TSY FAHAZOANA ALALANA MIKAPOKA VEHIVAVY ARAKA NY FINOANA SILAMO

TSY FAHAZOANA ALALANA MIKAPOKA VEHIVAVY ARAKA NY FINOANA SILAMO

تحريم ضرب النساء في الإسلام باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

 

Ahmad Al-Amir

أحمد الأمير

 

Fandikan-Teny Nataony

European Islamic Research Center (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

 

NY TENY FANOLORANA

Dera sy voninahitra sy fankasitrahana no atolotra an’i Tompo Andriananahary (Zanahary), Izay nadefa Mohammad Mpanome vaovao malaza tsara sady Mpampitandrina, ary ho any amin’ny Tompo Allah amin’ny sitra-pony, sady ho toy ny Jiro Mpanazava.

Ary Izy (Allah) nisafidy ireo Mpanara-dia azy sady nanome azy ireo fahasoavana lehibe. Ka Tso-dranon’i Allah sy Fandriampahalemana mandrakariva enga anie ho aminy sy ny fianakaviany, ary ireo Mpanara-dia azy.

Ka izao manaraka izao ny hafatra:

Nanoratako ity Boky ity dia mba hamaly ireo fanakorontanan-tsaina izay nataon’ireo voafitaky ny devoly, ary tena nariany amin’ny fahaverezana lavitra sy miharihary tokoa izy ireo.

Anisany lasa resabe ankehitriny mahakasika ny fikapohana na fidarohana ny vehivavy amin’ny finoana silamo, izay miparitaka lavitra tokoa izany tsaho tsy marina izany.

Ary betsaka tokoa ireo tranon-kala eektronika hitanay miresaka momba izany, no sady manome valiny momba ny fanontaniana amin’izany, nefa tsisy fahalalana akory ireny olona ireny fa manaonao fahatany na miteiteny fahatany tsy ampanarahana ny Kor’any sy ny Sori-dalan’ny Mpaminany saw.

Mipetraka ery ireo mpankahala ny finoana silamo manenjika izany amin’ny fomba rehetra, no sady mamoron-dainga mahakasika zavatra izay tsy ataon’ny finoana silamo, ary tsisy amin’ny finoana silamo, tsy amin’ny fototrany na amin’ny rantsany akory.

Eto dia tiako hametraka hoan’ny mpamaky hajaina isany, sady hanambara ny tena toeran’ny Finoana Silamo mahakasika ny fikapohana vady, ary ny mampiavak’azy amin’ireo finoana marobe isankarazany ankoatra ny Islamo.

Ny finoana silamo dia tokana sady irery izay mandrara ny fikapohana ny Vehivavy; na ankizy vavy izany na vehivavy lehibe.

Ka hoanareo ny antsipirihany amin’ity resaka ity, dia anjaranareo amin’izay no mitsara rehefa avy nikaroka amim-pahalalana tanteraka.

 

Ahmad Al-Amir

 

/Users/ahmed/Documents/MY SITES & PROJECTS/PROJECTS & SITES/ISLAMLAND/logo-black.png

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

[email protected]

 

 

NY FIZARANA VOALOHANY:

Ny asa rehetra dia tsimaintsy tanterahina arak any Lalana Islamika

Hamafisina fa, ny asa retraretra ataon’ny zanakolombelona, dia tsimaintsy manaraka ny lalana Islamika, araky ny fepetra manaraka ireto, mba hazava amin’olona izany ny mahasamihafa ny zavatra azo atao sy ny zava-boarara:

  1. Obligatoire: (ny zavatra izay tsy maintsy tanterahina): ity no ambaratonga ambony indrindra amin’ny adidy izay tsy maintsy tanterahina, izany dia zavatra takian’ny lalana tsimaintsy tanterahina, izay voaporofo amin’ny alalan’ny Boky masina Kor’any, ary tsisy zavatra hampiahiahy na hampikorontan-tsaina amin’izany. Ataontsika ohatra amin’izany dia; Ny Soalah (vavaka), fifehezana, ary ny famakiana ny Qur’an. Ny fepetra momba izany dia; ny tsimaintsy hanatanterahana izany, miaraka amin’ny fanantenana fahasoavana amin’izany ary fahatahorana ny sazy hoan’izay tsy manatanteraka azy. (valisoa @ mpanatanteraka azy, ary sazy miandry izay tsy manao azy).
  2. Zavatra tsara atao: izany dia, izay zavatra rehetra nadidian’i Allah, nefa tsy terena amin’ny fanaovana izany. Izany hoe; ahazoana valisoa ny fanaovana azy fa, tsy saziana kosa izay manao azy, tahaka ny: Fiborosiana ny Nify alohan’ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana Soalah.
  3. Ny zavatra azo atao; ny zavatra rehetra azo atao ka tsisy fahasoavana ny fanaovana azy, ary tsy voasazy koa izay tsy manao azy, tahaka ny: fandehanana na famindrana sy ny fitaingenana, ary izay zavatra rehetra mitovitovy amin’izany izay mahazatra atao amin’ny fiainantsika andavanandro.
  4. Ny zavatra ratsy atao: izay zavatra rehetra noraran’ny tompo Allah swt ny fanaovana azy, nefa tsy terena akory ny tsy fanaovana izany. Ka hahazo fahasoavana izay mihataka avy amin’izany, ary tsy hahazo fahotana izay manao azy. Nefa tandremo fa, tsar any fiatahana amin’izay rehetra hitarika amkin’izany zavatra tsy tsara hatao izany. Satria ny fanaovana azy matetika dia hatonga ny olona anankiray hihoatra ny fefin’ny Tompo Allah swt, ka hitarika azy hanao zavatra voarara. Ka ny antony tsy anasaziana izay manao an’izany zavatra tsy tsara hatao izany, satria mety misy fotoana tsimaintsy ilana ny fanatanterahana azy. Anisany ohatra amin’izany dia; Ny tompontsika Allah swt mankahala ny fisaraham-panambadiana, nefa tsy nandrara amin’ny fanaovana izany mba ho fahalalana hoazy ireo raha toa ka izay no vahaolana amin’ny fampandehanana ny tokantrano.
  5. Ny zava-boarara/Haram: ny zavatra rehetra nandran’i Allah swt ny fanaovana azy, ka voaporofo amin’ny porofo mivaingana, ka tsisy zavatra hampisalasala intsony manoloana izany. Ho saziana izay manao izany (haram), ary hahazo valisoa izay mihataka tsy hanao izany, noho ny fahamendrehany. Ka ohatra amin’izany zava-boarara izany di any: ny tsy fahazoana misotro toaka na galeko sns…

 

NY MAMPIAVAKA NY HALAL SY NY HARAM:

Tena marina fa, ny fahafantarana ny halal (ireo zavatra azo atao na azo hanina) sy ny mampiavaka azy amin’ny haram na ny zava-boarara, dia fototry ny finoana silamo ary porofon’ny fananam-pinoana amin’ny olona anankiray. Izay mifandray tanteraka amin’ny asan’ny fo, no sady misy fifandraisana amin’ny asan’ny rantsam-batana.

Ny fototra amin’ny zavatra rehetra di any: Fahazoan-dalana sy ny fahalalahana amin’ny zavatra. fa tsy resaka haram na tsy fahazoan-dalana akory, afatsy izay voatantara sady voarakitra arak any lalana velona ary nampahafantarina ny rehetra ny maha tsy mety azy. Fa tsy sanatria nataotao fahatany.

Satria ny famoahana didy amin’ny Halal sy ny Haram, dia zon’i Allah feno, satria Izy no Mpahary, Mpanabe, Mpanamora, Mpanome fiadanana, ka Izy ihany no afaka mamoaka didy amin’ny maha mety sy ny tsy mety ny zavatra anankiray hoan’ny Mpanompony.

Nefa ny fanaovany izany dia ho inakinaka sy hasoavana amin’ny olombelona, ka nataony ny azo alalana sy ny zava-boarara noho ny antony izay ekehin’ny saina mba ho fijerevana ny tombontsoa manokan’ny olombelona tsy ankanavaka. Ka noho izany, dia tsy nanome alalana hanao zavatra anankiray izy, afa-tsy hoe; zavatra tsara hoan’ny olombelona, ary tsy nandra koa izy raha tsy noho ny voka-dratsin’izany.

 

NY FANOVANA ZAVATRA IRAY AMIN’NY TOERAN-JAVATRA IRAY HAFA:

  1. Ny fanovana zavatra azo atao ho tsy azo atao na mifanohitra amin’izany: izany hoe; raha toa ka mkisy antony mazava amin’izany tahaka ny hoe, fandalovana an-dalana dia zavatra azo atao, nefa raha nandray fanapahan-kevitra ny tomponandraikitry ny tanana fa, tsy azo hivezivezena ny lalana manomboka amin’ny folo ora alina amin’ny sasan-tsansany amin’ny lalana, na Tanana, noho ny fimasoana manokana amin’ny resaka fandriampahalemana izay mety hitera-doza amin’ny fiainan’olona anakiray.

Tahak’izany koa ny zava-boarara mety hiova ho zavatra azo atao, raha toa ka tonga amin’ny ambaratonga tsy maintsy hiovan’izany mba hiarovana ny aina tsy ho faty. Arak’izay haintsika tsara fa, ny fisotroana toaka dia zava-boarara araky ny lalana, nefa mety misy fotoana hamadika azy ho azo atao. Ohatra amin’izany dia, raha sanatria ka very lalana any amin’ny dezera (@faritra tany karakaina) ny olona anankiray, ary efa mitady ho fatin’ny hetaheta izy, ary tsy mahita na inona na inona eo anatrehany afa-tsy toaka ihany. Ka azony atao ny misotro ny fetra izay hiarovany tena mba tsy hahafaty azy, nefa tsy mahazo mihoa-pefy akory izy amin’izany.

 

  1. Ny fiovan’ny zavatra obligatoire ho malefaka kokoa, ary amin’ny malefa-defaka hoany amin’ny voarara na mifanohitra amin’izany:

Ny zavatra obligatoire hivadika zava-boarara, Ny zava-boarara mety hivadika zavatra akaikin’ny tsimaintsy na (obligatoire), izay mitovitovy amin’ny fanazavana izay talohan’izao ny momba azy. Ataontsika ohatra amin’izany ny momba resaka Soalah (fanompoampivavahana) izay ekehintsika rehetra fa, obligatoire ny fanatanterahana azy. Nefa mety ho lasa haramo izany raha toa ka hanatanterak’izany ny olona anankiray ao antranony amin’ny fotoana isehoan’ny horohoron-tany mahery vaika, ary azony antoka tsara fa, raha tsy miala haingana amin’io trano io izy dia, hiharan-doza ka ho faty mihitsy!!

Ohatra iray hafa koa; tsiazo atao manapaka tongotr’olona. Nefa raha nangataka tamin’ny Dokotera mpitsabo izy amin’ny tsimaintsy hanapahana ny tongony, izany hoe; raha tsy tapahana ny tongony dia mety hahafaty azy izany. Ka izany dia azo atao tsara. Nefa raha sanatria ka nanda tsy hanao izany ny dokotera, nefa afaka tsara hanao an’izany, dia mahazo fahotana izy, ary voasokajy ho mpanao heloka bevava no sady tsimaintsy sazina amin’ny tsy fanapahany ny tongotr’ilay marary.

  1. Fanovana zavatra tsy tsara atao ho zavatra tsara hatao, sy ny fanovana zavatra tsara atao ho zavatra tsiazo hatao:

Ny zavatra tsy tsara hatao mety hivadika ho zavatra tsara hatao, na ho zavatra akaikin’ny obligatoire, na koa mety obligatoire (tsimaintsy), tafiditra anatin’izany ny resaka fisarahampanambadiana (divorce), izay Makrouh na tsy tsara hatao araky ny lalana velona sady tsy tian’ny Tompo Allah swt ny fanaovana azy, nefa indraindray dia azo tanterahina ihany raha tsy izay dia mety hitarika amin’ny tsy ara-dalana ny fitazomana ny vady. Ka ny vahaolana amin’izany di any fanapahankevitra amin’ny fisaraham-panambadiana. Ohatra amin’izany dia; ny vehivavy raha toa ka tsy matotra na tsy manaja-tena, nefa tsy mety miova izy amin’izany toetra ratsiny izany, ka tsimaintsy mifarana amin’ny fisarahana. Ka izay no dikany hoe: “Ny zavatra makrouh na tsy tsara atao, hivadika ho zavatra tsara hatao”.

Ary ny zavatra tsara (Moustahabb) hatao mety hivadika ho zavatra tsiazo atao (haram) mihitsy, ohatra amin’izany dia momba ny fiborosoana nify dia zavatra tsara atao, nefa mety hivadika zavatra tsy tsara atao, ary mety ho lasa haram na tsiazo hatao mihitsy ny fanaovana azy. Satria raha hiborosy nisy amin’ny tapa-kazo ianao dia mety hiraraka daholo ny nifinao jiaby. ary fantatrao tsara fa, raha hiborosy nisy amin’izany tapa-kazo izany ianao dia hiararaka aby ny nifinao, ka amin’izao toerana izao dia, tsiazonao hatao ny fampiasana tapa-kazo. Satria nambaran’ny Mpaminany Mohammad saw hoe: Tsiazo atao ny mandratra, ary tsiazo atao torak’izany koa ny ratraina”. Izany hoe, tahaka ny fiteny hoe: Tsiazo atao mamosavy olona, ary tsiazo atao koa ny mamosavy tena.

 

FAMARANANA

Famarana ny fanazavana rehetra izay, di any hoe; Ny Finoana Silamo dia tsy finoan’olona jamba fanahy sy jamba saina, izay tsy mahita no tsy mahafantatra ny fiainan’olombelona sy izay rehetra mahazo azy ireo isan’andro.

Ary ny tena hajambana dia, ny hajamban’ireo fahavalon’ny finoana Silamo izay hita fa, tena jamba fo tokoa izy ireo. Ny fanirian’izy ireo dia, ny hanapariatahana sy hambolena lainga sy vandy ary ireo zavatra hanakorontanana ny Finoana silamo sy ny Mpino Silamo indrindra indrindra, sy ny tetik’izy ireo te-hamono ny hazavan’i Allah amin’ny vavan’izy ireo, nefa vao mainka mampiseho ny hazavany i Allah, na dia mankahala izany aza ireo mpikomy.

Ry mpamaky hajaina! Angamba mety mba efa nieritreritra ihany ianao fa, ny finoana silamo dia, tsy fianoan’ny tsindrihazolena fa, finoan’ny Fahamarinana. Ary ny fahamarinana dia, anisany anarana tsara indrindra amin’ny anaran’i Allah swt. Ka noho izany, dia ny famoahana Lalana amin’ny fandrarana zavatra anankiray tsy hoazo hatao sy ny famoahana lalana hatonga ny zavatra anankiray ho mety atao dia, nohazavaina amin’ny alalan’ny fahamarinana, fa tsy sanatria tamin’ny hajambana. Fa raha mahakasika indray ny tsindrihazolena, na fiangarana na katramo sy izay rehetra mitovy aminy dia haramo tsiazo atao araka ny lalana velona amin’ny Finoana Silamo.

 

 

 

NY FIZARANA FAHAROA

Ny fomba fitondrana ny vehivavy amin’ny alalan’ny hazavan’ny Boky masina Kor’any sy ny Sori-dalan’ny Mpaminany saw izay mahitsy sady madio, ambany alokan’ny hazavan’ny boky masina Kor’any.

hiatanay fa, Tompo Allah swt, dia mandidy amin’ny fanaovana tsara sy soa amin’ny vady (Madamo), ny fanajana azy sy fifandraisana aminy amim-pahamendrehana, na dia amin’ny fitiavana azy am-po aza. Satria ambaran’i Allah swt ao amin’ny Kor’any masina manao hoe: “Ary aoka ianareo hifanerasera amin’izy ireo amim-pahendrena. Fa raha misy aminareo mankahala azy ireo, dia mety hankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Allah fahasoavana seshena”. [AnNisa, And:19].

Ary hoy ny Mpaminany saw: “Tsiazon’ny mpino lahy atao ny mankahala ny mpino vavy anankiray, satria raha mankahala toetra iray aminy izy, dia ho faly aminy zavatra hafa ao aminy”. [Mouslim].

Efa nohazavain’i Allah swt fa, ny vehivavy dia manana zo amin’ny vadiny (ramose), tahaka ny vadiny manana zo aminy koa. Hiy Allah swt mahakasika izany: “Ka hoan’ireo vehivavy dia manan-jo ho entina tsara mifandanja amin’ny adidy takiana amin’izy ireo”. [Albaqarah, and:228].

Anisany anatra nomen’ny Mpaminany saw, talohan’ny hahafatesany dia mahakasika indrindra ny fikarakarana ny vehivavy, ny fanaovana soa azy, tsy iangarana, ary tsiazo hitsakitsahina ny zony. Ka hoy Izy hoe: “Mendreha ianareo amin’ny fitondranareo ny vehivavy”. [Mouslim].

Ary mbola niteny Izy saw: “Ny lehilahy tongalafatra ara-pinoana tanteraka dia, izay manana toetra tena mendrika, ary ny tena mendrika indrindra aminareo, dia izay tena mendrika tsara amin’ny vadiny”. [At-Tirmithi, Ibnou Hibban, ka hoy Tirmithi: Hadith Hasan swahih, ary hita @ Swahih Al-Jami’, numero:1230].

Nitaterin’i Aishah (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny: “Ny tena mendrika aminareo, dia izay tena mendrika aminareo amin’ny fianakaviany, ary Izaho no tena mendrika indrindra amin’ny fianakaviako”. [Ibnou Hibban fi Swahihihi, ary At-Tirmithi, hadith numero:3314, fi swahihil-Jami’].

Ary ny Mpaminany saw dia, mbola nandidy amin’ny fananana faharetana amin’ny hadisoana maro izay ataony (vehivavy), sy famelana azy amin’ireo zavatra izay nataony mety tsy finiavany, ary mbola nazavainy ny toetoetrin’izany vehivavy izany raha ara-boajanahary no jerevana. Ka hoy izy manao hoe: “Hamafisina fa, ny vehivavy dia, namboarina avy tamin’ny taolantritry, izay tsy hisy andro hampahitsy azy hoanao, ka raha nahazo fahafinaretana taminy ianao, nataonao tokoa izany, nefa misy tsy fahatomombanana ao aminy (meloka/tsy mahitsy), ary raha handeha hanitsy azy ianao dia, hanapaka azy ianao zay, ary ny fanapahana azy di any fisarahana aminy”. [Mouslim].

Mbola nanambara ny Mpaminany saw: “Mendreha ianareo amin’ny fikarakarana ny vadinareo (vehivavy), satria izy ireo dia namboarina avy tamin’ny taolantritry, ary ny faritra tena tsy mahitsy indrindra amin’ny taolantritry di any faritra ambony aminy. Ka raha handeha hanitsy an’izany ianao dia hanapaka azy ianao zay, nefa raha havelanao dia tsimaintsy mbola ho meloka ihany. Ka noho izany dia, mendreha hatrany amin’ny vehivavy”. [Al-Boukhari].

 

MOA VE MBA EFA NIKAPOKA IRAY TAMIN’IREO VADINY NY IRAKA SAW?

Ny Iraka saw dia, olona anankiray falaintahaka hoan’ny Mpino Silamo, ary nodidiny ny Mpino silamo mba hanaraka ny sori-dalany. Ka hoy Allah ilay avo indrindra manao hoe: “Tena manana ohatra falain-tahaka tsara tokoa amin’ny Irak’Allah, hoan’izay manantena an’i Allah sy ny andro farany, ary mahatsiaro an’i Andriananahary mandrakarivo.” [Al-Ahzab, and:21].

Ny Mpaminany saw no manana fahamboniana sy toetra tena mendrika indrindra, Allah izay nandefca azy amin’ny toetra tena madio sady mendrika izay nanabeazan’i Allah swt azy amin’ny fahalalam-pomba mendrika indrindra. Ny toetra tena ambony sy mihaja dia nananan’ny Mpaminany saw. Ka midera azy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Hamafisina fa, ianao ambony toetra tokoa”. [Al-Qalam, and:4].

Mpaminany saw dia, nampihatra izany toetra mendrika izany teto antany, ary ny izao tontolo izao dia afaka mitsapa an-tanana izany toetra ambony izany. Niteny Izy hoe: “Izaho dia nalefa hampihatra ny toetran’ny fahamendrehana”. [Malik @ Mouwattwa, ary Boukhari @ fil Adab Al-moufrad, izany hoe, “Fis-swahihah”, numero:45].

Manambara koa ny vadiny Aishah (RA) izay mahafantatra azy tsara nohony ireo mpanaradia azy, amin’ny fifandraisany aminy amin’ny maha vadiny azy, hoe: “Ny toetrany dia ny Korany”. [Ahmad, swahih al-jami’ (4811)].

Izany hoe, Ny zavatra rehetra amporisihin’ny Korany dia tanterahiny, fa ny zavatra rehetra nandrarany kosa dia, iatanhany. Ary izay toetra tsara rehetra dia amporisihin’ny Korany dia tsimaintsy nananany daholo, ary izay totra ratsy rehetra izay anakanan’ny Korany dia izy mihitsy no voalohany mihataka amin’izany.

Mbola tsy voaresaka tamin’ny tantaram-piainany fa, nikapoka vehivavy na ankizy izy?!!!!

Fa izay manaraka akaiky sy mandalina tsar any tantaram-piainan’ny Mpaminany saw, sy ireo teniny masina, dia hahita mazava tsara fa, ny Mpaminany saw dia nandrara sady nampitandrina mafy amin’ny fikapohana vehivavy izany. Hoy izy hoe: “Ny Iraka masina saw dia mbola tsy nikapoka na inona na inona zavatra tamin’ny tanany, tsy vehivavy, tsy mpiasa, afatsy amin’ny ady masina amin’ny lalan’i Allah swt. Ary mbola tsy namaly faty izay na dia manana ny marina aza izy, afatsy hoe; noho ny fanatsakitsahana ny lalanan’i Allah, ka Allah ilay avo indrindra mihitsy no mamaly faty amin’izany”. [Mouslim].

Na dia ireo fahavalo izay niezaka hanaratsy ny asa fampielezana nataony, sady nanakana izany dia tsiafaka ny tsy hiaiky izay volazanay teo izay.

Mba ho hitantsika tsara izay hambaran’olona tena akaiky azy indrindra, sady nanao asa betsaka hoazy, ary tsy isalasalana fa, ny fifandraisana matetika dia manambara zavatra maro sady marina. Tsy iza ary izany fa, Anasy bin Malik (RA) izay Mpanampmin’ny Mpamiknany saw nandritra ny folo taona (10 ans) raha mitantara momba ny hatsaran-toetry ny Mpaminany saw manao hoe: “Niasa hoan’ny Mpaminany saw aho nanfdritry ny folo taona (10), nefa mbola tsy niteny tamiko hoe: Eisy! Ary mbola tsy niteny Izy amin’ny zavatra izay nataoko hoe: Naninona nataonao izao? Na ny zavatra tsy nataoko ka naninona tsy nataonao izao? Ary Mpaminany saw dia, olona nanana toetra tena tsara indrindra”. [Mouslim & AtTirmithi].

 

 

 

NY FIZARANA FAHATELO

NY LALANA MAHAKASIKA NY FIKAPOAHANA VADY ARAKA NY FINOANA SILAMO?

Hamafisina fa, ny lalana islamika dia voarakitra arak any Bokin’i Allah sy ny Sori-dalan’ny Mpaminaniny saw, izay marim-pototra.

Ka arak’ireto zavatra roa ireto no hitondranay porofo, ary amin’ny hazany no hitondranay fanazavana momba ny lalana sy fepetra mahakasika ny fikapohana ny vehivavy amin’ny finoana silamo. Ka ny fanontaniana mipetraka di any hoe: Moa ve obligatoire/tsimaintsy, sa zavatra tsara hatao, sa azo atao, sa zavatra tsy tsara hatao mihitsy, sa voarara mihitsy ny fanaovana azy? Amin’ny alalan’ny Hadith notantarain’i Yasy bin Abdillah (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny: “K’aza kapohinareo ny andevovavin’i Allah. Ka tonga Omar (RA) tamin’ny Mpaminany saw niteny hoe: Maditra amin’ny vadin’izy ireo ny vehivavy. Ka nanome alalana hikapohana azy izy tamin’izany. Ka ny vokany dia nihodidina ny tranon’ny vadin’ny Mpaminany saw ireo vehivavy marobe mitaraina amin’ny ataon’ny vadin’izy ireo. Ka nambaran’ny Iraka masina Mohammad saw hoe: Tena marina fa, betsaka ireo vehivavy nihodidina ny tranon’ny Fianakavian’ny Mohammad mitaraina momba ny vadin’izy ireo. Tsy olona mendrika tokoa izy ireo”. [Abu Daoud & Ibnou Majah & Ad-Daramy. Hoy Sheikh Albany fa, Marim-pototra].

 

AMIN’NY ALALAN’INY TENIN’NY MPAMINANY SAW INY NO MANAZAVA AMINTSIKA TORAK’IZAO MANARAKA IZAO:

Ny Mpaminanay saw dia tsy niresaka mahakasika zavatra anankiray fotsiny, na tamin’ny fotoana indray mandeha fotsiny fa, in-3 mandeha tamin’ny fotoana sy raharaha samihafa no niresahany tamin’izany.

Ny fotoana voalohany: Ka nambaran’ny Mpaminanay saw tamin’izany hoe: “K’aza kapohinareo ireo andevovavin’i Allah”. Ka tapitra hatreo ny resaka tamin’ny fotoana voalohany.

Ka izay rehetra naheno mivantana tamin’ny Mpaminany saw io resaka io dia, matoky tsara fa, ny lalana mahakasika ny fikapohana ny vehivavy dia, voarara noho ny fandrarany izany, ary izay manao an’izany dia manota ary manao heloka bevava amin’ny tsy fankatoavany ny baikon’ny Mpaminany saw.

Ny fotoana faharoa ny fahatongavan’i Omar bin Al-Khattwab (RA) dia fotoana samihafa amin’ny fotoana nitenenan’ny Mpaminany saw ny hoe: “K’aza kapohinareo ireo andevovavin’i Allah”. Ka tonga izy tamin’izany hitaraina amin’ny ditran’ireo vehivavy. Izany hoe; tsy manaraka ny ambaran’ny ramose ny vadiny sady mitady hihoa-pefy foana amin’ny zavatra ataony. Ka noho izany di any Mpaminany saw taminy (Omar ra). Satria ilaina ny fisian’ny vehivavy amin’ny fiainana, ary tsisy zavatra mety raha tsy misy azy. Nefa hoatrany ahoana marina moa izany fikapohana izany? Ary momba an’izay no hirasahinay eto afaka kelikely amin’ny fikarohana manaraka.

Ny fotoana fahatelo: Taorian’ny fanomezan’ny mpaminany saw alalana an’ny lehilahy hikapoka ny vadinyizay maditra, no nisy vehivavy marobe tonga nitaraina tamin’ny Iraka masina Mohammad saw, rehefa niteny Izy saw hie: Hamafisina fa, nihodidina ny tranon’ny fianakavian’ny Mohammad ireo vehivavy marobe nitaraina amin’ny ataon’ny vadin’izy ireo (kapoka), kay hoy Mpaminany saw: Tsy izy ireo no lehilahy mendrika aminareo. Tamin’ity fotoana farany ity, dia mazava fa, voarara ny mikapoka ny vehivavy amin’ny finoana silamo. Ka ny fanontaniana mipetraka di any hoe: Moa ve Zavatra tsy tsara hatao izany sa tsiazo atao mihitsy? Ary raha mihoatra ny fefin’i Allah ny ramose amin’izany- izay hazavainay rehefa aveo ny hoe: - Moa ny fahazoan’ny ramose ny tenin’ny Mpaminany saw ve fa, namporisika amin’ny fikapohana ny vehivavy Izy? Sa midera izay mikapoka ny vadiny? Tena marina fa, ny tenin’ny Mpaminany saw dia misy resaka fampitahorana amin’izay mikapoka ny vadiny?!!!

Ary hamafisina fa, raha arak any fazahoan’ireo Mpanaradia an’ny Mpaminany saw ny resaka nataony (SAW) dia, izay nikapoka ny vadiny dia mandrak’izay tsy hahazo tso-dranon’ny Mpaminany saw sy fankasitrahana avy aminy. Ka tsy hisalasalana fa, izay zavatra tsy tian’ny Mpaminany saw ny fanaovana azy dia, tafiditra amin’ireo zavatra tena tsy tsara tokoa ny fanaovana azy, ary mety ho lasa tsiazo hatao mihitsy izany na haramo.

Rehefa nisaraka tamin’ny vadiny Fatimah bint Qays, dia nisy olona vitsivitsy nangataka azy ho vady. Izany hoe; Mou’awiyah, i Abou Jahm, ary Ousamah bin Zayd. Ka nambaran’ny Iraka masina saw taminy (vehivavy) hoe: (“Mouawiyah dia olona sahirana ka tsy manam-bola. Ary i Abou Jahm dia Lehilahy mpikapoka vady. Fa tsy haiko ahoana i Ousamah bin Zayd”. Ka nambaran’ilay vehivavy sady manondro amin’ny tanany hoe: Ousamah! Ousamah!) [Mouslim].

 

NY LALANA MANKAHALA NY FIKAPOHANA VEHIVAVY VE METY HIVADIKA HO TSIAZO ATAO MIHITSY IZANY?

Tena niarahantsika nahita fa, ny fototra sy ny lalana voalohany mahakasika ny fikapohana ny vehivavy amin’ny Finoana Silamo, di any tsiazo atao (Haramo) ny fanaovana azy. Ka rehefa aveo dia lasa zavatra azo noho ny antony manokana, kanefa lasa tafiditra amin’ny tena tsy tsara ny fanaovana azy (tena ratsy).

Fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Amin’ny fomba ahoana ary maha haramo ny fikapohana ny vehivavy?

Lasa haramo na tsy azo atao ny mikapoka ny vehivavy, raha toa ka manao izany fahatany ny lehilahy, nefa tsy misy porofo na antony mazava amin’ny fikapohana ny lehilahy. Satria ny fihoaram-pefy rehetra dia, tsiazo atao araky ny Finoana Silamo, raha toa ka noho ny antony tsindry hazolena na resaka fampifahavaloana. Ka hoy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Ary izay manao ny tsy rariny aminareo, dia hampanandramako azy ny sazy lehibe”. [Al-Fourquan, and:19].

Ary mbola nanambara ny Mpaminany saw mahakasika ny tsindrihazolena hoe: “Matahora tsindrihazolena ianareo, satria ny tsindrihazolena dia ho lasa aizina hoan’izay mpanao azy amin’ny Andro farany”. [Mouslim].

Nitatitra i anasy (RA) fa, ny Mpaminany saw dia niteny hoe: “Tahoronanreo ny fangatahan’olona voatsindrihazolena, na dia fa, mpikomy aza izy. Ary tsy hisy zavatra manakana mihitsy hanelanelana izany sy ny Tompo Allah”. [Ahmad, nohamarinin’i Sheikh Albany].

Ny finoana silamo dia mandrara amin’ny herisetra na inona na inona ny endriny sy ny karazany, ary na dia fa, amin’ny alalany teny aza izany.

Arak’izay ambarany manao hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy maotina, izay tsy mieritreritra hanao ratsy, sady mpino, dia voahozona izy ireo, eto an-tany sy any ankoatra, ka hahazo sazy lehibe izy ireo”. [An-Nour, and:23].

Ary na dia fikasana te hikapoka aza izany fampijaliana izany na zavatra mitovy amin’izany, nefa tsy ara-dalana dia tsy azo atao. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary izay manisy ratsy ireo mpino lahy sy vavy, amin’izay tsy nataon’izy ireo dia, mivesatra fanosoram-potaka sy fahotana miharihary izy ireo”. [Al-Ahzab, and:58].

Na koa ny fampijaliana mety ho amin’ny endrika fihinana ny harenan’ny hafa amin’ny fomba tsy ara-dalana. Ka hoy Allah mahakasika an’izay: “Ary aoka ianareo tsy hihinana ny harenanareo amin’ny tsy rariny”. [Albaqarah, and;188].

Momba an’izay dia voakasika sady mitovy daholo ny olombelona rehetra; Lahy na Vavy, Zaza na Lehibe, Mpino Silamo na mpikomy. Araka ny tatitr’i Abou Hourairah (RA), fa ny Iraka masina Mohammad saw dia niteny hoe: “Ny mpino Silamo dia, ny olona miteraka fandriampahalemana hoan’ny vahoaka avy amin’ny lelany sy ny tanany, fa ny tena mpino kosa, dia izay nametrahan’ny vahoaka fitokisana amin’ny rány sy ny harenany”. [An-Nasái-Hoy Sheikh Albany fa,: Hasan Swahih].

Ka izay miteny fa, ny Finoana Silamo, dia mamporisika amin’ny asa ratsy sy fifampifahavaloana na fankahalana, na fikapohana vady, dia olona mamoro-dainga amin’ny fanenjehana ny finoan’ny Tompo Allah swt, ary lainga sy vandy lehibe tokoa izany.

 

NY FEPETRAN’NY FITSARANA AN’IZAY MIKAPOKA VEHIVAVY ARAKY NY LALANA SILAMO:

Ny fitsarana silamo dia, mandray hentitra ny raharaha mahakasika ny fikapohana sy fampijaliana ny vehivavy izay ataon’ny ramose (vadiny), amin’ny fanasaziana ny lehilahy izay miangatra sy mandray fahavalo ny vady, mba ho lesona hoazy. Ary izany dia, tena ampiharina tokoa raha toa ka niakatra amin’ny fitsarana ny raharaha. Ka anisany ohatra amin’izany dia izao manaraka izao:

Arak’izay navoakan’ny gazetin’ny Riyadh (Arabie Soudite), amin’ny tranonkalany tamin’ny 12/12/2012 izao vaovao manaraka izao:

Ny fitsarana ambaratonga voalohany amin’ny Ditrikan’ny Qatif, arabi Saodita, dia namoaka didim-pitsarana amin’ny lehilahy anankiray izay nandaroka ny vadiny, fa tsimaintsy kapohina in-30 imasom-bahoaka izy, atao izany mba ho anatra hoan’ireo mpampijaly vady.

Araka ny didim-pitsarana hatrany dia, tsimaintsy mandeha mianatra amin’ny sekoly ambony iray izay mampianatra manokana momba ny fahaizana mifandray amin’ny vadysy ny raharaham-pianakaviana izy mandritra ny folo andro (10 jours).

Ary tsy maintsy manolotra ny fitsapam-pahaizana izy, izay tsimaintsy ampiarahina amin’ny antontan-taratasy mahakasika ny raharahany.

Mbola mahakasika an’io raharaha io ihany, hamafisina fa, ny fitsarana rehetra amin’ny firenena Islamika dia, tsimaintsy manasazy ny lehilahy izay mampijaly ny vadiny amin’ny fikapohana. Nefa, ny mapalahelo dia, maro amin’ireo vehivavy no manararaota ny vadiny amin’ny fampitahorana azy, fampihorohoroana azy, ary manao teti-dratsy tsy ara-dalana hanenjehana azy. Anisany zavatra ataon’izy ireo dia, ny fandrangotana (fandratrana tsotsotra) ny vatany, ary rehefa aveo dia mandeha mankany amin’ny mpitandro ny filaminana (Polisy) mba hamoronana fitarainana hanenjehana ny vadiny amin’ny fomba tsy ara-dalana sady feno fiangarana sy fandraisana ho fahavalo. Nefa ny marina dia, ny lehilahy vadiny dia madio amin’ny fanendrikendrehana io.

Ny zavatra hita amin’ity raharaha ity dia, ny mpino silamo misaina, sady mpanaraka ny fampianarana islamika dia, tsy faly amin’ny fanaovana tsindrihazolena sy hihetraketraka amin’ny vehivavy.

Satria ny finoantsika (Islam) dia tsy mampianatra antsika na mandidy antsika amin’izany asa ratsy izany, fa vao mainka nataony fady amintsika sady anisany tsindrihazolena lehibe indrindra.

Fa ny finoana silamo dia, mampianatra antsika hamela sy hifamela, fandeferana, fifankazahoana, ary ny fanoherana amin’ny tsar any ratsy.

Satria fantatra fa, ny finoana silamo dia, tsy nandidy ho zavatra azo atao ny fikapohana ny vehivavy, afatsy amin’ny ambaratongana toe-javatra miseho amin’ny tokantrano tsy ho voavaha raha tsy amin’izany fanapahan-kevitra izany.

Nefa misy fepetra sy lalana tsy maintsy handalovana amin’izany, mba hiarovana ny tokantrano sy ny voninahitra amin’ny fiarahamonina.

 

 

 

NY FIZARANA FAHAEFATRA

IREO FEPETRA ARA-DALANA AMIN’NY FOTOANAN’NY FIHOARAM-PEFIN’NY VEHIVAVY

Misy amintsika miteny hoe; raha maditra ny vadiny, tsy aleo ve mananatra azy no hatao toy izay hikapoka azy? Ambaranay fa, eka. Ary izay mihitsy no lalana nandidian’ny Tompo Ilay avo indrindra raha niteny Izy ao amin’ny Boky masiny manao hoe: “Ary ireo vehivavy izay ahinareo ny tsy fankatoavany, dia aoka ianareo hananatra azyireo, na hatokano fandriana izy ireny, na koa omeo sazy, far aha miova mankatoa anareo izy ireny, dia aoka ianreo tsy hitady lálana hanoherana azy intsony. Hamafisina fa, Avo sy Lehibe indrindra Andriananahary”. [ An-Nisa, and:34].

Ary ny Irany masina Mohammad saw dia efa nanambara tamin’ny Hejy (fivahiniana masina) fanaovam-beloma farany, hoe: “Tandremo, fa mendriha ianareo amin’ny vadinareo. satria izy ireo dia tahaka ny voafonja anatrehanareo. Tsiazonareo hatao na inona na inona ankoatr’izay izy ireo, afatsy sanatria ka nanao asa vetaveta miharihary izy ireo. Raha sanatria ka, nanao an’izay tokoa izy ireo dia, k’aza miray fandriana aminy ianareo, ary kapohy fa k’aza atao maratra. Nefa raha mankatoa anareo izy ireo dia, k’aza tadiavana lálana hanoherana azy ireo intsony, (k’aza mila vaniny). Ary tandremo fa, ianareo dia manana zo amin’ny vadinareo. Ary tahak’izany koa ny vadinareo dia manana zo aminareo”. [aT-Tirmithi, hoy Sheikh Albany fa: Hasan].

Ka raha arak any fahitanay ny fanazavan’ny Tompo Allah swt Ilay be fahendrena ny lalanany, izay tena Mahafantatra ny raharahan’ny mpanompony, ary koa ny fampianaran’ny Irany masina Mohammad saw ny fomba hikarakarana ny olan’ny vehivavy maditra. Ka ny fomba napetrany hanaovana izany dia mandalo ambaratonga telo (3):

 

  1.  NY AMBARATONGA VOALOHANY:

Ny tokony hataon’ny ramose di any fitadiavana vahaolana amin’ny resaka fananarana sy anatra mba ho vahaolana amin’ny vehivavy maditra, alohany hiditra amin’ny amin’ny resaka fisaraha-matory. Ary ny fanarahana io ambaratonga io dia tsimaintsy arahina araka ny firaisan-kevitr’ireo manampahaizana. Ny lehilahy dia mila manakaiky ny fon’ny vadiny amin’ny alalan’ny fahatsoram-po na fahalefahana amin’ny fomba firesahana, ary indrindra moa ny miresaka aminy amin’ny teny izay mety hampalefaka ny fony, mba hatsapany fa, zava-dehibe aminao izy.

Mila miseho fa, mankatia sady mirary soa hoazy hatrany ianao (ramose) amin’ny fananaranao azy am’ny lafiny tsara, mba hatsara ny raharahany amin’ny tokantranony.

Fantaro fa, ny anatra dia tsy mivoaka avy amin’ny fo foana (fo poaka), na amin’ny fomba tsy mendrika, fa ny tena izy di any fampiasana teny mamy sy malefaka aminy, ary ny fahamendrehana amin’ny fifandraisana sy fifaneraserana aminy.

Ary anisany fomba azo anaovana izany dia; Ny fividianan’ny ramose fanomezana hoan’ny madamo, na koa ny handrenesany teny tsara sy mamy avy amin’ny vadiny (ramose) avy amin’ny fo feno hafaliana, amin’ny fihetsika mendrika sy mahafinaritra.

Ary mazava hoazy fa, ny vehivavy kingasaina sady manana toetra mendrika dia, tokony handray ny anatra avy amin’ny vadiny mba hijerevany ny hoavin’ny tokantranony sy ny zanany.

Fa raha toa ka maherisetra sady ratsy fitondran-tena ilay vehivavy, mazava hoazy fa, tsy mahasoa azy ny resaka anatra sy fananarana na torolalana ka, efa lany hery sy tanjaka i ramose amin’izany, ka avy hatrany, dia mila miditra amin’ny ambaratonga faharoa manaraka ilay ramose arak any toromarika izay nambaran’i Allah swt amin’ny fisaraha-matory (misaraka fandriana).

 

  1. NY AMBARATONGA FAHAROA:

Tokony hitady fomba hafa indray ny lehilahy eto amin’ny fisarahana amin’ny fandriana. Izany hoe; mifanome lamosina (omena azy ny lamosinao) ambony fandriana, ary tsy hifandray aminy amin’ny fifandraisana maha mpivady azy ireo, ary mandritry ny telo andro fotsiny no anaovana izany raha farany betsaka indrindra. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: “Tsiazon’ny mpino atao no mirafy amin’ny rahalahiny mihotrany telo andro”. [Almouwattwa/Mouttafaquoun alayhi].

Anaovana izany dia, mba hatsapany fa, tezitra aminy tokoa ny vadiny. Ary ity no ambaratonga faharoa mba hahafahan’ny vehivavy hijery sy hatsapa-tena mba hiverindalana.

Ary izany telo andro izany dia, fotoana hieritreretana tsara. Satria raha havelan’ny ramose mihotran’izay izy dia lasa mahatsiaro voasazy sady tsisy miraharaha.

Fa raha toa ka tongasaina ka niverindalana izy, nizotra amin’ny lala-mahitsy, dia mila hhatsahatry ny ramose amin’izay ny fanasaziana azy amin’ny firafesana aminy. Ary mila mifamela amin’izay izy roa, far aha sanatria ka manambony tena, maherisetra, ka tsy mahasoa azy mihitsy izany ireny ambaratonga roa voalojhany ireny, dia avy hatrany dia miditra amin’ny ambaratonga fahatelo farany.

 

  1. NY AMBARATONGA FAHATELO FARANY

Raha miezaka ny lehilahy mba hanatsara ny fiainan’ny vadiny amin’ny alalan’ny anatra sy fampianarana ary teny mamy sy malefaka, izay fantatra fa maditra, nefa tsisy vokany izany ezaka rehetra izany. Ary koa niditra amin’ny ambaratonga faharoa amin’ny resaka fisarahana amin’ny fatoriana ambony fandriana, nefa mbola tsy nisy vokany ihany. Ka azon’ny lehilahy atao amin’izay ny mananatra ny vadiny amin’ny alalan’ny kapoka izay tsy atao marary na mandratra no sady tsy mamaky rá, ary tsy tokony hisy faritra na kely aza. Izany fomba fananarana izany dia efa nitambran’ireo manampahaizana rehetra amin’ny fanaovana azy.

Hoy Atwá tamin’i Abdoullah bin Abbas (RA): Inona ary izany kapoka tsisy ratra izany? Namaly izy hoe: Kapoka amin’ny tapa-kazo kely fiborosina nify, na zavatra mitovy amin’izany!!

Fa, nambaran’i Hasan Al-Basri (RA) momba izany kapoka izany hoe: Kapoka tsy mamela ratra na kely. (Izany hoe: kapo-pitiavana raha @teny gasy).

Mifanta amin’i Allah izaho ry mpamaky hajaina! Izany tapa-kazo fiborosina nify izany dia, zavatra tena kely tokoa, raha hisy angamba mitovy amin’ny crayon kely fotsiny. Moa ve ny fikapohana amin’izany dia sokajiana ho heloka bevava?

Raha ny kapoka amin’ny tapakazo kely hoatran’iny sokajinao ho heloka bevava, ndao isika sy anao hiara-hijery ny zavatra izay vokarin’ireo sary mihetsika tandrefana tahaka ny asan’ny Hollywood sy ny hafa mitovy aminyizay manambara antsika fihetsika isankarazany tahaka ny; teny feno hatezerana, (teny ratsy) amkin’ny lehilahy anankiray sy ny hafa, na lehilahy sy vehivavy, na ny tale sy ireo mpiasa ambany fahefany.

Ary ny fomba fiasan’izy ireo dia, matetika amin’ny fotoana ifampiresahany dia apetraky ny iray amin’ny hafa ny tondron-tanany mba ho fampitahorana azy. Na koa kapohiny amin’ny tondrony na crayon izay misy amin’ny tanany ny tratran’ny hafa.

Ary matetika mihitsy izy ireo no fanefa-tsofina na fanefaka tarehy.

Ary matetika koa amin’ny sary mihetsik’izy ireo dia misy indraindray vehivavy miresaka amin’ny vadiny ka miafara amin’ny fanefahan’ny madamo an’ny ramose amin’ny tefaka tena mafy be tokoa amin’ny tarehiny. Na koa ny ramose manefaka ny tarehin’ny vadiny tefaka mafy be, aveo tonga dia lasa mandeha any izy.

Ireo fihetsika retraretra ireo dia, tsy sokajin’ny tandrefana ho herisetra amin’ny fianakaviana sy fiaraha-monina. Fa ny fandraisany azy dia, fahafinaretana izay manosika ny ramose na ny madamo hikapoka na hanefaka ny namany.

Tsy vitan’izay fotsiny fa, mbola antsoina fa; olon’ny fivoarana izy ireo (Ramose&Madamo).

Arak’izay fantantsika tsara fa, ny tefaka amin’ny tarehy dia, tena fady tsiazo atao arak any finoana Silamo.

Nefa ny zavatra ataon’izy ireo dia, ny fanenjehana ny finoana Silamo, amin’ny fampielezana lainga fa, ny finoana silamo hoy izy ireo dia mamporisika amin’ny herisetra.

Mifanohitra amin’izay tanteraka fa, ny finoana silamo dia manome alalana ny lehilahy izay nampiasana ny heriny rehetra hananatra ny vadiny tamin’ny fandalovana tamin’ny ambaratonga voalohany sy ny faharoa, ka hiditra amin’ny fahatelo rehefa tsy nahomby ny roa voalohany.

Nefa na dia izany, ny finoana Islamo dia mbola nanome zo hieritreritra alohany hatongavan’ny ambaratonga fahatelo.

Izany hoe; afaka mangataka fisarahana ilay madamo, ny fisarahana antsoina hoe, khoula’ raha toa ka izay no safidiny, ary hiresaka momba an’izay mihitsy isika amin’ny resaka manaraka raha sitraky ny Tompo Allah Ilay Avo indrindra.

Aoka hazava fa, ireo ambaratoga rehetra ireo mahakasika ny fananarana ny vady, sy ny fisarahana fandriana aminy, izay mifarana amin’ny ambaratonga fahatelo farany amin’ny fanomezana kapoka malefaka an’ny madamo dia tsy midika havaolana rehetra mitranga isanandro amin’ny mpivady.

Fa ny tena marina dia, ny olana lehibe no voavaha amin’izany.

Ataontsika ohatra amin’ireo olana miseho amin’ny mpivady isanandro dia izao: raha niteny i ramose tamin’ny vadiny hoe; Mandrahoa vary sy trondro ianao androany. Nefa mety hadinon’ny madamo ka, tafahandro vary sy akoho izy. Moa ve mihatra aminy iny andininy masina iny, izay miresaka ny fananarana, sy fisarahhana fandriana ary miafara amin’ny kapoka malefaka? !!!!

Mazava hoazy tsia velively. Satria zavatyra tsotra izany kely izany, na dia tsy tokony hilana tsikera aza.

Nefa raha toa ka sendra vehiavavy maditra, ratsy toetra, mafy loha, ary efa arak any ramose izany tsy fahamendrehana rehetra izany, sady manambony tena no tsy mankatoa tenin’ny vadiny.

Raha izany no fandehany, dia tsimaintsy mila fanitsiana sy fanatsarana sy torolalana ary fitsaboana izany vehivavy maditra izany, ary indrindra ny fandravonana ny olana izay sedrainy tahaka ny olona marary izay mila fanafody.

Ndao jerevantsika miaraka ry namana mpamky hajaina! Raha mbola mitohy ity vehivavy ity amin’ny tsy fankatoavany an’ny vadiny sy amin’ny fanamboninatena, ary ny fihizingizinany amin’ireo fihetsika maro isankarazany izay mitady handrodana ny tokantranony, ary mety hiafara amin’ny fisaraham-panambadiana.

Efa niezaka i ramose nananatra azy amin’ny fandalovana ambaratonga maro sady nandaniana fotoana betsaka, nefa ezaka very maina fotsiny. Efa nandalo ny ambaratonga amin’ny fananarana azy, fanoroana lala-mahitsy azy, ary ny fisarahana fandriana matory, nefa tsisy vokany azo tsapaintanana mihitsy.

Ka aiza no tsara indrindra amin’ireto roa ireto? Ny fisarahana, sa ny kapoka malefaka kely?!!!!

Raha ny kapoka gila, ny fisarahana kosa dia jamba, fantaro fa, ny gila dia tsara lavitra noho ny jamba.

Raha miala amin’ity vehivavy ity izy amin’ny fihetsika rehetra izay ananan’ity vehivavy ity, dia hirodana tanteraka ny tokantrano sy ny fiarahamoniona!!

 

 

 

NY FIZARANA FAHA DIMY

NY DIKANY TENY HOE KAPOKA MIARAKA AMIN’NY POROFO AMIN’NY FINOANA SILAMO

Taloha lavitra tsy hijoroan’ireo fikambanana maro isankarazany manerantany izay miteny fa, miaro ny zon’olombelona sy ny vehivavy ary ny ankizy, dia efa teo ny finoana Silamo izay niaro ny zon’olombelona rehetra tsy ankanavaka, nandrara sady nanasazy izay mihoa-pefy amin’ny sazy eto antany sy any ankoatra.

Tsy vitan’ny hoe; nanasazy ny mpanao heloka bevava fotsiny fa, mandrara amin’ny fanaovana ny heloka ny finoana silamo.

Ka noho izany di any lalana silamo no tena feno sy tongalafatra indrindra noho ireo vondrona maro isankarazan’ireo, izay vao nijoro taty aoriana, fa ny lalana islamika dia efa teo sady efa nihatra nadritry ny 1400 no mahery. ka hoy ny Mpiminany saw hoe: “Ny mpino silamo dia, izay miaro ny vahoaka amin’ny alalan’ny lelany sy ny tanany. Ary ny tena mpino dia izay atokisan’ny vahoaka amin’ny rany sy ny fananany”. [Ahmad, AtTirmithi & AnNasai, ary hoy Sheikh Albany fa; HasanSwahih].

Ary mbola niteny saw hoe: “Tsy mpino izay mpanendrikendrika, na mpanozona, na mpanao asa vetaveta na mpiteny ratsy”. [Al-Boukhari, @Adab al-moufrad sy Tirmithi, ary nihitsin’i sheikh Albany].

Ka hoan’izay manontany hoe: Ahoana izao, ny finoana silamo nandidy lalana amin’ny hanafoana ny herisetra, nefa manome alalana hikapoka vehivavy maditra?!!

Hamaliana izany fanontaniana izany dia, voalohany indrindra tsimaintsy hazavaintsika tsara ny mampiavaka ny fampiharana ny teny hoe; fikapohana vehivavy amin’ny fiainantsika andavan’andro ankehitriny, sy ny fampiharana azy arak any lalana islamika.

Raha amin’ny fiainantsika ankehitriny no resahina dia, raha misy maheno fa, misy lehilahy anankiray nikapoka ny vadiny, ka avy hatrany fa, tonga dia hieritreritra ratsy sy resaka habibiana izy amin’io lehilahy maherisetra sady miangatra io. Ary io lehilahy io dia mbola mampiasa herisetra amin’ny alalan’ny teny henjana, sady mandaka.

Ny endrika izany vehivavy tratry ny tsindrihazolena izany dia, izay niharan’ny herisetra, ary ny vatany manontolo dia feno ratra sy kaikitra, no sady vakivaky ny vatany rehetra. Ka izay no dikan’ilay teny hoe; fikapohana amin’izao andro iainantsika ankehitriny izao.

Ary anisany traikefa izay azonay amin’ny fiainana eto an-tany dia, ny fihetsika ireo olona mosary hanao herisetra hikapoka ny vadin’izy ireo.

Fa raha niteny aminao aho hoe: Nikapoka lakilaosim-baravarana (manintona lakilaosy) aho, ahoana ary no fahazoanao izany? Moa ve raisinao fa, nanao herisetra tamin’ny varavarana aho?!!

Na koa miteny aho hoe: Hikapoka ohatra hoanao aho (hanome ohatra), moa ve heverinao fa, hanao herisetra zaho amin’ny fanomezana anao ny ohatra?

Ka noho izay rehetra izay dia, hita sady mazava fa, ny teny hoe; “Kapoka” dia miovaova tanteraka arak any fampiasana azy sy ny tanjon’ilay olona miresaka sy ny toerany ary ny toetrany.

Ary ireo rehetra ireo no mampiditra amin’ny lohantsika fa, ny kapoka tokoa no tanjona amin’izany.

Fa raha amin’ny finoana silamo no jerena dia, hafa tanteraka ny dikan’ilay teny hoe: kapoka raha ampitahana amin’ny fazahoantsika azy amin’ny fiainana ankehitriny.

Satria rah any dikany amin’ny fiainana ankehitriny no jerevana dia, fady ny fanaovana azy sady heloka bevava arak any finoana silamo. Ka noho izany dia, mandrak’izay fa tsisy andro hitovizana ireto teny roa ireto, satria ny iray no manafoana ny iray hafa.

Fa raha itsorina izany dia, tsisy hampiasana azy ny teny hoe fikapohana vady amin’ny finoana silamo, ary tsiazo atao mihitsy izany, satria voarara araka ny lalana velona. Na dia aza ny fanambanimbaniana na herisetra amin’ny fiteny.

Satria ny dikany ny teny hoe; kapoka amin’ny finoana silamo dia tahaka ny familomana ny lakilaosy, izany hoe; kapoka tsotra kely (kapoka fitiavana). Fa ny tena hafatra amin’izany dia, ny fampahafantarana an’ny madamo fa, tsy manaja ny zon’ny vadiny izy. Ka noho izany dia, manana zo hanitsy azy sy hanarina azy ny ramoseny. Ary ny finoana silamo dia efa nametraka ambaratonga maro isankarazany mba handravonana ny olan’ny vehivavy izay mandalo ditraditra sy fihoafam-pefy.

Izany ambaratonga izany dia mialoha ny kapoka izay ambaratonga farany indrindra raha tsy nandaitra ny ambaratonga rehetra voalohany.

Ny finoana silamo dia nametraka didy sy lalana maro dia maro hoan’ny raimpianakaviana (lehilahy), ka raha sanatria ka tsy niraharaha izany izy dia mahazo fahotana amin’izany fihoarany fefin’i Allah izay ataon’ny ramose izany. Ary mendrika ho saziana eto antany sy any ankoatra. Ary izao manaraka izao ireo ambaratonga tsimaintsy tanterahin’ny ramose izany:

 

ANTONKY NY FANANARANA AMIN’NY ALALAN’NY KAPOKA:

  1. Ny fandravonana ny olana mandalo ambaratonga tsikelikely, amin’ny fampiasany ny ezakany rehetra amin’ireny ambaratonga roa voalohany irenyalohn’ny hidirana amin’ny resaka fikapohana. Izany hoe; anatra, fananarana, ary toro-lalana, ka zay vao miditra amin’ny fisarahana fandriana rehefa matory.
  2. Ary raha miditra amin’ny resaka kapoka dia, tsimaintsy amin’ny fampiasana ny tapakazo kely fiborosina nify, izay tsy mihotra ny crayon ny halengezazany manontolo.
  3. Tsiazony atao no mikasika ny tarehy sy ny faritra marefo rehetra amin’ny vatan’ilay vehivavy. Satria ny finoana silamo dia, mandrara ny fiaksihana ny tarehy, na lehilahy na vehivavy ny olona kapohina amin’izany, na dia fa, biby aza no kapohina. Satria ny tarehy dia, faritra masina sy mihaja. Ary ny fikapohana izany tarehy izany dia, hisy fiantrekany ratsy amin’ilay olona voakapoka. Ary voarara torak’izany koa ny fikasohana ireo faritra marefo amin’ny vatana manontolo, ary hentitra dia hentitra tokoa ny Finoana silamo mahakasika izany. Izany rehetra izany dia, fefin’ny Tompo Zanahary, ary izay mandika izany dia manota.
  4. Tsiazo atao amason’olona ny fananarana, na inona na inona ny toe-jazavatra dai tsiazon’ny ramose atao ny mikapoka ny vadiny amason’olona, ary indrindradrindra moa amason’ireo zanany. Satria izany fihetsika rehetra izany dia misy fanalam-baraka an’ny madamo no voalohany indrindra. Ary ny faharoa dia, hisy fiantrekany ratsy amin’ny fanabeazana ny ankizy. Fanabeazana tahaka ny inona ary no atolotr’ity raim-pianakaviana ity hoan’ny zanany, amin’ny fikapohanyny Renin’izy ireo anatrehan-dreo na amin’ny toerana izay henon’ny sofn’izy ireo?!!!
  5. Tsiazo atao ny mikapoka izay mametraka taketra ivelany na ratra amin’ny vatan’ny madamo, ohatra hoe: mandeha ra ny vatany, na daroka mamky na mandratra ny vatany. ary izay lehilahy manao izany fihetsika izany amin’ny vadiny, dia manota izy (mahazo fahotana). Ary karazana lehilahy izany dia, tahaka ny bibidia izay maomlaka taolana, sady tsy mila soa hoan’ny vadiny mihitsy. Fa ny zavatra tadiaviny dia tsy inona afatsy ny hamaly faty an’ny vadiny fotsiny. Nefa izany fihetsika feno habibiana ataon’ny ramose izany dia, vao mainka manosika ny vadiny hanao ny tsy mety. Ka arak any lalana islamika dia, tsy maintsy hadihadiana momba an’ity lehilahy ity, ary sty maintsy saziana araky ny lalana velona.

 

 

 

NY FIZARANA FAHAENINA

NY FIKAPOHANA VEHIVAVY AMIN’IREO FINOANA HAFA

Ny resaka fikapohana ny vehivavy dia, tsy zavatra mandalo, na misy toerana manokana amin’ny fotoana manokana na amin’ny fiaraha-monina manokana, fa misy sady hita amin’ny fiaraha-monina rehetra ary amin’ny fotoana rehetra mandalo eto an-tany, ary tsy ankanavaka. Hoan’zay te hahafantatra tsara ny toeran’ny vehivavy tamin’ireo fiarahamonina rehetra tamin’ny fahagola, dia hita amin’ireo boky izay miresaka manokana mahakasika io raharaha io. Ary indrindra moa nahakasika ny toeran’ny vehivavy amin’ny fiarahamonina Grika, Raomanina, Sinoa, ary ireo karana tamin’ny fahagolantany sns… fantaro tsara, ahoana ny fomba no nanaovan’ny finoana jiosy sy kristianina manoloana ny fikapohana miharihary ny vehiavavy. Ary izany dia lasa toetra amampanao ratsy izay niparitaka tamin’ny fiarahamonina fahagola maro isankarazany, na dia aza tamin’ny fiarahamoniana nisy an’i Jesosy.

Moa efa niresaka mahakasika ny maha fady ny fikapohana ny vehivavy ve i Jesoa zanak’i Maria (AS)?!!!

Moa voaresaka anatin’ny Baibolin’ny kristianina, na amin’ny testamanta taloha na vaovao ve momba ny lalana izay mandrara ny fikapohana ny vehivavy na mankahala izany aza?!!

Amin’ny alalan’ny fikarohana izay natao dia hita fa, tsy misy tokoa izany.

Raha ny lehilahy kristianina mikapoka ny vadiny, moa ve manota izy amin’izany, ary tafiditra amin’ny fanaovanaheloka bevava ve izany, ary inona ny sazy tokony hahazo azy, raha araky ny Boky masina?

Mazava hoazy fa, tsy voasokajy ho mpanota ilay ramose, satria tsy misy ao anaty baiboly ny manoporofo izany, na amin’ny testamanta taloha na amin’ny vaovao!!

Ary tsy henjehina ho nanao heloka bevava izy, ary tsy saziana, afatsy hoe; tsikaritra fa, misy vahky na ratra amin’ny vatan’ny madamo noho ny vono izay nahazo azy. Fa raha toa ka tsy misy famantarana miharihary (Mangana ny tarehy), dia ahoana ary ny fanaporogfoana izany!!!

Ny fandikana hafa ny fikapohana tsy mandratra dia, tsy voasazy amin’izany ny lehilahy, na araky ny finoana na araky ny lalana izay misy amni’izy ireo.

Ary ndao tsika zao hojery amin’ny finoana jiosy sy ny Bodista koa; moa ve voarakitra amin’ny bokiny ny lalana na fepetra mandrara ny fikapohana ny vehivavy?!!!

Mazava hoazy fa, tisy didy ara-pinoana ka mandrara ny fikapohana ny vehivavy afatsy ny finoana silamo irery ihany!!!

Na dia taorian’ny fanovana ny fikapohana ny vehivavy avy amin’ny tsiazo atao ka natao ho tsy tsara atao (Haram-Makrouh), dia mbola ny finoana silamo irery ihany no nandidy amin’ny tsy tsara hatao ny fikapohana ny vehivavy!!

Fa, ny finoana rehetra ankoatry ny finoana Silamo dia, tsy manan-dresaka mihitsy mahakasika ny fikapohana ny vehivavy, izany hoe; tsy ny fandrarana na ny fankahalana ny fanaovana azy.

Ary tahaka izany koa fa, tsisy finoana manome antoka sy fetra amin’ny fikapohana ny vehivavy, afatsy ny finoana silamo irery ihany. Izany hoe; raha tsy hain’ny lehilahy kristianina anankiray izany ny hataony momba an’ny vadiny ka tafakapoka an’ny vadiny izy amin’izany, dia inona ary ny antoka sy ny fepetra izay tsy maintsy harahiny mba tsy hihoa-pefy?

Moa ve voarakitra amin’ny finoana kristianina ny fepetra mahakasika ny fikapohan’ny ramose ny vadiny, ohatra amin’ny tsy tokony hikapohana ny tarehiny, na tsy tokony hamela ratra na taketra amin’ny vatan’ny madamo zany ny vono izay ataon’ny ramose, inona ary ny fepetra misy amin-dreo…sns?

 

Tena marina fa, tsia.

Hoan’izay mandinika ny toe-java misy amin’ny fiainantsika andavanandro ankehitrd, dia hahita izy fa, misy tarihimarika lehibe amin’ny lehilahy kristianina no mikapoka ny vadin’izy ireo, sy ny jiosy ihany koa ary ny karana’olona maro isankarazany ankoatry ny mpanaraka ny finoana Silamo.

Mba jerevo tsara moa ny mpandraharaha ny voafonja sy ny raharaha any amin’ny fitsarana Amerikanina sy any Eropa, mba hahita tarehimarika lehibe ianao manisa ireo lehilahy tena manao herisetra amin’ny vehivavy sy ny ankizy!!!!

Na ry zareo Arabo ihany koa anisany nanao herisetra tamin’ny vadin’izy ireo talohan’ny finoana silamo, ka mikapoka ny vadiny tahaka ny fikapohana andevo, ary izany dia zavatra tsotra kely tamin’izy ireo. Nefa herisetra izay tsisy lalana na fepetra manameloka izany ka mba hiteny hoe; voarara sady heloka bevava ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy.

Ka rehefa tong any Mpaminany Mohammad saw dia, nanameloka sady nanohitra mafy an’io fihetsika ratsy io, ka niteny izy hoe: “Misy aminareo mety mikapoka ny vadiny tahaka ny fikapohana andevo, nefa rehefa hariva ny andro dia, mbola miara matory aminy”. [Mouttafaquoun alayhi, fehezantenin’i Boukhari].

Jerevantsika tsara io tenin’ny Mpaminany saw io, fa tena nitsikera sady nanameloka an’izay lehilahy manaoa herisetra amin’ny vadiny amin’ny antoandro, nefa rrehefa hariva ny andro dia miara matory aminy!!

Na koa afaka ataontsika hoe; Amin’ny antoandro izy dia mahery fo amin’ny madamo, kanefa amin’ny hariva dia mitady ny fahalefahany sy safosafony izy!!

 

IREO TANTARA MARO ISANKARAZANY MIRESAKA NY TOERAN’NY VEHIVAVY ARAKY NY BAIBOLY TALOHA SY NY VAOVAO:

Henontsika matetika araka izay avoitran’ireo mpanaraka ny finoana kristianina fa, Jesoa Zanak’i Maria (AS) no mpiaro voalohany ny zon’ny vehivavy. ary izy irery ihany no nanome zo ny vehivavy, izay tsy nomen’ireo finoana marobe hafa isankarazany, arak any nambaran’izy ireo.

Ary mbola arak any nambarandreo fa, ny Baiboly no nanandratra sy niaro ny vehivavy!!!

Ka ny fanontaniana mipetraka dia, moa mihatra amin’ny toerany tokoa ve io resaka io?!!!

Ny rehetra dia mahafantatra fa, ny baiboly dia mandrara ny tsy hidiran’ny vehivavy amin’ny temple anatin’ny fiangonana, satria ao no misy ny zavatra masina rehetra na ny sorona masina. Ary izany fandrarana ny vehivavy tsy hiditra amin’ny toerana masina izany dia, tsy hifidianana taona fa, rehefa vehivavay dia tsy ekehiny, na ankizy vavy kely, na saramba, na tanora vavy, na vehivavy lehibe. Ny olana dia, rsisy hifandraisany amin’ny taona fa, noho izy vehivavy.

Tsy voaresaka amin’ny boky masina, na amin’ny testamanta taloha na ny vaovao ny fahazoan’ny vehivavy miditra amin’ilay temple anatin’ny fiangonana. Fa ny vehivavy dia, tsy mahazo miteny mihitsy anatin’ny fiangonana, ary tsy mahazo na mampianatra na iza na iza mihitsy any ampiangonana.

Ary ny vehivavy dia, tsy mahazo toeran’ny Mpitandry, afatsy ny fanaovana asa madinika ambany. Izay lazaina fa, asan’ny mpiasa!!!!

Ny baiboly dia, efa nanome antsika ireo anaran’ny mpitandrina marobe fa, lehilahy daholo izy ireo. Na ireo Mpitandrina Papa Patricks voalohany tahaka ry: Noa, Joba, Abrahama, Isaka, Jakoba, na koa ireo Harounista, na mpitandrina Malaky Swadik, na ireo Iraka mpitandrina sy ireo mpandimby azy ireo amin’ireo mpatarika fivavahana, dia lehilahy daholo izy ireo. Ka raha to aka tsimaintsy hitzona toerana amin’ny fiangonana ny vehivavy dia, i Maria (Mariamo) izay lavitry ny asa ratsy sy fanendrikendrehana mba tokony ho voalohany amin’izany. Fa raha arak any fampianaran’ny fiangonana dia fady amin’izay tanteraka ny vehivavy!!!!

 

NDAO TSIKA HITONDRA RAKI-DALALANA VITSIVITSY AVY AMIN’NY BAIBOLY MBA HAHITANTSIKA NY FIAINAN’NY VEHIVAY SY NY TOERANY

 

  1. NY VEHIVAVY DIA SAZINA NOHO NY FAHOTAN’NY VADINY

 

Amin’ny bokin’ny Armia (23:34):

Ny Mpaminany, na ny mpitandrina, na ny vahoaka, izay miteny fa: Ny faminanian’ny Tompo, dia ho saziko izany lehilahy izany sy ny tranony.

  1. FANDORANA HO MAY NY VEHIVAVY MPIJANGAJANGA:

 

Boky Lawina (21:9) :

“Raha tratra amin’ny fijangajangana ny zanaka vavin’ny mpoitandrina, dia manitsakitsaka ny dadany izy izany, ka tsy maintsy dorana amin’ny afo”.

 

  1. FANAPAHANA TANAN’NY VEHIVAVY NOHONY ANTONY TSY EKEHIN’NY SAINA;

 

Amin’ny Bokin’ny Deuteronomia (25:11):

“raha miady ny lehilahy anankiroa, lehilahy anankiray sy ny rahalahiny, ka avy ny vadin’iray amin’izy ireo handrava ny ady, amin’ny fanalana ny vadiny amin’ilay olona miady azy, ka nalefany ny tanany ka nahavoaray ny henatry ny lehilahy iray miady an’ny vadiny, ka tapaho ny tanany fa, k’aza mangoraka azy ny masonao”.

 

  1. NY VEHIVAVY NISARA-BADY SY NY MATY VADY ARY NY MPIJANGAJANGA DIA MITOVY DAHOLO:

 

Bokin’ny Lawina(21:9):

“Ny mpitandrina lehibe indrindra … dia ny vehivavy verijiny madio no alainy ho vady. Fa raha ny maty vady, nisara-panambadiana, ny vehivavy maloto, ary nhy mpijangajanga dia tsy alainy. Fa maka vehivavy madio avy amin’ny vahoakany ho vady. Ary tsy handoto ny voliny anatrehan’ny vahoakany, satria izaho no tompo mpanamasina azy”.

 

  1. FANETREN-TENAN’NY VEHIVAVY NISARA-BADY HOAN’NY VADINY:

 

Hafatry Paul hoan’ireo Afsosy (5:22):

“Oh, anareo vehivavy! Manetre-tena amin’ny lehilahinareo ianareo tahaka hoan’ny Tompo. Satria ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, tahaka i Mesia ihany koa lehiben’ny fiangonana. Ary izy dia nataokana hoan’ny vatana. Ary tahaky ny fiangonana hoan’ny Mesia. Ary tahak’izany koa ny vehivavy hoan’ny vadin’izy ireo amin’ny zavatra rehetra.”

 

  1. NY TSY MAINTSY HIPETRAHAN’NY VEHIVAVY AMIN’NY FAHANGINANA REHEFA ANATY FIANGONANANA:

 

Ny hafatry Paul voalohany tamin’ireo Korinthos (14:34):

“Aoka mba hangina daholo ny vadinareo rehefa am-piangonana, satria tsiazon’izy ireo atao no miresaka, fa mila manetri-tena, araka izay nambaran’i Gabriel ihany koa. Fa rah ate hianatra izy ireo dia, afaka manontany ny vadin’izy ireo any an-trano. satria zava-dratsy izany rah any vehivavy hiresaka am-piangonana”.

 

  1. NY VEHIVAVY NO ANTONY FAHAVEREZANA:

Hafatry Paul voalohany amin’i Thimotows (2:11):

“Ny vehivavy rehefa mianatra dia mila mangina amim-panetrentena. Fa zaho dia tsy mamela ny vehivavy hampianatra ary tsy hanohitra ny vadiny, fa mila atao mangina hatrany. Satria Adama dia tendrombohitra, no sady voalohany, zay vao Eva. Ary Adama dia tsy nivadika. Fa ny tena marina di any vehivavy no nivadika ka lasa nandika-lalana. Nefa izy (vehivavy) rehefa miteraka dia efa azy izay. Raha toa ka mifikitra mafy amin’ny finoana izy ireo, sy ny fifankatiavana, ary ny resaka zavatra masina miaraka amin’ny amim-pisainana”.

 

  1. NY FAHEFAN’NY LEHILAHY AMIN’NY VEHIVAVY:

Hafatra Voalohany an’i Patrice (3:1):

“ka izao izy ry vehivavy, manetre-tena hoan’ny vadinareo. Aoka mba tsy hampiseho haingo ivelany ianareo, amin’ny fanamboarana volo, fampiasana volamena sy ny fitafiana akanjo, satria izany dia hampiditra fakampanahy amin’ny fon’ny sasany, fa mba fampihaingoana ny fanahy mba ho tony, izay nanome ezaka betsaka hamalifaliana ny Tompo. Satria ireo vehivavy madio teolaloha, izay manankina ny fitokisany amin’ny Zanahary, dia nihaingo sady nanetritena hoan’ny vadiny. Ohatra amin’izany Sarah, izay nanakatoa an’i Abrahama sady miantso azy amin’ny maha Ramoseny azy”.

Le voyage de creation (22:16):

“Ary niteny tamin’ny vehivavy: Ataovy betsaka ny fitiavanao, amin’ny tehoka no hiterahanao ny ankizy. Ary aoka mba hoany amin’ny lehilahinao ny finirianao, ary izy no mitonfdra nao”.

 

  1. NY FANORAHANA VATO MANDRAPAHAFATINY NY VEHIVAVY NIJANGAJANGA:

 

Deuteronomia (22:13):

raha naka vehivavy ny lehilahy anankiray, rehefa hiaraka aminy izy dia nahatezitra azy (vevavy) no nataony, ary nampihenoany teny maro isankarazany, ary anarana ratsy no naeliny momba azy (vevavy), ary miteny izy hoe: Hamafisina fa, ity vehivavy ity dia nalaiko, ka rehefa nanakaiky azy aho hitako fa, tsy verijiny intsony izy. Ka raisin’ny dadany sy reniny ilay ankizy vavy any amin’ny Lehibe amin’ny Tanana any, ary mivoaka varavarana, mba hanambarandreo ny famantarana fa mbola verijiny ny zanany vavy… ka raisin’ireo Lehibe ireo io ilay lehilahy io, anarina, ary saziana ampandoavina onitra volafotsy 100... nefa raha toa ka marina tokoa ilay zavatra, dia tsy manana fialantsiny intsony ilay saramba vavy. Ka havoakan’izy ireo ilay saramba vavy mankany amin’ny varavaran’ny dadany. Ary ny vatan-dehilahy amin’ny Tanana misy azy no hitora-bato azy (vehivavy) mandrapaha hofaty”.

Le voyage de creation (22:22):

“Raha misy lehilahy matoritory miaraka amin’ny vadin’olona, dia tsy maintsy vonoina izy roa. Ka miala amin’ny Israely ny haratsiana”.

Le voyage de creation (22:23):

“Raha misy vehivavy mbola verijiny, efa nisy nampiakatra. Nefa tratra naira-natoritory amin’ny lehilahy amin’ny Tanana, dia tsy maintsy avoakan’izy ireo ny Tanana izy roa ireoary torahana vato mandrapaha hofaty”.

 

  1. NY TOERAN’NY VEHIVAVY DIA AMBANY NOHO NY LEHILAHY:

 

Hafatra voalohany avy amin’ny paul hoan’ireo korenthos (11:3):

“Tiako ho fantatrareo fa, ny lohan’ny lehilahy tsirairay dia, i Jesosy, ary ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andiananahary no lohan’ny Jesosy. Ny lehilahy tsirairay rehefa mivavaka, na mianatra dia manaoa zavatra amin’ny lohany. Fa ny vehivavy kosa raha mivavaka na mianatra dia tsimaintsy misarondoha izy. Satria izy sy ny vehivavy solaloha dia mitovy arak any fahitany azy. Ary raha tsy misarondoha ny vehivavy dia tokony ho tapahany ny volony. Fa raha toa ka hitan’ny vehivavay fa, ratsy izany boriana na tapahina volo izany, dia tokony handrakotra ny lohany izy. Ny lehilahy dia tsy terena handrakotra ny volony, satria izy dia soran’ny Tompo sy voninahitriny. Fa ny vehivavy kosa dia, voninahitry ny lehilahy. Satria ny lehilahy dia tsy avy amin’ny vehivavy fa, ny vehivavy no avy tamin’ny lehilahy. Ary ny lehilahy dia tsy namboarina nohony antony vehivavy, fa ny vehivavy no namboarina nohony lehilahy. Ka noho izany dia, ny vehivavy mila manana fahefana amin’ny lohany, noho ny antony ireo Anjely”.

 

  1. NY FAMPIANARANA DESKOLIKA HOAN’NY VEHIVAVY:

 

Ny fizarana faharoa amin’ny fampianarana deskolika izay mitondra ny lohateny hoe (tsimaintsy manetri-tena amin’ny vadiny ireo vehivavy ary maneho hafaliana amim-pahendrena) miteny izy hoe: “Tokony hanetritena amin’ny ramoseny ny vehivavy, satria ny lehilahy no lohan’ny vehivavy. Tahoro ny vadinao ry vehivavy. Mahatsiarova menatra aminy, ary ataovy ny zavatra hafaly azy irery aorin’ny tompo Andriananahary. Anisany ohatra nambaranay hoe: Ampiadano izy amkin’ny fikarakaranao azy, mba hiadanan’ny vadinao aminao. Raha te ho mpino tokoa ianao, ary te ho sambatra anatrehan’ny Tompo Andriananahary, ary kaza mihaingo ka hamalifaly ireo lehilahy tsy havanao. Kaza faly mitafy an’ireny lamba manaitra sy manify ireny izay tsy mendrika afatsy ireo mpijangajanga ny hitafy an’izany, mba tsy hanaraka anao ireo mpihaza ny mitovy aminao. Kaza manao ireo asa ratsy ireo ianao fa, ho mpanota. Satria hamafisina fa, hanenina ianao irery amin’ny fihaingohaingoanao io. Ary avy aminao mihitsy no manery izay olona mahita anao hanara-maso anao ary hatsiaro mahazo fahafinaretana amin’izany. Maninona ary ianao no tsy miaro-tena mba tsy ho latsaka amin’ny fahotana? Ary kaza miantso olona ianao mba ho latsaka amin’ny fakampanahy noho ny antony anao. Ary raha diso ianao amin’ny fanaovanao izany fihetsika izany, ka ho tafiditra anatin’ny fahotana koa ianao. Satria mety avy taminao ihany no nahatonga ilay lehilahy tratran’ny fakampanahy. Raha avy taminao nahatonga ny olona anankiray latsaka amin’ny fakampanahy amin’io asa ratsy io indray mandeha fotsiny, ka mety izy (lehilahy) no nahatonga anao hampiditra ny maro amin’ny asa ratsy, raha to aka tsy dia nanana faniriana ianao, araka izay ambaran’ny Baiboly hoe: (Raha tafiditra lalina amin’ny amin’ny asa ratsy ny mpihatsara-velatsihy, dia tsimaintsy sintomina ary atao marary mafy izy, (faizina). Izy rehetra ireo dia manao tahak’izao daholo dia hiharandoza amin’ny hadisoany, ary mihaza ny fanahin’ireo vendrana amin’ny fikorontanana tanteraka. Mba ho fantatrao ny ambaran’ny Baiboly momba ireo mandainga amin’ireo izay miteny toy izao: Ny vehivavy ratsy fitondrantena dia tezitra mihoatran’ny fahafatesana, ary izy ity dia anisany voahaza hoan’ireo vendrana). Ary amin’ny toerana hafa dia miteny ihany koa hoe: (Ohatra Davida misakafo amin’ny hazo, hoatr’izany no hamonoan’ny vehivavy ratsy an’ny vadiny). Ary miteny koa hoe: (Tsara izany! Ny toerana amin’ny zorontrano, tsara lavitra noho ny fipetrahana miaraka amin’ny vehivavy tsy matotra na /mpamitaka. Raha tre ho mpino ianareo ry vehivavy kristianina kaza maka tahaka an’ireo vehivavy ireo. Mifikira tsara amin’ny vadinao irery ihany ary ataovy ny fomba hafalifaly azy. Raha mandeha andalana ianao (vehivavy) dia rakofy ny lohanao amin’ny lambanao. Satria raha mirakotra noho ny fiarovana ny hasina dia ho voaaro avy amin’ny fijerin’ireo olona maditra. kaza asiana haingo ny tarehinao izay namboarin’ny Tompo Andriananahary, satria tsisy zavatra tsy ampy hatsarana intsony ao aminy (tarehy), ary ny zavatra rehetra namboarin’i Allah dia tsara daholo, ary tsy mila haingo intsony, ary izay manampy haingo ankotr’izay dia, manova ny hasoavan’i Allah. Ary ny famindranao sy ny fijerinao dia mila mijery ambany, ary ianao voarakotra avy amin’ny faritra rehetra, amn’izay mba lavitra an’ireo mpanadala miaraka amin’ny lehilahy. Maro amin’ireo vehivavy dia sakaiza ratsy, ary ny mpino vavy dia tsy mahazo mandro miaraka amin’ny lehilahy. Ary raha manao saron-tava izy dia noho ny tahotra amin’ny fijerin’ny lehilahy vahiny (tsy Havana)…

Ny zavatra izay tsimaintsy ataonao dia, tsimaintsy mandositra ny fahavetavetana isankarazany, ary filefasana avy amin’ny fijerevan’ny maro… (Hamafisina fa, ny fipetrahana an-tany dia tsara lavitra noho ny fipetrahana miaraka amin’ny vehivavy be vava sady maditra)”.

 

 

 

NY FIZARANA FAHA-FITO

Ny fikapohana vehivavy amin’ny fiarahamonina Kristianina tandrefana

Maro ireo fahavalon’ny finoana silamo no te hampivoitra ny karazana fanakorontanan-tsaina mahakasika ny finoana Islamo. Anisan’izany ny resaka fikapohana ny vehivavy, amin’ny fampiasana andininy sasantsasany avy amin’ny Korany sy ny Tenin’ny Mpiminany saw. Ny resaka rehetra dia manohitra ny fanakorontanana ataony, ary lasa tavela hoazy ny teti-dratsin’izy ireo. Raha ny resaka fikapohana amin’ny finoana silamo dia, mampahatsiahy ampahany kely fotsiny amin’ny resaka efa nandalovana sy ny resaka aorian’izay. Miezaka izy ireo amin’izany mba hanaparitaka ny fanakorontanan-tsaina lainga mba handratsiana ny Finoana silamo, nefa manalavitra ny fahamarinana izy ireo. Ary tsy amin’ny tena toerany no ampidirany ny resaka fa, amin’ny fomba mitoetra ho fanenjehana izay mamokatra fikorontanan-tsaina na tsy fahazoana mazava ny tena fahamarinana, ary ny tanjondreo amin’izany di any fanaparitahana lainga foronina hanenjehana ny finoana silamo. Nefa izy ireo mihevi-tena ho olona mivoatra sady madio amin’ny fifandraisany amin’ny vehivavy ary indrindra amin’ny vadin’izy ireo. Nefa ny mampalahelo dia, izy ireo dia mampikipy ny masony manoloana amin’ny tena fahamarinana manaraka izao:

 

voalohany: hamafisina fa, ny finoana silamo di any finoana tokana izay manondro sady manambara ny fiafandraisan’ny indra-fo sy fitiavana amin’ny mpivady. Izay finoana tokana manakana ny herisetra sy ny fampijaliana, na izany amin’ny alalan’ny fiteny na fihetsika, ka hoy Allah swt hoe: “Ary anisany famantarana avy aminy, ny nahariany ho anareo avy aminareo ny vadinareo. Mba hiainanareo amim-pilaminana miaraka aminy, ary dia nasiany fifankatiavana sy hatsaram-panahy teo amkinareo”. [Ar-Roum, and:21].

Fantatra mazava fa, ity fifankatiavana sy hatsaram-panahy ity dia, tsy hisy raha tsy amin’ny alalan’ny fifanarahana marina sady azo atao araky ny lalana.

Faharoa: ny finoana silamo tokana no manameloka ny fikapohana ny vehivavy sy ny fanitsakitsahana azy, sy ny fanambaniana azy amin’ny fijery ary amin’ny fomba maro isankarazany. Ka hatry ny 1400 taona no nandalo dia, nefa voasokajy ho ambanin’ny lehilahy foana ny vehivavy. Na dia, hitady anatin ‘ny Baiboly masin’ny kristianina isika, na amin’ny testamanta taloha izany na tamin’ny testamanta vaovao. Tsy hahita na famantarana akaiky na lavitra manaporofo fa, fady tsiazo atao ny fikapohana ny vehivavy.

Fahatelo: hamafisina fa, ny finoana silamo dia, manomamporisika amin’ny fifandraisana tsara amin’ny vehivavy. Ireo andininy Koranika sy ny Tenin’ny Mpaminany SAW rehetra ireo, izay misy fifandraisany amin’ny resaka tokantrano, ka mamporisika amin’ny fifandraisana mendrika, ary mila mifanaosoa ny mpivady, satria miteny Allah swt momnba izany manao hoe: “Ka hoan’ireo vehivavy dia, manan-jo ho entina tsara mifandanja amin’ny adidy takiana amin’izy ireo”. [Albaqarah, and:228].

Fahaefatra: ny finoana silamo dia nametraka ny fifandraisana rehetra amin’olombelona ho fifandraisana madio, ary indrindra moa amin’ny mpivady, izay ahazoana fahasoavana betsaka sy valisoa makadiry. Hoy ny Mpaminany saw hoe: “Izay famatsiana ataonao amin’ny fitadiavana ny sitra-pon’i Allah dia hanomezan’i Allah valisoa hoanao noho izany. Na di any ventim-bary izay ampidirinao am-bavan’ny vadinao”. [Mouttafaquoun alayhi].

Fahadimy: ny finoana silamo dia nanome alalana hikapoka ny vadiny arak any toejava misy fa, tsy hoe; fototra hijoroana. Nefa misy fepetra maro izay manery ny lehilahy tsy gtonga dia hiroso amin’izay mihevitra fa hoe vahaolana, afatsy amin’ny toe-javatra mafampana manokana, ary raisina mba ho fara-hevitra mba tsy hihitatra amin’ny faharavan’ny tokantrano sy fahapotehan’ny fiarahamonina. Ary izany dia miankina amin’ny karazana vehivavy, satria tsy mkitovy daholo ny vehivavy rehetra mandritra ny taonjato rehetra mandala eto antany sy ny fiarahamonina rehetra tsy ankanavaka ary koa ny fianakaviana. Izany hoe, ny vehivavy jiaby zany dia, tsy mitovy aby. Ny zavatra izay tsy mahasoa ny fiarahamonina anankiray dia tsy hahasoa ny fiarahamonina hafa ihany koa, fa vao mainka handrodana ny fiarahamonina mihitsy. Izay fifandraisana tsy mahasoa ny vehivavy anankiray dia tsy hahasoa ny vehivavay hafa amin’ny fiarahamonina anankiray hafa na amin’ny taonjato hafa, na dia miezaka tahaka ny inona ianao hanarina izany fiarahamonina izany, raha araka ny fomba fijerin’ny finoana silamo.

Fahaenina: Ny herisetra amin’ny fianakaviana dia tena miparitaka br manerana ny firenena maro amin’izao tontolo izao, na amin’ny firenena izay heverina fa, efa tena mivoatra sy mandroso amin’ny andro ankehitriny. Firy amin’ny lehilahy kristianina tandrefana manao herisetra amin’ny vadiny amin’ny fomba miharihary imasombahoaka tahaka amin’ny; Seranam-piaramanidina, toeram-pisakafoanana, na amin’ny toeram-pisotroana na eny an-dalana ifaneraseran’ny daholo-be. Tsy miafina na hoe; tsy amabara-telo izany, fa mivoaka manerana ny haino amanjery maro isankarazany amin’ny fomba samihafa. Ary firy koa ireo vehivavy kristianina tandrefana amin’ireny firenena tahaka ny any: Amerika, kanada, sy any Eropa ary Australia, milahatra any amin’ny sehatra ny polisy (mpitandro filaminana) hitaraina noho ny vono sy kapoka izay sedrain’izy ireo amin’ny tokantranony izay ataon’ny ramose amin’ny vadiny. Ireo fitarainana ireo dia tsy resahim-potsiny hotran’izao fa, miaraka amin’ny porofo mivaingana sy marim-pototra sy tranga miharihary hitan’ny rehetra tahaka ny efa lasa. Ary ambaranay eto fa, na dia gila-maso, na mangana ny maso, na mibongina ny tarehy, dia vokatry ny kapoka sy daroka ihany. Ary izay mitady na manontany any amin’ny polisy misahana ny zon’ny fianakaviana any Amerika sy Eropa ary Australia dia, hahita ny fahamarinana mazava momba izany.

 

Ny fiparitahan’ny fanaovana herisetra amin’ny fikapohana amin’ny fiaraha-monina Tandrefana

Amin’ny resaka mahakasika ny fiparitahan’ny fampiasana herisetra amin’ny fianakaviana any Andrefana, izay milaza fa mandroso izy, ary indrindra moa ny fivoaran’ny olombena fa, tsy resaka ara-materialy, arak’izao manaraka izao;

  1. Ny fiparitahan’ny orinasa sy vondrona ara-panjakana na tsy miankina any amin’ny firenena eropeana, izay manetsika olan’ny herisetra sedrain’ireo vehivavy sy ny vono mahazo ny fianakaviana, nefa tsy vitany akory no mandamina izany olan’ny herisetra mahatsiravina mahazo ny vehivavy izay.
  2. Ireo fampitam-baovao miverimberina matetika amin’ny haino amanjery isankarazany izay mamporisika amin’ny fahatongavan’ny vaovao amin’ny isantokantrano amin’ny fomba izay tena haingana tokoa, mahakasika ny herisetra izay ataon’ny mpifanolobodirinfdrina anankiray amin ‘ny vadiny?
  3. Izao daholo anisany fanontaniana matetika mipetraka hoan’ny isantokantrano amin’ny fiarahamonina maro isankarazany any Andrefana:-

Efa nikapoka vadinao ve ianao tamin’ny fiaiananao?

Efa hitanao na henonao ve, fa ny dadanao nikapoka ny reninao indray andro?

Efa henonao talohan’izao fa, efa nisy amin’ny fianakavianao no efa nikapoka ny vadiny?

Efa henonao koa ve indray andro, fa nisy mpifanolobodirindrta efa nikapoka ny vadiny?

 

Ny tanjona hitondrana ireto fanontaniana ireto dia, mba hanaporofoana fa, tena misy miharihary tokoa ny herisetra amin’ny vehivavy izay ataon’ny vadin’izy ireo Kristianina maneran’ny Eropa, Amerika sy Kanada ary Australia, ary izany dia miparitaka amin’ny fomba tena haingana tokoa.

Ary ny farany, dia mazava hoan’izay rehetra mahitsy fa, ny Finoana Silamo no manome hatsarana sy voninahitra hoan’ny vehivavy. Ny finoana tokana manome lanja ny vehivavy, mamotsotra azy avy amin’ny hasarotana izay sedrainy, ary miaro azy avy amin’ny zavatra izay mety handrangotra na handratra azy sy izay mety hanimba ny voninahitriny sy ny hasiny. Ary ny finoana Silamo no dia mampitandrina hatrany an’izay manao tsindrihazolena amin’ny vehivavy, ka hoy ny Mpaminany masina Mohammad saw hoe: “Izaho dia mandray ho mpanao ratsy izay manitsakitsaka ny zon’olona marefo anankiroa; Ny Kamboty sy ny Vehivavy”. [Ahmad, AnNasai, Ibnou Majah, @Sahih Al-Jami’:2447].

 

 

WWW.ISLAMLAND.COM

[email protected]