IREO FOMBA AHAZOANA NY FIAINANA SAMBATRA

IREO FOMBA AHAZOANA NY FIAINANA SAMBATRA

الوسائل المفيدة للحياة السعيدة

تأليف الشيخ:

عبد الرحمن بن ناصر السعدي رحمه الله-

 

 

IREO FOMBA AHAZOANA NY FIAINANA SAMBATRA

 

Nosoratan'i Sheikh:

Abdorrahman Ibn Naaswir As-sa'di

 

Fandikan-teny:

MANAGNA Zakaria

Famerenana sy fanitsiana:

Sheikh: ABDALLAH Said Moussa

Sheikh: DJAMILDINE Samsoudine

 

 

 

 

 

!

Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana

 

 

TENY FOHY MOMBA NY TANTARAM-PIAINAN'ILAY MPANORATRA:

Ity hafatra izay am-pelatanantsika ity dia mametraka ireo rafitra lehibe izay ahazoana ny fahasambarana tena izy, izay tadiavin'olona tsirairay sy ezahin'izy ireo tratrarina; izany dia lavitra ireo fijery mitanilan'ny zanakolombelona, fa miantehitra tanteraka kosa, eo amin'ny fanoritany ireo rafitra momba izany, amin'ireo porofo matanjaka avy amin'ny Kor'any Masina sy ireo sori-dàlana feno fahendrena avy amin'i Mpaminany r.

Ary izany indrindra no fahasambarana izay irin'ny mpino Islamo sy antenain'ny fiarahamonina Islamo; satria izany no làlana tokana ahafahany mandrindra tsara ny rafi-piainany, mba hiainany amin'ny fahatahorana an'i Allah sy ny hafaliany.

Ary ny nanoratra ity hafatra dia: Sheikh hajaina, manampahaizana sangany amin'ny fahalalana: Abdorrahman Ibn Naaswir Ibn Abdillah Àl sa'di; izay teraka tao amin'ny tanana "Onaizah", ao amin'ny faritra Al-qasim, amin'ny faritanin'i Najd, ao Arabia Saodita.

Maty tamin'ny fahazazany avokoa ireo ray aman-dreniny; saingy matsilo saina sy kinga fijery ary tia mianatra izy; ka mbola kely izy dia efa nanomboka nianatra tsianjery ny Kor'any, hany ka vitany tsianjery masaka tsara izany tamin'ny faharoa ambin'ny folo taonany. Avy teo nanomboka nitady fahalalana izy, ka nianatra tamin'ireo manampahaizana tao amin'ny tananany, sy ankoatra azy ireo tamin'ireo manampahaizana izay tonga sy nandalo tao. Nanao ezaka mafy izy tamin'izany ary nisongadina ka lasa sangany tamin'ny karazana fahalalana maro samihafa.

Tamin'ny fahatelo amby roapolo taonany dia nanomboka nanambatra ny fianarana sy ny fampianarana izy, ny fandraisana lesona sy ny fampitana izany; ary izany hatrany no nandaniany ny fotoanany rehetra nandritry ny fiainany iray manontolo. Marobe ireo nianatra sy nandray fahalalana ary nahazo tombontsoa taminy.

Anisany tamin'ireo Sheikh nianarany:

Sheikh: Ibrahim Ibn Hamad Ibn Jàsir; izay voalohany nianarany.

Sheikh: Swalih Ibn Osman; mpitsara tao Onaizah. Taminy no nianarany ny: Osòl (fototry ny Fikh), sy ny Fikh sy ny Tawhid sy ny Tafsir ary ny teny Arabo. Tsy nisaraka taminy izy hatramin'ny fahafatesany. Ary Sheikh (As-sa'di) dia nanana fahalalana feno momba ny Fikh sy ny Osòl; ary nanana traikefa ambony mikasika ny Tawhid sy ny mombamomba izany, noho ny fandalinany ireo boky lehibe sy azo antoka ary fanomezany lanja manokana ireo bokin'i Ibn Taymiyyah sy Ibn Al-qayyim.

Ary nanome lanja be sy nandalina mafy ny Tafsir sy ireo fahalalana mifandray amin'izany izy, hany ka voafehiny tsara izany ary lasa sangany sy fantatra manokana tamin'izay lafiny izany izy; ary anisany amin'ireo boky nosoratany mikasika ny Tafsir:

-Taysir Al-karim Ar-rahman fi Tafsir Kalam Al-mannan (Fanamoran'ilay Be fanasoavana sy Be indrafo amin'ny fanazavana ny Tenin'ilay Be fahasoavana); boky valo.

-Taysir Al-latwif Al-mannan fi Kholaswati Tafsir Al-kor'any (Fanamoran'ilay Be fahatsorana sy Be fahasoavana amin'ny famintinana ny fanazavana ny Kor'any).

-Al-qawa-'id Al-hisan Litafsiril-kor'any (Ireo fitsipika tsara momba ny fanazavana ny Kor'any)

Ary anisany amin'ireo bokiny izay tsara ananana sy vakina ihany koa, ankoatra ireo voalaza ireo:

-Al-irshad Ila Ma'rifatil-ahkam (Toro-làlana amin'ny fahafantarana ireo lalàna).

-Ar-riyadhon-nadhirah (Ireo zaridaina mahafinaritra).

-Bahjato Qolobil-abrar (Fahafinaretam-pon'ireo olona tsara).

-Manhajos-salikina Wa Tawdhiho l-fiqh Fid-din (Lalam-piainan'ireo mpizotra amin'ny làlana sy fanazavana ny Fikh momba ny finoana).

-Hokmo Shorbid-dokhan Wa Bay-'ihi Wa Shira-ih (Ny lalàna mikasika ny fifohana sigara ary ny fivarotana sy ny fividianana azy).

-Al-fatawa As-sa'diyyah (Ireo Fatawa “fanambaran-dalàna” an'i As-sa'di).

-Manana Boky telo mirakitra Khotbah izy, izay tsara dia tsara.

-Al-haqq Al-wadhih Al-mobin Bisharhi Tawhidil-ambiya-i Wal-morsalina (Ny fahamarinana mazava sy mibaribary amin'ny fanazavana ny fanokanan'ireo Mpaminany sy Iraka an'i Allah “Tawhid”).

-Noniyyato Ibn Al-qayyim (Fanazavana Al-kafiyah As-shafiyah “ilay ampy manasitrana”).

Ary mbola misy marobe ireo boky nosoratany; amin'ny Fikh sy ny Tawhid sy ny Hadith sy ny Osòl; ary ireo fikarohana momba ny raharaha sosialy sy ireo Fatawa maro isan-karazany.

Ny fahafatesany: Notampohin'ny aretina mafy izy, izay nanambara ny fahatongavan'ny fotoana andaozany ny fiainana; ka nindaosin'ny fahafatesana izy tamin'ny alin'ny Alakamisy fahatelo amby roapolon'ny volana Jomada Faharoa, taona 1376H, tao Onaizah. Nametraka tantara tsara izy tamin'izay rehetra nahafantatra azy na naheno momba azy na koa nianatra taminy; ary nalahelo mafy izy ireo tamin'izany.

Allah anie hanome azy indrafo betsaka; ary hanome antsika tombontsoa amin'ny fahalalany sy ireo bokiny.

Amin!

 

# # #

SASIN-TENIN'NY MPANORATRA

Dera  ho  an'i  Allah, ilay Tompon'ny  fiderana  rehetra. Mijoro vavolombelona aho  fa  tsy  misy  tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy  Allah  irery  ihany, tsy misy  mpikambana  aminy. Ary  mijoro vavolombelona aho  fa  i  Mohammad  dia  mpanompony sy Irany. Tsodranon'i Allah sy ny fiadanany anie ho aminy sy  ny fianakaviany ary  ireo  mpanaradia azy.

Ny fiadanan'ny fo sy ny fahasambarany, ary ny fisavan'ny ahiahiny sy ny tebitebiny ary ny alahelony, ireo no tanjon'ny tsirairay; ary izany no antoky ny fahazoana ny fiainana sambatra sy mahatomombana ny hafaliana sy ny haravoana. Ary misy antony maromaro ahazoana izany: antony ara-pinoana sy antony ara-boajanahary ary antony ara-asa sy ezaka; ary tsy mitambatra amin'olona iray ireo rehetra ireo afa-tsy amin'olona mpino Islamo ihany.

Fa ankoatra azy ireo kosa, na dia mahazo an'izany izy ireo, amin'ny fomba sy antony sasantsasany, izay nanaovan'izy ireo ezaka mafy; saingy noho ny tsy fananan'izy ireo ireo fomba tena mahomby sy matanjaka ary tsara indrindra ahazoana izany faingana sy maharitra, dia banga sy tsy azon'izy ireo feno hatrany izany.

Izaho kosa, ato anatin'ity hafatro ity, dia hitanisa izay tonga ao an-tsaiko, amin'ireo fomba ahazoana izany tanjona ambony indrindra izany, izay ezahin'ny rehetra tratrarina.

Ka misy amin'izy ireo no nahomby amin'ny fanatanterahana ny maro amin'ireo fomba ilaina ireo ka niaina am-pahatoniana sy nivelona am-piadanana. Ary misy amin'izy ireo no tsy nahomby mihitsy amin'izy rehetra ka niaina am-pahoriana sy nivelona am-pijaliana. Ary misy amin'izy ireo no eo ho eo, arakaraky ny anjara azony.

Ary Allah no Mpanome ny fahombiazana, ary Izy irery ihany no angatahana ny fitahiana amin'ny fahazoana ny tsara rehetra sy ny fiarovana amin'ny ratsy rehetra.

 

# # #

 

 

TOKO

Ny lehibe indrindra amin'ireo fomba ireo sy loharanony ary fotony dia ny finoana sy ny asa soa:

Ny lehibe indrindra sy loharano ary fototr'ireo fomba ahazoana izany dia: ny finoana sy ny fanaovana asa soa.

Miteny Allah ilay Avo Tsitoha hoe:

﴿مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَلَنُحۡيِيَنَّهُۥ حَيَوٰةٗ طَيِّبَةٗۖ وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ٩٧]النحل 97[.

{Na iza na iza, na lahy na vavy, ka nanao asa soa no sady mpino, dia omenay fiainana sambatra tokoa; ary omenay valisoa tsara mihoatra izay nataony izy ireo}[An-nahl: 97].

Ka eto Allah dia manambara ary mampanantena fa izay manambatra ny finoana sy ny fanaovana asa soa, dia homeny fiainana sambatra eto an-tany, ary homeny valisoa tsara amin'ny fiainana eto an-tany sy amin'ny fiainana any ankoatra.

Ny anton'izany dia mazava; satria ireo olona izay mino an'i Allah amin'ny finoana marina, finoana izay mitarika amin'ny fanaovana asa soa, ary manadio sy manatsara ny fo sy ny fitondran-tena, ary ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra; izy ireny dia manana ireo rafitra sy fitsipika izay ahafahan'izy ireo mandray sy mampiasa ireo zavatra mitondra amin'ny hafaliana sy ny hasambarana, ary miady amin'ireo zavatra mitondra amin'ny tebiteby sy ny fahoriana ary ny alahelo.

Raisin'izy ireo amin'ny alalan'ny fanekena sy fankasitrahana ary fampiasana amin'izay mahasoa ireo zavatra tsara sy mahafinaritra amin'ny fiainan'izy ireo. Ka rehefa ampiasain'izy ireo amin'ny endrika sahala amin'izany ireo zavatra ireo dia miteraka hafaliana ho azy ireo sy faniriana ny faharetany sy ny fitomboany ary ny fanantenana hahazo valisoa amin'ny fahaiza-mankasitraka. Ary izany rehetra izany dia mitondra zavatra lehibe ho azy ireo, mihoatra ny hatsaran'ilay zavatra sy ny hasoavany; dia ny fahasambarana lehibe izay azon'izy ireo amin'izany.

Fa ireo zavatra ratsy sy loza sy tebiteby sy ahiahy ary alahelo kosa dia setrain'izy ireo fanoherana izay azon'izy ireo toherina amin'izany, ary ezahin'izy ireo ahena izay azo ahena, ary raisin'izy ireo amin'ny fiaretana tsara hatrany izay tsy azo ialana. Noho izany fanoherana mafonja sy fahaiza-misetry ary tanjaka manoloana ireo zavatra ratsy ireo izany; ary koa noho ny fiaretana sy ny fiandrandrana valisoa sy ny fahasoavana manoloana izany, dia lasa mitondra zavatra tsara indray ireo zavatra ratsy, ka manjavona tanteraka ny ratsy avy eo, dia mandray ny toerany ny hafaliana sy ny fanantenana tsara ary ny fiandrandrana ny fahasoavan'i Allah sy ny valisoany; araky ny tenin'i Mpaminany r amin'ny Hadith marim-pototra manambara izany manao hoe:

«عَجَبًا لِأَمْرِ الْمُؤْمِنِ، إِنَّ أَمْرَهُ كُلَّهُ خَيْرٌ، وَلَيْسَ ذَاكَ لِأَحَدٍ إِلَّا لِلْمُؤْمِنِ، إِنْ أَصَابَتْهُ سَرَّاءُ شَكَرَ، فَكَانَ خَيْرًا لَهُ، وَإِنْ أَصَابَتْهُ ضَرَّاءُ، صَبَرَ فَكَانَ خَيْرًا لَهُ» ]رواه مسلم[.

"Mahagaga tokoa ny raharahan'olona mpino (Islamo); fa ny raharahany rehetra dia tsara avokoa; ary tsy n'iza n'iza no mahazo an'izany afa-tsy ny mpino Islamo ihany; raha nahazo zavatra tsara izy ka nankasitraka, dia tsara ho azy izany (fankasitrahany izany); ary raha voan'ny zavatra ratsy izy ka niaritra, dia tsara ho azy izany (fiaretany izany)"[Notaterin'i Moslimo].

Ka eto i Mpaminany r dia manambara fa ny olona mpino Islamo dia mitombo hatrany ny tombontsoany sy ny fahasoavany ary ireo vokatsoa azony amin'ireo asany; na inona na inona zavatra mandalo amin'ny fiainany, na tsara na ratsy.

Izany tokoa no mahatonga ianao mahita olona roa, samy hafa tanteraka ny fomba fandraisan'izy ireo ny zavatra mandalo amin'ny fiainan'izy ireo, na tsara io na ratsy; ary izany dia arakaraka ny tsy fitovian'izy ireo amin'ny lafin'ny finoana sy ny fanaovana asa soa.

Ka ilay manana ireo toetra roa ireo (ny finoana sy ny fanaovana asa soa), dia mandray ny tsara sy ny ratsy amin'ny fomba izay nambarantsika teo aloha, dia amin'ny alalan'ny fankasitrahana (amin'ny tsara) sy ny fiaretana (amin'ny ratsy) ary izay fomba mifandray amin'ireo; ka miteraka haravoana sy hafaliana ho azy izany, ary manala aminy ny fahasahiranan-tsaina sy ny fahoriana sy ny tebiteby ary ny fijaliana; ka mahatonga ny fiainany eto an-tany ho feno fahasambarana tanteraka.

Ilay faharoa indray kosa dia amin'ny fihamboana sy fizahozahoana ary fanaovana ny tsy rariny no andraisany ireo zavatra tsara izay azony; ka miala làlana ny toetrany; ary tahaky ny fanaon'ny biby ny fandraisany an'izany, dia amin'ny fierenana sy ny tahotra. Na dia eo aza anefa izany dia mbola tsy milamina ihany ny fony, fa vao mainka mikorontana aza, amin'ny lafin-javatra maro: amin'ny lafiny iray, ny fatahorany amin'ny fanjavonan'ireo zavatra tiany ireo sy ireo savorovoron-javatra maro aterak'izany matetika; ary amin'ny lafiny hafa, ny vatana dia tsy mba mahay mijanona amin'ny fetra manokana fa maniry ny hahazo fanampiny sy bebe kokoa hatrany, izay mety ho azony ary mety tsy ho azony; ary na dia ataontsika hoe azony izany, dia mbola mijanona ao anatin'ny tebiteby sy asa saina hatrany izy, noho ireo lafin-javatra izay voalaza ireo.

Ary amin'ny tebiteby sy hakiviana sy tahotra ary hasosorana no andraisany an'ireo zavatra ratsy; ka aza anontaniana intsony ny fahoriana aterak'izany amin'ny fiainany sy ireo aretin-tsaina maro isankarazany, ary eo koa ny tahotra izay mety mitondra azy amin'ny toe-piainana ratsy dia ratsy sy misavorovoro tanteraka; satria tsy manantena fahasoavana izy amin'izany ary tsy manana faharetana izay mba manome hery azy sy manamaivana izany rehetra izany aminy.

Izany rehetra izany dia zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana avokoa; ary indro ohatra iray amin'izany, raha dinihinao tsara sy ampiharinao amin'ny toe-piainan'olona izany, dia ho hitanao tokoa ny fahasamihafana lehibe misy eo amin'olona mpino Islamo iray izay mampihatra ireo zavatra nanirahan'ny finoany azy, sy eo amin'olona iray izay mifanipaka amin'izany; satria ny finoana dia mandrisika tanteraka amin'ny fankasitrahana sy ny fananana fahafam-po amin'izay anjara nomen'i Allah, sy amin'ireo fahasoavana sy fanomezana maro samihafa izay nomeny an'ireo mpanompony.

Ny olona mpino Islamo ohatra, raha mandalo fitsapana izy, amin'ny alalan'ny aretina na fahantrana na ankoatra ireo, amin'ireo zavatra izay mety mandalo amin'ny fiainan'ny tsirairay, dia hitanao finaritra hatrany izy, noho ny finoany sy ny fananany fahafam-po sy fahaiza-mankasitraka amin'izay nomen'i Allah azy; ka tsy manahirana ny fony amin'izay tsy nosoratan'i Allah ho azy izy, ary mijery izay ambanimbaniny hatrany izy fa tsy mijery izay ambonimboniny; hany ka mety izy indray no sambatra sy falifaly ary miadana kokoa mihoatra olona iray izay manana an'izay ilainy rehetra amin'ny fiainana eto an-tany, raha toa ka tsy manana fahafam-po amin'izay nomen'i Allah azy ity farany.

Ary etsy ambadika indray kosa, ny olona izay tsy manao asa araky ny finoana, raha mandalo fitsapana amin'ny zavatra iray izy, toy ny fahantrana na fahalasan-javatra sasantsasany amin'izay ilaina amin'ny fiainana eto an-tany, dia hitanao latsaka anatin'ny hakiviana sy fahoriana tanteraka izy.

Ary indro ohatra hafa: Olona iray raha miseho amin'ny fiainany ireo zavatra mampatahotra sy manelingelina, dia ho hitanao fa ny olona manana finoana marina dia tsy taitra ny fony, tony ny vatany, vitany tsara ny mandrindra sy mampandeha izany zavatra manjo azy izany, amin'ny alalan'ny hevitra sy teny ary fihetsika araka izay azony atao. Efa nomaniny ny tenany amin'ny fiatrehana izany zavatra manelingelina mandalo izany. Ary zavatra tahaka izany dia mampitony ny olona sy mampilamina ny fony.

Ary ho hitanao fa mifanohitra amin'izany ny olona tsy manana finoana; raha miseho amin'ny fiainany ireo zavatra mampatahotra dia sorena ny fony, mikorontana ny vatany, sanganehana ny sainy, mivadi-po sy azon-tahotra tanteraka izy; ka samy hita aminy avokoa ny tahotra etỳ ivelany sy ny tebiteby ao anaty, izay tsy hay lazaina intsony hoe ohatra ny ahoana ny endriny.

Ary ny karazan'olona tahaka izany; raha misy tsy ananan'izy ireo ireo zavatra ilaina amin'ny fiainana eto an-tany, izay mitaky ezaka sy asa marobe ny fahazoana azy, ary tsy manana fomba ahazoana izany izy ireo, dia ho lany hery sy hikorontan-tsaina tanteraka izy ireo; ary izany dia noho ny tsy fananan'izy ireo ny finoana izay mitarika amin'ny fiaretana; indrindra amin'ireo toe-javatra sarotra sy fotoan'ny alahelo sy tebiteby mandalo amin'ny fiainana.

Ka ny olona tsara sy ny olona ratsy, ny olona mpino Islamo sy ny olona mpikomy, dia mitovy amin'ny fahefana manana herim-po sy amin'ny fananana toe-panahy voajanahary izay entina manamaivana sy manala ireo tahotra; saingy ny mpino kosa dia miavaka amin'ny alalan'ny herin'ny finoany sy ny fiaretany sy ny fananany fitokiana amin'i Allah sy ny fianteherany aminy ary ny fanantenany ny valisoa avy aminy; ary izany rehetra izany dia mampitombo ny herim-pony sy mampihena ny vesatry ny tahotra ary manamaivana aminy ireo zavatra sarotra; araka ny tenin'i Allah hoe:

﴿وَلَا تَهِنُواْ فِي ٱبۡتِغَآءِ ٱلۡقَوۡمِۖ إِن تَكُونُواْ تَأۡلَمُونَ فَإِنَّهُمۡ يَأۡلَمُونَ كَمَا تَأۡلَمُونَۖ وَتَرۡجُونَ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا يَرۡجُونَۗ ]النساء: 104[.

{Raha mahatsiaro marary ianareo, dia mahatsiaro marary tahaka anareo ihany koa izy ireo; saingy ianareo kosa dia manantena zavatra avy amin'i Allah, izay tsy ananan'izy ireo fanantenana} [An-nisaa: 104].

Ary izy ireo dia mahazo fanampiana avy amin'i Allah sy manovo avy amin'ny loharanony manokana ary mahazo famonjena avy aminy, ka manjavona ho azy ireo tahotra azon'izany.

Ary miteny Allah manao hoe:

﴿وَٱصۡبِرُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلصَّٰبِرِينَ ٤٦ ]الأنفال: 46[.

{Ary mahareta ianareo, fa tena marina Allah dia miaraka amin'ireo manam-paharetana (amin'ny alalan'ny fanampiany sy fitahiany ary fitantanany azy ireo)} [Al-anfal: 46].

 

 

Ary anisany amin'ireo zavatra izay manala ny ahiahy sy ny alahelo ary ny tebiteby ny fanaovana soa amin'ny zavaboary, amin'ny alalan'ny teny sy fihetsika ary amin'izay karazana asa soa rehetra.

Izany rehetra izany dia asa tsara sy fanasoavana avokoa; ary Allah dia manala amin'ny alalan'izany ireo sorisory sy fahasahiranan-tsaina amin'olona tsara sy amin'olona ratsy, arakaraky ny nataony tamin'izany; saingy ny olona mpino no tena mahazo anjara be indrindra amin'izany; ary ny mampiavaka azy (amin'olona ratsy) dia satria miainga amin'ny fahadiovam-po tanteraka ny soa izay ataony (izany hoe ataony amin'ny foton'i Allah), ary amin'ny fanantenana valisoa avy Aminy; ka hamorain'i Allah aminy ny fanaovana soa, noho ny fanantenana tsara izay ananany, ary arovany amin'ireo ratsy izy noho ny fahadiovam-pony sy ny fikatsahany valisoa avy amin'i Allah ihany. Miteny Allah manao hoe:

﴿لَّا خَيۡرَ فِي كَثِيرٖ مِّن نَّجۡوَىٰهُمۡ إِلَّا مَنۡ أَمَرَ بِصَدَقَةٍ أَوۡ مَعۡرُوفٍ أَوۡ إِصۡلَٰحِۢ بَيۡنَ ٱلنَّاسِۚ وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ ٱبۡتِغَآءَ مَرۡضَاتِ ٱللَّهِ فَسَوۡفَ نُؤۡتِيهِ أَجۡرًا عَظِيمٗا ١١٤ ]النساء: 114[.

{Tsy misy tombontsoa amin'ny ankamaroan'ireo resaka mangingina ifanaovan'izy ireo, afa-tsy izay maniraka amin'ny fanaovana Swadakat na asa soa na amin'ny fampihavanana eo amin'ny samy olombelona. Ary izay manao izany mba hikatsahana ny fankasitrahan'i Allah dia homenay valisoa lehibe izy} [An-nisaa: 114]

Ka eto Allah dia manambara fa ireo zavatra rehetra ireo dia tsara, na avy amin'iza na avy amin'iza; ary ny tsara dia mitaona ny tsara sy manakana ny ratsy. Fa ny olona mpino izay manao izany mba hikatsahany valisoa avy amin'i Allah kosa dia omen'i Allah valisoa lehibe; ary anisany amin'izany valisoa lehibe izany: ny fanjavonan'ny fahasahiranan-tsainy sy ny alahelony sy ny fahoriany sns.

 

# # #
TOKO

Ireo zavatra mampiala ny tebiteby izay ateraky ny fisavorovoroan-tsaina sy ny fisahiranan'ny fo amin'ireo zavatra manorisory:

Ary anisan'ireo zavatra mampiala ny tebiteby izay ateraky ny fisavorovoroan-tsaina sy ny fisahiranan'ny fo amin'ireo zavatra manorisory:

Ny fanaovana asa iray, na fifantohana amin'ny fitadiavana fahalalana iray mahasoa; satria izany dia mahatonga ny fo ho variana amin'ny zavatra hafa ankoatran'ilay zavatra izay mampitebiteby azy; ary mety ho hadinony amin'ny alalan'izany ireo zavatra izay nanahirana azy sy nitondra alahelo taminy; ka lasa falifaly ny tenany ary mitombo ny heriny sy ny zotom-pony. Ary izany zavatra izany ihany koa dia iraisan'ny mpino sy ankoatran'ny mpino; saingy miavaka kosa ny mpino amin'ny alalan'ny finoany sy ny fahadiovam-pony ary fikatsahany valisoa avy amin'i Allah amin'izany fitadiavany fahalalana na fampianarany fahalalana izany; ary manatanteraka ny tsara izay fantany izy; ka raha fanompoana izany dia tanterahiny amin'ny maha-fanompoana azy; fa raha asa aman-draharaha momba ny fiainana eto an-tany indray izany na koa fomba fanao andavanandro, dia ampanarahiny fikasana tsara (mba hanjary fanompoana), ka ny fikasany amin'izany dia ny mba hanampy azy amin'ny fankatoavana an'i Allah. Ary izany dia misy vokany lehibe amin'ny fanalana ny fahasahiranan-tsaina sy ny tebiteby ary ny alahelo. Firy tokoa moa ny olona izay nandalovan'ny tebiteby sy azon'ny fisavorovoroana lava tamin'ny fiainany, hany ka tratran'izao karazana aretina maro isan-karazany izao; nefa ny fanafodiny izay nahafaka izany rehetra izany dia: ny fanadinoany ny anton'ny fisavorovoroan-tsainy sy ny tebitebiny; ary ny fifantohany amin'ny fanaovana asa iray.

Ary izany asa izay ifantohany izany dia tokony ho asa tian'ny vatany sy mahafinaritra azy; satria izany dia mitarika kokoa amin'ny fahatanterahan'izany tanjona nirina izany.

Ary Allah no tena mahalala.

 

 

Ary anisany amin'ireo zavatra manala ny fahasahiranan-tsaina sy ny tebiteby:

Ny fifantohan'ny saina iray manontolo amin'ny fandinihana ny asa aman-draharaha amin'io andro io; ary esorina aminy ny fisahiranana amin'izay mbola ho avy; ary koa ny alahelo amin'izay efa lasa.

Izany indrindra no mahatonga an'i Mpaminany r nangata-piarovana amin'i Allah amin'ny tebiteby sy ny alahelo; satria ny alahelo dia mipetraka amin'ireo zavatra efa lasa izay tsy afaka averina no sady tsy hay ovana intsony. Ary ny tebiteby dia vokatry ny fatahorana zavatra mbola ho avy. Ka tokony hifantoka amin'ilay andro misy azy ny olona; ary manambatra ny heriny sy ny ezakany amin'ny fanatsarana ilay andro sy fotoana misy azy; satria ny fifantohan'ny fo amin'izany dia manosika amin'ny fanatontosana ny asa atao mba ho vita tsara, ary manome hery an'ilay olona manoloana ny tebiteby sy ny alahelo.

Ary ny Mpaminany r rehefa manao Doah iray, na manoro ny vahoakany amin'ny fanaovana Doah iray, tena marina izy amin'izany dia mandrisika -miaraka amin'ny fangatahana fanampiana amin'i Allah sy fanantenana fahasoavany- amin'ny fiezahana sy fikelezana aina amin'ny fanaovana ireo zavatra izay mitondra amin'ny fahazoana ilay zavatra izay tadiavina ary amin'ny fihatahana ireo zavatra izay manakana ny fahazoana izany; satria ny Doah dia mila miaraka amin'ny asa. Ka ny olona iray dia mila miezaka manao izay mahasoa azy amin'ny finoany sy amin'ny fiainany eto an-tany, ary mangataka amin'ny Tompony mba hampahomby ny zavatra kasainy ary mangataka fanampiana aminy amin'izany; araky ny nambaran'i Mpaminany r hoe:

«احْرِصْ عَلَى مَا يَنْفَعُكَ، وَاسْتَعِنْ بِاللهِ وَلَا تَعْجَزْ، وَإِنْ أَصَابَكَ شَيْءٌ، فَلَا تَقُلْ لَوْ أَنِّي فَعَلْتُ كَانَ كَذَا وَكَذَا، وَلَكِنْ قُلْ قَدَرُ اللهِ وَمَا شَاءَ فَعَلَ، فَإِنَّ لَوْ تَفْتَحُ عَمَلَ الشَّيْطَانِ» ]رواه مسلم[.

"Miezaha amin'ny fanaovana izay mahasoa anao, dia mangataha fanampiana amin'i Allah, fa aza miraviravy tanana. Ary raha misy zavatra manjo anao dia aza miteny hoe: Raha izao no nataoko dia ho toy izao sy izao; fa mitenena kosa hoe: Izany no lahatr'i Allah, ary izay sitrany no nataony; satria ny teny hoe "raha izao" dia manokatra ny asan'ny satana" [Notaterin'i Moslimo].

Ka eto i Mpaminany r dia nanambatra ireto zavatra ireto: voalohany ny fanirahana amin'ny fiezahana manao ireo zavatra mahasoa amin'ny raharaha rehetra sy ny fangatahana fanampiana amin'i Allah ary ny tsy firaviravian-tanana izay tsy inona fa hakamoana ratsy; ary faharoa ny fanekena manoloana ireo zavatra efa lasa izay efa vita ny momba azy, ary ny fijerena ny didin'i Allah sy ny lahatrany.

Ka nozarainy roa lehibe ny raharaha amin'ny fiainana:

An-daniny ireo zavatra izay afaka anaovan'ny mpanompo ezaka ny fahazoana azy na fahazoana izay mety azo amin'izany; na koa ireo zavatra izay afaka toheriny na koa ahenany. Ka amin'io dia tokony manao ezaka ny mpanompo ary mangataka fanampiana amin'ny Tompony.

An-kilany kosa ireo zavatra izay tsy afaka anaovany an'izany intsony. Ka amin'izay indray dia tokony ho tony manoloana izany ny mpanompo ary mankasitraka sy manaiky hatrany izay efa voalahatra. Ary tsy isalasalana fa ny fanaovana izany zavatra izany dia antony iray ahazoana ny hafaliana sy manala ny tebiteby sy ny alahelo.

 

# # #

TOKO

Ireo zavatra lehibe indrindra mitondra fanamaivanana ho an'ny fo sy fahatoniana ho azy

Anisany amin'ireo zavatra lehibe indrindra mitondra fanamaivanana ho an'ny fo sy fahatoniana ho azy: ny fahatsiarovana betsaka an'i Allah; fa izany dia misy vokany mahagaga amin'ny fitondrana fanamaivanana ho an'ny fo sy fahatoniana ho azy, ary fanalana ny tebitebiny sy ny alahelony. Miteny Allah ilay Avo indrindra manao hoe:

﴿أَلَا بِذِكۡرِ ٱللَّهِ تَطۡمَئِنُّ ٱلۡقُلُوبُ ٢٨ ]الرعد: 28[.

{Moa ve tsy amin’ny alalan’ny fahatsiarovana  an’i Allah no mahatony ny fo?} [Ar-ra'd: 28].

Ka ny fahatsiarovana an'i Allah dia misy vokany lehibe amin'ny fanatratrarana izany tanjona izany; noho ireo zavatra mampiavaka azy manokana sy noho ny fanantenan'ny mpanompo ireo valisoa sy fahasoavana azo amin'izany.

Ary toraka izany ny firesahana sy fahatsiarovana ireo fahasoavan'i Allah, ny miharihary amin'izany sy ny miafina; satria Allah dia manala ny tebiteby sy ny alahelo amin'ny alalan'ny fahafantarana sy firesahana an'izany; ary izany rahateo dia manosika ny mpanompo amin'ny fahaiza-mankasitraka; izay ambaratonga ambony sy mendrika indrindra; eny fa na dia miaina ao anatin'ny fahantrana aza ilay mpanompo, na koa aretina na ankoatra ireo amin'ireo karazana fahoriana.

Satria raha manao fampitahana izy, amin'ireo fahasoavan'i Allah aminy, izay tsy tambo isaina sy tsy hay faritana, ary amin'izay ratsy manjo azy; dia tsy misy dikany velively eo anatrehan'ireo fahasoavana ireo izany ratsy izany.

Ary ireo fahoriana sy zavatra ratsy ireo aza, raha tsapain'i Allah amin'izany ny mpanompo iray; ka nanana faharetana sy fankasitrahana ary fanekena manoloana izany, dia lasa maivana ny vesatr'izany ary mihena ny hirifiriny. Ary ny fandefasan'ny mpanompo ny sainy mandinika ny valisoa sy ny fahasoavana azony amin'izany ary ny fanompoany an'i Allah amin'ny alalan'ny faharetana sy fankasitrahana manoloana izany dia mahatonga ny mangidy ho lasa mamy; ka hadinony ny hirifirin'ny fiaretana manoloana ny hamamian'ny valisoany.

Ary anisan'ny fomba mahomby amin'izany indrindra ny fanarahana ny torolalana nomen'i Mpaminany r amin'ny Hadith marim-pototra iray, ka hoy izy hoe:

«انْظُرُوا إِلَى مَنْ هُوَ أَسْفَلَ مِنْكُمْ، وَلَا تَنْظُرُوا إِلَى مَنْ هُوَ فَوْقَكُمْ، فَهُوَ أَجْدَرُ أَنْ لَا تَزْدَرُوا نِعْمَةَ اللهِ عَلَيْكُمْ» ]رواه البخاري ومسلم[.

"Mijere izay ambanimbaninareo ianareo fa aza mijery izay ambonimboninareo; fa izany dia mahatonga ianareo tsy hanao tsinontsinona kokoa ny fahasoavan'i Allah eo aminareo" [Notaterin'i Al-bokhàri sy Moslimo].

Satria ny mpanompo iray raha mametraka mandrakariva izany lesona lehibe izany eo ambany masony, dia ho hitany fa izy dia mbola ambony kokoa mihoatra zavaboary maro, amin'ny fahasalamana sy ny tariny, ary amin'ny anjara masoandro sy ny tariny; na tahaky ny ahoana ny toe-javatra misy azy. Ka miala ho azy ny tebitebiny sy ny fahasahiranan-tsainy ary ny alahelony; fa vao mainka mitombo kosa ny hafaliany sy ny firavoravoany amin'ireo fahasoavan'i Allah aminy, izay nananany tombony kokoa mihoatra ireo izay mbola ambanimbaniny amin'izany.

Ary isaky ny mandefa fisainana lalina ny mpanompo iray, amin'ireo fahasoavan'i Allah aminy, ny miharihary sy ny miafina, ara-pinoana sy amin'ny fiainana eto an-tany; dia hahita tokoa izy fa ny Tompony dia efa nanome azy fahasoavana maro dia maro, ary niaro azy amin'ny ratsy maro isan-karazany. Ka mazava ho azy fa izany dia manala ny tebiteby sy ny alahelo ary miteraka hafaliana sy haravoana.

# # #

TOKO

Ireo zavatra izay miteraka haravoana ary manala ny tebiteby sy ny alahelo:

Ary anisan'ireo zavatra izay miteraka haravoana ary manala ny tebiteby sy ny alahelo:

Ny fiezahana amin'ny fanalana ireo zavatra izay miteraka tebiteby, ary amin'ny fanaovana ireo zavatra izay mitondra haravoana. Ary izany dia amin'ny alalan'ny fanadinoana ny efa lasa amin'ireo ratsy, izay tsy afaka averina intsony; ary fahafantarana fa ny fandefasana ny saina mieritreritra tsy tapaka an'izany dia zavatra tsy misy antony akory no tsy manova na inona na inona; ary ny fanaovana izany dia halefahana sy hadalana. Ka miezaka mandresy ny fo mba tsy hieritreritra an'izany intsony; ary miezaka mandresy ny fo ihany koa amin'ny fitebitebeny manoloana ny ho avy; vokatry ny fanahiany amin'ny fahantrana ohatra, na tahotra na ankoatra ireo, amin'ireo zavatra ratsy izay eritreretiny mety hiseho amin'ny fiainany any aoriana any.

Ka tokony ho fantany fa izay handalo any aoriana any, amin'ireo zavatra tsara sy ratsy, ary amin'ireo zavatra nirariana na koa fahoriana tsy nirina, dia tsy mbola fantatra avokoa; ary izany dia eo am-pelatanan'ilay Avo Tsitoha, ilay Be fahendrena; ary tsy misy azon'ny mpanompo atao manoloana izany afa-tsy ny fiezahana amin'ny fahazoana ny tsara sy fanosehana ny ratsy aminy fotsiny. Ary tokony ho fantan'ny mpanompo fa raha esoriny ao an-tsainy ny fitebitebena manoloana ny hoaviny, ary ankininy amin'ny Tompony ny fanatsarana izany, ary matoky Azy izy amin'izany, dia hiadana ny fony, handeha tsara ny fiainany; ary hisava ny fahasahiranan-tsainy sy ny tebitebiny.

Ary anisan'ny zavatra mahasoa indrindra manoloana ny fiatrehana ny ho avy: ny fanaovana ity Doah izay nataon'i Mpaminany r ity:

«اللهُمَّ أَصْلِحْ لِي دِينِي الَّذِي هُوَ عِصْمَةُ أَمْرِي، وَأَصْلِحْ لِي دُنْيَايَ الَّتِي فِيهَا مَعَاشِي، وَأَصْلِحْ لِي آخِرَتِي الَّتِي فِيهَا مَعَادِي، وَاجْعَلِ الْحَيَاةَ زِيَادَةً لِي فِي كُلِّ خَيْرٍ، وَاجْعَلِ الْمَوْتَ رَاحَةً لِي مِنْ كُلِّ شَرٍّ» ]رواه مسلم[.

"O Allah! Hatsarao ho ahy ny finoako, izay miaro ny raharaham-piainako. Hatsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny anjaram-pivelomako. Hatsarao ho ahy ny fiainako any ankoatra, izay toby hiverenako (aorian'ny fahafatesana). Ataovy ny fahavelomana mba ho tombon'ny hatsarana ho ahy amin'ny lafiny rehetra; ary ataovy ny fahafatesana mba ho fialan-tsasatra ho ahy amin'ny ratsy rehetra" [Notaterin'i Moslimo].

 

 

 

Ary toraka izany ihany koa ny teniny hoe:

«اللَّهُمَّ رَحْمَتَكَ أَرْجُو، فَلَا تَكِلْنِي إِلَى نَفْسِي طَرْفَةَ عَيْنٍ، وَأَصْلِحْ لِي شَأْنِي كُلَّهُ، لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ» ]رواه أبو داود بإسناد صحيح[.

"O Allah! Ny indrafonao no antenaiko, ka aza ankinina amin'ny tenako aho na dia indray mipy maso aza; ary hatsarao ho ahy ny raharahako rehetra; tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Ianao" [Notaterin'i Abo Dawod amin'ny Isnad Swahih].

Ka raha ny mpanompo iray manao tsy tapaka io Doah izay manatsara ny hoaviny amin'ny finoana sy amin'ny fiainana eto an-tany io, ka ataony amin'ny fony iray manontolo sy amin'ny fikasana marina izany, miaraka amin'ny fiezahana manao izay ahatratrarana izany; dia ho tanterahin'i Allah ho azy izany zavatra nangatahiny sy nantenainy ary nanaovany ezaka izany; ka lasa mivadika hafaliana sy haravoana ny tebitebiny.

 

# # #

TOKO

Ireo fomba tsara entina manala ny tebiteby sy ny fahasahiranan-tsaina, raha misy olana lehibe mitranga amin'ny fiainan'ny mpanompo iray

Anisan'ireo fomba tsara entina manala ny tebiteby sy ny fahasahiranan-tsaina, raha misy olana lehibe mitranga amin'ny fiainan'ny mpanompo iray:

Ny fiezahany amin'ny fanamaivanana izany, ka tombanany aloha ny endrika farany ratsy izay mety hiafaran'ilay zavatra, dia amboariny sy omaniny amin'iny ny sainy, ka aorian'ny fanaovany izany, aoka izy hiezaka amin'ny fanamaivanana izay azo amaivanina amin'izany, araka izay vitany. Satria amin'ny alalan'izany fanomanan-tena sy fiezahana tsara izany no mampiala ireo tebiteby sy sorisory; ary maka ny toeran'ireo avy eo: ny fiezahana manao izay mahasoa sy fiezahana manala ny ratsy, araka izay vitan'ilay mpanompo.

Ka raha misy zavatra mampatahotra mandalo amin'ny fiainany, na koa aretina, na sedran'ny fahantrana, na tsy manana zavatra iray amin'ireo zavatra tiany samihafa izy; dia aoka izy handray izany amim-pahatoniana tanteraka, ary hanomana ny tenany amin'ny fiatrehana izany, eny fa amin'ny fiatrehana izay mety ho ambonimbonin'izany. Satria ny fanomanan-tena amin'ny fiatrehana ireo loza dia anisan'ny manamaivana sy mampihena ny vesatr'izany.

Indrindra moa fa raha miezaka amin'ny fanoherana izany izy araka izay vitany; ka amin'izay fotoana dia samy hita aminy ireto zavatra ireto: ny fanomanan-tena sy ny fanaovana ezaka tsara, izay mahatonga ny saina tsy hiraikitra amin'ny fitomaniana ireo loza ihany; fa miezaka kosa izy mamolaka ny vatana hatrany mba hanavao ny heriny amin'ny fanoherana ireo zavatra ratsy; izay ampiarahiny mandrakariva amin'ny fianteherana amin'i Allah sy fananana eritreritra tsara aminy.

Ary tsy isalasalana fa ireo zavatra ireo dia misy vokany lehibe tokoa; satria mitondra fahasambarana sy filaminan'ny fo; ary mbola eo ihany koa ny fahasoavana eto an-tany sy any ankoatra izay antenain'ilay mpanompo ao ambadik'izany rehetra izany. Ary zavatra hita mibaribary sy azo tsapain-tanana izany; ary marobe ireo tantaran'olona efa nanandrana izany zavatra izany.

 

# # #

TOKO

Ireo fomba lehibe indrindra enti-mitsabo ireo aretim-po vokatry ny tebitebin-tsaina sy ireo aretina amin'ny vatana:

Anisany amin'ireo fomba lehibe indrindra enti-mitsabo ireo aretim-po vokatry ny tebitebin-tsaina, ary ihany koa ireo aretina amin'ny vatana:

Ny fahatanjahan'ny fo sy ny tsy fitebitebeny ary ny tsy fahatairany manoloana ireo ahiahy sy eritreritra tsy mitombina, izay entin'ny fisainana ratsy; satria raha milavo lefona manoloana ny ahiahy ny olona iray, ary mora taitaitra amin'izao rehetra izao ny fony, toy ny: fatahorana aretina sy ankoatra izany, na fahatezerana sy fikorontanan-tsaina manoloana ireo zavatra mahasorena, na fanahiana amin'ny fisehoan'ny zavatra ratsy na koa fahalasan'ny zavatra tiana; ka raha milavo lefona amin'izany rehetra izany izy dia ho latsaka anatin'ny fahasahiranan-tsaina sy tebiteby ary aretin'ny fo sy ny vatana ary fahasimban'ny saina; izay miteraka zavatra ratsy maro isan-karazany, izay efa niarahan'ny be sy ny maro nahita ireo zava-doza maro aterak'izany.

Fa raha miantehitra amin'i Allah kosa ny fo sy miankina aminy; ary tsy manaiky ho resin'ireo ahiahy, na koa hanjakan'ireo eritreritra ratsy; ka matoky tanteraka an'i Allah sy manantena ny fahasoavana avy aminy; dia manjavona tsy tavela aminy amin'ny alalan'izany ireo fahasahiranan-tsaina sy tebiteby; ary misava miala aminy ireo karazana aretina maro na amin'ny fo na amin'ny vatana; ka tsy hay lazaina intsony ny fahatanjahan'ny fony sy ny fisokafany ary ny haravoany vokatr'izany. Firy ireo hopitaly izay feno olona marary vokatry ny ahiahy sy ny eritreritra diso; firy ireo olona matanjaka izay efa norerahin'izany, ka mainka fa ireo olona malemy; eny fa firy ireo olona lasa adala sy lefaka vokatr'izany! Ka ny olona avotra amin'izany dia izay navotan'i Allah ary notarihiny ka nahay namolaka ny tenany mba hiezaka hitady ireo zavatra izay mampatanjaka ny fo sy manala ny sorisoriny ary ny tebitebiny. Miteny Allah ilay Avo Tsitoha hoe:

﴿وَمَن يَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِ فَهُوَ حَسۡبُهُۥٓۚ ]الطلاق: 3[

{Ary izay miantehitra amin'i Allah dia ampy azy Izy} [At-twalaq: 3].

Izany hoe ampy azy amin'izay rehetra manahirana azy amin'ny fiainany eto an-tany sy any ankoatra.

Ka izay miantehitra amin'i Allah dia matanjaka ny fony; tsy voahozongozon'ny ahiahy ary tsy taitaitry ny zava-mandalo amin'ny fiainana; noho ny fahalalany fa ny fahalemem-panahy sy ny tahotra izay tsy mitombina akory no mahatonga izany. Ary etsy ankilany izy dia mahafantatra fa Allah dia efa nandray an-tanana izay olona niantehitra aminy amin'ny alalan'ny fiarovana sy fanampiana azy feno. Ka matoky tanteraka an'i Allah izy ary milamina ny sainy manoloana ny fampanantenan'i Allah; ka misava ny fahasahiranan-tsainy sy ny tebitebiny; ary lasa maivana aminy ny fahasarotana izay niainany, ary mivadika hafaliana ny alahelony, ary manjary fahatoniana ny fatahorany.

Ka mangataka amin'i Allah isika mba hanao antsika ho salama tsy voan'izany rehetra izany; ary hanome antsika fo matanjaka sy tsy mihozongozona noho ny fianteherana feno amin'i Allah, izay efa nomeny antoka fa izay manao izany dia homeny izay tsara rehetra ary harovany amin'ny loza sy ratsy rehetra.

 

# # #

TOKO

Mikasika ny tenin'i Mpaminany r hoe: Ny mpino lahy dia tsy mankahala ny mpino vavy:

Misy lesona roa lehibe amin'ny tenin'i Mpaminany r hoe:

«لَا يَفْرَكُ مُؤْمِنٌ مُؤْمِنَةً، إِنْ كَرِهَ مِنْهَا خُلُقًا رَضِيَ مِنْهَا خُلُقًا آخَرَ» ]رواه مسلم[.

"Ny mpino lahy dia tsy mankahala ny mpino vavy; raha misy toetra tsy tiany ao aminy dia misy toetra hafa mahafinaritra azy foana koa ao aminy" [Notaterin'i Moslimo].

Voalohany amin'izany:

Torolalana mikasika ny fomba fiaraha-miaina miaraka amin'ny vady sy ny havana sy ny namana sy ny mpiara-miasa, ary izay rehetra misy fifandraisana sy zavatra mampitambatra anao aminy; fa hoe tokony hanomana ny tenanao ianao fa tsy maintsy misy kilema na fahabangana na zavatra tsy tianao foana amin'izany olona izany; ka rehefa mahita izany ianao dia ampitahao izany sy ny adidinao na ny tokony hataonao manoloana ny fifandraisanareo sy ny fitandrovana ny fifankatiavana misy eo aminareo; amin'ny alalan'ny fitadidiana ireo toetra tsara izay ananany sy ireo tanjona manokana na iombonana amin'ny fifandraisanareo.

Ary amin'ny alalan'izany fanampenana maso manoloana ny kileman'ny hafa sy ny fifantohana amin'ireo toetra sy zavatra tsara misy aminy izany no mahatonga ny finamanana sy ny fiarahana haharitra; ary izany rahateo no mitondra ny filaminan-tsaina ho anao.

Ny lesona faharoa:

Ny fialan'ny fahasahiranan-tsaina sy ny tebiteby, ary ny fitohizan'ny eritreritra madio sy ny fandalan'ny tsirairay ireo zon'ny hafa, na ny tsy maintsy na ny tsara atao amin'izany; ary ny fahatonian'ny andaniny sy ny ankilany. Ary izay tsy manaraka izany torolalana nomen'i Mpaminany (SAW) izany; fa nafamadiny kosa ny raharaha, ka ny ratsy foana no jereny, fa mitampi-maso kosa izy manoloana ireo toetra tsara, dia tsy maintsy hitebiteby hatrany izy, ary tsy maintsy miharava hatrany ny fifankatiavana misy eo aminy sy ny olona mifanerasera aminy; ary tsy ho voahaja ireo zo mifamaly, izay tokony hotandrovin'ny tsirairay.

Ary maro amin'ireo olona izay manana tanjona ambony sy fijery lavitra no manomana ny tenan'izy ireo amin'ny fiaretana sy ny fahatoniana rehefa miseho ireo loza sy zavatra mahasorena amin'ny fiainana; nefa eo anatrehan'ireo zavatra kely sy tsy misy dikany indray izy ireo no mitebiteby ary mikorontan-tsaina.

Ny anton'izany dia satria variana nanoman-tena amin'ny fiatrehana ireo zavatra lehibe fotsiny izy ireo fa navelan'izy ireo kosa izany ka tsy nampiomanin'izy ireo amin'ireo zavatra kely; ka lasa manimba azy ireo izany ary misy fiantraikany ratsy amin'ny filaminan-tsain'izy ireo. Ka ny olona tena mafy dia manomana ny tenany amin'ireo zavatra kely sy lehibe, ary mangataka fanampiana amin'i Allah mba hanampy azy amin'izany, ary tsy hanankina azy amin'ny tenany na dia indray mipy maso aza; amin'izay fotoana dia lasa mora aminy ihany koa ireo zavatra kely ireo tahaka ny nahamora ireo zavatra lehibe taminy; ka tony hatrany izy ary miadana ny fony sy milamina tanteraka ny sainy.

 

# # #

TOKO

Ny olona manan-tsaina dia mahafantatra fa ny fiainana mety sy tsara dia ny fiainana sambatra sy feno fahatoniana; ary izany fiainana izany dia fohy

Ny olona manan-tsaina dia mahafantatra fa ny fiainana mety sy tsara dia ny fiainana sambatra sy feno fahatoniana; ary izany fiainana izany dia fohy; ka tsy tokony ho laniany amin'ny fitebitebena sy filofosana amin'ny alahelo; satria mifanohitra amin'ny fiainana mety izany; ka tsy ekeny ho lanilanin'ny tebiteby sy alahelo izany fiainana kely ananany izany; ary mitovy ihany ny olona tsara sy ny olona ratsy amin'izany; saingy ny olona mpino no tena ahitana izany toetra tsara izany, ary mahazo anjara tombony amin'izany, na ela na haingana.

Ary raha misy zavatra ratsy manjo azy na misy zavatra mampatahotra azy dia tokony manao fampitahana izy eo amin'izany zavatra nanjo azy izany sy ireo fahasoavana maro izay azony, na ara-pinoana na amin'ny fiainana eto an-tany; satria raha manao fampitahana amin'izany izy dia ho tsapany fa betsaka tokoa ny fahasoavana misy aminy, ary misava ho azy izany zavatra ratsy nanjo azy izany.

Ary manao fampitahana ihany koa izy eo amin'ny zavatra ratsy izay ahiany hanjo azy, sy ireo fomba sy làlana maro mety mahatonga azy tsy ho voan'izany; ka tsy tokony havelany hanjaka aminy izany ahiahy tsy matanjaka izany eo anatrehan'ireo fomba sy làlana maro matanjaka mety mahatonga izany zavatra ahiany izany tsy ho voa azy.

Ka amin'ny alalan'izany no mampisava ny fahasahiranan-tsainy sy ny fatahorany; ary tombanany amin'ny endrika farany ambony indrindra ny zavatra ahiany mety hanjo azy, dia homaniny mialoha amin'ny fiatrehana izany ny tenany raha mitranga tokoa izany; ka avy eo miezaka izy manohitra izay tsy nitranga amin'izany sy manala izay nitranga na koa mampihena azy.

Ary anisan'ireo zavatra tsara ihany koa:

Ny fahafantaranao fa ny ratsy ataon'olona aminao, indrindra amin'ny alalan'ny teny ratsy, dia tsy mitondra ratsy aminao, fa mitondra ratsy amin'izy ireo ihany; raha tsy hoe misahirana sy mandany andro mandinika izany ianao, ary navelanao hanjaka amin'ny fihetseham-ponao izany; satria raha manao izany ianao dia lasa mitondra ratsy aminao izany toy ny fitondrany ratsy amin'izy ireo; fa raha tsy mivaky loha amin'izany ianao dia tsy mampaninona anao na dia kely aza izany.

Ary fantaro fa ny fiainanao dia manaraka ny fisainanao; ka raha fisainana mitondra tombontsoa ho anao amin'ny finoanao sy fiainanao andavanandro izany dia hiaina amin'ny fiainana tsara sy sambatra ianao; fa raha tsy izany dia mifanohitra amin'izay ihany koa.

Ary anisan'ny fomba mahomby entina manala ny fahasahiranan-tsaina: ny fanazaranao ny tenanao tsy hitady fankasitrahana afa-tsy avy amin'i Allah ihany; ka raha manao soa amin'olona manana zo aminao ianao na tsy manana zo aminao, dia fantaro fa eo aminao sy Allah izany, ka aza mivaky loha miandry fankasitrahan'ilay nanaovanao soa intsony; araky ny tenin'i Allah mikasika ireo mpanompony manokana hoe:

﴿إِنَّمَا نُطۡعِمُكُمۡ لِوَجۡهِ ٱللَّهِ لَا نُرِيدُ مِنكُمۡ جَزَآءٗ وَلَا شُكُورًا ٩ ]الإنسان: 9[.

{Amin'ny foton'i Allah no anomezanay sakafo anareo; tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay} [Al-insan: 9].

Ary ilaina indrindra izany amin'ny fiarahana sy fifandraisana amin'ny fianakaviana sy ireo zanaka ary ireo olona tena akaiky anao; satria raha nizarinao amin'ny fanesorana ny ratsy amin'izy ireo hatrany ny tenanao dia sady nampiadana azy ireo ianao no nampiadana ny tenanao ihany koa.

Anisan'ireo zavatra mitondra filaminan-tsaina ihany koa ny fikatsahana ireo fahasoavana sy fanaovana ezaka amin'izany araka izay mampazoto ny tena, fa tsy asiana faneren-tena tafahoatra izay mampitebiteby indray; ary mahatonga anao ho diso fanantenana tsy hahazo an'ilay fahasoavana akory; noho ny fanarahana làlana miolakolaka; ary izany dia anisan'ny fahendrena. Ary toraka izany ihany koa ny fandraisana ireo zavatra mamy sy tsara eo anatrehan'ireo zavatra manahiran-tsaina sy mitondra alahelo; satria mampitombo ny fahafinaretana izany ary manala ny alahelo.

Ataovy eo ambany masonao hatrany ireo zavatra mahasoa, ary miezaha amin'ny fanatontosana izany; fa aza miherika amin'ireo zavatra mitondra haratsiana; amin'izay ianao mba ho variana tsy hahatsiaro intsony ireo zavatra mitondra fahasahiranan-tsaina sy alahelo. Ary amin'ny fanatontosana ireo asa lehibe dia ampiasao ny fahatoniana sy ny fifantohan'ny vatana iray manontolo.

Ary anisan'ireo zavatra tsara ihany koa:

Ny fanatontosana ireo asa amin'iny fotoana iny fa tsy andrasana amin'ny fotoana ho avy; satria raha tsy vitaina avy hatrany ny asa dia lasa mitangorona manampy azy ireo asa tsy vita tany aloha, ary misosoka ireo asa mbola ho avy; ka manjary mavesatra be. Fa raha notontosaina amin'ny fotoany avokoa ny asa rehetra dia afaka miatrika ireo asa mbola ho avy ianao amin'ny fisainana matanjaka sy fiasana amin'ny hery.

Ary tokony hifidy ireo asa mahasoa izay tena lehibe sy ilaina aloha ianao izay vao ny ambanimbanin'izany; ary avaho tsara hoe inona no tena tian'ny vatanao sy tena mahafinaritra anao; satria ny mifanohitra amin'izany dia mahakamo sy mandreraka ary manorisory. Ary tokony hisaina tsara amin'izany ary maka hevitra avy amin'ny hafa; satria tsy hanenina izay mifanakalo hevitra amin'olona. Ary diniho sy saintsaino tsara ny zavatra tianao hatao; ka raha hitanao fa mahasoa tokoa izany, ary vonona tanteraka ianao hanao azy, dia ankino amin'i Allah; satria Allah dia tia ireo izay miankina Aminy.

Ary dera ho an'i Allah ilay Tompon'izao tontolo izao. Ary tsodranon'i Allah sy ny fiadanany anie ho amin'ny lehibentsika Mohammad sy ireo fianakaviany ary ireo mpanaradia azy.

 

# # #