mety daholo ny fotoana rehetra, fa somary mila toerana anaovana izany fa, tsy amin’ny toerana rehetra akory. Izany hoe; anisany fepetra takiana amin’izany dia, tsy azo atao amason’olona, ary tsiazo atao henon’olona ihany koa. Hoy Aishah (RA): “Misy fotoana zaho sy ny Iraka masina (saw) miaraka mandro amin’ny zavatra raika, ka indraindray ihoafany ahy, ary indraindray koa zaho no mihoatra azy (@ fandroana/rano), ka miteny izy hoe: avelao hoahy. Ary teneniko koa Izy: Avelao hoahy ihany koa”. [Swahih Annasái].
  • Ny fisangisangina sy fihirahirana amin’ny fianakaviana (vady), dia tsy maintsy atao an-trano. Shouraih bin Háni, dia nanontany an’i Aishah (RA), izay Renin’ny Mpino silamo, hoe: ”Rehefa miditra an-trano ny Mpaminany saw, dia inona ny zavatra ataony voalohany? Namaly Izy hoe: Ny zavatra ataony voalohany rehefa miditra an-trano, dia miborosy nify (mampiasa ny tapa-kazo kely)”. [Swahih Mouslim]. Angamba ny antony anaovany an’izany fanadiovana vava sy fanaovana ranomanitra izany, dia mba hihaonany amin’ny fianakaviany.
  • Ny fisangisangina sy hirahira izay ataon’ny mpivady mifankatia ivelan’ny trano, dia misy fepetra tena hentitra tokoa, arak’izay efa nambaranay teo aloha. Izany hoe; Tsiazo atao anatrehan’olona, ary tsiazo atao henon’olona ihany koa. Araka ny tatitr’i Abou Salamah bin Abdir-Rahman (RA) fa, Aisha (RA) nanambara ahy hoe; Nisy fotoana zaho mbola tanora vavy kely dia niara-dia tamin’ny Mpaminany (saw). Ka niteny Izy (saw) tamin’ireo Mpanaradia azy hoe: Mandehana aloha ianareo. Dia avy eo nantsoiny ahy hoe: Ndao fa, hifaninana aminao aho (hazakazaka antsoavaly/rameva). Nifaninana izahay, ka resiko Izy tamin’ny alálan’ny tongoko.

Indray mandeha koa izahay nandeha, ka nambarany an’ireo mpanaradia azy ireo hoe: Mandehana aloha ianareo. Ary nantsoiny amin’izay aho fa, hifanina indray izahy sy Izy. Efa tsy tadidiko intsony ny fomba nandreseko azy tamin’ny fotoan-dasana iny, ary izaho dia efa nihanaventy (be vatana). Nambarako azy hoe: Ahoana ary hifaninako aminao, arak’izay hitanao tsara ny vatako izao? Namaly Mpaminany (saw) fa; Tsy maintsy manao ihany ianao. Ka nifaninana izahay, dia resiny zaho. Niteneniny hoe: ”Ity no valin’iny fandresena tamin’ny voalohany iny”. [As-Sounan Al-Koubrá, j5. Pejy: 304. Hadisy faha: 8945, Swahi].

Angamba fa, anisany zava-dehibe izay tokony tsindrian-tsika eto, dia ny tsy mahamety ny fanaparitahana ny tsiambara-telon’ny mpivady izay mahakasika ny zavatra miseho amin’izy roa. Satria nambaran’ny Mpaminany (saw) hoe: “Ny olona tena ambany lanja indrindra anatrehan’ny Allah swt amin’ny Andro farany, dia ny olona anankiray izay mitoka-monina mangingina amin’ny vadiny, nefa avy eo ny iray amin’izy roa, dia manaparitaka ny tsiambaratelon’ny namany”. [Mouslim, j2. Pejy: 1060. Hadisy faha: 1437].

Ka mba hampitohitohy tsara ny fifandraisan’ny mpivady, ary mba hamafy orina ny tokantrano silamo izay mitaiza ny hoavin’ny fiaraha-monina, izay lavitry ny tsy fifankazahoana sy fifampirafesana, dia nohazavain’ny Lalána Islamika ny zo sy andraikitry ny andaniny amin’ny ankilany. Izany hoe; mba hahafantaran’ny tsirairay ny zony sy ny zon’ny hafa izay aminy.

 

 

 

ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY VADINY:

 

Ampy antsika raha hitondrana ireo andininy masina sy ireo tenin’ny Mpaminany masina (saw) mba hanazavana ny zon’ny vehivavy amin’ny vadiny. Izany dia noho ny fahatahorana amin’ny fivalamparana amin’ny fotoana. Ary izao manaraka izao ny ampahany amin’izany;

  1. Hoy Tompo Andriananahary manao hoe: ”Ary aoka ianareo hifanerasera aminy (vadinareo) amim-pahamendrehana. Fa raha misy aminareo mankahala azy ireo, dia mety mankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Andriananahary fahasoavana sesehena”. [AnNisá, and: 19].
  2. “Ka ho an’ireo vehivavy, dia manan-jo ho entina tsara mifandanja amin’ny adidy izay takiana amin’izy ireo. Fa ireo lehilahy kosa, dia manana tombony amin’ny vehivavy”. [Albaqarah, and: 228].
  3. Hoy Mpaminany (saw) hoe: ”Ny tena mendrika aminareo, dia izay mendrika aminareo amin’ny fianakaviany, ary Izaho no mendrika indrindra noho anareo amin’ny Fianakaviako”. [Sounan Ibni Májah, j1. Pejy: 636. Hadisy faha: 1977, Swahih].
  4. Hoy Mpaminany saw: ”Izay tena tongalafatra amin’ny finoana aminareo, dia izay manana toetra tena mendrika indrindra, ary izay tena mendrika aminareo, dia izay tena mendrika aminareo amin’ny fianankaviany”. [Ibnou Hibbani, j9. Pejy: 483. Hadisy faha: 4176].
  5. Hoy Mpaminany (saw): ”Matahora an’i Allah ianareo momba ny vadinareo, satria nalainareo izy ireo amin’ny fiarovan’i Allah, ary nohamasininareo ny henatr’izy ireo tamin’ny tenin’i Allah ( hoe nataonareo halál t@ Anarany). . .” [Mouslim, j2. Pejy: 886, hadisy faha: 1218].
  6. Hoy Mpaminany (saw): ”Aoka tsy hankahala ny mpino vavy ny mpino lahy, satria raha mankahala toetra iray aminy izy, dia hisy zavatra hafa koa hahafaly azy aminy”. [Mouslim, j2. Pejy: 1091, hadisy faha: 1469].
  7. Hakim bin Mouawiyah bin Al-Qoushayri, dia nitatitra avy tamin’ny Dadany, niteny fa, hoy zaho: Oh ry Irak’Allah! Inona ny zon’ny madaman’iray aminay amin’ny vadiny (ramose) ? Namaly Mpaminany saw hoe: ”Mampihinana azy raha mahita ny hohanina ianao, ary mampitafy azy raha mahita ho tafina ianao”. [Abou Daoud, lj2. Pejy: 244. hadisy faha: 2142, Swahih].

Satria ny fahatongavan-dafatra, dia hoan’ny Tompo Andriananahary ilay Avo sady Tokana ihany.

 

 

 

ZON’NY LEHILAHY AMIN’NY VADINY:

 

Raha ho entina eto daholo ireo andininy masina sy tenin’ny Mpaminany (saw), dia tsy haharaka (tsiampy) ny fotoana, nefa na dia ataontsika indray melatra kely fotsiny, mety afaka hampita amintsika ny tena hafatra izany.

  1. Hoy Allah swt raha manazava momba ireo vehivavy mendrika ao amin’ny Kor’ány manao hoe: ”Fa ny vehivavy mendrika, dia ireo izay mankatoa ny vadiny, ary ireo izay miaro ny hasin’ny tokantranony amin’ny tsy maha eo azy, amin’izay efa narovan’i Andriananahary”. [AnNisá, and: 34].
  2. Hoy Houswain binMouhswin hoe: ny rahavavin-dReniko dia nitantara tamiko hoe: Nandeha tamin’ny Iraka masina Mohammad (saw) zaho mahakasika ny sasan-tsasany amin’ny raharahako. Ka hoy Mpaminany saw taminy hoe: Eh, manambady ve ianao? Eka, hoy zaho namaly azy. Mbola nanontany Izy hoe: Ahoana ianao amin’ny vadinao? Namaly izy hoe: Ankatoaviko daholo izay fitakiany, ary tanterahiko ihany koa ny fikarakarana azy sy ny fanomezana ny zony, afa-tsy izay tsy vitako ihany. “Aiza ianao aminy? Satria izy no, mety Paradisanao na ho Afobenao”. (izany hoe; ny ramosenao dia mety ho antony hidiranao amin’ny Paradisa, raha faly aminao izy, na sanatria hidiranao amin’ny Afobe, raha tezitra aminao izy). [Al-Moustadrak alá As-Swahihayn, j2. Pejy: 206. Hadisy faha: 2769, Swahih Al-Jámi’: 1509, As-Swahihah: 2612].
  3. Nitatitra Abou Hourairah (RA), fa ny Mpaminany (saw) dia niteny: ”Raha manatanteraka ny fanompoam-pivavahana in-5 isan’andro ny vehivavy, ary manao fadinkanina amin’ny volana masina (Ramadany), ary miaro ny henatrany, sady mankatoa ny vadiny (ramose), dia hiditra amin’ny Paradisa avy amin’ny varavarana izay tiany hidirany”. [Swahih Ibni Hibbani, J9. Pejy; 471. Hadisy faha: 4163].
  4. Nitantara Mouáz bin Jabal (RA) rehefa izy tonga tany Sham: Hitany ireo Kristianina miankohoka hoan’ireo lehiben’ny fivavahana isany ambaratongany amin’izy ireo. Ary ireo Jiosy ihany koa, dia miankohoka amin’ireo mpitondra fivavahana isany ambaratongany amin’izy ireo sy ireo manampahaizana amin’izy ireo. Nanontany izy hoe: Inona ary no mahatonga anareo manao an’izao? Namaly izy ireo hoe: Izao no fiarahabana an’ireo Mpaminany, (enga anie tso-drano sy fandriampahalemana hoazy ireo). Raha toa ka izany, dia tokony izahay no hanana zo betsaka indrindra mihoatra anareo, hoy Mouáz hatrany. Nefa ny Mpaminanin’i Allah dia niteny, fa: Hamafisina fa, ry zareo dia nampandainga an’ny Mpaminanin’izy ireo tahak’izay namadihan’izy ireo ny Bokiny tsy araka ny heviny. Ka raha hibaiko olona hiankohoka amin’olona aho, dia mba nodidiko ny vehivavy hiankohoka amin’ny vadiny, noho ny halehibeazan’ny zon’ny ramose aminy. Tsy hahita tsiron’ny Finoana ny vehivavy anankiray, mandrapaha hanatanterahany ny zon’ny vadiny, raha sendra mila azy ny ramoseny, dia tsimaintsy mandeha izy na dia fa, an-damosina soavaly aza izy”. [Al-moustadrek alá As-Swahihayn, j4. Pejy: 190. Hadisy faha: 7325, Swahih].

 

 

 

NY FISARAHAM-PANAMBADIANA ARAKA NY FINOANA SILAMO:

 

Hamafisina fa, ny fanambadiana, dia zavatra masina amin’ny finoana Silamo. Ka noho izany no, amporisihan’ny Finoana silamo mafy amin’izany, mba hiarovana ny fifandraisan’ny mpivady. Mba tsy hisian’ny fahafahambaraka amin’ny tokantrano. Ka anisany porofo ho entiko hanaporofoana ny hasin’izany, dia ny fakana ny anaran’i Allah swt amin’ny fifanarahampanambadiana, izay ho antoka mafonja amin’ny mpivady. Hoy Allah manao hoe: ”Ary izy ireo dia efa nahazo fanekem-pankatoavana mafonja avy taminareo”. [An-nisá, and: 21].

Ampy hanaporofoana an’ity zavatra masina ity ny tenin’ny Mpaminany (saw), rehefa niteny izy hoe: ”Izay mivadika (mijangajanga) amin’ny vadin’olona na izay olona ambany fahefany (ambany fahefan’ilay olona tompom-bady), dia tsy namanay izy, ary izay mifanta amin’ny antoka, dia tsy namanay ihany koa izy”. [Ibnou Hibbani, j10. Pejy: 205. Hadisy faha: 4363].

Mbola mahakasika ity fahamasinana ity ihany, izay mahakasika ny fanambadiana, dia misy lalána koa napetraka mahakasika ny fisarahampanambadiana, raha sanatria ka, misy olana mianjady amin’ny tokantrano. Ary izany dia raha toa ka efa nandalo ambaratonga maro isankarazany ka tsy nahitana vahaolana intsony. Ny antony dia mba tsy hitrangan’ny fifamitahana amin’ny mpivady, sy ireo zavatra mety hanahirana amin’izany, tahaka ny fifangaroan’ny fihavian’ny zaza, ary fanomezana lova ho an’izay tsy mendrika izany, ary tsy fanomezana anjara lova ho an’izay tokony handova, ary indrindra ny fahatahorana amin’ny fiparitahan’ny haratsiana eny anivon’ny Fiarahamonina.

Ary ny tena mampalahelo, dia ny fisian’ny tokantrano ratsiorina no hitaiza ny ankizy, noho ny antony tsy fifankazahoana sy korontana amin’ny mpivady, izay hiteraka loza hoan’ny tokantrano na voka-dratsy (indraindray trano misy dada nefa tsisy reny na mifanohitra amin’izay).

Fa ity raharaha ara-dalána ity (Fisaraham-panambadiana/Divorce), dia zavatra ilana fahamatorana fa, tsy ataotao fahatany. Ka noho izany, dia tsy natao ho kilalaon’ireo olona kentrona ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fisaram-panambadiana.

Araka ny fanazavan’ireo Manampahaizana, fa tsy maintsy toy izao manaraka izao ny antony handraisana ny fanapahankevitra amin’ny fisaraham-panambadiana (divorce);

  1. Tsy maintsy (obligatoire) raisina ny fanapahankevitra raha toa ka niatrehan’ny solontenan’ny mpitsara anankiroa avy amin’ny lehilahy sy vehivavy. Izany hoe; noho ny fifandonana mafy loatra amin’ny mpivady. Araka ny tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Ary raha manahy ny hisian’ny fisarahana eo amin’izy roa (mpivady) ianareo, dia ianareo hanendry mpitsara mpanelanelana avy amin’ny fianakavian’ny lehilahy, ary mpitsara mpanelanelana avy amin’ny fianakavian’ny vehivavy ihany koa. Fa raha samy maniry raharaham-pihavanana ny roa tonta dia ho tanterahin’i Allah eo anatrehan’izy ireo tokoa izany. Hamafisina, fa Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra Allah”. [Annisá. and: 35].
  2. Tsy azo atao (Haramo), raha toa ka tsisy antony ny fisaraham-panambadiana, na tsy zava-dehibe, na fanapahan-kevitra raisina fahatany. Ary izany no, ezaka ataon’ny devoly ilay voahozona, Araka ny nambaran’ny Iraka masina Mohammad (saw) hoe: ”Hamafisina, fa i devoly, dia mametraka ny fanjakany eny ambony rano (atsatony mafy tsara ambony ranomasina), ary alefany amin’izay ireo miaramilany, ary izay tena akaiky azy indrindra, dia izay mahavita fakampanahy ratsy indrindra (fanariana ny olombelona, sy fanalavirana azy ireo avy amin’ny fahamarinana), tonga ny iray amin’izy ireo miteny hoe: Izaho dia nanao toy izao sy toy izao. Ka miteny amin’izay Devoly hoe: Mbola tsy nahavita na inona na inona akory ianao. Avy eo dia misy hafa koa tonga ka mitantara izay nataony, hoe: Nisy olona tany, tsy navelako raha tsy nisaraka tamin’ny vadiny. Ka manakaiky azy amin’izay iny iray iny. Ka miteny amin’izay devoly aminy hoe: Eny, tena tsara tokoa ny asa vitanao”. [Mouslim, j4. Pejy: 2167. Hadisy faha: 2813].
  3. Tsara ny fanaovana azy; raha toa ka tena ratsy toetra sy fitondran-tena ilay vehivavy, nefa fantaro fa, ny faharetana dia ilaina, ary indrindra indrindra moa raha niteraka izy roa.
  4. Didina ; izany dia raha toa ka tsy manaraka ny fampianarana ny finoana silamo ilay vehivavy, na koa mety tsy matotra, ka efa nanarina izy am’izany.

Ary izany dia mihatra amin’ny ramose ihany koa, raha toa ka manao fihetsika tahaka izay efa voalaza mahakasika ny vehivavy ny lehilahy. Na koa mety misy kilema voa-janahary tahaka ny tsy fahafahany manome fahafinaretana ara-nofo an’ny vadiny izy, izany hoe; malemy ny mahalehilahy azy, na koa mety tsy manana faniriana hanao firaisana ara-nofo mihitsy izy.

 

 

AMBARATONGAM-PISARAHANA AMIN’NY FINOANA SILAMO: (Khoula’)

 

Raha tsy natsangana amin’ny fifanarahana mazava sy fifankatiavana, ary ny fahamendrehana amin’ny samy mpivady ny tokantrano, dia mazava hoazy fa, tsy maintsy hirodana izany tokantrano izany amin’izao toe-javatra izao.

Izay tokony ho fiaraha-miaina amim-pilaminana sy hatsaram-panahy, dia hivadika ho feno halahelo sy hakiviana. izany dia rehefa mankahala ny andaniny ny ankilany, ka eto dia mamporisika amin’ny faharetana ny finoana silamo sy fandraisana andraikitra. Hoy Allah manao hoe: ”Ary aoka ianareo hifanerasera aminy amim-pahamendrehana. Fa raha misy aminareo mankahala azy ireo (vadinareo), dia mety mankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Allah fahasoavana sesehena”. [Annisá, and: 19].

Na dia izany aza, ny fahendrena sy faharetana, dia mila hatao, nefa raha tonga amin’ny ambaratonga izay efa mitady tsy ho zakan’ny fahendrena sy faharetana, dia tsy maintsy miroso amin’ny fisaraham-panambadiana izay antsoina hoe; ”Khoula”.

Raha ohatra ka mihatombo ny fankahalan’ny ramose ny vadiny, dia malalaka izy handray fanapahan-kevitra izay ampelan-tanany amin’ny fisaraham-panambadiana.

Fa raha toa ka avy amin’ny madamo ny fankahalana an’ny ramose vadiny, dia manana zo izy hiala an’ny vadiny amin’ny alalan’ny fisarahana izay atao hoe; khoula’.

Ny dikany khoula’ dia; ny tsimaintsy handoavan’ny ramatoa amin’ny ramose ilay vodiondry nomena azy tamin’ny ananaran’ny fanambadiana tamin’ny voalohany, mba hahafahany hanafoana ny fifandraisany amin’ny ramose vadiny (Fisarahana). Ary izay no fiafaran’ny fahamarinana sy fitovizana araka ny Finoana Silamo. Satria ny lehilahy no mizoga ny fandoavana ny vodiondry sy ny vesatra rehetra mahakasika ny fanambadiana. Ka hoy Allah swt hoe: ”Ary tsy azonareo atao intsony no maka amin’izay efa nomenareo azy ireny (vadinareo), afa-tsy hoe manahy izy roa fa, tsy hahavoatandrina ny fetra napetrak’i Allah. Fa raha manahy ny tsy hahavoatandrina ilay Fetra napetrak’i Allah kosa izy roa, dia tsy fahotana ho azy ireo raha manonitra ravehivavy”. [Albaqarah, and; 229].

Satria raha araka ny tatitra izay nataon’i Abdoullah bin Abbasy (RA), fa; Jamilah bint Saloul dia indray andro tonga tamin’ny Mpaminany (saw) nitaraina hoe: Mifanta amin’i Allah izaho fa, tsy manaratsy an’i Sabity (Thabit) aho, raha mahakasika ny finoana na toetra. Fa izaho mihitsy no matahotra fikomiana amin’ny finoana silamo. Efa tsy mahavita intsony aho, fa tena halako izy. Ka niteny taminy Mpaminany (saw) hoe: Haverinao aminy ve ny zaridainany? Namaly izy, hoe: Eny tompoko. Ka nandidy azy (ramose) ny Iraka masina (saw) mba handray an’ilay zaridaina, ary tsy haka afa-tsy izay ihany. [Swahih ibnou Majah].

Ka ny tanjon’ny Finoana Silamo manoloana izany dia, ny fiarovana ny voninahitra amin’ny mahaolombelona, mba hialana amin’ny fiangarana sy fifanambaniana. Ary tahak’izany koa ny tanjony amin’ny fiarovana ny fiarahamonina, ary izany dia amin’ny alalan’ny fanakatonana ireo lálana rehetra izay mety hiteraka haratsiana amin’ny fiaraha-monina.

Satria manko raha toa ka ny lehilahy anankiray miara-mipetraka amin’ny vehivavy anankiray izay tsy tiany, na ny vehivavy anankiray miara-mipetraka amin’ny lehilahy iray tsy tiany koa, dia mazava hoazy fa, hiteraka korontana tanteraka amin’ny tokantrano izany. Afa-tsy hoe, angamba olona matanjaka tanteraka ara-pinoana, dia hiteraka fahapotehana tanteraka amin’ny fifandraisan’izy ireo, na koa mety hiteraka fifandraisana mampiahiahy sy tsy azo atao (Haramo). Ka noho izany, dia nodidina ny fampiasana ny atao hoe; Fisaraham-panambadiana (Divorce). Marina tokoa ny tenin’ny Tompo Allah raha niteny Izy manao hoe: ”Ary raha misaraka izy roa, dia Andriananahary hanome harena ny tsirairay avy, noho ny fahalalahan-tánany”. [Annisá, and: 130].

 

 

 

SASANY AMIN’IREO VOKATRY NY FIHOAFAM-PEFY ARA-NOFO:

 

Ny fijangajangana dia nataon’ny finoana Silamo fady ny fanaovana azy, ary nisoakajiany ho anisany fahotana tena lehibe indrindra ny fijangajangana. Ary tahaka izany koa, dia nataony ho fady ihany koa ireo zavatra rehetra mety hitarika amin’izany (fijangajangana). Nambaran’i Sayyd Qoutb (Rahimahoullah): ”Ny tanjon’ny finoana Silamo, dia ny ady amin’ny fihetsika biby, izay tsy mampisaraka ny vatana roa.

Ary ny tanjon’ny finoana Silamo amin’izany ady izany, dia ny fananganana tokantrano, sy fanorenana fiainana, ary ny fanamboarana fiainana miaraka mandrak’izay, mba hanafoanana ny fahafinaretana ara-nofo mandalo, nefa mavesatra ny sazy azo amin’ny fanaovana azy.

Ary koa mba ho fananganana fifandraisana amin’ny lahy sy vavy, mba hanaovan’izy ireo fiainana madio izay manaraka sy manaja ny hetaheta ara-nofon’ny andaniny sy ny ankilany. Izay mampitambatra ny vatana roa (lahy&vavy), mampitambatra ny fiainan’olona roa sy fo anankiroa, ary fanahy anankiroa, ary ny tena izy, dia ny teny hoe: Fitambaran’olona anankiroa.

Izay mamatotra azy ireo amin’ny fiainana itambarana, fanantenana itambarana, tehoka itambarana, ny hoavy itambarana, ary hihaona izy ireo amin’izany amin’ny taranaka mbola hoavy.

Ary ampiandrasana taranaka faramandimby vaovao izy ireo, izay hanao fiainana vaovao miaraka ihany koa, izay ambany fiahian’ny Raiaman-dReny (papa&Mama), ary tsisy valaka izy roa amin’izany andraikitra lehibe izany.

Ka noho izany no, nahatonga ny finoana Silamo tena sarotiny tokoa, ary manasazy izay manao an’izany asa ratsy izany.

Satria raha araka ny fanazavan’ny finoana silamo momba ny endriky ny fijangajangana, dia ratsy noho ny fihetsiky ny biby, izay manapotika ny taranaka, sady manova ny endrika amin’ny ratsy, izay manova ny olona ho biby, izay efa tsy mahay manavaka ny vehivavy amin’ny vehivavy, ary ny lehilahy amin’ny lehilahy.

Ny jangajanga dia tena fanovana endrika ratsy tanteraka, izay tsy inona akory afa-tsy ny fanomezana fahafaham-po ny fahafinaretana mandalo fotsiny amin’ny fomba tsy ara-dalána. Ka rehefa misaraka izy ireo, dia hita tsara fa, tsisy fanorenana mitsangana amin’ny hoavin’ny fiainana akory aorian’ilay fahafinaretana mandalo, fa samy miala tsotra izao fotsiny.

Tsy mba misy zavatra soa azo tsapan-tánana no avelany. Tsisy fototra hijoroana eto an-tany, tsy misy vokatra tsara, na tanjona hamokatra, ary tsy misy faniriana marina sady madio aorian’izany fijangajangana izany. Satria ny tena faniriana marina, dia manaranaka ara-boajanahary. ary izay mihitsy no, mampiavaka ny ara-dalána izay maharitra sy ny fahotana izay mandalo nefa mametraka taketra ratsy.

Nefa ny mampalahelo, dia izany hetahetam-po tsy ara-dalána izany no raisin’ny sasany ho fahafinaretana tena izy. Fa ny tena marina, dia izany fijangajangana izany dia fihetsika biby tanteraka. Ka izany dia tahaka ny mitafy fitafin’ny fahafinaretana mahaolona k’indraindray fotsiny. Aoka hazava fa, ny finoana silamo, dia tsy miady amin’ny fiarovana ny voa-janahary, ary tsy mandray amin’ny lafiny ratsy izany, fa ny andraikiny dia mandamina sy manadio azy, ary manandratra azy avy amin’ny ambaratonga mahabiby azy ka hankany amin’ny ambaratonga mahaolombelona tanteraka azy.

Ary ny finoana silamo dia miaro azy hatrany mba hatonga ny resaka izay ifanaovan’ny maro mahakasika ny resaka fahalalam-pomba ara-tsaina sy ara-piaraha-monina.

Fa raha ny resaka fijangajangana kosa no resahina, ary indrindra moa ny asa fivarotan-tena, dia voasintona sady potika noho izany ny faniriana voa-janahary izay tratran’ny fanahy maloto, sy faniriana maloto sy vetaveta izay efa miakatra ambony tokoa ny heriny. Izay manapotika ny fahalalam-pomba sy fahamendrehana amin’ny mahaolombelona, ary ny fivorian’ireo toetra sy asa ratsy amin’ny fihoafam-pefy ara-nofo ireo, izay hita amin’ny tantaran’olombelona efa hatry ny ela izay mampiharihary fahafahambaraka mavesatra no sady maloto mamparikoriko, tahaka ny ataon’ny biby. Nefa mbola ratsiratsy noho ny biby ny fihetsik’izy ireo.

Satria tsara fantarina fa, betsaka amin’ny vadin’ireo biby sy vorona, dia mivelona amim-panajana sady mifikitra amin’ny fahamatorana amin’ny tokantranony sy ny fiainana milamina sady manaraka ny toetry ny andro an-davanandro, izay lavitry ny korontan-dratsy ateraky ny fiparitahan’ny fijangajangana manerana ny tontolo maro tsy voatanisa izay iainan’olombelona amin’ny fiainana isan’andro.”

Ka raha tanisain-tsika ny sasan-tsasany amin’ireo voka-dratsy izay aterak’izany korontana amin’ny fiainana ara-nofo baranahana izany, ary anisany voka-dratsy indrindra izay tsy maintsy haterak’izany fiparitahan’ny fijangajangana izany, dia izao manaraka izao:

  • Fiparitahan’ireo areti-mifindra sy ireo areti-mandoza isankarazany, ary hisy fiantrekany ratsy amin’ny fiaraha-monina manontolo tokoa izany fa, tsy amin’ny tokantrano iray fotsiny. Ka hoy Allah swt manao hoe: ”K’aza manakaiky ny fijangajangana ianareo, satria fahavetavetana izany, ary tena lálana ratsy tokoa”. [Al-isrá, and: 32]. Hoy Mpaminany (saw) hoe: ”…Oh ianareo Mpifindra-monina! Misy zavatra dimy (5), raha voatsapa amin’izany ianareo, na koa nidina aminareo izany. Mangataka fiarovana avy amin’i Allah zaho, mba tsy hisedra izany ianareo. Izany hoe; Raha miharihary amin’ny vahoaka ny fahavetavetana, ka manatanteraka izany koa ry zareo (vahoaka), dia hihatra amin’izy ireo ny aretina pesta sy kere (olana ara-tsakafo), izay mbola tsy nahazo ireo olona talohan’izy ireo. Ary raha mangalatra amin’ny refy sy mizana (fandanjana) izy ireo, dia hisedra fahantrana mangidy sy silaona, sy fahasahiranana tafahoatra, ary hiharan’ny tsindrihazolena avy amin’ny tomponandraikitra mpitondra. Ary raha tsy mamoaka ampahan-karena (zakah) izy ireo, dia tsy hirotsaka hoazy ireo ny orana avy any an-danitra (orak’andro/oranandro/orana/mahalegny), ary raha tsy noho ny anton’ireo biby, dia tena tsy hisy rotsak’orana mihitsy. Ary raha mivadi-belirano amin’i Tompo Andriananahary sy ny Irany izy ireo, dia homeny (Allah) vahana amin’izy ireo ny fahavalon’izy ireo, ary halain’ireo fahavalo ny sasany amin’ny fananan’izy ireo. Ary raha tsy mampihatra ny Bokin’i Allah ny Lehiben’izy ireo, dia handefasan’ny Tompo Allah loza amin’izy ireo”. [Al-moustadrek ala as-swahihayn. J4. Pejy ; 583, hadisy faha: 8623].

Tandremo fa, ny fanaovana fahotana, dia mampiala ny hatsarana, satria voasakana daholo ny fahatoniam-po sy fiadanan-tsaina ary tsy afaka mianko intsony ny mpanao izany fahotana sy asa ratsy izany fa, ho ambany lanja hatrany. Ary izany fanotana izany, dia hatonga azy ho biby amin’ny endriky ny olombelona. Satria ny asa-lohany, dia ny hamokisana ny hetahetany sy ny fahafinaretany, na inona na inona ny fomba afahany hanao izany. Ary izany fanaovana fahotana izany koa, dia mampandova fahantrana an’ny mpanao azy, noho izy maka fahafinaretana amin’ny fomba tsy ara-dalána, amin’ny harena, ezaka, ny fotoana, izay hiteraka fatiantoka sy fanenenana eto an-tany, ary sazy ratsy mamaivay no hoazy amin’ny andro farany. Ary izany koa (fahotana/jangajanga) dia mampihena ny fiainana eto an-tany. Satria vokatry ny haratsian’ny asa izay ataony, dia hiteraka tsy fahasalamana mandoza maro isankarazany hoazy izany, ary mety hahafaty na hampavozo azy malaky.

  • Anisany voka-dratsin’ny fijangajangana dia ny fihamaroan’ny zaza-tány (zanaka jangajanga). Tsisy fisalasalana fa, ny fisian’ireo zaza-tány izay tsy mahazo ny zony amin’ny maha-zaza ara-dalána azy, tahaka ny fikarakaran’ny raiaman-dReny, finoana ara-dalána, sy ny fahazoan’izy ireo fietseham-po sy fitiavana avy amin’ny Papa sy Mama, ary ny fianakaviana manontolo. Tsy vitan’izany fa, mbola tsy mahazo toro-lálana mahitsy izay manana tanjona amin’ny hoavin’izy ireo, izay tsy vitan’olon-kafa ankoatry ny Dada sy Neny ny fanaovana izany rehetra izany. Nefa raha toa ka zaza-tány ilay zaza, dia matetika hita amin’ny fiaraha-monina fa, tsy misy antoka mazava sy matotra hiarovana azy ireo. Ary henatra lehibe hoan’ny fiarahamonina tokoa izany. Nambaran’ny Ramatoa Anna Frewid, ao amin’ny Bokiny izay mitondra anarana hoe: ”Ireo ankizy tsy manana fianakaviana”, raha izy miresaka mahakasika ny fikorontanan-tsaina fa, zava-dehibe ihany koa ny fanabeazana ireo ankizy amin’ny fonenan’ny mpifindra-monina sy ireo amin’ny ankanin-jaza. Satria noho ny herisetra sy fahasarotana izay sedrain’izy ireo, dia lasa sarotra dia sarotra tokoa ny fampianarana azy ireo, ka mitaky ezaka mafy dia mafy tokoa ny fampitana ny fahalalána amin’izy ireo, [113: Ny Olombelona amin’ny tontolon’ny materialy sy ny Finoana Silamo/Mohammad Qoutb].
  • Ny fijangajangana dia manaparitaka karazan’aretina maro isankarazany, ary anisan’izany ny aretin-tsaina (fahavoazana ara-tsaina), izay miteraka fiasan-doha lava, sady tsy mahita fahatoniana, fa mahatsiaro fahabangana lalan-dava sy fahotana ary koa mahatsiaro fahambanian-tena (mahatsiaro fa, ambany izy), izany dia vokatr’ireo fifandraisana ara-nofo tsy ara-dalána izay ananany sy ataony. Ary marina tokoa ny tenin’ny Tompo Allah Ilay avo indrindra raha niteny Izy hoe: ”Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany ho anareo avy aminareo ny vadinareo, mba hiainanareo amim-pilaminana miaraka aminy, ary dia nasiany fifankatiavana sy hatsaram-panahy eo aminareo. Misy porofo tokoa ao anatin’izany ho an’ireo olona mieritreritra”. [Ar-Roum, and: 21].
  • Ny fiparitahan’ny korontana na olana ara-nofo, dia antony anankiray hiteraka korontana amin’ny toetra sy fihetsika. iarahantsika mahalala tsara fa, ny antony mahatonga an’ireo ditra sy fihoafam-pefy ara-nofo ireo, sady mahatonga ny sasany ho lasa sorona, dia amin’ny resaka vola ihany. Raha manomboka ny fampiasan’ireo olon’ny sitra-po sy rendrarendra resa-bola, dia mazava hoazy fa, ho zatra izy ireny amin’ny rendrarendrany, ka tsy maintsy hanao ezaka rehetra izy ireo mba hahazoana izany vola izany, na dia fa hangalatra aza izy, na hivadika amin’ny fifanarahana sy fifandraisana, ary lainga isankarazany, fitaka sy risoriso sns…

Ny tanjon’izy ireo, dia mba hanalana hetaheta ny fanirian-dratsiny sy ny fahafinaretany ara-nofo tsy ara-dalána, ary izany dia na amin’ny volan’ny hafa aza no hanaovany izany rehetra izany. Na koa amin’ny alálan’ny fandravana na fakana ankeriny ny zava-trolona, raha toa ka sendra tsy manam-bola izy ireo.

  • Fidinan’ny sazin’ny Tompo Andriananahary, izay efa nampitandremany ireo fiaraha-monina izay iparitahan’ny fijangajangana sy asa fahavetavetana. Araka izay nambaran’ny Mpaminany (saw) manao hoe: ”Ho anatin’ny hatsarana mandrakariva ny vahoakako, raha toa ka tsy mihamaro amin’izy ireo ny isan’ny zaza-tány. Fa raha toa ka mitombo ny zaza-tány amin’izy ireo dia tsy ampoizina ny handefasan’i Allah swt sazy ho azy rehetra”. [Mousnad Imam Ahmad, j6. Pejy: 333. Hadisy faha; 26873, Swahih At-Targhib&At-Tarhib: 2400].

 

 

 

FAMARANANA

 

Hamafisina fa, efa betsaka dia betsaka tokoa ireo toro-lálana sy ireo hevitra maro samihafa izay tsara fintina, ary koa ireo fijery tsara fikarohana natolotray amin’ity Boky ity mahakasika manokana ny fijerin’ny finoana Silamo momba ny fahamarinan’ny resaka ara-nofo.

Ny tena tanjonay amin’ity resaka ity, dia mba ho fanalahidy hoan’izay te-hahafantatra bebe kokoa mahakasika io raharaha lehibe io amin’ny fiainan’ny zanakolombelona, sady lálana izay izoran’ny finoana Silamo mba hanabeazana ny olombelona amin’ny resaka ara-nofo ara-dalána, no sady voninahitra hoazy noho izany, mba hatongavany amin’ny ambaratongan’ny fanompoana. Izany hoe, hahazo valisoa ny mpino Silamo raha manatanteraka ireo fahafinaretana isankarazan’ireo amin’ny fizorana amin’ny lála-mahitsy izay narafitry ny Finoana Silamo.

Ary tahak’izany ihany koa, fa ho tosika anankiray amin’ny fampahafantarana bebe kokoa momba an’io Finoana Lehibe io, izay miresaka sady mamehy ny zava-drehetra mahakasika izay mahasoa ny zanakolombelona amin’ny fiainany ankapobeny sy manokana eto an-tany, na koa mahakasika ny any aorian’ny fahafatesany.

Satria efa mazava tsara amintsika fa, izay asa rehetra ataon’ny mpino Silamo eto an-tany amin’ny fahadiovam-po, amin’ny fitadiavany ny zava-tsoa avy amin’ny Tompo Andriananahary, dia tsy hitsahatra amin’ny fahafatesany izany. Fa, mbola hijanona hoazy eto an-tany, ary hitohitohy ny valisoan’ny asa-soa rehetra nataony tamin’ny fahavelomany, na izay notarihany ho amin’ny fahitsina. Satria nambaran’ny Mpaminany Mohammad (Mahomet) saw hoe: ”Raha maty ny zanakolombelona, dia hitsahatra daholo ny asany rehetra afa-tsy avy amin’ny zavatra telo ihany;

  1. Fanomezana mitohitohy, na
  2. Fahalalana mahasoa, na
  3. Zanaka tsara-taiza, ka mangataka soa hoan’ny Ray aman-dReniny (Aorian’ny fahafatesana)”. [Mouslim, j3. Pejy: 1255, hadisy faha: 1631].

Ary koa ny Tenin’ny Mpaminany (saw) manao hoe: ”Izay miantso amin’ny fahitsiana, dia hahazo valisoa tahaka ny valisoan’olona izay nanarak’azy, ary samy hahazo valiny mitovy daholo izy ireo. Ary tahak’izany koa izay mitarika amin’ny fahaverezana, dia hahazo fahotana mitovy amin’olona izay manarak’azy, ary tsy hisy valaka amin’izany fahotana izany izy ireo fa, samy hahazo mitovy avokoa”. [Mouslim, J4. Pejy; 2060, Hadisy faha: 2674].

Ary anisany porofo mivaingana amin’ity fonosana lehibe ity, dia ny firaharahany (Silamo) tanteraka na dia mahakasika ireo fombafomba madinika, izay misy fifandraisany amin’ny fiainan’ny zanakolombelona.

Araka ny tatitra izay nataon’i Salmáni (RA) fa, ireo tsy mpino Silamo dia niteny taminay hoe: Hitanay ny Namanareo (Mpaminany saw), dia mampianatra anareo, ary na dia ny resaka fivoahana amin’ny Lavapiringa (W. C) sy ny fomba famaniana (Pipy) aza ampianariny anareo. Namaly izy hoe: Eny, tompoko. “Hamafisina fa, Izy dia mandrara anay amin’ny tsy fahazoan’iray aminay hanadio ny malotony amin’ny tanankavanany, sy ny tsy fahazoana mitodika amin’ny Qiblah rehefa manao maloto (Qiblah=toerana fitodihana hivavaka/na any Avaratra izany raha amin’ny faritra misy antsika). Ary nandrara ihany koa Izy amin’ny tsy fahazoana mifitra (manadio) amin’ny tandro-biby sy ny taolany. Ary mbola niteny ihany koa Izy hoe: Tsy azon’iray aminareo atao no, midio amin’ny latsaky ny vato telo” (Izany hoe, raha amin’ny toerana tsisy na inona na inona hidiovana, dia afaka mampiasa vato kely raha misy. Fa ny farany vitsy dia telo ny isany).” [Mouslim, j1. Pejy: 224. Hadisy faha: 262].

Lehibe indrindra tokoa ity Finoana Silamo ity! Izay mampianatra ny Olombelona amin’ny fomba fihetsiny rehetra sy ny fiainany manontolo, sady mandamina indrindra mahakasika ny raharahany sy ny fiainany.

Hamafisina, fa lehibe tokoa ny toeran’io Finoana Silamo io. Ka zava-dehibe ho an’ny Mpino Silamo ny fifikirana matotra tsara amin’izany.

Ka tokony hijoro mahitsy mandrakariva ami’ny Finoana Silamo ireo Mpino Silamo, ary tokony hiantso ny olombelona tsy ankanavaka izy ireo, amin’izay mba hahazoan’izy ireo ihany koa ny fiadanana sy hatsaran’izany Finoana Silamo izany, mba ho samy ambany fanevan’izany finoana Silamo izany.

Ary iangaviana ireo tsy mpino Silamo, mba hijery sy handalina tsara ny finoana Silamo, mba hahafantaran’izy ireo ny fahamarinan’izany finoana Silamo izany, sady amin’izay mba malalaka izy ireo, no lavitry ny fanaovana sarotra ny raharaha. Ary koa mba hahafantaran’izy ireo ny lehibe sy ny kely amin’ny Finoana Silamo. Ary koa mba hahazoan’izy ireo fahafaham-po amin’ny hatsarany (Silamo). Satria manko ny finoana Silamo, dia finoan’ny Fanalahidy izay hanokatra ny hatsarana rehetra, sady sakana amin’ny haratsiana rehetra ihany koa.

 

WWW.ISLAMLAND.COM