NY FINOANA SILAMO DIA FINOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

NY FINOANA SILAMO DIA FINOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA​

 

NY FINOANA SILAMO DIA FINOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

الإسلام دين السلام باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

 

Abd Ar-Rahmân bin Abd Al-Kareem Ash-Sheha

د/ عبد الرحمن بن عبد الكريم الشيحة

 

 

Fandikan-Teny Nataony

European Islamic Research Center (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

www.islamland.com

 

 

 NY FINOANA SILAMO DIA FINOAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be indra-fo, Ilay be fiantrana

Dera sy voninahitra hoan’i Allah, Tompon’izao tontolo izao, ary tso-drano sy fandriampahalemana hoan’i Mpaminany Mohammad (SAW), sy ireo fianakaviany ary ireo mpanara-dia azy

 

TENY FANOLORANA

Talohany hiposahany hazavan’ny Finoana Silamo dia lasa toerana feno ady sy fandatsahandra ity tany misy antsika ity, izay nandripaka ny olombelona antapitrisany, ary tena voafafa tamin’ny tantaran’ny zanakolombelona tokoa ny atao hoe; Fiainana sy fahatoniana ary ny Fiadanana.

Raha jerevantsika fotsiny ny any amin’ny Kaontinanta Eropeanina dia hitantsika tsara fa ireo efitra mampisaraka azy ireo dia mbola tsy nahita fiadanana na dia indray andro aza tamin’izany fotoana izany.

Fa ny zavatra nataon’ireo firenena eropeanina ireo dia ny fifanenjehana an’ny hafa fotsiny, ka nahatonga azy ireo nametraka ny fandoavanketra ho fomba hifehezana ny vahiny sady drafitra manokana hitadiavam-bola hampandrosoana ny Firenena.

Ka noho izany dia niparitaka ny fankahalana isankarazany tamin’ny samy olombelona noho ny fisamihafana amin’ny volonkoditra na ny tsy fitovisana ara-pinoana, na noho ny vondrona izay misy ny antokompinoana anankiray, na koa noho ny tombontsoa manokana eto an-tany, na noho ny fisamihafana amin’ny resaka karazana sy fihaviana izany.

Ka noho izany toe-javatra izany dia tsy nanaja ny hasina mahaolona amin’ny fiainana andavanandro izy ireo na dia anatiny ady aza dia tsy nohajainy mihitsy ny fepetra mifehy ny ady na ny zon’ny voafonja.

Ka vaomaika nataony sorona aza ireo gadra voasambotra tamin’ny ady. Tsy nanaja ny fananana sy voninahitry ny hafa izy ireo, ka vaomaika nahatonga azy ireo handrava ny harenany, hanolana ny vadin’izy ireo ka tonga hatramin’ny fangalarana zanak’izy ireo ka avidiny any amin’ny tsenam-pivarotana andevo.

Tamin’izany fotoana izany ny zanakolombelona dia tsy nahafantatra sady tsy niaina tamin’ny atao hoe; FANDRIAMPAHALEMANA ary tsy nisy fahatoniana manerantany mihitsy.

Tsy nisy zavatra hainy tamin’izany afa-tsy ny resaka ady fotsiny mba sisa hainy, ny asa fampihorohoroana, mfanakorontanana ny saim-bahoaka, fampitahorana, fanjanahana, fanandevozana, tsindrihazolena ary ny jadona mangidy.

Ny vahoaka talohany hatongavan’ny Finoana “Silamo” dia tsy nahalala izany resaka hoe; FAHALALAHANA amin’ny finoana izany.

ka noho izany dia tsisy olona afaka hiala amin’ny finoan-drazany ka mba hanaraka finoana hafa.

 Ka nalaza tamin’’izany ny fampiharana ny lalána famoretana izay manakana ny sasny tsy hifindra finoana, izany hoe; “Ny vahoaka dia manaraka ny finoan’ny Mpanjakany “. Tamin’izany andron’ny habadoana izany dia tsiazon’olona anankiray atao avy amin’ny firenena Amperora Bezantina no hanaraka ny finoan’ny firenena Amperora Persa, izay nisokajiny ho fahavalony tamin’izany.

 Ary izay miala amin’ny finoan-drazany dia raisina ho mpivadika. Ary tsy valaka aminizany koa ny ataondry zareo avy amin’ny Amperora Persa, dia tsy mahazo manaraka finoana hafa ankoatry ny finoan’ny mpitondra Amperora misy azy ny vahoaka. Ary izay tratra manaraka finoana hafa dia raisina ho mpadika lalána ka ho vonoina.

Na ireo zanaky ny finoana iray aza dia mbola mifankahala, ka izay mihitsy no nahatonga ny adim-pinoana imbetsaka tamin’ireo mpino Kristianina Orthodox sy Katolika ary ireo vondrom-pivavahana Kristianina maro samihafa.

 Ka ny lalána napetrak’izy ireo taminizany dia ny hoe; Izay manohitra izany dia tsimaintsy homena anaram-bositra hoe; mpampihorohoro, heretika na koa mpivadika, ka tsimaintsy vonoina na gadraina.

NY ATAO HOE ISLAMO DIA;

Mba hazava bebe kokoa amin’ny mpamaky hajaina ny tena dikany teny hoe; Fandriampahalemana, raha amin’ny Finoana Silamo dia mila mandalina lalina aloha momba ny atao hoe; Islamo, amin’ny fikarohana ankapobeny.

Satria tena mafonja tokoa ny zavatra fonosin’ny teny atao hoe; islamo, ka tafiditra anatin’izany ny resaka mahakasika ny fahatoniana, filaminam-bahoaka ary indirindra moa ny resaka fahalalahana ara-pinoana hoanny zanakolombelona tsy ankanavaka.

 

 

KA IZAO MANARAKA IZAO NO DIKANY ATAO HOE ISLAMO;

Fanekena fa hanompo an’i Tompo Andriananahary tokana am-panetren-tena sady miaraka amin’ny fahavelomam-panahy sy vatana manontolo hoan’ny Tompo Nahary an’izao tonolo izao. ka ny fomba fanatanterahana izany dia tsimaintsy amin’ny fanarahana ny baikony (Allah/zanahary/Zagnahary) sy ny fiatahana avy amin’ny zavatra rehetra izay norarany, ary ny fanekena ny didy rehetra izay navoakany sy ny anjara izay nalahatrany.

Ka miteny amin’ny Boky masina Kor’any i Allah manamafy an’izay rehetra voalaza izay, raha miresaka momba an’i Mpaminany IBRAHIM (Abraham) (Fandriampahaleman’ny Tompo enga anie aminy) Izy, ka manao hoe; “Raha niteny taminy ny Tompony hoe; Manolora tena ianao! Dia namaly ny antso izy nanao hoe; Efa Mpanolo-tena hoan’ny Tompo Zanaharin’izao tontolo izao aho”. (omby vavy;131).

Ka izay no tena Finoana Silamo marina izay tsimaintsy harahin’ny mpino Silamo tsirairay avy, araka izay ambaran’i Allah Ilay Avo indrindra manao hoe; Lazao koa Hamafisiko, fa ny vavaka ataoko (Soalah), sy ireo asa fanompoako, ny fiainako iray manontolo, ary ny fahafatesako dia hoan’i Allah Tompon’izao Tontolo izao”. (Al-an’am:162).

Ary ny teny hoe Fandriampahalemana dia anisany anaran’ireo Paradisa, ka hoy Allah manao hoe: “Ho azy ireo ny Fonenana fiadanana any amin’ny Tompon’izy ireo. Ary Izy no Mpiaro azy ireo amin’izay zavatra nataony (tety an-tany). (Al-an’am:127).

Ary ny fandriampahalemana dia fiarahaban’ny samy Mpino Silamo any amin’ny Paradisa, enga anie mba hataon’i Tompo hoanisan’izy ireo isika sy ianao, ka miteny izy manao hoe: Ny fiarahaban’izy ireo amin’ny andro hihaonan’izy ireo aminy dia ny hoe “SALAM, (Fandriampahalemana)”, ary misy valisoa sesehena nomaniny hoazy ireo. (Al-ahzab:44).

Ny teny hoe: SALAM (fandriampahalemana) dia fampiarahabana amin’ny samy Mpino Silamo eto an-tany, izay manao hoe:(Assalamou alaykoum waRahmatoullah wa Barakatouh/Fandriampahalemana sy inakinak’i Allah ary ny hasoavany enga anie hoanareo). Inona koa fiarahabana tsaratsara sady madio noho izao, sady teny mamy tsisy mitovy aminy! fiarahabana izay mampitambatra ny fo sady manala ny lonilony sy hatezerana rehefa maheno azy.

 Fiarahabana izay mampitoetra fahatonina, filaminana sy ny fiadanan-tsaina noho ny fandriampahalemana ary antoka izay entiny. Ka noho izay mihitsy no nanambaran’ny Mpaminany Mohammad (SAW)fa mahafeno ny Finoana, ka hoy izy hoe: “Tsy hiditra amin’ny Paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy ho mpino ianareo raha tsy mifankatia. Tsy hambarako zavatra ve ianareo, raha tanterahinareo izany dia hifankatia ianareo? Mifampiarahaba ianareo”. (Mouslim).

Ary mbola nambaran’ny Mpaminany Mohammad (saw) koa fa io fiarahabana io dia anisany asa tena soa indrindra. Rehefa nanontaniana izy amin’ny asa tsara atao indrindra amin’ny Finoana Silamo, ka navaliny hoe: “Mampisakafo ny sahirana ary miarahaba izay rehetra fantatrao sy tsy fantatrao”. (Mouttafaquoun alayhi).

Tonga ny Finoana Silamo mba hanitsy ny zanakolombelona rehetra tsy ankanavaka hoany amin’ny lálan’ny hatsarana, mba hamoaka azy ireo avy amin’ny haizina ka hoany amin’ny fahazavana, ary hanala azy ireo avy amin’ny fanompoana ny olombelona ka hoany amin’ny fanompoana ny Tompon’ny zanakolombelona.

Ka izay manaraka ny Finoana Silamo ka manatanteraka ny asa rehetra am-po madio mba hahazo hafalian’i Allah dia hanitsy azy i Allah amin’ny lálana mahitsy, ka nambarany hoe: “Ry Olon’ny Boky! Marina fa tonga taminareo Ilay Irako (Mohammad), hanazava aminareo ireo zavatra maro nafeninareo tamin’ny Boky, ary nandefitra tamin’ny zavatra maro! Indro fa tonga aminareo avy amin’Ilay Andriananahary ny hazavana sy Boky mazava”. (Al-ma-idah:15). “Amin’ny alalan’izy io (Kor’any) no itarihan’Andriananahary ireo izay mitady ny hafaliany mankany amin’ny lalan’ny fiadanana.

Ka hamoahany azy ireo avy ao amin’ny haizina mankany amin’ny hazavana, noho ny fitahiana avy aminy. Ary hitarika azy ireo mankany amin’ny lálana mahitsy Izy”. (Al-ma-idah:16).

Tena marina fa, io Finoana Silamo io dia Finoan’ny Fandriampahalemana izay mifono sady mitondra zava-tsoa rehetra, araka izay nambaran’ny Mpaminany Mohammad (SAW) hoe: “Ny Mpino Silamo dia, noho ny antony izy, ireo mpino Silamo voaaro amin’ny resaka fandriampahalemana, na amin’ny alalan’ny vavany sy tanany, ary ny Mpifindra-monina dia izay mamela ny zavatra nandraran’i Allah azy tsy hatao”. [Mouttafaquoun alayhi]. Ary mbola miteny Mpaminany saw hoe: “Ny Mpino dia, izay atokisan’ny vahoaka amin’ny ran’izy ireo sy ny harenany”. (Ahmad, al-Tirmithi, ibnou Majah, ary voamarin’ny Sheikh Al-Albani).

 

 

MOA VE NIPARITAKA TAMIN’NY ALALAN’NY FANKAHALANA NY FINOANA SILAMO?

Ny fanabeazana fototra amin’ny finoana Silamo dia manda tanteraka ny fijerin’ireo mpankahala ny Finoana Silamo amin’ny fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka izay ataon’izy ireo, satria i Allah Ilay feno voninahitra dia miteny hoe: “Tsy misy fanerena amin’ny Fivavahana! Efa miavaka tsara amin’ny fahaverezana ny fahitsiana. Ka izay mitsipaka ireo mpihoa-pefy, (Satana, sampy, hevi-dratsy) ary mino an’Andriananahary, dia tahaka ny namikitra tamin’ny tahon-javatra mafy izay tsy ho tapaka velively. Ary Andriananahary no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra. (Al-Baqarah:256).

Mbola miteny koa Izy amin’ireto teny manaraka ireto manao hoe: “Raha sitraky ny Tomponao, dia hino avokoa izay rehetra eny ambonin’ny Tany. Moa anjaranao ve ny manery olona ho tonga mpino? (Younouss:99).

Ary lazao hoe: “Avy amin’ny Tomponareo ny Fahamarinana”. Izay te-hino dia aoka izy hino, fa izay tsy te-hino kosa, dia aoka izy tsy hino. (Al-Kahf:29).

“Raha mivily lálana izy ireo, fa ny anjaranao dia ny fampitan-kafatra mazava tsara fotsiny”. (An-nahl:82).

Koa mampahatsiahiva azy ireo, fa ianao dia Mpampiatsiahy fotsiny, fa tsy mifehy azy ireo ianao. (Al-ghashiyah:21-22).

Ary mbola betsaka tokoa ireo andininy masina mahakasika ity resaka ity, izany dia noho ny antony fa ny Finoana Silamo dia FOTO-PINOANA, ary ny foto-pinoana dia tsimaintsy miankina amin’ny faneken’ny fo, satria tsy ampy velively ny fitenenana am-bava.

Ary ny fanekena am-po dia tsy hay esorina amin’ny angovo na an-keriny. satria misy amin’ny olombelona manaiky am-bava ny zavatra izay tsy ekehin’ny fony. Ka noho izany mihitsy no nanambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Izay manda an’Andriananahary taorian’ny ninoany azy, afa-tsy izay voatery, nefa ny fony, dia feno fahatoniana noho ny finoana, fa ireo izay manokatra ny an-tsitrapo ny fony amin’ny tsy finoana kosa, dia izy ireny no hiharan’ny fahatezeran’Andriananahary, ary hahazo sazy mahatsiravina. (An-nahl:106).

 

NIELY TAMIN’NY ANGOVO VE NY FINOANA SILAMO?

Araka izay fantantsika rehetra fa, ny FANJAKANA rehetra misy eto an-tany dia tsimaintsy mampiasa hery manokana mba hiarovany ny fireneny sy ny vahoakany, ary mba hanaraha-maso izay mandika lalána mba hampiharana sazy hoan’izay manohitra ny lalána velona.

 Ary ity hery ity no tompon’andraikitra feno amin’ny fampiharana tanteraka ny lalana sy ny fanatanterahana ny sazy izay mifanandrify amin’ny heloka izay ataon’ny olon-dratsy.

Izany dia Hery mijoro maharitra mba ho fitandroana ny fahalemana.

Araka ny nambaran’ny Lehiben’ny Silamo, outhman bin Affani (RA) hoe: “Tena marina fa i Allah dia manakana amin’ny Mpanjaka, izay tsy sakanany amin’ny Boky masina Kor’any” (RAZINA).

Izany hoe: Maro amin’ny olombelona dia matahotra amin’ny fanaovana heloka bevava, satria fantany tsara ny sazy izay hanasazian’ny Mpitondra azy mahakasika ny sazy eto an-tany, nefa izy ireo dia tsy matahotra velively ny FANDRARANA izay ataon’ny Kor’any amin’izy ireo sy ny mahakasika ny sazy any ankoatra.

 Ka noho izany mihitsy no nanomezan’ny Tompo Allah FAHEFANA hoan’ny Mpitondra mba hampiharana ny sazy amin’izay mpadika lalana mba koa tsy hanaovan’ny sasany izany heloka izany.

Ndao tsika haka ohatra vitsivitsy amin’ireo zavatra niseho tamin’i Mpaminany Mohammad (SAW) tamin’ny fiantombohan’ny Finoana Silamo. Nipetraka telo ambin’ny folo taona (13 ans) tao Makkah Izy (SAW) niantso ny vahoakany mba hiditra amin’ny Finoana Silamo amim-pahendrena sy amin’ny fananarana tsara.

 Ka tamin’izany fotoana izany mihitsy no nisedrany vono sy fanenjehana isankarazany tahaka ny fandaingan’izy ireo azy sy ny teritery amin’ny fanatanterahany ny asa fampielezana izay nataony.

Nefa na dia izany aza dia niaritra ihany izy sy ireo mpino niaraka taminy tamin’ny fampijaliana, ny famonoana sy ny tsindrihazolena nahazo azy ireo. Ary maro ireo mpino Silamo tratry ny fanasaziana izay ataon’ireo fahavalon’ny Silamo tamin’izany fotoana.

Ary misy fotoana mihitsy ny Mpaminany (SAW) sendra mandalo amin’ny sasany amin’ireo mpino ka mahita azy ireo voasazy nefa tsy mahavita manao na inona na inona afa-tsy ny fankaherezana azy ireo amin’ny FAHARETANA.

Efa nisy andro koa Izy no nandalo tamin’i Ammar bin Yasir sy ny Reniny Soumayyah, ary sendra voasazy mihitsy izy ireo tamin’izany ka nambarany hoe: “Mahareta ry fianakavian’ny Yasir, fa ny fotoananareo dia any amin’ny Paradisa”. {Navoakan’ny Hakim, ary voamarin’i Sheikh Al-Albani ao amin’ny Boky Sahih al-sirah, pejy:154, ary amin’ny Fiqhous-Sirah, pejy:103}.

Ka nihasarotra tamin’ny Mpaminany Mohammad (SAW) ny fiainany, ary nikaon-doha mihitsy ireo fahavalo amin’ny famonoana azy mba tsy hahafahany intsony hanohy ny asa fampielezana ny finoana Silamo.

 Nefa na dia izany ny toe-javatra niseho dia tsy nanozona azy ireo izy fa, vaomainka tsy kivy izy nivavaka tsara ho azy ireo, amin’izao vavaka manaraka izao: “O Allah! Mamelá ny vahoakako fa izy ireo dia tsy mahalala”. (Mouttafaquoun alayhi).

Fa ny Tompony dia nankahery azy mba haharitra, izay hita amin’ny andininy maromaro ao amin’ny Boky masina Kor’any, nefa ny maro tamin’ireo Iraka dia nivandesan’ny vahoakany sady nampijaliany. Tsy atao mahakivy nefa izany rehetra izany, satria ny lalan’ny asa fampielezana dia lava sady sarotra dia sarotra tokoa. Satria ny asa fampielezana dia ady amin’ny marina sy ny tsy fahamarinana, ary ny tsara sy ny ratsy.

Ka hoy Tompo Allah amin’ny famporisihana ny Mpaminany Mohammad (SAW) ao amin’ny Boky Masina Kor’any manao hoe: “Miareta ary ianao, tahaka ny niaretan’ireo Iraka nanam-piniavana, ary aoka ianao tsy ho maika hahita azy ireo hiharan’ny famaizana”. [Al-Ahqaf:35].

Niezaka hatrany izy nihaona tamin’ireo Foko isankarazany izay tonga tao Makkah isan-taona, ka noho ny vokatr’izany mihitsy no nahatonga ny vondron’olona sasany amin’ny mponina avy ao Madinah no niditra Finoana Silamo.

Rehefa niditra izy ireo dia nanao veli-rano amin’ny tsimaintsy hanavotan’izy ireo azy raha sendra mifindra monina any Madinah Izy sy ireo Mpino sady Mpanara-dia azy, ary hiaro azy ireo avy amin’ny fahavalo.

Ka rehefa nifindra monina tokoa Izy (SAW) ary nivelona tao nandritra ny 13 taona (13 ans) dia mbola tsy nisy rá latsaka na dia indray mandeha aza. Rehefa lasa tany Madinah Izy sy ireo mpanaradia azy dia nalain’ny Foko Koraisy tsy rariny ny harenan’izy ireo.

Nefa na izany aza ny toe-javatra niseho tamin’ny fiainany dia mbola tsy nahazo alalana hamaly faty ny fahavalo afa-tsy roa taona taty aorianan’ny fifindra-monina tany Madinah, izy. Izany hoe; rehefa nitombo ny fanenjehana nataon’ireo fahavalo te-hamono azy sy hanafoana ny fampielezany ny Finoana Silamo.

Fantatra tsara fa, ny Mpaminany Mohammad (SAW) dia tsy mpitarika ady velively fa

, noho ny fiarovan-tena ihany no tsimaintsy niatrehany ireo fahavalo. Ary raha ny toeran’ny Madinah no jerevana dia, ao mihitsy no lalana andalovan’ireo Koraisy amin’ny varotra izay ataony mankany Sham.

Ka ny fifanatrehana voalohany tamin’ny Mpaminany (SAW) dia, indray andro rehefa nivoaka izy mba hanao sakana ara-toekarena amin’ny Koraisy mba hanery azy ireo tsy ho vato misakana amin’ny fampielezana Silamo izay ataony, sady tsy hanakana ny olona te-hiditra amin’ny Finoana Silamo.

Anisany antony nametrahany ankivy ara-toekarena tamin’izany dia, mba hifanatrehany sy ireo mpino izay efa maro anisa tao Madinah amin’ireo fahavalo, ary koa mba hitakiany amin’izy ireo ny fananany sy ireo mpanaradia azy izay nalain’ny Koraisy tamin’ny fomba tsy ara-dalana tao Makkah tamin’iny.

Fa io Karavanin’ny Koraisy izay saika ho sakanan’ny Mpaminany (SAW) mba tsy handalo tao Madinah dia nitarihin’i Abou Soufiyani, izay mbola tsy nanaraka ny finoana silamo tamin’izany fotoana izany, ka votsotra tsy tratra mihitsy izy ireo tamin’izany.

Ka rehefa fantatry ny Koraisy momba izany tetika izany dia, nanome fe-potoana tsimaintsy hanafihana an’ny Mpaminany Mohammad (SAW) izy ireo, sady nanomana vatan-dehilahy ka nankany Madinah.

Ka izay mihitsy no ady lehibe voalohany tamin’ny Finoana Silamo izay nandresen’ny Mpaminany (SAW) sy ireo Mpanaradia azy. Hoy Allah ao amin’ny Kor’any manao hoe: “Nomena alalana ireo izay niharan’ny famonoana (hiaro-tena), satria niharan’ny tsy rariny izy ireo; fa manana fahefana hanavotra azy ireo i Allah. Ireo izay noroahina teo amin’ny fonenany, tamin’ny tsy rariny, satria niteny izy ireny hoe; “Allah no Tomponay”. Raha tsy nampifandroahan’Allah ny olona, dia ho nofoanana ny fitokana-monina amin’ireo fiangonana, ireo synagoga (trano fivavahan’ny Jiosy), ary ireo trano fiankohofana (Masajid, na fivavahan’ny mpino silamo), izay iantsoana matetika ny anaran’i Andriananahary. Fa matanjaka sy tsitoha i Andriananahary. Ireo izay, raha omeko azy ny hery ety ambonin’ny tany, dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahana (Soalah) izy ireo, manome ny harena fiantrana (Zakat, ary mampirisika amin’ny tsara, sy mandrara amin’ny ratsy. Fa ny fiafaran’ny zavatra rehetra dia an’Andriananahary. [Al-Hajj:39-41].

 Ampy antsika tsara no mampahafantatra fa ireo FANDRESENA lehibe rehetra ireo izay azon’ny Mpaminany Mohammad (SAW) dia voninahitra hoan’ny ARABIA manontolo, izay nataony nandritra ny telo amby roa-polo taona (23 ans). Ary izany telo amby roa-polo taona izany no fetran’ny faminaniany teto ambony tany. Ka nandritra io 23 taona naha Mpaminany azy io dia tsy nihoatran’ny 375 ny isan’ireo maty tamin’ny ady, na mpino silamo izany na ireo fahavalo!!!

Ary torak’izay koa no nataon’ireo mpanaradia azy taoriany. Nanokatra firenena marobe naneran’izao tontolo izao izy ireo taminy alalan’ny fanehoana toetra mendrika sy fitondran-tena tsara ary ny fifandraisana maha te-hotia no nitondran’izy ireo izay rehetra teo ambany fahefany sy mpiara-belona taminy. Ary nampiely ity finoana silamo ity izy ireo tamin’ny fomba izay tena mendrika indrindra.

Tsy noho ny hamaroan’ny isa, na miankina amin’ny fotoana velively no nahavitan’izy ireo niditra sy nanokatra ny Firenena marobe maneran’izao tontolo izao fa, tamin’ny alalan’ny fahendrena sy fahamendrehana.

Nambaran’ny Mpino Silamo vaovao anankiray antsoina hoe; bASHIR Ahmad Chade: “Ny fanontaniana izay manahirana ny saiko dia ny fihetsikintsika Kristianina izay miteny fa, ny Finoana Silamo dia niely tamin’ny alalan’ny sabatra, ka manontany tena aho manao hoe: Nahoana ary no nanaiky hiditra ny Finoana Silamo ny olombelona, ary tsy mitsahatra mihitsy izy ireo no miditra amin’ny finoana Silamo maneran’izao tontolo izao? “.

Mbola miteny izy manao hoe: “Maninona ary ny olombelona voatarika hanaraka io Finoana io isan’andro, tsy ankaterena fa an-tsitrapo mihitsy?”. [Ao @ Boky anankiray atao hoe: Hoy izy ireo momba Islam, dr. Imadoud-Dine Khalil, pejy:295].

 Ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: moa ve ny Finoana Silamo irery ihany no nandidy ny mpanaraka azy mba hanomana hery sy tanjaka hampielezana ny Finoany sady hiarovana azy (FINOANA)?

Satria efa voalaza ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Voyage de Deuteronomia, amin’ny Chapitre faha 20, laharana faha (10) izao manaraka izao:(Rehefa manaikaiky ny Tanana ianao ka hiady azy, dia antsoy hoany amin’ny hatsarana aloha ny mponina. Ka raha mamaly ny antsonao izy ireo dia misokatra hoanao ny Tanana, ary ny vahoaka rehetra ao dia ho ambany fahefanao daholo. Ka anjaranao no mitondra azy ireo amin’ny sori-dalanao, fa raha sanatria ka tsy manaraka anao sady tsy miaro anao izy ireo fa vaomainka mitarika ady manohitra anao dia tonga dia hodidino ny Tanana manontolo. Ary raha ampian’ny Tompo ianao dia veleso daholo ny vatan-dehilahy amin’ny fira sabatra. Fa ny vehivavy, ny ankizy sy ny biby ary ny zavatra rehetra ao antanana dia anjaranao daholo. Ary afaka mihinana amin’ireo zavatra navelan’ny fahavalonao ianao rehefa resy izy ireo, izay nomen’ny Tomponao anao. Hoatr’izay ihany no ataonao amin’ny Tanana rehetra izay lavitra ny tanananao rehefa miditra ao ianao, satria tsy tananan’izy ireo ny ao. Fa ny Tananan’ireo vahoaka izay nanomezan’ny Tomponao ny anjaranao hoanao dia tsy mahazo mijanona ela ao ianao. Fa ny zavatra mila ataonao ao dia ny famoahana didy izay mampifady tanteraka azy ireo ny zava-boarara tahaka ny fandidian’ny Tomponao anao).

Ary mbola manamafy izany dia izay voalaza ao amin’ny EVANJELIN’i Mathieu mahakasika an’io raharaha io ao amin’ny Chapitre faha 10, amin’ny toko faha 25, araka izay voalaza manaraka izao:(K’aza mihevitra fa tonga hanaparitaka fandriampahalemana eto an-tany aho, fa noho ny antony hanaparitaka sabatra. Fa ny antony nahatonga aho dia hampisaraka ny olombelona izay tsy mifankahazo amin’ny zanany, ary ny zanaka izay manohitra ny Rainy. Ary ny fahavalon’olombelona dia ny fianakaviany. Ary izay mankatia ny Rainy na Reniny ambonimbony noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika hoahy izany. Ary izay mankatia ny zanany lahy na vavy ambony noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika izy izany. Ary izay tsy mangala ny hazony ka manaraka ahy dia tsy ho anisan’ny vahoakako izy izay. Ary izay mahita ny tenany fa mandany fotoana noho ny antony ahy dia hahita ny valisoa izy).

Hoy ingahy Gustave Lebon amin’ny bokiny izay antsoina hoe:(Fivoaran’ny Arabo/Civilisation des Arabes) ao amin’ny pejy faha 127-128, manao hoe: “Tsy nisy fampiasan-kery tamin’ny fanaparitahana ny Boky masina Kor’any. Vao maika navelany malalaka hanaraka ny finoan-drazany aza ireo Arabo izay resy tamin’ny ady. Ary matetika izany rehefa misy vahoaka Kristianina miditra amin’ny Finoana Silamo dia misafidy ny teny Arabo ho fiteniny noho ny fahitan’izy ireo ny fahamarinan’ireo Arabo Mpandresy tamin’izany fotoana izany. Ary izany fahamarinana izany dia mbola tsary hitan’izy ireo tamin’ny Lehibeny teo aloha, sady noho ny fahamorana isankarazany izay hitan’izy ireo ao amin’ny finoana Silamo, nefa tsy fahitany tamin’ny fiainany teo aloha”. [ Ao @ Boky: Hoy izy ireo momba ny Silamo, an’i Dr. Imadou-Dine Khalil, pejy faha:314].

 

 

 

MOA NY FANDRESENA LEHIBE IZAY NATAON’NY FINOANA SILAMO VE NOHO NY FITIAVAN-KARENA SY FANDRAVANA NY FANANA’NY VAHOAKA?

Tena marina fa, izay tsy mahafantatra ny fampianaran’ny finoana silamo sy ny fototra ijoroany, ary ny tanjona ambony izay tratrariny, dia avy hatrany manana izany eritreritra izany ao an-tsainy. ary mihevitra fa afa-po amin’izay fijery tsy mandeha lavitra izay izy, fijery izay miorina amin’ny materialy.

Ka noho izay mihitsy no anambaranay etoana fa ny Iraka masina Mohammad (SAW) raha tamin’ny fiantombohan’ny asa fampielezany dia niezahan’ny vahoakany ho fitahina amin’ny fomba rehetra.

Nampanantena azy izy ireo hanome azy izay rehetra tadiaviny eto an-tany. Ohatra amin’izany dia izao manaraka izao; Raha mila voninahitra amin’ny fitondrana ianao dia ataonay ho lehibe, raha koa mila vehivavy dia omenay vehivavy izay tena tsara indrindra ary raha mila harena dia omenay ianao araka ny nambaran’izy ireo. Fa ny fepetra izay takian’izy ireo taminy tamin’izany dia ny tsy hampiely ny finoana Silamo.

 Satria araka ny fijeren’izy ireo dia mametra ny lanjan’ny Tompony izy (ireo sampiny) ary mampidina ny voninahitriny eo anatrehan’ny fiarahamonina. Ka navaliny azy ireo hoe: “Tsiafaka hamela an’izany aho, na dia homenareo silaka avy amin’io Masoandro io aza aho. Fa ny fitantarana tena marina araka ny laharana izao:1/194, ka miteny hoe: “Mandrak’izay dia tsy havelako ny fampielezana ny finoana Silamo raha tsy mitondra amiko porofo mafy indrindra na farafaha ratsiny mba vitanareo ny manilaka hoahy avy io Masoandro io”.

Raha toa ka sanatria fa olon’ny kabarin’ny resaka donia i Mpaminany saw dia efa voarebirebin’izy ireo tamin‘io fitakiana lehibe nataondreo io izy, satria tena fitsapana fara-tampony izany.

Ka rehefa nataon’i Tompo Allah nandresy Izy tamin’izany dia afaka nanaparitaka ny hafatra momba ny FINOANA SILAMO hoan’ireo Mpanjaka sy Lehibe rehetra nisy teto an-tany. Anisany nambarany azy ireo tamin’izany dia ny hoe: “Raha miditra Silamo ianareo dia hijanona aminareo ny fanjakanareo sy izay rehetra ambany fahefanareo”. Anisan’izany ny taratasy izay nalefany tamin’ny HERACLES, izay Mpanjakan’ny Roma tamin’izany fotoana izany, ka nambarany tamin’izany izao manaraka izao: “Amin’anaran’i Allah, ilay be indra-fo, ilay be fiantrana. Avy amin’i Mohammad Irak’i Allah, Hoan’i HERACLES, amperoran’ny ROMA.

Fandriampahalemana hoan’izay manaraka ny fahitsina. Ka izao manaraka izao ny hafatra; tena marina fa miantso anao hiditra amin’ny Finoana Silamo Izaho. Midira silamo ianao fa ho voaaro. (avy amin’ny fahotana ary tsy hiditra anaty afo-be). Midira silamo fa homen’ny Tompo anao ny valisoanao in-droa misosona. Fa raha tsy manaiky ianao dia hoanao daholo ny fahotan’ireo Arius. [jerevo ny Boky: Arius/Arianism].

Ny Arius dia ireo vondrona avy amin’ny vahoaka Kristianina izay nanaraka ny Pastora Arius izay nanda amin’ny maha Mpaminany an’i Jesosy zanakan’i Maria (Fandriampahalemana enga anie hoazy). Izay nisedra fanoherana lehibe tamin’izany. Ary nampahatsiahivin’ny Mpaminany Mohammad (SAW) tamin’ny taratasy izay nalefany tany amin’i HERACLES ny sedra sy vono izay nahazo an’ireo vondrona izay nanompo ZANAHARY Tokana talohan’ny Finoana Silamo. Ka ity andininy manaraka ity no anisany nampiarahiny tamin’izany taratasy izany, izay midika hoe: Lazao azy ireo” Ry olon’ny Boky, tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo aminay sy eo aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Allah ihany, ary tsy hampitambatra azy amin’ny zavatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho tompo, ho tompoin’ny sasany ankoatran’Andriananahary “. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy: “Aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa dia efa Mpanolo-tena”. [Al-‘Imrân:64].

Araka ny tatitra izay nataon’ny Anasy (RA) fa: “Izay zavatra nanontanian’olona tamin’ny Mpaminany SAW dia novaliany avokoa, ary izay zavatra nangatahin’olona taminy dia nomeny tsisy arakaraka avokoa. Efa nisy indray andro aza lehilahy anankiray izay nomen’ny mpaminany azy ondry roa tendrom-bohitra, ka rehefa aveo dia niverina tany amin’ny vahoakany izy ka nambarany azy ireo hoe: O ry vahoaka! Midira Silamo ianareo fa tena marina fa, i Mohammad (SAW) dia manome hoan’izay mangataka aminy ary tsy matahotra fahantrana”. {Al-Boukhari & Mouslim}.

Mbola niteny i Anasy (RA) hoe: “Raha olona anankiray hiditra amin’ny Finoana Silamo nohony resaka fiainana mandalo eto an-tany, dia tsy tokony hiditra izy raha tsy efa tiany noho ny donia sy ny zavatra rehetra misy eto an-tany ny finoana Silamo”. (Mouslim).

Indray andro dia tonga tamin’ny Mpaminany Mohammad (SAW) ny namany sady mpanaradia azy Omar bin Al-Khattwab (RA). Nijerevany tsirairay avy ny zavatra tao antranon’ny Mpaminany Mohammad (SAW) ka tsy nahita zavatra tao izy afa-tsy TSIHY anankiray vita amin’ny ravina palime (LAMAKA) izay natoritorian’ny Mpaminany (SAW). Nanakaiky azy teo izy ary nanisa ny zavatra rehetra tao antrano ka izao avy ny zavatra hitany tao; ampemba kelikely sy fitoeran-drano kely izay mihantona ao antranony. Izay ihany no mba zavatra nananan’ny Mpaminany Mohammad (SAW) tamin’ny fotoan’androny, nefa antsasaky ny Arabo dia teo akaikiny.

Rehefa nahita an’io rehetra io i Omar (RA) dia tsy zakany ka nitomany mafy be izy. Ka nanontany azy i Mpaminany (SAW) hoe: inona no mampitomany anao ry Omar?

 Fa ahoana moa tsy hampitomany ahy, satria ry KAISARA sy KISRA dia miradana amin’ny hasoavana rehetra misy eto an-tany, nefa ny Irakan’ny Tompo Allah (Anao) dia tsy manana afa-tsy izao hitako maso izao fotsiny? Hoy ny Mpaminany SAW namaly azy hoe: Tsy mahafaly anao ve fa, ny eto an-tany fotsiny hoazy ireo fa, ny any ankoatra kosa dia hoantsika?! [Mouttafaquoun alayhi].

Ndao tsika hanao jery todika amin’ny fiainan’ny Mpaminany saw, ary indrindra moa taorian’ny nahafatesany. Rehefa maty dia tsy namela fananana na vola teto an-tany izy.

Nambaran’i Amri bin Al-Hârith hoe: “Ny Irak’i Allah (SAW) dia tsy namela na volamena na volafotsy, tsy andevo lahy na andevo vavy na zavatra hafa mitovy amin’izany, afa-tsy ny Ampodrany izay fotsy fihodirana sy ny fitaovam-piadiany ary ny tany izay nataony fanomezana”. {Al-Boukhari}.

Fa ny tena marina dia, ny Mpaminany Mohammad (SAW) dia, na ny Fitaovam-piadiany aza mbola natao antoka (na DEBAKA) tamin’ny Jiosy anankiray, ary telopolo (30) metatra kibo ampemba ny antoka tamin’izany. [Al-boukhari, mouslim&An-Nasai].

Ka ny fanontaniana mipetraka amin’izany dia ny hoe: Aiza ary ny fitiavana Donia sy harena amin’izany!!!

Fantantsika tsara momba ny Lehiben’ny Silamo faha-roa taorian’ny Mpaminany (SAW), tsy iza ary izany fa, omar bin Al-Khattwab (RA) izay tamin’ny fotoanany no nampivelatra ny Firenena Silamo. Nefa haintsika tsara fa na izy aza tratran’ny mosary tena marary tokoa tamin’ny fotoan’androny.

Ka ny teny malaza nambarany tamin’izany rehefa miresaka amin’ny kibony izy dia ny hoe: “Maresaha ianao na tsy haresaka, fa mifanta amin’i Allah izaho fa tsisy andro ho voky ianao raha tsy voky ny vahoaka Silamo”!!! (Araka ny nambaran’i Ibnoul-jaouzi momba ny tantaran’i Omar).

  • Tamin’ny ady Lehibe OHODY, rehefa teo anatin’ny ady tanteraka dia niteny i Mpaminany Mohammad (SAW) hoe: ”Mitsangana ianareo hoany amin’ny Paradisa, izay, ny velarany dia ny fitambaran’ny Lanitra sy ny Tany manontolo”. Ka rehefa naheno an’izany i Omair bin Al-Houmam, dia nanontany hoe: Ahoana tsara, paradisa mirefy mitovy amin’ny fitambaran’ny Lanitra sy ny Tany manontolo? Namaly azy ny mpaminany (SAW) hoe: Eka.

Ka hoy i Omair hatrany: Mahagaga kosa izany!

Inona ary no mahagaga anao amin’izany hoy Mpaminany (SAW) taminy?

Mifanta amin’ny Tompo Nahary izaho oh ry Irak’i Allah fa, tsy inona akory anaovako izany afa-tsy noho ny faniriana hoan’isany mponina amin’izany Paradisa izany aho. Ka ny Mpaminany SAW niteny azy hoe: Ianao dia anisany mponina amin’izany Paradisa izany. Rehefa naheno izany izy dia, navoakany ireo antrendry avy tao anaty fitoeram-balany izay vita avy amin’ny hoditra, ary nanomboka nihinana amin’izany antrendry izany izy, ary niteny hoe: “Raha hinana ireto antrendriko jiaby ireto aho dia, mbola fiainana lavabe loatra izany. Ka tonga dia natsipiny ireo antrendry izay sisa tavela teo an-tanany, ary tonga dia niady ny fahavalo izy mandrapaha nahafaty azy ho martiora”. [Mouslim].

  • Ireo fandresena lehibe voalohany sy fahazoan’ny Mpino silamo ireo Firenena maro manerantany dia hivelomani’izy ireo tsara sy ireo mpino silamo afaran’izy ireo ampiadanana. Nefa tsy nitsahatra hatreo izy ireo fa mbola nanohy hatrany, satria ny tanjona afan’ireo fandresena lehibe ireo dia ny fiarovana ny fampielezana ny Finoana Silamo ary ny fampitana azy amin’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.

 Tsy tanjona velively ny fakana ny harena sy ny fananana izay misy amin’izany firenena azon’ny Mpino Silamo izany. Ary betsaka dia betsaka tokoa ireo porofo mivaingana sady mazava fa, ny tanjona tamin’ny fidirana tamin’ireo firenena ireo dia, tsy noho ny resaka materialy na resaka fahafinaretana eto an-tany fa, nampisafidiny malalaka hatrany ireo vahoaka tamin’ny firenena izay nandalovany.

 Izany hoe: tsy noterena hiditra amin’ny Finoana Silamo izy ireo fa, izay te-hiditra dia hoazy ireo izay ananan’ny mpino Silamo, ary tsimaintsy manatanteraka adidy taka izy ireo koa.

 Fa izay manda tsy hiditra Silamo kosa dia tsimaintsy mandoa solon’antoka amin’ny fipetrahany amin’io firenena io, na izay mihatra manerantany amin’izao fotoana izao ny atao hoe: ”Viza na fahazoan-dalana “. Sandam-bola kely dia kely izay tsimaintsy aloany amin’ny FANJAKANA mba ho antoka amin’ny fiarovana azy na dia tsy manaraka ny Finoana Silamo aza izy. Ary faka miaina malalaka tahaka ny rehetra izy ireo. Ary tsisy adidy hafa izay takiana amin’izy ireo ankoatra izay. Nefa araka ny fantatra dia, ny mpino Silamo dia tsimaintsy mandoa hetra isan-taona izay mihoatra maro avoheny raha ampitahana amin’izay aloan’ireo tsy mpino Silamo nefa mipetraka amin’ny firenena Silamo.

Fa raha sanatria ka manda tsy hiditra amin’ny Finoana Silamo no sady tsy handoa viza, ary mbola manano sarotra ny fampielezana ny Finoan’i Tompo Ilay Nahary tsy ho tonga amin’ny olombelona ary lasa vatomisakana amin’izany dia, tsimaintsy hatao ny ady amin’ny fanoherana azy ireo.

  • Rehefa nilaozan’ny fahafatesana ny Lehibe miaramila izay voasokajy fa tena lehibe tamin’ny FANDRESENA izay azon’ny mpino silamo na ny fandresena tamin’ny ady rehetra izay niatrehany tamin’izy mbola tsy tanatin’ny Finoana. Izany hoe: Ny ady rehetra nandraisany anjara dia, naharesy avokoa, na tamin’izy mbola tsy Mpino Silamo, ary indrindra rehefa nanaraka ny finoana silamo izy dia nandresy hatrany ny mpino silamo.

Tsy iza ary izany fa, ny mpanaradia an’ny Mpaminany Mohammad (SAW), izay antsoina hoe: “KHALID IBNOUL-WALID. Nefa na dia Mpandresy malaza izy dia tsy mba nanana resaka fahafinaretana na vola aman-karena tamin’ny fiainana teto an-tany izy, afa-tsy Soavaly iray, sabatra ary zanaka lahy iray. Aiza ary ny fikasana resaka fahafinaretana sy rendrarendra ary resaka fandravana ny harenan’ny hafa amin’izany?!!!

  • Ary anisany porofo miharihary izay manambara fa, ny Tanjon’ireo Mpanao ady masina voalohany dia tsy inona akory afa-tsy noho ny fampielezana ny Finoana Silamo. Araka izay nambaran’i Shaddady Bin Al-Hady (Radia Allaho ‘Anho) hoe: ”Indray andro nisy lehilahy iray tambanivolo tonga ka nino an’i Mpaminany Mohammad (SAW) ka nilaza izy hoe: Izaho dia hifindramonina miaraka aminao. Ka nampirisika an’i Mpaminany SAW ny sasany tamin’ireo namany mba hanaiky ny fangatahan’ilay tambanivolo iny. Ka niatrika ady marobe niaraka tamin’ny mpino silamo izy, ary nisy zavatra azon’ny mpino silamo tamin’ny fandreseny tamin’izany.

Ka nozarain’ny Mpaminany saw tamin’ireo mpanaradia azy ny ampahan’ny fandresena ary hoan’ilay tambanivolo ny ampahany. Inona ary ity oh ry Mpaminany?

Ka hoy Mpaminany saw taminy hoe: Anjaranao io, nozaraiko hoanao.

Tsy nohony izao mihitsy no nanaovako vely rano taminao oh ry Mpaminany.

 Fa ny antony nanarahako anao dia, ny mba hitifirako ny fahavalo ary mba hovoatifitra koa aho eto amin’ny tendako izao. Ary ho faty aho amin’izany mba hidirako amin’ny Paradisa.

Ka hoy ny Mpaminany Mohammad (SAW) hoe: ” Raha miteny marina amin’i Allah ianao dia ho tanterahiny izay tadiavinao”. Nijanona kelikely izy ireo dia rehefa aveo lasa niady ny fahavalo, ka tonga dia maty izy rehefa voatifitra tamin’ny tendany, ary nentina tany amin’ny Mpaminany Mohammad (SAW) ny fatiny. Ary teo amin’ny faritra ny tendany izay notondroiny iny mihitsy no nidiran’ny bala. Ka rehefa tonga tany amin’ny Mpaminany Mohammad saw dia, nanontany izy hoe: ”Tena Izy ve io” ?. Namaly azy ireo Mpanaradia azy fa tena izy tokoa io maty io. Hoy ny Mpaminany saw tamin’izay hoe: ”Niteny marina izy tamin’i Allah dia notanterahiny ny fikasany”. Ka nofonosina tamin’ny lamban’ny Mpaminany saw izy, ary i Mpaminany mihitsy no nivavaka taminy rehefa naterina teo anatrehany ny vatamangatsiakany izay avy nampandroina.

Ka anisany zavatra niteneny (SAW) tamin’ny vavaka amin’ny maty izay nataony tamin’io lehilahy io tamin’izany dia izao manaraka izao: ”Oh Allah! Tena marina fa, io mpanomponao io dia, nivoaka hifindramonina amin’ny lalanao ka maty martiora, ary Izaho dia mijoro vavolombelona an’izany”. [An-Nasai, swahihout-Targhib wat-Tarhib/1336].

  • Ary be dia be tokoa izay nisoratan’ny TANTARA ISLAMIKA mahakasika ny fahavononana sy fahadiovam-po izay manambara fa, ny tanjon’ireo mpino silamo teo aloha dia tsy resaka fitadiavam-bola aman-karena eto an-tany fa, ny FAMPIELEZANA ny FINOANA SILAMO sy ny fampitana azy hoan’ny olombe rehetra maneran-tany mba ho fampiharana ny tenin’ny Mpaminany Mohammad saw sy mba hatongavana amin’ny fahombiazana lehibe izay nampanantenainy rehefa nanambara Izy hoe: ”Tena marina fa, raha manitsy olona anankiray i Allah amin’ny alalanao, izany dia tsara lavitra hoanao nohony Rameva mena” {Satria ny rameva mena dia anisany zavatra tena manan-danja tamin’ireo Arabo. Izany hoe; Tsara mandilatr’izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra izay misy ao aminy}. (Mouttafaquoun alayhi). Ary tena betsaka tamin’ireo mpino voalohany no very harena sy fianakaviana, ary very voninahitra sy fahefana rehefa niditra tamin’ny finoana Silamo. Misy amin’izy ireny noho ny antony sakantsakana avy amin’ny fianakaviany, satria mety tsy mankasitraka izany izy ireo.

 Misy koa ny sasany noho ny fiarovany sy fanampiany betsaka ny Finoana silamo amin’ny famoahany ny vola aman-karena izay ananany mba hampisandratra avo ny Finoana Silamo. Araka izay hitantsika tsara tamin’ny Ady Nihaonde fa, ny Mpanaradia an’ny Mpaminany saw izay antsoina hoe; an-Nou’man bin Mouqrine Al-Mouzany, rehefa hanomboka ny ady masina dia nanao izao vavaka manaraka izao izy: ”Oh Allah! Ataovy matanjaka ny Finoanao, ary avoty ireo mpanomponao, ary ataovy ho voalohany maty martiora i An-Nou’man amin’izao androany izao. Oh Allah! Mangataka aminao aho aoka mba hitondra fahafaham-po hoahy ny fandresena androany izao sady hitondra tanjaka hoan’ny finoana silamo”. Nambarany tamin’ireo namany hoe: ” Mitenena Amine daholo ianareo. Izany hoe; Oh Allah! Raiso ny vavakay. Enga anie mba hanana indra-fo aminareo i Allah”. Midika izany fa, hitondra inakinaka sy hasoavana hoazy ireo izany vavaka nataony izany raha miteny Amine izy ireo. Moa ve mba misy resaka hetaheta sy rendrerendra amin’ny fiainana eto an-tany izay rehetra niseho izay?

Ndao tsika hihaino ny tatitra izay nataon’ireo Irak’i Almokaokasy rehefa niverina avy tamin’i Amri ibnoul-As (RA) tamin’ny fotoana nakana ny faritra Hisno Babylone, ka nambaran’izy ireo tamin’izany dia ny hoe: ”Izahay dia mbola tsy nahita vahoaka mitovy amin’ireto olona ireto, izay ny fanetren-tena no tiany lavitra toy izay ny voninahitra, tsisy amin’izy ireo mba maniry ny fiainana eto an-tany izany fa, safidin’izy ireo mihitsy ny fipetrahana ambony tany fa tsy ambonin-javatra avo akory.

 Ny Lehibe amin’izy ireo dia mitovy amin-dreo jiaby izay tsy hay avahana akory. Tsisy mampiavaka ny toeran’ny zoky sy ny zandry, ary ny Lehibe amin’ny andevo fa mitovy daholo”.

 

Ka mahakasika an’izay indrindra no nahatonga ny Mpanoratra malaza antsoina hoe; THOMAS CARLYLE no namely ao amin’ny Bokiny atao hoe “Les Heros” ny tenin’ireo izay miteny fa, ny finoana Silamo dia tsy niely raha tsy tamin’ny alalany angovo sy Sabatra, nefa inona ary no hilana sabatra teo amin’ny fampielezana ny Finoana Silamo?

 Tsy inona ary no tsy zakan’ireo fahavalon’ny Finoana Silamo afa-tsy nohony fahamarinany, izay nitondra FOTO-KEVITRA vaovao izay nentin’ny Lehilahy anankiray. Satria ny zavatra ninoany dia zavatra Tokana, ary raha olon-tokana hanohitra an’izao tontolo izao hampiasa sabatra dia mifanta amin’Ilay Nahary aho fa, tsy ho tanteraka velively izany.

 Fa raha araka ny fahitako azy hoy hatrany Thomas Carlyle, dia ny fahamarinana mihitsy no miparitaka amin’ny fomba rehetra na dia tsisy manosika aza izany. Tsy tadidinareo ve fa ny Finoana Kristianina dia tsy menatra mihitsy nampiasa sabatra indraindray, ary hitanareo tsara ny nanaovan’ingahy Charlemagne ireo Foko Sexons? Ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe; Moa ve ny fahamarinana nanjaka tamin’ny alalan’ny sabatra, vava, na koa fitaovana hafa mitovy amin’izany?

Aoka havelantsika hiparitaka ny fahamarinana amin’ny alalany taratasy na gazety na amin’ny alalan’ny poabasy. Avelantsika ny fahamarinana hiady amin’ny tanany sy tongony ary ny hohony. Tena marina fa, mandrak’izay, ny fahamarianana dia tsy ho resy afa-tsy izay tokony ho resy ihany.

 

 

 

NY FOTO-KEVITRA IJOROAN’NY FAMPIANARANA SILAMO DIA MANOHITRA NY HERISETRA SY NY HAMAFISAM-PO

Ny FINOANA Silamo dia, finoana feno indra-fo, feno fahalefahana sy fahatsoram-po, izay miady amin’ny herisetra sy fankasarotana zavatra amin’ny fiainana. Ka noho izany mihitsy no iantsovan’ny Finoana Silamo mba hanaraka ny SORI-DALAN’NY Mpaminanin’ny Finoana Silamo, araka izay ambaran’ny Tompo Allah Ilay Avo indrindra ao amin’ny Boky Masina Kor’any manao hoe; ”Fa noho ny Indra-fo avy amin’ny Tompo Allah, dia lasa nalefaka tamkin’izy ireo ianao! Far aha ianao no sarotiny sy mafy fo, dia nisintaka ny manodidina anao izy ireo” [Aal-‘Imrân:159].

Izany hoe; ny Finoana Silamo dia, mampianatra momba ny indra-fo, fahalefahana ary ny fangorahana ny marefo sahirana rehetra. Ka manamafy an’izany ny Tenin’ny Mpaminany Mohammad {SAW} manao hoe: ”Ireo mpangoraka ny hafa, dia hangoraka azy ireo Ilay be fiantrana, ka noho izany dia mba manana inakinaka amin’ny eto ambonin’ny tany fa, hangoraka anareo ny avy any andanitra”. [Swahih al-jami’ atTirmithi:3522/As-Swahihah:925].

Ny fahatsoran’ny Finoana silamo no mampanantena ny olombelona hanao soa amin’ny biby mba hazahoany fahasoavana lehibe. Satria noho ny fananana inakinaka sy fanaovana soa amin’ny biby izay tsy mahay miteny no hahatonga ny olona anankiray ho voafafa heloka ha ho tafiditra any amin’ny Paradisa. Hoy ny Mpaminany Mohammad saw hoe: ” Indray nisy lehilahy rehefa nandeha tamin’ny lalana izy dia sendra nangetaheta mafy, ka rehefa nahita vovon-drano izy dia nivarina tao ka nisotro rano. Ka rehefa nivoaka avy tao izy, dia nahita alika izay efa milelalela mihinana tany noho ny hamafin’ny hetaheta izay nahazo azy. Niteny amin’ny tenany ilay lehilahy hoe: Tena mitovy amin’ny nahazo ahy ny hetaheta mahazo an’ity alika ity. Ka rehefa niditra tao anaty vovon-drano ilay lehilahy dia nofenony rano ny kirarony ary notazominy amin’ny vavany izany, mba hafahany hiakatra avy ao anaty vovon-drano. ary aveo dia nampisotrony ilay alika, ka tena faly taminy tokoa i Allah, ka namela heloka azy”. Ka nanontany an’ny Mpaminany {saw} ireo Mpanaradia azy hoe: Oh ry Irak’i Allah! Moa ve mahazo valisoa izahay amin’ny fanaovana soa amin’ny biby? Ka namely izy 9SAW0 nanao hoe: Ny fanaovana soa amin’ny zava-manan’aina rehetra dia ahazoana valisoa. {Mouttafaquoun alayhi/Al-Boukhari}.

Ary noho ny antony fampijaliana ny biby sy ny tsy fangorahana azy ary ny tsy fanehoana inakinaka aminy no nampihatra ny hatezeran’i Allah tamin’ny vehivavy anankiray ka nahatonga azy tafiditra anatin’ny afobe, araka izao tenin’ny Mpaminany Mohammad saw manaraka izao: ” Nisy vehivavy anankiray tafiditra anatin’ny afobe taorian’ny fahafatesany noho ny antony izy nampijaly piso anankiray ka maty ilay piso.Tsy nomeny sakafo na rano fisotro ilay piso, no sady tsy navelany handeha hihinana biby kely (insects) ambony tany. [Mouttafaquoun alayhi].

Betsaka dia betsaka tokoa ireo toro-lalana masin’ny Mpaminany SAW izay mamporisika amin’ny fanaovana soa sy fangorahana ny biby. Ka raha izay no indra-fon’ny FINOANA Silamo mahakasika ny biby, inona ary no hambaranao momba ny olombelona izay nosafidin’ny Tompo Allah sady nasandratriny ambonin’ny zava-boary rehetra.

 

NY FITONDRANA MIARAMILA AMIN’NY SILAMO SY IREO MPIADY DIA MANAZAVA NY FAHAMARINAN’NY FINOANA SILAMO SY NY FANKAHALANY NY TSINDRIHAZOLENA:

Raha ny ady no resahana amin’ny finoana silamo dia mazava hoazy avy hatrany fa, tsy hetahetam-pon’ny Mpino Silamo ny fiadina.

 Ary anisany manaporofo an’izany dia ny fananan’izy ireo fahaizana mahakasika ny zavatra maro sy ny fampiasana ny resaka teknika tahaka ny; Matematika, ny fitsaboana, ny Siansa, momba ny toetry ny andro, ny sambo, ny fanamboarana trano, ny haingo sy ny talenta momba zavatra maro isankarazany.

 Nefa izy ireo dia tsy mba niezaka na kely aza mba hanamboatra fitaovam-piadiana ary tsy mba manana eritreritra hiady ny hafa izany. Hita fa, hadisoana lehibe izany, satria manko ny fahavalo dia tsy maty voalavo ankibo ka miketrika hatrany hanafika sy hanapotika hatrany ny finoana Silamo. Izany hoe; manana zo hanana fitaovam-piadiana ny Mpino Silamo mba ho fiarovan-tena amin’ny teti-dratsin’ny fahavalo izay miara-miaina amin’izy ireo amin’ny fiainana andavan’andro.

 Satria iaraha-mahalala fa, ireo fahavalo dia miezaka manaparitaka ny haratsiana manerantany. Ary efa nambaran’ny Tompo Allah swt ny dikany atao hoe: FAMPIHOROHOROANA, ao amin’ny Boky masina Kor’any ka miteny iIzy manao hoe: ”Aoka ianareo hiomana tsara araka ny fahafahanareo, amin’ny hery rehetra sy ireo Soavaly voaomana, mba hampivarahontsana ireo fahavalon’ny Tompo Allah, no sady fahavalonareo”. [Al-anfal, v:60].

Ka ny tena zava-dehibe dia ny tokony hananan’ny Mpino Silamo FIAROVANTENA mafy tsara, mba hafahana hampitahotra ny fahavalo raha sanatria ka mieritreritra hanafika ny Mpino Silamo izy ireo.

 Fa ilay teny FAMPIHOROHOROANA voalaza ao amin’ny Kor’any dia tsy midika ho fampitahorana ireo olona marina sy ireo olona tsy manantsiny akory.

 Ary tsy midika ho fitiavana mamono olona fahtany na tehahita olona manehoka marary na tehaheno fitarainan’ireo traboina na tehanangana sarivongana amin’ny fahafatesan’ny sasany na ho fanasaziana ny fianakavian’ny hafa velively.

Raha tadidintsika tsara ny tantaran’ny SWALAHOUDDINE AL-AYOUBI rehefa nandresy ny fahavalo izy dia izy mihitsy no mikarakara sady mitsabo ireo traboina avy amin’ny miaramilan’ny fahavalo.

 

Mandalo mijery azy ireo izy sady mampisotro rano azy ireo ary mitomany izy nohony fahavoazana izay tsy niniana. Raha ny ady masina amin’ny FINOANA SILAMO dia, tsy natao ho tahaka ny fahafinaretana fa, natao ho fanoherana ny tsindrihazolena sady fanaparitahana ny fahamarinana sy fandriampahalemana amin’ny fiarahamonina sy ny tokantranon’ny tsirairay.

 

Ary fantantsika rehetra fa, ny fototry ny FIFANDRAISANA amin’ny vahoaka maro samy hafa raha amin’ny finoana Silamo dia ny FANDRIAMPAHALEMANA sy ny antoka, ary fahatokisana.

Fa raha sanatria ka misy manana fikasan-dratsy ireo fahavalo, dia izay mihitsy no nandidian’ny Tompo Allah swt ny tsimaintsy hanaovana ady masina mba hiarovana ny Firenena sy ny Finoana.

Nefa ataovy tsara an-tsaina fa, tsy tonga dia hiditra amin’ny ady avy hatrany izany fa tsimaintsy mandalo dingana marobe sy fifampiresahana ary fandresen-dahatra mba tsy hidirana amin’ny ady.

Tsimaintsy tanterahina ny ady masina noho ny antony dimy (5) manaraka izao;

 

  1. Fiarovantena sy ny fianakaviana ary ny Firenena, araka izay nambaran’ny Tompo Allah ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ” Ary mirotsaha an’ady ianareo amin’ny lalan’i Allah mba hanohitra ireo izay mandringana anareo, kanefa aoka ianareo tsy hihetraketraka. Hamafisina, fa i Allah dia tsy mankatia ireo izay mpihetraketraka. (Al-Baqarah, v:190).

 

  1. Fanoherana ny tsindry hazolena izay ataon’ireo mpanao ny tsy rariny ary fanavotana ireo voageja tsy ara-dalana, ka noho izany no hisokajiana ny ady masina amin’ny Finoana Silamo ho resaka mahaolona. Manamafy an’izany ny tenin’i Allah swt manao hoe: ”Ary inona no manakana anareo tsy hiady amin’ny lalan’i Allah, fa ireo nizaka ny fandemena tamin’ireo lehilahy, sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy aza milaza hoe: Tompo Zanaharinay o! Esory amin’ity Tanana fonenan’ny mpanao tsindrihazolena ity izahay, ary aoka ianao hanendry sakaiza mpitarika ho anay, ary aoka ihany koa ianao no hanendry mpamonjy ho anay”. {An-Nisa, v:75}.

 

  1. Raha misy fivadihana amin’ny velirano sy tsy fanatanterahana ny fifanarahana dia, tsimaintsy hiditra amin’ny ady masina ihany koa, araka ny nambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: ”Ary raha sanatria ka nivadika tamin’ny teny nataony izy ireo taorian’ny fifanarahana niaraha-nanaiky, ary mbola manenjika ny finoanareo izy ireo ankehitriny, dia aoka ianareo hiady amin’ireo mpitarika amin’ny tsy finoana, satria tsy mitana ny teny nataony izy ireo; mba hitsaharan’izy ireo”. “ Fa nahoana ianareo no tsy manohitra ireo olona nivadika tamin’ny FIFANARAHANA, izay nikasa mafy handroaka ilay Iraka, nefa izy ireo no namely anareo voalohany? Matahotra azy ve ianareo? Nefa Allah no mendrika hatahorana raha mpino marina ianareo! [At-Taoubah, v: 12-13].

 

  1. Famaizana ireo mpandika lalana izay mivoaka ny FINOANA SILAMO, izay tsimaintsy

Hampiharana fahamarinana sy fampihavanana, araka ny nambaran’i Allah manao hoe: ”Fa raha miady ny andiany roa amin’ireo Mpino, dia aoka ianareo hampihavana azy ireo. Raha mikomy ny anankiray amin’izy ireo hanohitra ny anankiray hafa, dia aoka ianareo hiady amin’ilay mikomy mba hanarahany ny didin’i Allah. Fa raha manaraka izany izy, dia ampihavano amim-pahamarinana, ary aoka ianareo hanao ny rariny, fa Tia ireo mpanao ny rariny Allah”. {Al-houjourati, v:9}.

 

  1. Fiarovana ny FINOANA amin’ny fihoafam-pefy izay ataon’ireo olon-dratsy izay tsy mataho-tody, ary ady amin’ireo mety ho vato-misakana amin’ny fampiharana ny Lalanan’i Allah hoan’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, na koa ireo mampijaly izay mino na manakana izay tehiditra amin’ny Finoana Silamo. Satria izany dia, noho ny antony fa, ny Finoana Silamo dia “FAMPIELEZANA HOAN’IZAO TONTOLO IZAO” fa, tsy natokana hoan’ny vondron’olona fa, natao hoan’izao tontolo izao.

 Manana zo malalaka hihaino ny hafatra momba ny finoana Silamo ny olombelona rehetra ary mila mahafantatra ny tena hafatra, sy ny tombontsoa maro isankarazany ary ny fahitsian’ny Finoana amin’ny fampiharana ny fahamarinana eo amin’ny rehetra. Ary izay resy lahatra dia malalaka hiditra amin’ny Finoana Silamo.

Fa raha mahaksika ny FANJANAHANTANY sy fanamparana fahefana mba hanangonana sy hakana ankeriny ny harenan’ny vahoaka sy ny firenena marefo ara-pitaovam-piadiana na koa ireo ady izay mitondra endrika ho valifaty, dia mazava hoazy fa ny vokany dia ny fahapotehana sy fahasimbana betsaka.

 Na koa ireo ady mba ho fampisehoana bokon’ozatra sy mba halaza ho fantatr’izao tontolo izao, dia noraran’ny FINOANA SILAMO tanteraka daholo izany rehetra izany.

Satria raha amin’ny finoana silamo dia atao hoan’ny Tompo Allah swt ihany ny ady, ary noho ny fanandratana avo ny finoany, fa tsy sanatria natao nohony sitra-po na hetahetam-po manokana na ho fitadiavana tombontsoa manokana eto antany. Hoy Allah swt mahakasika izany: ” Ary aza manahaka ireo olona izay nivoaka ny fonenany mba hirehareha sy hisehoseho amin’olona, ary mbola misakana ny lalan’i Allah. Fa mahafehy izay ataon’izy ireo Allah”. [Al-anfal, v:47].

 

 

 

ANTOKA MOMBA NY ADY MASINA AMIN’NY FINOANA SILAMO

Na dia azo atao amin’ny finoana Silamo ny manao ady masina nohony antony lehibe dia, misy ny antoka sy fomba mendika izay ampianarina ao amin’ny Finoana Silamo ihany koa. Araka izay nambaran’ny Mpaminany Mohammad saw hoe: ”Miadiva amin’ny Anaran’i Allah amin’ny lalan’ny Allah, iadivo izay mikomy, miadiva fa, k’aza mamitaka (K’aza mamitaka amin’ny zavatra azo avy amin’ny ady, satria ny fitaka dia ny fakana tsy rariny ny zavatra azo avy amin’ny ady alohany hizarana izany.

Fitaka no iantsoana azy satria izay manao an’izany dia mamitaka ny tenany amin’ny fanafenany izany amin’ny entany) k’aza mivadika ianareo (izany hoe: K’aza mivadika amin’ny fanarahana) (k’aza ovaina ny endrik’ireo maty avy amin’ny fahavalo, amin’ny fanapahana ny orony sy ny sofiny) ary k’aza mamono ankizy ianareo”. [Mouslim].

 

Nambaran’ny Lehiben’ny Mpino Silamo Voalohany Abou Bakr As-swiddiq (RA) tamin’ny lehiben’ny Miaramilany rehefa handefa azy ireo hiady, hoe: Mijoroa ianareo fa misy hafatra folo (10) homeko anareo; ”K’aza mamitaka ianareo, kaza mangalatra, kaza mivadika, kaza manimba na manao vetaveta, kaza mamono ankizy kely, kaza mamono olona be antitra na vehivavy, kaza mandrodana antrendry na mandoro, kaza manapaka hazo fihinamboa ary kaza manao sorona ondry na omby na rameva, afa-tsy izay hohaninareo ihany.

Ka raha sendra mandalo amin’ny vahoaka izay mialokaloka amin’ny toeram-pivavahany dia avelao izy ireo fa, k’aza henjehina intsony izy ireo, satria efa tsiafa manohitra intsony izy ireo”. [At-Twabri, page:226].

NY GADRA ARAKA NY LALANA SILAMO

 

Tsiazo atao amin’ny Finoana Silamo no mampijaly ny voafonja, na manambany azy na mampihorohoro na mamono azy amin’ny fomba feno habibiana.

Ary tsiazo atao koa no mampifilafila azy ireo amin’ny resaka sakafo na rano fisotro mandrapahafatiny.

 

Satria Tompo Allah Ilay Avo indrindra dia miteny ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Manome sakafo hoan’ny mahantra izy ireo, ny Kamboty, sy ny gadra (Voababo) na dia eo aza ny fitiavany izany, (8) ka miteny izy ireo hoe: ”Noho ny Voninahitr’i Allah Zanahary no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay”. {Al-insan, v:8-9}.

Ka noho izany dia, ny finoana Silamo dia mampirisika hatrany amin’ny fanaovana soa an’ny voafonja sy fanehoana fahamendrehana amin’izy ireo ary ny fangorahana azy ireo koa.

 

Ataontsika jeritodika ny tantaran’ny Abou Aziz bin Omair izay rahalahin’ny Mous’ab bin Omair raha niteny izy hoe: ”Izaho dia anisany gadra tamin’ny Ady Lehibe BADR. Ka hoy Mpaminany Mohammad (saw): Mendreha ianareo manoloana ireo gadra ireo. Ary izahay tamin’izany dia avy tamin’ny vondron’ny Answar (Mponina tao Madinah). Ka rehefa tonga izy ireo miaraka amin’ny sakafony amin’ny maraina sy hariva dia mihinana antrendry izy ireo ka ampihinanindreo ny tsara indrindra amin’izany koa aho, satria noho ny anatry Mpaminany Mohammad (SAW)”. [Al-mou’jam As-swaghir, pejy 250/Hadith Nujmero:409].

 

Ny finoana silamo dia, manamafy ny fikarakarana ny gadra, ka nambarany Mpaminany (saw) momba izany hoe: ”Votsorinareo ny gadra, ampihinano ny mosary ary vangio ny marary. [Al-Boukhari, pejy:1109. Hadith numero:2881].

 

FOMBA FITONDRANA NY FIAINAN’IREO RESY TAMIN’NY ADY MASINA

Raha amin’ny finoana Silamo dia tsiazo atao ny manitsakitsaka ny voninahitr’izy ireo, na ny fandrobana ny fananany, ary tsiazo atao no manala Baraka azy ireo na manambany azy ireo aza.

Tsiazo atao ny mandrodana ny trano fonenan’izy ireo, na mamaly faty azy ireo raha niaiky resy izy. Fa ny fampihavanana aminy no tokony hatao sy ny famporisihana amin’ny fanaovana tsara ary fandrarana amin’ny fanaovana ny asa ratsy, ary ny fampiharana ny FAHAMARINANA.

 Satria hoy Allah swt manao hoe: ”Ireo izay, raha omeko ny hery ety ambonin’ny tany, dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahana (SOALAH) izy ireo, manome ny harena fiantrana (ZAKAT/mamoaka ny ampahan-karena), ary mampirisika amin’ny tsara izy ireo, sady mandrara amin’ny ratsy. Fa ny fiafaran’ny zavatra rehetra dia an’i Allah”. {Al-Hajj, v:41}. Ka noho izany dia, manana fahalalahana feno hanaraka ny Finoany izy ireo ary tsisy fanelingelenana na teritery akory amin’izany.

 Tsiazo arodana ny Fiangonan’izy ireo ary tsiazo potehina koa ny Hazo famantarana ny hasin’ny Finoany.

Ary anisany porofo mivaingana amin’izany antoka sy fanarahana lehibe izany dia, ny fanomezan’i Omar bin Al-Khattwab (RA) hoan’ny Mponina tao Jerosalema, rehefa nandresy ka azony ny Fitantanana ny Masjid Lehibe ao Palestine tamin’ny fotoana izay nitondrany.

Izao manaraka izao ny taratasy nalefany tamin’izany; ” Amin’ny Anaran’Andriananahary, ilay be Fiantrana, Ilay be Indra-fo. Izao no fanomezana hoan’ny vahoakan’ny Jerosalema avy amin’ny andevon’ny Tompo Allah, omar bin Al-Khattwab, lEHIBEN’NY Mpino Silamo mba ho antoka hoazy ireo; nanome antoka azy ireo Izy mahakasika ny fiainan’izy ireo, ny fananany, ny fiangonany ary ny famantarana ny fisian’ny Fiangonany. Tsisy fanerena momba ny finoany ary tsisy hanenjika na iray amin’izy ireo aza fa, afaka manaraka ny finoany ankalalahana izy ireo”. Moa ve mba efa nijoro vavolombelona ny tantaran’izao tontolo izao fa, ny Mpandresy matanjaka mitovy aminy indray no manome fahalalahana sy maneho fahamendrehana hoan’ireo fahavalony izay resiny tamin’ny ady?! “.

Raha tian’ny Lehin’ny Mpino Silamo, omar bin Al-Khatwab (RA) hatao dia, vitany tsara mametraka FEPETRA maro isankarazany amin’ireo izay resiny tamin’ny Ady. Nefa izy dia nisafidy ny hampihatra ny FAHAMARINANA sy LALANAN’NY Tompo Allah Ilay Avo indrindra hoan’ny rehetra tsy ankanavaka; mpino Silamo izany na tsy Mpino dia mitovy daholo ny lalana mifehy azy. Izany tsisy ambonin’ny Lalana fa samy ambanin’ny lalana avokoa.

Malalaka izy ireo hinana na hisotro izay zavatra nambaran’ny finoany fa azo hanina sy azo sotroina. Afa-tsy ny famonoana kisoa sy fisotroana toaka ary ny fibobohana ny zavatra mahadomelona izay voarara ao amin’ny Boky masina rehetra ny fanaovana izany. Ary indrindra moa ny Baiboly sy ny Boky masina Kor’any dia, mandrara tanteraka an’izany.

Fa raha mahakasika ny raharaham-piainana mahaolona tahaka ny; fANAMBADIANA, fISARAHAM-PANAMBADIANA ary ny FANDRAHARAHANA ARA-BOLA dia, malalaka izy ireo amin’ny fanatanterahana izay hinoany sy arak any Fivavahana arahiny.

 

NY FIAINAN’IREO TSY MPINO SILAMO AMIN’NY FIRENENA SILAMO

Ireo tsy mpino Silamo izay nanaiky hipetraka amin’ny Firenena Silamo dia, tsiazo atao no manao tsindrihazolena amin’izy ireo, na ny tsy fanomezana ny zony ary ny tsy fanajana ny fiarahamonina miaraka aminy. Satria nambaran’i Allah hoe: ”Tsy manakana anareo hanao ny tsara i Allah, sy hanao ny marina amin’izay tsy niady taminareo noho ny Finoana, sady tsy nadroaka anareo tamin’ny fonenanareo. Satria tena marina fa, tia izay manao ny marina Allah”. [Al-moumtahanah, v:8].

Ka noho izany mihitsy no nanambaran’ny Mpaminany Mohammad saw hoe: ”Tandremo! Fa izay manao tsindrihazolena amin’ny olona izay nomena antoka momba ny fiarovana, na nanitsakitsaka ny zony, na nampiasa azy mihoatra ny heriny, na koa naka ankeriny amin’ny fananany, fa izaho no hisolovava azy amin’ny Andro Fitsarana Farany”. {Abou Daoud/ As-swahihah:445}.

Fa mila atao tsara ny fifandraisana amin’izy ireo sady atao ampitiavana ary miezaka manao zavatra mahasoa azy ireo ihany koa. Satria nambaran’i Anas (RA) : ” Nisy tanora lahy izay mpanao asan’ny Mpaminany SAW dia narary izy indray andro.

Ka hoy ny Irak’i Allah saw tamin’ireo Mpanaradia azy hoe: Ndao tsika handeha hamangy azy. Ka rehefa tonga tany izy ireo dia, hitandreo fa, ny Dadany dia nipetraka teo akaikin’ny lohany.

 

 Hoy ny Irak’Allah (SAW) taminy hoe: Mitenena fa tsy misy Tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah, fa hanelanelana hoanao amin’ny alalan’izany Izaho amin’ny Andro farany.

Nitodika tany amin’ny Rainy izy (mangataka alalana). ka hoy ny rainy taminy hoe: Ekeho ny tenin’ny Dadan’i Kasimo (Mpaminany SAW). Ka nanaiky ilay tanora niteny hoe: Izaho dia mijoro vavolombelona fa, tsy misy Tompo azo tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak’i Allah. Falifaly Mpaminany (SAW) ka niteny hoe: {Dera sy voninahitra rehetra ary ny fankasitrahana dia hoan’ny Tompo Allah, izay nanavotra azy tsy hiditra amin’ny Afobe”. [Swahih ibn Hibban, pejy:227. Hadith numero;2960].

 

Ity indray ny tantaran’i Abdoullah bin Amr, rehefa indray andro namono ondry hoan’ny fianakaviany dia nanontany izy nanao hoe: ”Mba efa nomenareo ve ilay jiosy mpifanolo-bodirindrina amintsika, efa nomenareo ve ilay jiosy mpifanolo-bodiridrina amintsika?

 Satria hoy izy fa, naheno an’ny Mpaminany Mohammad saw izaho niteny hoe: Ny Anjely Jibril/ Gabriel dia nananatra ahy hatrany mahakasika ny mpifanolo-bodirindrina amiko, ka nahatonga aho nieritreritra fa, mety hampandovany ahy angamba ilay olona mpifanolo-bodirindrina tamiko”. {At-Tirmizi, pejy:333. Hadith laharana;1943}.

 

 

 

NY FOTOTRA FAMPIANARAN’NY FINOANA SILAMO DIA, mAMETRAKA FANDRIAMPAHALEMANA FENO, sATRIA NY FINOANA SILAMO DIA MIANTSO AMIN’NY:

  1. Fanomezana voninahitra ny vatana mahaolombelona, satria ny olombelona dia feno hasina sady ambonin’ny zava-drehetra izay manana ny toerana sahaza azy. Ka noho izany no nandidian’ny Finoana Silamo ny atao hoe: ” valin-dratra” ary nandidy amin’ny tsimaintsy hamonoana izay namono an-tsirapo.

 Fa raha toaka nahafaty tsy fidiny izy dia misy lalana hafa no napetraky ny Finoana Silamo, izany hoe: Fanaovana tete-ra. Izay misy ampahan-karena tsimaintsy homena ny fianakavian’ny maty, ary io vola io dia tsy midika ho lanjan’ny maty fa, mba ho fandravonana ny ratra nanjo an’ny fianakavian’ny maty. Ka ny Onitra amin’izany dia, ny Famotsorana andevo anankiray. Fa raha tsy mahita na tsy afaka manatanteraka an’izany dia tsimaintsy manao Fadin-kanina mandritra ny roa (2) volana mitohitohy.

 Fa raha sanatria ka mbola tsy afaka manatanteraka an’izany dia tsimaintsy mampihinana mahantra (60) Enim-polo. Izany Fanatanterahana Onitra izany dia, FANOMPOANA mba ho fanatonan’ny mpanao fahotana an’ny Tompony Allah swt, ka manantena ny Famelan-keloka amin’ny Fahotana izay nataony tsy fidiny.

Tanterahina izany mba ho fiarovana ny zo mahaolombelona sy mba hiainan’ny tsirairay ampahatoniana, sady fampitandremana hoan’ireo mpihoa-pefy sy mpanao heloka bevava amin’ny resaka vonoan’olona tsy rariny.

Satria izay mahafantatra fa, tsimaintsy ho vonoina izy raha mamono olona dia matahotra ny haratsian’izany izy ka mitsahatra.

Fa raha toa ka, tsy vono no valiny omena izay mpamono olona dia, hiradana izy amin’ny fanaovana asa ratsy isankarazany, satria tsisy hatahorany intsony.

 Ary ny didy rehetra momba ny fandikan-dalana dia, efa nofaritan’ny Finoana Silamo araka ny heloka izay ataon’ny mpandika lalana.

 Fa raha ny resaka sazin’ny famonoan’olona dia, natao hentitra izany, mba hiarovana ny ain’olombelona sy ny zony. Ka hoy Allah swt manao hoe: ” Ary hoanareo ny VALIN-KELOKA dia, natao ho fitandrovana ny aina, oh ry matsilo saina! Izany dia mba hahatonga anareo ho fatra mpitandrina”. [Al-baqarah, v: 179].

 

 Ary tsy vitan’ny sazy eto an-tany fotsiny ny famaizana hoan’ny mpamono olona fa, efa misy sazy hafa miandry an’izay mpamono olona tsy ara-dalana any amin’ny andro farany any, izay hiharan’ny hatezeran’ny Tompo Allah eto antany, ary hahazo sazy mavaivay rehefa tonga ny Andro Fitsarana Farany. Hoy Allah swt manao hoe: ” Ary izay mamono mahafaty mpino an-tsitrapo, dia ny afobe no hoazy nohony vokatry ny asany, hitoetra ao mandrakizay izy. Ary tezitra aminy Allah no sady manozona azy, ka hanomana famaizana lehibe ho azy”. {An-Nisa, v:93}.

 

  1. Ny Finoana Silamo dia mahita fa, ny olombelona rehetra tsy ankanavaka lahy izany na vavy fa, tsisy tonga lafatra raha jerevana ny foto-pihariana ny zanak’olombelona. Manaporofo an’izany Tompo Allah swt manao hoe: ”Ry olombelona! Aoka ianareo hatahotra ny Tompo Zanaharinareo izay Nahary anareo rehetra avy tamin’ny vatana tokana, ary dia Nahary ny Andefimandriny avy aminy, ka nampiely lehilahy maro sy vehivavy ihany koa avy tamin’izy roa. Ary aoka ianareo hatahotra an’i Allah Izay hangatahanareo mandrakariva, lalao ny Fihavanana. Hamafisina, fa Manara-maso anareo mandrakariva Allah. [An-Nisa, v:1].

 Ary nambaran’ny mpaminany saw: ” Ny Olombelona dia avy amin’i Adama, ary i Adama dia namboarina avy tamin’ny tany”. [Ahmad]. Ka noho izao tsy fitongilanana amin’ny zo izay napetraky ny Finoana Silamo dia, mitovy daholo ny olombelona rehetra anatrehan’ny Lalana Islamika raha amin’ny lafiny fahalalahana no resahina. Omar ibn Al-Khattwab (RA) dia efa namoaka izao teny malaza izao hatry ny 14 taonjato no mahery, hoe; ”Ahoana hanandevozanareo olombelona, izay nateraky ny Reniny ho olona malalaka “. {Tantaram-piainan’i Omar/Ibnul-Jaouzy, ibnou Abdil-Hakam @ Fanokafana Egypta}.

 

  1. Ny mahatokana ny Finoana; Ny Finoana dia tokana avy amin’ny Tompo Allah swt, izay nanomboka tamin’ny Adama (Fandriampahalemana enga anie aminy) ka hatramin’ny Mpaminany Farany Mohammad (saw). Ireo Mpaminany rehetra ireo dia tokana ihany ny Finoany. Tsy inona ary fa, “Ny fanokanana Allah irery ihany amin’ny asa fanompoana araka ny didy izay navoakan’i Allah swt.

Ary ireo Boky masina rehetra dia avy amin’ny tompo Allah swt daholo. Hoy Allah Ilay Avo indrindra ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Nametraka lalana ho anareo Izy mikasika ny Finoana, izay nandidiany an’i Noa, ary nambarako taminao, ka nandidiako an’i Abrahama, mosesy ary Jesoa; Ajoroy ny Finoana, ary aza atao mampisaraka anareo”. {As-Shoura, v;13}. Ary mbola miteny Allah manao hoe: ” Marina fa, izaho dia nandefa Faminaniana taminao tahaka ny nandefasako faminaniana tamin’i Noa sy Ireo Mpaminany taoriany. Ary Izaho dia nandefa Faminaniana ihany koa tamin’i Abrahama, Ismaela, ishaka, Jakoba, ary Ireo Zanaka aman-jafy, sy Jesoa, Joba, jonasy, harona, salomona ary nomeko an’i Davida ny Zabora (163), Ary misy amin’ireny Iraka Ireny no efa notantaraiko taminao tany aloha, fa misy amin’izy ireny ihany koa no tsy mbola notantaraiko taminao mihitsy, ary niresaka mivantana tamin’i Mosesy Allah (164), ho Iraka, ho Mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina, mba tsy hananan’ny olona porofo fialan-tsiny eo anatrehan’i Allah, aorian’ny fahatongavan’ireny Iraka ireny. Fa tsitoha sy be Fahendrena Allah”. (163-165).

 

Ny Finoana Silamo dia nametraka lalana miady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy fisaratsarahana amin’ny alalan’ny vondrona isankarazany, ary ny tsy fifankazahoana sy fifampirafesana sy fialonana amin’ny samy mpiara-belona ary ny olombelona tsy ankanavaka.

 Ka noho izany no nametrahan’ny lalana Islamika fa, ny fanekena an’ireo Irak’i Allah sy ireo Boky masina rehetra teo aloha ho anisan’ny Andry amin’ny FOTOTRA ijoroan’ny Finoana.

Araka ny nambaran’i Allah swt manao hoe: ”Lazaonareo hoe: Izahay dia mino an’i Allah, sy izay nampidinina taminay, ary izay nampidinina tamin’i Abrahama, ismaela, ishaka, jakoba, sy ireo taranaka. Torak’izany ihany koa izay nomena an’i Mosesy sy Jesoa ary izay nomena ireo Irak’i Allah avy tamin’ny Tompo Zanahary. Tsy manavaka na dia ny iray amin’izy ireny izahay. Ary izahay dia mpanolo-tena ho Azy (Allah). [Al-baqarah, v:136].

 

  • Ny boky masina Kor’any dia miaro an’i Mpaminany Mosesy izay Mpiresaka mivantana amin’ny Tompo Allah, fa olona mendri-kaja sady akaikin’i Allah tokoa izy. Hoy Allah swt manao hoe: ”Oh ianareo mpino! Aoka ianareo tsy hanao toy izay nanao ratsy tamin’i Mosesy. Nodiovin’i Allah tamin’ny fiampangana azy izy, satria mendri-kaja teo anatrehan’i Allah izy. [Al-ahzab, v:69].

 

Ary miaro ny Baiboly izay nampidinina taminy (Mosesy) ny Boky masina Kor’any fa, hitsin-dalana sy fahazavana izany (Baiboly ilay tena izy, mbola tsy nisy fiovana sady tsy nisy zavatra niampy akory), ka hoy Allah swt manaporofo an’izany voalaza rehetra izany manao hoe: ”Ary hamafisina, fa Izaho (Allah) no nampidina ny Taoraty izay mirakitra Tari-dalana sy fahazavana. Nampiasa azy teo amin’ny Fitsarany ireo Mpaminany izay nanolotena ho an’i Allah, toy izany koa ireo mpitondra Fivavahana, ary ireo mpanora-dalana, tamin’ny raharahan’ny Jiosy, satria izy ireo no nanankinana ny Fitehirizana ny Bokin’i Allah, ka vavolom-belona ny amin’izany. Koa aoka ianareo tsy hatahotra ireo vahoaka, fa Izaho irery no atahory.

 Ary aza mivarotra ny Porofo famantarana Ahy amin’ny zavatra (sandany kely indrindra) mora vidy ianareo. Fa ireo izay tsy mitsara araka izay nampidinin’i Allah, dia izy ireny indrindra no tsy mpino”.{Al-ma-idah, v:44}.

 

Ny Zanak’Israely dia vahoakan’i Mosesy (Fandriampahaleman’i Allah enga anie aminy), vahoaka tsara toerana sady mendrika tamin’ny fotoan’androny anatrehan’ny vahoaka rehetra izy ireo (Zanak’Israely). Ka hoy Allah momba izany: ”Oh ry Zanak’Israely! Tsarovy ny anjaram-pahasoavana izay narotsako taminareo sy ny nanomezako tombom-pahasoavana anareo teo anatrehan’izao Tontolo izao. [Al-baqarah, v:122].

  • Ny Boky masina Kor’any dia miaro an’i Mpaminany Jesoa (Fandriampahalemana enga anie aminy) tahaka izany koa fa, mpaminany mendrika izy, ary tenin’i Allah izy, izay natsipiny tamin’i Mariamo (Maria). Ny dikany hoe tenin’i Allah dia; Izy dia namboarin’i Allah tamin’ny alalan’ny teniny hoe; “Manjaria, dia lasa olombelona izy, fa tsy mitovy amin’ny olombelona rehetra izay teraka amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy vavy araka izay efa fomba fantatra fampiasain’ny Tompo Allah amin’ny fanamboarana ny zanak’olombelona. Sady fanahy avy aminy (Allah); tsy midika izany fa, avy amin’ny tenany araka ny fihevitry ny sasany fa, namboariny avy tany aminy, araka ny nambarany (Allah) ao amin’ny Kor’any manao hoe; ” Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. [Al-Jathiyah, v:13]. Mbola miteny Allah: ”Ary ny soa rehetra anananareo, dia avy amin’i Allah”. [ An-Nahl, v:53]. Mbola miteny koa Allah: ”Raha niteny ireo Anjely: Ry Maria oh! Lazaina marina aminao, fa Allah efa milaza vaovao mahafaly ho anao amin’ny Teny iray avy aminy, anarany atao hoe; Ilay “Mesia Jesoa” zanak’i Maria, mendri-kaja ety an-tany sy any ankoatra, ary isan’ireo akaikin’i Allah”. [Al-imran, v:45]. Ary hiteny amin’ireo olona izy raha mbola eo am-parafaran’ny fazazana, tahaka ny efa matotra feno taona, ary isan’ireo olona mendrika”. [Al-imran, v:46].

 Ary ny Kor’any dia miaro an’ny Reniny atao hoe; maria (Renin’i Jesoa) izay niterakazy tamin’ny virijiny (Fandriampahalemana enga anie aminy), fa Izy (Maria) dia mpiteny marina, ka miteny Allah manao hoe: ”Tsy iza akory i Mesia zanak’i Maria, fa Iraka fotsiny ihany. Nisy Iraka maro efa nandalo talohany. Fa ny Reniny, dia olomarina. Ary samy nihinana sakafo izy roa ireo. Jereo ny fomba hanazavako amin’izy ireo ny porofo famantarana, ary jereo ny fomba hivilian’izy ireo lalana (Andaingan’izy ireo) ”. [Al-ma-idah, v:75]. Ny Boky masina Kor’any dia miaro ny Evanjely koa tahaka ny niarovany ny Taoraty (Baiboly) fa, mirakitra fahitsina sy hazavana izany. Ka hoy Allah swt mahakasika izany: ”Ary nalefako taorian’izy ireo i Jesoa, zanak’i Maria mba hanamafy izay efa nisy teo amin’izy ireo tao amin’ny Taoraty (Baiboly). Ary nomeko azy ny Evanjely izay misy tari-dalana sy hazavana, mba hanamafy izay nisy tao amin’ny Taoraty talohany, ary Tari-dalana sy Fananarana ho an’ireo vontom-pinoana”. [Al-ma-idah, v:46].

 Ny Boky masina Kor’any dia, miaro hatrany ireo mpino Mpanaraka an’i Jesoa fa, izy ireo dia vahoaka malefaka sady be fangorahana.

 

 Ka hoy Allah momba azy ireo manao hoe; ”Aveo dia nampanarahiko ny sori-dalan’izy ireo ny Irako sasany, ary nampanarahiko an’i Jesoa zanak’i Maria, izay nitondra ny Evanjely, ka nametrahako hamoram-po sy halemem-panahy tao am-pon’ireo izay nanaraka azy. Ny fanokanan-tena izay noforonin’izy ireo dia tsy nandidiako azy ireo mihitsy, afa-tsy ny fitadiavana ny FANKASITRAHAN’i Allah ihany. Fa tsy narahin’izy ireo araka ny tokony hoy izy izany. Nomeko ny valisoany izay nino tamin’izy ireo. Saingy maro kosa ireo ratsy fitondran-tena. [Al-hadid, v:28].

Ka tsimaintsy ataon’ny mpino silamo tsirairay no mino an’ireo Mpaminany sy Iraka rehetra, ary mino amin’ny Boky masina rehetra izay nidina tamin’izy ireo avy tany amin’i Allah swt. Ka nambaran’ny Tompo Allah swt: ”Ary hamasina, fa ireo izay tsy mino an’i Allah sy Ireo Irany, ary maniry ny hampisaraka an’i Allah sy ireo Irany no sady milaza hoe: Mino ny an-daniny amin’izy ireny izahay, fa mitsipaka ny ankilany kosa”, ka dia mitady lalana eo anelanelan’izany izy ireny.[An-Nisa, v:150]. “Izy ireny indrindra no tena tsy mpino, ary nanomana sazy fanalambaraka ho an’ireo tsy mpino Izaho”. [An-Nisa, v:152].

 

Ny Mpino Silamo dia tsimaintsy mankatoa sady manaja ny Lalana Islamika sy ny FAMPIANARANA izay narafitr’izy ireo ho an’ny vahoakany. Ary tsimaintsy mankatia no sady mandray izay manaiky sy mino ny hafatr’ireo Iraka sy Mpaminany ho tahaka ny rahalahiny, raha araka ny Fampianaran’ny Mpaminany Mohammad (SAW). Ka hoy Allah swt mahakasika an’izany FIRAHALAHIANA ISLAMIKA izany manao hoe: ”Tomponay oh! Mamelá ny helokay, sy an’ireo rahalahinay, izay nialoha lalana anay tamin’ny Finoana” [Al-hashri, v:10].

 

Ary fantaro fa, tamin’ny nandraisan’ny Iraka masina Mohammad (SAW) ny faminaniana no nanambarany fa, izy no Mpaminany farany sady tapitra hatreo ny fidinan’ny Boky masina avy any an-danitra. Izany hoe; i Mohammad (Mahomet) no Iraka sady Mpaminany farany, ary ny Boky masina Kor’any no Boky masina farany nidina avy any an-danitra. Ka noho izay mihitsy no nanambaran’ny Tompo Allah swt hoe: ”Tsy Rain’ny iray amin’ireo lehilahy ao aminareo velively i Mohammad, fa Irak’i Allah. Ary Farany amin’ireo Mpaminany Izy. {Al-ahzab, v;40}.

 

Ny Lalana rehetra tamin’ireo Boky masina rehetra nidina talohan’ny Kor’any izay nidina tamin’ny Mpaminany Mohammad (saw) dia foana daholo sady tsy manankery intsony anatrehan’ny Boky masina Kor’any. Ka ny fampiharana ny Lalanan’ny Kor’any sy ny Sori-dalan’ny Mpaminany Mohammad (saw) no sisa tsimaintsy hataon’ny Mpino silamo ankehitriny. Izany dia tsy midika ho tsy finoana an’ireo lalana masina teo aloha fa, ny fampiasana azy no tsiazo atao intsony. Miteny Allah manao hoe: ”Fa izay mandray finoana hafa ankoatra ny Islamo, dia tsy ho voaray izay rehetra hataony, ary izy dia isan’ireo ho maty antoka indrindra fa, any ankoatra”. [Al-imran, v:85].

 

Ny Lalana Silamo dia, mitaky amin’ireo mpanaraka ny Lalanan’ny Boky masina hafa teo aloha rehetra ireo, amin’ny tsimaintsy hinoan’izy ireo tahaka ny finoan’ireo Mpino Silamo amin’ny finoan’izy ireo ny Iraka sy Mpaminany rehetra izay nalefan’ny Tompo Allah avy tany aminy, ary ny finoan’izy ireo (Mpino Silamo) amin’ireo Boky masina rehetra izay nampidinina tamin’izy ireo (ireo Mpaminany).

Ka hoy Allah: “Ary raha mino ny inoanareo izy ireo, dia azo antoka fa handeha amin’ny lala-marina, fa raha mivily amin’izany kosa dia hankany amin’ny fizarazarana tokoa! Ampy Anao i Allah hanohitra azy ireo. Fa Izy no Ilay Mandre, ilay Mahalala ny zava-drehetra”. [Al-Baqarah, v:137].

 

Ny lalana Islamika dia, lavitra ny fampisarahana raha hoan’ireo izay miezaka hanohitra izany. Ka hoy Allah manao hoe: ”Fa izay nampizarazara ny antokom-pinoan’izy ireo, ka namorona antoko hafa, dia tsy manan-draharaha amin’izy ireny ianao. Any amin’i Allah ny raharahan’izy ireo. Ary dia hampahafantariny azy ireo izay nataon’izy ireo tany aloha. [Al-an’am, v:159]. “Izay manao asa soa iray dia ho tambazana avo foloheny; fa izay nanao ratsy kosa, dia tsy ho valiana afa-tsy izay mitovy ami’izany. Ary tsy hiangarana izy ireo”. [Al-an’am, v:160]. “Lazao hoe: hamafisiko, fa Izaho dia notarihin’ny Tompo Zanahariko ho amin’ny lala-marina, finoana mahitsy, ny Finoan’i Abrahama madio tsy misy fangarony, ary izy dia tsy mba isan’ireo mpanompo sampy velively”. {Al-an’am, v:161}.

 

Ary tena marina fa, ny FAMPIANARANA izay narahin’ny LALANA ISLAMIKA amin’ny fiantsoana ireo mpanaraka ny finoana hafa marobe isankarazany dia, ny Fampianarana amin’ny Fifampiresahana (LOABARY AN-DASY) izay manana tanjona hampitambatra azy ireo amin’ny teny anankiray amin’ny fanompoana Zanahary Tokana. Ary miantso ny zanakolombelona amin’ny toetra mendrika izay nandidian’ny Tompo Allah swt. Ka miteny Izy manao hoe: ” Lazao azy ireo: Ry olon’ny Boky, tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo aminay sy aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Allah, ary tsy hampitambatra Azy amin-jazavatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ankoatran’i Allah. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy; aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa dia efa mpanolotena”. [Al-imran, v:64].

 

Tahaka izany koa fa, ny Finoana Islamo dia mampianatra ny mpino mba hanaja hatrany ny famantarana masin’ireo mpanaraka ny finoana hafa, sy ny tsy fahazoana manao zavatra hanindrona azy ireo. Izany dia, nohony antony zavatra hinoan’izy ireo amin’ny fivavahany. Hoy Aallah manao hoe: ”Aoka ianareo tsy hanompa izay angatahan’izy ireo ankoatran’i Allah amim-pankahalana ao anatin’ny tsy fahalalana”. [Al-an’am, v:108].

 

Takiana amin’ny Mpino silamo ny fanaovana ady hevitra amin’ireo tsy mpino silamo amin’ny zavatra izay heverina fa mahasoa, izay mila atao amin’ny fomba feno fahendrena.

 Hoy Allah swt manao hoe: ”Aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, afa-tsy ireo izay mpanao ny tsy rariny amin’izy ireo. Ary lazao hoe: Mino izay nampidinina taminay izahay, ary ny Zanaharinay sy ny Zanaharinareo dia iray ihany, ka Izy no ankatoavinay”. [Al-ankabout, v:46]. Ary hoy Allah swt: ”Miantsoa (ny olona) ho amin’ny lalan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amin’ny fananarana tsara. Ary miadia hevitra amin’izy ireo ianao, amin’ny fomba tsara indrindra”. [An-Nahl, v:125].

 

Izany hoe, raha ny fanerena olona hiditra amin’ny Finoana Silamo dia, tsy anatin’ny Fampianaran’ny Fampielezana ny Finoana Silamo velively izany, araka izay efa nambaranay teo aloha.

Ka manamafy an’izany ny Tenin’i Allah swt manao hoe: ”Tsy misy fanerena ny amin’ny FIVAVAHANA! Fa efa miavaka tsara amin’ny fahaverezana ny FAHITSIANA”. [Al-Baaqarah, v:256]. Satria ny Fampianaran’ny Finoana Silamo no mampianatra ny fomba famelabelarana ny finoana any amin’ny tsy mpino, nefa tsy manery no tsy mampihorohoro ny hafa mba hiditra amin’ny Finoana fa, am-po madio sy ankahalalahana tanteraka no hidirany amin’ny Finoana Islamo.

 Satria ny mpino Silamo dia, mampita hafatra fotsiny, fa ny fahitsiana dia any ampelan-tanan’ny Tompo Allah.

 Miteny Allah manao hoe: ”Ary lazao hoe; avy amin’ny Tomponareo ny Fahamarinana. Izay te-hino dia aoka izy hino, fa izay tsy hino kosa, dia aoka izy tsy hino. Nanomana afobe hoan’ireo mpanao ny tsy rariny Izaho (Allah), izay manodidina azy ireo ny lelan’afony. Ary raha mangataka hisotro rano izy ireo, dia hampisotroina rano tahaka ny metaly mitsonika mandoro ny tarehy. Zava-pisotro ratsy tokoa izany, ary fonenana mahatsiravina”. {Al-kahf, v;29}.

 

  1.  Ny Finoana Silamo dia mampirisika amin’ny fifanampiana izay miteraka vokatra tsara hoan’ny rehetra tsy ankanavaka, ary miara-miezaka amin’ny tombontsoa manokana hoan’ny tokantranon’ny tsirairay avy. Hoy Allah manao hoe: ”Ary mifanampia ianareo amin’ny fanaovana tsara sy amin’ny Fitiavam-bavaka, fa aza mifanampy kosa amin’ny fahotana sy ny hetraketraka. Matahora an’i Allah ianareo, satria fa tena mafy tokoa ny sazin’i Allah”. [Al-ma-idah, v;2].

 

Araka ny fitateran’i Abdoullah bin Omar (RA), fa indray andro dia nisy lehilahy anankiray tonga tamin’ny Mpaminany Mohammad (saw) ka nanontany Azy nanao hoe: Oh ry Irak’i Allah! Iza no olona tena tian’i Allah, ary inona no asa tena tiany amin’ny asa rehetra?

 Ka namaly azy ny Mpaminany (SAW) nanao hoe: ”Ny olona tena tian’i Allah Ilay Avo indrindra dia, ny olona izay manao zavatra mahasoa ny hafa. Ary ny asa tena tian’i Allah swt dia, ny fampidirana hafaliana amin’ny fiainan’ny Mpino Silamo, na manala ny vesatra izay sedrainy na manampy azy amin’ny fandoavana ny trosany na koa mampihinana azy raha mosary izy. Ary aleoko mandeha manampy olona misedra olana amin’ny fiainany tiako lavitra, toy izay hipetraka ao amin’io Masjidy io hanompo mandritra ny iray volana (Masjid Madinah).

 Ary mandefitra amin’ny hatezerany dia, tsy halan’i Allah Baraka izy, ary izay mahafehy ny hatezerany, na dia fa, vitany tsara hamaly an’izany olona izany dia hofenoin’i Allah fanantenana ny fony amin’ny Andro Farany, ary izay manatanteraka ny filan’olona sahirana anankiray ka hatramin’ny farany dia, hataon’i Allah mafy orina ny tongony amin’ny Andro izay hampangovitra ny tongotry ny maro. Ary ny toetra ratsy dia manimba ny asa soa tahaka ny vinaingitra manimba ny tantely”. [Navoakan’i Twabrani ao amin’ny Al-Mou’jamil-Kabir, izay nihitsin’ny Sheikh Albani ao @ AS-silsilah As-Swahihah].

 

NY FINOANA ISLAMO DIA MITADY FOMBA REHETRA MBA HATONGAVANA AMIN’IZAO MANARAKA IZAO:

 

  • Ny fampirisihana amin’ny fampielezana ny finoana silamo mba hiaraha-mivelona sy hifankafantarana amin’ny vahoaka isankarazany, araka ny fampianarana ara-panahy izay miorina amin’ny Fanokanana an’i Allah swt, ary ny Fanekena ireo Iraka sy Boky masina.

Hoy Allah manao hoe: ”Ry Olombelona! Nohariako avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataoko ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’i Allah dia, izay vontompinoana indrindra. [Al-houjouraty, v:13].

  • Fampirisihana amin’ny fitiavana fanaovana soa hoan’ny rehetra. Ka araka ny tatitra nataon’i Abou hourairah (RA), fa ny Mpaminany (SAW) dia niteny indray andro nanao hoe: ”Iza haka an’ireto teny vitsivitsy ireto avy amiko, ka hampiasa izany, na koa hampianatra olona afaka hampiasa izany?” Namaly Abou Hourairah hoe: Zaho, oh ry Irak’i Allah.Noraisiny ny tanako ka nanisa zavatra dimy (5) izy, dia nambarany aveo hoe: ”(1) Matahora ny zavatra voarara ianao dia ho lasa ho vontompinoana noho ny rehetra ianao.(2) Mankasitraha amin’ny anjara izay nomen’i Allah anao, fa ho lasa mpanankarena noho ny rehetra ianao. (3) Manaova soa amin’ny mpifanolo-bodirindrina aminao, fa ho mpino tokoa ianao. (4) Mankatiava hoan’olona hafa, fa ho mpino Silamo ianao. (5) K’aza mihomehy loatra ianao, satria ny fihomezana tafahoatra dia mamono ny fo”. [At-Tirmithi].
  • Fampirisihana amin’ny ezaka fananarana hoan’ny rehetra, araka ny nambaran’ny Mpaminany (SAW) hoe: ”Ny Finoana dia anatra”. Nanontany izahay hoe: Hoan’iza oh ry Irak’Allah? Hoy Izy hoe: ”

 (1) Hoan’i Allah. (Izany hoe: ny fanana fahadiovam-po amin’ny asa rehetra atao izay notakian’i Allah ny fanatanterahana azy, ary ny famelana ny zavatra noraran’i Allah. Ny fahadiovam-po amin’ny FANOKANANA Allah amin’ny Finoana sy ny asa fanompoana rehetra. Ny anatra dia midika ho fahadiovam-po amin’ny zavatra anankiray mba hatanterahana azy tahaka ny fitakian’i Allah azy.

 (2) Ary Hoan’ny Bokiny (ny fahadiovampo amin’ny fandinihana sy fandalinana ary ny fisainana amin’ny zavatra izay ambarany sy fanarahana izay voalaza ao anatiny, mahakasiaka ny baiko sy ny fandrarana).

 

(3) Ary hoan’ny Irany, (ny fahadiovampo amin’ny fanarahana ny Baikony sy ny fiatahana amin’ny zavatra nandrarany, ary ny fanarahana ny Sori-dalany sy ny fanohanana azy na fiarovana azy).

 (4) ary hoan’ireo mpitarika ny mpino silamo, (izany hoe; fanaovana ranom-bavaka hoazy ireo, sy ny fihenoana azy ireo ary ny fankatoavana izay ambarany raha toaka tsy mandika lalana izy ireo. Ny fiaraha-miasa amin’izy ireo amin’ny fanaovana soa, ary fialana amin’ny asa ratsy. Ary ny fanoroana lala-mahitsy hoazy ireo. Ary ny fampirisihana azy ireo hanao tsara sy fandrarana azy ireo koa amin’ny fanaovana ny ratsy amin’ny fomba feno fahendrena).

 (5) Ary hoan’ny sarambambem-bahoaka, (Izany hoe: Fampianarana sy fanabeazana azy ireo mahakasika ny raharahan’ny finoany sy fiantsoana azy ireo hoan’ny Tompo Allah swt, ary ny fampirisihana azy ireo sy fandrarana azy amin’ny asa ratsy)”. [Mouslim].

 

  • Fampirisihana amin’ny fanaovana asa tsara sy fandrarana amin’ny tsy mety. Izay tsimaintsy tanterahina amin’ny fomba azo atao sy fahafahana rehetra. Satria izany no antoky ny fandriampahalemana izay miaro ny vahoaka manontolo mba tsy hiparitahan’ny fiangarana, fakam-panahy, kolikoly, fanitsakitsahana ny zon’olombelona ary mba tsy hanjakan’ny fanjakan’ny adala (FANJAKAN’NY BAROA). Satria manko, amin’ny fanatanterahana ny asa fampahatsiahivana sy fandrarana amin’ny fihoafam-pefy no mampianatra ny Bado, manaitra ny variana, hitsanganan’ny mpanao hadisoana ary mba haavotra izay mizotra amin’ny lala-mahitsy.

 Ka hoy Allah swt manao hoe; ”ary aoaka mba hisy vondrona iray avy aminareo hitaona ny olona hankany amin’ny FAHATSARANA, ka hampirisika amin’ny fanaovan-tsoa sy handrara ny fanaovan-dratsy. Ary izy ireny indrindra no ho avotra.[Al-imran, v:104].

 Ary nambarn’ny Mpaminany (SAW) hoe: ”Izay mahita olona manao rasty aminareo dia, tsimaintsy mandrara azy amin’ny tanany, fa raha tsy mahavita izany dia, mandrara ambava, ary raha mbola tsy mahavita izany koa dia, tsimaintsy mandrara amin’ny alalan’ny fony, ary izany no ambany lanja indrindra amin’ny finoana”. [Mouslim].

 

  • Fampirisihana amin’ny fitadiavana ny FAHALALANA sy ny fianarana. Ka hoy Allah swt manao hoe: ” Laza hoe; mitovy ve ireo mahafantatra sy ny tsy mahafantatra? Mbola niteny Mpaminany (SAW) hoe: ”Tsimaintsy ataon’ny mpino Silamo tsirairay avy ny fitadiavana ny fahalalana”. {Ibnou Majah, swahihoul-Jami’:3913, Swahihout-Targhib Wat-Tarhib:72}. Izany dia mba hahafantaran’ny tsirairay inona ny zony sy ny zo izay takiana aminy, mba ho tony izy sady hampitony ny hafa ihany koa.
  • Fampirisihana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy izay rehetra mahakasika izany. Satria tena henjana dia henjana tokoa ny toro-lalan’ny Mpaminany Mohammad (SAW) mahakasika ny tontolo iainana. Nampitandrina sady nampirisika amin’ny fampianarana ny fahadiovana sy ny fitandrovana izany mba tsy hiparitahan’ny aretina isankarazany izay mety hisy fiantrekany ratsy ami’ny fahasalaman’ny zanak’olombelona.

Satria eto ambony tany dia misy fananana iraisan’izao tontolo izao fa, tsy natao hoan’ny vondron’olona manokana na natokana hoan’ny tokantrano iray fotsiny (Izany hoe; ny rivotra fiainana). Ny Finoana silamo dia mandrara ny fomba rehetra izay mety hanimba ny tontolo iainana eto ambonin’ny tany. Ka nambaran’i Allah swt mahakasika izany hoe: ”Aoka ianareo tsy hanimba ny tany taorian’ny fahatsarany, ary mangataha aminy ianareo amim-pahatahorana sy amim-panantenana, satria ny Famindram-pon’i Allah dia akaiky ireo mpanao soa”. [Al-a’raf, v:56].

 Mbola miteny Allah: ”Koa raha vao midify izy, dia manao izay hampiely fanimbana ety an-tany, ka hanapotika ny fambolena sy ny biby fiompy. Fa Allah dia tsy mankasitraka ny fanimbana (V:205 Al-Baqarah), ary raha lazaina izy: ”Matahora an’Allah ianao!”, nefa ny fanambonian-tena vokatry ny fahotana no nibahana tao aminy. Ka ny afobe no sahaza azy, izany ka fitoerana ratsy! [Al-baqarah, v:206].

 

  • Fampirisihana amin’ny fampiasana ny tany sy ireo fitaovana isankarazany mba hijerevana ny tombontsoa hoan’ny rehetra. Hoy Allah manao hoe; ”Izy (Allah) no nametraka ny tany ho anareo, koa tetezo ary ny fivelarany. Ary mihinana amin’izay Anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho Any aminy ny Fitsanganana amin’ny maty”. {Al-moulk, v:15}.
  • Fiantsoana ady amin’ny zava-pisotro mahamamo sy ireo zavatra rehetra mahadomelona. Hoy Allah swt manao hoe: ”Oh ianareo Mpino! Ny toaka, ny loka, fanompoan-tsampy), ireolahy (fanaovana ireo zana-tsipika fanondroana (karazana sikidy), dia tsy inona akory fa, faharatsiana avy amin’ny asan’i Satana. Ka ialanareo lavitra izany mba ahazoanareo Fahombiazana”. [Al-ma-idah, v:90].

 

  • Ny Antso amin’ny Fiarovana ny VONINAHITRA SY FANANANA; Ka miteny Allah swt mahakasika ny resaka voninahitra, manao hoe: ”Koa aza manatona ny fijangajangana ianareo, satria fahavetavetana izany, ary tena lalana ratsy tokoa”. [Al-isra, v:32]. Ary mbola miteny i Allah manao hoe;

“Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy madio fitondran-tena kosa, nefa tsy mitondra vavolombelona efatra (4), dia kapohy im-balopo (80) izy ireo, ary aza ekena intsony mandrak’izay ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Fa olona mpanao ratsy izy ireny”. [An-Nour, v:4].

 

Ary hentitra dia hentitra tokoa ny sazy miandry an’izay maniry sy mikasa hampiely ny asa ratsy sy fahavetavetana eny amin’ny tokantrano. Nefa ahoana ary ny fijerinao amin’izay te-hanaparitaka izany na manamora ny fomba hiparitahan’izany na koa manampy amin’ny fanaparitahana izany ety ambony tany?! Manambara Allah swt momba izany: ” Tena marina, fa ireo izay tia ny fahalotoana hiparitaka amin’ireo mpino, dia hahazo sazy mamirifiry, eto an-tany sy any ankoatra. Allah Mahafantatra, fa ianareo kosa tsy mahalala”. {An-Nour, v:19].

 

Ary miteny Allah mahakasika ny zon’ny Fananana, ka manao hoe: ”Ary aoka ianareo tsy hifampihinana ny harenanareo amin’ny tsy rariny”. [Al-Baqarah, v:188].

 Ary mbola miteny Izy hoe: ”Ka ataovinareo feno ny FAMARANA, raha mamatra ianareo, ary mandanja amin’ny mizana marina. Tsara ho anareo izany, fa ny vokany dia ho tsara kokoa”. [Al-isra, v:35].

 

Ary mbola miteny hatrany Allah manao hoe: “Oh ianareo Mpino! Matahora an’Allah ianareo, ary avelao ireo sisa tavela tamin’ny fanjanaham-bola, raha mpino tokoa ianareo”. [Al-baqarah, v;278]. “Fa raha tsy tanterahinareo izany, dia miomana hiady amin’Allah sy Ilay Irany ianareo. Ary raha mibebaka kosa ianareo, dia handray ny renivolanareo ianareo. Tsy hanambaka ianareo, ary tsy ho voambaka ihany koa”. [A-baqarah, v:279].

 

  • Fampirisihana amin’ny FAMPANDROSOANA hoan’ny daholobe, ary haverina any amin’ny isan-tokantrano ny vokatr’izany;

ANTSO AMIN’NY FIAHIANA NY KAMBOTY SY IREO IZAY TSY MANANA FIANAKAVIANA HIKARAKARA, hoy Allah momba an’izany manao hoe: ”Ary aza mikasika ny fananan’ny Kamboty, raha tsy amin’ny fomba tsara indrindra ambara-pahatrarany ny fahamatoran-tsainy. Ary tanteraho ny fifanekena, fa hanontaniana ny amin’izany ianareo”. {Al-isra, v:34}.

 

Ary nambaran’ny mpaminany Mohammad (SAW) hoe: ”Izaho sy izay mpiahy ny Kamboty dia hoatr’izao any amin’ny Paradisa”. (Ary nasehony tamin’izany ny fanondrony sy ny tondro fanivoivo (antenatenany). [Al-boukhari].

Ny dikany (Mpiahy Kamboty dia; maka antoka ny raharahm-piainany manontolo).

 

  • Antso amin’ny ady amin’ny FAHANTRANA izay tsimaintsy atao amin’ny fomba rehetra mahafoana ny fahantrana. Hoy Allah swt: ”Tsy niroso tamin’ny lalana sarotra anefa izy. [11] Moa fantatrao ve izany lalana sarotra izany? [12] Izany dia fanafahana andevo, [13] Na fanomezana sakafo, amin’ny andron’ny mosary [14 /Al-balad].

 

  • Fampirisihana amin’ny FAMOTSORANA ny gadra; hoy Mpaminany Mohammad (SAW): ” Izay mamotsotra gadra mpino anankiray, dia hovotsoran’i Allah izy isaky ny rantsan’ny vatany avy amin’ny afobe, ka hatramin’ny henatrany aza ho votsotra nohony izany”. [Mouslim, pejy:1147. Hadith laharana: 1500].

 

 

 

NY TOETRA MENDRIKY NY FINOANA SILAMO DIA MITERAKA FANDRIAMPAHALEMANA:

 

Ny fahamendrehan’ny finoana silamo dia mampirisika amin’ny zavatra rehetra izay misy FAHASAMBARANA sy zavatra mahasambatra rehetra hoan’ny tokantranon’ny tsirairay, ary mandrara izay rehetra mety hiteraka fifampifahavaloana sy fifampirafesana na fifankahalana eny amin’ny tokantranon’ny tsirairay avy.

Ary ny tena tanjon’ireto toetra tsaran’ny Finoana Silamo ireto dia, ny Fampiharana sy Fametrahana ny FANDRIAMPAHALEMANA maharitra, ny Fahatoniana ary antoka hoan’ny tokantranon’ny tsirairay avy araka ny fitakiana amin’ny tokony hoy izy.

Ireo toetra mendrika amin’ny Finoana Islamo ireo dia betsaka dia betsaka tokoa ary mahaliana ny vahoaka rehetra.

Ka ny mifanohitra amin’izany dia, ny zavatra rehetra izay mampijaly sy manindrona ny olombelona tahaka ny; Fiteny, fihetsika.

 Izany rehetra izany dia, voasokajy ho toetra ratsy no sady voarara tsiazo atao, satria tsy mahafaly an’i Tompo Allah swt. Ary izay manana izany toetra tsy mendrika izany dia, tsy hafaly ny vahoaka ny fihetsiny eto an-tany ary ho voasazy amin’ny andro farany izy.

 Ka noho izany no nandraran’ny Tompontsika Allah Ilay Avo indrindra sady tompon-kasina, amin’ny resaka tsindrihazolena sy fikomiana. Izany hoe; Tiazo atao no miangatra amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fiteny izany na fihetsika, ary ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona.

Satria nambaran’ny Tompo Andriananahary ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: ”Lazao hoe: Ny Fahavetavetana ihany no nandraran’ny Tompo Zanahariko, na miseho izany na miafina. Toy izany koa ny fahotana sy faneriterena amin’ny tsy fahamarianana”. [Al-a’raf, v:33].

Miteny Allah swt amin’ny teniny Masina (Hadith Qoudsy) midika hoe: “Oh ry mpanompoko! Efa nataoko fady amin’ny tenako ny tsindrihazolena, ary nataoko fady aminareo samy anareo ihany koa, ka noho izany dia k’aza manao tsindrihazolena ianareo”. {Mouslim, fizarana faha 4/pejy:1994. Hadith Laharana;2577}.

 

FANAVOTANA NY MPIANGATRA SY NY NIANGARANA DIA MITOVY

 

Hoy ny Mpaminany Mohammad (saw) mahakasika ny resaka fanavotana ireo voatsindrihazolena sy ireo mpanao an’izany, manao hoe: “ Vonjeo ny rahalahinao, na mpiangatra izany na niangarana. Ka nanontany ny lehilahy anankiray hoe; Oh ry Irak’Allah! Avotako izy raha toa ka voatsindrihazolena, nefa ahoana no hanavotako azy raha toa ka Mpanao tsindrihazolena? Ka namaly azy ny Mpaminany (SAW) hoe: Ny fandraranaoa azy tsy hanao tsindrihazolena no fanavotanao azy”. [Al-Boukhari].

 

Ka mba ho fiarovan-tena hoan’ny tsirairay, na ny tenantsika izany na ny hafa, dia mandidy antsika ny Finoana Silamo amin’ny fampiharana ny FAHAMARINANA, na amin’ny fiteny na amin’ny fihetsika. Ka hoy Allah Ilay Avo indrindra manao hoe: “Hamafisina, fa Allah dia mibaiko amin’ny fanaovana ny RARINY, ny FANAOVAN-TSOA, ary ny FANAMPIANA IREO HAVANA AKAIKY. Fa rarány kosa ny haratsiana, ny asa tsy mendrika, ary ny fikomiana. Mananatra anareo Izy (Allah) mba hahatsiarovanareo tena”. {An-Nahl, v:90}.

 

Ny fampiharana ny FAHAMARINANA dia takian’ny Finoana Silamo, na amin’ny fotoanan’ny Hasambarana izany na amin’ny fotoanan’ny fahasahiranana (izany hoe: Na momba anao na manohitra anao ny fahamarinana dia, tsimaintsy tanterahina sady ampiharina.

Na mpino na tsy mpino aza ilay olona dia tsimaintsy ampiharina aminy ny FAHAMARINANA. Ka hoy Allah manao hoe: “Ry Mpino! Aoka ianareo ho hentitra amin’ny adidinareo eo anatrehan’i Allah (SWT), ary ho vavolombelona tsy miangatra ihany koa. Ary k’aza atao ny manosika anareo amin’ny fanaovana tsy rariny ny fankahalanareo ny vahoaka iray. Manaova ny rariny ianareo, fa izany no akaiky kokoa ny Fitiavam-bavaka”. {Al-ma-idah, v:8}.

 Ary mbola nandeha lavi-davitra noho izany ny resaka famafana fahotana amin’ny Fanaovana asa-soa.

Ny tanjona dia ny mba hampitambatra ny fo rehetra ho fo iray, ary mba hamafana sy hanafoanana ny fankahalana sy fampisaraham-bazana izay efa nisy teo aloha.

Miteny Allah manao hoe; “Tsy mitovy ny asa-soa sy ny asa ratsy. Koa tohero amin’ny alalan’ny asa tsara kokoa ny asa ratsy, dia indro fa lasa namanao mahafatra-po ilay nifankahala taminao”. [Fousswilat, v:34].

 

 

 

FAMARANANA ITY BOKY ITY

 

Eto am-pamaranana ity Boky kely ity, izay naharesaka kelikely mahakasika ny asa fampihorohoroana amin’ny Fijery Islamika amin’ny fomba izay tena tsotra dia tsotra tokoa. Tena miaiky ny tenako fa, tsy nahavita ny tokony ho izy aho, raha araka ny haratsian’izany fiparitahan’izany asa fampihorohoroana izany no jerena.

 Mba famantarana sy fanazavana vitsivitsy kely fotsiny no mba natolotro raha amin’ny ankapobeny izany.

 Izany hoe; ny Fijerin’ny Finoana Silamo manoloana ireo izay manohitra izany, ary ny Fifandraisana izay mamatotra azy ireo amin’izany sady mampifandray azy amin’izy ireo, raha ny tombontsoan’ny daholobe no resahina izay miorina amin’ny fitiavana ny fanaovan-tsoa hoan’ny rehetra tsy ankanavaka.

 Ary ny famantarana lehibe fa, tena manana finoana tokoa ny olona anankiray dia, ny fitiavana sy fankahalana hoan’ny Tompo Allah.

 Fa tsy sanatria nohony antony resaka tombontsoa manokana mandalo eto an-tany, na sitra-po izany na rendrarendra.

Izany hoe; Raha mankahala olona anankiray ianao dia, tsy nohony antony tsy fitiavanao ny endriny aty ivelany izany fa, tsimaintsy noho ny antony tsy firaharahany amin’ny fanatanterahana ny baiko sy didin’i Allah, na koa ny filomanosany amin’ny zavatra izay efa noraran’ny Tompo Allah swt.

 Ka hoy Allah swt manao hoe: “Raiso ny famelana, ary mampirisiha ny olona amin’ny tsara, ary ialao lavitra ireo olona izay minia tsy mahalala (an’ny Tompo). [Al-a’raf, v:199].

Inona koa ny Finoana tsara indrindra ankoatra ny finoana Islamo! Izany dia, nohony antony izy mirakitra fampianarana ara-panahy avy any an-danitra. Finoana izay manala ny olombelona avy amin’ny fanompoana olombelona mitovy aminy, ka ho any amin’ny Fanompoana ny Tompon’ny olombelona.

 Izay mamoaka azy ireo avy amin’ny haizin’ny fikomiana sy fanompoan-tsampy, ka ho any amin’ny hazavan’ny Finoana Islamo.

Hoy Allah swt manao hoe: “Allah dia sakaiza Mpiahy ireo izay nisafidy ny hino. Izy no Manafaka azy ireo avy ao amin’ny haizina mankany amin’ny hazvana.

 Fa ireo izay nisafidy ny tsy hino kosa, dia sakaizan’ireo mpihoa-pefy, izay mamoaka azy ireo avy ao amin’ny hazavana mankany amin’ny haizina. Izy ireo indrindra no olon’ny afobe, ka hitoetra ao mandrak’izay”. [al-baqarah, v;257].

Ny finoana Silamo dia, mitaiza ny mpanaraka azy amin’ny fanaovana soa hoan’ny rehetra tsy ankanavaka, izay mitrandraka hatrany ny fitovisana raha ny resaka sosialim-bahoaka no Asian-teny amin’izany. Izay mampianatra ny fiarovana ny voninahitra sady miaro hatrany ny zo mahaolona ny isan-tokantrano.

 

Ny mpino Silamo dia abeazina mba hankatia ny fifamelana sy fifonana, ka noho izany dia miteraka fifankatiavana sy firahalahiana amin’izy samy izy izany.

Hoy Mpaminany Mohammad (saw) rehefa nanambara ny endrikendrika ny fiainan’ny olombelona teto an-tany, manoloana ny resaka Fiangarana, sy Jadona ary ny Fanompoan-tsampy, hoe: “Hamafisina fa, allah dia nijery an’ireo mponina teto an-tany, talohany handefasany ahy ho Mpaminany, ka tezitra tamin’ireo mpanao ratsy Allah, izay nahitana ny Arabo sy ny olona tsy Arabo, afa-tsy sasany no sisa mbola nifikitra tamin’ny fahamarinana dia ireo olon’ny Boky tamin’izany fotoana izany. Izany hoe;(Ireo mpanaraka Ariosy, izay nino Zanahary Tokana)”. {Swahih Ibni Hibbani}.

Ka noho izany rehetra izany no nahatongavan’ny Finoana Silamo, izay nitondra hafatra momba ny Fandriampahalemana hoan’izao tontolo izao. Ka tonga handrara ny tsimdrihazolena sy ny Jadona, ary ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny vahoaka tsy manam-pahotana dia, voarara avokoa.

Ka noho izany dia tsimaintsy arovana ny zon’ny voafonja, izany hoe; hatry ny 1400 taona talohan’ny fifanarahana voasonia tany Jeneva (GENEVE). Ka nanomboka tamin’izany no tsimaintsy nampiharana ny Fahamarinana sy ny fitovisan-jo, ary ny fanafoanana ny fanavakavaham-bolonkoditra, izay tena ratsy tamin’ny tantaran’ny zanakolombelona. Na izany fisamihafana amin’ny volon-koditra, na fihaviana, na finoana na koa eo amin’ny lahy sy vavy.

Ka noho izany fifanarahana izany no nahatonga ireo mpitondra fanjakana jadona teto an-tany nanery ny finoany tamin’ny vahoakany, ary nanohitra tanteraka ny fahatongavan’ny Finoana Silamo any amin’ny vahoakan’izy ireo.

Nefa tsara fantarina fa, ny finoana Islamo dia mitondra hafatra amin’ny Fanokanana ny Tompo Zanahary amin’ny asa fanompoana rehetra.

 Ny Finoana silamo dia, mandrara tanteraka amin’ny fanitsakitsahana ny fiainan’ny hafa, na koa ny fandrobana ny fananany na ny tsy fanajana voninahitrany.

Fa ny tena marina dia, manaja ny zon’ny hafa amin’ny sokajy sy ambaratongany isankarazany ny Finoana Islamo. Ary manana andraikitra amin’ireo tsy mpino Silamo izay miara-belona amin’izy ireo amin’ny Firenena Silamo koa izy ireo.

 Ary miantso amin’ny fanajana ny fanarahana sy velirano ny Finoana Silamo, ary mandrara amin’ny Fitaka sy Fivadihana.

 

Ka izay rehetra voalaza izay dia, raha Sitrak’i Allah dia mbola hatolotra amin’ny fizarana manaraka indray ary hazavaina antsipirihany [Izany hoe; momba ny resaka FAMPIHOROHOROANA].

Ka mangataka amin’i Allah Ilay Avo indrindra isika mba hataony hitondra fahombiazana hoan’izay te-hahafantatra marina ny Finoana Silamo, izay Finoan’ny Tompo Allah swt, ka hampisokatra ny fony ho amin’izany.

 

Ny finoana Silamo dia mampianatra ny Mpanarakazy amin’ny tsimaintsy hanajana sy hampisandratra avo ireo FETRA MASIN’NY Tompo zanahary, ka amin’ny alalan’izany no hampitony ny fiarahamonina sy ny tokantrano tsirairay avy.

 Ka mba hiainan’ny rehetra ampandriampahalemana tanteraka na ny mahakasika ny tenany manokana izany na ny voninahitriny, na ny fananany.

Ny finoana silamo dia manabe ny mpino mba hankatia ny fanaovan-tsoa hoan’ny hafa, ary ny fiatahana amin’ny fitiavan-tena tafahoatra.

Satria izany fihetsika tsara izany dia, miteraka fiahiana ara-tsosialy sy antoka ara-pivelomana hoan’ny sahirana sy ny rehetra tsy ankanavaka.

Satria ny tokantrano tsara taiza dia, mampirisika ny mpiara-belona hifampijery sy hifanampy ary hifangoraka amin’ny fiainana andavan’andro.

 

Izany hoe; mampianatra ny olon-dehibe hanana indra-fo amin’ireo ankizy mbola marefo. Ary mampianatra ny madinika hanaja ny olondehibe.

Ary mampianatra koa ny mpanankarena hanampy an’ireo izay marefo sy sahirana ara-pivelomana.

Ka mahakasika an’izany mihitsy no nampirisihan’ny Mpaminany Mohammad (SAW) ny mpino Silamo manao hoe: “Ny ohatra tsara amin’ny fiainan’ireo mpino manoloana ny fifankatiavan’izy ireo, ny fifanakalozana indra-fo ary ny fananan’izy ireo fangorahana amin’ny samy mpino (mpiara-belona) dia, tahaka ny vatana anankiray. Izany hoe; rehefa marary ny faritra anankiray amin’ny vatana dia tsy milamina sady mahatsiaro marary (Tazona) daholo ny vatana manontolo”. [Mouslim].

Antenaina ity Boky kely ity mba ho tari-dalana hoan’ireo izay mitady ny Fahamarinana, ireo izay miezaka mitady fahombiazana amin’ny Paradisa ary fahasambarana mandrak’izay. Ary koa ireo izay tia hanavotra ny tenany avy amin’ny afobe.

 Satria, tsika rehetra dia mahafantatra tsara fa, ny fiafaran’ny fiainana eto an-tany dia, tsimaintsy miafara amin’ny Fahafatesana ihany. Ary raha mitohy amin’izao fotsiny ny fiaianana eto an-tany dia, vaomaika loza hatrany no hiseho.

 Nefa ny mpino Silamo dia, mino amin’ny atao hoe; fitsanganana amin’ny maty, sady mino amin’ny valin’ny asa natao sy ny fiatrehana kaonty eny amin’ny Fitsaran’ny Tompon’izao tontolo izao.

 Ny mpino silamo dia, mino amin’ny fiainana mandrak’izay aorian’ny fahafatesana; na io anaty Paradisa, na anaty afobe. Ka izay mino an’i Allah tokana (miditra Silamo) sady manatanteraka asa-soa dia hahazo Paradisa ho valisoany nohony inakinak’i Tompo Allah Ilay Avo indrindra.

 Fa izay nanao asa ratsy kosa, tahaka ny fanitsakitsahana ny zon’olomelona dia, ho saziana noho izany izy.

 Nefa raha toa ka zon’i Tompo Allah no nihitsakitsahiny dia miankina amin’izay hanaovan’ny Tompo Allah azy. Raha sitrany dia saziany na omeny famelana noho ny indra-fony.

 Fa izay mihizingizina fa tsy hanaraka ny Finoana Silamo, ka sanatria ka maty amin’ny fikomiana sy fanompoan-tsampy dia tsy isalasalana fa hitoetra mandrak’izay amin’ny afobe izy.

 Ka noho izany dia, zava-dehibe hoan’izay rehetra misaina mba hahay hisafidy hoan’ny tenany ny lalan-kizorana marina sady mahitsy hoazy.

 Izany hoe; lalana izay mitarika ny mpino ho any amin’ny fahombiazana tanteraka rehefa tafita any amin’ny Paradisa izy ary hahita fiaianana feno fahasambarana mandrak’izay.

 Ary ny fiaianana mandrak’izay dia, roa ihany ny lalana mankany fa, tsy misy fahatelo akory.

 Izany hoe; ny iray mitarika any amin’ny Paradisa, ary ny lalana anankiray hafa kosa dia mitondra any amin’ny afobe, ary samy handrak’izay daholo fa, ny any amin’ny Paradisa dia fiadanana fa, ny any amin’ny Afobe kosa dia fahoriana mandrak’izay.

 

Tso-dranon’ny tompo Allah Zanahary sy ny fandriampahalemany enga anie hirotsaka amin’Ilay Iraka izay nalefa ho inakinaka hoan’izao tontolo izao.

Iraka sady Mpaminanin-tsika, mohammad (SAW).

Ary torak’izany koa hoan’ireo Fianakaviany sy Mpanara-dia azy, ary ireo manaraka ny Sori-dalany ary mizotra amin’ny fampianarany mandrapahataperan’izao tontolo izao.

 

../../../../../../../Documents/MY%20SITES%20&%20PROJECTS/PROJECTS%20&%20SITES/ISLAML

www.islamland.com

 

 

../../../../../../../Documents/MY%20SITES%20&%20PROJECTS/PROJECTS%20&%20SITES/ISLAMLAND/profil