NY TSY MAINTSY HANARAHANA NY SONNAH-NYMPAMINANY ARY NY MAHA-MPIKOMY IZAY MANDÀ IZANY

وجوب العمل بسنة الرسول r وكفر من أنكرها

تأليف سماحة الشيخ:

عبد العزيز بن عبد الله بن باز رحمه الله-

 

 

 

NY TSY MAINTSY HANARAHANA NY SONNAH-NY MPAMINANY r ARY NY MAHA-MPIKOMY IZAY MANDÀ IZANY

 

Nosoratan'i Sheikh:

'Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz r

 

Fandikan-teny nataon'i:

MANAGNA ZAKARIA

Famerenana sy fanitsiana:

Sheikh: ABDALLAH Said Moussa

Sheikh: DJAMILDINE Samsoudine

 

 

 

 

 

 

!

Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana

 

 

FANOROAM-PEJY

LOHATENY

PEJY

FAMPIDIRANA

5

IREO FOTOTRA EKENA ENTINA MAMARITRA NY LALÀNA:

-NY FOTOTRA VOALOHANY: NY BOKY MASIN'I ALLAH:

-NY FOTOTRA FAHAROA: IZAY TATITRA MARIM-POTOTRA AZO AVY TAMIN'NY MPAMINANY r:

-Anisan'ireo andininy masina manambara izany:

-Anisan'ireo hadith avy tamin'ny irak'i Allah r manambara izany:

-Anisan'ny tatitra avy tamin'ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r sy ireo Tabi'ina ary ireo manam-pahaizana taorian'izy ireo mikasika izany:

 

7

 

 

7

 

 

 

12

 

 

14

 

 

19

 

 

25

 

 

FAMPIDIRANA

Dera ho an'i Allah, ilay Tompon'izao tontolo izao; ary ny fiafarana tsara dia ho an'ireo manam-pahatahorana vontom-pinoana. Ary tsodrano sy fiadanana anie ho amin'ilay mpanompony sy Irany, ny Mpaminanintsika Mohammad, ilay nalefa ho indrafo ho an'izao tontolo izao sy ho porofo ho an'ny mpanompo rehetra; ary ho amin'ireo fianakaviany sy ireo mpanaradia azy, izay niloloha ny Boky masin'ny Tompon'izy ireo ilay Avo Tsitoha sy ny Sonnah-ny Mpaminaniny r, ka nampita izany tamin'ireo izay tonga taorian'izy ireo, tamin'ny fomba azo antoka sy mirindra tanteraka, miaraka amin'ny fitadidiana feno ireo hevitra sy teny fonosin'izany -ho faly amin'izy ireo anie Allah ary hamalifaly azy ireo, ary hanao antsika ho anisan'ireo mpanaraka azy ireo amin'ny hatsarana-.

Ireo manam-pahaizana, taloha sy ankehitriny, dia miombon-kevitra avokoa, fa ireo fototra ekena mamaritra ireo lalàna sy manambara ny Halal sy ny Haram, dia ny Boky masin'i Allah, izay tsy idiran'ny hadisoana velively, na avy eo anoloany na avy aoriany. Dia avy eo ny Sonnah-ny Mpaminany r, izay tsy miteny araka ny sitrapony, fa araka ny fanambarana nomena azy ihany. Ary avy eo ny fiombonan-kevitr'ireo manam-pahaizana eo amin'ny vahoaka Islamo (Ijma').

Fa ireo fototra hafa ankoatra ireo kosa dia tsy mitovy ny hevitr'ireo manam-pahaizana manoloana azy ireo; ka ny lehibe indrindra amin'izany dia ny “Al-qiyàs([1]).

Ary ny ankamaroan'ireo manam-pahaizana dia mahita fa porofo (amantarana ny lalàna) izany raha feno avokoa ireo fepetra takiana amin'izany.

Ary ireo porofo mikasika ireo fototra ireo dia marobe tsy tambo isaina ary efa fantatra tsara na dia tsy tanisaina aza.

 

 

IREO FOTOTRA EKENA ENTINA MAMARITRA NY LALÀNA

Ny fototra voalohany: ny boky masin'i allah

Ka ny fototra voalohany dia: ny Boky masin'i Allah.

Ary ny tenin'ny Tompontsika ilay Avo Tsitoha, amin'ny toerana maro ao amin'ny Bokiny, dia manambara tanteraka ny tsy maintsy hanarahana io Boky io sy hifikirana aminy ary ny hanajana ireo lalàna nofaritany.

Miteny Allah manao hoe:

﴿ٱتَّبِعُواْ مَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُم مِّن رَّبِّكُمۡ وَلَا تَتَّبِعُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَۗ قَلِيلٗا مَّا تَذَكَّرُونَ ٣ ]الأعراف: 3[.

{Arahonareo izay nampidinina taminareo avy tamin'ny Tomponareo, fa aza manaraka mpitarika hafa ankoatra Azy. Saingy kely ny fahatsiarovanareo} [7:3].

Ary miteny Allah manao hoe:

﴿وَهَٰذَا كِتَٰبٌ أَنزَلۡنَٰهُ مُبَارَكٞ فَٱتَّبِعُوهُ وَٱتَّقُواْ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ ١٥٥]الأنعام: 155[.

{Ary ity Boky nampidininay, feno fahasoavana; ka arahonareo izany, ary manàna fahatahorana ianareo, mba hahazoanareo ny indrafo} [6:155].

 

Ary miteny Allah manao hoe:

﴿ قَدۡ جَآءَكُمۡ رَسُولُنَا يُبَيِّنُ لَكُمۡ كَثِيرٗا مِّمَّا كُنتُمۡ تُخۡفُونَ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَيَعۡفُواْ عَن كَثِيرٖۚ قَدۡ جَآءَكُم مِّنَ ٱللَّهِ نُورٞ وَكِتَٰبٞ مُّبِينٞ ١٥ يَهۡدِي بِهِ ٱللَّهُ مَنِ ٱتَّبَعَ رِضۡوَٰنَهُۥ سُبُلَ ٱلسَّلَٰمِ وَيُخۡرِجُهُم مِّنَ ٱلظُّلُمَٰتِ إِلَى ٱلنُّورِ بِإِذۡنِهِۦ وَيَهۡدِيهِمۡ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ ١٦ ]المائدة: 15[.

{Efa tonga taminareo tokoa ny Irakay (Mohammad), hanazava aminareo maro amin'ireo zavatra izay nafeninareo tamin'ilay boky; ary mandefitra amin'ny zavatra maro izy. Efa tonga aminareo avy tamin'i Allah tokoa ny hazavana sy ny Boky mazava. Amin'ny alalan'izany no itarihan'i Allah, ho amin'ireo làlan'ny fiadanana, ireo izay nanaraka ny hafaliany; ary havoakany avy amin'ny haizina izy ireo mankany amin'ny hazavana, noho ny fitahiany; ary hitarika azy ireo Izy ho amin'ny làlana mahitsy} [5:15-16].

Ary miteny Allah manao hoe:

﴿إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِٱلذِّكۡرِ لَمَّا جَآءَهُمۡۖ وَإِنَّهُۥ لَكِتَٰبٌ عَزِيزٞ ٤١ لَّا يَأۡتِيهِ ٱلۡبَٰطِلُ مِنۢ بَيۡنِ يَدَيۡهِ وَلَا مِنۡ خَلۡفِهِۦۖ تَنزِيلٞ مِّنۡ حَكِيمٍ حَمِيدٖ ٤٢ ]فصلت: 41-42[.

{Tena marina fa ireo izay nikomy an'ilay fampahatsiahivana rehefa tonga tamin'izy ireo...(dia ho voasazy); ary izany dia tena Boky manan-kery tokoa. Izay tsy misy hadisoana tafiditra ao anatiny, na tany alohany (fidinany) na any aoriany; fanambarana avy tamin'ilay Be fahendrena, ilay Mendri-piderana izany} [41:41-42].

Ary miteny Allah manao hoe:

﴿وَأُوحِيَ إِلَيَّ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانُ لِأُنذِرَكُم بِهِۦ وَمَنۢ بَلَغَۚ]الأنعام: 19[.

{Ary nampidinina tamiko ity Kor'any ity mba hoentiko mampitandrina anareo sy izay rehetra maharay azy} [6:19].

Ary miteny Allah manao hoe:

﴿هَٰذَا بَلَٰغٞ لِّلنَّاسِ وَلِيُنذَرُواْ بِهِۦ ]إبراهيم: 52[.

{Ity dia hafatra ho an’ny zanakolombelona ary natao hampitandremana azy ireo} [14:52].

Ary marobe ireo andininy masina momba izany; ary eo ihany koa ireo Hadith marim-pototra maro avy tamin'ny Irak'i Allah r, izay maniraka amin'ny fitazonana mafy ny Kor'any sy ny fifikirana aminy; ary manaporofo fa izay mifikitra amin'izany dia anatin'ny fahitsiana, fa izay mamela izany kosa dia ao anatin'ny fahaverezana.

Anisan'izany ny tatitra marim-pototra izay manambara fa izy r dia niteny tamin'ny Khotbah (toriteny) nataony tamin'ny Hajjatol-wadà' (Hajj fanaovam-beloma) hoe:

"إِنِّي تَارِكٌ فِيكُمْ مَا لَنْ تَضِلُّوا إِنِ اعْتَصَمْتُمْ بِهِ: كِتَابَ اللهِ" (رواه مسلم في صحيحه).

"Izaho dia nametraka zavatra aminareo, izay tsy hahavery anareo mandrakizay raha ifikiranareo, dia ny Bokin'i Allah" [Notarerin'i Moslimo ao amin'ny Swahih Moslim].

Ary mbola ao amin'ny Swahih Moslim ihany: Niteny Zaid Ibn Arqam t, fa i Mpaminany r dia nilaza hoe:

"إِنِّي تَارِكٌ فِيكُمْ ثِقْلَيْنِ: أَوَّلُهُمَا كِتَابُ اللهِ، فِيهِ الْهُدَى والنُّورُ، فَخُذُوا بِكِتَابِ اللهِ وَتَمَسّكُوا بِهِ". فَحَثَّ عَلَى كِتَابِ اللهِ وَرَغَّبَ فِيهِ ثُمَّ قَالَ: "وَأَهْلُ بَيْتِي، أُذَكِّرُكُمُ اللهَ فِي أَهْلِ بَيْتِي، أُذَكِّرُكُمُ اللهَ فِي أَهْلِ بَيْتِي" (رواه مسلم).

"Izaho dia namela zavatra mavesatra roa eo aminareo: ny voalohany amin'izy roa ireo dia ny Bokin'i Allah; ao ny fahitsiana sy ny hazavana; ka raisonareo ny Bokin'i Allah ary mifikira amin'izany ianareo". Ka namporisika amin'ny Bokin'i Allah izy ary nitaona amin'izany, dia avy eo izy niteny hoe: "Ary ireo fianakaviako; mampahatsiaro anareo an'i Allah aho momba ireo fianakaviako; mampahatsiaro anareo an'i Allah aho momba ireo fianakaviako".

Amin'ny tatitra hafa, dia hoy izy momba ny Kor'any:

"هُوَ حَبْلُ اللهِ، مَنْ تَمَسَّكَ بِهِ كَانَ عَلَى الْهُدَى، وَمَنْ تَرَكَهُ كَانَ عَلَى الضَّلَالِ".

"Io no tadin'i Allah; izay mifikitra amin'io dia anatin'ny fahitsiana; fa izay mamela azy io kosa dia anatin'ny fahaverezana".

Ary marobe ireo Hadith miresaka momba izany.

Ary ampy tanteraka ny fiombonan-kevitr'ireo manam-pahaizana vontom-pinoana, amin'ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r sy ireo izay tonga taorian'izy ireo, ny amin'ny tsy maintsy hifikirana amin'ny Bokin'i Allah sy hampiharana azy ary hiverenana aminy amin'ny zavatra rehetra, miaraka amin'ny Sonnah-ny Mpaminany r; ka tsy ilaina intsony ny hanalavana ny resaka amin'ny fitondrana ireo porofo marobe momba izany.

 

 

Ny fototra faharoa: izay tatitra marim-pototra azo avy tamin'ny mpaminany r:

Ka ny fototra faharoa amin'ireo fototra telo izay niombonan'ireo manam-pahaizana hevitra, dia izay tatitra marim-pototra azo avy tamin'ny Mpaminany r.

Ary ireo mpanaradia azy sy ireo manam-pahaizana vontom-pinoana taorian'izy ireo, dia mino an'izany fototra lehibe izany sy mandray izany ho porofo ary mampianatra izany ny vahoaka. Marobe ireo boky izay nosoratan'izy ireo mikasika izany. Ary nohazavain'izy ireo izany ao amin'ireo bokin'ny Osol Al-fikh (fototry ny fikh) sy Mostalah([2]).

Ary maro tsy voatanisa ireo porofo manambara izany.

Ka anisan'izany ireo andininy masina ao amin'ny Bokin'i Allah izay mandidy amin'ny fanarahana azy r sy ny fankatoavana azy.

Ary izany didy izany dia miantefa amin'ireo izay niaina tamin'ny vaninandrony sy izay rehetra tonga taty aorian'izy ireo; satria izy dia Iraka nalefan'i Allah ho an'ny rehetra.

Ary satria izy ireo, izany hoe ny vahoakany, dia voadidy hanaraka azy r sy hankatoa azy mandra-pahatongan'ny Andro farany.

Ary satria izy r no mpamelabelatra ny Bokin'i Allah sy mpanazava izay zavatra nobangoina ao anatiny, amin'ny alalan'ireo teniny sy fihetsiny ary ny fanginany manoloana zavatra iray([3]).

Ary raha tsy teo ny Sonnah dia tsy nahafantatra ny isan'ny Rak'ah amin'ny Swalat ny mpino Islamo ary tsy nahafantatra ny endrik'izany sy ny tsy maintsy atao ao anatiny. Ary tsy nahafantatra ihany koa ny antsipirian-dalàna mamehy ny fifehezana sy ny Zakat sy ny Hajj sy ny Jihad (ady masina) ary ny fandidiana amin'ny tsara sy ny fandrarana amin'ny ratsy. Ary tsy nahafantatra toraka izany ihany koa ireo antsipirian-dalàna mamehy ny fifanakalozana izy ireo; ary ireo zava-boarara sy ireo sazy sy famaizana nofaritan'i Allah ho an'izay manao izany.

 

 

Anisan'ireo andininy masina manambara izany:

Anisan'ireo andininy masina manambara izany ny tenin'i Allah ao amin'ny Sorat Ãl Imràn:

﴿وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ ١٣٢ ]آل عمران: 132[.

{Ary ankatoavinareo Allah sy ilay Iraka, amin'izay ianareo hahazo famindram-po} [3:132].

Ary ny tenin'i Allah ilay Avo Tsitoha ao amin'ny Sorat An-nisà:

﴿يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ وَأُوْلِي ٱلۡأَمۡرِ مِنكُمۡۖ فَإِن تَنَٰزَعۡتُمۡ فِي شَيۡءٖ فَرُدُّوهُ إِلَى ٱللَّهِ وَٱلرَّسُولِ إِن كُنتُمۡ تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٞ وَأَحۡسَنُ تَأۡوِيلًا ٥٩ ]النساء: 59[.

{O ianareo izay nino! Ankatoavinareo Allah ary ankatoavinareo ilay Iraka sy ireo mpitondra eo aminareo. Ka raha misy zavatra ifanolananareo dia avereno amin'i Allah sy ilay Iraka izany; raha mino an'i Allah sy ny Andro farany ianareo. Izany no mendrika sy fanazavana tsara indrindra} [4:59].

Ary niteny ihany koa Allah ilay Avo Tsitoha ao amin'ny Sorat An-nisà hoe:

﴿مَّن يُطِعِ ٱلرَّسُولَ فَقَدۡ أَطَاعَ ٱللَّهَۖ وَمَن تَوَلَّىٰ فَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ حَفِيظٗا ٨٠ ]النساء: 80[.

{Izay mankatò an'ilay Iraka dia efa nankatò an'i Allah; fa izay miamboho kosa dia tsy nandefa anao ho mpiaro azy ireo Izahay} [4:80].

Ary amin'ny fomba ahoana no ahafahana mankatò azy sy mamerina amin'ny Bokin'i Allah sy ny Sonnah-ny Mpaminaniny r izay zavatra mampifanolana ny olona; raha toa ka tsy azo ampiasaina ho porofo izany Sonnah-ny Mpaminaniny izany; na koa tsy misy voaro avokoa izy rehetra?! Ary ny fitenenana zavatra toy izany dia midika fa Allah namerina ireo mpanompony amin'ny zavatra izay tsy misy akory. Ary mazava be fa anisan'ny zavatra tsy marina indrindra izany ary anisan'ny fikomiana lehibe an'i Allah ary fiheverana ratsy momba Azy.

Ary Allah dia miteny ao amin'ny Sorat An-nahl hoe:

﴿وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلذِّكۡرَ لِتُبَيِّنَ لِلنَّاسِ مَا نُزِّلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ ٤٤ ]النحل: 44[.

{Ary nampidininay taminao ny fampahatsiahivana (Kor'any), mba hanazavanao amin'olona izay nampidinina tamin'izy ireo; ary amin'izay izy ireo hisaintsaina} [16:44].

Ary niteny ihany koa Izy ao amin'izany Sorat izany:

﴿وَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّا لِتُبَيِّنَ لَهُمُ ٱلَّذِي ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ ٦٤ ]النحل: 64[.

{Ary tsy nampidininay taminao ny Boky afa-tsy ny hanazavanao amin'izy ireo izay nampifanditra azy ireo; ary ho tari-dàlana sy famindram-po ho an'ny vahoaka mino} [16:64].

Ka amin'ny fomba ahoana no anankinan'i Allah amin'ny Mpaminaniny r, ny fanazavana ilay Boky izay nampidinina tamin'izy ireo, raha toa ka tsy misy akory ny Sonnah-ny na koa tsy azo ampiasaina ho porofo?!

Ary toraka izany ny tenin'i Allah amin'ny Sorat An-noor:

﴿قُلۡ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَۖ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡهِ مَا حُمِّلَ وَعَلَيۡكُم مَّا حُمِّلۡتُمۡۖ وَإِن تُطِيعُوهُ تَهۡتَدُواْۚ وَمَا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ ٥٤ ]النور: 54[.

{Teneno (ry Mpaminany) hoe: Ankatoavinareo Allah ary ankatoavinareo ny Iraka. Fa raha manome lamosina kosa izy ireo dia izay nampiandraiketana azy ihany no hozakainy ary izay nampiandraiketana anareo no hozakainareo. Fa raha mankatò azy ianareo dia ho voatari-dàlana. Ary ny andraikitry ny Iraka dia tsy inona afa-tsy ny fampitana mazava ihany (ny hafatra)}[24:54] .

Ary miteny Allah ao amin'izany Sorat izany ihany hoe:

﴿وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ ٥٦ ]النور: 56[.

{Ary atsanganonareo ny Swalat, avoahinareo ny Zakat, ary ankatoavinareo ny Iraka; amin'izay ianareo hahazo ny famindram-po} [24:56].

Ary niteny Izy ao amin'ny Sorat Al-a'raf:

﴿قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنِّي رَسُولُ ٱللَّهِ إِلَيۡكُمۡ جَمِيعًا ٱلَّذِي لَهُۥ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ يُحۡيِۦ وَيُمِيتُۖ فَ‍َٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِ ٱلنَّبِيِّ ٱلۡأُمِّيِّ ٱلَّذِي يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَكَلِمَٰتِهِۦ وَٱتَّبِعُوهُ لَعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ ١٥٨ ]الأعراف: 158[.

{Teneno (ry Mpaminany) hoe: "Ry zanakolombelona! Tena marina fa izaho dia Irak'i Allah ho aminareo rehetra; izay Tompon'ny fanjakan'ireo lanitra sy ny tany; tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Izy; Izy no mamelona sy manala ny aina. Ka minoa an'i Allah sy ny Irany ianareo; ilay Mpaminany tsy mahay mamaky sy manoratra, izay mino an'i Allah sy ireo Teniny; ary aoka hanaraka azy ianareo; amin'izay ianareo hahazo ny fahitsiana} [7:158].

Manaporofo mazava tsara ireto andininy masina ireto fa ny fahitsiana sy ny famindram-po dia azo amin'ny fanarahana azy r; ka amin'ny fomba ahoana no hahatanteraka izany raha avela ny Sonnah-ny, na koa lazaina fa tsy misy marina izany, na koa hoe tsy azo ianteherana?!

 

Ary Allah dia miteny ao amin'ny Sorat An-noor hoe:

﴿فَلۡيَحۡذَرِ ٱلَّذِينَ يُخَالِفُونَ عَنۡ أَمۡرِهِۦٓ أَن تُصِيبَهُمۡ فِتۡنَةٌ أَوۡ يُصِيبَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٦٣ ]النور: 63[.

{Ka aoka hitandrina ireo izay manohitra ny baikony, sao hihatra amin'izy ireo ny fitsapana na koa ho voan'ny sazy mangirifiry} [24:63].

Ary niteny Izy ao amin'ny Sorat Al-hashr:

﴿وَمَآ ءَاتَىٰكُمُ ٱلرَّسُولُ فَخُذُوهُ وَمَا نَهَىٰكُمۡ عَنۡهُ فَٱنتَهُواْۚ ]الحشر: 7[.

{Ary izay nentin'ilay Iraka taminareo dia raiso; ary izay nandrarany anareo dia avelao} [59:7].

Ary marobe ireo andininy masina momba izany; ary izy rehetra dia manaporofo avokoa ny tsy maintsy hankatoavana azy r sy hanarahana izay zavatra nentiny; tahaky ny efa nitondrana ireo porofo amin'ny tsy maintsy hanarahana ny Bokin'i Allah sy hifikirana aminy ary hankatoavana ireo baiko sy fandrarana ao anatiny.

Ary ireo fototra roa ireo dia miaraka tsy afa-misaraka, izay mitsipaka iray amin'izy roa dia efa nitsipaka ny iray hafa ary nampandainga izany; ary mazava ho azy fa izany dia fikomiana sy fahaverezana ary fivoahana miala amin'ny fefin'ny finoana Islamo, araka ny fiombonan-kevitr'ireo manam-pahaizana sy olon'ny finoana.

 

 

Anisan'ireo hadith avy tamin'ny irak'i Allah r manambara izany:

Marobe ireo Hadith avy tamin'ny Irak'i Allah r manambara ny tsy maintsy hankatoavana azy sy hanarahana izay zavatra nentiny ary mandrara amin'ny fitsipahana azy; ary izany dia manan-kery ho an'ireo izay niaina tamin'ny vaninandrony sy ireo izay tonga taorian'izany, mandra-pahatongan'ny Andro farany.

Ary anisan'izany ny Hadith marim-pototra izay notaterin'i Al-bokhari sy Moslimo; Hadith azo avy tamin'i Abo Horairah t, izay nilaza fa i Mpaminany r dia niteny hoe:

"مَنْ أَطَاعَنِي فَقَدْ أَطَاعَ اللهَ، وَمَنْ عَصَانِي فَقَدْ عَصَى اللهَ" (رواه البخاري ومسلم).

"Izay mankatò ahy dia efa nankatò an'i Allah; ary izay nitsipaka ahy dia efa nitsipaka an'i Allah".

Ary ao amin'ny Swahih Al-bokhari, Hadith azo tamin'i Abo Horairah t ihany, izay nilaza fa i Mpaminany r dia niteny hoe:

"كُلُّ أُمَّتِي يَدْخُلُونَ الْجَنَّةَ إِلَّا مَنْ أَبَى". قِيلَ: يَا رَسُولَ اللهِ! وَمَنْ يَأْبَى؟ قَالَ: "مَنْ أَطَاعَنِي دَخَلَ الْجَنَّةَ، وَمَنْ عَصَانِي فَقَدْ أَبَى" (رواه البخاري).

"Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa avokoa afa-tsy izay nandà. Ka nisy nilaza hoe: Ry Irak'i Allah! Iza no mandà. Dia hoy izy hoe:"Izay mankatò ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay nitsipaka ahy kosa dia efa nandà".

Ary amin'ny Hadith izay notaterin'i Ahmad sy Abo Dawod ary Al-hakim, amin'ny Isnaad Swahih, izay azo avy tamin'i Al-miqdam Ibn Ma'di Karib, izay nilaza fa ilay Irak'i Allah r dia niteny hoe:

"أَلَا إِنِّي أُوتِيتُ الْكِتَابَ وَمِثْلَهُ مَعَهُ؛ أَلَا يُوشِكُ رَجُلٌ شَبْعَانُ عَلَى أَرِيكَتِهِ يَقُولُ: عَلَيْكُمْ بِهَذَا الْقُرْآنِ، فَمَا وَجَدْتُمْ فِيهِ مِنْ حَلَالٍ فَأَحِلُّوهُ، وَمَا وَجَدْتُمْ فِيهِ مِنْ حَرَامٍ فَحَرِّمُوهُ".

"Eny tokoa fa nahazo ilay Boky (Kor'any) aho; ary nahazo zavatra niaraka taminy izay mitovy aminy (Ny Sonnah). Eny tokoa fa tsy ho ela dia hisy ny lehilahy izay voky, mipetraka eo amboniny divàny, hiteny hoe: Mifikira amin'io Kor'any io ihany ianareo; ka izay zavatra hitanareo ao fa Halal dia ataovinareo Halal; ary izay zavatra hitanareo ao fa Haram dia ataovinareo Haram".

Ary amin'ny Hadith izay notaterin'i Abo Dawod sy Ibn Maajah, amin'ny Sanad Swahih, izay azo avy tamin'i Ibn Abi Ràfi', avy tamin'ny rainy, izay nilaza fa i Mpaminany r dia niteny hoe:

"لَا أَلْفَيَنَّ أَحَدَكُمْ مُتَّكِئًا عَلَى أَرِيكَتِهِ، يَأْتِيهِ الْأمْرُ مِنْ أَمْرِي، مِمَّا أَمَرْتُ بِهِ أَوْ نَهَيْتُ عَنْهُ، فَيَقُولُ: لَا نَدْرِي، مَا وَجَدْنَا فِي كِتَابِ اللهِ اتَّبَعْنَاهُ".

"Aoka tsy hahatojo ny iray aminareo aho, miankina eo amin'ny divàny, ka tonga aminy ny baiko avy aty amiko, amin'ny zavatra izay nirahiko atao na koa norarako tsy azo atao, dia hiteny izy hoe: Tsy fantatray izany; izay hitanay ao amin'ny Bokin'i Allah ihany no arahinay".

Nilaza Al-hassan Ibn Jàbir, fa izy dia naheno an'i Al-miqdam Ibn Ma'di Karib t niteny hoe:

"حَرَّمَ رَسُولُ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- يَوْمَ خَيْبَرَ أَشْيَاءَ ثُمَّ قَالَ: يُوشِكُ أَحَدُكُمْ أَنْ يُكَذِّبَنِي وَهُوَ مُتَّكِّئٌ يُحًدَّثُ بِحَدِيثِي فَيَقُولُ: بَيْنَنَا وَبَيْنَكُمْ كِتَابُ اللهِ، فَمَا وَجَدْنَا فِيهِ مِنْ حَلَالٍ اسْتَحْلَلْنَاهُ، وَمَا وَجَدْنَا فِيهِ مِنْ حَرَامٍ حَرَّمْنَاهُ، أَلَا إِنَّ مَا حَرَّمَ رَسُولُ اللهِ مِثْلُ مَا حَرَّمَ اللهُ" (أخرجه الحاكم والترمذي وابن ماجه بإِسناد صحيح).

"Nandrara zavatra maromaro ny Irak'i Allah tamin'ny andron'i Khaibar, dia niteny izy avy teo hoe: "Tsy ho ela dia hisy hampandainga ahy ny iray aminareo, raha eo am-piankinana amin'ny divàny izy ka iresahana Hadith avy amiko dia hilaza hoe: Eo aminay sy ianareo dia ny Bokin'i Allah; ka izay hitanay ao fa Halal dia ataonay Halal; ary izay hitanay ao fa Haram dia ataonay Haram. Nefa tena marina ny fandraran'ny Irak'i Allah zavatra iray dia mitovy amin'ny fandraran'i Allah izany" [Notaterin'i Al-hakim sy At-tirmizi ary Ibn Maajah amin'ny Isnaad Swahih].

Ary marobe ireo Hadith izay manambara fa ny Irak'i Allah r tamin'ny Khotbah nataony dia nanafatrafatra tamin'ireo mpanaradia azy hoe: "Aoka izay niatrika mba hampita amin'izay tsy eo"; ary niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Mety ny nampitana no mahazo kokoa mihoatra ny naheno mivantana".

Ary anisan'izany ny Hadith ao amin'ny Al-bokhari sy Moslimo; izay manambara fa rehefa nanao Khotbah tamin'olona i Mpaminany r tamin'ny Hajj fanaovam-beloma, tamin'ny andro Arafat sy tamin'ny andron'ny Idd, dia niteny tamin'izy ireo izy hoe:

"فَلْيُبَلِّغِ الشَّاهِدُ الْغَائِبَ، فَرُبَّ مَنْ يُبَلَّغُهُ أَوْعَى لَهُ مِمَّنْ سَمِعَهُ".

"Aoka izay miatrika eto mba hampita amin'izay tsy eto; fa mety izay nampitana izany no mahazo izany kokoa mihoatra izay naheno azy (mivantana)".

Ka raha tsy mipetraka ho porofo ho an'izay naheno azy sy izay nampitana azy ny Sonnah-ny Mpaminany r; ary raha tsy natao hijanona mandra-pahatongan'ny Andro farany izany; dia tsy nandidy azy ireo hampita izany izy. Ka fantatra araka izany fa ny Sonnah dia mijanona ho porofo hatrany ho an'izay naheno izany mivantana avy tamin'ny vavan'ny Mpaminany r ary ho an'izay naharay izany tamin'ny alalan'ny tatitra marim-pototra.

Ary ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r dia niaro sy nitadidy ny Sonnah-ny r; na ireo teniny izany na ireo zavatra nataony; ary nampita izany tamin'ireo Tabi'ina izay tonga taorian'izy ireo; ary ireto farany dia nampita izany tamin'ireo taorian'izy ireo ihany koa. Ary toraka izany ihany koa ireo manam-pahaizana azo antoka dia nampita izany Sonnah izany tamin'ireo taranaka nifandimby sy taonjato nifanesy.

Ary nangonin'izy ireo tao anaty boky izany; ary nohazavain'izy ireo ny marim-pototra amin'izany sy ny misy kilema. Ary nametraka lalàna sy fitsipika izy ireo mba hamantarana ny Sonnah marim-pototra sy ny misy lesoka; ary samy mahafantatra izany tsara izy ireo.

Ary ireo manam-pahaizana dia nitazona sy nampiely ireo boky mirakitra ny Sonnah, toy ireo Swahih roa (Swahih Al-bokhari sy Swahih Moslimo) sy ankoatra azy ireo; ary narovan'izy ireo tanteraka izany tahaky ny niarovan'i Allah ny Boky masiny manoloana ny fanakorontanan'ireo mpanakorontana sy fialana làlana ataon'ireo tsy manam-pinoana ary ny fanovana ataon'ireo mpanao hosoka; ho fankamarinana ny hevitra fonosin'ny tenin'i Allah hoe:

﴿إِنَّا نَحۡنُ نَزَّلۡنَا ٱلذِّكۡرَ وَإِنَّا لَهُۥ لَحَٰفِظُونَ ٩ ]الإسراء: 9[.

{Tena marina fa Izahay no nampidina ny Fampahatsiahivana (Kor'any), ary Izahay dia tena miaro azy io tokoa} [15:9].

Ary tsy isalasalana fa ny Sonnah-ny Mpaminany r dia fanambarana nampidinina tamin'ny Mpaminany r; ka narovan'i Allah izany tahaka ny niarovany ny Bokiny; ary nanomana manam-pahaizana mpisivana izany Izy; ka manala ao aminy ny fanovana ataon'ireo mpanao hosoka sy famadibadihana ataon'ireo tsy manam-pahalalana; ary miaro izany amin'ireo zavatra rehetra izay atsofok'ireo olona bado sy mpandainga ary tsy manam-pinoana ao anatiny.

Satria Allah dia nanao izany ho famelabelarana ny Boky masiny sy fanazavana izay lalàna nobangoiny tsy nazavainy amin'ny antsipiriany ao anatiny, ary nampiditra ao anatin'izany lalàna hafa izay tsy nambarany ao anatin'ny Boky masiny; tahaka ny fanazavana ireo lalàna mikasika ny fampinonoana; lalàna sasan-tsasany mikasika ny lova; ny fandrarana amin'ny fampiarahana ho vadin'olona iray ny vehivavy sy ny anabavin-drainy, ary ny vehivavy sy ny rahavavin-dreniny; sy ny ankoatra ireo amin'ireo lalàna izay voalaza amin'ny Sonnah marim-pototra nefa tsy voalaza amin'ny Boky masin'i Allah.

 

 

Anisan'ny tatitra avy tamin'ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r sy ireo Tabi'ina ary ireo manam-pahaizana taorian'izy ireo mikasika izany:

Tsiahy momba ny ampahany amin'ireo tatitra avy amin'ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r sy ireo Tabi'ina ary ireo manam-pahaizana taorian'izy ireo mikasika ny fanomezan-danja ny Sonnah sy ny tsy maintsy hanarahana izany.

Hoy Abo Horairah amin'ny Hadith notaterin'i Al-bokhari sy Moslimo hoe:

"لَمَّا تُوُفِّيَ رَسُولُ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- وَارْتَدَّ مَنِ ارْتَدَّ مِنَ الْعَرَبِ، قَالَ أَبُو بَكْرٍ الصِّدِّيقُ -رَضِيَ اللهُ عَنْهُ-: وَاللهِ لَأُقَاتِلَنَّ مَنْ فَرَّقَ بَيْنَ الصَّلَاةِ وَالزَّكَاةِ. فَقَالَ لَهُ عُمَرُ -رَضِيَ اللهُ عَنْهُ-: كَيْفَ تُقَاتِلُهُمْ وَقَدْ قَالَ النَّبِيُّ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ-: "أُمِرْتُ أَنْ أُقَاتِلَ النَّاسَ حَتَّى يَقُولُوا لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، فَإِذَا قَالُوهَا عَصَمُوا مِنِّي دِمَاءَهُمْ وَأَمْوَالَهُمْ إِلَّا بِحَقِّهَا". فَقَالَ أَبُو بَكْرٍ الصِّدِّيقُ: أَلَيْسَتِ الزَّكَاةُ مِنْ حَقِّهَا؟ وَاللهِ لَوْ مَنَعُونِي عَنَاقًا كَانُوا يُؤَدُّونَهَا إِلَى رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- لَقَاتَلْتُهُمْ عَلَى مَنْعِهَا. فَقَالَ عُمَرُ -رَضِيَ اللهُ عَنْهُ-: فَمَا هُوَ إِلَّا أَنْ عَرَفْتُ أَنَّ اللهَ قَدْ شَرَحَ صَدْرَ أَبِي بَكْرٍ لِلْقِتَالِ فَعَرَفْتُ أَنَّهُ الْحَقُّ".

"Rehefa maty ilay Irak'i Allah r, ary niverin-dàlana niala tamin'ny finoana ireo izay niverin-dàlana tamin'ny Arabo, dia nilaza i Abo Bakr As-siddiq t hoe: "Mifanta amin'i Allah aho, fa izaho dia hiady tokoa amin'izay olona manasaraka ny Swalat amin'ny Zakat". Dia niteny taminy Omar t hoe: "Amin'ny fomba ahoana no hiadianao amin'izy ireo, nefa i Mpaminany t dia efa nilaza toy izao hoe: "Nirahina hiady amin'ireo olona (mpikomy) aho mandra-pitenenan'izy ireo fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah; ka rehefa miteny izany izy ireo dia lasa fady amiko (voaro) ny ran'izy ireo sy ny fananany; afa-tsy amin'izay zavatra takian'izany (ny finoana Islamo)". Dia niteny Abo Bakr As-siddiq t hoe: "Ka moa ve ny Zakat tsy anisan'ny zavatra takian'izany? Mifanta amin'i Allah aho, fa raha mandà tsy hamoaka zanak'osy vavy kely amiko izy ireo, izay favoakan'izy ireo tamin'ny Irak'i Allah r, dia hiady azy ireo aho amin'ny fandavan'izy ireo izany". Dia niteny Omar t hoe: "Vao niteny an'izay izy dia fantatro avy hatrany fa Allah dia efa nanokatra ny fon'i Abo Bakr amin'ny firosoana amin'ny ady (manoloana ireo izay nandà tsy hamoaka ny Zakat); ary fantatro fa izany no marina".

Ary nanaraka azy tamin'izany ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r, ka nitsangana izy ireo niady ireo olona niverin-dàlana mandra-piverin'izy ireo tamin'ny finoana Islamo, ary novonoin'izy ireo kosa ireo izay niziriziry niverin-dàlana ka tsy nihemotra.

Ary ity tantara ity dia porofo mazava tsara maneho ny fanomezan-danja ny Sonnah sy ny tsy maintsy hampiharana azy.

Ary nisy nenibe iray tonga tamin'i Abo Bakr As-siddiq t nanontany azy ny anjara lovany; dia izao no nolazainy taminy:

"لَيْسَ لَكِ فِي كِتَابِ اللهِ شَيْءٌ وَلَا أَعْلَمُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- قَضَى لَكِ بِشَيْءٍ، وَسَأَسْأَلُ النَّاسَ. ثُمَّ سَأَلَ -رَضِيَ اللهُ عَنْهُ- الصَّحَابَةَ، فَشَهِدَ عِنْدَهُ بَعْضُهُمْ بِأَنَّ النَّبِيَّ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- أَعْطَى الْجَدَّةَ السُّدُسَ. قَضَى لَهَا بِذَلِكَ".

"Tsy misy anjara lova voatondro ho anao ao amin'ny Bokin'i Allah, ary izaho tsy mahafantatra hoe nisy anjara manokana nofaritan'ny Mpaminany r ho anao; saingy hanontany olona aho". Dia nanontany ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r izy; ka nisy tamin'izy ireo no nijoro vavolombelona teo aminy fa i Mpaminany r dia nanome ny nenibe ampahenin'ny lova; ka nomen'i Abo Bakr azy araka izany ny ampahenina".

Ary i Omar t dia nanafatrafatra ireo mpiara-miasa taminy mba hitsara eo amin'olona amin'ny alalan'ny Bokin'i Allah; fa raha tsy mahita didy mikasika izany izy ireo ao anatin'ny Bokin'i Allah, dia amin'ny alalan'ny Sonnah-ny Mpaminany r.

Ary rehefa nanahirana azy ny lalàna mikasika vehivavy afa-jaza noho ny herisetra na habibiana nataon'olona taminy, dia nanontany ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r izy momba izany; ka nijoro vavolombelona teo aminy i Mohammad Ibn Maslamah sy Al-moghirah Ibn Sho'bah k fa ny didy navoak'i Mpaminany r mikasika izany dia famotsorana andevo lahy na vavy; ka nampiharin'i Omar t izany didy izany.

Ary rehefa nanahirana an'i Othman t ny lalàna mikasika ny fipetrahan'ny vehivavy amin'ny tranony, aorian'ny fahafatesan'ny vadiny, mandra-pahatapitry ny fe-potoana fiandrasana; ka nilaza taminy i Forai'ah Bint Màlik Ibn Sinàn, anabavin'i Abo Sa'id i, fa i Mpaminany dia naniraka azy hipetraka amin'ny tranon'ny vadiny taorian'ny nahafatesan'ity farany; mandra-pahatapitry ny fe-potoana voasoratra amin'izany; dia nampiharin'i Othman t izany didy izany.

Ary nitsara tamin'ny alalan'ny Sonnah toraka izany ihany koa izy tamin'ny fampiharana ny sazin'ny fisotroan-toaka tamin'i Al-walid Ibn Oqbah.

Ary rehefa naheno i Ali t fa nandrara amin'ny fanaovana Hajj Tamatto' i Othman t dia nanao Ihram-ny Hajj sy Oumrah miaraka (izany hoe Tamatto') i Ali t. Ary niteny izy hoe:

"لَا أَدَعُ سُنَّةَ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- لِقَوْلِ أَحَدٍ مِنَ النَّاسِ".

"Izaho dia tsy hamela ny Sonnah-ny Mpaminany r noho ny tenin'olon-kafa".

Ary rehefa nisy andian'olona nitondra ho porofo tamin'i Ibn 'Abbas k, ny tenin'i Abo Bakr sy Omar k, izay manambara ny maha-tsara kokoa ny fanaovana Ifrad ny Hajj (izany hoe Hajj tokana tsy ampiarahina amin'ny Oumrah), izay nentin'izy ireo nanoherana azy, dia nilaza Ibn 'Abbas k hoe:

"يُوشِكُ أَنْ تَنْزِلَ عَلَيْكُمْ حِجَارَةٌ مِنَ السَّمَاءِ، أَقُولُ: قَالَ رَسُولُ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- وَتَقُولُونَ: قَالَ أَبُو بَكْرٍ وَعُمَرَ".

"(Matahotra aho hoe) kely fotsiny no tsy nilatsahan'ny vato avy tany an-danitra hamely anareo. Miteny aho hoe: Niteny ilay Irak'i Allah r, ianareo kosa miteny hoe: Abo Bakr sy Omar anefa nilaza an'izao".

Ka raha ny olona izay nitsipaka ny Sonnah noho ny tenin'i Abo Bakr sy Omar k no atahorana sao hianjeran'ny sazy, dia ahoana ny toerana misy an'izay nitsipaka izany noho ny tenin'olon-kafa izay mbola ambanimbanin'izy roa ireo, na koa noho ny heviny sy fandinihany manokana.

Ary rehefa nisy olona nifanditra tamin'i 'Abdollah Ibn Omar k mikasika Sonnah sasantsasany dia nilaza taminy i 'Abdollah hoe:

"هَلْ نَحْنُ مَأْمُورُونَ بِاتِّبَاعِ عُمَرَ أَوْ بِاتِّبَاعِ السُّنَّةِ؟".

"Isika ve nodidiana hanaraka an'i Omar sa hanaraka ny Sonnah?".

Ary rehefa niteny tamin'i 'Imran Ibn Hoswayyin k ny lehilahy iray hoe: Resaho momba ny Bokin'i Allah izahay; ka tamin'io izy niresaka tamin'izy ireo mikasika ny Sonnah, dia tezitra izy t, ary nilaza hoe:

"إِنَّ السُّنَّةَ هِيَ تَفْسِيرُ كِتَابِ اللهِ، وَلَوْلَا السُّنَّةُ لَمْ نَعْرِفْ أَنَّ الظُّهْرَ أَرْبَعٌ وَالْمَغْرِبَ ثَلَاثٌ وَالْفَجْرَ رَكْعَتَانِ، وَلَمْ نَعْرِفْ تَفْصِيلَ أَحْكَامِ الزَّكَاةِ، إِلَى غَيْرِ ذَلِكَ مِمَّا جَاءَتْ بِهِ السُّنَّةُ مِنْ تَفْصِيلِ الْأَحْكَامِ".

"Tena marina fa ny Sonnah no manazava ny Bokin'i Allah; ary raha tsy teo ny Sonnah dia tsy nahafantatra velively isika fa ny Zohr dia Rak'ah efatra, ny Maghrib dia Rak'ah telo, ary ny Fajr dia Rak'ah roa; ary tsy nahafantatra ny antsipirian-dalàna mikasika ny Zakat, sy ny ankoatra ireo amin'ireo pitsopitson-dalàna izay voalaza amin'ny Sonnah".

Ary marobe ny tenin'ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r izay voatatitra mikasika ny fanomezan-danja ny Sonnah sy ny tsy maintsy hampiharana izany ary ny fampitandremana amin'ny fanoherana izany.

Ary mbola anisan'izany ihany, rehefa 'Abdollah Ibn Omar k nitatitra ny tenin'ny Mpaminany r hoe:

"لَا تَمْنَعُوا إِمَاءَ اللهِ مَسَاجِدَ اللهِ".

"Aza raranareo tsy handeha amin'ny Masjid ireo mpanompovavin'i Allah".

Dia nisy tamin'ireo zanany niteny hoe:

"وَاللهِ لَنَمْنَعُهُنَّ".

"Mifanta amin'i Allah aho fa hosakananay izy ireo".

Dia tezitra taminy i 'Abdollah ary niteny ratsy azy mafy, dia hoy izy:

"أَقُولُ قَالَ رَسُولُ اللهِ وَتَقُولُ وَاللهِ لَنَمْنَعُهُنَّ".

"Izaho miteny hoe: Ny Irak'i Allah niteny an'izao, ianao indray miteny hoe: Mifanta amin'i Allah aho fa hosakananay izy ireo".

Ary rehefa 'Abdollah Ibn Al-moghaffal Al-mozani t, izay anisan'ny mpanaradia an'ny Mpaminany r, nahita iray tamin'ny havany nanipy vato amin'ny alalan'ny rantsan-tanana([4]), dia norarany tsy hanao izany. Ary niteny taminy izy fa i Mpaminany r dia nandrara amin'ny fitorahana vatokely amin'ny alalan'ny rantsan-tanana, ary nilaza fa:

"إِنَّهُ لَا يَصِيدُ صَيْدًا وَلَا يَنْكَأُ عَدُوًّا، وَلَكِنَّهُ يَكْسِرُ السِّنَّ وَيَفْقَأُ الْعَيْنَ".

"Izany dia sady tsy mahazo biby fihaza no tsy mandratra fahavalo; fa mety mahafolaka nify kosa sy mitrebika amin'ny maso".

Avy teo dia mbola hitany nitora-bato tamin'ny alalan'ny rantsan-tanana indray izy, dia niteny izy hoe:

"وَاللهِ لَا كَلَّمْتُكَ أَبَدًا؛ أُخْبِرُكَ أَنَّ رَسُولَ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- يَنْهَى عَنِ الْخَذْفِ ثُمَّ تَعُودُ؟".

"Mifanta amin'i Allah aho, fa tsy hiresaka aminao intsony mandrakizay. Efa niteny taminao aho fa nandrara amin'ny fitorahana vato amin'ny alalan'ny rantsan-tanana ny Irak'i Allah r dia avy eo mbola mamerina ihany ianao?".

Ary Al-baihaqi nitatitra fa, Ayyob As-sikhstiyàni, ilay Tabi'ì, dia nilaza hoe:

"إِذَا حَدَّثْتَ الرَّجُلَ بِسُنَّةٍ فَقَالَ: دَعْنَا مِنْ هَذَا، وَأَنْبِئْنَا عَنِ الْقُرْآنِ. فَاعْلَمْ أَنَّهُ ضَالٌّ".

"Raha miresaka Sonnah amin'olona iray ianao ka miteny izy hoe: Avelao any izany; fa resaho mikasika Kor'any izahay, dia fantaro fa very izany olona izany".

Ary Al-awzà'ì r dia niteny hoe:

"السُّنَّةُ قَاضِيَةٌ عَلَى الْكِتَابِ أَوْ تَقْيِيدُ مَا أَطْلَقَهُ أَوْ بِأَحْكَامٍ لَمْ تُذْكَرْ فِي الْكِتَابِ كَمَا فِي قَوْلِ اللهِ سُبْحَانَهُ: ﴿وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلذِّكۡرَ لِتُبَيِّنَ لِلنَّاسِ مَا نُزِّلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ ٤٤ ]النحل: 44[".

"Ny Sonnah dia manazava ny Kor'any na mamaritra izay zavatra voalaza amin'ny ankapobeny ao anatiny na manambara lalàna tsy voambara ao anatin'ny Kor'any; araka ny voalaza amin'ny tenin'i Allah hoe: {Ary nampidininay taminao ny fampahatsiahivana (Kor'any), mba hanazavanao amin'olona izay nampidinina tamin'izy ireo; amin'izay izy ireo hisaintsaina} [16:44].

Ary efa nentina tany aloha ny tenin'ny Mpaminany r hoe:

"أَلَا إِنِّي أُوتِيتُ الْكِتَابَ وَمِثْلَهُ مَعَهُ".

"Eny tokoa fa nahazo ilay Boky (Kor'any) aho; ary nahazo zavatra niaraka taminy izay mitovy aminy (Ny Sonnah)..."

Ary Al-baihaqi nitatitra, fa 'Àmir As-sha'bì, dia niteny tamin'olona sasany hoe:

"إِنَّمَا هَلَكْتُمْ فِي حِينِ تَرَكْتُمُ الْآثَارَ".

"Ny handentika anareo dia ny fotoana hametrahanareo ireo tatitra ireo". Ny tiany ambara amin'izany dia ireo Hadith marim-pototra.

Ary mbola Al-baihaqi ihany nitatitra, fa Al-awzà'ì r dia niteny tamin'ny mpiara-dia taminy sasany hoe:

"إِذَا بَلَغَكَ عَنْ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- حَدِيثٌ فَإِيَّاكَ أَنْ تَقُولَ بِغَيْرِهِ، فَإِنَّ رَسُولَ اللهِ كَانَ مُبَلِّغًا عَنِ اللهِ تَعَالَى".

"Raha misy Hadith avy amin'ny Irak'i Allah r tonga aminao dia tandremo sao hiteny teny hafa ankoatra izany ianao; satria ny Irak'i Allah dia mpampita hafatra avy tamin'i Allah".

Ary nitatitra Al-baihaqi, fa ilay Imam lehibe, Sofyàn Ibn Sa'id As-sawrì r, dia nilaza hoe:

"إِنَّمَا الْعِلْمُ كُلُّهُ الْعِلْمُ بِالْآثَارِ".

"Ny fahalalana iray manontolo dia tsy inona fa ny fahalalana mikasika ireo tatitra (Hadith)".

Ary nilaza (Imam) Malik r hoe:

"مَا مِنَّا إِلَّا رَادٌّ وَمَرْدُودٌ عَلَيْهِ إِلَّا صَاحِبَ هَذَا الْقَبْرِ. وَأَشَارَ إِلَى قَبْرِ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ-".

"Tsy misy amintsika rehetra afa-tsy hoe afaka manohitra sy azo toherina resaka avokoa; afa-tsy ilay tompon'ity fasana ity". Sady manondro ny fasan'ny Mpaminany r izy tamin'izany.

Ary nilaza Abo Hanifah r hoe:

"إِذَا جَاءَ الْحَدِيثُ عَنْ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- فَعَلَى الرَّأْسِ وَالْعَيْنِ".

"Raha misy Hadith avy amin'ny Irak'i Allah r dia lolohavina an-tampon'ny loha sy atao ohatra ny anakandriamaso izany".

Ary niteny As-shafi'ì r hoe:

"مَتَى رَوَيْتُ عَنْ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- حَدِيثًا صَحِيحًا فَلَمْ آخُذْ بِهِ فَأُشْهِدُكُمْ أَنَّ عَقْلِي قَدْ ذَهَبَ".

"Raha mitatitra Hadith marim-pototra avy amin'ny Irak'i Allah r aho, kanefa tsy narahiko, dia aoka ho vavolombelona ianareo fa efa very saina aho dikan'izany".

 

 

 

Ary niteny ihany koa izy r hoe:

"إِذَا قُلْتُ قَوْلًا وَجَاءَ الْحَدِيثُ عَنْ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- بِخِلَافِهِ فَاضْرِبُوا بِقَوْلِي الْحَائِطَ".

"Raha niteny zavatra aho, ka avy eo nahita Hadith avy amin'ny Irak'i Allah r mifanohitra amin'izany ianareo, dia atsipazonareo amin'ny rindrina ny teniko".

Ary niteny Imam Ahmad Ibn Hanbal r tamin'ny mpiara-dia taminy sasany hoe:

"لَا تُقَلِّدْنِي وَلَا تُقَلِّدْ مَالِكًا وَلَا الشَّافِعِيَّ وَخُذْ مِنْ حَيْثُ أَخَذْنَا".

"Aza manaraka ahy an-jambany na manaraka an-jambany an'i Malik na As-shafi'ì; fa mandraisa avy amin'izay nakanay".

Ary niteny ihany koa izy r hoe:

"عَجِبْتُ لِقَوْمٍ عَرَفُوا الْإِسْنَادَ وَصِحَّتَهُ عَنْ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- يَذْهَبُونَ إِلَى سُفْيَانَ؛ وَاللهُ سُبْحَانَهُ يَقُولُ: ﴿فَلۡيَحۡذَرِ ٱلَّذِينَ يُخَالِفُونَ عَنۡ أَمۡرِهِۦٓ أَن تُصِيبَهُمۡ فِتۡنَةٌ أَوۡ يُصِيبَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٦٣ ]النور: 63[. قَالَ أَتَدْرِي مَا الْفِتْنَة؟ الْفِتْنَةُ الشِّرْكُ؛ لَعَلَّهُ إِذَا رَدَّ بَعْضَ قَوْلِهِ - عَلَيْهِ الصَّلَاةُ وَالسَّلَامُ - أَنْ يَقَعَ فِي قَلْبِهِ شَيْءٌ مِنَ الزَّيْغِ فَيَهْلِك".

"Gaga aho amin'olona izay mahafantatra mikasika ny fitaterana Hadith iray sy ny fahamarinan'izany avy amin'ny Irak'i Allah r, kanefa ny tenin'i Sofyàn no arahin'izy ireo avy eo; nefa Allah milaza hoe: {Ka aoka hitandrina ireo izay manohitra ny baikony, sao hihatra amin'izy ireo ny fitsapana na koa ho voan'ny sazy mangirifiry} [24:63]. Dia niteny izy hoe: Fantatrao ve inona izany fitsapana izany? Izany fitsapana izany dia ny Shirk([5]); satria raha mandà ampahany amin'ny tenin'ny Mpaminany r izy, dia mety hidiran'ny fahaverezana ao am-pony, ka lasa rendrika izy".

Ary nitatitra Al-baihaqi, fa i Mojàhid Ibn Jabr, ilay Tabi'ì, dia nanambara mikasika ilay tenin'i Allah hoe:

﴿فَإِن تَنَٰزَعۡتُمۡ فِي شَيۡءٖ فَرُدُّوهُ إِلَى ٱللَّهِ وَٱلرَّسُولِ]النساء: 59[.

{Ka raha misy zavatra ifanolananareo dia avereno amin'i Allah sy ilay Iraka izany} [4:59]

Ka hoy izy:

"الرَّدُّ إِلَى اللهِ: إِلَى كِتَابِهِ؛ وَالرَّدُّ إِلَى الرَّسُولِ: الرَّدُّ إِلَى السُّنَّة".

"Ny famerenana amin'i Allah dia famerenana izany amin'ny Bokiny (Kor'any); ary ny famerenana amin'ilay Iraka dia famerenana izany amin'ny Sonnah".

Ary nitatitra Al-baihaqi, fa Az-zohrì r dia niteny hoe:

"كَانَ مَنْ مَضَى مِنْ عُلَمَائِنَا يَقُولُونَ: الْاِعْتِصَامُ بِالسُّنَّةِ نَجَاةٌ".

"Ireo manam-pahaizanay izay efa lasa nialoha làlana dia niteny avokoa hoe: Ny fifikirana amin'ny Sonnah dia manavotra".

Ary niteny toy izao i Mowaffaqod-dine Ibn Qodàmah r amin'ny bokiny "روضة الناظر" (Rawdhaton-nàzwir), amin'ny fanazavany ireo foto-dalàna, ka hoy izy:

"وَالْأَصْلُ الثَّانِي مِنَ الْأَدِلَّةِ: سُنَّةُ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ-. وَقَوْلُ رَسُولِ اللهِ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- حُجَّةٌ لِدَلَالَةِ الْمُعْجِزَةِ عَلَى صِدْقِهِ وَأَمْرِ اللهِ بِطَاعَتِهِ وَتَحْذِيرِهِ مِنْ مُخَالَفَةِ أَمْرِهِ".

"Ary ny fototra faharoa amin'ireo porofo ireo dia ny Sonnah-ny Mpaminany r. Ary ny tenin'ny Mpaminany r dia porofo; satria ny fahagagana vitany dia manaporofo ny fahamarinany, ary Allah nandidy amin'ny fankatoavana azy sy nampitandrina amin'ny fitsipahana ny baikony".

Ary niteny Al-hàfiz Ibn Kathìr r, amin'ny fanazavany ity tenin'i Allah ity hoe:

﴿فَلۡيَحۡذَرِ ٱلَّذِينَ يُخَالِفُونَ عَنۡ أَمۡرِهِۦٓ أَن تُصِيبَهُمۡ فِتۡنَةٌ أَوۡ يُصِيبَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٦٣ ]النور: 63[.

{Ka aoka hitandrina ireo izay manohitra ny baikony, sao hihatra amin'izy ireo ny fitsapana na koa ho voan'ny sazy mangirifiry} [24:63].

"Izany hoe ny baikon'ny Mpaminany r, ary izany dia ny làlam-piainany sy ny rafitra nizorany sy ny fomba amam-panaony sy ny Sonnah-ny ary ny lalàna nentiny. Ka ireo teny sy asa rehetra dia tsaraina amin'ny alalan'ireo teniny sy asa nataony; ka izay mifanaraka amin'izany no ekena; fa izay tsy mifanaraka amin'izany kosa dia averina amin'ilay niteny azy na nanao azy, na iza na iza. Araka ny voalaza amin'ny Hadith notaterin'i Al-bokhari sy Moslimo ary ankoatra azy ireo, fa ny Irak'i Allah r dia niteny hoe:

"مَنْ عَمِلَ عَمَلًا لَيْسَ عَلَيْهِ أَمْرُنَا فَهُوَ رَدٌّ".

"Izay manao asa tsy mifanaraka amin'ny sori-dàlanay dia averina (aminy) izany".

Izany hoe: aoka hitandrina sy hatahotra, izay mitsipaka amin'ny fomba miharihary na miafina, ny lalàna nentin'ilay Iraka r:

-Sao hihatra amin'izy ireo ny fitsapana; izany hoe anaty fon'izy ireo, toy ny fikomiana na fihatsarambelatsihy na famoronana (Bid'ah),

-Na koa ho voan'ny sazy mangirifiry; izany hoe eto an-tany, amin'ny alalan'ny famonoana na fampiharana sazy na fanagadrana na zavatra sahala amin'izany.

Araka ny tatitra notaterin'ny Imam Ahmad r hoe: Nilaza taminay i 'Abdorrazzaq, izay nilaza hoe: nanambara anay i Ma'mar, fa i Hammàm Ibn Monabbih dia niteny hoe: Izao no nambaran'i Abo Horairah anay; ka hoy izy hoe: Niteny ny Irak'i Allah r:

"مَثَلِي وَمَثَلُكُمْ كَمَثَلِ رَجُلٍ اسْتَوْقَدَ نَارًا، فَلَمَّا أَضَاءَتْ مَا حَوْلَهَا جَعَلَ الْفَرَاشُ وَهَذِهِ الدَّوَابُّ اللَّائِي يَقَعْنَ فِي النَّارِ يَقَعْنَ فِيهَا، وَجَعَلَ يَحْجُزُهُنَّ وَيَغْلِبْنَهُ فَيَقْتَحِمْنَ فِيهَا؛ قَالَ فَذَلِكَ مَثَلِي وَمَثَلُكُمْ، أَنَا آخُذُ بِحُجَزِكُمْ عَنِ النَّارِ هَلُمَّ عَنِ النَّارِ، فَتَغْلِبُونِي وَتَقْتَحِمُونَ فِيهَا".

"Izaho sy ianareo dia azo oharina amin'ny lehilahy iray izay nampirehitra afo; ka rehefa nanazava ny manodidina azy izany, dia iny fa mivarina anatin'ilay afo ny samoina sy ireny bibikely izay tia mivarina anatin'ny afo ireny; ka niezaka nanakana azy ireo ilay lehilahy saingy resin'izy ireo izy ary mifandrombaka mivarina ao anatin'ilay afo izy ireo". Dia niteny izy r hoe: "Toy izany izaho sy ianareo; izaho misintona anareo amin'ny fehin-kibonareo mba tsy ho latsaka anatin'ilay afo ary miantso anareo hanalavitra izany afo izany; saingy miziriziry ianareo ka resinareo aho ary mifandrombaka mivarina ao ihany ianareo" [Notaterin'i Al-bokhari sy Moslimo; Hadith avy tamin'i 'Abdorrazzaq].

Ary niteny toy izao As-soyòtwi r, amin'ny hafatra nosoratany, izay mitondra ny lohateny hoe: "مِفْتَاحُ الْجَنَّةِ فِي الْاِحْتِجَاجِ بِالسُّنَّةِ" (Miftàhol-jannah fil-ihtijàj bis-sonnah):

"اعْلَمُوا -رَحِمَكُمُ الله- أَنَّ مَنْ أَنْكَرَ أَنَّ كَوْنَ حَدِيثِ النَّبِيِّ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ- قَوْلًا كَانَ أَوْ فِعْلًا بِشَرْطِهِ الْمَعْرُوفِ فِي الْأُصُولِ حُجَّةٌ كَفَرَ وَخَرَجَ عَنْ دَائِرَةِ الْإِسْلَامِ وَحُشِرَ مَعَ الْيَهُودِ وَالنَّصَارَى أَوْ مَعَ مَنْ شَاءَ اللهُ مِنْ فِرَقِ الْكَفَرَةِ".

"Fantaronareo (ho aminareo anie ny indrafon'i Allah), fa izay mandà ny maha-porofo ny Hadith-ny Mpaminany r, na teny izany na fihetsika, izay voatatitra araka ireo fepetra mikasika izany, izay fantatra amin'ireo boky fototra; izany olona izany dia nikomy ary nivoaka amin'ny fefin'ny finoana Islamo; ary amin'ny Andro farany izy dia hatsangana miaraka amin'ireo jiosy sy kristianina na miaraka amin'izay tian'i Allah ampiarahana azy amin'ireo vondron'ny mpikomy".

Ary marobe ny tenin'ireo mpanaradia an'ny Mpaminany r sy ireo Tabi'ina ary ireo manam-pahaizana taorian'izy ireo mikasika ny fanomezan-danja ny Sonnah sy ny tsy maintsy hampiharana izany ary ny fampitandremana amin'ny fanoherana izany.

Ary manantena aho fa ireo andininy masina sy Hadith ary tatitra izay notanisaina ireo dia ampy sy maharesy lahatra an'izay mitady ny fahamarinana.

Ary mangataka amin'i Allah mba hanamora ny làlana ho antsika sy ho an'ny mpino Islamo rehetra amin'ny fanatanterahana izay zavatra tiany sy hanavotra antsika amin'ireo zavatra mitondra ny hatezerany; ary hitarika antsika rehetra ho amin'ny làlany ilay mahitsy tokoa. Tena marina fa Izy dia maheno ny zavatra rehetra ary akaiky indrindra.

Ary Allah anie handefa ny tsodrano sy ny fiadanana ho amin'ny mpanompony sady Irany, ny Mpaminanintsika Mohammad, sy ireo fianakaviany sy mpanaradia azy ary izay nanaraka azy amin'ny endrika tsara.

عبد العزيز بن عبد الله بن باز-رحمه الله-

'Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz

-Ho aminy anie ny indrafon'i Allah-

 

 

 

(1) Fampitoviana zavatra iray tsy voatonona ao anaty Kor'any sy Sonnah, amin'ny zavatra hafa izay voatonona mivantana, amin'ny lalàna mamehy azy ireo, noho ny fisian'ny fitoviana eo aminy.

(1) Boky mikaroka momba ny Hadith sy ny mpitatitra azy ary ny lalàna mamehy azy.

(1) Ny fanginany manoloana zavatra iray izay hitany ataon’ireo mpanaradia azy na tenenin’izy ireo, dia midika ho fanekena sy fankatoavana izany zavatra izany; ka mety araka izany.

(1) Izany hoe tsipindiana ilay vato toy ny fanipazana kanety.

(1) Shirk dia: fanakambanana zavatra hafa amin'i Allah.