Ny toeran’ny vehivavy amin’ny Finoana Silamo

Ny toeran’ny vehivavy amin’ny Finoana Silamo 

 
 

Ny toeran’ny vehivavy amin’ny Finoana Silamo

المرأة في ظلال الإسلام باللغة الملغاشية (المدغشقرية)

 

 

Dr. Abd Ar-Rahman bin Abd Al-Karim Ash-Sheha

د. عبد الرحمن بن عبد الكريم الشيحة

 

 

Fandikan-Teny Nataony

European Islamic Research Center (EIRC)

المركز الأوروبي للدراسات الإسلامية

& Zacharia Mohammad

Famerenana

Rasolomanampisoa Abd Al-Hakim & Ruffin Marabe Moustapha

& Mouhamad Christian & Janfary Tourouquy

 

WWW.ISLAMLAND.COM

 

 

Amin’ny anaran’i Allah, ilay be indra-fo, Ilay be fiantrana

Dera sy voninahitra no atolotra an’i Tompo Allah, ary tso-drano sy fandriampahalemana enga anie ho amin’ny Mpaminany Mohammad sy ireo Fianakaviany ary ireo rehetra Mpanaradia azy, ka izao manaraka izao ny hafatra:

Hoy Allah Ilay Avo indrindra manao hoe: “Ry Olombelona! Nohariako ianareo avy tamin’ny lahy sy vavy, ary nataoko ho vahoaka sy foko marobe, mba hifankahafantaranareo. Fa ny tena mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’i Allah dia, izay tena vontompinoana indrindra”. [Al-houjouraty, And:13].

Anisany hadisoana goavana, sady lehibe ary mavesatra indrindra izay anendrikendrehana ny Finoana Silamo, nefa tsy mendrika azy no sady tsy ao aminy dia, ny fitenenana hoe, ny Finoana Silamo dia tsy manaja sady tsy miraharaha ny vehivavy, ary tsy manome ny zony araka ny tokony ho izy.

Ka manoloana an’izay mihitsy no nanambaran’ny Tompo Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Ary raha misy aminareo mankahala azy ireo (Vehivavy), dia mety mankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Allah fahasoavana sesehena”. [An-Nisa, And:19].

Ary mbola miteny Izy manao hoe: “Ary anisan’ireo FAMANTARANA Avy Aminy (Allah), ny Nahariany

(nanamboarany) ho anareo avy aminareo ny vadinareo, mba hiainanareo amim-pilaminana miaraka aminy, ary dia nasiany fifankatiavana sy hatsaram-panahy teo aminareo. Misy porofo tokoa ao anatin’izany ho an’ireo olona mieritreritra”. [Ar-Roum, And:21].

Efa betsaka dia betsaka tokoa ny antso sy fitakiana amin’ny resaka zon’ny vehivavy sy ny fahalalahany, ary ny fitakiana ny fitovizan-jony amin’ny lehilahy.

Ireto antsoantso sy fitakiana ireto dia, hita amin’ireo tokan-trano izay tsy manome na dia antsasaky ny zon’ny vehivavy no sady tsy manaja ny zony na kely aza.

Ny Finoana Silamo dia, efa nanome ny vehivavy ny zony sy ny fahafahany ara-dalana hatry ny fiantombohany.

Ka ny Fiantsoana ny vehivavy Mpino Silamo amin’ny Fitakiana ny zony hitovy amin’ny lehilahy dia, miantso azy hanaraka ny fomban’ny tandrefana sy fomba vaovao izay mifanohitra amin’ny voa-janahary. Ka noho izany dia, tsy manana toerana izany fitakiana izany amin’ny Finoana Silamo, satria efa feno tanteraka ny fomba mendrika tokony harahina ao anatin’ny Finoana Silamo, ka tsy liana zavatra fanampiny intsony.

Ekena raha misy mankaratsy momba ny vehivavy, na tsy manome azy ny zony feno, ka raha toa ka misy izany dia, noho ny tsy fifikirany amin’ny fampianaran’ny Finoana Islamo sy ny toro-lalana mendrika izay ambarany!!

Ny tanjon’ireo mihevi-tena[1] fa miantso amin’ny fahalalahana hoan’ny vehivavy sy ny fitakiana ny zony dia, misy telo karazana izany fitakiana izany;

1 Fitakiana ny fahalalahan’ny vehivavy 2 Fampitovizana ny Vehivavy amin’ny Lehilahy 3 Ny fitakiana ny zon’ny Vehivavy.

 

Dr. Abd Ar-Rahman bin Abd Al-Karim Ash-Sheha

 

/Users/ahmed/Documents/MY SITES & PROJECTS/PROJECTS & SITES/ISLAMLAND/logo-black.png

 

WWW.ISLAMLAND.COM

[email protected]

NY FITAKIANA NY FAHAFAHAN’NY VEHIVAVY

Tena marina fa, raha ny teny hoe: “Fahalalahana” dia mitaky fa, misy zavatra voafatotra ka tsimaintsy votsorana.

Raha jerevana izany io teny hoe; “Fahalalahana” io dia, hita fa, mifangaro amin’ny zavatra maro dia maro tokoa.

Atao-tsika ohatra mahakasika ny fanandevozana ny zanak’olombelona, lahy izany na vavy, ka tsimaintsy takiana ny famotsorana azy mba ho olona malalaka.

Ka noho izany, raha ny fahalalahana hoan’ny vehivavy araka ny fiheveran’ireo izay manao an’izany fitakiana izany ankehitriny dia, zavatra mbola lavitr’ezaka sady tsy eritreretina mihitsy.

Ny toe-boajanaharin’ny zanako’olombelona dia, hita fa tsy malalaka tanteraka ny zanakolombelona, satria ny fahafahany sy ny tanjany dia voafetra.

Ny olombelona tsirairay dia, samy miaina amin’ny tokantrano izay misy azy avy, na ireo izay anatin’ny tokantrano manaraka ny fivoarana ankehitriny, na ireo izay mbola manaraka ny fiainan’ny tokantrano talohan’ny fivoarana, dia samy fehezin’ny lalana sy tokantrano misy azy avy.

Ary amin’ny alalan’izany rehetra izany no ampandehanan’izy ireo ny raharaham-piainany an-davanandro sy ny mahakasika ny fivelomany.

Moa ve midika izany fa, tsy olona manana fahalalahana izy ireo?!

Ka noho izany dia, manana ny fetrany manokana ny

fahalalahana. Ka raha mihoatra an’izany fetrany izany ny olona anankiray, dia tonga amin’ny ambaratonga mahabiby azy tokoa izy. Ambaratonga izay tsisy fifehezana fa feno fihoafam-pefy tanteraka.

Nambaran’ny Profesora, Ph. D Henry Makow (Izay Mpandalina, Akademika Amerikanina, lehilahy Mpikaroka, sady Manampahaizana manokana momba ny raharahn’ny vehivavy maneran’izao tontolo izao)[2] hoe: “Hamafisina fa, ny resaka fahalalahana hoan’ny vehivavy dia fitaka lehibe izay avoitran’ny fitondrana vaovao manerantany, izay namitaka ireo vehivavy amerikanina no sady nanapotika ny fivoaran’ny tandrefana.” Ny teny tena marina dia, ny finoana Silamo no Finoana voalohany izay nanome fahalalahana tanteraka amin’ny resaka fifandraisana mivantana sady malalaka hoan’ny vehivavy amin’ny tokantrano rehetra.

Satria ny fifandraisan’ny vehivavy tamin’ny fotoan’andro talohan’ny finoana Silamo dia, tsy nisy fahalalahana tahaka ny amin’izao, raha tsy amin’ny alalan’ny Raiaman-dReny na Solontenan’ny Raiaman-dReny, dia izay olona nametrahana fitokisana momba izany ihany.

Ny Finoana Silamo dia, tsy mandrara afa-tsy amin’ny resaka fandrobana na fanitsakitsahana ny voninahitra sy fahavetavetana ary ny fitokana-monina tsy rariny. Satria ny fahalalahana amin’ireo zavatra voalaza ireo dia, voarara hoan’ny lehilahy sy ny vehivavy mitovy tsisy valaka.

Ny tena dikany hoe; Fahalalahana amin’ny finoana silamo dia voafetra araka izay ambaran’ny mpaminany Mohammad (SAW) manao hoe: “Ny ohatra amin’ny olona izay mifikitra mahitsy amin’ny fanajana ny didin’ny Tompo Allah Ilay avo indrindra, sy ny olona izay nihoatra ny fefiny dia tahaka ireo olona izay manatanteraka ankitsapaka ka samy te-hahazo ny anjara-toerany daholo amin’ny sambo. Ny sasany eo ambonin’ilay sambo ary ny sasany hafa kosa dia any ambany. Ka raha mila rano ireo ao ambanin’ilay sambo dia, tsimaintsy handalo eo anatrehan’ireo izay mipetraka any ambony. Ka miteny izy ireo hoe; raha simbainay ny anjaranay amin’ilay sambo dia, tsy hisy fiantrekany amin’ireo izay mipetraka eo ambony, fa raha avelan’izy ireo ry zareo hanao ny sitra-pony dia, hiharan-doza miaraka daholo izy ireo. Nefa raha nosakanan’izy ireo tsy hanimba an’ilay sambo izy ireo dia, ho avotra daholo izy rehetra”. [AlBoukhari, J 2, Pejy: 882, Laharana pejy: 2361].

Tahak’izany tanteraka no dikany atao hoe; Fahalalahana amin’ny finoana Silamo.

Ny fihetsikan’ny tsirairay dia, tsimaintsy matotra sady manaraka ny fampianaran’ny Finoana Silamo, izay miantoka ny fandriampahalemana hoan’ny tsirairay sy ny tokantranompinoana na fiaraha-monina izay misy azy.

Ny zavatra tena tokony hanontanian’ireo mpiady ny fahafahan’ny vehivavy dia, ny hoe; Aiza ny lalána tena tsara, mahasoa, ary tena miaro ny voninahitry ny vehivavy sady mahakarakara tsara ny fiaraha-monina?

Moa ve ny lalána Islamika izay mihevitra fa, ny vehivavy dia, fameno hoan’ny lehilahy sady namany amin’ny fiainany, sa ireo vondrona marobe samy hafa izay noforonin’ny olombelona sy ireo lalána izay namboariny ihany koa, izay tsy misy tanjona akory, afa-tsy ny fanapotehana ny voninahitra mahaolona izay efa lasa tahaky ny zavatra efa azo atao ny fanatanterahana ny voarara?

Ary potika tokoa ny Fiaraha-monina maro, sady voarebireby tsy ara-dalana ny firenena maro?

NY FITOVIZAN’NY VEHIVAVY AMIN’NY LEHILAHY

Hamafisina fa, ny fangatahan’ny vehivavy hitovy tanteraka amin’ny lehilahy amin’ny zavatra rehetra dia, zavatra tsy hisy mandrak’izay. Satria hita mazava tsara fa, efa tsy mitovy ny nanamboaran’ny Tompo ny lahy sy ny vavy. Na izany amin’ny resaka vatana, na amin ‘ny fomba fisainana na koa amin’ny fihetsika voa-janahary.

Raha toa ka efa tsy mitovy ny endrika nanamboaran’ny Tompo Andriananahary ny lehilahy sy ny vehivavy, dia mazava hoazy izany fa, tsy hisy andro hampitovy azy ireo. Ka manamafy an’izany ny tenin’i Allah swt manao hoe: “Ary nohariako tsiroaroa avokoa ny zavatra-drehetra, mba hatongavanareo saina”. [Az-Zariyat, And:49].

(Izany hoe; raha nanamboatra olona anankiroa tsy mitovy endrika ny Tompo Andriananahary Ilay avo indrindra, dia tsimaintsy namboariny amin’ny endrika samihafa avy izy roa, na amin’ny endrika tsy feno izay mifanohitra amin’ny anankiray ny hafa mba hifameno).

Raha jerevantsika ka mizara roa ny vatana anankiray, ka tokony tsapantsika avy hatrany fa, tsy mizara roa fahatany izy iny fa, noho ny antony lehibe roa.

Fa, raha toa ka iray ihany ny antony ilain’ny vatana dia, mba nijanona ho vatana iray ihany ny olombelona fa, tsy nisy karazana roa (Lahy sy Vavy) fa, tsimaintsy iray tamin’izy roa ireo ihany.

Midika izany fa, ny fisamihafan’ny lahy sy ny vavy dia, manaporofo fa, ny tsirairay avy dia, samy manana ny asany manokana fa, ny vatana fotsiny no mampitambatra azy roa… Ary anisany ohatra manoloana izany dia, momba ny alina sy ny antoandro ho zavatra roa amin’ny vatana anankiray. Izany hoe; ny itovizany dia, amin’ny resaka fotoana izay manambara fa, ny alina dia, natao ho fialan-tsasatra, fa ny antoandro kosa dia, natao hitadiavana sy handehanana hanaovana asa aman-draharaha.

Ka noho izany dia, ny lehilahy sy ny vehivavy dia zavatra roa samihafa, fa ny resaka mahaolombelona ihany no mampitovy azy roa. Ankoatr’izay dia mbola misy zavatra marobe takiana amin’izy roa (lahy&vavy) mba hanambara mazava tsara ny mahaolombelona ny olombelona tsirairay avy izay hitovizana.

Ka aorian’izay rehetra izay dia, mbola misy zavatra hafa marobe no takiana manokana amin’ny lehilahy, ary tahaka izany koa ny vehivavy; betsaka ihany koa ny zavatra takiana aminy fa samy manana ny toetra izay noharian’i Zanahary azy avy.

Ka noho izay rehetra voalaza izay no hafahantsika miteny tsy amim-pisalasalana fa, ny lehilahy sy ny vehivavy dia karazana roa avy amin’ny vatana iray.

Izy roa ireo dia samy manana andraikitra lehibe izay iraisan’izy roa avy amin’ny mahaolombelona. Ary eo koa ny andraikitra izay tsy itovizan’izy roa, izay maneho fa, tsy mitovy tokoa izy roa ireo [lehilahy&Vehivavy][3].

Mazava tsara amintsika fa, mifanohitra tanteraka ny endrikan’ny lahy sy vavy amin’ny zavatra rehetra. Ary raisina ho zava-poana ny ezaka ho amin’izany (hampitovizana ny lahy&vavy). Satria izany dia ezaka hoany amin’ny fanovana ny voa-janahary.

Ary izany dia, ezaka amin’ny fanitsakitsahana ny vehivavy mihitsy sy fanambaniana azy tanteraka, izay hanala azy tanteraka avy amin’ny fomba voa-janahary izay noharian’ny Tompo Allah azy (vehivavy), izay hanome voka-dratsy hoan’ny fiarahamonina.

 

 

NY FITAKIANA NY ZON’NY VEHIVAVY

Mbola tsy nisy fitondrana na lalana teto an-tany, na taloha izany na taty afara ka, niaro ny zon’ny vehivavy afa-tsy Ny Finoana Silamo. Ka tsikaritra izany hatry ny fotoana nipoiran’ny hazavan’ny Finoana Silamo tamin’ny alalan’ny faminanian’ny Iraka masina Mohammad (saw), sy izay hita tamin’ny fiainan’ireo Mpino Silamo izay nino Azy, sy ny fomba fiainan’izy ireo anatrehan’ny fiarahamonina amin’ny samy mahaolombelona (amin’ny mpiara-belona).

Ka anisany fahagagana lehibe tamin’ny tantaran’ny zanak’olombena izay hita amin’ny sehatra rehetra isankarazany dia, ny hafaingan’ny fiparitahan’ny Finoana Silamo, izay ahitana ny zavatra rehetra mahakasika ny fiainan’ny zanak’olombelona, ny fahatsorany, ny tsy fahasarotana mandray ny tiany ambara ary ny fifandraisany amin’ny voa-janahary mahakasika indrindra ny olombelona, izay tsisy zavatra afenina na mampisavoritaka ny saina na mety hampiova ny endrika voa-janahary amin’ny olombelona izay tsy nisy fahabangana tamin’ny fanamboaran’ny Andriananahary azy. (izany hoe; namboarin’ny Tompo Zanahary amin’ny fomba sy endrika izay hitiavany azy).

Ndao tsika hiara-hijery amin’ireo tranga maro isankarazany mahakasika ny resaka fanovana ny voa-janahary raha ny toeran’ny VEHIVAVY sy ny zony no, asiana resaka, ary izay indrindra no tena tanjoana lehibe hoanay amin’izao fikarohana izao.

Ka mahakasika izay no nanambaran’ny Dr. GUSTAVE Lebon, izay tompon’ny Boky antsoina hoe: “La civilisation Arabe/Ny FIVOARAN’NY ARABO”, ambarany fa[4]: “Tsy mampitsaha misandratra ny lanjan’ny Finoana Silamo ny fampiakarana ambony ny toeran’ny vehivavy. Fa ny tena marina kokoa dia, ny Finoana Silamo no Finoana voalohany nampihatra izany”. Mbola miteny izy amin’io boky io ihany fa, amin’ny toerana hafa amin’ny pejy faha: 497, manao hoe: “Ny zon’ny mpanambady izay resahin’ny Boky masina Kor’any sy Manampahaizana momba ny famakafakana ny Boky masina Kor’any dia, tsara lavitra indrindra toy izay ny lalana eropeanina mifehy ny zon’ny mpanambady”.

Hamafisina fa, ny zon’ny vehivavy dia, tokony tsimaintsy takiana any amin’ny fiarahamonina izay nanitsakitsaka izany, na any amin’ny fiarahamonina izay tsy nanome ny zony ara-dalana. Ka ireny fiarahamonina ireny no, nahatonga azy (vehivavy) ho tafiditra amin’ny lalana ratsy izay tsy tokony handehanana sady nampiditra azy amin’ny fakam-panahy. Ka lasa tahaky ny fitaovam-barotra fotsiny ny vehivavy, sy fanaovan’ny sasany ny hetahetam-pony sy fahafinaretany.

Fa ny finoana Silamo dia, manaja hatrany ny vehivavy no sady miaro ny zony, izay manome azy ny zo ankapobeny sy ny zo manokana. Ka noho izany no hahafahan’ny vehivavy hivelona amim-piadanana sy fandriampahalemana. Ary afaka malalaka tsara izy (vehivavy) hanatanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra, izay nanamboaran’ny Tompo Zanahary azy (noho ny anton’izay no noharian’i Allah azy).

 

 

 

NY TOERAN’NY VEHIVAVY ARAKA NY FOTOANA NIFAMDIMBY

NY TOERAN’NY VEHIVAVY TAMIN’NY FOTOANAN’NY HABADOANA:

Tena marina fa, ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina tamin’ny fotoanan’ny habadoana talohan’ny Finoana Silamo dia, voasokajy ho zava-doza, izay tena nisedra tsindrihazolena. Tsy voahaja ny zony, ary tsy manan-jo hanan-karena fa noraisin’izy ireo ho tahaky ny zavatra tsy manan-danja na kely aza.

Ny vehivavy tamin’izany fotoanan’ny habadoana izany dia, tsy nanan-jo handova, satria raha araka ny fiheverany fa, ny resaka fandovana dia, tsy azo omena an’izay mitengina lamosintsoavaly ka miady mba hahazo tombontsoa an’ady. Nefa ny vehivavy tamin’izany fotoanan’ny habadoana izany dia, lovaina izy raha maty ny vadiny tahaka ny fandovam-pananana.

Raha manan-janaka amin’ny vehivavy hafa ny ramose, dia ny zanany lahy matoa no tena manana zo bebe kokoa hanambady an’ny vadin’ny dadany (taorian’ny fahafatesan’ny dadany). Mandova hanambady an’ny reny keliny tahaka ny fandovana harena sy fananana. Ary tsy mahazo miala amin’ny tranon’ny vadiny taloha afa-tsy hoe, mamotsotra ny tenany amin’ny fandoavana onitra voafetra.

Ary raha mangataka famotsorana ny tenany izy (vehivavy) dia, tsy mahazo miverina amin’ny vadiny (@ramoseny) intsony aorian’ny fisaraham-panambadiana.

Ka aorian’izay dia, malalaka hanambady ny vehivavy izay tiany ny lehilahy, ka tsisy fepetra mifehy azy hanao izany.

Fa ilay vehivavy efa nisara-panambadiana kosa, dia tsy manana zo hisafidy lehilahy haka vady azy intsony. Ary tsy manana zo amin’ny ramose vadiny koa izy, sady tsy nisy lalana nandrara ny tsindrihazolena izay ataon’ny lehilahy amin’ny vadiny tamin’ny fotoanan’izany habadoana izany.

Ny Arabo tamin’ny fotoanandron’ny habadoany dia, tsy mirary soa amin’ny fiterahana zaza vavy, izay noraisiny tahaka ny zavadoza sady fahoriana ary mitondra haratsiana ny fahazoana zaza vavy tamin’izany.

Ka raha sendra teraka vavy ny iray amin’izy ireo dia, lasa idiran’ny asa-loha sy fahasahiranana izy. Ary efa tafahoatra tokoa ny tsy fitiavan’izy ireo ny ankizy vavy ka nahatonga azy ireo handevim-belona ny zanany vavy nohony fankahalana fotsiny.

Maro tamin’ny foko Arabo no nampiasa ny fandevenam-belona ny ankizy vavy. Ary antony dia, samy manana ny azy izay tsy itovizana araka ny fiainan’ny fianakaviana manoloana ny fiaraha-monina.

Misy amin’izy ireo manatanteraka ny fandevenam-belona noho ny tahotra amin’ny fahafahambaraka. Misy amin’izy ireo koa no manao an’izany raha sendra ka marary ilay ankizy vavy na misy kilema.

Hoy Allah Ilay avo indrindra manazava tsara momba ny fiainan’izy ireo manao hoe: “Ary raha ilazana fahaterahanjazavavy ny anankiray amin’izy ireo, dia maloka avy hatrany ny endriny, sady vonton-katezerana izy”. [An-Nahl, And:58],

“Miafina avy amin’ireo olona izy, nohony loza izay nolazaina taminy. Ka tsimaintsy hitazona azy ve izy, na dia eo aza ny henatra, sa handevina azy any ambanin’ny tany? Tena ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo!” [An-Nahl, And:59].

Nisy tamin’izy ireo nandevimbelona ny zanany, noho ny tahotra amin’ny fahantrana, ka ny Arabo mahantra no mpanao izany tamin’ny fotoanan’ny habadoana. Ary hamafisina fa, efa noraketin’ny Boky masina Kor’any izany rehetra izany, araka izay ambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Ary k’aza vonoina noho ny tahotra fahantrana ireo zanakareo, fa Izaho no manome azy ireo ny anajaram-pivelomany, tahaka izany koa ianareo. Fahotana lehibe tokoa ny famonoana azy ireo”. [Al-isra, And:31].

Ny vehivavy tamin’ny fotoanan’ny habadoana dia, tsy nahazo ny zony araky ny tokony hoy izy. Ary ohatra tsotra amin’izany dia, mahakasika ny resaka sakafo na ireo zavatra sy biby fihinana, izay araka ny fiheverany dia, misy zavatra manokana hoan’ny lehilahy, nefa fady hoan’ny vehivavy amin’izy ireo. Hoy Allah swt manao hoe: “Ary hoy izy ireo: Izay ao anaty kibon’ireo biby ireo dia voatokana hoan’ny lehilahy aminay, fa voarara kosa izany amin’ireo vadinay”. [Al-an’am, And:139].

Ny vehivavy tamin’izany andro izany dia tsy mba nisy zavatra afaka hampirehareha azy, afa-tsy ny fiarovany ny ramoseny

(vadiny) hoazy, sy ny valifaty amin’ny fanitsakitsahana ny voninahitriny ary ny fiarovana ny hasiny.

•        NY TOERAN’NY VEHIVAVY TAMIN’NY FIARAHA-MONINA KARANA TAMIN’NY FAHAGOLAN-TANY:

Araka izay voalaza ao amin’ny Boky antsoina hoe (Vedia), raika amin’ireo Boky masina izay miaro ny andry ijoroan’ny finoan’ireo Brahima, izay miresaka mahakasika indrindra ny vehivavy, araka izay voalaza manaraka izao[5]: Ny lalana Brahimika dia mampisaraka ny lehilalhy sy ny vehivavy amin’ny lanja mahaolombelona, ary tahak’izany koa momba ny zo rehetra isankarazany.

Ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina karana teo aloha dia, voatery tsimaintsy manaraka ny sitra-pon’ny lehilahy amin’ny ilány azy araka ny kilasy fihavian’ny fianakaviany (izany hoe; ny fanambaniana zany dia, jerevana araka ny fihavian’ny vehivavy).

Ary lasa eo ambany fahefan’ny lehilahy ny vehivavy amin’ny ambaratongam-piainany. Izany no didy sy lalana izay napetraky Mano hoe; Ny vehivavy dia, tsy manana zo hanao na inona na inona amin’ny fanapahan-keviny manokana mandritra ny ambaratongam-piainany rehetra, na dia mahakasika ny raharaha anatiny ao amin’ny tokantranony manokana aza.

Raha amin’ny fahazazany izy (vehivavy) dia, tsimaintsy manaraka ny dadany.

Fa rehefa eo amin’ny fahatanorany izy dia, tsimaintsy manaraka ny vadiny. Ary raha sanatria ka maty ny vadiny (ramoseny) dia, tsimaintsy mifindra any amin’ny fianakavian’ny dadany. Fa raha toa ka tsy manana fianakaviana avy amin’ny dadany dia, alefa any amin’ny mpitondra ao amin’ny Tanana (Manampahefana). Ka noho izany dia, tena tsy nanana zo amin’ny resaka fahalalahana sy fahaleovantena mihitsy ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina karana (Indianina) tamin’ny fotoanan’ny fahagolan-tany mandritra ny ambaratongam-piainany rehetra manontolo. Ary na dia amin’ny fomba fihetsiny andavan’andro aza izany.

Ny toeran’ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina karana taloha dia, mitovy toerana amin’ny andevovavy, izay tsimaintsy manaraka ny sitra-pon’ny vadiny, ka tsy manana safidy na amin’inona na amin’inona zavatra amin’ny fiainany.

Tsy manana fahefana mahakasika ny raharahany izy, nefa ny tena marina dia, izao tontolo izao no matiantoka aminy eo amin’ny resaka filalaovana loka[6].

Amin’ny finoan’izy ireo dia, tsy mahazo manambady intsony ny vehivavy raha maty ny vadiny, ary tsy manana zo hivelona intsony        aoriany          fa,        tsimaintsy     ho       dorana             velona mandrapahafatiny amin’ny andro izay hifatesan’ny vadiny. Araka izay ambaran’ny Bokim-pinoan’izy ireo[7] manao hoe: Tsara hoan’ny vehivavy dia, manipy ny tenany anaty afon’ny kitay izay efa nomanina handoroana ny vadiny izay vao maty.

Ka rehefa ampidirina anaty afo ny fatin’ny vadiny dia, tsimaintsy manatona manakaiky ny afo ny vehivavy (vadiny), ary mitafy saron-tava (Bourquah). Rehefa aveo dia, esorin’ireo Lehiben’ny fivavahana ny saron-tavany, ary esoriny daholo ny fitafiny sy ireo zavatra lafo-vidy amin’ny vatany, ka tsimaintsy hatolotra an’ireo fianakaviany akaiky indrindra.

Rehefa vita izay dia, tsimaintsy vahany (manataka/tatahana) ny volony, ary raisin’ireo Lehiben’ny fivavahana Brahimika (tazominy avy ankavanany) avy amin’ny faritra ankavanany izy

(vehivavy maty vady) ka hentin’izy ireo mihondinkodina in- 3 amin’ilay afobe izay eo ampandoroana ny vadiny izy, sady miaraka amin’ny volony mibarantsana na miborotsaka. Aorian’izay dia, miakatra any anaty afo ny vadiny (madamo) ka mampiakatra ny tongon’ny vadiny izay efa nodorana, any amin’ny handriny (alefa any @andriny madamo). Izany dia, ho fanehoana ny fanetren-tenany sy fahadiovam-po hoan’ny ramoseny izay efa maty. Ary miovaova toerana izy rehefa aveo, ka mifindra mankany amin’ny lohany, ary mametraka ny tanankavanany amin’izany. Ka izay ihany no ela, dia avahitr’izy ireo mafimafy ny afo, ary dorana miaraka amin’ny vata-

mangatsiakan’ny vadiny izy (madamo). Ary milaza izy ireo fa, izany fandoroana azy miaraka amin’ny fatin’ny vadiny izany dia, handova hasambarana mandrak’izay miaraka amin’ny vadiny, ary hipetraka miaraka amin’ny vadiny (ramoseny) izy (madamo) any an-danitra mandritra ny dimy amby telopolo tapitrisa taona (35 million taona) …

Izany hoe, raha araka ny fiheveran’izy ireo fa, izy (vehivavy) dia, manadio ny fianakavian’ny reniny sy dadany ary ny fianakavian’ny vadiny ihany koa tamin’ny alalan’ny fandoroana azy iny, no sady manadio ny fahotana rehetra izay vitan’ny vadiny…

Ary izay vehivavy nandalo an’izany dia, sokajin’izy ireo ho tena vehivavy madio, tena manamboninahitra, ary ho olona mendrikaja indrindra amin’izy ireo.

Niparitaka sady nihatra tamin’izy ireo io fahazarana tamin’ny fomba izay tena haingana dia haingana tokoa. Ka nandritra ny folo taona (10 ans) fotsiny dia, any hoany amin’ny enina arivo (6.000) vehivavy no nodoran’izy ireo, izany hoe, nanomboka tamin’ny taona 1815 ka hatramin’ny taona 1825. Ary mbola nitohy hatrany ny fampiharan’izy ireo io lalána io ka hatramin’ny taon-jato faha-17, ka foana hatreo ny fampiharana izany lalana izany rehefa nankahala an’izany ireo lehilahy mpivavaka tao amin’ny fivavahana karana hindo.

Anisany manambara fa, ratsy sady ambany tokoa ny toerana niainan’ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina karana tamin’ny fotoanandrony teo aloha dia, araka izay ambaran’ireo lalána karana hindo[8] manao hoe: Tsy ny fiafarana voalahatra, na ny rivotra, ny fahafatesana, ny afobe, ny poizina, ny bibilava ary ny afo no tena ratsy mandilatra noho ny vehivavy.

Ary nisy fotoana fa, ny vehivavy anankiray dia, manana lehilahy maromaro (vady), izany hoe; ny toerany dia tsy misy valaka na kely aza amin’ny toeran’ny mpivaro-tena.[9]

•        TOERAN’NY VEHIVAVY TAMIN’NY FIARAHAMONINA SINOA TAMIN’NY FAHAGOLA:

Ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina sinoa teo aloha, raha ny nambaran’ny tompon’ny boky antsoina hoe: “Tantaran’ny Fivoarana”10, dia: Fananana hoan’ny lehilahy, izay tsimaintsy mandany ny fiainany manontolo amin’ny fanompoana azy, tahak’izany koa dia tsy manana zo amin’ny sehatra rehetra, ohatra ny resaka harena, sosialy, ary voasokajy ho ambany lanja tokoa izy, na dia ny raharaha ao antranony aza dia, mbola tsy ananany fahefana na kely. Ka ny lehilahy no, tompon’ny fahefana rehetra momba azy, izay tsy manana zo na amin’ny resaka fianarana, na kolotoraly. ka voatery mijanona ho tahaka ny gadra ao antrano manao ny asa aman-draharaha sady manompo ny ao antrano, ary ny zavatra mba azony ianarana dia; ny resaka fianarana zaitra, sy ny fomba fanaovana asa amandraharaha isankarazany.

Rehefa feno dimy ambiny folo taona izy (15 ans) dia, tsimaintsy tapahana ny volony, ary raha feno roapolo taona (20 ans) dia tsimaintsy manambady amin’izay.

Ary ny dadany no misafidy ny lehilahy hanambady azy miaraka amin’ny fanampian’ny mpanera mpitady.

Ny fahaterahan’ny ankizy vavy tany Sina dia voasokajy ho fambara loza, araka izay ambaran’i W. Durant ao amin’ny bokiny atao hoe “Tantaran’ny fivoarana”, arak’izao manaraka izao[10]: Ireo dada dia, rehefa mivavaka dia, mangataka mba hahazo zanaka lahy. Satria anisany henatra lehibe hatrany ho an’ny reny dia, ny tsy fananan’izy ireo zanaka lahy.

Satria ny zanaka lahy no matanjaka lavitra noho ny ankizy vavy, raha amin’ny resaka asa any amin’ny tanimboly, ary matanjaka sady matotra lavitra noho ny ankizy vavy raha any amin’ny toeram-piadiana. Ka ny ankizy vavy fahiny dia, raisin’ny raiaman-dReny ho vesatra fotsiny, satria mahatsapa mijaly sy miaritra fotsiny izy ireo manabe azy ireo, ka rehefa lehibe dia, tonga dia halefa any antranon’ny vadin’izy ireo. Izany hoe; handeha hanambady.

Ary ny fahazaran-dratsy amin’ny famonoana zanaka dia, efa nisy tamin’ny fiarahamonina Sinoa tamin’ny andron’ny fahagolantany, ka raha manana zanaka vavy mihoatra ny filan’ny fianakaviana ny hamaroany, ary indrindra moa raha misedra olana amin’ny resaka famatsiam-bola ny raiaman-dReny dia, apetrak’izy ireo irery any an-tanim-boly mandritra ny alina mba hohanin’ny bibidia, ary tsisy malahelo amin’izany na kely azany fianakviana. Izany hoe; tsisy manana fihetseham-po amin’ny mahaolombelona mihitsy ny fianakaviana manontolo.

Araka ny nambaran’ny mpahay ohabolana Sinoa[11] anankiray manao hoe: Mangina amin’ny vadinao fa, k’aza matoky ny zavatra ambarany.

•        NY    TOERAN’NY      VEHIVAVY AMIN’NY FIARAHAMONINA          ROMANINA TAMIN’NY FAHAGOLAN-TANY:

Manambara ny tompon’ny boky antsoina hoe; Ny tantaran’ny fivoarana[12] manao hoe: Ny fahaterahan’ny zaza vavy dia, anisany zavatra tsy irin’izy ireo, ary ny fahazarana izay tena tian’izy ireo dia, manome alálana ny ray hamono ny zanany izay tsy tiany, noho ny antony kilema na raha toa ka vehivavy. Fa, ny mifanohitra amin’izany dia, ny fanirian’izy ireo mafy te-hahazo zanaka lahy.

Hamafisina fa, ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina Romanina dia, tsy nanana zo mitovy amin’ny rehetra, na koa tsy manana zo feno mahakasika ny raharaha antokantranony. Ary ny lehilahy dia, afaka manao izay tiany hatao amin’ny vehivavy ny lehilahy romanina tamin’izany andro izany.

Ny sehatra rehetra sy ny fahefana dia, teo ampelan-tanan’ny lehilahy daholo.

Ny lehilahy no tompon’ny fahefana feno amin’ny raharaham-pianakaviana manontolo. Ary anisany fahefana nananan’ny lehilahy tamin’ny fiarahamonina Romanina tamin’izany dia, ny fahazoany alálana hamono ny andefimandriny raha toa ka sendra misy zavatra mahavoaendrikendrika azy[13]. Ary nanana fahefana tahak’izany koa izy tamin’ny famehezana ireo vinantony (vavy) sy ireo zafiny. Ary tafiditra anatiny fahefan’ny lehilahy Romanina tamin’izany fotoana izany dia, ny fahefany mivarotra, manasazy, mandroaka sy mamono izay tiany hatao izany amin’izy ireo.

Ny anjara asan’ny vehivavy tamin’izany dia, ny tsimaintsy mihaino, sady mankatoa ary manatanteraka ny baiko izay omena azy, fa tsy manan-jo hanohitra na hitaky akory. Ary tsy manana zo handova ihany koa ny vehivavy Romanina fahiny, fa ny zanaka lahy matoa no mandova ao amin’ny fianakaviana. Tsy vitan’izay fotsiny fa, ny lehilahy anankiray dia, mbola afaka mampiditra olona hafa tsy havany ho anisan’ny fianakaviany, ary manafoana tsy ho anisan’ny fianakaviany izay tiany hatao an’izany amin’ny alálan’ny fivarotana azy any amin’ny mpividy[14].

• NY TOERAN’NY VEHIVAVY TAMIN’NY FIARAHAMONINA GRIKA TAMIN’NY FAHAGOLAN-TANY:

Ny vehivavy grika no ratsy vintana indrindra amin’ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina sy vahoaka rehetra nandalo teto an-tany tamin’ny fotoanan’ny fahagolantany. Ary tonga tamin’ny ambaratonga izay farany ambany indrindra ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina grika, ary voasokajy ho henatra na fahafahambaraka no fandraisana azy. Arak’izay ambaran’i Trouvelong[15] manao hoe: Ny vehivavy mpiteraka dia, raisina ho henatra hoan’ny vadiny, mba hiteraka zanaka marobe hoan’ny firenena avy amin’ny lehilahy hafa.

Tsy nanana zo amin’ny resaka kolotoraly, ary voasokajy ho olona farany ambany lanja tokoa izy tamin’y fotoanandro teo aloha izany, ka lazain’izy ireo fa anisan’ny loton’ny devoly ny vehivavy.[16]

Ny vehivavy grika tamin’ny fotoanandrony dia, tsy nisy lalána niaro azy, fady mandova, tsy nanana zo hanao izay tiany hatao momba ny harenany, voageja ny fahalalahany sy fahefany fa, voatery tsimaintsy hanompo ny lehilahy sady hankatoa ny fahefany mandritra ny fiainany manontolo, ary tsiafaka manohitra an’izany. Tsy nanana zo tahak’izany koa izy amin’ny resaka fitakiana ny FISARAHAM-PANAMBADIANA, fa zon’ny ramose madiodio samy irery ny fanaovana izany (Fanapahan-kevitra amin’ny fisaraham-panambadiana)[17] Tsy vitan’izay fotsiny ny fomba fitondran’ny fiarahamonina grika ny vehivaviny fa, vaomaika nandeha amin’ny tsy tokony hoy izy.

Ka niafaran’ny raharaha dia, tonga tamin’ny fitakian’ny sasany tamin’ireo mpandinika grika fa; Ny anaran’ny vehivavy kosa dia, tsy mahazo mivoaka trano mihitsy, tahaka ny vatatenany tsy mahazo mivoaka trano[18].

Ny vehivavy tamin’ny tantaran’ny Grika dia, voasokajy ho karazana zavatra tena ambany lanja indrindra. Ka nambaran’ny tompon’ny boky antsoina hoe: Fivoaran’ny Arabo, manao hoe[19]: Raha ankapobeny no jerevana dia, mandray ny vehivavy ho

anisan’ny zavatra tena ambany lanja indrindra amin’ny zavaboaharin’ny Tompo Andriananahary. Tsisy ilana azy ankoatran’ny fakana taranaka fotsiny sy ny fikarakarana ny ao antrano. Ka raha sanatria niteraka zaza ratsy tarehy na misy kilema ny vehivavy tamin’izany fotoana izany dia, tsimaintsy ho tsarain’izy ireo izy momba an’izany.

Hamafisina fa, “Demostin” izay mpitori-teny malazan’izy ireo dia, nanambara ny fahitany momba ny toeran’ny vehivavy[20] manao hoe: Izahay dia maka an’ireo mpivaro-tena noho ny hetahetam-po, ary maka an’ireo sakaiza vavy mba hiarovanay ny fahasalaman’ny vatanay amin’ny fiainana andavan’andro, ary manam-bady izahay mba hiteraka zaza ara-dalana hoanay. Inona ary mba anjara toeran’ny vehivavy amin’izany fiarahamonina izany, raha atao jeritodika ny zavatra rehetra ambaran’ireo olon’ny kolontsaina amin’izy ireo?!

• NY TOERAN’NY VEHIVAVY TAMIN’NY FIARAHAMONINA JIOSY TAMIN’NY FOTOANAN’NY FAHAGOLANTANY:

Raha tamin’ny tantaran’ny Jiosy dia, noraisiny ho fototry ny fahotana ny vehivavy, araka izay hita anatin’ny soratra ao amin’ny Baiboly[21] manao hoe: Ny Vehivavy no fiantombohan’ny hadisoana, ka nohony antony avy aminy no, nampiditra ny rehetra anatin’ny fahadisoana.

Ny toeran’ny vehivavy tamin’ny fiarahamonina jiosy dia, tena ratsy dia ratsy tokoa. Ka nahatonga azy ireo nanamboatra lalána manokana hifehezana izany vehivavy izany, ary nampitandrina momba izany araka izay voalaza ao amin’ny (Leha miaraka)[22]: Nihodina aho sy ny foko, mba hahafantatra sy hiaina ary hitady fahendrena sy fisainana, ary mba hahafantatra koa fa, ny haratsiana dia ny habadoana, ary ny havalanana (hadondorana) dia ny hadalana (hamolana).

Ka hitako momba ny fahafatesana ka dia, ny vehivavy izay mitoetra toy ny tambazotra, ary ny fony dia fandrika, fa ny tanandroany kosa dia, tari-dalana hoa an’ny mpanompo tsara eo anatrehan’ny Tompo Andriananahary, ary tsy ho avotra eo anatrehan’ny diso-lalana ka haka azy.

Ary ny Ray (Dada) no manam-pahefana feno amin’ny fianakaviany ary indrindra indrindra moa ireo zanaka vavy. Ary izy no misafidy lehilahy hanambady azy ireo, ary afaka manome azy ireo amin’izay olona tiany homena azy.

Afaka mivarotra azy (vehivavy) koa izy raha tiany, araka izay voalaza ao amin’ny Bokin’izy ireo, voyage de depart, amin’ny chapitre 21, manomboka amin’ny toko faha:7-11.

Milaza ny tompon’ny Boky antsoina hoe; Tantaran’ny fivoarana[23]: Ny ray irery ihany no mpanjaka izay manjaka ao amin’ny fianakaviana manontolo izay tsy hay toherina. Ny tany dia, mijanona ho fananany samy irery, ary tsiafaka hivelona velively ireo zanany raha toa ka tsy manakatoa ny baikony.

Ny ray (dada) no, firenena ka zony madiodio no hivarotra ireo zanany vavy alohany hafeno taona azy, mba ho lasa andevo, raha toa ka misedra fahantrana izy ka mila vola. Zony tanteraka araka izay efa voalaza ny hampanambady azy amin’izay lehilahy tiany homena an’izany. Ary indrindray dia, tena efa mihoatra ny fetran’ny zony ny dada, ka mangataka aminy (ankizy vavy) mba hankasitraka izany fanambadiana izany.

Ary ny fomban’ny Jiosy fahiny dia, rehefa manambady ny vehivavy dia mifindra avy hatrany amin’ny ramose vadiny ny fahefan’ny papan’ilay vehivavy ka lasa ho anisan’ny fananany rehetra tahaka ny; Trano, ny andevo lahy sy vavy ary ny vola amankarenany. Ary izay no didy voalaza ao amin’ny Baiboly, amin’ny voyage de depart, chapitre: 20, Toko: 17.

Mbola voalaza koa fa, ny Lalána Jiosy dia, mandrara ny tsy handovan’ny zanany vavy an’ny dadany raha niteraka lahy izy, amin’ny mahafaty azy (Papa). Voalaza ao amin’ny Genesis: 27, toko faha: 8: Fa, izay lehilahy maty ka, tsy manana zanaka lahy, dia tsimaintsy afindran’izy ireo amin’ny zanany vavy ny harenany.

Ary raha sanatria ka, maty ny raim-pianakaviana dia, tsimaintsy afindra amin’ny rahalahin’ny raim-pianakaviana (ramose) ny vadin’ny maty. Izany hoe; faly na tsy faly ny renim-pianakaviana momba izany, afa-tsy hoe; nanda tsy hanao izany ny ramose rahalahin’ny maty. Araka izay efa voalaza ao amin’ny Boky masina amin’ny testamanta taloha[24] hoe: Raha maro izy mirahalahy no miara-mipetraka, ka maty ny iray amin’izy ireo, nefa tsy manana zanaka lahy izy. Ka noho izany dia, tsiazon’ny madamo atao no manambady lehilahy hafa ivelany. Fa, ny rahalahin’ny maty no tsimaintsy manambady azy, ary mandray andraikitra tahaka ny rahalahiny teo aloha.

Ary anisany fomba tamin’ny fiarahamonina Jiosy fahiny dia; raha mandeha fadim-bolana ny vehivavy dia, tsy mahazo misakafo na misotro miaraka amin’ny daholobe fa, tsimaintsy atokana ny toerana misy azy mandrapaha tapitra ny fadimbolana. Araka izay voalazan’ny lalanan’izy ireo[25] mahakasika io raharaha io hoe: Rehefa mahatsiaro fa, efa akaiky handeha ny fadim-bolan’ny vehivavy isam-bolana dia, maloto izy manomboka amin’io andro io, na dia mbola tsy ahitana famantarana aza izany.

Ka manomboka amin’io fotoana io dia, efa tsiazon’ny ramose atao no manao firaisana aminy na dia mikasika azy amin’ny ankisain-tanany (tondro kely) na hanolotra zavatra kely aminy aza dia tsy mety. Tsiazon’ny ramose atao na dia, manipy zavatra avy amin’ny tanany aza ho amin’ny madamo.

Tsiazon’ny ramose atao no misakafo miaraka aminy, afa-tsy hoe misy zavatra manelanelana azy roa. Tsiazo atao no misotro amin’ny tasy iray miaraka amin’ny madamo. Ary tsiafaka miray fandriana koa izy roa, raha anatin’ny fadim-bolana ny vehivavy mandrapaha tapitra ny fadim-bolana ka madio izy.

Tsy mahazo mitengina zavatra miaraka (soavaly sns) rehefa mandeha na inona na inona ny fomba fandehanana amin’ny resaka fifamoivoizana. Ka raha sendra miara miasa amin’ny toerana iray dia, tsy maninona, nefa ny fepetra dia tsy mahazo mifampikasoka.

Raha sendra marary ny renim-pianakaviana dia, tsiazon’ny ramose atao ny mikarakara azy na dia hifampikasoka aminy aza.

Ary tahak’izany koa ny vehivavy rehefa miteraka dia, lasa maloto izy.

Raha niteraka zazalahy izy dia, mipetraka maloto mandritra ny fito (7) andro. Ary raha miteraka zazavavy izy dia mipetraka maloto mandritry ny efatra ambiny folo andro (14), ary tsy mahazo misasa raha tsy feno efapolo andro (40 jours) hatry ny daty niterahana zazalahy, ary valopolo andro (80 jours) raha zazavavy.

• NY  TOERAN’NY VEHIVAVY TAMIN’NY FIARAHAMONINA          KRISTIANINA TAMIN’NY FAHAGOLAN-TANY:

Tena hentitra tokoa ireo Momperan’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato tanelanelany teo fa, ny vehivavy no fototry ny haratsiana raha araka ny fijerin’izy ireo, ary fototry ny fahotana sady fototry ny fahoriana sy fahasahiranana rehetra izay mahazo ny olombelona.

Ka noho izany dia, ny fifandraisan’ny lahy sy vavy dia lasa zavatra maloto, izay tsimaintsy hiatahana lavitra mandrapaha hanambadiana amin’ny fomba ofisialy.

Nambaran’ny Masindahy Tertullien fa; Ny vehivavy dia varavarana hitondran’ny devoly ny zanakolombelona mankany amin’ny haratsiana. Ary izy no mitarika ny zanakolombelona hankany amin’ny hazo voahozona (voarara) mba handika ny lalanan’ny Tompo Andriananahary, ary manova ny endriky ny lehilahy.

Nohazavain’ny mpanoratra Danoa, Wieth Knudesen mahakasika ny toeran’ny vehivavy tamin’ny fotoanandro tampovoany tany, hoe; Ny fianteherana amin’ny vehivavy dia, tena voafetra raha araka ny sekta katolika, izay manasokajy ny vehivavy ho laharana faharoa amin’ny zava-boahary.

Nambaran’ny iraka Paoly: Tiako ho fantatrareo fa, ny lohan’ny lehilahy tsirairay dia Mesy, ary ny lohan’ny vehivavy dia ny lehilahy, fa ny lohan’ny Mesy dia Andriananahary….

Ka noho izany dia, tsy tokony hisaron-doha ny lehilahy, satria izy no endriky ny Tompo sy voninahitriny. Fa ny vehivavy kosa dia, voninahitry ny lehilahy.

Satria ny lehilahy dia tsy namboarina avy tamin’ny vehivavy fa, ny vehivavy no namboarina avy tamin’ny lehilahy. Ary ny lehilahy dia tsy namboarina noho ny antony vehivavy fa, ny vehivavy no namboarina noho ny anton’ny lehilahy. Ka noho izany dia, tokony tsimaintsy misy manampahefana eo antampondohany noho ny antony ireo Anjely.

Hamafisina fa, ny fampianarana kristianina dia, manery ny vehivavy hanetry tena hoan’ny lehilahy sady hankatoa azy, izay sokajiana ho fankatoavan’ny jamba, araka izay hita amin’ny tenin’ny Paoly (35) manao hoe: Oh ry vehivavy! Manetre-tena hoan’ny lehilahinareo ianareo tahaka izay atao hoan’ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, tahaka Mesy lohan’ny Fiangonana.

Nambaran’ny Manampahaizana sady Mpanoratra Anglisy malaza, Bernard Shaw manao hoe: Rehefa manambady ny vehivavy dia, lasa hoan’ny ramoseny daholo ny fananany rehetra, raha araka ny lalána Anglisy.

Ary mipetraka ho zavatra mandrak’izay amin’ny lalanan’ny fanambadiana, izay teren’ny finoana sy ny lalana. Ka na dia, miteraka hatezerana sy fankahalana fatratra amin’ny mpivady aza izany, ary miteraka olana sy korontana amin’ny tokantrano dia, tsiazon’izy ireo atao no misara-panambadiana. Nefa ny vokany dia, lasa misara-batana fotsiny izany ny mpivady izay hita fa natioraly ny vokatra aterakany.

Ka lasa maka sakaiza vavy hoazy ny lehilahy, dia tahaka izany koa ny vehivavy mitazona akama lehilahy hoazy (Sipa no hafantarana azy anketriny).

Ary mbola amin’ny kristianina ihany; raha sendra misy velona ny iray amin’ny mpivady dia, tsy mahazo manambady intsony raha maty ny vadiny.

Ka ny vokatr’izany dia, tena potika tanteraka ny hoavin’ny vehivavy amin’ny resaka fanambadiana, raha araka izay hita amin’ny fihetsika maro miseho any Andrefana noho ny vokatra izany teritery izany.

Ka noho izany no nitakian’ireo Mpandalina sy mpahay kolotsaina tandrefana amin’ny tsimaintsy hanomezana zo malalaka hoan’ny tsirairay lahy izany na vavy.

Ka iarahantsika rehetra mahita izao ny toe-javatra miseho any amin’ny fiarahamonina tandrefana ankehitriny noho ny fanapotehana ny fianakaviana amin’ny fanoherana ny voajanahary marina sy ny teriterin’ny fiangonana sy ireo mpitondra jadona izay manao tsindrihazolena amin’ny fiarahamonina izay hoentiny.

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FINOANA SILAMO

Taorin’ireny jeri-todika kely ireny, mahakasika ny nahazo ny vehivavy tamin’ny fotoana fahagola sy tamin’ny fiarahamonina samihafa izay nisy ny olombelona isankarazany talohan’ny Finoana Silamo dia, ndao indray isika izao hiara-hijery ny toeran’ny vehivavy sy ny zo izay nandidian’ny finoana Silamo hoazy ireo (Vehivavy).

Ny vehivavy dia nomen’ny finoana Silamo Zo iraisana sy Zo manokana.

Anisany zo iraisan’ny vehivavy amin’ny rehetra di any:

a- Ny vehivavy dia mitovy amin’ny lehilahy amin’ny adidy amana’andraikitra araka izay takian’ny lalana velona amin’ny lahy sy vavy ny fanatanterahana azy, raha hita aminy ny fepetra tsimaintsy hanatanterahana izany adidy izany. Izao manaraka izao ny fepetra takiana amin’izany; (Mpino Silamo – feno taona – Salama saina). Ary izao manaraka izao ireo zavatra takiana aminy; Ny Soalah (Fanompoam-pivavahana), Zakah (Famoahana ampahan-karena), Fifehezana (fanaovana fadinkanina), ary ny Hejy (Fivahiniana masina any Makkah). Fa ny Tompo Allah Ilay avo indrindra dia manalefaka izany amin’ny vehivavy raha toa ka sendra izao manaraka izao izy ireo; Ny tsy fanatanterahana ny vavaka Soalah sy ny fifehezana rehefa amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana sy vao avy niteraka. Tsy takiana aminy intsony ny famerenana ny Soalah izay tsy nataony tamin’ny fadimbolana rehefa madio izy fa, ny fanoloana ny fifehezana fotsiny no takiana aminy. Natao izany dia, mba ho fitandrovana ny fahasalamany manontolo sy ny faharefoany. b- Ny vehivavy dia, mitovy daholo amin’ny fahazoana fahasoavana sy ny sazy eto antany sy any ankoatra. Hoy Tompo Andriananahary manao hoe: Na iza na iza, na lahy na vavy, ka manao asa soa sady mpino, dia hovelomiko amin’ny fiainana tsara izy. Ary hamafisina fa, ho valiako soa mifanaraka amin’ny tsara indrindra tamin’ny asany izy ireo”. [Soratra: An-Nahl, And:97].

  1. Ny vehivavy dia, mitovy amin’ny lehilahy amin’ny mahaolombelona, fa tsy sanatria izy no fototry ny haratsiana, ary tsy ny vehivavy no nahatonga ny fandroahana an’i Adama avy tamin’ny Paradisa ka nalefa taty antany. Ny vehivavy dia, tsiazo sokajiana ho ambany lanja noho ny hafa, araka ny fijerin’ireo mpanaraka ny finoana maro hafa isankarazany efa nandalo teto antany. Ka nambaran’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Oh ry olombelona! Aoka ianareo hatahotra ny Tompo Zanaharinareo izay nahary anareo rehetra avy tamin’ny vatana tokana, ary dia Nahary ny andefimandriny avy aminy, ka nampiely lehilahy marobe sy vehivavy ihany koa avy tamin’izy roa. Ary aoka ianareo hatahotra an’i Allah izay hangatahanareo mandrakariva, ary hajao ny fihavanana. Hamafisina, fa Manara-maso anareo mandrakariva Allah”. [Soratara An-Nisa, And:1]. ka efa nohazavain’ny Tompo Allah swt tamin’ny alalan’ireny andininy masina ireny fa, namboariny mitovy daholo ny lahy sy vavy avy tamin’ny fototra iray ihany. Tsisy mampiavakazy roa amin’ny fanamboarana azy roa na koa amin’ny fahazakana na fahaizana manao zavatra. Ka noho izany mihitsy no nanafoanan’ny Finoana Silamo izany fomba sy fijery ratsy izay efa niparitaka izany, izay iarahamahalala fa, manitsakitsaka ny vehivavy ankapobeny. Satria raha araka ny fijerin’izy ireo fa, ny vehivavy dia, zava-boahary ambany lanja indrindra. Ary tsy nahazo ny maro tamin’ny zony ny vehivavy tamin’izany. Ka nambaran’ny Mpaminany Mohammad (saw) amin’ny fiarovana hatrany ny zon’ny vehivavy manao hoe: Tena marina fa, ny vehivavy dia sakaizan’ny lehilahy”. {Sounan Abi Daoud, J 1, pejy 61. Hadith laharana: 236. Nohamarinin’i Sheikh AlBany}.
  2. Ny vehivavy dia mitovy amin’ny lehilahy amin’ny fiarovana ny voninahitriny sy ny hasiny. Ka izay no nahatonga ny tsimaintsy hanasaziana izay manendrikendrika azy sy ny fanitsakitsahana ny hasiny sy ny voninahitriny. Hoy Allah manao hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy madio fitondrantena kosa, nefa tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapohy im-balopolo izy ireo, ary aza ekena intsony ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Fa mpanao ratsy izy ireo”. [An-Nour, And:4].
  3. Mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy amin’ny resaka fandovana. Hoy Allah manao hoe: “Ireo lehilahy dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray amand-Reniny sy ireo havany akaiky; ary ireo vehivavy ihany koa dia manana anjara navelan’ny Ray amand-Reniny sy ireo havany akaiky ihany koa, na be na kely, izay anjara voafaritra tsy maintsy homena”. [An-Nisa, And:7]. Hamafisina fa, efa voadidy handova ny vehivavy, izay tsy nisy tamin’ny fotoanan’ny habadoana. Fa ny zava nisy dia, ny vehivavy no lovaina tamin’izany fotoana izany, tahaka ny fandovana fananana. Hoy Allah manao hoe: “Oh ianareo mpino! Tsy azonareo atao ny mandova ireo andefimandry tsy amin’ny sitrapon’izy ireo. Ary k’aza terena izy ireo amin’ny mba hamerenana ny ampahany tamin’izay azony taminareo”. [An-Nisa, And:19]. Hoy Omar bin Al-Khttwab (RA) hoe: Mifanta amin’i Allah zaho fa, tamin’ny fotoanan’ny habadoana dia, tsy noheverinay ho zavatra misy dikany na kely mihitsy ny vehivavy. Afa-tsy taty afara rehefa nampidina andininy masina momba ny vehivavy i Allah ka nanome anjara hoazy ireo “. [Mouslim, J2, pejy: 1108, laharana:1479].
  4. Ny vehivavy dia mitovy amin’ny lehilahy amin’ny fahavitana manao zavatra sy ny fahalalahana amin’ny fampiasam-bola, ary indrindra amin’ny resaka fananana, varotra sy ny fividianana ary izay rehetra mitovy amin’izany amin’ny resaka fampiasam-bola, ary tsy hasiana teny na fetrany izany, afa-tsy hoe; raha toa ka sendra hampiasa izany amin’ny fomba tsy mendrika na koa mifanohitra amin’ny lalána velona ny zavatra ataon’ny vehivavy anankiray. Hoy Allah manao hoe: “Oh ry Mpino! Aoka ianareo hahafoy ampahany amin’ireo vokatsoa voahangonareo”. [Al-baqarah, And:267].

Mbola miteny Allah swt manao hoe: “Ireo Mpankatoa an’ny Tompo Allah, lahy sy vavy, ireo mpino lahy sy vavy, ireo manam-paharetana lahy sy vavy, ireo manam-pahatohorana lahy sy vavy, ireo tia miantra olona lahy sy vavy, ireo mpifehy-tena lahy sy vavy, ireo mpiaro ny fahadiovampitondrantenany lahy sy vavy, ireo mpahatsiaro mandrakariva an’i Allah lahy sy vavy; nanomana famelankeloka sy valisoa lehibe ho azy ireo Allah”. [Al-ahzab, And:35].

  1. Nisokajin’ny finoana silamo ho fanomezana ny maha izy azy tanteraka ny fanajana sy fanomezana voninahitra ny vehivavy. Nambaran’ny Mpaminany Mohammad (saw) manao hoe: “Ny mpino tena tongalafatra dia, izay manana toetra mendrika indrindra. Ary ny tena mendrika aminareo dia, izay mendrika manoloana ny vadiny”. [Ibnou Hibbani, J9. pejy: 483. Hadith laharana: 4176. Nohamarinin’i Sheikh Albany @Sahih Sounan Abi Daoud]. h- Adidin’ny lahy sy vavy ny fitadiavana fahalalana sy ny fampianarana. Nambaran’ny Mpaminany (SAW): Ny fitadiavana fahalalana dia, andraikitry ny mpino silamo rehetra”, izany hoe; Lahy sy vavy. Niray hevitra ireo manampahaizana fa, ny teny hoe: Mpino silamo dia, tafiditra anatin’izay daholo ny lahy sy vavy.
  1. Itovizan’ny lahy sy vavy ny resaka fanabeazana. Izy roa ireo dia samy manana zo mitovy daholo amin’ny tokony hahazoana fanabeazana tsara sy mendrika, ary hanana fototra mafy orina tsara. Tsy vitan’izay fotsiny fa, nosokajian’ny finoana silamo ho antony hampiditra olona anankiray amin’ny Paradisa ny fikarakarana ny fanabeazana ny ankizy vavy ary koa ny famatsiana azy. Satria noho ny antony mazava tsara fa, ny vehivavy no maro mihoatra ny isan’ny lehilahy. Ka nambaran’ny Mpaminany Mohammad (saw) hoe: “Izay manana ankizy vavy telo, ka manana faharetana amin’ny fikarakarana azy ireo izy, ary nampisakafoaniny, sady nampisotroany ary nampitafiany daholo izy ireo amin’ny harena sy fananana izay ananany, dia ho lasa fiarovan-tena ho azy avy amin’ny afobe izy ireo any amin’ny andro farany”. [Al-Boukhari @ bokin’ny fomba ara-piarahamonina, sy Ibnou Majah ary Ahmad, izay maim-pototra, izay nohitsin’ny sheikh Albany ao @ Silsilah Swahihah].
  1. Mitovy daholo ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny fizogana andraikitra sy amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina amin’ny fampirisihana amin’ny fanaovana ny tsara sy soa, ary amin’ny fandrarana amin’ny fanaovana ny tsy mety sns. Ka nambaran’ny tompo Allah swt manao hoe: “Mpinamana akaiky ireo mpino lahy sy vavy.

Mampirisika amin’ny tsara izy ireo, ary mandrara kosa amin’ny ratsy, manatanteraka ny fanompoampivavahana soalah, manome ny harena fiantrana (zakah), ary mankatoa an’ny Tompo Allah sy ny Irany izy ireo. Izy ireny dia homen’i Allah famindram-po, fa tsitoha sady be fahendrena Allah”. [At-Tawbah, And:71].

  1. Ny vehivavy koa dia tahaka ny lehilahy amin’ny fanomezana antoka na fitokisana. Hoy Allah manao hoe: “Ary raha mangataka fialofana aminao ny anankiray amin’ireo mpanompo sampy, dia ekeho izany mba handrenesany ny Tenin’i Andriananahary”. [At-tawbah, And:6]. Nambaran’ny Mpaminany (SAW): “Ny antoka omen’ny mpino silamo dia, iray ihany, na dia fa ny zandry olona no manao an’ilay izy. Izany hoe; raha nanome antoka an’olona tsy mpino silamo ny mpino silamo, dia mihatra izany, na dia fa ny zandry olona no nanao an’izany. Ary tsiazo na iza na iza no manafoana azy, na hivadika amin’izany. Ka izay mivadika amin’ny antoka izay nomen’ny mpino Silamo dia, hiharan’ny hozon’ny Tompo Allah, sy Ireo ANJELY sy ny olombelona rehetra izy, ary tsisy zavatra ekehina avy aminy intsony”. [Al-Boukhari, j3. Pejy:1160. Hadith laharana:3008]. Ary io fahamarinana io dia mihatra amin’ny

lahy sy vavy ka tsisy valaka amin’izany. Araka ny Hadith izay notantarain’i Oumm Hani Bint Abi Twalib hoe: Nankeny tan-tranon’ny Iraka masina Mohammad (saw) tamin’ny taonan’ny fandresena aho, ka hitako izy tamin’izany fotoana izany nandro, ary ny Zanany vavy Fatimah dia, nandrakotra

azy tamin’ny lamba fanelanelanana. Ka niarahaba azy aho (avy aty ivelany). Ka nanontany ahy izy hoe: Iza izany? Navaliko hoe: Izaho Oumm Hani bint Abi Twalib. Hoy izy (saw) hoe: Tongasoa ry Oumm Hani! Ka rehefa vita ny fandroany dia, nivavaka valo fiondrehana izy (8 rakaat) ary nisarona lamba tokana izy tamin’izany. Ka rehefa vita ny vavaka nataony dia, nanontaniako izy hoe: Oh ry Iraka’Allah! Nambaran’ny zanaka lahin’ny mamako (Ali RA) hoe: Izy dia niady nahafaty olona izay efa nomeko fialofana, izany hoe: Olona anankiray zanak’i Hobeirah. Ka hoy Mpaminany (SAW) hoe: Izay olona nomenao fialofana dia nomeko fialofana koa. (izany hoe; izay olona nomenao fialofana dia, mitovy olona nampidirinao akaikiko, ary izany dia antoka) oh ry Oumm Hani. Hoy Oumm Hani: Izany resaka izany dia, tamin’ny fotoanan’ny misandratr’andro. [Al-Boukhari, j1, pejy:141. Hadith laharana: 350].

  1. Ary fantaro fa, ny toeran’ny vehivavy amin’ny finoana silamo dia, miaro ny mpino silamo. Araka ny tatitry Abou horairah (RA) fa, ny Mpaminany (saw) niteny: “Ny vehivavy dia, fiarovana hoan’ny Mpino Silamo”. [Sounan AtTirmithi, j4. Pejy:141. Hadith laharana:1579./nohamarinin’i

Sheikh Albany ao @ Swahih al-jami, hadith laharana:1945].

Fantatra koa fa, maro ireo zavatra izay natokana hoan’ny lehilahy ka tsy idiran’ny vehivavy, ary tsy itovizan’ny lahy sy ny vavy. Ary mbola hazavaina eto amin’ny resaka zavatra mampiahiahy izay mitondra vokadratsiny amin’ny vehivavy.

Angamba tokony tsara amintsika ny fahafantarana ny toeran’ny vehivavy talohan’ny fipoiran’ny finoana Silamo. Ary hita miharihary ny fahatsaran’ny toerana mihaja hoan’ny vehivavy hatry nahatongavan’ny finoana Silamo.

Fa raha mahakasika ny zo manokan’ny vehivavy dia, jerevan’ny finoana Silamo akaiky ny mahalehibe ny fikarakarana ny vehivavy, ary ny fanomezana ny zony amin’ny ambaratonga isankarazany rehetra mahakasika ny fiainany manontolo hatry ny nahaterahany ka mandrapaha fatiny fa, tsy indray mandeha amin’ny fiainany fotsiny.

Ny finoana silamo dia, mijery akaiky ny vehivavy amin’ny maha zanaka vavy azy, amin’ny maha vady azy, amin’ny maha Reny azy, ary farany dia amin’ny maha vehivavy Silamo azy. Mbola hazavaina ambangovangony eto ny resaka zon’ny vehivavy amin’ny fomba tena fohy indrindra, noho ny fahatahorana amin’ny fivalamparana amin’ny fanazavana. Ka hoan’izay mila fahafantarana bebe kokoa dia, afaka mijery ireo bokin’ny Jurisprudence izay manazava tsara io resaka io.

 

 

1. NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY MAHA ZANAKA VAVY AZY

NY ZONY AMIN’NY FIAINANA: nataon’ny Tompo allah swt ho andraikitry ny Ray aman-dReny ny fiarovana sy fikarakarana ny zanak’izy ireo lahy na vavy. Ary famonoana azy ireo dia nataony zavatra fady tsiazo atao sady heloka bevava indrindra.

Nambaran’ny Allah Ilay avo indrindra hoe: Aza vonoina noho ny fahantrana ireo zanakareo, Izaho no miantoka ny anjaram-pivelomana hoa azy ireo sy ho anareo ihany koa. Fahotana lehibe tokoa ny famonoana azy ireo”. [Al-isra, And:31].

Ary nataon’ny Tompo Allah andraikitra amin’ny raimpianakaviana ny famatsiana sy fiantohana ireo zanany lahy na vavy, manomboka ny fotoana hitoeran’ny zaza ao ankibon-dReniny. Miteny Allah manao hoe: “Ary raha mitoe-jaza izy

(vehivavy), dia omeo izay ilainy mandrapaha hiterahany”. [At-Twalaq, and:6].

ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FITERAHANA: nataon’i

Allah swt tsimaintsy amin’ny dada ny fanaovana soa sy ny fikarakarana ny mahakasika azy ireo (Reny sy zanaka), ary ny fiarovana azy ireo sy ny fikarakarana ny zavatra ilain’izy ireo tahaka ny sakafo mendrika. Izany dia nataon’ny tompo Allah zon’ny zanaka amin’ny dadany. Hoy Allah manao hoe: “Ireo Reny dia hampinono ny zanany avy mandritra ny roa taona katroka, ho an’izay maniry te hampitombo ny fampinonoana. Ka anjara andraikitry ny Rain-jaza kosa ny mamahana sy mampitafy azy ireny amim-pahamendrehana”. [Albaqarah, And:233].

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FITAIZANA SY

FANABEAZANA: nodidin’i Allah amin’ny raim-pianakaviana ny fikarakarana amin’ny fomba ara-dalana ny fanabeazana ireo zanaka lahy sy vavy. Tafiditra anatin’izany ny fanabeazana ara-batana, ara-tsaina sy araka ny lalana. Araka ny nambaran’ny Mpaminany Mohammad (SAW) hoe: Fahotana lehibe amin’ny raimpianakaviana tokoa ny tsy firaharahany ireo tokony ho fahanany”. [Ibnou Hibbani, J 10. Pejy: 51. Hadith laharana: 4240, ary nohatsarain’i Sheikh Albany ao @Sounan Abi Daoud].

Ary mbola miteny Izy (SAW) hoe: “ianareo rehetra dia, mpiarakandro daholo, ary tsimaintsy mbola hanontaniana amin’ny andraikitra izay napetraka aminy; ny Imamo (Mpitarika) dia mpiarakandro, ary hanontaniana amin’ny andraikiny, ny lehilahy dia mpiarakandro amin’ny fianakaviany, ary hanontaniana amin’ny andraikiny, ny vehivavy dia mpiarakandro koa amin’ny tokantranon’ny vadiny, ary hanontaniana amin’ny andraikiny, ary ny mpiasa (na mpanampy) dia mpiarakandro amin’ny fananan’ny lehibeny, ary tsimaintsy hanontaniana amin’izany izy”. [Al-Boukhari, J1. Pejy: 304. Hadith laharana:853].

Anisany zava-dehibe ny fisafidianana anarana tsara mendrika hoan’ny zaza. Ary ny Reny no, manana zo bebe koa amin’ny fitazomana ny zaza noho ny dadany, raha sanatria ka misy ny fisarahan’ny mpivady. Ny reny no nomen’ny finoana Silamo fahefana hitazona ny zaza, mba hamenoan’ny Reny ny fangorahany amin’ny zanany. Araka ny tatitry Amr bin Shouayb (RA) hoe: Fa indray andro nisy vehivavy tonga nitaraina tamin’ny Iraka masina (SAW) hoe: Oh ry Irak’Allah!

Hamafisina fa, io zanako lahy io dia, lasaka (sac) hoazy ny kiboko, ary ny nonoko no zava-pisotrony, ary ny fofoanako/kamberako no fipetrahany. Ary ny dadany dia, nisaraka amiko, nefa mitady haka ny zanako ankeriny. Ka nambaran’ny Mpaminany (SAW) taminy hoe: “ianao no manana zo betsaka lavitra noho ny ramosenao mandrapaha hanambadianao (lehilahy hafa).” [Sounan Abi Daoud, j2. Pejy: 283. Hadith laharana: 2276, ary voamarin’ny Sheikh Albany].

ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FITIAVANA SY INDRA-

FO ARY INAKINAKA: ny ankizy dia mangetaheta te-hahita ny reniny tahaka ny hetahetany amin’ny te hisotro rano sy te hisakafo. Satria efa mitoetra amin’ny fanahin’izy ireo ny fahitana azy sy ny fifandraisana aminy. Ary ny Finoana Silamo dia, finoan’ny famindram-po sy inakinanaka ary fangorahana ny mipetraka lavitra. Ka ny mipetraka akaiky dia tokony ho jerevana voalohany amin’izany. Hoy Abou Hourairah (RA) fa, ny Mpaminany (SAW) indray andro dia nioroka an’ny zafy lahiny kely Hasan bin Ali. Ary tamin’izany fotoana izany dia, nipetraka teo i Al-aqra’ bin Habis At-Tamimy, ka nambarany tamin’izany hoe: Manan-janaka misy folo (10) aho, nefa mbola tsy nioroka na iray tamin’izy ireo aza aho!!! Nojerevan’ny Iraka masina (SAW) izy, ka nambarany hoe: “Izay tsy manana indra-fo dia, tsy hanánana indra-fo koa”. [Al-Boukhari, j5. Pejy: 2235. Hadith nomerao: 5651].

ZON’NY             VEHIVAVY             AMIN’NY             RESAKA

FAMPIANARANA: ny fitadiavana fahalalana dia napetraky ny

Finoana Silamo ho andraikitra tsimaintsy tanterahin’ny mpino tsirairay lahy na vavy. Hoy Mpaminany (saw): “Ny fitsakarahana fahalalana dia andraikitry ny mpino tsirairay avy”. [sounan ibni Majah, j1. Pejy: 81. Hadith num: 224. Ary @ Swahih al-jami’ num: 3913].

Ary ny fampianarana ny ankizy vavy dia voafaritra manokana fa, mampitombo amin’ny fahasoavana sy valisoa. izany hoe, betsaka dia betsaka izany ny fahasoavana azo amin’ny fanabeazana ny vehivavy. Ka nambaran’ny Mpaminany (SAW) hoe: “Izay olona manana andevo vavy, ka nampianariny, ary nohatsarainy ny fampianarana sy ny fanabeazana azy. Ary novotsorany ho olona malalaka izy ary nalainy vady, dia hahazo valisoa roa sosona izy”. [Al-Boukhari, j5. Pejy:1955. Hadith laharana:4795].

NY ZO ITOVIZAN’NY VEHIVAVY: Nodidin’ny lalána

Silamo ny fitovizana sy fahamarinana amin’ny zanaka rehetra lahy na vavy izany. Izany hoe; tsiazo atao ny manavakavaka amin’ny ankizy lahy sy vavy fa, ampitovina daholo ny fitondrana azy rehetra na amin’ny fanehoana inakinaka. Hoy Allah swt manao hoe: “Hamafisina fa, Allah dia mibaiko amin’ny fanaovana ny rariny, ny fanaovan-tsoa, ary ny fanampiana ireo Havana akaiky. Fa rarana kosa ny haratsiana, ny asa tsy mendrika, ary ny fikomiana. Mananatra anareo Izy, mba hahatsiarovanareo tena”. [An-Nahl, And:90].

Araka ny tatitra nataon’i Noaman bin Bashir (RA) dia niteny izy indray andro raha teo ampitoriana teny ka nanao hoe: Ny Dadako dia, nanome ahy fanomezana, ka hoy Amrah bint Rawáhah rehefa nahita izany hoe; Tsy faly amin’izao aho, raha tsy ampahafantarinao an’ny Iraka Mohammad (SAW). Ka lasa izy tamin’ny Mpaminany SAW, ary nambarany, hoe; Oh, ry Irak’i Allah! Nanome gadona (fanomezana) an’ny zanako lahy avy amin’ny Amrah bint Rawahah aho, ka nitaky ny reniny fa, tsimaintsy hampijoroako vavolombelona amin’izao ianao.

Ka nanontany azy ny Iraka SAW: Nomenao mitovy an’izany daholo ve ny zanakao rehetra? Namaly izy fa, tsia. Ka hoy ny Mpaminany SAW taminy hoe: Matahora an’i Allah ianareo, ary mampihara fahamarinana (L’égalité) amin’ny zanakareo avy ianareo (izany hoe; rehefa manome zavatra zany dia tsy tokony hanavakavaka amin’ny zaza fa samy omena daholo). Ka niverina tan-trano izy (Dada), ary naveriny ilay fanomezana”. [Mouttafaquoun alayhi]. Aiza ary ireo miteny fa, ny finoana Silamo dia, manitsakitsaka ny zon’ny vehivavy?

NY VEHIVAVY DIA MANAN-JO HISAFIDY VADY: Ny finoana silamo dia, manaja tanteraka ny hevitry ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny fanambadiana, ary sokajina ho fepetra mahatanteraka ny fanambadiana izany. Omena zo hanaiky na handá ny fangatahana ny vehivavy. Ka hamafisin’ny

Mpaminany Mohammad saw hoe: “Tsy azo ekena ny fampanambadiana ny vehivavy efa avy nanambady raha tsy manaiky izy, ary tsy azo ekena koa ny fampanambadiana ny vehivavy mbola verijiny raha toa ka tsy nangataka alálana aminy ka nanaiky izy. Hoy izy ireo hoe: Oh ry Irak’Allah! Ahoana hafantarana fa, manaiky izy? Ka namaly izy hoe:

Raha mangina izy. (tsy manohitra izy)”. [Al-Boukhari, j5. Pejy:2547. Hadith laharana:6546].

Tsiazon’ny dadany atao na izay manana zo hampanambady azy, no hanery azy hanambady lehilahy izay tsy tiany ho vady. Ary izay vehivavy nampanambadiana olona tsy tiany (terena zany) dia manana zo malalaka hangataka fanafoanana ny fanambadiana. Araka ny tranga izay taterin’i KHounsa bint Jouzam Al-ansariyah fa, noteren’ny Dadany hanambady izy, nefa izy tamin’izany dia, efa vehivavy tsy sambany hanambady, ka tsy nankasitraka izany izy, ary nitondra ny raharaha tany amin’ny Mpaminany SAW. Ka nofoanana ny fanambadiany. [AlBoukhari, J6. Pejy:2547. Hadith laharana:6546].

Betsaka dia betsaka tokoa ireo toro-lálana masin’ny Mpaminany saw izay miorina amin’ny fikarakarana manokana ny vehivavy, ny fanomezana voninahitra azy ireo, sy ny fanaovan-tsoa ho azy ireo, ary ny fanatanterahana ny zavatra ilain’izy ireo. Hoy Mpaminany (SAW) hoe: “Izay manana zanaka vavy telo, na anabavy telo, na zanaka vavy roa, na anabavy roa, ka nataony tsara ny fikarakarana azy ireo, ary nanana fahatahorana an’Allah izy momba azy ireo dia, hiditra amin’ny Paradisa”. [Ibnou Hibbani, J2. Pejy:189. Hadith laharana:446].

Ny finoana silamo dia, mampanantena fa, ny fikarakarana sy fiahiana ary fanaovan-tsoa amin’ny ankizy vavy dia, anisany antony mampiditra amin’ny Paradisa. Ary ny soa rehetra ataon’ny raiaman-dReny dia tsimaintsy hatao noho ny fanantenana valisoa avy amin’ny Tompo Allah swt. Hoy ny Renintsika Aishah (RA): “Indray andro, dia nisy vehivavy sahirana niaraka tamin’ny zanany vavy roa tonga tamiko, ka nomeko antrendry telo vihy izy, nefa nomeny antrendry tsirairay avy izy roa mirahavavy. Ka iny izy rehefa hampiakatra hihinana ilay antrendry iray sisa, dia nangatahin’ireo zanany roa ireo koa, ka voatery tsimaintsy nozarainy roa ilay antrendry saika hohaniny, ary nomeny izy roa        mirahavavy.            Ka      notantaraiko             tamin’ny       Iraka Mohammad (SAW) ny zavatra niseho momba an’ilay vehivavy sy ny zanany roa mirahavavy. Ary navalin’ny Mpaminany SAW fa: Tsimaintsy hampidirin’i Allah amin’ny Paradisa izy noho izany, na novotsorany tsy hiditra anaty       afobe izy”. [Mouslim,     j4.       Pejy:2027.    Hadith laharana:2630].

Ny lalána silamo dia, mandidy amin’ny fampitovizana amin’ny ankizy lahy sy vavy amin’ny fanomezana kadoa, na koa resaka zavatra materialy, ary indrindra indrindra moa amin’ny zavatra mety hampiady, fa tsiazo atao ny misafidy ny hanome ny ankizy lahy nefa tsy omena ny ankizy vavy, na omena ny vavy fa, ny lahy tsy omena.

Hoy Noaman bin Bashir (RA); “Nanome ahy ampahany tamin’ny harenany ny Dadako, ka nambaran’ny mamako (Amrah bint Rawahah (RA) fa, tsy faly amin’izao aho, raha tsy ampahafantarinao ny Mpaminany SAW momba izao. Ka lasa tany amin’ny Mpaminany saw ny dadako mba hampahafantatra ny zava niseho. Ka nanontany izy hoe; Ny zanakao rehetra ve nomenao daholo? Navaliny fa, tsia. Ka nambaran’ny Mpaminany saw hoe: Matahora an’i Allah ianareo, ary ampiharo anivon’ny zanakareo ny fahamarinana. Ka rehefa niverina izy dia, naveriny koa ilay fanomezana nataony iny”. [Mouslim j3. Pejy; 1242. Hadith numero:1623].

Tsy mitsahatra hatreo amin’ny zavatra miharihary fotsiny ny resaka fampiharana ny fahamarinana sy fitovizana fa, tafiditra amin’ny resaka manokana, tsotra nefa lehibe fa, maro amintsika olomelona no tsy mivaky loha na kely aza amin’izany. Fa ny finoana Islamika dia mandidy amin’ny fampitovizana amin’ny fiorofana ny ankizy. Hoy Anasy (RA): Indray andro nisy lehilahy nipetraka takaikin’ny Mpaminany SAW, ka avy ny zanany lahy, tonga noraisiny sady norofany ary napetrany ampofoanany. Rehefa aveo dia, tonga indray ny zanany vavy dia tsy norofany fa, noraisiny ary napetrany teo akaikiny. Ka hoy ny Iraka masina SAW rehefa nahita iny hoe: “Tsy nampihatra fahamarinana tamin’izy dahy ianao”. (izany hoe; ny fampitovizana tamin’ny fiorofana ny zanany roa mianadahy, ny lahy norofany fa, ny vavy kosa tsy norofany). [Navoakan’i AlBazzar, ao @ Boky Kashfoul-astar, numero:1893. Ary

Haythamy @ moujamma’ azzawaid, j8. Pejy; 156. Nohamarinin’i Sheikh Albany @ as-Swahihah:2994]. Tsika dia mbola anatin’ny resaka fiahian’ny finoana silamo ny ankizy. Ka tsara raha asiana resaka kely momba izany. Izany hoe, indrindra mahakasika ny Kamboty. Satria amin’ny maha kamboty azy dia, miteraka zavatra maro izay manahirana ny kamboty, ary mety hitarika azy amin’ny tsy tokony hatao izany. Ary indrindra fa, raha toa ka ny fiarahamonina no tsy miraharaha ny fiarovana ny zony, na tsy mandray ny andraikiny manoloana izany, na tsy mijery azy amin’ny mason’ny inakinaka sy indrafo.

Ny finoana silamo dia mampirisika amin’ny fiahiana ny zaza kamboty lahy izany na vavy. Izany dia andraikitry ny fianakaviany akaiky azy indrindra ny fiahiana azy. Fa raha tsy manana fianakaviana intsony izy dia, tsimaintsy raisin’ny firenena silamo ny fiahiana ny raharahany manontolo; ny fanabeazana azy sy ny fanoroana lálana tsara ho azy.

Hamafisina fa, misy sazy mamaivay miandry an’izay mihinana sy manitsakitsaka ny fananan’ny kamboty amin’ny fomba tsy ara-dalana.

Hoy Allah ilay avo indrindra manao hoe: “Hamafisina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo kamboty amin’ny tsy rariny, dia tsy mihinana afa-tsy afo ny kibon’izy ireo. Ary mbola ho dorana ao amin’ny afobe ihany koa izy ireo”. [AnNisa, and;10]

Nambaran’ny (SAW): “Ataoko fa, sokajiana ho mpanota izay manitsakitsaka ny zon’ny olona marefo anankiroa, dia ny kamboty sy ny vehivavy maty vady”. (izany hoe; loza hoan’izay manitsakitsaka ny zon’ireto karazana olona roa ireto). [nohamarinin’i Sheikh Albany, As-swahihah/1015].

Ary efa betsaka ny fampitandremana ho an’izay mandrahona sy manao tsindrihazolena aminy. Ka hoy Allah swt hoe: K’aza ratsy fitondrana amin’ny kamboty áry ianao” (k’aza mahery setra). [Ad-Douha, and;9].

Ary ny lalana silamo dia mampirisika mandrakariva amin’ny fiahiana ny kamboty sy ny fanaovan-tsoa aminy. Ka hoy Iraka masina SAW: “Izaho sy izay olona miahy ny fiainan’ny kamboty dia, ho tahak’izao amin’ny andro farany, ary nitondroany tamin’izany ny tondro fanondrony sy ny fanarakaraka” (izany hoe ho fanakaiky tahaka ny tondro anankiroa mifanakaiky). [Al-Boukhari, j5. Pejy:2032. Hadith numero:4998].

Mbola mampirisika tahak’izany koa ny finoana silamo amin’ny fangorahana sy fanehoana indrafo amin’ny kamboty. Hoy ny Iraka saw: “Tianao ve ny hampalemy ny fonao, sady hahazoanao ny zavatra tadiavinao? Manána indra-fo amin’ny kamboty, safoy ny lohany, ary ampihinano avy amin’ny sakafonao izy, fa halemy ny fonao ary hoazonao ny zavatra tadiavinao”. [At-Twabrani (swahih) hadith laharana:80. @ Swahih al-jami’].

Ary ny finoana silamo dia tena miahy koa ny zaza very na zaza tsy fantatra ny raimandReniny. Ka ny mpino Silamo sy ny firenena no tomponandraikitra amin’ny fiahiana azy tahaka ny fiahiana ny kamboty ihany koa. Satria nambaran’ny Iraka saw hoe: “Ahazoana fahasoavana daholo ny fanaovan-tsoa amin’ny zavatra manan’aina rehetra”. [Al-Boukhari, j2. Pejy; 870. Hadith numero;2334].

Ka noho izany fiahiana lehibe izany, dia efa natolotray ho an’ny fiarahamonina ny rantsana tsara anakiroa, izay hitsangana amin’ny adidy sy andraikitr’izy ireo, mba hiainan’izy rehetra fiainana iraisana sady itovizana amin’ny olombelona rehetra.

 

 

 

2. NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FINOANA SILAMO AMIN’NY MAHA VADY AZY

Hoy Allah swt manao hoe: “Ary anisan’ireo famantarana avy aminy (Allah), dia ny nahariany hoanareo avy aminareo ny vadinareo, mba hiainanareo amim-pilaminana miaraka aminy, ary dia nasiany fifankatiavana sy hatsaram-panahy teo aminareo. Misy porofo tokoa ao anatin’izany ho an’ireo olona mieritreritra”. [Ar-Roum, and;21].

Ka anisany porofo lehibe mivaingana izay manambara ny halehibeazan’ny Allah dia, ny fanamboarany ny vadin’ny olombelona avy amin’izy ireo ihany mba hiara-hiaina, ary mba hahitan’izy ireo fahatoniana amin’ny vatany sy fitoerana hoazy ireo.

Ny vehivavy amin’ny finoana silamo no, andrin’ny fiarahamonina, ary ny fototra fehizoro izay hiorenan’ny tranon’ny mpino silamo. Ny finoana silamo dia, nandidy amin’ny tsimaintsy hanomezana ny zony, ary ny tsimaintsy hanatanterahany ny andraikiny, nefa tsimaintsy homena azy ny valisoany amin’izany.

Ka izao manaraka izao ary ny zony sy ny andraikiny:

NY ZONY AMIN’NY RESAKA VODIONDRY

Ny vodiondry dia, zo izay tsimaintsy homena ny madamo, sady fanomezana tsimaintsy tanterahina, izay nodidin’ny lalana amin’ny lehilahy ny tsimaintsy hanomezana azy ho an’ny madamo.

Tsiazon’iza na iza atao no maka izany, na dia fa ny fianakaviany tena akaiky indrindra aza raha tsy nahazo alalana taminy sady faly amin’izany izy fa, tsy terena akory. Ary tsy tanteraka ny fifanaraham-panambadiana raha tsy misy an’izany. Izany dia porofo mivaingana fa, manana zo amin’ny fananan-karena ny vehivavy. Ary rehefa vita ny fifanaraham-panambadiana dia, malalaka ny vehivavy amin’izay tiany hanaovana ny volany. Hoy Allah manao hoe: “Omenareo ireo vehivavy ny vodiondrin’izy ireo, izay sahaza ny haja amamboninahiny. Fa raha mahafoy, antsitra-po ho anareo ny ampahany tamin’izany kosa izy ireny, dia aoka ianareo hihinana izany amimpilaminana tsara sy amin’ny fo madio”. [An-Nisa, and;4].

  • Izany vodiondry izany dia zon’ny vehivavy tanteraka, ary tsiazon’ny ramose atao no haka izany koa raha sanatria ka misy ny fisarahan’izy mivady. afa-tsy hoe, nisaraka talohan’ny fitambaran’izy roa dia, afaka mamerina ny vodiondry ny ramose. Tompo Allah swt mihitsy no, manazava ny mahakasika izany raharaha izany ka manao hoe; “Ary raha maniry ny hanolo vady amin’ny vady hafa ianareo, ka nomenareo parata volamena ny iray tamin’izy ireo, dia aoka tsy haka na inona na inona amin’izany intsony ianareo. Moa ve haka izany tsy ara-drariny sy amim-pahotana miharihary ianareo? ~ Ary ahoana moa no hahasahianareo haka izany indray taorian’ny niraisanareo, ny andaniny sy ny ankilany, ary izy ireo dia efa nahazo fanekem-pankatoavana mafonja avy taminareo”. [AnNisa, and 20-21].

Ary mbola niteny Allah: “Oh ianareo Mpino! Tsy azonareo atao ny mandova ireo andefimandry tsy amin’ny sitrapon’izy ireo. Ary aza manery azy amin’ny hamerenany ny ampahany amin’izay azony taminareo, raha tsy hoe nanao fahavetavetana miharihary izy ireo. Ary aoka ianareo hifanerasera aminy ami-pahamendrehana. Fa raha misy aminareo mankahala azy ireo, dia mety mankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Andriananahary fahasoavana sesehena”. [AnNisa, and:19]. Ka hita amin’ireto andininy masina ireto ny antoka makadiry amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy, izay azavain’ny Tompo Allah ilay avo indrindra ao amin’ny Boky masina kor’any. Ka izao avy ireo antoka ireo;

  • Ny tsy fahazoana mandova ny vehivavy raha toa ka tsy faly amin’izany izy. Araka izay efa nisy tamin’ny Arabo teo aloha tany hoe; raha maty ny vadiny dia, mitsangana ireo fianakaviany akaiky hanao izay tiany hatao amin’ny madamo. Raha misy amin’izy ireo te hanambady azy dia malalaka izy hanambady azy, ary raha tiany koa dia, afaka ampanambadiany izay olona tiany hampanambadiany azy. Ary raha tian’izy ireo koa dia, tsy avela hanambady intsony. Fa, ry zareo no manana zo bebe kokoa aminy noho ny fianakaviany, raha ny zava nisy tamin’ny fotoanan’ny habadoan’ny Arabo no atao jeri-todika. Ary lasa tahaka ny fananana azo lovaina izany vehivavy izany.
  • Efa nohazavain’i Allah swt momba ny fanakanana ny vehivavy maty vady tsy hanambady. Satria dia misy fiantrekany ratsy amin’ny fiainany izany teritery isankarazany izany, tahaka ny; fanompana azy, na fikapohana azy, na ny fandaniana ny volany, na ny fanakanana azy tsy hivoaka trano, na fampijaliana maro isankarazany mitovy amin’izany mba handanian’izy ireo tanteraka ny fananany zay vao avelan-dreo izy. (izany hoe; tadiavindreo handoa vola izy amin’ny famotsorana azy halalaka).
  • Ny lalana silamo dia manome alalana malalaka an’ny ramose hanao izany raha toa ka sanatria nanao fahotana vetaveta izy (vevavy), (fijangajangana), amin’ny fitakian’ny ramose ny tsimaintsy hamerenana ny vodiondry izay nomena azy tamin’ny fanambadiana, ary tsimaintsy miafara amin’ny fisarahana aminy rehefa aveo.
  • Tompo Andriananahary dia, mandidy amin’ny tsimaintsy hifandraisana amin’ny vehivavy amim-pahamendrehana sy fahalefahana (fahatsoram-po), ary ny hampandrenesana azy ny teny mamy izay tiany sy ny asa na fihetsika izay mahafaly azy.

 

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FAHAMARINANA SY FITOVIZANA:

Ity resaka ity dia, mahakasika izay manam-bady maro, ka tsimaintsy mampihatra ny fahamarinana sy zara mitovy amin’ireo vadiny izy, ary indrindra moa amin’ny resaka sakafo, rano fisotro, fitafy, ny trano, ary ny fizarana ny alina (rehefa hatory @alina izany). Satria nambaran’ny Mpaminany Mohammad SAW hoe: “Raha lehilahy manana vady roa, ka ny iray tamin’izy roa ireo no tena nakaikaiziny indrindra, dia ho hita izy amin’ny Andro farany ho maty ny vatany ilany” (maty ila). [Ibnou Hibban. J10, pejy;7. Hadith laharana;4207. Ary @ silsilah as-Swahihah, numero:2077].

 

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FAMATSIANA: Andraikitry ny ramose no mamatsy an’ny madamo amin’ny zavatra mendrika, tahaka ny; trano fonenana mendrika, sy ireo zavatra ilainy andavanandro amin’ny resaka; sakafo, rano fisotro, sy ny lamba fitafy, na dia fa manan-karena aza ilay vehivavy. Satria nambaran’ny Iraka saw hoe: “Matahora an’Allah ianareo amin’ny vadinareo, satria ianareo naka azy ireo tamin’ny antok’i Allah, nataonareo halal (azo lalana) tamin’ny tenin’i Allah ny henatr’izy ireo, ka ny zonareo aminy dia, ny tsy fahazoan’izy ireo mampiditra olona izay tsy tianareo amin’ny fandriananareo, fa raha sanatria ka manao an’izany izy dia, kapohy izy fa, k’aza atao maratra izy, fa ny zony aminareo kosa dia, ny fanomezana azy ireo ny anjara sakafony sy ny fitafiny amin’izay mba mendrika”. [Mouslim, j2. Pejy; 886. Hadith laharana:1218].

Ny lehilahy dia, tsimaintsy manome vola izay tokony ilain’ny vadiny araka ny fahafahany ara-bola sy ny entimanana misy aminy. Hoy Allah: “Aoka hamoaka ny harenany izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hamoaka araka izay nomen’i Allah azy. Tsy hanery na iza na iza hanao mihoatra izay nomeny azy Allah. Ary hampanarahin’i Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana”. [At-Twalaq, and:7].

  • Raha manan-katao ny ramose nefa manda tsy hanome vola an’ny madamany, ka raha afaka maka amin’izany ny vadiny (madamo) dia mahazo maka izay ampy azy na dia tsy fantany akory.

Satria raha araka ny zavatra niseho tamin’i Hindi Bint Outbah, rehefa nitaraina tamin’ny Iraka SAW hoe: “Oh, ry Irak’Allah! Hamafisina fa, tena lehilahy kaihitry Abou Soufiyani (vadiko). Tsy manome vola ampy ahy sy ny zanako izy, afa-tsy izay alaiko nefa tsy fantany. Ka namaly Mpaminany saw hoe: “Alaivo izay ampy anao sy ny zanakao amim-pahamendrehana”. [Al-Boukhari, j6. Pejy; 2052. Hadith laharana; 5049].

  • Ka raha misedra fahasarotana ara-bola ny ramose ka, tsiafaka hamatsy ny fianakaviany intsony, na koa fa elabe loatra tsy hita izy, ka misy fiantrekany ara-bola amin’ny madamo izany, nefa izy mbola tsy hita foana, dia afaka mangataka fanafoanana ny fanambadiany ny vehivavy, raha toa ka tsimaintsy ilainy izany.

Hoy Abou Az-Zinád; nanontaniako i Said bin Almousayyab (Rahimahoullah) mahakasika ny lehilahy anankiray izay tsy mahita ny hamatsiany an’ny fianakaviany intsony? Ka namaly izy hoe: Afaka misaraka izy ireo. Mbola nanontany aho: Fomba amampanaon’ny Mpaminany saw ve izany? Namaly Said: Eny tompoko.

Imamo As-Shafi’ dia niteny zavatra mitovitovy amin’ny Said koa, hoe: “Tsimaintsy manaraka ny fomba amampanaon’ny Mpaminany SAW”. [Sounan Al-bayhaqy al-koubará. J7. Pejy; 469, hadith laharana:15485].

 

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FIZARANA NY

ALINA SY NY FIFANDRAISANA AMIN’NY VADINY Anisany zo lehibe hoan’ny vehivavy izay takian’ny lalana amin’ny ramose ny fanatanterahana azy, dia ny fanomezana ny anjarany amin’ny firaisana mba tsy hatonga azy hanao zavatra mamoafady sy mihoa-pefy.

Amin’ny maha vady (vehivavy) azy dia, mba mila fo hangoraka sy hitempo azy, ary mba mila lehilahy misangisangy na mihira azy ary hanetsika izay ao aminy, ary hanome fahafaham-po sady hameno ny banga aminy.

Tena voararan’ny lalana ny fipetrahana amin’ny asa fanompoana ka tsy miraharaha momba ny fanatanterahana ny filany ara-nofo. Arak’izay efa nitranga tamin’ny tatitra nataon’i Salman Al-farisi (RA) rehefa namangy an’i Abou Ad-Dardá izy indray andro, nahita an’ny Maman’i Dardá izy fa, hoatrany olona ketraketraky ny fiainana. Nanontany izy hoe: Inona ny olana aminao? Namaly izy hoe: tena marina fa, ny rahalahianao dia, tsisy ilany ny fiainana eto an-tany intsony. Izy dia, mitsangana mivavaka amin’ny alina tontolo, ary manao fadinkanina mandritra ny antoandro!

Ka tonga tao antrano i Abou Darda dia, niarahaba an’i Salmani. Ary nanolotra sakafo azy ny tompontrano. Nambaran’i Salmani azy hoe: Mihinana koa ianao. Navaliny (Abou Darda) fa; zaho dia manao fadinkanina.

Mbola nihizingizina nitaky taminy i Salmani hoe: mifanta amin’i Allah zaho, fa tsimaintsy tapahanao ny fifehezanao dia miara-misakafo isika. Ka voatery tsimaintsy nanapaka izy ary niara-nisakafo izy mirahalahy.

Natory tao aminy i Salman tamin’ny alin’izany. Ka rehefa alina ny andro dia, saika hitsangana hivavaka iny ry Abou Darda, nefa nosakanan’i Salman.

Ka nambaran’i Salman taminy hoe: Tena marina fa, ny vatanao, dia manana zo aminao, ny Tomponao koa manana zo aminao, ary ny fianakavianao ko manana zo aminao. Ka noho izany; Manaova fadin-kanina, nefa mba manapaha ihany, ary mivavaha sady miraisa amin’ny vadinao, ary omeo ny tsirairay ny zony. Ka rehefa nanakaiky ny maraina vao mangiran-dratsy dia nambarany an’i Abou Darda hoe: Mifohaza amin’izay raha tianao.

Ka nifoha izy, ary nanao fidiovana masina (oudhou) izy, dia niara-nivavaka izy mirahalahy. Ary aveo dia lasa namonjy soalah tany Masjid izy roa lahy.

Ka tonga tamin’ny Mpaminany (saw) ny zavatra nitranga tamin’izy mirahalahy, ka nambaran’ny Mpaminany saw hoe:

“Marina ny nanaovan’ny Salmani azy”. [Al-Boukhari, j2. 694. Hadith numero; 1867].

Hoy Ibnou Hazmi: Tsimaintsy ataon’ny lehilahy manambady ny manao firaisana amin’ny vadiny indray mandeha isaky ny fahadiovan’ny fadim-bolana farafahakeliny raha toa ka manana fahafaha-manao izany izy. Fa raha tsy izany dia, voasokajy ho mpanota an’i Allah izy amin’izany tsy fanomezana fahafahampo ara-nofo an’ny vadiny izany.

Ary manaporofo izany ny tenin’ny Tompo Allah swt manao hoe: “Ary rehefa madio izy ireo, dia tanteraho amin’izy ireny izay nandidian’i Allah anareo”. [albaqarah, and:222].

- Anisany zon’ny vehivavy raha mandeha lavitra ny ramose, dia tsy tokony mihoatran’ny enim-bolana (6 mois) dia miverina. Fa raha nanana faharetana amin’izany izy, ka raha sendra misy tsy vitany ny fanatanterahany ny sasan-tsasany amin’ny adidiny, dia tsy maninona. Ary izany dia, raha toa ka marefo ny filany ara-nofo.

Fa raha tsy izany, dia tsimaintsy miverina i ramose raha mitaky an’izany ny vadiny, ary tsy tokony ho tara amin’izany izy, afatsy hoe, misy zavatra manageja azy ka tsy afaka izy.

Tahaka ny nataon’ny Lehibe faharoa ho an’ny Mpino, omar bin

Al-khattwab (RA) tamin’ny Iraka masina Mohammad (saw), rehefa naheno vehivavy anankiray izy niteny izao teny manaraka izao:

Tena lava tokoa izao alina izao nefa maizina ny manodidina****izay mamela ahy irery tsisy akama ho lalaovina

 

Mifanta amin’ny Allah aho, fa raha tsy nohony antony Allah izay mahamailo ahy****tena nihonjokonjoka ity fandriana ity

 

Ka rehefa naraina ny andro dia naniraka olona Omar (RA) hiantso an’ilay vehivavy. Ka nanontanian’i Omar ilay vehivavy hoe: Ianao ve niteny zao sy zao tamin’omaly alina? Eka hoy ilay vehivavy. Inona ny antony hoy Omar? Namaly ilay vehivavy: satria ny vadiko dia, lasa niaraka amin’ny tafika miaramila.

Ka nanontanian’i Omar ny zanany vavy Hafswah hoe; Afaka miaritra fotoana firy ny vehivavy raha laozan’ny vadiny? Namaly izy hoe: Enim-bolana (6 mois). Ka hatr’izany, dia nanapa-kevitra Omar amin’ny tsimaintsy hampodianana ny miaramila rehefa feno enimbolana no nandehanandreo. [Mouswannif Abdour-Razzaq. J7, pejy:152. Hadith laharana; 12594/Moursal].

- Anisany zon’ny vehivavy dia, ny fanafenana ny tsy ambara-telony, ny tsy fahazoana manambara ny hafa momba ny kilemany. Ary ny fanafenana izay zavatra hitany maso na henon’ny sofiny (ramose), ary indrindra indrindra ny zavatra miseho amin’izy roa amin’ny fihaonany (ambony fandriana), ka tsiazo resahina amin’ny be sy ny maro na amin’ny fivorian’ny akama sy namana. Hoy Mpaminany saw hoe: “Ny olona hahazo toerana ratsy sady ambany indrindra amin’ny andro farany,dia olona anankiray niray aranofo tamin’ny vadiny, nefa namoaka ny tsy ambaratelony amin’ny akamany aveo”. [Mouslim, j2. Pejy; 1060. Hadith laharana; 1437].

 

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FIFANERASERANA AMIM-PAHAMENDREHANA SY NY FIARAHA-MIASA MENDRIKA

Anisany    zon’ny    vehivavy    ny    fitondrana    azy     amim-

pahamendrehana, ary ny fanomezana voninahitra azy na dia fa tsy tian’ny ramoseny izy amin’ny fihetsika sasan-tsasany. ka hoy

Allah swt manao hoe: “Ary aoka ianareo hifanerasera aminy (vadiny) amim-pahamendrehana. Fa raha misy aminareo mankahala azy ireo, dia mety mankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Allah fahasoavana sesehena”. [AnNisa, and:19].

Amin’ny fotoana isehoan’ny fankahalana azy, dia tsiazo atao ny manambany na mandatsa azy fa, ny fandraisana azy amin’ny indrafo sy ampahatsorana sy amin’ny fangorahana, na misaraka aminy amimapahamendrehana. Ka hoy Tompo Allah swt hoe: “In-droa miantoana fotsiny ny fanomezana fisarahampanambadiana. Ka, na hamerina amim-pahasoavana izy, na koa halefa amim-pahatsarana”. (izany hoe, na tazomina tsara tsy ampijaliana izy, na sarahana @ fomba ara-dalana) [Albaqarah, and:229].

Ka raha hijery ny fahatongavan-dafatry ny vehivavy dia, zavatra tsy hisy (impossible), satria ny Mpaminany Mohammad SAW, dia nanambara: “Mendreha tsara ianareo manoloana ny vadinareo (vehivavy), satria ny vehivavy dia namboarina avy tamin’ny taolan-tritry. Ary ny tena meloka (tsy mahitsy) indrindra amin’ny taolantritry dia ny faritra ambonimbony aminy. Ka raha handeha hanitsy izany ianao (taolana mibilobiloka io) dia hanapaka azy, nefa raha avelanao fotsiny izy dia mbola tsy hahitsy ihany, ka noho izany dia

mendreha tsara hatrany ianareo manoloana ny vadinareo”.

[Al-Boukhari, j3. Pejy; 1212. Hadith laharana; 3153].

Ary ny resaka tsy fahafenoana dia zavatra tsimaintsy misy amin’ny fiainan’ny fanambadiana, ka noho izany mihitsy no nandidy (Allah) an’ny lehilahy mba hanana faharetana, ary ny fizogana izay sedrainy avy amin’ny vadiny amin’ny zavatra izay mety tsy ho tiany, mba ho fiarovana ny voninahitry ny tokantranon’ny mpivady. Ka anisany zavatra tokony hataon’ny ramose, dia raha mahatsiaro ny tsy mety nataony ianao ramose, dia miresaha ny tsara vitany mba ho fiderana azy koa. Hoy Mpaminany saw: “Tsy azon’ny mpino lahy atao ny mankaratsy ny mpino vavy (mpivady), satria raha mankahala azy amin’ny sasany amin’ny toretrany madamany i ramose, dia mbola misy zavatra hafa hafaly azy avy ao aminy”. [Mouslim, j2. Pejy; 1091. Hadith num:1469.]

 

  • Ny ramose dia mila malefaka, tsotra, ary maneho fo mitempo amin’ny vadiny, satria nambaran’ny Mpaminany saw: “Ny olona tena tongalafatra amin’ny finoana, dia izay manana toetra tena mendrika indrindra, ary ny tena mendrika aminareo dia, izay tena mendrika aminareo manoloana ny vadiny”. [Ibnou Hibbani, j9. Pejy;483. Hadith laharana:4176, hoy Sheikh Albany @ Sounan At-Tirmithi: Hasan swahih].

 

  • Ny ramose dia mila mihirahira sy miara-milalao amin’ny vadiny, ary misangisangy sady mampihomehy azy ihany koa.

Hoy Aishah (RA/vadin’ny Mpaminany saw) hoe: Indray andro nifanina amin’ny hazakazaka an-tsoavaly izaho sy Mpaminany, ka nihoafako izy, ary rehefa aveo dia nihoafany koa ahy. [Ibnou Hibbani, j10. Pejy;545. Hadith laharana; 4691. Swahih, Alirwá(1502), As-Swahihah(131).]

Fa ny finoana silamo dia manasokajy izany rehetra izany ho zavatra tsara sady mety atao daholo. Hoy Mpaminany saw: “izay zavatra atao ka tsy misy fahatsiarovana an’i Allah, dia ho zava-poana afa-tsy ny zavatra efatra/4 ihany; Fanaovan’ny lehilahy fanatanjahantena amin’ny zavatra anankiroa, ny fanazarany ny soavaliny, ny fihirahirany miaraka amin’ny fianakaviany, ary ny fianarana milomano”. [Sounan Annasái&At-Twabrani, sahih].

 

  • Ny fiarovana ny harenany manokana, izay tsiazon’ny ramose atao ny mikitika izany raha tsy mahazo alalana avy aminy. Ary tsiafaka haka na inona na inona avy amin’izany ny lehilahy raha tsy faly na mahafantatra izany ny vadiny. Hoy Allah: “Aoka ianareo tsy hifampihinana ny harenanareo amin’ny tsy rariny”. [Albaqarah, and:188].

 

  • Mila maka hevitra avy amin’ny madamo mahakasika ny raharahan’ny tokantrano sy ny ankizy ary ny raharaha iraisan’ny mpivady. Satria tsy fahendrena ny hanaovan’ny ramose jadona amin’ny fanerena ny vadiny hanaraka ny heviny manokana, nefa tsy maka ny hevitry ny vadiny, izay mety hahasoa ihany. Satria ny filan-kevitra amin’ny samy mpivady dia hitondra fifankatiavana amin’ny andaniny sy ny ankilany. Hoy Allah: “Ary mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra izay hataon’izy ireo”. [As-Shoura, and:38].

 

  • Mila ampiana ny vehivavy amin’ny fanaovana ny raharaha andakozia, nefa tsy tokony hanambony tena amin’ny fanaovana izany ny lehilahy. Satria ny Iraka masina Mohammad saw, efa nisy fotoana izy ihany no nanjaitra ny lambany rovitra, manamboatra ny kirarony izay simba, ary manampy ny fianakaviany amin’ny fanaovana ny raharaha ao antrano. Rehefa nanontaniana Aishah (RA) amin’ny zavatra izay ataon’ny Mpaminany saw rehefa ao antrano? Navaliny hoe: Rehefa tonga antrano izy, dia manampy ny fianakaviany amin’ny asa ao antrano. Ka rehefa tonga ny fotoanan’ny Soalah dia, lasa izy mandeha mivavaka. Izany dia modely tsara sady mendrika ho antsika avy tamin’ny Mpaminany saw. [Al-Boukhari, j1. Pejy:239. Hadith numero:644].

 

  • Tokony hataon’ny lehilahy ny handray sy hampiakatra ny zavatra izay mety latsaka ka tsy araka ny madamo ny fanaovana izany, ary koa mila mamela azy amin’ny hadisoany na tsy fahafahany amin’ny zavatra izay tsy vitany. Ka hoy Mpaminany saw: “Raha niala ny fianakaviany nandritry ny fotoana lava ny iray aminareo, dia tsy tokony handondona ny fianakaviany amin’ny alina izy”. [Al-Boukhari, j5. Page;

2008. Hadith mumero; 2142, ary nohamarinin’i Sheikh Albany].

Izany hoe, raha miverina avy nanao voyage lavitra dia, tsy tokony hiditra mivantana any antrano raha tsy mampandre ny fianakaviany saode tampoka loatra amin’izy ireo. Satria mety hahita ny fianakaviany amin’ny endrika izay tsy hahafaly azy, ka mety hatonga azy hankahala ny fianakaviany.

 

  • Tsiazo atao ny mampijaly ny vehivavy na dia amin’ny alalan’ny teny manindrona ny fony na koa mety hampalahelo azy. Satria ny Mpaminany saw dia niteny tamin’ilay olona nanontany azy hoe: Oh, ry Irak’Allah! Inona ny zon’ny vadin’iraika aminay amin’ny ramoseny? Ka namaly izy hoe: Mampihinana azy ianao raha mahita ny hohanina ianao, ary mampitafy azy raha misy ho tafina ianao, fa k’aza mikapoka amin’ny tarehy, ary k’aza manompa na miteny ratsy aminy, ary k’aza manalavitra azy ianao afa-tsy any antrano”. [Sounan abi Daoud, j2. Pejy;244. Hadith laharana;

2142, nohitsian’i Sheikh Albany].

 

  • Fa raha sendra misy ny fankahalan’ny madamo ny vadiny, ka tonga amin’ny fangatahana fisaraham-panambadiana, ka ny fepetra, dia ny fitakiana aminy amin’ny fampodiana ny vodiondry izay nomena azy, afa-tsy hoe, ny ramose mihitsy no tsy mila an’izany. Efa notantarain’i Abdoullah bin Abbasy (RA) hoe, fa: Jamilah bint Saloul, tonga tamin’ny Mpaminany saw niteny hoe: oh ry Irak’Allah! Izaho dia, tsy mankahala an’i Thabit noho ny finoana na toetra. Fa, ny zavatra tsy zakako dia, ny haratsian’ny fitondrany ahy taorian’ny fidirana amin’ny finoana Silamo. Ka hoy ny Mpaminany saw: “Averinao ve ny zaridainany? Namaly izy hoe: Eka hoy ilay madamo. Ka nobaikon’ny Irak’Allah saw ilay ramose haka ny zaridainany, fa tsy haka zavatra hafa mihoatra amin’izany”. (zaridaina natao vodiondry, ny hamerenany azy mba hisarahan’izy roa). [Al-Boukhari].

 

  • Fiarovana ny vehivavy raha sanatria misy fanitsakitsahana ny voninahitriny na ny hasiny. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: “Misy karazana olona telo tsy hiditra amin’ny Paradisa; Izay tsy manaja ny Ray amandReniny, sy ny olona tsisy hasarotam-piaro, ary ny sarindahiny”. [Al-moustadrik alá as-swahihayn. j1. pejy; 144. Hadith laharana; 244. nambaran’i Zahabi fit-takhlis: swahih al-isnad].

 

  • Ny tsimaintsy ho saropiaro aminy sy ny fanalavirana azy avy amin’ny haratsiana, ary tsiazo avela handeha amin’ny toeran’ny rendrarendra sy ditraditra ary fakampanahy. Hoy Mpaminany saw: “Allah dia, saro-piaro. ny mpino koa saropiaro torakizany. Fa, ny hasarotampiaron’i Allah, dia raha amin’ny fotoana anaovan’ny mpino anankiray fahotana izay efa noraran’ny Tompo Allah”. [Mouslim, j4. Pejy:2114. Hadith numero; 2761].

Nefa ny hasarotam-piaro dia, mila misy toerany, satria hoy Mpaminany saw: “Ny hasarotam-piaro, dia amin’ny zavatra izay tian’i Allah sy amin’ny zavatra izay tsy tiany ny fanaovana azy”. Izany hoe, hasarotampiaro amin’ny zavatra mampiahiahy ary amin’ny zavatra miharihary ny fakampanahy izay haterak’izany. [Sounan ibni Majah. j1. page:643. Hadith numero;1996. Nohamafisin’i Sheikh Albany tahaka ao @ Sounan Abi Daoud].

 

 

 

3. NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FINOANA SILAMO AMIN’NY MAHA RENY AZY

Ny finoana silamo dia mananatra amin’ny tsimaintsy hanaovana soa amin’ny Ray aman-dReny izay hita amin’ny andininy masina marobe ao amin’ny Kor’any izany hafatra izany, ary nampiarahiny amin’ny zony (Allah) ny zon’izy ireo, izay mampahafantatra miharihary ny halehibeazan’ny zon’izy ireo sy ny voninahitr’izy ireo. Ka hoy Allah swt hoe: “Fa namoaka didy ny Tomponao hoe: Aza manompo afa-tsy Izy ianareo, ary manaova tsara amin’ny raiaman-dReninareo ianareo, raha tratr’antintra ny iray amin’izy roa, na izy roa miaraka, dia aza miteny velively amin’izy ireo hoe: “Eisy…”, ary aza atositosika izy ireo, fa manaova teny feno fanajana kosa ho azy ireo. – fa amin’ny alalan’ny famindram-po, dia miaraha amin’izy ireo amim-panetrentena ianao. Ka lazao hoe; Tompoko! Amindrao fo izy roa ireo, tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola zaza kely”. [Al-isra, and 23-24].

  • Ary ny fanaovana soa amin’ny Reny, ny fanajana azy, ny fitandremana amin’ny tsy firaharahana ny zony, ny fanetrentena anatrehany, ary ny fitiavana manokana azy, dia anisany antony iray mampiditra amin’ny Paradisa. ka indray andro tonga tamin'ny’Mpaminany saw i Jahimah niantso hoe: Oh ry Irak’Allah! Mba maniry hiady amin’ny lalan’ny Tompo Allah aho, nefa mba mila hevitra aminao. Nanontany saw hoe: Mbola manana Reny ve ianao? Eka hoy izy. Hoy Mpaminany saw: Mandehana mody antrano, ary karakarao tsara ny Reninao fa, amin’ny tongony roa misy ny Paradisa. [Almoustadrak ala as-swahihayn. J4. Pejy;167. H.numero:7248. Nambaran’i Az-zahabi @ At-Talkhis: Swahih. ary Sheikh Albany: Hasan Swahih].

Iaraha mahafantatra fa, ny vehivavy no tena marefo indrindra amin’ny fiarahamonina, satria matetika indraindray ny zony dia tsy voaaro, ka izay mihitsy no mahatonga ny finoana silamo no manolotra azy ho lohalaharana amin’ny tokony hanaovana soa sy valibabena alohan’ny rehetra. Izany dia mba hialana amin’ny fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy.

Manaporofo an’izany ny tatitra nataon’ Abou hourairah (RA), rehefa nisy lehilahy anankiray tonga tamin’ny Mpaminany (saw) nanotany azy hoe: Or ry Irak’Allah! Iza no tena manana zo lehibe indrindra amin’izay tsimaintsy hanaovako soa? Navaliny, fa: Reninao. Mbola nanontany: iza koa? Navaliny: Reninao. Mbola nanontany fahatelo: iza koa? Navaliny saw: Reninao. Ary mbola nanontany izy tamin’ny impaninefatra hoe: de iza koa? Namaly Izy saw hoe: dia ny Dadanao. [AlBoukhari. j5. pejy 2227. H. numero: 5626].

Hitantsika tsara ny zavatra lehibe izay fonosin’ity Hadith ity fa, ny reny dia manana elanelana telo be izao anatrehan’ny dada. Satria noho ny antony hasarotana izay andalovany amin’ny fitondrana vohoka, ny fiterahana, ary ny fampinonoana. ireo zavatra telo lehibe ireo no tolomin’ny Reny irery ihany, ka any amin’ny fanabeazana zay vao mandray anjara ny dada. Ny Reny no mitondra anao anatin’ny kibony, ary ianao dia mivelona amin’ny alalan’ny sakafony sy ny fahasalamany mandritra ny sivy volana (9 mois) raha ny maro anisa. Raha aveo dia mbola hampinono mandritry ny roa taona (2 ans) ho

an’izay te hameno ny fetran’ny fampinonoana, araka izay ambaran’ny Tompontsika manao hoe: “Nodidiako ny olombelona mba hanaja ny Ray aman-dReniny, satria tena niaritra ny mafy tokoa ny Reniny izay nitondra azy tao ambohoka. Ary aorian’ny faharoataonany ny fanotazana azy (fisaraha-nono). Koa mahaiza mankasitraka Ahy sy ny

Raiaman-dReninao ianao, satria any amiko no fiafarana”. [Louqman, and:15].

Voarara ny fanitsakitsahana ny zon’ny Reny sy ny tsy fankatoavana azy amin’ny zavatra tsara, ary ny tsy fahazoana manao tsinontsinona ny fanatanterahana ny zony. Hoy Mpaminany saw: “Hamafisina fa, Allah ilay avo indrindra, dia mandrara anareo amin’ny tsy fanajana ny Reninareo, sy ny tsy famoahana ny ampahankarena (zakah), sy ny tsy famoahana ny famatsiana izay tokony hataonareo, ary ny fangatahana sy fanontaniana izay tsisy ilana azy akory, ary koa ny fandevenam-belona ny ankizy vavy, ary ratsy ho anareo ny fampiasana ny honohono izay tsy mahasoa anareo no sady tsy mahasoa ny hafa, ary ny fanontaniana mahakasika ny zavatra tsy mahasoa, ary ny fandanindaniana ny vola amankarena”. [Al-Boukhari, j5. Pejy; 2229. Hadith faha:5630]. (voarara tsiazo atao daholo ireo voalaza rehetra ambony ireo).

  • Mila ankatoavina sy tanterahina ny baikony raha toa ka tsy maniraka hanao fahotana izany. Fa raha sanatria ka mibaiko anao hanao zava-boarara na fahotana, dia tsy azo ankatoavina izy amin’izany. Satria ny famalifaliana an’ny Tompo Allah, dia mbola ambonimbonin’ny Reny, ary ny fankatoavana ny baikon’ny Tompo Allah, dia mbola ambonimbonin’ny fankatoavana ny baikon’ny Reny. Nefa izany dia tsy midika ho fanitsakitsahana ny zony. Fa mila mendrika anatrehany hatrany amim-pahalalam-pomba, tsy mila mitrerona azy, na mandrahona azy. Fa mila maneho fahalefahana aminy. Sady mila maneho fitiavana azy, ary azavaina aminy ampahatsorana moramora,

araka izay nazavain’ny Tompontsika Allah swt amin’ny teniny manao hoe: “Fa raha manery anao hampitambatra Ahy amin’ny hafa ny Ray aman-dReninao, amin’ny zavatra izay tsy anananao fahalalana, dia aza mankatoa azy ireo ianao, saingy miaraha aminy amin’ny fomba mendrika eto antany.

Ary aoka ianao hanaraka ny lalan’izay mitodi-doha aty Amiko. Aty Amiko mantsy no fiverenanareo, ary amin’izay, dia hambarako anareo izay nataonareo”. [Louqman, and;15].

  • Raha araka ny tian’ny Tompo Allah swt hambara eto, dia ny halehibeazan’ny zon’ny Raiaman-dReny, izany hoe; nataony amin’ny hafaliany ny hafalian’izy ireo, ary ny hatezeran’izy ireo amin’ny hatezerany. Izany dia fampirisihana ny zanaka rehetra amin’ny fikarakarana ny Raiaman-dReny amin’ny fomba mendrika tanteraka, sy ny fanomezana sakafo tsara sy trano fonenana mendrika ho azy ireo. Hoy ny Iraka masina saw: “Ny hafalian’i Allah, dia miaraka amin’ny hafalian’ny Ray, ary ny hatezeran’i Allah, dia miaraka amin’ny hatezeran’ny Ray”. [Ibnou Hibbani. J2. Pejy:172. Hadith numero:429.

Nohitsian’i Sheikh Albany @ Sounan At-Tirmithi]. Ka noho izany, dia ny hafalian’ny Ray aman-dReny sy ny fanaovana soa amin’izy ireo dia antoka hidirana amin’ny Paradisa. Fa ny hatezeran’izy ireo sy ny tsy fanajana azy ireo dia ho antony hampiditra amin’ny afobe. Araka izay efa nohazavain’ny Mpaminany saw, amin’ny Hadith izay taterin’i Anasy (RA): “Nanontaniana ny Mpaminany saw amin’ireo fahotana tena lehibe indrindra? Namaly izy hoe: Ny fanompoan-tsampy, Tsy fanajana ny raiamandreny, famonoana olona tsy rariny, ary ny fijoroana vavolombelona sandoka”. [Mouslim].

Araka ny fitateran’i Abdoullah bin Omar (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny hoe: “Hafalian’ny Tompo dia amin’ny hafalian’ny ray, ary ny hatezeran’ny Tompo dia amin’ny hatezeran’ny Ray”. [Al-Boukhari, @ Adab almoufrad, izay nohamarinan’i Sheikh Albany].

Nitatitra Aboud-Darda (RA), fa ny Iraka masina saw dia niteny:

“Ny dada dia eo ampovoan’ny Paradisa, ka arovy tsara ny raiamandreninao, na avelao. (@ Toerana tena tsara @ Paradisa”. [At-Tirmithi & Ibnou Majah, ary nohamarinin’i Albany].

Ny finoana Silamo dia manome lanja ny fanaovana soa an’ny raiamandreny anatrehan’ny fanompoampivavahana atao antsirapo sy ny zavatra mitovy amin’izany. Hoy Abou Hourairah (RA), fa ny Mpaminany, saw dia nanambara: “Mbola tsy nisy olona niresaka tamin’ny fahazazana afatsy olona telo ihany; Jesoa zanak’i Maria (AS), ary tamin’ny Zanak’Israely dia nisy lehilahy antsoina hoe: Joraijy, izay mpanompo tsara sy mendrika, ary nanana toerana fivavahana manokana izy.

Rehefa hivavaka izy dia avy ny reniny niantso azy hoe: Joraijy!

Dia niteny amin’ny tenany i Joraijy hoe: Oh Allah! Aiza no horaisiko, ny Reniko sa ny fanompoam-pivavavahako? Ka nisafidy ny hanao ny Soalah-ny izy, ary voatery niala ny reniny. Ka rehefa tonga ny ampitso dia, tonga koa ny reniny, ka hoy izy koa; Ny Reniko sa ny Soalah-ko? Ka mbola nisafidy ny hanao ny soalah-ny izy, ka lasa koa ny reniny nandeha. Rehefa tonga koa ny ampitso, iny izy hivavaka iny dia avy koa ny reniny niantso azy hoe: oh Joraijy! Ka nanontany tena izy hoe: hivavaka ve aho sa hamaly antson’ny reniko? Nanapakevitra izy hanao ny fanompoany (vavaka). Ka niteny ny reniny hoe: Oh Allah! K’aza vonoina izy raha tsy mahita tarehin’ireo mpivaro-tena. Ary fantatry ny zanak’Israely tsara momba ny fahamatoran’i Joraijy sy ny asa fanompoany. Ka nisy vehivavy mpivarotena anankiray izay tena nihaingo tsara ka niteny tamin’ny zanak’israely hoe: Raha sitrak’areo, dia hataoko ny hidirany amin’ny fankampanahy. Ka tonga tany amin’ny joraijy ilay mpivarotena mba hanadala azy, nefa joraijy dia tsy nitodika sady tsy namaly ny antsony amin’ny asa ratsiny (fijangajangana). Ka lasa izy nandeha niaraka tamin’ny mpiarakandro izay mipetraka amin’ny toerampivavahan’ny joraijy. Ka niray aranofo izy roa ireto, ka bevohoka ilay mpivarotena.

Rehefa niteraka izy dia nambarany fa, zanak’i Joraijy io. Rehefa naheno an’io ny zanak’israely dia tonga daholo izy mianakavy aby nidina nanapotika ny toeram-pivavahan’i joraijy, ary mbola nidarohandreo koa izy tamin’izany.

Ka nanontany azy ireo i Joraijy hoe: Fa misy inona ry olona?

Nijangajanga tamin’io Mpivarotena io ianao, ka niteraka zaza lahy hoanao.

Nanontany izy hoe: Aiza ilay zaza?

Ka nentindreo avy any ilay zazalahy kely.

Niteny izy hoe: Avelao zaho hivavaka vetivety aloha. Rehefa vita ny vavaka izay nataony dia noraisiny tamin’ny kibony ilay zaza, ary niteny izy hoe: Ry zazalahy! iza no dadanao? Hoy ilay zaza-mena; Lehilahy izay mpiarakandro no dadako. Rehefa iny ny zavatra niseho dia nitodika tamin’i joraijy daholo izy rehetra nioroka azy sady nifona taminy. Ary nambaran’izy ireo hoe: Hamboarinay amin’ny volamena ny fiangonanao.

Namaly izy nanao hoe: tsia re olona. Aleo avereno amboarina amin’ny tany manga tahaka izy tamin’ny voalohany fotsiny fa ampy anahy izay. Ka naverindreo hoatrany tamin’ny voalohany ilay fiangonany, sns… [Al-Boukhari, j3. Pejy:1268. Hadith numero; 3253].

Izany hoe ny fanaovantsoa ho an’ny raiamandreny dia ambonimbonin’ny ady masina amin’ny lalan’ny Tompo Allah swt, sady laharam-pahamehana noho ny jihay na ady masina, afa-tsy hoe; lasa adidy isam-batano’lona ny ady. Hoy Abdoullah bin Amri ibnil-As (RA) hoe: indray andro nisy lehilahy tonga tamin’ny Mpaminany saw ka niteny taminy hoe: Izaho dia hanao velirano aminao amin’ny fifindra-monina, sy ny ady masina, noho ny faniriana ny valisoa avy amin’ny Tompo Allah swt. Ka hoy Mpaminany saw: Mbola misy velona ve ny raiamandreninao? Namaly izy hoe: Eka, izy roa mihitsy samy mbola velona. Ka maniry valisoa avy amin’i Allah swt zany ve ianao? Eka hoy izy.

Ka nambaran’ny Mpaminany saw: “Miverena ianao, ary ataovy tsara ny fikarakaranao azy roa”. [Mouslim, j4.

Pejy:1975. Hadith faha: 2549].

  • Ny finoana silamo dia, tonga hanamafy ny fifandraisana sy ny fiarahamonina amin’ny samy olombelona, fa tsy sanatria hampisaraka ny olombelona.

Izay mandidy ny olombelona amin’ny tsimaintsy hanajany sy hanaovany soa amin’ny raiamandreniny; fanaovana ezaka isankarazany, fanomezana, amin’ny fitenenana tsara sy mamy amin’izy ireo, mifandray tsara aminy, na dia fa, mifanohitra aza ny finoana.

Hoy Asmá (RA): “Tonga tamin’ny Mamako aho. Satria tena naniry te-hahita ahy izy. Ka nanontaniako ny Iraka masina saw hoe: Te hahita ahy mafy ny Reniko, nefa mbola mpanompo sampy izy. Azoko atao ve no mitazona ny fihavanana aminy? Eka hoy ny Mpaminany saw, azonao atao tsara, ary tazomy ny fihavananareo.” [Al-Boukhari, j2. Pejy:924. Laharana faha: 2477].

  • Ny mpino silamo dia mila miresaka momba ny halehibeazan’ny tsimaintsy hanajana sy hikarakarana ny raiamandreny. Satria ny mpaminany saw dia efa nanazava tsara fa, ny fanaovana soa sy fanajana ny raiamandreny, dia antony anankiray hamalian’i Allah swt ny vavaka na ny fangatahana izay ataontsika. Hoy mpaminany saw: Nisy lehilahy telo nandeha indray andro, ka rehefa alina ny andro dia, niditra andava-bato izy ireo hatory, ka nisy vatobe latsaka avy tany ambony ka nandrakotra tanteraka ny lava-bato.

Fampiresaka izy ireo fa, tsy hoavotra eto isika raha tsy mangataka amin’ny Tompo Allah amin’ny alalan’ny asasoa izay nataontsika.

Ka niteny ny iray tamn’izy ireo hoe: Oh Allah! Nikarakara an’ny raiamandreniko izay tena antitra tokoa no nataoko, tsy natakaloko na inona na inona, na iza na iza ny fikarakarana azy ireo. Isaky ny maraina sy hariva dia tsimaintsy manolotra ronono hoazy reo aho zay vao manome ny zanako sy ny hafa. Raha sendra resy tory izy reo alohany hanolorana ny anjara rononony, dia matory tsy mahazo ny anjarany koa ny zanako mandrapaha maraina ny andro. Ka fantatrao tsara fa, noho ny fitadiavako ny sitraponao no nanaovako izany, ka mitalaho aminao aho mba esory any ity vatobe izay manageja anay ity. Ka nihisaka kely ilay vato, nefa mbola tsiafaka hivoahan’izy ireo. Hoy mpaminany saw: niteny koa ny faharoa: Oh Allah! nisy zanaka vavin’ny dadatoako, izay tena tiako amin’ny olombelona ny hiray aminy, nefa manda foana izy. Ka indray andro sendra nisy main-tany ka sahirana ny olona. Ka tonga ilay ankizy vavy nangata-bola tamiko, ka nararaotiko mba hiaraka amiko izy dia omeko ny tadiaviny. Eka teneniny, fa tsy maninona. Rehefa tonga ny fotoana hiarahanay dia, niteny izy hoe: k’aza vakinao manta izao voankazo mbola tsy masaka izao, fa aleo atao amin’ny fomba ara-dalana (fanambadiana), ary matahora Zanahary amin’izany.

Tongasaina aho sady menatra dia navelako izy nandeha niaraka amin’ilay volamena 120 Dinar. Ka raha hoanao no nanaovako izany dia, mba esory ity vatobe ity. Dia nihisaka kely ilay vato, nefa mbola tsiafaka mivoaka izy ireo. Ka hoy Mpaminany saw fa, niteny koa ilay fahatelo amin’ny telolahy izay raikitra andavabato hoe: Oh Allah! Naka mpiasa marobe aho, nampiasaiko tao amiko. Nomeko azy reo daholo ny karamany, afa-tsy lehilahy anankiray izay nandeha, nefa tsy naka ny karamany. ka nampiasaiko ny anjara karamany, ka nahazoako tombony be. Ka indray andro tonga izy nitaky ny karamany hoe: Oh, ry andevon’i Allah! Omezo ahy amin’izay ny karamako. Namaly aho: Alaivo daholo ireo izay hitanao maso ireo; ny rameva, ny omby, ny hosy sy ny andevo rehetra. Niteny tamiko izy hoe: K’aza manadala anahy ianao ry ramose ah!

Ka rehefa azony antoka fa, tsy misangisangy aho, dia nalainy daholo ny zavatra rehetra. Oh Allah! Ka raha hoanao no nanaovako izany dia mba esory avy aminay ity vatobe ity. Ka tonga dia niala ilay vatobe, ary afaka nivoaka moramora daholo izy telo mirahalahy. [Al-Boukhari, j2. Pejy:793. Hadith faha:2152].

  • Ny fanaovana soa amin’ny raiamandreny dia anisany mamafa ny fahotana, ary hamafan’ny Tompo Allah swt ny hadisoana. Hoy Abdoullah bin Omar (RA): indray andro nisy lehilahy tonga tamin’ny Iraka masina saw niteny hoe: Izaho dia nanao fahotana lehibe, moa ve mbola misy famelana hoahy? Ka nanontany azy Mpaminany saw: Mbola manana Ray aman-dReny ve ianao? Namaly izy hoe: tsia. Mbola manana rahavavin-dreny ve ianao? Eka hoy izy, mbola manana aho. Ka hoy Mpaminany saw taminy: Manaova soa aminy ianao (zany hoe; karakarao izy). [ibnou Hibbani, j2. Pejy 177. Hadith numero; 435. Hoy Shouayb bin Al-arnaout: Marimpototra araky ny Boukhari & Mouslim]. Satria ny rahavavi-ndreny dia maka toeran’ny reny, araka ny nambaran’ny Mpaminany SAW: “Ny anabavin-dReny dia maka toeran’ny Reny”. [Al-Boukhari, j2. Pejy; 960. Hadith faha:2552].

Ary hamafisina fa, ny zon’izy roa ireo dia mitohy hatrany, na dia efa maty aza izy ireo. Ka hoy Abou hourairah (RA) fa, ny

Mpaminany saw nanambara hoe: “Raha maty ny zanakolombelona, dia mitsahatra daholo ny asany rehetra afatsy avy amin’ny zavatra telo (raha nanao izany); Fanomezana mitohitohy, na fahalalana mahasoa, na koa zanaka tsara taiza ka mangataka tsara hoan’ny Ray amandReniny”. [Mouslim].

 

 

4. NY ZONY AMIN’NY MAHA VEHIVAVY TAHAKA NY VEHIVAVY REHEYRA AZY

Ny mpino silamo dia nodidina amin’ny tsimaintsy hanaovana soa ho an’ny vehivavy, ka manamafy an’izany ny tenin’ny Mpaminany saw manao hoe: “Ny mpino hoan’ny mpino hafa dia, tahaka ny trano, izay mifampiankina amin’ny sasany ny sasany, ary nisokafiny ny tondrontanany tamin’izany”. [AlBoukhari, j1. Pejy; 182. Hadith numero;467].

  • Raha toa ka anabavindray na rahavavindreny izy, na fianakaviana akaiky indrindra, dia tafiditra anisan’ireo fianakaviana izay nandidian’i Allah swt ny fanajana ny fihavanana aminy, ary nampitandrina izay manapaka ny fihavanana amin’ny sazy lehibe. Hoy Allah: “Moa raha mitsipaka ve ianareo, dia tsy ahiana hampiely fanimbana ety an-tany, sy hanapaka fihavanana amin’ireo mpiray tampo aminareo” [Mohammad, and;22].

Ka hoy ny Mpaminany saw mahakasika izany: “Tsy hiditra amin’ny Paradisa izay manapaka ny fihavanana”. [Moslim. J4. Pejy:1981. Hadith faha:2556].

Ary nampanantena amin’ny fanaovana soa aminy fa hahazo valisoa roa sosona. Hoy saw: “Ny fanomezana ho an’ny sahirana dia, fanomezana iray fotsiny, fa ny fanomezana ho an’ny fianakaviana dia fanomezana anankiroa; fanomezana sy fihavanana”. [Sahih ibni Khouzaimah. J3. Pejy; 278. Hadith faha; 2067. Nohamarinin’i Sheikh Albany].

  • Raha toa ka mpifanolo-bodirindrina ny vehivavy silamo izay Havana, dia manana zo anankiroa aminao izy; zon’ny finoana, sy zon’ny fihavanana. Hoy Allah swt: “Aoka ianareo hanompo an’Allah, ary aza mampitambatra Azy amin’ny zavatra hafa. Ary manasoava ihany koa ny Raiaman-

dReninareo ianareo, sy ireo havanareo akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ary ireo mpifanolo-bodirindrina havanareo, ireo mpiara-monina lavitra anareo, ireo sakaiza tsy mahasaraka anareo, ireo mpandeha lavitra (lany vatsy)”… [AnNisa, and:36].

Tsimaintsy ataon’ireo mpifanolo-bodirindrina ny fanaovana soa aminy (Vehivavy), sady mifanaraka tsara aminy, manatateraka ny zavatra ilainy sy ny raharahany, ary manampy azy amin’ny zavatra rehetra ilany fanampiana sy vonjy. Mahakasika izany indrindra no nanambaran’ny Mpaminany saw: “Ny Anjely Gabriely/Jibril, dia tsy nitsahatra nananatra ahy momba ny fanajana ny mpifanolo-bodirindrina, ka nihevitra mihitsy aho fa, hampandova ahy izy”. [Al-Boukhari, j5. Pejy:22369. Hadith laharana; 5668].

Anisany zavatra tsimaintsy ataon’izy ireo, dia ny fiarovana azy avy amin’ny loza sy zava-manahirana azy amin’ny fiainany, tahaka ny teny manindrona na fitondrantena tsy mendrika manoloana azy. Hoy Mpaminany saw: “Mifanta amin’ny Tompo Allah zaho fa, tsy mpino izy, mifanta amin’i Allah aho, fa tsy mpino izy, mifanta amin’i Allah aho fa, tsy mpino izy. Nisy nanontany: Iza ary, oh ry Iraka’Allah? Namaly Izy (SAW) hoe: Izay mampijaly ny mpifanolo-bodirindrina aminy. [AlBoukhari, j5. Pejy; 2240. Hadith numero:5690].

  • Mila arovana sy alaina antoka ny zony amin’ny maha vehivavy azy, sady mila jerevana akaiky ny raharahany sy ny fiainany tahaka ny nataon’ireo mpino silamo talohn’ny fiantombohan’ny finoana silamo. Ny fikarakarana ireo vehivavy sahirana dia sokajian’ny finonana silamo ho anisan’ireo asa tena tsara sy soa indrindra. Hoy mpaminany saw hoe: “Izay mikarakara ny vehivavy maty vady sy olona sahirana, dia tahaka ny olona manao ady masina amin’ny lalan’ny Tompo Allah swt, na tahaka ny olona manatanteraka ny fanompoampivavahana mandritry ny alina ka tsy mitsahatra, na olona izay manao fadin-kanina mandritry ny antoandro ka tsy manapaka mihitsy”. [Al-Boukhari, j5.

Pejy; 2047. H. numero: 5038].

Tena marina fa, ireo mpanaradia an’ny mpaminany saw dia manara-maso akaiky hatrany momba ny fiainan’ireo olona izay mpifanolo-bodirindrina aminy, indrindra moa ireo sahirana ara-pivelomana, sy ireo vehivavy indrindra amin’ny fomba manokana tanteraka. Satria raha araka ny tatitr’i Twalhah (RA) fa, indray alina ny lehiben’ny Mpino, Omar bin Al-Khattwab (RA) dia nivoaka ka nanaraka tao afarany aho, ka hitako izy niditra tamin’ny trano anankiray, dia aveo niditra tamin’ny trano anankiray hafa ihany koa. Ka rehefa kiaka ny andro (vao maraina ny andro), dia nandalo tamin’iny trano iny aho ary niditra tao nijery, fa nahita Ramatoa be antitra jamba maso izay efa tsiafaka mihetsika intsony. Ka nanontaniako ilay Ramatoabe hoe: inona dian’ilay rangahy tamin’omaly iny tato aminao tato? Hoy ilay Ramatoabe: Izy no mikarakara ahy hatry ny fotoana ela hoatr’izao hoatr’izao. Mikarakara ny raharahako, sady mamafa sy manadio ny tranoko, ary manalavitra ireo zavatra mety handratra ahy avy aty amin’ny manodidina ahy. Ka hoy Twalhah: hadisoana amintsika ve ny hanaraka tahaka ny nataon’i Omar?

Angamba fa, ireny voalazanay vetivety ireny mahasika ny zon’ny vehivavy sy ny andraikitra izay tsimaintsy tanterahintsika, dia mbola ampahany kely fotsiny. Satria mbola betsaka ireo zo izay mbola tsy noresahina teto noho ny fahatahorana amin’ny fivalamparana amin’ny fotoana. Efa mazava tsara amin’ny mpamaky, ireo sasan-tsasany amin’ny fitaratra sy hazavana manaporofo ny fanajana sy fanomezan’ny Finoana silamo voninahitra ny vehivavy, izay mbola tsy nisy teo aloha na ankehitriny ny fanajana sy fanandratana avo ny vehivavy mitovy amin’ny ataon’ny finoana Islamo. Ary tsy hisy hitovy aminy afatsy ambany alokan’ny finoana silamo ihany sy ny fampiharana ny lalána Islamika.

 

 

 

NY FANAKORONTANAN-TSAINA MOMBA NY VEHIVAVY AMIN’NY FINOANA SILAMO

Raha mbola anatin’izao resaka izao isika, dia tsara ihany raha mampahatsiahy momba ny resaka mahakasika ny vehivavy isika, izay miteraka fisavoritahan-tsaina sy korontana tanteraka mihitsy. Izany hoe; ny fanosoram-potaka ny finoana silamo amin’ny hoe, tsy manaja ny zon’ny vehivavy hoy ireo fahavalo ny finoana silamo. Fa ny tena tanjon’izy ireo, dia ny fandotoana sy fanosoram-potaka fahatany ny finoana silamo, ary ny fankaratsiana sy ezaka hanova tanteraka ny endriky ny finoana silamo. Satria fantany fa, ny finoana silamo dia, tsara tarehy sady hazavana tanteraka, izay miaro hatrany ny zon’ny vehivavy silamo indrindra indrindra.

Hatry nipoiran’ny finoana silamo, dia voaaro tsara ny voninahitra sy ny hasin’ny vehivavy ary ny fahamatorany. Tandremo fa, ireo fanenjehana momba ny vehivavy sy ny zony amin’ny finoana silamo, izay tanterahin’ny sasany amin’ny alalan’ny fivoriambe etsy sy eroa, dia misy tanjona miafina izay mikendry lavitra noho ny resaka Fahalalahana ho an’ny vehivavy fotsiny (teti-dratsy).

Ny zavatra mahagaga ange, fa maninona izy ireo no tsy misoka-bava mitaky ny zon’ny ankizy, ireo sembana, ireo tsy an’asa, zon’ireo marefo ara-pivelomana sy sahirana, na lahy izany na vavy, ireo izay voahenjika amin’ny finoana sy amin’ny fiainany, ary voaroaka avy amin’ny tranony ka voatery tsimaintsy manao sesi-tany antany hafa, izay hita manerana izao tontolo izao izany tranga mampalahelo izany.

Tokony izany no hananganana fivoriambe hitakiana ny zon’izy ireo mba hampitsaharana ny fandatsahan-drá, ka omena azy ny zony feno izay voahitsakitsaka hatry ny ela izay.

Maninona ary izy ireo tsy mijery afatsy izay heverin’ireo tsy mahafantatra sy tsy mahalala momba ny fahamarina’ny finoana silamo fa, ratsy hoy izy ireo?

Nefa tsy jerevan’izy ireo ny lafy tsaran’ny finoana silamo, fa mitady zavatra hanaratsiana azy fotsiny. Anisan’izany dia ireto manaraka ireto raha resahina amin’ny fomba tena fohy tokoa; Ny fisarihana ny hevitry ny maro, silamo izany na tsy silamo, izay hita amin’ny zavatra ataon’ireo olona izay tsy mitetika afatsy ny tombontsoa manokana hoazy ireo ihany, ary indraindra moa ny fanapotehan’izy ireo fiarahamonina mora isankarazany sy ny fampivelarany ny heriny sy ny fahefany, mba hampieritreritra ny maro fa, raharaha lehibe tokoa izio. Nefa izy ireo dia namela ny raharaha izay tena lehibe indrindra noho izany. Izahay amin’ny maha mpino silamo dia, mino sady matoky fa, izy io dia raharaha tsy tokony handaniana fotoana na kely aza. Satria ny finoana silamo dia efa nanazava tsazra ny marina amin’ny tsy marina. Fa ry zareo dia mody mananatra sy mitady vahaolana mahakasika ny raharahan’ny vehivavy.

Izany hoe mba hahazoan’izy ireo ny vehivavy ho tafiditra amin’ny laharana iray miaraka amin’izy ireo. Ary aveo dia hoentiny amin’izay tiany hanaovany azy ny vehivavy. Ary hataony fitaovana hoan’izay te hihaza, ka ho voafandrika miaraka amindreo.

Fitiavana manaparitaka ny fakampanahy sy haratsiana amin’ny fiarahamonina maro, satria raha ny fiarahamonina miaina amin’ny haratsiana dia moramora ny fanjanahana azy sy ny fanapotehana azy, ary ny fangalarana ny harenany hoan’ireo fahavalo maniry hanao izany amin’ny fomba isankarazany. Satria ny heriny izay tokony hiarovany tena dia lany amin’ny fiainana tsy aradalana sy fibobohana zavatra ratsy maro karazana. Ka tsisy zavatra hainy intsony mahakasika ny resaka toekarena na fiarahamonina. Nambaran’ny Profesora, Ph.D Henry Makow (126) [Magazine, ny hoavin’ny Silamo, laharana:146-6/1424 A.H, the Debuchery of American Womanhoot Bikini vs. Burka]: Hamafisisna fa, ny ady ataon’ny tandrefana amin’ny vahoaka Arabo sy silamo, dia tena lavitry ny resaka politika, kolotsaina na fahamendrehana. Satria ny tanjony dia ny fangalarana ny harenany mba hatsariny (tehiriziny) hoan’ny vahoakany. Tsy vitan’izany fa, mbola potehina koa ny zavatra tena lafo vidy indrindra amin’izy ireo, izany hoe; ny finoany, ny trezaorony ara-kolotoraly, ary ny teti-dratsiny momba ny vehivavy amin’ny fampitafiana azy reo ny bikiny amin’ny toeran’ny sarondoha, sy izay rehetra momba ny vehivavy raha mahakasika ny voninahitra sy haja.

Raha marina izireo, maninona mametra ny fitakiany ny zon’ny vehivavy? Satria ny zon’ny vehivavy dia, tsisy fetrany ny fitakiana sy fiarovana azy. Ary indrindra moa rehefa tratry ny fahanterana izy, ka mila fikarakarana mafy, mba ho fanakaikaizana ny Tompo Nahary, raha araka ny finoana silamo. Nefa be dia be tokoa ireo vehivavy be antitra izay tsisy mikarakara. Tsy misy zavatra koa tsara noho izany fiarovana ny vehivavy be antitra izany, sady manantena valisoa avy amin’ny tompo Allah swt amin’izany rehetra izany, ary matahotra ny saziny raha tsy manatanteraka izany. Ny mampalahelo dia, ireo rehetra ireo dia entin’izy ireo amin’ny fidradradradrana ny lalána, nefa raha foana ny lalana dia foana koa ny zon’olombelona. Gaga aho amin’ireny magazine izay mampiely sarim-behivavy mitetika fanaparitahana fakampanahy. Nefa mody ataony sarihadino ny fampidirana sarimbehivavy miresaka hatsarana na tsy fahafahana, Ny resak’izy rehetra dia vehivavy daholo? Sa ny tanjon-dreo dia ny fanaovana haza, na mitetika hampiasa ny voninahitra sy ny hasin’ny vehivavy ho fitaovam-barotra!!?? Ny fankahalana lalim-paka ataon’ireo mpanano sarotra avy amin’ny karazampinoana maro izay mitsangana manohitra ny finoana Silamo sy ny mpanarak’azy. Nanambara Somael Zoemer, Filohan’ireo Fikambanan’ny asa fampielezana miafina, tamin’ny fivoriambe tao Jerosalema hoan’ireo mpanao fampielezana miafina, izay natao t@ 1935 (127) [@boky atao hoe; Miteny ireo Mpitondra tandrefana hoe: Poteho ny finoana silamo, ary aripaho ireo mpino. An’i Sheikh Jalal Alami]., hoe: Ny andraikitry ny misionera izay ampanaovin’ny firenena kristianina anareo any amin’ny firenena silamo dia, tsy ny fampidirana ny mpino silamo ho kristianina, satria izany dia mbola fahitsina sy voninahitra hoazy ireo. Fa ny tena asanareo dia ny fanesorana ny mpino silamo avy amin’ny finoana silamo. mba ho lasa olombelona tsy manana fifandraisana amin’ny Zanahary. Satria amin’izay mba tsy hisy zavatra hampitambatra azy amin’ny toetra mendrika, izay mba hiankinan’ny vahoaka rehetra amin’ny fiainany. Ka amin’izay ianareo ami’ny asanareo zany dia mitarika ny fanjanahana sady mahazo ny firenena silamo sy ny fananany.

Miteny ny sasany amindreo hoe: Raha vitantsika ny mamoaka ny vehivavy na mahazo ny vehivavindreo, dia tonga amin’ny tena tanjoana isika….??? Nefa inona zavatra mba azondreo afa-tsy ny fanaparitahana ny fakampanahy sy haratsiana amin’ny alalan’ny fanjanahana ny firenena sy ny olombelona.

Ny zavatra tadiavindreo amin’io fanakorontanan-tsaina isankarazany io dia, ny fanaratsiana ny tarehin’ny Islamo sy ny fahamarinany.

Ary io fanenjehana sy fampifahavaloana io tsy mahazo ny hafa afatsy ny finoana silamo sy ny mpino ihany no misedra izany.

Ary marina ny tenin’ny Tompo Allah manao hoe: “Ary tsy ho faly aminao mandrakizay ireo jiosy sy Kristianina, raha tsy manaraka ny fomba amam-panaony ianao. Koa lazao azy ireo; Lazaiko sy hamafisiko fa, ny tari-dalan’i Allah no lala-marina. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy reo taorian’ny nanomezan’i Allah anao ny fahalalana, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao”. [Albaqarah, and;120].

Ny tanjondreo amin’ny fanaparitahana ny fanakorontanantsaina mahakasika ny zon’ny vehivavy amin’ny finoana silamo, izay matetika miseho ny fanaovandreo izany, dia mitetika ny famoahana ny vehivavy avy amin’ny fahamatorany (ny fiarovana ny hasiny/henatrany), sy ny voninahitrany, sy ny zavatra rehetra hitarika amin’ny fahaverezana sy haratsiana. Ary izany dia amin’ny alalan’ny fampiasana ny vehivavy tandrefana mba ho falaintahaka hoan’ny rehetra, araka ny fijerindreo. Ka aoka mba hanontany ny fanahiny sady hitsara izany ny vehivavy rehetra mamaky izao resaka sy anatra izao, na mpino silamo izy na tsy mpino, amin’ny hoe: Moa ve amin’ny toerana mihaja tokoa ve ny vehivavy tandrefana raha jerena amin’ny toe-java misy amin’ny fotoana misy antsika izao, sa toerana tena mampalahelo no sady manala Baraka tokoa ny toeran’ny vehivavy?

Nambaran’ny    Profesora,     Ph.D    hoe:    “Ny    tanora    vavy

Amerikanina amin’izao andro izao dia, miaina amin’ny fiainana baranahana, ka tovolahy ampolony maro no efa niaraka taminy alohany fotoana hanambadiany, ary very alohany fanambadiana ny maha verijiny azy, izay anisany voninahitra hoan’ny fianakaviana, ka lasa hoatrany zavatra tsisy dikany, sady voafitaka, ary efa tsy afaka hankatia azy intsony ny olona.

Ny vehivavy Amerikanina mahita fa, izy no tena misongadina sady alaintahaka ihany koa. Ka vokatr’izany dia ny fifankahalana isankarazany, ka noho izany dia, tsy mendrika ho vady na reny mihitsy izy ireo. Fa hita fa, ho fanalana ny hetaheta sy rendrarendra ny vehivavy, fa tsisy resaka fitiavana intsony izany.

Ny daholobe no fototry ny fiaingan’ny fampandrosoana. ary izao no fiafaran’ny fitaka bevava izay mahazo ny olombelona amin’ny filomanosana amin’ny rendrarendra, ka mba ho lasa mpanompon’ny Allah daholo isika rehetra. Hatongavantsika amin’izany dia amin’ny alalan’ny fanabeazana sy fiainana vaovao, nefa ireo fitondrana vaovao marobe manerantany dia, fantaro fa, tsy mila antsika ho tonga amin’izany ambaratongan’ny fisandratana izany intsony. Fa ny zavatra ilaindreo amintsika dia, mba ho olona misara-tsaraka, ary mosary lava ara-nofo, ka mba homeny ny sary mamoafady, na dia tokony hanambady izay no vahaolana tsara indrindra.

Izay misaina rehetra dia, maharaka fa, efa miparitaka amin’ny tsy tokony ho izy ny haratsiana izay mahazo ny vehivavy amin’ny hatsarany. Ka raha mihamivelatra ny hatsarany, dia malalaka ihany koa ny fanipizana azy amin’ny fahavalo. Ka noho izany dia, hita fa, miezaka izy ireo hanao fitaovana ny vehivavy tahaka ny fitaovambarotra. ary amin’izao dia efa vidina amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra vakiana, henoina, na jerevana. Ka lasa fitaovana fanaovana sitrapo sy fanalana hetaheta aranofo no fandraisan’izy ireo ny vehivavy. Tena marina fa, izy ireny no mamily lalana ny zanaka vavy, mamita-bady, sady tsy manaja ny

Reny, ary manao amin’ny vadin’ny mpifanolo-bodirindrina. Hamafisina fa, izy ireo no mpanitsakitsaka ny zon’ny vehivavy, sady manageja ny fahalalahany, ary manipy azy mankany amin’ny fahapotena sy loza. Aiza ary izy ireo amin’ny Tenin’ny Iraka Mohammad saw izay manao hoe: “Mendreha tsara ianareo amin’ny vadinareo”.

Hamafisina fa, raha ny ambaratonga misy ny fahafahan’ny vehivavy tandrefana amin’ny fiarahamoniny amin’izao dia, tsisy antoka mazava sy matotra. Izany dia noho ny vokatry ny fihetsik’izy ireo manoloana ny fampianarana sy fanapahankevitry ny fiangonana tamin’ny andro teo amopovoany manoloana ny zon’ny vehivavy. Izany hoe, noho ny fampijaliana, sy fiangarana ary ny fanitsakitsahana ny zony, ary ny fanapotehana ny hasiny amin’ny resaka mahaolona. Ka ireo olon’ny sitra-po no afaran’izao rehetra izao izay mitetika hanapotika ny fiarahamonina amin’ny fampiasana ireo lehiben’ny fiangonana mba hampiala ny taranaka faramandimby amin’ny haja amam-boninahitra sy hasina ary ny foto-pampianarana izay misy azy ankehitriny noho ny fialonana.

izany hoe, mba hanamora izay rehetra tadiavin’ny fahavalo no tena tanjondreo amin’izany.

Fa raha ny finoana silamo kosa dia, tsy mampijaly na miangatra na manitsakitsaka ny vehivavy velively, fa manome azy zo mitovy amin’ny lehilahy amin’ny zavatra rehetra, afatsy amin’ny zavatra izay tsy zakan’ny vatan’ny vehivavy.

Ary tsisy manda fa, ny lehilahy sy ny vehivavy dia olona roa samy hafa tanteraka, raha jerevana ny vatany., ka miankina amin’izany ny tsy mampitovy azy roa.

Manambara ny Dr. G. Lebon, ao amin’ny bokiny antsoina hoe

(ny fivoaran’ny Arabo) manao hoe: raha te hahafantatra ny lanjan’ny fimasoan’ny Kor’any mahakasika ny raharahan’ny vehivavy isika, dia mila mijery tsara azy ireo tamin’ny fotoanan’ny fivoaran’ny Arabo. Satria tena miharihary tokoa ny ambaran’ireo mpahay tantara fa, nanana ny toerany tsara mitovy tamin’ny rahavavindreo ankehitriny tokoa ry zareo any Eropa.

Tena marina fa, ry zareo Eropeana dia naka avy tami’ny Arabo ny fomba fiadiana, fa ny resaka fanajana ny vehivavy kosa dia tsy noraisiny ho zava-dehibe aminy. Ka ny finoana silamo no nampihatra ny fanajana sady nanandratra avo ny voninahitry ny vehivavy avy tamin’ny ambaratonga farany ambany indrindra izay nisy azy fa, tsy ny Kristianina akory. Nefa mifanohitra amin’izany ny toe-java misy sy miely manerantany amin’izao. Raha mijery tsika ny kristianina amin’ny ambaratonga voalohany tamin’ireny taonjato marobe tany anelanelany tany, dia hitanareo fa, tsy nisy firaharahana momba ny vehivavy izany,

ary raha manokatra sady mamaky ny bokin’ny tantara tamin’izany fotoana izany ianao dia, hitanao tsara ny zavatra hampiala ny ahiahinao mahakasika izany rehetra izany, ary fantatrao tsara fa, izy ireny dia tena hentitra sy masiaka tamin’ny vehivavy, alohany hianaran’ny kristianina avy tamin’ny Arabo ny hatsaram-pitondrantena sy fahamendrehana amin’ny fifandraisana amin’ny vehivavy sns.

Izay misaina rehetra, sady teraka amin’ny voajanahary izay salama mitovy tsara, dia tsy hanaiky velively ny fivarotana na fampitaovana ny voninahitriny sy ny hasiny, izay ataon’ireo fosa amin’ny endrika olombelona (ireo fahavalon’olombelona), izay tsy manana asa-loha afatsy ny fitadiavana ny hetahetam-po mandalo fotsiny. Dia tahak’izany koa ny vehivavy izay teraka amin’ny voajanahary, dia tsimaintsy manda amin’ny fampitaovana azy hatao tahaka ny entam-barotra havidy sy vidina, na koa tahaka ny voninkazo izay fofonin’ny rehetra mandalo, ka rehefa aveo dia ariana tahaka ny lamba fitafy efa tonta.

Hamafisina, mazava tsara ny toro-lalana islamika mahakasika izany zavatra izany, amin’ny fitenenana, voajanahary, ary arapanahy amin’ny fiarovana ny tsirairay, fiarovana izay miorina amin’ny fitiavana soa ho an’ny hafa.

Satria ny finoana silamo dia manabe ny mpanaraka azy amin’ny fahamatorana, fahadiovana ary ny fitiavana hasina. Ary mitarika azy ireo amin’ny torolalana mahitsy sy mahomby izay miorina amin’ny fanaraha maso momba ny fiainan’ny tsirairay amin’ny fihetsiny.

Ka indray andro nisy tanora mpanaradia an’ny Iraka saw tonga taminy niteny hoe: Omeo alalana ahy hijangajanga!!! Ka nanatona daholo ny vahoaka nandrahona azy tamin’izany, ary niteny hoe: Fa azon’inona moa anao ty, mangina sady miala any. Hoy Mpaminany saw: Ampanatony izy. Rehefa nanakaiky izy dia, nasaina nipetraka. Ka niteny Mpaminany saw: Tianao atao amin’ny Reninao ve izany? Namaly izy hoe: tsia. Mifanta amin’ny Zanahary aho ary hataony sorona hoanao. Ary tsisy olona tia ny hanaovana izany amin’ny Maman-dreo. Sa tianao koa ve ny hanaovana izany amin’ny zanakao vavy? Hoy izy hoe: Tsia velively oh ry Irak’Allah.

Hataon’i Allah sorona hoanao amin’izany ny tenako. Ary tsisy olona tia ny hanaovana izany amin’ny zanakan-dreo. Sa tianao hatao amin’ny anabavinao ve izany hoy Mpaminany saw? Namaly izy hoe: Tsia. Ary mifanta amin’ny Zamahary aho amin’izany. Hataon’i Allah sorona amin’ny fiarovana anao enga anie ny tenako, ary tsisy olona tia an’izany hatao amin’ny anabaviny. Tianao ve raha atao amin’ny anabavin’ny dadanao? Hoy izy hoe: tsia. Ary mifanta amin’ny Tompo Allah aho amin’izany, enga anie hatao sorona amin’ny fiarovana anao ny tenako. Ary tsisy olona maniry ny hanaovana izany amin’ny anabavin’ny dadany, hoy izy hatrany. Tianao ve raha atao amin’ny rahavavin-dreninao? Namaly izy hoe: tsia. Ary mifanta amin’ny Zanahary aho amin’izany. Fa ho sorona amin’ny fiarovana anao ny tenako. Ka napetraky ny Mpaminany saw ambony tanan’ilay tanora ny tanany, ary niteny izy hoe: “Oh Allah! Avelao ny fahotany, diovy ny fony, ary arovy ny henatrany”. Hatry tamin’izany dia mbola tsary nitodika tamin’ny fahotana intsony ilay tanora. [Mousnad Imam Ahmad, j5. Pejy:256. Hadith faha:22256, voamarin’i Sheikh Albany].

 

ANISAN’IREO ZAVATRA MANAKORONTAN-TSAINA IZAY MIPARITAKA:

 

 

RESAKA FAMPIRAFESAM-BADY

Ny resaka fampirafesana dia lalána voajanahary, tsy azon’izay mino an’ny tompo Zanahary sy ireo Boky masina rehetra nidina avy tany an-danitrany hankahala na hanohitra izany.

Ny fampirafesana dia, fomba amampanao amin’ny finoana silamo tahaka izay nisy tamin’ireo finoana hafa maro isankarazany teo aloha. Izany hoe, tsy zavatra manokana amin’ny finoana silamo fotsiny fa, amin’ny finoana rehetra. Ary izay efa nambaranay fa, ireo finoana marobe teo aloha dia, miaiky sady mahafantatra tsara ny momba izany. Ary anisany voalohany amin’izany dia, ny Baiboly, Evanjely, satria maro tamin’ireo Mpaminany talohan’ny Mohammad saw, dia efa nanao izany fampirafesam-bady izany, ary tsy nisy fetrany izy tamin’izany.

Ataontsika ohatra; Abrahama (AS) dia nanana vady roa (2), ary Yakoba (AS) koa nanana vady efatra (4), ary Salomon (AS) dia nanana vady tena marobe sns…

Ka noho izany, dia tsy resaka vaovao ny raharahan’ny fampirafesam-bady, fa zavatra efa nisy hatry ny ela tokoa ANATIN’NY BAIBOLY: voalaza ao amin’ny boky masina amin’ny testamanta taloha, amin’ny jiosy fa; ny rahavavy dia tsiazo atambatra amin’ny rahavaviny ho vadin’ny lehilahy anankiray amin’ny fiainany manontolo. Izy dia tsy mandrara ny fampirafesana fa, mandrara ny fampitambarana ny vehivavy roa iray tampo, ho vadin’olona iray.

Araka izay efa voalaza ao amin’ny baiboly amin’ny bokin’ny Somaely fa, ny Mpaminany Davida (AS) dia, nampirafy vady marobe koa, ary tsy andevo mihitsy ireo vadiny ireo fa vehivavy malalaka daholo.

Araka izay voalaza ao amin’ny bokin’ireo Mpanjaka fa, ny Mpaminany Salomon (AS) dia, nanana vady 700 vehivavy malalaka (tsy andevo), ary 300 avy amin’ny andevo.

Tamin’ny fotoanan’ny Mpaminany Mosesy (AS) dia nandidy amin’ny fampirafesam-bady izy, nefa tsy voafaritra ny isany tamin’izany, ka ny zanak’Israely mihitsy no nametra ny isan’ny vehivavy halaina vady tao Jerosalema. Fa ireo manampahaizana Israeliana no nandrara ny fampirafesana, fa ny sasany hafa kosa dia nanome alalana amin’izany, noho ny antony indraindray ny vehivavy marary na tsy miteraka.

NY EVANJELY: jesoa zanak’i Maria (AS) dia nameno ny lalána nentin’i Mosesy, ary mbola tsy nisy resaka na iray aza mandrara izany fampirafesana izany.

Ny mpanjakan’ny Irlandy, Dethar Myth (131/ Tantarampanambadiana/Wester mark/ny teny Arabo: Abdoul-Hamid younous) dia nanana vady roa.

Ary ny Mpanjaka Frederic Faharoa, dia nanana vady roa ihany koa, izay nekehin’ny fiangonana ny fanaovany izany. Fantaro fa, ny famoahana lalána amin’ny fanapahankevitra fa azo atao ny zavatra anankiray na tsiazo atao izany, dia tsy tafiditra anatin’ny finoana kristianina fa, ry zareo mpino kristianina no mamorona izany.

Torak’izany koa Martin Luther, Alemana sady mpamorona ny sekta Protestanta, izay manasokajy ny fampirafesana dia tsisy olana amin’ny lalana kristianina, ary niantso hatrany izy amin’ny fotoana lehibe maro, ary miteny izy mahakasika ny fampirafesana: Ekena fa, Tompo Andriananahary dia mamela ny fampirafesana raha araka ny testamanta taloha amin’ny raharaha manokana. Ka ny kristianina izay tokony ho falaintahaka dia manana zo hanao izany rehefa hitany fa, mety aminy ny fanaovana izany. Fa ny fampirafesana dia tsara lavitra noho ny fisaraham-panambadiana ny fanaovana azy. [132:Ny vehivavy ao @ Koar’any; Abbas Mahmoud Al-aqqad].

Ny fandrarana ny fampirafesana amin’ny finoana kristianina dia, vokatry ny lalana namboarin’ireo lehiben’ny fiangonana, fa tsy avy amin’ny finoana kristianina velively. Ary ny fiangonana ankehitriny izay taritin’ny Papa avy any Roma dia mandrara ny fampirafesana, arak’izao manaraka izao:

  • Ny lalánan’ny sekta orthodox, dia tsy mamela na iza amin’ny mpivady haka vady hafa raha mbola tsy rava ny fanambadiana.
  • Ny lalanan’ny sekta orthodox Armany, dia tsy mamela ny fifanarahampanambadiana faharoa raha toa ka mbola tsy foana ny fanambadiana voalohany.
  • Ny lalanan’ny sekta orthodox Romanina, dia mandray fa, ny fanambadiana voalohany dia mandrara ny fidirana amin’ny fanambadiana vaovao.

 

NYARABO TAMIN’NY FOTOANAN’NY HABADOANA:

Ny fampirafesam-panambadiana dia niely tamin’ny foko Arabo isankarazany tamin’ny fotoanan’ny habadoana talohan’ny finoana silamo, ary tsy nisy fetrany akory izany tamin’izany, fa samy manambady izay vehivavy tiany.

Ny fampirafesana dia, tsy zava-baovao tamin’ny fotoanandro taloha, ary indrindra tamin’ireo Ejypsiana, sy ny Persa, sy ireo Ashouriana, ny Japoney, ireo Karana hindo, ary tsy vahiny tamindry zareo Rosiana, sy ireo foko Jermania, ary anisany nanao izany ny sasany tamin’ireo mpanjaka Grika.

Ka mazava hoazy izy izany fa, ny fampirafesana dia tsy zavabaovao noforonin’ny finoana silamo fa, efa nataon’nireo vahoaka marobe teo aloha nandalo teto an-tany.

Nefa rehefa tonga ny finoana silamo dia, nanome alalana amin’izany kanefa nametraka fepetra sy antoka. Ka anisany fepetra fototra amin’izany dia;

  1. Tsy mahazo mampirafy mihoatry ny vehivavy 4/efatra. Satria rehefa niditra silamo i Guilan bin Salamah At-thaqafi, ka talohan’izany izy dia nanana vady folo (10), ka nambaran’ny Mpaminany saw azy hoe; “Safidiano efatra amin-dreo ianao”. [Ibnou Hibban, j9. Pejy; 463. Hadith numero: 4156, Nohamarinin’i Sheikh Albany].
  2. Nanome alalana Allah amin’ny fampirafesana, nefa nametraka fepetra amin’izany. Ary anisany fepetra amin’izany dia, ny fampiharana ny fahamarinana sy fizarana mitovy, ary ny tsy fahazoana miangatra amin’ireo vady ireo. Satria hoy Mpaminany saw: “Raha lehilahy anankiray manana vady roa, ka tsy nampihatra ny fahamarinana tamin’izy roa, dia hoavy izy amin’ny andro farany miaraka amin’ny ilan’ny vatany maty (maty ila).” [Ahmad & At-Tirmithi, ary

nohamarinin’i Sheikh Albany].

Ary izany resaka fampiharana ny fahamarinana sy fizarana mitovy izany, dia amin’ny resaka materialy tahaka ny resaka famatsiana, fanomezana sy fizarana ny fatorizana (alina). Fa ny resaka fitiavana ao ampo kosa, dia tsy fahotana amin’ny lehilahy izany raha nankatia ny sasany amin’izy ireo izy. Araka ny nambaran’i Aishah (RA): “Ny Iraka masina Mohammad saw dia mizara amin’ireo vadiny ireo amim-pahamarinana, ary miteny izy manao hoe: Oh Allah!Izao ny fizarako amin’izay ananako, k’aza omena tsiny ahy amin’izay anananao, nefa tsy ananako”. [Oumdah At-Tafsir, nohamarinin’i Ahmad Shakir, ao @ teny fanolorana @ Oumdah Attafsir].

  1. Ny fahafahana mamatsy ny vady faharoa sy ireo zanany. Nefa raha mahafantatra izy fa, tsy hahavita hamatsy ny vadiny faharoa sy ny zanany, dia tsy tokony hampirafy izy. Ary koa mila mijery tsara isika amin’ny fiarahamonina hoe; mety hitondra vahaolana amin’ny fiarahamonina sy ny vehivavy ve ny fanambadianao maro sa tsia?!
  1. Raha tsiafaka manome zanaka ilay vehivavy, nefa ny ramose dia mitady zanaka, ka inona izany no tena mety amin’ny madamo? Hanambady faharoa ve izy ka mijanona ho vady voalohany ihany izy, sa hanome azy fisarahampanambadiana ka tsisy fahotana amin’izany, satria samy manana zo hahazo zanaka (hitady taranaka) daholo izy roa mivady ireo.
  2. Fa raha toa ka manana aretina izay manakana azy amin’ny fanambadiana, ka inona ary ny tena tsara hatao amin’izany hoan’ny vehivavy? Mila manambady faharoa ve Ramose mba hiarovana ny voninahitrany, sa hisaraka aminy, sa hitazona sakaiza amin’ny fitazomana azy?
  3. Maro ireo lehilahy manana tanjaka amin’ny firaisana aranofo, nefa tsy mahazaka an’izany ny vehivavy anankiray, na ny fotoanan’ny fadimbolany sy rehefa miteraka izy mety ho lavabe noho ny mahazatra, na koa mety manana hatsiaka aranofo ka mety tsy hamporisika azy hanao firaisana aranofo izay ilain’ny ramose, ka inona ary no tokony hatao? Hampirafy ve izy sa hanao izany amin’ny fomba tsy ara-dalana?
  4. Tsy isalasalana fa, iarahamahalala amin’ireny ady marobe misy etsy sy eroa ireny, sy ny olana lehibe maro isankarazany mianjady amin’ny fiarahamonina amin’ny fiainan’ny zanakolombelona dia, ny lehilahy no maty betsaka amin’ireny.

Ary anisany porofo lehibe amin’izany dia, ny tranga sy vokatry ny ady lehibe voalohany sy faharoa, izay nahafatesana vatan-dehilahy maherin’ny roapolo tapitrisa (20.000.000), ka raha samy hitazona vehivavy iray avy izany ny lehilahy sisa velona, fa haninona ary ireo vehivavy marobe tsisy haka? Moa ny fanomezana alalana azy ireo hitady fahafinaretana amin’ny tsy ara-dalana (jangajanga) ve no vahaolana amin’izany?!! Sa hiroso amin’ny fomba ara-dalana amin’ny fanekena ny fampirafesana, mba hiainana amin’ny hafalian’ny Tompo, sady hahazoana taranaka aradalana, mba hiarovana ny voninahitrany, ny zony sns? Tsy isalasalana fa, ny fisian’ny vehivavy maro anisa, dia hamora ny lehilahy ho latsaka amin’ny fankampanahin’ny asa vetaveta.

  1. Inona no tena tsara hatao, raha toa ka mihamaro ny isan’ny vehivavy maty vady, misara-panambadiana, sy ireo tsy manambady mihitsy? Hipetraka tsy hanambady sa hiaina miaraka amin’ny lehilahy izay hiaro ny zony, ny voninahitrany, hiaro ny hasiny (henatra) mba hahamatotra azy.

 

MISY FAMPIRAFESANA VE AMIN’IREO FIARAHAMONINA MARO ANKEHITRINY:

Misy amin’ny fiarahamonina rehetra amin’izao ny fampirafesana, fa amin’ny fiarahamonina tsy islamika, dia hafa tanteraka ny fiantsoandreo azy, izay omeny anarana hoe: namana, sakaiza, sipa. nefa ny tokony hoy izy dia, ho vady. Ary ity karazana fampirafesana ity dia tsy misy fetrany mihitsy… ary izany karazana fiarahana izany dia tsy misy lalana mifehy azy. Sady tsy misy andraikitra ara-bola takiana amin’ny lehilahy amin’izany hoan’ny vehivavy. Fa ny ataon’ny lehilahy amin’izany, dia ny hanala hetaheta sy hitady fahafinaretana fotsiny dia miala, ary ny vehivavy iny irery no misahirana raha sendra mitondra vohoka. Ary tsy zava-dehibe amin’ny lehilahy ny hiaiky ho dadan’izany zaza teraka amin’izao fomba tsy manara-dalana izao, ary afaka manda an’izany izy. Fa ny fampirafesana amin’ny fiarahamonina islamika dia manampetrany ka hatramin’ny efatra (4 vavy), ary tsimaintsy misy fifanarahampanambadiana aradalana. Ny lehilahy no tsimaintsy mandoa ny vodiondry (Mahr) hoan’ny vehivavy. Ka raha miteraka amin’izany ny vehivavy dia tsy afaka hilefa andraikitra ny lehilahy, fa tsimaintsy miaiky fa zanany io, azo amin’ny fomba ara-dalana, ary tsimaintsy karakarainy. Ary anisany andraikitry ny lehilahy amin’izany dia, ny famatsiana hoan’ny madamo sy ireo zanany.

Mety manitikitika ny sasany ny fanontaniana hoe: Raha azon’ny lehilahy atao ny mampirafy, fa maninona tsy avela koa ny vehivavy mba hampirafy?

Ny valiny dia; Raha ny fitakiana amin’ny fitovizan’ny lahy sy vavy amin’ny resaka fampirafesana dia zavatra impossible na tsy hisy izany, satria namboarin’ny Tompo Allah samihafa tanteraka mihitsy ny lehilahy sy ny vehivavy, izany hoe; amin’ny voajanahary sy natioraly.

 

Ny TSY HAMETY AZY MANDRAKIZAY ARABOA-JANAHARY:

Ny lehilahy dia mijanona ho raimpianakaviana hatrany raha araka ny hita amin’ny fiarahamonina maro manerantany, satria izy no matanjaka noho ny vehivavy.

Fa raha toa ka avadikantsika kely fotsiny ny resaka hoe; raha ny vehivavy indray no tena matanjaka mafy noho ny lehilahy, ka sanatria manana vady roa (2) na mihoatra ny vehivavy anankiray, ka ny fanontaniana mipetraka, dia ny hoe: Iza ary no ho lehibe ao antrano? Ary iza amin’ireo roa lahy na mahery no hiarahany ara-nofo? Ary tsy ho tanteraka mandrakizay tokoa ny hiarahany amin’izy rehetra indray mandeha, satria tsy mitovy daholo ny hetahetandreo, sa hiaraka amin’iray amin’izy ireo, nefa tsimaintsy hatezitra azy ireo izany! RAHA AMIN’NY LAFINY

NATIORALY:

Anisany zavatra natioraly amin’ny vehivavy, dia tsy mitondra vohoka afatsy indray mandeha isan-taona ihany ny vehivavy, ary hiteraka hoan’ny, lehilahy iray ihany ny zaza aterany amin’izany. Fa ny lehilahy kosa dia, afaka mahazo zaza maro noho izany mandritry ny iray taona, izay azo avy amin’ny vady nampirafesiny amin’ny fomba aradalana.

Fa raha sanatria ka nomena alalana hampirafy roa koa ny vehivavy, ka iza amin’ireo vadiny (ramose 2) roa ireo no tompon’ilay zaza teraka amin’izany?

 

FITAKIAN’IREO MPANDALINA TANDREFANA SASANY AMIN’NY FAMPIRAFESANA:

Tsara ampahafantarina etoana, fa ny sasany amin’ny tenin’ireo mpandalina tandrefana izay mitaky ny fampirafesana.

Hitan’izy ireo fa, io no lalan-tokana hamahana ny maro amin’ny olana izay sedrain’ny fiarahamonina maro isankarazany misy azy ireo.

-           Nambaran’ny            Filozaofy       malaza,          Gustave         Lebon, amin’ny bokiny “Sivilizasiona Arabo”: Ny fampirafesana dia, manalavitra ny fiarahamonina avy amin’ny loza maro isankarazany, sy ny haratsian’ny fanaovana sakaiza/sipa, ary ny vokany dia, fananana zaza maro tsy manan-dRay, na zaza-tany.

Nanambara Mrs. Annie Besant, amin’ny bokiny “ireo finoana miparitaka any India (Magazine Al-azhar, fizarana faha 8:291): namaky ny testamanta taloha aho (Baiboly) fa, ny sakaizan’ny Tompo Allah izay mba nanana fo hanatanteraka ny sitra-pon’i Allah, dia nampirafy ihany koa. Ary ankoatr’izany, dia hita ao amin’ny testamanta vaovao (Evanjely) dia tsy mandrara ny fampirafesam-bady,             afatsy ireo     Mpitandrina na tomponandraikitry ny fiangonana ihany. Ireo karazan’olona roa ireo dia, ampy azy ireo ny vady anankiray. Ka mahita torak’izany koa ny tenako mahakasika ny fampirafesana amin’ireo          bokin’ny       karana            hindo             taloha.            Ny fanendrikendrehan’izy ireo ny finoana silamo, dia tsy inona akory, fa noho ny fanenjehana fotsiny. Satria mora ny manenjika ny finoan’ny hafa sy hankaratsy izany.

Nefa ny mahagaga dia ny fihetsik’ireo tandrefana izay miady sy mitaky ny fanafoanana ny fampirafesana manampetrany izay ataon’ireo tan-tsinanana? Nefa ny asa fivarotantena dia miparika any andrefana amin’izy ireo?

Ka izay mihevitra fa, ny fitazomana vady iray dia mba tsy hisedrana olana amin’ny tokantrano, nefa raha jerevana, dia tena vitsy dia vitsy tokoa ireo mipetraka amin’izany fahadiovana sy fahamatorana izany. (izany @ vady tokana). Ka tsy mety mihitsy ny fiainana amin’ny fitazomana vady ara-dalana iray, nefa mbola mivelona amin’ny fanaovana sipa na sakaiza, avy any ivelany bara na tsy amin’ny fomba aradalana.

Ary raha lanjaina izany zavatra izany amimpahamarinana tsara, dia hita fa, ny fampirafesana amin’ny finoana silamo, dia mikarakara, miaro, sady mampihinana ary mampitafy ny vehivavy, izany dia tsara lavitra noho ny mpivarotena any Andrefana. Ny fivarotantena tandrefana dia, manome alalana ny lehilahy haka izay vehivavy tiany mba hiaraka aminy mba hanaovany ny sitrapony, ary rehefa vita ny hetahetampony dia atsipiny eny andalana any, miaiky daholo izy ireo fa, samy ratsy daholo ireo zavatra roa ireo (fampirafesana&fijangajangana)!, nefa kaza avela ny kristianina hanome tsiny ny rahalahiny mpino silamo, satria mitovy ny fahotana izay ataon’izy ireo, hoy ilay ramatoa mpanoratra hatrany. (137: Izahay dia tsy fanaraka amin’ny ramatoa mpanoratra izay mampitovy ny fampirafesana amin’ny fijangajangana! ny maharatsy ny fampirafesana dia ny tsy fampitovizana amin’ny fizarana amin’reo vady).

 

 

 

 

NY VEHIVAVY SY NY FIJOROANA VAVOLOMBELONA

Hoy Allah swt: “Aoka ianareo hampijoro vavolombelona roa

avy amin’ny lehilahinareo; ary raha tsy misy lehilahy roa, dia lehilahy iray sy vehivavy roa anisan’ireo ankasitrahinareo ho vavolombelona, ka raha sendra manadiso ny iray aminjareo dia, mba mampahatsiahy ny faharoa.” [Albaqarah, and:282].

Nazavain’i Allah swt amin’ireo andininy masina ireo fa, ny fijoroana vavolombelona amin’ny fanatanterahana ny zo, dia tsimaintsy amin’ny fisian’ny fijoroana vavolombelona lehilahy roa, na lehilahy iray miaraka amin’ny vehivavy roa zay vao tantetraka.

Noho ny fahendren’ny Tompo Zanahary amin’ny faharefoan’ny vehivavy, dia antony nanokanan’Allah azy amin’ny asa maivana izay mety amin’ny fahalemeny, izay zavatra hita fa, natioraly tahaka ny fitondrana vohoka, fampinonoana sy ny fitaizana ankizy, sy ireo zavatra izay mila fo mangoraka sy indrafo. Ka amin’ny resaka faharefoany dia, tsy zakany ny miatrika zavatra mafampana tahaka ny ady misy fifampitifirana, fitsarana resaka heloka bevava, vonoanolona sns. Ka mety hatonga azy handositra rehefa mafana ny raharaha. Ka noho izany dia tsy zony no miatrika zavatra toy ireny. Ary raha tsiafaka mandositra izy dia tsimaintsy manakipy ny masony, mba tsy hahitany ny zavatra izay mety hitranga.

Malalaka ny vehivavy amin’ny sehatra sasany tahaka ny resaka famatsiambola (famoahana vola), misy hitovizany tsara amin’ny lehilahy afatsy ny toetra voajanahary. Ka ny hafatra ara-panahy sy ara-piarahamonina dia mandidy azy hipetraka ao antrano, satria betsaka amin’ny fotoanany, asany sy ny andraikiny amin’ny fianakaviana dia ao antrano. Ary ny asany rehetra izany dia manalavitra azy amin’ireo toerana fivarotana, fividianana, sy ireo toerana izay matetika misy ady sy fifamaliana. Ka raha angatahina hijoro vavolombelona amin’izany izy dia mazava hoazy fa tsy hanao mihitsy izy, satria matahotra noho ny faharefoany, na dia hanao izy dia tsy ho tadidiny ny zavatra nitranga, ary raha nisy vehivavy hafa koa niaraka taminy dia mety nifandiso ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Ka izay no nahatonga Allah swt nametra fa, tsimaintsy vehivavy roa no mijoro vavolombelona amin’ny toeran’ny lehilahy iray. Araka izay nambaran’ny Tompo Allah swt amin’ny andininy izay efa nambara eo ambony [Albaqarah, And: 282].

Izany dia noho ny fahatahorana fa saode manadino ny iray, ka mba mahatsiaro ny iray hafa. Fa tsy araka ny laingan’ny sasany izay miteny fa, izany dia fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy. Ka raha hoatran’izany ny fandehany dia tsiazo ekena ny fijoroany vavolombelona samy irery, amin’ny zavatra izay tsy misy mahita afatsy izy ireo vehivavy ihany amin’ny raharaha mahakasika ny vehivavy, raha tsisy olona hafa mijoro vavolombelona.

Ekena ny fijoroany vavolombelona izy irery amin’ny fanadihadiana fa, mbola verijiny ilay ankizy vavy, na resaka fiterahana, na resaka kilema ara-pananahana sns…

Nefa dia tsiazo ekena ny fijoroana vavolombelona izay ataon’ny lehilahy anankiray, na zavatra tsotra raha resaka ara-bola.

Nefa afaka miteny ihany isika fa, io dia asan’ny lehilahy io resaka fijoroana vavolombelona io, na dia lehilahy irery ihany dia tsy maninona.

Nefa tandremo fa, izany dia zavatra tena loza tokoa, satria resabola ilay izy, izay mitaky fepetra sy lalana.

Ny fijoroana vavolombelona an’ny lehilahy mahakasika ny resabola dia tsy ekena koa raha toa ka izy irery fotsiny. Izany hoe, tsimaintsy misy lehilahy hafa miaraka aminy hijoro vavolombelona mba hampangarahara ny fahamarinana. Ny fijoroana vavolombelon’ny lehilahy hafa amin’ny raharahan’ny lehilahy iray hafa dia tsy midika ho fanalana Baraka azy na ho fanambaniana azy akory.

Hamafisina fa, ny fijoroana vavolombelona dia, tsy zo velively ka hampivory olona marobe amin’izany fa, andraikitra izay andosiran’ny maro amin’olona noho ny havesarany, ary tsy tokony handositra an’izany izay tandrify izany. Ka hoy Allah swt hoe: “Ary tsy mahazo mandá ireo vavolombelona, rehefa antsoina” [Albaqarah, and:282].

Ny hafatra dia, hoan’ny rehetra, lahy izany na vavy. Ary fantantsika fa, ny fijoroana vavolombelona dia andraikitra mavesatra dia mavesatra tokoa, izay mampandositra ny maro avy amin’izany, satria tsimaintsy hisy zavatra mafampana na henjankenjana ny ao amin’ny fitsarana, ary indrindra eo anatrehan’ireo mpitsara. Mety haka fotoana ny fivorivoriana izay mety handreraka ny vatana sady mandany vola.

Fa ny finoana silamo, dia miezaka mba hanamaivana ny vesatrin’ny fiainana amin’ny vehivavy arak’izay tokony ho vitany.

Ny finoana silamo dia, nanafoana ny sasany amin’ny andraikitry ny vehivavavy izay hita fa, tena mavesatra aminy tokoa, tahaky ny;amin’ny fanasiana ny Raim-pianakaviana, ny famafana lálana, mety tsy ho zakany, famatsiana ny tokantrano (fianakaviana), mba hialany amin’ireo andraikitra izay heverina fa, mety tsy ho zakany, mba ho fanomezana voninahitra azy fa, tsy sanatria ho fanambaniana azy akory, na ho fanitsakitsahana ny zony.

Napetraky ny finoana silamo fa, raha manendrikendrika ny vadiny amin’ny resaka fijangajangana, nefa tsisy porofo mazava, dia tsy ekena izany. Hoy Allah swt manao hoe: “Ary ireo izay manao fiampangana ny vadiny, nefa tsy manana vavolombelona, afatsy ny tenany ihany,ny fijoroan’iray amin’izy ireo vavolombelona dia, ampy ho fijoroana vavolombelona in’efatra anatrehan’i Allah. Ary izy dia anisany mpilaza ny marina. - ary ny fahadimy (@ fijoroana vavolombelona), dia hiharan’ny ozon’i Allah, raha isan’ireo mpandainga izy. - fa tsy hampiharina aminy (@ilay vehivavy) ny fanasaziana, raha toa ka izy mijoro vavolombelona in’efatra amin’i Allah, fa izy (ny vadiny) dia tena isan’ireo mpandainga. - ary ny fahadimy (@fijoroana vavolombelona), dia hihatra aminy (ilay vehivavy) ny hatezeran’i Allah, raha isan’ireo mpilaza ny marina izy”. [AnNour, and:6-9].

 

 

 

NY ANDRAIKITRA

Ny lehilahy no tomponandraikitra amin’ny vehivavy, izany dia noho ny nanomezan’i Allah azy tombony manokana manoloana ny ankilany, sady noho ny nahafoizany ampahany tamin’ny harenany. [AnNisa, and:34].

Ny andraikitra dia nalaina avy tamin’ny fitsanganana miaro zavatra anankiray, izay natokana hoan’ny lehilahy ihany fa tsisy idiran’ny vehivavy.

Satria ny fihariana ara-tsaina sy tanjaka no mahatonga azy amin’izany toerana izany andraikitra goavana izany. Izany zavatra natioraly, ary adidy amin’ny lehilahy amin’io fotoana io ny fanatanterahana izany.

Tafiditra amin’izany dia ny famatsiana azy, sy ny fijerevana ny raharahany rehetra, ny fiarovana azy, sy ny fikarakarana azy, ary ny fiantohana ny zavatra rehetra ilainy andavanandro, satria ny lehilahy dia mpiarakandro amin’ny tokantranony, ary hanontanian’i Allah amin’izany, tahaka ny efa nambaran’ny Iraka masina saw ny mahakasika ireo.

Ekena fa marefo ny vehivavy, raha amin’ny nanamboaran’ny Tompo Allah azy, noho ny antony izy mandalo fahasarotana marobe, tahaka ny; fadimbolana, vohoka, fiterahana, fampinonoana, ary ny fitaizanany ankizy, ka noho izany dia tsiafaka hizoga ireo andraikitra goavambe ireo izy.

NY FADIM-BOLANA:

Misy vokany izay mety handreradreraka ny vatan’ny vehivavy ny fadimbolana isam-bolana, izany dia noho ny ra very na miala isam-bolana.

NY FITONDRANA VOHOKA:

Ny fitondrana vohoka dia anisany mamparefo betsaka ny vehivavy, na izany tehoka amin’ny vatana, na amin’ny fitomboan’ilay zaza ao ankibo, na ny fihinanan’ilay ankizy ao ankibo, izay hatonga ny vehivavy ho reraka, ary na dia hetsika kely fotsiny dia efa manahirana azy. Na ny fahatahorany amin’ny zanany koa mety efa handreraka azy ihany koa.

Eo koa zany ny tahotrany sy asa-lohany amin’izay mety hiseho na hahazo azy amin’ny fotoana hiterahana, izay mety hametraka taketra aminy.

NY FITERAHANA SY NY AORIAN’IZAY:

Nohony tehoka izay mety hahazo ny vehivavy bevohoka, dia iangaviana hatrany ny vehivavy mitondra vohoka mba hijanona hatrany ao antrano mba hiala sasatra, ary tsy tokony hanao zavatra mety handreraka azy na kely aza. Afatsy ny fitsangatsanganana natokana hoazy amin’ny fotoana izay mety aminy miankina amin’ny vehivavy ihany koa.

NY FAMPINONOANA:

Mazava hoazy fa, misy amin’ny ampahany amin’ny sakafo hanin’ny vehivavay mampinono no, mandeha amin’ilay ankizy mbola minono. Ka izany dia mazava fa, anisany mandreraka ny fahasalamany. Misy amin’izy ireny amin’ny fotoana fampinonoana dia miraraka ny sasany amin’ny volony, na mety hiova ny lokony, na mety mahatsiaro mararirary amin’ny faritra sasany amin’ny vatany.

NY FITAIZANA NY ZAZA KELY:

Ny fitaizana ny zaza mena dia maka fotoana lavabe, sady mahatonga ny reny tsy ho ampy torimaso, sy ny rehetra mahakasika ny zazamena.

Nambaran’i Aqqad: ny vehivavy dia manana toetra voajanahary manokana izay tsy hitovizany amin’ny lehilahy velively. Satria ny fikarakarana mandrakariva ny zaza kely dia mitaky zavatra maro aminy sy ny zanany kely. Ary eo koa ny fifankazahoan’izy roa amin’ny fiteny.

Ary ny fipetraky ny ambaratongan’ny vatany sy ny fangorahany, ary tahak’izany koa ny ankizy kely. Ary izany no fahiratan’ny vehivavy, ka amin’ny alalan’izany no hahafantarany ny fihetsika anatiny na hahafahany hamaly ny hafa. Ka noho izany dia mety ho sarotra aminy ny zavatra mora amin’ny lehilahy, izay mitsara amin’ny saina ary mandresy amin’ny hevitra. [141: Ny vehivavy @ Qur’an/Abbas Mahmoud Al-aqqad].

Manambara ny Dr. Alexis Keryl, izay nahazo ny “Prix de noble de la paix/Marim-pankasitrahana amin’ny fampandriam-pahalemana ”, raha nanazava ireo rantsana sy faritra mampiavaka ny vehivavy sy ny lehilahy hoe (142); ny zavatra mampiavaka ny lehilahy sy ny vehivavy, dia tsy amin’ny resaka endrika sy bika aty ivelany fotsiny fa, indrindra koa ny eo amin’ny fisamihafana amin’ny taova maro isankarazany sy ny rantsambatana, ny tranonjaza, ny fitondrana vohoka.

Ary tsisy hidiran’ny hoe; samihafa ny fomba fanabeazana azy sy ny sekoly nandehanany nianatra. Ka ireto fisamihafana amin’izy roa ireto, dia sokajiana ho fototra lehibe natioraly.

Ny tsy mampitovy ny lahy sy ny vavy, dia noho ny tsy fitovizana amin’ny nanamboarana azy ireo tanteraka. Satria ohatra ny vehivavy dia manana atodin’ny tranonjaza izay ao anatin’ny vatany.

Ka ireo izay mitaky ny fitovizan-jon’ny vehivavy izay malemy sady malefaka amin’ny lehilahy, dia tsy miraharaha ireo fisamihafana fototra marobe ireo. Mitaky izy ireo fa, tsimaintsy omena fampianarana mitovy izy roa ireo sy ny andraikitra, ary ny asa.

Nefa tena marina fa, ny vehivavy dia manalavitra tanteraka amin’ny lehilahy, satria ny vatany manontolo dia mitondra ny toetra mahavehivavy azy.

Ary tahak’izany koa ireo rantsambatany isankarazany, ary mbola ambonin’izay raha tonga ny fiovaovan’ny toebatany amin’ny fotoana maro andalovany amin’ny fiainany. Ny lalana mifehy ny asan’ireo rantsana dia voafetra, ary tsy hay avadibadika ka hovaina, tahaka ny lalanan’ny sambo izay tsy hay ovaovaina na kely araka ny filan’ny zanakolombelona amin’ny fivoarana. Ka aoka isika ho mailo amin’izany fa, tsy sanatria handeha hanohitra ny voa-janahary. Ary anjaran’ireo vehivavy no hiaiky ny mahavehivavy azy mba hiarovana ny voajanahary rehetra amin’ny vatany sy ny fiainany, ary tokony hanalavitra ny fitovizana amin’ny lehilahy.

Aoka hazava tsara amintsika fa, ny ozatry ny lehilahy dia, tena tsy mitovy lavitra ny ozatry ny vehivavy, ary izany dia hita sady tsapa ihany koa.

Satria ny lehilahy dia, matetika manao ireo asa sarotra sy mavesatra isankarazany, ary mandreraka, izay ekena fa, tsy vitan’ny vehivavy ny fanaovana azy. Ka hita amin’izay rehetra voalaza taloha izay fa, izany dia manome fahefana feno hoan’ny lehilahy ho Raim-pianakaviana na tomponandraiktra voalohany ao amin’ny tokantrano anatrehan’ny vehivavy.

 

NY ZON’NY VEHIVAVY AMIN’NY FANDOVANA

Rehefa tonga ny finoana silamo dia, nanome ny vehivavy ny zon’ny fandovana, nefa teo aloha dia tsy nanana zo handoava mihitsy ny vehivavy. Satria tamin’izany fotoana izany dia, zo hoan’ny lehilahy fotsiny ny mandova, izay niaro ny foko misy azy ka niaro izany avy amin’ny fihoafam-pefy izay ataon’ireo olon-dratsy. Maniry aho raha mba hay afohezina ny resaka mahakasika izany!

Nefa ny vehivavy tamin’izany andro izany, dia nolovaina tahaka ny entana na harena. Araka ny tatitra nataon’i Abdoullah bin Abbas (RA), mahakasika ny andininy masina manao hoe: “Ry nareo Mpino! Tsiazonareo atao ny mandova ireo andefimandry ankaterena. Ary aza terena izy ireo hamerina ny ampahany tamin’izay azony taminareo”. [An-Nisa, And:19]. Nambarany (Ibnou Abbas): Fataon’izy izy ireo hoy izy, raha misy lehilahy maty amin’izy ireo, raisin’ireo olombeny ny momba azy rehetra, ary manana zo feno tanteraka hanao izany izy ireo, raha araka ny fiheverany, ambonin’ny vadin’ny maty. Ary malalaka izay te hanambady azy, na hampanambady azy, na havelany amin’izay hilavany azy. Izany hoe; manana zo feno ambony noho ny fianakaviany izy ireo. Ka izay zany nampidinan’i Allah swt ny andininy faha: 19, Soratra AnNisa (143: AlBoukhari, j4. Pejy:1670. hadith faha: 4303), izay efa nazavaina eo ambony ny dikany. Izany hoe; rehefa tonga ny finoana silamo dia nanafoana sady nandrara izany fihetsika ratsy izany.

Ny finoana Silamo no nanome ny vehivavy ny zony handova sady nandidy izay tiany ho didina hoazy. Hoy Allah manao hoe: “Ireo lehilahy dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray aman-dReniny sy ireo havany akaiky; ary ireo vehivavy ihany koa dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray aman-dReniny sy ny havany akaiky, na be na kely, izay anjara voafaritra tsy maintsy homena”. [AnNisa, and:7].

 

Hoy Sheikh Sayyd Qotb [146] (Allah enga anie hanana inakinanaka @ fanahiny) mahakasika ny famakafakana ny dikan’ilay andininy eo ambony io (AnNisa, and:19) hoe: io dia fiantombohana raha ny ankapobeny no jerena dia ny finoana silamo no nanome zo an’ny vehivavy hatry ny 14 taon-jato no mahery ka hatramin’izao. Nanome azy zo amin’ny fandovana tahaka ny lehilahy. Ary tahak’izany koa ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny marefo, izay niangaran’ny habadoana tamin’ny fotoanandrony, sady nohitsakitsahiny ny zony.

Satria tamin’ny fotoanan’ny habadoana dia ny voninahitry ny fianakaviana tsirairay amin’ny fahaiza-manao, amin’ny resaka ady sy ny famokarana no jerevany.

Ka rehefa tonga ny finoana silamo dia nampianatra ny fampianarana ara-panahy izay mijery voalohany ny olombelona amin’ny lanjany mahaolombelona azy, izay lanja tena fototra izay tsy misaraka ny olombelona na inona na inona ny toejavatra. Ary manarak’izany aveo ny fijerevana ny andraikitra izay misy azy amin’ny fianakaviana ary amin’ny fiarahamonina.

 

Ao @ Zwilal al-Qur’an, j1. Pejy : 588

Hoy Allah swt : “Manafatara anareo Allah ny amin’ny zanakareo, ny an’ny lahy mitovy fatra amin’ny anjaran’ny vavy anankiroa”. [AnNisa, and :11].

Mihevitra ireo izay tsy mahazo ny fahendren’ny finoana silamo amin’ny tian’ity andininy ity hambara ka, mety hiteny izy fa, fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy izany, ka hiteny izy hoe: aiza koa ve fa, ny anjara fatran’ny vehivavy amin’ny lova dia antsasaky ny anjaran’ny lehilahy?!

Nazavain’ny Tompo Allah swt tsara ny mahakasika ny fandovan’ny vehivavy. Ary nozarainy amin’ny fizarana telo izany, arak’izao manaraka izao;

  • Afaka mahazo fatra mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy.
  • Afaka mahazo fatra mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy na latsaka kely.
  • Ny anjara fetra an’ny vehivavy amin’ny zara lova dia antsasaky ny anjaran’ny lehilahy ankapobeny.

Ka anjaran’izay mbola mila fanazavana fanampiny momba ny resaka lova, dia afaka miverina amin’ireo boky momba ny fandovana izay manazava tsara antsakany sy andavany momba izany. Alohany hitsarantsika ny finoana silamo, hoe manitsakitsaka ny zon’ny vehivavy ve izy amin’ny resaka zara lova, amin’ny fanomezana azy antsasaky ny anjaran’ny lehilahy, sa tsia? Ndao ary tsika haka ohatra velona hijerevana izany; Raha maty lehilahy anankiray, ka nametraka zaza lahy iray sy vavy iray. Ohatra namela vola 3000 Ariary izy (lova), ka raha atao ny fizarana dia; 2000 Ar ny anjaran’ilay zaza lahy, fa an’ny zaza vavy kosa dia 1000Ar.

Raha jerevana aorian’ny fizarana dia hita toy izao manaraka izao; ny harena izay nolovain’ilay zanaka lahy dia avy hatrany tonga dia hihena, satria ny antony dia, ny lehilahy no takiana handoa vodiondry amin’ny vadiny raha hanambady izy. Eo koa ny fikarakarana trano honenana, ny fividianana ny zavatra hapetraka ao antrano, ny fikarakarana ny fahasalaman’ny fianakaviana, ny famatsiana amin’ny vady aman-janaka, ny fiantohana ny zavatra ilain’izy ireo fa, tsy madamo velively no ho takiana amin’izany, na dia fa, manambola ny madamo.

Ramose dia, mbola takiana amin’ny famatsiana amin’ny ray aman-dReniny, ireo iray tampo aminy, ireo fianakaviana akaiky azy, raha toa ka mahantra sady sahirana na marefo arapivelomana izy ireo, ka manana fahafahana amin’izany izy.

Fa, mahakasika indray amin’ny anjaran’ny zanaka vavy dia, ny vehivavy dia olona feno haja sy voninahitra sady deraina amimpitiavana sady mendrika karakaraina sady tsimaintsy hiantohana fa, tsy takiana hamoaka na hamatsy ny ao antokantrano ny vehivavy. Na dia hoan’ny tenany dia tsy anjaran’ny madamo ny hamoaka amin’izany fa, anjaran’ny lehilahy daholo ny famatsiana rehetra. Ka noho izany dia, raha ny harena izay nolovainy iny dia hiampy fa, tsy hihena velively, satria izy dia mbola haka vodiondry avy amin’ny lehilahy izay haka azy ho vady. Ary na dia sanatria misaraka izy mivady dia, mbola andraikitry ny ramose no mamatsy ireo zanany rehetra araky ny lalana velona sy miantoka ny momba azy ireo.

Ka noho izany dia, mahomby tsara raviavy amin’ny tahiry izay ataony, ary afaka mandrotsaka ny volany any amin’ny fampiasam-bola isankarazany ary indrindra moa amin’ny arabarotra sy toe-karena sy ny sisa mahakasika ny asa fampandrosoana.

Mazava hoazy izany fa, ny anjaran’ny vehivavy dia, afaka hampiasainy raha sanatria ka misy mahafaty ny fianakaviany.

Fa, ny anjaran’ny ramose kosa dia mazava hoazy fa, tonga dia ho lany avy hatrany. Satria noho ireo adidy amanandraikitra izay zogainy andamosiny.

Ny lalana silamo dia fanalavitra tanteraka amin’ireo lalana sy fitsipika hoentin’ireo vondrona maro isankarazany manerantany. Izany hoe; amin’izy ireo dia raha tonga amin’ny taona voafetra ilay ankizy vavy dia, miala andraikitra ny dadany ka, voatery tsimaintsy misahirana mitady ny anjaram-pivelomany ny ankizy vavy amin’ny fomba rehetra, izay fantatra sy hita fa, mifanohitra tanteraka amin’ny lalana islamika.

Fa raha amin’ny finoana silamo dia, tsy afaka miala andraikitra ny dadany fa, tsimaintsy miantoka azy mandrapaha tonga ny fotoana hanambadiany.

Ka rehefa manambady izy dia, anjaran’ny ramose manomboka hatreto no mikarakara izay rehetra momba an’ny madamo, ary raha miteraka dia mbola anjaran’ny ramose koa ny fikarakarana ireo zaza.

Hamafisina fa, ny lalana izay mizara mitovy ny lova amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia, mampitovy ihany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny lahy sy vavy, ary tahak’izany koa eo amin’ny resaka ara-bola.

Fa raha ny fitakiana ny fizarana mitovy ny lova amin’ny lahy sy vavy, nefa tsy takiana ny veihvavy amin’ny resaka famoahambola tahaka ny lehilahy, ka mazava hoazy izany fa, tsy fahamarinana velively izany.

Satria hita amin’izany ny fitongilanan’ny mizana, sy ny tsindrihazolena amin’ny ramose, izay tsy ekehin’ny lalana islamika.

Ka ny fisafidianana ny fandovana hoan’ny lehilahy dia manafoana ny andraikitry ny vehivavy amin’ny famatsiana na famoaham-bola amin’ny fikarakarana ny tokantrano, sy ny zaza ary ny hafa maro tsy voatanisa.

Nefa hita noho ny hatsoran’ny finoana silamo, sy ny fanomezany voninahitra ny vehivavy, ka nofoanany amin’ny vehivavy ireo vesatra maro isankarazany ireo, ka ny lehilahy no tsimaintsy mizoga an’izany, nefa mbola tsy norarany ny vehivavy handova. Ary mbola omena antsasaky ny anjaran’ny lehilahy ny vehivavy, Inona koa fahamarinana sy fizarana mitovy ankoatr’izany?

Tsara fantarina fa, ny tsirairay lahy na vavy dia manana ny anjarany amin’ny fandovana, izay tsiazon’iza na iza ny fanakanana na fandrarana izany. ka noho izany no nameran’ny finoana silamo izany ho ampahatelon-karena, na ambanin’izay fa, aoka ny mpandova na ireo zanaka sisa navelan’ny maty tsy ho sahirana, raha sanatria ka tsy mety ny fizarana ny lova.

“Hoy Ámir bin Sa’ad bin Abi Waqqás, izay nitatitra avy tamin’ny dadany fa, Sendra namangy ahy ny Iraka masina (saw) tamin’ny fotoana zaho narary mafibe tokoa, tamin’ny taonan’ny

Fivahiniana masina fanaovam-beloma, ary nihamafy hatrany ny tehoka izay nahazo ahy hoy izy, ka nambarako Azy hoe: Efa mafy loatra tokoa izany tehoka mahazo ahy izany, nefa tsisy handova ahy afatsy zanaka vavy iray ihany. Ary izaho dia mba manamanan-karena ihany: Hanaovako asa fanomezana ve ny roa amapahatelon’ny harenako? Tsia hoy Mpaminany. Nanontaniako koa izy hoe: Ny antsasany ve? Tsia koa hoy Mpaminany saw.

Ka nambaran’ny Mpaminany saw hoe: Iray ampahatelony nefa betsaka loatra. Tsara aminao ny hamela ny mpandovanao manankarena toy izay hamela azy amin’ny fahantrana, ka mety hatonga azy handeha hangatakataka amin’ny hafa any. Fantaro fa, izay rehetra avoakanao nohony antony Allah dia hahazoana valisoa avy, na dia izay ampidirinao am-bavan’ny vadinao aza izany”.[148:Al-Boukhari, j1. Pejy:435. hadith faha:1233].

Ny Iraka masina Mohammad saw dia niaro ny zon’ny vehivavy tamin’ny alalan’ireny torolalana mahomby nomeny ireny, izay manome ny vehivavy fiainana amimpahasambarana tanteraka.

Ankoatr’izay dia mahakasika ny “ONITRA/TETE-RÁ”, sy ny vesatra ara-bola rehetra ankoatry ny ao antrano, na izay miseho amin’ny lozam-pifamoivoizana, na resaka heloka bevava, dia anjaran’ny lehilahy no mizoga azy, fa tsy anjaran’ny vehivavy akory.

 

 

NY ONITRA

Ny onitry ny vehivavy Amin’ny lalana silamo dia antsasaky ny onitry ny lehilahy, ary izany dia amin’ny fomba iray ihany, izany hoe; raha sanatria nahafaty olona amin’ny hadisoana izay tsimaintsy handoavana onitra fa, tsy asiana resaka valifaty.

Fa raha sanatria ka, vonoanolona antsitrapo no niseho, dia tsimaintsy hampiharana valifaty amin’ny mpamono, afatsy hoe, nihemotra amin’izany ny fianakavian’ny maty. Fa ny lalana momba izany dia iray ihany, na lehilahy na vehivavy izany, ary na lahy na vavy ihany koa ny maty, satria mitovy daholo izy roa amin’ny resaka mahaolombelona (samy olombelona daholo izy roa).

Raha mahakasika ny vono tsy niniavina fa noho ny hadisoana dia, noho ny vokatry ny loza izay nitranga amin’ny fianakaviana mana-manjo.

Fa raha ny raimpianakaviana no nisy namono amin’ny hadisoana, dia mazava hoazy fa, mahatsiaro marefo ara-materialy ny fianakaviana, satria ny dadany izay mpitady mofo, mpamatsy, mpizoga ny raharahany, mpiantoka ny zavatra rehetra ilainy, mpikarakara, mpiahy no maty, ka noho izany dia, ny tsy hitovizan’ny lehilahy amin’ny vehivavy dia, ny andraikitra rehetra dia andamosin’ny dada, fa raha resaka fangorahana kosa dia ny reny no voalohany. Ka noho izany, dia mifameno mandrakariva izy roa.

Fa raha ny reny no nisy nahafaty amin’ny hadisoana, mazava hoazy fa, mahatsiaro matiantoka tanteraka ny fianakaviana satria ny reny dia zavatra jiaby amin’ny fiarahamonina ary indrindra amin’ireo zanany.

Satria maro tokoa ireo zavatra izay heverina mora na madinika nefa tsy vitan’ny maro amin’ny lehilahy ny fanatanterahana azy. Ary izany fahaverezan’ny reny izany dia, tsy voavidim-bola na hoatrinona aza ny onitra hatao takalon’izany.

 

Ny fandoavana ONITRA/ TETE-RA, dia tsy vidin’ny maty na mahavidy ny maty fa, ho fampangatsiatsiahana ny ratra izay mahazo ny fianakavian’ny maty.

Fa raha fantantsika tsara ny ratra mahazo ny fianakaviana amin’ny fahafatesan’ny dada na ny reny dia mazava amintsika, fa ny onitra aloan’ny vehivavy dia antsasaky ny anjarn’ny lehilahy.

 

 

NY ASAN’NY VEHIVAVY

Hamafisina fa, Tompo Allah swt dia nanamboatra ny zanakolombelona avy tamin’ny lahy sy vavy ary nametrahany fitiavana sy inakinaka amin’izy roa mba hafahan’izy roa hanangana sy hanorina ny tontolo.

Ny lehilahy dia natokan’ny tompo Allah swt amin’ny asa mavesatra rehetra izay ilana tanjaka sy ozatra sy fahafahana amin’ny fizogana andraikitra izay manosika azy handeha hitady ambony tany ny anjarany (tadivola), fa ny vehivavy kosa dia natokany hoan’ny zavatra lehibe hafa tahaka ny; fitondrana vohoka, fiterahana, fampinonoana, ny fitaizana sy izay rehetra mitovy amin’izany toy ny; fangorahana, fahatsorana, fitiavana sns. Ka noho izany fanorenana ara-panahy sy amin’ny voajanahary izany dia, mahatonga ny lehilahy no tokony hiasa ivelan’ny trano. Ary ny hiasan’ny vehivavy ao antrano raha araka ny fahitana ny faharefoany ara-batana na natioraly.

Tena marina fa, ny finoana silamo dia tsy mandrara ny vehivavy hiasa, fa kanefa mametra ny asa izay tokony hataony, amin’ny hoe;ny asany sy ny varotra rehetra ataony na ny resaka fampiasambola dia, tsimaintsy amin’ny resaka fividianana sy fivarotana. Ary izany dia nataony (Silamo) azo atao tsara na dia tsy mahazo alalana avy amin’ny mpiahy na ramose.

Nefa na dia izany dia nalaminy sady niferany (silamo) ary nasiany antoka sy fepetra, ka raha sanatria ka tsy voahaja ny iray amin’ireo fepetra ireo dia lasa foana ny fahazoan-dalana amin’izany.

 

KA IZAO AVY NY SASANY AMIN’IREO FEPETRA

 

  1. Ny asan’ny vehivavy dia tsy tokony ho antony hanakana azy tsy hatanteraka ny asany ao antrano, izany hoe; tsy tokony ho sakana amin’ny fanatanterahany ny zon’ny ramose, ny zanaka sy ny tokantranony manontolo. Ary tsy tokony ho antony havery ny voninahitrany izany fiasany izany, araka izay efa voaresaka ny momba izany. Ka hoy mantsy ny Mpaminany saw hoe: “Ny Vehivavy dia mpiarakandro (tomponandraikitra) amin’ny tokantranon’ny vadiny, ary hanontaniana izy amin’ny andraikiny”. [Al-Boukhari, j1. Pejy:304. Hadith faha:853].
  2. Ary ny asany dia tsimaintsy mifanerasera amin’ny vehivavy mitovy aminy fa, tsy mahazo mifangaro amin’ny karazana lehilahy sy ny sangisangy amin’izy ireo, izany dia mba ho fiarovana hoazy mba tsy ho latsaka amin’ny fakampanahy sy fahafahambaraka amin’ny voninahitrany sy ny hasiny avy amin’ireo biby amin’ny endrikolombelona. hoy Mpaminany saw hoe: “Tsiazon’iray aminareo lehilahy atao ny mitokamonina amin’ny vehivavy (tsy Havana, tsy vady), raha tsy izany dia ho fahatelon’izy ireo i Satana”. [Swahih sounan ibni Majah, hadith faha:2363].

Nambaran’ny Mpanoratra vehivavy Aglisy iray antsoina hoe: Lady Cock, tamin’ny gazety: Echo (Asan’ny vehivavy dia ambony mizana. Dr. Abdoullah bin Wakeel Al-sheikh], manao hoe; Ny lehilahy dia mankatia ny fifangaroana, ka noho izany no itiavan’ny vehivavy hitambatra amin’izay mifanohitra amin’ny toe-boajanahary izay misy aminy, ary raha mitombo ny fifangaroana amin’ny lahy sy vavy dia vaomaika mitombo ihany koa ny hamaroan’ny zaza-tany, ary izay no hiteraka loza lehibe indrindra.

Nambaran’i {152: Fandriampahalemana manerantany sy ny

Islam, pejy:56} Sheikh Sayyd Qoutb (RA) hoe: hamafisina fa, Zon’ny lahy sy vavy ny hiaina amin’ny fahatoniana miaraka amin’ny olon-tiany, ary tsy tokony hivadika amin’izany ny andaniny sy ny ankilany taorian’ny fizarana fitokisana tamin’ny namany ny ankilany. Izany hoe, tsy tokony hitampohany amin’ny fitaka ny namany, izay efa natoky azy sady efa fampizara ny manta sy ny masaka.

Satria izay no misy ankehitriny amin’ny fiarahamonina maro isankarazany, fiarahamonina miaina amin’ny lainga sy fitaka sy tsy fifampitokisana amin’ny namany ny sakaizany.

Ireto krizy rehetra ireto dia tsy hoe resaka fitiavana loatra fa, vokatry ny fifangaroana amin’ny lahy sy vavy, izay mahatonga ny vehivavy hihaingohaingo sy miboridana lava mba hanaitra ny lehilahy, ary miaradia aminy hatrany ireo devoly sy ny namany maro isankarazany hampiely sy hanaparitaka ny fakampanahy sy fitaka.

Ary ny tontolo misy antsika dia miaina amin’ny fitaka amin’ny fitenenana teny izay tsy misy lanjany (teny fahatany) izay averimberin’ireo goaka vavy sy ireo mpanararaotra etsy sy eroa fa; ny fifangaroan’ny lahy sy vavy dia fivoarana sady manetsika ny hery voageja rehetra, ary mampianatra ny lahy sy ny vavy ny fomba firesahana sy ny fomba fifandraisana ary manampy ny traikefan’izy ireo amin’ny fiainana mba hahafahana sy hahaizana hisafidy tsara izay ho vady amin’ny fiainany. Ka rehefa aveo dia mitazona izay safidiny izy, satria tsy ankaterena izy naka izany fa safidiny malalaka sady taorian’ny traikefa izay azony momba ny namany.

Ambarako (Sayyd Qoutb) fa; io dia fanapotehana tanteraka, fanapotehana ny tontolo, amin’ny fiainana amin’ny lainga sy fitaka maharitra ary fiovaovana mitohitohy amin’ny tsy izy, izay manapotika ny tokantrano maro amin’ny alalan’ny fisarahampanambadiana sy izay mitovy amin’izay, sy ny fitomboan’ny fitaka amin’ny mpivady amin’ny fiarahamonina maro tsy voatanisa.

Ka vokatry ny fanapotehana ny fahamendrehana sy ny fihetsika madio voa-janahary amin’ny alalan’ny fihaonana sy resaka tsy ara-dalana, dia mba tokony hanontany tena izy ireo hoe; Firy ny ampahan’ireo mpianatra vavy bevohoka amin’ny sekoly ambaratonga ambany eny amin’ny sekoly Amerikanina? Amin’ny sekoly Amerikanina iray fotsiny dia, ahitana 48% amin’ny mpianatra vavy dia bevohoka daholo.

Ary mba firy ny tokantrano sambatra taorian’ny fanambadiana natao tamin’ny alalan’ny fifangaroana sy fisafidianana vady amin’ny alalan’izany fifangaroana izany?

Mihazakazaka dia mihazakazaka tokoa ny fisarahampanambadiana sy ny korontana amin’ny tokantrano noho izany karazana fanambadiana izany any Amerika.

3. Tokony mety amin’ny vehivavy ny asa ampanaovina azy, fa tsy sanatria hanao ny asan’ny lehilahy izy, izay mety havesatra aminy, tahaka ny: Asa mavesatra amin’ny orinasa, resaka ady sy tafika, sy ny asa izay sarotra na tsy dia mendrika aminy tahaka ny fanadiovana manokana izay natokana hoan’ny lehilahy, ary ny fanadiovana lalana izay tsy ekehin’ny finoana islamo hoan’ny vehivavy izany.

Nefa mametra-panontaniana isika etoana hoe: Fa maninona ny vehivavy tsy maintsy hiasa?

Raha toa ka hiasa izy noho ny antony fivelomana mba hampiasainy hoazy manokana, fantaro fa ny finoana silamo dia miaro hatrany ny zon’ny vehivavy. Satria ny fepetran’ny famatsiana hoan’ny vehivavy amin’ny finoana silamo dia andraikitry ny dada mandrapaha hanambadiany. Fa rehefa manambady izy dia lasa andraikitry ny ramose ny famatsiana hoazy sy ny zanany. Fa raha sanatria ka maty ny vaidiny dia, miverina amin’ny dadany indray ny famatsiana hoazy. Fa raha tsy manana dada intsony izy, dia anjaran’ireo zanany ny fiahiana azy. Fa raha toa ka mbola kely ny zanany, dia anjaran’ireo anadahiny ny fiahiana azy, ary manarakaraka ny akaiky azy amin’ny fihavanana amin’ny fiahiana azy.

Ny vehivavy hatry ny nahaterahany dia, tsy maitsy mila mpiahy azy mandrapaha fatiny. Ka tsy tokony hiasa intsony izy mba hitady ny anjara masoandrony na hitady zavatra hivelomana. Izany dia mba havitany hamita ny andraikiny amin’ny fiarahamonina, nefa maro ny mialona azy amin’izany mba havitany hikarakara ny tokantranony, mba hitaiza ny taranaka amin’ny fanabeazana vanona izay ilany ezaka sy sorona lehibe, sady mila fotoana betsaka sy fieritreretana lalina amin’ny fanaovana izany.

Nambaran’ilay manampahaizana anglisy, Somael Samaeles, izay anisan’ny fototra fanetsiketsehana anglisy (153:fijery @ boky momba ny sarondoha sy ny fandehanana/voyage/Moustpha AlGhalayny:94-95); Ny lalana manery ny vehivavy hiasa amin’ny toerampiasana isankarazany, na dia firy ny vokatra azony fa, hitondra fahapotehana hoan’ny tokantrano sy ny fiainan’ny mpivady. Satria izany lalana izany dia manapotika tanteraka ny fanorenana ny tokantrano. Sady mamparefo ny andry izay hijoroan’ny fianakaviana. Ary mampisaraka ny fifandraisana amin’ny fiarahamonina. Ka ny tsy firaharahan’ny ramose ny vady amanjanany dia tsy hitondra vokatra tsara hoan’ny tokantrano afatsy ny haharatsy ny fihetsiky ny vehivavy. Satria ny tena asan’ny vehivavy dia ao antrano, tahaka ny fandaminana ny ao antrano, ny fanabeazana ny ankizy, ny fahaizana mampiasa vola amin’ny fiainana andavanandro sy ny zavatra rehetra ilain’ny tokantrano.

Fa ny resaka asa hoan’ny vehivavy ivelan’ny trano dia hanapotika tanteraka ny tokantrano. Ary lasa hivaralila ny fanabeazana ny ankizy. Ary ho potika tsisy fisalasalana ny fifankatiavana amin’ny samy mpiavady. Ary ny vehivavy dia hivoaka tanteraka avy amin’ny maha vady ara-dalana azy. Ka lasa ho naman’ny ramose amin’ny fizogana ny andraikitra sy ny vesatra isankarazany. Ka noho izany dia ho lavitra ny fanetrentena sy haja amamboninahitra izay mendrika azy izy amin’izany.

 

 

 

NY FANAPAHAN-KEVITRA AMIN’NY FISARAHAMPANAMBADIANA DIA AMPELANTANAN’NY LEHILAHY FA TSY VEHIVAVY

Ny divorce/fisarahampanambadiana tamin’ny fotoanan’ny habadoana dia tsy nisy antoka na fepetra akory, fa rehefa tian’ny lehilahy dia sarahiny ny vadiny ka, raha tiany koa dia averiny amin’ny fotoana ilany azy.

Ka rehefa tonga ny finoana silamo dia nanome antoka sy fiarovana ny vehivavy avy amin’ny tsindrihazolena, sy fandrabirabina ary ny fampijaliana isankarazany. Tamin’ny fotoanan’ny habadoana dia, ny olona misaraka amin’ny vadiny amin’ny fotoana izay tiany. Ary mety haveriny koa na dia mbola anatin’ny fadimbolana izy. Ary misy fotoana dia misy amin’izy ireo misaraka amin’ny vadiny in-jato na mahery. Ka misy amin’izy ireo mihitsy no miteny amin’ny vadiny hoe: Efa tsy mahavita hanome anao fisarahampanambadiana aho fa, ialaho ahy ka mitadiava lehilahy hafa. Tsy hamerina anao itsony aho, ary tsy hanome toerana sy famatsiana hoanao aho.

Hoy ilay vehivavy: Ahoana ary izany? Hoe: Avelako ianao, fa rehefa tapitra ny fadimbolananao dia averiko amin’izay ianao. Ka noho izany dia nidina ny andininy Koranika nanao hoe: Ny fisarahampanambadiana dia indroa ihany, na izy tazominao amim-pahamendrehana, na izy sarahanao amin’ny fomba mendrika.

Ny fisarahampanambadiana dia nataon’ny finoana silamo azo atao sady vahaolana raha misy ilana azy amin’ny fiainan’ny mpivady, sy amin’ny raharaha izay tsy hay alamina raha tsy ny fanatanterahana izany.

Ny lalana silamo dia miezaka hatrany amin’ny fitadiavana vahaolana voalohany amin’ny mba handravonana ny disadisa sy tsy fifankazahoana amin’ny mpivady, mba tsy hisian’ny divorce na fisararahampanambadiana. Hoy Tompo Allah swt manao hoe: Ary raha misy vehivavy manahy ny fihoaram-pefy ataon’ny vadiny, na koa manosi-bohon-tanana azy, dia tsy fahotana hoazy roa ny mandrindra ny fihavanana eo amin’izy ireo.

Ary ny fampihavanana no tsara kokoa”. [Annisa, and:128]. Nahoana fa ny lehilahy no mahazo manome ny fisarahampanambadiana? Izany dia noho ny lehilahy no raimpianakaviana izay miantoka ny zava-drehetra ara-bola hoan’ny madamo sy ny trano sns…

Raha mbola ny lehilahy no tomponandraikitra amin’ny fandoavana ny vodiondry, fikarakarana ny trano fonenana, sy ny famatsiana rehetra ara-bola, ka noho izany dia hoazy ny fanapahan-kevitra farany amin’ny fanaperana ny tokantrano (na ny hoe; fandravana ny tsena), raha toa ka te hisedra fatiantoka ara-bola izy (ramose) izay mety ho vokatry ny fisarahampanambadiana. Satria fantany tsara izay haterak’izany amin’ny fatiantoka lehibe talohan’ny fanambadiana sy ny sisa taorian’izay, ary koa raha mbola hiroso amin’ny fampiakarambady vaovao koa izy dia, mbola hisedra fatiantoka vaovao hafa indray.

Matetika koa zany fa, ny lehilahy no sarotiny amin’ny raharaha ao antrano, izay mety hatonga azy ho mora tezitra na handrara. Ary izy ihany no matetika mamehi-tena rehefa misy ny tsy fifankazahoana amin’ny mpivady, mba tsy ho lasan-davitra ny raharaha.

Ny lehilahy dia tsy tonga dia hiditra amin’ny fanapahankevitra amin’ny fisarahampanambadiana mba ho vahaolana, afatsy hoe; diso fanantenana tanteraka izy fa tsy hahita fahasambarana intsony izy amin’ny fiainany miaraka amin’ny vadiny.

Nefa na dia izany aza, fa ny vehivavy dia mbola nomen’ny lalana islamika zo amin’ny fanapahan-kevitra hisara-panambadiana, raha toa ka mahafeno ny fepetra ny fitakiany, izany hoe; ny fiverenana amin’ny fifanarahampanambadiana izay nataon’izy mivady, ka raha faly na manaiky izany ralehilahy dia malalaka i raviavy hisaraka amin’ny vadiny.

Ny lalana silamo dia lalana voajanahary, izay mahafantatra tanteraka ny momba ny olombelona sy ny fihetsehampony ary izay rehetra mandeha anatiny, tahaka ny nanomezany an’ny lehilahy zo amin’ny fisarahampanambadiana raha mankahala an’ny vadiny izy, dia manome ny vehivavy ihany koa ny zo amin’ny fisarahana amin’ny ramoseny raha toa ka mankahala an’ny vadiny izy. Ohatra amin’izany fankahalana izany dia; haratsian’ny fitondran-tena, miteny ratsy aminy, mamono na midaroka, na koa misy kilema amin’ny vatany taorian’ny fanambadiana, ohatra malemy ka tsiafaka manome fahafahampo ara-nofo hoan’ny vadiny izy, na misy aretina ratsy taorian’ny fanambadiana tahaka ny habokana, aretin-koditra, raboka, fahaverezan-tsaina sy ny sisa mitovy amin’izany.

Ka izay voalaza rehetra izay dia mety manahirana ny vehivavy ka afaka hitaky na hangataka ny fanafoanana ny fanambadiana ny vehivavy. Ary izany fisarahana izany dia antsoina hoe;

“khoula’”, izany hoe, raha te hisaraka amin’ny vadiny ny vehivavy dia mila mamerina izay rehetra nomen’ny ramose azy tamin’ny fanambadiana. Ka izay ny fahamarinana sy zara mitovy amin’ny resaka tokantranon’ny fanambadiana.

Fa raha sanatria ka nanda ny hanao an’izany ny ramose, dia avy hatrany afaka mandefa ny raharahany any amin’ny fitsarana ny vehivavy (Fitsarana Islamika/Manampahaizana Silamo), mba hahazoany ny zony.

 

 

NY TSY FITOVIZAN’NY VEHIVAVY AMIN’NY LEHILAHY AMIN’NY FANKATOAVANA NY FIFANARAHAM-PANAMBADIANA AVY HATRANY:

Tsy mora amin’ny lehilahy ny fitadiavana vehivavy mendrika ho vady, ary ny tena sarotra dia, raha ny lehilahy mendrika dia matetika sahirana amin’ny fitadiavana ny vehivavy mendrika hoazy.

Satria raha tsy mendrika hoazy ilay vehivavy dia moramora amin’ny ramose ny fanoloana izany.

Fa raha mahakasika manokana ny fitadiavan’ny vehivavy vady no resahina arak’izay efa nambaranay teo aloha hoe; ny vehivavy dia marefo izay ekehin’ny fiarahamonina rehetra izany, ka ny finoana silamo dia miahy sy miaro azy hatrany avy amin’ny haratsiana rehetra, ka noho izany dia, mandidy amin’ny fitandremana amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny fisafidianana ny lehilahy mendrika ho vady, mba tsy ho sorona izy amin’ny fanambadiana tsy mahomby izay mety hiteraka fatiantoka lehibe amin’ny hoaviny.

Ka noho izany no anisany fepetra napetraky ny finoana silamo ny tsy maintsy misy lehilahy hisolontena azy ny vehivavy, ary tsy ekena ny fifanarahampanambadiana raha tsy misy an’izany. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: “Tsy mety ny fanambadiana raha tsy misy mpisolontena na raiamandReny, sy vavolombelona lehilahy marina roa, ary raha tsy mahafeno an’izany fepetra izany ny fanambadiana dia tsy ho ekena. Fa raha toa ka tsy nitovy hevitra izy ireo, dia izay manampahefana no mitsangana ho solontenan’ny dadany amin’ny fanambadiany”. [155:Ibnou Hibbani, j9. Pejy;386. Hadith faha:4075. Samy nanamarina azy daholo Sheikh Albany & Al-Arnaout].

Anisany    fepetra    napetraky    ny    lalana    silamo    amin’ny

fanatanterahana ny fanambadiana dia ireto manaraka ireto; Ny wali na solontenan’ny ray (raha tsy eo izy na koa mety tsy mpino silamo), izany hoe tsy ekehina na tsy mety ny fanambadiana raha tsisy solontenan’ny ray aman-dReny (Lehilahy mpino silamo).

Faneken’ilay vehivavy ny lehilahy hanambady azy (tsy terena zany). Ary ny fanomezany alalana ny solontenan’ny raiamandReniny. Fa raha sanatria ka nanda na nankahala zavatra mahakasika an’ilay lehilahy izy dia tsiazo tanterahina ny fanambadiana. Ary raha sanatria ka tsy nanaiky an’izany izy, nefa noterena tsy maintsy hanambady olona tsy tiany dia, afaka mandefa ny raharaha any amin’ny fitsarana mba hanafoanana ny fanambadiana. Satria araka ny tranga izay notantarain’i Khunsa bint Jouzam, rehefa noteren’ny dadany hanambady lehilahy izay tsy tiany, ka nitaraina tamin’ny Mpaminany Mohammad saw, nefa izy tamin’izany dia efa tsy verijiny. Rehefa henon’ny Mpaminany saw, dia nambarany fa: “natsahatrany ny fanambadiany”. [156:Al-Boukhari, j6. pejy; 2547. Hadith faha; 6546].

Ny mahatonga fa tsy maintsy tafiditra anatin’ny fepetra mahatanteraka ny fanamabdiana ny fisian’ny wali/solontenan’ny raiaman-dReny, satria izy mafana lalandava amin’ny fahefana izay ananany. Misy amintsika miteny fa, ny vehivavy dia tsy manantsafidy amin’ny olon-tiany ho vady. Ka manambara azy izahay fa, ny finoana silamo dia, manome fahalalahana tanteraka hoan’ny vehivavy feno taona, salama saina, na verijiny izany na efa nanambady teo aloha ny zo amin’ny fanekena na fandavana ny lehilahy izay mangata-bady azy, ary tsiazon’ny solontenan’ny raiamandreniny hatao ny manery azy amin’izany na inona na inona ny endrika izany fanerena izany. Satria ny Mpaminany saw dia nanambara fa; “Tsy azo ampanambadiana ny andevo vavy raha toa ka tsy manaiky izy, ary ny vehivavy verijiny koa raha toa ka tsy nahazo alalana taminy. Hoy izy reo hoe;Oh ry Irak’Allah! Ahoana ary hahafantarana ny alalana avy aminy? Namaly izy hoe:Ny famantarana izany dia, ny fahanginany”. [Al-Boukhari, j5. Pejy;1974. Hadith laharana:4843].

Raha miantso ny lalana silamo amin’ny fanambadiana, ary namporisika amin’izany dia, mazava ny tanjony fa, tsy resaka hetahetampo mandalo fa, ho fananganana fifandraisana maharitra (tokantrano maharitra) mitohitohy. Ary raha jerevana indray amin’ny toerana misy an’ny madamo amin’izany zavadehibe izany dia, teren’ny lalana ny tsy maintsy hanambadian’ny vehivavy, ary mila faly amin’izany izy.

Raha misy lehilahy tsy mendrika no mangata-bady vehivavy anankiray, nefa ny vehivavy tsy dia mahafantatra tsara momba ny lehilahy, na koa mety sarokenatra ilay vehivavy, dia avy hatrany ny wali na ny solontenan’ny raiaman-dReniny dia mila manafoana ny fanambadiana, izany hoe; tsy ekena ny fangatahana.

Nefa raha misy leehilahy mendrika mampiakatra, ary manaiky an’izany ny vehivavy, fa ilay solontenan’ny raiaman-dReny no manda, dia avy hatrany dia esorina amin’ny toerany ilay solontenan’ny raiaman-dreny.

Ka ny fianakaviana tena akaiky indrindra no, homena ny fahefan’ny solontenan’ny raiaman-dReny, ary izay heverina fa, tena olona mendrika amin’ny fianakaviana, ary izay tena akaiky indrindra amin’ny maha Havana azy no maka ny toeran’ny raiamandreny na solontenan’ny raiamandreny.

Fa raha toa ka tsy misy fianakaviany akaiky dia ny Mpitsara na Imamo no mampanam-bady azy (vehivavy).

Hamafisina fa, ny finoana silamo dia, mandrara ny vehivavy hanambady lehilahy izay tsy mendrika azy sy ny fianakaviany. Satria ny vehivavy sy ny fianakaviany dia, hahatsiaro afa-baraka amin’ny lehilahy izay tsy mendrika azy ireo. Satria raha hanambady olona tsy tiany sady tsy tian’ny fianakaviany ilay vehivavy dia hiteraka fahatapahan’ny fihavanana izany,nefa takian’ny Tompo Allah swt ny fanambarana sy fanatevenana izany fihavanana izany.

Araka ny nambaran’ny Iraka masina Mohammad saw mahakasika ny olona tokony ho ekena ho vady, dia niteny izy hoe: “Raha misy lehilahy manana toetra tsara izay mahafaly anareo sy ny finoany, dia ampanambadio. Fa raha tsy ataonareo izany dia ho lasa fakampanahy lehibe izay hiparitaka ambony tany”. [158:Al-moustadrak ala as-swahihayn. j2. pejy;179. Hadith numero:2695. Nohamarinin’i @ Sounan Ibni Majah].

 

Satria ny vady izay manampinoana sy toetra mendrika dia, raha toa ka tiany ny vadiny dia homeny voninahitra sady karakarainy, ary raha sanatria ka misy fankahalany azy dia, tsy ho sahiny ny hanitsakitsaka azy na hanao ratsy azy, fa hatahotra Allah izy amin’ny vadiny.

 

 

 

NY FANDEHANAN’NY VEHIVAVY TSY MIARAKA AMIN’NY FIANAKAVIANA AKAIKY AZYINDRINDRA

Hamafisina fa, raha ny vehivavy amin’ny finoana silamo dia, ambonin’ny vato-soa lafovidy ny lanjany, izay tsy tiana ho simba na ho vaky na kasihin’olona afa-tsy izay manana zo hikasika azy ihany, ka noho izany no mahatonga ny finoana silamo maka izao fitandremana izao, satria ny Fiarovana dia tsara lavitra noho ny fitsaboana.

Ka noho izany no andraran’ny finoana silamo ny vehivavy tsy mahazo mandeha lavitra (voyage) irery, afatsy miaraka amin’ny fianakaviany akaiky indrindra tahaka ny; Vadiny, dadany, anadahiny, na fianakaviana akaiky indrindra azy izay tsy mahazo manambady azy. Satria nambaran’ny Mpaminany Mohammad saw hoe: “Tsy mahazo mandeha voyage ny vehivavy raha tsy miaraka amin’ny fianakaviavy akaiky azy indrindra, ary tsisy lehilahy mahazo miditra aminy afatsy hoe misy fianakaviana akaiky azy indrindra miaraka aminy”, hoy lehilahy anankiray hoe: Oh, ry Irak’Allah: Izaho dia te handeha hiaraka amin’ny tafika miaramila hoatran’izao hotran’izao, fa ny vadiko kosa dia handeha hanao hejy

(fivahiniana masina)? Namaly Mpaminany saw hoe:

“Mandehana ianao miaraka amin’ny vadinao”. [159:AlBoukhari, j2. Pejy;658. Hadith faha:1763].

Misy ny sasany miteny hoe: Izany fandrarana izany dia fanagejana sy fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy! Satria izay ihany ny zavatra voalohany mandeha amin’ny eritreritrin’ny sasany. Nefa raha mba fantantsika tsara ny voka-dratsiny sy ny anton’ny fandrarana, dia mba niala amintsika tanteraka ny ahiahy sy ny fisavoritahan-tsaina, ary mba nazava amintsika fa, ny finoana silamo dia manao ny asany marina tokoa. Satria ny tanjony dia tsy inona fa, ny fiarovana ny voninahitry ny vehivavy sy ny fikarakarana azy. Fa tsy fanitsakitsahana azy na fanagejana azy akory. Satria amin’ny ankapobeny, ny voyage dia hisedrana vesatra sy fahasarotana isankarazany. Ary hita amin’ny toeboajanaharin’ny vehivavy fa, ny vehivavy dia marefo ara-batana ankapobeny. Araka izay efa nambaranay teo aloha ireo vesatra maro isankarazany izay sedrainy tahaka ny; fandehanan’ny fadim-bolana, fitondrana vohoka, fampinonoana sns.

Izany hoe; ny vehivavy dia mora mangoraka sy matahotra raha sendra misy tranga izay mety manohina ny anatin’ny zanakolombelona ka mandalo ny masony. Izany dia tsy henatra akory, fa voajanahary araka izay nanamboaran’ny Tompo Zanahary azy ireo. Ary ny Iraka masina Mohammad saw dia efa nampitovy azy ireo amin’ny kapoaka, noho ny faharefoan’izy ireo.

Hoy Anasy bin Malik (RA) fa, ny Iraka saw dia nandeha voyage ka nisy ankizy lahy mainty izay niaraka taminy tamin’izany, izay antsoina hoe: Anjishah, izay nihira tamin’izany fotoana izany. Ka nambaran’ny Mpaminany azy hoe: “Moramora ianao ry Anjishah, amin’ireto Kapoaka ireto”. (Aoka hazava fa, tsy fanambaniana velively no nanaovany izany fa, noho ny faharefoany). [Al-Boukhari].

Iza ary hiaro ny vehivavy, raha handeha irery izy amin’ny zavatra izay ataony, satria ireo olon-dratsy sy ireo olon’ny rendrarendra sady maditra dia efa miandry azy ireo amin’ny toerana manokana hanafika azy, handroba ny harenany, handroba ny voninahitrany, hanolana azy, ka iza ary no hiaro azy amin’izany? Satria mazava hoazy fa, tsy hahavita hanohitra ka hiaro-tena izy, noho ny fahalemeny ara-batana.

Ka noho izany dia, mila lehilahy izy (vehivavy) hanampy azy amin’ny raharahany rehetra, mba tsy handreraka azy loatra amin’ny asa mavesatra, ka tsimaintsy ny olona akaiky azy indrindra ihany no, takiana hanao ireo rehetra ireo hoazy, amin’izay mba tsy hiantsoany vonjy amin’ny lehilahy izay lavitry ny fianakaviany.

Aoka hazava amintsika fa, ny fianakaviana akaikin’ny vehivavy dia, manana andraikitra tahaka ny mpanampy (mpiasa) hanampy azy, na tahaka ny mpiambina hiambina sy hiaro azy avy amin’ireo olon-dratsy

Izay mitetika hanenjika sy maniry haratsiana amin’ny vehivavy. Ka inona ary fanitsakitsahana vehivavy amin’izany?

Izany dia haja sy voninahitra hoan’ny vehivavy, mba misy olona hiaro na saro-piaro aminy, sady hiaro ny voninahitrany sy ny lanjany, izay hiaro azy amin’ny haratsian’ireo mpanao ratsy sy mpihoa-pefy, sady hanampy azy amin’ny asany ary hiantoka ny zavatra rehetra ilainy sy tadiaviny.

 

 

 

 

NY TSY FAHAZOANA ALALANA MIKAPOKA VEHIVAVY ARAKA NY FINOANA SILAMO

 

* Ahmad Al-Amir & Tsekoura Vivian

 

NY TENY FANOLORANA

Dera sy voninahitra sy fankasitrahana no atolotra an’i Tompo Andriananahary (Zanahary), Izay nandefa Mohammad Mpanome vaovao malaza tsara sady Mpampitandrina, ary ho Mpiantso any amin’ny Tompo Allah amin’ny sitra-pony, sady ho toy ny Jiro Mpanazava.

Ary Izy (Allah) nisafidy ireo Mpanara-dia azy sady nanome azy ireo fahasoavana lehibe. Ka Tso-dranon’i Allah sy Fandriampahalemana mandrakariva enga anie ho aminy sy ny fianakaviany, ary ireo Mpanara-dia azy.

Ka izao manaraka izao ny hafatra:

Nanoratako ity Boky ity dia mba hamaly ireo fanakorontanantsaina izay nataon’ireo voafitaky ny devoly, ary tena nariany amin’ny fahaverezana lavitra sy miharihary tokoa izy ireo. Anisany lasa resabe ankehitriny mahakasika ny fikapohana na fidarohana ny vehivavy amin’ny finoana silamo, izay miparitaka lavitra tokoa izany tsaho tsy marina izany.

Ary betsaka tokoa ireo tranon-kala elektronika hitanay miresaka momba izany, no sady manome valiny momba ny fanontaniana amin’izany, nefa tsisy fahalalana akory ireny olona ireny fa manaonao fahatany na miteiteny fahatany tsy ampanarahana ny

Kor’any sy ny Sori-dalan’ny Mpaminany saw.

Mipetraka ery ireo mpankahala ny finoana silamo manenjika izany amin’ny fomba rehetra, no sady mamoron-dainga mahakasika zavatra izay tsy ataon’ny finoana silamo, ary tsisy amin’ny finoana silamo, tsy amin’ny fotony na amin’ny rantsany akory.

Eto dia tiako hametraka hoan’ny mpamaky hajaina isany, sady hanambara ny tena toeran’ny Finoana Silamo mahakasika ny fikapohana vady, ary ny mampiavak’azy amin’ireo finoana marobe isankarazany ankoatra ny Islamo.

Ny finoana silamo dia tokana sady irery izay mandrara ny fikapohana ny Vehivavy; na ankizy vavy izany na vehivavy lehibe.

Ka hoanareo ny antsipirihany amin’ity resaka ity, dia anjaranareo amin’izay no mitsara rehefa avy nikaroka amim-pahalalana tanteraka.

 

NY FIZARANA VOALOHANY:

Ny asa rehetra dia tsimaintsy tanterahina arak any Lalana Islamika

Hamafisina fa, ny asa retraretra ataon’ny zanakolombelona, dia tsimaintsy manaraka ny lalana Islamika, araky ny fepetra manaraka ireto, mba hazava amin’olona izany ny mahasamihafa ny zavatra azo atao sy ny zava-boarara:

  1. Obligatoire: (ny zavatra izay tsy maintsy tanterahina): ity no ambaratonga ambony indrindra amin’ny adidy izay tsy maintsy tanterahina, izany dia zavatra takian’ny lalana tsimaintsy tanterahina, izay voaporofo amin’ny alalan’ny Boky masina Kor’any, ary tsisy zavatra hampiahiahy na hampikorontan-tsaina amin’izany. Ataontsika ohatra amin’izany dia; Ny Soalah (vavaka), fifehezana, ary ny famakiana ny Qur’an. Ny fepetra momba izany dia; ny tsimaintsy hanatanterahana izany, miaraka amin’ny fanantenana fahasoavana amin’izany ary fahatahorana ny sazy hoan’izay tsy manatanteraka azy. (valisoa @ mpanatanteraka azy, ary sazy miandry izay tsy manao azy).
  2. Zavatra tsara atao: izany dia, izay zavatra rehetra nadidian’i Allah, nefa tsy terena amin’ny fanaovana izany. Izany hoe; ahazoana valisoa ny fanaovana azy fa, tsy saziana kosa izay manao azy, tahaka ny: Fiborosiana ny Nify alohan’ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana Soalah.
  3. Ny zavatra azo atao; ny zavatra rehetra azo atao ka tsisy fahasoavana ny fanaovana azy, ary tsy voasazy koa izay tsy manao azy, tahaka ny: fandehanana na famindrana sy ny fitaingenana, ary izay zavatra rehetra mitovitovy amin’izany izay mahazatra atao amin’ny fiainantsika andavanandro.
  4. Ny zavatra ratsy atao: izay zavatra rehetra noraran’ny tompo Allah swt ny fanaovana azy, nefa tsy terena akory ny tsy fanaovana izany. Ka hahazo fahasoavana izay mihataka avy amin’izany, ary tsy hahazo fahotana izay manao azy. Nefa tandremo fa, tsara ny fiatahana amin’izay rehetra hitarika amin’izany zavatra tsy tsara hatao izany. Satria ny fanaovana azy matetika dia hatonga ny olona anankiray hihoatra ny fefin’ny Tompo Allah swt, ka hitarika azy hanao zavatra voarara. Ka ny antony tsy anasaziana izay manao an’izany zavatra tsy tsara hatao izany, satria mety misy fotoana tsimaintsy ilana ny fanatanterahana azy. Anisany ohatra amin’izany dia; Ny Tompontsika Allah swt mankahala ny fisaraham-panambadiana, nefa tsy nandrara amin’ny fanaovana izany mba ho fahalalana hoazy ireo raha toa ka izay no vahaolana amin’ny fampandehanana ny tokantrano.
  5. Ny zava-boarara/Haram: ny zavatra rehetra nandraran’i Allah swt ny fanaovana azy, ka voaporofo amin’ny porofo mivaingana, ka tsisy zavatra hampisalasala intsony manoloana izany. Ho saziana izay manao izany (haram), ary hahazo valisoa izay mihataka tsy hanao izany, noho ny fahamendrehany. Ka ohatra amin’izany zava-boarara izany dia: ny tsy fahazoana misotro toaka na galeko sns…

 

NY MAMPIAVAKA NY HALAL SY NY HARAM:

Tena marina fa, ny fahafantarana ny halal (ireo zavatra azo atao na azo hanina) sy ny mampiavaka azy amin’ny haram na ny zava-boarara, dia fototry ny finoana silamo ary porofon’ny fananam-pinoana amin’ny olona anankiray. Izay mifandray tanteraka amin’ny asan’ny fo, no sady misy fifandraisana amin’ny asan’ny rantsam-batana.

Ny fototra amin’ny zavatra rehetra dia ny: Fahazoan-dalana sy ny fahalalahana amin’ny zavatra. fa tsy resaka haram na tsy fahazoan-dalana akory, afatsy izay voatantara sady voarakitra araka ny lalana velona ary nampahafantarina ny rehetra ny maha tsy mety azy. Fa tsy sanatria nataotao fahatany.

Satria ny famoahana didy amin’ny Halal sy ny Haram, dia zon’i Allah feno, satria Izy no Mpahary, Mpanabe, Mpanamora, Mpanome fiadanana, ka Izy ihany no afaka mamoaka didy amin’ny maha mety sy ny tsy mety ny zavatra anankiray hoan’ny Mpanompony.

Nefa ny fanaovany izany dia ho inakinaka sy hasoavana amin’ny olombelona, ka nataony ny azo alalana sy ny zava-boarara noho ny antony izay ekehin’ny saina mba ho fijerevana ny tombontsoa manokan’ny olombelona tsy ankanavaka. Ka noho izany, dia tsy nanome alalana hanao zavatra anankiray izy, afa-tsy hoe; zavatra tsara hoan’ny olombelona, ary tsy nandra koa izy raha tsy noho ny voka-dratsin’izany.

 

NY FANOVANA ZAVATRA IRAY AMIN’NY TOERAN-JAVATRA IRAY HAFA:

  1. Ny fanovana zavatra azo atao ho tsy azo atao na mifanohitra amin’izany: izany hoe; raha toa ka misy antony mazava amin’izany tahaka ny hoe, fandalovana an-dalana dia zavatra azo atao, nefa raha nandray fanapahan-kevitra ny tomponandraikitry ny tanana fa, tsy azo hivezivezena ny lalana manomboka amin’ny folo ora alina amin’ny sasan-tsansany amin’ny lalana, na Tanana, noho ny fimasoana manokana amin’ny resaka fandriampahalemana izay mety hitera-doza amin’ny fiainan’olona anakiray.

Tahak’izany koa ny zava-boarara mety hiova ho zavatra azo atao, raha toa ka tonga amin’ny ambaratonga tsy maintsy hiovan’izany mba hiarovana ny aina tsy ho faty. Arak’izay haintsika tsara fa, ny fisotroana toaka dia zava-boarara araky ny lalana, nefa mety misy fotoana hamadika azy ho azo atao. Ohatra amin’izany dia, raha sanatria ka very lalana any amin’ny dezera (@faritra tany karakaina) ny olona anankiray, ary efa mitady ho fatin’ny hetaheta izy, ary tsy mahita na inona na inona eo anatrehany afatsy toaka ihany. Ka azony atao ny misotro ny fetra izay hiarovany tena mba tsy hahafaty azy, nefa tsy mahazo mihoa-pefy akory izy amin’izany.

 

  1. Ny fiovan’ny zavatra obligatoire ho malefaka kokoa, ary amin’ny malefa-defaka hoany amin’ny voarara na mifanohitra amin’izany:

Ny zavatra obligatoire hivadika zava-boarara, Ny zavaboarara mety hivadika zavatra akaikin’ny tsimaintsy na (obligatoire), izay mitovitovy amin’ny fanazavana izay talohan’izao ny momba azy. Ataontsika ohatra amin’izany ny momba resaka Soalah (fanompoampivavahana) izay ekehintsika rehetra fa, obligatoire ny fanatanterahana azy. Nefa mety ho lasa haramo izany raha toa ka hanatanterak’izany ny olona anankiray ao antranony amin’ny fotoana isehoan’ny horohoron-tany mahery vaika, ary azony antoka tsara fa, raha tsy miala haingana amin’io trano io izy dia, hiharan-doza ka ho faty mihitsy!!

Ohatra iray hafa koa; tsiazo atao manapaka tongotr’olona. Nefa raha nangataka tamin’ny Dokotera mpitsabo izy amin’ny tsimaintsy hanapahana ny tongony, izany hoe; raha tsy tapahana ny tongony dia mety hahafaty azy izany. Ka izany dia azo atao tsara. Nefa raha sanatria ka nanda tsy hanao izany ny dokotera, nefa afaka tsara hanao an’izany, dia mahazo fahotana izy, ary voasokajy ho mpanao heloka bevava no sady tsimaintsy sazina amin’ny tsy fanapahany ny tongotr’ilay marary.

  1. Fanovana zavatra tsy tsara atao ho zavatra tsara hatao, sy ny fanovana zavatra tsara atao ho zavatra tsiazo hatao:

Ny zavatra tsy tsara hatao mety hivadika ho zavatra tsara hatao, na ho zavatra akaikin’ny obligatoire, na koa mety obligatoire (tsimaintsy), tafiditra anatin’izany ny resaka fisarahampanambadiana (divorce), izay Makrouh na tsy tsara hatao araky ny lalana velona sady tsy tian’ny Tompo Allah swt ny fanaovana azy, nefa indraindray dia azo tanterahina ihany raha tsy izay dia mety hitarika amin’ny tsy ara-dalana ny fitazomana ny vady. Ka ny vahaolana amin’izany dia ny fanapahankevitra amin’ny fisaraham-panambadiana. Ohatra amin’izany dia; ny vehivavy raha toa ka tsy matotra na tsy manaja-tena, nefa tsy mety miova izy amin’izany toetra ratsiny izany, ka tsimaintsy mifarana amin’ny fisarahana. Ka izay no dikany hoe: “Ny zavatra makrouh na tsy tsara atao, hivadika ho zavatra tsara hatao”.

Ary ny zavatra tsara (Moustahabb) hatao mety hivadika ho zavatra tsiazo atao (haram) mihitsy, ohatra amin’izany dia momba ny fiborosiana nify dia zavatra tsara atao, nefa mety hivadika zavatra tsy tsara atao, ary mety ho lasa haram na tsiazo hatao mihitsy ny fanaovana azy. Satria raha hiborosy nify amin’ny tapa-kazo ianao dia mety hiraraka daholo ny nifinao jiaby. ary fantatrao tsara fa, raha hiborosy nisy amin’izany tapakazo izany ianao dia hiraraka aby ny nifinao, ka amin’izao toerana izao dia, tsiazonao hatao ny fampiasana tapa-kazo. Satria nambaran’ny Mpaminany Mohammad saw hoe: Tsiazo atao ny mandratra, ary tsiazo atao torak’izany koa ny ratraina”. Izany hoe, tahaka ny fiteny hoe: Tsiazo atao mamosavy olona, ary tsiazo atao koa ny mamosavy tena.

 

FAMARANANA

Famaranana ny fanazavana rehetra izay, dia ny hoe; Ny Finoana Silamo dia tsy finoan’olona jamba fanahy sy jamba saina, izay tsy mahita no tsy mahafantatra ny fiainan’olombelona sy izay rehetra mahazo azy ireo isan’andro.

Ary ny tena hajambana dia, ny hajamban’ireo fahavalon’ny finoana Silamo izay hita fa, tena jamba fo tokoa izy ireo. Ny fanirian’izy ireo dia, ny hanaparitahana sy hambolena lainga sy vandy ary ireo zavatra hanakorontanana ny Finoana silamo sy ny Mpino Silamo indrindra indrindra, sy ny tetik’izy ireo te-hamono ny hazavan’i Allah amin’ny vavan’izy ireo, nefa vao mainka mampiseho ny hazavany i Allah, na dia mankahala izany aza ireo mpikomy.

Ry mpamaky hajaina! Angamba mety mba efa nieritreritra ihany ianao fa, ny finoana silamo dia, tsy fianoan’ny tsindrihazolena fa, finoan’ny Fahamarinana. Ary ny fahamarinana dia, anisany anarana tsara indrindra amin’ny anaran’i Allah swt. Ka noho izany, dia ny famoahana Lalana amin’ny fandrarana zavatra anankiray tsy hoazo hatao sy ny famoahana lalana hatonga ny zavatra anankiray ho mety atao dia, nohazavaina amin’ny alalan’ny fahamarinana, fa tsy sanatria tamin’ny hajambana. Fa raha mahakasika indray ny tsindrihazolena, na fiangarana na katramo sy izay rehetra mitovy aminy dia haramo tsiazo atao araka ny lalana velona amin’ny Finoana Silamo.

 

NY FIZARANA FAHAROA

Ny fomba fitondrana ny vehivavy amin’ny alalan’ny hazavan’ny Boky masina Kor’any sy ny Sori-dalan’ny Mpaminany saw izay mahitsy sady madio, ambany alokan’ny hazavan’ny boky masina Kor’any.

Hitanay fa, Tompo Allah swt, dia mandidy amin’ny fanaovana tsara sy soa amin’ny vady (Madamo), ny fanajana azy sy fifandraisana aminy amim-pahamendrehana, na dia amin’ny fitiavana azy am-po aza. Satria ambaran’i Allah swt ao amin’ny Kor’any masina manao hoe: “Ary aoka ianareo hifanerasera amin’izy ireo amim-pahamedrehana. Fa raha misy aminareo mankahala azy ireo, dia mety hankahala zavatra iray ianareo, kanefa ao indrindra no ametrahan’i Allah fahasoavana sesehena”. [AnNisa, And:19].

Ary hoy ny Mpaminany saw: “Tsiazon’ny mpino lahy atao ny mankahala ny mpino vavy anankiray, satria raha mankahala toetra iray aminy izy, dia ho faly aminy amin’ny zavatra hafa ao aminy”. [Mouslim].

Efa nohazavain’i Allah swt fa, ny vehivavy dia manana zo amin’ny vadiny (ramose), tahaka ny vadiny manana zo aminy koa. Hoy Allah swt mahakasika izany: “Ka hoan’ireo vehivavy dia manan-jo ho entina tsara mifandanja amin’ny adidy takiana amin’izy ireo”. [Albaqarah, and:228].

Anisany anatra nomen’ny Mpaminany saw, talohan’ny hahafatesany dia mahakasika indrindra ny fikarakarana ny vehivavy, ny fanaovana soa azy, tsy iangarana, ary tsiazo hitsakitsahina ny zony. Ka hoy Izy hoe: “Mendreha ianareo amin’ny fitondranareo ny vehivavy”. [Mouslim].

Ary mbola niteny Izy saw: “Ny lehilahy tongalafatra arapinoana tanteraka dia, izay manana toetra tena mendrika, ary ny tena mendrika indrindra aminareo, dia izay tena mendrika tsara amin’ny vadiny”. [At-Tirmithi, Ibnou Hibban, ka hoy Tirmithi: Hadith Hasan swahih, ary hita @ Swahih Al-Jami’, numero:1230].

Nitaterin’i Aishah (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny: “Ny tena mendrika aminareo, dia izay tena mendrika aminareo amin’ny fianakaviany, ary Izaho no tena mendrika indrindra amin’ny fianakaviako”. [Ibnou Hibban fi Swahihihi, ary At-Tirmithi, hadith numero:3314, fi swahihil-

Jami’].

Ary ny Mpaminany saw dia, mbola nandidy amin’ny fananana faharetana amin’ny hadisoana maro izay ataony (vehivavy), sy famelana azy amin’ireo zavatra izay nataony mety tsy finiavany, ary mbola nazavainy ny toetoetrin’izany vehivavy izany raha ara-boajanahary no jerevana. Ka hoy Izy manao hoe:

“Hamafisina fa, ny vehivavy dia, namboarina avy tamin’ny taolantritry, izay tsy hisy andro hampahitsy azy hoanao, ka raha nahazo fahafinaretana taminy ianao, nataonao tokoa izany, nefa misy tsy fahatomombanana ao aminy (meloka/tsy mahitsy), ary raha handeha hanitsy azy ianao dia, hanapaka azy ianao zay, ary ny fanapahana azy dia ny fisarahana aminy”. [Mouslim].

Mbola nanambara ny Mpaminany saw: “Mendreha ianareo amin’ny fikarakarana ny vadinareo (vehivavy), satria izy ireo dia namboarina avy tamin’ny taolantritry, ary ny faritra tena tsy mahitsy indrindra amin’ny taolantritry dia ny faritra ambony aminy. Ka raha handeha hanitsy an’izany ianao dia hanapaka azy ianao zay, nefa raha havelanao izy dia tsimaintsy mbola ho meloka ihany. Ka noho izany dia, mendreha hatrany amin’ny vehivavy”. [Al-Boukhari].

 

MOA VE MBA EFA NIKAPOKA IRAY TAMIN’IREO VADINY NY IRAKA SAW?

Ny Iraka saw dia, olona anankiray falaintahaka hoan’ny Mpino Silamo, ary nodidiny ny Mpino silamo mba hanaraka ny soridalany. Ka hoy Allah ilay avo indrindra manao hoe: “Tena manana ohatra falain-tahaka tsara tokoa amin’ny

Irak’Allah, hoan’izay manantena an’i Allah sy ny andro farany, ary mahatsiaro an’i Andriananahary mandrakariva.” [Al-Ahzab, and:21].

Ny Mpaminany saw no manana fahamboniana sy toetra tena mendrika indrindra, Allah izay nandefa azy amin’ny toetra tena madio sady mendrika izay nanabeazan’i Allah swt azy amin’ny fahalalam-pomba mendrika indrindra. Ny toetra tena ambony sy mihaja dia nananan’ny Mpaminany saw. Ka midera azy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Hamafisina fa, ianao dia ambony toetra tokoa”. [Al-Qalam, and:4]. Mpaminany saw dia, nampihatra izany toetra mendrika izany teto antany, ary ny izao tontolo izao dia afaka mitsapa an-tanana izany toetra ambony izany. Niteny Izy hoe: “Izaho dia nalefa handavorary ny toetran’ny fahamendrehana”. [Malik @ Mouwattwa, ary Boukhari @ fil Adab Al-moufrad, izany hoe, “Fis-swahihah”, numero:45].

Manambara koa ny vadiny Aishah (RA) izay mahafantatra azy tsara nohony ireo mpanaradia azy, amin’ny fifandraisany aminy amin’ny maha vadiny azy, hoe: “Ny toetrany dia ny Korany”. [Ahmad, swahih al-jami’ (4811)].

Izany hoe, Ny zavatra rehetra amporisihin’ny Korany dia tanterahiny, fa ny zavatra rehetra nandrarany kosa dia, iatanhany. Ary izay toetra tsara rehetra amporisihin’ny Korany dia tsimaintsy nananany daholo, ary izay toetra ratsy rehetra izay anakanan’ny Korany dia Izy mihitsy no voalohany mihataka amin’izany.

Mbola tsy voaresaka tamin’ny tantaram-piainany fa, nikapoka vehivavy na ankizy izy?!!!!

Fa izay manaraka akaiky sy mandalina tsara ny tantarampiainan’ny Mpaminany saw, sy ireo teniny masina, dia hahita mazava tsara fa, ny Mpaminany saw dia nandrara sady nampitandrina mafy amin’ny fikapohana vehivavy izany. Hoy izy hoe: “Ny Iraka masina saw dia mbola tsy nikapoka na inona na inona zavatra tamin’ny tanany, tsy vehivavy, tsy mpiasa, afa-tsy amin’ny ady masina amin’ny lalan’i Allah swt. Ary mbola tsy namaly faty izy na dia manana ny marina aza izy, afatsy hoe; noho ny fanitsakitsahana ny lalanan’i Allah, ka Allah ilay avo indrindra mihitsy no mamaly faty amin’izany”. [Mouslim].

Na dia ireo fahavalo izay niezaka hanaratsy ny asa fampielezana nataony, sady nanakana izany dia tsiafaka ny tsy hiaiky izay volazanay teo izay.

Mba ho hitantsika tsara izay hambaran’olona tena akaiky azy indrindra, sady nanao asa betsaka hoazy, ary tsy isalasalana fa, ny fifandraisana matetika dia manambara zavatra maro sady marina. Tsy iza ary izany fa, Anasy bin Malik (RA) izay Mpanampin’ny Mpaminany saw nandritra ny folo taona (10 ans) raha mitantara momba ny hatsaran-toetry ny Mpaminany saw manao hoe: “Niasa hoan’ny Mpaminany saw aho nandritry ny folo taona (10), nefa mbola tsy niteny tamiko hoe: Eisy! Ary mbola tsy niteny Izy amin’ny zavatra izay nataoko hoe: Naninona nataonao izao? Na ny zavatra tsy nataoko ka naninona tsy nataonao izao? Ary Mpaminany saw dia, olona nanana toetra tena tsara indrindra”. [Mouslim & AtTirmithi].

 

NY FIZARANA FAHATELO

NY LALANA MAHAKASIKA NY FIKAPOAHANA VADY ARAKA NY FINOANA SILAMO?

Hamafisina fa, ny lalana islamika dia voarakitra araka ny Bokin’i Allah sy ny Sori-dalan’ny Mpaminaniny saw, izay marim-pototra.

Ka arak’ireto zavatra roa ireto no hitondranay porofo, ary amin’ny hazavany no hitondranay fanazavana momba ny lalana sy fepetra mahakasika ny fikapohana ny vehivavy amin’ny finoana silamo. Ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Moa ve obligatoire/tsimaintsy, sa zavatra tsara hatao, sa azo atao, sa zavatra tsy tsara hatao mihitsy, sa voarara mihitsy ny fanaovana azy? Amin’ny alalan’ny Hadith notantarain’i Yasy bin Abdillah (RA), fa ny Mpaminany saw dia niteny: “K’aza kapohinareo ny andevovavin’i Allah. Ka tonga Omar (RA) tamin’ny Mpaminany saw niteny hoe: Maditra amin’ny vadin’izy ireo ny vehivavy. Ka nanome alalana hikapohana azy izy tamin’izany. Ka ny vokany dia nihodidina ny tranon’ny vadin’ny Mpaminany saw ireo vehivavy marobe mitaraina amin’ny ataon’ny vadin’izy ireo. Ka nambaran’ny Iraka masina Mohammad saw hoe: Tena marina fa, betsaka ireo vehivavy nihodidina ny tranon’ny Fianakavian’ny Mohammad mitaraina momba ny vadin’izy ireo. Tsy olona mendrika tokoa izy ireo”. [Abu Daoud & Ibnou Majah & Ad-Daramy. Hoy Sheikh Albany fa, Marim-pototra].

 

AMIN’NY ALALAN’INY TENIN’NY MPAMINANY SAW INY NO MANAZAVA AMINTSIKA TORAK’IZAO MANARAKA IZAO:

Ny Mpaminany saw dia tsy niresaka mahakasika zavatra anankiray fotsiny, na tamin’ny fotoana indray mandeha fotsiny fa, in-3 mandeha tamin’ny fotoana sy raharaha samihafa no niresahany tamin’izany.

Ny fotoana voalohany: Ka nambaran’ny Mpaminany saw tamin’izany hoe: “K’aza kapohinareo ireo andevovavin’i Allah”. Ka tapitra hatreo ny resaka tamin’ny fotoana voalohany. Ka izay rehetra naheno mivantana tamin’ny Mpaminany saw io resaka io dia, matoky tsara fa, ny lalana mahakasika ny fikapohana ny vehivavy dia, voarara noho ny fandrarany izany, ary izay manao an’izany dia manota ary manao heloka bevava amin’ny tsy fankatoavany ny baikon’ny Mpaminany saw. Ny fotoana faharoa ny fahatongavan’i Omar bin Al-Khattwab

(RA) dia fotoana samihafa amin’ny fotoana nitenenan’ny Mpaminany saw ny hoe: “K’aza kapohinareo ireo andevovavin’i Allah”. Ka tonga izy tamin’izany hitaraina amin’ny ditran’ireo vehivavy. Izany hoe; tsy manaraka ny ambaran’ny ramose ny vadiny sady mitady hihoa-pefy foana amin’ny zavatra ataony. Ka noho izany dia ny Mpaminany saw dia nifanaraka taminy (Omar ra). Satria ilaina ny fisian’ny vehivavy amin’ny fiainana, ary tsisy zavatra mety raha tsy misy azy. Nefa hoatrany ahoana marina moa izany fikapohana izany? Ary momba an’izay no hiresahinay eto afaka kelikely amin’ny fikarohana manaraka. Ny fotoana fahatelo: Taorian’ny fanomezan’ny Mpaminany saw alalana an’ny lehilahy hikapoka ny vadin’izay maditra, no nisy vehivavy marobe tonga nitaraina tamin’ny Iraka masina Mohammad saw, rehefa niteny Izy saw hoe: Hamafisina fa, nihodidina ny tranon’ny fianakavian’ny Mohammad ireo vehivavy marobe nitaraina amin’ny ataon’ny vadin’izy ireo (kapoka), ka hoy Mpaminany saw: Tsy izy ireo no lehilahy mendrika aminareo. Tamin’ity fotoana farany ity, dia mazava fa, voarara ny mikapoka ny vehivavy amin’ny finoana silamo. Ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Moa ve Zavatra tsy tsara hatao izany sa tsiazo atao mihitsy? Ary raha mihoatra ny fefin’i Allah ny ramose amin’izany- izay hazavainay rehefa aveo ny hoe: - Moa ny fahazoan’ny ramose ny tenin’ny Mpaminany saw ve fa, namporisika amin’ny fikapohana ny vehivavy Izy? Sa midera izay mikapoka ny vadiny? Tena marina fa, ny tenin’ny Mpaminany saw dia misy resaka fampitahorana amin’izay mikapoka ny vadiny?!!!

Ary hamafisina fa, raha araka ny fazahoan’ireo Mpanaradia an’ny Mpaminany saw ny resaka nataony (SAW) dia, izay nikapoka ny vadiny dia mandrak’izay tsy hahazo tso-dranon’ny Mpaminany saw sy fankasitrahana avy aminy. Ka tsy hisalasalana fa, izay zavatra tsy tian’ny Mpaminany saw ny fanaovana azy dia, tafiditra amin’ireo zavatra tena tsy tsara tokoa ny fanaovana azy, ary mety ho lasa tsiazo hatao mihitsy izany na haramo.

Rehefa nisaraka tamin’ny vadiny Fatimah bint Qays, dia nisy olona vitsivitsy nangataka azy ho vady. Izany hoe; Mou’awiyah, i Abou Jahm, ary Ousamah bin Zayd. Ka nambaran’ny Iraka masina saw taminy (vehivavy) hoe: (“Mouawiyah dia olona sahirana ka tsy manam-bola. Ary i Abou Jahm dia Lehilahy mpikapoka vady. Fa tsy haiko ahoana i Ousamah bin Zayd”.

Ka nambaran’ilay vehivavy sady manondro amin’ny tanany hoe: Ousamah! Ousamah!) [Mouslim].

 

NY LALANA MANKAHALA NY FIKAPOHANA VEHIVAVY VE METY HIVADIKA HO TSIAZO ATAO MIHITSY IZANY?

Tena niarahantsika nahita fa, ny fototra sy ny lalana voalohany mahakasika ny fikapohana ny vehivavy amin’ny Finoana Silamo, dia ny tsiazo atao (Haramo) ny fanaovana azy. Ka rehefa aveo dia lasa zavatra azo atao noho ny antony manokana, kanefa lasa tafiditra amin’ny tena tsy tsara ny fanaovana azy (tena ratsy).

Fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Amin’ny fomba ahoana ary maha haramo ny fikapohana ny vehivavy?

Lasa haramo na tsy azo atao ny mikapoka ny vehivavy, raha toa ka manao izany fahatany ny lehilahy, nefa tsy misy porofo na antony mazava amin’ny fikapohana ny lehilahy. Satria ny fihoaram-pefy rehetra dia, tsiazo atao raha araky ny Finoana Silamo, raha toa ka noho ny antony tsindrihazolena na resaka fampifahavaloana. Ka hoy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Ary izay manao ny tsy rariny aminareo, dia hampanandramako azy ny sazy lehibe”. [Al-Fourquan, and:19].

Ary mbola nanambara ny Mpaminany saw mahakasika ny tsindrihazolena hoe: “Matahora tsindrihazolena ianareo, satria ny tsindrihazolena dia ho lasa aizina hoan’izay mpanao azy amin’ny Andro farany”. [Mouslim].

Nitatitra i Anasy (RA) fa, ny Mpaminany saw dia niteny hoe:

“Matahora ny fangatahan’olona voatsindrihazolena ianareo, na dia fa, mpikomy aza izy. Ary tsy hisy zavatra manakana mihitsy ka hanelanelana izany sy ny Tompo Allah”. [Ahmad, nohamarinin’i Sheikh Albany].

Ny finoana silamo dia mandrara amin’ny herisetra na inona na inona ny endriny sy ny karazany, ary na dia fa, amin’ny alalany teny aza izany.

Arak’izay ambaran’i Allah manao hoe: “Fa izay manao fiampangana ireo vehivavy maotina, izay tsy mieritreritra hanao ratsy, sady mpino, dia voahozona izy ireo, eto an-tany sy any ankoatra, ka hahazo sazy lehibe izy ireo”. [An-Nour, and:23].

Ary na dia fikasana te hikapoka aza izany fampijaliana izany na zavatra mitovy amin’izany, nefa tsy ara-dalana dia tsy azo atao. Ka hoy Allah swt manao hoe: “Ary izay manisy ratsy ireo mpino lahy sy vavy, amin’izay tsy nataon’izy ireo dia, mivesatra fanosoram-potaka sy fahotana miharihary izy ireo”. [Al-Ahzab, and:58].

Na koa ny fampijaliana mety ho amin’ny endrika fihinana ny harenan’ny hafa amin’ny fomba tsy ara-dalana. Ka hoy Allah mahakasika an’izay: “Ary aoka ianareo tsy hihinana ny harenanareo amin’ny tsy rariny”. [Albaqarah, and;188]. Momba an’izay dia voakasika sady mitovy daholo ny olombelona rehetra; Lahy na Vavy, Zaza na Lehibe, Mpino Silamo na mpikomy. Araka ny tatitr’i Abou Hourairah (RA), fa ny Iraka masina Mohammad saw dia niteny hoe: “Ny mpino Silamo dia, ny olona miteraka fandriampahalemana hoan’ny vahoaka avy amin’ny lelany sy ny tánany, fa ny tena mpino kosa, dia izay nametrahan’ny vahoaka fitokisana amin’ny rány sy ny harenany”. [An-Nasái-Hoy Sheikh Albany fa,: Hasan Swahih].

Ka izay miteny fa, ny Finoana Silamo, dia mamporisika amin’ny asa ratsy sy fifampifahavalozana na fankahalana, na fikapohana vady, dia olona mamoron-dainga amin’ny fanenjehana ny finoan’ny Tompo Allah swt, ary lainga sy vandy lehibe tokoa izany.

 

NY FEPETRAN’NY FITSARANA AN’IZAY MIKAPOKA VEHIVAVY ARAKY NY LALANA SILAMO:

Ny fitsarana silamo dia, mandray hentitra ny raharaha mahakasika ny fikapohana sy fampijaliana ny vehivavy izay ataon’ny ramose (vadiny), amin’ny fanasaziana ny lehilahy izay miangatra sy mandray fahavalo ny vady, mba ho lesona hoazy. Ary izany dia, tena ampiharina tokoa raha toa ka niakatra amin’ny fitsarana ny raharaha. Ka anisany ohatra amin’izany dia izao manaraka izao:

Arak’izay navoakan’ny gazetin’ny Riyadh (Arabie Saoudite), amin’ny tranonkalany tamin’ny 12/12/2012 izao vaovao manaraka izao:

Ny fitsarana ambaratonga voalohany amin’ny Distrikan’ny Qatif, Arabi Saodita, dia namoaka didim-pitsarana amin’ny lehilahy anankiray izay nandaroka ny vadiny, fa tsimaintsy kapohina in30 imasom-bahoaka izy, atao izany mba ho anatra hoan’ireo mpampijaly vady.

Araka ny didim-pitsarana hatrany dia, tsimaintsy mandeha mianatra amin’ny sekoly ambony iray izay mampianatra manokana momba ny fahaizana mifandray amin’ny vady sy ny raharaham-pianakaviana izy mandritra ny folo andro (10 jours). Ary tsy maintsy manolotra ny fitsapam-pahaizana izy, izay tsimaintsy ampiarahina amin’ny antontan-taratasy mahakasika ny raharahany.

Mbola mahakasika an’io raharaha io ihany, hamafisina fa, ny fitsarana rehetra amin’ny firenena Islamika dia, tsimaintsy manasazy ny lehilahy izay mampijaly ny vadiny amin’ny fikapohana. Nefa, ny mampalahelo dia, maro amin’ireo vehivavy no manararaotra ny vadiny amin’ny fampitahorana azy, fampihorohoroana azy, ary manao teti-dratsy tsy ara-dalana hanenjehana azy. Anisany zavatra ataon’izy ireo dia, ny fandrangotana (fandratrana tsotsotra) ny vatany, ary rehefa aveo dia mandeha mankany amin’ny mpitandro ny filaminana (Polisy) mba hamoronana fitarainana hanenjehana ny vadiny amin’ny fomba tsy ara-dalana sady feno fiangarana sy fandraisana ho fahavalo. Nefa ny marina dia, ny lehilahy vadiny dia madio amin’ny fanendrikendrehana io.

Ny zavatra hita amin’ity raharaha ity dia, ny mpino silamo misaina, sady mpanaraka ny fampianarana islamika dia, tsy faly amin’ny fanaovana tsindrihazolena sy hihetraketraka amin’ny vehivavy.

Satria ny finoa-ntsika (Islam) dia tsy mampianatra antsika na mandidy antsika amin’izany asa ratsy izany, fa vao mainka nataony fady amintsika sady anisany tsindrihazolena lehibe indrindra.

Fa ny finoana silamo dia, mampianatra antsika hamela sy hifamela, fandeferana, fifankazahoana, ary ny fanoherana amin’ny tsara ny ratsy.

Satria fantatra fa, ny finoana silamo dia, tsy nandidy ho zavatra azo atao ny fikapohana ny vehivavy, afatsy amin’ny ambaratongana toe-javatra miseho amin’ny tokantrano tsy ho voavaha raha tsy amin’izany fanapahan-kevitra izany.

Nefa misy fepetra sy lalana tsy maintsy handalovana amin’izany, mba hiarovana ny tokantrano sy ny voninahitra amin’ny fiarahamonina.

 

NY FIZARANA FAHAEFATRA

IREO FEPETRA ARA-DALANA AMIN’NY FOTOANAN’NY FIHOARAM-PEFIN’NY VEHIVAVY

Misy amintsika miteny hoe; raha maditra ny vadiny, tsy aleo ve mananatra azy no hatao toy izay hikapoka azy? Ambaranay fa, eka. Ary izay mihitsy no lalana nandidian’ny Tompo Ilay avo indrindra raha miteny Izy ao amin’ny Boky masiny manao hoe: “Ary ireo vehivavy izay ahinareo ny tsy fankatoavany, dia aoka ianareo hananatra azy ireo, na hatokano fandriana izy ireny, na koa omeo sazy, fa raha miova mankatoa anareo izy ireny, dia aoka ianareo tsy hitady lálana hanoherana azy intsony. Hamafisina fa, Avo sy Lehibe indrindra

Andriananahary”. [ An-Nisa, and:34].

Ary ny Irany masina Mohammad saw dia efa nanambara tamin’ny Hejy (fivahiniana masina) fanaovam-beloma farany, hoe: “Tandremo, fa mendriha ianareo amin’ny vadinareo. satria izy ireo dia tahaka ny voafonja anatrehanareo.

Tsiazonareo hatao na inona na inona ankoatr’izay izy ireo, afatsy sanatria ka nanao asa vetaveta miharihary izy ireo. Raha sanatria ka, nanao an’izay tokoa izy ireo dia, k’aza miray fandriana aminy ianareo, ary kapohy fa k’aza atao maratra. Nefa raha mankatoa anareo izy ireo dia, k’aza tadiavana lálana hanoherana azy ireo intsony, (k’aza mila vaniny). Ary tandremo fa, ianareo dia manana zo amin’ny vadinareo. Ary tahak’izany koa ny vadinareo dia manana zo aminareo”. [aT-Tirmithi, hoy Sheikh Albany fa: Hasan]. Ka raha araka ny fahitanay ny fanazavan’ny Tompo Allah swt Ilay be fahendrena ny lalánany, izay tena Mahafantatra ny raharahan’ny mpanompony, ary koa ny fampianaran’ny Irany masina Mohammad saw ny fomba hikarakarana ny olan’ny vehivavy maditra. Ka ny fomba napetrany hanaovana izany dia mandalo ambaratonga telo (3):

 

  1. NY AMBARATONGA VOALOHANY:

Ny tokony hataon’ny ramose dia ny fitadiavana vahaolana amin’ny resaka fananarana sy anatra mba ho vahaolana amin’ny vehivavy maditra, alohany hiditra amin’ny resaka fisaraha-matory. Ary ny fanarahana io ambaratonga io dia tsimaintsy arahina araka ny firaisan-kevitr’ireo manampahaizana. Ny lehilahy dia mila manakaiky ny fon’ny vadiny amin’ny alalan’ny fahatsoram-po na fahalefahana amin’ny fomba firesahana, ary indrindra moa ny miresaka aminy amin’ny teny izay mety hampalefaka ny fony, mba hatsapany fa, zava-dehibe aminao izy.

Mila miseho fa, mankatia sady mirary soa hoazy hatrany ianao (ramose) amin’ny fananaranao azy am’ny lafiny tsara, mba hatsara ny raharahany amin’ny tokantranony.

Fantaro fa, ny anatra dia tsy mivoaka avy amin’ny fo foana (fo poaka), na amin’ny fomba tsy mendrika, fa ny tena izy dia ny fampiasana       teny    mamy             sy        malefaka        aminy,             ary      ny fahamendrehana amin’ny fifandraisana sy fifaneraserana aminy. Ary anisany fomba azo anaovana izany dia; Ny fividianan’ny ramose fanomezana hoan’ny madamo, na koa ny handrenesany teny tsara sy mamy avy amin’ny vadiny (ramose) amin’ny fo feno hafaliana, amin’ny fihetsika mendrika sy mahafinaritra. Ary mazava hoazy fa, ny vehivavy kingasaina sady manana toetra mendrika dia, tokony handray ny anatra avy amin’ny vadiny mba hijerevany ny hoavin’ny tokantranony sy ny zanany. Fa raha toa ka maherisetra sady ratsy fitondran-tena ilay vehivavy, mazava hoazy fa, tsy mahasoa azy ny resaka anatra sy fananarana na torolalana ka, efa lany hery sy tanjaka i ramose amin’izany, ka avy hatrany, dia mila miditra amin’ny ambaratonga faharoa manaraka ilay ramose araka ny toromarika izay nambaran’i Allah swt amin’ny fisaraha-matory (misaraka fandriana).

 

  1. NY AMBARATONGA FAHAROA:

Tokony hitady fomba hafa indray ny lehilahy eto amin’ny fisarahana amin’ny fandriana. Izany hoe; mifanome lamosina (omena azy ny lamosinao) ambony fandriana, ary tsy hifandray aminy amin’ny fifandraisana maha mpivady azy ireo, ary mandritry ny telo andro fotsiny no anaovana izany raha farany betsaka indrindra. Araka ny nambaran’ny Mpaminany saw hoe: “Tsiazon’ny mpino atao no mirafy amin’ny rahalahiny mihoatra ny telo andro”. [Almouwattwa/Mouttafaquoun alayhi].

Anaovana izany dia, mba hatsapany fa, tezitra aminy tokoa ny vadiny. Ary ity no ambaratonga faharoa mba hahafahan’ny vehivavy hijery sy hatsapa-tena mba hiverindalana.

Ary izany telo andro izany dia, fotoana hieritreretana tsara. Satria raha havelan’ny ramose mihotran’izay izy dia lasa mahatsiaro voasazy sady tsisy miraharaha.

Fa raha toa ka tongasaina ka niverindalana izy, nizotra amin’ny lala-mahitsy, dia mila hatsahatry ny ramose amin’izay ny fanasaziana azy amin’ny firafesana aminy. Ary mila mifamela amin’izay izy roa, fa raha sanatria ka manambony tena na maherisetra, ka tsy mahasoa azy mihitsy izany ireny ambaratonga roa voalohany ireny, dia avy hatrany dia miditra amin’ny ambaratonga fahatelo farany.

 

3.          NY AMBARATONGA FAHATELO FARANY

Raha miezaka ny lehilahy mba hanatsara ny fiainan’ny vadiny amin’ny alalan’ny anatra sy fampianarana ary teny mamy sy malefaka, izay fantatra fa maditra, nefa tsisy vokany izany ezaka rehetra izany. Ary koa niditra amin’ny ambaratonga faharoa amin’ny resaka fisarahana amin’ny fatoriana ambony fandriana, nefa mbola tsy nisy vokany ihany. Ka azon’ny lehilahy atao amin’izay ny mananatra ny vadiny amin’ny alalan’ny kapoka izay tsy atao marary na mandratra no sady tsy mamaky rá, ary tsy tokony hisy faritra na kely aza. Izany fomba fananarana izany dia efa nitambaran’ireo manampahaizana rehetra amin’ny fanaovana azy.

Hoy Atwá tamin’i Abdoullah bin Abbas (RA): Inona ary izany kapoka tsisy ratra izany? Namaly izy hoe: Kapoka amin’ny tapakazo kely fiborosina nify, na zavatra mitovy amin’izany!! Fa, nambaran’i Hasan Al-Basri (RA) momba izany kapoka izany hoe: Kapoka tsy mamela ratra na kely. (Izany hoe: kapo-pitiavana raha @teny gasy).

Mifanta amin’i Allah izaho ry mpamaky hajaina! Izany tapakazo fiborosina nify izany dia, zavatra tena kely tokoa, raha hisy angamba mitovy amin’ny crayon kely fotsiny. Moa ve ny fikapohana amin’izany dia sokajiana ho heloka bevava? Raha ny kapoka amin’ny tapakazo kely hoatran’iny sokajinao ho heloka bevava, ndao isika sy anao hiara-hijery ny zavatra izay vokarin’ireo sary mihetsika tandrefana tahaka ny asan’ny Hollywood sy ny hafa mitovy aminy izay manambara antsika fihetsika isankarazany tahaka ny; teny feno hatezerana, (teny ratsy) amin’ny lehilahy anankiray sy ny hafa, na lehilahy sy vehivavy, na ny tale sy ireo mpiasa ambany fahefany.

Ary ny fomba fiasan’izy ireo dia, matetika amin’ny fotoana ifampiresahany dia apetraky ny iray amin’ny hafa ny tondron-tanany mba ho fampitahorana azy. Na koa kapohiny amin’ny tondrony na crayon izay misy amin’ny tanany ny tratran’ny hafa. Ary matetika mihitsy izy ireo no mifanefa-tsofina na mifanefaka tarehy.

Ary matetika koa amin’ny sary mihetsik’izy ireo dia misy indraindray vehivavy miresaka amin’ny vadiny ka miafara amin’ny fanefahan’ny madamo an’ny ramose amin’ny tefaka tena mafy be tokoa amin’ny tarehiny. Na koa ny ramose manefaka ny tarehin’ny vadiny tefaka mafy be, aveo tonga dia lasa mandeha any izy.

Ireo fihetsika retraretra ireo dia, tsy sokajin’ny tandrefana ho herisetra amin’ny fianakaviana sy fiaraha-monina. Fa ny fandraisany azy dia, fahafinaretana izay manosika ny ramose na ny madamo hikapoka na hanefaka ny namany.

Tsy vitan’izay fotsiny fa, mbola antsoina fa; olon’ny fivoarana izy ireo (Ramose&Madamo).

Arak’izay fantantsika tsara fa, ny tefaka amin’ny tarehy dia, tena fady tsiazo atao araka ny finoana Silamo.

Nefa ny zavatra ataon’izy ireo dia, ny fanenjehana ny finoana Silamo, amin’ny fampielezana lainga fa, ny finoana silamo hoy izy ireo dia mamporisika amin’ny herisetra.

Mifanohitra amin’izay tanteraka fa, ny finoana silamo dia manome alalana ny lehilahy izay nampiasa ny heriny rehetra hananatra ny vadiny tamin’ny fandalovana tamin’ny ambaratonga voalohany sy ny faharoa, ka hiditra amin’ny fahatelo rehefa tsy nahomby ny roa voalohany.

Nefa na dia izany aza, ny finoana Islamo dia mbola nanome zo ny vehivavy mba hieritreritra alohany hatongavan’ny ambaratonga fahatelo.

Izany hoe; afaka mangataka fisarahana ilay madamo, ny fisarahana antsoina hoe, khoula’ raha toa ka izay no safidiny, ary hiresaka momba an’izay mihitsy isika amin’ny resaka manaraka raha sitraky ny Tompo Allah Ilay Avo indrindra.

Aoka hazava fa, ireo ambaratoga rehetra ireo mahakasika ny fananarana ny vady, sy ny fisarahana fandriana aminy, izay mifarana amin’ny ambaratonga fahatelo farany amin’ny fanomezana kapoka malefaka an’ny madamo dia tsy midika hahavahaolana rehetra mitranga isanandro amin’ny mpivady. Fa ny tena marina dia, ny olana lehibe no voavaha amin’izany. Ataontsika ohatra amin’ireo olana miseho amin’ny mpivady isanandro dia izao: raha niteny i ramose tamin’ny vadiny hoe; Mandrahoa vary sy trondro ianao androany. Nefa mety hadinon’ny madamo ka, tafahandro vary sy akoho izy. Moa ve mihatra aminy iny andininy masina iny, izay miresaka ny fananarana, sy fisarahana fandriana ary miafara amin’ny kapoka malefaka? !!!!

Mazava hoazy fa, tsia velively. Satria zavatra tsotra kely izany, na dia tsy tokony hilana tsikera aza.

Nefa raha toa ka sendra vehiavavy maditra, ratsy toetra, mafy loha, ary efa araka ny ramose izany tsy fahamendrehana rehetra izany, sady manambony tena no tsy mankatoa tenin’ny vadiny. Raha izany no fandehany, dia tsimaintsy mila fanitsiana sy fanatsarana sy torolalana ary fitsaboana izany vehivavy maditra izany, ary indrindra ny fandravonana ny olana izay sedrainy tahaka ny olona marary izay mila fanafody.

Ndao jerevantsika miaraka ry namana mpamky hajaina! Raha mbola mitohy ity vehivavy ity amin’ny tsy fankatoavany an’ny vadiny sy amin’ny fanambonian-tena, ary ny fihizingizinany amin’ireo fihetsika maro isankarazany izay mitady handrodana ny tokantranony, ary mety hiafara amin’ny fisarahampanambadiana.

Efa niezaka i ramose nananatra azy amin’ny fandalovana ambaratonga maro sady nandaniana fotoana betsaka, nefa ezaka very maina fotsiny. Efa nandalo ny ambaratonga amin’ny fananarana azy, fanoroana lala-mahitsy azy, ary ny fisarahana fandriana matory, nefa tsisy vokany azo tsapaintanana mihitsy.

Ka aiza no tsara indrindra amin’ireto roa ireto? Ny fisarahana, sa ny kapoka malefaka kely?!!!!

Raha ny kapoka no gila, ny fisarahana kosa dia jamba, fantaro fa, ny gila dia tsara lavitra noho ny jamba.

Raha miala amin’ity vehivavy ity izy amin’ny fihetsika rehetra izay ananan’ity vehivavy ity, dia hirodana tanteraka ny tokantrano sy ny fiarahamoniona!!

 

NY FIZARANA FAHA DIMY

NY DIKANY TENY HOE KAPOKA MIARAKA AMIN’NY POROFO AMIN’NY FINOANA SILAMO

Taloha lavitra tsy hijoroan’ireo fikambanana maro isankarazany manerantany izay miteny fa, miaro ny zon’olombelona sy ny vehivavy ary ny ankizy, dia efa teo ny finoana Silamo izay niaro ny zon’olombelona rehetra tsy ankanavaka, nandrara sady nanasazy izay mihoa-pefy amin’ny sazy eto antany sy any ankoatra.

Tsy vitan’ny hoe; nanasazy ny mpanao heloka bevava fotsiny fa, mandrara amin’ny fanaovana ny heloka ny finoana silamo. Ka noho izany dia ny lalana silamo no tena feno sy tongalafatra indrindra noho ireo vondrona maro isankarazan’ireo, izay vao nijoro taty aoriana, fa ny lalana islamika dia efa teo sady efa nihatra nadritry ny 1400 no mahery. ka hoy ny Mpiminany saw hoe: “Ny mpino silamo dia, izay miaro ny vahoaka amin’ny alalan’ny lelany sy ny tanany. Ary ny tena mpino dia izay atokisan’ny vahoaka amin’ny rány sy ny fananany”. [Ahmad, AtTirmithi & AnNasai, ary hoy Sheikh Albany fa; HasanSwahih].

Ary mbola niteny saw hoe: “Tsy mpino izay mpanendrikendrika, na mpanozona, na mpanao asa vetaveta na mpiteny ratsy”. [Al-Boukhari, @Adab almoufrad sy Tirmithi, ary nihitsin’i sheikh Albany].

Ka hoan’izay manontany hoe: Ahoana izao, ny finoana silamo nandidy lalana amin’ny fanafoanana ny herisetra, nefa manome alalana hikapoka vehivavy maditra?!!

Hamaliana izany fanontaniana izany dia, voalohany indrindra tsimaintsy hazavaintsika tsara ny mampiavaka ny fampiharana ny teny hoe; fikapohana vehivavy amin’ny fiainantsika andavan’andro ankehitriny, sy ny fampiharana azy araka ny lalana islamika.

Raha amin’ny fiainantsika ankehitriny no resahina dia, raha misy maheno fa, misy lehilahy anankiray nikapoka ny vadiny, ka avy hatrany fa, tonga dia hieritreritra ratsy sy resaka habibiana izy amin’io lehilahy maherisetra sady miangatra io. Ary io lehilahy io dia mbola mampiasa herisetra amin’ny alalan’ny teny henjana, sady mandaka.

Ny endrika izany vehivavy tratry ny tsindrihazolena izany dia, izay niharan’ny herisetra, ary ny vatany manontolo dia feno ratra sy kaikitra, no sady vakivaky ny vatany rehetra. Ka izay no dikan’ilay teny hoe; fikapohana amin’izao andro iainantsika ankehitriny izao.

Ary anisany traikefa izay azonay amin’ny fiainana eto an-tany dia, ny fihetsika ireo olona mosary hanao herisetra hikapoka ny vadin’izy ireo.

Fa raha niteny aminao aho hoe: Nikapoka lakilaosimbaravarana (manintona lakilaosy) aho, ahoana ary no fahazoanao izany? Moa ve raisinao fa, nanao herisetra tamin’ny varavarana aho?!!

Na koa miteny aho hoe: Hikapoka ohatra hoanao aho (hanome ohatra), moa ve heverinao fa, hanao herisetra zaho amin’ny fanomezana anao ny ohatra?

Ka noho izay rehetra izay dia, hita sady mazava fa, ny teny hoe; “Kapoka” dia miovaova tanteraka araka ny fampiasana azy sy ny tanjon’ilay olona miresaka sy ny toerany ary ny toetrany.

Ary ireo rehetra ireo no mampiditra amin’ny lohantsika fa, ny kapoka tokoa no tanjona amin’izany.

Fa raha amin’ny finoana silamo no jerena dia, hafa tanteraka ny dikan’ilay teny hoe: kapoka raha ampitahana amin’ny fazahoantsika azy amin’ny fiainana ankehitriny.

Satria raha ny dikany amin’ny fiainana ankehitriny no jerevana dia, fady ny fanaovana azy sady heloka bevava araka ny finoana silamo. Ka noho izany dia, mandrak’izay fa tsisy andro hitovizana ireto teny roa ireto, satria ny iray no manafoana ny iray hafa.

Fa raha itsorina izany dia, tsisy hampiasana azy ny teny hoe;fikapohana vady amin’ny finoana silamo, ary tsiazo atao mihitsy izany, satria voarara araka ny lalana velona. Na dia aza ny fanambanimbaniana na herisetra amin’ny fiteny. Satria ny dikany teny hoe; kapoka amin’ny finoana silamo dia tahaka ny familomana ny lakilaosy, izany hoe; kapoka tsotra kely (kapoka fitiavana). Fa ny tena hafatra amin’izany dia, ny fampahafantarana an’ny madamo fa, tsy manaja ny zon’ny vadiny izy. Ka noho izany dia, manana zo hanitsy azy sy hanarina azy ny ramoseny. Ary ny finoana silamo dia efa nametraka ambaratonga maro isankarazany mba handravonana ny olan’ny vehivavy izay mandalo ditraditra sy fihoafam-pefy.

Izany ambaratonga izany dia mialoha ny kapoka izay ambaratonga farany indrindra raha tsy nandaitra ny ambaratonga rehetra voalohany.

Ny finoana silamo dia nametraka didy sy lalana maro dia maro hoan’ny raimpianakaviana (lehilahy), ka raha sanatria ka tsy niraharaha izany izy dia mahazo fahotana amin’izany fihoarany fefin’i Allah izay ataon’ny ramose izany. Ary mendrika ho saziana eto antany sy any ankoatra. Ary izao manaraka izao ireo ambaratonga tsimaintsy tanterahin’ny ramose izany:

 

ANTONKY            NY           FANANARANA             AMIN’NY

ALALAN’NY KAPOKA:

  1. Ny fandravonana ny olana, dia mandalo ambaratonga tsikelikely, amin’ny fampiasany ny ezakany rehetra amin’ireny ambaratonga roa voalohany ireny alohan’ny hidirana amin’ny resaka fikapohana. Izany hoe; anatra, fananarana, ary toro-lalana, ka zay vao miditra amin’ny fisarahana fandriana rehefa matory.
  2. Ary raha miditra amin’ny resaka kapoka, dia tsimaintsy amin’ny fampiasana ny tapakazo kely fiborosina nify, izay tsy mihoatra ny crayon ny hangezany manontolo.
  3. Tsiazony atao no mikasika ny tarehy sy ny faritra marefo rehetra amin’ny vatan’ilay vehivavy. Satria ny finoana silamo dia, mandrara ny fiakasihana ny tarehy, na lehilahy na vehivavy ny olona kapohina amin’izany, na dia fa, biby aza no kapohina. Satria ny tarehy dia, faritra masina sy mihaja. Ary ny fikapohana izany tarehy izany dia, hisy fiantrekany ratsy amin’ilay olona voakapoka. Ary voarara torak’izany koa ny fikasohana ireo faritra marefo amin’ny vatana manontolo, ary hentitra dia hentitra tokoa ny Finoana silamo mahakasika izany. Izany rehetra izany dia, fefin’ny Tompo Zanahary, ary izay mandika izany dia manota.
  4. Tsiazo atao amason’olona ny fananarana, na inona na inona ny toe-jazavatra, dia tsiazon’ny ramose atao ny mikapoka ny vadiny amason’olona, ary indrindradrindra moa amason’ireo zanany. Satria izany fihetsika rehetra izany dia misy fanalam-baraka an’ny madamo no voalohany indrindra. Ary ny faharoa dia, hisy fiantrekany ratsy amin’ny fanabeazana ny ankizy. Fanabeazana tahaka ny inona ary no atolotr’ity raim-pianakaviana ity hoan’ny zanany, amin’ny fikapohany ny Renin’izy ireo anatrehan-dreo na amin’ny toerana izay henon’ny sofin’izy ireo?!!!
  5. Tsiazo atao ny mikapoka izay mametraka taketra ivelany na ratra amin’ny vatan’ny madamo, ohatra hoe: mandeha ra ny vatany, na daroka mamaky na mandratra ny vatany. ary izay lehilahy manao izany fihetsika izany amin’ny vadiny, dia manota izy (mahazo fahotana). Ary karazana lehilahy izany dia, tahaka ny bibidia izay mamolaka taolana, sady tsy mila soa hoan’ny vadiny mihitsy. Fa ny zavatra tadiaviny dia tsy inona afatsy ny hamaly faty an’ny vadiny fotsiny. Nefa izany fihetsika feno habibiana ataon’ny ramose izany dia, vao mainka manosika ny vadiny hanao ny tsy mety. Ka araka ny lalana islamika dia, tsy maintsy hadihadiana momba an’ity lehilahy ity, ary tsy maintsy saziana araky ny lalana velona.

 

NY FIZARANA FAHAENINA

NY FIKAPOHANA VEHIVAVY AMIN’IREO FINOANA HAFA

Ny resaka fikapohana ny vehivavy dia, tsy zavatra mandalo, na misy toerana manokana amin’ny fotoana manokana na amin’ny fiaraha-monina manokana, fa misy sady hita amin’ny fiarahamonina rehetra ary amin’ny fotoana rehetra mandalo eto an-tany, ary tsy ankanavaka. Hoan’izay te hahafantatra tsara ny toeran’ny vehivavy tamin’ireo fiarahamonina rehetra tamin’ny fahagola, dia hita amin’ireo boky izay miresaka manokana mahakasika io raharaha io. Ary indrindra moa nahakasika ny toeran’ny vehivavy amin’ny fiarahamonina Grika, Raomanina, Sinoa, ary ireo karana tamin’ny fahagolantany sns… fantaro tsara, ahoana ny fomba nanaovan’ny finoana jiosy sy kristianina manoloana ny fikapohana miharihary ny vehiavavy. Ary izany dia lasa toetra amampanao ratsy izay niparitaka tamin’ny fiarahamonina fahagola maro isankarazany, na dia tamin’ny fiarahamoniana nisy an’i Jesosy,aza.

Moa efa niresaka mahakasika ny maha fady ny fikapohana ny vehivavy ve i Jesoa zanak’i Maria (AS)?!!!

Moa voaresaka anatin’ny Baibolin’ny kristianina, na amin’ny testamanta taloha na vaovao ve momba ny lalana izay mandrara ny fikapohana ny vehivavy na mankahala izany aza?!!

Amin’ny alalan’ny fikarohana izay natao dia hita fa, tsy misy tokoa izany.

Raha ny lehilahy kristianina mikapoka ny vadiny, moa ve manota izy amin’izany, ary tafiditra amin’ny fanaovana heloka bevava ve izany, ary inona ny sazy tokony hahazo azy, raha araky ny Boky masina?

Mazava hoazy fa, tsy voasokajy ho mpanota ilay ramose, satria tsy misy ao anaty baiboly ny manaporofo izany, na amin’ny testamanta taloha na amin’ny vaovao!!

Ary tsy henjehina ho nanao heloka bevava izy, ary tsy saziana, afatsy hoe; tsikaritra fa, misy vaky na ratra amin’ny vatan’ny madamo noho ny vono izay nahazo azy. Fa raha toa ka tsy misy famantarana miharihary (Mangana ny tarehy), dia ahoana ary ny fanaporofoana izany!!!

Ny fandikana hafa ny fikapohana tsy mandratra dia, tsy voasazy amin’izany ny lehilahy, na araky ny finoana na araky ny lalana izay misy amin’izy ireo.

Ary ndao tsika zao hjery amin’ny finoana jiosy sy ny Bodista koa; moa ve voarakitra amin’ny bokiny ny lalana na fepetra mandrara ny fikapohana ny vehivavy?!!!

Mazava hoazy fa, tisy didy ara-pinoana ka mandrara ny fikapohana ny vehivavy afatsy ny finoana silamo irery ihany!!! Na dia taorian’ny fanovana ny fikapohana ny vehivavy avy amin’ny tsiazo atao ka natao ho tsy tsara atao (Haram-Makrouh), dia mbola ny finoana silamo irery ihany no nandidy amin’ny tsy tsara hatao ny fikapohana ny vehivavy!!

Fa, ny finoana rehetra ankoatry ny finoana Silamo dia, tsy manan-dresaka mihitsy mahakasika ny fikapohana ny vehivavy, izany hoe; tsy ny fandrarana na ny fankahalana ny fanaovana azy.

Ary tahaka izany koa fa, tsisy finoana manome antoka sy fetra amin’ny fikapohana ny vehivavy, afatsy ny finoana silamo irery ihany. Izany hoe; raha tsy hain’ny lehilahy kristianina anankiray izany ny hataony momba an’ny vadiny ka tafakapoka an’ny vadiny izy amin’izany, dia inona ary ny antoka sy ny fepetra izay tsy maintsy harahiny mba tsy hihoa-pefy?

Moa ve voarakitra amin’ny finoana kristianina ny fepetra mahakasika ny fikapohan’ny ramose ny vadiny, ohatra amin’ny tsy tokony hikapohana ny tarehiny, na tsy tokony hamela ratra na taketra amin’ny vatan’ny madamo zany ny vono izay ataon’ny ramose, inona ary ny fepetra misy amin-dreo…sns?

 

Tena marina fa, tsia.

Hoan’izay mandinika ny toe-java misy amin’ny fiainantsika andavanandro ankehitriny, dia hahita izy fa, misy tarehimarika lehibe amin’ny lehilahy kristianina no mikapoka ny vadin’izy ireo, sy ny jiosy ihany koa ary ny karana,sy olona maro isankarazany ankoatry ny mpanaraka ny finoana Silamo. Mba jerevo tsara moa ny mpandraharaha ny voafonja sy ny raharaha any amin’ny fitsarana Amerikanina sy any Eropa, mba hahita tarehimarika lehibe ianao raha mitanisa ireo lehilahy tena manao herisetra amin’ny vehivavy sy ny ankizy!!!!

Na ry zareo Arabo ihany koa anisany nanao herisetra tamin’ny vadin’izy ireo talohan’ny finoana silamo, ka mikapoka ny vadiny tahaka ny fikapohana andevo, ary izany dia zavatra tsotra kely tamin’izy ireo. Nefa herisetra izay tsisy lalána na fepetra manameloka izany ka mba hiteny hoe; voarara sady heloka

bevava ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy.

Ka rehefa tonga ny Mpaminany Mohammad saw, dia nanameloka sady nanohitra mafy an’io fihetsika ratsy io, ka niteny izy hoe: “Misy aminareo mety mikapoka ny vadiny tahaka ny fikapohana andevo, nefa rehefa hariva ny andro dia, mbola miara matory aminy”. [Mouttafaquoun alayhi, fehezantenin’i Boukhari].

Jerevantsika tsara io tenin’ny Mpaminany saw io, fa tena nitsikera sady nanameloka an’izay lehilahy manao herisetra amin’ny vadiny amin’ny antoandro, nefa rehefa hariva ny andro dia miara matory aminy!!

Na koa afaka ataontsika hoe; Amin’ny antoandro izy dia mahery fo amin’ny madamo, kanefa amin’ny hariva dia mitady ny fahalefahany sy safosafony izy!!

 

IREO TANTARA MARO ISANKARAZANY MIRESAKA NY TOERAN’NY VEHIVAVY ARAKY NY BAIBOLY TALOHA SY NY VAOVAO:

Henontsika matetika araka izay avoitran’ireo mpanaraka ny finoana kristianina fa, Jesoa Zanak’i Maria (AS) no mpiaro voalohany ny zon’ny vehivavy. ary izy irery ihany no nanome zo ny vehivavy, izay tsy nomen’ireo finoana marobe hafa isankarazany, araka ny nambaran’izy ireo.

Ary mbola araka ny nambarandreo fa, ny Baiboly no nanandratra sy niaro ny vehivavy!!!

Ka ny fanontaniana mipetraka dia, moa mihatra amin’ny toerany tokoa ve io resaka io?!!!

Ny rehetra dia mahafantatra fa, ny baiboly dia mandrara ny tsy hidiran’ny vehivavy amin’ny temple anatin’ny fiangonana, satria ao no misy ny zavatra masina rehetra na ny sorona masina. Ary izany fandrarana ny vehivavy tsy hiditra amin’ny toerana masina izany dia, tsy hifidianana taona fa, rehefa vehivavay dia tsy ekehiny, na ankizy vavy kely, na saramba, na tanora vavy, na vehivavy lehibe. Ny olana dia, tsisy hifandraisany amin’ny taona fa, noho izy vehivavy.

Tsy voaresaka amin’ny boky masina, na amin’ny testamanta taloha na ny vaovao ny fahazoan’ny vehivavy miditra amin’ilay temple anatin’ny fiangonana. Fa ny vehivavy dia, tsy mahazo miteny mihitsy anatin’ny fiangonana, ary tsy mahazo na mampianatra na iza na iza mihitsy any ampiangonana.

Ary ny vehivavy dia, tsy mahazo toeran’ny Mpitandry, afatsy ny fanaovana asa madinika ambany. Izay lazaina fa, asan’ny mpiasa!!!!

Ny baiboly dia, efa nanome antsika ireo anaran’ny mpitandrina marobe fa, lehilahy daholo izy ireo. Na ireo Mpitandrina Papa Patricks voalohany tahaka ry: Noa, Joba, Abrahama, Isaka, Jakoba, na koa ireo Harounista, na mpitandrina Malaky Swadik, na ireo Iraka mpitandrina sy ireo mpandimby azy ireo amin’ireo mpitarika fivavahana, dia lehilahy daholo izy ireo. Ka raha toa ka tsimaintsy hitazona toerana amin’ny fiangonana ny vehivavy dia, i Maria (Mariamo) izay lavitry ny asa ratsy sy fanendrikendrehana mba tokony ho voalohany amin’izany. Fa raha araka ny fampianaran’ny fiangonana dia fady amin’izay tanteraka ny vehivavy!!!!

 

NDAO TSIKA HITONDRA RAKI-DALALANA VITSIVITSY AVY AMIN’NY BAIBOLY MBA HAHITANTSIKA NY FIAINAN’NY VEHIVAVY SY NY TOERANY

  1. NY VEHIVAVY DIA SAZINA NOHO NY FAHOTAN’NY VADINY

 

Amin’ny bokin’ny Armia (23:34):

Ny Mpaminany, na ny mpitandrina, na ny vahoaka, izay miteny fa: Ny faminanian’ny Tompo, dia ho saziko izany lehilahy izany sy ny tranony.

  1. FANDORANA         HO     MAY NY      VEHIVAVY

MPIJANGAJANGA:

 

Boky Lawina (21:9) :

“Raha tratra amin’ny fijangajangana ny zanaka vavin’ny mpitandrina, dia manitsakitsaka ny dadany izy izany, ka

tsy maintsy dorana amin’ny afo”.

 

  1. FANAPAHANA TANAN’NY VEHIVAVY NOHONY ANTONY TSY EKEHIN’NY SAINA;

 

Amin’ny Bokin’ny Deuteronomia (25:11):

“raha miady ny lehilahy anankiroa, lehilahy anankiray sy ny rahalahiny, ka avy ny vadin’iray amin’izy ireo handrava ny ady, amin’ny fanalana ny vadiny amin’ilay olona miady azy, ka nalefany ny tanany ka nahavoaray ny henatry ny lehilahy iray miady an’ny vadiny, ka tapaho ny tanany fa, k’aza mangoraka azy ny masonao”.

 

  1. NY VEHIVAVY NISARA-BADY SY NY MATY VADY ARY NY MPIJANGAJANGA DIA MITOVY DAHOLO:

 

Bokin’ny Lawina(21:9):

“Ny mpitandrina lehibe indrindra … dia ny vehivavy verijiny madio no alainy ho vady. Fa raha ny maty vady, nisara-panambadiana, ny vehivavy maloto, ary ny mpijangajanga dia tsy alainy. Fa maka vehivavy madio avy amin’ny vahoakany ho vady. Ary tsy handoto ny voliny anatrehan’ny vahoakany, satria izaho no tompo mpanamasina azy”.

 

  1. FANETREN-TENAN’NY VEHIVAVY NISARABADY HOAN’NY VADINY:

 

Hafatry Paul hoan’ireo Afsosy (5:22):

“Oh, anareo vehivavy! Manetre-tena amin’ny lehilahinareo ianareo tahaka hoan’ny Tompo. Satria ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, tahaka i Mesia ihany koa lehiben’ny fiangonana. Ary izy dia natokana hoan’ny vatana. Ary tahaky ny fiangonana hoan’ny Mesia. Ary tahak’izany koa ny vehivavy hoan’ny vadin’izy ireo amin’ny zavatra

rehetra.”

 

  1. NY TSY MAINTSY HIPETRAHAN’NY VEHIVAVY AMIN’NY FAHANGINANA             REHEFA      ANATY FIANGONANANA:

 

Ny hafatry Paul voalohany tamin’ireo Korinthos (14:34):

“Aoka mba hangina daholo ny vadinareo rehefa am-

piangonana, satria tsiazon’izy ireo atao no miresaka, fa mila manetri-tena, araka izay nambaran’i Gabriel ihany koa. Fa raha te hianatra izy ireo dia, afaka manontany ny vadin’izy ireo any an-trano. satria zava-dratsy izany raha ny vehivavy hiresaka am-piangonana”.

 

  1. NY VEHIVAVY NO ANTONY FAHAVEREZANA:

Hafatry Paul voalohany amin’i Thimotos (2:11):

“Ny vehivavy rehefa mianatra dia mila mangina amim-panetren-tena. Fa zaho dia tsy mamela ny vehivavy hampianatra ary tsy hanohitra ny vadiny, fa mila atao mangina hatrany. Satria Adama dia tendrombohitra, no sady voalohany, zay vao Eva. Ary Adama dia tsy nivadika. Fa ny tena marina dia ny vehivavy no nivadika ka lasa nandika-lalána. Nefa izy (vehivavy) rehefa miteraka dia efa an’azy izay. Raha toa ka mifikitra mafy amin’ny finoana izy ireo, sy ny fifankatiavana, ary ny resaka zavatra masina

miaraka amim-pisainana”.

 

  1. NY FAHEFAN’NY LEHILAHY AMIN’NY VEHIVAVY:

Hafatra Voalohany an’i Patrice (3:1):

“ka izao izy ry vehivavy, manetre-tena hoan’ny vadinareo ianareo. Aoka mba tsy hampiseho haingo ivelany ianareo, amin’ny fanamboarana volo, fampiasana volamena sy ny fitafiana akanjo, satria izany dia hampiditra fakampanahy amin’ny fon’ny sasany, fa mba fampihaingoana ny fanahy mba ho tony, izay nanome ezaka betsaka hamalifaliana ny Tompo. Satria ireo vehivavy madio teo aloha, izay manankina ny fitokisany amin’ny Zanahary, dia nihaingo sady nanetritena hoan’ny vadiny. Ohatra amin’izany Sarah, izay nankatoa an’i Abrahama sady miantso azy amin’ny maha Ramoseny azy”.

Le voyage de creation (22:16):

“Ary niteny tamin’ny vehivavy: Ataovy betsaka ny fitiavanao, amin’ny tehoka no hiterahanao ny ankizy. Ary aoka mba hoany amin’ny lehilahinao ny fanirianao, ary izy no mitondra anao”.

 

  1. NY FANORAHANA VATO MANDRAPAHAFATINY NY VEHIVAVY NIJANGAJANGA:

 

Deuteronomia (22:13):

raha naka vehivavy ny lehilahy anankiray, rehefa hiaraka aminy izy dia nahatezitra azy (vevavy) no nataony, ary nampihenoany teny maro isankarazany, ary anarana ratsy no naeliny momba azy (vevavy), ary miteny izy hoe: Hamafisina fa, ity vehivavy ity dia nalaiko, ka rehefa nanakaiky azy aho hitako fa, tsy verijiny intsony izy. Ka raisin’ny dadany sy reniny ilay ankizy vavy any amin’ny Lehibe amin’ny Tanana any, ary mivoaka varavarana, mba hanambaran’izy ireo ny famantarana fa mbola verijiny ny zanany vavy… ka raisin’ireo Lehibe ireo io lehilahy io, anarina, ary saziana ampandoavina onitra volafotsy 100... nefa raha toa ka marina tokoa ilay zavatra, dia tsy manana fialantsiny intsony ilay saramba vavy. Ka havoakan’izy ireo ilay saramba vavy mankany amin’ny varavaran’ny dadany. Ary ny vatan-dehilahy amin’ny Tanana misy azy no hitora-bato azy (vehivavy) mandrapaha hofaty”. Le voyage de creation (22:22):

“Raha misy lehilahy matoritory miaraka amin’ny vadin’olona, dia tsy maintsy vonoina izy roa. Ka miala amin’ny Israely ny haratsiana”. Le voyage de creation (22:23):

“Raha misy vehivavy mbola verijiny, efa nisy nampiakatra. Nefa tratra niara-natoritory amin’ny lehilahy amin’ny Tanana, dia tsy maintsy avoakan’izy ireo ny Tanana izy roa ireo ary torahana vato mandrapaha hofaty”.

 

  1. NY TOERAN’NY VEHIVAVY DIA AMBANY NOHO NY LEHILAHY:

 

Hafatra voalohany avy amin’ny Paul hoan’ireo korenthos (11:3): “Tiako ho fantatrareo fa, ny lohan’ny lehilahy tsirairay dia, i Jesosy, ary ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andiananahary no lohan’ny Jesosy. Ny lehilahy tsirairay rehefa mivavaka, na mianatra dia manao zavatra amin’ny lohany. Fa ny vehivavy kosa raha mivavaka na mianatra dia tsimaintsy misarondoha izy. Satria izy sy ny vehivavy sola-loha dia mitovy araka ny fahitany azy. Ary raha tsy misarondoha ny vehivavy dia tokony ho tapahany ny volony.

Fa raha toa ka hitan’ny vehivavy fa, ratsy izany boriana na tapahina volo izany, dia tokony handrakotra ny lohany izy. Ny lehilahy dia tsy terena handrakotra ny volony, satria izy dia soran’ny Tompo sy voninahitriny. Fa ny vehivavy kosa dia, voninahitry ny lehilahy. Satria ny lehilahy dia tsy avy amin’ny vehivavy fa, ny vehivavy no avy tamin’ny lehilahy. Ary ny lehilahy dia tsy namboarina nohony antony vehivavy, fa ny vehivavy no namboarina nohony lehilahy. Ka noho izany dia, ny vehivavy mila manana fahefana amin’ny lohany, noho ny antony ireo Anjely”.

 

  1. NY FAMPIANARANA DESKOLIKA HOAN’NY VEHIVAVY:

 

Ny fizarana faharoa amin’ny fampianarana deskolika izay mitondra ny lohateny hoe (tsimaintsy manetri-tena amin’ny vadiny ireo vehivavy ary maneho hafaliana amim-pahendrena) miteny izy hoe: “Tokony hanetri-tena amin’ny ramoseny ny vehivavy, satria ny lehilahy no lohan’ny vehivavy. Tahoro ny vadinao ry vehivavy. Mahatsiarova menatra aminy, ary ataovy ny zavatra hafaly azy irery aorin’ny Tompo Andriananahary. Anisany ohatra nambaranay hoe: Ampiadano izy amin’ny fikarakaranao azy, mba hiadanan’ny vadinao aminao. Raha te ho mpino tokoa ianao, ary te ho sambatra anatrehan’ny Tompo Andriananahary, ary k’aza mihaingo ka hamalifaly ireo lehilahy tsy havanao. Kaza faly mitafy an’ireny lamba manaitra sy manify ireny izay tsy mendrika afatsy ireo mpijangajanga ny hitafy an’izany, mba tsy hanaraka anao ireo mpihaza ny mitovy aminao. Kaza manao ireo asa ratsy ireo ianao fa, ho mpanota. Satria hamafisina fa, hanenina ianao irery amin’ny fihaingohaingoanao io. Ary avy aminao mihitsy no manery izay olona mahita anao hanara-maso anao ary hatsiaro mahazo fahafinaretana amin’izany. Maninona ary ianao no tsy miarotena mba tsy ho latsaka amin’ny fahotana? Ary k’aza miantso olona ianao mba ho latsaka amin’ny fakampanahy noho ny antony anao. Ary raha diso ianao amin’ny fanaovanao izany fihetsika izany, ka ho tafiditra anatin’ny fahotana koa ianao. Satria mety avy taminao ihany no nahatonga ilay lehilahy tratran’ny fakampanahy. Raha avy taminao nahatonga ny olona anankiray latsaka amin’ny fakampanahy amin’io asa ratsy io indray mandeha fotsiny, ka mety izy (lehilahy) no nahatonga anao hampiditra ny maro amin’ny asa ratsy, raha toa ka tsy dia nanana faniriana ianao, araka izay ambaran’ny Baiboly hoe:

(Raha tafiditra lalina amin’ny asa ratsy ny mpihatsaravelatsihy, dia tsimaintsy sintomina ary atao marary mafy izy,

(faizina). Raha Izy rehetra ireo dia manao tahak’izao daholo dia hiharan-doza amin’ny hadisoany, ary mihaza ny fanahin’ireo vendrana amin’ny fikorontanana tanteraka. Mba ho fantatrao ny ambaran’ny Baiboly momba ireo mandainga amin’ireo izay miteny toy izao: Ny vehivavy ratsy fitondrantena dia tezitra mihoatran’ny fahafatesana, ary izy ity dia anisany voahaza hoan’ireo vendrana). Ary amin’ny toerana hafa dia miteny ihany koa hoe: (Ohatra Davida misakafo amin’ny hazo, hoatr’izany no hamonoan’ny vehivavy ratsy an’ny vadiny). Ary miteny koa hoe: (Tsara izany! Ny toerana amin’ny zoron-trano, tsara lavitra noho ny fipetrahana miaraka amin’ny vehivavy tsy matotra na /mpamitaka. Raha te ho mpino ianareo ry vehivavy kristianina kaza maka tahaka an’ireo vehivavy ireo. Mifikira tsara amin’ny vadinao irery ihany ary ataovy ny fomba hafalifaly azy. Raha mandeha andalana ianao (vehivavy) dia rakofy ny lohanao amin’ny lambanao. Satria raha mirakotra noho ny fiarovana ny hasina dia ho voaaro avy amin’ny fijerin’ireo olona maditra. kaza asiana haingo ny tarehinao izay namboarin’ny Tompo

Andriananahary, satria tsisy zavatra tsy ampy hatsarana intsony ao aminy (tarehy), ary ny zavatra rehetra namboarin’i Allah dia tsara daholo, ary tsy mila haingo intsony, ary izay manampy haingo ankotr’izay dia, manova ny hasoavan’i Allah. Ary ny famindranao sy ny fijerinao dia mila mijery ambany, ary ianao voarakotra avy amin’ny faritra rehetra, amn’izay mba lavitra an’ireo mpanadala miaraka amin’ny lehilahy. Maro amin’ireo vehivavy dia sakaiza ratsy, ary ny mpino vavy dia tsy mahazo mandro miaraka amin’ny lehilahy. Ary raha manao saron-tava izy dia noho ny tahotra amin’ny fijerin’ny lehilahy vahiny (tsy

Havana)…

Ny zavatra izay tsimaintsy ataonao dia, tsimaintsy mandositra ny fahavetavetana isankarazany, ary filefasana avy amin’ny fijerevan’ny maro… (Hamafisina fa, ny fipetrahana an-tany dia tsara lavitra noho ny fipetrahana miaraka amin’ny vehivavy be vava sady maditra)”.

 

NY FIZARANA FAHA-FITO

Ny fikapohana vehivavy amin’ny fiarahamonina Kristianina tandrefana

Maro ireo fahavalon’ny finoana silamo no te hampivoitra ny karazana fanakorontanan-tsaina mahakasika ny finoana Islamo.

Anisan’izany ny resaka fikapohana ny vehivavy, amin’ny fampiasana andininy sasantsasany avy amin’ny Kor’any sy ny Tenin’ny Mpiminany saw. Ny resaka rehetra dia manohitra ny fanakorontanana ataony, ary lasa tavela hoazy ny teti-dratsin’izy ireo. Raha ny resaka fikapohana amin’ny finoana silamo dia, mampahatsiahy ampahany kely fotsiny amin’ny resaka efa nandalovana sy ny resaka aorian’izay. Miezaka izy ireo amin’izany mba hanaparitaka ny fanakorontanan-tsaina lainga mba handratsiana ny Finoana silamo, nefa manalavitra ny fahamarinana izy ireo. Ary tsy amin’ny tena toerany no ampidirany ny resaka fa, amin’ny fomba mitoetra ho fanenjehana izay mamokatra fikorontanan-tsaina na tsy fahazoana mazava ny tena fahamarinana, ary ny tanjon’izy ireo amin’izany dia ny fanaparitahana lainga foronina hanenjehana ny finoana silamo. Nefa izy ireo mihevi-tena ho olona mivoatra sady madio amin’ny fifandraisany amin’ny vehivavy ary indrindra amin’ny vadin’izy ireo. Nefa ny mampalahelo dia, izy ireo dia mampikipy ny masony manoloana amin’ny tena fahamarinana manaraka izao:

 

voalohany: hamafisina fa, ny finoana silamo dia ny finoana tokana izay manondro sady manambara ny fifandraisan’ny indra-fo sy fitiavana amin’ny mpivady. Izay finoana tokana manakana ny herisetra sy ny fampijaliana, na izany amin’ny alalan’ny fiteny na fihetsika, ka hoy Allah swt hoe: “Ary anisany famantarana avy aminy, no nahariany ho anareo avy aminareo ny vadinareo. Mba hiainanareo amim-pilaminana miaraka aminy, ary dia nasiany fifankatiavana sy hatsaram-panahy teo aminareo”. [Ar-Roum, and:21].

Fantatra mazava fa, ity fifankatiavana sy hatsaram-panahy ity dia, tsy hisy raha tsy amin’ny alalan’ny fifanarahana marina sady azo atao araky ny lalána.

Faharoa: ny finoana silamo tokana no manameloka ny fikapohana ny vehivavy sy ny fanitsakitsahana azy, sy ny fanambaniana azy amin’ny fijery ary amin’ny fomba maro isankarazany. Ka hatry ny 1400 taona no nandalo dia, nefa voasokajy ho ambanin’ny lehilahy foana ny vehivavy. Na dia, hitady anatin’ny Baiboly masin’ny kristianina isika, na amin’ny testamanta taloha izany na tamin’ny testamanta vaovao,dia tsy hahita na famantarana akaiky na lavitra manaporofo fa, fady tsiazo atao ny fikapohana ny vehivavy.

Fahatelo: hamafisina fa, ny finoana silamo dia, mamporisika amin’ny fifandraisana tsara amin’ny vehivavy. Ireo andininy Koranika sy ny Tenin’ny Mpaminany SAW rehetra ireo, izay misy fifandraisany amin’ny resaka tokantrano, ka mamporisika amin’ny fifandraisana mendrika, ary mila mifanao-soa ny mpivady, satria miteny Allah swt momnba izany manao hoe: “Ka hoan’ireo vehivavy, dia manan-jo ho entina tsara mifandanja amin’ny adidy takiana amin’izy ireo”. [Albaqarah, and:228].

Fahaefatra: ny finoana silamo dia nametraka ny fifandraisana rehetra amin’olombelona ho fifandraisana madio, ary indrindra moa amin’ny mpivady, izay ahazoana fahasoavana betsaka sy valisoa makadiry. Hoy ny Mpaminany saw hoe: “Izay famatsiana ataonao amin’ny fitadiavana ny sitra-pon’i Allah dia hanomezan’i Allah valisoa hoanao noho izany. Na dia ny ventim-bary izay ampidirinao am-bavan’ny vadinao aza”. [Mouttafaquoun alayhi].

Fahadimy: ny finoana silamo dia nanome alalana hikapoka ny vadiny araka ny toejava misy fa, tsy hoe; fototra hijoroana. Nefa misy fepetra maro izay manery ny lehilahy tsy tonga dia hiroso amin’izay mihevitra fa hoe vahaolana, afatsy amin’ny toe-javatra mafampana manokana, ary raisina mba ho fara-hevitra mba tsy hihitatra amin’ny faharavan’ny tokantrano sy fahapotehan’ny fiarahamonina. Ary izany dia miankina amin’ny karazana vehivavy, satria tsy mitovy daholo ny vehivavy rehetra mandritra ny taonjato rehetra mandalo eto antany sy ny fiarahamonina rehetra tsy ankanavaka ary koa ny fianakaviana. Izany hoe, ny vehivavy jiaby zany dia, tsy mitovy aby. Ny zavatra izay tsy mahasoa ny fiarahamonina anankiray dia tsy hahasoa ny fiarahamonina hafa ihany koa, fa vao mainka handrodana ny fiarahamonina mihitsy. Izay fifandraisana tsy mahasoa ny vehivavy anankiray dia tsy hahasoa ny vehivavay hafa amin’ny fiarahamonina anankiray hafa na amin’ny taonjato hafa, na dia miezaka tahaka ny inona ianao hanarina izany fiarahamonina izany, raha araka ny fomba fijerin’ny finoana silamo.

Fahaenina: Ny herisetra amin’ny fianakaviana dia tena miparitaka betsaka manerana ny firenena maro amin’izao tontolo izao, na amin’ny firenena izay heverina fa, efa tena mivoatra sy mandroso amin’ny andro ankehitriny. Firy amin’ny lehilahy kristianina tandrefana manao herisetra amin’ny vadiny amin’ny fomba miharihary imasombahoaka tahaka amin’ny; Seranam-piaramanidina, toeram-pisakafoanana, na amin’ny toeram-pisotroana na eny an-dalana ifaneraseran’ny daholo-be. Tsy miafina na hoe; tsy amabara-telo izany, fa mivoaka manerana ny haino amanjery maro isankarazany amin’ny fomba samihafa. Ary firy koa ireo vehivavy kristianina tandrefana amin’ireny firenena tahaka ny any: Amerika, kanada, sy any Eropa ary Australia, milahatra any amin’ny sehatry ny polisy (mpitandro filaminana) hitaraina noho ny vono sy kapoka izay sedrain’izy ireo amin’ny tokantranony izay ataon’ny ramose amin’ny vadiny. Ireo fitarainana ireo dia tsy resahim-potsiny hotran’izao fa, miaraka amin’ny porofo mivaingana sy marim-pototra sy tranga miharihary hitan’ny rehetra tahaka ny efa lasa. Ary ambaranay eto fa, na dia gila-maso, na mangana ny maso, na mibongina ny tarehy, dia vokatry ny kapoka sy daroka ihany. Ary izay mitady na manontany any amin’ny polisy misahana ny zon’ny fianakaviana any Amerika sy Eropa ary Australia dia, hahita ny fahamarinana mazava momba izany.

 

Ny fiparitahan’ny fanaovana herisetra amin’ny fikapohana amin’ny fiaraha-monina Tandrefana

Amin’ny resaka mahakasika ny fiparitahan’ny fampiasana herisetra amin’ny fianakaviana any Andrefana, izay milaza fa mandroso izy, ary indrindra moa ny fivoaran’ny olombena fa, tsy resaka ara-materialy, arak’izao manaraka izao;

  1. Ny fiparitahan’ny orinasa sy vondrona ara-panjakana na tsy miankina any amin’ny firenena eropeana, izay manetsika olan’ny herisetra sedrain’ireo vehivavy sy ny vono mahazo ny fianakaviana, nefa tsy vitany akory no mandamina izany olan’ny herisetra mahatsiravina mahazo ny vehivavy izay.
  2. Ireo fampitam-baovao miverim-berina matetika amin’ny haino amanjery isankarazany izay mamporisika amin’ny fahatongavan’ny vaovao amin’ny isantokantrano amin’ny fomba izay tena haingana tokoa, mahakasika ny herisetra izay ataon’ny mpifanolobodirindrina anankiray amin’ny vadiny?
  3. Izao daholo anisany fanontaniana matetika mipetraka hoan’ny isantokantrano amin’ny fiarahamonina maro

isankarazany any Andrefana:

Efa nikapoka vadinao ve ianao tamin’ny fiaiananao?

Efa hitanao na henonao ve, fa ny dadanao nikapoka ny reninao indray andro?

Efa henonao talohan’izao fa, efa nisy amin’ny fianakavianao no efa nikapoka ny vadiny?

Efa henonao koa ve indray andro, fa nisy mpifanolobodirindrina efa nikapoka ny vadiny?

 

Ny tanjona hitondrana ireto fanontaniana ireto dia, mba hanaporofoana fa, tena misy miharihary tokoa ny herisetra amin’ny vehivavy izay ataon’ny vadin’izy ireo Kristianina maneran’ny Eropa, Amerika sy Kanada ary Australia, ary izany dia miparitaka amin’ny fomba tena haingana tokoa. Ary ny farany, dia mazava hoan’izay rehetra mahitsy fa, ny Finoana Silamo no manome hatsarana sy voninahitra hoan’ny vehivavy. Ny finoana tokana manome lanja ny vehivavy, mamotsotra azy avy amin’ny hasarotana izay sedrainy, ary miaro azy avy amin’ny zavatra izay mety handrangotra na handratra azy sy izay mety hanimba ny voninahitriny sy ny hasiny. Ary ny finoana Silamo no mampitandrina hatrany an’izay manao tsindrihazolena amin’ny vehivavy, ka hoy ny Mpaminany masina Mohammad saw hoe: “Izaho dia mandray ho mpanao ratsy izay manitsakitsaka ny zon’olona marefo anankiroa; Ny Kamboty sy ny Vehivavy”. [Ahmad, AnNasai, Ibnou Majah, @Sahih Al-Jami’:2447].

 

 

 

NY FAMARANANA

Hamafisina fa, ny finoana Silamo dia, hafatra mandrak’izay avy amin’i Allah swt, izay nalefany hoan’olombelona rehetra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Mohammad saw.

Ary tena efa naelin’ity hafatra amin’ny Tompo Zanahary ity hatry ny fotoana voalohany nidinany teto an-tany mahakasika ny maha ambony ny olombelona amin’ny zava-boahary hafa izay namboarin’i Tompo Andriananahary. hoy Izy manao hoe:

“Hamafisina fa, nomeko haja ireo taranak’i Adama. Nentiko teny an-dranomasina sy teny an-tanety izy ireo, nomeko sakafo tsara, ary notiaviko manokana mihoatra ny maro amin’ireo zavaboahariko”. [Al-isrá: and:70].

Taoriany famaritan’i Allah swt tamin’ny zanakolombelona ny lanjany, izany hoe; ny zanakolombelona no voasafidy ambony indrindra anatrehan’ny zavatra rehetra namboariny.

Tompo Andriananahary dia nanambara fototra anankiray izay mahakasika indrindra ny fitovizana (L’égalité) amin’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, momba ny fototra sy fakan’izay nipoiran’ny zanakolombelona. hoy Allah swt ao amin’ny Boky masina Kor’any manao hoe: “Oh ry Olombelona! Aoka ianareo hatahotra ny Tompo Zanaharinareo Izay Nahary anareo rehetra avy tamin’ny vatana tokana”. [An-Nisa, And:1].

Ka avy amin’ity fiaingana ity no itovizan’ny olombelona amin’ny olombelona hafa mitovy aminy, amin’ny lanja samy mahaolombelona.

Ny tsirairay dia afaka omena fahafaha miteny sy ny fanehoan-kevitra, ary ny fahazoana tombontsoa amin’ny zavatra tsara namboarin’i Allah swt eto an-tany, avy amin’ny hasoavana sy hatsarana maro isankarazany.

Raha misy fisamihafana amin’izy ireo, mazava fa, tsy resaka fisamihafana amin’ny fihaviana, na sora, na rá. Na tsy mitovy ny kilasy misy azy ireo amin’ny resaka fiainana eto an-tany, dia tsy hampiavaka azy ireo amin’ny mahaolombelona azy ireo izany. Tsy voninahitra anatrehan’i Andriananahary, ny fisamihafana amin’ny karazana amin’ny fihaviana, na loko (sora), na rá. Satria mitovy daholo ny rehetra anatrehan’i Allah swt, na lahy izany na vavy, na mpanankarena na mahantra, na manamboninahitra na olon-tsotra.

Fa ny hampiavaka ny olombelona dia, noho ny halavirany na ny fanakaikezany ny fampiharana ny lalánan’ny Tompo Allah swt, ary ny fijoroany matotra amin’ny lálan’ny Tompo Andriananahary, izay lálana marina. Ka hoy Allah swt manambara sy manazava amin’ny zanakolombelona momba an’io fototra fipoirana lehibe io, manao hoe: “Oh ry Olombelona! nohariako avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataoko ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny tena mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’i Allah, dia izay tena vontompinoana indrindra”. [Al-Houjouraty, and:13].

Ny fampianaran’ny Finoana Silamo, no mametraka ny olombelona amin’ny rahalahiny (@olombelona mitovy aminy) amin’ny toerana mitovy, izany hoe: amin’ny fihariana sy ny voninahitra amin’ny mahaolom-belona.

Tahak’izany koa ny vehivavy dia mitovy amin’ny lehilahy amin’ny zavatra rehetra, afatsy amin’ny zavatra izay mazava fa, efa natokana hoan’ny lehilahy ny fanatanterahana azy. Ka hoy Tompo Andriananahary manao hoe: “Ireo mpino lahy sy vavy dia, mpinamana akaiky”. [At-Tawbah, and:71].

Ary mbola miteny Allah swt manao hoe: “Ary namaly azy ireo ny Tompo Zanaharin’izy ireo ka nanao hoe: Hamafisiko aminareo, fa Izaho dia tsy manary velively ny asan’izay niasa taminareo, na lahy izany na vavy”. [Al-imran, and:195].

Mety angamba raha mba resahina eto antsipirihany ny hevitra mahasoa sasan-tsasany:

 

  • Afaka miteny aho amin’ny zavatra izay azoko antoka fa, marina ny momba azy fa, ny vehivavy dia mbola tsy nahazo ary mbola tsy hahazo ny zony ara-dalána sy ny fahalalahana natioraly tanteraka, raha tsy ambany alokan’ny Finoana Silamo. Satria ny Islamo dia finoana voajanahary, izay napetraky ny Tompon’ny Olombelona, lahy na vavy. Satria koa manko, Izy Allah no Mahafantatra ny zavatra mahasoa azy ireo amin’ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra.
  • Isika dia tsy tokony hitsara ny Finoana Silamo, noho ny zavatra ataon’ireo sasany izay mihevi-tena fa, mpino silmo izy ireo mba hanimba izany finoana silamo mendrika izany.

Maro amin’ireo miteny fa, mpino silamo dia tsisy maha mpino silamo azy ireo na kely aza. Satria ny Finoana Silamo dia tsy vitan’ny fitenenana ny “Fijoroana vavolombelona” fotsiny. Fa ny finoana Silamo dia; foto-pinoana arahin’asa. Ataontsika ohatra amin’izany hoe: Olona anankiray raha mandainga, na mivadika, na manao asa ratsy isankarazany, ka tsy midika izany fa, ny finoana silamo no mandidy azy hanao izany ary manaiky izany!!!

Anatin’ny finoana Silamo dia ahitana karazan’olona isan’ambaratongany amin’ny finoana. Misy amin’izy ireo no mampihatra tanteraka antsakany sy andavany ny fampianarana Islamika, mandrapaha hatonga azy amin’ny ambaratongan’ny fahatongavandafatra.

Nefa misy amin’izy ireo koa no, tsy manatanteraka ny fampianarana Islamika, fa lasa manao zavatra mifanohitra amin’izany. Ka mendrika an’izay manao an’izany no ho saziana, na eto an-tany na any ankoatra. Nefa na dia izany, dia mbola anatin’ny finoana silamo ihany izy. Ka ny fiantsoana azy dia ny hoe; Mpino Silamo manota sy manao fahotana.

  • Ka ny hafatra izay ampitaiko amin’ny tsy mpino silamo rehetra dia, mba hanana fahaleovan-tena amin’ny fitsarany fa, tsy hanaraka ny heviny fotsiny. Ary mba hanitsy ny hafa ankoatry ny tenany. Ary mba hamaky ireo boky marina miresaka momba ny finoana Silamo, mba hahafantarany marina ny tena atao, hoe;

Silamo sy ny lalánany, ary koa fa, izio dia finoan’ny Tompo Andriananahary.

Ka izay mamaky momba izany (Silamo),dia mba hahazo ny fitiavana ny Finoana ary mba hampatanjaka izay misy azy, mba ho fitadiavana ny fahamarinana. Ka matoky tsara aho fa, Allah dia hanome azy fahiratan’ny masony, ary hitarika azy any amin’ny lála-mahitsy, izay tian’i Allah hahazo hatsarana. Nambaran’ilay Mpanoratra vavy (166) L. Veccia Vaglieri, ao amin’ny bokiny atao hoe: Fiarovana ny finoana Silamo, nefa tsy mpino Silamo akory izy.

Mba hialana lavitra avy amin’ny fitaka amin’ny toetra tsy mendrika, ary miaro amin’ny alálan’izany ny vehivavy Mpino silamo mba hitafy ny saron-doha, ary mba handrakotra ny vatany manontolo, afa-tsy ireto faritra ireto: ny maso roa, ary ny tongotra roa, ary voasokajy, fa ny fahalalahan’ny vehivavy dia zavatra lehibe.

Izany dia tsy midika ho tsy fanajana ny vehivavy, na fanagejana ny fanirian’izy ireo. Nefa izany dia mba ho fiarovana azy ireo avy amin’ny hetahetam-pon’ny lehilahy sy ny rendrarendrany. Ity fototra matanjaka ity, izay varavarana ka hatramin’ny farany, izay miaro ny vehivavy avy amin’ny lehilahy.

Ary tahak’izany koa momba ny toetra mendrika izay notaizana azy (vehivavy). Nefa ny sasany dia manao varotra milamina amin’ny fandefasana ireo vehivavy ho mpivaro-tena, nefa miafina tanteraka ny momba izany, izay miseho any amin’ny Firenena tan-tsinanana. Ka raha ny fampiasana ny saron-doha dia voninahitra, nefa tsy voahaja anatin’ny fiarahamonina Islamika.

 

Ka ny hamarananay ny ventsoventsony, dia ny hoe; “Dera anie ho an’i Andriananahary Tompon’izao tontolo izao”.

 

 

/Users/ahmed/Documents/MY SITES & PROJECTS/PROJECTS & SITES/ISLAMLAND/profile-cover-back_s.jpg

 

[1] ka raha izay no fitakian’izy ireo, ka ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Aiza ary mba fitakian’izy ireo mahakasika ny zon’ireo izay tratry ny vonomoka sy ireo izay very firenena sady voaroaka avy amin’ny taniny, tsy vitan’izay fa, mbola alaina ankeriny ny fananan’izy ireo (ny harenany). Aiza ny fitakian’izy ireo na dia kely fotsiny, momba ny zon’ireo izay matin’ny hanoanana sy aretina isankarazany manerana ny firenena mahantra maro amin’izao tontolo izao. Ka noho izany dia, mba mangataka amin’izy ireo izahay mba hitsahatra izy ireo amin’ny fanakanana sy fanenjehana ireo Tokan-tranom-pinoana Silamo izay manatanteraka ny adidy amanandraikitra izay nandidian’ny Tompo Zanaharin’izy ireo azy ami’ny famonjena sy fanampiana ireo izay sahirana. Izay tsy manantena vali-babena avy amin’iza akory afa-tsy ny fanantenana ny valisoa avy amin’ny Tompo Andriananahary.

[2] Bokingazety; Ny hoavin’ny Silamo, Laharana:146-6/1424.H, The

Debuchery Of American Womanhoot Bikini vs. Burka

[3] /Ao @ Boky momba ny lahatra sy ny anjara, an’i Sheikh Moutawally As-

Sha’rawy, Pejy:130-132

[4] Dr. G.Lebon, pejy: 488. @ teny Arabo/Adil Za’ter

[5] Ireo Boky masina tamin’ny finoana maro isankarazany teo aloha, nosoratan’i Dr. Ali Abdoul-Wahid Wafy, Pejy:168

[6] inona no fatiantok’izao tontolo izao amin’ny fanambaniana ny Mpino Silamo.An’i Sheikh Annadwi, miresaka ny tantaran’ny Maha baharaty/karana

[7] Tantaran’ny fivoarana an’i W. Durant, J3, M1, pejy:178, 180-181, Nadikan’i Mohammad Badran

[8] Fivoaran’ny Arabo, an’i Dr.G.Lebon: Vokatry ny Finoana Silamo @ tontolon’ny vehivavy tantsinanana, pejy: 406

[9] inona no fatiantok’izao tontolo izao @ fanambaniana ny Mpino Silamo, an’i sheikh Annadwi, t@ alálan’ny R.C. DUTT. 331 10 J3 M1, momba ny vehivavy any Sina, an’i W. Durant

[10] J4 M1, Ny vehivavy any Sina

[11] Ny fivoaran’ny Arabo. Pejy: 406. Ndikan’i Zater, an’i Dr. G. Lebon.

[12] J 1 M 3 Pejy: 119, an’i W. Durant

[13] Tantaran’ny fivoarana, j 9, Pejy 118, 119-120, nadikan’i Mohammad Badran, an’i W. Durant

[14] Fampitahana ireo finoana. Dr/Ahmad Shalaby, pejy:188, ary @ Boky:Ny Fivoaran’ny Arabo, pejy: 408, nadikan’i Zaynter, an’i Dr. G. Lebon

[15] Ny Sivilizasiona Arabo, pejy: 406 Dr. G. Lebon

[16] Ny sivilizasiona Arabo, nadikan’i Zaynter, pejy: 408 an’ny Dr. G. Lebon

[17] Fampitahana ireo finoana. Dr. Ahmad Shalaby, pejy: 186.

[18] Tantaran’ny Sivilizasiona, J 7 pajy: 117-118. Nadikan’i Mohammad

Badran an’i W. Durant

[19] Pejy 406 dika-teny @ Arabo/Adil Zaynter, an’i Dr. G. Lebon

[20] Fikarohana momba ny tantaran’ny fivoaran’ny Grika sy Roma, Pajy: 149 an’i Dr. Houssen As-Sheikh

[21] Genesis 3/1

[22] Chapitre 7, toko faha: 25/26

[23] J 2M1, pejy: 374, an’i W. Durant

[24] boky deuteronomia, andininy faha: 25, ao amin’ny toko faha: 5

[25] raiki-dalana Jiosy sy fombafomba amampanao, an’i Manampahaizana lehibe jiosy Rabi: salomona Jazfred, pejy: 22