Iza no nanoratra ny Evanjely?

Iza no nanoratra ny Evanjely?

Iza no nanoratra ny Evanjely?

من كتب الإنجيل؟ باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

 

 

Nosoratan’i Sheikh Ahmad Al-Amir

أحمد الأمير

 

 

Fandikan-Teny Nataony: 

EUROPEAN ISLAMIC RESEARCH CENTER (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

 

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

 

 

 

 

 

                

 

 

 

 

 

 

Ireo zavatra raketin’ity Boky ity

Irenaeus, Polycarp, Papiasy

Lalánan’ny testamanta vaovao

Ireo takelaka folo tamin’ny taon-jato faha-roa

Tsy misy ny antsoina hoe; ny tena Evanjely marina amin’ireo Evanjely efatra

Hafatra tsy fanta-pihaviana anatin’ny testamanta vaovao

Fihodinana malaky tamin’ny tantaran’ny testamanta vaovao

Ny Evanjelin’i Jaona sy ny filozaofy grika

Moa mpianatry Lehibe Mesia (Tso-drano enga anie eo aminy) ve ireo mpanotra ny Evanjely efatra?

Iza ary no nanoratra ny Evanjely, raha araka ny lovan-tsofin’i Mathieu?

Iza ary no nanoratra ny Evanjely raha araka ny lovan-tsofin’i Jaona?

Moa ve tamin’ny alálan’ny faminaniana avy tamin’ny fanahy masina no nanoratana ireo Evanjely efatra ireo?

Fijoroana vavolombelona amin’ny Evanjelin’i Lioka

Fijoroana vavolombelon’ny Fiangonana amin’ny fisian’ny forona fanampiny amin’ny Testamanta vaovao

Ny Evanjely araka ny lovan-tsofin’i Jesoa Ilay Mesia (Fandriampahalena enga anie aminy)

Iza no nanoratra ny testamanta taloha?

Fahaverezan’ny Taoraty (ny testamanta taloha)

Ny fanafenana sy fahaverezana betsaka amin’ireo toko ao amin’ny Boky masina

 

 

Teny fanolorana

Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be indrafo, Ilay be fiantrana

Dera sy fankasitrahana ho an’i Zanahary, Izay nandefa an’i Mohammad (saw) mba ho mpanome vaovao tsara sy mpampitandrina, sady mpiantso ho any amin’ny Tompo Zanahary, amin’ny alálan’ny baikony, sady ho jiro mpanazava. Izy (Allah) no nisafidy ireo Mpanaradia azy, ka nanome azy ireo fahasoavana lehibe. Oh Tompo Zanahary, tsofy rano sady andefaso fandriampahalemana amin’i Mohammad sy ny Fianakaviany, ary ireo Mpanaradia Azy, Tso-drano sy fandriampahalemana betsaka sady tsisy fahataperana.

Ka izao manaraka izao: 

Ny fikarohana amin’ny lálan’ny Tompo Ilay Mpahary: 

Raha teo tamin’ny faha-roapolon’ny taonako aho, dia nanomboka ny diako amin’ny fikarohana momba an’izao tontolo izao. Ka namangy ireo firenena maro maneran-tany aho, ary nifandray tamin’olona manana fomba amam-panao maro isankarazany sy fomba fiainana mahazatra samihafa, fa ny mahakasika ny fisamihafana amin’ny resaka finoana no nahaliana bebe kokoa ny fikarohako. 

Ka hitako tamin’izany ireo Lehiben’ny fivavahana Bodista sy ny fisarahan’izy ireo tanteraka amin’ny fiainana eto an-tány, ary ny fandanian’izy ireo fotoana manokana amin’ny fanompoany ny tompon’izy ireo Boda. Ary hitako ihany koa ireo Lehiben’ny fivavahana Kristianina, izay mitokamonina tanteraka amin’ny fiangonan’ireo Lehibe ka manokana ny fotoanan’izy ireo amin’ny fanompoana an’i Jesosy, Ilay Mesia Tompon’izy ireo.

Hitako torak’izany ihany koa ireo izay manompo hazo, vato, omby, voalavo, afo, ary ny harena sy ny hafa ankoatr’izay amin’ireo zava-boahary. 

Ary hitako koa ireo izay tsy mino mihitsy amin’ny fisian’ny Tompo, ary eo koa ireo izay mino amin’ny fisian’ny tompo, nefa miteny fa, tsy mahafantatra na inona na inona momba Azy.

Anisany zavatra nahafinaritra ahy ny mihaino ny tsirairay sy ny mahakasika ny fijeriny amin’ny zavatra izay tompoiny. Ka hitako ireo Bodista, fa tena mino tanteraka tokoa fa, ny fanarahana ny finoana bodisma no lála-mahitsy indrindra, ary ny lálana ankoatr’izay dia lálan’ny fahaverezana, raha akara ny fiheveran’izy ireo. 

Ary hitako koa ireo Kristianina, fa mino amin’ny fanompoana an’i Mesia, ary ny fanarahana ny Evanjely, no tena lálana mahitsy tokoa amin’izy ireo. Ary hitako ihany koa ireo izay tsy mino amin’ny fisian’ny Paradisa sy ny Afobe. Ary hitako tamin’ny fanisam-bahoaka maneran-tany, fa ireo mpanaraka ny fivavahana bodisma, dia mananika any ho any amin’ny roa lavitrisa maneran’izao tontolo izao. Ary ny mpino Kristianina maneran’izao tontolo izao ihany koa, dia any ho any amin’ny roa lavitrisa. Ny mpino Silamo maneran’izao tontolo izao ihany koa dia roa lavitrisa. Ary antapitrisany maro ireo izay tsy mino amin’ny fisian’ny Tompo Zanahary maneran’izao tontolo izao. Ary mazava hoazy fa, tsy eritreretina ny hahamarina ireo finoana rehetra izay inoan’izy ireo izay. Izany hoe; iray amin’ireo finoana marobe izay voalaza teo ireo fotsiny, no Finoana marina amin’izy ireo rehetra ireo. Fa ireo finoana hafa ankoatr’izay, dia finoana tsy marina daholo. 

Izany hoe; Ny Tompo izay nahary an’izao tontolo izao, dia Tompo Iray ihany. Ary ny finoany izay nalefany ho an’ny zanak’olombelona, dia finoana iray ihany. Satria ny finoana dia midika fa, lálana mankany amin’ny Tompo. Ary ny lálana mankany amin’ny Tompo Tokana, dia lálana iray ihany koa. Izany hoe; ny hanompoan’izy ireo Azy irery ihany, ka tsy hatambatra amin’ny zavatra hafa, sady tsy azon’izy ireo hatao ihany koa no manampy zavatra hafa amin’ny fanompoana Azy, na koa mampiditra karazana forona ao amin’ny Finoany izay iray ihany koa.

 

Iza ary izany Tompo Mpahary izany, ary inona ihany koa ny finoany marina?

Alohany hitadiavanao lálana handehanana amin’ny fiarakodia, ny zavatra tsy maintsy hataonao voalohany dia ny fahazoanao antoka tanteraka amin’ny lálana izay halehanao fa, lálana marina tokoa izany. Satria ny mifanohitra amin’izany dia ny fahaverezana sy fatiantoka, ary fandaniam-potoana miezaka hitady zavatra tsy misy. Ary tahak’izany ihany koa ny mahakasika ny fiainantsika eto an-tany, izany hoe; tsy maintsy mila azontsika antoka tsara fa, anatin’ny lála-mahitsy tokoa isika, izay hahazoantsika ny tranon’ny fahasambarana any amin’ny fiainana ankoatra any.

Moa ve azon’ireo Lehiben’ny fivavahana Bodista antoka tanteraka tokoa alohany hitokanan’izy ireo monina hanompo an’i Boda, fa anatin’ny fahamarinana izy ireo? Sa izy ireo dia vitany mandany ny fiainany eto an-tány fotsiny amin’ny fanarahana finoana, izay tsy tena finoana marina ho an’ny Tompo Mpahary? 

Ary moa ve mba azon’ireo Lehiben’ny fivavahana Kristianina antoka fa, anatin’ny lála-mahitsy izy ireo alohany hitokanan’izy ireo hiangona amin’ny toerana manokana hanompo an’i Mesia, ary ny Boky masin’izy ireo ve tena tenin’ny Tompo Mpahary tokoa? 

Ary efa azon’ireo tsy mpino, fa tsy misy tompo mihitsy no nahary an’izao tontolo izao, fa izao tontolo izao dia tonga dia nisy fahatany tahak’izao avy tamin’ny tsy nisy dia nisy fahatany, sa heverin’izy ireo fa, nanamboatra ny tenany izao tontolo izao, sa heverin’izy ireo ihany koa fa, tsy hisy fitsarana any aorian’ny fahafatesana any, sady tsy hisy Paradisa sy Afobe, ary mihevitra ve izy ireo fa, hitovy lanja ny hatsarana sy ny haratsiana ka tsy hotsaraina izany? Ary mihevitra koa ve izy ireo fa, izay olona mpanao heloka bevava tetsy an-tány, nefa tsy nandalo fitsarana akory, heverin’izy ireo ve, fa tsy handalo fitsarana mandrakizay mihitsy ve izy ireo aorian’ny fahafatesany?

Noho ny antony tsy maintsy hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia niezaka mafy aho mba hanampy ireo izay misanganehana, ireo izay mikaroka amim-pahamarinana marina ny lálan’ny fahamarinana. Ka nosantariko mafy voalohany indrindra tamin’ireo Kriatianina ny fijeriko, satria noho ny antony izy ireo no maro mpanaraka betsaka indrindra. Ary noho ny antony ihany koa, fa ny finoana Kristianina sy ny foto-pinoany, ary ny fampianarany, dia miorina amin’ny Boky masina. Ka noho izany anefa, dia tsy maintsy azontsika antoka tsara voalohany ny fananantsika ny tena reni-rano nipoiran’izany Boky masina izany, ary ny fahamarinany ihany koa. 

Ka ny fanotaniana mipetraka, dia ny hoe; Moa tena tenin’Ilay Mpahary, sy faminaniana avy any Aminy tokoa ve io Boky io, sa tenin’olombelona tsotra fotsiny izio, ka nohamasinin’ny sasany amin’ireo Kristianina?

 

NY MAHALEHIBE NY BOKY MASINA

Ny mahalehibe an’io Boky masina io, dia mivoaka avy amin’ireo Kristianina, izay miisa any ho any amin’ny roa lavitrisa mpanaraka manerantany. Ary noho ny antony io Boky io ihany no nananganan’ny Fiangonana ny vato fehizorony sy ny foto-pinoany. Ary tamin’ny alálan’izany ihany koa no nanoritany ny lálany mankany amin’ny fahafahana tanteraka. Ary misy amin’izany dia ny zavatra izay voalaza amintsika mahakasika ny fiainan’i Lehibe Mesia (Fandriampahalemana enga anie aminy), sy ireo tranga maro izay niseho taminy. Ary avy amin’izany ihany koa no akána ireny teny izay ampiasaina amin’ireny fihaonambe manerantany ireny, na fivoriambe parlemantera ireny. 

Tahak’izany ihany koa, fa avy amin’izany ihany koa no hakana ireo anatra, izay homena ireo mpianatra raha milahatra mamonjy lamesa amin’ny maraina any an-tsekoly manerana ny firenena Kristianina.

Ary misy ny sasany amin’ireo Filoham-pirenena no, mampiasa ireo teny avy amin’io Boky io, rehefa hiantso ady, na hanao fifanarahana ho fampiharana fandriampahalemana na fampitsaharana ny ady.

Ary hamafisina ihany koa, fa amin’ny alálan’io Boky io ihany no hanaporofoan’ny sasany amin’izy ireo amin’ny maha-mety sy ny tsy maha-mety ny fanambadian’olona mitovy taovam-pananahana (lahy sy lahy, na ny vavy sy vavy), sy ny raharaha maro ankoatr’izany.

 

IZA NO NANORATRA NY BOKY MASINA: 

Ny mpino Kristianina, dia mino fa ny testamanta taloha, dia efa voasoratra hatry tamin’ny fotoanan’ny Mpaminany Mosesy (Fandriampahalemana enga anie aminy) ny dimy tamin’ireo skriptiora masina. Fa ny sisa tamin’ireo testamanta taloha, dia nosoratana tamin’ireo Mpaminany izay tonga taorian’i Mosesy (AS), ary ny testamanta taloha hatry ny fotoanan’i Mosesy (AS), dia tsy nisy fiovana, na famadihana azy, sady tsy nitovanana zavatra hafa mihitsy, na tamin’ny fotoana oviana aza izany.

Ary mino tahak’izany ihany koa ireo Kristianina, fa ireo Evanjely efatra izay nisy tamin’ny testamanta vaovao, dia nosoratan’ireo mpianatry Lehibe Mesia, ireo izay nijoro vavolombelona tamin’ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany. Ary ny fiangonana, dia manana porofo mafonja mahakasika izany Evanjely izany, fa an’ireo mpianatry Mesia tokoa izany.

Mino torak’izany ihany koa ireo Kristianina, fa ireo Evanjely efatra ireo dia nosoratana tamin’ny alálan’ny fampahafantarana miafina sy faminaniana avy tamin’ny fanahy masina, ary teny masin’ny tompo tokoa izany, fa tsy tenin’olombelona velively. Ary mbola mino torak’izany ihany koa ireo Kristianina, fa tao ambonin’ilay tany izay nisy ny zava-nitranga (izany hoe: Palestine), ary ny soratra tena izy voalohany amin’ireo Evanjely ireo, dia mbola misy hatram’izao ary tehirizina amin’ny tranom-bokin’ireo fiangonana ireo. Ary mino ihany koa ireo Kristianina, fa ny Lehibe Mesia dia tsy nanana Evanjely mihitsy izy tamin’ny fiainany teto an-tány.

Ka noho izany, raha sitraka ny Tompo Allah (Tompo Zanahary/Zagnahary/Andriananahary) Ilay Avo indrindra, dia hiresaka mahakasika ireo zavatra izay hinoan’ireo Kristianina isika, araka ny Boky masina amin’ireo fizarana manaraka ireo.

 

 

 

FIZARANA VOALOHANY

Irenaeus, Polycarp, Papiasy.

Ireo anarana telo ireo no fanalahidy amin’ny tsiambaratelo amin’ny fahafantarana amin’izay nanoratra ireo Evanjely efatra ireo.

Izany hoe ; ireo anarana ireo, no fototra ijoroan’ny fomba rehetra amam-panaon’ny Fiangonana, ary indrindra moa ireo Evanjely efatra an’ireo mpianatr’i Mesia.

FOMBA AMAM-PANAON’NY FIANGONANA: ny dikan’izany dia; ireo raki-tsoratra voarain’ny fiangonana ankehitriny avy tamin’ireo Papa teo aloha.

 

IRENAEUS: 

Ny fiangonana dia tsy dia mahafantatra firy momba azy, na ny tantarany, na koa momba ny fiainany. Nefa ny zavatra fantatra momba azy kosa, dia fantatra fa Pretra tao Lyon Frantsa, izy. Izy izay teraka tamin’ny taona 140, ary maty tamin’ny taona 203. (Fa tsara ho fantarina ihany koa fa, ny fotoana izay nahaterahany sy ny nahafatesany, dia tsy tena fantatra mazava tsara raha araka ny tsy fitovisan-kevitra mahakasika izany. Fa ny tena marina, dia tsy fantatra mihitsy ny momba azy). Fa raha ny tena marina momba ny toerana nahaterahany, dia teraka tany Azia salantsalany izy, ary Raiaman-dReny Grika no niteraka azy. (Nefa na dia izany aza dia mbola misy tsy fitovisan-kevitra ihany momba ny nahaterahany tany Azia salantsalany izany).

Irenaeus, no voalohany nanohitra ireo vondrona Kristianina hafa sasany, ary nantsoiny tamin’ny anarana hoe: ”Heretika; izany hoe, izay miala amin’ny ara-dalána”, tahak’ireny Kristianina izay manaraka ny sekta Gnosticisma sy Montanisma. Ary izy dia efa nianatra ohabolana sy fiteny ary filaozofia grika.

Izy (Irenaeus), dia nantsoina tamin’ny anaram-bositra hoe; Dadan’ny fahazarana ara-piangonana, no sady nantsoina tamin’ny anarambositra hoe; Dadan’ny finoana Kristianina, ihany koa. Satria izy no nametraka voalohany ny fototry ny finoana sy ny foto-pinoana Kristianina. Ary izy mihitsy no reni-rano fototra iray izay ianteheran’ny fiangonana amin’ny fanamafisana fa, ireo mpianatr’i Mesia, no nanoratra ireo Evanjely ireo. Ary izy ihany koa no voalohany nanondro fa, ireo mpianatr’i Mesia, no nanoratra ireo Evanjely ireo, arak’izay hita ao amin’ny boky izay antsoina hoe; ”FANOHERANA IREO HERETIKA”, izay nosoratany tamin’ny taona 180.

Hamafisina, fa Eusebius of Caesarea, 260-339, (izay niaina nandritra ny taon-jato faha-telo sy fahefatra, ary izy dia nantsoina tamin’ny anarambositra hoe; Dadan’ny Tantaran’ny fiangonana, izany dia noho ny anton’ny asany tamin’ny fitehirizana ny tantaran’ny fiangonana tamin’ny fiantombohany), izay hita ao amin’ny bokiny antsoina hoe; ”Ny tantaran’ny Fiangonana” [5: tantanran’ny fiangonana, fizarana faha-valo, ireo tenin’i Irenaeus momba ireo skriptiora masina, Eusebius of Caesarea], izay nanambara fa, i Irenaeusdia nanambara izao manaraka izao ao amin’ny bokiny antsoina hoe; ”FANOHERANA IREO HERETIKA”: Hamafisina, fa Mathieu no nanaparitaka ny Evanjeliny tamin’ireo Hebreo, ary tamin’ny fitenin’izy ireo. Fa ry Petera sy Paoly kosa tamin’izany, dia nampiely sady nanangana fiangonana tany Roma.

Ka taorian’ny fahafatesan’izy roa ireo, dia nampita taminay i Marka –izay mpianatr’i Petera, ary tamin’ny fotoan’androny dia fantatra izy tamin’ny fitenenana hoe-: Fanoratana ireo asa izay nataon’i Paoly. Ary i Lioka- izay mpanaraka maharitra an’i Paoly, no nanoratra ny Evanjely izay naelin’i Paoly. Taorian’izany dia naparitak’i Jaona izany, izay mpianatr’i tompo, izay matory mitsiketraka miaraka amin’ny Evanjely eo ambonin’ny tratrany tamin’ny fotoana izy nonina tao Afsosy, tany Azia”.

Fa mahakasika manokana ny tahirin-tsoratr’i Irenaeus, diaefa nanjavona daholo izany rehetra izany, nefa mbola nisy bokiny izay vita dika-teny Latina, izay mitondra anarana hoe: ”FANOHERANA IREO HERETIKA”, tahak’izany ihany koa, fa misy vita dika-teny Armania, ny bokiny izay antsoina hoe: ”POROFON’NY FAMPIELEZAN-KAFATRA MASINA”. Ka noho izany ezaka rehetra izany, no mahatonga ireo karazana lalána teorika kristianina eny amin’ny fiangonana. Izany hoe; satria ny fiangonana dia efa nanorina ny foto-pinoany amin’ireo fandikan-teny Latina sy Armania, raha mahakasika ireo bokin’i Irenaeus, fa mbola tsy nikaroka ny tena reni-rano nipoirana mihitsy izy ireo. Sady tsy fantatry ny fiangonana akory ny momba an’izay nanao ny dika-teniny, hoe; marina tokoa ve ilay olona mpandika-teny sa tsia. Fa vaomaika tsy mahafantatra betsaka mombamomba an’i Irenaeus mihitsy ny fiangonana!!

Hamafisina, fa efa nilaza i Irenaeus amin’ny bokiny izay antsoina hoe; ”Fanoherana ireo heretika” fa, fony izy mbola zazakely dia tonga miatrika ny fampianaran’ny Masindahy izay antsoina amin’anarana hoe; Polycarp Maritiora. Aryvoalaza koa fa, i Polycarpdia efa mpianatr’i Jaona bin Zabady, izay mpianatr’i Mesia. Voalaza koa fa, Polycarpdia nanambara fa, ny Evanjelin’i Jaona, dia nosoratan’ny mpampianatr’i Jaona bin Zabady, izay mpianatr’i Mesia. Ary voalaza ihany koa fa, i Polycarp dia nanana namana izay antsoina hoe; Papiasy, ary fantatra fa, i Papiasy dia efa nanambara fa, ny Evanjelin’i Mathieudia nosoratan’i Mathieuihany, ary ny Evanjelin’i Marka dia nosoratan’i Marka ihany, izay mpianatr’i Petera.

Ny Testamanta vaovao, raha araka ny nambaran’i Irenaeus, diamisy ampahany amin’ny Evanjelin’i The Shepherd of Hermas (ilay mpiarakandron’ny Hermas), izay nosokajian’ny fiangonana ho AbouKareva! Ka noho izany, ahoana aryno hianteheran’ny fiangonana amin’ny tenin’ny Irenaeus, amin’ny fianteherana amin’ireo Evanjely efatra, nefa mampandainga azy amin’ny fianteherana amin’ny Evanjelin’i The shepherd of Hermas (ilay mpiarakandron’ny Hermas)?! 

 

SAINT POLYCARP BISHOP OF SMYRNA, 70-166: 

Ny fiangonana dia tsy mahalala na inona na inona momba azy, afa-tsy izay nambaran’i Irenaeus ao amin’ny bokiny izay antsoina hoe; ”NY FANOHERANA IREO HERETIKA”, fa hoe; mpianatr’i Jaona bin Zabady hono izy, izay mpianatr’i Mesia. Ary nilaza izy fa, ny Evanjelin’i Jaona dia asa-soratr’i Jaona bin Zabady. Ka noho izany, dia mazava fa, i Polycarp no fifandraisana tokana izay mampifandray amin’ireo Iraka, ireo mpianatr’i Mesia, ireo izay niaina tamin’ny taon-jato voalohany amin’ireo Papan’ny fiangonana tamin’ny taonjato faha-roa.

Ary nilaza ihany koa i TERTULLIAN, 155-240, fa i Polycarp, dia mpianatr’i Jaona bin Zabady. Nefa izany fijoroany vavolombelona izany, dia manambara fa, mbola zavatra efa nolazain’i Irenaeusihany no nambarany. Satria noho ny antony fa, i Tertullian, dia teraka iray taona alohany hifatesan’i Polycarp. Izany hoe; tsy nahita azy tamin’ny fiainany mihitsy izy, ka noho izany no tsy handraisana ny fijoroany vavolombelona!

 

PAPIASY: 

Ny fiangonana dia tsy mahalala na inona na inona momba an’iPAPIASY, afa-tsy izay nambaran’iIrenaeus ao amin’ny bokiny, izay antsoina hoe; ”NY FANOHERANA IREO HERETIKA”, fa hoe; naman’iPolycarpizy, ary naheno avy tamin’i Jaona bin Zabadykoa izy, no sady Pretra tao amin’ny Herapolis ihany koa izy. Ary mbola nilaza ihany koa izy fa, ny Evanjelin’i Mathieu, dia zavatra nosoratan’i Mathieu, ary ny Evanjelin’i Markakoa, dia zavatra nosoratan’i Markaihany koa, izay mpianatr’i Petera.

Hamafisina, fa Eusebius Caesarea, dia nilaza ao amin’ny bokiny izay antsoina hoe; ”NY TANTARAN’NY FIANGONANA”, fa i Papiasy dia nanondro fa, i Mathieu no anaran’ilay olona izay nanoratra ny Evanjelin’i Mathieu, araka izao teniny manaraka izao: ”Ary tahak’izao no nanoratan’i Mathieu ireo teny masina tamin’ny fiteny hebreo, ary samy namakafaka izany ny tsirairay araka ny fahafahany mandinika”.

Ary efa nilaza ihany koa i Eusebius Caesarea, fa i Papiasy dia nanondro fa Marka no anaran’ilay olona nanoratra ny Evanjelin’i Marka, izay isany mpianatr’i Petera, raha arak’izao teneniny manaraka izao: ”Hamafisina, fa i Marka no niresaka tamin’ny anaran’i Petera, izay nosoratany ara-dalána tsara, na dia tsy milahatra araka ny tokony ho izy aza izany, izay rehetra tadidiny tamin’ny zavatra nambaran’i Mesia na ireo asa nataony. Satria izy dia tsy naheno an’ny Tompo no sady tsy nanaraka azy. Nefa raha arak’izay nambarako, dia nanaraka an’i Petera izy taty aoriana, izay fantatra fa, nampanarahany ny filan’ireo mpihaino azy ny fomba fampianarany. Ka tsy nikasa mihitsy izy amin’ny hampifanaraka ny tenin’ny tompo amin’ny sasany hafa”. 

Fantatry ny fiangonana torak’izany ihany koa, fa i Papiasy, dia efa nahasoratra boky miisa dimy, izay mitondra ny anarana hoe: ”FAMAKAFAKANA NY TENIN’NY TOMPO”, nefa ireo boky ireo dia tsy misy fiantraikany akory, afa-tsy ny raki-tsoratra sasan-tsasany ao amin’ny tahirin-tsoratr’i Irenaeus, ihany!!

Nefa mampalahelo ihany, satria ny reni-rano tokana izay nakan’ny fiangonana izay rehetra mahakasika an’i Papiasy, dia mbola ny zavatra izay nolazain’i Irenaeus fotsiny. Na izay rehetra nosoratan’ireo Papa, momba an’i Papiasy dia mbola zavatra azo avy tamin’izay nolazain’i Irenaeus ihany!

ARAKA IZAY VOALAZA AO AMIN’NY BOKIN-TANTARAN’NY FIANGONANA IZAY NOSORATAN’I EUSEBIUS CAESAREA, DIA IZAO MANARAKA IZAO

“Manambara i Irenaeus, mahakasika ireo Boky dimy, izay nosoratan’i Papiasy, dia asan-tanan’i Papiasy manokana tokoa izany, ka niteny i Irenaeus hoe: ”Ireto zavatra ireto, izay nijoroany vavolombelona tamin’ny alálan’i Papiasy, arak’izay ao amin’ny bokiny fahefatra, izay anisan’ireo boky dimy, ary efa voasoratra avy tany aminy izany. Ary i Papiasy, dia lehilahy antitra, izay naheno avy tamin’i Jaona, ary naman’i Polycarp ihany koa izy”. Ka ny tena marina, dia raha i Papiasy, dia mbola tsy nisy andro nilaza tao amin’ny teny fanolorana ao amin’ny bokiny, fa naheno, na nahita-maso iray tamin’ireo Iraka izy, ireo izay mpianatr’i Mesia. Fa ny zavatra nataony fotsiny, dia ny hoe; fanondroana fotsiny, tamin’ny fampiasany ireo teny, fa izy dia nahazo fampianarana ara-pinoana avy tamin’ireo olona ireo, izay naman’ireo Iraka!”. [10: The church history of Eusebius, chapter xxxix, the writings of Papias. Aeterna Press].

Ka arak’izay hitantsika, fa i Eusebius dia nanambara ireo tenin’i Irenaeus, momba an’i Papiasy, tamin’ny alálan’ny tsianjery fotsiny. Ary izay nambaran’i Irenaeus, fa: ”Papiasy dia lehilahy antitra… no sady naman’i Polycarp ihany koa izy”. Izy dia maminany aminay, tahaka izy mitantara zavatra hafa tanteraka, izay miezaka te-hampahafantatra ny tenany, fa izy no fototra, ka tsy fantatra akory.

Ka izany no mampiahiahy anay tanteraka amin’ny fisian’izany olona antsoina hoe; Papiasy, izany ho fototra nipoirana.

Tsy misy porofo izay manamarina ny fisiany, na amin’ireo asa-soratrany, na koa amin’ny fahenoany avy tamin’ny Jaona bin Zabady, afa-tsy ny filazan’i Irenaeus fotsiny!!

Moa ve mbola tsy nisy namana na mpianatra mihitsy izany i Papiasy?

Moa ve mbola tsy naheno mihitsy izany ny fiangonana, afa-tsy izay nosoratan’i Irenaeus fotsiny?

Ahoana ary no tsy hampalaza ny olona anankiray, izay manana izany andraikitra lehibe sy toerana ambony izany, na koa aza ny tsy hampalaza ireo bokiny ireo anatrehan’ny fiangonana?

Fa ireo tahirin-tsoratra izay nosoratan’i Irenaeus tao anatin’ny bokiny, ka nolazainy fa, an’i Papiasy, izay manambara fa Irenaeus dia tsimaintsy nanana bokin’i Papiasy teo ampelan-tánany, ka naka avy tamin’izany izy. Nefa, noho ny antony fa, ireo boky ireo dia mbola tsiary voatahiry mihitsy,, ary tsy nisy nilaza momba ny fisiany afa-tsy Irenaeus irery ihany!!

Ary manambara ihany koa i Eusebius Caesarea, manao hoe: ”Mazava aminay amin’ny alálan’ny soratr’i Papiasy (izany hoe; ireo tahirin-tsoratr’i Irenaeus, izay nambarany fa an’i Papiasy) fa, i Papiasy dia lehilahy tsy dia kinga-saina loatra, no sady voafetra ihany koa ny fahafantarany”. 

Ka raha araka ny fitsarany fa, lehilahy tsy dia kingasaina i Papiasy, dia noho ny antony anankiroa izao: Ny antony voalohany dia; Papiasy dia nino amin’ny “Fanjakana faharivo taona”[11: Millennialism, the millennial kingdom] ho fitaovana.(izany hoe; raha araky ny famakafakana ara-bakitenin’ny Bokin’ny faminaniana (the Apocalypse, the Revelation)momba ny Fanjakana faharivo taona), izay mino fa, ny Lehibe Mesia dia mbola hiverina eto an-tány ka hintondra mandritra ny Arivo taona. Ary ireo mpino tsara, izay mino azy dia hitsangana amin’ny maty amin’izany fotoana izany, ka hitantana miaraka aminy mandritra ny arivo taona (izay antsoin’izy ireo hoe; Ny fitsanganana amin’ny maty voalohany ho azy ireo, ary amin’izany fotoana izany dia tsy hitsangana amin’ny maty mihitsy ireo hafa ankoatra azy ireo afa-tsy amin’ny faran’andro lehibe farany). Ary ireo olon-dratsy dia hifindra lavitra, ka hanjaka amin’izany faharivo taona izany ny fandriampahalemana. Ka noho izany, dia hanome tsiny an’i Papiasy i Eusebius, fa izy no tao afaran’ny ankamaroan’ireo Papan’ny Fiangonana taoriany, tahaky ry Irenaeus. (Ary ry [12: St.Justin Martyr [Latin: Iustinus Martyr, 100-165], sy Tertullian, Methodius of Olympus, sy ny hafa ankoatra azy ireo), dia nanaiky ny hevitra mitovy amin’izany, sy ny finoana marina amin’ny Fanjakana faharivo taona manokana.

Ary ny antony faharoa: Mazava tsara fa, Papiasy dia tsy manana fahafahana hampiavaka zavatra, ka noho izany mihitsy no nahatonga azy matetika mitatitra zavatra forona, sy mitondra fampianarana hafahafa tsy faheno. Ka miteny izy hoe: izany zavatra rehetra izany dia tonga aminy noho ny fanarahana tsotra azo am-bava fotsiny. [14: www.catholicculture.org/commentary/articles.cfm].

Izany no foto-pinoana amin’ny ankabetsahan’ireo fiangonana kristianina, nefa tena vitsy dia vitsy amin’ireo Papan’ny fiangonana tokoa, no mba nampihatra izany. Ary isan’izany, dia; Origen of Alexandria (c.184-c253), sy St. Dionysius of Alexandria, Eusebius, Basil of Caesarea (c.330-c.379), ary i Gregory of Nyssa, (C.335-C.395).

Ary isan’ireo izay nampihatra izany heretisma izany ihany koa, dia i Masindahy st. Augustine of Hippo (C.354-C.430), raha amin’ny ara-bakiteny sy ara-pitaovana.

Ary nilaza fa, izay mino ny foto-pinoan’i Papiasy dia voasokajy ho nivadika amin’ny finoana! 

Ka noho izany, raha mahakasika ny finoan’ny fiangonana Ortodoksa sy ny katolika amin’ny fanjakana faharivo taona taty aoriana, dia lasa mifikitra amin’ny tsy maintsy hahafantarana azy mba ho famantarana fotsiny, fa tsy ara-bakiteny akory. Ary izany fanjakana izany, dia efa nanomboka hatry ny foatoanan’ny Mesia, ary ny fiangonana ankehitriny no fanjakana ho an’i Mesia eto an-tany.

Fa mahakasika manokana indray ny fiangonana protestanta, dia mbola mino amin’ny fanjakana faharivo taona amin’ny ara-bakiteny mandraka ankehitriny amin’ny androntsika izao!

Ka hiverina indray mandeha indray isika hiresaka manokana ny fiainan’i Papiasy, hoe; manana ny maha izy azy manokana marina ve izy, sa manaraka ny sori-dálan’i Irenaeus fotsiny. Ka mahakasika an’izay mihitsy no hanambaranay, fa: satria efa nilaza i Irenaeus, fa i Papiasy dia efa naheno momba ny “Fanjakana faharivo taona”, (izany hoe: amin’ny dikany ara-bakiteny sy ara-pitaovana) tamin’i Jaona bin Zabady. Ary ny fiangonana voalohany sy ny ankehitriny raha mbola miteny fa, izany dia resaka forona sy heretisma fotsiny, satria tsy misy mihitsy ny antsoina hoe; Fanjakana faharivo taona izany, raha ara-bakiteny sy ara-pitaovana no resahina. Ary zavatra tsy hinoana velively mihitsy ny hanambaran’i Jaona bin zabady ny zavatra mitovy amin’izany heretisma sy forona izany. Ka noho izany, dia mazava hoazy fa, izay nambaran’i Irenaeus momba an’i Papiasy, dia tsy inona afa-tsy angano fotsiny, fa tena zavatra tsy misy velively, ary i Papiasy dia olona manana ny maha izy azy tamin’ny fanarahany ny lálan’i Irenaeus, izay tsy hita taratra intsony ankehitriny.

 

KA NY FANONTANIANA MIPETRAKA AMIN’IZAO MOMBA IZANY, DIA:

Fa naninona no nandainga i Irenaeus tamin’ny nilazany ireo olona manana ny maha izy azy ireo? Izany hoe; ry Polycarp sy Papiasy, ary nilaza koa izy fa, izy ireo dia naheno mivantana avy tamin’i Jaona bin Zabady, ary avy eo, dia nilaza izy fa, izy ireo no nanambara fa: ny Evanjelin’i Jaona dia asa-soratr’i Jaona bin zabady?

Ary ny valin’izany dia; satria i Irenaeus no nampiasa betsaka ny antsoina hoe; Heretisma sy ny forona, izay nanonja tamin’ny taonjato faharoa. Ary Irenaeus, dia tena niankina tanteraka tamin’ny Evanjelin’i Jaona, raha araka ny valin-teniny mahakasika ireo resaka heretisma ireo. Ka noho izany, dia mazava ho azy, fa nametraka hadisoana ao amin’izany Evanjely izany, izay azony avy tamin’i Jaona bin zabady izy, izay mpianatr’i Mesia. 

Ary avy eo, dia mbola namorona koa izy, momba manokana ny fiainan’i Polycarp, ary nambarany amin’izany, fa i Polycarp no mpampianatrany. Nefa mbola nilaza koa izy fa, Polycarp dia mpianatr’i Jaona bin zabady. Ka noho izany mihitsy no nahatonga ny teniny eo anatrehan’olona rehetra ho zavatra marina, ary mba hanamarinany fa, io foto-pinoana izay hitany io no foto-pinoana marina tokoa. Ary izany no porofo famantarana ho entiny hanoherana ireo Pretra maro hafa mpanohitra ny heviny sy ny fampianarany.

NISY IZAY NITENY HOE

“Tsy Irenaeus mihitsy no handainga tahaka ireny lainga ireny, izay tsy eritreretina mihitsy izany. Tahaky ny hoe; fa ny filazany fa an’i Jaona bin Zabady, izay mpianatr’i Mesia, ny Evanjely izay tsy fanta-pihaviana, ary ny filazany tsy amim-pahamarinana ny momba an’ireo olona tena manana ny maha izy azy ireo tokoa. Ary dia; Polycarp sy Papiasy dia isan’ireo olona manana ny maha izy azy amin’izany!”.

Ka noho izany dia mamaly azy izahay ka milaza hoe: raha arak’izay voalaza ao amin’ny tahirin-tantaran’ny Encyclopedia britanika, fa: ”ny kristianina, dia tsy nino velively amin’ny resaka fitaka na fivadihana (amin’ny hilazan’izy ireo fa, ilay Evanjely tsy fanta-pihaviana, dia an’iray amin’ireo mpianany)” (ary mbola ho hazavainay eto mahakasika io raharaha io amin’ny fizarana manaraka, raha sitraky ny Tompo Allah).

Ary ny olona izay nanatanteraka izany fihetsika izany, dia tsy nahatsapa mihitsy fa, mampndainga an’i Mesia na mampandainga ny finoana izy. Fa izy dia nandainga noho ny antony Mesia sy ny antony finoana, ary ny fanamafisana ny foto-pinoana, izay heveriny fa, izany no foto-pinoana marina tokoa.

Tamin’ny fotoanan’i Irenaeus, nanana Evanjely teo am-pelan-tanany, izay nolazainy fa an’i Jaona bin Zabady, dia betsaka ihany koa ireo Pretra lehibe tamin’izany fotoana izany, izay nanana Evanjely maro hafa izy ireo, izay nolazain’izy ireo fa an’ireo mpianatr’i Mesia!

Nefa Irenaeus, dia nitsikera ireo Evanjely hafa ireo, ary nambarany fa an’i Aboukreva izy ireo, na koa nambarany fa ireo mpianatr’i Mesia no tompon’ireo Evanjely ireo, izay lainga sady diso!

Ka noho izany, ho an’izay milaza fa i Irenaeus, dia tsy afaka hampandainga ny Evanjelin’i Jaona, izay an’i Jaona bin zabady.

Ary tsy nahatsapa fandresena mihitsy Irenaeus tamin’ireo izay nanohitra azy, dia ireo Pretra lehibe ihany! Izany hoe; nanendrikendrika azy ireo amin’ny filazana lainga izy, mahakasika ny filazany fa an’ireo mpianatr’i Mesia ireo Evanjely ireo, izay teo am-pelantanan’izy ireo tamin’izany. Nefa tsy naheno famantarana avy tamin’izy ireo na avy tamin’i Irenaeus akory, no sady tsy nahafantatra na inona na inona fahamarinana momba azy ireo!

 

NY FAMARANANA ITY FIZARANA ITY: 

  1. Ny fiangonana dia tsy manana fahafantarana betsaka mihitsy momba an’i Irenaeus.
  2. Ny fiangonana ihany koa dia tsy manana takelaka amin’ireo bokin’i Irenaeus.
  3. Ny fiangonana dia nanangana ny foto-pinoany sady nanamafy izany ho an’ireo mpanoratra ny Evanjely efatra, izay manana ny maha izy azy ireo avy tamin’ny alálan’ny fandikana ireo Evanjely amin’ny fiteny Latina sy Armania amin’ireo bokin’i Irenaeus.
  4. Ny fiangonana dia tsy mahafantatra izay nanoratra ireo boky ireo, na olona marina tokoa ve izy ireo na tsia.
  5. Ry Polycarp sy Papiasy dia tsy fantatra ny momba azy ireo, sady tsy nisy nahafantatra ny momba azy ireo mihitsy na iray tamin’ireo Papan’ny Fiangonana rehetra teo aloha, afa-tsy Irenaeus ihany no tsy nananan’ny fiangonana fahalalana betsaka ny momba azy.
  6. Eusebius Caesarea dia efa nanambara fa, i Papiasy dia lehilahy tsy tena kingasaina, manana fijery voafetra (sarotra mandray zavatra), sady nino amin’ilay fanjakana faharivo taona ara-pitaovana ihany koa izy, ary izy ihany koa dia tsy nanana fahafahana amin’ny fanavahan-javatra, ka noho izany dia matetika izy no mitatitra zavatra tsy marim-pototra, sy fampianarana vaovao tsy fanta-pihaviana, izay nolazainy fa, fampianarana azony mivantana ambava.
  7. Masindahy St. Augustine dia nanasokajy fa, izay olona mino amin’ny foto-pinoan’i Papiasy dia olona nivadika amin’ny finoana.

 

 

 

NY FIZARANA FAHAROA

NY LALÁNAN’NY TESTAMANTA VAOVAO

ANTONY MAHATONGA NY FILAZAN’NY FIANGONANA NY LALÁNAN’NY TESTAMANTA VAOVAO: 

Maro amin’ireo Pretra no mananosatra mahakasika ireo Evanjely efatra an’ny mpianatr’i Mesia ireo, satria noho ny antony, fa tsy ekehin’ny saina ny hanambaran’izy ireo fa, mino amin’ny Baiboly tokoa izy ireo, izay tsy fantany ny loharano nipoirany, na izay nanoratra azy, na koa ny toerana nanoratana azy! 

Ka noho izany no antony mahatonga azy ireo miezaka hatrany mamorona porofo na dia marefo tahaky ny inona aza ny faharefoan’izany, ary rehefa avy eo, dia ataony mifampiditra izany, ary ny firafitry ny teny, dia tahaky ny tantara fotsiny, izay ampidirina antsainan’ny vahoaka.

POROFON’NY FIANGONANA MAHAKASIKA NY LALÁNAN’NY TESTAMANTA VAOVAO: 

Raha mametraka fanontaniana mahakasika ny lalánan’ny testamanta vaovao, dia hitantsika tsara fa, misy fizarana lebibe eo amin’ireo samy Pretra amin’ireny fiangonana ireny. Satria misy amin’izy ireny no miaiky fa, ireo mpanotra ny testamanta vaovao dia olona tsy fantatra ny momba azy ireny. Ary raha izay voalaza ao amin’ny Evanjely, raha araka ny lovan-tsofindry Mathieu, Marka, Lioka, ary Jaona dia zavatra efa nitovanana tany amin’ny taonjato faharoa tany, izay tsy misy porofo mafonja manambara ny fahamarinan’izany. Ary misy amin’izy ireo ihany koa no mananosarotra tokoa amin’ireo Evanjely efatra ireo, izay an’ny mpianatr’i Mesia. Ka nametraka porofo marefo, izay tsy marim-pototra izy ireo, izay efa nalamina sy namboarina tsara amin’ny fomba feno fitaka, mba hino an’izany ny mpamaky tsotra. Ary izao manaraka izao ny ampahany amin’ireo porofo izay ianteheran’izy ireo: 

1- IREO POROFO AO ANATINY: 

Voalaza fa, amin’ny alálan’ny soratra ao amin’ny Evanjely ihany no afahana mahafantatra ny mombamomba ny fiainana manokan’ny mpanoratra ny Evanjely sy ny anarany. Ary ohatra amin’izany dia ny Evanjelin’i Jaona, dia nosoratan’i Jaona bin Zabady, izay mpianatr’i Mesia ihany, raha araka ny fehezan-teny izay voalaza ao anatiny, izay manondro fa, ”ny mpianatra izay tian’i Mesia no nanoratra izany”, toy izany ny fahafantarana an’izay nanoratra ny Evanjelin’i Jaona, raha araka ny fahazaran’ireo Jiosy sy ny tantaran’izy ireo ary ny Jeografian’ny Palestina. 

2- IREO POROFO IVELANY: 

  1. FIJOROANA VAVOLOMBELON’IREO PAPAN’NY FIANGONANA TALOHA: hamafisina fa, maro amin’ireo Papan’ny fiangonana taloha no nijoro vavolombelona amin’ny anaran’izay nanoratra ny Evanjely. 
  2. FANDRAISAN’IREO PAPA: maro amin’ireo Papan’ny fiangonana taloha no nandray ireo zavatra voalazan’ny Evanjely.
  3. NY FANDIKANA AN-TSORATRA: mbola misy anarivony maro ankehitriny ireo tahirin-tsoratra sy ireo dikan-teny maro isankarazany teo aloha.

 

FAMALIANA IREO POROFO MAREFO IREO

1- MAHAKASIKA IREO POROFO AO ANATINY

Tsy misy Evanjely izay manambara ny anaran’ny mpanoratra azy ao anatiny, na ny fanambarana mahakasika ny fiainan’ilay mpanoratra manokana. Ny mpamaky hajaina tsirairay avy dia afaka mamaky izay Evanjely izay safidiny, mba hiezaka hitady amin’ny alálan’ny tenany manokana, raha toa ka misy izany porofo ao anatiny izany, izay manondro fa, hita ao anatiny ny anaran’ny mpanoratra ny Evanjely, sa tsia. Fa raha ny tena fahamarinana, dia mifanohitra amin’izany. Satria raha ireo porofo ao anatiny, raha araka izay mbola harosonay eto raha sitrak’i Allah [Zanahary], amin’ny fizarana manaraka, izay manodro mazava fa, ny mpanoratra ny Evanjely dia olona tsy fantatra, no sady tsy mpianatr’i Mesia ihany koa.

Ary mahakasika manokana ny filazana fa, ny mpanoratra an’ny Evanjelin’i Jaona dia nampahafantatra momba ny tenany manokana, fa “izy ilay mpianatra notiavin’i Mesia”, ka manambara izahay fa tsy marina izany filazana izany. Satria ny mpanoratra an’ilay Evanjely, dia miresaka momba an’ilay mpianatra izay notiavin’i Mesia amin’ny filazana zavatra tsy hita-maso na amin’ny anaran’olon-kaha izay tsy eo. Izany hoe; ny mpanoratra dia niresaka momba olona hafa fa, tsy niresaka momba ny tenany manokana. Ka mametra-panontaniana amin’ny hoe; aiza ary ny anaran’i Jaona amin’io fehezan-teny io, hoe: ”Ilay mpianatra tian’i Mesia”?!

Ary koa mahakasika ny filazana fa, ny mpanoratra dia mahalala momba ireo fahazarana sy tantaran’ireo Jiosy, ary momba ny Jeografian’ny Palestina, dia manambara izahay hoe; Aiza ary no misy ny anaran’i Jaona eto?

Moa ve tsisy olona hafa koa no mahafantatra ireo zavatra ireo afa-tsy Jaona bin Zabady ihany?! Ka ireo porofo famantarana marefo ireo, dia tahaka ny fitrandrahana izay tadiavin’ireo mahatsiaro rendrika hifikirana!

2- MAHAKASIKA IREO POROFO IVELANY

  1. FIJOROANA VAVOLOMBELON’IREO PAPAN’NY FIANGONANA VOALOHANY

Ny sasany amin’ireo pretra dia mbola mihizingizina hatrany amin’ny fitazomana lisitra izay misy anaran’ireo Papan’ny fiangonana voalohany, ary milaza fa ireo Papa ireo dia vavolombelona amin’ny anaran’izay nanoratra ireo Evanjely rehetra ireo. Nefa raha ny tena marina dia, tena feno fitaka lehibe tokoa amin’io lisitra io. Satria ny fijoroana vavolombelon’ireo Papan’ny fiangonana dia tsimaintsy apetraka voalohany amim-pitandremana tanteraka, sady tsy maintsy ahitana ireto fepetra manaraka ireto: 

  1. Tsy maintsy roa amin’ireo Papan’ny fiangonana farafahakeliny no mamoaka izany: 

Satria ny mpitsara amin’ny andro izay misy antsika izao dia tsy manaiky ny fijoroana vavolombelona izay ataon’olona anankiray, ka noho izany dia tsy maintsy olona anankiroa ihany farafahakeliny ny vavolombelona ekena. 

  1. Ary ireo vavolombelona roa ireo dia tsy maintsy samy mpiijoro vavolombelona nahita-maso: 

Izany hoe; ireo vavolombelona roa ireo dia tsy maintsy avy amin’ny mpianatry ny iray amin’ireo iraka, izay mpianatr’i Mesia. Ka noho izany dia tsy maintsy olona niaina tamin’ny taonjato izay niainan’ireo mpianatr’i Mesia avy ireo vavolombelona roa ireo. Nefa raha araka ny fanadihadiana mahakasika ny lisitry ny fijoroana vavolombelon’ireo Papa, dia hitanay tsara fa, izy rehetra ireo dia niaina tamin’ny taonjato samihafa avy, sady tsy nifankahita akory izy ireo. Nisy tamin’izy ireo no niaina tamin’ny farany taonjato faharoa, eo ny niaina tamin’ny taonjato fahatelo, ary nisy ihany koa ireo niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ary tsy vitan’izay fotsiny fa, mbola nipetraka tamin’ny firenena samihafa fankalavitra avokoa izy ireo. 

Hamafisina, fa Eusebius Caesarea, dia efa nanambara ao amin’ny bokiny izay antsoina hoe: ”Ny tantaran’ny fiangonana” amin’ny fizarana faharoa ambiny folo: [20: Chapter xxiii, Narrative concerning John the Apostle], hoe: ”Tamin’izany fotoana izany, ny Iraka Jaona, izay mpianatra tian’i Mesia, dia nipetraka tany Azia, ary izy no nitantana ireo fiangonana tamin’iny faritra iny, taorian’ny fiverenany tamin’iny faritra iny, raha voaroaka avy tamin’ilay Nosy, taorian’ny fahafatesan’i Dome Etienne. Ka mahakasika izany resaka izany, dia raha toa ka mbola velona izy tamin’izany fotoana izany, dia mahafeno ny fepetra amin’ny fijoroana vavolombelon’ny olona anankiroa izany. Ary ny fepetra izay notakiana tamin’izy ireo dia tsy maintsy ho olona mpiteny marina izy ireo, sady niaro ny fiangonana ortodoksa (izany hoe; ny lála-mahitsin’ny fiangoanana). Ka izao avy ireo vavolombelona ireo; Irenaeussy Clement of Alexandria(c.150-c.215).

Nefa ny mampalahelo, dia izay nambaran’i Eusebius Caesarea, dia voasokajy ho fijoroana vavolombelona diso. Satria noho ny antony, fa Irenaeus dia teraka tamin’ny taona 140. Izany hoe; 50 taona taty aorian’ny nahafatesan’i Jaona bin zabady, raha farafahakeliny. Izany hoe; tsy nijoro vavolombelona nahita maso tokoa izy. Fa mahakasika manokana an’i Clement of Alexandria, dia teraka tamin’ny taona 150 izy, izany hoe; 60 taona taorian’ny fahafatesan’i Jaona bin zabady raha farafahakeliny. Ka mazava hoazy koa fa, tsy vavolombelona nahita maso ihany koa izy. Ka noho izany, dia tsy nisy famantarana izay mampifandray an’i Jaona bin zabady amin’ireo vavolombelona nahita maso ireo! 

Ary amin’ireo fizarana manaraka, dia hamelabelatra bebe kokoa ny resaka momba an’i Clement of Alexandria izahay, satria fantatra tsara fa, izy dia tsy olona mpiteny marina (tsy olon’ny fahamarinana).

Satria hamafisina, fa efa nesorin’ny fiangonana katolika romanina tamin’ny lisitr’ireo martiora ny anarany, tamin’ny taona 1586, noho ny baikon’ny Papa Clement faha-8, satria noho ny antony, fa nahitana ampahana fampianarana ratsy tamin’ireo fanoratana izay nataony!

  1. NY FIJOROANA VAVOLOMBELON’NY TSIRAIRAY DIA TSY MAINTSY MAHALEOTENA TANTERAKA: 

Tsy ny resaka famerimberenana ny fijoroana vavolombelona izay efa nandalo fotsiny, satria ireo pretra ireo ihany no nanome antsika io lisitry ny fijoroana vavolombelon’ireo Papan’mny fiangonana voalohany ireo. Amin’ny fotoana izy ireo manambara izany lisitra izany dia tsy milaza amintsika fa, raha ny tena marina amin’ireo Papa dia mitatitra zavatra avy amin’izy samy izy ihany! Satria izany fijoroana vavolombelona izany dia fijoroana vavolombelon’olona anankiray, izay tsy nahita na iray tamin’ireo mpianatra akory. Ary ireo fijoroana vavolombelona hafa dia fijoroana vavolombelona miverimberina izay ataony fotsiny izany.

Ary ny ohatra amin’izany, dia ny filazan’ny fiangonana manao hoe; Ny Masindahy Papiasy dia nanoratra boky miisa dimy. Ary porofo amin’ny fisian’ireo boky ireo, sy ny filazana fa an’i Papiasy izy ireo, dia ny fijoroana vavolombelon’izy rehetra ireto; Irenaeus sy Tertullian! Nefa ny fiangonana dia tsy manambara amintsika mivantana fa, Irenaeus dia niaina tamin’ny taonjato faharoa, nefa i Tertullian dia niaina tamin’ny taonjato fahefatra! Izany hoe; i Tertullian dia nandray zavatra izay nolazain’i Irenaeus! Izany hoe; ny fijoroana vavolombelona iray sy ny hafa dia midika ho famerimberenana ny fijoroana vavolombelona tamin’ny voalohany! Ka noho izany, dia tsy misy resaka mahakasika ny isan’ireo Papa mihitsy eto, satria ny fijoroana vavolombelon’izy ireo dia zavatra averimberina fotsiny!

  1. NY VAVOLOMBELONA ROA DIA TSIMAINTSY EFA NAHAVOARAY AN-TÁNANA NY EVANJELIN’IREO MPIANATRA: 

Ahoana no handraisana ny fijoroana vavolombelon’olona anankiray izay tsy ahitana famantarana mafonja momba azy? Izany hoe; izany Evanjely izany dia tokony tsimaintsy efa teo, ary teo ampelan-tánan’ireo Papan’ny fiangonana mihitsy. Ka izay no mahatonga azy ireo hijoro vavolombelona fa, io Evanjely io dia nosoratan’iray tamin’ireo mpianatr’i Mesia! Nefa iza ary no nandray an-tánany ilay Evanjely tena izy avy tamin’ireo mpianatr’i Mesia? Ary ho an’iza no nanolorany izany? Taiza no nijoroana vavolombelona momba izany, ary teo anatrehan’iza? Ary aiza ilay Evanjely tena izy, ary aiza koa no nanafenana azy?

  1. NY FAHAMARINANA SY FITOKISANA: 

Tokony ho tsimaintsy fantatra amin’ny fahamarinana sy fitenenana ny marina ary fitokisana eo anatrehan’ny fiarahamonina misy azy ireo, ary eo anatrehan’ireo Papan’ny fiangonana volohany izy ireo.

 

  1. FANDRAISAN’IREO PAPA

Ny teny hoe, fandraisan’ireo Papa dia manambara fa, tahak’izay nanana ny Evanjely tena izy nidina teo ampelan-tánany izy ireo, ka avy hatrany dia nandray izany izy ireo! Nefa ny tena marina amin’ny fandraisan’ireo Papa dia miverina amin’ny zavatra anankiroa: 

Voalohany: izy ireo tsy nandray ny tena Evanjely, fa ny zavatra voarain’izy ireo dia tantara izay miparitaka amin’ny alálan’ny resaka izay ataon’olona, amin’izay mahakasika ny tranga nahazo an’i Mesia sy ny teniny. Ary ireo tantara ireo dia nosoratana anatin’ny Evanjely miisa zato. Ary ny porofo amin’izany, dia izay rehetra voarain’iray amin’ireo Papa, amin’ireo tantara ireo dia tsy nanoratra eo akaikin’ilay boky fa, zavatra nalaina avy tamin’ny Evanjely tahak’izao ilay tantara.

Faharoa: ny fandraisan’iray amin’ireo Papa zavatra avy amin’ny Evanjely anankiray manokana dia tsy midika ho fanamafisana ny anaran’ilay mpanoratra izany Evanjely izany mihitsy. Satria misy amin’ireo Papa no manamarina ny filazan’i Irenaeus, fa nanana mpampianatra izay antsoina hoe; Polycarp izy, ary i Polycarp dia mpianatr’i Jaona bin Zabady. Ary Polycarp, dia nijoro vavolombelona fa, ny Evanjelin’i Jaona dia nosoratan’i Jaona bin zabady. Ka noho izany no ninoan’izy ireo sy nianteherany amin’ny Evanjelin’i Jaona, ho fianteherana amin’izay nolazain’i Irenaeus, fa tsy noho ny fanadihadian’izy ireo mahakasika ny anaran’izay nanoratra ny Evanjely no ianteheran’izy ireo amin’izany! 

 

  1. IREO TAHIRIN-TSORATRA AN-TARATASY

Milaza ny fiangonana fa, manana tahirin-tsoratra an-taratasy anarivony marobe izy ireo, sy soratra izay nosoratana amin’ny hodim-biby ny betsaka tamin’ireo fandikan-teny teo aloha. Nefa raha ny fahamarinana, dia tsy azo raisina hanaporofoana ny lalánan’ireo Evanjely efatra ireo izany, noho ny antony manaraka izao: 

  1. Tsy habetsahan’ireo tahirin-tsoratra sy ireo fandikan-teny no resaka eto, satria ireo tahirin-tsoratra anarivony maro ireo dia manambara fotsiny amin’ny famerimberenana fa, tsy mba misy fiverenana amin’ny tena fototra nipoirana! Ary ohatra amin’izany, dia raha misy vaovao tsy marim-pototra, izay aparitak’ireo gazety maro isankarazany manerantany, ka tsy noho ny hamaroan’ny gazety izay nanaparitaka izany no jerevana, satria izy ireny dia nanaparitaka nefa tsy nanadihady akory mahakasika ny loharanom-baovao nipoirany, fa samy mifampizara vaovao fotsiny izy ireo.
  2. Ny filazana fa, mbola nisy anarivony maro ireo tahirin-tsoratra sy fandikan-teny, izany anefa tsy midika fa, nisy tokoa ireo tahirin-tsoratra anarivony maro avy tamin’ny testamanta vaovao, fa ny tena marina dia fizarana samihafa no nisy. Nisy ireo takela-taratasy anarivony, izay ahitana resaka tantara kely maro isankarazany. Ary misy koa ireo takela-taratasy, izay ahitana hafatra anankiray na roa avy tamin’ireo hafatra nentin’i Paoly. Misy koa ireo takela-taratasy, izay ahitana isa maro ao amin’ny bokin’ny Apocalypse/Revelation, na koa ireo ampahany maro avy amin’ny fizarana manokana, ary amin’ny Evanjely manokana ihany koa. Ary izay mihitsy no hasongadinay raha sitraky ny Tompo Zanahary amin’ny fizarana manaraka. 
  3. Ireo tahirin-tsoratra izay mbola arovan’ny fiangonana, izay miisa anarivony marobe, ka ny marina dia tsy vita soratra nandritry ny taonjato iray fotsiny izany. Fa ny tena izy, dia voasoratra tamin’ny fiantombohan’ny taonjato faharoa ka hatramin’ny taonjato faha dimy ambiny folo! Ka raha mitady porofo amin’ny fijoroana vavolombelona amin’ireo tahirintsoratra ireo ny fiangonana, dia tsy maintsy miverina amin’ny taonjato fahafito na fahefatra ambiny folo. 

Fa nahoana ary no tsy najoro vavolombelona ihany koa ireo tahirin-tsoratra vita printy ankehitriny ireo, izay miisa andavitrisany maro avy tamin’ireo Evanjely efatra manerana izao tontolo izao? 

Ary nahoana ihany koa no hafahan’ny fiangonana hitondra porofo hanamarina ireo Evanjely efatra, izay nosoratana nandritra ireo taonjato taty aoriana ireo?! Ka noho izany, dia tsy ho sahiran-tsaina amin’ireo fanoratana na fandikan-teny izay natao tamin’ny fotoana hafa ankoatry ny taonjato faharoa isika, satria izany no mba manakaiky indrindra ny fotoana nanoratana ireo Evanjely fototra ireo.

  1. Amin’ny fiverenana amin’ireo tahirin-tsoratra izay nosoratana nandritry ny taonjato faharoa, ary mahakasika indrindra ireo Evanjely efatra fotsiny, fa tsy miaraka amin’ireo hafatra maro isankarazany sy ny bokin’ny Apocalipse/Revelation, mahita izahay fa, ny: ”Institute for New Testament textual research/INTF” dia nitahiry tahirin-tsoratra miisa folo fotsiny, izay tsy maintsy miverina any amin’ny taonjato faharoa. Ka noho izany, dia misy folo fotsiny ireo tahirin-tsoratra izay tsy maintsy hajoron’ny fiangonana ho vavolombelona, fa tsy anarivony maro tahaka izay voalaza!

Nefa raha taorian’ny fikarohana lalina izay natao amim-pahatonina tanteraka momba ny takela-tsoratra tsirairay avy, dia hitanay fa, ny ankabetsahan’ireo takela-tsoratra ireo dia tsy nosoratana tamin’ny taonjato faharoa velively raha ny marina, fa tany amin’ny taonjato fahefatra na fahatelo tany izany. Ary raha sitraky ny Tompo Zanahary, dia hivoaboasanay eto ny momba azy io amin’ny fizarana manaraka. 

  1. Ireny tahirin-tsoratra an-taratasy miisa folo ireny, izay miverina amin’ny taonjato faharoa, raha ny tena marina momba azy ireny, dia tantara madinika fotsiny ny ankabetsahany, izay tsy afaka hoentina hanaporofoana ny fahamarinan’ireo Evanjely efatra ireo. Ary raha sitraky ny Tompo Zanahary, dia hametraka fanoharana an-tsary momba ireo tantara madinika ireo izahay, isaky ny takela-tsoratra.
  2. Ny fiangonana dia miaiky fa, ireny tahiry sy soratra ary ireny fandikan-treny rehetra ireny, izay ananany, dia tsy nalaina avy tamin’ny Evanjely fototra, fa nalaina tamin’izay efa voasoratra ihany, ary nosoratana tamin’izay efa voasoratra hatrany sns…
  3. Mahakasika manokana ireo Evanjely fototra: miaiky ny fiangonana fa, very daholo izy rehetra ireny tamin’ny fotoana fiandohana mihitsy. Izany hoe; tsy nisy tahirin-tsoratra voaaro tamin’izany, na dia iray avy tamin’ireo izay voasoratra mivantana aza, satria noho ny antony fa, nosoratana tamin’ny ravin-taratasy izany ka mora rovitra sy potika malaky.

Nefa raha ny marina, di any fiangonana mihitsy no milaza fa, ireny Evanjely fototra ireny sy ireny tahirin-tsoratra izay nosoratana mivantana, dia efa very daholo, satria noho ny antony fa, nosoratana an-taratasy izany. Izany anefa dia tsy marim-pototra. Satria, manko na ireny tahirin-tsoratra tamin’ny fotoanan’ny Faraona, sy ireo izay nosoratana hatry ny anarivony taona maro talohan’izany, dia mbola velo mandraka androany, ary tsy simba na potika izany.

Fa mahakasika manokana ireny tahirin-tsoratra fototra momba ireny Evanjely efatra ireny, dia tsy nisy nanambara anay mihitsy na iray amin’ireo Papan’ny fiangonana voalohany aza, nefa izy ireo no niaina tamin’ny antsasaka voalohan’ny taonjato faharoa, fa nahita maso izany izy, na koa nanana izany izy tamin’izany fotoana izany. Ka noho izany, dia mazava fa, efa very nandritry ny latsaky ny antsasaky ny taonjato izany. Na koa mety nosoratana tamin’ny fisasahan’ny taonjato faharoa, fa tsy tamin’ny taonjato voalohany akory!!

Ary raha tsimaintsy hanaiky isika fa, tena very sy potika tokoa ireo tahirin-tsoratra fototr’ireo Evanjely efatra ireo, satria noho ny antony fa, nosoratana tamin’ny takela-taratasy izany, fa nahoana ary no tsy voaro na Evanjely iray aza, na koa takelaka iray tamin’ireo Evanjely ireo ihany koa?! Ary ahoana no nanjavona daholo ny takelaka sy ny Evanjely rehetra? Satria raha toa ka roavitra na potika ny ravin-taratasy, dia tsy midika izany, fa hanjavona tahaka ny gazy ihany koa. Fa ny tokony ho izy, di any tendron’ireo takelaka sy ny ampahany amin’ny teny ao anatiny no mety ho fampihinana na fampipetaka kely amin’ny sasany ny hafa!! Ary naninona no tsy narovan’ny fiangonana ireo Evanjely fototra ireo, raha hitany fa, tena zava-dehibe aminy tokoa izany. Ary vitany tsara mihitsy no hiaro an’ireo tahirin-tsoratra hatry tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo na fahefatra aza, satria nosoratana tamin’ny ravin-taratasy izany?!

Nefa raha ny fahamarinana, dia tsy nisy an’izany antsoina hoe: ”Ireo Evanjely fototra” izany mihitsy. Ka noho izany no mahatonga ny fiangonana no tsy misahiran-tsaina amin’ny fiarovana na inona na inona tahirin-tsoratra. Ary raha sitraky ny Tompo Zanahary, dia hazavainay eto amin’ireo fizarana manaraka ireo ny momba izany. 

  1. Miaiky ny fiangonana fa, ireny tahirin-tsoratra grika rehetra ireny, dia tsy niasan’izy ireo loha firy, satria nosoratan’olona izay tsy dia manam-pahaizana momba izany izy ireny. Ary efa voalaza ao amin’ny tranonkalan’ny St.Takla.org an’ireo kopta ortodoksa, araka izao manaraka izao: ”ireo tahirin-tsoratra grika tranaina rehetra amin’ny testamanta vaovao izay tonga taminay, dia voasoratra amin’ny takela-tarasy daholo. Ka miverina ny tantara momba izany hatry tamin’ny fisasahan’ny taonjato faharoa izay nahatratra tamin’ny taonjato fahefatra. Nefa ny tahirin-taratasy iray izay mitondra ny laharana faha (P74), no miverina any amin’ny taonjato fahafito any.

Na dia fa voalaza amin’ireo tahirintsoratra ireo fa, misy fizarana tsy feno ao anatiny, nefa noho ny fitambarany dia hita fa betsaka tokoa noho ny testamanta vaovao. Ary na dia miverina amin’ny fotoana tamin’ny fiantombohany aza, nefa mbola tsy nisy firaharahana betsaka momba izany, satria noho ny antony fa, nosoratan’olona tsy manam-pahaizana momba ny fanoratana izany. Ary miharihary mihitsy fa, tsy mba nisy fikarakarana na kely aza momba izany.

  1. Rehefa noterena hanao printy voalohany ny Baiboly amin’ny fiteny Grika (Complutensian Polyglot Bible) i Desiderius Erasmus, tamin’ny taona 1502, dia tsy niantehatra tamin’ireo tahirin-tsoratra grika voalohany izay hatry ny taonjato faharoa, na fahatelo na fahefatra na tamin’izay voasoratra tamin’ny fehezanten’i Alexandrian text-type intsony i Erasmus. Ary izany dia noho ny antony fahatahorany fa, tsy milamina ara-dalána izany. Ka voatery tsimaintsy niantehatra tamin’ireo tahirin-tsoratra grika taty aoriana i Erasmus, izay voasoratra amin’ny Byzantine text-type! Ary ny fanaovanaprinty fahatelo izay nataon’i Erasmus, no voasokajy fa, nianteheran’ny Mpanjaka James tamin’ny fanaovana printy izay nataony. 

Ary noho ny antony ihany koa, fa Erasmus dia tsy afaka nahazo na iray aza avy tamin’ny tahirin-tsoratra grika feno tanteraka, fa voatery tsy maintsy nampiasa tahirintsoratra grika ampolony maro, vao afaka nanambatra izany amin’ny fifamenoan’ny sasany amin’ny hafa, ka rehefa avy eo izy, no nitsangana nanambatra ny testamanta vaovao tamin’ny fiteny Grika!

 

VALIN-TENIN’I MANAMPAHAIZANA RESAKA TEORIA, DR.BART EHRMAN[1]MAHAKASIKA NY LALÁNAN’IREO EVANJELY

Nanambara Dr. Ehrman tamin’iray amin’ireo adi-hevitra izay nataony mahakasika ny fahamarinan’ny Evanjely, ka nanao hoe: ”Tamin’ny fotoana ny tenako mbola nino ny Evanjely, ary tonga miatrika miaraka amin’ny orinasan’ny baiboly maderna, izany hoe; talohany hikarohako lalina tsara momba ny testamanta vaovao, sady talohany hamakiako azy voalohany tamin’ny fiteny grika. Ary izany dia talohany hamakiako ny bokin’ireo mpamakafaka lalina momba ny baiboly. Izaho dia tena resy lahatra tanteraka fa, ny Evanjely dia tsy vitany izy tsisy fijoroana vavolombelona nahita maso fotsiny, fa mbola nosoratana tamin’ny fanelanelanan’olona anankiroa, izay isany mpijoro vavolombelona nahita maso, hoe; Mathiew sy Jaona, ary olona roa hafa avy amin’izay akaikin’ireo izay nahita maso, hoe; Marka sy Lioka. Ny fomba fijerinao amin’ny resaka fikarohana no mety hanova ny hevitrao amin’ireo zavatra ireo. Nefa, tsy tiako ny hinoanareo fa, izany no antony hatonga anareo tsy hampiasanareo ny sainanareo. Na dia aza fa, isan’ireo mpino mafy fifikirana amin’ny kintan’ny Evanjely aho, nefa ianao dia tsy maintsy mila mahafantatra fa, ny Tompo dia efa nanome saina ho anao. Ka noho izany, dia mba ampiasao ny sainanao, satria izaho sy Kreg (iray tamin’ireo mpiady hevitra tamin’izany fotoana izany), dia efa nifanaraka tamin’izany. Ny Tompo dia naome anao saina, mba hieritreretanao, ka hampiasanao ny sainanao. Satria, izany no nanaovan’ny Tompo anao ho olombelona, fa tsy sanatria nataony zavatra tsotra fotsiny toy izao ianao. 

Ka noho izany, dia aoka tsy hatahotra ianao amin’ny fampiasanao ny hakingantsainanao mba hahitanao ny fahamarinana. Ny fahamarinana, dia tsy ny zavatra izay nolazaina taminao, nefa raha toa ka fahamarinana izany dia tsy maintsy mino an’izany ianao, fa tsy handositra avy amin’izany akory ianao! Rehefa nikaroka lalina tena lalina aho, no sady nampiasa betsaka ny hakingantsaiko amin’ny maha-mpino ny Evanjely ny tenako, sady mbola nivavaka ho an’izany ihany koa aho, dia resy lahatra aho fa tsy nosoratan’olona nijorovavolombelona nahita maso ny Evanjely, no sady tsy tamin’ny alálan’ireo olona mahalala ireo mpijoro vavolombelona nahita maso ihany koa! 

Ny resaka voalohany: izay tena mazava tokoa, dia “ireo vanjely mihitsy dia tsy milaza fa, nosoratan’olona mpijoro vavolombelona nahitamaso”!                                     hamafisina, fa zavatra tsy fantatra daholo izy manontolo! Ireo anarana izay hitanareo amin’ny Evanjelinareo, ary ohatra amin’izany ny Evanjelin’i Mathew, sy ny hafa ankoatr’izay, dia efa notovanana zavatra hafa ankehitriny, izay nataon’ireo olona malalaka, fa tsy ny mpanoratra ny Evanjely fototra akory no nanao an’izany.

Ny resaka faharoa: ”Tsisy amin’ireo Evanjely no milaza fa, izay olona voalaza ho tompony no nanoratra azy”.

Hamafisina ihany koa, fa tsy nilaza ny Evanjely fa nosoratana tamin’ny alálan’ireo mpijoro vavolombelona nahitamso ny Evanjely. Ary tsy nilaza ihany koa izy fa, nosoratana tamin’ny alálan’ireo voatonona anarana manaraka ireto ny Evanjely, hoe; Mathew, Marka, Lioka, ary Jaona. Satria ireo anarana ireo, dia fahazarana nolovain’ny fiangonana tgaty aoriana, izay notovanana tao amin’ireo Evanjely    ireo. Izany fahazana izany dia tsy niseho, raha tsy zato taona any ho any taty aorian’ny tantaran’ny fanoratana ireo Evanjely ireo. Misy amin’ireo olona no mino, fa nisy iray tamin’ireo Papan’ny fiangonana taloha no nantsoina amin’anarana hoe; Papiasy. Ary nahita maso an’i Marka sy Mathew hono izy. Nefa rah any tena fahamarinana, dia misy antony lehibe mafonja izay mahatonga anay mahita fa, Papiasy dia tsy nilaza na iray amin’ny anaran’ireto manaraka ireto; Marka na Mathew, izay resahintsika ny momba azy ireo. Irenaeus, no olona voalohany mba nilaza ny anaran’ireoto olona ireto; Marka, Mathew, Lioka, ary Jaona.       Ary tamin’ny taona 170, no nilazany izany. Izany hoe; zato taona taty aorian’ny nanoratana ireo boky ireo.

Ka noho izany, raha arak any fahalalako, dia hamafisina fa ireo Evanjely izay tonga tamintsika dia tsy mazava. Tsy fantantsika ny anaran’izy ireo, no sady tsy nosoratan’olona nijoro vavolombelona hitamaso. 

Fa ny zava-dehibe izay tiako hambara ho lazaina eto, di any hoe; na dia aza nosoratan’ireo izay nijoro vavolombelona nahitamaso ny Evanjely, na koa mitondra fijoroana vavolombelona nahitamaso, dia tsy manome antoka antsika amin’ny maha ara-dalána azy izany! Mba alaivo antsaina tsaraohatra, rafi-dalána eto amintsika ankehitriny. Moa mifikitra amin’ny fahamarinana mandrakariva tokoa ve ireo vavolombelona izay nahitamaso? Raha toa ka tena azo antoka tokoa izany, fa ahoana no tsy maintsy hangatahantsika ny fijoroana vavolombelona mafy indrindra avy amin’ny fitsarana, toy izay ny fijoana vavolombelon’olona izay nahitamaso anankiray? Raha azo antoka tanteraka 100% tokoa ireo mpijoro vavolombelona nahitamaso amin’ny zavatra izay lazainy, fa nahoana no tsy maintsy hilantsika vavolombelona hafa fanampiny? 

Ka raha te-hahafantatra marina ny tranga miseho isika, dia mora amintsika avy hatrany no hanontany ny iray amin’izy ireo. Ireo vavolombelona mahitamaso, dia matetika tsy manome vaovao feno ara-dalána. Na dia nanao an’izany aza izy ireo (nanome vaovao feno), dia mbola tsy mahasoa ihany. Satria manko ny testamanta vaovao dia tsy nilaza fa, nosoratana tamin’ny alálan’ireo vavolombelona nahitamaso izany. Ary tena marina tokoa fa, tsy nosoratana teo anatrehan’ireo vavolombelona nahitamaso izany (ny Evanjely).

Ireo mpanoratra ny Evanjely dia niaina nandritry ny 40-50-60 taona taorian’ny nahafatesan’i Mesi. Nosoratan’izy ireo tamin’ny fiteny Grika ny Evanjely, nefa ny fitenin’i Mesia di any fiteny Aramika. Ireo mpanoratra ny Evanjely dia niaina tamin’ny firenena fanalavitra samihafa, sady tamin’ny fotoana efa taty afara. Ka ny fanontaniana mipetraka noho izany, di any hoe; avy taiza ary no nahazoan’izy ireo ireo zavatra nolazainy ireo? Izy ireo dia tsy isan’ny mpanaradia an’i Mesia, no sady tsy nilza ho mpianatr’i Mesia ihany koa. Hamafisina, fa ireo Evanjely dia nosoratan’olona tonga taty aoriana, sady tamin’ny fiteny samihafa ihany koa. Ka avy taiza ary no nahazoan’izy ireo ny filazana ireo? 

Ny valiny dia tsotra; tena marina fa, nahena tantara momba an’i Mesia tokoa izy ireo, izay mifindrafindra na miovaova isan-taona, sy isaky ny fotoana mandalo mandrapaha tonga tamin’ny fotoanan’ireo mpanoratra, ka henon’izy ireo ny tantarany, nefa niaina tamin’ny firenena samihafa izy ireo, sady samy nanana fiteny samihafa avyizy ireo! Ka inona ary niseho tamin’izany tantara izany, izay nampitapitaina ambava fotsiny? Hamafisina, fa niova tanteraka izany tantara izany! Ireo mpanoratra ny Evanjely, dia nisy fifandirana tamin’izy ireo, satria ireo tantara ireo, dia tonga tamin’ny fotoana samy hafa, ary ny sasany tonga taorian’ny hafa, dia tena niova tokoa izany (tsy nipetraka tahaka tamin’ny voalohany). Ary matetika, dia ireo mpanoratra ny Evanjely mihitsy no manova ny Evanjely! Ka izany no antony nampifanditra azy ireo. Ary izany mihitsy ny zavatra izay tsy sahin’ireo teorista hambara anareo. Izy ireo, dia mireska momba an’i Mesia amin’ny fomba ankapobeny, aminizay nataony. Ary mety haneho anareo ny zavatra izay fanaon’i Mesia, nefa izy ireny dia tsy afaka hilaza aminareo antsipirihany ara-dalána. Inona ny antony tsy afahan’ireo manampahaizana teorista hifanaraka amin’izy samy izy? Satria, noho ny antony fa, betsaka ny fifandrina amin’izy ireo, ary ny Evanjely dia boky izay tsy tena azo antoka tanteraka. [29: Bart Ehrman vs Craig Evans].

 

 

FIZARANA FAHATELO

Ireo takela-tsoratra folo tamin’ny taonjato faharoa

Arak’izay efa nambaranay tamin’ny fizarana efa lasa, fa raha ny fijoroana vavolombelon’ny fiangonana izay milaza fa, manana tahirintsoratra anarivony maro izy ireo, dia tsy azo raisina ho porofo amin’ny lalánan’ireo Evanjely efatra ireo izany. Satria ny zava-dehibe aminay eto dia mahakasika ireo tahirintsoratra, izay raha ny tena marina dia miverina tamin’ny taonjato faharoa fotsiny, no sady mahakasika ireo Evanjely efatra ireo fotsiny, fa tsy anatin’izany ireo hafatra sy tantaran’ny faminaniana!

Satria hamafisina fa, ny (Institute for new testament textual research/INTF), dia nanoratra raki-tsoratra miisa folo fotsiny, izay heverina fa, tsy maintsy miverina amin’ny taonjato faharoa tany. Nefa, taorian’ny fikarohana lalina izay natao momba raki-tsoratra tsirairay avy, dia hitanay fa, raha ny famaritana ny fotoana nanoratana izany dia tsy marina, satria noho ny antony fianteherany amin’ny Palaeography. Ary koa noho ny antony, fa ireo raki-tsoratra folo ireo, dia raki-tsoratra vao hita taty aoriana, tamin’ny taonjato faharoapolo, izay efa very ela nandritry ny taonjato marobe. Izany hoe; tsy raki-tsoratra izay notehirizin’ny fiangonana nandritry ny fotoana maro nandalo, izay fantatra ny mpanoratra azy, ary ny fahamarinany sy ny fahatokisana amin’izany! Raha toa ka tsy niaro sady tsy niraharaha ireny raki-tsoratra ireny, ireo taloha, ahoana ary hijoroan’ireo ankehitriny vavolombelona amin’izany?! Tahak’izao manaraka izao ireo raki-tsoratra folo ireo: 

1- Raki-tsoratra (P52): 

Ny tantara mahakasika ny fanoratana azy, dia mampifanditra ireo manampahaizana ara-pinoana. Ka maro amin’ireo manampahaizanaara-pinoana no milaza am-pinoana tanteraka fa, miverina any ho any amin’ny taona 125, ny fanoratana azy. Milaza izy ireo, fa io no raki-tsoratra tranaina indrindra, izay hita tamin’ny fikarohana momba ireo tahirin-tsoratr’ireo kristianina voalohany. Ny tanjon’izy ireo amin’izany filazana izany, dia mba hanafenana aman’olona fa, izany tantara izany dia efa voarakitra antsoratra ao amin’ny Evanjelin’i Jaona, izay efa miparitaka tanteraka manerana ny firenena maro tamin’izany fotoana izany. Ary izany tantara izany, dia hita tamin’ny fikarohana izay natao tao Ejypta, tamin’ny taona 1920.

Ny antony hafa amin’ny filazan’izy ireo, dia mba hiezaka te-hampino ny olona, fa ny Evanjelin’i Jaona dia efa nosoratana hatry tamin’ny taonjato voalohany, ary efa betsaka ny tahirin-tsoratra izay efa niparitaka tamin’izany amin’ny ampahefany voalohany tamin’ny taonjato faharoa. Satria ny tantaran’ny fanoratana ny Evanjelin’i jaona, dia fototra anankiray izay mampifanolana ireo manampahaizana momba ny finoana. Misy amin’izy ireo no miteny fa, tamin’ny taonjato voalohany, ary ny sasany koa dia miteny fa, tamin’ny taonjato faharoa. Ka raha toa ka nosoratana tamin’ny taonjato faharoa tokoa ny Evanjelin’i Jaona, dia midika ary izany fa, tsy Jaona bin Zabady mihitsy no nanoratra izany, izay mpianatr’i Mesia!

Fa ny sasany amin’ireo manampahaizana ara-pinoana dia milaza fa, izany raki-tsoratra izany, dia miverina amin’ny taona 150, nefa ny sasany hafa indray dia miteny fa, tamin’ny taona 170. Fa raha amin’ny ankabetsahan’ireo fikarohana vaovao ankehitriny, dia manambara fa, izany tantara izany dia miverina amin’ny fotoana nanoratana azy tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo. Hamafisina, fa efa nisy fikarohana izay natao tao amin’ny Oniversiten’ny Manchester, any Angletera, izay mitahiry hatrany izany tantara izany, ary manamarina izy ireo fa, tany amin’ny farany taonjato faharoa tokoa izany.

Nefa izany rehetra izany, dia fitaka sy eritreritra fotsiny, fa tsy misy fototra mafonja momba ny fahalalana mahakasika izany. Satria ny fameran’izy ireo ny fotoana nanoratana ireo raki-tsoratra ireo, dia miantehatra amin’ny Palaeography (Palaeography, hoe; Fikarohana momba ireo boky tranaina). Izany hoe; tamin’ny alálan’ny fikarohana ny fomba nanoratana sy ny fampitahana amin’ireo fanoratana boky kristianina taloha. Nefa, raha izany tantara izany, dia sarotra ny famerana ny fotoana nanoratana azy tamin’ny alálan’ny Palaeography, noho ireto antony manaraka ireto: 

  • Raha jerevana tsara amin’izao sary miaraka aminy eto ambany izao, dia hitantsika fa, ny isan’ireo teny izay mivoaka amin’ireo tantara ireo, dia tena vitsy dia vitsy tokoa. ka noho izany, dia sarotra dia sarotra tokoa ny famerana ny fomba nanoratana azy, ary koa ny famerana ny taona izay nanoratana izany amin’iny famerana tena lálina izany tokoa!
  • Ny Palaeography dia tsy fahalálana velively, afa-tsy ny fikarohana tsotra fotsiny, izay manondro ny taonjato izay nanoratana ny raki-tsoratra anankiray. Ka noho izany dia mazava hoazy fa, tsy ho marina ny vokatr’izany ihany koa, satria mety nisehoana hadisoana tao anatin’ny taonjato iray na roa, na telo aza. Ka ireo izay milaza fa, tany amin’ny taona 125 na aza ka hatramin’ny taona 170, ahoana no nahafahan’izy ireo niroso tamin’izany famerana hentitra izany?! 
  • Ny Palaeography, dia miantehatra amin’ny fampitahana ny fomba fanoratana ny raki-tsoratra anankiray amin’ny fomba fanoratana ireo raki-tsoratra hafa izay nisy tamin’io taonjato io ihany. Ka noho izany, dia nahoana no nahafahana nampitaha ny fomba nanoratana ilay raki-tsoratra amin’ny fomba nanoratana ireo raki-tsoratra maro hafa tamin’ny ampahefan’ny voalohany tamin’ny taonjato faharoa, raha toa ka tena tsy efa nisy velona intsony ireo raki-tsoratra ireo, izay nisy tamin’ny ampahefany voalohany tamin’ny taonjato faharoa?!!
  • Ny Palaeography, dia miantehatra amin’ny fampitahana ny fomba fanoratana ny raki-tsoratra, arak’izay ambaran’ireo fomba fiasa roa: 1) fomba fiasa ara-potoana: izany hoe; raha ny fomba fampiasaina amin’ny fanoratana amin’ny fiteny Anglisy, izay nampiasaina tamin’ny fotoanan’i Shakespear, dia mazava hoazy fa, tena mifanohitra tanteraka amin’ny fomba fanoratana izay ampiasaina amin’ny andro iainantsika ankehitriny. Nefa izany famerana izany, dia tsy maivana akory. Mahita ohatra isika amin’ny fomba fandikan-teny amin’ireo bokim-pinoana amin’ny fiteny Anglisy, dia tena betsaka tokoa ny tsy fitovizana amin’ireo samy mpandika-teny

 amin’ny fomba fanoratana sy ny fisafidianana ireo teny izay ampiasaina. Misy amin’izy ireny no manoratra amin’ny fiteny izay ampiasaina ankehitriny (fiteny moderna), miaraka amin’ireo teny izay fampiasa ankehitriny amin’ireo boky moderna. Ary misy amin’izy ireny ihany koa no te hanao printy masina amin’izany boky izany, ka lasa tsy maintsy misafidy ireo teny izay nampiasaina tamin’ny andro taloha, ary amin’ny fomba fanoratana tamin’ny fahagola, izay mampitovy tanteraka ny fomba nampiasain’i Shakespeare tamin’ny fanoratana. Ka noho izany, dia mety misy boky ankehitriny izay adika amin’izay maka tahaka ny fomba fanoratana talohan’ny 400 taona! Ary hamafisina ihany koa, fa ny fiangonana grika ortodoksa ankehitriny rehefa manatanteraka ny fanompoampivavahana, dia tsy maintsy manatanteraka izany amin’ny fiteny grika taloha ireo Pretra, fa tsy amin’ny fiteny grika ankehitriny, izay ampiasaina amin’ny andro iainantsika ankehitriny. Ary ny taratasy na ny fanambarana rehetra izay avoakan’ny fiangonana grika ortodoksa amin’ny fomba ofisialy, dia soratana amin’ny fiteny grika taloha daholo, fa tsy amin’izay fampiasa ankehitriny akory. Ary hamafisina ihany koa, fa ny taratasy ofisialy rehetra izay avoakan’ny Papan’ny Vatikana, dia soratana amin’ny fiteny Latina, fa tsy amin’ny fiteny Italiana! 2) Ny fampiasana toerana: arak’izay efa fantantsika rehetra fa, ireo raki-tsoratra taloha, izay tonga amintsika androany, dia voasoratra amin’ny fiteny grika. Nefa ange ny teny Grika tamin’izany fotoana izany, dia efa niparitaka nanerana ny firenena maro. Ka noho izany, dia raha olona nampiasa ny fiteny grika tamin’izany fotoana izany tany amin’ny firenena grika, dia tsy mitovy tanteraka ny fomba fampiasana azy (teny grika izany) ohatra any Ejypta, sy Syria, na koa any Palestina. Ataontsika ohatra, raha miteny isika fa, te-hampiasa ny Palaeography mba hahafantarana tsara ny fomba nanoratana ny raki-tsoratra manokana anankiray. Moa ve hampitaha izany fomba fanoratana izany isika amin’ny fomba fampiasana azy any Ejypta, na Gresy, na koa any Palestina, sa ahoana?

Ka mahakasika manokana ny refin’ilay solaitra, dia 9 cm x 6cm fotsiny, ary misy soratra daholo amin’ny ilany roa amin’ilay solaitra, izany hoe; avy aty aloha sy any aoriana. Ary ny ilany izay eo aloha dia ahitana laharana miisa fito, izay tsy feno, raha avy amin’ny Evanjelin’i Jaona. Arak’izay hitantsika amin’ny sary eo ambany, fa ireo laharana amin’ilay solaitra dia hita fa, teny vitsivitsy, izay tapatapaka, ao amin’ny fizarana faha: 18, andininy faha: 31-33. Fa raha jerevana avy amin’ny faritra aty aoriana, dia ahitana teny vitsivitsy tapatapaka, amin’ny andininy faha: 37-38, mbola ao amin’ny fizarana io ihany (skriptiora masina).

../Downloads/P52_verso.jpg../Downloads/P52_recto.jpg../Downloads/500px-Rylands_papyrus.jpg

 

2- Ny raki-tsoratra (P64): 

Ny fotoana nanoratana azy, no itoeran’ny fifandirana. Satria misy amin’izy ireo no miteny fa, tamin’ny taonjato fahefatra, ary ny sasany indray milaza fa, tamin’ny taonjato fahatelo, ary misy milaza fa, tamin’ny taonjato faharoa. Fa ireto tsatotsatoka rehetra ireto dia mifanaraka amin’ny Palaeography. Tany Ejypta no nahita an’iny solaitra iny, izay nitondra teny vitsivitsy sady tapatapaka, avy amin’ny Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 26, ao amin’ny andininy faha: 23-31. 

../Downloads/P064-Mat-26.7-8-26.10-26.14-15-II.jpg

 

3- Ny raki-tsoratra (P67):ireo raki-tsoratra ireo dia mameno ilay raki-tsoratra izay efa voalaza teo aloha ny momba azy tao amin’ny (P64). Izany hoe, samy avy amin’ny boky anankiray ihany izy roa ireo, sady mitondra teny tsy feno vitsivitsy avy amin’ny Evanjelin’i Mathieu, amin’ny fizarana: 3.

../Downloads/Papyri%20p67.png

 

4- Ny raki-tsoratra: (P90): 

Ny sasany amin’ireo manampahaizana momba ny finoana, dia mamerina ny tantara tany amin’ny faran’ny taonjato faharoa, raha araka ny Palaeography, izay voatrandraka tao Ejypta. Ary mitondra teny tsy feno vitsivitsy avy amin’ny Evanjelin’i Jaona, amin’ny fizarana: 18, amin’ny laharana faha: 36, ka hatramin’ny fizarana; 19, amin’ny laharana faha: 7.

../Downloads/Papyrus_90_(John_19.1-7).jpg

 

5- Ny raki-tsoratra faha (P104):

Ny sasany amin’ireo manampahaizana teorika dia mamerina ny tantarany ho tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa, izay mifanaraka amin’ny Palaeography, ary tao Ejypta no nanaovana ny fikarohana momba izany. Raha jerevana amin’ny ilany eo aloha, dia hita fa, mitondra teny vitsivitsy tsy feno avy amin’ny Evanjelin’i Mathieu, amin’ny fizarana: 21, amin’ny laharana: 34-37. Fa raha ao amin’ny ilany aoriana kosa no resahina, dia ahitana raki-tsoratra tsy tena mazava, ao amin’ny laharana: 43-45, avy amin’ny fizarana iray ihany. Ary raha amin’ny laharana faha: 44, dia tsy hita amin’izany raki-tsoratra izany mihitsy ny firesahana fa, niharan’ny fanovana izany laharana izany, ka nisy mihitsy ny fampidirana tahirin-tsoratra hafa taty aoriana! 

../Downloads/POxy_v0064_n4404_a_01_hires.jpg../Downloads/POxy.v0064.n4404.b.01.hires.jpg

 

6- Raki-tsoratra faha (P77):

Milaza ny sasany amin’izy ireo, fa raha ny fotoana nanoratana azy io, dia tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa, na koa mety tamin’ny fiantombohan’ny taonjato fahatelo, raha araka ny Palaeography. Ary mitondra teny vitsivitsy tsy feno no sady tapatapaka izany raki-tsoratra izany, izay hita ao amin’ny Evanjelin’i Mathieu, amin’ny fizarana: 23, amin’ny laharana faha: 30-39.

../Downloads/P077-Mat-23_30-34-POxy4405-II-III.jpg

 

7- Raki-tsoratra faha (P103):

Milaza ny sasan-tsasany amin’izy ireo fa, izany raki-tsoratra izany, dia mameno an’ilay raki-tsoratra teo aloha, izany hoe: (P77). Satria nalaina avy tamin’ny boky anankiray izy roa ireo. Ary ity raki-tsoratra ity, dia mitondra teny vitsivitsy, sady tapatapaka (tsy ampy), avy amin’ny Evanjelin’i Mathieu, amin’ny fizarana: 13, amin’ny laharana faha: 55-56. Ary koa avy amin’ny fizarana: 14, amin’ny laharana faha: 3-5.

../Downloads/P103-Mat-13_55-56-POxy4403-II-III.jpg

 

8- Ny raki-tsoratra faha (P66):

Ity raki-tsoratra ity, dia iray amin’ireo raki-tsoratry ny vondrona antsoina hoe: Bodmer Papyri. Ary tany Ejypta no nahitan’izy ireo izany, raha araka ny fikarohan’izy ireo tamin’ny taona 1952. Ary ny anaran’ny mpividin’izy ireo no nampiasaina tamin’izany, tsy iza ary izany fa: Martin Bodmer. Ary miverina indray ny tantaran’izany raki-tsoratra izany raha manaraka an’i Martin Bodmer, fa tamin’ny fiantombohan’ny taonjato fahatelo, izay mifanaraka amin’ny Palaeography. Fa raha amin’ny manampahaizana teorika anankiray antsoina hoe; Brent Nongbri, raha taorian’ny fikarohana lalina izay nataony mahakasika an’izany raki-tsoratra izany, dia manamafy tokoa izy fa, miverina any amin’ny fisasahan’ny taonjato fahefatra any izany. Ka taorian’ny fandraisany izany, dia namboariny iny raki-tsoratra iny, sy ny firakitry ny fombafomba fitenana ao amin’izany, ary fomba fanoratana ny laha-tsoratra momba izany ihany koa. Fa raha araka ny fijerin’ilay mpikaroka momba ny tantaran’ny Byzantina, Herbert Hunger, dia hamafisina fa nilaza izy, fa ity raki-tsoratra ity, dia angamba mety miverina any amin’ny taonjato faharoa any! Ka noho izany, no mampihizingizina tsy mampanaiky an’ny “Institute for new testament textual research”, fa ny fotoana nofaritan’i Martin Bodmer, dia tamin’ny taonjato fahatelo. Ary ny fotoana izay nofaritan’i Dr. Brent Nongbri, taorian’ny fikarohana tena lalina indrindra, dia ny fisasahan’ny taonjato fahefatra. Fa raha araka ny fanamafisana ara-tantara, izay nofaritan’i Herbert Hunger, izay tsy manampahaizana manokana momba ny Palaeography, fa mpikaroka momba ny tantaran’ny Byzantina, dia ny taonjato faharoa no nambarany momba izany!

Ary ity rakitsoratra ity, dia ahitana fizarana maro raha amin’ny Evanjelin’i Jaona, izany hoe; amin’ny fizarana: 1, amin’ny laharana faha: 1, ka hatramin’ny fizarana faha: 6, ny laharana: 11. Ary amin’ny fizarana: 6, ny laharana: 35, ka hatramin’ny fizarana: 14, amin’ny laharana faha: 26. Ary manomboka amin’ny fizarana 14 ihany koa, dia mitondra ny laharana faha: 29 sy 30. Ary ny fizarana: 15, amin’ny laharana faha: 2-26. Ary ny fizarana: 16, dia mitondra ireo laharana ireo: 2, 3, 4, ary ny laharana faha: 6 sy faha: 7. Ary amin’ny fizarana: 16, amin’ny laharana faha: 10. Ary ka hatramin’ny fizarana faha: 20, amin’ny laharana faha: 20. Ary ny fizarana faha: 20, dia mitondra ny laharana faha: 22-23. Ary koa ny fizarana faha: 20, dia mitondra ny laharana: 25, ka hatramin’ny fizarana faha: 21, amin’ny laharana faha: 9. Ary amin’ny fizarana faha: 21 ihany koa, dia mitondra ny laharana: 12-17.

../Downloads/500px-Papyrus66.jpg../Downloads/440px-Papyrus_66_(GA).jpg

 

9- Ny raki-tsoratra faha (P75):

Ity rakitsoratra ity dia iray amin’ireo rakitsoratry ny firehan’i Bodmer, ary ny tantaran’izany rakitsoratra izany dia mifanaraka amin’izay voalazan’i Martin Bodmer, izany hoe; miverina any amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa na amin’ny fiantombohan’ny taonjato fahatelo. Fa raha ny manampahaizana teorika, Brent Nongbri dia manamafy tokoa fa, ny fomba fanoratana an’io rakitsoratra io, dia mitovy amin’ny fanoratana izay nampiasaina tamin’ny taonjato fahefatra, izay mitovy tanteraka amin’ny fomba fanoratana lehibe izay ampiasain’ny VATIKAN (Codex Vaticanus), izay miverina any amin’ny taonjato fahefatra any ny tantara momba izany. 

Ity rakitsoratra ity dia mitondra ireo fizarana avy amin’ny Evanjelin’i Lioka: amin’ny fizarana faha: 3, amin’ny laharana faha: 18, ka hatramin’ny fizarana: 4, ny laharana: 2. Ary avy amin’ny fizarana: 4, amin’ny laharana faha: 34, ka hatramin’ny fizarana: 5, amin’ny laharana faha: 10. Ary koa avy amin’ny fizarana: 5, ny laharana faha: 37, ka hatramin’ny fizarana: 18, amin’ny laharana faha: 18. Ary amin’ny fizarana: 22, amin’ny laharana faha: 4, ka hatramin’ny fizarana: 24, amin’ny laharana faha: 53. 

Ity rakitsoratra ity ihany koa, no ahitana ireo fizarana avy amin’ny Evanjelin’i Jaona: avy amin’ny fizarana: 1, ny laharana faha: 1, ka hatramin’ny fizarana: 11, amin’ny laharana faha: 45. Ary ny fizarana: 11, ny laharana faha: 48-57. Ary amin’ny fizarana: 12, avy amin’ny laharana faha: 3, ka hatramin’ny fizarana: 13, ny laharana faha: 19. Ary koa avy amin’ny fizarana: 14, ny laharana faha: 8, ka hatramin’ny fizarana: 15, ny laharana faha: 10.

../Downloads/P75-Bodmer14-Lk24-51-Jn1-1-16.gif

 

10- Ny rakitsoratra faha (P98):

Izy io dia takelaka madinika kely avy tamin’ny bokin’ny faminaniana, amin’ny fizarana: 1, amin’ny laharana faha: 13, ka hatramin’ny fizarana: 2, amin’ny laharana faha: 1. Ary manamarina an’izany ireo sasany amin’ny fanarahana ny Palaeography, fa miverina any amin’ny taonjato fahefatra izany. Ka noho ny antony, fa tsy dia mahakasika loatra ireo Evanjely efatra ireo izany, izay anarana manokana iantsoana ity Boky soratanay ity. Ka noho izany, dia tsy hivalampatra loatra amin’izany mihitsy izahay. 

../Downloads/Papyrus_98_(Rev_1,13-2.1).JPG

 

11- Ny rakitsoratra faha (P46):

Ity rakitsoratra ity, dia mitondra ampahana hafatra ho an’i Paoly, ary manamarina an’izany ny sasany amin’ny fanarahana ny Palaeography, miverina any amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa na teo amin’ny fiantombohan’ny taonjato fahatelo. Nefa noho ny antony fa, tsy dia mahakasika loatra ireo Evanjely efatra ireo izany, izay lohatenin’ny bokinay ity, ka tsy hiditra lalina amin’ny firesahana momba izany izahay.

 

12- Ny fanoratana (0189): 

Ity fanoratana ity, dia mitondra ny skriptioran’ny asan’ireo Iraka, amin’ny fizarana: 5, avy amin’ny laharana faha: 3-21. Ka manamarina izany ny sasany, raha araka ny Palaeography, fa miverina any amin’ny farany taonjato faharoa na tamin’ny fiantombohan’ny taonjato fahatelo. Nefa noho ny antony fa, tsy dia mahakasika loatra an’ireo Evanjely efatra ireo, izay fototry ny fanoratanay an’ity Boky ity, ka noho izany dia tsy hiresaka lalina loatra momba izany izahay. 

 

FAMARITANA: 

  1. Ireny rakitsoratra folo, izay nofari-paritan’ny “Institute for new testament textual research”, ny ankabetsahany dia takelaka/kusasat izay tsy hay ho entina hanaporofoana zavatra.
  2. Izay rehetra voalaza momba ny tantaran’ny fanoratana ireny takelaka ireny, dia resaka tsatotsatoka tsotra toy izao fotsiny, izay miorina amin’ny fanarahana ny Palaeography. 
  3. Ny fiangonana taloha dia tsy nahatahiry na kely tamin’ireny rakitsoratra ireny, ary very tanteraka mihitsy nandritra ny fotoana lava-be, mandrapaha nahitana azy tao Ejypta tamin’ny taonjato faharoapolo. 
  4. Raha mijery lalina ny sarin’ireny rakitsoratra ireny isika, dia lasa mametraka ny fanontaniana hoe; Ahoana no hahafahan’ny fiangonana ankehitriny hanaporofo, fa ireny takelaka ireny, izay tsy voatahirin’ireo Papan’ny fiangonana teo aloha ireny tokoa izany?! 
  5. Ireny takelaka ireny dia tsy manana fototra mazava, no tsy fantatra izay nanoratra azy, na ny fiangonana izay nanaramaso an’izay nanoratra azy. Fa raha amin’ny andro misy antsika ankehitriny, raha mahakasika manokana ny asa-soratra momba ny baiboly masina, dia mahita isika fa, tsy maintsy soniavin’iray amin’ireo lehiben’ny fiangonana, no sady tsy maintsy asiana fitomboky ny fiangonany amin’izany fanotana soratra izany. Ary koa tsy maintsy asian’ny lehiben’ny fiangonana teny fanolorana avy aminy na avy amin’ilay fiangonana mihitsy mahakasika izany fanotana soratra izany, na mahakasika manokana indrindra ny testamanta vaovao. Nefa raha mahakasika ireny rakitsoratra folo ireny no asian-dresaka, dia tsy ahitantsika na teny iray aza mba hiteny fa; vita ny fanoratana na ny fandikan-teny izay nataon’ny Pretra toy izao, ka ireo pretra ireo no nanara-maso izany, ary miantehatra amin’ny sehatry ny fandikan-teny ny fikarohana lalina izany asa-soratra nataony izany. Ary tanteraka ny fanoratana na ny fandikan-teny izay miantehatra tanteraka amin’ny raki-tsoratra fototra an’olona tahak’izao, izay notehirizina tamin’ny fiangonana tahak’izao, ary nanara-maso izany ny Pretra tahak’izao!!

 

 

 

NY FIZARANA FAHEFATRA

Tsy misy mihitsy ny antsoina hoe, Evanjely fototra amin’ireo Evanjely efatra ireo

Ny fiangonana; na iray tamin’ireo Papan’ny fiangonana teo aloha aza, dia tsy nisahiran-tsaina tamin’ny fiarovana na fitehirizana ireo Evanjely fototra, satria hamafisina fa, tsy misy tokoa izany atao hoe; ”Evanjely fototra izany mihitsy”!! satria ny teny ao amin’ny Evanjely fototra, dia “midika izany fa, ny iray tamin’ireo mpianatr’i Mesia, no nanoratra Evanjely fototra, ary avy eo dia natolotra tamin’iray amin’ireo mpianany tamin’ireo Papan’ny fiangonana taloha, na koa nandray azy avy taminy ny iray tamin’ireo fiangonana, ka ho tehirizina amin’ny tranom-bokin’izany fiangonana izany! Nefa izany dia tsy nisy mihitsy na tamin’iray amin’ireo Evanjely.

Satria ny tena fahamarinana mahakasika ireny tantara sy toe-javatra niseho tamin’i Mesia (AS=Tso-drano enga anie aminy), dia tena tsy fantatra mihitsy ireny olona nanoratra ny boky anjatony maro ireny. Ka tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa dia nisy fisafidianana boky efatra tanatin’ireo boky marobe ireo, ary nolazaina fa ny mpianatr’i Mesia no tompon’izany boky izany, mba hahazoana fahamasinana sy fandraisana eo anatrehan’ny mason’olona! 

 

IREO FANONTANIANA EKEHIN’NY SAINA MOMBA IREO EVANJELY FOTOTRA: 

Araka izay efa fantatra tsara fa, ny Evanjely rehetra, dia zavatra nosoratana an-taratasy daholo, fa tsy resaka am-bava fotsiny ka ho taterin’olona (ampitaina) amin’ny alálan’ny lelan’izy ireo. Ka noho izany, dia aiza ny soratra fototra amin’ireo Evanjely ireo? Raha toa ka i Jaona bin Zabady, no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona. Taiza no nanoratany izany, ary tamin’iza no nanolorany azy? Moa natolony ho an’ny fiangonana iray manokana ve izany? Ary ahoana no nisehoan’ny Evanjely tena fototra, taorian’izany rehetra izany? Moa nampilaza ny fiangonana fa, manana ny soratra fototra amin’ny Evanjelin’i Jaona ve izy ireo, ary nahazo izany an-tánana mivantana tamin’i Jaona bin Zabady? Moa ve misy vavolombelona amin’izany? Ary aiza ary ny soratra fototra tamin’ny Evanjelin’i Jaona? Nahoana no tsy narovan’ny fiangonana ny boky izay tena lehibe indrindra nisy teo am-pelantanany? Raha tena marina tokoa fa, i Jaona bin Zabady no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona, ka ahoana no ekehin’ny saina raha isika mahita filazana ataon’ny fiangonana momba ny Evanjely, izay manamarina mafy fa, i Jaona bin Zabady no nanoratra io Evanjely io?! Moa misy zavatra mampiahiahy ve mahakasika izany, sa tena mazava dia mazava tokoa?!

 

 

 

FIZARANA FAHA-DIMY

Ireo hafatra tsy fanta-pihaviana ao anatin’ny testamanta vaovao

NY HAFATRA HO AN’IREO HEBREO DIA TSY FANTA-PIHAVIANA SY NY MPANORATRA: 

Eny, hamafisina fa, ny fiangonana dia nanangona ny boky masiny avy tamin’ireo boky tsy fanta-pihaviana ny fotony sy ny mpanoratra azy! 

Ary ny porofo amin’izany dia ny hafatra ho an’ireo hebreo, izany hafatra izany dia hita ao anatin’ny baiboly ankehitriny, nefa tsy fantan’ny fiangonana akory iza no nanoratra izany! Ary hamafisina ihany koa fa, nosafidina avy tamin’ny anaran’ireo olona maroanisa izany, mba hifidianana ny anaran’izay mpanoratra izany hafatra tsy fanta-pihaviana izany. Ka natolotra tamin’izany fisafidianana anarana izany ireto anaran’olona manaraka ireto; Papa Clement Roman I., Barnabas, Paoly, Lioka, Apollos, Priscilla, ary ny hafa maro ankoatr’azy ireo ihany koa. 

Raha amin’ireny fiangonana tandrefana ireny no resahina, dia nanonja tokoa manko ny finoana ka hatramin’ny taonjato fahefatra fa, ny Papa Clement Romanno nanoratra izany. Nefa rehefa avy eo, dia niova hevitra izy ireo fa, i Paoly, ilay Iraka no nanoratra izany. Nefa indray i Tertullian, dia nilaza fa, i Barnabasno nanoratra izany. Fa raha ny hevitr’i Origen, dia nino izy, fa tsy maintsy i Lioka Evanjelistra, no nanoratra izany hafatra izany. 

Ka mametra-panontaniana izahay amin’ny hoe; Avy taiza no nivoahan’izany hafatra izany, ary nahoana no tsy fantan’ny fiangonana ny anaran’izay nanoratra azy? 

Ary taiza no nahitan’ny fiangonana ilay hafatra, moa ve nanao fanolorana tamin’izany ny iray amin’ireo fiangonana ho an’ny fiangonana, nefa tsy nanambara ny anaran’izay nanoratra azy akory? Ary inona no antony nametrahan’ny fiangonana izany hafatra izany ao anatin’ny boky masiny, ary nolazainy, fa tenin’ny Tompo Zanahary izany, sady avy tamin’ny fanahy masina? 

Izany hafatra izany dia tsy fantatra ny anaran’izay nanoratra azy, afa-tsy ny fandikan-teny fototra an’ny Mpanjaka James, amin’ny Baiboly no nanome anarana ity hafatra ity hoe; ”Hafatra avy tamin’i Paoly ho an’ireo hebreo”.

Ary ny filazana fa, i Paoly no nanoratra azy, dia tsatotsatoka tsotra fotsiny izany, fa tsy misy porofo mivaingana akory momba izany. Ka manambara ireo fikarohana ankehitriny mahakasika ny filazana fa, i Paoly no nanoratra izany, dia hoy izy ireo fa, tsy marina tokoa izany. [41: Powell, Mark A. Introducing the new testament: a historical, literary, and theological survey. Baker Academic, 2009]. Satria noho ny antony, fa raha ny fomba fanoratana io hafatra io, sy ny fomba fanoratan’i Paoly, dia tena mifanohitra tanteraka tokoa, raha amin’ny ankapobeny. Satria ny fandaharana ara-pinoana amin’izy roa ireo, dia mifanohitra. Tahak’izany ihany koa, ny traikefa ara-panahy dia mifanohitra. Ary na dia ireo teny grika izay ampiasaina amin’izany dia mifanohitra ihany koa. Ka noho izany, dia ny fiangonana sy ireo manampahaizana ara-pinoana, dia lasa mankahala ny filazana fa, i Paoly no nanoratra ilay hafatra (ilay taratasy)!! {42: Ellingworth, Paul (1993). The new international Greek testament Commentary: The Epistle to the Hebrews. Grand Rapids, MI: Wm. B. Eardmans Publishing Co.p. 3}. 

 

 

 

FIZARANA FAHENINA

FIHODINANA VETIVETY MOMBA NY TANTARAN’NY TESTAMANTA VAOVAO

Ny fahatapahana mazava tsara tamin’ireo Evanjely efatra sy ny taonjato faharoa:

Raha mahakasika ity fanazavana ity, momba ny tantaran’ny testamanta vaovao, dia ho fehezintsika amin’ireo izay hiraisan’ny fiangonana fotsiny izany. Izany hoe; mba ho zavatra hitondra porofo marim-pototra tsara tokoa izany, mba hampazava ny raharaha rehetra amin’ny endrika matotra tsara ho an’ny mpamaky hajaina isany, raha sitraky ny Tompo Zanahary: 

  1. Hita amin’ny teny fanolorana izay nosoratan’ny fiangonana grika ortodoksa amin’ny fomba ofisialy, ao anatin’ny fanotana izay nataony amin’ny Baiboly tamin’ny fiteny Grika, izao manaraka izao

Taorian’i Mesia, tamin’ny taonjato voalohany, raha ny Baiboly ho an’ireo Kristianina, sady nianteheran’ny fiangonana rehetra, dia ny testamanta taloha ihany (tamin’izany fotoana izany, dia mbola tsy nantsoina tamin’ny anarana hoe; testamanta taloha ilay izy, satria mbola tsy nisy izany testamanta vaovao izany tamin’izany fotoana izany. Fa rehefa niseho ny antsoina hoe; testamanta vaovao, dia nantsoina tamin’izany anarana izany: Testamanta taloha izany ilay izy, izay nantsoina hoe: ”Ny Boky masina/Baiboly” na Ny Lalána sy ireo Mpaminany”, teo aloha. Ka raha misy teny manao hoe; nilaza “Ny Boky masina” na “Ny Lalána”, na koa hoe; ”Arak’izay voalaza momba ireo Mpaminany, dia ny testamanta taloha no tiany hambara amin’izany.[43: teny fanoloran’ny testamanta vaovao avy amin’ny fiangonana ofisialy grika, ao anatin’ny Evanjely grika, izay nataon’ny Fikambanana Evanjelika Grika, amin’ny pejy: 1479].

 

  1. MILAZA ILAY VEHIVAVY MPANORATRA, KAREN ARMSTRONG: 

Ireo Jiosy dia mizara ho vondrona maro misara-bazana, izay mitovy amin’ireo vondrona maro samihafa. Ireo Kristianina taloha dia manasokajy ny tenan’izy ireo ho tena Israely. Nefa tsy nanana fikasana hisaraka tamin’ireo Jiosy mihitsy izy ireo… ka nanohy nanao ny fiainany ireo Kristianina taloha mitovy amin’ireo Jiosy, amin’ny fifikiran’izy ireo tamin’ny foto-pinoany. Ka niezaka nanohy hatrany amin’ny fanomezana Hasina ny Baiboly (Taoraty), sy ny fanajana ny andro Sabotsy, ary ny fifikirana amin’ny lalána mahakasika ny resaka sakafo (zavatra fihinana). (Izany hoe; ny zavatra tsy fihinana tahaka ny henankisoa sy ny maro hafa ankoatr’izay momba ireo zavatra fady hanin’ireo Jiosy).

  1. MBOLA MITENY HATRANY ILAY MPANORATRA VAVY KAREN ARMSTRONG

“Telo taona taorian’i Mesia, dia nanaiky ny finoana kristianina i Paoly, noho ny fahasoavan’ny faminaniana izay naharesy lahatra azy, fa i Mesia no nanedry azy ho Iraka, mba hiantso ny vahoaka hafa ankoatry ny vahoaka jiosy mba hino amin’i Mesia. Nefa, raha i Paoly dia tsy nahafatatra ny momba manokana an’i Mesia mihitsy. Nefa raha tamin’ny voalohany dia nanohitra azy izy. Fa rehefa nivadika ho kristianina izy taty aoriana, dia nandeha lavitra nitety firenena maro, ary isan’izany dia; Syria, sy Azia salantsalany, ary tany Gresy. Ka nanambara izy fa, nahazo faminaniana aho amin’ny tendron’ireo tany ireo, alohany fiverenana faharoa an’i Mesia. Ka noho izany dia nanoratra hafatra ho an’ireo izay nivadika ho kristianina taminy (niditra kristianina tamin’ny alálany). Izany hafatra izany dia ho famaliana ny fanontanian’izy ireo, sady mananatra azy ireo amin’izany, ary manazava amin’izy ireo ny foto-pinoan’izy ireo. Ary tsy nihevitra hanoratra “Baiboly” na fotoana kely aza i Paoly. Satria, nino izy fa tsy maintsy mbola hiverina amin’ny fahavelomany i Mesia. Ary tsy nahafantatra mihitsy izy, fa tsy handrakizay eto antany, ka tsy maintsy hamaky tanteraka ny hafatra izay nosoratany ireo taranaka faramandimby [The Bible: A Biography, by Karen Armstrong]. 

 

  1. MILAZA NY FANDIKAN-TENIN’I ST. JUSTIN MARTYR (Latin: iustinus martyr) MOMBA NY BAIBOLY AMIN’NY TENY FANOLORANA AMIN’NY TESTAMANTA VAOVAO

“raha ireo tenin’i Mesia, sy ny vaovao tsara izay ampitain’ireo Iraka, dia mampitampita izany ny lelan’ireo mpitahiry nandritra ny fotoana lavabe. Nefa tsy mba nahatsiaro na inona na ninona akory ireo kristianina taloha, afa-tsy taty aorian’ny fahafatesan’ny iraka farany tamin’izy ireo. Izany dia noho ny halehibeazan’ny fanoratana ny zavatra izay hain’ireo iraka. Mbola tsy nisy andro nipoahan’ny resaka amin’ny fanenjehana ireo fanoratana vaovao ireo. Raha toa ka resaka fizorana amin’ny fahazarana tsotra toy izao, dia mbola tsara lavitra noho ny fahamarinan’ny zavatra voasoratra. Hita ka hatramin’ny taona 150, ireo kristianina dia manomboka manangana vondrona skriptiora vaovao, izay tsisy nahatsapa izany afa-tsy ny vitsy anisa tamin’izy ireo. Raha ankabetsahan’ny tsatotsatoka, dia niray hevitra izy ireo mahakasika manokana ireo Hafatr’i Paoly, ary nampiasa izany tokoa izy ireo tamin’ny fiainana maha olon’ny fiangonana azy ireo. Ary ny tanjon’izy ireo dia mbola tsy nisy fifandraisana amin’ny resaka fanoratana Baiboly, fa vaomainka avelany hisedra azy ireo ny tranga nisy tamin’izany: hamafisina fa, ireo hafatr’i Paoly dia voasoratra tamin’ny fotoana fizorana amin’ny fahazarana evanjelika mbola nanjaka mafy, izay miampitampita amin’ny alálan’ny lelan’ireo mpahay tsianjery. Nefa i Paoly, dia nananatra amin’ny famakiana ireo hafatra izay napetrany, sy ny fanoratana izany ihany koa ho an’ireo fiangonana mpifanolo-bodirindrina… noho ny antony fa, tsy dia misy lanjany loatra izany hafatra izany, dia mazava hoazy fa tsy nisy fijoroana vavolombelona hanamafy izany hafatra izany tamin’ny fiantombohan’ny taonjato faharoa, ka raisina ho skriptiora masina manandanja izany, tahaka izay ananan’ny Baiboly masina. Ary ny raharaha momba ireo Evanjely ireo, dia tsy niseho mazava loatra nandritra ireny fotoana marobe ireny, raha ampitahana amin’ny fisehoan’ny hafatr’i Paoly. Eny, tsy tanteraka tokoa ireny fanoratana ireny, izay nataon’ireo mpanoratra kristianina taloha raha tamin’ny fakana izay voalaza na izay hitan’izy ireo maso fotsiny, satria hita fa sarotra dia sarotra tokoa izany isaky ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra, dia hanontany hoe; moa ve izao didy raisina izao nalaina avy tamin’ny zavatra voasoratra, izay teo anatrehan’ireo mpanoratra, sa zavatra azon’izy ireo tamin’ny alálan’ny fitadidiana ny ampahany amin’ireo fizorana ara-pahazarana nolazaina ambava tsotra toy izao fotsiny. Na inona na inona ny trangan-javatra, dia mbola tsy nisy fijoroana vavolombelona hanamarina fa, efa fantatry ny olombelona hatry tamin’ny taona 140, ny fisian’ireo ampahana tahirin-tsoratra Evanjelika voasoratra izany. Ary tsy voalaza amin’ireo soratra ireo ny toetra lehibe, satria mbola tsy nisy resaka fijoroana vavolombelona niseho tamin’izany, afa-tsy tamin’ny fisasahana faharoa tamin’ny taonjato faharoa, izay hita fa, tena nihamazava tanteraka tokoa tamin’ny fizotry ny fotoana, fa nisy an’izany ampahana Evanjely izany tamin’izany fotoana izany, izay nitondra toetra lehibe. Ka nanomboka teo ny fiaikena amin’izany toetra izany, tamin’ny fandehanan’ny fotoana tsikelikely. Ary nanomboka tamin’ny taona 150, ny fotoanan’ny fifandirana momba ny fananganana ny lalánan’ny testamanta vaovao. Ary i St. Justin Mrtyr(Latin: Iustinus Martyr) [izay niaina nandritra ny taona 100-165], izy no voalohany nilaza fa: ”Ireo Kristianina dia mamaky ireo Evanjely (nefa tsy afaka mamaritra izany Evanjely izany, moa isan’ireo Evanjely efatra voalaza ve izany sa tsia) manerana ny fiangonan’izy ireo isaky ny Alahady, ary mihevitra tokoa izy ireo fa, ireo iraka ireo no nanoratra izany –na hoe; ireo olombitsy izay nifandray tamin’ireo iraka ireo tamin’ny fifandraisana matotra tokoa- ary izy ireo dia mampiasa izany no sady manandratra ho avo izany tahaka ny Baiboly”.

Raha toa ka toy izao ny fanandratana ireo tahirin-soratra ireo, ka mazava hoazy tsara fa, ny raharaha dia voalohany indrindra dia tsy hiverina any amin’ny tena fotony ara-paminaniana (satria dia voasoratra tamin’iray amin’ireo iraka izany). Ary tsy vitany izany fotsiny fa, mbola mitatitra momba ny vaovaon’ny “Tompo”, raha araka ny fahazarana mahazatra izay efa niampitampita.

Nefa tena haingana dia haingana tokoa ny filazana fa, ireo iraka ireo no nanoratra ireo tahirintsoratra (ireo boky) ireo. Ary indrindra moa ny mahakasika ny mahazava-dehibe ny fiarovana izany, satria noho ny antony fa marobe loatra isan’ireo mpanoratra izay manoratra zavatra mitovy ihany raha amin’ny fisehoan-javatra aty ivelany. Nefa raha ny zavatra izay ao anatiny dia miverina any ampisasahany amin’ny fahazarana mahazatra azy ireo, izay feno habadoana tokoa. Ary raha ny tena marina, dia mitarika miverina any afara, raha anatin’ny fotoanan’ny fifandirana (misy teny fandrangitana) izany…

Afaka milaza isika fa, ireo Evanjely efatra ireo, dia azo teo ho eo amin’ny taona 140, raha araka ny fomba manaraka ny lalána, raha toa ka tsy nampiasa ireny fehezanteny ireny hatry tamin’izany fotoana izany. 

Fa raha mahakasika manokana ireo hafatr’i Paoly, dia efa nifangaro tsy fahazavana mhitsy tamin’ny resaka lalána hatry ny andro voalohany izay notakian’ny hevitry ny maro tany am-piangonana, izay miteny fa; tsy maintsy mahazo ny lalána ho an’ny testamanta vaovao.

 

  1. FISEHOANA EVANJELY AMPOLONY MARO

Betsaka no mitsangana manoratra izay henon’izy ireo momba ny tantaran’ny Lehibe Mesia, amin’ny soratra izay nosoratana tamin’ny taratasy na amin’ny tahirin-tsoratra. Anisany porofo mivaingana amin’izany dia ny zavatra voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Lioka, amin’ny fizarana: 1, amin’ny laharana faha: 1, hoe: ”betsaka izy ireo no efa naka ny fanoratana tantara mahakasika ireo zavatra azo antoka tsara, mitovy amin’ny fanoloran’ireo izay nampiasa teny mitovy hatry ny fiantombohany ka natolotra anay. 

Izaho koa dia mahita, rehefa nanaraka akaiky ny zava-drehetra amim-pahatoniana tanteraka tamin’ny fotoana voalohany raha hanoratra aminao mitohitohy hatrany aho, oh ry malála Throphyls”. 

  • Ary hamafisina ihany koa fa, efa nilaza i A. Hilmy Al-Qams Yaqub, raha namaly ny fanontaniana hoe: ”inona no nanosika ny fiangonana hanangona ireo skriptiora momba ny lalána?”: ”Noho ny antony fisehoana maro isankarazany mafonja avy amin’ireo bokin’i Abou Kreva, izay nolazaina fa, an’ireo iraka, nefa lainga fotsiny izany. Ampolony maro ireo Evanjely nipoitra, izay mitondra tantara tsy marim-pototra, ary indrindra indrindra moa mahakasika ny fotoana fahazazan’ny Lehibe Mesia sy ny fahatanorany, ary koa mahakasika ny fiainan’ny Lehibe Verijiny (Reniny)sns… mahakasika ireo zavatra izay tsy notazomin’ireo Evanjely araka ny lalána an-tsoratra aza, ka tsy maintsy hampisaraka ity amin’iry. Ka niaiky amin’ny maha ara-dalána an’ireo skriptiora masina ara-dalána ireo ny fiangonana, ary nihataka lavitry tamin’ireo bokin’i Abou Kreva ny fiangonana. 
  • Hamafisina fa, ny Encyclopedia Britanika dia efa nilaza izao manaraka izao: ”Ankehitriny, na hatry ny taona 150, dia afaka namokatra fanoratana tsy fantatra ireo kristianina, na koa nametraka anarana indramina tamin’izany izy ireo. Izany hoe; satria izy ireo dia nampiasa anarana Evanjelika manokana, na iraka fantatra amin’ny hafatra izay nampanaovina azy (izany hoe; anaran’iray amin’ireo iraka amin’ny mpianatr’i Mesia izay miisa roa ambiny folo/12). Ireo kristianina dia tsy nino mihitsy fa, izao zavatra ataon’izy ireo izao, dia mifono fitaka sy fivadihana, ary fitsipahana. Ary raha manao jery todika isika, mahakasika ireo hafatra, izay ahitana ny anaran’ny mpanoratra azy ny ao anatin’izany hafatra (taratasy/boky) izany, fa izy no nanoratra izany boky izany. Ary anisany ohatra amin’izany dia ny hafatr’i Paoly, izay natonta ara-tantara sy ara-pinoana, ary tamin’ny fomba manaram-penitra tsara, ka ambarany amin’izany fa, i Paoly no nanoratra izany. Ary ireo fanoratana maro samihafa ankoatr’izay (ireo Evanjely sy ireo hafatra maro hafa), dia mampisantatra izany amin’ny hafatra izay entiny, na amin’ny fitondrana faminaniana, nefa tsy miraharaha amin’ny filazana ny anaran’izay nanoratra azy. Satria noho ny antony, fa maneho momba ny mpanoratra na ny vavolombelona ho an’ny fanahy masina, na ho an’ny Tompo fotsiny izany. Ka rehefa mitondra resaka fanoratana an’ilay hafatra (taratasy), ka mazava hoazy fa, (ny mpanoratra ny Evanjely na ny Hafatra) dia miresaka lalina amin’ny zavatra izay tsisy hifandraisany amin’ilay hafatra mihitsy, satria nihevitra izy fa, ny fanahy masina no tena nanoratra izany. Nefa teo ampovoan’ny taonjato faharoa, sady teo amin’ny fahataran’ny fahatongavana faharoa an’i Mesia, ho mpitsara mpandresy amin’ny hifaranan’izao tontolo izao. 

Ka noho ny fivoaran’ny fahaizan’olombelona amin’ny fitadidiana ny tantara, dia niha-nitombo ny fahazavana teo amin’ny fotoanan’ireo iraka roa ambiny folo sy amin’ny fotoana ankehitriny. Ary nitombo tsikelikely ihany koa ny fitsaharana amin’ireo fanoratana izay nampiasa “ireo anarana fototra indramina ireo” mba ho anaran’izay nanoratra azy. Izany hoe; ny tena mpanoratra mihitsy no mampiasa ireo anarana fototra indramina ireo, mba hampifandraisana ilay boky amin’ny Lehibe Mesia, na amin’iray amin’ireo iraka. Ary hoatran’izany no haneken’ny (handraisany) fiangonana ny boky”. 

 

  1. FIPARITAHAN’NY HERETISMA SY IREO FORONA: 

Nambaran’i A, Hilmy Al-Qams Yaqouba tamin’ny valin-teniny amin’ny fanontaniana hoe; inona no nanosika ny fiangonana mba hanangona ireo skriptiora mifono lalána? “: noho ny antony amin’ny maha zava-dehibe ny famerana ireo skriptiora masina ireo, izay mifono lalána, satria noho ny anton’ireo forona sy heretisma ireo, izay efa nanomboka mahazo vahana ny fiparitahany” [50: Gospel of Marcion, The Marcionite Bible, The Gospel of the Lord].

Ary anisan’ireo heretisma ireo, dia: 1) Heretisma Mark (Marxists Ebionites. Ka niparitaka ny Evanjeliny, izay nantsoina hoe; ”Evanjelin’ireo Mark”, na “Evanjelin’ny Tompo” manerana ireo fiangonana maro erantany. 2): ny forona izay nataon’ireo vondrona Ebionites, ity vondrona ity izay hamafisina fa, manaraka ny “Evanjelin’ireo Ebionites”. Ary mihevitra sady milaza ny sasany fa, izy ireo dia manaraka ny “Evanjelin’ireo hebreo”. 3): ny foron’ireo Cerinthus, dia niparitaka ihany koa ny Evanjeliny, izay nantsoina hoe; ”Evanjelin’ireo Cerinthus (Gospel of cerinthus), sy ny hafa maro ankotra azy ireo. 

 

  1. NY FIFANDIRANA AMIN’IREO ANTOKOM-PINOANA SY IREO HERETISMA ARY IREO EVANJELY: ary tahak’izao no fisehoany amintsika, fa noho ny fiparitahan’ireo karazana forona maro isankarazany sy ireo heretisma, ary indrindra moa tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa, no nampahazo vahana ny fifandirana sy ady tamin’ireo antokom-pinoana. Ary tahak’izao ihany koa no nisehoan’ireo Evanjely ampolony maro, izay lazaina tsy amim-pahamarinana fa, an’ireo mpianatra roa ambiny folo, noho ny antony mba hahazoana fanamasinana sy fandraisana izany eo anatrehan’olombelona, izay lasa ho fifandirana lehibe ho an’ny vondrona iray amin’ireo vondrona hafa. Ary isany lehibe indrindra amin’ireo tsy fifankazahoana amin’izy ireo, dia ny mahakasika amin’ny maha tompo an’i Mesia, ary hamafisina fa indrindra moa ny Evanjelin’i Jaona raha tsongaina manokana, dia anisany mandray anjara mavitrika amin’izany fifandirana izany.

 

 

 

FIZARANA FAHAFITO

EVANJELIN’I JAONA SY NY FILOZAOFY GRIKA

1- FISEHOANA TAMPOKA NY EVANJELIN’I JAONA: 

Arak’izay efa nambaranay teo ampiandohana, fa ny olona voalohany nanambara ny fisian’ny Evanjely izay nosoratan’iray tamin’ireo mpianatr’i Mesia, dia tsy iza fa, Irenaeus, izay tany amin’ny taona 180 tany. Ary milaza ny sasany fa, noho ny antony fisehoan’ireo heretisma sy ny forona tamin’ny fotoanan’i Jaona bin Zabady, dia nangataka tamin’i Jaona bin zabady tokoa ireo pretra tany Azia salantsalany, mba hanoratra Evanjely, izay hanoherana amin’ny alálan’izany ireo heretisma sy forona. Nefa io filazana izay nataon’izy ireo io dia tsy marina, sady tsy misy na porofo mafonja manamarina izany. Ary mbola fanampin’izany, dia inona koa ny fiangonana tany Azia salantsalany, na koa ireo fiangonana maro hafa ka mbola tsy naheno momba ny fisian’izany Evanjely izany, raha toa ka tena ry zareo mihitsy no nangataka marina tamin’i Jaona bin zabady mba hanoratra izany Evanjely izany?! Ary maninona no tsy misy na iray amin’ny Papan’ny fiangonana aza no mampijoro vavolombelona momba izany tamin’ny taonjato voalohany na teo amin’ny fiantombohan’ny taonjato faharoa, satria hitantsika tsara fa, ny fanondroana voalohany mahakasika ny fisian’izany dia tamin’ny taona 180 ihany?!

 

2- FAMPIASANA NY EVANJELIN’I JAONA TAMIN’NY FIATREHANA IREO MANKAHALA NY MAHA TOMPO AN’I MESIA SY IREO HERETISMA, ARY NY FORONA

Ny vaovao rehetra tonga tamin’ny fiangonana mahakasika ireo heretisma sy forona ireo, izay nipoitra hatry ny faramparan’ny taonjato voalohany sy faharoa, dia miantehatra tanteraka amin’ny zavatra izay nosoratan’i Irenaeus, ao amin’ny bokiny izay antsoina hoe; ”Fanoherana ireo heretika/na fanoherana ireo mpikomy”, nefa ny soratra fototra amin’izany boky izany, dia tsy tonga amin’ny fiangonana, sady ny fiangonana raha teo dia niantehatra tamin’ny dikan-teny Latina amin’izany boky izany. Ary raha momba an’i Irenaeus manokana, dia tsy nananan’ny fiangonana betsaka ny momba azy, afa-tsy hoe; ny fiangonana dia nanamarina fotsiny ny zavatra rehetra voalaza amin’izany fandikan-teny amin’ny teny Latina izay nataon’i Irenaeusizany!

Irenaeus, dia hamafisina fa niantsy ady nanohitra ny maro tamin’ireo Papan’ny fiangonana taloha, sy ny maro tamin’ireo vondrona kristianina voalohany, no sady nanohitra ihany koa ny ankabetsahan’ny maro tamin’ireo Evanjely, izay niely mafy, sady nolazaina fa, ho an’ireo mpianatr’i Mesia! Ka noho izany no nahatonga an’i Irenaeus, nanome anaran’ireo “Ebionites”, izay midika hoe; ireo mahantra tamin’iray amin’ireo vondrona kristianina. Ka nanenjika azy ireo sy ny foto-pinoany izy, ary niantso an’izany ho “Foron’ireo Ebionites”. Tsy vitan’izany fa, mbola nanenjika ny Evanjely, izay nampiasain’izy ireo izy, ary nantsoiny amin’ny anarana hoe: ”Evanjelin’ireo Ebionites”! 

Ary nenjehin’i Irenaeus ihany koa ireo Marka sy ny foto-pinoany, ka nantsoiny hoe: ”Foron’ireo Marka”, sady nenjehiny ihany koa ny Evanjely izay nampiasain’ireo Marka, izay efa niparitaka mafy tokoa manerana ny firenena maro sy ireo fiangonana, ka nantsoiny amin’ny anarana hoe: ”Evanjelin’ireo Marka”!

Mbola nanenjika an’i Cerinthussy ny Evanjeliny ihany koa izy, ka nantsoiny amin’ny anarana hoe; ”Gospel of Cerinthus/Evanjelin’i Cerinthus”. 

Ary mbola nanenjika an’ny Carpocrates, izay nanaraka ny “Evanjelin’i Cerinthus” ihany koa izy. Sady nanenjika ihany koa an’i Saturninussy Basilidessy 

ny foto-pinoan’izy ireo koa izy.

Tahak’izany ihany koa, dia nanenjika ny maro amin’ireo Papan’ny fiangonana taloha i Irenaeus, sady nanoratra momba azy ireo izy, sy ny foto-pinoan’izy ireo. 

Ka noho izany, dia tsy fantatray mazava raha tena nino azy marina tokoa izy ireo, afa-tsy avy tamin’izay nosoratan’i Irenaeus, momba azy ireo.

Fa raha mahakasika ireo fanoratana izay nataon’izy ireo, dia tsy tonga taty aminay na kely aza. 

Ka noho izany, dia tsy ho fantantsika mandrakizay mihitsy ny momba azy ireo, raha toa ka tena heretika (heretika=mpikomy/very lálana/mpanohitra/mpandá, izay mandá ny marina) marina izy ireo na tao anatin’ny fahamarinana. Satria hamafisina, fa tsy hisy andro koa no hahazoantsika ireo zavatra nosoratan’izy ireo na ny zavatra notenenin’izy ireo marina. Fa raha ny fiangonana ankehitriny, dia mamerimberina hatrany ny tenin’i Irenaeus momba azy ireo, tsy am-pisalasalana mahakasika izay nolazainy. Ary ohatra amin’izany, dia efa namaky momba an’i Cerinthus aho, ka hitako tamin’izany ny teniny fa, ireo Papan’ny fiangonana taloha, dia nanenjika azy sy ny fanoherany. Nefa rehefa namaky matetika aho, dia hitako fa, ny tiana hambara amin’ireo Papan’ny fiangonana taloha ireo, dia tsy iza fa, i Irenaeus ihany!!

Hamafisina, fa Irenaeus dia niantehatra tanteraka tamin’ny Evanjelin’i Jaona tamin’ny fanenjehana rehetra izay nataony, izay nantsoiny hoe ; ireo heretisma. Ka mazava hoazy, araka izay efa nambaranay teto fa, nolazainy ho an’i Jaona bin Zabady, mpianatr’i Mesia, ilay Evanjely, izay teo aminy. Ary nolazainy ihany koa, fa ny mpampianatrany i Polycarp, dia mpianatr’i Jaona bin zabady. Izany dia mba hahatonga ny teniny ho raisin’olona, sady mba hanamarina ihany koa fa, ny foto-pinoana izay noheveriny, dia foto-pinoana marina tokoa.

 

3- MAMPIAVAKA NY EVANJELIN’I JAONA AMIN’IREO EVANJELY TELO HAFA IREO: 

Ny fiangonana dia miantso ireo Evanjely telo ireo, izany hoe; an’i Mathieu, sy Marka ary Lioka, amin’ny anarana hoe; ”Ireo Evanjely ho an’ny vatana”. Fa ny Evanjelin’i Jaona kosa, dia antsoiny amin’ny anarana hoe; ”Evanjely ho an’ny fanahy”. 

Torak’izany ihany koa, fa ny fiangonana dia nanome anarana ireo Evanjely telo ireo amin’ny hoe; ”Synoptic Gospels”, satria afaka apetraka mifanakaiky ny hafa amin’ny sasany. Satria noho ny antony, fa marodika izy ireny, izay tsy hanambara tantara mitovy momba an’i Mesia, sy ny filaharan’ny tranga izay niseho raha amin’ny ankapobeny. Ary voatondro ny fisian’ny dikamitovy amin’ireo Evanjely, noho ny anton’ny olana amin’ny “Synoptic problem”. Satria ny fitovizana amin’ny fisafidianana ny teny hampiasaina sy ny fandaminana ireo tranga niseho ireo, dia manambara fa misy fifandraisana amin’izy ireo. Nefa raha mahakasika ny Evanjelin’i Jaona manokana no resahina, dia nomena ny anarana hoe; ”Ny Evanjely mahaleotena”

 

4- ANTONY NANORATANA NY EVANJELIN’I JAONA

Ny mpanoratra an’ity Evanjely ity dia manazava tsara ny antony nanoratany azy, araka izay ambarany ao amin’ny fizarana: 20, amin’ny laharana faha: 31, hoe: ”Hamafisina, fa efa nosoratana izao, mba hinoanareo fa, izaho Mesia dia zanak’i Tompo Zanahary, ary raha mino ianareo, dia hahazo fiainana amin’ny anarany”. 

Ary tahak’izany ihany koa fa, ny fiangonana dia mahita fa, ny Evanjely dia nosoratana mba hanamarinana amin’ny maha tompo an’i Mesia, ary izy mihitsy ilay Mesia izay andrasan’ireo Jiosy. 

Nefa, ireo Evanjely hafa ireo dia tsy milaza mazava amin’ny maha tompo an’i Mesia. Nefa hitantsika amin’ny Evanjelin’i Jaona, fa ny fehezanteny voalohany dia miantomboka amin’ny filazana fa, i Mesia dia tompo. Arak’izay voalaza ao amin’ny fizarana: 1, laharana faha: 1, dia miteny hoe: ”Amin’ny fiantombohana dia ny teny, ary teo anatrehan’i Andriananahary izany teny izany, ary i Andriananahary mihitsy ilay teny”. 

 

5- TOERANA NANORATANA NY EVANJELIN’I JAONA SY NY FOMBA FANORATANA AZY: 

Henjana dia henjana tokoa ny tsy fitovizan-kevitra mahakasika ny toerana izay nanoratana izany Evanjely izany. Efa voalaza tokoa mantsy fa, tany Ifsosy, na tany Intwakiyah, na tany Alexandria, Ejypta no nanoratana izany. Ka tsy maintsy hanolotra raki-tsoratra aho, izay voasoratra momba izany, izay nitrandrahina tao Alexandria, Ejypta. Nefa izany Evanjely izany dia mitondra ny fitomboka helenika (Grika), izay mifanaraka tanteraka amin’ny hevitra Alexandria, izay voasinton’ilay filaozofy Jiosy Alexandria, Filon (60: Philo of Alexandria, 20 BC – 45 taorian’ny fahaterahan’i Jesoa).

 

6- FINDRAMAN’ILAY MPANORATRA NY EVANJELIN’I JAONA AVY TAMIN’NY FILAOZOFIA GRIKA: 

Ny Evanjelin’i Jaona dia niantomboka amin’izao fehezanteny manaraka izao: 

Amin’ny fiantombohany, dia teny, ary ny teny dia eo anatrehan’ny Tompo Zanahary, ary izany teny izany dia Tompo Zanahary”.

Nefa raha ny zava-misy, mahakasika izay namorona voalohany ny fampiasana ny resaka hoe; ”teny” (Logos, raha amin’ny fiteny grika), izany hoe; ilay filaozofy grika Heraclitus (c. 535-c. 475BC), izay niaina hatry tamin’ny taona (535-475) talohany haterahan’i Mesia. Izy izay hamafisina, fa nanasokajy izany amin’ny hoe; Teny dia lalána ho an’izao tontolo rehetra izao. Ary mbola nilaza ihany koa izy raha teo amin’ny toe-javatra mitsingevaheva, izay tsy amim-pahamatorana, hoe; Nefa raha i Logos tompo, dia tsy tena izy manokana tokoa, sady tsy ilay mpanova.

Hamafisina, fa maro tamin’ireo Philosophes grika, no nampiasa ny hoe: ”Teny”, amin’ny fomba maro isankarazany. Ary isan’ireo Philosophes nanao an’izany, dia Aristotle, sy ireoSophists, ary i Aflaton, izay nampahafantatra ilay teny hoe: Logos, no nanova ny maha izy azy manokana, sady nanova ny fifanakalozana, izay niaro ireo kintana amin’ny fizorany, ary nametra ny fizaran’ny vanim-potoanany avy”. 

Isany nampiasa io teny io koa ireo Philosophes: Stoic Philosophers, ary nampahafantarin’izy ireo fa, izany dia; ”Fiantombohan’ny tompo izay mihetsika, sady izay manelanelana izao tontolo izao”. Ary nampahafantarin’izy ireo ihany koa, fa izy no mpanomboka sy mpanatanteraka mametra an’izao tontolo izao, na “Betron’izao tontolo izao” na koa “Mpitantana azy”, izy izay manome ny fiainana, izay mandamina sady manitsy izay tsy mahitsy eto antany, ary izany no tena foto-dresaka.

Ary anatin’ny Hellenistic Judaism (izany hoe; ny jodaisma mpanintona amin’ny alálan’ny Philosophie sy kolotsaina grika), Filon ilay Philosophe jiosy Alexandria, dia nampiasa an’io fomba fiasa io ihany koa tamin’ny philosophie jiosy, izay nampahafantatra ihany koa, fa: Izany no hery fototra voalohany momba an’ny Zanahary, izay toeran’ny endrika, sady fanoharana voalohany ho an’ny zavatra rehetra. Izy no hery miafina izay mamelona ny zava-drehetra no sady mamatotra izany. 

Izy, izay mitsabaka amin’ny fihariana izao tontolo izao, nefa tsy mpahary izany akory izy. Izay manelanelana ny olombelona sy ny tompo Zanahary. Izy, izay mitarika ny zanakolombelona, ka afaka hitraka izy ireo hijery ny tompo Zanahary. 

Nefa raha ny anjara asany, dia matetika eo amin’ny resaka fanelanelanana ihany. 

Ka nampahafantatra izy, fa “Tompo” tokoa izany. 

Ary mamariparitra izany izy amin’ny fampitahana azy amin’ny tompo zanahary, amin’ny teny famaritana, izay maneho ny momba an’ny tompo zanahary, hoe”Ny tompo”, dia tsy nametraka teny famaritana izay manondro an’i “Logos”.

Fa raha mahakasika manokana ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona kosa no resahina, dia efa nampahafantatra ny ambangovangony amin’ny dikany izy hoe: ”Teny”, fa tena Izy tompo tokoa izany. Ary nampahafantatra momba an’i Mesia koa izy amin’ny hoe, ”Ny teny miseho”!!

 

7- FAHARESENDAHATR’IREO PAPAN’NY FIANGONANA ANKEHITRINY AMIN’NY EVANJELIN’I JAONA TAMIN’NY PHILOSOPHIE GRIKA SY IREO BOKIN’I JODAISMA AN’I ABOUKREVA: 

  1. Resy lahatra ireo Papan’ny fiangonana taloha tamin’ny philosophe Jiosy Alexandria, Filon: 

Araka izay efa nambaranay teo ambony fa, ny Evanjelin’i Jaona dia mitondra fitomboka Hellenika (grika), sady voasintona tokoa tamin’ireo asa-soratra izay nataon’ilay Philosophe Filon Alexandria. Hamafisina koa, fa i Filon dia nampiasa ireo famantarana filozofika izay mampikambana amin’ireo boky masin’ny Jiosy, ary indrindra moa ny Baiboly na Taoraty amin’ny philosophie grika.

Hamafisina ihany koa fa, raha ny famakafakana nindramina na famantarana an’i Filon, dia tena zava-dehibe tokoa amin’ireo Papan’ny Fiangonana kristianina taloha, izay nahavoaray ireo asany sy ny foto-keviny tamin’ny hafanam-po tanteraka, ary nilaza mihitsy izy ireo, fa kristianina mihitsy ingahy Filon, fa nanafina ny finoany amin’ny maha-kristianina azy.

Ary mahita indray ireo manampahaizana sasany, fa raha ny fandraisan’i Filon an’ilay teny hoe; fa izany no fiantombohan’ny fihariana anatrehan’ny Tompo Zanahary, dia tena nandresy lahatra ny maroanisa tamin’ny finoana kristianina taloha. Ary koa ny filazana fa, ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona dia nindrana izao fomba fandraisana izao avy tamin’i Filon. Nefa Filon, dia efa nanambara tsara momba izany amin’ny fandraisana izany ara-pilozofika jiosy. Nefa kosa raha ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona dia nanindry tsara ihany koa amin’ny fandraisana ara-pilozofika kristianina. [“On the Embassy to Gaius””, by Philo of Alexandria, Taylor Anderson].

Nilaza ihany koa Matt Stephan ao amin’ny bokiny antsoina hoe: ”ny jodaisma: tantara, foto-pinoana, ary ny fampiharana”: ”hamafisina, fa ny fampiasan’i Filon ny philosophie grika, ary indrindra indrindra moa ny philosophin’i Aflaton, amin’ny fampikambanana ny foto-kevitry ny Taoraty amin’ny fahazoany (fandraisany) ny dikan’ilay hoe: “Teny”, izay manambara fa; fanelanelanana amin’ny Tompo Zanahary sy izao tontolo izao izany, raha ny tiany hambara no jerevana. Ary izany rehetra izany dia lasa antony nahatonga ny fitsanganan’ireoNeoplatonism vaovao, sy ireo Gnosticism, ary ireo fijery filozofikan’ireny Papan’ny fiangonana taloha ireny [68: ”Judaism: History, Belief, and Practice”, by Matt Stefon, Hellenistic Judaism page: 39].

 

  1. YUSTINOS SY NY FANINTOMANA AMIN’NY PHILOSOPHIE GRIKA: 

Arak’izay efa nambaranay teo aloha fa, ny fandikan-teny momba ny resaka kristy, dia efa nanambara ao amin’ny teny fanolorany mahakasika ny testamanta vaovao, fa ny martiora Yustinos (izay niaina tamin’ny taonjato faharoa, hatry ny taona 100-165), izy izay voalohany nilaza fa: ”Ireo Kristianina dia mamaky ireny Evanjely ireny (nefa tsy mamariparitra tsara amin’ny hoe; inona ireo Evanjely ireo, ary moa ve anatin’izy ireo ihany koa ireny Evanjely efatra ireny sa tsia), izay vakina amin’ireny fiangonana ireny isaky ny Alahady, ary izy ireo dia mihevitra fa, asa soratr’ireo Iraka izany”. Izao no fanaporofoana ianteheran’ny fiangonana amin’ny fanamarinana ny fisian’ireo Evanjely, izay tany amin’ny fisasahan’ny taonjato faharoa. Nefa hiverenantsika ny tantara manokana momba ny fiainan’i Yustinos, dia ho hitantsika fa voasinton’ny philosophie grika lalina tanteraka izy, ary isany nisongadina tokoa izy tamin’ny famakafakana ny dikan’ilay “teny” hoe; (Logos) tany amin’ny taonjato faharoa. Araka ny fanondroan’i Yustinos, mahakasika ny resaka fisian’ny “Finoana marina” izay nisy talohan’ny finoana kristianina, hoe; ”ny fototry ny finoana kristianina”, dia (ny fisehoan’ny asan’ilay “teny” nandritra ny tantara manontolo). Ary hamafisina fa, efa nandalo talohan’izay mihitsy ny incarnation an’i Mesia (amin’ny mahaolombelona azy). Ary mbola manambara ihany koa izy fa, ny ankabetsahan’ireo Philosophes grika kalaza nandalo tamin’ny tantaran’izao tontolo izao (ary isan’izany ry Sokraty sy Aflaton), ireo izay efa fantatra tsara tamin’ny fahatsaran’ny asan’izy ireo amin’ny maha Philosophes azy ireo, dia milaza fa, ny Kristianina dia tsy mahafantatra ny maha-kristianna azy ireo, raha araka ny fijerin’ireto manampahaizana ireto.

 

  1. PAPYASY SY NY FAHARESINY LAHATRA TAMIN’IREO BOKIN’I ABOU KREVA JIOSY

Arak’izay efa nambaranay tamin’ny fizarana voalohany amin’ity boky ity, fa i Eusebius Caesarea, dia efa nanoratra momba an’i Papyasy, fa lehilahy tsy kingasaina mihitsy izy, sady voafetra ihany koa ny fahaizany, satria noho ny antony fa, Papyasy dia voasinton’ireo bokin’i Aboukreva, ilay jiosy. Ka noho izany dia nino amin’ny “Fanjakana amin’ny faha arivo taona”, izay noho ny antony ara-pitaovana izy. Izy dia mitatitra lovantsofina tsy marim-pototra sy fampianarana vao niforonina.

 

  1. CLEMENT ALEXANDRIA SY NY FAHARESENY LAHATRA TAMIN’NY PHILOSOPHIE GRIKA

Izy dia anisan’ireo nanana ny toerany tamin’ny fiarovana ny Evanjelin’i Jaona, sady efa Filohan’ny sekoly katedraly tao Alexandria, Ejypta. Ary tamin’ny alálan’ireo boky lehibe telo izay nosoratany, no manazava ny fetran’ny fahareseny lahatra lalina tamin’ny resaka philosophie, sy fahendrena grika, ary indrindra moa ny philosofin’i Aflaton sy ny philosophin’ireo Stoic, ary ambonimbonin’ny mpandalina kristianina hafa mihitsy izy tamin’izany fotoana izany. Ary ny mpampianatrany dia ny philosophe grika Masindahy Saint Pantaenus (Pantaenus the philosopher), izay philosophe stoic malaza ny tenany tamin’izany fotoana izany. Ary fantatra mazava tsara fa, ny Philosophe St. Pantaenus dia mpanompo sampy taloha, fa nanaiky ny finoana kristianina. Ary tamin’izany fotoana izany dia niezaka ny hampahomby amin’ny fampitambarana ny philosophie grika, izay tena nananany traikefa tsara sy ny finoany vaovao, dia ny finoana kristianina. Tamin’izany fotoana izany dia nahasintona mafy ny maro izy tamin’ny alálan’ny fahaizany momba ny finoana kristianina tamin’ny asa izay niandraiketany tamin’ny maha filohan’ny sekoly katedraly azy tao Alexandria. Ka rehefa maty izy dia nandimby azy teo amin’ny toerany i Clement Alexandria. 

Hamafisina, fa nandray an’i Clement Alexandria ho Masindahy (olona masina) daholo ireto fiangonana voalaza rehetra ireto; ny fiangonana Kopta, Ethopiana, ary koa ny fiangonana Anglikana. Ary tahak’izany ihany koa ny fiangonana katolika romanina, izay nandray azy tamin’ny fotoanandro taloha ho Masindahy, sady mankalaza ny fetiny amin’ny fahefatra amin’ny volana desambra. Nefa tampoka dia nesorina tamin’ny lisitr’ireo martiora ka tsy ho isan’izany intsony izy, raha tamin’ny fiangonana romanina katolika, tamin’ny taona 1586, ho fanatanterahana ny didy izay navoakan’ny Papa Clement fahavalo.

Hamafisina ihany koa, fa ny Papa Benedikta fahefatra ambiny folo, dia nandefa taratasy tany amin’i Jaona fahadimy, izay mpanjakan’ny Portugal. Ary tanatin’izany taratasy izany no nanazavany ny tsiambaratelo izay nandrisika azy tamin’ilay fanesorana (famafana ny anarana), izay noho ny antony fahitana karazana fampianarana ratsy sasantsasany ao anatin’ireo fanoratana izay nataony (bokiny) ireo.

Ary isan’ny mpianatr’i Clement Alexandria, dia i Origen of Alexandria (c. 184-c. 253), izay tena henjana indrindra tamin’ny fandresen-dahatra amin’ny finoana kristianina taloha. Efa voafariparitra tsara fa, izy no nampandroso betsaka ireny fiangonana taloha ireny.

 Izy dia niasa amin’ny maha filohan’ny sekoly katedraly azy tao Alexandria, izay nolovainy avy tamin’ny Clement Alexandria. Fa ny fiangonana kopta kosa dia nanafoana ny voninahitra amin’ny maha pretra azy, ary nandray fanapahan-kevitra mitovy amin’izany daholo ireo fiangonana rehetra khalquadoniyah, noho ny antony ireo hadisoana ara-poto-pinoana izay hitan’izy ireo tao amin’ny bokiny. Satria tamin’ny fahatanorany, dia nanesotra ny atody maha-lehilahy azy izy mba hahafahany hampianatra ireo vehivavy amim-pahalalahana tanteraka (arak’izay nambaran’i Eusebius Caesarea momba azy). Ary ny olona nesorina atody dia tsy afaka handray toeran’ny pretra.

 

  1. BETSAKA IREO PAPAN’NY FIANGONANA TALOHA NO VOASINTON’NY PHILOSOPHIE GRIKA

Maro tamin’ireo Papan’ny fiangonana taloha, ireo izay niaro ny Evanjelin’i Jaona, rehefa nojerevana izany ny tantaram-piainan’izy ireo, dia hitantsika ny fetran’ny faharesin’izy ireo lahatra tamin’ny philosophie grika (nefa tsisy fotoana hilavalam-parana amin’ny fitantarana momba azy rehetra ny eto, mba tsy hahalava loatra ny resaka amin’ity boky ity). 

 

  1. TERTULLIAN SY NY FANENJEHANY NY PHILOSOPHIE GRIKA

Tertullian, (izay nantsoina amin’ny anarambositra hoe; Rain’ny finoana kristianina Latina”, sady “Mpanorina ny fahaizana momba ny finoan’ny tandrefana”. Tertullian dia nitsikera ireo Papan’ny fiangonana amin’ireo Philosophes na koa ireo izay voasinton’ny philosophie grika. Tertullian, dia nanenjika azy ireo noho ireo forona sy fombandrazana izay nampidirin’izy ireo anatin’ny finoana kristianina, hoe; ”inona ny fifandraisana eo amin’ny Athens sy Orchilema, eo amin’ny Akademia sy ny Fiangonana, ary eo amin’ny heretisma sy ny mpino? … hamafisina fa, izahay dia lavitra an’ireo izay namorona ny finoana kristianina stoic, na ireo Platonism, na ireo Epicureanism, na koa ireo Dialectic, taorian’i Mesia sy ny Evanjely, ary tsy mila zavatra hafa intsony izahay ankoatr’izay. 

Moa ve any misy toerana hampitovisana an’i Mesia amin’ny philosophe, amin’ny mpianatry ny lanitra sy ny mpianatry ny firenena Grika. Ary koa amin’izay mikatsa fotsiny ny fiainana eto antany sy izay mitady rehareha eto antany, amin’izay manangana sy mandrodana, amin’izay miaro ny fahamarinana sady mampilaza vaovao tsara ny hafa amin’izany sy amin’izay manao asa fanimbana eto an-tany”? (izany hoe; mitovy ve izany rehetra izany?).

Fa ny mahagaga, raha i Tertullian dia hamafisina fa, tafalatsaka amin’ny resaka heretisma, sady nampiasa ny philosophie grika, ary ireo bokin’ilay jiosy Aboukreva izy. Ary nino tamin’ny resaka fanjakana amin’ny faha arivo taona, izany hoe; ara-bakiteny sy ara-pitaovana. Ary ihany koa dia isan’ireo mpanorina sy mpamorona ny foto-pinoan’ny tompo-telo, izay nampidiriny amin’ny finoana kristianina (zanahary telo). Nefa izany resaka zanahary-telo izany dia mbola tsy nolazain’ny Lehibe Mesia mihitsy, na ireo mpianatrany koa dia mbola tsy niteny izany. Ary mbola tsy nisy na iray amin’ireo Evanjely efatra aza no niresaka momba izany, izay ezahin’ny fiangonana hambara fa, an’ireo mpianatrany izany. 

Ary tamin’ny farany, dia tafalatsaka amin’ny heretisma lalina tokoa i Tertullian, izay manaraka ny sekta Montanism, izay naorin’i Montanus, izay nihambo ho mpaminany amin’ny filazana lainga.

Ary niaro mafy dia mafy ny sekta montanisma i Tertullian, izay nahavory betsaka ny mpanaradia izany sekta izany.

 

8- IREO TENY VOALAZA MOMBA AN’I MESIA DIA MIANTOMBOKA AMIN’NY TENY HOE “IZAHO” AMIN’NY EVANJELIN’I JAONA: 

Ny Evanjelin’i Jaona irery ihany no nampiasa betsaka ireo teny momba an’i Mesia, izay miantomboka amin’ny teny hoe; ”Izaho”, nefa ireny Evanjely rehetra hafa ireny dia tsy mampiasa na iray amin’ireo fiteny ireo mihitsy. 

Ireo teny ireo dia efa nampiasain’ireo mpitondra fivavahana ireo, izay miaro ny hevitra amin’ny maha tompo an’i Mesia, raha hita tamin’ny adi-hevitra izay nataon’izy ireo niaraka tamin’ireo mpitondra fivavahana sy ireo fiangonana izay manohitra ny maha tompo an’i Mesia. Izao manaraka izao ny ampahany amin’ireo teny ireo: 

(izaho dia mofo ho an’ny fiainana, izay mitodika aty amiko dia tsy ho noana, ary izay mino ahy dia tsy hangetaheta mandrakizay) (amin’ny fizarana: 6, laharana faha: 35). (Izaho dia mahafantatra tsara azy, izy izay nadefa ahy). (amin’ny fizarana: 7: laharana faha: 29). (Izaho, dia hazavana ho an’izao tontolo izao, ka izay manaraka ahy, dia tsy hizotra amin’ny haizina, fa hitondra hazavana mandrakariva amin’ny fiainana) (fizarana: 8, laharana faha: 12). (Hoy izy ireo taminy hoe: aiza ny Rainao? Namaly i Jesoa, hoe: ianareo dia tsy mahafantatra ahy na ny Raiko, raha fantatrareo ahy, dia ho fantatrareo ihany koa ny Raiko) (fizarana: 8, laharana faha: 19). 

(hoy izy tamin’izy ireo: ianareo dia avy ambany, fa izaho kosa dia avy ambony, ary ianareo dia avy amin’izao tontolo izao, fa izaho kosa dia tsy avy eto amin’ity tontolo ity) (fizarana: 8, laharana faha: 23). 

(hoy Jesoa tamin’izy ireo hoe: ny fahamarinana no hambarako anareo, izaho dia efa nisy talohan’ny fisian’i Abrahama) (fizarana: 8, laharana faha: 58). (izaho dia ilay mpiarakandro tsara, ary ny mpiarakandro tsara dia izay mandany ny fotoanany amin’ny fiambenana ny ondry) (fizarana: 10, laharana faha: 11). (izaho sy ny Ray dia irery ihany) (fizarana: 10, laharana faha: 30). (raha miasa aho, nefa tsy hino ahy ianareo, dia mba minoa amin’ny asa izay ataoko mba hahafantaranareo sy hinoanareo fa, misy tokoa ny Ray ary izaho ihany koa dia misy) (fizarana; 10, laharana faha: 38).

(niteny taminy i Jesoa: Izaho no fitsanganana amin’ny farany sy ny fiainana, fa izay mino ahy, ka raha maty izy dia ho velona) (fizarana: 11 laharana faha: 25). 

(izay mahita ahy, dia mahita izay nandefa ahy) (fizarana: 12, laharana faha: 45). (izaho no lálana marina sy fiainana, ary tsy hisy olona ho afaka tonga any amin’ny Ray, raha tsy amin’ny alálako) (fizarana: 14, laharana faha: 6).

 (7: raha tena fantatrareo tokoa ahy, dia ho fantatrareo tokoa ny Raiko, misy amintsika tsy te-hahafantatra izay olona efa hitanareo).

(8: niteny taminy i Filibasy; oh ry Lehibe! Asehoy anay ny Ray, dia ho ampy anay izany.

9: niteny taminy i Jesoa: izaho niaraka taminareo foana efa hatry ny ela, nefa mbola tsy fantatrao ihany aho, oh ry Filibasy! Izay nahita ahy dia efa nahita an’ny Ray tokoa izy, nahoana indray ianao no miteny fa; asehoy anay ny Ray? 

10; tsy mino ve ianao, fa izaho dia amin’ny Ray, ary ny Ray dia amin’ny teny, izay resahiko Aminy ny momba anareo! Ianao dia tsy miresaka Aminy momba ny tenako, nefa hamafisina fa, ny Ray dia ny fotoana izay anaovany ireo asa. 11: matokia ahy ianareo fa, izaho dia avy amin’ny Ray, ary ny Ray ihany koa dia avy amiko, ary raha tsy izany dia matokia ahy ianareo noho ny antony ireo asa izay ataony. 

12 ny fahamarinana no hambarako anareo avy aty amiko hoe; izay mino ahy amin’ireo asa izay ataoko, dia izy ihany koa dia manao izany, fa manao asa ambony lavitra noho izany mihitsy izy, satria izaho dia miankina amin’ny Raiko. 13 Na tahaky ny ahoana no nanontanianareo ny anarako, dia izany no ataoko mba hitambaran’ny ray amin’ny zanaka) (fizarana: 14, laharana faha: 7-13).

Hamafisina ihany koa, fa ny pretra Amerikanina JOHN SHELBY SPONG, dia efa nilaza hoe: “taoriany fikarohana mitohitohy lalina izay nataony nandritra ny dimy taona momba ny Evanjelin’i Jaona, dia nofaranana tamin’izao manaraka izao ny fikarohany… fa ny ankabetsahan’ireo teny izay lazaina fa tenin’i Mesia anatin’io Evanjely io, dia zavatra mbola tsiary nitenenin’i Mesia mihitsy. Ary isan’izany dia ireo resaka rehetra miantomboka amin’ny teny hoe; ”Zaho” sy ny hoe; ”Izaho dia ho” (izany dia tsy voaresaka amin’ireny Evanjely telo hafa ireny) !!

 

9- FIANTEHERAN’NY FIANGONANA AMIN’NY EVANJELIN’I JAONA DIA HO FIAROVANA NY HERETISMA SY NY FORONA: 

Ny famaritan’ny “fiangonana” izay ampiasain’ny maro amin’ireo izay miresaka momba ny ady izay ataon’ny fiangonana amin’ny heretisma sy ny forona, diafamaritana feno fitaka. Satria maneho aminay izy fa, iray ihany ny fiangonana, sady mirai-hina tanteraka, ary mamerina izay mivoaka amin’izany sy amin’ny lála-mahitsy. Fa ny tena marina, dia ny hoe; ireo fiangonana ireo tamin’izany fotoana izany dia tao anatin’ny fifandirana tanteraka tamin’izy samy izy ireo ihany, ka noho izany dia lasa nizarazara, sy nisara-tsaraka, no sady tsy nisy foto-pinoana mazava marina mihitsy izy ireo. 

Ary anisany ohatra amin’izany dia maro tamin’ireo fiangonana sy Papan’ny fiangonana taloha, dia mino amin’ny fanjakana faha arivo taona ara-bakiteny sy fitaovana.

Ary anisan’izany dia ireto manaraka ireto; Papyasy, Polycarp, Irenaeus, Yustinos, Melito of Sardis (Pretran’ny Sardis, maty tamin’ny C.180) Tertullian, Hippolytus of Rome (C. 170-C. 235), Ambrose of Milan(c.340-c.397), Nepos of Egypt, ary ny maro hafa ankoatra azy ireo.

Fa vitsy dia vitsy tokoa ireo izay nanohitra azy ireo. Ary nitohitohy foana izany raharaha izany nandritra ny efatra taonjato. Ary tsy nisy vondrona nanakiana azy ireo mihitsy ireo vondrona oecuméniques rehetra tamin’izany. Nefa raha ny lalánana ara-pinoana madio, izay notanterahina teo anatrehan’ny fivoriambe mangarahara tamin’ny taona 325, vokakatry ny fanasana avy tamin’ny Amperora Constantinople lehibe, izay nanome vahana ny foto-pinoana amin’ny tompo-telo [zanahary telo]. Ary mbola notsindriany amin’izao teny manaraka izao, hoe: ”Tsy anatin’ny fanjakany ny fitsarana”, ary izany dia manondro amim-pahamarinana tokoa fa, i Mesia dia handrakizay tsy ho tonga handeha hitsara ny eto antany mandritra ny arivo taona arak’izay inoan’izy ireo.

 

Ka ny fanontaniana mipetraka amin’izao dia ny hoe

Raha toa ka ny famaritana ny fiangonana, dia ny fisian’ny fiangonana iray sady mirai-hina. Ary izay manohitra izany dia raisina ho heretika sy olon-dratsy, fa maninona indray ny antony nampiova ny foto-pinoan’ny fiangonana mirai-hina avy tamin’ny finoana amin’ny fanjakan’ny arivo taona, izay midika ho ara-bakiteny, ary lasa nadika ara-pototra izany taty aoriana?!

 

Valin’izao fanontaniana izao

Ny fiovan’ny foto-pinoan’ny fiangonana amin’ny ankapobeny, dia tamin’ny alálan’ny angovo sy fampiasana fahefana, fa tsy noho ny antony firaisan-kevitra na adi-hevitra. Satria ny vondrona mpanohitra dia namoaka didy avy tamin’ny Amperora Constantinople, no sady teo ambany fanarahamasony raha teo. Ka noho izany dia raha ireo fiangonana izay afaka nanohitra ny Amperora dia ireo fiangonana izay avotra mandrakizay! 

Ka noho izany, dia mahita izahay fa, ny foto-pinoan’ny fanjakana faha arivo taona dia manambara mahakasika ny hevitry ny maro amin’ireo Papa sy ireo fiangonana, nefa mbola ny hevitry ny vitsy anisa tamin’ireo Papa ihany no nandresy tamin’ny farany. Ka tahak’izany, dia izay olona nahazo anarambositra hoe: ”Heretika/mpikomy/mpanohitra/very lálana” teo aloha, dia noho ny antony finoany, izay midika ho fototra ho an’ny fanjakana faha arivo taona. Satria, izany dia finoana izay mifanohitra tanteraka amin’ny finoan’ny ankabetsahan’ireo fiangonana. Ka lasa ho antsoina hoe; ”masindahy” indray ny fiantsoana azy. Fa izay manohitra azy ka mino ara-bakiteny amin’ny fanjakan’ny faha arivo taona, dia ho antsoina amin’ny anarana hoe: ”Heretika” izy!

Fa mahakasika indray ny famaritana ny atao hoe; ”Heretisma”, na “Forona” ihany koa, dia famaritana feno fitaka tokoa izany. Satria hamafisina fa, ilay nandresy, izay niantehatra tamin’ny famonjen’ny Amperora na ilay mpanjaka, dia izy mihitsy no niantso ireo mpanohitra azy tamin’ny anarambositra hoe; Heretika (mpikomy), na mpanao forona, ary ambarany fa, izany olona izany dia nivoaka ny finoana marina an’ny fiangonana!

Fa raha amin’ny andro izay misy antsika izao, dia sarotra ny hahafantarantsika izay anatin’ny fahamarinana sy izay tena heretika tokoa, raha tao anatin’ireo taonjato marobe voalohan’ny fiangonana ireo. Satria ilay mpandresy dia matetika mandoro ny bokin’ireo mpanohitra, sady mitsangana amin’ny fanaovana sesi-tany azy ireo, na tonga ka hatramin’ny fanagadrana azy ireo mihitsy, ary miafara amin’ny famonoana ireo mpanara-dia azy ihany koa. 

Ka noho izany, dia tsy fantantsika mazava tsara ny adihevitr’ireo mpanohitra, afa-tsy izay nosoratan’ilay mpandresy momba azy ireo ihany! Ka iza ary afaka hanome anay antoka fa, tena tenin’izy ireo marina izany, sa zavatra nosoratany fotsiny, ka nolazainy fa, tenin’izy ireo izany mba hankaratsiana ny endrik’izy ireo sy ny hevitr’izy ireo?! 

Raha toa ka hitsara ny iray amin’ireny Papan’ny fiangonana taloha ireny isika, fa hoe; Heretika izy, nefa mbola tsy naheno momba ny heviny isika, fa hiantehatra amin’ny tenin’ilay vondrona mpandresy fotsiny isika, dia hitovy amin’ilay mpitsara, izay nisy olona tonga teo anatrehany mba hanendrikendrika olona iray hafa hoe; nanompa na niteny ratsy azy ilay olona. Ka nitsara araky ny tenin’ilay mpitaraina ilay mpitsara, nefa tsy mihaino ny resak’ilay olona nitoriana!

Ary anisany ohatra tsara indrindra amin’izany dia ny antsoina hoe; ”Forona izay nataon’i Arianisma”. Satria raha anontaniantsika ireo mpitondra fivavahana ankehitriny mahakasika manokana an’i Arianisma, dia ho hitantsika tsara fa, raika ihany ny valiny. Dia ny hoe; i Arianisma, dia heretika lehibe indrindra tamin’ny tantaran’ny zanakolombelona. Ary raha hanontaniantsika indray izy ireo hoe; inona ny porofo mivaingana hanenjehana azy amin’ny heretisma izay nataony, ka ny valiny amin’izany dia ny hoe; noho ny vokatry ny fanenjehana amin’izay nosoratan’ireo fahavalony, sy izay nolazain’izy ireo momba azy mahakasika ny resaka filazana sy foto-pinoana.

Fa ny zavatra tsy fantatry ny maro amin’ireo olontsotra kristianina ankehitriny, fa ireo Arianism, dia tsy vitany vondrona amin’ireo vondrona kristianina tsotra fotsiny, fa izany no foto-pinoana tena miparitaka mafy manerana ny fiangonana rehetra!! Ankabetsahan’ireo firenena Eropeana dia manaraka ny sekta Arianisma daholo. 

Betsaka amin’ireo mpanjaka, sy ireo pastora na pretra any Eropa, dia Arianisma daholo izy ireo! 

Hamafisina ihany koa fa, ny Pretra Jerome, dia efa nanazava amin’ny teniny izay tena malaza tokoa, mahakasika ny fomba izay niparitahan’ny sekta Arianisma, hoe: ”Nifoha izao tontolo izao tamin’ny fisaonana, ka nahita ny tenany Arianisma izy”!!

 

 

 

FIZARANA FAHAVALO

MOA IREO MPANORATRA NY EVANJELY EFATRA IREO VE MPIANATR’I MESIA (AS) DAHOLO?

 

ANARAN’IREO EVANJELY EFATRA IREO: 

  1. Ny Evanjely, raha araka ny tatitr’i Mathieu, 2- Evanjely araka ny tatitr’i Marka, 3- Evanjely araka ny tatitr’i Lioka, 4- Evanjely araka ny tatitr’i Jaona.

Moa i Mathieu, Marka, Lioka, ary Jaona, izay nolazaina fa, ho azy ireo ny Evanjely efatra ireo ve dia mpianatr’i Mesia daholo izy jiaby ireo? 

 

ANARAN’IREO MPIANATR’I MESIA (AS) ARAK’IREO EVANJELY EFATRA IREO: 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 10, LAHARANA FAHA: 2“Raha anaran’ireo iraka roa ambiny folo ireo, dia izao manaraka izao: voalohany; Sam’an, izay nantsoina hoe; Patrice, sy ny rahalahiny Andraos. Jakoba bin Zabady, sy Jaona bin zabady. Philips sy Bertholmaos.Thomas, sy Mathieu Al-ashár. Jakoba bin Halafi. Lepaosy izay nahazo anarambositra hoe; Tadaos. Sam’an Al-kánawi, ary Yahouza Al-iskharyouty”.

 

EVANJELIN’I MARKA, FIZARANA: 3, LAHARANA FAHA: 16: 

Patrice no anarana fiantsoana an’i Sam’an. Ary yakouba bin zabady sy jaona bin zabady dia samy rahalahin’i Yakouba, ary izy roa ireo dia nomena ny anarana hoe; Bawanarjis, izany hoe; zana-baratra, ary Andraosy sy Philips, ary Bertholmaos, Mathieu, Thomas, Yakouba bin Halafi, Tadaos, ary Sam’an Al-kanawi, sy Yahouza Al-iskharyouty”. 

 

EVANJELIN’I LIOKA, FIZARANA: 6, LAHARANA FAHA: 14.

« Sam’an, izay nantsoina ihany koa amin’ny anarana hoe ; Patrice, sy ny rahalahinyAndraos. Yakouba, Jaona, Philips, Bertholemas, Mathieu, ary Thomas. Yakouba bin Halafi sy Sam’an izay nantsoina hoe ; ilay mahavitrika. Ary Yahouza rahalahin’i Yakouba, sy Yahouza Al-iskharyouty ».

 

EVANJELIN’I JAONA, FIZARANA: 1, LAHARANA FAHA : 45.

« Philips, izay nahita an’i Nathanayl, ka niteny taminy hoe: ”Hitanay izay nosoratan’ilay moka-be tamin’i Mosesy ». 

 

EVANJELIN’I JAONA, FIZARANA: 21, LAHARANA FAHA : 2.

« Sam’an Patrice sy Thomas, izay nantsoina hoe ; kambana, sy Nathanayl, izay avy Kana Lehibe, ary Zanaka roan’ny Zabady, ary roa hafa avy amin’ireo mpianatr’izy ireo samy ireo ihany ».

 

IZY ROA, LIOKA SY MARKA DIA TSY ISAN’IREO MPIANATRA ROA AMBINY FOLO

  • Arak’izay hitantsika tsara fa, tsy anatin’ireo anarana voalaza ambony ireo, amin’ny mpianatr’i Lehibe Mesia, ny anaran-dry Lioka sy Marka! 

Iza ary ireto roa ireto; Lioka sy Marka ireto, ary nahoana no nanoratra ny Evanjelin’izy ireo izy roa ireo, raha toa ka tsy isan’ny mpianatr’i Mesia izy roa ireo? Ary nahoana no naneken’ny fiangonana ny Evanjelin’izy roa ireo, nefa mbola misy Evanjely maro hafa izay nolazain’ny fiangonana fa, an’i Jaona sy Mathieu (raha marina tokoa fa, mpianatr’i Lehibe Mesia izy roa ireto)?

Raha nilaza marina tokoa ny fiangonana fa, ny fanahy masina dia nidina tamin’ireo mpianatr’i Lehibe Mesia, amin’ny hanoratan’izy ireo ny Evanjely, ka nahoana no mbola nampidinina tamin-dry Lioka sy Marka ihany koa izany, satria izy roa ireo dia tsy isan’ny mpianatr’i Lehibe Mesia?

Anisan’izay iraisan’ireo manampahaizana momba ny resaka ara-pinoana, fa ny Evanjelin’i Marka no voalohany voasoratra (izay voasoratra tamin’ny taona 70 tany ho any). Ary izany no loharano fototra nipoiran’ny Evanjelin-dry Mathieu sy Lioka, izay azon’izy ireo avy taminy (ary voasoratr’izy ireo izany tamin’ny taona 90 tany ho any) !

Ahoana no hanekehan’ny saina izany, fa ny fanahy masina no nampidina izany tamin’i Marka voalohany, nefa izy dia tsy isan’ireo mpianatr’i Lehibe Mesia, mba hisafidy ny tenany anatrehan’ireo mpianatrany, ireo izay niaina niaraka tamin’ny Lehibe Mesia (AS) sady nahita ny zava-nitranga niaraka taminy tamin’izany izy ireo? 

../../../../../Downloads/The%20Dating%20of%20the%20G

 

IZY ROA IREO; MATHIEU AL-ASHÁR SY JAONA ZANAKY ZABADY DIA MPIANATRA ROA AN’I MESIA, IZAY TSY NANORATRA EVANJELY MIHITSY: 

Fa mahakasika manokana ny Evanjely araka ny tatitr’i Mathieu sy ny Evanjely notaterin’i Jaona, dia mbola havoitranay amin’ireo fizarana manaraka, raha sitraky ny Tompo Zanahary ilay Avo indrindra, raha araka ny porofo dia tsisy nahavita ny fanoratana izay nataony avy izy ireo, na izany Mathieu Al-ashár, na i Jaona bin zabady, izay samy mpianatr’i Mesia daholo izy roa ireo. 

 

MPIANATRA ROA VAOVAO AN’NY LEHIBE MESIA (AS) AMIN’IREO EVANJELY: 

1- Moa ve rahalahin’i Jakoba i Yahouza, sa rahalahin’i Lepaosy, izay antsoina amin’ny anarambositra hoe; Tadaos

  • Ny Evanjelin’i Lioka, dia milaza mahakasika ny anaran’ireo mpianatra, ka ny anaran’i “Yahouza rahalahin’i Jakoba”, izany hoe; Yakouba bin Halafi no tiany hambara amin’izany- nefa teo no ho eo ihany dia nofafana ny anaran’i Lepaosy, izay nantsoina tamin’ny anarambositra hoe; Tadaosy”. Satria tamin’izany fotoana izany dia ny Evanjelin’i Mathieu sy Marka dia nilaza ny anaran’i “Lepaosy izay nomena anarambositra hoe; Tadaosy”, fa tsy nilaza ny anaran’i “Yahouza rahalahin’i Yakouba”! 

Rehefa nanao fikarohana aho mahakasika ny valin’izay mampifanditra azy ireo avy tamin’ireo pretra, dia milaza izao manaraka izao izy ireo: 

  1. Ny anaran’i “Lepaosy” na “Tadaosy” izay anarana faharoa an’i “Yahouza” izay sady rahalahin’i Yakouba ihany koa. Ary izao fahazarana izao dia efa mahazatra an’ireo Jiosy, no manome anarana anankiroa ho an’olona iray.
  2. Raha araka ny Evanjelin’i Mathieu, dia efa voalaza amin’ny anaran’ireo mpianatr’i Mesia, ny anaran’i “Lepaos izay antsoina amin’ny anarambositra hoe: Tadaos”. Nefa amin’io Evanjely io ihany dia voalaza ihany indray ny anarana hafa, hoe; Yahouza”, rehefa niresaka momba ireo rahalahin’i Mesia, amin’ny fizarana: 13: laharana faha: 55, hoe; Tsy zanak’ilay Mpandrafitra ve io? Moa ve tsy Maria no fiantsoana ny anaran’ny Reniny, ary ny rahalahiny, dia yakouba, Jesoa, Sam’an, ary Yahouza?”

Ka noho izany dia hamafisina fa, Yahouza dia rahalahin’i Mesia tokoa izy, ary Lepaosy dia mpianatr’i Mesia.

 

VALIN’IZAO FILAZANA IZAO

  1. Raha mahakasika manokana an’i Lepaosy, dia manana anarana faharoa hafa izy, arak’izay mahazatra ireo jiosy ny fampiasana izany. Ka manambara izahay fa; Eny, nanana anarana roa tokoa izy. Ary izao avy ireo anarana roa ireo; ”Lepaosy”, sy “Tadaosy”, ary izany dia voalaza mazava tsara ao anatin’ny Evanjely. Ary tsisy hanakana antsika hanome azy anarana fahatelo ihany koa, izany hoe; ”Yahouza”, mba hamaranantsika izao fifandirana miharihary izao, izay hita ao amin’ny Evanjely, mahakasika ny anaran’ireo mpianatr’i Mesia!!
  2. Raha mahakasika manokana ny resaka fa, ny Evanjelin’i Mathieu dia nilaza ny anaran’i “Lepaosy, izay antsoina amin’ny anarambositra hoe; Tadaos” fa, tafiditra amin’ny anaran’ireo mpianatr’i Mesia izy. Nefa mbola amin’io Evanjely io ihany no ilazany ny anarany hafa hoe: ”Yahouza”, rehefa niresaka momba ireo rahalahin’i Mesia izany. Ka noho izany, fa raha i Yahouza, izay rahalahin’i Mesia, dia izy mihitsy no Lepaos izay mpianatr’i Mesia. 

Ka manambara izahay fa, fisolokiana miharihary tokoa izao, sady tetika hanafenana amin’ny mpamaky, fa ny mpianatr’i Mesia “Lepaosy” sy ny rahalahin’i Mesia “Yahouza”, dia olona iray fotsiny! 

Nefa aoka hazava fa, ireo rahalahin’i Mesia dia tsy isan’ireo mpianatra roa ambiny folo, arak’izay voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Jaona, amin’ny fizarana: 6, laharana faha: 67, izay niresaka momba ireo mpianatra roa ambiny folo an’i Mesia, izay nino azy, hoe: ”Niteny i Jesoa tamin’ireo roa ambiny folo ireo, angamba ianareo ihany koa te-handeha”. Mbola amin’io fizarana io ihany, fa amin’ny laharana faha: 70, hoe: ”Namaly azy ireo i Jesoa, hoe; tsy izaho ve no nisafidy anareo roa ambiny folo, ary ny iray aminareo dia devoly”. Ary mbola amin’io Evanjely io ihany, fa amin’ny fizarana: 7, laharana faha: 3, izay miresaka momba ireo rahalahin’i Mesia, ka ambarany ny momba azy ireo, fa tsy mpino azy mihitsy izy ireo: ”3 niteny taminy ireo rahalahiny ireo; mitsangana avy eto ianao, ary mandehana amin’ny finoana jiosy, mba hahitan’ireo mpianatrao ireo asa izay ataonao ihany koa, 4 satria tsisy olona manao zavatra miafina, nefa mila hanao izany miafina, ka raha hanao ireto zavatra ireto ianao dia asehoy ho an’izao tontolo izao ny tenanao, 5 satria na dia ireo rahalahiny ireo ihany koa dia tsy mino azy”!!

Fa ny mahagaga, dia hamafisiko fa hitako manerana ireny tranonkala kristianina ireny amin’ny anterineto ny anarana hoe: ”Yahouza Tadaosy”!! izany hoe; tena efa namorona anarana vaovao hafa mihitsy izy ireo, izay hampifangaro eo amin’ireo anarana roa ireo, dia ny anaran’i “Lepaosy, izay antsoina amin’ny anarambositra hoe; Tadaosy”, izay sady mpianatr’i Mesia, sy eo amin’i Yahouza, rahalahin’i Mesia”, izany dia mba hiheveran’ny mpamaky ny tantara, fa olona iray ihany ireto olona ireto. Ary hoatr’izany no nanotoran’izy ireo izany olana izany, izany hoe; olan’ny fifandirana tamin’ireo Evanjely mahakasika ny anaran’ireo mpianatr’i Mesia!!

  1. Ny Evanjelin’i Lioka, dia milaza momba ny anaran’ireo mpianatr’i Mesia, fa “Yahouza” dia rahalahin’i Yakouba bin Halafi, nefa ny Evanjelin-dry Mathieu sy Marka, dia tsy milaza amin’ny maha rahalahin’i Yakouba bin Halafi an’i “Tadaosy” na “Lepaosy”. Hamafisina, fa ireo Evanjely roa ireo, dia sarotiny mafy mahakasika ny filazana ny anaran’ireo mpianatr’i Mesia, amin’ny filazan’izy roa ireo, hoe; iza no rahalahin’iza? Ka nambaran’izy ireo, fa i Andraos dia rahalahin’i Sam’an, izay antsoina amin’ny anarambositra hoe: Patrice, ary i Jaona bin zabady, dia rahalahin’i Yakouba bin zabady. Nefa tsy nilaza kosa ireo Evanjely roa ireo, fa manana rahalahy i Yakouba bin Halafi, sady tsy nilaza ihany koa izy ireo, fa misy fifandraisana amin’i Yakouba bin Halafi ry Tadaosy sy Lepaosy!
  2. Evanjelin’i Jaona, amin’ny fizarana: 14, laharana faha: 22, izay miteny hoe: niteny taminy i Yahouza hoe; Tsy Al-iskharyouty oh ry Lehibe, fa inona no nitranga, ka nahatonga anao nanapa-kevitra hifikitra maharitra amin’ny fanehoanao ny tenanao aminay, fa tsy ho an’izao tontolo izao”. Hita eto, fa ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona, dia te-hilaza anaran’i “Yahouza”, ilay mpianatra. Nefa noho ny tahotra izay nisy taminy amin’ny mety hisian’ny fikorontanan-tsaina ho an’ny mpamaky ka hihevitra izy, fa i Yahouza Al-iskhariyouty, no resahina eto. Ka niverenan’ilay mpanoratra mba hampahafantarina momba an’i Yahouza, fa tsy Al-iskhariyouty izy. 

Raha tena marina tokoa, fa rahalahin’i Yakouba i Yahouza, dia hanana anarana roa hafa tokoa izy, dia Lepaosy sy Tadaosy. Ary hamafisina, fa ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona, dia mba nampiasa ny iray tamin’ireo anarana roa ireo mba hanaovana fampahafantarana. Ary ny ohatra amin’izany dia ny hitenenany hoe; ”Niteny taminy Tadaosy, na ny hoe; ”Niteny taminy i Lepaosy”, na koa mety hiteny izy hoe; ”Niteny taminy i Lepaosy, izay antsoina amin’ny anarambositra hoe; Tadaosy”, na koa hoe: ”niteny taminy Yahouza, izay antsoina amin’ny anarambositra hoe: Tadaos” na koa hoe: ”niteny taminy Yahouza Lepaos, ”. Nefa indray dia mahita izahay, fa niteny izy hoe: ”Yahouza, dia tsy i Al-yskharyouty”!!

 

2- NATHNAYL

  • Ny Evanjelin’i Jaona irery ihany no miresaka momba ny anarana vaovao, izay tsy voalaza na amin’iray amin’ireo Evanjely sasany hafa, dia ny anarana: ”Nathnayl”.
  • Arak’izay ambaran’ny Pretra Amerikanina, John Shelby Spong, taorian’ny fikarohana izay nataony nandritry ny dimy taona tsy tapaka momba ny Evanjelin’i Jaona, ka nofaranany ny fikarohana izay nataony, fa izany Evanjely izany, dia tsisy hahatonga azy, fa i Jaona bin zabady no nanoratatra azy (tsy possible zany), no sady tsisy na iray amin’ireo mpianatr’i Mesia no nanoratra izany. 

Ary ireo olona izay voalaza fa, manana ny maha izy azy manokana izay misongadina amin’io Evanjely io, dia zavatra noforonina fotsiny ny tantara momba azy ireo, fa tsy misy mihitsy amin’ny tantaran’izao tontolo misy antsika izao izany. Ary isan’izany dia ny anaran’i “Nathnayl”, izay nolazain’ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona, fa hoe mpianatr’i Lehibe Mesia izy. Satria mbola tsy nisy tamin’ireo mpianatr’i Mesia ity anarana ity. Ary ireny teny marobe voalaza ireny, fa tenin’i Mesia dia mbola tsy niteny izany mihitsy izy. Ary anisany porofo amin’izany dia ny teny izay miantomboka amin’ny hoe; ”Izaho” na “izaho no izy”, sy ny resaka momba ny fanaovam-beloma. Ny ankabetsahan’ny fahagagana izay nolazaina fa niseho tamin’ny Lehibe Mesia amin’io Evanjely io, dia mbola tsiary nitranga mihitsy izany, ka hamafisina fa izany dia eritreritra nitsiry avy tamin’ny mpanoratra fotsiny. Ary isan’izany dia ny famelomana (an’i loaz) ny maty aorian’ny fahafatesana, izay voalaza ao amin’ny fizarana: 11, laharana faha: 1 (izay mbola tsy voalaza ny momba azy, na koa fanondroana momba izany amin’ireo Evanjely telo hafa ireo, afa-tsy ny Evanjelin’i Jaona irery ihany no nilaza momba izany, nefa ny Evanjeliny no voasoratra farany indrindra amin’ireo Evanjely rehetra ireo), ary koa ny fahagagana tamin’ny fivadihan’ny rano ho toaka, izay voalaza ao amin’ny fizarana: 2, laharana faha: 2 (izany dia tsy voalaza na amin’iray amin’ireo Evanjely ireo aza, no sady tsy nisy fanondroana momba izany mihitsy amin’ireo Evanjely telo hafa ireo)!!

 

FAMARANANA 

Ka noho izany, dia mazava tsara fa ireo mpanoratra an’ireny Evanjely efatra ireny dia tsy fankafantatra tokoa izy ireny, no sady mbola tsy fankahita mihitsy izy ireny. Ary tsy mpianatry Lehibe Mesia velively tokoa izy ireny. Ary hamafisina, fa nakorontan’izy ireo mihitsy na amin’ny resaka filazana ny anaran’ireo mpianatry Lehibe Mesia [AS] mihitsy! Raha toa ka samy mpianatry Lehibe Mesia marina izy roa ireo; dia Jaona sy Mathieu, izay nolazaina, fa azy ireo ny Evanjely roa izay avy tamin’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia ireo, fa ahoana no nilazan’ny Evanjelin’i Jaona ny anaran’i Nathnayl, nefa ny Evanjelin’i Mathieu dia tsy milaza no sady tsy mahafantatra momba ity anarana ity.

 

 

 

FIZARANA FAHASIVY

IZA NO NANORATRA NY EVANJELY RAHA ARAKA NY LOVAN-TSOFIN’I MATHIEU?

Raha mahakasika manokana ny Evanjely araka ny lovantsofin’i Mathieu, hamafisina fa tsy nosoratan’i Mathieu Al-ashar izany Evanjely izany, izay mpianatry ny Lehibe Mesia raha teo izy. Ary izany dia noho ireto antony manaraka ireto; 

 

  1. Tantaran’ny fanoratana ny Evanjely araka ny lovantsofin’i Mathieu: 

Mitantara ireo manampahaizana momba ny teolojia kristianina, fa ny Evanjelin’i Mathieu dia nosoratana tamin’ny taona 90, ary i Mesia dia maty tamin’ny faha 33 ny taonany, ary ny fahafatesany dia tamin’ny taona 30, izany hoe; ny Evanjelin’i Mathieu dia tanteraka ny fanoratana azy tamin’ny 60 taona taorian’ny Lehibe Mesia. Raha toa ka Mathieu Al-ashar, no nanoratra ny Evanjelin’i Mathieu, dia firy taona ary izy tamin’ny fotoana nanoratany ny boky?! 

Raha toa ka tsy maintsy hiteny isika, fa i Mathieu Al-ashar, dia nitovitovy taona tamin’ny Lehibe Mesia, na izany mihoatra na latsaka kely noho ny taonany tamin’ny fotoana izay nihaonan’izy ireo. Raha toa ka torak’izany tokoa ny fandehan-javatra, dia tokony ho 90 taona teo izy tamin’ny fotoana izay nanoratana ny Evanjely. Fa izany dia zavatra tsy eritreretina mihitsy, no sady tsy ekehin’ny saina ny hanoratany ny Evanjely, amin’ny faha sivy folo taona. 

Raha toa ka izy mihitsy no nanoratra izany teo amin’ny faha sivy folo taona, ka ny fanontaniana mipetraka, dia ny hoe: nahoana no tara enim-polo taona izy tamin’ny fanoratana ny Evanjeliny? Moa ve tsy tsara lavitra ny nanoratany izany mivantana taorian’ny fisehoan’ny tranga izay nahazo an’i Mesia, mba tsy hanadinoany izany sy hialana amin’ny hadisoana? Raha toa ka ny fanahy masina no naniraka azy hanoratra izany, fa naninona no tsy naniraka azy mialoha fa, tonga amin’izao fahatarana izao, raha arak’izay nambaran’i Marka talohan’izao?!

 

  1. NY MPANORATRA DIA NIRESAKA AMIN’NY ANARAN’OLONA TSY TEO, DIA MOMBA AN-DRY MATHIEU AL-ASHÁR SY IREO MPIANATRY NY LEHIBE MESIA: 

Ny mpanoratra ny Evanjely, raha araka ny lovantsofin’i Mathieu Al-ashar, izay mpianatr’i Mesia, dia miresaka amin’ny anaran’olona tsy eo izy. Izany dia midika, fa i Mathieu Al-ashar, dia tsy izy mihitsy no nanoratra ny Evanjely, raha araka ny fitantaran’i Mathieu! Ary hamafisina, fa ny mpanoratra io Evanjely io, dia efa niresaka tokoa momba an’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia, izay tamin’ny hafatry ny olona tsy teo. Ary indraindray tamin’ny fiainana dia miharihary, fa toa tsy mahafantatra azy ireo izy, izay midika fa tsy naman’izy ireo mihitsy izy!

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 9, LAHARANA FAHA: 9

“Rehefa nivoaka avy tany i Jesoa, dia nahita olona izay nipetraka tamin’ny toerana avo, ary ny anarany dia Mathieu. Ka niteny izy taminy hoe: manaraha ahy ianao. Ka nitsangana izy ary nanaraka azy”.

FAMPITANDREMANA LEHIBE: rehefa nijerevanay ao amin’ny Evanjely grika mahakasika io resaka io, dia hitanay fa, toy izao manaraka izao ny fandehany: ”Nitsangana iny lehilahy iny, ka nanaraka azy”! ary ny teny hoe; ”iny lehilahy iny”, dia porofo mafonja tokoa izany, fa ny mpanoratra ny Evanjelin’i Mathieu, dia tsy i Mathieu Al-ashar velively!

 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 26, LAHARANA FAHA: 50

“50: niteny taminy i Jesoa hoe; Oh ry namana! Inona no nahatonga anao aty? Ka tamin’izany fotoana izany dia nanatona azy izy ireo, ka nisambotra an’i Jesoa, ary nifatoran’izy ireo izy. Nefa nisy iray tamin’ireo izay niaraka tamin’i Jesoa, izay nanampatra ny tánany, ary namoaka ny sabatrany ka nikapoka ny lohan’ny andevon’ny lehiben’ireo pretra, ka nanapaka ny sofiny iray”.

Arak’izay hitantsika eto, fa miresaka momba an’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia izy, izay hita fa amin’ny anaran’olona tsy eo mihitsy izany, amin’ny fitenenany, hoe: ”nefa nisy iray tamin’ireo niaraka tamin’i Jesoa”! izay fantatra fa i Mathieu Al-ashar, tamin’ny alina izay nanamborana an’ny Lehibe Mesia, dia niaraka tamin’ireo sisa tamin’ny mpianatra izy!

Ary mbola fanampin’izany, dia mampametra-panontaniana hoe; naninona no tsy nolazain’ilay mpanotra ity Evanjely ity ny anaran’ilay mpianatra izay namoaka ny sabatrany izay hikapohana ny andevon’ny lehiben’ny pretra? Ary naninona koa izy no niteny, hoe; ”iray tamin’izy ireo”? fa tsy nanambara ny anarany mivantana? Moa ve tsy fantany iza izy ?

 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 26, LAHARANA FAHA: 56.

“56: izany rehetra izany, dia natao mba hamenoana ny bokin’ireo mpaminany. Ka tamin’izany mihitsy dia navelan’ireo mpianatra jiaby ireo irery izy, ka nandositra izy ireo, 57: fa ireo izay nisambotra an’i Jesoa kosa dia lasa nitondra azy tany amin’ny KIAVA, izay lehiben’ireo pretra, ka nivory daholo ireo mpanoratra sy ireo loholona, (58)fa i Patrice dia nanaraka azy avy lavitra mankany amin’ny tranon’ny lehiben’ny pretra, ka niditra tao izy, ary nipetraka teo anelanelan’ireo mpiasa izy, mba hijery izay mety hiafaran’ny raharaha”. 

 

FAMPITANDREMANA: eto dia milaza ny mpanoratra fa ny mpianatra rehetra dia niala an’ny lehibe Mesia, ka nandositra azy izy ireo. Na i Patrice aza dia nanaramaso azy avy lavitra. Raha toa ka arak’izay ambaran’ireo sasany, fa ny mpanoratra ny Evanjelin’i Mathieu, dia i Mathieu Al-ashar ihany, izay mpianatry ny Lehibe Mesia, ahoana no hatokisantsika amin’ny Evanjely, izay nosoratan’ny lehilahy, izay namela an’ny lehibe Mesia sady nisintaka azy ka nandositra? Ary ahoana no hilazana, fa feno fanahy masina izy, araka ny filazan’izy ireo, nefa navelany daholo ny zavatra izay ninoany, ka nandositra nilefa mba hanavotra ny tenany? Tsy milaza ve ireo kristianina, fa ny Lehibe Mesia, izy no Tompo Zanahary, izay –sanatriavina-? Ary ahoana no hatokisan’izy ireo olona anankiray, izay namela ny tompon’izy ireo –araka ny filazan’izy ireo-, nefa nandositra azy avy eo?

Fa raha misy miteny hoe; ”Ireo mpianatra dia voatery tsy maintsy nandositra, mba hiaro ny ain’izy ireo, nefa hanohy ny fampielezana ny finoan’ny Lehibe Mesia any aoriana any”! ka havalinay azy, fa tsy marim-pototra ny filazana, fa nisy tamin’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia roa ambiny folo no nanatanteraka ny asa fampielezana ny finoan’i Mesia. Fa izay nitsangana tamin’ny fampielezana sy fanaparitahana ny finoana kristianina, dia i Paoly, izay mbola tsiary nihaona tamin’i Mesia mihitsy tamin’ny fiainany!!

 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 10, LAHARANA FAHA: 1

“1: Rehefa avy eo, dia niantso an’ireo mpianatrany roa ambiny folo izy, ka nomeny fahefana izy ireo hiatrehana ireo fanahy maloto, mba hamoahan’izy ireo izany, sady mba hanasitranan’izy ireo ny aretina rehetra, ary faharefoana, 2: fa izao no mahakasika manokana ny anaran’ireo iraka roa ambiny folo ireo: ny voalohany dia i Sam’an, izay antsoina hoe; Patrice, ary i Andraos rahalahiny. Yakouba bin zabady, ary Jaona izay rahalahiny, 3 Philips, ary i Bertholemas. Thomas, ary i Mathieu Al-ashar. Yakouba bin Halafi, ary Lepaos, izay nantsoina amin’ny anarambositra hoe; Tadaos, 4 Sam’an Al-kanawi, ary Yahouza Al-iskhariyouty, (5) ireo roa ambiny folo ireo, izay nanolotra azy, izay nalefan’i Jesoa sady nananatra azy ireo izy hoe; ”Aoka tsy handeha amin’ny lálan’ireo vahoaka ianareo, sady aoka koa ianareo tsy hiditra amin’ny tanánan’ireo Samiriana”.

Ka tahak’izany no hitantsika fa ny mpanoratra io Evanjely io, dia tsy niresaka momba ireo mpianatry ny Lehibe Mesia amin’ny tenany mivantana. Ary ohatra amin’izany dia ny fitenenana hoe; ”Niatso anay” na “Nanome anay”, fa raha ny marina dia niteny tamin’ny anaran’olona tsy teo izy, ka hoy izy hoe; ”Niantso azy ireo izy” ary koa “Nanome anay izy”. Na dia nitantara ny anaran’i Mathieu, izay mpianatr’i Mesia, dia nolazainy amin’ny anaran’olona tsy eo. Nilaza izany tamin’ny anaran’i “Mathieu Al-ashar”, mba ho fampahafantarana azy, fa izy kosa dia tsy niteny hoe; ”Izaho no Mathieu”! Raha toa ka mitohy hatrany mamaky an’ity Evanjely ity ianao ry mpamaky hajaina dia hohitanao fa, matetika no nampiasa anarana mpisolo-toerana an’olona izay tsy teo foana izy rehefa miresaka momba ireny mpianatry ny Lehibe Mesia (AS=fandriampahalemana enga anie ho azy)! 

 

  1. TSY FISEHOAN’NY ANARAN’NY MPANORATRA ITY EVANJELY ITY AO ANATINY: 

Tena tsy hita ao anatin’ity Evanjely ity mihitsy ny porofo izay manambara ny anaran’ny mpanoratra azy. Ka noho izany, dia io Evanjely io dia miresaka momba ny boky izay tsy fanta-pihaviana. Ary anisany ohatra amin’izany dia ny fiparitahan’ireo karazana boky hafa marobe nanerana ny antsasaky ny taonjato faharoa teo, ary nantsoina Evanjely daholo izy rehetra ireo. Ary avy eo dia notanterahina ny fisafidianana tamin’ireo Evanjely ireo, mba ho rafi-dalána, ary misy Evanjely hafa ihany koa izay nantsoina hoe; Aboukreva. Ny fomba famerana ny Evanjely anankiray mba ho rafi-dalána na Aboukreva, dia atao noho ny sitra-po, fa tsy noho ny porofo akory. Fa raha ny Evanjely izay nosokajina ho rafi-dalána tamin’ny sasany amin’ireo Papan’ny fiangonana taloha ireny, dia nandray ny Aboukreva ho an’ireo Papa sasany hafa! Ny raharaha dia lasa fifandirana sy ady hevitra tamin’ireo samy Papa fotsiny, fa tsiary nisy na porofo mafonja sady mazava mahakasika an’izany mihitsy! Fa raha mahakasika manokana ny zavatra ambaran’ny Evanjely araka ny lovantsofin’i Mathieu, dia zavatra nitovanana tamin’ny taonjato faharoa, izay notanterahina tamin’ny alálan’i Irenaeus. Ary tsy mbola nisy porofo mazava mihitsy amin’ny filazana, fa an’i Mathieu Al-ashar ilay Evanjely, afa-tsy izay nolazain’i Irenaeus ihany!!

 

  1. TSY FILAZANA IREO TRANGA LEHIBE, IZAY NATAON’NY LEHIBE MESIA TEO ANATREHAN’IREO MPIANATRANY: 

Isan’ireo porofo mivaingana lehibe indrindra, mahakasika ireo Evanjely roa ireo, izay manaraka ny lovantsofin’ny Mathieu sy Jaona, dia tsy voasoratra avy tamin’i Mathieu Al-ashar sy Jaona bin Zabady, izay samy mpianatry Lehibe Mesia daholo izy roa ireo, ny momba izany. Izany hoe; ireo Evanjely roa ireo, dia tsisy miresaka momba ny fiakaran’ny Lehibe Mesia tany an-dánitra, taorian’ny fisehoany tamin’ireo mpianatra tafaran’ny fanomboana (famantsihana) azy teo amin’ny hazo fampijaliana. Arak’izay efa voalaza ao amin’ireny Evanjely roa ireny, raha araka ny lovantsofin’ny Lioka, (amin’ny fizarana: 24, laharana faha: 51) sy amin’ny Marka, amin’ny fizarana: 16, laharana faha: 19)!! Ahoana no tsy hilazan’ny Evanjelin’i Mathieu sy Jaona mahakasika izany tranga lehibe tahak’izany, raha toa ka tena marina, fa avy tamin’ireo mpianatr’i Mesia tokoa izany?

 

EVANJELIN’I LIOKA, FIZARANA: 24, LAHARANA FAHA: 51

51: Tamin’ny fotoana izay nanamasina azy ireo, avy eo izy dia nisintaka avy tamin’izy ireo, ary nampiakariny tany an-dánitra izy, 52: Ka niankohoka ho azy, izy ireo, ary niverina tany Orchilem izy ireo tamim-pifaliana lehibe tokoa”.

EVANJELIN’I MARKA, FIZARANA: 16, LAHARANA FAHA: 19

19: Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo ny tompo, dia niakatra any an-dánitra, ary nipetraka avy teo ankavanan’ny tompo Zanahary izy”.

 

  1. TSY FIRESAHANA MOMBA NY FAHAGAGANA AMIN’NY FAMELOMANA AN’I AZER, SY NY FAHAGAGANA TAMIN’NY FAMADIHANA NY RANO HO TOAKA: 

Raha ny fahagagana mahakasika ny famelomana an’i Azer, taorian’ny fahafatesany, izay voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Jaona (fizarana: 11, laharana faha: 1), dia tena fahagagana manana ny maha izy azy tokoa izany raha eo anatrehan’ny fiangonana, satria izany no hianteherana mba hanamafisany amin’ny maha tompo an’ny lehibe Mesia. Kanefa raha amin’ny horonan-tsary mihetsika izay ataon’ny Hollywood momba ny Lehibe Mesia, izay mielipatrana manerana ny firenena kristianina rehetra amin’izao tontolo izao, rehefa tonga ny fotoana fankalazana ireo fetin’ny andro fitsanganana farany, ka nahoana no variana mihitsy ireo mpanao ny sinema amin’ny fanoharana io tantara io, hoe; ahoana no nitsanganan’i Luazar avy tamin’ny maty ka nivoaka ny fasany, inona no maharendrika amin’ny tsy nitantaran’ny Evanjelin’i Mathieu, ny momba azy, na ampahana zavatra kely fotsiny aza, raha toa ka tena i Mathew Al-ashar, izay mpianatr’i Mesia marina no mpanoratra azy io?!

Ary mitovy amin’izany ihany koa ny mahakasika ny resaka fahagagana tamin’ny fiovan’ilay rano ho toaka, arak’izay voalaza ao amin’ny Evanjelin’ny Jaona (fizarana: 2, laharana faha: 2), ka inona no maharendrika amin’ny tsy hitantarana mahakasika ny fahagagana toy ireny, izay tena manana ny maha izy azy tokoa, na mba nasiana fanazavana kely fotsiny amin’ny Evanjelin’i Mathieu, raha toa ka tena i Mathieu Al-ashar marina tokoa no nanoratra azy, izay mpianatr’i Mesia?!

Raha toa ka tsy Mathieu Al-ashar, izay mpianatr’i Mesia tokoa no mpanoratra ny Evanjelin’i Mathieu, na koa ilay fahagagana roa voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Jaona ireny, izay tsy voalaza na amin’iray tamin’ireo Evanjely telo hafa ireo ny momba azy, na ampahan-dresaka kely fotsiny aza, dia mazava tokoa izany, fa zavatra tsy niseho tokoa izany fahagagana rehetra izany, na ireo zavatra roa ireo indray miaraka aza!!

 

  1. FILAZANA DISO MOMBA NY FIHAVIAN’I MESIA (AS): 

Ny mpanoratra ity Evanjely ity dia nanomboka nanoratra ny Evanjeliny tamin’ny filazana diso momba ny fihavian’ny Lehibe Mesia (AS). Raha toa ka mino tokoa ny Kristianina, fa tena tsy nanana Ray olombelona ny Lehibe Mesia, fa ahoana no nampifandraisan’ny mpanoratra ity Evanjely ity azy amin’ny filazana izay nataony mahakasika ny fihaviany? Sady ahoana no nahafantarany momba ny fihavian’ny Lehibe Mesia, amin’izany famakafakana lálina momba ireo anarana ireo, izay miantomboka voalohany amin’ny Mpaminanin’i Allah, dia Ibrahim (AS), ka tonga hatramin’ny Lehibe Mesia (AS)?

Ary hamafisina miaraka amin’ny porofo ihany koa, fa diso izany filazana izany, dia noho ny fifandirana lalina tafahoatra taminy sy izay nolazain’ny mpanoratra ny Evanjelin’i Lioka mahakasika ny fiahavian’ny Lehibe Mesia (AS) tokoa izany. Raha araka ny fitantaran’ny Evanjelin’i Mathieu, fa Davida, ilay Mpanjaka no niteraka an’i Salomona. Ary hitantsika, fa ny Evanjelin’i Lioka, dia mbola milaza, fa i Davida dia niteraka an’i Nathan, ka nihamatotra avy tamin’ny Nathan noho izany ny fihavian’i Mesia [AS] (ara-pihavanana), nefa izany rehetra izany dia tamin’ny anarana maro hafa isankarazany tanteraka, raha ampitahana amin’izay voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Mathieu! Ka ny fanontaniana mipetraka, dia ny hoe; Iza amin’izy ireo no marina, ary iza no mandainga?

Isan’ireo porofo mafonja, fa tsy marina ny filazana natao momba ny resaka fihaviana, satria ny mpanoratra an’io Evanjely io (Evanjelin’i Mathew), dia ninia tanteraka nampiditra ny anaran’ireo vehivavy mpijangajanga ao anatin’izany fihaviana izany. Ka ny ohatra amin’izany, dia ny filazana fa: Yahouza, dia zanak’i Farsozareh, avy tamin’i Tamar, ary i Salomona, dia zanak’i Bouaz, avy tamin’i Rahab, ary i Davida mpanjaka kosa, dia zanak’i Salomona, avy tamin’izay ho an’i Ouriyah.

Raha amin’ny fomba mahazatra ny olombelona ankapobeny, dia antsoina amin’ny anaran’ny rainy daholo ny zaza, fa tsy amin’ny anaran’ny reniny. Nefa raha ny tena marina, dia ny mpanoratra ity Evanjely ity dia nilaza mahakasika ny fihavian’ny (fihavanany) Mesia (AS), izay manaraka tanteraka ny fihaviana amin’ny alálan’ireo ray (ray). Ka ny fanontaniana mipetraka, dia ny hoe; inona ary no tanjony amin’izany filazany ny anaran’ireo vehivavy mpijangajanga “Thamár, Rahab, ary vadin’i Ouriyah Al-hathy”, izay nampifangaroany tamin’ny fihavian’i Mesia (AS)?!

Raha ataontsika jeritodika ny mahakasika manokana ny tantaran’i Thamar, ilay vehivavy mpijangajanga, sady nijangajanga tamin’ny mpiambina azy, ary bevoka taminy. Izany tantara rehetra izany, dia hita ao amin’ny bokin’ny fihariana, fizarana: 38, laharana faha: 6-18. Ary mahakasika manokana an’i Rahab, ilay mpijangajanga indray, dia hita ao amin’ny bokin’ny Yashou, fizarana: 2, laharana faha: 1. Fa mahakasika manokana ny vadin’ny Ouriyah Al-hathy indray kosa, fa ny anarany dia Bathshaba’ na Bathshou’, izay namitaka ny vadiny, ka niaraka tamin’ny mpanjaka Davida, satria tamin’izany fotoana izany dia tompony fibaikoana manokana tamin’ny ady tao amin’ny miaramilan’i Davida ny vadiny, sady olona feno fahavononana tokoa izy. ka taorian’ny nijangajangany tamin’i Davida, dia bevohoka izy- raha araka ny fitantaran’ny baiboly azy- dia nandidy i Davida fa tsy maintsy vonoina ao amin’ny ady ao ny vadin’ilay vehivavy. Ka rehefa maty ny vadiny dia nalain’i Davida nankany amin’ny lapany ilay vehivavy, ka nataony ho vadiny (nalainy ho vady). Izany rehetra izany, dia ao amin’ny bokin’ny Somoel faharoa, fizarana: 11, laharana faha: 1.

Ny mpanoratra iny Evanjely iny ihany koa dia hamafisina, fa nilaza ny anaran’i Raouth amin’ny fihavian’i Mesia –AS-, ka niteny izy hoe; ”Ary Abouaz, dia niteraka Oubedy avy tamin’ny Raouth”. Ny tantaran’ny Raouth sy Bouaz, dia voalaza ao amin’ny bokin’ny Raouth, fizarana: 3, laharana faha: 2, nefa manjavozavo tokoa ny resaka amin’ny fipetraky ny teny! Ka noho izany fikorontanan-teny izany dia tsy fantatra ny zavatra niseho marina teo amin-dry Bouaz sy Raouth, talohan’ny fanambadian’izy ireo. Ka noho izany dia maro dia maro tokoa ireo mpitsikera izay hitanay milaza, fa Raouth dia nijangajanga tamin’i Bouaz tokoa, talohan’ny fanambadian’izy ireo. Nefa amin’ny ankilany, dia hitantsika koa ireo izay manda tanteraka ny filazana momba izany fanendrikendrehana izany, ka manasokajy azy ho olona masina. Satria, hamafisina fa ny fitaterana ny resaka dia tsy maneho ny tena zava-niseho marina. Nefa taty aorian’ny fitantaran’ny mpanoratra ny Evanjelin’i Mathieu momba ny anarany (ilay vehivavy) tamin’ny fihavian’i Mesia (AS) tamin’ireo vehivavy mpijangajanga telo ireo, fa raha amin’ny ankapobeny, dia mino ny mpanoratra ny Evanjelin’i Mathieu,, fa mety nijangajanga tamin’i Bouaz, ka noho izany no nitantarany ny anarany (vehivavy) mba ho fanambaniana ny fihavian’i Mesia (AS).

Isan’ireo mpitsikera izay nanendrikendrika an’i Raouth amin’ny resaka fijangajangana tamin’i Bouaz, talohany fanambadian’izy ireo, dia ny mpanoratra Amerikanina Jonathan Kersh (mpanoratra amin’ny gazety Los Angeles Times), araka izay ambarany amin’ny bokiny antsoina hoe: ”Tantara voarara ao amin’ny baiboly”, nambarany hoe: ”Hamafisina, fa ny sasany amin’ireo fehezan-teny ao anatin’ny baiboly, dia ahitana resaka fikomiana be dia be tokoa, izay ambony lavitra noho izay eritreretin-tsika, satria ireo fomba mahazatra amin’ny resaka ao, dia voadika-teny ara-bakiteny fotsiny, mba hanafenana ny tena dikany marina. Ary anisany ohatra tsara indrindra amin’izany, dia hitantsika amin’ilay tanatara malaza momba an’i Raouth, ilay vehivavy tanora maty vady, nandefa ireo mpiambina azy tany an-tranon’ilay tompon’ny tany mpanankarena, izay antsoina amin’ny anarana hoe; Bouaz, ka niteny ilay vehivavy taminy hoe; ”Misasao ianao, sady manaova ranomanitra, ary tafio ny akanjonao”, ka hoy ilay mpiaro vavy ratsy tetika, hoe; ”Rehefa matory izy, dia mba omeo ny toerana izay hatoriany izy, ary midira ianao, sady sokafy amin’ny faritry ny tongony roa, ary avy eo, dia matoria miantsilany ianao, fa hambarany anao ny zavatra izay tsy maintsy hataonao” (Raouth, fizarana: 3, laharana faha: 4), ary izany tranga izany dia mampiahiahy, satria ny fanontaniana mipetraka, dia ny hoe: inona ny antony hanaboridanany ireo tongony roa ireo? Ka hitanay taty aoriana, ny antony tsy nahafahan’ireo mpandika-teny hanambara antsika ny tena zava-nisy marina, hoe: hamafisina, fa ny teny hoe, ”tongony roa” na “ranjony roa”, dia amin’ny fiteny hebreo amin’ny baiboly, izay midika indraindray, fa fomba fitenenana tsotsotra ny faritry amin’ny mahalehilahy ny lehilahy. Nefa amin’izao isika, dia mahafantatra tsara, fa ny zavatra izay notadiavin’ilay vehivavy, dia hanaovantsika mody jamba fa tsy hanao an’izany miaraka amin’i Bouaz i Raouth, izany hoe; ny hamoahany ny faritra mahalehilahy azy rehefa matory izy- ka ho hitanao tsara ny zavatra izay hataon’ilay lehilahy rehefa mifoha izy: ”Hamafisna, fa hambarany anao ny zavatra izay tokony hataonao”. Ka ny zavatra izay niseho marina teo amin’i Bouaz sy Raouth, dia mbola manjavona hatrany, noho ny teny hafa izay tsy vita dikateny. Tena marina tokoa, fa Bouaz rehefa nifoha dia nahita ny henatra mahalehilahy azy izay niboridana tanteraka, ary Raouth, ilay tovovavy tsara tarehy dia teo akaikiny, ka nanontaniany ity vehivavy ity, hoe; ”Iza moa ianao?” Ka namaly azy izy (ilay vehivavy), hoe: ”Izaho, dia Raouth ilay andevo-vavinao, ka henjano amin’ny andevovavinao ny rambon’ny akanjonao” (Raouth, fizarana: 3, laharana faha: 9). Nefa, tamin’ny faharoa dia hita, fa toa namaivanin’ilay mpandikateny tamintsika ny resaka, ka nambarany hoe: ”famelarana lamban’olona manokana”, tsy inona ary izany, fa resaka mandalo amin’ny baiboly mahakasika ny firaisana ara-nofo: satria raha lehilahy anankiray mamelatra “ny lambany” eo ambonin’ny vehivavy- raha araka ny nambaran’ilay manampahaizana momba ny baiboly, Marvin H. Pope, fa tsy midika ho fandrarana amin’ny fahatsiarovana mangatsiaka tsotra hoatr’izao fotsiny izany”. [88: ”The Harlot by the side of the Road: Forbidden Tales of the Bible”, Chapter 1, Jonathan Kirsch].

 

  1. NY TSY FAHAFANTARANA IZAY MPANORATRA NY EVANJELIN’I LIOKA, NOHO NY FISIAN’NY EVANJELY IZAY NOSORATAN’I MATHIEU, ILAY MPIANATRA: 

Arak’izay efa nambaranay tamin’ny resaka efa lasa, fa ny Evanjelin’i Mathieu sy Lioka, dia samy nilaza momba ny fihavian’i Lehibe Mesia, nefa izany rehetra izany dia feno fifandirana sy tsy fahatomombanana betsaka tokoa amin’ireo anarana ireo. Raha toa ka tena i Mathieu, ilay mpianatra tokoa no nanoratra ny Evanjely, araka ny lovantsofin’i Mathieu, ka niresaka momba ny fihavian’ny Lehibe Mesia izy tamin’izany, ka moa tsy tokony tsy maintsy hanaraka izay voalazan’i Mathieu, ilay mpianatra ve i Lioka (izay tsy mpianatr’i Mesia), ary hanoratra momba ny fihavian’ny Lehibe Mesia mitovy tanteraka amin’izany izy?!

Ary izany dia manaporofo, fa Lioka dia tsy nahafantatra ny fisian’ny Evanjely, izay nosoratan’i Mathieu Al-ashar, izay mpianatr’i Mesia (AS) !!

 

  1. FILAZANA TSY MARIM-POTOTRA AO AMIN’NY EVANJELIN’I MATHIEU: 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 27, LAHARANA FAHA: 50 : 

« 50 : nihafatrafatra tamin’ny feo avo tokoa i Jesoa, ka nanolo-tena ho an’ny fanahy.

51 : ka iny ny safotry ny tampoly tena rovitra nizara roa avy any ambony ka hatrany ambany, ary ny tány dia nihorohoro tanteraka, sady vakivaky ny vato, 

52: nisokatra ny fasana, ka nitsangana daholo ny ankamaroan’ny vatan’ireo olona masina efa mandry, 

53: ka nivoaka ny fasana izy ireo taorian’ny fitsanganana tamin’ny maty, ary niditra any an-tanána masina izy ireo, ka niseho tokoa ny maro tamin’izy ireo.

54: Fa ny kaomandin’ny fibaikoana ny zato, sy ireo niaraka taminy, dia niaro ny fiambenana an’i Jesoa, ka rehefa hitan’izy ireo ny horohoron-tány, dia natahotra tokoa izy ireo, ka niteny izy ireo, hoe; hamafisina, fa tena zanaky ny Tompo Zanahary tokoa izy io”.

Ity tantara manitikitika ity, izay miteny, fa ireo fasana dia nisokatra, ka nitsangana daholo ny vatan’ireo olona masina izay efa potika tanteraka. Ka nivoaka ny fasana izy ireo, ary niditra an-tanána, sady niseho tamin’ireo vahoaka. Izany dia mitovy amin’ny sary mihetsika, izay antsoina hoe; fiafaran’ny fanjakan’ny mpanjaka, sy ireny sary mihetsika, izay tsy misy resaka fahalalana akory amin’izany sary mihetsika izany. Ary izany tranga izany dia tsy misy na porofo iray aza hanamafisana izany. Ary izany tantara izany dia tsy voalaza na tamin’iray amin’ireo Evanjely hafa ireo. Hamafisina, fa ny Evanjelin’i Mathieu ihany no nitantara manokana momba izany!!

 

 

 

FIZARANA FAHA-FOLO

IZA NO NANORATRA NY EVANJELY ARAKA NY LOVANTSOFIN’I JAONA?

Momba manokana ny Evanjely, raha araka ny lovantsofin’i Jaona, dia tsy nosoratan’i Jaona zanaky zabady, izay mpianatr’i Mesia. Izany rehetra izany dia noho ireto antony manaraka ireto: 

  1. TANTARAN’NY FANORATANA NY EVANJELY ARAKA NY LOVAN-TSOFIN’I JAONA: 

Mitantara ireo manampahaizana momba ny finoana kristianina, fa ny Evanjelin’i Jaona, dia nosoratana tamin’ny taona faha 100, izany hoe; fitopolo taona taorian’ny Lehibe Mesia. Ka noho izany, raha toa ka tsy maintsy hiteny isika, fa i Jaona bin zabady dia nihaona voalohany tamin’i Mesia, ary izy tamin’izany fotoana izany, dia efa nifanakaiky ny taonan’izy roa, na izany mihoatra, na latsaka kely fotsiny. . ka raha toa ka izany no fandehany, dia tsy maintsy nanoratra ny Evanjeliny i Jaona teo amin’ny faha 100 amin’ny taonany. Ary izany dia zavatra tsy hisy, raha tanora eo amin’ny faha 100 taonany, no hanoratra ny Evanjely!!

 

  1. FIRESAHAN’OLONA TSY EO TAMIN’NY ANARAN’I JAONA ZABADY:

Hamafisina, fa ny Evanjelin’i Jaona, dia niresaka momba ireo mpianatry ny Lehibe Mesia, tamin’ny anaran’olona tsy teo. Izany hoe; ny mpanoratra io Evanjely io, dia tsy isan’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia!

EVANJELIN’I JAONA, FIZARANA: 21, LAHARANA FAHA: 22: 

“Rehefa nitsangana avy tamin’ny maty izy ireo, dia nahatsiaro ireo mpianatrany, fa niteny an’izany izy, ka nino tamin’ilay boky sy ny zavatra izay nolazain’i Jesoa izy ireo”.

 

  1. FILAZAN’NY MPANORATRA NY EVANJELIN’I JAONA, FA TSY ISAN’IREO MPIANATRY NY LEHIBE MESIA IZY: 

Evanjelin’i Jaona, fizarana: 21, laharana faha: 20

“20: Raha nitodika i Patrice, dia nijery ilay mpianatra izay tian’i Jesoa hanaraka azy, ary izy ihany koa dia niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fotoanana tamin’ny andro alina, ka niteny izy hoe; Oh ry Lehibe! Iza no hiaro anao? 21: Rehefa hitan’ny Patrice izany, dia nilaza izy tamin’i Jesoa hoe: Oh Tompo! Inona ny azy ity? 22: hoy Jesoa taminy hoe: Raha ny faniriako, dia ny hijanonany eo mandrapaha hatongavako, sa ahoana hoy ianao? Manaraha ahy ianao. 23: ka niparitaka izany resaka izany tamin’ireo rahalahy, fa: izany mpianatra izany dia tena mbola tsy maty mihitsy. Fa i Jesoa dia tsy niteny taminy, fa tsy maty izy. Fa ny zavatra nataony, dia ny hoe; Raha ny faniriako, dia ny hijanonany eto mandrapaha hatongavako, ka ahoana ary hoy ianao. 24: io ilay mpianatra izay nijoro vavolombelona sady nanoratra izao. Ary fantatray tsara fa, ny fijoroany vavolombelona dia marina tokoa. 25: Ary betsaka koa ireo zavatra izay nataon’i Jesoa, raha nosoratako tsirairay ilay izy, dia heveriko fa tsy ho tonga maneran’izao tontolo izao ireo boky voasoratra ireo. Ameen”.

Ary anatin’ilay resaka, hoe; “ary izahay dia mahafantatra tsara, fa marina tokoa ny fijoroany vavolombelona”, izany dia porofo mazava tsara fa, ny mpanoratra io Evanjely io dia tsy ilay mpianatra izay tian’ny Lehibe Mesia, fa olona hafa tsy fantatra mihitsy izany! Ka noho izany, ahoana no hatokisanay ny zavatra izay nosoratan’olona tsy fanta-pihaviana, sady tsy fantatray ihany koa ny momba azy?! Satria hamafisina, fa izy dia tsy isan’izay nahita-maso ny zava-nitranga tamin’izany!!

Ary jerevo ihany koa ny zavatra nolazain’ny Lehibe Mesia tamin’i Patrice, hoe: 22”Hoy Jesoa taminy, hoe: Raha ny faniriako, dia ny mba hijanonany eto mandrapaha hatongavako, ka inona ary hoy ianao? Manaraha ahy ianao, 23: ka niparitaka izany resaka izany teo amin’ireo rahalahy, fa: izany mpianatra izany dia tena tsy maty tokoa. nefa tsy niteny taminy i Jesoa, fa tsy ho faty izy. Fa ny zavatra nambarany fotsiny, dia ny hoe: Raha ny faniriako, dia ny mba hijanonany eto mandrapaha hatongavako, ka ahoana hoy ianao? “Izany hoe; ity resaka ity, dia manambara, fa ilay mpianatra izay tian’ny Lehibe Mesia, dia efa maty tokoa izy, ary ny mpanoratra an’ity Evanjely ity, dia manazava ny antony nahafaty azy. Satria noho ny antony, fa izy ireo dia nihevitra, fa tsy ho faty mandrakizay mihitsy izy. Ka manamafy tanteraka tokoa izany, fa tsy izany mpianatra izany, no nanoratra izany Evanjely izany, satria zavatra tsy ho tanteraka ny fanazavany ny antony nahafaty azy, taorian’ny fahafatesany!!

 

  1. TSY FILAZANA NY ANARAN’NY MPANORATRA ITY EVANJELY ITY AO ANATINY: 

Tsy voaresaka ao anatin’ity Evanjely ity mihitsy ny famantarana izay manaporofo ny fisian’ny anaran’izay olona nanoratra azy io. Ka raha ny tena marina, fa izany Evanjely izany, dia miresaka momba ny boky izay tsy fanta-pihaviana. Ary ny fanoharana amin’izany, dia mitovy amin’ireo boky ampolony hafa, izay nieli-patrana teo amin’ny fisasahan’ny taonjato faharoa, ka nantsoina, hoe; Evanjely daholo izy rehetra ireo tamin’izany! Fa raha ny resaka hoe; Evanjely, raha araka ny lovantsofin’i Jaona, dia resaka notovanana tany amin’ny taonjato faharoa, izay notanterahina tamin’ny alálan’i Irenaeus. Ary tsy misy porofo mihitsy amin’ny filazana, fa an’i Jaona bin zabady izany Evanjely izany, afa-tsy ny filazan’i Irenaeus samy irery fotsiny mahakasika izany!!

 

  1. TSY FILAZANA NY TANTARAN’NY FIAKARANA TANY AN-DÁNITRA TAORIAN’NY FAMANTSIHANA TAMIN’NY HAZO FAMPIJALIANA, ARY NY FITSANGANANA AVY TAMIN’NY MATY: 

Ankabetsahan’ireo porofo mafonja ireo, dia milaza fa ireo Evanjely rehetra ireo, raha araka ny lovantsofin’i Mathieu sy Jaona, dia tsy i Mathieu Al-ashar sy Jaona bin zabady mihitsy no nanoratra izany, izay samy mpianatry ny Lehibe Mesia daholo izy roa ireo. Ary ireo Evanjely roa ireo, dia tsisy niresaka mahakasika ny tantaran’ny fandehanan’ny Lehibe Mesia tany an-dánitra taorian’ny famantsihana azy tamin’ny hazo fampijaliana, ary ny resaka fitsanganana amin’ny maty!!

Ity tantara ity anefa dia voalaza ao amin’ireo Evanjely araka ny lovantsofin-dry Lioka sy Marka, fa; ireo mpianatry ny lehibe Mesia rehetra, dia hamafisina fa nijoro hanao veloma an’ny lehibe Mesia, tamin’ny fotoana izay hiakarany tany an-dánitra. Ka raha tena mpianatry ny lehibe Mesia tokoa ry Mathieu sy Jaona, fa naninona no tsy niresaka momba ireo tantara lehibe ireo ao amin’ny Evanjeliny izy ireo, tahak’io tantara io?! 

 

  1. TSY FIRESAHANA MOMBA NY FAHAGAGANA TAMIN’NY FAMELOMANA AN’ILAY TOVOVAVY, IZAY EFA MATY TOKOA: 

Evanjelin’i Marka, fizarana: 5, laharana faha: 35

“35: Tamin’ny fotoana izy mbola niresaka, dia tonga avy tany amin’ny tranon’ny Filohan’ny Sinoda izy ireo, ka niteny hoe; maty ny zanakavavinao. Fa maninona ary ianao no mandreraka ny mpampianatra hoatr’izao, 36: ka tamin’izany fotoana izany, dia henon’i Jesoa ny zavatra voalaza tamin’izany, ka hoy izy tamin’ny lehiben’ny sinoda hoe: Aoka tsy hatahotra ianao, fa mitonia fotsiny. 37: ary tsy niantso olona hafa hanaraka azy izy, afa-tsy Patrice sy Jakoba, ary Jaona, izay rahalahin’i Jakoba, 38: ka tonga tao antranon’ny filohan’ny sinoda izy, ary nahita tabataba niseho tao. Nitomany izy ireo tao, sady nihafatrafatra nanozona, 39: ka niditra izy, ary nilaza tamin’izy ireo hoe: Fa maninona ianareo no mitabataba, ary avy eo dia mitomany? Tsy maty ange io tanora-vavy io, fa matory fotsiny, 40: ka nihomehy azy izy ireo. Nefa navoakany daholo ny olona rehetra tao. Ary noraisiny ny ray sy maman’ilay ankizy vehivavy, sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra izy mandrapaha tonga tamin’ny toerana izay nisy an’ilay ankizy matory miantsilany, 41: ka noraisiny tamin’ny tánany ilay ankizy vavy, ary niteny izy hoe: Talitha, mitsangana ianao. Izay midika hoe; Oh ry ankizy vavy! Ianao no teneniko, ka mitsangana ianao. 42: tamin’izany fotoana izany, dia nitsangana ilay ankizy vavy, ka avy hatrany izy dia nandeha. Satria ankizy vavy vao roa ambiny folo taona izy tamin’izany, ka vahotra tanteraka izy ireo”. 

 

EVANJELIN’I LIOKA, FIZARANA: 8, LAHARANA FAHA: 49

“49: tamin’ny fotoana izy niresaka, dia nisy iray tamin’ireo avy tao amin’ny tranon’ny filohan’ny sinoda, izay nanambara azy hoe: hamafisina, fa maty ny zanakao vavy. Ka aoka tsy handreraka ny mpampianatra ianao. 50: henon’i Jesoa izany, ka namaly izy hoe: k’aza matahotra ianao, fa mitonia fotsiny, fa efa sitrana izy. 51: rehefa tonga tao antrano izy, dia tsy niantso na iza na iza hiditra, afa-tsy i Patrice sy Jakoba, ary Jaona, ary ny Rain’ilay zaza-vavy sy ny reniny, 52: ary ny rehetra dia nitomany tamin’izany fotoana izany sady mikapokapoka ny tenan’izy ireo ihany koa. Ka nambarany hoe: K’aza mitomany ianareo. Satria tsy maty izy io, fa matory fotsiny, 53; ka nihomehy azy izy ireo. Satria fantatr’izy ireo tsara, fa maty tokoa izy io, 54; ary navoakany daholo ny rehetra tany ivelany, ka noraisiny tamin’ny tánany, ary niantso izy hoe; Oh ry ankizy, mitsangana ianao. 55: niverina ny fanahiny, ary nitsangana izy tamin’izany fotoana izany. Ka nandidy ny hanomezana izany izy, mba hinanana azy”.

 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 9, LAHARANA FAHA: 23 : 

« 23 : rehefa tonga tany antranon’ny filoha i Jesoa, ary nijery ireo mpanao feo manga, ka hitany ny rehetra nitabataba, 24 : ka niteny izy tamin’izy ireo hoe : Moramora amin’izay ianareo, fa tsy maty ilay ankizy vavy, fa matory fotsiny izy io. Ka niehezan’izy ireo izy, 25 : rehefa navoakany ny rehetra, dia niditra izy, ka noraisiny tamin’ny tánany ilay ankizy vavy, ka nitsangana izy (ankizy vavy) ».

Raha toa ka nijoro vavolombelona tamin’izany fahagagana manokana izany i Jaona, ka nahoana no tsy nanambarany momba izany ao amin’ny Evanjeliny, raha izy marina tokoa no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona ? satria ireo rehetra ireo ; Marka, Lioka, ary Mathieu, dia samy nitantara momba izany ao amin’ ny Evanjelin’izy ireo avy. Nefa izy ireo, dia tsy teo mihitsy tamin’izany, fotoana izay nitrangan’izany fahagagana izany, no sady tsy isan’ireo mpianatry ny lehibe Mesia ihany koa ry Marka sy Lioka ?!

 

  1. TSY FILAZANA MOMBA NY FIAKARANA TANY AMBONY: 

Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 17: laharana faha: 1

« 1 : enin’andro taty aoriana, dia nalainn’i Jesoa ry Patrice, Jakoba, ary Jaona rahalahiny, ka nananika any amin’ny tendrombohitra avo niaraka tamin’izy ireo samy irery, izy, 2 : ka niova ny famindran’ny tongatr’izy ireo, ny tarehiny dia nivadika nazava mitovy amin’ny masoandro, ary lasa niova fotsy tahaka ny fahazavana ny lamba fitafiny, 3 : ka niseho tamin’izy ireo ry Mosesy sy Elia, ka niresaka taminy izy ireo, 4 : ary tonga dia niresaka tamin’i Jesoa i Patrice : Tompo Oh ! tsara amintsika no hipetraka eto, ary raha sitrakao, dia hametraka tranolay telo eto izahay : ny iray dia ho anao, ary ny iray dia an’i Mosesy, ary ny iray hafa ihany kosa dia ho an’i Elia ».

 

EVANJELIN’I LIOKA, FIZARANA : 9, LAHARANA FAHA : 28 : 

«28 : ka valo andro teo ho eo taorian’izany resaka izany, dia noraisiny ry Patrice sy Jaona, ary Jakob, ka nananika ny tendrombohitra hivavaka, 29 : raha teo am-panaovana ny fivavahana izy, dia nanomboka niova ny endriky ny tarehiny, ary ny fitafiny dia lasa fotsy mamira-piratra tanteraka tokoa, 30 : ary nisy lehilahy roa no niresaka taminy tamin’izany, izany hoe ; i Mosesy sy Elia, 31 : izy roa ireo dia naneho fiderana, izay niresaka momba ny fivoahany izy roa ireo, izay efa vonona hameno tanteraka izany tao Orchilema, 32 : fa raha i Patrice sy ireo roa lahy niaraka taminy, dia resy torimaso lalina tanteraka. Rehefa nifoha izy ireo, dia hitan’izy ireo tamin’izany ny voninahiny, sy ireo roa lahy izay niaraka taminy, 33 : rehefa nisaraka taminy izy roa ireo, dia nilaza i Patrice tamin’i Jesoa hoe : Oh ry Mpampianatra ! tsara amintsika ny hipetraka eto. Ka hametraka tranolay telo eto izahay : ny ankiray ho anao, ary ny ankiray hafa ho an’i Mosesy, ary ny anankiray hafa ihany koa dia ho an’i Elia ».

Izany tantara izany anefa dia tsy voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Jaona, nefa voalaza ao amin’ny Evanjelin-dry Lioka sy Mathieu. Izany zavatra izany dia porofo marim-pototra, fa tsy i Jaona bin zabady mihitsy no nanoratra ny evanjelin’i Jaona. Satria i Jaona dia vavolombelona nahitamaso ny zava-nitranga tamin’izany tranga lehibe izany, nefa nahoana no tsy niraharahany rehefa niresaka momba izany tranga izany ireo olona tsy nahitamaso izany ?

 

  1. TSY FIRESAHANA MOMBA NY TANTARAN’NY FIHAONAN’NY LEHIBE MESIA TAMIN-DRY JAONA BIN ZABADY SY JAKOBA RAHALAHINY : 

Ity tantara ity, dia voalaza amin’ireo Evanjely rehetra ireo, dia amin’ny Evanjelin’i Mathieu, Marka, ary Lioka. Nefa izany tantara izany, dia hamafisina fa tena tsy voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Jaona mihitsy! Raha toa ka i Jaona bin Zabady, izay mpianatr’i Mesia, no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona, fa nahoana no tsy niresaka ny fomba nihaonany tamin’ny Lehibe Mesia izy?!

 

  1. FIFANDIRANA LEHIBE AMIN’IREO EVANJELY SASANY HAFA IREO MAHAKASIKA NY TANTARAN’NY FIHAONAN’NY LEHIBE MESIA TAMIN’I SAM’AN (PATRICE), SY ANDRAOS, JAKOBA, ARY JAONA: 

Ka ao amin’ny Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 4, laharana faha: 18: 

“18: tamin’ny fotoana i Jesoa nandeha tongotra nanamorina ny ranomasin’ny Galil, dia nahita ireo rahalahy anankiroa, dia ry Sam’an, izay antsoina hoe: Patrice, ary ny rahalahiny Andraos, izay niaraka nanipy ny harato tany an-dranomasina, izay manamafy tanteraka, fa mpanarato tokoa izy roa ireo, 19: ka niteny tamin’izy ireo izy hoe; avia manaraha ahy ianareo, fa hataoko ho mpihaza ho an’olona ianareo, 20: ka tamin’izany fotoana izany, dia navelan’izy ireo ny haraton’izy ireo, fa nanaraka azy avy hatrany izy ireo”.

 

EVANJELIN’I MARKA, FIZARANA: 1, LAHARANA FAHA: 16.

Voaresaka ao tsisy valaka izany tantara izany, ary mitovy amin’izany ihany koa ny fanazavana azy, izay tsy ahitana fifandirana mihitsy!!

 

EVANJELIN’I LIOKA, FIZARANA: 5, LAHARANA FAHA: 2.

“2: nahita sambo anankiroa izy ireo teo amin’ilay farihy, ka efa niala tao ireo mpanarato, sady efa nosasan’izy ireo ny haratony ireo, ka niditra tamin’iray amin’ireo sambo roa ireo izy, izay sambon’i Sam’an daholo izy roa ireo. Ka nangataka izy amin’ny mba hanisahana kely fotsiny avy amin’ny ranomasina, ary nipetraka izy, ka niezaka nampianatra ireo rehetra tao anatin’ilay sambo izy, 

8: rehefa hitan’i Sam’an Patrice izany, dia niondrika teo amin’ny lohalika roan’i Jesoa izy, ka niteny hoe: ry tompó! Avoahy avy ao amin’ny samboko, satria izaho dia hamafisiko, fa lehilahy nahavita fahadisoana, 

9: raha toa ka mitranga aminy sy ireo izay miaraka aminy ny fahagagana mahakasika ny fanjonoana trondro, izay nalain’izy ireo, 

10: ary tahak’izany ihany koa i Jakoba, sy Jaona bin zabady, ary izy roa ireo, dia samy naman’i Sam’an, ka nilaza i Jesoa tamin’i Sam’an hoe; aoka tsy hatahotra anay ianao, ary aoka mba tsy hihaza olombelona mandrakizay koa ianao. Ka rehefa tonga an-tanety tamin’ilay sambo roa izy ireo, dia navelan’izy ireo daholo ny zavatra rehetra, ary nanaraka azy ireo”.

 

FA RAHA AO AMIN’NY EVANJELIN’I JAONA, FIZARANA: 1, LAHARANA FAHA: 35.

“35: ka ampitso amin’izay koa dia nijoro nitsangana i Jaona (Baptista) sy ireo roa amin’ny mpianatrany, 

36: nijery an’i Jesoa izy, izay nandeha tongotra, ka niteny izy, fa Zahamalallah. 37; ka naheno azy miresaka ireo mpianany roa, ka tonga dia nanaraka an’i Jesoa izy roa ireo, …

40: Andraos, izay rahalahin’i Sam’an Patrice, dia iray tamin’ireo roa izay naheno an’i Jaona ka nanaraka azy, 

41: nahita an’ny rahalahiny sam’an aloha izy, izay navoakan’ny Tompo Zanahary: ary hitanay i Mesia. Ary ny dikany famakafakana izany dia Masih/Mesia.

42: Nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nijery azy i Jesoa, ary niteny hoe: ianao dia Sam’an bin Yonah, ary ianao dia milaza, fa Swifá, izay midika hoe; Patrice”.

Torak’izany ny fandehan-draharaha, fa ny Evanjelin’i Jaona irery ihany, no tsy niresaka momba ny tena tantara marina, izay nampiray hevitra ireo Evanjely telo hafa ireo. Izany hoe; i Sam’an (Patrice) sy ny rahalahiny Andraos, ary ry Jaona sy Jakoba, izay samy zanakalahin’i Jaona zabady daholo izy roa ireo, dia mpanjono avy izy ireo, izay efa nihaona tamin’ny Lehibe Mesia teny amoron-dranomasina (araka ny lovan-tsofin’ny Evanjelin’i Mathieu sy Marka)na tao anatin’ilay sambo tany an-dranomasina (araky ny lovantsofin’ny Evanjelin’i Lioka)!!

Arak’izay hitantsika tsara, fa ny Evanjelin’i Jaona irery fotsiny, no tsy niresaka momba ny tantaran’ny fihaonan’ny Lehibe Mesia tamin-dry Jaona sy Jakoba, izay samy zanak’i Zabady daholo izy roa lahy ireo!! Ka noho izany, dia ahoana no, hanekentsika, fa i Jaona bin zabady, izay mpianatry ny Lehibe Mesia, no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona?! Moa ve tsy isan’ny zava-dehibe, izay tokony hataony no hitantara ny zavatra lehibe indrindra, izay nisongadina tamin’ny fiainany, izany hoe; ny fampahafantarana momba an’i Mesia, sy ny fomba fihaonana taminy?!

 

  1. TSY FITANTARANA NY ANARAN’IREO MPIANATRY LEHIBE MESIA:

Voatantara antsipirihany tanteraka ao amin’ireny Evanjely telo hafa ireny daholo ny anaran’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia, ary misy fizarana izay natokana amin’izany mihitsy. Fa ny Evanjelin’i Jaona irery fotsiny no tsy niresaka mahakasika ny anaran’ireo mpianatry ny Lehibe Mesia ireo, izay miisa roa ambiny folo. Fa ny filazana ny anaran-dry Andraos sy Patrice, ary i Philips, dia efa ampy amin’izany!

Ary ny fitantarana ny anaran’ireo mpianatra, dia voasokajy isany zava-dehibe indrindra tokoa izany. Ary tsy ho tanteraka izany, noho ny tsy fisiany, afa-tsy ny hoe, tsy fantatry ny mpanoratra tanteraka tokoa io Evanjely io ny anaran’izy ireo rehetra!! Ary arak’izay efa hitantsika tsara, fa nanampy anarana vaovao izy, izay tsy voalaza amin’ny Evanjely hafa ankoatra azy io. Dia ny anaran’i “Nathnayl”!!

 

  1. TSY FITANTARANA MIHARIHARY TANTERAKA NY ANARAN’I JAKOBA, IZAY RAHALAHIN’I JAONA BIN ZABADY, AO AMIN’NY EVANJELIN’I JAONA: 

Jaona bin zabady sy ny rahalahiny Jakoba bin zabady, dia samy mpianatry ny Lehibe Mesia daholo izy roa mirahalahy ireo. Ka raha toa ka i Jaona bin zabady, no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona, moa ve mba ekehin’ny saina ny tsy hiresahany mandrakizay mihitsy ny anaran’ny rahalahiny ao amin’ny Evanjeliny?!

 

  1. MPANORATRA NY EVANJELIN’I JAONA, DIA TSY MAHAFANTATRA I SALOMAH, IZAY RENIN’I JAONA BIN ZABADY: 

Raha i Jaona bin zabady marina tokoa no nanoratra ny Evanjelin’i Jaona, ka moa ve tsy mba tokony ho fantany mihitsy ny zavtra izay nataon’i Salomah, reniny mahakasika ny fanatanterahana asa fikarakarana ho an’i Mesia? 

Rehefa nandeha tany am-pasan’i Mesia, i Salomah, izay renin’i Jaona bin zabady, izay nitondra fofona manitra mba hatao amin’ny vatan’i Mesia sy Maria Magdalena, ary i Maria renin’i Jakoba, dia hitantsika tsara fa ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona, dia tena tsy niresaka momba an’izany mihitsy. Nefa ny Evanjelin’i Marka indray, dia miresaka momba an’izany mihitsy!!

Marka, fizarana: 16, laharana faha: 1.

 

“1: rehefa nandalo ny andro sabotsy, dia nividy fofona manitra i Maria Madgalena sy Maria renin’i Jakoba, ary i Salomah, izay hoentin’izy ireo hahosotra azy.

2: tamin’ny vao maraina be tokoa, tamin’ny herinandro voalohany, dia nankany am-pasana izahay, ka niposaka ny masoandro tamin’izany, 3; ary niteny izy ireo (vehivavy), hoe; iza no hanesotra ilay vato ho anay avy amin’ilay fasana, 4: raha nijery izy ireo, dia hitany fa efa nihisaka tamin’ilay fasana ny vato, satria ngeza tokoa izany, 5: rehefa niditra tao ampasana izy ireo, dia nahita tanora lahy izay nipetraka teo amin’ny ankavanana, izay nitafy akanjo mihaja (costar) fotsy, ka gaga tokoa izy ireo. 6: Ka niteny izy tamin’izy ireo (vavy) hoe: aoka tsy ho gaga ianareo, satria ianareo dia mitady an’i Jesoa, ilay mpanavotra, sady voafantsika amin’ny hazo fampijaliana, izy dia hamafisina, fa efa nitsangana, ary efa tsy eto intsony izy, fa any amin’ny toerana manokana izay nametrahan’izy ireo azy izy, 7; nefa nandeha izy ireo ka niteny tamin’ireo mpianany sy tamin’i Patrice, fa efa nihoatra anareo any amin’ny Galil izy, ary any dia hohitanareo izy, arak’izay nambarany anareo”.

 

JAONA, FIZARANA: 20, LAHARANA FAHA: 1.

“1: tamin’ny herinandro voalohany, dia tonga tany am-pasana i Maria Madgalena, tamin’ny maraina vao mangirandratsy, izay tena mbola maizina tokoa, ka rehefa nijery izy dia nahita fa, efa niala tamin’ny fasana ny vato.

2: nitsangana izy ary nandeha tany amin’i Sam’an Patrice sy tamin’ilay mpianatra iray hafa, izay tian’i Jesoa, ary niteny izy (ilay vehivavy) tamin’izy roa ireo, hoe; nalain’izy ireo avy tao am-pasany ny Lehibe, ka tsy fantatray ny toerana izay nasian’izy ireo azy. 3: ka lasa nandeha tany ampasana i Patrice sy ilay mpianatra iray hafa…11 Fa i Maria kosa dia nitsangana teo ivelan’ilay fasana nitomany. Ka mbola teo nitomany izy, dia niondrika ambany amin’ilay fasana, 12: nijery izy ka nahita Anjely roa, izay nitafy lamba fotsy, sady nipetraka. Ny iray tamin’izy ireo, dia nipetraka teo amin’ny lohany, fa ny iray hafa kosa, dia nipetraka teo amin’ny tongony roa, ary ny vatan’i Jesoa dia efa nipetraka amin’ny toerana manokana, 

13; ka niteny taminy izy, hoe; oh ry vehivavy! Fa nahoana ianao no mitomany? Namaly azy roa ireo izy, hoe; hamafisina, fa tena nalain’izy ireo ny Lehibeko, nefa izaho dia tsy mahafantatra ny toerana izay nasian’izy ireo azy, 

14; rehefa niteny izany izy, dia nitodika tany aoriana izy (vehivavy) dia hitany i Jesoa nijoro ampitsanganana, nefa tsy fantany, fa i Jesoa tokoa izio”.

 

MATHIEU, FIZARANA: 28, LAHARANA FAHA: 1.

“taorian’ny andro sabotsy, tamin’ny marainan’ny herinandro voalohany, dia tonga i Maria Madgalena sy Maria anankiray hafa, izay nijery ny fasana, 

2: ka nisy horohorontany mahery vaika no niseho tamin’izany fotoana izany, satria nidina avy tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo, ka avy hatrany izy dia nesoriny ilay vato avy tamin’ny varavarana, ka nipetraka teo izy.

3; ary ny fijeriny tamin’izany, dia tahaka ny tseala-baratra, ary ny lamba fitafiny, dia fotsy tahaka ny vaingan-drano, 4; ka noho ny fahatahoran’izy ireo azy, dia nangovitra ireo mpiambina, ary lasa tahaka ny maty mihitsy izy ireo”.

 

LIOKA, FIZARANA: 23, LAHARANA FAHA: 55, SY NY FIZARANA: 24, LAHARANA FAHA: 1.

“55: ny vehivavinareo dia nanaraka azy ireo, izay tonga avy tany Galil, izay nijery ny fasana sy ny fomba nandevenana ny vatany, 

56: ary niverina izy ireo, sady nanomana fofona manitra sy ranomanitra, ka rehefa tonga ny andro Sabotsy dia niala sasatra izy ireo araka ny anatra izay azony.

1; Ary tamin’ny voalohan’ny herinandro na ny maraina voalohany, dia nandeha tany am-pasana izy ireo nitondra fofona manitra, izay efa nomanin’izy ireo, ary nisy olona maro niaraka tamin’izy ireo, 

2; ka hitan’izy ireo ilay vato dia efa niala…

Ka niverina avy tany am-pasana izy ireo, dia nambarany an’ireo iraika ambiny folo, sy ireo olon-kafa rehetra mahakasika izany, 

10; Maria Madgalena sy Yona, ary Maria renin’i Jakoba sy ireo vehivavy sisa rehetra, izay niaraka tamin’izy ireo, izay nilaza izany tamin’ireo iraka. 

11: ka niharihary ny resak’izy ireo (vavy) tamin’izy ireo, nefa tsy ninoan’izy ireo akory.

12: nitsangana i Patrice, ka nihazakazaka nankany am-pasana, ary nidina nijery ny sogabe (lamba fotsy), izay mipetraka amin’ny toerana manokana ka gaga izy tamin’izany tranga izany”.

Isan’ireo porofo mafonja izay manambara, fa ireo mpanoratra ny Evanjely rehetra ireo, dia tsy mpianatry ny Lehibe Mesia, no sady tsy vavolombelona nahitamaso ihany koa, satria noho ny fikorontanan’izy ireo tanteraka amin’ny fitantarana ny tantara tsirairay avy, ary koa ny fifandirana lehibe izay hita amin’ny fitantaran’izy ireo momba izany!

Ary ny ohatra amin’izany, dia ny filazan’i Marka hoe; nisy vehivavy telo nandeha nankany amin’ny fasan’i Mesia, ary isan’izy ireo dia ny Renin’i Jaona bin zabady, nefa ny mpanoratra ny Evanjelin’i Jaona dia tsy nahafantra, fa ny renin’i Jaona bin zabady dia nandeha tany am-pasana. Ary torak’izany ihany koa no nilazany, fa nisy vehivavy anankiray fotsiny no nandeha tany am-pasana. Fa ny Evanjelin’i Lioka indray dia nilaza fa maro-be ireo vehivavy nandeha nankany am-pasana, ka isan’izy ireo dia i Maria Madgalena, Yonah, ary Maria renin’i Jakoba. Ary nolazainy torak’izany ihany koa ny anaran’ireo vehivavy telo, nefa mifanohitra tanteraka amin’ny Evanjelin’ny Marka. Satria, ny anaran’i Yonah no nolazainy, raha tokony hilaza ny anaran’i Salomah! Ary fantatra, fa i Yonah dia vadin’i Khozy, izay mpisolotoeran’i Herodes, ary ny anarany (vehivavy), dia efa voalaza ao amin’ny Lioka, fizarana: 8, laharana faha: 3. Fa raha amin’ny Evanjelin’i Mathieu indray kosa, dia milaza fa vehivavy anankiroa fotsiny no nandeha tany am-pasana. 

Raha araka ny Evanjelin’i Marka, dia hamafisina fa izy ireo dia nahita ilay vato efa niala amin’ny toerana, ary nisy olona tamin’ny endrika tanora tao anatin’ny fasana, izay nanambara azy ireo, fa i Jesoa dia tsy ato anaty fasana ato. Ka noho izany, dia ny tokony tsy maintsy hataon’izy ireo dia ny hampandre ireo mpianatra mba handeha any amin’ny Galil hihaona aminy. 

Fa raha araka ny Evanjelin’i Jaona indray kosa, dia efa afaka ny vato, nefa i Patrice sy ny mpianatra iray hafa, dia samy nandeha tany am-pasana. Tany amin’izay, dia nahita olona roa i Maria Madgalena tao anatin’ny fasana, ka tonga dia niseho taminy amin’izay i Mesia tao anatin’ny fasana ihany!

Fa raha araka ny Evanjelin’i Lioka indray no resahina, dia efa afaka tamin’ny toerany ihany koa ny vato, nefa taty afara amin’izay dia lasa i Patrice irery ihany, fa tsy nilaza ny fisian’ny mpianatra hafa mihitsy niaraka taminy izy. Nefa raha araka ny fitantaran’i Mathieu dia tsy niala mihitsy ilay vato tamin’ny fotoana izay nandehanan’ireo vehivavy roa ireo, fa ny zavatra niseho dia nitrangan’ny horohorontany mahery vaika tamin’izany fotoana izany. Satria nisy Anjely nidina avy tany an-danitra, izay nanala ny vato teo anatrehan’ny mason’ny rehetra, ary nangovitra mafy noho ny fahitany izany ireo mpiambina ireo, ary lasa tahaka ny maty tokoa izy ireo!

 

  1. TSY FIRESAHANA NY FIHAVIANA’NY LEHIBE MESIA SY NY FAHATERAHANY TAMIN’NY ALÁLAN’NY VERIJINY, ARY TRAIKEFANY MOMBA AN’NY DEVOLY: 

Izany resaka izany, dia tantara sy tranga lehibe tokoa, izay hamafisina, fa efa voaresaka amin’ireo Evanjely hafa rehetra ireo ny momba izany, nefa nahoana no tsy niraharaha amin’ny fitantarana izany ny Evanjelin’i Jaona?

 

  1. MAHAY MITENY GRIKA TANTERAKA NY MPANORATRA AN’IO EVANJELY IO: 

Niray hevitra ireo manampahaizana momba ny finoana, fa io Evanjely io dia nosoratana tamin’ny fiteny Grika ofisialy tena avo tokoa. ka ahoana no hahafahan’i Jaona bin zabady, izay olona mpihaza tsotra hanoratra an’io Evanjely io, amin’ny fiteny grika avo indrindra ny mari-pahaizany amin’izany fiteny izany, ary amin’ny fomba izay tena feno fivoarana tokoa, izay mampialona an’ireo mpahay ohabolana lehibe grika, izay nitsoahana avy tamin’ny filozaofy grika?!

Hamafisina tokoa, fa ireo manampahaizana momba ny finoana kristianina, dia niaiky, fa ireo mpianatra dia tsy nahay niteny grika mihitsy, ary i Patrice dia nila an’i Marka mba ho mpandika-teny!!

Ary eto dia mazava tsara momba an-dry Jaona bin Zabady sy Patrice, izay hita ao amin’ny bokin’ny asan’ireo iraka, fizarana: 4, laharana faha: 13: (rehefa niharihary tamin’izy ireo ny momba an-dry Patrice sy Jaona, dia hitan’izy ireo fa olona anankiroa, izay tsy manana fahaizana na kely aza, no sady olona jamba anankiroa, dia gaga tokoa izy ireo tamin’izany. Ka fantatr’izy ireo fa niaraka tamin’i Jesoa izy roa ireo). Izany hoe; olona tsy manam-pahalalana sady jamba, ka izany no famanta-pantarana momba an’i Jaona bin zabady ao amin’ny bokin’ny asan’ireo iraka. Izany famanta-pantarana izany, dia ampy hanaporofoana tanteraka amin’ny fanazavana, fa zavatra tsy eritreretina mihitsy (impossible) ny hahatonga azy ho mpanoratra ny Evanjeliny!

Izany Evanjely izany, dia miantomboka amin’ny teny, izay nalaina avy tamin’ny Filozofy Filon, izay Jiosy Alexandria!!

 

  1. TSY FIRESAHANA MOMBA NY FAHAGAGANA AMIN’NY FANDEHANAN’I PATRICE ENY AMBONY RANO: 

Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 14, laharana faha: 26.

« 26 : rehefa hitan’ireo mpianatra izy nandeha tongotra eny ambony ranomasina, dia nikorontana daholo izy ireo, ka niteny nanao hoe: hangatra io, ka nihafatrafatra tamin’ny feo avo tokoa izy ireo, 

27 : ka tamin’izany fotoana izany, dia niresaka tamin’izy ireo i Jesoa hoe ; mahereza ianareo, fa izaho dia izy ihany, ka aoka tsy hatahotra ianareo, 

28 : ka namaly i Patrice, hoe ; ry Lehibe ! raha tena ianao marina tokoa ianao io, dia baikoy ahy handeha any aminao amin’ny fandalovana eny ambony rano.

29; namaly izy hoe; Avia ary ianao! Ka nivoaka ny sambo i Patrice, ka nandeha eny ambony rano hanatona an’i Jesoa”.

 

  1. FIRESAHANA TANTARA DISO AO AMIN’NY EVANJELIN’I JAONA:

Evanjelin’i Jaona, fizarana, 5, laharana faha: 3.

“3: Betsaka no natoritory niantsilany tao, amin’ireo olona marary isankarazany, jamba sy kilemaina, izay manantena ny fihetsehan’ny rano.

4; satria nisy Anjely, izay mampidina indraindray ny fahasoavana, ka mampihetsika ny rano. Ka izay midina voalohany aorian’ny fanetsehana ny rano, dia mahazo fanasitranana avy amin’ny aretina izay nahazo azy”.

Nefa, ny Evanjelin’i Jaona dia tsy nanambara anay momba izany. Ka ny fanontaniana mipetraka, dia ny hoe; moa ve mbola nitohitohy foana ny fidinan’ilay Anjely, izay mampidina ny fahasoavana tamin’ny fotoana izay nanoratana izany Evanjely izany, sa nitsahatra tamin’ny fidinany?

Fa ny teny hoe; ”indraindray izy midina”, dia mazava tokoa izany, fa tsy nidina izy tamin’ny fotoana izay nanoratana izany Evanjely izany!! Ary moa mbola midina mitondra ny fahasoavana ve ialy Anjely amin’izao andro misy antsika izao, sa tamin’ny fotoana voafetra fotsiny ka tapitra hatreo?!

 

 

 

FIZARANA FAHA RAIKA AMBINY FOLO

MOA IREO EVANJELY EFATRA IREO NOSORATANA TAMIN’NY ALÁLAN’NY FAMINANIANA AVY TAMIN’NY FANAHY MASINA?

  1. Raha araka ny filazan’ny fiangonana dia tsy maintsy nampidinina tamin’ny lalálan’ny fanahy masina ny testamanta vaovao: 

Arak’izay matetika hitantsika ny filazan’ny fiangonana mahakasika ireo Evanjely efatra ireo amin’ny fitenenana izay miverimberina matetika, dia ny hoe; ”Hamafisina, fa nosoratana tamin’ny alálan’ny faminaniana avy tamin’ny fanahy masina”! 

Nefa izany rehetra izany, dia tsy misy porofo marim-pototra, fa nosoratan’ny mpanoratra tamin’ny alálan’ny faminaniana avy tamin’ny fanahy masina ny Evanjely.

Ary ny famerimberenan’ny fiangonana izany resaka izany, dia hahatonga ireo kristianina rehetra ho zatra amin’ny fampiasana izany, no sady voambaka noho izany. Ary izany famerimberenana izany anefa, dia tsy misy porofo mivaingana mihitsy amin’ny fahamarinany!

Ny antony afaran’ny fampitambaran’ny fiangonana ireo Evanjely efatra amin’ny fanahy masina, dia ny ezaka hampitambatra ny toetran’ny olona masina amin’ireo Evanjely ireo, ka ho lasa boky ara-panahy, izay voasoratra tamin’ny alálan’ny faminaniana ara-panahy, fa tsy boky ara-tantara akory, izay nivokarin’olombelona. Ary izany dia mba hahatonga ireny Evanjely ireny ho fahefana amin’ny olombelona, izay hifikiran’izy ireo sy amin’ny fampianarany, ka hihataka lavitra izy ireo avy amin’izay mifanohitra amin’izany.

 

  1. TSY VOARESAKA NA AMIN’IRAY TAMIN’IREO EVANJELY EFATRA IREO, FA NOSORATANA AVY TAMIN’NY FAMINANIANA TAMIN’NY FANAHY MASINA: 

Ahoana no hafahan’ny fiangonana hilaza isaky ny fankalazana maro isankarazany, fa ireo Evanjely efatra ireo, dia nosoratana tamin’ny alálan’ny faminaniana avy tamin’ny fanahy masina, nefa ireo Evanjely ireo, dia tsy milaza izany akory?!

  1. NAHOANA NO FAMINANIANA HO AN’OLONA EFATRA?

 

Zavatra tsy ekehin’ny saina mihitsy ny hanatanterahan’ny fanahy masina ny fampitana ny faminaniana ho an’olona efatra in’efatra mandeha tamin’ny fanoratana boky anankiray ihany!

Nefa ny mahagaga, dia arak’izay efa nambaranay teo aloha, fa ny Evanjrely izay nosoratana voalohany, dia ny Evanjelin’i Marka! 

Ka ahoana no hampidinan’ny fanahy masina faminaniana amin’olona anankiray, izay mitondra anarana hoe; Marka, izay tsy anisan’ny mpianatra, sady tsy nampidinina tamin’ireo mpianatr’i Mesia, nefa izy ireo dia nahitamaso mivantana mihitsy momba ireo zavatra nitranga ireo?!

 

  1. FIFANDIRANA AMIN’IREO EVANJELY EFATRA: 

Raha toa ka ny fanahy masina tokoa no nampidina ny faminaniana tamin’ireo mpanoratra ireo Evanjely efatra ireo, fa nahoana no mbola mahita ireo fifandirana amin’izy ireo samy izy ireo isika?

Ny tantara rehetra dia voaresaka ao amin’ny Evanjely roa ny momba azy, na maro noho izany. Ka mahita tsy fitovizana lehibe izahay amin’ireo Evanjely ireo, mahakasika ny fanazavana lalina izany tantara izany!

Moa tokony hanao hadisoana tokoa ve ny fanahy masina amin’ny fampitana ireo hafatra diso ireo? Sa hadinony ny zavatra izay nambarany tamin’ny fotoana voalohany, ka noho izany dia mbola nimpody faharoa indray izy nampita ny hafatra?!

Raha tena ny fanahy masina marina no nampidina ny faminaniana tamin’ireo Evanjely ireo, dia hamafisina fa hifanaraka tanteraka ny fipetrak’ireo Evanjely ireo, ary tsy tokony hahitana tsy fitovizan-kevitra mihitsy ao amin’ireo fizarana rehetra ireo, na ireo laharana ihany koa, na amin’ireo teny sy filaharany!

 

EVANJELIN’I MATHIEU, FIZARANA: 27, LAHARANA FAHA: 54.

« raha ilay lehiben’ny zato, sy ireo izay niaraka taminy, dia niambina an’i Jesoa, nefa rehefa hitan’izy ireo ny horohorontany, izay nitranga, sy ny zavatra izay tena natahoran’izy ireo, dia niteny izy ireo, hoe ; hamafisina, fa tena zana-janahary tokoa ity « .

EVANJELIN’I LIOKA, FIZARANA : 23, LAHARANA FAHA : 47.

« rehefa hitan’ny lehiben’ny zato ny zavatra niseho, dia nidera an’ny Tompo Zanahary izy, ka niteny hoe ; hamafisina, fa tena olombelona mpanao soa tokoa izio ».

 

  1. EVANJELIN’I LIOKA, DIA MIAIKA FA TSY NOSORATANA TAMIN’NY ALÁLAN’NY FAMINANIANA AZO AVY TAMIN’NY FANAHY MASINA IZANY: 

Voalaza ao amin’ny fiantombohan’ny Evanjelin’i Lioka ny fiaikena mafonja, izay manapotika tanteraka ny foto-kevitra, fa nahazo faminaniana avy tamin’ny fanahy masina ireo Evanjely ireo. Ary hamafisina mazava tsara, fa ireo Evanjely ireo dia tsy Evanjely mihitsy. Ka hiresaka momba izany amin’ny antsipirihany mihitsy izahay amin’ny fizarana manaraka, raha sitraky ny Tompo Allah (swt=ilay Avo indrindra) Zanaharin’izao tontolo izao.

 

 

 

FIZARANA FAHA VALO AMBINY FOLO

IREO FIAIKEN’NY EVANJELIN’I LIOKA

Evanjelin’i lioka, fizarana: 1, laharana faha 1

“1: raha nibahan-toerana tamin’ny resaka fanoratana tantara ny ankabetsahan’olona, izay mahakasika ireo raharaha izay heverina, fa azoantoka anatrehantsika, 2: tahaka ny fanoloran’izy ireo tamintsika, izay tena nifikitra tamim-pahavononana tanteraka, ireo mpampiasa ny teny, 3; ka mahita ny tenako ihany koa aho, fa efa nanaraka hatrany ny zavatra rehetra hatry tamin’ny voalohany tamin’ny fomba feno fitandremana tanteraka, mba hanoratra aminao misesisesy ry malala Theophils, 4: mba hahafantaranao ny fahamarinan’ny resaka izay fantatrao”.

 

Amin’izao, ndao isika hiara-hijery ireo fiaikena izay nataon’i Lioka, izay nosoratany tamin’ny pejy fanolorana. Mba hijerevantsika ny zavatra izay nambaran’i Lioka, sy ny mahakasika ny tenany, fa tsy ny zavatra izay lazain’ny fiangonana momba an’i Lioka

  1. Betsaka tamin’ireo olona no niezaka nanoratra ny tantara ho zava-dehibe azoantoka: 

Izany dia midika, fa maro tamin’ireo olona izay nanoratra ireo Evanjely ireo, dia nanoratra izany araka ny heviny, fa tsy tamin’ny alálan’ny filazana ara-paminaniana avy tamin’ny fanahy masina akory! Ary ny teny hoe; ”Betsaka”, dia midika ny fisiana Evanjely maro isankarazany, fa tsy efatra fotsiny! Nefa na dia izany aza, dia tsy nanenjika ireo Evanjely maro isankarazany ireo izy, izay efa nisy teo alohany sy tamin’ny fotoanany i Lioka, izany hoe; tsy niteny izy, fa: ireo Evanjely telo ireo ihany no marina amin’izy ireo, ka ny Evanjeliko io no fahefatra amin’izany (tsy niteny izany mihitsy izy), fa ireny Evanjely sisa hafa ireny kosa dia tsy marina”!

 

  1. FIJOROANA VAVOLOMBELONA IZAY NATAON’I LIOKA, FA TSY MISY EVANJELY NOSORATAN’IREO MPIANATR’I MESIA: 

 

Ny tena mahagaga, dia tsy nanondro anarana mpanoratra mihitsy i Lioka momba ireo Evanjely betsaka ireo, izay efa nieli-patrana manerantany. Izany dia midika, fa ireo Evanjely ireo, dia nosoratan’olona tsy fantatra, izy ireo dia olona tsy fantra, na i Lioka aza, dia tsy nahafantatra azy ireo. Satria raha nisy Evanjely nosoratan’iray tamin’ireo mpianatra, dia sarotra tamin’i Lioka tokoa ny fanoratana ny Evanjely. Nefa dia efa voalaza ny fisian’ny Evanjely izay nosoratan’iray tamin’ireo mpianatr’i Mesia. Na koa, mety nandefasan’ny namany Theophiles ampahany amin’ny raki-tsoratra avy tamin’izany Evanjely izany izy, izay nosoratan’iray tamin’ireo mpianatra, na dia tokony hanoratra taratasy ho azy izy tamin’izany!

 

  1. MIAIKY I LIOKA FA NY TENANY NO NANORATRA IZANY FA TSY TAMIN’NY ALÁLAN’NY FAMINANIANA AVY TAMIN’NY FANAHY MASINA: 

Ny teny hoe; ”izaho koa dia nahita”, dia manamafy fa tsy hisy zavatra tokony hampisalasala intsony, fa i Lioka no nanoratra izany taratasy izany tany amin’ny namanyTheophiles, izay tsy nisy resaka faminaniana avy tamin’ny fanahy masina mihitsy.

 

  1. LIOKA DIA MIAIKY FA TSY NANORATRA EVANJELY IZY, FA NANORATRA BOKY TSOTRA FOTSINY: 

Izy dia tsy niteny hoe; ”io dia Evanjely araka ny lovantsofin’i Lioka”, ary tsy nanome famantaran-toetra masina izy tamin’ny taratasiny. Fa izy dia niresaka amim-pahazavana, fa nanoratra taratasy fotsiny ho any amin’ny namany Theophilos izy, mba hanambara azy mahakasika ireo vaovao izay azony momba ny tantaram-piainan’ny Lehibe Mesia (AS).

 

 

FIZARANA FAHA TELO AMBINY FOLO

NY FIANGONANA DIA MIAIKY FA MISY HADISOANA NITOVANANA AMIN’NY TESTAMANTA VAOVAO

Ry mpamaky hajaina, raha mamaky ny iray amin’ireo Evanjely efatra ireo ianao, dia hamafisiko fa hahita famantarana kintana ianao amin’ny toerana maro ao anatin’izany (*). Na koa hahita teny izay anaty fonosana roa. Na koa misy fampitandremana manokana mahakasika an’izay teny izay vakinao izay. Nefa maro amintsika no mandalo amin’ireo famantarana na ireo fonosana ireo, nefa tsy tongasaina mihitsy sady tsy mitandrina manoloana izany. Izany hoe; mandalo amin’ireo faritra ireo nefa tsy mieritreritra na mandalina mihitsy momba ny zavatra izay tiany hambara amin’izany, sy ny antony nahatonga azy amin’izany Evanjely izany! Satria fantatra tsara, fa 

izany famanatarana izany, dia tsy hita amin’ireo fanotan-tsoratra sasany hafa mihitsy. Ka noho izany, dia na ny mpitsinjara dia manafina ireo olana mahakasika izany teny izany!

Hamafisina, fa izany famanatarana izany, na ireo fonosana ireo dia midika, fa hahita olana amin’izay vakinao ianao amin’izany teny na hevitra izay mivoitra ao amin’izany. Angamba mety noho ny antony hadisoana amin’ny fandikanteny no nahatonga izany, izay natao hatry tamin’ny testamanta taloha, izay amin’ny fiteny Hebreo. Nefa ny fiangonana, dia mbola mifikitra hatrany amin’ny fitehirizana izany, fa tsy mba manitsy an’izany amin’ny fandikanteny marina.

Na koa mety ho nisy famoronana izany teny na hevitra izany, izay vita hatry tamin’ireo taonjato maro taty aoriana, nefa tsy nisy fototra amin’ny tahirin-tsoratra taloha mihitsy tamin’ireo taonjato voalohany ireo!

  1. “Ilay verijiny”, dia dikan-teny diso ho an’ilay teny Hebreo hoe; ”Alama”: 

Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 1, laharana faha: 22: ”22; ary izany rehetra izany, dia mba hanatanterahana izay voalaza avy tamin’ny tompo tamin’ny alálan’ny mpaminany, izay nilaza hoe; 

23; Haouzah ilay verijiny *maniry raha miteraka lehilahy, ka hantsoin’izy ireo Emanuel ny anarany, ary ny dikan’izany, dia ny hoe; Tompo Zanahary dia miaraka amintsika”. Bokin’ny Ishiyah, fizarana: 7, laharana faha: 14; ”Fa hanome famantarana anareo ny Lehibe, izy amin’ny tenany mihitsy: io ilay Verijiny*maniry te-hiteraka lahy, ka hantsoiny Emanuel ny anarany”.

Ka ny tena fahamarinana mahakasika ny tena hoe; ”verijiny”, izay hita amin’ireo fandikan-teny maro isankarazany ireo ho an’ny bokin’ny Ishiyah, dia fandikanteny diso amin’ny toeran’ny “Alama”, izay voalaza ao amin’ny bokin’ny Ishiyah amin’ny fiteny Hebreo, izay midika hoe; ”ilay tanora vavy”! ka ohatra amin’izany, dia ny fitenenana amin’ny fianakaviana, hoe; ”Efa lehibe tokoa ny tanora zanaka-vavinareo, sady niteraka zazalahy”. Izany dia midika, fa nanambady izy ka bevohoka aveo!

Nefa raha ny mpanoratra ny Evanjelin’i Mathieu, dia noho ny antony mba hanamafisana, fa ny faminanian’ny mpaminany Ishiyah, arak’izay voalaza ao amin’ny bokin’i Ishiyah dia tokony hifanaraka tanteraka amin’i Mesia. Satria izy no nandika ny teny hoe; ”Alama” amin’ny toeran’ny teny hoe; ”ilay verijiny”, mba hisian’ny fitovizana, ary koa mba hifandraisan’ny anaran’i Emanuel amin’ny anaran’i Mesia, izay midika hoe; Tompo Zanahary dia miaraka amintsika. Nefa raha araka izay fantatra mazava tsara, fa i Mesia (AS), dia tsy nisy olona mihitsy nanome azy izany anarana izany!

 

  1. FIAFARAN’NY EVANJELIN’I MARKA, FIZARANA: 16, LAHARANA FAHA: 9, KA HATRAMIN’NY LAHARANA FAHA: 20, IZAY LAHARANA DISO IHANY KOA: 

Amin’ny Evanjelin’i Marka, izay manomboka amin’ny fizarana: 16, laharana faha: 1, izay miteny hoe: ”taorian’ny andro sabotsy, dia nividy fofona manitra ry Maria Madgalena sy Maria Renin’i Jakoba, ary i Salomah, izay nentin’izy ireo hosorana”. Ary ny fiangonana dia miaiky, fa izany fizarana izany, dia mifarana hatramin’ny laharana faha: 8, izay miteny hoe: Nitsoaka haingana, ka nandositra ny fasana izy ireo. Satria hamafisina, fa ny varatra sy fikorontanan-tsaina, no namely azy ireo tamin’izany, ary tsy nanambara olona mihitsy izy ireo tamin’izany, satria natahotra mafy izy ireo”! Ary i Maria Madgalena ihany koa, dia tsy niteny tamin’olona, satria natahotra ihany koa izy!

Nefa ny fiangonana tamin’ireny taonjato taty aoriana ireny dia tsy resy lahatra mihitsy tamin’ny hamaranana ny tantara eto, raha tsy misy fanamafisana mafonja mahakasika ny fisehoan’i Mesia tamin’ireo mpianatra. Ka noho izany, dia nanampy laharana roa ambiny folo hafa tamin’io fizarana io izy, izay napetraka handrafetana izany fizarana izany, tamin’ny alálan’ny faminaniana araka ny eritreriny, fa tsy faminaniana avy tamin’ny fanahy masina!!

Ka nilaza ny fiangonana, fa i Maria Madgalena no nanambara ireo mpianatra momba ny tranga izay niseho, ary nambarany koa, fa niseho tamin’izy ireo i Mesia. Ka niakatra tany an-dánitra izy, ary nipetraka teo ankavanan’ny tompo, ka nandidy azy tamin’ny tsy maintsy hanaparitahana ny Evanjely manerana izao tontolo izao izy!!

 

EVANJELIN’I MARKA, FIZARANA: 16, LAHARANA FAHA: 9.

“9: rehefa nitsangana izy tamin’ny vao maraimbe, tamin’ny herinandro voalohany, dia niseho tamin’i Maria Madgalena aloha izy, izay nisy devoly anankifito efa nivoaka avy taminy. 10: Ity (vehivavy) ity, dia nandeha nampandre an’ireo olona izay niaraka taminy, ary nigogogogo nitomany izy ireo tamin’izany. 11; rehefa henon’izy ireo, fa mbola velona izy, izay hitany maso tokoa izany, nefa tsy nino an’izany mihitsy izy ireo.

12: ary taorian’izany, dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa amin’izy ireo izy, tamin’ny fotoanan’izy roa ireo nandeha tongotra manoloana ny tany malalaka, 13; Lasa ireny roa ireny, ka nampandre ireo sasany hafa, nefa tsy nino an’ireo roa izy ireo.

14; ary farany dia niseho tamin’ireo iraika ambiny folo izy, ary nipetraka niankina izy ireo tamin’izany, ka nasiaka azy ireo izy noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny hamafin’ny fon’izy ireo, ireo izay nahita azy nitsangana. 15: Niteny izy tamin’izy ireo hoe: mandehana ianareo manerana izao tontolo izao mampiely ny Evanjely ho an’ny olombelo rehetra tsy ankanavaka, 

16; ka izay mino sy miantehatra dia ho avotra, fa izay mihizingizina tsy hino kosa dia hibaby trosa, 

17: ary ireto andininy ireto, dia manaramaso ireo mpino, ireo izay namoaka ireo devoly amin’ny anarako, ary miresaka momba ny vaovaon’ny taona vaovao izy ireo, 

18; hitondra fiainana izy ireo, ary raha misotro zavatra maty izy ireo dia tsy hisy fiantrekany amin’izy ireo izany, ary raha mametraka ny tánany amin’ny marary izy ireo dia hositrana.

19; Ary avy eo, taorian’ny firesahan’ny tompo tamin’izy roa, dia niakatra tany an-dánitra izy, ka nipetraka teo ankavanan’ny Tompo Zanahary izy.

20: rehefa nandeha nampiely maneran-tany izy ireo, dia miasa miaraka amin’izy ireo mandrakariva ny tompo, izay mampifikitra ny resaka amin’ny alálan’ireo andininy mifanesy ireo. Amen”.

Ka ny fanontaniana mipetraka amin’izany dia; nahoana no mbola mitahiry ireo laharana diso ireo ny fiangonana ao amin’ny Evanjelin’i Marka, nefa fantany tsara, fa diso izany, izay tsy faminaniana voa-janahary mihitsy?!

 

  1. NY LAHARANA IZAY IANTEHERAN’NY FIANGONANA AMIN’NY FOTO-PINOANA AMIN’NY ZANAHARY TELO, DIA ZAVATRA DISO: 

Hafatr’i Jaona, fizarana: 5, laharana faha: 7.

hamafisina, fa ireo mijoro vavolombelona ao andanitra, dia miisa telo: Ny Ray, sy ny Teny ary ny fanahy masina. Ary ireo telo ireo, dia iray ihany”.

Ankehitriny, dia tsy hita voalaza amin’ireo rakitsoratra grika taloha izany laharana izany, fa teny fanindriana mahakasika ireo boky fotsiny izany, ao amin’ny sisin’ny takelaka amin’ny fiteny Latina hatry ny taonjato fahadimy. Nefa rehefa nandeha ny fotoana, dia nohatsarain’ny fiangonana katolika izany laharana izany, izay hita ao amin’ny baiboly, ary mahakasika ny toetran’ny olona masina mba handresy lahatra ny olona amin’ny foto-pinoana amin’ny fanompoana zanahary telo. 

Ary tamin’ny taona 1502, dia nanery i Kardinaly Francisco Jiménez de Cisneros ny vondron’ireo mpandikateny Espaniola mba hamory ny baiboly amin’ny fitenim-pirenena efatra. Izany hoe; ny teny grika, Hebreo, Aramika, ary ny Latina. Ary tsy maintsy atao amin’ny fototra efatra mitovy ireo takelaka efatra ireo amin’ny fiteny efatra ireo. Izany dia mba ho fananganana, izay fantatra amin’ny hoe; ny baiboly amin’ny fiteny maro isankarazany [Complutensian Polyglot Bible].

Ary i Desiderius Erasmus, no tompon’antoka tamin’ny fanotana izany tamin’ny fiteny grika, izay voasokajy ho fanotana ny baiboly voalohany amin’ny fiteny grika. Hamafisina, fa tanteraka ny fanotana voalohany sy faharoa tamin’ny teny grika ho an’i Desiderius Erasmus, nefa mbola tsy nahita ireo teny voalaza ireo amin’ny hafatr’i Jaona voalohany, fizarana: 5, laharana faha: 7. Nefa ny fiangonana katolika, dia nitsangana nanery an’i Erasmus mba hanampy zavatra hafa tamin’ny fanotana fahatelo. Nefa izy dia nandá an’izany tanteraka, ka nambarany hoe; tsy mahita an’izany teny izany voalaza na amin’iray tamin’ireo rakitsoratra grika ireo mihitsy izy. Kanefa rehefa nihamafy hatrany ny tsindri-bokotra nataon’ny fiangonana katolika taminy, dia voatery tsy maintsy nanaiky ny hanao izany izy. Ary ny fanotana fahatelo ihany koa, dia natao mitovy amin’izany!

Fa ny fanoratana izay tamin’ny mpanjaka James, dia niantehatra tanteraka tamin’ny fandikanteny Anglisy, sady niankina tamin’ny fanotana fahatelo izay nataoni Erasmus, ka noho ny antony izany no ahitanay ihany koa izany teny izany amin’ny fanoratan’ny Mpanjaka James.

Fa ny fandikanteny tamin’ny fitenim-pirenena Alemana, izay notanterahin’i Martin Luther, izay miantehatra tanteraka amin’ny fanotana faharoa izay nataon’i Erasmus, nefa izany teny izany, dia tsy hita ao.!!

Izany teny izany, dia mbola hita amin’ny fanotana baiboly manerana izao tontolo izao, nefa ny fiangonana dia mahafantatra tsara, fa izany teny izany dia zavatra diso, izay tsisy hifandraisany amin’ireo raki-tsoratra taloha ireo mihitsy!!

 

  1. TANTARAN’ILAY VEHIVAVY MPIJANGAJANGA, DIA TANTARA DISO

Amin’ireo fanotana ny Evanjelin’i Jaona misy amin’ny andro ankehitriny dia hitantsika amin’ny fizarana: 8, laharana faha: 3, momba ny tantaran’ilay vehivavy mpijangajanga [93: Pericope Adulterae]. Raha ny tena marina dia tsy hita ao amin’ireo takela-tsoratra grika taloha izany, ary ny fiangonana dia vavolombelona amin’izany. Ary izany dia tsy voalaza ao amin’ny takela-tsoratra faha (P66) na koa amin’ny (p75), sady tsy hita ao amin’ny tahirintsoratra Codex Sinaiticus, na koa amin’ny tahirintsoratra Codex Vaticanus. Satria hita, fa ny fomba fanoratana amin’izany tantara izany, dia mifanohitra tanteraka amin’ireo fomba fanoratana ao amin’ny Evanjelin’i Jaona, arak’izay nazavaina, fa teny nindramina fotsiny izany!

Nefa ny mampalahelo, dia ny sarin’ilay tahirintsoratra (P66) dia tsy ahitana an’izany tantara izany.

../Downloads/440px-Papyrus66.jpg

 

EVANJELIN’I JAONA, FIZARANA: 8, LAHARANA FAHA: 3.

“3: Ireo mpanoratra sy ireo lasibatra, dia nandefa vehivavy izay tratra nijangajanga, rehefa najoron’izy ireo teo ampovoany izy, 4; nilaza izy ireo, hoe; Oh ry mpampianatra! Ity vehivavy ity, dia tratra nijangajanga, ary i Mosesy dia nananatra anay araka ny lalána, fa tsy maintsy torahana vato mandrapahafatiny izay manao asa-ratsy toy izao, ka inona no ambaranao? 6: hoy izy ireo hoe; aoka izy ireo hanao andrana, mba ho valin’ny fitarainan’izy ireo mahakasika izany, fa i Jesoa kosa dia niondrika tao ambany, nanoratra tamin’ny tondron-tánany amin’ny tány, 7: rehefa nihizingizina nanontany azy izy ireo, dia niarina izy niteny tamin’izy ireo hoe; iza aminareo no tsy manam-pahotana, no mitoraka azy amin’ny vato, 8; rehefa avy eo, dia mbola niondrika tao ambany koa izy nanoratra amin’ny tany, 9; ary rehefa naheno izy ireo, dia noho ny fahatairana dia nivoaka tsirairay avy izy ireo, izay nanomboka tamin’ireo olon-dehibe ka hatramin’ireo farany indrindra, i Jesoa irery sy ilay vehivavy dia nijoro teo ampovoany, 10: ka rehefa niarina tamin’izay i Jesoa, dia tsy niandry na iza na iza intsony izy af-tsy ilay vehivavy. Ary nambarany azy tamin’izany hoe; oh ry vehivavy! Aiza ireo olona izay mitaraina momba anao, tsisy hitanao ve izy ireo? 11: Ka namaly izy hoe: tsisy na iray oh ry lehibe. Nambaran’i Jesoa taminy hoe; na dia izaho ihany koa dia tsy haninona anao, ka aoka mba handeha amin’izay ianao, ary aoka tsy hanao hadisoana intsony!

 

 

 

FIZARANA FAHEFATRA AMBINY FOLO

Ny Evanjely araka ny lovantsofin’i Mesia (AS)

 

Ny Evanjelin’ireo Mpino Silamo: 

Ireo mpino Silamo, dia mino fa Allah ilay avo indrindra dia efa nampidina Evanjely tamin’ny Mpaminaniny Jesosy (AS), ilay Mesia mba hanoro-lálana ny zanak’Israely ho any amin’ny lála-mahitsin’ny Tompo Zanahary Allah swt, taorian’izy ireo very lálana, sady nihataka lavitra avy tamin’ny fampianaran’i Mosesy (AS) sy ireo Mpaminany izay nalefran’i Allah taorian’i Mosesy (AS). 

Niteny Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’ány, amin’ny soratra Al-Ma’idah manao hoe; ”Ary nalefanay taorian’izy ireo i Jesoa, zanak’i Maria mba hanamafy izay efa nisy teo amin’izy ireo tao amin’ny Taoraty. Ary nomenay azy ny Evanjely izay misy tari-dálana sy hazavana, mba hanamafy izay nisy tao amin’ny Taoraty talohany, ary tari-dálana sy fananarana ho an’ireo vontompinoana”. [Al-Ma-idah, and: 46].

Mbola niteny ihany koa i Allah swt ao amin’ny soratra Al-Fathi, ao amin’ny boky masina Kor’any manao hoe: ”Izany no endrika hanoharana ao amin’ny Taoraty. Ary ny endrika hanoharana ho azy ireo ao amin’ny Evanjely, dia toy ny voa vao mitsimoka, mihamafy, mihamatevina, ary dia mitsangana amin’ny tahony, ka mahafaly ny mpamafy, izay ataony hahatezitra ireo tsy mpino amin’izy ireo. Mampanantena famelan-keloka sy valisoa lehibe ho an’izay mino sy manao asa soa amin’izy ireo Allah”. [Al-Fath, and: 29].

Ny mpino silamo, dia mino fa tsy maintsy ataon’ny mpino tsirairay avy no mino amin’izany Evanjelyizany, izay nampidinina tamin’ny Mpaminanin’i Allah Jesosy (AS), ary izao mihitsy no tsy mampitovy ny Mpino Silamo sy ny Kristianina momba ny Evanjely. Ireo kristianina dia miantso ny Mpino silamo hino amin’ireo Evanjely efatra ireo, ka mamaly azy ireo ny mpino silamo manao hoe; Ahoana no tadiavinareo amin’ny hinoanay amin’ireo Evanjely, izay notaterin’ireo olona tsy fantatra, nefa ianareo dia tsy mino amin’ilay Evanjely, izay nentin’i Jesosy (AS) izay nampidinin’i Allah Zanahary taminy?!

 

AIZA NY EVANJELIN’I MESIA AMIN’IZAO: 

Ny Evanjely izay nampidinin’i Allah swt tamin’ny Mpaminaniny Jesosy, dia tsy ahitana porofo mafonja amin’ny fomba nanafenana azy tamin’ny tány! Moa Evanjely nosoratana tamin’ny taratasy ve izany? Ary raha tahak’izany tokoa dia efa very teo am-pelantanan’ireo Kristianina sy Jiosy, sady mba efa nodoran’izy ireo mihitsy izany, sa Evanjely ambava fotsiny izany, ka nampianaran’i Jesosy (AS) ny olombelona amin’ny alálan’ny fampianarana ambava, ary taorian’ny nanavotan’i Allah an’i Jesosy avy tamin’ny teti-dratsin’ireo jiosy, ka nampiakariny tany Aminy izy, izay tsy tratran’ny fanasaziana tamin’ny hazo fampijaliana, sady tsy maty akory. Ka izany no isany mahatonga izany Evanjely izany ho nafenina, satria Evanjely am-bava fotsiny izany?

 

Fa ny vaovao marina dia betsaka amin’ny fampianaran’i Mesia no hita eo ampelan-tanantsika ankehitriny, ary mora amintsika mihitsy no mamaky an’izany. Satria efa nambaran’ny Tompo Zanahary Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’ány ny tantara marina momba an’i Jesosy (AS) sy ny fahamarinan’ny hafatrany, ary ny fahamarinan’ny zavatra izay nambarany tamin’ny olombelona, izay nandidiany azy ireo amin’ny fanatanterahana izany. Ary eo ihany koa ny fahamarinana momba ireo fahagagany, ary ny fahamarinan’ny Reniny Maria, ilay verijiny (AS).

Nambaran’ny Tompo Zanahary Allah (SWT) ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Tsy iza akory ilay Mesia zanak’i Maria, fa Iraka fotsiny ihany. Nisy Iraka maro efa nandalo talohany. Fa ny Reniny, dia olo-marina. ary samy nihinana sakafo daholo izy roa ireo. jereo Ny fomba hanazavanay amin’izy ireo ny porofo famantarana, ary jereo ihany koa ny fomba hivilian’izy ireo lálana”. [al-má-idah, and: 75].

 

Mbola niteny Allah ao amin’ny Kor’any manao hoe: ”Ampahatsiarovy azy ireo ilay fotoana izay hitenenan’i Allah hoe; Ry Jesoa Zanak’i Maria! Moa ve ianao no niteny tamin’ireo olona hoe; Raiso aho ary koa ny Reniko, ho zanahary anankiroa ankoatra an’Allah? Dia hiteny izy hoe; Ho Anao ny voninahitra sy ny Fahadiovana! Tsy anjarako velively ny hiteny izay tsy tokony hoteneniko! Raha niteny izany aho dia tsy maintsy ho fantatrao. Fantarao izay ato amiko, fa tsy fantatro kosa izay ao Aminao. Marina fa ianao no Mpahalála ny zava-miafina rehetra”. [Al-ma-idah, and: 116].

Tsy niteny tamin’izy ireo aho, afa-tsy izay nandidianao ahy hoe: Tompoinareo Allah, Tompo Zanahariko sy Tompo Zanaharinareo. Fa vavolombelona teo anatrehan’izy ireo aho nandritra ny fotoana rehetra niarahako tamin’izy ireo. Fa rehefa nalainao aho, dia Ianao no mpanara-maso azy ireo. Ary ianao no mahita ny zavatra rehetra”. [Al-ma-idah, and: 117].

Raha ho faizinao izy ireo, dia mpanomponao ihany koa, fa raha mamela heloka azy ireo kosa ianao, dia Ianao Ilay Tsitoha sy be fahendrena”. [Al-ma-idah, and: 118].

 

FIJOROANA VAVOLOMBELON’IREO EVANJELY EFATRA IREO, FA MISY NY EVANJELIN’I MESIA:

Efa voalaza mazava tsara ao amin’ireo Evanjely efatra ireo momba ny Evanjelin’ny Lehibe Mesia, sady niaiky tokoa ireo pretra, fa manana Evanjely ny lehibe Mesia. Nefa tsy fantatr’izy ireo akory ny fomba nahavery sy ny nanjavonany! Nefa maro amin’ireo pretra kosa miezaka mankahala an’izany raharaha izany, ka miteny hoe; ”tsy nisy Evanjely niaraka tamin’ny Lehibe Mesia, satria ny tenin’ny Evanjely, dia teny grika, izay midika hoe; Filazan-tsara”!!

Kanefa raha ny vondrona izay mankahala ny fisian’ny Evanjelin’ny lehibe Mesia, dia resaka tsy marina, raha araka ny fepetran’ny fiteny grika! Raha ny teny hoe; ”Evanjely”, (Evagelio amin’ny teny grika), izay midika hoe; ”Filazantsara” raha ny dikany ara-bakiteny. Fa raha ny tena hambarany, dia “Ny Baiboly”, ary tsiary nampiasaina mihitsy ny teny hoe; ”Filazantsara” izany!

Ka ny ohatra amin’izany dia ny hoe; raha miteny amin’ny zanany ny lehilahy grika anankiray manao hoe; tondrá Evanjely aho (Evagelio), dia mazava hoazy, fa hitondra Boky Evanjely izy, fa tsy ho azony mandrakizay mihitsy raha niteny izy hoe; tondrá Filazantsara aho!

Ary raha te-hiteny ny olona grika anankiray, fa nitondra Filazantsara izy, dia tsy hampiasa mandrakizay velively ny teny hoe; ”Evagelio” izy. Satria fantany tsara amin’izany, fa efa nitondra Evanjely izy. Nefa tsy maintsy hampiasa izao teny roa izao izy; Kalá Néa (amin’ny teny grika), izany hoe: Vaovao na Filazantsara, ary ny Néa, dia midika hoe: Vaovao, ary izany dia nalaina avy tamin’ny teny Anglisy hoe; ”News”= vaovao). 

Ndao indray tsika izao hijery ny fomba nilazan’ireo Evanjely efatra ireo ny fisian’ny Evanjely tamin’ny lehibe Mesia, sady hijery koa isika, raha toa ka ny teny hoe; Evanjely izay voalaza eto amin’ireo fehezanteny manaraka ireo, dia midika ho Evanjely tokoa izay nampidinina tamin’i Mesia, sa midika ho filazantsara: 

  1. Hafatr’i Paoly tamin’ireo olon’ny Goliata, fizarana: 1, laharana faha: 6: ”Hamafisiko, fa ianareo, dia mandeha haingana toy izao miala avy amin’izay niantsoana anareo amin’ny fahasoavan’i Mesia ho amin’ny Evanjely hafa! Tsisy hafa ankoatrany, tsy hoe misy vahoaka hanelingelina anareo, ka mila hiezaka hanova ny Evanjelin’i Mesia, nefa raha nilaza vaovao tsara ho anareo izahay, na ny Anjely avy any an-danitra ankoatr’izay, dia nambaranay anareo izany, ka ho hozona tokoa izany. Ka tahak’izay efa nambaranay teo aloha, dia mbola hambarako ihany koa, fa raha misy olona mampilaza anareo ankoatr’izay efa noraisinareo, dia aoka ny hozona hirotsaka.”.

Moa ve rehefa niteny i Paoly teto hoe: ”Mahagaga anahy ny fandehananareo haingana toy izao ho amin’ny Evanjely hafa”, izay midika, fa izy ireo dia miala avy amin’ny filazantsaran’i Mesia, mankany amin’ny filazantsara hafa, sa miala amin’ny Evanjelin’i Mesia mankany amin’ny Evanjely iray hafa?!

Ka rehefa niteny izy, fa “misy vahoaka te-hanova ny Evanjelin’i Mesia”, ka ny fanontaniana mipetraka eto amin’izany dia ny hoe: Moa ve ny teny hoe, Evanjely dia midika fa Filazantsara? 

  1. Evanjelin’i Marka, fizarana: 13, laharana faha: 10: ”Ny tsy maintsy hatao voalohany, dia ny fanaparitahana ny Evanjely ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka”.

Arak’izay efa hitantsika tsara eto, fa i Jesoa dia nandidy ireo mpianany hanaparitaka ny Evanjely eo anatrehan’ireo taranak’Israely roa ambiny folo.

Ary ny tiana hatongavana eto amin’ny hoe; ny vahoaka tsy ankanavaka, dia ireo taranaka zanak’israely roa ambiny folo, fa tsy ny vahoaka rehetra manerana izao tontolo izao mihitsy no tiana hambara amin’izany.

Hita amin’ny fandikanteny maro samihafa, dia milalao ny teny hoe; vahoaka, mba hamitaka ny mpamaky fa ny hafatr’i Mesia, dia ho an’ny vahoaka manontolo maneran’izao tontolo izao. Izany hoe; tsy nalefa ho an’ireo mpamorona very lálana amin’ny zanak’israely fotsiny izy (arak’izay voalaza ao amin’ny Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 15, laharana faha: 24), ary nandidy ireo mpianany izy hampiely ny Evanjely manerana izao tontolo izao tsy ankanavaka!

Hamafisina tokoa, fa i Mesia tamin’izany fotoana izany dia tsy nandidy azy ireo hampiely ny Evanjely raha araka ny lovantsofin’i Mathieu, Marka, Lioka, na Jaona. Fa ny zavatra nataony dia nandidy azy ireo mba hampita ny hafatry ny Evanjely fototra, izay nampidinin’i Allah taminy, ka hampita izany amin’ny taranaka jiosy.

  1. Hafatr’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Goliyata, fizarana: 1, laharana faha: 11: ”Hampahafantariko anareo ry rahalahy, ny Evanjely izay nomena ahy, dia tsy araka ny sitrapon’olombelona, satria tsy nanaiky an’izany aho (tsy nahavoaray an’izany aho) avy tamin’olombelona, sady tsy nianatra momba izany avy tamin’iza na iza mihitsy, fa tamin’ny filazan’i Jesoa ilay Mesia”.
  2. Hafatr’i Paoly, ho an’ireo vahoakan’ny Afsosy, fizarana: 1, laharana faha: 13: ”Izay ao aminareo ihany koa, dia raha maheno teny marina ianareo, ny Evanjely, dia tapitra hatreo ny momba anareo, rehefa mino ianareo sady vitanareo tamin’ny fotoanan’ny fanahy masina”.
  3. Hafatra faharoa avy tamin’i Paoly ho any amin’i Themothas, fizarana: 1, laharana faha: 10: ”Hamafisina, fa ny antony nisehoako amin’izao, dia noho ny fisehoan’ny mpanavotra antsika Jesoa ilay Mesia, izay nanafoana ny fahafatesana, nampizava ny fiainana, ary ny fiainana mandrakizay amin’ny alálan’ny Evanjely, ary izaho mihitsy no nanao ny tenako ho mpampiely an’izany, sady Iraka, no mpampianatra ho an’ny vahoaka maro tsy ankanavaka”. 

Ka ny fanontaniana mipetraka eto, dia ny hoe; moa ve nanafoana ny fahafatesana tokoa i Jesoa kristy, sady nampahatsara ny fiainana tamin’ny filazantsara sa tamin’ny alálan’ny Evanjely? 

  1. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Philipy, fizarana: 1, laharana faha: 17: “Ary izy ireo, mahakasika ny fitiavan’ireo manampahaizana, dia izaho mihitsy no toerana hiarovana ny Evanjely”.
  2. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Romia, fizarana: 10, laharana faha: 15: ”Arak’izay voasoratra”Tsara tokoa ireo mpanao filazantsara ho amin’ny fandriampahalemana, ireo izay mpilaza amin’ny hatsarana”, nefa tsy ny rehetra no mankatoa ny Evanjely, satria nanambara i Ishiyah hoe: Tompo oh! Noho ny fahamarinan’ny vaovaonay, satria ny finoana dia vaovao, ary ny vaovao dia amin’ny alálan’ny tenin’ny Tompo Zanahary”.
  3. Hafatr’i Paoly ho amin’ny vahoakan’ny Philipy, fizarana: 4, laharana faha: 3, Eny, mangataka aminao mihitsy aho ry namako mpanavotra mba hanampy an’ireo vehivavy roa ireo, izay nifanditra tamiko tamin’ny Evanjely niaraka tamin’i Clement ihany, ary koa ireo rehetra mpiara-miasa tamiko, ary ny anaran’izy ireo dia ao amin’ny bokin’ny fiainana”. 

Ka ny fanontaniana mipetraka eto, dia ny hoe; aiza ary izany bokin’ny fiainana izany, izay voalaza eo ambony io? Aiza no nanafenana sy nisy azy? 

  1. Evanjelin’i Marka, fizarana: 14, laharana faha: 9: ”Ny marina no ambarako anareo: raha miparitaka maneran’izao tontolo izao ny Evanjely, izay hanambara ny zavatra nataoko izao, izany dia mba ho fampahatsiahivana amin’izany”.
  2. Evanjelin’i Mathieu, fizarana: 26, laharana faha: 13: ”Ny marina no ambarako anareo: raha miparitaka manerana izao tontolo izao ny Evanjely, izay hilaza ny zavatra nataoko, izany dia mba fampahatsiarovana amin’izany”.
  3. Evanjelin’i Marka, fizarana: 1, laharana faha: 15: ”Tonga tany Galil i Jesoa hampiely ny filazantsara momba ny fanjakan’ny Tompo Zanahary, ka niteny izy hoe: feno ny fotoana, ary manakaiky ny fanjakan’ny Tompo Zanahary, ka mibebaha ary minoa amin’ny Evanjely ianareo”.
  4. Evanjelin’i Marka, fizarana: 8, laharana faha: 35: ”izay manapotika ny tenany noho ny antony ahy sy ny Evanjely, dia nanavotra azy izy izany”. 
  5. Evanjelin’i Marka, fizarana: 10, laharana faha: 29: ”namaly i jesoa ka niteny hoe: Ny marina no lazaiko aminareo: na raha misy iray aminareo namela ny tranony, na ireo rahalahiny, na ireo anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na vehivavy, na ankizy, na tanimboly, noho ny antony ahy sy ny Evanjely, dia hahazo valisoa folo avoheny”. 
  6. Evanjelin’i Lioka, fizarana; 5, laharana faha; 1”raha mifanohana ny rehetra noho ny antony izy mba hihaino tenin’ny tompo Zanahary”.
  7. Evanjelin’i marka, fizarana; 2, laharana faha; rehefa nivory ny rehetra marobe, izay efa tsy nahitana malalaka mihitsy, na dia manodidina ny varavarana aza. Ka nanambara azy ireo teny izy”. Fa raha amin’ny tahirintsoratr’ireo papa kristianina, dia miteny izy hoe: natsipiny tamin’izy ireo ny tenin’i Zanahary”.
  8. Evanjelin’i jaona, fizarana: 12, laharana faha: 49: hamafisiko, fa izaho dia tsy miteny avy amin’ny tenako, fa ny raiko no nandefa ahy, izay nanome anatra hoa hy: na inona no teneniko, na inona no resahiko, ary izaho dia mahafantatra tsara, fa ny anatra no fiainana mandrakizay. Ka izay rehetra ambarako izay, dia tahaka ny nanambaran’ny ray ahy toy izao”.
  9. Evanjelin’i jaona, fizarana: 3, laharana faha: 31, izay ahitana fijoroanana vavolombelona an’i jaona tamin’ny fianteherany amin’i Mesia: ”izay avy any ambony, no ambonin’ny rehetra, fa izay avy amin’ny tány, fa ny tány dia ho ahy, ka hiteny avy amin’ny tány. Izay tonga any andanitra no ambonin’ny rehetra, ary izay rehetra hitany sy henony, dia hijoro vavolombelon’izany izy, ary tsy hisy olona hanaiky ny fijoroany vavolombelona, ary izay nanaiky ny fijoroana vavolombelona ataony, dia nanao fitomboka izy, fa marina tokoa ny Tompo Zanahary, satria Tompo Allah no nandefa azy, ka amin’ny alálan’ny tenin’i Allah no hiresahana”.
  10. Evanjelin’i Jaona, fizarana: 17, laharana faha: 6: ”1: hamafisina, fa notehirizin’izy ireo ny teninao, 7: ka fantatr’izy ireo amin’izao, fa izay rehetra nomenao ahy dia avy tany aminao, 8: satria ny resaka izay nomenao ahy, dia efa nomeko azy ireo, ary nandray izany izy ireo, ary fantatr’izy ireo am-pinoana marina, fa izaho dia nivoaka avy taminao. Satria mino izy ireo, fa ianao no nandefa ahy …14: ka hamafisiko, fa efa nomeko azy ireo ny teninao”.
  11. Evanjelin’i Lioka, fizarana: 8, laharana faha: 21: ” Namaly izy ka niteny tamin’izy ireo, hoe: ”Ny Reniko, sy ireo rahalahiko, izy ireo no mihaino ny tenin’i Tompo Zanahary, no sady mampihatra izany”.
  12. Evanjelin’i Jaona, fizarana: 2, laharana faha: 22”rehefa nitsangana avy tamin’ny maty izy, dia nahatsiaro ireo mpianany ireo, fa niteny an’izao izy, ka nino tamin’ilay boky sy ny teny izay nambaran’i Jesoa, izy ireo”.
  13. Evanjelin’i Jaona, fizarana: 14, laharana faha: 24: ”izay tsy mankatia ahy, dia tsy hiaro ny teniko. Ary ny resaka izay henonareo dia tsy ahy, fa an’ny ray, izay nandefa ahy”.
  14. Bokin’ny asan’ireo iraka, fizarana: 15, laharana faha: 6: ”taorian’ny fanadihadiana lalina, dia nitsangana i Patrice, ka niteny tamin’izy ireo hoe: ry lehilahy rahalahy, arak’izay efa fantatrareo tsara, fa hatry ny andro taloha, dia nisafidy avy tamintsika ny Tompo Zanahary, fa amin’ny alálan’ny vavako no hihenoan’ireo vahoaka ny tenin’ny Evanjely, ka hino an’izany izy ireo”.
  15. Hafatr’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Kolosy, fizarana: 1, laharana faha: 5: ”Nohony antony fanantenanareo ny toerana any an-danitra, izay henonareo vao teo, tamin’ny teny marin’ny evanjely”. 
  16. Hafatr’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Kolosy, fizarana: 1, laharana faha: 23: ”raha mifikitra matotra amin’ny finoana ianareo, fa tsy miala amin’ny fampanantenan’ny Evanjely, izay efa henonareo miparitaka isaky ny mpisolotoerana rehetra ho an’ny olombelona rehetra misy ambanin’ny lanitra, ary izaho Paoly no lasa mpiasa ho amin’izany”.
  17. Hafatr’i Paoly voalohany ho an’ny vahoakan’ny Tsaloniky, fizarana: 2, laharana faha: 8: ”toy izao izahay rehefa mankatia anareo, dia faly izahay hanome anareo, tsy ny Evanjelin’i Zanahary fotsiny, fa ny tenanay ihany koa, satria lasa tianay tokoa ianareo”.
  18. Hafatr’i Paoly voalohany ho an’ny vahoakan’ny Tsaloniky, fizarana: 3, laharana faha: 2: ”nalefanay i Themothaos, izay rahalahinay sady mpiasan’ny Tompo Zanahary, izay mpiara-miasa aminay amin’ny Evanjelin’i Mesia, mba hampifikirany sy hananarany anareo amin’ny finoanareo”.
  19. Hafatr’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Afsosy, fizarana; 6, laharana faha: 15: ”ataovy matotra ny tongotrareo amin’ny fiomanana ho any Evanjelin’ny fandriampahalemana”.
  20. Hafatra faharoa an’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Tsaloniky, fizarana: 1, laharana faha: 7: ”rehefa nampilaza tamin’i Jesoa ny Tompo avy any andanitra, fa handefa ny heriny miaraka amin’ireo Anjely, dia ny afobe miredareda, izay hanome loza ho an’ireo izay tsy mahafantatra an’ny Tompo Zanahary, ary ireo izay tsy mankatoa ny Evanjelin’ny Tomponay Jesoa ilay Mesia, ary hiharan’ny famaizana mandrakizay izy ireo”. 

Moa ve tsy mankatoa ny filazantsaran’i Mesia, sa tsy mankatoa ny Evanjelin’i Mesia izy ireo?Ary moa tsy maintsy hankatoavina ve ny filazantsara sa ampahafantarina fotsiny?!

  1. Hafatra voalohan’i Paoly ho an’ny themothaos, fizarana: 1, laharana faha: 11: ”araka ny Evanjelin’i Majdillah Al-Moubárak, izay nankinina tamiko ny fitokisana”.
  2. Hafatr’i Paoly voalohany ho an’ireo vahoakan’ny Tsaloniky, fizarana: 2, laharana faha: 4: ”araka ny hatsarana izay hitanay avy tamin’i Tompo Zanahary, amin’ny hametrahana fitokisana aminay momba ny Evanjely, ka toy izao no hiresahanay amin’zany, fa tsy hoe hamalifaly ny olombelona izahay, fa ny Tompo Zanahary no mitsapa ny fo-ntsika”. 
  3. Hafatra faharoan’i Paoly ho an’i Themothaos, fizarana: 1, laharana faha: 8: ”Aoka tsy homenatra ianao amin’ny fijoroana vavolombelona amin’ny Tompontsika, na amin’izay entiko, satria ny tenako dia mandray anjara amin’ny fiziogana ireo vesatra maro isankarazany, noho ny antony Evanjely araka ny herin’ny Tompo Zanahary”. 
  4. Hafatra voalohan’i Paoly ho an’ireo Korinthos, fizarana: 9, laharana faha: 12: ”12: izahay dia tsy maintsy hizioga ny zavatra rehetra, mba tsy hisian’izay tsy hanaraka ny Evanjelin’i Mesia…14: tahak’izany ihany koa no nambaran’ny tompo, fa ireo izay miantso amin’ny alálan’ny Evanjely ho amin’ny Evanjely, dia hiaina (ho velona)… 18: Inona ary valinkasasarana ho ahy, raha mampiely aho, ary ataoko tsy hisy famatsiana ny Evanjelin’i Mesia, ka tsy hampiasa ny fahefako amin’ny Evanjely aho…23: Ary izao ataoko izao, dia noho ny anton’ny Evanjely ihany, mba ho mpandray anjara ny tenako amin’izany”.
  5. Hafatr’i Paoly ho any Goliata, fizarana: 2, laharana faha: 2: ”hamafisina, fa ny antony niakarako, dia mba hampandre ny hafatra, ka natolotro ho azy ireo ny Evanjely, izay amparitako anatrehan’ny vahoaka maro manerantany, nefa kosa dia manokana ho an’ireo izay voasokajy, mba tsy handehanako na koa nandehanako amin’ny hadisoana”.

Moa ve nanolotra Evanjely ho azy ireo i paoly, izay naeliny teo anatrehan’ny vahoaka maro, ary koa ho an’ny vahoaka manokana, sa ny filazantsara no natolony azy ireo manokana?!

  1. Hafatr’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Goliata, fizarana: 2, laharana faha: 5: ”ireo izay tsy nomenay fanetrentena, dia tsy hisy na fotoana kely fotsiny ny hijanonan’ny zon’ny Evanjely aminareo”. 
  2. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Goliata, fizarana: 2, laharana faha: 14: ”nefa rehefa hitanao izy ireo, fa tsy hitady lálan’ny fahamatorana amin’ny fanarahana ny zon’ny Evanjely, dia niteny ianao tamin’i Patrice, hoe: hamafisina fa nitarika ny rehetra ianao, satria ianao, dia jiosy, ary hijanona ho vahoaka ianao, fa tsy ho jiosy intsony, nefa nahoana no terenao ho jiosy daholo ny vahoaka manontolo”. 
  3. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Afsosy, fizarana: 6, laharana faha: 19: ”ka noho ny anton’ny tenako, mba hahazoako hiresaka amin’ny fotoana fanokafana ny vavako, mba hahafantarako ankarihary tsara ny tsy ambaratelon’ny Evanjely”.
  4. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Philipy, fizarana: 1, laharana faha: 7: ”arak’izay zoko tanteraka ny mba hieritreretako momba an’io avy eo anatrehanareo rehetra, satria izaho no mpiaro anareo ao am-poko sy amin’ny fahamarinako, ary eo anatrehan’ireo mpitsara avy amin’ny Evanjely, ary ny fanamatorana izany, dia ho namako tokoa ianareo amin’ny fahasoavana”.
  5. Hafatr’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Philipy, fizarana: 1, laharana faha: 12: ”Ary tiako ho fantatrareo ry rahalahy, fa ireo raharahako rehetra dia ankiniko amin’ny Evanjely ny ankabetsahany “. 
  6. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Philipy, fizarana: 1, laharana faha: 27: ”Miaina araka ny Evanjelin’i Mesia fotsiny ianareo, mandrapaha hatongavako, sady mahita anareo, ary na dia tsy eo aho, dia hohenoko ny raharahanareo, fa mifikitra amin’ny fanahy iray tokoa ianareo jiaby, sady manao ady masina miaraka amin’ny vatantena iray tokoa ianareo amin’ny finoana amin’ny Evanjely”.
  7. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Philipy, fizarana: 2, laharana faha: 22: ”fa raha mahakasika ny fitsapany kosa, dia fantatrareo tsara, fa izany dia tahaka ny zanaka sy ray, izay miara-miasa amiko noho ny anton’ny Evanjely”. 
  8. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Romia, fizarana: 1, laharana faha: 1: ”Paoly, dia andevon’i Jesoa kristy, izay voalaza fa iraka, izay mpitazona ny tsiambaratelon’ny Evanjelin’i Zanahary”. 
  9. Hafatr’i Paoly ho an’ny vahoakan’ny Romia, fizarana : 1, laharana faha: 9: ”hamafisiko, fa tompo Zanahary no tompoiko amin’ny fanahiko amin’ny alálan’ny Evanjelin’ny zanany, izay mijoro vavolombelona ho ahy, ka ahoana amin’izay, dia tsy hisy fahataperana ny fampahatsiahivako anareo”.
  10. Hafatr’i Paoly ho an’ny Romia, fizarana: 15, laharana faha: 29: ”Fantatro tsara, fa raha tonga aminareo aho, dia hitondra fahasoavana sesehena avy amin’ny Evanjelin’i Mesia”.
  11. Hafatr’i Paoly faharoa ho an’ny vahoakan’ny Korinthos, fizarana: 2, laharana faha: 12: ”rehefa tonga tamin’ny Tarwas aho, noho ny anton’ny Evanjelin’i Mesia, dia nisy varavarana nisokatra ho ahy avy tamin’ny tompo”.
  12. Hafatra faharoa an’i Paoly ho an’ireo vahoakan’ny Korinthos, fizarana: 10, laharana faha: 14: ”hamafisina, fa toa tsy manampy ny tenanay, toa tsy mampita hafatra aminareo tokoa izahay. Ary hamafisina ihany koa, fa efa tonga taminareo niaraka tamin’ny Evanjelin’i Mesia izahay”. 

Amin’izao ry mpamaky hajaina, taorian’ireny fijoroana vavolombelona marobe mahakasika ny fisian’ny Evanjely tamin’i Mesia, ka inona no hinoanao amin’izany?! Moa ve nisy Evanjely niaraka tamin’i Mesia sa niresaka momba ny Evanjely fotsiny izy, araka ny lovantsofin’i Mathieu na Marka na Lioka, na Jaona, izay mbola tsiary voasoratra mihitsy?!

Ry mpamaky hajaina! Moa ve te-hino amin’ny Evanjelin’i Mesia ka hanaraka azy ianao, sa te-hanaraka izay Evanjely ankoatr’izay amin’ireny Evanjely izay tsy fanta-pihaviana ireny?!

Fa raha te-hanaraka ny Evanjelin’i Mesia (AS) tokoa ianao, dia aoka ianao tsy maintsy hino an’ny Boky masina Kor’any sy ny fahalalána momba ny Kor’any, mba hahafantaranao tanteraka ny tena fahamarinana momba an’i Mesia, sy momba ny hafatra izay nataony, ary ny zavatra nambarany ny olombelona, ary indrindra indrindra moa momba ny fahagagany.

Antenaina ny hamakianao ny Soratra Al-imrán sy ny Soratra: Mariyam, ary ny Soratra: Al-ma-idah.

Enga anie ny Tompo Zanahary Allah swthanokatra ho anao ny lálan’ny fahitsiana, raha mamaky ny Boky masina Kor’any manontoloianao, izay bokin’i Allah swt, izay nampidinina taorian’ny Baiboly sy ny Evanjely.

 

FIZARANA FAHADIMY AMBINY FOLO

IZA NO NANORATRA NY TESTAMANTA TALOHA?

Ireo boky dimy izay voalaza fa an’i Mosesy (AS)

Ny fiangonana dia milaza, fa ireo boky dimy voalohany dia isan’ireo testamanta taloha, izany hoe; (Genesis, Exodus, Leviticus, Nombres, Deuteronomy), izay voasoratra avy tamin’ny Mpaminan’ny Tompo Zanahary Mosesy (AS).

Nefa izany filazana izany, dia filazana lainga, arak’izay mahazatra. Ary efa voaresaka tokoa izany lainga izany tamin’ireo boky dimy ireo, ary afaka manome ohatra vitsivitsy momba izany izahay: 

Bokin’ny Deuteronomy, fizarana: 34, laharana faha: 5: 

“Maty i Mosesy, ilay mpanompon’ny Tompo, tao amin’ny tanin’ny Moab, araka ny tenin’ny Tompo, ka naleviny amin’ny Jawai, amin’ny tanin’ny Moab, izay mifanatrika amin’ny tranon’ny Fogory. Ka tsy misy mahafantatra mihitsy ny toerana izay misy ny fasany ka hatramin’izao androany izao, ary 120 taona i Mosesy tamin’ny fotoana izay nahafaty azy. Mbola tsy niova ny mason’i Mosesy sy ny hatsarany. Ka nitomany an’i Mosesy ireo zanak’israely teo amin’ilay zavatra nitoerany ao Moab, nandritra ny telopolo andro, ka feno amin’izay ny fe-potoana izay hisaonan’izy ireo amin’ny fahafatesan’i Mosesy… Ary tsy nisy Mpaminany intsony taty afara tamin’ny zanak’israely mitovy amin’i Mosesy, izay niresaka tamin’ny Tompo mifanatri-táva mivantana tanteraka”.

Ahoana no hahatonga an’izany, fa i Mosesy (AS) no nanoratra ny bokin’ny Deuteronomy, nefa tamin’izany fotoana izany, ny bokin’ny Deuteronomy dia niresaka momba ny fahafatesan’i Mosesy, sy ny toerana nandevenana azy, satria fantatra tamin’izany, fa nisy fe-potoana lava tokoa no nanelanelana ny fahafatesan’i Mosesy sy ny fotoana izay nanoratana ny Bokin’ny Deuteronomy! Ireo teny hoe; maty tany i Mosesy”. “ ary ny fandevenana azy tao Aljawah”, “ ary tsy misy olona mahafantatra ny toerana izay misy ny fasany hatram’izao andro ankehitriny izao”, ary i Mosesy, dia feno 120 taona tamin’ny fotoanan’ny fahafatesany, sady tsy nisy Mpaminany mitovy amin’ny Mosesy intsony tamin’ny zanak’israely. Izany rehetra izany, dia manazava tsara, fa ny mpanoratra dia mitantara zavatra izay efa nandalo hatry ny fotoana ela tokoa!

 

Bokin’ny Deuteronomy, fizarana: 1, laharana faha: 1.

“Io no resaka izay niresahan’i Mosesy tamin’ireo zanak’israely rehetra teo amin’ny fandalovana manodidina ny Jordan… i Mosesy, dia niresaka tamin’ny zanak’israely, araka ny fananarana izay nataon’ny Tompo ho azy ireo… izany dia teo amin’ny fandalovana ny manodidina ny Jordan, tao amin’ny tány antsoina hoe; Moab, ka nanomboka teo i Mosesy dia nanazava izany rafi-dalána ity”.

 

Bokin’ny fikaontina, fizarana: 12, laharana faha: 1.

“1: Maria sy Harona, dia tamin’i Mosesy mahakasika ilay vehivavy Koushiyah, izay noraisiny. Satria hamafisina, fa izy dia efa naka vehivavy Koushiyah, 2: Niteny izy roa hoe: moa ve niresaka mivantana tamin’ny Tompo irery ihany i Mosesy? Moa tsy mba miresaka mivantana aminay koa ve ny tompo? Ka henon’ny Tompo izany resaka izany, 3: Fa i Mosesy, dia lehilahy nanana faharetana tokoa, izay tsy nisy mitovy taminy ny olombelona rehetra teto ambonin’ny tany. 4: Ka avy hatrany dia niteny i Tompo tamin-dry Mosesy sy Harona, ary Maria hoe: mivoaha mankany amin’ilay tranolay fivoriana ianareo telo. Ka nivoaka tokoa izy telo ireo, 5; Ka nidina ny Tompo teo amin’ny andrin’ny rahona, ary nijoro teo am-baravaran’ilay tranolay. Nantsoiny i Harona sy Maria, ka nivoaka nankany izy roa ireo, 6: Hoy izy hoe; Henoinareo roa ny teniko. Raha misy Mpaminany avy aminareo ho an’ny Tompo, dia amin’ny alálan’ny faminaniana no hanandratako azy avo. Ary amin’ny laalan’ny nofy no hiresahako aminy. 7: Fa raha mahakasika ny andevoko Mosesy, dia tsy hoatr’izany, satria izy dia ho voaro manerana ny tranoko rehetra, 8: ambava mivantana, ary miresaka aminy aho miatri-tava, izay tsy ankinafinafina, fa mivantana tanteraka. Lasa tahaka mifankahita-maso amin’ny tompo tokoa izany. Ka nahoana ianareo roa no tsy matahotra an’i andevoko Mosesy, 9: Ka nihamafana ny hatezeran’ny Tompo, dia lasa izy, 10: ka rehefa lasa niakatra ny rahona, izay niala ny tranolay, dia iny Maria nivadika ho fotsy-be tahaka ny avandra”.

Arak’izay hitantsika tsara, fa ny mpanoratra dia miresaka momba an’i Mosesy tamin’ny firesahana olona anankiray izay tsy teo amin’izany fotoana izany, ka mazava hoazy tokoa izany, fa tsy i Mosesy velively no mpanoratra eto!

Ka noho izany rehetra izany, dia ahoana no hahafahan’ny fiangonana hilaza, fa an’i Mosesy (AS) ireo boky dimy ireo, izay tsy ahitana na porofo mafonja iray aza. Ary ahoana no hiresahanao momba ireo boky izay tsy fantatra ny loharano nipoirany, izay sady tsy fantatrao ny mpanoratra azy, ka faminaniana ara-panahy tokoa ve izany, sa baiboly na boky masina?!

 

IREO BOKIN’NY TESTAMANTA TALOHA: 

Ireo bokin’ny testamanta taloha rehetra, dia mitovy daholo ny olana izay sedrain’izy ireo izay tsisy valaka mihitsy. Izany hoe; izy rehetra ireo, dia boky tsy fantatra ny loharano nihaviany, no sady tsy fantatra mihitsy izay nanoratra azy, tsy hay avy taiza no nipoirany, na ny tantarany, ary na koa ny toerana izay nanoratana azy!

Ka izany ry mpamaky hajaina! Mba miezaha misafidy iray amin’ireo bokin’ny testamanta taloha ianao androany, ary tadiavo amin’izany ny anaran’izay nanoratra azy! Ka hohitanao mandrakariva, fa tsy fantatra tokoa ny anaran’izay nanoratra azy!! 

Ary ahoana no hahafahan’ny kristianina hilaza, fa bokin’i Zanahary ireo boky ireo, nefa tsy misy porofo mivaingana na iray aza manoloana izany filazana izany, ary miteny izy ireo, fa tenin’i Zanahary, izay nampidininy tamin’ireo Mpaminany izany?!

Hamafisina, fa isany fahotana lehibe indrindra, dia ny hilazan’olona anankiray, fa tenin’ny Tompo Zanahary izany, nefa tsy misy porofo manamafy izany akory.

Ry mpamaky hajaina! Raha misy olona tonga avy any, izay milaza, fa ianao dia niteny zavatra toy izao, nefa tsy niteny izany mihitsy ianao, na koa nilaza, fa nanoratra boky toy izao ianao, nefa mbola tsy nanoratra izany boky izany mihitsy ianao, dia mazava hoazy fa tena ho tezitra mafy tokoa ianao, ary hiteny ianao, fa mpandainga izany olona izany.

FIZARANA FAHA ENINA AMBINY FOLO

FANJAVONANA SY FAHAVEREZAN’NY BAIBOLY (TESTAMANTA TALOHA)

NY BAIBOLIN’NY MPINO SILAMO: 

Ireo mpino silamo, dia mino, fa ny Tompo Andriananahary, dia hamafisina, fa nampidina boky antsoina hoe; Baiboly/Taoraty tamin’ny Mpaminaniny Mosesy (AS), mba hitarihany ireo zanak’israely ho any amin’ny lála-mahitsin’ny Tompo Allah swt, sy amin’ireo lalána tongalafatra, izay mifehy ny finoany.

Ary mino ny mpino silamo, fa tsy maintsy ataon’ny mpino tsirairay ny finoana amin’izany Taoraty izany, izay nampidinina tamin’ny Mpaminany Mosesy (AS).

Mino torak’izany ihany koa ny mpino silamo, fa izany Baiboly izany dia efa very tokoa sady nafenina, taorian’ny fitsangana’ireo zanak’israely amin’ny fivadihana sy fanovana azy tanteraka araka ny fiovan’ny fotoana izay mifanaraka tamin’ny filan’izy ireo sy ny hetahetam-pony manokana. Ary izany mihitsy no mampiavaka tanteraka ireo mpino silamo amin’ireo kristianina momba ny resaka Baiboly. Ireo kristianina dia miantso ireo mpino silamo mba hino amin’ny boky masina sy amin’ny baiboly izay misy ankehitriny. Ka mamaly azy ireo ny mpino silamo manao hoe; ahoana no tadiavinareo ny hinoanay amin’ny baiboly izay novaina, sady tsy fantatra ny renirano nipoirany, nefa ianareo (kristianina) dia tsy mino amin’ny Baibolin’i Mosesy (AS) sy ny fampianarany, ary ny lalána ao anatiny?! 

Tompo Zanahary Avo indrindra, dia miteny ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Ary nomenay an’i Mosesy ny Boky, izay nataonay tari-dálana ho an’ireo zanak’israely: Koa aza maka mpiahy ankoatra Ahy ianareo “. [Al-isrá: And: 2].

Mbola miteny Allah swt manao hoe: ” Ary tsarovinareo, raha nampita ilay Boky tamin’i Mosesy izahay, sy ilay takelam-panavahana, dia ny mba hizoranareo, amin’ny lála-marina”. [Al-baqarah, and: 53]. 

Mbola miteny hatrany Allah (Zanahary) manao hoe: ”Moa ve ianareo manantena azy ireny hino izay lazainareo? Kanefa dia efa nisy andian’olona avy tamin’izy ireo, raha nandre ny tenin’i Allah dia nanova izany taorian’ny nahazoan’izy ireo ny votoatin-kevitra noraiketiny, ary fantatr’izy ireo izany”. [Al-Baqarah, and: 75].

Miteny koa i Allah manao hoe: ”Misy amin’ireo jiosy no mamadika ny teny tsy araka ny heviny, ka milaza hoe: ”Renay tokoa ny teny, saingy toherinay”, ”Ary mihainoa ianao na dia tsy avelany handre aza”, jereo izahay, ary omeo lanja!” mivadi-dela izy ireo sady manaratsy ilay fivavahana. Fa raha mba nilaza izy ireny hoe; Renay tokoa ny teny, ary nankatoavinay”, mihainoa ianao, ary jereo izahay”, dia tena tsara lavitra taminy tokoa izany, no sady marina kokoa. Saingy efa nanozona azy ireo noho ny tsy finoany i Allah; ka zara raha mino izy ireny”. [An-nisá, And: 46].

Mbola miteny koa i Allah swt amin’ny toerana hafa manao hoe: ”Hamafisina, fa ireo izay mivarotra ny faneken’Allah sy ny voady izay nataon’izy ireo amin’ny vidiny kely dia kely tokoa, izy ireny indrindra no tsy hanana anjara any ankoatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireny i Allah, na koa hijery azy amin’ny andro fitsanganana, tsy hanadio azy ireny ihany koa Izy, fa miandry azy ireny ny famaizana feno fanaintainana”. [Ál-Imrán, and: 77].

 

MAHAZAVA-DEHIBE NY BAIBOLY AMIN’NY KRISTIANINA SY NY JIOSY: 

Ny kristianina dia miantso ny Baiboly ihany koa amin’ny anarana hoe: ”Bokin’ny Lalánan’ny Tompo”, na koa ny hoe: ”Bokin-dalána”, na “Bokin’ny fanekena”.

Mino ny Kristianina, fa mbola tsiary niova na nivadika na nitovanana ny andininy tamin’ny fiovan’ny toetra’andro hatry ny fotoanan’ny Mosesy (AS)!

Ny Baiboly, dia manambara ny mahazava-dehibe azy tanteraka eo anatrehan’ny Kristianina sy ny Jiosy, raha mahakasika manokana ny finoan’izy ireo, fa ny Boky masina (Baiboly) izay nosoratan’i Mosesy (AS=fandriampahalemana enga anie ho eo aminy) tokoa izany (raha araka ny finoan’izy ireo).

 

BOKIN’NY VAOVAON’IREO ANDRO FAHAROA, FIZARANA: 17, LAHARANA FAHA: 7:

“7: tamin’ny taona fahatelo tamin’ny fanjakany, dia nandefa tamin’ireo filohany izy, izany hoe, tamin’i; Benhaeloubadiyah sy Zacharia, ary Nathanelomekhayah mba hampianatra tamin’ireo tanána Yahouzah, 8: ary niaraka tamin’izy ireo tamin’izany dia ireo Leviticus; Sham’ayah, Nathaniyah, Zabadiyah, Asael, Shameram, theoh, Nathan, Adoniyah, Topiyah, Top, ary ireo Adoniyah Leviticus. Ary isany niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ihany koa dia; Aliyashma sy Yahorám, izay samy pretra daholo izy roa ireo, 9: izy ireo dia nampianatra tao Yahouzah, ary niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ihany koa ny Bokin’ny Lalánan’ny Tompo, ka nitety ireny tanána manontolo manodidina ny Yahouzah izy ireo, ka nampianatra ny vahoaka”.

 

BOKIN’NY EXODUS, FIZARANA: 24, LAHARANA FAHA: 7.

“7: nalainy ny bokin’ny testamanta, ka novakiny henon’ny vahoaka izany, ka niteny izy ireo hoe: izay rehetra iresahin’ny Tompo, dia tanterahinay ary henoinay”.

 

FIJOROANA VAVOLOMBELONA IZAY NATAON’NY TESTAMANTA TALOHA MOMBA NY FAHAVEREZANA SY FANAFENANA NY BAIBOLY/TAORATY: 

Tsy araka ny mahazava-dehibe ny Baiboly, izay Boky masina, nefa dia nanala-baraka tanteraka tamim-pahamarinana mamirifiry, izany hoe; ny fahaverezana sy ny fanjavonan’ny Taoraty!!

 

BOKIN’NY VAOVAON’NY ANDRO FAHAROA, FIZARANA: 34, LAHARANA FAHA: 14.

“14: rehefa namoaka ilay volafotsy eo amin’ny varavarana fidirana ka nentina any amin’ny tranon’ny tompo, dia nahita an’i halqiyah ilay pretra, ary ny bokin’ny Lalánan’ny tompo, dia eo am-pelantanan’i Mosesy (izany hoe; izay voarain’ireo zanak’israely avy tamin’i Mpaminanin’i Allah Mosesy), 15: namaly ilay halqiyah ka niteny izy tamin’i Shafani ilay mpanoratra hoe; tena hitako tokoa ny bokin’ny lalána tao antranon’ny tompo, ka natolotry ny halqiyah tamin’ny Shafani ilay boky, 16: ka nandeha i Shafani nitondra ilay boky tany amin’ny mpanjaka, ka nitondra valinteny tamin’ny mpanjaka izy nanao hoe; izay rehetra atolotro ireo andevonao dia tanterahin’izy ireo daholo, 17; efa naterin’izy ireo any antranon’ny tompo ilay izy, ka natolotr’izy ireo ho an’ireo tomponandraikitra sy ireo mpiasa amin’izany, 18: nilaza i Shafani tamin’ny mpanjaka, fa: hamafisiko, fa Halqiyah, ilay pretra dia nanome boky ahy. Ary namaky ny tao anatin’izany i Shafani teo anatrehan’ny mpamjaka.19; rehefa naheno ny resaka momba ny lalánana ny mpanjaka, dia nirovitiny ny fitafiny, 20; ny mpanjaka dia nandidy an’i Halqiyah sy Aqymah bin Shafani, Abdoun bin Mekha, sy Shafani ilay mpanoratra, ary Asáyah ilay andevon’ny mpanjaka, niteny hoe, 21; mandehana ianareo manontany ny tompo noho ny antony ny tenako sy ireo izay rehetra sisa tavela amin’ny zanak’israely sy Yahouzah momba ilay boky hita, satria lehibe tokoa manko ny sazin’ny tompo izay mihatra aminay noho ny antony ireo razambenay, izay tsy niaro ny tenin’ny tompo, sy ny fampiharana izay rehetra voasoratra ao anatin’izany boky izany”.

 

Arak’izay iarahantsika rehetra mahita, ny fijoroana vavolombelona miharihary tanteraka, fa ny Taoraty, na ny bokin’ny lalánan’ny tompo, na ireo bokin’i Mosesy miisa dimy, dia very nandritra ny fotoana lava tokoa, izay mety ho anjatony taona maro tokoa izany!

Tena faly dia faly tokoa ny mpanjaka tamin’ny fahitana ny Taoraty, ka nahatonga azy handrovitra ny lamba fitafiny noho ny fahatahorana ny sazin’ny Tompo Zanahary, satria ny razamben’izy ireo dia tsy niraharaha ny tenin’ny tompo mihitsy arak’izay voasoratra ao amin’ny Taoraty!

 

BOKY FAHAROAN’IREO MPANJAKA, FIZARANA: 22, LAHARANA FAHA: 8.

((8): niteny Halqiyah, ilay pretra lehibe tamin’i Shafani mpanoratra hoe; hamafisiko fa hitako ilay bokin’ny lalána tao antranon’ny tompo, ka natolotr’i Halqiyqh an’i Shafani ilay boky ka novakiany, (9) tonga tany amin’ny mpanjaka i Shafani, ka nanome valinteny an’ny mpanajaka, ary niteny izy hoe; hamafisiko, fa efa nalain’ireo andevonao ny volafotsy, izay tao antranon’ny tompo, ka natolony an-tánana tamin’ireo mpiasa sy ireo tomponandraikitry ny tranon’ny tompo, (10) nanambara an’ny mpanjaka i Shafani mpanoratra hoe; tena marina, fa Halqiyah ilay pretra, dia nanome ahy boky, ka novakian’i Shafani teo anatrehan’ny mpanjaka, (11) rehefa naheno ny resaka momba ny bokin’ny lalána ilay mpanjaka, dia nirovitiny ny lamba fitafiny, (12) ka nodidian’ny mpanjaka ry; Halqiyah ilay pretra, sy Akhiqám bin Shafani, Akbour bin Mekhá, Shafani mpanoratra, ary i Asáyah izay andevon’ny mpanjaka, hoe (13); Mandehana ianareo manontany ny tompo, noho ny antony ny tenako sy ny vahoaka ary ireo Yahouzah rehetra mahakasika izany resaka momba an’izany boky izay hita izany, satria lehibe tokoa izany, ary ny hatezeran’ny tompo dia mihatra amintsika noho ny tsy rariny izay nataon’ireo razambentsika, izay tsy nihaino izany resaka voalaza amin’izany boky izany, mba hahafantaran’izy ireo, ny zavatra rehetra izay nodidina ho antsika, (14) ka nandeha tokoa ry Halqiyah mpanoratra, sy Akhiqám, Akbour, Shafani, ary Asayah ka hatramin’ny Khaldah An-nabiyah, izay vadin’ny Shalom bin Taqwah bin Harhes, izay mpiabina ny fitafy, izay monina any Orchilem amin’ny fizarana faharoa, ary nampiresahin’izy ireo izy, (15)ka niteny izy (vavy) tamin’izy ireo hoe; Niteny ny tompo, izay zanak’israely hoe; ambarao an’ilay lehilahy izay nandefa anareo tamiko, (16) tahak’izany no nambaran’ny tompo, ity izaho mandefa ny ratsy amin’io toerana io, sy amin’ny mponina ao aminy, ny resaka mahakasika an’ny boky rehetra izay nivakin’ny mpanjaka Yahouzah, (17) satria navelan’izy ireo aho, fa namelona tompo maro hafa, mba ho tezitra amiko amin’ny asa rehetra izay aton’izy ireo amin’ny tánany, ka hanjaka amin’izany tokoa ny hatezerako, izay tsy hay hatsahatra mihitsy, (18) fa mahakasika manokana ny mpanjaka Yahouzah, izay nandefa anareo hanontany ny tompo, ka ambaranareo azy toy izao, hoe; nilaza ny tompo, zanaharin’ny zanak’israely, araka ny resaka izay henony, (19) noho ny anton’ny fangorahan’ny fo-nao, sy ny fanetrentenanao teo anatrehan’ny tompo, rehefa nandre ny resako ianao mahakasika izany toerana izany, sy ny vahoakany, dia lasa gaga sy manozona, ary nirovitinao ny lamba fitafinao, sady nitomany teo anatrehako ianao.

Izaho ihany koa dia mba nandre, hoy ny tompo. (20)ka noho izany, dia ity ny tenako, hanatevin-daharana an’ireo razambenao, mba handehananao any am-pasanao miaraka amin’ny fandriampahalemana, ary tsy hahita haratsiana mihitsy ny masonao, satria izaho mihitsy no handefa azy amin’izany toerana izany. Kanefa nivalian’izy ireo ny mpanjaka”.

 

Hoy ny pretra Antonios Fikri momba ny famakafakana izay nataony amin’ny bokin’ireo mpanjaka

“ny bokin’ny Pentateuch, izany hoe; ireo boky dimy an’i Mosesy. Ireo rakitsoratra momba ny lalána, izay vitsy dia vitsy tokoa. fa raha tamin’ny fotoanan’ireo mpanjaka mpanao ny tsy rariny, dia tsy niraharaha izany mihitsy izy ireo, sady tsy nisy nanontany momba an’izany mihitsy. Ary matetika dia tsy misy bokin’ny lalána mihitsy alohany hahafantaran’izy ireo, ka tsy maintsy manaraka ny fampianaran’ireo mpitandrina fotsiny izy ireo”. (96: famakafakana ny testamanta taloha avy amin’ny boky masina, fizarana: famakafakana bokin’ireo mpanjaka faharoa, an’ny pretra Antonios Fikri).

 

Pretra Halqiyah: 

Mahakasika manokana an’i pretra Halqiyah, dia zavatra tsy eritreretina mihitsy ny nahazoany ny Taoraty, izay nidina tamin’i Mosesy taorian’ny anjatony taona maro nahavery azy. Fa raha ny marina, dia izy mihitsy no nanoratra ny taoraty, ary nanafina azy avy eo, ary nilaza ho nahita azy tamin’izay izy, mba hamerina ny olona amin’ny fampianarana ny finoan’ny razambeny, taorian’ny olona rehetra nivadika nanompo ireo tompo maro samihafa. 

Ka mahakasika ny zavatra izay fonosin’ny Taoraty izay nosoratan’i Halqiyah, dia vitsy tokoa ny fahamarinana ao anatiny, izay nolovain’ireo taranaka faramandimby am-bava taty afara, izay mifangaro amin’ny hadisoana sy lainga betsaka ary tantara varamaty. 

Ka noho izany antony izany, dia betsaka amin’ireo tranga maro isankarazany, izay niseho tamin’ny fotoanan’ny Mpaminanin’i Allah Mosesy (AS), izay voasoratra ao anatin’ny Taoraty, izay nosoratan’i Halqiyah, dia hitanay fa voalaza ao amin’ny Boky masina Kor’ány tokoa izany, nefa mifanditra tanteraka tokoa izany eo amin’ny famelabelarana azy!satria ny Tompo Zanahary Allah swt dia nampidina ny fahamarinana ao amin’ny boky masiny Kor’ány, mba hanazavazava ny fetran’ny fahaverezana izay misy ankehitriny, mahakasika ny atao hoe; ny testamanta taloha. Ka noho izany, dia fantatray mazava tsara ny fahamarinana amin’ny hadisoana, ka nisafidy ny hanaraka ny marina sy ny lálan’ny fahitsiana izahay.

 

FIJOROANA VAVOLOMBELON’NY MPANJAKA AMIN’NY TSY FIRAHARAHAN’NY RAZAMBEN’IZY IREO NY TAORATY: 

Ny teny izay nambaran’ny mpanjaka, dia ny hoe: ”Satria lehibe tokoa izany sazin’ny Tompo, izay mihatra aminay izao, noho ny vokatry ny tsy rariny izay nataon’ireo razambenay, izay tsy niaro ny tenin’ny Tompo”, dia manambara amim-pahazavana ny fetran’ny tsy firaharahan’ireo razamben’izy ireo, izay ninia tsy hiraharaha ny fiarovana ny tenin’ny Tompo, na koa ny fanafenana sy fanapotehana ireo boky masina, satria noho ny antony, fa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoany sy filan’ny sitra-pon’izy ireo izany!!

 

AIZA ARY NY TAORATIN’I MOSESY AMIN’IZAO: 

Betsaka amin’ireo fampianaran’ny Taoraty fototra no mbola misy ankehitriny eo anatrehantsika, izay vitantsika tsara ny mamaky izany. Satria Tompo Zanahary Allah swt dia milaza mazava tsara ao amin’ny Boky masina Kor’ány ny fahamarinana momba an’i Mosesy (AS) sy ny hafatra izay nentiny, ary ny fahamarinan’ny zavatra izay nolazainy tamin’olombelona, sy izay nandidiany azy ireo, ary koa ny fahamarinana momba ireo fahagagany.

Ry mpamaky hajaina isany! Antenaina ny hanombohanao hamaky ny Soratra Al-Baqarah(ny Ombivavy), ary enga anie ny Tompo Zanahary (Allah) hanokatra ho anao ny lálan’ny fahitsiana hankany Aminy, ka hamaky ny Boky masin’i Allah swt manontolo ianao, dia ny Boky masina Kor’ány.

 

 

 

FIZARANA FAHAFITO AMBINY FOLO

FANAFENANA SY FAHAVEREZANA NY ANKABETSAHAN’IREO TAKELAKA MASINA TAMIN’NY BAIBOLY

Misy ampahany betsaka tokoa no very sy nanjavona tamin’ireo boky masina avy amin’ny Baiboly, ary ny Baiboly mihitsy no mijoro vavolombelona amin’izany. Nefa ny fiangonana dia mbola miziriziry amin’ny heviny amin’ny fampihaingoana ny toetran’ireo olona masina amin’ny alálan’ny Baiboly, izay ilazany fa tenin’i Tompo Zanahary tokoa izany, izay nidina tamin’ny alálan’ny faminaniana! Raha toa ka misy tsy fahafenoana ny baiboly, moa ve tsy laharam-pahamehana ny handefasan’i Allah amintsika indray mandeha ireo takelaka masina tsy nisy teo aloha mba hamenoana ny banga amin’ilay boky izay eo am-pelantanantsika mba ho tongalafatra tanteraka izany?!

Na koa ny handefasany boky hafa, izay tongalafatra tanteraka, ary tsy tokony hisy tsy fahatomombanana mihitsy izany, na hitsina ireny takelaka manjavona ireny?!

 

1- Bokin’ny fiainana:

Hafatr’i Paoly ho an’ireo Philipy, fizarana: 4, laharana faha: 3: ”Eny, mangataka aminao ihany koa aho oh ry sakaizako malala, mba ampio ireto vehivavy roa ireto izay niara-niady tamiko tamin’ny Evanjely, niaraka tamin’i Clement ihany koa. Ary ireo mpiasa rehetra miaraka amiko, ary ny anaran’izy ireo dia ao amin’ny bokin’ny fiaianana”.

 

2- Bokin’ny adin’ny tompo: 

Bokin’ny fanisana, fizarana: 21, laharana faha: 14: ”Ka noho izany no iantsoana azy ao amin’ny bokin’ny adin’ny tompo: Wahib, fi Sofah, wa Aoudiyah Arnoun”.

 

3- Bokin’ny Yáshir: 

Bokin’ny Yashou’, fizarana: 10, laharana faha: 13; “raha mbola miposaka ny masoandro, ary mijoro ny volana, mandrapaha hamalifaty amin’ireo fahavalony ny vahoaka, tsy misoratra ao amin’ny bokin’ny Yashir ve izany?”

 

4- Vaovaon’i Nathan ilay mpaminany- faminanian’i Akhiyah Al-shelony-rouya ya’dou Ar-rái: 

Bokin’ny vaovaon’ireo andro faharoa, fizarana: 9, laharana faha: 29: “ny sisa amin’ny raharahan’i Salomona ny voalohany sy ny farany, na izany voasoratra ao amin’ny vaovaon’i Nathan, ao amin’ny faminanian’i Akhiyah Al-shelony sy amin’ny rouya ya’dou Ar-rai amin’ny Yarba’am bin Nibát?”.

 

5- Vaovaon’i Somoel Ar-rai, vaovaon’i Nathan ilay mpaminany- vaovaon’ny Jady Ar-rai: 

Bokin’ireo vaovao tamin’ireo andro voalohany, fizarana: 29, laharana faha: 29: ary ny raharahan’i Davida ilay mpanjaka, ny voalohany sy ny farany, izay voasoratra ao amin’ny vaovaon’i Somaely Ar-rai, sy ny vaovaon’i Nathan mpaminany, ary vaovaon’i Jady Ar-rai, izay manakana ny fanjakany manontolo sy ny fahefany sy ireo fotoana izay nandalovany sy ny zanak’israely, ary izay rehetra eto an-tány”.

 

6- Vaovaon’i Shamayah mpaminany-bokin’ny Ansáb Adawi Ar-rai- bokin’ny vaovaon’ireo andro faharoa, fizarana:

12, laharana faha: 15: ”ireo raharaha voalohan’i Rahba’am sy ny farany, izay voasoratra ao amin’ny vaovaon’i Sham’ayah mpaminany, sy Adawi Ar-rai mahakasika ny ankohonana?”. 

 

7- Bokin’ny mpaminany Adawi: 

Bokin’ny vaovaon’ny andro faharoa, fizarana: 13, laharana faha: 22: ”ny sisa amin’ny raharahan’i Abiyah sy ireo lálany, ireo teniny, izay voasoratra ao amin’ny Madras An-nabi Adawi”.

 

8- Bokin’ireo raharahan’i Salomon: bokin’ireo mpanjaka voalohany, fizarana: 

11, laharana faha: 41: ”ireo raharahan’i Salomona sy izay rehetra nataony, ary ny fitondrany, izay voasotra ao amin’ny bokin’ny raharahan’i Salomona?”.

 

9- Ireo vaovaon’ny Ar-raina: 

Bokin’ny vaovaon’ny andro faharoa, fizarana: 33, laharana faha: 19: ”ny vavakany sy ny fandraisana azy dia ho azy, ary ny hadisoany rehetra sy ny fitakany, ary ireo toerana izay namboariny amin’ny toerana ambony tanteraka,, nanamboatra fefy sy sarivongana izy talohan’ny fanetrentenany.izany dia voasoratra ao amin’ny vaovaon’ireo Raiina”.

 

10- Hafatr’i Paoly amin’ny vahoakan’ny Laodekiyah: hafatr’i Paoly ho amin’ireo vahoakan’ny Kolosy, fizarana:

4, laharana faha: 15: ”

“15: Arahabaina ianareo ry rahalahy ao Laodekiyah, sy ho an’ny fiangonana, ary ho an’izay rehetra any antranony. 16: nivakiko aminareo avy taty amiko ity taratasy ity, ka aoka mba ho vakina ao ampiangonana ho an’ireo Laodekens ihany koa izany, ary avy amin’ny Laodekiyah ihany koa no hamakianareo izany”.

Araka izay tsikaritra matetika, fa maro amin’ireo pretra no mijoro vavolombelona amin’ny fahaverezana sy fanjavonan’ireo takelaka masina ireo. Nefa mody milaza izy ireo, fa efa nesorina tao amin’ny baiboly izany, satria hono ny bokin’i Aboukreva izany, izay tsy manara-dalána sady tsy marim-pototra!!

Raha marina tokoa izany filazan’izy ireo izany, dia ahoana no hamarim-pototra ny fijoroana vavolombelona amin’ny fisina’ireo anarana takelaka ao anatin’ireo takelaka ara-dalána hafa, dia tantearaka ny filazana, fa takelaka marim-pototra tokoa izany?!

Ary ohatra amin’izany, dia ny hafatr’i Paoly tamin’ny vahoakan’ny Kolosy, izay nadidy azy ireo ihany koa hamaky izany taratasy izany, izay nalefany tany Laodekia. Ary koa ny hanomezan’ireo olon’ny Laodekia izany taratasy izany an’ireo vahoakn’ny Kolosy, mba hamakian’izy ireo ihany koa ny hafatra.

Mba ekehin’ny saina ve ny hitenenantsika, fa nandidy azy ireo izy amin’ny tsy maintsy hamakian’izy ireo ny taratasin’ny Aboukreva, izay fantatra, fa tsy marim-pototra tokoa izany?!

 

Tanteraka noho ny fiderana an’i Allah sy ny fahasoavany.

 

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

 

 

 

[1](Mpampianatra amin’ny Oniversite, amin’ny resaka fampianarana finoana, Oniversite North Carolina) (Chapel Hill, USA)