BOKIN'NY AZKAR SY DOAH

 

كتاب الأذكار والأدعية

 

 

 

 

BOKIN'NY AZKAR SY DOAH

 

 

 

 

 

 

 

Fanomanana sy fandikan-teny:

MANAGNA Zakaria

 

Famerenana sy fanitsiana:

Sheikh: Djamildine Samsoudine

Sheikh: Abdallah Said Moussa

 

 

 

 

 

 

 

 

{

Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana

 

 

 

 

 

 

 

FAMPIDIRANA

الْحَمْدُ لِلَّهِ، وَالصَّلَاةُ وَالسَّلَامُ عَلَى رَسُولِ اللهِ، وَعَلَى آلِهِ وَصَحْبِهِ أَجْمَعِينَ، أَمَّا بَعْدُ:

Dera ho an'i Allah, ary tsodrano sy fiadanana anie ho amin'ny Irak'i Allah sy ny fianakaviany ary ireo mpanara-dia azy.

Ity dia boky kely izay mirakitra Azkar sy Doah maro samihafa, nalaina avy tamin'ny boky masina Kor'any sy ny Sonnat. Notsongaina manokana ireo Azkar sy Doah izay tena fanao matetika ary ilain'ny mpino Islamo amin'ny fiainany andavanandro. Ary natao miaraka amin'ny dikany amin'ny teny malagasy izany, mba hampazava amin'ny mpamaky ny dikan'ireo Azkar sy Doah izay vakiany.

Mangataka amin'ny Tompo Allah mba handray an'izao asa kely izao, ary hanao izany ho feno fahasoavana. Ary mangataka amin'ny Tompo Allah mba hamaly soa ny mpanoratra azy sy ireo Sheikh izay nahafoy fotoana tamin'ny famerenana sy fanitsiana; ary mba hamaly soa ihany koa ireo manam-pahaizana izay nanoratra ireo bokin'ny Azkar sy Doah, izay nahafahana namolavola ity boky ity.

 

MANAGNA Zakaria

ANISAN'NY ZIKR SY DOAH FANAO ANDAVANANDRO:

  1. Zikr atao rehefa mifoha amin'ny torimaso:

« اَلْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي أَحْيَانَا بَعْدَ مَا أَمَاتَنَا وَإِلَيْهِ النُّشُورُ »

“Fiderana ho an’i Allah, izay namelona anay indray taorian’ny nakany aina anay (fahafatesana kely: torimaso) ary any aminy ny fiverenana (amin’ny fitsanganana amin’ny maty avy ao am-pasana amin’ny Andro farany)”.

  1. Doah eo am-pitafiana lamba:

« اَلْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي كَسَانِي هَذَا (الثَّوْبَ)، وَرَزَقَنِيهِ مِنْ غَيْرِ حَوْلٍ مِنِّي وَلَا قُوَّةٍ »

“Fiderana ho an’i Allah, izay nampitafy ahy an’ity (lamba ity), ary nanome ahy izany, tsy noho ny fahefana na hery avy taty amiko akory”.

  1. Zavatra tenenina rehefa manala lamba:

« بِسْمِ اللهِ »

“Amin’ny anaran’i Allah”.

  1. Doah rehefa hiditra amin’ny toeram-pivalanana (WC na douche):

« [بِسْمِ اللهِ] اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنَ الْخُبْثِ وَالْخَبَائِثِ »

“[Amin’ny anaran’i Allah]. O Allah! Mangata-piarovana aminao aho amin’ireo ratsy sy amin'ireo satana lahy sy vavy”.

  1. Doah rehefa mivoaka avy amin’ny toeram-pivalanana:

« غُفْرَانَكَ »

“(O Allah!) Mamelà heloka ahy”.

  1. Zikr eo am-panombohana ny wozo:

« بِسْمِ اللهِ »

“Amin’ny anaran’i Allah”.

  1. Zikr rehefa vita ny wozo:

« أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّداً عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ »

 “Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy; ary mijoro vavolombelona aho fa i Mohammad dia mpanompony no sady irany”.

« اللَّهُمَّ اجْعَلْنِي مِنَ التَّوَّابِينَ, وَاجْعَلْنِي مِنَ الْمُتَطَهِّرِينَ »

“O Allah! Ataovy anisan’ireo mpibebaka aho, ary ataovy anisan’ireo mpidio”.

  1. Doah tenenina alohan’ny hisakafo:

Rehefa mihinana sakafo ny anankiray aminareo dia aoka izy hiteny hoe:

« بِسْمِ اللَّهِ »

"Amin’ny anaran’i Allah".

Fa raha adinony izany tany amboalohany, dia aoka izy hiteny hoe:

« بِسْمِ اللَّهِ فِي أَوَّلِهِ وَآخِرِهِ »

"Amin’ny anaran’i Allah, tamin'ny voalohany sy amin'ny farany”.

  1. Doah atao rehefa avy mihinana:

« اَلْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي أَطْعَمَنِي هَذَا، وَرَزَقَنِيهِ، مِنْ غَيْرِ حَوْلٍ مِنِّي وَلَا قُوَّةٍ »

“Fiderana ho an’i Allah, izay nampihinana ahy an’ity, ary nanome ahy izany, tsy noho ny fahefana na hery avy taty amiko akory”.

  1. Zikr rehefa mivoaka amin’ny trano:

« بِسْمِ اللهِ، تَوَكَّلْتُ عَلَى اللهِ، وَلَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إَلَّا بِاللَّهِ »

“Amin’ny anaran’i Allah (no ivoahako), ankiniko amin’i Allah (ny momba ahy rehetra), ary tsy misy fahefana (entina miaro tena amin’ny ratsy) sy hery (entina mahazo ny tsara) afa-tsy avy amin’i Allah ihany”.

  1. Zikr rehefa miditra amin’ny trano:

« بِسْمِ اللهِ وَلَجْنَا، وَبِسْمِ اللهِ خَرَجْنَا، وَعَلَى اللَّهِ رَبِّنَا تَوَكَّلْنَا »

“Amin’ny anaran’i Allah no idiranay, ary tamin’ny anaran'i Allah no nivoahanay, ary amin’i Allah Tomponay no iankinanay”.

Avy eo aoka izy (ilay olona miditra amin'ny trano) hanao Salàm amin’ny ankohonany.

  1. Doah eo am-pandehanana mankany amin'ny Masjid:

« اللَّهُمَّ اجْعَلْ فِي قَلْبِي نُوراً، وَفِي لِسَانِي نُوراً، وَاجْعَلْ فِي سَمْعِي نُوراً، وَاجْعَلْ فِي بَصَرِي نُوراً، وَاجْعَلْ مِنْ خَلْفِي نُوراً، وَمِنْ أَمَامِي نُوراً، وَاجْعَلْ مِنْ فَوْقِي نُوراً، وَمِنْ تَحْتِي نُوراً، اللَّهُمَّ أَعْطِنِي نُوراً »

"O Allah! Asio hazavana amin'ny foko, hazavana amin'ny lelako; asio hazavana amin'ny fandrenesako; asio hazavana amin'ny fahitako; asio hazavana avy ao aoriako, ary hazavana avy eo anoloako; asio hazavana avy eo amboniko, ary hazavana avy eo ambaniko. O Allah! Omeo hazavana aho".

  1. Doah rehefa miditra amin’ny Masjid:

« بِسْمِ اللهِ، وَالصَّلَاةُ وَالسَّلَامُ عَلَى رَسُولِ اللهِ، اللَّهُمَّ افْتَحْ لِي أَبْوَابَ رَحْمَتِكَ »

“Amin’ny anaran’i Allah, ary ny tsodrano sy ny fiadanana anie ho amin’ny irak’i Allah. O Allah! Sokafy ho ahy ireo varavaran’ny indrafonao”.

  1. Doah rehefa mivoaka amin’ny masjid:

« بِسْمِ اللَّهِ وَالصَّلَاةُ وَالسَّلَامُ عَلَى رَسُولِ اللَّهِ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ مِنْ فَضْلِكَ، اللَّهُمَّ اعْصِمْنِي مِنَ الشَّيْطَانِ الرَّجِيمِ »

“Amin’ny anaran’i Allah, ary ny tsodrano sy ny fiadanana anie ho amin’ny irak’i Allah. O Allah! Mangataka aminao aho, mba hanome ahy amin’ny fahasoavanao. O Allah! Arovy amin’ny satana ilay voaozona aho”.

  1. Ireo zikr amin'ny Azan (fiantsoana ho amin'ny Swalat):

Averina tenenina izay tenenin'ny mpanao Azan; afa-tsy amin'ny teniny hoe:

« حَيَّ عَلَى الصَّلَاةِ...حَيَّ عَلَى الفَلَاحِ »

"Avia ho amin'ny Swalat…Avia ho amin'ny fahombiazana".

Dia izao no tenenina:

« لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللهِ »

"Tsy misy fahefana sy hery afa-tsy avy amin'i Allah ihany".

Rehefa tapitra ny Azan, ka avy namerina an'izay notenenin'ny mpanao Azan, dia mandefa tsodrano amin'i Mpaminany r, dia miteny avy eo hoe:

« اللَّهُمَّ رَبَّ هَذِهِ الدَّعْوَةِ التَّامَّةِ، وَالصَّلَاةِ القَائِمَةِ، آتِ مُحَمَّداً الْوَسِيلَةَ وَالْفَضِيلَةَ، وَابْعَثْهُ مَقَاماً مَحْمُوداً الَّذِي وَعَدْتَهُ »

"O Allah! Tompon'izao antso tomombana sy vavaka mitohy tsy tapaka izao; omeo an'i Mohammad ny Al-wasìlah (toerana ambony indrindra ao amin'ny Paradisa) sy ny voninahitra ambony indrindra, ary alefaso amin'ny toerana mendri-piderana izay nampanantenainao azy izy".

Avy eo manao Doah ho any tena, eo anelanelan'ny Azan sy Iqàmah (antso ilazana fa efa hitsangana ny Swalat); satria ny fangatahana atao amin'izany dia voaray hatrany.

 

 

IREO ZAVATRA TENENINA ANATIN'NY SWALAT:

  1. Takbìr (tenenina eo ampiandohan'ny Swalat sy isaky ny miova toerana; afa-tsy amin'ny fianganana avy amin'ny Rokò' ihany):

« اللهُ أَكْبَرُ »

"Allah no lehibe indrindra".

  1. Al-istiftàh (Doah fanokafana), atao aorian'ny Takbìratol-ihràm (Takbìr voalohany famehezana ny Swalat):

« اللَّهُمَّ بَاعِدْ بَيْنِي وَبَيْنَ خَطَايَايَ كَمَا بَاعَدْتَ بَيْنَ الْمَشْرِقِ وَالْمَغْرِبِ، اللَّهُمَّ نَقِّنِي مِنْ خَطَايَايَ كَمَا يُنَقَّى الثَّوْبُ الْأَبْيَضُ مِنَ الدَّنَسِ، اللَّهُمَّ اغْسِلْنِي مِنْ خَطَايَايَ بِالْمَاءِ وَالثَّلْجِ وَالْبَرَدِ »

"O Allah! Alaviro ahy ireo fahotako, tahaka ny nanalaviranao ny atsinanana amin'ny andrefana. O Allah! Diovy amin'ireo fahotako aho, tahaka ny fanadiovana ny loto amin'ny lamba fotsy. O Allah! Sasao amin'ny rano sy ranomandry ary havandra aho, mba hadio amin'ireo fahotako".

Na miteny hoe:

« سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ وَبِحَمْدِكَ وَتَبَارَكَ اسْمُكَ وَتَعَالَى جَدُّكَ وَلَا إِلَهَ غَيْرُكَ »

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, mba ho fiderana Anao. Feno hasoavana tokoa ny anaranao, ary avo sy ambony ny haja amam-boninahitrao. Ary tsy misy tompo mendrika hotompoina marina ankoatra Anao".

  1. Avy eo miteny hoe:

« أَعُوذُ بِاللهِ مِنَ الشَّيْطَانِ الرَّجِيمِ »

"Mangata-piarovana amin'i Allah aho, mba tsy ho azon'ny satana ilay voaozona".

  1. Avy eo miteny hoe:

« بِسْمِ اللهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ »

"Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana".

  1. Avy eo mamaky Sorat Al-fàtihah:

بِسۡمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ ١ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ ٢ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ ٣ مَٰلِكِ يَوۡمِ ٱلدِّينِ ٤ إِيَّاكَ نَعۡبُدُ وَإِيَّاكَ نَسۡتَعِينُ ٥ ٱهۡدِنَا ٱلصِّرَٰطَ ٱلۡمُسۡتَقِيمَ ٦ صِرَٰطَ ٱلَّذِينَ أَنۡعَمۡتَ عَلَيۡهِمۡ غَيۡرِ ٱلۡمَغۡضُوبِ عَلَيۡهِمۡ وَلَا ٱلضَّآلِّينَ ٧

{Ny fiderana dia ho an'i Allah, ilay Tompon'izao tontolo izao ! Ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana ! Ilay Mpanjakan'ny Andron'ny fitsarana ! Ianao irery ihany no tompoinay ary Ianao irery ihany no angatahanay fitahiana ! Tariho amin'ny lalana mahitsy hatrany izahay ! Dia ny lalan'ireo izay nomenao fahasoavana; fa tsy ny an'ireo izay nianjeran'ny hatezerana; ary tsy ny an'ireo izay very lalana}.

  1. Avy eo mamaky izay Andininy na Sorat tiana vakiana amin'ny Kor'any (amin'ny Rak'ah voalohany sy faharoa amin'ny Swalat).
  2. Doah Amin'ny Rokò' (fiondrehana):

« سُبْحَانَ رَبِّيَ الْعَظِيمِ »

"Lavitra ny tsy fahalavorariana ny Tompoko, ilay Lehibe indrindra" [intelo].

« سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ رَبَّنَا وَبِحَمْدِكَ، اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي »

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, ry Tomponay, mba ho fiderana Anao. O Allah! Avelao ny heloko!".

  1. Doah amin'ny fianganana avy amin'ny Rokò':

« سَمِعَ اللهُ لِمَنْ حَمِدَهُ »

"Allah anie handray ny fideran'izay midera Azy" [Ho an'ny Imamo (mpitarika) sy izay manao Swalat mitokana ihany izany].

« رَبَّنَا وَلَكَ الْحَمْدُ حَمْداً كَثِيراً طَيِّباً مُبَارَكاً فِيهِ مِلْءَ السَّمَاوَاتِ وَمِلْءَ الْأَرْضِ وَمِلْءَ مَا بَيْنَهُمَا وَمِلْءَ مَا شِئْتَ مِنْ شَيْءٍ بَعْدُ »

"Ry Tomponay ô! Ho Anao ny fiderana; fiderana betsaka sy madio ary feno hasoavana, izay mameno an'ireo lanitra sy mameno ny tany ary mameno an'izay anelanelan'izy roa, ary mameno an'izay zavatra tianao ankoatra an'ireo".

« أَهْلُ الثَّنَاءِ وَالْمَجْدِ أَحَقُّ مَا قَالَ الْعَبْدُ وَكُلُّنَا لَكَ عَبْدٌ، اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أَعْطَيْتَ وَلَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ وَلَا يَنْفَعُ ذَا الْجَدِّ مِنْكَ الْجَدُّ »

"(Ianao) Ilay mendri-piderana sy heni-kaja amam-boninahitra! Izany no marina indrindra amin'izay lazain'ny mpanompo, ary mpanomponao avokoa izahay rehetra. O Allah! Tsy misy afaka manakana ny fanomezanao, ary tsy misy afaka manome an'izay nosakananao, ary tsy mahasoa ny mpanana akory ny fananany eo anatrehanao (raha tsy nataonao mahasoa Azy ary tsy nampiasainy amin'ny fankatoavana Anao ny fananany)".

  1. Doah amin'ny Sojòd (fiankohofana):

« سُبْحَانَ رَبِّيَ الْأَعْلَى »

"Lavitra ny tsy fahalavorariana ny Tompoko, ilay Avo indrindra" [intelo].

« سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ رَبَّنَا وَبِحَمْدِكَ، اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي »

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, ry Tomponay, mba ho fiderana Anao. O Allah! Avelao ny heloko!".

« اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي كُلَّهُ، دِقَّهُ وَجِلَّهُ، وَأَوَّلَهُ وَآخِرَهُ، وَعَلَانِيَتَهُ وَسِرَّهُ »

"O Allah! Fafao daholo ny fahotako rehetra; ny kely sy ny be amin'izany, ny voalohany sy ny farany, ary ny miharihary sy ny miafina".

  1. Doah amin'ny fipetrahana eo anelanelan'ireo fiankohofana roa:

« رَبِّ اغْفِرْ لِي...رَبِّ اغْفِرْ لِي »

"Tompo ô! Mamelà heloka ahy…Tompo ô! Mamelà heloka ahy".

« رَبِّ اغْفِرْ لِي وَارْحَمْنِي وَاهْدِنِي وَارْزُقْنِي وَعَافِنِي وَاجْبُرْنِي »

"Tompo ô! Omeo famelan-keloka sy indrafo sy fahitsiana sy anjara fivelomana sy fahasalamana ary fankaherezana aho".

  1. At-tashahhod (fanaovana At-tahiyyàto):

« التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ، السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللهِ وَبَرَكَاتُهُ، السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللهِ الصَّالِحِينَ، أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّداً عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ »

"Ireo fiarahabana (mifono fanamboniana) dia ho an'i Allah sy ireo fivavahana ary ireo asa soa. Ny fiadanana anie ho aminao ry Mpaminany, sy ny indrafon'i Allah ary ny fahasoavany. Ny fiadanana anie ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Allah izay tsara. Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ary mijoro vavolombelona aho fa i Mohammad dia mpanompony no sady Irany".

  1. As-swalàto 'alan-nabìy (fandefasana tsodrano amin'i Mpaminany r):

«اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ كَمَا صَلَّيْتَ عَلَى إِبْرَاهِيمَ وَآلَ إِبْرَاهِيمَ إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ، وَبَارِكْ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ كَمَا بَارَكْتَ عَلَى إِبْرَاهِيمَ وَآلِ إِبْرَاهِيمَ إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ»

"O Allah! Omeo tsodrano i Mohammad sy ireo fianakavian'i Mohammad, tahaka ny nanomezanao tsodrano an'i Ibrahim sy ireo fianakavian'i Ibrahim. Ianao dia tena mendri-piderana sy heni-kaja tokoa. Ary omeo fahasoavana i Mohammad sy ireo fianakavian'i Mohammad, tahaka ny nanomezanao fahasoavana an'i Ibrahim sy ireo fianakavian'i Ibrahim. Ianao dia tena mendri-piderana sy heni-kaja tokoa".

 

  1. Doah aorian'ny At-tashahhod farany, alohan'ny Salàm:

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ عَذَابِ جَهَنَّمَ وَمِنْ عَذَابِ الْقَبْرِ وَمِنْ فِتْنَةِ الْمَحْيَا وَالْمَمَاتِ وَمِنْ فِتْنَةِ الْمَسِيحِ الدَّجَّالِ »

"O Allah! Mangata-piarovana aminao aho mba tsy ho azon'ny sazin'ny Afobe, sy ny sazin'ny fasana, sy ny fakam-panahin'ny (fitsapan'ny) fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fakam-panahin'ny (fitsapan'ny) Dajjal".

« اللَّهُمَّ إِنِّي ظَلَمْتُ نَفْسِي ظُلْماً كَثِيراً وَلَا يَغْفِرُ الذُّنُوبَ إِلَّا أَنْتَ، فَاغْفِرْ لِي مَغْفِرَةً مِنْ عِنْدِكَ وَارْحَمْنِي، إِنَّكَ أَنْتَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ »

"O Allah! Tena nanao tsy rariny maro tamin'ny tenako tokoa aho; ary tsy misy mamafa ireo fahotana afa-tsy Ianao; ka mamelà heloka ahy, amin'ny famelana tsara avy aminao, ary mamindrà fo ahy; satria Ianao tokoa no Mpamela heloka, Be indrafo".

  1. Fanaovana Salàm mamarana ny Swalat:

« السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللهِ ... السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ الله »

"Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny indrafon'i Allah (havanana)…Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny indrafon'i Allah (havia)".

 

IREO ZAVATRA TSARA TENENINA AORIAN'NY SWALAT:

  1. Manao Istighfàr intelo:

« أَسْتَغْفِرُ الله »

"Mangataka famelan-keloka amin'i Allah aho".

  1. Avy eo miteny hoe:

«اللَّهُمَّ أَنْتَ السَّلَامُ وَمِنْكَ السَّلَامُ تَبَارَكْتَ يَا ذَا الْجَلَالِ وَالْإِكْرَامِ»

"O Allah! Ianao no As-salàm([1]), ary ny fiadanana dia avy Aminao. Feno fahasoavana Ianao ry Tompon'ny fahamboniana sy fanomezan-tsoa".

  1. Avy eo miteny hoe:

« لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أَعْطَيْتَ وَلَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ وَلَا يَنْفَعُ ذَا الْجَدِّ مِنْكَ الْجَدُّ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللهِ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَلَا نَعْبُدُ إِلَّا إِيَّاهُ لَهُ النِّعْمَةُ وَلَهُ الْفَضْلُ وَلَهُ الثَّنَاءُ الْحَسَنُ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ »

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, Azy ny fanjakana sy ny fiderana, ary Izy dia mahefa ny zavatra rehetra. O Allah! Tsy misy afaka manakana ny fanomezanao, ary tsy misy afaka manome an'izay nosakananao, ary tsy mahasoa ny mpanana akory ny fananany eo anatrehanao (raha tsy nataonao mahasoa Azy ary tsy nampiasainy amin'ny fankatoavana Anao ny fananany). Tsy misy fahefana, ary tsy misy hery afa-tsy avy amin'i Allah. Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ary izahay tsy manompo afa-tsy Izy irery ihany. Azy avokoa ny hatsarana sy ny fahasoavana, ary Azy ny laza tsara. Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ka ho Azy irery ihany no anaovanay ny fanompoam-pivavahanay rehetra, na dia halan'ireo mpikomy aza izany".

  1. Avy eo manao Tasbìh sy Tahmìd ary Takbìr intelo amby telopolo avy:

« سُبْحَانَ اللهِ... الْحَمْدُ لِلَّهِ... اللهُ أَكْبَرُ »

"Madio Allah amin'ny tsy fahalavorariana…Ny fiderana ho an'i Allah…Allah no lehibe indrindra".

  1. Mba ho famenoana ny isa ho zato dia miteny hoe:

« لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ »

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, Azy ny fanjakana sy ny fiderana, ary Izy dia mahefa ny zavatra rehetra".

  1. Avy eo mamaky Àyatol-korsì, sy Sorat Al-ikhlàs [112], sy Sorat Al-falaq [113], ary Sorat An-nàs [114]. Ary tsara raha averina intelo avy ireo Sorat telo ireo, aorian'ny Swalat Fajr sy Swalat Maghrib.
  • Àyatol-korsì:

ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡحَيُّ ٱلۡقَيُّومُۚ لَا تَأۡخُذُهُۥ سِنَةٞ وَلَا نَوۡمٞۚ لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ مَن ذَا ٱلَّذِي يَشۡفَعُ عِندَهُۥٓ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦۚ يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡۖ وَلَا يُحِيطُونَ بِشَيۡءٖ مِّنۡ عِلۡمِهِۦٓ إِلَّا بِمَا شَآءَۚ وَسِعَ كُرۡسِيُّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۖ وَلَا يَ‍ُٔودُهُۥ حِفۡظُهُمَاۚ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡعَظِيمُ ٢٥٥ لَآ إِكۡرَاهَ فِي ٱلدِّينِۖ قَد تَّبَيَّنَ ٱلرُّشۡدُ مِنَ ٱلۡغَيِّۚ فَمَن يَكۡفُرۡ بِٱلطَّٰغُوتِ وَيُؤۡمِنۢ بِٱللَّهِ فَقَدِ ٱسۡتَمۡسَكَ بِٱلۡعُرۡوَةِ ٱلۡوُثۡقَىٰ لَا ٱنفِصَامَ لَهَاۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ ٢٥٦ ]البقرة: ٢٥٥[

{Allah! Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa- tsy Izy, ilay Velona, ilay Mahavita tena iankinan'ny rehetra. Tsy mba rendremana (mirôzina) Izy ary tsy mba matory. Azy irery ihany izay rehetra amin’ireo lanitra sy izay rehetra amin'ny tany. Iza no manana fahefana hanelanelana eo anatrehany raha tsy mahazo lalana avy Aminy? Fantany avokoa ny ho avy sy ny efa lasa momba azy ireo, ary tsy misy amin'ny fahalalany kosa ka voafehin'izy ireo, afa-tsy izay sitrany ihany. Midadasika mihoatra an'ireo lanitra sy ny tany ny seza fipetrahan'ny Tongony (Al-korsì), ary tsy manahirana Azy na dia kely aza ny fiarovana azy roa ireo (ireo lanitra sy ny tany). Izy ilay Avo indrindra, Ilay feno fahamboniana}[2:255].

  • Sorat Al-ikhlàs:

بِسۡمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

قُلۡ هُوَ ٱللَّهُ أَحَدٌ ١ ٱللَّهُ ٱلصَّمَدُ ٢ لَمۡ يَلِدۡ وَلَمۡ يُولَدۡ ٣ وَلَمۡ يَكُن لَّهُۥ كُفُوًا أَحَدُۢ ٤

{Teneno hoe:"Izy no Allah, Tokana (amin'ny maha-Tompo mendrika hotompoina Azy, ary amin'ireo anarany sy toetrany) ! Allah, ilay itodihana amin'izay ilaina rehetra([2])! Tsy niteraka Izy, ary tsy nateraka ! Ary tsy misy na inona na inona mitovy aminy}.

 

  • Sorat Al-falaq:

بِسۡمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

قُلۡ أَعُوذُ بِرَبِّ ٱلۡفَلَقِ ١ مِن شَرِّ مَا خَلَقَ ٢ وَمِن شَرِّ غَاسِقٍ إِذَا وَقَبَ ٣ وَمِن شَرِّ ٱلنَّفَّٰثَٰتِ فِي ٱلۡعُقَدِ ٤ وَمِن شَرِّ حَاسِدٍ إِذَا حَسَدَ ٥

{Teneno hoe:"Mangata-piarovana amin'ny Tompon'ny maraina vao mangirana aho ! Mba tsy ho voan'ny ratsin'ireo zavaboariny ! Ary mba tsy ho voan'ny ratsin'ny haizina rehefa miditra ny alina ! Ary mba tsy ho voan'ny ratsin'ireo vehivavy (mpamosavy) mpitsoka amin'ny vona (kofehy na tady) ! Ary mba tsy ho voan'ny ratsin'ny mpialona rehefa izy mialona}.

  • Sorat An-nàs:

بِسۡمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

قُلۡ أَعُوذُ بِرَبِّ ٱلنَّاسِ ١ مَلِكِ ٱلنَّاسِ ٢ إِلَٰهِ ٱلنَّاسِ ٣ مِن شَرِّ ٱلۡوَسۡوَاسِ ٱلۡخَنَّاسِ ٤ ٱلَّذِي يُوَسۡوِسُ فِي صُدُورِ ٱلنَّاسِ ٥ مِنَ ٱلۡجِنَّةِ وَٱلنَّاسِ ٦

{Teneno hoe:"Mangata-piarovana amin'ny Tompon'ny olombelona aho ! Ilay Mpanjakan'ny olombelona ! Ilay ivavahan'ny olombelona ! Mba tsy ho voan'ny ratsin'ilay mpaka fanahy miafina ! Izay mampiditra ahiahy ao ampon'olona ! Avy amin'ny Jinn sy olombelona}.

 

 

ANISANY AMIN'IREO ZIKR FANAO AMIN'NY MARAINA SY HARIVA:

  1. Famakiana Àyatol-korsì.(Jereo pejy 20)
  2. Famakiana intelo ireto Sorat ireto: Al-ikhlàs [112] sy Al-falaq [113] ary An-nàs [114].(Jereo pejy 21-22)
  3. Fitenenana:

« اللَّهُمَّ مَا أصْبَحَ بِي مِنْ نِعْمَةٍ، أَوْ بِأَحَدٍ مِنْ خَلْقِكَ، فَمِنْكَ وَحْدَكَ لَا شَرِيكَ لَكَ، فَلَكَ الْحَمْدُ وَلَكَ الشُّكْرُ »

“O Allah! Izay fahasoavana misy amiko amin’izao maraina izao, na misy amin’ny zavaboarinao hafa, dia avy aminao irery ihany, tsy misy mpikambana aminao, ka ho Anao irery ihany ny fiderana, ary ho Anao irery ihany koa ny fisaorana”.

Ary amin’ny hariva dia tenenina toy izao:

« اللَّهُمَّ مَا أَمْسَى بِي مِنْ نِعْمَةٍ،... »

“O Allah! Izay fahasoavana misy amiko amin’izao hariva izao,…”.

  1. Fitenenana:

«اللَّهُمَّ أَنْتَ رَبِّي لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ، خَلَقْتَنِي وَأَنَا عَبْدُكَ، وَأَنَا عَلَى عَهْدِكَ وَوَعْدِكَ مَا اسْتَطَعْتُ، أَعُوذُ بِكَ مِنْ شَرِّ مَا صَنَعْتُ، أَبُوءُ لَكَ بِنِعْمَتِكَ عَلَيَّ، وَأَبُوءُ بِذَنْبِي فَاغْفِرْ لِي فَإِنَّهُ لَا يَغْفِرُ الذُّنُوبَ إِلَّا أَنْتَ»

“O Allah! Ianao no Tompoko, tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Ianao. Ianao no nahary ahy, ary mpanomponao aho. Ary manoloana ny fanekena noraisinao tamiko sy ny fampanantenana nomenao ahy([3]), dia miezaka araka izay vitako aho. Mangata-piarovana aminao aho amin'izay ratsy vitako. Miaiky tanteraka eo anatrehanao aho amin’ny (halehibiazan’ny) fahasoavanao amiko, ary miaiky tanteraka eo anatrehanao aho amin’ny fahotako. Ka mangataka famelan-keloka aminao aho, satria tsy misy afaka mamafa ny fahotana afa-tsy Ianao ihany”.

Voalaza amin’ny Hadith marim-pototra hoe:"Ary izay miteny an’izany amin'ny antoandro, amin'ny finoana feno, ka maty amin'iny andro iny alohan'ny hariva, dia ho anisany amin'ireo olon'ny Paradisa; ary izay miteny an'izany amin'ny alina, amin'ny finoana feno, ka maty alohan'ny maraina, dia ho anisan'ireo olon'ny Paradisa".

 

 

 

  1. Fitenenana:

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ الْعَفْوَ وَالْعَافِيَةَ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ الْعَفْوَ وَالْعَافِيَةَ فِي دِينِي وَدُنْيَايَ، وَأَهْلِي، وَمَالِي، اللَّهُمَّ اسْتُرْ عَوْرَاتِي، وَآمِنْ رَوْعَاتِي، اللَّهُمَّ احْفَظْنِي مِنْ بَيْنِ يَدَيَّ، وَمِنْ خَلْفِي، وَعَنْ يَمِينِي، وَعَنْ شِمَالِي، وَمِنْ فَوْقِي، وَأَعُوذُ بِعَظَمَتِكَ أَنْ أُغْتَالَ مِنْ تَحْتِي »

"O Allah! Mangataka aminao aho, mba hanome ahy famelan-keloka sy fahasalamana, eto an-tany sy any ankoatra. O Allah! Mangataka aminao aho, mba hanome ahy famelan-keloka sy fahasalamana amin'ny finoako sy ny fiainako, ary amin'ny fianakaviako sy ny fananako. O Allah! Takony ireo henatro, ary alao ireo tahotro. O Allah! Arovy aho, avy eo anoloako sy avy ao afarako; avy eo ankavanako sy avy eo ankaviako, ary avy eo amboniko; ary mangata-piarovana amin'ny halehibiazanao aho mba tsy ho rendrika avy eo ambaniko".

  1. Fitenenana:

« بِسْمِ اللهِ الَّذِي لَا يَضُرُّ مَعَ اسْمِهِ شَيْءٌ فِي الْأَرْضِ وَلَا فِي السَّمَاءِ، وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ »

"Amin'ny anaran'i Allah, izay tsy misy na inona na inona afaka manisy ratsy miaraka amin'ny fanononana anarany, na eto an-tany na any an-danitra; ary Izy ilay Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra" [intelo].

ZIKR SY DOAH SAMIHAFA:

  1. Doah atao raha sahiran-tsaina na malahelo sns:

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنَ الْهَمِّ وَالْحَزَنِ، وَالْعَجْزِ وَالْكَسَلِ وَالْبُخْلِ وَالْجُبْنِ، وَضَلْعِ الدَّيْنِ وَغَلَبَةِ الرِّجَالِ »

“O Allah! Mangata-piarovana aminao aho, amin'ny fahasahiranan-tsaina sy ny alahelo, amin'ny fahalemena sy ny hakamoana, amin'ny fahihirana sy ny hasarotan-tahotra, ary amin'ny vesatry ny trosa sy ny fangejan-dehilahy”.

  1. Doah atao raha tratry ny fahasahiranana:

« لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ الْعَظِيمُ الْحَلِيمُ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ رَبُّ الْعَرْشِ الْعَظِيمِ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ رَبُّ السَّمَوَاتِ وَرَبُّ الْأَرْضِ وَرَبُّ الْعَرْشِ الْكَرِيمِ »

“Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ilay Lehibe indrindra, ilay Be fandeferana. Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, Tompon'ilay seza fiandrianana ngeza makadiry. Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, Tompon'ireo lanitra sy Tompon'ny tany ary Tompon'ilay seza fiandrianana mendri-kaja”.

« اللَّهُمَّ رَحْمَتَكَ أَرْجُو، فَلَا تَكِلْنِي إِلَى نَفْسِي طَرْفَةَ عَيْنٍ، وَأَصْلِحْ لِي شَأْنِي كُلَّهُ، لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ »

"O Allah! Ny indrafonao no antenaiko, ka aza ankinina amin'ny tenako aho na dia indray mipy maso aza; ary hatsarao ho ahy ny raharahako rehetra; tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Ianao".

  1. Doah atao raha tojon'ny hasarotana:

« اللَّهُمَّ لَا سَهْلَ إِلَّا مَا جَعَلْتَهُ سَهْلاً، وَأَنْتَ تَجْعَلُ الْحَزْنَ إِذَا شِئْتَ سَهْلاً »

"O Allah! Tsy misy mora afa-tsy izay nampanjarianao mora; ary Ianao no mampanjary ny sarotra ho mora raha sitrakao".

  1. Doah fangataham-piarovana ho an'ny zaza:

« أُعِيذُكَ بِكَلِمَاتِ اللهِ التَّامَّةِ، مِنْ كُلِّ شَيْطَانٍ وَهَامَّةٍ، وَمِنْ كُلِّ عَيْنٍ لَامَّةٍ »

"Mangata-piarovana ho anao aho, amin'ny alalan'ireo tenin'i Allah lavorary, mba tsy ho voan'ireo satana sy biby misy poizina rehetra, ary mba tsy ho voan'ny maso ratsy".

  1. Doah atao amin'ny marary eo am-pamangiana azy:

« لَا بَأْسَ، طَهُورٌ إِنْ شَاءَ اللهُ »

"Tsy misy atahorana, fa fanadiovana (anao amin'ny fahotana) io, raha sitrak'i Allah".

« أَسْأَلُ اللهَ الْعَظِيمَ رَبَّ الْعَرْشِ الْعَظِيمِ أَنْ يَشْفِيَكَ »

"Mangataka amin'i Allah aho, ilay Lehibe indrindra, Tompon'ilay seza fiandrianana ngeza makadiry, mba hanasitrana anao" [impito].

  1. Doah ataon'izay tratry ny fahoriana:

« إِنَّا لِلَّهِ وَإِنَّا إِلَيْهِ رَاجِعُونَ، اللَّهُمَّ أْجُرْنِي فِي مُصِيبَتِي، وَأَخْلِفْ لِي خَيْراً مِنْهَا »

"Tena marina fa an'i Allah izahay, ary any aminy tokoa no hiverenanay. O Allah! Omeo valisoa aho amin'izao fahoriako izao, ary dimbaso tsara noho izao aho".

  1. Doah avy mamaha ny fifehezana:

« ذَهَبَ الظَّمَأُ، وَابْتَلَّتِ الْعُرُوقُ، وَثَبَتَ الْأَجْرُ إِنْ شَاءَ اللهُ »

"Afaka ny hetaheta, ary mandomando ireo hozatra; fa mipetraka kosa ny valisoa raha sitrak'i Allah".

  1. Doah amin'ny fievenana (mitsivena):

Raha mievina (mitsivena) ny olona iray dia miteny hoe:

« اَلْحَمْدُ لِلَّهِ »

"Dera ho an'i Allah".

Izay maheno azy miteny an'izany dia aoka hiteny hoe:

« يَرْحَمُكَ اللهُ »

"Allah anie hamindra fo anao".

Dia mamaly ilay nievina hoe:

« يَهْدِيكُمُ اللهُ وَيُصْلِحُ بَالَكُمْ »

"Hanitsy anareo anie Allah ary hanatsara ny fiainanareo".

  1. Doah ho an'olona avy nanambady:

« بَارَكَ اللهُ لَكَ، وَبَارَكَ عَلَيْكَ، وَجَمَعَ بَيْنَكُمَا فِي خَيْرٍ »

"Allah anie hanasoa anao sy handrotsaka ny fahasoavana aminao ary hanambatra anareo amin'ny hatsarana".

  1. Doah alohan'ny handaozana ny fiaraha-mipetrapetraka:

« سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ وَبِحَمْدِكَ، أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ، أَسْتَغْفِرُكَ وَأَتُوبُ إِلَيْكَ »

"Manadio Anao amin'ny tsy fahalavorariana aho ry Allah, no sady midera Anao. Mijoro vavolom-belona aho fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Ianao. Mangataka famelan-keloka aminao aho ary mibebaka aminao".

 

 

 

  1. Doah atao raha manahy amin'ny Shirk:

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ أَنْ أُشْرِكَ بِكَ وَأَنَا أَعْلَمُ، وَأَسْتَغْفِرُكَ لِمَا لَا أَعْلَمُ »

"O Allah! Mangata-piarovana aminao aho mba tsy hanao Shirk aminao, amim-pahalalana; ary mangataka famelan-keloka aminao aho amin'izay tsy fantatro".

  1. Doah amin'ny dìa (fandehanana an-tany lavitra):

« اللهُ أَكْبَرُ، اللهُ أَكْبَرُ، اللهُ أَكْبَرُ، سُبۡحَٰنَ ٱلَّذِي سَخَّرَ لَنَا هَٰذَا وَمَا كُنَّا لَهُۥ مُقۡرِنِينَ ١٣ وَإِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا لَمُنقَلِبُونَ ١٤ ،

اللَّهُمَّ إِنَّا نَسْأَلُكَ فِي سَفَرِنَا هَذَا الْبِرَّ وَالتَّقْوَى، وَمِنَ الْعَمَلِ مَا تَرْضَى، اللَّهُمَّ هَوِّنْ عَلَيْنَا سَفَرَنَا هَذَا وَاطْوِ عَنَّا بُعْدَهُ، اللَّهُمَّ أَنْتَ الصَّاحِبُ فِي السَّفَرِ، وَالْخَلِيفَةُ فِي الْأَهْلِ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ وَعْثَاءِ السَّفَرِ، وَكَآبَةِ الْمَنْظَرِ، وَسُوءِ الْمُنْقَلَبِ فِي الْمَالِ وَالْأَهْلِ »

"Allah no lehibe indrindra, Allah no lehibe indrindra, Allah no lehibe indrindra. {Voninahitra ho an'izay nanao an'izao ho eo ambany fifehezanay, na dia tsy nanananay fahefana akory aza izany ! Ary tena marina fa any amin'ny Tomponay no hiverenanay}[43:13-14]. O Allah! Mangataka aminao izahay, amin'izao dianay izao, mba hitarika anay amin'ny asa soa sy ny fahatahorana Anao ary ny fanaovana asa mahafaly Anao. O Allah! Hamaivano ho anay izao dianay izao, ary hafohezo aminay ny halavirany. O Allah! Ianao no namana amin'ny dìa, ary mpandimby eo amin'ny fianakaviana. O Allah! Mangata-piarovana aminao aho, amin'ny hasarotan'ny dìa, sy ny fanjombonan'ny endrika, ary ny fiovan-javatra ho ratsy, amin'ny fananana sy ny fianakaviana".

Rehefa miverina dia miteny an'ireo indray, ary ampiana an'izao:

« آيِبُونَ، تَائِبُونَ، عَابِدُونَ، لِرَبِّنَا حَامِدُونَ »

"Miverina izahay, miaraka amin'ny fibebahana sy fanompoana ary fiderana an'ny Tomponay".

  1. Doah rehefa miditra amin'ny tsena:

«لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ، وَلَهُ الْحَمْدُ، يُحْيِي وَيُمِيتُ، وَهُوَ حَيٌّ لَا يَمُوتُ، بِيَدِهِ الْخَيْرُ، وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ»

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, Azy ny fanjakana sy ny fiderana. Izy no mamelona sy mamono, ary izy kosa dia velona tsy mety maty. Eo am-pelatanany ny tsara; ary Izy dia mahefa ny zavatra rehetra".

  1. Zavatra tenenina rehefa maheno vaovao tsara:

« اَلْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي بِنِعْمَتِهِ تَتِمُّ الصَّالِحَاتِ »

"Dera ho an'i Allah, izay amin'ny alalan'ny fahasoavany no mahatontosa an'ireo zavatra tsara".

Fa raha ratsy indray kosa, dia miteny hoe:

« اَلْحَمْدُ لِلَّهِ عَلَى كُلِّ حَالٍ »

"Dera ho an'i Allah, amin'ny toe-draharaha rehetra".

  1. Zavatra atao na tenenina raha misy manaintaina amin'ny vatana:

Atao eo amin'ilay toerana manaintaina amin'ny vatana ny tanana, dia miteny intelo hoe:

« بِسْمِ اللهِ »

"Amin'ny anaran'i Allah".

Ary miteny impito hoe:

« أَعُوذُ بِاللهِ وَقُدْرَتِهِ مِنْ شَرِّ مَا أَجِدُ وَأُحَاذِرُ »

"Mangata-piarovana amin'i Allah sy ny fahefany aho, amin'ny ratsin'izao zavatra manaintaina ahy sy mampanahy ahy izao".

 

 

ANISANY AMIN'IREO TENY FENO FAHASOAVANA:

  1. Fandefasana tsodrano ho amin'i Mpaminany r:

Nilaza i Mpaminany r hoe:

« مَنْ صَلَّى عَلَيَّ صَلَاةً صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ بِهَا عَشْراً »

"Izay mandefa tsodrano indray mandeha amiko, Allah dia mitso-drano azy impolo noho izany".

Ary nilaza izy hoe:

« الْبَخِيلُ مَنْ ذُكِرْتُ عِنْدَهُ وَلَمْ يُصَلِّ عَلَيَّ »

"Ny olona kahihitra dia izay tsy mandefa tsodrano amiko raha tononina eo aminy aho".

  1. Fampielezana ny Salàm (fifampiarahabana hoe: Assalàmo 'alaikom):

Nilaza ny Irak'i Allah r hoe:

« لَا تَدْخُلُوا الْجَنَّةَ حَتَّى تُؤْمِنُوا، وَلَا تُؤْمِنُوا حَتَّى تَحَابُّوا، أَوَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى شَيْءٍ إِذَا فَعَلْتُمُوهُ تَحَابَبْتُمْ، أَفْشُوا السَّلَامَ بَيْنَكُمْ »

"Tsy hiditra amin'ny Paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy ho tena mpino feno ianareo raha tsy mifankatia. Tsy atoroko zavatra ve ianareo, raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho eo aminareo samy anareo ny Salàm (fifampiarahabana amin'ny teny hoe: Assalàm 'alaikoum)".

  1. Fangatahana famelan-keloka amin'i Allah sy fibebahana aminy:

Nilaza i Mpaminany r hoe:

« يَا أَيُّهَا النَّاسُ! تُوبُوا إِلَى اللهِ، فَإِنِّي أَتُوبُ فِي الْيَوْمِ إِلَيْهِ مِائَةَ مَرَّةٍ »

"Ry zanakolombelona! Mibebaha amin'i Allah ianareo; fa tena marina izaho dia mibebaka aminy injato mandritry ny andro iray".

Ary nilaza izy fa:"Izay miteny hoe:

« أَسْتَغْفِرُ اللهَ الْعَظِيمَ الَّذِي لَا إِلَهَ إِلَّا هُوَ الْحَيُّ الْقَيُّومُ وَأَتُوبُ إِلَيْهِ »

"Mangataka famelan-keloka amin'i Allah aho, ilay lehibe indrindra, izay tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Izy, ilay Velona, ilay Mahavita tena iankinan'ny rehetra; ary mibebaka aminy aho".

Dia mamela azy Allah, na dia nitsoaka ady aza izy".

  1. Fahasoavan'ny Zikr (fahatsiarovana an'i Allah):

Nilaza i Mpaminany r fa:"Izay miteny hoe:

« سُبْحَانَ اللهِ وَبِحَمْدِهِ »

"Manadio an'i Allah amin'ny tsy fahalavorariana aho ary midera Azy".

Dia voafafa ny fahotany, na dia mitovy amin'ny roa-dranomasina aza".

Ary nilaza izy fa:"Izay miteny hoe:

« لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ »

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpikambana aminy, Azy ny fanjakana sy ny fiderana, ary Izy dia mahefa ny zavatra rehetra"; impolo, dia sahala amin'ny nanafaka ain'olona efatra, amin'ny taranak'i Ismail u".

Ary nilaza izy hoe:"Teny roa, maivana amin'ny lela, mavesatra amin'ny mizana, tian'ilay Be indrafo:

« سُبْحَانَ اللهِ وَبِحَمْدِهِ، سُبْحَانَ اللهِ الْعَظِيمِ »

"Manadio an'i Allah amin'ny tsy fahalavorariana aho ary midera Azy; manadio an'i Allah amin'ny tsy fahalavorariana aho, ilay Lehibe indrindra".

Ary nilaza izy hoe:"Ny teny tian'i Allah indrindra dia:

« سُبْحَانَ اللهِ، وَالْحَمْدُ لِلَّهِ، وَلَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَاللهُ أَكْبَرُ »

"Madio Allah amin'ny tsy fahalavorariana, ary dera ho an'i Allah, ary tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ary Allah no lehibe indrindra".

 

 

ANISANY AMIN'IREO ZIKR FANAO ALOHAN'NY MATORY:

  1. Rehefa miakatra eo ambony fandriana dia atambatra ny felatanana roa ary tsofina ao anatiny, dia mamaky Sorat Al-ikhlàs [112] sy Sorat Al-falaq [113] ary Sorat An-nàs [114], avy eo safoina amin'ireo felatanana ny vatana, ka atomboka amin'ny loha sy ny tarehy sy ny manoloana amin'ny vatana ary izay azon'ny tanana rehetra; ary averina intelo izany. (Jereo pejy 21-22)
  2. Famakiana Àyat Al-korsì. (Jereo pejy 20)
  3. Fitenenana:

« اللَّهُمَّ قِنِي عَذَابَكَ، يَوْمَ تَبْعَثُ عِبَادَكَ »

“O Allah! Arovy amin’ny sazinao aho amin’ny andro hanangananao amin’ny maty ireo mpanomponao”.

  1. Fitenenana:

« بِاسْمِكَ رَبِّي وَضَعْتُ جَنْبِي وَبِكَ أَرْفَعُهُ، فَإِنْ أَمْسَكْتَ نَفْسِي فَارْحَمْهَا، وَإِنْ أَرْسَلْتَهَا فَاحْفَظْهَا بِمَا تَحْفَظُ بِهِ عِبَادَكَ الصَّالِحِينَ »

“Amin’ny anaranao ry Tompoko no ametrahako ny ilam-batako (eo am-pandriana) ary amin'ny alalanao no ampianganako izany; ka raha tazoninao ny aiko dia mba amindrà fo izy; fa raha alefanao kosa izy dia mba arovy amin'izay iarovanao an'ireo mpanomponao mendrika”.

  1. Fitenenana:

« بِاسْمِكَ اللَّهُمَّ أَمُوتُ وَأَحْيَا »

“Amin’ny anaranao ry Allah no ahafatesako sy ivelomako”.

  1. Manao Tasbìh intelo amby telopolo, Tahmìd intelo amby telopolo, ary Takbìr inefatra amby telopolo:

« سُبْحَانَ اللهِ... الْحَمْدُ لِلَّهِ... اللهُ أَكْبَرُ »

"Madio Allah amin'ny tsy fahalavorariana…Dera ho an'i Allah…Allah no lehibe indrindra".

 

 

DOAH VITSIVITSY AVY AMIN'NY KOR'ANY SY NY SONNAT:

رَبَّنَآ ءَاتِنَا فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗ وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِ حَسَنَةٗ وَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ ٢٠١ ]البقرة: ٢٠١[

{Ry Tomponay ô! Omeo fahasoavana izahay eto an-tany, ary fahasoavana any ankoatra, ary arovy amin’ny sazin'ny Afobe izahay}[2:201].

رَبَّنَا لَا تُزِغۡ قُلُوبَنَا بَعۡدَ إِذۡ هَدَيۡتَنَا وَهَبۡ لَنَا مِن لَّدُنكَ رَحۡمَةًۚ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡوَهَّابُ ٨ رَبَّنَآ إِنَّكَ جَامِعُ ٱلنَّاسِ لِيَوۡمٖ لَّا رَيۡبَ فِيهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُخۡلِفُ ٱلۡمِيعَادَ ٩ ]آل عمران: ٨ - ٩[

{Ry Tomponay o! Aza avily lalana ny fonay, taorian’ny nanitsianao anay, ary omeo indrafo avy aminao izahay. Tena marina fa Ianao no Be fanomezana ! Tomponay ô! Marina fa Ianao dia hamory ny olombelona, amin’ny andro iray, izay tsy misy fisalasalana ny aminy. Tena marina fa Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany}[3:8-9].

رَبَّنَا ظَلَمۡنَآ أَنفُسَنَا وَإِن لَّمۡ تَغۡفِرۡ لَنَا وَتَرۡحَمۡنَا لَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ ٢٣ ]الأعراف: ٢٣[

{Tomponay ô! Nanao ny tsy rariny tamin’ny tenanay izahay, ary raha tsy mamela heloka anay sy mamindra fo aminay Ianao, dia tena ho anisan’ireo maty antoka tokoa izahay}[7:23].

رَبِّ ٱجۡعَلۡنِي مُقِيمَ ٱلصَّلَوٰةِ وَمِن ذُرِّيَّتِيۚ رَبَّنَا وَتَقَبَّلۡ دُعَآءِ ٤٠ رَبَّنَا ٱغۡفِرۡ لِي وَلِوَٰلِدَيَّ وَلِلۡمُؤۡمِنِينَ يَوۡمَ يَقُومُ ٱلۡحِسَابُ ٤١ ]إبراهيم: ٤٠ - ٤١[

{Tompo ô! Ataovy mpanatanteraka Swalat an-tsakany sy an-davany aho ary koa amin'ireo taranako. Tomponay ô! Ekeo ny fangatahako ! Tomponay ô! Mamelà heloka ahy sy ireo ray aman-dreniko ary ireo mpino, amin’ny Andron’ny Fitsarana!}[14:40-41].

رَبَّنَآ ءَامَنَّا فَٱغۡفِرۡ لَنَا وَٱرۡحَمۡنَا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلرَّٰحِمِينَ ١٠٩ ]المؤمنون: ١٠٩[

{Ry Tomponay ô! Mino izahay ka avelao ny helokay ary mamindrà fo aminay, fa Ianao mpamindra fo tsara indrindra}[23:109].

رَبَّنَا ٱصۡرِفۡ عَنَّا عَذَابَ جَهَنَّمَۖ إِنَّ عَذَابَهَا كَانَ غَرَامًا ٦٥ إِنَّهَا سَآءَتۡ مُسۡتَقَرّٗا وَمُقَامٗا ٦٦ ]الفرقان: ٦٥ - ٦٦[

{Tomponay ô! Alaviro anay ny sazin’ny Afobe; fa ny sazin'izany dia tena tsy mamela mihitsy ! Tena ratsy tokoa izany raha toerana fonenana sy fipetrahana!}[25:65-66].

رَبَّنَا هَبۡ لَنَا مِنۡ أَزۡوَٰجِنَا وَذُرِّيَّٰتِنَا قُرَّةَ أَعۡيُنٖ وَٱجۡعَلۡنَا لِلۡمُتَّقِينَ إِمَامًا ٧٤ ]الفرقان: ٧٤[

{Tomponay ô! Omeo fahafinaretan'ny maso izahay avy amin'ireo vadinay sy ireo taranakay; ary ataovy mpitarika an'ireo manam-pahatahorana izahay}[25:74].

رَبَّنَا ٱغۡفِرۡ لَنَا وَلِإِخۡوَٰنِنَا ٱلَّذِينَ سَبَقُونَا بِٱلۡإِيمَٰنِ وَلَا تَجۡعَلۡ فِي قُلُوبِنَا غِلّٗا لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ رَبَّنَآ إِنَّكَ رَءُوفٞ رَّحِيمٌ ١٠ ]الحشر: ١٠[

{Ry Tomponay ô! Mamelà heloka anay sy ireo rahalahinay izay nialoha anay tamin'ny finoana; ary aza asiana fankahalana an'ireo izay nino ao am-ponay ao. Tomponay ô! Ianao tokoa ilay Be fiantrana sy Be indrafo}[59:10].

رَّبَّنَا عَلَيۡكَ تَوَكَّلۡنَا وَإِلَيۡكَ أَنَبۡنَا وَإِلَيۡكَ ٱلۡمَصِيرُ ٤ رَبَّنَا لَا تَجۡعَلۡنَا فِتۡنَةٗ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ وَٱغۡفِرۡ لَنَا رَبَّنَآۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٥ ]الممتحنة: ٤ - ٥[

{Tomponay ô! Aminao no ametrahanay ny fitokisana ary aminao no iverenanay am-pibebahana; ary any aminao ny fiverenana (amin'ny Andro farany). Tomponay ô! Aza atao fakam-panahy ho an’ireo izay tsy nino izahay, ary avelao ny helokay ry Tomponay. Ianao tokoa ilay Mahery indrindra, Ilay Be fahendrena}[60:4-5].

رَّبِّ زِدۡنِي عِلۡمٗا ١١٤ ]طه: ١١٤[

{Ry Tompoko! Ampio ny fahalalako!}.

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ الْهُدَى وَالتُّقَى وَالْعَفَافَ وَالْغِنَى »

"O Allah! Omeo fahitsiana sy fahatahorana (Anao) sy fahadiovam-pitondrantena ary harem-panahy aho". Notaterin'i Moslimo (2721).

« اللَّهُمَّ أَصْلِحْ لِي دِينِي الَّذِي هُوَ عِصْمَةُ أَمْرِي، وَأَصْلِحْ لِي دُنْيَايَ الَّتِي فِيهَا مَعَاشِي، وَأَصْلِحْ لِي آخِرَتِي الَّتِي فِيهَا مَعَادِي، وَاجْعَلِ الْحَيَاةَ زِيَادَةً لِي فِي كُلِّ خَيْرٍ، وَاجْعَلِ الْمَوْتَ رَاحَةً لِي مِنْ كُلِّ شَرٍّ »

"O Allah! Hatsarao ho ahy ny finoako, izay miaro ny raharaham-piainako. Hatsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny anjaram-pivelomako. Hatsarao ho ahy ny fiainako any ankoatra, izay toby hiverenako (aorian'ny fahafatesana). Ataovy ny tombon'andro ivelomako mba ho tombon'ny hatsarana amin'ny lafiny rehetra; ary ataovy ny fahafatesana mba ho fialan-tsasatra ho ahy amin'ny ratsy rehetra". Notaterin'i Moslimo (2720).

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ »

"O Allah! Mangata-piarovana aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, sy amin'ny fivadihan'ny fahasalamana nomenao, sy amin'ny fahatongavan'ny sazinao tampoka, ary amin'ny hatezeranao rehetra". Notaterin'i Moslimo (2739).

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنَ الْعَجْزِ وَالْكَسَلِ، وَالْجُبْنِ وَالْبُخْلِ، وَالْهَرَمِ وَعَذَابِ الْقَبْرِ، اللَّهُمَّ آتِ نَفْسِي تَقْوَاهَا، وَزَكِّهَا أَنْتَ خَيْرُ مَنْ زَكَّاهَا، أَنْتَ وَلِيُّهَا وَمَوْلَاهَا، اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ عِلْمٍ لَا يَنْفَعُ، وَمِنْ قَلْبٍ لَا يَخْشَعُ، وَمِنْ نَفْسٍ لَا تَشْبَعُ، وَمِنْ دَعْوَةٍ لَا يُسْتَجَابُ لَهَا »

"O Allah! Mangata-piarovana aminao aho amin'ny fahalemena sy ny hakamoana, amin'ny fahakanosana (fahasarotan-tahotra) sy ny fahihirana (fahidiana), amin'ny fahanterana tafahoatra sy ny sazin'ny fasana. O Allah! Ataovy vontom-pinoana manam-pahatahorana ny tenako; ary diovy ny fanahiko, fa Ianao no mpanadio azy tsara indrindra, Ianao no mpamonjy azy sy mpiantoka azy. O Allah! Mangata-piarovana aminao aho amin'ny fahalalana tsy mahasoa, sy amin'ny fo tsy manana fanetren-tena, sy amin'ny vatana tsy mahay voky (sy afa-po), ary amin'ny hataka tsy mivaly". Notaterin'i Moslimo (2722).

« اللَّهُمَّ لَكَ أَسْلَمْتُ، وَبِكَ آمَنْتُ، وَعَلَيْكَ تَوَكَّلْتُ، وَإِلَيْكَ أَنَبْتُ، وَبِكَ خَاصَمْتُ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِعِزَّتِكَ لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ أَنْ تُضِلَّنِي، أَنْتَ الْحَيُّ الَّذِي لَا يَمُوتُ، وَالْجِنُّ وَالْإِنْسُ يَمُوتُونَ »

"O Allah! Ho Anao no anolorako tena, Ianao no inoako, aminao no anankinako ny fitokiako, aminao no ibebahako, ary amin'ny alalanao no iadiako hevitra. O Allah! Mangata-piarovana amin'ny alalan'ny herinao aho, tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Ianao, mba aza atao very lalana aho; Ianao ilay Velona izay tsy ho faty; ny Jinn sy ny olombelona dia mbola ho faty avokoa". Notaterin'i Moslimo (2717).

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ مِنَ الْخَيْرِ كُلِّهِ، عَاجِلِهِ وَآجِلِهِ، مَا عَلِمْتُ مِنْهُ وَمَا لَمْ أَعْلَمْ، وَأَعُوذُ بِكَ مِنَ الشَّرِّ كُلِّهِ، عَاجِلِهِ وَآجِلِهِ، مَا عَلِمْتُ مِنْهُ وَمَا لَمْ أَعْلَمْ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ مِنْ خَيْرِ مَا سَأَلَكَ عَبْدُكَ وَنَبِيُّكَ، وَأَعُوذُ بِكَ مِنْ شَرِّ مَا عَاذَ بِهِ عَبْدُكَ وَنَبِيُّكَ، اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ الْجَنَّةَ وَمَا قَرَّبَ إِلَيْهَا مِنْ قَوْلٍ أَوْ عَمَلٍ، وَأَعُوذُ بِكَ مِنَ النَّارِ وَمَا قَرَّبَ إِلَيْهَا مِنْ قَوْلٍ أَوْ عَمَلٍ، وَأَسْأَلُكَ أَنْ تَجْعَلَ كُلَّ قَضَاءٍ قَضَيْتَهُ لِي خَيْراً »

"O Allah! Mangataka aminao aho mba hanome ahy amin'ny tsara rehetra, ny haingana amin'izany sy ny ela, ary ny fantatro amin'izany sy ny tsy fantatro; ary mangata-piarovana aminao aho amin'ny ratsy rehetra, ny haingana amin'izany sy ny ela, ary ny fantatro amin'izany sy ny tsy fantatro. O Allah! Mangataka aminao ny tsara amin'izay nangatahin'ny mpanomponao sy Mpaminaninao (Mohammad) taminao aho, ary mangata-piarovana aminao amin'izay ratsy nangatahan'ny mpanomponao sy Mpaminaninao fiarovana taminao aho. O Allah! Mangataka aminao ny Paradisa aho, sy izay teny na asa mampanakaiky amin'izany; ary mangata-piarovana aminao aho amin'ny Afobe, sy amin'izay teny na asa mampanakaiky amin'izany. Ary mangataka aminao aho mba hataonao tsara ho ahy izay lahatra rehetra nalahatrao amiko". Notaterin'i Ibn Màjah (3846).

« لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ سُبْحَانَكَ إِنِّي كُنْتُ مِنَ الظَّالِمِينَ »

"Tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Ianao, madio amin'ny tsy fahalavorariana Ianao, tena marina fa anisan'ireo nanao ny tsy rariny tokoa aho". Notaterin'i At-tirmizi (3505).

« اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ مُنْكَرَاتِ الْأَخْلَاقِ وَالْأَعْمَالِ وَالْأَهْوَاءِ »

"O Allah! Mangata-piarovana aminao aho amin'ireo haratsian-toetra sy asa ratsy ary filan-dratsy". Notaterin'i At-tirmizi (3591).

« اللَّهُمَّ مُصَرِّفَ الْقُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ »

"O Allah, mpanova ny fo! Alefaso ho amin'ny fankatoavana Anao ny fonay". Notaterin'i Moslimo (2654).

 « اللَّهُمَّ بِعِلْمِكَ الْغَيْبَ، وَقُدْرَتِكَ عَلَى الْخَلْقِ، أَحْيِنِي مَا عَلِمْتَ الْحَيَاةَ خَيْرًا لِي، وَتَوَفَّنِي إِذَا عَلِمْتَ الْوَفَاةَ خَيْرًا لِي، اللَّهُمَّ وَأَسْأَلُكَ خَشْيَتَكَ فِي الْغَيْبِ وَالشَّهَادَةِ، وَأَسْأَلُكَ كَلِمَةَ الْحَقِّ فِي الرِّضَا وَالْغَضَبِ، وَأَسْأَلُكَ الْقَصْدَ فِي الْفَقْرِ وَالْغِنَى، وَأَسْأَلُكَ نَعِيمًا لَا يَنْفَدُ، وَأَسْأَلُكَ قُرَّةَ عَيْنٍ لَا تَنْقَطِعُ، وَأَسْأَلُكَ الرِّضَا بَعْدَ الْقَضَاءِ، وَأَسْأَلُكَ بَرْدَ الْعَيْشِ بَعْدَ الْمَوْتِ، وَأَسْأَلُكَ لَذَّةَ النَّظَرِ إِلَى وَجْهِكَ، وَالشَّوْقَ إِلَى لِقَائِكَ فِي غَيْرِ ضَرَّاءَ مُضِرَّةٍ، وَلَا فِتْنَةٍ مُضِلَّةٍ، اللَّهُمَّ زَيِّنَّا بِزِينَةِ الإِيمَانِ، وَاجْعَلْنَا هُدَاةً مُهْتَدِينَ »

"O Allah! Amin'ny fahalalanao ny zava-miafina, sy fahefanao mahary zavatra; ataovy velona aho raha fantatrao fa tsara ho ahy ny fahavelomana; ary ataovy maty aho rehefa fantatrao fa ny fahafatesana no tsara ho ahy. O Allah! Mangataka aminao aho, ataovy manam-pahatahorana Anao aho, na an-takona na an-karihary; ary Ataovy milaza ny marina hatrany aho, na an-kafaliana na amin'ny hatezerana; ary ataovy manao zavatra antonona hatrany aho, na amin'ny fananan-karena na amin'ny fahantrana. Omeo fahasoavana tsy mety ritra aho; omeo fahafinaretan'ny maso tsy mety tapaka aho; omeo fahafaham-po aho aorian'ny fidinan'ny lahatra (avy aminao); omeo fiainana sambatra aho aorian'ny fahafatesana; omeo fahasambarana mijery ny tarehinao aho (ao amin'ny Paradisa); ary faniriana hihaona aminao; fa tsy amin'ny haratsiana mandoza kosa, na koa fitsapana mahavery lalana. O Allah! Ampihaingoy amin'ny alalan'ny haingon'ny finoana izahay; ary ataovy izahay ho mpitarika mizotra amin'ny lalana mahitsy". Notaterin'i An-nasà-i (1305).

 

Tapitra.

Allah anie handray izao asa izao, ary hamela heloka ny mpanoratra azy sy ireo ray aman-dreniny, ary ny mpino Islamo rehetra.

وَصَلَّى اللهُ وَسَلَّمَ عَلَى نَبِيِّنَا مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِهِ وَصَحْبِهِ أَجْمَعِينَ.

Allah anie handrotsaka ny tsodrano sy ny fiadanana amin'ny Mpaminanintsika Mohammad sy ny fianakaviany ary ireo mpanara-dia azy rehetra.

FANOROAM-PEJY

LOHATENY

PEJY

FAMPIDIRANA

4

ANISAN'NY ZIKR SY DOAH FANAO ANDAVANANDRO

5

  1. Zikr atao rehefa mifoha amin'ny torimaso

5

  1. Doah eo am-pitafiana lamba

5

  1. Zavatra tenenina rehefa manala lamba

5

  1. Doah rehefa hiditra amin’ny toeram-pivalanana (WC na douche)

5

  1. Doah rehefa mivoaka avy amin’ny toeram-pivalanana

6

  1. Zikr eo am-panombohana ny wozo

6

  1. Zikr rehefa vita ny wozo

6

  1. Doah tenenina alohan’ny hisakafo

7

  1. Doah atao rehefa avy mihinana

7

  1. Zikr rehefa mivoaka amin’ny trano

7

  1. Zikr rehefa miditra amin’ny trano

8

  1. Doah eo am-pandehanana mankany amin'ny Masjid

8

  1. Doah rehefa miditra amin’ny Masjid

8

  1. Doah rehefa mivoaka amin’ny masjid

9

  1. Ireo zikr amin'ny Azan (fiantsoana ho amin'ny Swalat)

9

IREO ZAVATRA TENENINA ANATIN'NY SWALAT

11

IREO ZAVATRA TSARA TENENINA AORIAN'NY SWALAT

18

ANISANY AMIN'IREO ZIKR FANAO AMIN'NY MARAINA SY HARIVA

24

ZIKR SY DOAH SAMIHAFA

27

  1. Doah atao raha sahiran-tsaina na malahelo sns

27

  1. Doah atao raha tratry ny fahasahiranana

27

  1. Doah atao raha tojon'ny hasarotana

28

  1. Doah fangataham-piarovana ho an'ny zaza

28

  1. Doah atao amin'ny marary eo am-pamangiana azy

28

  1. Doah ataon'izay tratry ny fahoriana

29

  1. Doah avy mamaha ny fifehezana

29

  1. Doah amin'ny fievenana

29

  1. Doah ho an'ny mpanambady

30

  1. Doah alohan'ny handaozana ny fiaraha-mipetrapetraka

30

  1. Doah atao raha manahy amin'ny Shirk

30

  1. Doah amin'ny dìa (fandehanana an-tany lavitra)

31

  1. Doah rehefa miditra amin'ny tsena

32

  1. Zavatra tenenina rehefa maheno vaovao tsara

32

  1. Zavatra atao na tenenina raha misy manaintaina amin'ny vatana

33

ANISANY AMIN'IREO TENY FENO FAHASOAVANA

34

  1. Fandefasana tsodrano ho amin'i Mpaminany r

34

  1. Fampielezana ny Salàm (fifampiarahabana hoe: Assalàmo 'alaikom)

34

  1. Fangatahana famelan-keloka amin'i Allah sy fibebahana aminy

35

  1. Fahasoavan'ny Zikr (fahatsiarovana an'i Allah)

35

ANISANY AMIN'IREO ZIKR FANAO ALOHAN'NY MATORY

37

DOAH VITSIVITSY AVY AMIN'NY KOR'ANY SY NY SONNAT

39

FANOROAM-PEJY

48

 

 

 

 

Ho an'izay manana fanamarihana,

fanitsiana, fanontaniana sns, dia aza

misalasala mifandray aminay:

Tel: +261 32 74 640 72/ +261 34 92 938 07

e-mail: [email protected]

Facebook: Zakaria Managna

WhatsApp: 00966560406409

 

 

([1]) As-salàm: anisany anaran'i Allah, izay midika hoe: ilay tsy manan-kilema ary lavitra ny tsy fahalavorariana, na amin'ny Tenany, na amin'ireo Toetrany, na amin'ireo Anarany, na amin'ireo zavatra ataony. Ary ny fiadanana rehetra eto an-tany sy any ankoatra dia avy Aminy avokoa.

([2]) Ilay itodihana amin'izay ilaina rehetra: ilay Tompo tonga lafatra indrindra amin'ny fiandrianany sy ny voninahiny ary ny fahamendrehany; izay andrandrain'ny mpanompony iray manontolo amin'izay rehetra ilain'izy ireo.

([3]) Ny fanekena noraisin'i Allah tamintsika dia ny hanompoantsika Azy irery ihany, tsy atambatra na amin'iza na amin'iza.

Ary ny fampanantenana nomeny antsika dia raha manokana ny fanompoana ho Azy irery ihany isika dia ampidiriny amin'ny Paradisa.

BOKIN'NY AZKAR SY DOAH

Fitehirizana

Momba ny Boky

Mpanoratra :

Managna Zakaria

Mpandika soratra :

Managna Zakaria

Mpanaparitaka :

www.islamhouse.com

Karazana :

Fiainana andavanandro&Fanompoana