NY FINOANA SILAMO SY NY ADY AMIN’NY FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA (BILAL BIN RABAH)

NY FINOANA SILAMO SY NY ADY AMIN’NY FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA (BILAL BIN RABAH)

NY FINOANA SILAMO SY NY ADY AMIN’NY FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA
(BILAL BIN RABAH)

الإسلام ومكافحة التمييز العنصري باللغة الملغاشية (المدغشقرية)
قصة الصحابي الجليل بلال بن رباح رضي الله عنه

Abd Ar-Rahmân bin Abd Al-Kareem Ash-Sheha
د/ عبد الرحمن بن عبد الكريم الشيحة


Fandikan-Teny Nataony
European Islamic Research Center (EIRC)
المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية
& Zacharia Mohammad
 

www.islamland.com

 

 

 
 Amin’ny anaran’i Allah, Ar-Rahman (Ilay be indra-fo), Ar-Raheem (Ilay be fiantrana)

Tamin’ny fotoana izay nampiely ny habadoana sady nam-pahazo vahana ny fitondran’ny adála, izay nanararaotan’ny matanjaka ny marefo mba ho fitaovana fihinanany sady fita-diavany [t@ fotoan’ny fahagolan-tany].
Fotoana izay nanompoan’olombelona ny sampy, nihinana ny zavatra maty hoazy ary nanaovan’ny olombelona ny asa vetaveta sy nanapahana ny fihavanana [fotoan’ny fanompoan-tsampy sy habadoana lalim-paka].
Tamin’izany fotoana izany no, nanjakan’ny FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA, ary voazarazara tamin’ny ambaratongany isankarazany ara-piarahamonina ny olombelona tamin’izany fotoana izany.

 Ary isaky ny fiarahamoniana dia, nantsoina tamin’ny anarany manokana sy famantarana mampiavaka azy amin’ny tsirairay [samy manana ny anarana izay iantsoana azy].

Tamin’izany andro izany no niangaran’ny matanjaka tamin’ireo marefo, ary nihinanan’ireo mpanan-karenana an’ireo mahantra [fanaovana tohatra sy fanandevozana].
Ary nifanompo [kobak’ambava] no sady nifanandevo [fampijaliana] ny zanak’olombelona tamin’izany andro izany.
Ka lasa toerana mazava izao tontolo izao noho ny fahatongavan’ny Mpaminany Mohammad (SAW=Fandriam-pahalemana sy tso-dranon’i Allah enga anie aminy), ary rehefa nampiely ny Finoana Silamo izy dia, niparitaka tahaka ny kitay mahazo afo [mirehitra] izany finoana Silamo izany nohony fahamarinany.
Noho ny fahatongavany no nahafoana ny fizarana sy fandrefesana mitongilana sady ambony ambany.
Ka tapi-dalan-kaleha hatreo tamin’izay ny sitra-pon’ireo mpanao tsindrihazolena sady mpanao jadona, izay mpihinana harenan’ny hafa amin’ny fomba tsy ara-dalána.
Ka izay ihany no ela dia tonga Izy (Mohammad saw) nampihatara ny lalánan’ny fanokanana (Lalána Islamika) izay niantso amin’ny fanafahana ny zanak’olombelona avy amin’ny fanompoana ny hafa ankoatran’ny Tompo Allah.
Ka ny vokanyy dia, ny fanavotana ny ain’olombelona avy amin’ny fitondran’ny mpanjanaka sy mpanandevo ny zanak’olombelona.
Anisany fototra ijoroan’izany Lalána Islamika izany dia, ny ady amin’ny habadoana sy ny tsy fahazoana manao asa vetaveta (FADY) na amin’n’ny fomba miharihary izany na miafina.
Lalána izay mandrara ny tsindrihazolena sy ny asa ratsy, ary izay mitsinjara ny anjaran’ny isantokantranon’ny tsirairay avy tsy ankanavaka amin’ny fomba ara-dalana tsara.

Ny lalána Islamika dia, miaro hatrany ny fisamihafana amin’ny volon-koditra sy ara-pihaviana na inona na inona ny karazana.
Lalána izay mametraka ny olombelona amin’ny toerana izay mendrika azy araka izay ilan’ny Tompo Zanahary azy amin’ny voninahitra sy haja izay tandrify azy avy. Io lalána Silamo io no, manavotra ny zanak’olombelona avy amin’ny fanambaniana sy fanitsakitsahana izay ataon’ireo mpanjanaka sy mpanandevo ny zanak’olombelona, ary manome ny zanak’olombelona ny zony izay nihtsakitsahin’ireo mpitsentsi-drá sady mangetaheta rá.

Ny zanak’olombelona talohan’ny hatongavan’ny Iraka masina Mohammad (saw) dia, nanompo olombelona mitovy aminy, na sary vongana, na sary hazo.
Ka nahatonga ny olona anankiray hanery ny rahalahiny hanompo azy, noho ny fahefana tsy ara-dalana izay nananany. Izany dia mety ho resaka ara-bola na fiarahamonina, izay manafoana ny ezaka ataon’olona anankiray na koa mampidina ny voninahitriny ary mangalatra/mihinana ny dinitry ny hafa. Izany hoe; mampiasa olona boriny fotsiny izy, nefa tsy omeny karama akory.

Ka tonga ny Finoana Islamo niady an’ireo fihetsika rehetra izay nampizarazara ny olombelona ho tokantrano misy ambaratongany samihafa sy fiarahamonina isankarazany.
Ka nambaran’ny Mpaminany Mohammad (SAW) hoe: “Oh ry Olombelona! Tandremonareo fa, Ny Tomponareo dia Tokana, ary ny Dadanareo dia Iray. Ka tandremonareo fa, tsy misy maha ambony ny Arabo anatrehan’olona tsy Arabo. Ary tsisy mahambony ny olona tsy Arabo anatrehan’ny Arabo. Tsy ny mensofina anatrehan’ny makoa, ary tsy ny Makoa anatrehan’ny menasofina, afa-tsy nohony Fahatahoarana ny Tompo Zanahary”! [Mousnad Imam Ahmad, pejy:361. Hadith laharana:8721, swahihous-Swahihah;2700. Swahihout-Targhib wat-Tarhib:2963].

Hamafisina fa, ireo Boky masin’ny Karana Birhams dia mamaritra ny tsy mampitovy ny olombelona nohony fihaviany sy fisamihafana amin’ny volon-koditra, ary ny fitaizana azy na ny nahabe azy hatry mbola kely [miankina @zay zany hanomezana ny kilasiny ara-piarahamonina].

Manambara ny bokin’izy ireo fa, Birham dia nanamboatra ozatr’ireo vahoaka Birhams avy tamin’ny vavany. Ary ny ozatr’ireo Koshtariana avy tamin’ny tanany. Ary nanamboatra ny ozatr’ireo Vesas avy tamin’ny ranjony. Ary ny ozatr’ireo sodriana avy tamin’ny tongony.
Ary ny bokin’izy ireo dia, mitsinjara ny asa ataon’olombelona araka ireo fizarana ara-pihariana ireo. Ka ny sokajy ambany indrindra no sady omena asa mavesatra dia, ireo izay noheveriny fa nalaina na namboarina avy tamin’ny ranjo sy tongotra ireo.
 Izy ireo no ambany lanja indrindra amin’ny olombelona raha araka ny fiheverany no sady voafehy tsy afaka mihetsika, ary tsy mendrika afa-tsy ny asa mavesatra sy asa tsy mihaja ihany no mety aminy (raha ny fijerin’izy ireo).

Ary tahaka izany koa ireo Grika teo aloha sy ireo Romanina; mihevitra izy ireo fa, tsy mitovy ny nanamboarana azy sy ny vahoaka hafa ankoatra azy. Izany hoe; mihevitra fa, izy ireo izany no, ambonin’ny vahoaka hafa ankoatra azy, izay nomeny anarana hoe; “Barbars”.
Efa niresaka momban’io FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA io mihitsy ny Philosophe Lehibe avy amin-dreo, izay fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe: “ARISTOTE”. Araka izay ambarany ao amin’ny bokiny izay atao hoe: [Livre politiques d’Aristote] hoe; Mizara roa ny fanamboaran’ireo Zanahary ny zanak’olombelona.
Ny fizarana voalohany dia, ireo izay namboarina sady nomena tanjaka sy vatsy amin’ny Fahiratan-tsaina sy finiavana masina. Izany hoe; ry zareo GRIKA zany no voasokajy amin’izany, araka ny fiheverany izay voahary tonga lafatra tsara.
Izy ireo izany mpandova ny tany, ary Lehiben’ny olombelona rehetra.

Ary ny fizarana faharoa dia, ireo izay namboarina ka tsy nomena afa-tsy ny tanjaky ny vatana fotsiny sy izay rehetra mifandray amin’ny vatana. Ary nomena anarana Barbary ireto karazana faharoa ireto, izany hoe, ireo izay tsy GRIKA rehetra. Ireto tsy Grika ireto izany dia, namboarin’ny Zanaharin’izy ireo ho tsy feno no tsy tongalafatra mba ho andevo hampiasaina amin’ny asa mavesatra sy maloto amin’ny ozatra izay nofidina hoazy hanao an’izany.

Tahak’izany koa ireo Jiosy sy ny Kristianina talohan’ny Finoana Silamo, nihevitra ho vahoakan’ny Tompo Andriananahary izy ireo. Izany hoe; manana toerana mendrika azy ireo sy voninahitra hoazy ireo manokana izay tsy mendrika ny hafa raha araka ny fiheverany izy ireo.
Mahita izy ireo fa, miavaka ambony lavitra amin’ny vahoaka hafa tsy mitovy aminy. Ka sokajiany ho ambany lanja daholo ny karazan’olona rehetra tsy mitovy karazana aminy. Ary ireo Jiosy mihitsy no nanome anarana ny vahoaka rehetra tsy jiosy hoe: “Jom”. Izay no fiantsoana ireo tsy taranaka Jiosy, mba ho fanambaniana azy ireo. Izay midika hoe: mpikomy, mpanompo sampy ary olona maloto…!!!
Araka ny fiheviny dia, ry zareo jiosy dia manana zo hanandevo sy hampiasa ny vahoaka rehetra tsy mitovy karazana aminy, satria hoy izy fa, vahoaka tsy manana ny lanjany hatry ny nahazaza azy izy ireo. Ary manaporofo an’izany Tompo Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Ary misy amin’ireny olon’ny boky ireny, raha ametrahanao FITOKIANA amin’ny SINGAM-BOLAMENA arivo dia mamerina izany amin’ny tokony ho izy aminao. Kanefa, misy amin’izy ireny ihany koa raha ametrahanao fitokiana amina Dinary (vola-fotsy) iray, dia tsy mamerina izany aminao raha tsy mitsangana manenjika azy ianao. Satria izy ireny no milaza: Tsy manan-draharaha ny amin’ireo tsy mahay na inona na inona izahay. Ary milaza lainga manohitra an’Andriananahary izy ireny, kanefa dia mahalala”. {Al-imran, And:75}.
Nambaran’ny Imamo Ibnou Kathir (rahimahoullAh) mahakasika ny famakafakana io andininy masina io hoe: “Ny antony nahatonga azy ireo mankahala ny fahamarinana dia, satria miteny izy fa, raha araka ny finoany dia tsy mahazo fahotana izy ireo amin’ny fihinana ny harenan’ireo tsy mahay manoratra (ireo Arabo zany) ka nataon’ny Tompo Allah azonay atao no mihinana ny fananan’ireo Arabo izay tsy mahay manoratra. [Tsy mahay taratasy].
Ka mahakasika ny fijerin’izy ireo amin’ny mahambony azy ireo anatrehan’ireo vahoaka sasany izay tsy mitovy karazana aminy, ary ny hoe; namboarina ho andevo hoan’ny Jiosy ireo olona rehetra hafa ankoatra azy. Ka ny Tompo Allah swt mihitsy no manazava ny fahamarinana momba azy ireo fa, ny rehetra dia namboarina mitovy daholo izay tsisy ny mampiavaka azy akory. Ary izany dia, fitokisana nomena azy ireo tahaka ny rehetra. Hoy Tompo Andriananahary manao hoe: “Niteny ireo Jiosy sy ireo Kristianina nanao hoe: “Zanak’Andriananahary izahay, ary notiaviny manokana. Lazao hoe:Koa nahoana no manasazy anareo noho ny fahotanareo Izy? Fa ianareo dia olombelona tahaka izay rehetra nohariany. Mamela heloky ny olona araka izay safidiny Izy, ary manome sazy ihany koa araka izay tiany Izy. An’Andriananahary irery ihany ny Fanjakan’ny Lanitra sy ny Tany, ary izay eo anelanelan’izy roa ireo. Ary any aminy ny Fiafarana”. [Al-ma-idah, andininy:18}.

Tahaka izany koa no nataon’ireo Arabo tamin’ny fahagolan-tany, tamin’ny fotoanan’ny habadoana talohan’ny Fahatongavan’ny Finoana Silamo, fa nihevitra ny tenany ho vahoaka tongalafatra anatrehan’ny vahoaka hafa tsy Arabo izy ireo.

Ka noho izany mihitsy no niantsoan’izy ireo fa, rehefa tsy Arabo dia antsoiny amin’ny anarana hoe: “Ajam/A’ájam”, izany hoe; vahoaka ambany lanja sady tsy tongalafatra”.
Ka nazavain’ny Mpaminany Mohammad (saw) tamin’izy ireo fa, hadisoana ara-pinoana izany sady fahaverezana amin’ny fomba fijerin’izy ireo izany.

Noho izany dia, niezaka Izy (SAW) nitondra fazavana izay azo arahina ny zavatra teniny. Ary indrindra indrindra moa mahakasika ny fomba fanajana ny hafa sy ny tsy fahazoana manambany ny sasany ihany koa. Izany hoe; Amin’ny fampiharana ny Lalána Islamika izay tonga mba hanafoana ireo fampizarazarana sy fanavakavahana amin’ny volon-koditra.
Araka ny tatitry Abdoullah bin Omar (RA), fa ny Mpaminany Mohammad (SAW) dia niteny: “Izaho dia nahita ondry mainty marobe, izay nidiran’ny ondry fotsy marobe koa. Nanontany azy izy ireo hoe: Oh ry Iraka’ Allah! Inona no dikan’izany? Ka namaly Izy nanao hoe: Ireo vahoaka tsy Arabo dia, hiray finoana aminareo sy ny fihavananareo. Mbola nanontany izy ireo hoe; Ireo olona tsy Arabo ve oh ry Mpaminany!! Hoy izy namaly: Raha toa ka afaka nifiktra amin’ny tany mando ny finoana dia, tsimaintsy nanao ezaka amin’izany, ary lohalaharana hahazo izany ireo vahoaka tsy Arabo, ary anisany tena sambatra amin’ny olombena”. {Almoustadrik Alá As-Swahihain, J 4, Pejy: 437. As-Swahihah:1018}.

Ny olombelona dia tahaka ny mineraly, ary ny tsirairay dia samy manana ny toerana nametrahan’ny Tompo Allah azy amin’izany, tahaka ny toe-boajanahary rehetra fa tsy mitovy amin’ny fomba nanamboarana sy nohariana azy akory.
Ny fahafenoana sy fahatongavan-dafatra dia hoan’ny Tompo Allah, fa ny tsy fahampiana sy ny tsy fahalavorariana ary ny kilema dia famantarana hoan’ny zanak’olombelona, afa-tsy ireo Mpaminany sy Iraka (Hoazy ireo ny Fandriampahalemana).

 Ka nitondra vokatra tsara hoan’ny mpino silamo izany fampianarana mendrika izany, ary miezaka mampitovy ny hafa aminy izy ireo ary mifandray tsara amin’ny rehetra araka izany fampianarana izany ihany.
 Ka nambaran’ny Moustaourid Al-Korashy raha tao amin’i Amr ibnil-As (RA) izy manao: “Naheno an’ny Mpaminany (SAW) aho niteny hoe: Alohany hiafaran’izao tontolo izao dia, ho maro anisa ny Eropeana noho ny vahoaka hafa. Ka nambaran’i Amr taminy hoe: Ataovy mazava tsara ny zavatra teneninao. Ka naveriny indray mandeha hoe: Ny zavatra henoko tamin’ny Irak’Allah saw no ambarako. Ka nambaran’i Amr Ibnoul-As manamafy ny tenin’i Al-Moustaourid sady manambara ny voka-dratsy izay mety haterak’izany, hoe:ny zavatra ambaranao izany dia, fantaro fa mizara efatra (4) ny sasany amin’izy ireo; izy ireo no, tena mahiratra saina rehefa tratran’ny fakam-panahy, sady mifikitra mafy, ary ny faharetana amin’ny fisehoan’ny fakam-panahy.Izy ireo koa izany dia malaky indrindra amin’ny fitsaboana izany fakam-panahy izany sy ny fivoahana avy amin ‘izany, ary mora amin’izy ireo ny fanenjehana taorian’ny fahareseny, ary izy ireo no tena tsara indrindra amin’ny fikarakarana ny olona sahirana sy Kamboty ary ny marefo. Ary izy ireo dia, manana toetra mendrika sady tsara. Ary tsiafaka hanao tsindrihazolena azy ireo ny Mpanjakan’izy ireo”. [Mouslim/Swahih Mouslim, J 4/pejy:2222].

Ka noho izany no, nahatonga ny Iraka masina Mohammad (saw) mba hanafoana io fanavakavahana izay mankaleo tokoa. Ary lasa ho anisan’ny fototra ijoroan’ny fampianaran’ny Finoana Silamo ny “FAHALALAHANA” malalaka hoan’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka araka ny lalána izay nampiharina sady nampiasain’ireo Lehibe Mpitondra taorian’ny Mpaminany Mohammad (SAW).

Ary ny Fampiasan’izy ireo izany Lalána izany dia, tsy nanavahana ny Mpitsara sy ny tsaraina, tsy ny mpanankarena sy ny Mahantra.

Nitantara i Anasy (RA) fa, indray andro dia nisy lehilahy iray avy any Ejypta tonga tamin’ny Omar bin Al-Khattwab (RA) niteny hoe: Oh ry Lehin’ny Mpino Silamo! Mba mangataka fiarovan-tena avy aminao aho amin’ny fanoherana ny tsindrihazolena izay mahazo ahy.
 Ka namaly azy Omar bin Al-Khattwab (RA) hoe: mangataka fiarovan-tena avy amin’ny Mpiaro tokoa ianao izany!!
Ka hoy izy nanao hoe: Nifaninana tami’ny Abdoullah bin Amri Ibnil-As (RA) aho momba ny hazakazaka an-tsoavaly.
 Izy tamin’izany fotoana izany dia, Goverinoran’ny Omar bin Al-Khattwab tany Ejypta.
Ka rehefa resiko izy dia, tonga avy hatrany dia nikapohiny aho tamin’ny tadin-tsoavaly. Ary nambarany (mpitaraina) tamin’izany fa; Izaho dia, anisan’ny zanak’olona manankaja amin’ny Firenena!!!
Ka nanoratra i Omar hoan’i Amr ibnil-As, izay mandidy azy mianaka mba ho tonga aminy [ho tonga @Omar]..
 Hoy Omar: Aiza ilay Ejypsiana? Rehefa tonga dia, nambaran’i Omar azy hoe: Io ilay TADIN-TSOAVALY, raiso ary kapohy izy. Hoy Omar hatrany hoe: Kapohy ry zanaky ny Manankaja!!
Hoy Anasy Ilay Mpitatitra ny resaka hoe: Nikapoka tokoa ilay Ejypsiana, ary mifanta amin’ny Tompo Andriananahary aho fa, tena nikapohiny tokoa ilay olona nikapoka azy fahiny (valifaty anatrehan’ny Lehibe), ary tianay tokoa ny fomba fikapohany izany.
Nefa tsy navelany mihitsy ilay olona fa mbola nikapohiny hatrany, na dia mba efa naniry ny hamelany azy amin’izay aza izahay.
Ka hoy Omar tamin’ilay Ejypsiana tamin’izany fotoana izany hoe: ataovy tandrify tsara tahaka ny nanaovany anao ny fikapohana (Ataovy tsara amin’ny faritra tsy misy volovolo) amin’ilay kapohina izany.
Rehefa avy teo izany dia niteny i Amr (RA) hoe: Oh ry Lehiben’ny Mpino! Ny antony nikapohako azy (Egyptien) dia, satria ny zanany dia efa nikapoka ahy, ka novaliako tamin’ny Dadany izany.
Namaly Omar (Lehiben’ny Mpino) hoe: Ahoana ianareo no manandevo olombelona, izay efa nateraky ny reny ho olona malalaka/libre (tsy andevo).
Hoy izy (Amr) hatrany: Oh ry Lehiben’ny Mpino: Izaho ange tsy nahalala an’izany, ary mbola tsy tonga tamiko mihitsy momba izany.

Ka hoatr’izany no antso hoan’ny FITOVIZAN-JO amin’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka. Ary koa ny fiainan’ny samy olombelona amin’ny olombelona hafa mitovy aminy, na inona na inona ny fisamihafana na tsy fitovizana mety misy.

Izany hoe: olombelona rehetra dia mitovy daholo ny fanamboaran’ny Tompo Andriananahary azy, na fotsy hoditra izany na maintin-koditra, ary na Arabo izany na ny tsy Arabo.
Ka tonga ny Boky masina Kor’any izay nitondra fanambarana tsisy ankinafinafina fa, amin’ny feo avo tsara mba ho henon’ny rehetra maneran’izao tontolo izao.
Ka tamin’alalan’ny Iraka masina Mohammad (SAW) no nampidinan’ny Tompo Andriananahary an’izany hafatra rehetra izany, ary novoaboasany sady nampianariny an’ireo Mpanaradia azy sady nampihariny izany.

Ka hoy Tompo Allah manao hoe: “Ry Olombelona! Aoka ianareo hatahotra ny Tompo Zanaharinareo Izay Nahary anareo rehetra avy tamin’ny vatana tokana, ary Nahary ny andefimandrinareo avy aminy, ka nampiely lehilahy marobe sy vehivavy ihany koa Izy avy tamin’izy roa. Ary aoka ianareo hatahotra an’Andriananahary angatahinareo mandrakariva, ary lalao ny Fihavanana”. [An-Nisa, and:1].

Ka mazava loatra fa, ny fihavian’ny olombelona sy ny fihariana azy ary ny hiverenany dia raika ihany, izany hoe: Adama (Fandriampahalemana enga anie aminy).
Ary manazava tsara ny momba izany Tompontsika Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Hamafisina fa, Jesoa dia tahaka an’i Adama ihany eo anatrehan’Andriananahary, izay namboariny avy amin’ny tany, ary dia nolazainy hoe: Misia! Tonga dia nisy”’. {Al-imran, and: 59}.

Ary Adama (Fandriampahalemana enga anie hoazy) dia nataon’ny Tompo Allah (swt) ho fototra fihaviana marobe sady hiparitaka manerana ny tany. Ka hoy Izy manao hoe: “Anisan’ireo FAMANTARANA avy aminy (Allah), ny nihariany anareo avy amin’ny tany, dia indreny ianareo fa olombelona nieli-patrana (eran’izao tontolo izao)”. [ Ar-Roum, and;20].

Ny Olombelona rehetra dia, avy amin’ny Ray sy Reny tokana, ka noho izany dia, tsy mendrika amin ‘ny samy olombelona ny hanavakavaka noho ny fisamihafana amin’ny volon-koditra na fihaviana. Satria Adama no olombelona voalohany namboarin’ny Tompo Allah Ilay Avo indrindra, ary izy no Rain’olombelona rehetra tsy ankanavaka (na inona na inona ny fihodirany).
Ary rehefa aveo namboarin’ny Tompo Andriananahary avy taminy (Adama) ny vadiny Eva, izay Renin’ny zanak’olombelona rehetra tsy ankanavaka.

Ary avy amin’izy roa (mivady) no nipoiran’ny zanakolombelona jiaby tonga eto an-tany sy izay rehetra mbola ho teraka manadrapaha-taperan’izao tontolo izao.

Ka rehefa nanambony-tena no sady nanambany ny hafa ny zanakolombelona tamin’ny fotoanan’ny habadoana, sady nanandevo sy nanitsakitsaka ny hafa ny sasany, nefa ny fihaviana dia iray ihany, dia nanambara ny Iraka masina Mohammad (SAW) hoe: “Hamafisina, fa efa nesorin’i Allah aminareo ny fiheboheboana sy fanambonian-tenan’ny habadoana sy ny fireharehan’izy ireo amin’ny dadan’izy ireo. Na mpino izany, na olona vontom-pinoana izany, na mpikomy na sahirana dia zanaky Adama daholo izany rehetra izany, ary i Adama dia namboarina avy tamin’ny tany”. {Mousnad Imam Ahmad, J;2, Pejy;361. Hadith laharana:8721, swahih Al-Jami’:5482. As-Swahihah:2803}.

Ary mbola miteny hatrany Tompo Allah swt mahakasika izany ka manao hoe: “ Vahoaka iray ihany ny olombelona (tany am-piandohana). Avy eo nizarazara izy ireo. Ary raha tsy fanapahan-kevitra mialoha avy tamin’ny Tomponao, dia ho notsaraina avy hatrany izay nampifanohitra azy ireo. [Younous/Jonasy, and:19].

Ny fototry ny zanakolombelona sy ny fihariana azy dia iray ihany, na ireo izay efa maty, na ireo izay eto an-tany na ireo izay mbola hoavy. Tamin’ny fiantombohana dia tokana ihany ny FINOAN’NY zanak’olombelona sy ny FITENINY.

Nefa rehefa nihamaro ny olombelona teto an-tany dia, tsy nitovy hevitra izy ireo ka, niparitaka naneran’izao tontolo izao ary samy nanao izay tiany hatao avy.
Ka vokatra izany dia, lasa toe-boajanahary amin’ny fiainana’ny zanakolombelona izany rehetra izany.
Ary izany fisamihafana amin’ny fiteny sy fihodirana ary amin’ny toe-boajanahary izany, dia lasa fiainana mahazatra ny zanak’olombelona an-davanandro.
Tena lasa fomba tsimaintsy hiainan’ny olombelona izany amin’ny tontolo misy azy tsirairay avy. Ary izany FISAMIHAFANA IZANY dia, narahina fomba fisainana sy fomba fiainana ary ny resaka finoana isankarazany.

Ka noho izany FISAMIHAFANA rehetra izany mihitsy no nandefasan’ny Tompo Allah (swt) ireo Iraka marobe tamin’izy ireo, mba hiverenany amin’ny tena FOTOTRA voa-Janahary voalohany.
Izany hoe; ny Fanompoana an’i Tompo Allah Tokana, izay tsiazo atambatra amin’ny zavatra hafa, araka ny Tenin’ny Tompo Andriananahary manao hoe: “ Nandefasako Iraka iray isaky ny vahoaka tsirairay, (mba hilaza amin’izy ireo hoe): Manompoa Zanahary tokana ianareo, ary alaviro ny sampy. Ka nohitsin’i Allah ny sasany tamin’izy ireo, nefa kosa dia nisy ireo hafa izay sahazan’ny fahaverezana. Koa mandehana manerana ny tany ianareo, ary jerevo ny fomba niafaran’ireo izay nampandainga (ireo Iraka), [An-Nahl, andi:36].

 Ny Finoana Silamo dia, tsy mijery velively ny endrika aty ivelany amin’ny olombelona. Satria ny Iraka masina Mohammad (SAW) dia efa niteny hoe: “Angamba ny olona manana volon-doha voromotika sady maloto tahaka ny volo feno vovoka, sady mitafy lamba tena tonta ary mijery ambany daholo ny olona rehetra izay mahita azy nohony fiheverana fa ambany izy, ary raha mifanta amin’Andriananahary izy dia, tonga dia voaray ny fifantana izay ataony”. {Al-Moustadrik Alá As-Swahihain, J:4. Pejy 364}.

Ary mbola niteny Mpaminany (SAW) hoe: “Angamba mety olona misy volo voromotika dia voatositosika avy amin’ny varavarana, nefa raha mifanta dia raisin’Andriananahary avy hatrany”. [Mouslim]. {Izany hoe; Olona anankiray izay heverin’olona fa tsy manan-danja anatrehan’ny hafa, satria nohony antony fahantrana, ary raha mitsangana am-baravaran’olona dia voatositosika sady voaroaka nohony tsy fananana}.

Misy amin’ny olombelona dia, tena te hampihatra ny politikan’ny fanavakavaham-bolon-koditra na fihaviana na koa ny fisamihafana eo amin’ny lahy sy vavy mba hampielezany io fihetsika feno fankahalana ny hafa io any amin’ny sasany koa.

Ka noho izany fihetsika ratsy izany dia, notapahan’ny Lalána Islamika ny lálan’izy ireo. Ka nambaran’ny Mpaminany Mohammad (SAW) manohitra an’izany manao hoe: “ Hamafisina, fa Allah Ilay Avo indrindra dia naka avy tamin’ny tany rehetra, ka izay no mahatonga ny zanak’olombelona dia tsimaintsy manaraka ny lokon’ny tany nakana azy ny fihodirany, ka misy amin’izy ireny dia; Mena hoditra, mainty, fotsy ary Vonivony hoditra sy eo koa ny anelanelan’izay. Ka misy amin’izy ireny no tsotra, malahelo, ny tsara sy ny ratsy”. [Swahih ibni Hibbani.J:14. Pejy:29. Hadith laharana:6160]. (Dikany hoe; Tsotra dia, malefaka sady be fangorahana. Ary ny dikany hoe malahelo dia; Olona mahery setra sy sarotin-draha).

Ny olombelona rehetra dia, mitovy daholo anatrehan’ny Tompo Allah swt, na inona na inona ny fisamihafan’izy ireo, amin’ny; Fihaviana, fihodirana, fiteny, firenena na lahy izany na vavy.
Afa-tsy zavatra iray ihany no mampiavaka ny olombelona dia, ny fampiharana sy ny tsy fampiharana ny Lalánan’i Allah, ary ny fanaovan’izy ireo soa hoazy ireo sy ny fiarahamonina misy azy. Ka hoy Tompo Allah manao hoe: “ Ry Olombelona! Nohariako avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataoko ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’Andriananahary, dia izay vontompinoana indrindra. Hamafisina fa, allah dia tena Mahalala sy Mahafantatra ny zavatra rehetra”. {Al-Houjouraty, and:13}.

Izany hoe; Fanamboaran’ny Tompo Allah anareo ho vahoaka sy foko marobe, dia tsy midika fa misy vahoaka na foko ambonin’ny sasany. Fa ny antony io fizarazarana io, dia mba ho fomba mora hifankafantaranareo sy hiavahanareo amin’ny hafa. Tahaka ny raharahan’ny vahoaka rehetra, izay samy mitondra ny anarana izay hafantarana azy mba hiavahany avy amin’ny hafa.
Ka hoy Allah ao amin’ny Kor’any masina manao hoe: “Hamafisina, fa nomeko haja ireo taranak’i Adama. Nentiko teny an-dranomasina sy teny an-tanety izy ireo, nomeko sakafo tsara, ary notiaviko manokana mihoatra ny maro amin’ireo zava-boahariko izy ireo”. [Al-isra, and:70].

 Io Fahamendrehan-kaja io, dia hoan’ny olombelona tsy ankanavaka, tsy fihaviana na vondrona. Ka niteny Allah Ilay feno hasina, ilay avo indrindra manao hoe: “Izy (Allah) no nanao anareo ho mpandimby ety an-tany, sady nanadratra ny sasny aminareo ho ambony laharana noho ny sasany”. {Al-an’am, and;165}.

Ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, dia namboarina mba hanompo an’Allah swt, sady hivelona eto an-tany ary ny fijoroana amin’ny tsimaintsy handovana ny tany araka ny fanazavan’ny Tompo Allah ny momba izany amin’izao andininy manaraka izao.
Ambaran’i Allah fa, ny fikorontanana sy ny tsy fitovizan’izy ireo amin’ny anjaramasoandrony, fihetsika, hatsarana, endrika ivelany, ny bikabika sy ny fihodiran-koditra, dia tsisy idiran’ny fihariana ny olombelona.
Hoy Allah (swt) mahakasika an’izay rehetra voalaza izay manao hoe: “Izaho (Allah) no nizara tamin’izy ireo ny fivelomany amin’ny fiainana ankehitriny, ary nanondro-boninahitra ny sasany ho ambony noho ny hafa mba hifehezan’ny sasany ny hafa. [Az-Zoukhrouf, and:32].

Ka noho ireo zo rehetra itovizana ireo izay nekehin’ny Finoana Silamo, dia manambara fa, ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, dia mitovy daholo amin’ireto zavatra manaraka ireto;
•    Fiarovana ny zon’olombelona tsy ankanavaka araka ny lalána, izay tsy hijerevana karazana, fihaviana sy ny fihodirana ary ny fahazoana fahalalahana azo antoka tanteraka araka ny fijoroan’ny Finoana Silamo.

 Finoana Silamo izay mamoaka ny olombelona avy amin’ny fahalalahan’ny biby izay avy aminy no mahatonga an’izao tontolo izao lasa misedra fiainana tena mafaika sady mangidy, nohon’izay ateraky ny Fiarahamonina maro samy hafa izay.

 Izany hoe; lasa midina ambany indray izy ireo fa, tsy miakatra ambony. Maro amin’izy ireo dia, tsy mahafantatra ny rain’izy ireo, nohony fihanaky ny haratsiana ary ny fonja dia feno an’ireo mpanao heloka bevava amin’ny haratsian’ny fitondran-tena, ny fanodikodinam-bola ary ny resaka sosoialy sns…
Ary hoy ny Mpaminany (SAW) hoe; “Oh ry Olombelona! Ha-mafisina fa ny Tomponareo dia Irery, ny Dadanareo dia irery. Ary tandremonareo ihany koa, fa tsy misy maha ambony ny Arabo anatrehan’ny olon-kafa tsy Arabo. Tsy ny mena sofina anatrehan’ny maintin-koditra, tsy ny maintinkoditra ana-trehan’y menasofina, afa-tsy noho ny Fahatahorana an’Allah” {Mousnad Imamo Ahmad, J2. Pejy: 361.Hadith laharana;8721, swahih As-Swahihah; 2700. Swahih At-Targhib wat-Tarhib;2963}.

•    Ny olombelona rehetra dia, mitovy daholo anatrehan’ny Lalanan’ny Tompo Allah (swt), ka tsisy fanavakavahana noho ny fisamihafana amin’ny Fihariana, na fihaviana izany na fihodiran-koditra. Araka izay ambaran’ny Tompo Allah ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Hamafisina, fa Allah dia mandidy anareo mba hamerina ny fananana nametraham-pitokisana taminareo ho any amin’ny tompony, ary raha mitsara ianareo, dia aoka hitsara araky ny rariny. Marina fa Andriananahary no Mpananatra tsara indrindra hampirisika anareo amin’izany. Tena marina fa, mandre sy Mahita ny zava-drehetra Zanahary”. [An-Nisa, and;58].

 Ary niteny Mpaminany Mohammad (saw) manao hoe: “Ry Olombelona! Ny antony nampihatra loza tamin’ireo vahoaka talohanreo dia, rehefa tratra mangalatra ny manamboninahitra dia tsy ampiharin’izy ireo ny lalána, fa raha sendra tratra mangalatra indray ny marefo dia hampiharin’izy ireo avy hatrany ny Lalána. Ka noho izany dia; Mifanta amin’i Allah aho! Fa raha sanatria ka tratra nangalatra i Fatimah (zanako vavy) dia tsimaintsy tapahako ny tánany”. [Mouslim].

•    Mitovy tahaka izany koa ny olombelona rehetra amin’ny lafiny andraikitra sy valisoa amin’ny asa natao. Araka izay ambaran’i Allah swt hoe: “Ka na iza nanao asa soa, na dia bitika indrindra dia hahita izany, (Az-Zalzalah:7) ary na iza na iza nanao asa ratsy, na dia bitika tokoa aza dia hahita izany ihany koa izy”. {Az-Zalzalah, and:7-8}.
•    Ary manan-jo mitovy tahak’izany koa ny olombelona rehetra amin’ny voninahitra mahaolona, ka tsisy olona tokony ho voaelingelina na henjehina noho ny antony lokony amin’ny fihodirana na fisamihafana amin’ny fihariana, na ny sekta misy azy, na ny foto-pinoana izay ijoroany. Hoy Allah (SWT) hoe: “Aoka ianareo tsy hanompa izay angatahin’izy ireo ankoatra an’Andriananahary, mba tsy hanompány an’Andriananahary amim-pankahalana. Toy izany koa efa nohatsaraiko teo anatrehan’ny fiaraha-monina tsirairay ny asan’izy ireo. Ary any amin’ny Tompo Zanaharin’izy ireo no hiverenany avy eo; ka hampahafantariny izy ireo amin’izany asa nataony izany”. [Al-an’am, and:108].
•    Itovisan’ny zanak’olombelona rehetra ny hasin’ny rá, ny fananana ary ny voninahitra. Ka manamafy an’izany ny tenin’ny Mpaminany Mohammad (saw) manao hooe: “Hamafisina, fa ny ránareo sy ny fanananareo ary ny voninahitraeo dia manana ny hasiny aminareo samy anareo, tahaka ny hasin’izao andronareo androany izao, amin’ny volananareo io ary amin’ny tanananareo io. Ka noho izany, dia izay tonga eto dia tsimaintsy mampita amin’izay tsy tonga eto, satria izay tonga dia afaka mampita amin’izay olona mety ho tsaratsara fandraisana noho azy. {Al-Boukhari. J:1. Pejy:37}.
•    Manan-jo mitovy tahak’izany koa ny rehetra raha amin’ny resaka fitantanana mahakasika ny raharaham-piaraha-monina, nefa tsimaintsy jerevana izay manavanana ny tsirairay avy sy ny fahafaha-manatanteraka ny adidy amanandraikitra izay ankinina aminy. Araka ny tatitra nataon’i Ady Al-Kanadi, fa ny Iraka masina Mohammad (SAW) dia niteny indray andro nanao hoe; “Oh ry Olombelona! Na iza na iza aminareo notendrenay amin’ny andraikitra, ka nanafina tsy ara-dalána amin’izay nampiandraiketina azy izy, na dia mitovy lanja amin’ny filo fanjairana no miakatra aza ny zavatra nafeniny, dia sokajiana ho mpangalatra na mpamadika izy, ary hiaraka aminy io zavatra nalainy io any amin’ny andro farany mba ho fahafahambaraka hoazy anatrehan’ny olombelona rehetra. Rehefa naheno an’izany ireo mpanaradia ny Mpaminany (saw) dia, nitsangana lehilahy anankiray, mbola tadidiko tsara mihitsy izaho mijery azy, araka ny fahitako azy dia olona avy amin’ny mponiana ao Madinah ka niteny izy hoe: Oh ry Irak’Allah! K’aza omena asa betsaka aho!! Inona ary no mahatonga anao hiteny an’izany? Hoy izy hoe: Satria henoko ianao niresaka momba ny sazy azo amin’izany vao teo, izay tena henjana dia henjana tokoa ny fahitako azy. Ka hoy ny Mpaminany (saw): Averiko indray mandeha ilay izy hoe; Izay olona ampiasainay dia mila mitondra aty aminay ny zavatra azony, na kely io na betsaka. Izy anefa afaka mandray ny zavatra nomena azy ara-dalana, fa izay tsy nomena azy kosa dia, tsiazony alaina”. {Swahih ibni Hibbani, J:11. Pejy:469}.

•    Manan-jo mitovy daholo ny rehetra amin’ny hasoavana sy tombontsoa izay nomen’ny Tompo Allah (swt) eto an-tany. Hoy Allah mahakasika izany: “Ry Olombelona! Mihinana ianareo amin’ireo izay FIHINANA (Halal) sy ny tsara misy eny ambonin’ny tany, ary aoka ianareo mba tsy hanaraka ny famindran’i Satana, satria fa tena fahavalonareo miharihary izy”. {Al-Baqarah, and:168}.

•    Manan-jo mitovy tahak’izany koa ny rehetra amin’ny resaka fanompoana an’Allah swt irery izay tsy atambatra amin’ny zavatra hafa. Satria ny finoana Silamo dia nampidinina hoan’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, izay tsy ijerevana volon-koditra, na fisamihafana amin’ny fihariana voa-janahary sy karazana fihaviana. Satria ny rehetra dia, andevo eo anatrehan’ny Tompo Allah swt. Hoy izy manao hoe: “Ry Olombelona! Tompoy ny Tomponareo (Zanahary), izay Nahary anareo sy ireo teo alohanareo, mba ho vontompinoana ianareo”. [Al-Baqarah, and:21]. Ka tonga ny Lalánan’ny mpaminany Mohammad (saw) hanafoana izay rehetra mampirisika amin’ny fanatisma na fifikirana amin’ny hevitr’olona anankiray sy ny fanavakavaham-bolon-koditra sy fandrangitana isankarazany, na koa ny tsy fietezana miresaka momba izany. Nitatitra Wathilah bin Al-asqay nanao hoe: Oh ry Irak’Allah! Inona no atao hoe: Fanatisma/fanaovana sarotra? Ka namaly azy ny Mpaminany Mohammad (saw) hoe: “ Ny fanatisma dia, ny fanampianao ny vahoakanao amin’ny fanaovana tsindrihazolena”. [Sounan Abi Daoud]. Ny fananana fahefana, dia tsimaintsy atao noho ny antony fiarovana ny Finoana ihany, fa tsy noho ny antony fanatisma hiarovana ny nasionalisma. Satria nambaran’ny Mpaminany (saw);” Izay miady amin’ny alalan’ny fanevan’ny hajambana, dia miady noho ny fanaovana sarotra (fanatisma), ary tezitra fahatany noho ny antony fanatisma, ary miady amin’ny fahaverezana”. [Swahih An-Nasai, swahih ibni Majah].
 Izany hoe; raha ny tian’ny Mpaminany saw hambara dia izao: izay miady amin’ny anaran’ny fanevan’ny hajambana, izay tsy te halala ny marina amin’ny diso, izy dia hiady noho ny resaka foko, na Tanana izay misy azy, na dia anatin’ny fahaverezana aza izy ireo, fa tsy noho ny antony fahamarinana sy finoana akory. Ary izy dia tezitra amin’ny tsy rariny ka ny ady ataony dia, ady amin’ny fahaverezana tanteraka.
Ny voninahitra sy ny Firazanana dia, tsy mikaonty amin’ny Finoana Silamo.
Satria tena marina fa, ny Iraka masina Mohammad (saw) dia nampiharihary ny fitiavany an’i SOUHAIB izay Romanina (Eropeana), salman izay Persa (Aziatika), ary i Bilal bin Rabah izay Ethiopiana (Afrika) ary izy dia efa nahazo fampanantenana avy tamin’ny Mpaminanay SAW fa, hiditra amin’ny Paradisa izy (Bilal).
Raha mitodika aty ambadika indray isika, dia tadidintsika tsrara, fa ny Irak’Allah (saw) dia nisy fotoana efa nampiharihary ny hatezerany sy ny tsy fitiavany ny fihetsiky ny Dadatoany Abou Lahab, izay nahatonga ny fidinan’ny Soratra (Sora) manokana avy tany an-danitra, izay vakina eto an-tany mandrapahataperan’izao tontolo izao.
Anatin’izany Soratra izany mihitsy no, anambaran’ny Tompo Allah fa, hisy sazy mamaivay hahazo an’i Abou Lahab. Hoy Allah swt manao hoe:
” Aoka ho levona ny tánan-droan’i Abou Lahab, ary ho levona koa ny tenany.
Tsy hahavotra azy akory, na ny harenany, na izay nangoniny.
Fa hodorana ao amin’ilay afobe miredareda izy”. [Al-Masad, and:1-3].
 Araka izay hitantsika tsara ny tantara ao anatin’ny Boky masina Kor’any
Mahakasika ny lálam-panorenana izay niainan’ireo mpino Silamo taloha. Ary izany dia nidina hoan’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka maneran-tany. Anisan’izany dia ny Anaran’i Louqman ilay olon-kendry. Izy dia andevo mainty fihodirana Ethiopiana, izay nomen’i Allah swt fahendrena feno, ary noho izany no nampidinan’i Allah Soratra anankiray feno, izay mitondra ny anarany sady midera azy. Ary io Soratra io dia, mitantara betsaka ny fahendren’i Louqman (AS). Ary maro dia maro tokoa ireo Soratra (Sourah) natao amin’ny anaran’ny sasany amin’ireo Iraka sy Mpaminanin’i Allah, sy ireo Mpiteny marina sady madio.
Ataontsika ohatra ny Soratra: “Nouh, ibrahim, al-imran, mariyam, Yousouf, Younous ary Mohammad, sns…
Ary izany Tantara izany dia, vakin’ny Mpino Silamo rehefa mivavaka isan’andro amin’ny maraina sy ariva. Tsy inona akory mahatonga an’izany fa, ny antoka maharitra mahakasika ny fiantombohan’ny fizarana mitovy na fitovizan-jo eo amin’ny samy olombelona tsy ankanavaka maneran-tany.
Izany hoe; Mba hitoetra anaty fon’ny Mpino Silamo ny fampiharana izany, izay tsimaintsy tanterahina amin’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, ary mba hitohy hatrany izany fahamendrehana izany amin’ny fanahin’ny Mpino Silamo rehetra.

Haintsika tsara fa Ethiopia dia anatin’ny Kaontinanta Afrikanina, ary ny ankamaroan’ny mponina ao aminy dia, olona mainty volon-koditra daholo.
Ka tamin’ny fiantombohan’ny asa fampielezana izay nataon’ny Mpaminany (SAW), dia nandidy an’ireo Mpanaradia azy Izy mba hifindra-monina tany Ethiopia, afrika rehefa nampijalin’ny KORAISHY sady notereny daholo ny lalana rehetra tokony handehanan’ireo Mpanaradia azy.
Ka nambarany tamin’izany hoe: “ Any Ethopia, dia misy Mpanjaka izay tsy manao tindrihazolena na amin’iza na amin’iza, ka mandehana ianareo mifindra-monina any mba hanamoran’ny Tompo Allah ny raharaha izay sedrainareo amin’izao io”. As-Silsilah as-Swahihah:3190].

Ka rehefa nodimandry An-Najashy Mpanjakan’ny Ethopia, dia hoy ny Mpaminany swt hoe: “Manaova vavaka amin’ny maty hoazy ianareo”. Nanontany azy ireo Mpanaradia azy hoe: “Oh ry Irak’Allah! Hanao vavaka hoan’ny andevo afrikanina ve izahay ( Hoe; tsy mpino Silamo) !? ka izay no ela dia, nampidinin’i Allah swt izao andininy manaraka izao: “Ary marina, fa misy amin’ireo olon’ny Boky, dia tena mino an’Andriananahary tokoa, sy amin’izay nampidinina taminareo, ary izay nampidinina tamin’izy ireo ihany koa. Manetri-tena ho an’Allah tokoa izy ireny, ary tsy manakalo velively ny tenin’i Allah amin-javatra maivan-danja izy ireo (@ sandany kely indrindra). [Al-imran, and:199/As-silsilah as-Swahihah:3044].

Hoy ny Mpaminany SAW tamin’ireo Mpanaradia azy hoe: “Mangataha famelan-keloka avy amin’i Allah hoan’ny rahalahinareo”. Nalahatrany ireo mpanaradia azy ka nanao vavaka amin’ny maty hoan’ilay Mpanjaka An-Najashy Izy, amin’ny fanaovana Allahou Akbar in-4 [Zanahary no tena lehibe indrindra]. [Al-Boukhari, J:1. Pejy:466].

Ny antson’ny Finoana silamo amin’ny fitovisan-jo (tsy fitongilánana/L’égalité), dia tsy niantomboka tamin’ny resaka fandriampahalemana fotsiny. Fa ireo tenin’ny Iraka’Allah SAW dia manambara mazava tsara sady mivantana avy hatrany amin’ny vahoakany, ka tonga dia nampihariny koa ilay izy.

Jerevo Ousamah bin Zayd, dia andevo tamin’ny fotoan’androny (Andevo izay novotsoran’ny) Irak’Allah saw, sady mbola zanak’andevo (izay novotsorany ihany koa).
Tena mainty fihodirana tokoa izy (Ousamah bin Zayd) sady petak’orona kely.

Nefa ny Mpaminany Mohammad (SAW), dia misy fotoana maka an’i Ousamah bin Zayd (taminy mbola zaza) sy i Hasan (zafiny) zanaky ny zanany vavy Fatimah (RA), ary miteny Izy manao hoe: “Oh Allah! Tiavo izy roa ireto, fa izaho dia tena mankatia azy roa ireto”. {Al-Boukhari}.

Áishah (RA), vadin’ny Mpaminany (SAW), dia nitantara hoe; “Tsiazon’iza na iza atao no, mankahala an’i Ousamah bin Zayd, taorian’ny fandrenesako ny tenin’ny Mpaminany (SAW) manao hoe: Izay mankatia an’Allah sy ny Irany, dia mila mankatia an’i OUsamah bin Zayd”. {Ahmad, hoy Sheikh Shouayb Al-arnaout; Swahih Lighairihi}.

 Ary nisy fotoana mihitsy no nitenenan’ny Mpaminany SAW hoe: “Izay mankatia ahy, dia mila mankatia Ousamah bin Zayd”. [Swahih Mouslim].
Ny Mpaminany SAW dia, tsimaintsy ampanarahiny asa foana izay zavatra rehetra teneniny. Ka indray andro zany ny Iraka’Allah saw mihitsy no, saika hanala tain-delon’ny Ousamah (RA), ka hoy Aho (Aishah) hoe: Avelao hanaovako azy ry Mpaminany. Ary mbola niteny Izy (Mpaminany saw) hoe: “Tiavo izy, fa zaho dia tena mankatia azy”. {Hasan-Al-Mishkát}.

Lehilahy maintin-koditra sady andevo i Ousamah bin Zayd (RA), nefa novotsoran’ny Mpaminany saw no sady nataony ho Lehibe miaramila hoan’ny Mpino Silamo, tamin’ny ady nifanatrehana tamin’ny Roma.

Notendren’ny Mpaminany (saw) ho Lehiben’ny Tafika izy, nefa ireo olon-dehibe sady manan-kaja tamin’ny Mpanaradia an’ny Mpaminany (SAW), dia tao anaty miaramila izay nibaikon’i Ousamah bin Zayd.
Ka avy tamin’izany mihitsy no, nahatonga ny sasany tamin’ny Mpanaradia ny Mpaminany saw nahatsiaro ho ambany, ka nisy aza vaky vava niteny hoe: “Ahoana hatonga azy ho Lehiben’ny miaramila”?

Rehefa fantarty ny Mpaminany saw ny momba izany dia, niakatra ambony pilpity izy nitory teny. Ka nidera an’Allah swt Izy, ary nitso-drano ny tenany. Ary nambarany tamin’izany hoe: “Raha tsy mankasitraka ny fibaikoan’i OUsamah ianareo, dia mankahala koa ny fitondran’ny Dadany talohan’izao. Mifanta amin’i Allah Zaho (SAW), fa raha toa ka manana fahafahana hanao ny asa izy, dia mendrika ho tendrena amin’izany fibaikoana izany izy.
Ary hamafisiko fa, ny Dadany dia anisan’ny olona izay tena tiako fahiny (Zayd bin Harithah, anaran’ny Dadany Ousamah). Ary io (Ousamah) dia anisan’ny olona tena tiako taorian’ny Dadany ihany koa. [Mouttafaquoun alayhi].

Alohany hihetsehan’ny miaramila izay baikon’i Ousamah bin Zayd (RA) handeha hiady ny Romanina, dia efa ho faty ny Mpaminany (saw).

Ka rehefa maty tokoa ny Iraka masina Mohammad (SAW), dia voatendry ho Lehiben’ny Mpino i Abou Bakr (RA), izay mandimby ny Fitondran’ny Mpaminany (SAW).
Rehefa nandray fitondrana i Abou bakr (RA), dia mbola notazominy ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny Mpaminany (SAW) amin’ny fanendrena Ousamah bin Zayd (RA) ho Lehiben’ny TAFIKA hiady an’ny ROMA.

Nambaran’i Omar bin Al-Khattwab (RA) tamin’ny Lehiben’ny Silamo vaovao, abou Bakr As-swiddiq (RA) hoe: “ Hamafisina, hoy izy fa, ireo olon’ny Madinah dia mahita fa, tokony homena olona zokizoky noho ny Ousamah bin Zayd (RA) ny fibaikona ny MIARAMILA. Ka tezitra noho izany i Abou Bakr (RA). Ka nambarany tamin’i Omar (RA) hoe: “Aleo tsy manana anao ny Reninao ry Ibnal-Khattwab. Ny Irak’Allah (SAW), dia namoaka io didy io, fa ianao indray no hibaiko anahy hanafoana io fanapaha-kevitra io. Izaho dia, mifanta amin’izay mitazona ny fofonainako aho, raha toa ka mihevitra ianao, fa misy bibidia hoavy hinana anao, dia tsy hasakana anahy handefa ny miaramilan’i Ousamah bin Zayd velively izany.

Iny Ousamah, Ilay tanora maintin-koditra, izay voatendry ho Lehiben’ny MIARAMILA vaovao mivoaka Madinah miaraka amin’ny MIARAMILANY.

Ary ny Lehiben’ny Mpino Silamo vaovao, abou Bakr (RA), dia niara-nivoaka taminy mba hanao veloma azy. Nitaingina ny soavaliny i Ousamah, ary Abou Bakr (RA) izay Lehiben’ny Mpino Silamo vaovao, dia mamindra amin’ny tongony samy mandeha (izany hoe; Abu Bakr mandeha tongotra, fa Ousamah kosa mideba soavaly).

Ka menatra noho izany i Ousamah, ka nambarany an’i Abou bakr (RA), hoe: Oh ry Mpandimby an’i Irak’Allah! Mifanta amin’i Allah ny tenako, fa tsimaintsy mideba ianao, fa raha tsy izany dia hidina koa aho.

Namaly Abu Bakr (RA) hoe: Ianao dia tsy mila midina, ary izaho dia tsy hideba. Inona no, olana raha mba hameno vovoka kely ny tongoko aho amin’ny lálan’ny Tompo Allah swt na dia fotoana fohy kely fotsiny aza.

Rehefa aveo dia nangataka tamin’i Ousamah ny Lehiben’ny Mpino, amin’ny mba hijanonan’i Omar bin Al-Khattwab ao Madinah mba hanampy azy amin’ny raharaha mahakasika ny FITONDRANA.
Hita fa, nanome ohatra tsara indrindra ny Lehiben’ny Mpino tamin’izy nangataka alálana tamin’ny Ousamah, izay Lehiben’ny Tafika miaramila, na dia tanora kely vao erotrerony aza i Ousamah bin Zayd (RA).

Araka ny Tantara izay fantatry ny rehetra, fa ny Mpaminany Mohammad (SAW), dia Izy mihitsy no voalohany nampihatra ny fitovisana (Mizana tsy mitongilana) tamin’ny tenany.
Ny Mpaminany (SAW), dia avy amin’ny Fihaviana mihaja indrindra noho ny hafa. Ary ny Fianakaviany no, tena fianakaviana mihaja indrindra noho ny rehetra. Ary ny FOKO misy azy no, tena mendrika sady feno haja anatrehan’ny Foko sasany marobe hafa. Ny Foko fihaviany dia manana ny toerana maha izy azy, ka tsy misy afaka mandrebireby azy mihitsy.
Nefa nohon’izany voninahitra aman-kaja izay misy an’ny Mpaminany (SAW) izany, dia niteny izy hoe: “K’aza derainareo ahy, tahaka ny fideran’ny Kristianina an’i Jesoa Zanaky Maria, satria Izaho tsy inona, afa-tsy Andevo. Ka teneninareo hoe: Andevon’ny Tompo Allah sady Irany”. [Al-Boukhari].

Haintsika tsara ny voninahitra sy haja izay misy an’ny Iraka Mohammad (SAW), raha ny toerany sy ny fihaviana izay misy azy. Nefa, nampanambadiany an’i Zayd (Andevo teo aloha) ny zanaka vavin’ny anabavin-dreniny Zainab Bint Jahshy.
Mpaminany (SAW), dia manao ny asa rehetra mety hampandroso araka ny fahafahana ananany, mba hananganana sy hampijoroana io Fototra mendrika io, avy amin’ny Lalána Isalamika mba hitoeran’izany amin’ny vatan’ireo Mpanaradia azy.
Ary ny Fomba hanatanterahana izany, dia amin’ny fanaraha-maso matetika ny fiainan’izy ireo, ary ny fanadihadiana momba azy ireo, izay lavitry ny fampisaraham-bazana. Hoy Abou Hourairah (RA) mahakasika izany dia: “ Nisy vehivavy maintin-koditra izay mpanadio ny Masjid, (na tanora) ka indray andro dia notadiavin’ny Irak’i Allah izy roa ireo, nefa dia tsy hitany izy ireo.
Ka rehefa tsy hitany izy ireo dia, nanontany momba azy (Lahy/Vavy: Ahiahy momba ny olona tantaraina. Tsy tadidin’ny Mpitantara lahy sa vavy ilay Mpanadio ny Masjid).

Namaly izy ireo, fa maty ilay Mpanadio Masjid (Toeram-pivavahan’ny Mpino Silamo).
Ka nambaran’ny Mpaminany (SAW) hoe: “Manahirana ahy tokoa izany nataonareo izany, Inona ary ny antony tsy nanambaranareo ahy momba ny fahafatesan’ilay Mpanadio Masjid?”. Raha jerevana izany, dia nataondreo tsinontsinona ny momba an’ilay Mpanadio ny Tranon’ny Allah (MASJID=TOERAM-PIANKOHOFANA).

Ka hoy Mpaminany saw: “Tariho mankany amin’ny Fasany aho”. Ka notarihan’izy ireo tany am-pasan’ilay Mpanadio Masjid Izy, ka nivavaka taminy Izy.
Niteny Mpaminany saw hoe: “Ireto fasana ireto dia maizina hoan’ireo tompony, nefa tena marina fa, i Allah Ilay Avo indrindra dia mampazava azy hoazy ireo amin’ny alalan’ny vavaka izay ataoko izao”. {Al-Boukhari}.

Mpaminany saw mihitsy no, miezaka manohina ny tenany amin’ny fiainana eto an-tany amin’ny fomba mendrika tsisy fampisaraham-bazana, indrindra amin’ny resaka fanolorana fanomezana hoan’ny hafa, izay tsy nijerevany volon-koditra na fihaviana akory.
Hoy Hakim bin Hizam: Ny Mpaminany Mohammad (SAW) no, olona tena tiako indrindra amin’ny olombelona rehetra tamin’ny fotoanan’ny habadoana.
Ka rehefa nampandre ny maha Mpaminany azy i Mohammad (saw), ary nandeha tany Madinah Izy, dia nivoaka i Hakim bin Hizam namonjy fotoan-tsena, ka nahita Akanjo sy Salovana hoan’ny “Zy Yazni” izay Mpanjakan’ny Yamen teo aloha.
Ireo lamba ireo, dia vidina Dimampolo Dirham (50D) . ka novidiny io lamba io mba hataony fanomezana hoan’ny Irak’Allah (saw). Tonga izy nitondra an’ilay fanomezana.
Rehefa hanolotra azy amin’ny Mpaminany (saw) izy, dia nanda tsy haka an’izany fanomezana izany Mpaminany (saw).

Hoy Oubaydoullah: Heveriko, fa niteny Izy hoe: Izahay dia tsy mandray fanomezana avy amin’ny mpanompo sampy, afa-tsy hoe mividy aminy no azonay atao, ka noraisiko ilay lamba fa, nomeko azy ny vidiny. (Izany hoe; tsy noraisin’ny Mpaminany ho fanomezana ilay izy fa, novidiny).

Rehefa tonga tao Madinah Izy (saw), dia mbola nitafy azy, ary hitako mihitsy izy nitafy azy rehefa niakatra ambony Mimbary (Toerana fitoriana teny), ka mbola tsy nahita fitafy tena tsara mitovy amin’izany aho tamin’izany andro izany.

Taty aoriana dia nomen’ny Mpaminany (SAW) an’i Ousamah bin Zayd ilay Fitafy tsara iny. Ka rehefa hitan’ny Hakim bin Hizam i Ousamah nitafy an’io lamba io dia niteny izy hoe: ry Ousamah! Ianao mitafy Lamban’ny Mpanjaka Zy Yazni!?

Namaly izy hoe: Eka. Satria tena marina fa, zaho no, tsara lavitra noho ny Mpanjaka Zy Yazni. Ary Dadako dia tsaratsara noho ny Dadany, ary ny Reniko dia tsara mandilatra ny Reniny. [Al-Moustadrik Alá As-Swahihain. J:3. Pejy:551. Swahih Al-Jami’:2294. As-Swahihah:1707].

Inona no nahatonga azy (saw) niteny an’io???
 Hamafisina, fa ny Finoana Silamo no nahatonga azy niteny izany, izay mampitovy ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.
Finoana Silamo, izay tsy manavakavaka amin’ny fisamihafana amin’ny resaka fihaviana, na amin’ny resaka fihodirana, ary nanome azy ireo ny zony Izy. Anisan’izany ny fahalalahana hiteny, izay tsiazon’izy ireo natao mihitsy teo aloha.

Anisany fihetsika tsara nananan’ny Mpaminany (SAW), dia ny fipetrapetrahany miaraka amin’ireo Mpanaradia azy, Miresaka amin’izy ireo, Misangisangy amin’izy ireo, ary manadihady sady manontany azy ireo momba ny fiainan’izy ireo.
Anisany toetrany (saw) dia, mihaino ny fitarainan’izy ireo, sady manitsy izay mety mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Finoana Silamo, ary indrindra moa mahakasika ny fihetsik’izy ireo amin’ny asa atao sy amin’ny fomba fiteny.

Ary indrindra moa momba ny resaka fanambaniana na fanitsakitsahana ny hafa.
Nambaran’i Al-Ma’rour bin Souwaid: “Indray andro nifanena tamin’i Abou Zarr (RA) tao Ribzah, izy dia nitafy akanjo mihaja, ary ny ankizy lahiny koa nitafy torak’izany. Ka nanontaniako azy momba an’izany, ka hoy izy hoe: Indray andro aho dia nifamaly tamin’ny lehilahy anankiray, ka noteniteneniko momba ny Reniny.

Ka hoy Mpaminany saw hoe: “Ry Abou Zarr! Nompainao amin’ny Reniny ve izy? Tena marina, fa ianao dia mbola manana toetra feno habadoana. Ireo andevonareo dia rahalahinareo ihany. Ataovy tsar any fikarakaranareo ny andevonareo. Satria izy ireo dia, rahalahinareo amin’ny Finoana, fa Allah no, nanao azy ireo eo ambany fahefanareo.
Ka izay manana rahalahy (@finoana Silamo) dia, miala mampihinana azy amin’izay haniny, ary hampitafy azy mitovy amin’izay tafiny. Ary k’aza terna hanao asa tsy zakany izy ireo. Fa raha toa ka sendra ampanaovinareo asa mafy mihoatra ny tkony ho vitany, dia mba ampio izy ireo”. [Al-Boukhari].

Raha ny tantaran’i BILAL BIN RABAH (RA) no, jerevana dia hita fa andevo Ethiopiana mainty izy, izay tsy nanana toerana ambony na voninahitra ambony tamin’ny tantaran’ny Finoana Silamo, afa-tsy fanetren-tena sy ny fahafantarana ny zon’ny manan-jo.
Ka matetika maro ny olona tonga aminy mitantara ny hasoavana sy ny hatsarana izay nomen’i Allah azy.
Ka rehefa maheno an’izany fiderana azy izany izy, dia mampahafantatra ny tenany ny zon’ny tenany. Mba hanakana azy tsy ho tafiditra amin’ny fitaka sy fanambonian-tena.
Rehefa tonga saina tsara izy ary ny ranomasony dia miraraka amin’ny fifiny, ka miteny izy manao hoe: Hamafisina hoy izy fa, izaho dia tsy iza fa, afrikanina sady andevo tamin’omaly?

Rehefa tonga ny vaovao fa, ny vahoaka zany dia misafidy azy toy izay Abou Bakr As-Swiddiq (Lehiben’ny Mpino Silamo voalohany taorian’ny Mpaminany saw), izay tena mendrika amin’ny zavatra namboarin’i Allah swt aorian’ireo Iraka sy Mpaminany.

Ka manontany zany Bilal hoe: Inona ny antony isafidiananareo ahy anatrehan’i Abou Bakr (RA), satria izaho dia tsy inona afa-tsy hasoavana avy amin’ireo hasoavany? [Tantaran’ny Damasy, hoan’i Ibni Asákir].

Ary izy (Bilal) ihany no niditra tao amin’ny Ka’abah (Toerana fitodihana mivavaka izay any Makkah) ka nandrora tamin’ireo Sarivongana izay hita tao anatiny, ary miteny izy manao hoe: Hamafisina, fa matiantoka sady tsy hahomby izay mbola manompo anareo? [Histoire de Damas pour Ibni Asákir].

Ary Ny Iraka masina Mohammad (SAW) dia nijoro vavolombelona fa, i Bilal (RA) dia, anisan’ny olona hitoetra any amin’ny Paradisa.
Ka anisany porofon’izany, dia indray andro tamin’ny fotoanan’ny vavaka amin’ny maraina vao mangiran-dratsy (Swalah Fajr) raha niteny tamin’i Bilal ny Mpaminany (SAW) hoe: “Oh ry Bilal! Mba tantarao amiko ny asa tena tsara nataonao tamin’ny Finoana Silamo, satria izaho dia, naheno famindran’ny kiraronao (feon’ny tongotrao) anatrehako any amin’ny Paradisa.

Ka namaly Bilal (RA) hoe: Tsy mba nisy asa tena soa tokoa nataoko, afa-tsy ny hoe; Izaho dia, rehefa avy manao fidiovana masina, na amin’ny antondro izany na amin’ny alina dia tsimaintsy manatanteraka fanampoam-pivavahana (an-tsitrapo) aho araka izay sitraky ny Tompo Allah swt ho vitako amin’iny fidiovana masina nataoko iny.

Ary momba azy (Bilal) sy ireo marefo mitovy aminy mihitsy no, efa nampidinan’i Allah swt avy amin’ny Boky masina Kor’any izay vakina mandrapahataperan’izao tontolo izao.

Indray andro tonga tamin’ny Mpaminany (SAW) ireo manankaja avy amin’ny Foko Koraishy, ary Mpaminany (SAW) tamin’izany fotoana izany, dia nipetraka niaraka tamin’ireo mpanaradia azy izay heverina fa, marefo ara-pivelomana.

Anisan’izany; Bilal bin Rabah (ethiopiana), salman Al-farisy (Persa na Aziatika, souhaib Ar-Roumy, (Romanina/Eropeana) sy ny hafa mitovy amin’izy ireo tahak’i Ibni Oumm Abd, sy Ammar ary Khabbab, izy ireo voalaza rehetra ireo dia anisany mpino Silamo marefo sady sahirana ara-pivelomana sy resaka kilasy amin’ny fiaraha-monina.
Rehefa hitan’ireo loholon’ny Koraishy ireto olona ireto mipetraka manodidina an’ny Mpaminany (SAW), dia nambanian’izy ireo no sady nopempoany izy ireo, ary niteny tamin’ny Mpaminany (SAW) ireo loholona hoe: Oh ry Mohammad! Izahay dia, mba maniry hipetrapetraka miaraka aminao, amin’izay mba fantatr’ireo Arabo ny Voninahitray (Lanjanay) .
Satria mahamenatra anay raha tonga aminao ireo delegasiona Arabo ka mahita anay miara-mipetraka amin’ireo andevo ireo.

Ka noho izany dia, raha amin’ny fotoana izahay tonga aminao dia roahy any ireo andevo ireo fa, rehefa lasa izahay dia, afaka mipetraka miaraka amindreo ianao raha sitrakao!!

Eny hoy Mpaminany (SAW); ka niteny izy ireo hoe; Soraty ary ny fanekena momba izany. Ka nanafatra boky Izy, ary niantso an’i Ali (RA) mba hanoratra ny fifanarahana mahakasika izany.
Ny fanirian’ny Mpaminany (SAW) amin’ny fanaovana izany dia, mba hampatanjaka ny finoana Silamo sy ireo mpino, raha tafiditra ao anatiny izy ireo (Loholona), no sady mba hampalefaka sy hampitambatra ny fon’izy ireo.

Nefa na dia izany aza, dia tsy misy lanjany amin’ny finoana Silamo izany rehetra voalaza izany, fa ny fototra Fondamentale, dia hijanona amin’ny maha fototra azy hatrany, ary ny lanja dia hipetraka amin’ny maha lanja azy hatrany koa.

Ka noho izany no nampidinan’i Allah swt izao andininy manaraka izao: “K’aza roahina ireo izay mangataka amin’ny Tompo Zanaharin’izy ireo amin’ny maraina sy hariva, mitady ny fankasitrahany. Tsy anjaranao velively no mitsara azy ireny, ary tsy anjaran’izy ireo koa no mitsara anao. Koa raha mandroaka azy ireny ianao, dia hoanisan’ireo mpanao ny tsy rariny (52), tahak’izany koa, dia nomeko fitsapana ny sasany tamin’izy ireo anatrehan’ny hafa mba hilazany hoe: “Moa ve izy ireo no nosoavin’Andriananahary teo aminay? “. Tsy Andriananahary ve no Mahalala indrindra ireo izay mahay mankasitraka? (53), Ary raha tonga eo aminao ireo izay mino ny teniko, dia lazao hoe; “Ho aminareo anie ny Fiadanana! Nitonon-tena ho Mpamindra-fo ny Tompo Zanaharinareo. Ary na iza na iza nanao ratsy tsy amim-pahalalana taminareo, ka aveo dia nibebaka sy nanatsara ny fitondran-tenany taty aoriana. Dia hamafisina, fa Mpamela heloka sy Mpamindra-fo Izy”. [Al-an’am, and:52-54].

Hoy ireo Mpanaradia ny Mpaminany (saw) fa, rehefa aveo dia, natsipiny avy amin’ny tanany ilay boky, ary niantso anay Izy ka tonga izahay. Ka nambarany tamin’izany dia; “Fandriampahalemana enga anie ho aminareo! Nitonon-tena ho Mpamindra-fo ny Tompo Zanaharinareo”.

Misy fotoana izahay dia miara-mipetraka aminy, ka rehefa misy zavatra tiany hatao dia, mitsangana Izy ary tonga dia lasa, ary avelany mipetraka eo izahay. Ka nampidinin’i Allah swt izao andininy masina izao: “Mahareta ianao miaraka amin’ireo izay mangataka amin’ny Tompony amin’ny maraina sy hariva, maniry ny Fankasitrahany. Ary aoka ny masonao tsy hitodika amkin’izy ireo, noho ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany”. [Al-kahf, and:28].

Taorian’izany dia, ny Iraka masina (saw) dia mipetraka hatrany miaraka aminay. Fa rehefa tong any fotoana izay tokony hitsanganana handeha dia, mitsangana daholo izahay, ary avelanay irery eo Izy ka hatramin’ny fotoana izay hialany eo.

Iza moa izany io Afrikanina io, izay andevo tamin’omaly, nefa nohony fanarahany ny Finoana Silamo dia lasa Lehibe izy androany!!

Ndao tsika hihaino ny tantarany araka ny nanoratan’ny Manampahaizana Tompokolahy antsoina hoe: Khalid bin Khalid (Allah enga anie hanana inakinaka amin’ny fanahiny) raha niteny izy hoe: “Hamafisina, fa i “Bilal bin Rabah” no, mpiantso hivavaka “Mouazzin” voalohany amin’ny Finoana Silamo, ka niparitaka tamin’ny alalan’ny antsony ny Fahamarinana.

Tsy iza ary izany fa, “Bilal”, izay mpanapotika ny Sarivongana.

Tena marina fa, Bilal dia tsisy tsy mahafantatra koa, sa iza koa mbola sahy hiteny fa, tsy mahafantatra an’i Bilal, izay mitoetra amin’ny fon’ny Mpino Silamo sy ny famantarana masina maneran’izao tontolo izao.

Bilal dia, iray anatin’ireo fahagagana lehibe maro anatin’ny Finoana Silamo..

Isaky ny mpino Silamo folo (10), hatry ny fiantombohan’ny Finoana Silamo, ka hatramin’izao androany izao, ary ka hatramin’ny fotoana izay sitraky ny Tompo Allah (swt), raha fito amintsika farafahakeliny dia, mahafantatra Bilal daholo.

Izany hoe; Antapitrisany maro ireo olona mahafantatra an’i Bilal hatry ny nandalovan’ny taonjatony maro sy taranaka nifandimby teto antany. Hain’izy ireo tsara na tsianjery aza ny anaran’izy ireo, no sady hain’izy ireo tsara koa ny asa nataony, tahaka ny fahafantaran’izy ireo ny Lehiben’ny Mpino Silamo anankiroa: Abou Bakr sy Omar !!...

Ary ianao dia, afaka manontany tsara ny ankizy izay mbola mandady eny amin’ny fianarany mandritry ny fahazazany, ataontsika ohatra any Egypta, na any Pakistan na Shina..
Any amin’ny Kaontinanta Amerikanina roa, ary any Eropa sy Rosia..

Ary any Iraka sy Syria, ary any Iran sy Soudan..

Any Tounizia, maroka sy Alzeria…

Ary ka hatrany amin’ny farany lavitra indrindra any Afrika, ary tahak’izany koa any amin’ny Faritra Azia..
Ary maneran’izao tontolo izao dia, tsimaintsy misy mpino Silamo maro daholo no monina any. Afaka manontany ny ankizy zanaka mpino Silamo ianao hoe: “Rankizy Oh! Iza moa izany Bilal izany?
Mba hamaly anao izy hoe: Izany Bilal izany dia Mpiantso amin’ny fivavahana hoan’ny Mpaminany (SAW). Izy ilay andevo izay nandevozin’ny Lehibeny, sady nosaziany tamin’ny vato tena mahamay tokoa mba hiala amin’ny Finoany.
Nefa tsy nanakana azy hifikitra amin’ny finoany izy ka, niteny hatrany izy (Bilal) hoe: “Ilay Tokana.. Ilay Tokana”..

Ka raha mba hitanao amin’izay ny fiadanana mandrak’izay nomen’ny Finoana Silamo an’i Bilal (RA), fantaro fa Bilal dia, tsy inona akory talohan’ny Finoana Silamo fa, andevo izany tena ambany lanja tokoa. Ny asany dia, miaraka’andro miamby ny ramevan’ny Lehibeny. Ary mikarama antrendry feno felan-tánana roa, izay tsy mahavelona akory.
Ka noho izany dia, matetika izy no, fanina nohony hanoana tafahoatra, ka efa nisy fotoana tonga tamin’ny ambaratonga ambony tokoa izany fijaliany izany ka, lasa manadino tsy tokony ho izy i Bilal (Allah enga anie faly aminy=Radhiyallahou anhou/RA)..
Nefa, ny fahamarinany tamin’ny Finoany sy ny halehibeazan’ny Finoana (SILAMO) izay ninoany no, nanome azy toerana ambony sy voninahitra tamin’ny fiainany sy ny tantarany teo anatrehan’ireo olona ambony tamin’ny fitondrana Silamo sy ireo manankaja amam-boninahitra ary ireo olon’ny fahamendrehana sns…

Hamafisina etoana, fa be dia be amin’ireo olona ambony eto an-tany amin’ny resaka fananan-karena, sy fahefana, ary voninahitra dia, tsy nahomby mitovy amin’ny fahombiazan’i Bilal Ilay Afrikanina, izay nahazo ny fahombiazana mandrak’izay!!

Na dia ireo olona malaza manerantany aza, dia mbola tsy nisy nahatratra ny fahombiazan’i Bilal (RA), na dia kely aza amin’ny fahombiazana raiketin’ny tantara..
Ny hamaintin’ny hodiny, sy ny tsy fananany voninahitra ambony sy fihaviana tsy manan-kaja, ary ny faharefoany eo anatrehan’ny mpiara-belona amin’ny maha andevo tsisy dikany azy dia, tsy nahasakana azy hahazo io toerana tena ambony io rehefa nisafidy ny finoana Silamo izy. Satria noho ny fahamarinany sy ny fahamatorany ara-pinoana, ny fahadiovany ary ny fahadiovam-po izay nananany.

Betsaka amin’ny olombelona no, manana fisainana hoe; raha andevo hoatrany Bilal, tsy tokony mendrika hanana fianakaviana fa, karazana hafa tanteraka mihitsy.
Satria tsy nisy fianakaviana hiaro no sady tsy nanana hery sy tanjaka, ary tsy nanana na inona na inona aza izy tamin‘ny fiainany naha andevo azy. Izy dia lasa fananana hoan’ny lehibeny izay nividy azy tamin’ny volany.
Ka, ny asany tamin’ny maha andevo azy dia, mandeha miarak’andro vao maraina mikarakara ny ondry sy hosy ary ramevan’ny Lehibeny, ary miverina mody amin’ny hariva.
Araka ny fihevitry ny sasany dia, raha olona tahaka ireny dia tsy havita na inona na inona zavatra, ary tsy mendrika ho inona akory.
Nefa, tampoka dia mifanohitra amin’izay tanteraka ny toe-javatra miseho ka, lasa olon’ny finoana marina izy, izay tsy azon’ny hafa ankoatry ny tenany.

 Ka sitraky ny Tompo Allah swt dia, lasa Izy no Mpanao “Azan/Antso amin’ny fivavahana” voalohany hoan’ny Mpaminany (saw) sady hoan’ny Finoana Silamo.
Ary izany asa masina izany no, nirin’ireo loholna Koraishy hoan’ny tenany sy ireo olona ambony izay niditra amin’ny finoana Silamo sady nanaraka ny sori-dalan’ny Mpaminany Mohammad (saw).

Eny Tompoko.. Bilal bin Rabah!

Inona ny tantara malaza sy lehibe izay tsindrian’ity anarana “Bilal bin Rabah” ity mafy..?!
Izy dia, afrikanina maintin-koditra, ary zanaka andevo vavy maintin-koditra ihany koa, izay antsoina HIMAMAH ny anaran-dReniny.. ka avy tamin’izay mihitsy no, nahatonga azy ho andevon’i Oumayyah bin Khalaf Al-Juhamy tao Makkah.
Satria zany ny Reniny dia, iray tamin’ireo andevo vavy sady mpanampin-dreo fahiny.

Bilal izay niaina fiainan’ny andevo tanteraka, izay niaina tanatin’ny fahantrana lalim-paka tokoa, na dia ny hohanina androany dia tsy hita akory, ary tsy mba misy fanantenana amin’ny hahitana ny sakafo hohanina ampitso ihany koa !!..

 Ka rehefa tena niantomboka niparitaka tokoa ny vaovaon’ny Mpaminany Mohammad (saw), ka tonga taminy (Bilal) izany vaovao izany, satria ny mponin’ny Makkah dia mifanakalo sady mampitampita ny vaovaony. Ary eo koa rehefa maheno ny resak’ireo lehibeny sy ireo olona mivahiny ao amin’izy ireo, ary indrindra indrindra moa “Oumayyah bin Khalaf, iray tamin’ireo Loholona (Lehibe) avy amin’ny Fokon’ny Jumah, izay nanandevo an’i Bilal (RA) sy ny maro hafa..

Oumayyah, Lehiben’i Bilal (RA), dia matetika miresaka ao antranony miaraka amin’ireo namany (Akamany) momba ny Iraka masina Mohammad (saw), ary ireo anatiny fokony indraindray, mankaratsy azy (saw) amin’ny fomba feno fankahalana no sady mikasa hanao ratsy aminy, ka izay no asa-lohan’izy ireo fahiny..

Fa ny sofin’i Bilal dia, maheno ny resaka rehetra izay mandalo sy mihodina ao antrano (satria andevo tao izy), resaky ny adala izay mifono hatezerana tanteraka.
Ka izay teti-dratsy sy toetra tsy mendrika rehetra henony tao an-tranon’ny lehibeny izay no, nitarika azy hiditra sady hanaraka ny Finoana vaovao (Islam/Silamo) sy izay rehetra nentin’izany finoana izany momba ny Fanokanana an’ny Tompo Zanahary amin’ny resaka fanompoana, sy ny fiantsoana amin’ny toetra mendrika sy mihaja indrindra, tahaka ny fitovizan-jo sy ny fahalalahana hoan’ny rehetra tsy ankanavaka..

Ary rehefa niditra amin’ny finoana Silamo izy, dia nahatsapa fa, ireto dia toetra tsara vaovao hoan’ny tontolo izay niainany teo aloha.

Ary indrindra moa amin’ny fandrenesany ny kotroky ny resak’izy ireo. Izany hoe; tahaka ny kotro-baratra ny resaka izay ataon’izy ireo noho ny hatezerana tafahoatra, izay mampatahotra sady mampihorohoro.

Ary izy ireo dia, tena miaiky fa, olona manan-kaja sy voninahitra i Mohammad (saw), ny fahamarinany, ny fitokisana izay ananany, ary ny fahiratan’ny sainy.
Izany hoe; raha mbola olombelona dia, tsisy tongalafatra ankoatry Mohammad (saw).

Tandremo fa, izy (Bilal) dia tena maheno azy ireo gaga sady lasa mangotraka na mafanan’ny hatezerana sy asa-loha ny tratrany, nohony zavatra (FAHAMARINANA) nentin’ny Mpaminany Mohammad (saw)!!
Ny sasany amin’izy ireo dia, mitantara amin’izy samy izy hoe: Mohammad (saw) dia, mbola tsy nisy andro nandainga. Mbola tsy nanao ombiasa na fanafody gasy, ary mbola tsy nisy andro nahadala azy (mbola tsy nisy andro nahamola azy).
 Ka raha tsy miezaka izany isika androany amin’ny fanazavana ireo fankaratsiana sy fanendrikendrehana izay ataon’ireo fahavalon’ny Finoana Silamo, dia sanatria tsy isika indray no, lasa ho vatomisakana tsy hidiran’ny sasany amin’ny Finoana Islamo!!..

Izy (Bilal) dia, maheno azy ireo (fahavalo) miresaka momba ny fahamarinan’ny Mpaminany (saw)..
Momba ny fahamatorany..
Fijoroany amin’ny mahalehilahy matotra azy sy ny toetra tsara nananany..
Fahadiovany voajanahary sy ny fahasalaman’ny sainany na fahiratany..
Maheno azy ireo izy mibitsibitsika miresaka momba amin’ny ahoana hamonoana sy hanenjehana an’ny Mpaminany (saw). Izany hoe: ny fiarovana ny fomban-drazana no laharampahamehana tamin’izy ireo.
Ary ny laharampahamehana lehibe faharoa hoazy ireo dia, ny TAHOTRA amin’ny voninahitry ny Foko Koraishy.
Voninahitra amin’ny fitazomana ny Ivotoeran’ny FINOANA ara-tantara, izay Renivohitry ny FANOMPOANA sy ny fanaovana SORONA masina ary indrindra moa ny FIVAHINIANA masina, izay tanterahina any amin’ny Tanin’ny ARABIA.
Ary anisany teti-dratsin’izy ireo tamin’izany dia, ny fankahalana ny TARANAKY HASHIMO, ka tsy tian’izy ireo ny hisiana Mpaminany sy Iraka raha tsy avy amindreo!...
Ka indray andro dia, nahita ny HAZAVAN’I Allah (swt) i Bilal bin Rabah (RA), rehefa naheno avy amin’ny halalin’ny FANAHINY ny feo, ka lasa izy nankany amin ‘ny Iraka Masina Mohammad (saw) ary nijoro vavolombelona niditra amin’ny Finoana Silamo.

Tsy mora velively raha heverina ny Fiainan’i Bilal (RA) taorian’ny fidirany amin’ny Finoana Silamo, raha ampitahaina amin’ny fiainany teo aloha; mandry, mihinana sy misotro..
Tsy ela dia, niparitaka ny vaovao mahakasika ny fidirany amin’ny finoana Silamo.
Ka lasa nihorohoro ny tany tratran’ireo Lehibe avy amin’ny fianakaviana Joumah, ireo loholona izay feno fanamboanian-tena ny lohany, sady feno vesatry ny fitaka..!!
Ary nanery ambony tratran’ny Oumayyah bin Khalaf, ireo Devoly rehetra maneran-tany.
Satria hitany fa, mahatsiaro afa-baraka izy (Oumayyah) fa, anisany andevo farany ambany lanja tao aminy dia, niditra amin’ny Finoana Silamo.

Tena mahatsiaro menatra sy afa-baraka daholo izy mianakavy, satria Ilay Andevon-dreo Etiopiana (Afrika) dia, niditra amin’ny Finoana Silamo ka nanaraka an’i Mohammad (saw)..?!

Niteny amin’ny tenany Oumayyah nanao hoe: Raha izao dia, tsy maninona.. mandrak’izay hoy izy, fa; ny masoandron’ny androany dia tsy hilentika, afa-tsy hoe;milentika miaraka aminy ny Silamon’io andevo mikomy io ( Andevo tsy mankatoa ny lehibeny) !!..

Ny Masoandro nefa, dia tsy nilentika tamin’ny fidiran’i Bilal (ra) tamin’ny Finoana Silamo, fa nilentika inrdray andro nohony sampin’ny Koraishy sy ireo mpiaro an’izany sarivongana izany!...
Bilal dia, nanana toerana ambony, izay tsy sokajiana ho VONINAHITRA hoan’ny Finoana Silamo irery fotsiny fa, raha toa ka ny Finoana Silamo no mendrika an’izany voalohany dia, voninahitra hoan’ny zanak’olombelona rehetra tsy ankanavaka sy ny mahaolona tokoa izany..
Satria hamafisina, fa tena sazy mafy isaky ny lokony no nanasaziana azy ireo tamin’izany, izay mipaka ka hatramin’ny taolana ny tehoka izany sazy izany.
 
Hita amin‘ny ohatra izay omen’ny Tompo Allah (swt), fa na dia maintin-koditra sady andevo ny olona anankiray dia afaka mahazo an’izany fanahy avo faratampony izany raha toa ka manana finoana sady vontompinoana, ary mangataka fiarovana amin’ny Mpahary azy sady mifikitra amin’ny fahamarianana mandrakariva.

Bilal (RA) dia, nanome anatra tena mafonja hoan’ireo olona tamin’ny fotoan’androny, sady hoan’izao tontolo izao izay manaraka ny Finoana Silamo izany na koa ireo izay manaraka finoana hafa.
Ny hafatra izay fonosin’izany anatra izany dia, ny hoe; Ny fahalalahan’ny vatana sy ny voninahitra dia, tsy voavidim-bola na dia volamena mameno ny tany aza izany, ary tsy sazy mitovy amin’izany ihany koa.

Misy fito (7) ireo voalohany nampahafantatra ny fidirany tamin’ny finoana Silamo hatry ny nanombohan’ny finoana Silamo.
Izao avy izy fito ireo;
Irak’i Allah, mohammad (saw)
Abou Bakr
Ammar, sy ny Reniny
Soumayyah
Souhaib
Bilal, ary
Miqdád.

Fa ny Mpaminany (saw) dia, narovan’ny Tompo Allah (swt) izy taminy alalan’ny Dadatoany, rehefa nenjehin’ny vahoakany izy.
Ary Abou bakr dia, narovan’i Allah swt izy taminy alalan’ny vahoakany. Fa ireo namany sisa hafa ireo dia, nalain’ireo mpanompo sampy ka, nampitafiny vy mahamay sady nosaziany amin’ny hafananan’ny masoandro.

Izy rehetra io dia, tsisy nahazo sazy mavaivay mitovy amin’i Bilal (RA), nefa na dia henjana tahaky ny ahoana aza sazy nahazo azy dia, vaomaika nahatonga azy nanetri-tena hoan’ny Tompo Allah (SWT=Ilay feno dera sy Avo indrindra), ary hoan’ny vahoakany ihany koa.
Nomena an’ny tanora izy ka, nentin’izy ireo nihodikodina nanodidina ny tananan’ny Makkah, ary ny zavatra naverimberiny tamin’izany dia ny fitenenana hoe: “Ahad.. Ahad; Ilay Tokana, ilay tokana”. Izany hoe: Ilay Zanahary To-kana izany. [swahih bin Hibban, J15. Pejy:558].

Anisany fampijaliana nahazo an’i Bilal (RA) dia, efa naboridana amin’ny hafanan’ny vekatr’afo mangotraka izy, mba hialany amin’ny Finoany “Islam”, na mba hivadika tsy hanaraka tanteraka ny Finoana silamo fa, hisolelaka na hijoro vavolombelona sandoka. Nefa Bilal (RA) dia, nanda tsy hanao an’izany fa, hifikitra hatrany amin’ny finoana Islamo.
Hamafisina fa, ny Iraka masina Mohammad (SAW) sy ny Finoana Silamo dia, nametraka Bilal (RA) ho Mpampianatra hoan’ny zanakolombelona rehetra tsy ankanavaka, amin’ny lafiny mahakasika ny fanajana ny mahaolona, ary ny fiarovana ny fahalalahana sy ny voninahitra amin’ny mahaolombelona.
Misy fotoana koa dia, entindreo izy (Bilal) atapy amin’ny hain’andro mafana, amin’ny fotoanan’ny hafanan’ny dezera (tany karakaina) mivadika ho afobe mahafaty.

Izy eny ambony vato kaiasy mangotraka mahamay.
Mbola tsy vitan’izany fa, mbola mandefa vatan-dehilahy maro izy ireo haka vato izay tena mafana indrindra tahaka ny Afobe, nefa atreky eo amin’ny tratran’i Bilal sy ny vatany izany vato mangotraka tsy zakan’olona vitsy izany.

Mbola nitohitohy hatrany io fanasaziana feno habibiana io isak’andro vakin-Janahary, izay nahatonga ny fon’ny sasany amin’ireo Mpanandevo azy halemy, noho ny hamafin’ny sazy izay nahazo azy.
Ka ny fara-hevitra izay noheverin’izy ireo tsimaintsy hatao dia, ny hamotsorana azy tanteraka. Nefa izany famotsorana izany dia, tsy mora velively.
Ka anisany fitakian’izy ireo taminy (Bilal) dia, mba hiresaka tsara momba ny sampy izay tompoin’izy ireo, na dia teny kely iray fotsiny aza izany, mba hiarovan’izy ireo ny fanambonian-tenany.

Ry zareo Koraishy dia, tsy miresaka sady tsy miaiky ny fahareseny anatrehan’ny fahamatoran’ny andevony sy ny fihizingizinany tsy hivadika ka hanaraka ny fombandrazan’izy ireo sy ny fanompoan-tsampiny..

Nefa, na dia io teny tsotra kely iray io aza, izay mety afaka niteneniny aorian’ny fony, ka mba hividianany ny fiainany, izay mety tsy havery ny finoany fa, tsy sanatria hitady fahafaham-po amin’ny fanompoan-tsampn’izy ireo, dia mbola tsy nataon’i Bilal (RA) izany.
Na dia, io teny tsotra kely io fotsiny dia, tsy nekehin’i Bilal (RA) ny hiteny azy mba, ho famalifaliana ireo loholona izay nanandevo azy!
Eny, tena nandá tsy hiteny izany tokoa izy (Bilal), fa aleony nisafidy ny hamerimberina ny teny hoe; “Ahad.. Ahad”, izay midika hoe: “Zanahary Tokana irery ihany”.
Miteny aminy izy ireo hoe; Avereno izay teneninay..
Nefa avaliny azy ireo amin’ny fihetsika feno fanesoana sy fivazana hoe: “Ny lelako dia, tsiafaka miteny an’izany”. Izany hoe; tsy haiko miteny izany zavatra teneninareo zany!!..
Ka tavela tamin’ny fampijaliana amin’ny hafanan’ny afo sy vatomafana sady mavesatra, ka rehefa tonga amin’ny fotoana fitongilanan’ny masoandro mandrapahilentenany dia, atsangandreo izy ary fatorana tady eo amin’ny vozony, ka baikon-dreo ny ankizy lahin-dreo hitarika azy mandehandeha manerana ny tendrom-bohitry Makkah sy ny lalana, mba ho fampijaliana an’i Bilal.
Nefa Bilal dia, mbola tsy valaka no tsy kivy ny mamerimberina ny teny hoe: “Ahad.. Ahad” amin’ny fotoana izy taritin’ireo tanora mandehandeha any.

Isan’andro rehefa maty ny masoandro dia, tenenin-dreo izy hoe: Rahampitso mba mitenena teny tsara vitsivitsy momba ireo Tomponay.
Teneno hoe: Tompoko Alláty sy Al-ozzá, mba hamotsoranay anao sy ny raharahanao.
Satria izahay dia, efa reraka mafy tokoa amin’ny fanasaziana anao, ary izahay mihitsy no mahatsiaro voasazy amin’izany!
Nefa, ahodinkodiny ny lohany miteny hoe; “Ahad.. Ahad” Ilay Zanahary tokana ihany..
Rehefa nanda tsy hanao izy dia, novangosin’ny Oumayyah bin Khalaf izy dia nianjera ka torana mipetraka. Mitangaiky mafy be i Oumayyah manao hoe: Ratsy tokoa ny anaovanao anay izao ry andevo tsy vanona ity!

Mifanta amin’ny Alláty sy Al-ozzah (sampindreo izany) izaho (hoy Oumayyah) fa, tsimaintsy hataoko mahita tsara mba ho lesona hoan’ireo andevo sasany ianao.
Fa, Bilal kosa dia, mamaly amin’ny fitokisan’ny Mpino manao hoe: “Ahad.. Ahad”.

Ka mandeha ny resaka sy ady varotra momba ny famotsorana an’i Bilal, izay ataon’ireo mba malahelo azy ka miteny aminy hoe: Mba avelao izy oh ry Oumayyah..
Mifanta amin’ny Laty sy Ouzzah aho fa, mandrak’izay dia tsy ho saziana intsony izy manomboka androany (Bilal), satria Bilal ange olonay ary avy aminay, ary ny Reniny dia, andevovavinay, fa ny olana kely fotsiny saingy izy dia tsy mety hisy fotoana handrak’izay mba ho faly amin’ny resaka mahakasika ny Koraishy sy ny fanesoana izay ataony, noho ny antony ny Finoana Silamo izay arahiny io..

Ka rehefa aveo Bilal dia, mijery mafibe ny tarehy mpandaingan’izy ireo sady feno haratsiana sy teti-dratsy, ary mitsiky izy (Bilal), fitsikiana izay maneho ny ativava izay mazava tahaka ny hazavan’ny andro vao amaraina.
Ary miteny izy amim-pahatoniana izay mampihorohoro sady mampangovitra azy ireo manao hoe; “Ahad.. Ahad”, zanahary Tokana ihany.

Raha vao maraina ny andro ka manakaiky ny antoandro, dia alaina amin’izay koa Bilal, hoany amin’ny hafanan’ny masoandro sy ny tany ary ny vato, izay tena mangotraka tokoa ny hafanany. Nefa Bilal dia, niaritra ihany sady nanantena fahasoavana avy amin’ny Tompo Allah swt, amim-pahamatorana tsara.

Mandeha any amin-dreo i Abou bakr mba hanelanelana an’i Bilal, amin’ny fotoana izy ireo manasazy azy tanteraka mihitsy. Ka mampiaka-peo amin’izy ireo Abou bakr hoe; Tsy matahotra an’Andriananahary ve ianareo “ Ianareo ve mamono olona hiteny fa, andriananahary no Tompoko”??

Ka hatramin’ny oviana ary izao? Ka mamaly azy Oumayyah manao hoe: Avy taminao no nahatonga azy amin’izao haratsiana izao, avoty ary izy amin’izao zavatra hitanao izao!!
Ka hoy Abou bakr (RA) amin’ny feo izay tena masiaka tokoa amin’Ingahy Oumayyah bin Khalaf, hoe;"Raiso maherin’ny tokony vidiny hamotsorana azy, ary aoka mba ho olona malalaka amin’izay izy..
 Rehefa naheno tenin’i Abou bakr (RA) ry Oumayyah, dia tahaka ny olona lentika tanaty rano ka, nahita lakana hanavotra azy..

Faly dia faly sady nahatsiaro sambatra tokoa ingahy Oumayyah, rehefa naheno ny tolotra izay nataon’i Abou bakr (RA) amin’ny famotsorana an’i Bilal (RA), satria efa tena kivy sady diso fanantenana tokoa izy ireo amin’ny fandresen-dahatra an’i Bilal amin’ny tsy fanekeny hanaraka ny fanompoan-tsampy izay ataon’izy ireo izy.
Amin’ny maha mpandraharaha azy ireo, dia fantatry izy ireo tsara fa, aleo ihany mivarotra azy (Bilal) velona, tsara lavitra sady fahombiazana lehibe hoazy ireo toy izay ny hafaty azy izay tsy hahitana vokany velively.

Navidin-dreo tamin’i Abou bakr As-Swiddiq (RA) i Bilal (RA), ka tonga dia novotsorany avy hatrany tsisy hatak’andro intsony. Ka lasa ho Lehilahy malalaka tahaka ny rehetra Bilal (RA)…
Rehefa iny Abou bakr (RA) handeha hamotsotra an’i Bilal, ka mbola nandeha miadankadana izy mandray ny kihony, dia hoy Oumayyah taminy hoe: tonga dia alaivo any amin’izay izy fa, mifanta amin’ny Laty sy Ouzzah aho, fa raha tsy alainao izy dia, mba havidiko aminao amin’ny vidiny tena ambany lanja indrindra..

Ary tena kinga saina tokoa Abou bakr (RA), satria fantatra tamin’ireny teny nifanaovan’izy ireo ny hakiviana tanteraka sy fatiantoka tsisy mitovy aminy.
Fa ny tena tanjona dia, ny fahafahana tanteraka izay tsy himpody intsony ny fanandevozana tahak’ireny, izay no tena laharam-pahamehan’i Abou bakr (RA).

Satria amin’ny famotsorana an’i Bilal (RA), dia voninahitra hoazy izay lasa rahalahiny amin’ny Finoana Silamo, ary lasa mitovy tanteraka aminy, ka namaly Oumayyah niteny hoe: Mifanta amin’ny Zanahary aho, fa raha manda tsy handoa afa-tsy parata 100 fotsiny, dia mba nomeko anareo i Bilal!!..

Rehefa afaka Bilal, dia nentin’i Abou bakr tany amin’ny Mpaminany (SAW) ny akamany mba hampandre vaovao malaza tsara momba ny fanafahana azy.. ary tena lasa Fety lehibe tokoa izany!
Nisedra fampijaliana henjana tokoa ireo mpino Silamo, izay nino sady nanaraka an’ny Iraka masina Mohammad (saw) izay nataon’ireo Koraishy tao Makkah… ka nandidy azy ireo ny Iraka masina Mohammad (saw) hifindra-monina tany Madinah mba hialokaloka amim-pandriampahalemana tsara any, sady lavitry ny fampijalian’ireo mpanomposampy avy amin’ny Foko Koraishy…

Taorian’ny fifindran’ny Mpaminany (SAW) sy ireo Mpino Silamo tany Madinah, dia namoaka didy amin’ny tsimaintsy hanaovana Antso (Azán) isaky ny fotoana fanatanterahana ny fanompoam-pivavavahana (Soalah) Izy..

Nefa iza ary no ho voatendry amin’izany toeran’ny Mpiantso amin’ny Fivavahana izany in-5 isan’andro..? Miakatra sady mahafinaritra ny hatsaram-peony izay mamerimberina ny Fanokanana an’i Allah sy ny halebeazany izay mamakivaky ka hatramin’ny faravodilanitra aza izany feo manga izany..?

Tsy iza ary izany fa, Bilal bin Rabah.. Izay nihafatrafatra nandritry ny telo ambiny folo taona (13 ans) niaritra fampijaliana sy fanasaziana izay nahazo azy, nefa izy dia, nifikitra hatrany fa;”Allah dia Tokana..Tokana”.

Ka nifanandrify tsara tamin’i Bilal bin Rabah (RA) ny safidin’ny Mpaminany Mohammad (SAW) tamin’ny fifidianana izay ho Mpanao “Azán” voalohany, ka Bilal no notendren’ny Iraka masina Mohammad (SAW) ho Mpanao Antso (Azan) voalohany tamin’ny tantaran’ny Finoana Silamo.

Tamin’ny alalan’ny feomangany, izay manohina tsara sady mampiditra inakinaka sy fahatoniana anatin’ny fo, dia mameno ny fo rehetra amin’ny Finoana (Imane), sady fahafaham-po amin’ny sofina izay maheno azy, rehefa miantso tahak’izao manaraka izao izy;

Allahou Akbar.. Allahou Akbar/Allah ilay tena lehibe indrindra (in-4).
Allahou Akbar.. Allahou Akbar

Mijoro vavolombelona aho, fa tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy tompo Allah (2).
Mijoro vavolombena aho, fa tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy tompo Allah

Mijoro vavolombelona aho fa, i Mohammad dia Irak’Allah (2)
Mijoro vavolombelona aho fa, i Moahammad (Mahomet) dia Irak’Allah.

Avia hivavaka (2)
Avia hivavaka

Avia ho any amin’ny Fahombiazana (2)
Avia ho any amin’ny Fahombiazana

Allahou Akbar Allahou Akbar

La iláha illá Allah (Tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy Allah).

Nefa ireo mpanompo sampy Koraishy dia tsy nivaky loha mahakasika io Finoana vaoavao io, na dia mahita maso izy, satria mandroso malaky tokoa izany finoana silamo izany ary mitombo hatrany ny isan’ny mpino manaraka ny finoana Silamo.

Ka raikitra ny Ady teo amin’ny Mpino Silamo sy ny miaramilan’ny Koraishy, rehefa tonga tany Madinah ry zareo hiady ny Mpino Silamo..

Nifandona mafy tokoa ry zareo tamin’izany ady lehibe izany, izay sarotra dia sarotra tokoa ny fiatrehana azy ary ratsy dia ratsy tokoa ny vokany. Fa, Bilal kosa dia mandeha dia miverina tamin’ny fiantombohan’ny Ady lehibe izay niatrehan’ny Finoana Silamo, ary izay fantatra amin’ny anarana hoe: “
Ady Lehibe BADR”.

Ny Iraka masina Mohammad (SAW) dia, nibaiko amin’ny hanomezana ny teny filamatra hoan’izany Ady masina lehibe izany ny anarana hoe: “Ahad … Ahad”.
Tamin’io Ady; ehibe io dia, nandany vola aman-karena sy fitaovam-piadiana tena lafo vidy ry zareo Koraishy, ary nivoaka daholo ireo loholona sy ireo heverina fa, manan-kaja tamin’izy ireo hoany amin’ny toeram-piadiana!!

Tena nikasa hiverin-dalana tokoa ingahy Oumayyah bin Khalaf, izay Lehiben’i Bilal tamin’ny fotoan’androny, no sady nanasazy azy tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka fahiny ary tsisy inakinaka.

Saika niverin-dalana hilefa i Oumayyah bin Khalaf, raha toa ka tsy tonga taminy ny akamany anankiray antsoina hoe: Ouqbah bin Abi Mouyt, rehefa fantany fa, tsy te hiatrika ny ady i Oumayyah sady kamokamo no vakavaka (natahotra).

Ka avy ny akamany io nitondra fitoeran-dranomanitra, ka navoakany teo anatrehan’Ingahy Oumayyah ny ranomanitra, ary tamin’izany fotoana izany dia, nipetraka teo ampovoan’ny vahoakany izy (Oumayyah).

Ka natsipin’i Ouqbah ny fitoeran-dranomanitra teo amin’i Oumayyah, ary nambarany taminy hoe: Oh ry Dadan’i Aly! Maká amin’ireto ianao, ary manosora, satria ianao dia anisany vehivavy!!!...
Tonga dia nikiakiaka mafy be i Oumayyah, ka niteny izy hoe: Loza hoanao sy ny zavatra nentinao..
Ka tsy nahita fomba hafa hilefasana ka tsy hiara-hiady amin’ireo namany izy, ka voatery tsimaintsy nandray anjara tamin’ny Ady..

Hamafisina fa, ingahy Oukbah bin Abi Mouyt dia tompon’antoka lehibe indrindra tamin’ny fampirisihana an’i Oumayyah bin Khalaf, tamin’ny fanasaziana sy fampijaliana an’i Bilal (RA), sy ireo marobe hafa ankoatrany Bilal tamin’ny Mpino Silamo marefo..
Ary androany dia, mbola izy koa (Oukbah) no, tompon’antoka hamitaka azy (Oumayyah) amin’ny fampirisihana azy mba handray anjara amin’ny Ady Lehibe BADR, izay tao no tsimaintsy hiafaran’ny fiainany sy ny fahafatesany!!
Tahak’izany koa, fa tsimaintsy tao ihany koa no niafaran’ny tantaran’ingahy Oukbah!
Ingahy Oumayyah dia, anisan’ireo mpitambesatra afara milefa ady..raha toa ka tsy noho ny antony fampirisihana izay nataon’i Ouqbah taminy dia tsy niatrika ny ady izy!!

Nefa, tena manatanteraka ny baikony tokoa Allah, ka voatosika tsimaintsy nivoaka hiatrika ny Ady i Oumayyah, satria mbola nisy disadisa efa ela aminy sy iray amin’ireo Mpanompon’i Andriananahary, ka izao zany dia tonga ny fotoana fandoavana ny trosan’ady (reglement de comptes). Satria, ilay Nahary dia, tsy ho faty mandrak’izay, ary fantaro fa; Tahaka ny ataonareo ihany no, hatao aminareo. (Na amin’ny teny Malagasy tsotra hoe;
(Valin’ny fongiky dia fongaka)!!

Oukbah izay nohenoan’i Oumayyah anatra tamin’ny fampirisihana azy hiatrika ady, ary koa amin’ny fihazakazahana hanasazy ny Mpino Silamo tsy manan-tsiny, dia mbola izy ihany no, nanosika an’i Oumayyah tamin’ny fiafaran’ny tantarany (fahafatesany)..

Ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Am-pelantanan’iza ary ny fanatanterahana izany rehetra izany..?
Izany rehetra izany dia, nohony antony Bilal, ary Bilal irery ihany koa!!

Ny tánan’i Bilal, izay nofatoran’ingahy Oumayyah rojo-vy fahiny no, sady nampanaintaina azy (Bila) tamin’ny daroka sy fanasaziana..

Tamin’ny alalan’io tánana io ihany no, hiatrehana androany an’ireo mpampijaly avy amin’ny foko Koraishy tamin’ny Ady Lehibe Badr, tamin’ny fotoana izay efa nalahatry ny Tompo Allah swt ny hisehoan’izany. Izany hoe; tamin’ny fiatrehan’ireo mpanandevo Koraishy sy ireo olona nandevoziny fahiny tamin’ny Ady lehibe voalohany antsoina hoe; Badr.
Izy ireo izay nampijaly ny Mpino Silamo, noho ny fankahalana sy fampifahavaloana.

Ary tena tanteraka tokoa ny fisehoan’izany tranga izany..
Rehefa nanomboka ny ady teo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia, nihetsika ny amin’ilan’ny toeram-piadiana noho ny fanamafisan’ny Mpino Silamo amin’ny fanehoany ny teny FILAMATRA malaza hoe: “Ahad.. Ahad”. Ka rehefa nahita an’ireo rehetra ireo ingahy Oumayyah dia nahatsiaro niala taminy ny fony, satria tonga taminy ny sazy..
Tena marina fa, iny teny ilay naverimberin’ny andevo tamin’omaly tamin’ny fotoana nanasaziana azy dia, lasa teny filamatry ny finoana manontolo, no sady teny filamatra hoan’ny Vahoaka vaovao manontolo!!..

“Ahad.. Ahad”??!!
Hoatran’izany ve..? ary tena malaky be hoatr’izao.. ary mandrosobe toy izao..??
Ka nifamely ny sambatra, ary mihamafy tokoa ny ady..

Rehefa nanakaiky ho tapitra ny ady dia, hitan’ingahy Oumayyah i Abdour-Rahman bin Aouf (RA), izay naman’ny Mpaminany (saw). Ka nangataka fiarovana tamin’i Abdour-Rahman bin Aouf ingahy Oumayyah, mba ho gadra an’ady hoazy fa, tsy vonoina..

Nekehin’i Abdour-Rahman bin Aouf (RA) ny fangatahan’i Oumayyah, ka narovany zany izy, dia aveo lasa izy roa niaraka namakivaky teo anelanelan’ny ady izay tena mbola mafana tokoa, ka hoany amin’ny toeran’ny gadra an’ady.

Teo an-dalana dia, hitan’i Bilal ka niantsoantso izy hoe: “Iny ny Lohan’ny fikomiana Oumayyah bin Khalaf.. tsy hoavotra aho raha mbola velona iny”.

Nampiakatra ny sabatrany i Bilal hikapa lohan’i Oumayyah, izay niaina tanatin’ny fitaka sy lainga ary fanambonian-tena tafahoatra.

Ka niantso amin’ny feo tena avo i Abdour-Rahman bin Aouf (RA) hoe: “Oh ry Bilal! Avelao izy fa, gadrako io” (mialokaloka amiko izy).

Hoy Bilal taminy hoe; Teneninao fa, gadranao izy, nefa ny ady mbola tsy vita..?

Gadra sady kentrona, izay nandatsa-drá vao vetivety araka izay hita nataony tamin’ny vatan’ny mpino Silamo..?
Tsia.. raha araka ny hevitr’i Bilal (RA) dia, fiehezana sy fivazana amin’ny fanahin’ny sasany (fanadalana ny hafa) izany.. Oumayyah dia, efa betsaka sady ampy tsara ny fandrabirabina sy fivazavazana izay nataony..
Naneso tokoa izy, ka tsy namela toerana malalaka mihitsy izy rehefa manao izany hoan’ny andro hafa mitovy amin’izao andro androany izao, ka tonga amin’izao fiafarana mampitomany izao!!

Hitan’i Bilal fa, tsy vitany izy irery handresy lahatra an’ny rahalahiny amin’ny finoana Silamo, tsy iza izany fa, abdour-Rahman bin Aouf, ka niantso amin’ny feo mafy be izy mba ho henon’ny Mpino Silamo ka nanao hoe; Oh ianareo mpiandany amin’i Allah.. ato ny lohan’ny fikomiana “Oumayyah bin Khalaf”, tsy hoavotra aho raha mbola votsotra izy!...
Ka namaly antso avy hatrany ny andiana mpino Silamo marobe, izay samy nirongo sabatra daholo no, sady efa vonona hiady ny fahavalo ka tsy matahotra ho faty mihitsy, ka nihodidinin-dreo Oumayyah sy ny Zanany lahy, izay samy niady niaraka nanohana ny Koraishy, ka tsiafaka hanao na inona na inona Abdour-Rahman bin Aouf (RA)..
Sady tsy nahavita nitafy ny fiarovan-tenany (izay tafina amin’ny ady) intsony izy, izay sady efa novahany ny fehinkibony.
Nijerevan’i Bilal tanteraka nandritra fotoana elabe ny vatan’i Oumayyah manontolo izay efa saron’ny sabatra sahady ny manodidina azy.

Ka rehefa avy teo dia, nandeha malaky be izy sady nampiakariny ambony tsara ny feony niantsoantso hoe: “Ahad.. Ahad”.. (Ilay Tompo Zanahary Tokana).

Heveriko fa, isika dia tsy manana zo hitady rehareha amin’ny famelana avy amin’i Bilal raha amin’io toerana io no, resahina’’ [Hoy ny Mpanoratra].
Raha notanterahina tamin’ny fomba hafa ny fihaonan’i Bilal sy Oumayyah, dia azontsika atao no mangataka amin’i Bilal ny resaka fifamelana. Ary raha olona manana finoana sy fahatahorana an’Allah mitovy aminy dia, tsy tokony ho kaihitra isika aminy.
Nefa ny fihaonana tamin’izy roa dia, notanterahina tanatin’ny ady, ka tonga ny andaniny hamono ny ankilany..
Mirehitra sady mitselatra ny Sabatra.. ary ny maty dia mianjera eny ambany. Ary ny fahafatesana koa dia mitombo tamin’izany.

Ka rehefa tratran’i Bilal i Oumayyah, izay tsy namela na dia toerana kely hasiana tendron-tondro aza tamin’ny vatan’i Bilal (RA). Izany hoe; Oumayyah dia tsy namela na faritra kely iray aza fa, nasiany ratran’ny fampijaliana daholo, fa tena feno takaitran’ny fampijaliana avokoa.
Fa taiza no nahitan’i Bilal azy ary tamin’ny fomba ahoana..?

Tany amin’ny sahan’ny ady masina sy fifamonoana no, nahitany azy, rehefa nihaza tamin’ny sabatrany amin’ny fitadiavana ny lohan’ny mpino silamo izy tamin’izany.
Fa raha sanatria ka, tratrany ny lohan’i Bilal dia, tena notapahiny ary natsipiny lavitra.

Tamin’ny toe-javatra tahak’izao no, nitraofan’izy roa lahy ireto [nifanepahany]. Ka tsy mendrika antsika velively no hiteny amin’i Bilal hoe: Fa naninona izy tsy nihataka lavitra fotsiny?

Nandeha ny andro dia, azon’ny Mpino Silamo ny Tananan’ny Makkah..
Niditra tao (Makkah) ny Iraka masina Mohammad (saw) amin’ny Fankasitrahana sy fiderana ny halebeazan’ny Tompo Allah swt, izay nitarika mpino silamo miisa iray alina (10.000)..
Ary nitodika mivantana avy hatrany tany amin’ny toerana fitodihana masina (Ka’abah) Izy.. izay toerana masina nogejain’ny Koraishy tamin’ny famenoana sarivongana tao anatiny nandritra ny taona maro!!..
Tonga ny marina ka, potika tokoa ny ratsy..
Ka manomboka androany dia, tsy hisy resaka Ouzzah, Laty na Habla.. ireo telo (3) ireo no, anaran’ny sampy izay notompoin’ny Koraishy.
Ary manomboka androany izao dia, tsy hisy olona hanompo vato, sampy na olombelona intsony mba ho takalon’ain’izy ireo, afa-tsy Allah (Zanahary) irery ihany no tsimaintsy tompoina, izay tsisy mitovy aminy, izay Tokana tsy manam-paharoa, ilay tena lehibe sady Avo indrindra..

Ny Iraka masina Mohammad (SAW) dia, niditra an’ilay fitodihana masina (Ka’abah) miaraka amin’i Bilal (RA)!..
Raha niditra iny izy dia, nahita sarivongana izay mitovy amin’ny Mpaminany Ibrahim /Abraham (Fandriampahalemana enga anie aminy) izay mampiasa zana-tsipika fanondroana (karazana sikidy), ka tezitra tokoa ny Iraka masina Mohammad (SAW) rehefa nahita an’ireo rehetra ireo ka nahatonga azy niteny hoe:
”Hozon’i Allah hoazy ireo”.
Fantaro fa, mpaminany Abrahama/Ibrahim (AS) dia tsary nampiasa an’izany zana-tsipika na sikidy izany, ka hoy Allah swt miaro azy manao hoe: “Tamin’izany dia, i Abrahama dia tsy Jiosy na koa Kristianina. Fa olona marina sady mpanolotena izy, fa tsy mba isan’ireo mpampitambatra Allah amin’ny zavatra hafa”. [Al-imran, and:67].

Nobaikon’ny Mpaminany (SAW) i Bilal hananika any ambonin’ny Masjid (Toeram-pivavahan’ny Mpino Silamo), ary nanao Azan na antso ho amin’ny fivavahana.

Notanterahin’i Bilal ny Antso (Azan), ka taitra daholo ny manodidina, fotoanan’ny fahatairana, ny toerana koa nampatahotra tamin’ny voalohany ary eo koa ny hafaliana!!
Niantomboka ny fiainana tao Makkah amim-pilaminana, izay tsy nisy korontana, niainana tamin’ny fiadanana sy fandriampahalemana ireo Mpino Silamo amanaliny, izay mamerimberina moramora sy ampanetren-tena ireo teny vitsivitsy ataon’i Bilal (RA) amin’ny antso masina, izay miantso hivavaka (AZAN).

Nitory teny ny Iraka Mohammad (saw) ka niantso ny olon’ny Makkah nanao hoe; “Oh ry Koraishy..
Hamafisina fa, efa nesorin’ny Tompo Allah swt aminareo ny fiheboheboana izay nataonareo tamin’ny fotoanan’ny habadoana, ary ny fireharehana amin’ny fihaviana..
Ny olombelona rehetra dia avy tamin’i Adama (olombelona voalohany), ary i Adama dia, avy tamin’ny tany (namboarina avy tamin’ny tany)..”
Araka ny tatitra izay nataon’i Abdoullah bin Omar (RA), fa ny Iraka masina Mohammad (SAW) dia, nitory teny tamin’ny vahoaka tamin’ny andron’ny fidirana tao Makkah, ka nambarany tamin’izany hoe: {Oh ry Olombelona! Tena marina fa, andriananahary (Allah) dia, efa nanala aminareo ny fireharehana sy fanamboniantena, ary ny fiheboheboana izay nisy tamin’ny fahagolantany ireny, fa ny olombelona dia mizara roa ihany: Mpanao tsara, matahotra an’ny Tompo Nanahary, izy dia mendri-kaja anatrehan’i Allah. Ary ny karazana faharoa dia; Mpanao ratsy, tsy vanona, ary izy dia olona tsisy dikany na tsisy lanjany anatrehan’ny Tompo Allah swt. [At-Tirmithi, nohamarinin’ny Sheikh Albany].

Ny olombelona rehetra dia, zanaky Adama daholo, ary i Adama dia namboarina avy tamin’ny tany.

Hoy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe;”Ry Olombelona!Namboariko ianareo avy amin’ny lahy sy vavy, nataoko ho vahoaka sy foko marobe, mba hifankahalalanareo. Fa ny tena mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’i Allah, dia izay vontompinoana indrindra ihany. Fa tena Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra tokoa Allah”. [Al-Houjouraty, and:13].

Araka ny tatitra hatrany dia, niteny Izy [SAW], satria hoazy ny fandresena, izay nambarany tamin’ny faramparany tamin’ny tori-teniny ka nanao hoe: Oh vahoakan’ny Makkah! Mba inona zao heverinareo hataoko anareo?
Namaly izy ireo hoe: Manantena fa zavatra tsara no hataonao aminay.
 Satria, ianao dia rahalihy manan-kaja, sady zanaka rahalahy manan-kaja koa!!
Nambarany (SAW) hoe: Mandehana daholo ianareo fa, voavela daholo ny helok’areo.

Fa ireo tsy mpino (mpanompo sampy) any amin’ny tranony any dia, tsy nino an’izany:
Io ve Mohammad sy ireo mahatra mpanaradia azy izay tratry ny sesi-tany tamin’omaly avy tamin’ny taniny..??
Marina ve zany, nefa 10,000 ny vatan-dehilahy mpino miaraka aminy??
Marina ve zany, satria nefa niady azy izahay, ary noroahinay izy, ary novonoinay ireo olona tena tiany indrindra..?
Marina ve zany, vao teo Izy no niresaka taminay, ary voafehiny tanteraka izahay, ka hiteny aminay izy hoe: “Mandehana fa, malalaka ianareo!!..”

Bilal dia, niara-niaina tamin’ny Mpaminany saw, ary vavolombelona tamin’ny tranga rehetra niseho tamin’izany fotoana izany.
Bilal no, mpanao Azan hoan’ny Fanompoam-pivavahana in-5 isananandro.

Niara nivelona sady niaro ny famantarana masin’ny Finoana Silamo izay finoana lehibe izy, finoana izay namoaka azy avy tamin’ny haizina ka hoany amin’ny fahazavana, avy tamin’ny andevo dia lasa olona malalaka..

Nanadratra avo ny Finoana Silamo izy (Bilal), ary nanadratra ny voninahitry ny Mpino Silamo miaraka aminy.

Ary isaky ny andro dia, mitombo hatrany ny fitiavan’ny Iraka masina Mohammad (saw) an’i Bilal (RA), ka tonga indray andro dia nanome vaovao malaza tsara hoan’i Bilal izy fa, anisan’ny olon’ny Paradisa izy (Bilal)..
Nefa Bilal dia, nijanona ho olona mendrika sy mpanetri-tena hatrany, tsy nahita ny tenany ambony fa, mbola nanasokajy ny tenany ho mbola: “ andevo Ethiopiana hatrany”!!
Oh ry Bilal! Ianao dia tsy andevo tsotra hoatr’izao.. Fa ianao dia lasa Lehibe ambany alokan’ny Finoana Silamo... Tsy Lehiben’ny Silamo Omar bin Al-Khattwab (RA) izay lehibe faharoa taorian’ny Iraka masina Mohammad (SAW) no, niteny momba anao tamin’ny andro izay namotsorana anao hoe; “Abou bakr no Lehibenay, ary namotsotra ny Lehibenay”.[Al-boukhari].
Ka rehefa nodimandry any amin’ny Akamany Ilay Avo indrindra (Tompony), ny Iraka masina Mohammad (saw), faly sady afa-po .
Ka nandray an-tanana ny raharahan’ny Mpino Silamo taorian’ny Iraka Mohammad (saw) ny Lehibe vaovao; Abou bakr As-swiddiq RA..

Lasa Bilal (RA) tany amin’ny Lehibe vaovao izay nandimby ny Iraka masina Mohammad (saw) hiteny aminy hoe: “Oh ianao ry Lehibe nandimby ny Irak’ Allah: Hamafisina fa, ny Iraka masina (SAW) dia nanambara hoe; “Ny fifikirana amin’ny tanin’ny Ady masina iray andro sy iray alina dia, tsara lavitra nohony fanaovana fadin-kanina iray volana sy fitsanganana amin’ny fanompoam-pivavahana mitovy amin’izany ihany koa. Ary raha maty amin’izany izy dia, mitohy hatrany valin’ny asa nataony iny, ary mbola mandeha ihany koa ny anjara masoandrony, no sady voaaro avy amin’ny sazy ao am-pasana izy”. [Mouslim].
Nanontany azy Abou bakr hoe: Inona ary no tianao hatongavana oh ry Bilal..?
Namaly Izy (Bilal) hoe: Maniry ny hifikitra amin’ny lálan’ny Tompo Allah aho mandrapahafatiko..
Hoy Abou bakr (RA) taminy hoe: Iza ary no hanao Azan hoanay?
Ka namaly azy Bilal (RA), ny ranomasony amin’izany dia, efa mirotsaka mafy avy amin’ny masony roa nohony halahelo tamin’ny fahalasanan’ny Mpaminany (saw), ka hoy izy hoe: Izaho dia tsy hanao Azan hoan’ny hafa intsony aorian’ny Irak’Allah saw.

Nangataka taminy i Abou bakr (RA) hoe: Mba mijanona manao Azan hoanay ry Bilal..
Hoy Bilal taminy; Oh ry Lehiben’ny Mpino! Raha nividinao sady novotsoranao hoanao aho dia, tazomy hoanao. Fa raha toa ka nividinao sady novotsoranao noho ny antony Allah aho, dia avelao ahy sy ny asako hoan’i Allah.

Ka hoy Abou bakr: Noho ny antony Allah no, namotsorako anao oh ry Bilal..
Noho ny antony Allah no namotsorako anao oh ry Bilal..

Taorian’ny resak’izy mirahalahy dia, lasa nankany Sham (faritra Syria, Palestine, Liban) i Bilal, nipetraka tany izy hifikitra amin’ny lalan’i Allah, mba hiaro ny Finoana Silamo.
Ka Azany farany izay nataon’i Bilal dia, tamin’ny fandalovan’ny Lehiben’ny Mpino, Omar bin Al-khattwab (RA) tany Shamy, rehefa nifampiresaka tamin’ny Omar izy ireo amin’ny mba hitondrana an’i Bilal (RA) mba hanao Azany hoan’ny Swalah (fanompoam-pivavahana) na dia indray mandeha fotsiny.

Nantsoin’ny Lehiben’ny Mpino i Bilal, ka rehefa tonga ny fotoana fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana (Swalah), dia nangataka taminy ny Lehibe mba hanaovan’i Bilal Azany (Antso amin’ny fivavahana).

Ka niakatra amin’ny toerana fanaovana Azany Bilal nanatanteraka izany, ka nitomany daholo ireo Mpanaradia an’ny Mpaminany (saw) sisa velona tamin’izany, nohony tsirom-peon’i Bilal (RA) tamin’ny fanaovany Azany.
Nitomany daholo izy ireo toy ny olona tsary (tahaka ny olona mbola tsy nitomany tamin’ny fiainany) nitomany talohan’izany izy ireo, Omar (RA) mihitsy no, tena nitomany mafy tamin’izy ireo tamin’izany!!

Nijanona tany Shamy Izy nampiely sady niaro ny finoana silamo mandrapahafatiny araka ny faniriany.
Ka rehefa teo amin’ny aretina izay nitondra azy amin’ny fahafatesana dia, nampiaka-peo ny vadiny izay teo ankilany nitomany, ka niteny hoe; Oh ry Halaheloko!

Nefa Bilal na dia teo amin’ny tehokan’ny fahafatsana dia, mbola manokatra ny masony foana isaky ny fotoana ka niteny izy hoe: Oh ry Hafaliako!

Ka alohany hifatesany dia naverimberiny izao teny mahafinaritra izao;
 Hihaona amin’ireny akama ireny izahay rahampitso, mohammad (saw) sy ireo Mpanaradia azy.
Hihaona amin’ireny akama ireny izahay rahampitso, mohammad (SAW) sy ireo Mpanaradia azy.

Maty Bilal (RA) teo amin’ny taona izay mihoatra ny Enim-polo taona (60 ans).
Ary nalevina akaikin’ilay varavaran-kely ao anatin’ny fasan’ny Mpino Silamo ao DAMASY, syria.
Ka anisany tonga nandevina azy ireo olona manam-boninahitra ambony amin’ny finoana Silamo, ireo izay nijoro matotra tahaka ny fahamatoran’ny tendrom-bohitra, izay nialokaloka teo ambanin’ny alokan’ny foto-pampianaran’ny Finoana Silamo, no sady fantatra koa izy ireo amin’ny fanaovana sorona ny tenany tamin’ny fiarovana ny finoan’ny Tompo Allah swt.

TENY FAMARANANA

Mifanta amin’ny Tomponao, ary ambarao ahy. Inona koa ny halehibeazana, haja amam-mboninahitra, hasambarana sy hatsarana izay apetrak’ity Finoana lehibe ity ampon’ireo Mpanarak’azy.

Tsy inona ary izany fa, herin’ny feon’ny fahamarinana izay mifangaro ny hafaliam-po tanteraka, ka hatonga ny fo ho matotra amin’ny fifikirana amin’ny Tompo Andriananahary Ilay Avo indrindra, manetri-tena eo anatrehan’ny halehibeazany (Allah), sady mampanadino ny tehoka sy fahasarotana rehetra izay nandalovana teo aloha.
Nefa ireo olon’ny sitra-po dia, tsy mahatsapa izany fa, variana amin’ny rendrarendra sy diditra isankarazany ary ny hetahetam-po mandalo.

Nefa tena lavitra dia lavitry ny rendrarendra tokoa ireny ezaka lehibe izay nataon’ireo mpino silamo talohan-tsika ka nahatonga antsika mbola tafiditra anatiny finoana silamo izao.
Fantaro fa, ny hetahetam-po dia, lovain’ny fanenenana, ary mifarana amin’ny fatiantoka.
Fa ny fanarahana ny Sitrapon’ny Tompo Andriananahary dia, hahazo fiafarana sambatra mandrak’izay.
Fa ireo mpino Silamo vanona dia, nisafidy ny hanaraka ny Lalana marina, izay nahatongavan’izy ireo amin’izany fahasambarana mandrak’izay izany.
Tsy sarotra ny fahatongavana amin’izany toeran’ny fahasambarana izany fa, mila olona mahery fo sady mazoto ary vonona hanova fomba fisainana ihany koa.

Izy ireo dia, nahafantatra tsara fa, ny lalana tokana hatongavana any amin’ny Paradisa dia, ny fanarahana ny Sori-dálan’ny [Sounnah] Iraka masina Mohammad (SAW). Izy ireo dia, mbola tsy nivadika taminy, tsy namitaka azy ary mbola tsy nandainga taminy ihany koa.

Henoy tsara ny tenin’ny mpitondra-tenin’izy ireo momba an’ny Mpaminany (SAW), izay Abou Soufiyani bin Harb talohan’izy mbola tsy Mpino Silamo rehefa nampitenenina teo anatrehan’ny Mpanjakan’ny Roma fahiny, hoy izy hoe; Hirakla (Mpanjaka Romanina) dia nandefa miaramila hisambotra azy sy ireo niaraka taminy, satria mpandraharaha ara-barotra izy ireo, ary tany Shamy no niasan’izy ireo nandritra ny fotoana maro, ary tamin’izay mihitsy dia, ny Mpaminany (saw) mbola nisy fifanarahana tamin-dry Abou Soufiyani bin Harb sy ireo Mpikomy tsy Silamo, izay tsy mamela azy ireo hivezivezy malalaka amin’ny faritra sasany tao Shamy [Fifanarahana arak’ady].

Voasambotra tao Elyia ry Abou Soufyiani sy ireo tsy Mpino Silamo niaraka taminy, ka nentina tamin’ny Fivorian’ny Mpanjakan’ny Roma ry zareo, ary olona ambony marobe no niatrika ny fivoriana tamin’izany, ary nantsoina tamin’izay ny mpandika-teny hoazy ireo (satria Arabo no fiteniny, fa Roma kosa dia Romanina).

Hoy ny Mpanjakan’ny Roma: Iza no manan-kavana akaiky aminareo amin’io lehilahy izay miteny fa, mpaminany ny tenany?
Hoy Abou Soufyiani: Izaho no manan-kavana akaiky indrindra azy.

Hoy ny Mpanjakan’ny Roma: Ampanatony ahy izy (Abou Soufiyani), ary alaharo avy afarany ao ireo namany ireo.
Ka nambarany an’ilay mpandika-teny hoe: Ambarao ireo namany ireo fa, izaho (Hirakla) dia hanontany azy (Abou soufiyani) mahakasika an’i Mohammad (SAW).
 Raha mandainga amiko izy (@ valin-teny) dia, teneninareo amiko fa lainga ny ambarany.

Mifanta amin’ Allah aho, fa raha tsy noho ny henatra sy tahotra ho afa-baraka dia, nandaingako ny momba azy. [Hoy Abou Soufiyani].
Nefa ny zavatra voalohany nanontaniany ahy dia, momba ny resaka fifandraisako ara-pihavanana amin’ny Mpaminany (saw).
 Ka hoy ny Mpanjaka Roamanina hoe: Ahoana ny fifandraisanareo ara-pihavanana aminy, mahakasika indrindra ny resaka toeran-kaja sy voninahitra? Izany hoe: anisany manankaja sy voninahitra aminareo ve izy?
Navaliko (hoy Abou Soufiyani) hoe; Izy dia, anisany olona tena manan-kaja ambony sy voninahitra amin’ny Fianakavianay.

Moa ve efa nisy niteny ho Mpaminany tahaka ny nataony (Mohammad) ny hafa ankoatra anareo talohan’izao? Nambarako azy hoe; Tsia.
Moa ve efa nisy Mpanjaka tamin’ny Razambeny? Navaliko fa; Tsia.

Olona ambony daholo ve no maro manaraka azy sa ireo marefo?
Teneniko fa; Ireo marefo no maro anisa. (Ireo marefo sy andevo).

Mihamaro ny isan’ny mpanaraka azy sa mihena? Navaliko hoe, fa; Mitombo hatrany.

Misy ve mitsoaka tsy hanaraka ny Finoana Silamo taoriany fidirany tamin’izany, nohony tsy fitiavana an’izany finoana izany sy fankahalana an’ny Mpaminany? Nambarako fa; Tsia.
Efa nendrikendrehinareo amin’ny resaka lainga ve Izy talohany hanambarany fa; Mpaminany Izy? Nambarako fa; Tsia.

Mamitaka ve Izy? Nambarako azy fa; Tsia. Na izahay amin’izao fotoana izao dia, misy fifanarahana, nefa tsy hainay inona ny zavatra mety hataony aminay.

Tsiafaka nampiditra teny hafa, afa-tsy izay nambarako teo iny ihany izaho [Hoy Abou Soufiyani].

Efa niady azy ve ianareo? Navaliko hoe: Eny tompoko. Ahoana ary ny adinareo taminy? Ny ady nifanandrinanay dia tahaka ny siho. Izany hoe; Indraindray mandresy izahay, nefa indraindray kosa dia resy.
Mbola mitohy ny fanontanian’ny Mpanjaka Romanina hoe: Inona ary ny zavatra andidiany anareo?
Namaly hatrany Abou Soufiyani hoe: “Mandidy anay Izy amin’ny hanompoanay an’Andriananahary tokana ka, tsy hatambatra amin’ny zavatra hafa, ary avelao izay ambaran’ny razanareo (fomban-drazana), ary mandidy anay hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (Soalah), mba hiteny marina, mba ho matotra (tsy hijangajanga), ary mba hanaja ny fihavanana”.

Hoy ilay Mpanjaka tamin’ny Mpandika-teny hoe: Ambarao azy (Abou soufyiani) fa, nanontaniako ianao momba ny fihavanany dia, novalinao fa; Anisany manan-kaja ambony aminareo Izy (Mohammad). Ary ambarako fa; Toy izany daholo Ireo Iraka, izay irahina araka ny toerana misy ny fihavanan’ny vahoakany.
Efa nanontaniako anao koa, raha mba efa nisy olon-kafa nanambara ho mpaminany avy taminareo, ka hoy ianao fa; tsisy. Satria raha toa ka efa nisy olona hafa, niteny toy izao, dia; Izy dia mandova zavatra efa nitenenin’ny hafa teo alohany.

Nanontaniako anao koa, raha efa nisy mpanjaka avy tamin’ny Razambeny. Navalinao fa; mbola tsy nisy. Satria manko raha efa nisy mpanjaka tamin’ny razambeny, dia teneniko fa; Izy dia olona mitady Fanjakan’ny Dadany fotsiny.
Efa nanontaniako anao koa, raha toa ka efa nisy olona niteny ho mpaminany talohany hanambarany ny Maha Mpaminany azy. Navalinao fa; Tsia.
 Nanontaniako ianao;
Efa nendrikendrehinareo ve Izy amin’ny resaka lainga alohany hanambarany ny faminaniany? Hoy ianao hoe; Tsia. Ka fantatro tsara noho izany fa, matoa izy tsy sahy handainga aman’olona dia, tsisy andro izy handainga amin’ny Tompo Zanahary.
Nanontaniako anao koa hoe: Olona ambony daholo ve ny mpanaraka azy sa, olon-tsotra? Navalinao fa; Olon-tsotra daholo no ankamaroany.
Satria izy ireo no mpanaradia ny Iraka. Nanontaniako anao koa: Mitombo ve ny isany sa mihena? Hoy ianao hoe: Mitombo hatrany. Ary hoatran’izany ny resaka Finoana mandrapaha feno [mandrapahafeno ny fanahy/fo].
Nanontaniako anao raha misy mitsoaka an-daharana noho ny hatezerana na tsy fahamarinana taorian’ny fidirany amin’ny finoana Islamo ireo Mpanaraka azy? Hoy ianao fa; Tsisy.
Ary hoatran’izany ny finoana rehefa misokatra hoan’izany ny fo.

Efa nanontaniako anao ihany koa; Mivadika ve Izy? Hoy ianao fa; Tsia.
Satria hoatran’izany ireo Iraka, tsy mba mivadika izany.
Efa nanontaniako anao koa mahakasika ny zavatra izay andidiany anareo? Ka hoy ianao fa; mandidy anareo hanompo an’Allah tokana ihany ary tsy atambatra amin’ny zavatra hafa. Ary mandrara anareo Izy tsy hanompo sampy. Ary mandidy anareo hivavaka, hiteny marina, ary hijoro matotra.

Fa raha marina tokoa ny zavatra rehetra nambaranao ireny dia, tsimaintsy mbola ho feheziny daholo ka hatry aty ambany faladiako roa ireto.

Efa tena fantatro tsara fa, efa tonga izy. Nefa tsy niheveriko fa, avy aminareo [ARABO] no hipoirany.
Raha fantatro izany dia, mba tsy nahatsiaro trotroka aho nandeha hihaona aminy.
Ary raha teo akaikiny aho dia, mba nisasako ny tongony, izany hoe; mba nanampy azy aho amin’ny asa isankarazany, nanaraka azy sady nanetri-tena amin’ny zavatra rehetra nentiny.
 Ka taorian’izay resaka lavalava izay dia, niantso amin’izay izy hoe; Aiza ilay Taratasy nampanateran’ny Mpaminany Mohammad (saw) an’i Dihyah Al-kalby, izay nampandalovina tamin’ny Governorany tao BASRAH.

Ka nalefan’ilay Governora tao Basrah, any amin’ny Mpanjakan’ny Roma ilay taratasin’ny Mpaminany (saw).
 Novakin’ilay Mpanjaka ny taratasy rehefa azony, ka toy izao manaraka izao ny hafatra avy tamin’ny Mpaminany (saw);

Amin’ny Anaran’Allah, ilay be indra-fo, ilay be fiantrana

Avy amin’i Mohammad (Mahomet) izay andevon’ilay Andriananahary sady Irany, hoan’i Herakla, mpanjakan’ny Roma.
Fiadanana enga anie hoan’izay manaraka ny lálana mahitsy, ka izao manaraka izao ny hafatra;

Izaho dia, miantso anao mba hiditra amin’ny finoana Silamo (fanekena hanompo Zanahary Tokana).
Midira amin ‘ny finoana silamo ianao fa, ho voaaro tsy hiditra any amin’ny afobe mandrak’izay. Raha miditra amin’ny finoana Silamo ianao dia, homen’ny Tompo Andriananahary fahasoavana roasosona ianao. Fa raha manda tsy hiditra ianao dia, aminao ny fahotan’ireo mpanaradia an’ny Pastora Ariosy. Izany hoe; Ny fahotan’izy ireo, ny fanaovana sorona sy vonoan’olona tsy rariny.
Ary izy ireo dia, andiana Kristianina vitsivitsy izay natao sorona izy ireo, nohony ny tsy fankatoavan’izy ireo ny resaka momba an’i Jesosy (Fandriampahalemana enga anie aminy).
 Hoy Andriananahary manao hoe: “Lazao izy ireo; Olon’ny Boky! Tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo amintsika; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Andriananahary irery ihany, ary tsy hampitambatra Azy amin-javatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho toy ny tompo ho tompoin’ny sasany ankoatry ny Zanahary, ka raha mivadika izy ireo dia, lazaonareo aminy hoe: Aoka ho vavolombelona ianareo fa, izahay kosa dia efa Mpanolo-tena (Mpino Silamo)”. [Al-imran, and:64].

Hoy Abou Soufiyani (RA) taorian’ny resaka izay nifaovany sy ny Mpanjakan’ny Roma, sady rehefa avy namaky ny taratasin’ny Mpaminany Mohammad (saw) hoe; Nihamafy ny fiakaram-peo, tabataba sy korontana tao an-dapa.
Ka voatery tsimaintsy navoakan’ny Mpanjaka izahay sy ireo namako. Rehefa navoaka izahay dia, nambarako an’ireo namako ireo hoy hatrany i Abou soufiyani hoe; Nihasarotra ny raharahan’ny Zanaky Dadan’i Kabshah. Ary Mpaminany Mohammad (SAW) mihitsy no, tiany resahina amin’izany, satria Abou Kabshah, dia anaran’iray amin’ireo Dadaben’ny Mpaminany Mohammad (saw).

Tena feno tahotra tokoa ny Mpanjakan’ny Roma tamin’izany, satria tena natoky tsara aho fa, hahariharin’i Allah tokoa io Finoana Silamo io, kana dia ny tenako aza nampidirin’ny Tompo Zanahary anatin’izany finoana Islamo izany.

Ibnou An-Názour, izay Goverinoran’ny Elyah sy Mpanjaka Herakla dia, nialokaloka tamin’ireo Kristianina tao Shamy [Syria]..
Ka rehefa tonga tao Elyah i Herakla, dia nahatsiaro tsy azon’aina sy tsy salama izy.

Ka niteny ny sasany tamin’ireo mpitandrin’ny Mpanjaka hoe; Hitanay fa, tena tsy salama ny fahitanay anao ry Mpanjaka.
Hoy Ibnou An-Nazour hoe; Ny Mpanjaka dia, manam-pahaizana momba ny fijerevana ny Kintana. Rehefa nanontanian-dreo zany izy dia nambarany hoe; Tamin’omaly alina, raha nijery ny kintana aho, dia hitako fa, efa tonga ny Mpanjakan’ny didipoitra.

Ka mba ambaranareo ahy; Iza ary mba mampihatra ny resaka didipoitra amin’ity vahoaka ity?
Navalin’ireo vahoakany hoe, fa; Tsisy mpanao an’izany didipoitra izany afa-ts’ireo Jiosy ihany. K’aza miasa-loha amin’izy ireo ianao fa, tsiafaka hanao inona anao izy ireo.
Ary mandefasa taratasy amin’ireo Goverinoranao rehetra mba hamono izay fantatra fa, Jiosy.
Raha mbola teo ampiadian-kevitra izy ireo momba ny hoe; Tsimaintsy hamonoana ny Jiosy, dia avy ny Lehilahy iray, izay nalefan’ny Mpanjakan’ny Ghassán hoan’ny Herakla Mpanjakan’ny Roma, mba hitondra vaoavao aminy momba an’ny Iraka masina Mohammad (saw). Rehefa nandre vaovao momba an’ny Mpaminany Mohammad (SAW) ny Mpanjakan’ny Roma Hirakla, dia niteny izy hoe; Mandehana ianareo ary hadihadio tsara ny momba an’i Mohammad (saw), hoe; Mifora/Na vita Didi-poitra ve Izy sa tsia?
Sady nanontany momba ny Arabo koa izy, amin’ny hoe: mifora/manao didipoitra ve ry Zareo Arabo sa tsia?
Rehefa nadihadin-dreo momba an’ny Mpaminany Mohammad (saw) sy ry Zareo Arabo, dia mifora daholo izy ireo.

Ka niteny Hirakla, mpanjakan’ny Roma hoe: Izy (Mohammad saw) no Mpanjakan’ity vahoaka ity, izay efa miseho tokoa ny fahatongavany. [maha Mpaminany azy].

Raha izay no vaovao dia, nandefa taratasy tany amin’ny namany any Roumiyah, ny mpanjakan’ny Roma Hirakla.
Io namany io no, mpanolo-tsaina hoazy mahakasika ny resaka momba an’ny Mpaminany Mohammad (SAW).
Ka nanao dia manokana ny Mpanjaka Hirakla, handeha tany Hims (Syria), ka tsy niala tao izy mandrapaha handraisany taratasy avy tamin’ny namany, izay mifanaraka tsara amin’ny hevitry ny Mpanjaka Hirakla fa, ny Mpaminany Mohammad (SAW) dia, efa mivoaka (efa tonga @ mahampaminany azy) ary tsy isalasalana fa, mpaminany tokoa Izy.
Ka nomen’ny Hirakla alalana ireo olona ambony sy Goverinora tao Roma aimin’ny Tanánany tao Hims.
Rehefa aveo dia, nandidy izy amin’ny mba hanidiana ireo varavarana rehetra ireo. Ary nikabary amin’izay izy hoe; Ry Vahoakan’ny Roma! Mila fahombiazana sy fahitsiana ve ianareo, mba hijanona aminareo ny Fanjakanareo?
Ka ndao hanao veli-rano amin’io Mpaminany io isika [Hoy Mpanjakan’ny Roma hatrany].
Rehefa naheno an’izany ireo vahoaka ireo, dia nilefa tahaky ny bibidia nankany amin’ny varavarana, kanjo hitandreo fa, mihidy daholo ny varavarana rehetra.
Ka rehefa hitan’ny Mpanjakan’ny Roma, fa hilefa daholo izy ireo, ary kivy izy fa, tsy hino izy ireo.
Ka nambarany amin’izay hoe: Avereno aty amiko daholo izy ireo.
Hoy izy hoe: raha iny resaka nataoko teo iny dia, mba hitsapa-ko ny hamafin’ny finoanareo.
Hoy ny Mpitantara (Abou Soufiyani) hoe: Hamafisina etoana fa, izaho mihitsy no, efa nahita ny sasany tamin’izy ireo dia niankohoka hoazy (t@ Hirakla), ary faly sady afa-po tamin’izany izy ireo.
Ka hoatran’izany no niafaran’ny tantaran’ny Mpanjaka Herakla.
[Navoakan-dry; Swalih bin Kaisan, Younouss, maamar, nita-titra avy tamin’ny Az-Zouhri]. {Al-Boukhari, J;1, Pejy:10.

 

 

 

 

 
www.islamland.com