NY FOMBA FANAOVAN'NY MPAMINANY SWALAT

 

 

 

NY FOMBA FANAOVAN'NY MPAMINANY r SWALAT

 

 

Nosoratan'i SHEIKH:

'ABDOL'AZIZ IBN BAZ r

Sy Ny Fomba Fanaovana Wozo

 

 

NANDIKA AMIN'NY TENY MALAGASY

MANAGNA Zakaria

Famerenana

Sheikh: ABDALLAH Said Moussa

Sheikh: DJAMILDINE Samsoudine

FANOROAM-PEJY

LOHATENY

PEJY

TENY FANOLORANA

4

FAMPIDIRANA

6

FOMBA FANAOVANA WOZO

7

FOMBA FANAOVANA SWALAT

11

RAHA TOA KA ROA FOTSINY NY RAK'AH

26

RAHA TOA KA MISY RAK'AH TELO NA EFATRA

31

IREO ZAVATRA TSARA TENENINA AORIAN'NY SWALAT

34

IREO SWALAT SONNAT

39

ANISAN'IREO HADISOANA MARO MPANAO AMIN'NY SWALAT

43

 

Sul: orizontal: بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ
TENY FANOLORANA
Fiderana feno ho an'ny Tompo Allah, ary tsodrano sy fiadanana anie ho an'ny mpaminanintsika Mohammad r, ary ho an'ireo fianakaviany sy ireo mpanara-dia azy.
Iaraha-malala fa ny Swalat dia manana toerana lehibe tokoa amin'ny finoana Islamo. Ny Swalat tokoa mantsy no andry lehibe indrindra iorenan'ny finoana Islamo aorian'ny Shahàdatain, ary izany no hotsaraina voalohany amin'ireo asan'ny mpanompo amin'ny Andro farany, ka izay nanao an'izany araka ny tokony ho izy dia ho sambatra, fa izay nanao tsirambina an'izany kosa dia ho maty antoka tanteraka.
Ny fanaovana Swalat araka ny tokony ho izy dia ny fanaovana an'izany amin'ny fo madio ho an'i Allah ary mifanaraka amin'ny sori-dalan'ny Mpaminany r.
Miteny ny Mpaminany r manao hoe:
«صَلُّوا كَمَا رَأَيْتُمُونِي أُصَلِّي» رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ.

 

 

 

 

 

 

!

"Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana"

 

 

 

Ny fiderana feno dia ho an'i Allah irery ihany, ary tsodrano sy fiadanana anie ho amin'ilay mpanompony sy Irany, ny Mpaminanintsika Mohammad r, ary ho amin'ireo fianakaviany sy ireo mpanara-dia azy.

Indro teny fohy, manazava ny fomba fanaovan'ny Mpaminany r Swalat; atolotro ho an'ny mpino Islamo rehetra, lahy sy vavy, mba hahatonga an'izay rehetra mamaky azy ity hiezaka haka tahaka azy r amin'izany, araka ny teniny manao hoe:

, رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ."صَلُّوا كَمَا رَأَيْتُمُونِي أُصَلِّي"

"Ataovinareo tahaka ny nahitanareo ahy nanao azy ny Swalat". Notaterin'i Al-bokhàri.

Ka indro ny fanazavana an'izany ry mpamaky hajaina:

 

Izany hoe atao araka ny nanirahan'i Allah azy, ho fanarahana ny teniny manao hoe:

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا قُمۡتُمۡ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ فَٱغۡسِلُواْ
وُجُوهَكُمۡ وَأَيۡدِيَكُمۡ إِلَى ٱلۡمَرَافِقِ وَٱمۡسَحُواْ بِرُءُوسِكُمۡ
وَأَرۡجُلَكُمۡ إِلَى ٱلۡكَعۡبَيۡنِۚ
المائدة: ٦

"Ô ianareo izay nino! Rehefa mitsangana hanatanteraka ny Swalat ianareo, dia sasao ny tarehinareo, sy ny tananareo hatreo amin’ny kiho (izay anatiny), ary safoy (amin’ny tanana lena) ny lohanareo, ary sasao ny tongotrareo hatreo amin’ny kitrokely (izay anatiny)"[5:6].

Ary ho fanarahana ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"لَا تُقْبَلُ صَلَاةٌ بِغَيْرِ طَهُورٍ"

"Tsy ekena ny Swalat natao tsy amin'ny fahadiovana"([1]).

ARY OHATRA IZAO NY FANAOVANA WOZO:

  1. Manao fikasana amin'ny fo hoe hanao Wozo, tsy ilaina tononina amin'ny vava ny fikasana, satria ny Mpaminany r dia tsy mbola nanonona ny fikasana tamin'ny vava mihitsy, na tamin'ny Wozo izany, na tamin'ny Swalat, na koa tamin'ireo fanompoana rehetra izay nataony. Ary satria Allah mahafantatra an'izay ao am-po, ka tsy ilaina intsony ny hanambarana an'izany.

 

  1. Avy eo miteny hoe:

"بِسْمِ اللَّهِ"

"Bismillàh"

"Amin'ny anaran'i Allah".

  1. Avy eo sasana intelo ny tanana roa (hatreo amin'ny tendron'ny rantsantanana ka hatramin'ny hatotanana).

 

  1. Avy eo mihomokomoka (manontsam-bava) sy manasa anatin'ny orona amin'ny rano, izay atao intelo.

Ary aisina amin'ny tanan-kavia (ny rano avy amin'ny orona).

 

  1. Avy eo sasana intelo ny tarehy, avy amin'ny sofina iray ka hatramin'ny sofina ilany ny velarany, ary avy amin'ny toerana fitsirian'ny volon-doha ka hatrany ambanin'ny somotra (saoka) ny halavany.

 

  1. Avy eo sasana intelo ny tanana roa, avy amin'ny tendron'ny rantsantanana ka hatramin'ny kiho (izay tafiditra anatiny). Atomboka amin'ny ilany havanana aloha izay vao ny ilany havia.



 

  • Avy eo safoina ny loha, indray mandeha; ka lemana ny tanana roa, dia miaraka akorisa amin'ny loha, manomboka eo anoloana ka hatrany amin'ny farany, dia averina mankeo anoloana indray.



 

  • Avy eo safoina ny sofina roa, indray mandeha; ka ampidirina amin'ireo lavatsofina avy ny fanondro roa (tondro), ary safoina amin'ny ankibe (tondrobe) ny ivelan'ny sofina.

 

  • Avy eo sasana intelo ny tongotra, avy amin'ny tendron'ireo rantsantongotra ka hatramin'ny kitrokely (izay tafiditra anatiny). Atomboka amin'ny ilany havanana aloha izay vao ny ilany havia.

 

 

Miteny ny Mpaminany r manao hoe:

"مَا مِنْكُمْ مِنْ أَحَدٍ يَتَوَضَّأُ فَيُسْبِغُ الوُضُوءَ ثُمَّ يَقُولُ: أَشْهَدُ أَن لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّداً عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ, إِلَّا فُتِحَتْ لَهُ أَبْوَابُ الْجَنَّةِ الثَّمَانِيَةُ, يَدْخُلُ مِنْ أَيِّهَا شَاءَ", رَوَاهُ مُسْلِمٌ.

"Ash-hado an-là ilàha illal-làho wahdahò là sharìka lahò wa ash-hado anna mohammadan 'abdohò wa rasòloh"

"Tsy misy iray aminareo manao Wozo, ka ataony tomombana tsara izany, dia miteny izy avy eo hoe:"Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, ary mijoro vavolombelona aho fa i Mohammad dia mpanompony no sady Irany", afa-tsy hoe misokatra ho azy avokoa ireo varavaran'ny Paradisa valo, ka miditra amin'izay tiany idirana amin'izany izy". Notaterin'i Moslimo.

izany hoe ny Ka'bah, amin'ny vatany iray manontolo, n'aiza n'aiza ny toerana misy azy; miaraka amin'ny fikasana amin'ny fony hoe hanao an'ilay Swalat izay mila hataony, na Fardh ([2]) izany na koa Nàfilah([3]). Ary tsy tononina amin'ny vava ny fikasana, satria ny fanononana an'izany amin'ny vava dia tsy azo atao, ary Bid'ah (forona) mihitsy aza izany; satria na ny Mpaminany r, na ireo mpanara-dia azy y, dia samy tsy nanonona ny fikasana avokoa.

Ary asiany zavatra eo anoloany, itodihany amin'ny Swalat, raha Imamo (mpitarika) izy na koa manao Swalat mitokana([4]).

Ary ny fitodihana amin'ny Kiblah dia anisan'ny fepetra takiana amin'ny Swalat (mba hampety an'izany); afa-tsy amin'ny toe-javatra vitsivitsy ihany, izay navahina ka tsy itakiana an'izany; ary izany dia fantatra sy voazava amin'ny bokin'ireo manam-pahaizana.

ka miteny hoe:

"اللَّهُ أَكْبَرُ"

"Allàho akbaro"

"Allah no lehibe indrindra".

Ary ny masony dia (miondrika) mijery eo amin'ny toerana anaovany Sojòd (fiankohofana).

amin'ny fotoana anaovana an'ilay Takbìr, hatreo amin'ny soroka, na koa hatreo amin'ny sofina, ary ny felatanana amin'izany no atodika amin'ny Kiblah.

ka ny (tanana) havanana atao ambonin'ny vohon-tanana havia sy ny hato-tanana ary ny lanton-tanana([5]), araka ny Hadìth marim-pototra manambara ny fanaovan'ny Mpaminany r an'izany([6]).

dia ny fitenenana hoe([7]):

«اللَّهُمَّ بَاعِدْ بَيْنِي وَبَيْنَ خَطَايَايَ كَمَا بَاعَدْتَ بَيْنَ الْمَشْرِقِ وَالْمَغْرِبِ, اللَّهُمَّ نَقِّنِي مِنْ خَطَايَايَ كَمَا يُنَقَّى الثَّوْبُ الْأَبْيَضُ مِنَ الدَّنَسِ, اللَّهُمَّ اغْسِلْنِي مِنْ خَطَايَايَ بِالْمَاءِ وَالثَّلْجِ وَالْبَرَدِ», رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ.

"Allàhomma bà'id bainì wa baina khatwàyàya kamà bà'adta bainal-mashriqi wal-maghribi, allàhomma naqqinì min khatwàyàya kamà yonaqqas-saobol-abyadho minad-danas, allàhommaghsilnì min khatwàyàya bilmà-i was-salji wal-barad"

"O Allah! Alaviro ahy ireo fahotako, tahaka ny nanalaviranao ny atsinanana amin'ny andrefana. O Allah! Diovy amin'ireo fahotako aho, tahaka ny fanadiovana loto amin'ny lamba fotsy. O Allah! Sasao amin'ny rano sy ranomandry ary havandra aho, mba hadio amin'ireo fahotako". Notaterin'i Al-bokhàri.

Ary raha tiana, dia azo atao ny miteny eo amin'ny toeran'izany hoe:

«سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ وَبِحَمْدِكَ وَتَبَارَكَ اسْمُكَ وَتَعَالَى جَدُّكَ وَلَا إِلَهَ غَيْرُكَ»

"Sobhànakal-làhomma wa bihamdika wa tabàrakas-moka wa ta'àlà jaddoka wa là ilàha ghairoka"

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, mba ho fiderana Anao. Feno hasoavana tokoa ny anaranao, ary avo sy ambony ny haja amam-boninahitrao. Ary tsy misy tompo mendrika hotompoina marina ankoatra Anao".

Ary raha miteny ankoatra an'ireo, amin'ireo Doah fanokafana izay marim-pototra fa nataon'ny Mpaminany r dia tsy maninona. Ary tena tsara raha manao an'io indraindray, dia manao an'ity koa indraindray; satria izany no tena fanarahana ny sori-dalan'ny Mpaminany r.

Avy eo miteny hoe:

أَعُوذُ بِاللَّهِ مِنَ الشَّيْطَانِ الرَّجِيمِ" "

"A'òzo billàhi minash-shaitwànir-rajìm"

"Mangata-piarovana amin'i Allah aho, mba tsy ho azon'ny satana ilay voaozona".

"بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ"

"Bismillàhir-rahmànir-rahìm"

"Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana".

Dia mamaky Sorat Al-fàtihah avy eo, noho ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"لَا صَلَاةَ لِمَنْ لَمْ يَقْرَأْ بِفَاتِحَةِ الْكِتَابِ"

"Tsy mety ny Swalat an'olona tsy mamaky Sorat Al-fàtihah".

Aorian'izany dia miteny hoe "آمِين" "Àmìn" {O Allah! Mba valio ny fangatahako}, amin'ny feo avo raha amin'ny Swalat famoahana feo, ary tsy am-peo kosa raha amin'ny Swalat tsy amoaham-peo.

Avy eo mamaky izay (Sorat na andininy) afaka vakiana (hay vakiana) amin'ny Kor'any.

Ary ny tena tsara vakiana aorian'ny Sorat Al-fàtihah, amin'ny Zohr sy 'Asr ary 'Ishà dia ireo antonony halavana amin'ny Al-mofaswal([8]), ary amin'ireo lava kosa amin'ny Swalat Fajr; fa amin'ny Maghrib kosa dia indraindray amin'ny lava, ary indraindray amin'ny fohy, mba ho fanarahana an'ireo Hadìth voalaza momba an'izany.

miaraka amin'ny fanaovana Takbìr sy fampiakarana ny tanana roa hatreo amin'ny soroka na sofina, (ka rehefa tafaondrika) dia ampifanitsiana amin'ny lamosina ny loha, ary apetraka eo amin'ny lohalika ny tanana, ka velarina ireo rantsantanana amin'izany.

Ary maka fahatoniana tsara eo am-piondrehana, dia miteny hoe:

"سُبْحَانَ رَبِّيَ الْعَظِيم"

"Sobhàna rabbiyal-'azwìm"

"Lavitra amin'ny tsy fahalavorariana ny Tompoko, ilay Lehibe indrindra".

Ary tena tsara raha averina intelo na mihoatra izany.

Ary tsara raha tenenina miaraka amin'izany ny hoe:

"سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ رَبَّنَا وَبِحَمْدِكَ, اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي"

"Sobhànakal-làhomma rabbanà wa bihamdika, allàhommaghfir lì"

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, ry Tomponay, mba ho fiderana Anao. O Allah! Avelao ny heloko!".


miaraka amin'ny fampiakarana ny tanana roa hatreo amin'ny soroka na sofina no sady miteny hoe:

"سَمِعَ اللَّهُ لِمَنْ حَمِدَهُ"

"Sami'al-làho liman hamidah"

"Allah anie handray ny fideran'izay midera Azy", raha Imamo na koa manao Swalat mitokana.

Ary rehefa tafiarina tsara (tafatsangana) dia miteny hoe:

"رَبَّنَا وَلَكَ الْحَمْدُ حَمْداً كَثِيراً طَيِّباً مُبَارَكاً فِيهِ مِلْءَ السَّمَاوَاتِ وَمِلْءَ الْأَرْضِ وَمِلْءَ مَا بَيْنَهُمَا وَمِلْءَ مَا شِئْتَ مِنْ شَيْءٍ بَعْدُ"

"Rabbanà wa lakal-hamdo, hamdan kasìran twayyiban mobàrakan fihi, mil-as-samàwàti wa mil-al-ardwi wa mil-a mà bainahomà wa mil-a mà shi-ta min shai-in ba'do"

"Ry Tomponay ô! Ho Anao ny fiderana; fiderana betsaka sy madio ary feno hasoavana, izay mameno an'ireo lanitra sy mameno ny tany ary mameno an'izay anelanelan'izy roa, ary mameno an'izay zavatra tianao ankoatra an'ireo".

Fa raha manao Swalat afaran'ny Imamo kosa dia izao no tenenina rehefa miangana avy amin'ny fiondrehana:

"رَبَّنَا وَلَكَ الْحَمْدُ"

"Rabbanà wa lakal-hamdo"

"Ry Tomponay ô! Ho Anao ny fiderana", hatramin'ny faran'ilay voalaza tetsy ambony.

Ary tsara raha ampian'izy ireo an'izao izany, izany hoe ny Imamo sy ny manaraka azy ary koa ny olona manao Swalat mitokana, satria voambara amin'ny tatitra marim-pototra avy tamin'ny Mpaminany r izany, dia ny fitenenana hoe:

"أَهْلُ الثَّنَاءِ وَالْمَجْدِ أَحَقُّ مَا قَالَ الْعَبْدُ وَكُلُّنَا لَكَ عَبْدٌ, اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أَعْطَيْتَ وَلَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ وَلَا يَنْفَعُ ذَا الْجَدِّ مِنْكَ الْجَدُّ"

"Ahlos-sanà-i wal-majdi, ahaqqo mà qàlal-'abdo, wa kollonà laka 'abdon, allàhomma là màni'a limà a'twaita wa là mo'twiya limà mana'ta, wa là yanfa'o zal-jaddi minkal-jaddo"

"(Ianao) Ilay mendri-piderana sy heni-kaja amam-boninahitra! Izany no marina indrindra amin'izay lazain'ny mpanompo, ary mpanomponao avokoa izahay rehetra. O Allah! Tsy misy afaka manakana ny fanomezanao, ary tsy misy afaka manome an'izay nosakananao, ary tsy mahasoa ny mpanana akory ny fananany eo anatrehanao (raha tsy nataonao mahasoa Azy izany ary nankato Anao izy)".

Ary tsara raha izy rehetra (ny Imamo sy ny manaraka azy ary ny olona manao Swalat mitokana) samy mametraka (indray) ny tanana roa eo amin'ny tratra, ohatra ny natao nandritry ny fitsanganana talohan'ny fiondrehana; noho ny fisian'ny Hadìth marim-pototra manambara ny fanaovan'ny Mpaminany r an'izany, dia ny Hadìth nolazain'i Wà-il ibn Hojr sy Sahl ibn Sa'd k.

miaraka amin'ny fanaovana Takbìr, ary ny lohalika aloha no arapaka amin'ny tany izay vao ny tanana, raha tsy manahirana izany, fa raha manahirana kosa dia alefa aloha ny tanana izay vao arapaka ny lohalika. Ary atao mitodika amin'ny Kiblah ireo rantsantanana sy rantsantongotra, ka atao mifampipetaka tsara ireo rantsantanana no sady vavarina tsara. Dia miondrika amin'ireo rantsambatana fito: ny handrina (lahara) miaraka amin'ny orona, sy ny tanana roa (felatanana), sy ny lohalika roa, ary ny atin'ireo rantsantongotra (ny ilany ambany). Dia miteny hoe:

"سُبْحَانَ رَبِّيَ الْأَعْلَى"

"Sobhàna rabbiyal-a'là"

"Lavitra amin'ny tsy fahalavorariana ny Tompoko, ilay Avo indrindra".

Tsara raha averimberina intelo na mihoatra izany.

Ary tsara raha tenenina miaraka amin'izany ny hoe:

"سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ رَبَّنَا وَبِحَمْدِكَ, اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي"

"Sobhànakal-làhomma rabbanà wa bihamdika, allàhommaghfir lì"

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, ry Tomponay, mba ho fiderana Anao. O Allah! Avelao ny heloko!".

     Ary tokony manao Doah maro (eo am-piankohofana), araka ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"أَمَّا الرُّكُوعُ فَعَظِّمُوا فِيهِ الرَّبَّ, وَأَمَّا السُّجُودُ فَاجْتَهِدُوا فِي الدُّعَاءِ فَقَمِنٌ أَنْ يُسْتَجَابَ لَكُمْ"

"Amin'ny fiondrehana dia ny fanamboniana ny Tompo no ataovinareo, fa amin'ny fiankohofana kosa dia miezaha manao Doah ianareo, satria misy anjara hivaly kokoa ny hatakareo amin'izany".

Ka mangataka amin'ny Tompo Allah, mba hahazo ny tsara eto an-tany sy any ankoatra, na Fardh ilay Swalat na koa Nàfilah.

Ary mandritry ny fiankohofana dia ampihatahina tsara ny ilam-batana sy ny sandry, ary ny kibo sy ny fe, ary ny fe sy ny ranjo, ary ampiakarina tsy hipaka amin'ny tany ny sandrin-tanana([9]), araka ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"اِعْتَدِلُوا فِي السُّجُودِ وَلَا يَبْسُطْ أَحَدُكُمْ ذِرَاعَيْهِ انْبِسَاطَ الْكَلْبِ"

"Ataovinareo amin'ny endrika tsara ny fiankohofana, ka aoka ny anankiray aminareo tsy hamavatra ny sandrin-tanany amin'ny tany toy ny fanaon'ny alika".

miaraka amin'ny fanaovana Takbìr, ary atsibatana miditra mankany anatiny ny tongotra havia, dia ambonin'izany no ipetrahana, fa ny tongotra havanana kosa dia atsangana([10]). Ary apetraka eo ambonin'ny fe sy lohalika ny tanana roa, dia miteny hoe:

"رَبِّ اغْفِرْ لِي وَارْحَمْنِي وَاهْدِنِي وَارْزُقْنِي وَعَافِنِي وَاجْبُرْنِي"

"Rabbighfirlì warhamnì wahdinì warzoqnì wa 'àfinì wajbornì"

"Tompo ô! Omeo famelan-keloka sy indrafo sy fahitsiana sy anjara fivelomana sy fahasalamana ary fankaherezana aho".

Ary atao am-pahatoniana tsara izany fipetrahana izany([11]).


miaraka amin'ny fanaovana Takbìr. Ary mitovy amin'ny natao tamin'ny fiankohofana voalohany ihany ny atao amin'izany.

miaraka amin'ny fanaovana Takbìr, dia asiana fipetrahana kely, izay mitovy endrika amin'ilay fipetrahana teo anelanelan'ireo fiankohofana roa (saingy tsy maharitra), ary izany dia antsoina hoe "جَلْسَةُ الاِسْتِرَاحَة" "Jalsatol-istiràhah" (fipetrahana fakana aina), izay tsara raha atao, fa raha tsy atao kosa dia tsy maninona, ary tsy misy Zikr([12]) na Doah atao amin'izany.

Avy eo mitsangana mahitsy ho amin'ny Rak'ah([13]) faharoa, ka ny lohalika no atao manosika hitsangana, raha tsy mampaninona izany, fa raha manahirana kosa dia atao amin'ny tany ny tanana mba hanosehana ny vatana hitsangana.

Avy eo mamaky Sorat Al-fàtihah, sy izay (Sorat na andininy) vitany vakiana amin'ny Kor'any aorian'ny Sorat Al-fàtihah.

Avy eo manao ohatra ny natao tamin'ny Rak'ah voalohany([14]).

 

 


toy ny Swalat Fajr sy Jom'ah ary ireo Swalat Idd roa, dia mipetraka rehefa avy miangana amin'ny fiankohofana faharoa (amin'ny Rak'ah faharoa), ka atsangana ny tongotra havanana, ary atsibatana miditra mankany anatiny ny tongotra havia (izay sady ipetrahana), dia apetraka eo ambonin'ny fe havanana ny tanana havanana, dia aforitra avokoa ireo rantsantanana rehetra afa-tsy ny fanondro ihany, ka atao manondro aloha izany, entina manondro ny Tawhid([15]).

Ary raha aforitra ny ankikely sy ny manarapoana([16]) amin'ny tanana havanana, ary atao boribory kosa ny ankibe miaraka amin'ny fanondroadala, ka manondro amin'ny fanondro, dia mety ihany koa; satria samy voalaza amin'ny tatitra marim-pototra avy amin'ny Mpaminany r ireo endrika roa ireo.

Ary tena tsara raha atao ity indraindray, dia atao koa ito indraindray.

Ny tanana havia indray dia atao eo ambonin'ny fe havia sy ny lohalika.

Avy eo, amin'izany fipetrahana izany, dia vakiana ny At-tashahhod, ary izany dia:

"التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ, السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ, السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللَّهِ الصَّالِحِينَ, أَشْهَدُ أَن لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّداً عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ"

"At-tahiyyàto lillàhi was-swalawàto wat-twayyibàto, as-salàmo 'alaika ayyohan-nabiyyo wa rahmatollàhi wa barakàtoho, as-salàmo 'alainà wa 'alà 'ibàdil-làhis-swàlihìna, ash-hado an-là ilàha illal-làho wa ash-hado anna mohammadan 'abdohò wa rasòloho"

"Ireo fiarahabana (mifono fanamboniana) dia ho an'i Allah sy ireo fivavahana ary ireo asa soa. Ny fiadanana anie ho aminao ry Mpaminany, sy ny indrafon'i Allah ary ny fahasoavany. Ny fiadanana anie ho aminay sy ho an'ireo mpanompon'i Allah izay tsara. Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ary mijoro vavolombelona koa aho fa i Mohammad dia mpanompony no sady Irany"

Aorian'izany dia miteny hoe:

"اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ كَمَا صَلَّيْتَ عَلَى إِبْرَاهِيمَ وَآلَ إِبْرَاهِيمَ إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ, وَبَارِكْ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ كَمَا بَارَكْتَ عَلَى إِبْرَاهِيمَ وَآلِ إِبْرَاهِيمَ إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ"

"Allàhomma swalli 'alà mohammadin wa 'alà àli mohammadin kamà swallaita 'alà ibràhìma wa àli ibràhìma innaka hamìdon majìd, wa bàrik 'alà mohammadin wa 'alà àli mohammadin kamà bàrakta 'alà ibràhìma wa àli ibràhìma innaka hamìdon majìd

"O Allah! Omeo tsodrano i Mohammad sy ireo fianakavian'i Mohammad, tahaka ny nanomezanao tsodrano an'i Ibrahim sy ireo fianakavian'i Ibrahim. Ianao dia tena mendri-piderana sy heni-kaja tokoa. Ary omeo fahasoavana i Mohammad sy ireo fianakavian'i Mohammad, tahaka ny nanomezanao fahasoavana an'i Ibrahim sy ireo fianakavian'i Ibrahim. Ianao dia tena mendri-piderana sy heni-kaja tokoa".

Ary aorian'izany dia manao fangataham-piarovana amin'i Allah mba tsy ho azon'ny zavatra efatra, ka miteny hoe:

"اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ عَذَابِ جَهَنَّمَ وَمِنْ عَذَابِ الْقَبْرِ وَمِنْ فِتْنَةِ الْمَحْيَا وَالْمَمَاتِ وَمِنْ فِتْنَةِ الْمَسِيحِ الدَّجَّالِ"

"Allàhomma innì a'òzo bika min 'azàbi jahannama wa min 'azàbil-qabr, wa min fitnatil-mahyà wal-mamàti, wa min fitnatil-masìhid-dajjàl"

"O Allah! Mangata-piarovana aminao aho mba tsy ho azon'ny sazin'ny Afobe, sy ny sazin'ny fasana, sy ny fakam-panahin'ny (fitsapan'ny) fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fakam-panahin'ny (fitsapan'ny) Dajjal".

Aorian'izany dia mangataka an'izay tiana angatahina, amin'izay mahasoa amin'ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra. Ary raha mangataka ho an'ireo ray aman-dreny, na olona hafa ankoatra azy ireo amin'ireo mpino Islamo, dia tsy maninona izany, na Fardh ilay Swalat na koa Nàfilah, satria amin'ny ankapobeny ny filazan'ny Mpaminany r an'izany, amin'ny Hadìth notaterin'i Ibn Mas'òd t, rehefa nampianatra azy ny fomba fanaovana At-tashahhod ny Mpaminany r, dia hoy izy taminy hoe:

"ثُمَّ ليَتَخَيَّرْ مِنَ الدُّعَاءِ أَعْجَبَهُ إِلَيْهِ فَيَدْعُو"

"Avy eo, aoka izy hisafidy an'izay Doah tiany, mba hanaovany ny fangatahany".

Amin'ny filazana hafa, dia hoy izy hoe:

"لِيَخْتَرْ مِنَ الْمَسْأَلَةِ مَا شَاءَ"

"Aoka izy hisafidy fangatahana izay tiany (angatahina)".

Ka tafiditra amin'izany avokoa ireo zavatra rehetra mahasoa ny mpanompo amin'ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra. 

Avy eo dia manao Salàm (miaraka amin'ny fanodinana loha) havanana sy havia ka miteny hoe:

"السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ... السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّه"

"As-salàmo 'alaikom wa rahmatollàh…as-salàmo 'alaikom wa rahmatollàh"


"Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny indrafon'i Allah (havanana)…Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny indrafon'i Allah (havia)".

toy ny Maghrib, na koa misy Rak'ah efatra, toy ny Zohr sy 'Asr ary 'Ishà, dia vakiana ny At-tashahhod([17]) izay voalaza teo aloha, miaraka amin'ny "r الصَّلَاةُ عَلَى النَّبِيِّ" "As-swalàto 'alàn-nabiyyi" (Fandefasana tsodrano amin'ny Mpaminany)([18]).

Aorian'izany dia mitsangana mahitsy, ka ny lohalika no itambesarana (eo am-pitsanganana, raha tsy manahirana), dia ampiakarina hatreo amin'ny soroka na sofina ny tanana roa (rehefa tafatsangana), miaraka amin'ny fitenenana hoe:

"اللَّهُ أَكْبَرُ"

"Allàho akbaro"

"Allah no lehibe indrindra".

Dia apetraka eo amin'ny tratra ny tanana roa, tahaky ny efa voalaza tany aloha.

Dia Sorat Al-fàtihah fotsiny no vakiana.

Ary indraindray, amin'ny Rak'ah fahatelo sy fahefatra amin'ny Swalat Zohr, raha mamaky Sorat na andininy hafa aorian'ny Sorat Al-fatihah, dia tsy maninona; satria misy Hadìth marim-pototra manambara ny fanaovan'ny Mpaminany r an'izany (indraindray), dia ny Hadìth notaterin'i Abò Sa'ìd t.

Avy eo manao At-tashahhod, aorian'ilay (Rak'ah) fahatelo amin'ny Maghrib, ary aorian'ilay (Rak'ah) fahefatra kosa amin'ny Zohr sy 'Asr ary 'Ishà([19]), ohatra ny efa voalaza tetsy ambony, tamin'ny Swalat misy Rak'ah roa([20]).

     Avy eo manao Salàm (miaraka amin'ny fampitodihana loha) havanana sy havia([21]).

Avy eo manao Istighfàr([22]) intelo, ka miteny hoe:

"أَسْتَغْفِرُ اللَّه"

"Astaghfirollàh"

"Mangataka famelan-keloka amin'i Allah aho".

Avy eo miteny hoe:

" اللَّهُمَّ أَنْتَ السَّلَامُ وَمِنْكَ السَّلَامُ تَبَارَكْتَ يَا ذَا الْجَلَالِ وَالْإِكْرَامِ"

"Allàhomma antas-salàmo wa minkas-salàmo, tabàrakta yà zal-jalàli wal-ikràm"

"O Allah! Ianao no As-salàm([23]), ary ny fiadanana dia avy Aminao. Feno fahasoavana Ianao ry Tompon'ny fahamboniana sy ny fanomezan-tsoa".

Izany dia alohan'ny fitodihana miatrika an'ireo olona notarihina, raha Imamo ilay olona (fa ankoatran'ny Imamo dia eo amin'ny toerany eo ihany).

Avy eo miteny hoe:

"لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ, لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ, اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أَعْطَيْتَ وَلَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ وَلَا يَنْفَعُ ذَا الْجَدِّ مِنْكَ الْجَدُّ, لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ, لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَلَا نَعْبُدُ إِلَّا إِيَّاهُ لَهُ النِّعْمَةُ وَلَهُ الْفَضْلُ وَلَهُ الثَّنَاءُ الْحَسَنُ لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ"

"Là ilàha illal-làho wahdahò là sharìka lahò, lahol-molko wa lahol-hamdo wa howa 'alà kolli shai-in qadìr, allàhomma là màni'a limà a'twaita wa là mo'twiya limà mana'ta, wa là yanfa'o zal-jaddi minkal-jaddo, là haola wa là qowwata illà billàhi, là ilàha illal-làho wa là na'bodo illà iyyàho, lahon-ni'mato wa lahol-fadhlo wa lahos-sanà-ol-hasano, là ilàha illal-làho mokhliswìna lahod-dìna wa lao karihal-kàfiròna"

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, Azy ny fanjakana sy ny fiderana, ary Izy dia mahefa ny zavatra rehetra. O Allah! Tsy misy afaka manakana ny fanomezanao, ary tsy misy afaka manome an'izay nosakananao, ary tsy mahasoa ny mpanana akory ny fananany eo anatrehanao (raha tsy nataonao mahasoa Azy izany ary nankato Anao izy). Tsy misy fahefana, ary tsy misy hery afa-tsy avy amin'i Allah. Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ary izahay tsy manompo afa-tsy Izy irery ihany. Azy avokoa ny hatsarana sy ny fahasoavana, ary Azy ny laza tsara. Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ka ho Azy irery ihany no anaovanay ny fanompoam-pivavahanay rehetra, na dia halan'ireo mpikomy aza izany".

Avy eo manao Tasbìh([24]) intelo amby telopolo, ary toraka izany ny Tahmìd([25]), ary toraka izany ihany koa ny Takbìr. (ka tenenina intelo amby telopolo avy ireto manaraka ireto:

"سُبْحَانَ اللَّهِ... الْحَمْدُ لِلَّهِ... اللَّهُ أَكْبَرُ"

"Sobhànallah…Alhamdolillah…Allàho akbaro"

"Madio Allah amin'ny tsy fahalavorariana…Ny fiderana feno ho an'i Allah…Allah no lehibe indrindra".)

Avy eo, ho famenoana an'izany zato, dia miteny hoe:

" لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ, لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ"

"Là ilàha illal-làho wahdahò là sharìka lah, lahol-molko wa lahol-hamdo wa howa 'alà kolli shai-in qadìr"

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, Azy ny fanjakana sy ny fiderana, ary Izy dia mahefa ny zavatra rehetra".

Ary mamaky Ãyatol-korsì([26]), sy Sorat Al-ikhlàs (faha-112) "قُلْ هُوَ اللَّهُ أَحَد", sy Sorat Al-falaq (faha-113) "قُلْ أَعُوذُ بِرَبِّ الْفَلَق", ary Sorat An-nàs (faha-114) "قُلْ أَعُوذُ بِرَبِّ النَّاس" (vakiana hatramin'ny farany), isaky ny vita Swalat. Ary tsara raha averina intelo avy ireo Sorat telo ireo, aorian'ny Swalat Fajr sy Swalat Maghrib, noho ny fisian'ireo Hadìth manambara an'izany avy tamin'ny Mpaminany r. Ireo Zikr rehetra ireo dia Sonnat avokoa fa tsy adidy akory.

    

Ary tsara ho an'ny mpino Islamo rehetra, lahy sy vavy, ny manao Swalat Rak'ah efatra alohan'ny Swalat Zohr, ary roa aoriany, ary manao Swalat Rak'ah roa aorian'ny Swalat Maghrib sy aorian'ny Swalat 'Ishà, ary Rak'ah roa alohan'ny Swalat Fajr; ka roa ambin'ny folo ny fitambaran'izany. Ireny Swalat Sonnat rehetra ireny dia antsoina hoe "الرَّوَاتِب" "Ar-rawàtib" (ireo Sonnat fanao tsy tapaka); satria nanao an'izany hatrany ny Mpaminany r amin'ny fotoana izy eo an-tanana, fa navelany kosa izany rehefa amin'ny dìa izy, afa-tsy ilay Sonnat alohan'ny Swalat Fajr sy ny Witr([27]); satria ny Mpaminany r dia nanao azy roa ireo hatrany, na an-tanana, na koa amin'ny dìa.

Ary amin'ny trano no tena tsara anaovana an'ireo Sonnat Ar-rawàtib ireo sy ny Swalat Witr; na dia izany aza tsy maninona ny fanaovana azy amin'ny Masjid, izany dia araka ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"أَفْضَلُ صَلَاةِ الْمَرْءِ فِي بَيْتِهِ إِلَّا الْمَكْتُوبَة"

"Ny tena tsara amin'ny Swalat izay ataon'olona iray dia izay ataony amin'ny tranony, afa-tsy ireo Swalat voadidy (ireo Swalat dimy)".

Ary ny fanaovana tsy tapaka an'ireo Sonnat Ar-rawàtib ireo dia anisan'ny antony idirana amin'ny Paradisa, araka ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"مَنْ صَلَّى اثْنَتَيْ عَشْرَةَ رَكْعَةً فِي يَوْمِهِ وَلَيْلَتِهِ تَطَوُّعاً بَنَى اللَّهُ لَهُ بَيْتاً فِي الْجَنَّةِ", رَوَاهُ مُسْلِمٌ فِي صَحِيحِهِ.

"Izay manao Swalat roa ambin'ny folo Rak'ah, amin'ny androny sy ny aliny, (fanampiny) ankoatra ireo Swalat (dimy) voadidy, dia anorenan'i Allah trano izy ao amin'ny Paradisa". Notaterin'i Moslimo ao amin'ny bokiny (Swahìh Moslim)([28]).

Ary raha manao Swalat Rak'ah efatra alohan'ny Swalat 'Asr, roa alohan'ny Swalat Maghrib, ary roa alohan'ny Swalat 'Ishà, dia tsara ihany koa; satria misy Hadìth marim-pototra avy tamin'ny Mpaminany r manambara an'izany([29]).

Allah no mpanome ny fahitsiana. Ary tsodranon'i Allah sy ny fiadanany anie ho amin'ny Mpaminanintsika Mohammad ibn Abdillah, ary ho amin'ireo fianakaviany sy ireo mpanara-dia azy ary ireo izay nanaraka azy amin'ny fomba tsara hatramin'ny Andron'ny fitsarana.

([1]) Ary ny teniny r tamin'ilay olona tsy nahay nanao Swalat hoe:

                      "إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلَاةِ فَأَسْبِغِ الْوُضُوءَ".

"Rehefa mitsangana hanatanteraka ny Swalat ianao dia ataovy tomombana tsara ny Wozo…".

([2]) Fardh: Swalat voadidy, dia ireo Swalat dimy fanao andavanandro.

([3]) Nàfilah amin'ny Swalat dia: ny Swalat tsara atao, saingy tsy voatery ny fanaovana azy, ka tsy ahazoam-pahotana ny fametrahana azy.

([4]) Satria naniraka amin'izany ny Mpaminany r.

([5]) Rantsam-batana hatreo amin'ny kiho ka hatramin'ny hato-tanana.

([6]) Amin'ny Hadìth notaterin'i Wà-il ibn Hojr sy Qabìswah ibn Hobl At-twà-ì avy tamin-drainy k.

([7]) Sonnat: Tsara raha atao, izany hoe mahatomombana ny Swalat kokoa ny fanaovana azy ary ahazoana valisoa, saingy tsy voatery.

([8]) Al-mofaswal dia: ireo Sorat manomboka amin'ny Sorat Qaf (faha-50) ka hatramin'ny faran'ny Kor'any.

Ny lava amin'izany dia: Sorat Qàf (faha-50) ka hatramin'ny Sorat Al-morsalàty (faha-77).

Ny antonona halavana dia: Sorat An-naba (faha-78) ka hatramin'ny Sorat Al-lail (92).

Ny fohy amin'izany dia: Sorat Ad-dhohà (faha-93) ka hatramin'ny Sorat An-nàs (faha-114).

([9]) Sandrin-tanana: hatreo amin'ny kiho ka hatramin'ny hato-tanana.

([10]) Izany fipetraka izany no antsoina hoe Iftiràsh, izay toy izao: fipetrahana ambonin'ny tongotra havia, ny kitrokelin'ny tongotra havia atao ambany ary ireo rantsantongotra atao miditra anatiny mitodika mankany an-kavanana, ary ny tongotra havanana kosa dia tsy ipetrahana fa atao mitsangana amin'ny rantsantongotra havanana, ary ireo rantsantongotra havanana ireo dia atao miforitra mitodika mankany aloha amin'ny fitodihan'ny Kiblah

([11]) Hany ka mahazo ny toerany tsara ireo taolana sy rantsambatana= =rehetra, ohatra ny tamin'ny fitsanganana taorian'ny fiondrehana; satria ny Mpaminany r dia manisy fijanonana maharitra amin'ny fitsanganany aorian'ny fiondrehana sy ny fipetrahany eo anelanelan'ireo fiankohofana roa.

([12]) Zikr: fahatsiarovana.

([13]) Rak'ah dia: ny singany na fizarana iray amin'ny Swalat, manomboka amin'ny fitsanganana ka hatramin'ireo fiankohofana. Ohatra: misy Rak'ah efatra amin'ny Swalat Zohr.

([14]) Fanamarihana: tsy azo ataon'olona manao Swalat afaran'ny Imamo ny misongona an'ilay Imamo; satria nampitandrina ny vahoakany tsy hanao an'izany ny Mpaminany r. Ary tsy tsara ihany koa ny manao fihetsika miaraka amin'ny Imamo. Ny tsara atao sy mifanaraka amin'ny sori-dalan'ny Mpaminany r kosa dia ny fanaovana ireo fihetsika rehetra ao anatin'ny Swalat aorian'ny Imamo avy hatrany, tsy atao taraiky fa vao tapitra ny feony (manonona ny Takbìr sns.) dia manaraka azy avy hatrany, araka ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"إِنَّمَا جُعِلَ الإِمَامُ لِيُؤْتَمَّ بِهِ, فَلَا تَخْتَلِفُوا عَلَيْهِ, فَإِذَا كَبَّرَ فَكَبِّرُوا, وَإِذَا رَكَعَ فَارْكَعُوا, وَإِذَا قَالَ سَمِعَ اللَّهُ لِمَنْ حَمِدَهُ فَقُولُوا: رَبَّنَا وَلَكَ الْحَمْدُ, وَإِذَا سَجَدَ فَاسْجُدُوا", مُتَّفَقٌ عَلَيْهِ.

"Ny Imamo dia natao arahina, ka aza mitsipaka azy ianareo (amin'ny fialohavana na koa fahatarana amin'izay ataony). Rehefa avy manao Takbir izy dia manaova Takbir (avy hatrany) ianareo, rehefa miondrika izy dia miondreha, rehefa miteny izy hoe: "Sami'allàho liman hamidah" (Allah anie handray ny fideran'izay midera Azy), dia mitenena (avy hatrany hoe):"Rabbanà wa lakal-hamdo" (Ry Tomponay ô! Ho Anao ny fiderana), ary rehefa miankohoka izy dia miankohofa ianareo". Notaterin'i Al-bokhàri sy Moslimo.

([15]) Tawhìd dia: fanokanana an'i Allah amin'ny maha-Tompo Azy sy amin'ny fanompoana Azy ary amin'ireo anarany sy toetrany.

Ka ny fanaovana ny fanondro manondro aloha amin'io fotoana io dia mba hanondroana indrindra izany fahatokanan'i Allah izany.

([16]) Manarapoana: iantsoana an'ilay rantsantanana eo anelanelan'ny fanondroadala sy ny ankikely.

([17]) At-tashahhod:

"التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ, السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ, السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللَّهِ الصَّالِحِينَ, أَشْهَدُ أَن لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَ أَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّداً عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ"

([18]) Fandefasana tsodrano amin'ny Mpaminany (hatramin'ny farany):

" اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ..."

Fanamarihana: Sonnat ny fanaovana an'izany fa tsy voatery atao akory.

([19]) Ary manao "r الصَّلَاةُ عَلَى النَّبِيِّ" "As-swalàto 'alàn-nabiyyi" (fandefasana tsodrano amin'ny Mpaminany r), dia mangata-piarovana amin'i Allah mba tsy ho voan'ny sazin'ny Afobe sy ny sazin'ny fasana, ary mba tsy ho voan'ny fakam-panahin'ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fakam-panahin'ny Dajjal. Dia manao Doah maro rehefa avy eo; ka anisan'ny Doah azo atao amin'izany fotoana izany, na koa amin'ny fotoana hafa ankoatra izany, ny hoe:

رَبَّنَآ ءَاتِنَا فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗ وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِ حَسَنَةٗ وَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ البقرة: ٢٠١

"Rabbanà àtinà fid-donyà hasanatan wa fil-àkhirati hasanatan wa qinà 'azàban-nàr"

"Ry Tomponay ô! Omeo fahasoavana izahay eto an-tany, ary fahasoavana koa any ankoatra, ary arovy amin'ny sazin'ny Afobe izahay"[2:201].

Izany dia araka ny tenin'i Anas t amin'ny Hadìth marim-pototra hoe:

"كَانَ أَكْثَرُ دُعَاءِ النَّبِيِّ r:"رَبَّنَا آتِنَا فِي الدُّنْيَا حَسَنَةً وَفِي الْآخِرَةِ حَسَنَةً وَقِنَا عَذَابَ النَّارِ"

"Ny Doah faverimberin'ny Mpaminany r betsaka indrindra dia:" Ry Tomponay ô! Omeo fahasoavana izahay eto an-tany, ary fahasoavana koa any ankoatra, ary arovy amin'ny sazin'ny Afobe izahay".

([20]) Saingy ny fipetraka amin'izany dia At-tawarrok, izany hoe: atao ambanin'ny tongotra havanana ny tongotra havia, dia mipetraka amin'ny tany, ary atsangana kosa ny tongotra havanana, araka ny voalaza amin'ny Hadith notaterin'i Abo Homaid.

([21]) Ka miteny hoe:

"السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ...السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّه"

"As-salaamo 'alaikom wa rahmatollah…as-salaamo 'alaikom wa rahmatollah

"Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny indrafon'i Allah.. Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny indrafon'i Allah".

([22]) Istighfàr: fangatahana famelan-keloka amin'i Allah.

([23]) As-salàm: anisany anaran'i Allah, izay midika hoe: ilay tsy manan-kilema no lavitry ny tsy fahalavorariana, na amin'ny Tenany, na amin'ireo Toetrany, na amin'ireo Anarany, na amin'ireo zavatra ataony. Ary ny fiadanana rehetra eto an-tany sy any ankoatra dia avy Aminy avokoa.

([24]) Tasbìh: fanadiovana an'i Allah amin'ny tsy fahalavorariana sy izay rehetra tsy mendrika Azy.

([25]) Tahmìd: fiderana an'i Allah amin'ireo Toetrany izay lavorary avokoa, ary amin'ireo fahasoavany, mibaribary sy miafina, ara-pinoana sy momba ny fiainana.

([26]) Ãyatol-korsì:

ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡحَيُّ ٱلۡقَيُّومُۚ لَا تَأۡخُذُهُۥ سِنَةٞ وَلَا نَوۡمٞۚ لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ مَن ذَا ٱلَّذِي يَشۡفَعُ عِندَهُۥٓ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦۚ يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡۖ وَلَا يُحِيطُونَ بِشَيۡءٖ مِّنۡ عِلۡمِهِۦٓ إِلَّا بِمَا شَآءَۚ وَسِعَ كُرۡسِيُّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۖ وَلَا يَ‍ُٔودُهُۥ حِفۡظُهُمَاۚ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡعَظِيمُ ٢٥٥ البقرة: ٢٥٥

"Allàho là ilàha illà howal-hayyol-qayyòm, là ta-khozohò sinaton wa là naòm, lahò mà fis-samàwàti wa mà fil-ardhi, man zal-lazì yashfa'o 'indahò illà bi-iznihì, ya'lamo mà baina aydìhim wa mà khalfahom, wa là yohìtwòna bishai-in min 'ilmihì illà bimà shà-a, wasi'a korsiyyohòs-samàwàti wal-ardha, wa là ya-òdohò hifzwohomà wa howal'aliyyol'azwìm"

"Allah! Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa- tsy Izy, ilay Velona, ilay Mahavita tena iankinan'ny rehetra. Tsy mba rendremana (mirôzina) Izy ary tsy mba matory. Azy irery ihany izay rehetra amin’ireo lanitra sy izay rehetra amin'ny tany. Iza no manana fahefana hanelanelana eo anatrehany raha tsy mahazo lalana avy Aminy? Fantany avokoa ny ho avy sy ny efa lasa momba azy ireo, ary tsy misy amin'ny fahalalany kosa ka voafehin'izy ireo, afa-tsy izay sitrany ihany. Midadasika mihoatra an'ireo lanitra sy ny tany ny seza fipetrahan'ny Tongony (Al-korsì), ary tsy manahirana Azy na dia kely aza ny fiarovana azy roa ireo (ireo lanitra sy ny tany). Izy ilay Avo indrindra, Ilay feno fahamboniana"[2:255].

([27]) Witr: Swalat fanao amin'ny alina, ka ny fotoana fanaovana azy dia manomboka aorian'ny Swalat 'Ishaa ka hatramin'ny fotoan'ny Swalat Fajr (mialoha ny fidiran'ny oran'ny Swalat Fajr), izay natao hamaranana ny Swalat amin'ny alina, ary tsy adidy akory izany. Ny isan'ny Rak'ah amin'izany dia tsy maintsy isa tsy ankasa (isa tsy azo zaraina roa toy ny: 1, 3, 5).

([28]) Amin'ny Sonan At-tirmizì:

عَنْ أُمِّ حَبِيبَةَ, قَالَتْ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ r: " مَنْ صَلَّى فِي يَوْمٍ وَلَيْلَةٍ ثِنْتَيْ عَشْرَةَ رَكْعَةً بُنِيَ لَهُ بَيْتٌ فِي الْجَنَّةِ: أَرْبَعاً قَبْلَ الظُّهْرِ, وَرَكْعَتَيْنِ بَعْدَهَا, وَرَكْعَتَيْنِ بَعْدَ الْمَغْرِبِ, وَرَكْعَتَيْنِ بَعْدَ الْعِشَاءِ, وَرَكْعَتَيْنِ قَبْلَ صَلَاةِ الْفَجْرِ صَلَاةِ الْغَدَاةِ "

Nilaza Ommo Habìbah i hoe:"Niteny ny Mpaminany r nanao hoe:"Izay nanao Swalat roa ambin'ny folo Rak'ah, amin'ny andro sy alina, dia anorenana trano amin'ny Paradisa izy: efatra alohan'ny Zohr, roa aoriany, roa aorian'ny Maghrib, roa aorian'ny 'Ishà, ary roa alohan'ny Swalat Fajr, Swalat amin'ny maraina".

([29]) Niteny ny Mpaminany manao hoe:

"رَحِمَ اللَّهُ امْرَأً صَلَّى أَرْبَعاً قَبْلَ الْعَصْرِ", رَوَاهُ أَحْمَدُ وَ أَبُو دَاوُدَ وَالتِّرْمِذِيُّ وَحَسَّنَهُ, وَابْنُ خُزَيْمَةَ وَصَحَّحَهُ, وَإِسْنَادُهُ صَحِيحٌ.

"Allah anie hamindra fo amin'izay manao Swalat Rak'ah efatra alohan'ny 'Asr". Notaterin'i: Ahmad, sy Abo Dawod, sy At-tirmizì izay nilaza fa Hadìth Hassan izany (Hadìth to), ary ibn Khozaimah izay nanamafy fa marim-pototra izany; ary voatatitra amin'ny fomba marim-pototra izany.

Ary niteny ny Mpaminany r manao hoe:

"بَيْنَ كُلِّ أَذَانَيْنِ صَلَاةٌ, بَيْنَ كُلِّ أَذَانَيْنِ صَلَاةٌ". ثُمَّ قَالَ فِي الثَّالِثَةِ:"لِمَنْ شَاءَ". رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ.

"Misy Swalat avokoa eo anelanelan'ireo fiantsoana roa (Azan sy Ikamah), misy Swalat avokoa eo anelanelan'ireo fiantsoana roa. Dia hoy izy tamin'ny fanintelony hoe:"Ho an'izay mila (hanao Swalat)". Notaterin'i Al-bokhàri.

Ary raha manao Rak'ah efatra aorian'ny Zohr, ary efatra alohany, dia tsara ihany koa; araka ny tenin'ny Mpaminany r manao hoe:

"مَنْ حَافَظَ عَلَى أَرْبَعِ رَكَعَاتٍ قَبْلَ الظُّهْرِ وَأَرْبَعٍ بَعْدَهَا, حَرَّمَهُ اللَّهُ تَعَالَى عَلَى النَّارِ", رَوَاهُ الْإِمَامُ أَحْمَدُ وَ أَهْلُ السُّنَنِ بِإِسْنَادٍ صَحِيحٍ, عَنْ أُمٍّ حَبِيبَةَ i.

"Izay tsy tapaka manao Rak'ah efatra alohan'ny Zohr, ary efatra aoriany, dia ataon'i Allah fady aminy ny Afobe". Notaterin'i Imamo Ahmad sy ireo tompon'ireo Sonan (Abou Dawod, At-tirmizì, An-nasà-i, ary Ibn Màjah), izay voatatitra amin'ny fomba marim-pototra, avy tamin'i Ommo Habìbah i.

Ary ny dikan'izany dia sosohana Rak'ah roa ny Sonnat Ar-ràtibah (ilay Sonnat voalaza teo aloha atao aorian'ny Zohr); satria ny Sonnat Ar-ràtibah (amin'ny Zohr) dia efatra alohany ary roa aoriany, ka raha ampiana roa aoriany dia efa tanteraka ny voalaza amin'io Habìth io (izany hoe: efatra aorian'ny Zohr).